plt-x-tanala_2ti_text_reg/01/08.txt

1 line
931 B
Plaintext

\v 8 Ka aja megnatre amin'ny fijoroana vavolombelogna momban'ny Tompontsena, na amin'ahy, Pôly, ilay gadrany. Fa koja, mijara amin'ny fahoriana ny filajantsara araka ny herin'Andriamanitra. \v 9 Fa Andriamanitra no mamonjy antsena sy nangaike antsena tamin'ny haike masina. Nanao ijany Ijy, tsy noho ireo asantsena, fa nohon'ny drafitra ijay efa nataony sy ny fahasoavany. Na die mbola tsy niandoha aja ny fotôgna die efa nagnome antsena iregne raha iregne tao amin'ny Kristy Jesôsy Ijy. \v 10 Fa amin'ijao ny famonjen'Andriamanitra die nambara tamin'ny alalan'ny fisehoan'i Kristy Jesôsy Mpagnavotra antsena. Kristy ijay nagnafogna ny fahafatesana ary nitondra fiaignana ijay tsy ho tapitre mandrakijay mba hagnajava amin'ny alalan'ny filajantsara. \v 11 Noho ijany, die vôtondro ho mpitory teny iaho, ho apostoly, ary ho mpampianatre. [Fagnamarihana: Ireo dikan-teny taloha saragne die magnampy hoe: ''Ho an'ny Jentilisa.'']