txy_1sa_text_udb/22/07.txt

1 line
623 B
Plaintext

\v 7 Hoy i Saoly tamireo panopony nisanga nagnodidin'anazy: "Tenoy zao, ry vahoak'i Benjamina, moa se hagnome saha vo tanim-boaloboky ho anigny siraray aby amindrareo gny zanadahin'i Jese? Moa se hanao andrareo aby ho kapiteninigny tafiky agnarivony vo azatony,\v 8ho takalonigny tetindrareo aby hanohisy anahy? Sy nisy tamindrareo gny napahafatasy anahy gny fa nanao fagneke tamigny zanadahin'i Jese gny zanadahiko. Sy nisy tamindrareo nalahelo anahy. Sy nisy tamindrareo napahafatasy anahy fa gny zanadahiko dra napirisiky an'i Davida panopoko hanohisy anahy. Amizao dra mivony vo miambin'anahy ereo mety hanafiky anahy."