auto save

This commit is contained in:
Masikoro-001 2022-10-22 11:30:05 +03:00 committed by root
commit 770587bb20
215 changed files with 215 additions and 1 deletions

1
01/01.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 1 Toy gny fagnambara gnan'i Jesosy Kristy zay namean-Dranagnahary gnazy hampiseho gnan'ireo mpanompony gny raha tsy maintsy hiseho. Nampahaiziny gnan'io tamin'ny alalan'ny fandefasany gny anjeliny ho gnan'i Jaona mpanompony. \v 2 Jaona la nagnamarina gny mikasikin'ny safan-Dranagnahary voho reo fijoroa vavolombelo mahakasiky gnan'i Jesosy Kristy voho reo raha iaby jeriny. \v 3 Sambatsy ie zay mamaky amin'ny feo abo, voho zay mijanjy gny safan'io faminania io, voho zay mitandrina zay voasoratsy ao aminy, fotony fa mariniky gny fotoa.

1
01/04.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 4 Jaona nagnagny amin'ireo fiangona fito tagny Asia: Ho aminareo anie gny fahasoava voho fiadagna bakagny amin'ny henanio, voho taloha, voho ho avy, voho bakamin'ireo fagnahy fito zay eo agnatrehan'ny seza fiandrianany, \v 5 sady bakamin'i Jesosy Kristy, zay vavolombelo marina, lahimatoa amin'ny maty, voho lehiben'ny mpanjakan'ny tany. Ho gnan'izay tia gnantsika voho nagnafaky gnantsika tamin'ireo fahotantsika tamin'ny rany_- \v 6 Ie la nanao gnantsika ho fanjaka , mpisoro ho gnan-Dranagnahariny voho Rainy_ho Gnazy anie gny voninahitsy voho gny fahefa mandrakizay doria. Amena.

1
01/07.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 7 Ingo, bakamin'ny rahona Ie, sady gny fijery iaby hahita Gnazy, ndra la reo nandefogno Gnazy aza. Gny firenena iaby ambonin'ny tany hitagny Gnazy. Eka Amena. \v 8 " Zaho ro Alfa voho Omega," hoy gny Tompo Ndranagnahary, " zay henanio, voho taloha, voho ho avy, la zay Tsitoha."( Fanamarihanaa; gny dikan-teny hafa taloha la mivaky manahaky gnan'izao:" Zaho ro Alfa voho omega, gny fiandohana voho fiafarana," hy Tompo Ndranagnahary.

1
01/09.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 9 Zaho , Jaona__rahalahinareo voho zay raiky zay nizara taminareo tao agnatin'ny fijalia voho fanjaka voho gny fahareta ao amin'i Jesosy Kristy_- la tao amin'ny nosy atao hoe Patmo noho gny safan-Dranagnahary voho gny fijoroavavolomelo gny mahakasiky gnan'i Jesosy. \v 10 Zaho la nitarihin'ny Fagnahy tamin'ny andron'ny Tompo. nahare feo mahery manahaky gny trompetra teo ivohoko aho. \v 11 Nanao gnan'io hoe:" Soraty ao amin'ny boky zay hitanao , ka alefaso agny amin'ireo fiangona fito __ ho gnan'ny Efesosy, Smyrna, Pergamosy, Tyatira, Sardisy, Filadelfia, voho Laodikia."

1
01/12.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 12 Nizaha gny magnodidy aho nila hoe feon'ia io niresaky tamiko io, sady laha mitoliky aho la nahita fanaovan-jiro volamena fito. \v 13 Sady teo agnivon'ny fanaovan-jiro nisy raiky manahaky gny Anak'Olo, nisiky akanjo lava jisiky agny amin'ny tombony, voho fehin-kibo volamena magnodidy gny tratrany.

1
01/14.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 14 Gny lohany voho gny volony la foty manahaky gny volon'aondry_- foty manahky gny rano mandry , voho gny fijeriny manahaky gny bolo mirehitry. \v 15 Gny tombony mamirapiratsy manahaky gny varahina, manahaky gny varahina voalio teo amin'ny lafaoro, voho gny feony manahaky gny feona maro be mikoria. \v 16 Sady nana kintana fito tegny an-tagnany ankavana Ie, voho meso roa lela maragnitsy niboaky bakeo amin'ny tsihoviny. Gny tarehiny la nazava manahaky gny masoandro lafa miredareda.

1
01/17.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 17 Lafa nahajery Gnazy aho, la nitonta teo amin'ny tombony manahaky gny olo maty. nanendry gnahy tamin'ny tagnany ankavana Ie ka nanao hoe:" Ka matahotsy. Zaho ro voalohany voho farany, \v 18 sady zay raiky zay velo. Fa maty Aho, fa ingo velo mandrakizay ! sady Zaho mana gny fanalahidin'ny fahafatesa voho gny Fiainan-tsy hita.

1
01/19.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 19 Nohon'io sorato zay jerinao, zay henanizao , voho zay nitranga afaran'izao. \v 20 Manahaky gny raha mietaky mahakasiky reo kintana fito zay jerinao tegny an-tagnan-kavanako, voho reo fanaovan-jiro volamena fito:" Gny kintana fito la reo anjelin'ny fiangona fito, voho gny fanaovan-jiro la reo fiangona fito."

1
01/title.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
Toko 1

1
02/01.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 1 Sorato ho gnan'ny anjelin'ny fiangona ao efesosy hoe:" Reto gny safa bakamin'ny zay mitanjaky reo kintana fito amin'ny tagnan-kavanany sady mandeha eo amin'ireo fanaovan-jiro volamena fito, \v 2 " haiko zay fa vitanao voho gny asa mafinao sady gny fiaretanao maharitsy. Haiko fa tsy afaky handefitsy amin'ny olon-draty iha. Haiko fa nitsapanao reo zay milaza gnan-drozy ho apostoly, nefa tsy ie, sady jerinao rozy fa sandoky.

1
02/03.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 3 Haiko fa mana fahareta iha, sady nijaly mare nohon'ny amin'ny agnarako, sady tsy nilavo lefona iha. \v 4 Nefa manohitsy gnanao aho fotony namela gny fitiavanao voalohany iha. \v 5 Tarovo nohon'io gny toera zay nahalavo gnanao. Mibeaha sady manaova reo raha zay nataonao voalohany. fa laha tsy mibebaky iha , la ho avy agny aminao aho, sady hanala reo fanaovan-jironao amin'ny fipetrahany.

1
02/06.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 6 Kanefa zao ro ataonao :" Halanao gny raha vitan'ny Nikolaita, zay halako avao koa. \v 7 Ao zay manan-tsofy hijanjy zay lazain'ny Fagnahy ho gnan'ireo fiangona. Ho gnan'ny raiky zay maharesy la hameako alala hihina gny bakamin'ny hazon'ny fiaigna, zay ao amin'ny paradisan-Dranganahry."

1
02/08.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 8 Sorato ho gnan'ny anjelin'ny fiangona agny Smyrna hoe:" Reto gny safan'ny raiky zay voalohany sady farany , gny raiky zay fa maty nefa velo ndraiky:" \v 9 Haiko reo fahoria voho gny fahantranao, nefa manan-karena iha. Haiko gny fivolagnan-draty ho gnan'ireo zay miresaky gny vatany fa Jisy, kanefa tsy ie. Synagogan'i satana rozy.

1
02/10.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 10 Ka matahotsy gny amin'izay fa hiaretanao . Ingo!Gny devoly la hanoraky gny sasany aminareo agny amin'ny tragno maiky mba ho tsapaina nareo, sady hijaly agnayiny gny folo andro nareo . Matokia mandra-pahafaty, ka hameako gnanareo gny satro-boninahitsy gny fiaigna. \v 11 Zay manan-tsofy ao ie hijanjy zay resahin'ny Fagnahy ho gnan'ireo fiangona. Gny raiky zay maharesy la tsy ho simban'ny fahafatesa faharoe."

1
02/12.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 12 Sorato ho gnan'ny anjelin'ny fiangona agny Pergamosy hoe:" Reto gny safan'ny raiky zay mana sabatsy roe lela: \v 13 haiko zay ipetrahanao, la ao amin'ny hipetrahan'ny seza fiandrianan'i satana. Sady amizao mita mare gny agnarako iha. haiko fa tsy nanda gny finoanao amiko iha, ndra la tamin'ireo andron'i antipasy vavolombelo aza, zay nahatoky Gnahy, zay nivonoa teo aminareo , tao amin'ny fipetrahan'i satana.

1
02/14.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 14 Fa manan-tsafa kely aminao Aho:" Misy sasany aminareo mita mare gny fampianaran'ny Balama, zay nampianatsy gnan'i Balaka hametraky fanafintohigna eo agnatrehan'ny anak'Israely, mba hihinanan-drozy gny sakafo natao soro ho gnan'ny sampy voho ho fijangajanga. \v 15 Manahaky gnan'io , misy sasany amignareo zay mita mare gny fampianaran'ireo nikolaita.

1
02/16.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 16 Mibebaha , nohon'io! Fa laha tsy io , la ho avy malaky agny aminareo Aho, sady hifanandrina amin-drozy aho miaraky amin'ny meso gny tsihoviko \v 17 Ao zay manan-tsofy hijanjy zay lazain'ny Fagnahy ho gnan'ireo fiangona. Ho gnan'ireo zay maharesy, hameako gny sasany amin'ireo mana miafina, voho hameako vato foty miaraky amin'ny agnaram-baovao voasoratsy eo amin'ny vato, agnara zay tsy hain'olo afa-tsy zay mandramby gnazy avao."

1
02/18.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 18 sorato ho gnan'ny anjelin'ny fiangona ao Tyatitra hoe:" Reto gny safan'ny Anakin-Dranagnahary, zay mana fijery manahaky gny bolo mirehitsy sady tomboky manahaky gny varahina mangira:" \v 19 Haiko zay vitanao: Gny fitiavanao voho gny finoanao. Haiko fa zay vitanao farany la maro noho zay vitanao voalohany.

1
02/20.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 20 Kanefa zao ro hanoherako gnanao: Lefiranao gny ampela Zezebela ,zay mikaiky gny vatany ho mpaminany vavy. Amin'ny alalan'ny fampianara la mamitaky reo mpanompoko ie mba hijangajanga voho hihina sakafo atao soro ho gnan'ny sampy. \v 21 Nagnome fotoa mba hibebahany Aho, kanefa tsy mety hibebaky gny amin'ny fijangajanga ie.

1
02/22.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 22 Ingo! Hataoko marary eo ampandria ie, sady reo zay mijangajanga miaraky aminy la hampijaliako mare, laha tsy mibebaky amin'ny asa ratiny gny ampela rozy. \v 23 Ho vonoako ho maty reo anany, sady reo fiangona iaby la hahay fa Zaho gny mahafaty gny fieretrereta voho fihetseham-po. hameako araky gny asanareo kirakiraiky iaby nareo.

1
02/24.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 24 Fa gny aminareo zay sisa ao tyatira, zay iaby tsy mita zao fampianara zao, voho tsy mahay zay kaihin'ny sasany hoe sain-dalin'i satana_- Zao ro resahiko aminareo hoe:" tsy vesariko enta hafa nareo." \v 25 Ndra la io aza, tsy maintsy mitanjaky mare gny finoanareo nareo mandra-pihaviako.

1
02/26.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 26 Gny raiky zay naharesy voho zay manao zay fa vitako hatramin'ny farany, la hameako gnazy gny fahefa amin'ny firenena iaby. \v 27 Hanapaky eo amin-drozy miaraky amin'ny tehim-by , manahaky gny fanorotoroa valagny tany ro hagnapoteha gnan-drozy." \v 28 Manahaky gny nandrambesako bakamin'ny Raiko , ro hagnomezako gnazy kintana maray avao koa. \v 29 Ao gny raiky zay manan-tsofy hijajy zay lazain'ny Fagnahy ho gnan'ireo fiangona"

1
02/title.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
Toko hala 2

1
03/01.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 1 Sorato ho gnan'ny anjelin'ny fiangona agny Sardisy hoe:" Zao ro resahin'ny gny mita reo Fagnahy fiton-Dranagnahary voho reo kintana fito. Haiko zay nataonao. Malaza ho velo iha, nefa iha maty. \v 2 Mifohaza voho hatanjaho zay tavela, fa fa ho maty, fotony ty hitako tanteraky reo asanao eo imason-Dranagnahariko.

1
03/03.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 3 Tadido , nohon'io , zay nirambesinareo voho renareo. Ankatoavo io, voho mibebaha. Fa laha tsy mifoha nareo, la ho avy manahaky gny mpangalatsy Aho, ka tsy ho hainareo gny fotoa hiaviako amignareo. \v 4 Fa misy agnaran'olo tsy ampiampy agny Sardisy zay tsy nandoto gny aknjon-drozy. Handeha hiaraky amiko rozy, miakanjo foty fotony mendriky.

1
03/05.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 5 Gny raiky zay maharesy la ho ampiakanjoa foty, sady tsy hamafa gny agnarany ao amin'ny Bokin'ny Fiaigna mihitsy Aho, sady hilaza gny agnarany eo agnatrehan'ny Raiko, voho eo agnatrehan'ireo anjeliny. \v 6 Ao zay manan-tsofy hijanjy zay resahin'ny Fagnahy amin'ireo fiangona."

1
03/07.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 7 " Sorato ho gnan'ny anjelin'ny fiangona agny Filadelfia hoe:" Zao ro safany raiky zay masina voho marina_ ie ro mitanjaky gny fanalahidin'i Davida, ie ro mamoha ka tsy misy na ia ia magnily, ie ro magnily ka tsy misy na ia ia afaky mamoha. \v 8 " Haiko zay vitanareo. Ingo, nametrahako varavagna mivoha eo agnatrehanareo zay tsy afaky hilin'ia ia. Haiko fa mana hery kely nareo, ka nankato gny safako voho tsy nanda gny agnarako.

1
03/09.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 9 Ingo! Reo zay gnan'ny Synagogan'ny Satana, reo zay mivola fa Jiosy rozy nefa tsy ie zao; fa mavandy koa rozy. Hataoko avy ka hiankohoky eo an-tombokao rozy, sady ho avy rozy mba hahay fa nitia gnanao Aho. \v 10 Fotony fa nitandrina gny liliko tamin'ny fahareta nareo, la hiaro gnanareo amin'ny andro fitsapa zay fa ho avy amin'izao tontolo manontolo zao avao koa Aho mba hitsapa reo zay miaina eo ambonin'ny tany. \v 11 Ho avy tsy ho ela Aho. Tano mafy zay hananao mba tsy hisy afaky hangalaky gny satro-boninahitsao.

1
03/12.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 12 Ataoko andry eo amin'ny tempolin'ny Ndranagnahariko ze mandresy , sady tsy hiala eo mihitsy ie. Ho soratiko eo aminy gny agnaran-Dranagnahariko, gny agnaran'ny tanan'ny Ndranagnahariko( zay Jerosalema vaovao, zay mizotso bakagny an-dagnitsy bakamin'ny Ndranagnahariko), voho gny agnarako vaovao. \v 13 Ao zay manan-tsofina hijanjy zay resahin'ny Fagnahy amin'ireo fiangona."

1
03/14.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 14 " Sorato ho gnan'ny anjelin'ny fiangona agny Laodikia hoe:" Zao ro safan'ny Amena, gny vavolombelo mahatoky voho marina, zay mpanapaky gny zava-boaarin-Dranagnahary. \v 15" Haiko zay nataonareo, sady tsy mangatsiaky na mafana nareo. Magniry Aho mba ho mangatsiaky na mafana nareo! \v 16 Nohon'io, fotony nareo matimaty_ sady tsy mafana ro tsy manintsy_ la fa haloan'ny vavako nareo

1
03/17.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 17 Fa hoy nareo hoe:" Manan-draha aho, nana fitaova maro, ka tsy mila na ino ino. Fa zao tsy hainareo fa nareo ro tena mijaly, mampahonena , mahantra, jiky voho mitanjaky. \v 18 Janjigno gny torohevitso: Mivilia volamena voalio tamin'ny bolo amiko mba ho avy mpanan-draha nareo, voho akanjo foty manjopiaka mba ho afaky mampisiky gny vatanareo nareo ka tsy hampiseho gny hegnatsy gny fitanjahanareo, voho hagnosotsy gny masonareo mba hahiranatareo.

1
03/19.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 19 Ampiofaniko gny kirakiraiky iaby zay tiako, voho hampianariko gnan-drozy gny fomba tokony hiainian-drozy. Nohon'io, mazotoa voho mibebaha. \v 20 Ingo, mijoro eto amin'ny varavagna Aho sady mandondo. Laha misy mahare gny feoko ka mamoha gny varavagna, la ho avy ao an-tragnony Aho ka hihina miaraky aminy, voho ie miaraky amiko.

1
03/21.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 21 Gny raiky zay mandresy , hatolotsy gnazy gny zo hipetraky miaraky amiko eo amin'ny seza fiandrianako, manahaky gny nandreseako koa ka nipetrahako niaraky tamin'ny Raiko teo amin'ny seza fiandrianany. \v 22 Ao zay manan-tsofy hihaino zay resahin'ny Fagnahy amin'ireo fiangona."

1
03/title.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
Toko faha 3

1
04/01.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 1 Tafaran'io raha io la nijery aho, ka nahita varavagna raiky nisokatsy tegny amin'ny lanitsy. Gny feo voalohany zay reko la niresaky tamiko manahaky gny trompetsa, nanao hoe:" Miakara etoy, ka hasehoko gnanao zay tsy maintsy hiseho afaran'ireo raha reo." \v 2 Nisy fotoa aho voatariky gny Fagnahy, ka tsy nahajery fa nisy seza fiandriana nipetraky tegny amin'ny lanitsy, nisy olo nipetraky teo agnabon'io. \v 3 Gny raiky zay nipetraky teo agnabony la miendriky manahaky gny jaspa voho karneola. Nisy avana nagnodidy gny seza fiandriana . Gny avana la miendriky manahaky gny emeraoda.

1
04/04.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 4 Nisy seza fiandriana roapolo efatsamby nagnodidy gny seza fiandriana, voho loholona roapolo efatsamby ro nipetraky teo agnabon'ireo seza fiandriana, niakanjo foty, niaraky tamin'ny satro-boninahitsy volamena tegny amin'ny lohan-drozy. \v 5 Bakamin'izay seza fiandriana ro nisy tsela-pahazava, kotroko, voho kotro-baratsy. Nisy jiro fito nirehitsy teo agnatrehan'ny seza fiandriana, jiro zay fagnahy fiton-Dranagnahary

1
04/06.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 6 Teo alohan'ny seza fiandriana la nisy ranomasina fitaratsy , manahaky gny kristaly. Reo zava-managnay efatsy la teo agnivon'ny seza fiandrianana voho magnodidina gnan'io, feno maso, teo agnatrhany voho tao an-dambosiny.

1
04/07.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 7 Gny raha-manan'aina voalohany la manahaky gny liona, gny raha-manan'aina faharoe manahaky gny anak'aomby, gnh raha-manan'aina fahatelo la miendriky olo, voho gny raha-manan'aina fahaefatsy manahaky gny voro-mahery mitily. \v 8 Reo zava-manan'aina efatsy la samby mana elatsy eniny iaby, feno maso gny agnabo voho gny ambany. Andro voho haly rozy la tsy mila tsy mijano miresaky hoe:" Masina, masina, masina gny Tompo Ndranagnahary Tsitoha zay nisy , voho misy, voho mbo ho avy."

1
04/09.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 9 Na mbia mbia reo zava-manan'aina la hagnome voninahitsy, laza voho fisaora gnan'ny gny raiky zay mipetraky eo amin'ny seza fiandriana doria, gny raiky zay velo mandrakizay doria, \v 10 reo loholona roapolo efatsamby la nampiankohoky gny vatan-drozy eo agnatrehan'ilay raiky zay mipetraky eo amin'ny seza fiandriana. Miankohoky eo amin'gny raiky zay velo mandrakizay doria rozy, voho nanipy gny satro-boninahin-drozy teo agnatrehan'ny seza fiandriana, miresaky hoe:' \v 11 Mendriky iha, ry Tomponay voho Ndranagnaharinay, handramby gny voninahitsy voho laza voho hery. Fa Iha romoro gny raha iaby, voho tamin'ny alalan'ny sitraponao, la nisy rozy voho nohariany."

1
04/title.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
Toko faha 4

1
05/01.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 1 Sady nahita gny tagnan-kavanan'ny gny raiky zay nipetraky teo amin'ny seza fiandriana aho, horonona-taratasy voasoratsy eo agnatreha voho ao afara. Sady nifehezy tamin'ny tombo-kase fito io. \v 2Nahita anjely mahery nagnambara tamin'ny feo mare aho, niresaky hoe: Ia ro mendriky gny hanokatsy gny horonan-taratasy voho hamoha gny tombo-kasen'io?"

1
05/03.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 3 Tsy misy olo baka an-dagnitsy na eto an-tany na ambonin'ny tany ka afaky hanokatsy gny horonan-taratasy na hamaky gnan'io.\v 4 Nitagny mare aho-fotony tsy nisy olo hita mendriky gny hanokatsy gny horonan-taratasy na hamaky gnan'io. \v 5 Kanefa raiky tamin'ireo loholona niresaky tamiko hoe:" Ka mitagny. Indo! Gny lion'ny fokon'i Joda ,gny solofon'i Davida , la nandresy Afaky gny hanokatsy gny horona-taratasyvoho reo tombo-kase fito ie.

1
05/06.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 6 Nahita Anak'aondry mitsanga eo agnelagnelan'ny seza fiandriana voho reo raha-manan'aina efatsy voho eo agnivon'ireo loholona aho. manahaky gny hoe olo nivonoa ie. Nana tandroky fito voho fijery fito; rozy ro fagnahy fiton-dranagnahary nalefa nanera gny tany. \v 7 Nandeha ie sady nangalaky gny horonan-taratasy tegny amin'ny tagnakavan'ny gny raiky zay nipetraky teo amin'ny seza fiandriana .

1
05/08.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 8 Lafa nirambesin'izay Anak'aondry gny horonan-taratasy , reo raha-manan'aina efatsy voho reo loholona roapolo efatsamby la nampiankohoky gny vatan-drozy teo agnatrehany. Samby nana lokanga voho lovia volamena feno emboky magnitsy iaby gny kirakiraiky tamin-drozy, zay vavak'ireo mpino.

1
05/09.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 9 Nihira hira vaovao rozy:" mendriky gny handramby gnan'ny horonan-taratasy iha voho hanokatsy gny tombo-kasen-drozy. Fa iha la nivonoa, voho tamin'ny ranao ro nivilia gnan'ireo olon-Dranagnahary bakamin'ny foko, firesaky, olo, voho firenena manontolo. \v 10 Nataonao fanjakana voho mpisoro rozy mba hanompo gnan-Dranagnahary, voho hanjaka eto an-tany."

1
05/11.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 11 Bakeo aho la nahajery voho nahare feon'anjely maro nagnodidy gny seza fiandriana voho reo raha-manan'aina voho reo loholona. Gny fitambaran-drozy la amagn'aliny. \v 12 Niresaky tamin'ny feo mare rozy hoe:" Mendriky anie gny Anak'Aondry zay nivonoa mba handramby fahefa , hanagna, fahendrea, hery, laza, voninahitsy, voho dera."

1
05/13.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 13 Nahare reo raha voaforo manontolo zay tagny an-dagnitsy voho teto an-tany voho an-dranomasina aho-gny raha iaby tao agnatin'reo -niresaky hoe:" Ho gnan'ilay raiky zay mipetraky eo amin'ny seza fiandriana voho ho gnan'ny gny Anak'Aondry, anie gny dera, gny laza, gny voninahitsy, voho gny fahefa handidy, mandrakizay doria." \v 14 Reo zava-mana-manan'aina efatsy , niresaky hoe:" Amena!" Voho reo loholona niankohoky voho nivavaky .[ Fanamarihana: Gny sasany amin'ireo dikan-teny taloha la mivaky hoe:" Reo loholona efapolo roamby la niankohoky voho nanaompo gnan'izay raiky zay velo mandrakizay doria."]

1
05/title.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
Toko faha 5

1
06/01.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 1 Lafa nanokatsy gny raiky tamin'ireo tombo-kase fito gny Anak'Aondry la nijery aho, sady nahare gny raiky tamin'ireo zava-manan'aina efatsy tamin'ny feo manahaky gny kotsoky aho niresaky hoe:" Avia! \v 2 Nijery aho sady nisy soavaly foty teo. Gny mpondra gnan'io la nitanjaky tsipika, sady namea satro-boninahitsy ie. Niboaky manahaky gny mpandresy ie mba handresy.

1
06/03.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 3 Lafa nanokatsy gny tombo-kase faharoe gny Anak'Aondry, la nahare gny raha-manan'aina faharoe aho niresaky hoe:" Avia!" \v 4 La nisy soavaly hafa niboaky mirehitsy mena. Gny mpondra gnan'io ro namea alala hangala fiadagna amin'ny tany, mba hifamono gny olony. Io mpondra io la namea sabatsy bevata.

1
06/05.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 5 Lafa nanokatsy gny tombo-kase fahatelo gny Anak'Aondry, la nahare gny raha-manan'aina fahatelo aho niresaky hoe:" Avia!" Nahita soavaly mainty aho, sady gny mpanday gnan'io la nita mizana tegny an-tagnany. \v 6 Nahare manahaky gny feo tamin'ny zava-manan'aina efatsy aho niresaky hoe:" Gny vary eran'ny fatram-bary ho gnan'ny denaria raiky, voho gny hordea in-telon'ny fatram-bary ho gnan'ny denaria raiky. Fa ka manimba gny menaky voho gny divay."

1
06/07.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 7 Lafa nanokatsy gny tombo-kase fahaefatsy gny AnakAondry, la nahare gny feon'ny raha-manaa'aina fahaefatsy aho nireaky hoe:" Avia! \v 8 la nahajery soavaly hatsatsy aho. Gny mpanday gnan'io la nikaihy hoe fahaefatsy hoe Fahafatesa, voho reo Fasana la nagnaraky gnazy . Namea fahefa amin'ny ampaha-efatsy gny tany rozy, mba hamono amin'ny meso, mosary voho arety, sady amin'ireo bibidian'ny tany.

1
06/09.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 9 Lafa nanokatsy gny tombo-kase fahalimy gny Anak'Aondry , la jeriko tao ambany alitara reo fagnahin'ireo zay nivonoa noho gny safan-Dranagnahary voho gny fijoroa vavolombelo zay nitanan-drozy. \v 10 Nikoraky tamin'ny feo mare rozy hoe:" Mandra-pahovia, ry Mpanapaky agnabo manontolo, masina voho marina, ro hitsaranao gnan'ireo zay miay eto an-tany, voho hamalia faty gny lionay? \v 11 La namea akanjolava gny kirakiraiky bakamin'ireo, voho niresahy rozy fa tokony hiamby kelikely mandra-pahazoa gny isa fenon'ireo mpiara-manompon-drozy voho reo rahalahy voho anabavin-drozy zay tokony hovonoa rozy, manahaky gny namonoa gnan-drozy.

1
06/12.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 12 Lafa nanokatsy gny tombo-kase fahaeny gny Anak'aondry, la nijery aho sady nisy horohoron-tany bevata. Lasa mainty manahaky gny lamba fisaogna gny masoandro, voho gny volana fenomanana la lasa manahaky gny ra. \v 13 Reo kintana tegny amin'ny lanitsa la nilavo tety an-tany manahaky gny aviavy magnintsa gny voany manta lafa ahetsiky gny tsioky mahery. \v 14 Gny lanitsa la nanjavo manahaky gny horonan-taratasy zay naorongoro. Gny tendrombohitsy voho gny nosy iaby la nala teo amin'ny toerany.

1
06/15.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 15 Bakeo reo mpanjakan'ny tany voho gny olo manan-danja, voho reo jenerealy, gny mpanan-draha, gny mahery, voho gny hafa iaby, andevo voho afaky, nietaky tao agnatin'ireo lava-bato voho tamin'ireo vatolampin'ny tendrombohitsy. \v 16 Niresaky tamin'ireo tendrombohitsy voho tamin'ireo vatolampy rozy hoe:" Milavoa aminay! Afeno amin'ny tarehin'ny gny raiky zay mipetraky eo amin'ny seza fiandriana voho amin'ny fahatezeran'ny Anak'aondry rahay. \v 17 Fa avy gny andro bevatan'ny fahatezeran-drozy. Ia ro hahavita hiharitsy?"

1
06/title.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
Toko faha 6

1
07/01.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 1Tafaran'io la nahita anjely efatsy nitsanga teo amin'ny zoro tany efatsy aho, nanahitsy mare gny tsioky efatsy gny tany, mba tsy hisy tsioky hitsoky amin'ny tany, amin'ny ranomasina, na hifanohitsy amin'ny hazo manontolo. \v 2 Nahita anjely hafa aho niakatsy bakagny antignana, zay nana gny tombo-kasen-Dranagnahary velo. Nikoraky tamin'ny feo mare tamin'ireo anjely efatsy zay nahazo alala hanimba gny tany voho gny ranomasina ie :" \v 3 Ka simba gny tany, gny ranomasina, na reo hazo mandra-pagnisantsika gny tombo-kase eo amin'ny handrin'ireo mpanompon-Dranagnaharintsika."

1
07/04.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 4 Nahare gny isan'ireo zay voatombo-kase aho:" 144.000, ro voatombo-kase bakamin'ny fokon'Israely manontolo: \v 5 Roarivo voho ray aly ro voatombo-kase bakamin'ny fokon'i Joda, roarivo voho ray aly bakamin'ny fokon'i Robena, roarivo voho ray aly bakamin'ny fokon'i Gada, \v 6 roarivo voho ray aly bakamin'ny fokon'i Asera, roarivo voho ray aly bakamin'ny fokon'i Naftaly, roarivo voho ray aly bakamin'ny fokon'i Manase.

1
07/07.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 7 roarivo voho ray aly bakamin'ny fokon'i Simeona, roarivo voho ray aly bakamin'ny fokon'i Levy, roarivo voho ray aly bakamin'ny fokon'i Isakara, \v 8 roarivo voho ray aly bakamin'ny fokon'i Zebolona, roarivo voho ray aly bakamin'ny fokon'i Josefa, voho roarivo voho ray aly bakamin'ny fokon'i Benjamina ro voatombo-kase.

1
07/09.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 9 Tafaran'ireo raha reo la nijrey aho, voho nisy olo maro mare zay tsy hay isa__ bakamin'ny firenena , foko, olo, foho firesaky manontolo__ nitsanga teo agnatrehan'ny seza fiandriana voho teo agnatrehan'ny Anak'aondry. Nanao ankanjo lava foty voho mita sampan-drofia tegny amin'ny tagnan-drozy, \v 10 sady niakiky mare tamin'ny feo maher rozy nanao hoe:" Gny famonjea la gnan-Dranagnaharintsika zay mipetraky eo agnabon'ny seza fiandriana, voho gnan'ny Anak'aondry!"

1
07/11.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 11 Gny anjely iaby nitsanga magnodidy gny seza fiandriana voho magnodidy reo loholona voho gny raha-managn'ay efatsy voho rozy nampiankoholy gny tarehin-drozy teo agnatrehan'ny seza fiandriana. Nivavaky tamin-Dranagnahary rozy \v 12 nanao hoe:" Amena! Dera, voninahitsy, fahedrea, fisaora, fahefa, voho gny hery anie ho gnan-Dranagnaharintsika mandrakizay doria! Amena!"

1
07/13.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 13 Bakeo gny raiky tamin'ireo loholona nagnontany gnahy hoe:" Ia reo, misiky akanjolava foty, voho aia rozy?" \v 14 Hoy aho taminy:" Tompoko, Iha mahay ," sady hoy ie tamiko:" Reo ro hiboaky bakamin'ny Fahoria bevata . Nisasan-drozy gny ankajolava sady nifotia tamin'ny lion'ny Anak'aondry.

1
07/15.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 15 Nohon'io antony io, la eo agnatrehan'ny seza fiandrianan-Dranagnahary rozy, voho mivavaky aminy andro aman'alina ao amin'ny tempoliny. Gny raiky zay nipetraky teo amin'ny seza fiandriana la hamelatsy gny lainy amin-drozy. \v 16 tsy ho mosare sasy rozy, na hangetaheta ndraiky. tsy hamely gnazy gny masoandro, na gny hafana magnoro. \v 17 Fa gny Anak'aondry eo agnivon'ny seza fiandriana ro ho mpiaraky gnan-drozy voho hitari-dala gnan-drozy agny amin'ny loharanon'ny rano velo, sady hofafan-Dranagnahary gny ranomaso manontolo amin'ny mason-drozy."

1
07/title.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
Toko faha 7

1
08/01.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 1 Lafa nivahan'ny gny Anak'aondry gny tombon-kase fahafito, la nisy fahangina tagny an-dagnitsy teo amin'ny antsasaky fotoa teo. \v 2 Bakeo la hitako reo anjely fito zay nitsanga teo agnatrehan-Dranagnahary, voho namea trompetra fito rozy.

1
08/03.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 3 Nisy anjely hafa avy, nitanjaky finga volamena fagnoroa ditin-kazo magnitsy, nitsanga teo agnabon'ny alitara. Ditin-kazo magnitsy maro ro namea gnazy mba hanolorany gnan'io mbamin'ny vavaky gny mpino manontolo eo agnabon'ny aliatara volamena fagnoroa ditin-kazo magnitsy eo agnatrehan'ny sezam-boninahitsy. \v 4 Gny setrokin'ny ditin-kazo magnitsy, mbamin'ny vavak'ireo mpino , la niakatsy teo agnatrehan-Dranagnahary bakamin'ny tagnan'ny anjely. \v 5 nangalaky gny finga fagnoroa ditin-kazo magnitsy gny anjely sady ameno gnan'io tamin'ny bolo bakeo amin'ny alitara. Bakeo natsipiny tamin'ny tany io, sady nisy kotro-baratsy, kotsoky, tselatsy, voho horonan-taratasy.

1
08/06.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 6 Reo anjely fito zay nana reo trompetra fito la nioamana hitsoky gnan'io. \v 7 Nitsoky gny trompetra gny anjely voalohany, sady nisy havandra voho bolo mifangaro lio. Natoraky tetoy an-tany io mba ho ma gny ampahatelon'io, ma gny ampahatelon'ny hazo, voho ma iaby reo akata maitso.(Fanamarihana:Gny sasany amin'ireo dikan-teny taloha la mangalaky gny hoe:" mba ho ma gny ampahatelon'io.")

1
08/08.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 8 Nitsioky gny trompetra gny anjely faharoe, ka nisy raha manahaky gny tendrombohitsy bevata nirehitsy bolo natsipy tany an-dranomasina. Lasa lio gny ampahatelon'ny ranomasina, \v 9 maty gny ampahatelon'ny raha-managn'ay tao an-dranomasina, voho rava gny ampahatelon'ireo sambo.

1
08/10.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 10 Nitsoky gny trompetra gny anjely fahatelo, ka nisy kintana bevata nilatsaky bakegny an-danitsa, mirehitsy manahaky gny fanilo, tamin'ny ampahatelon'ireo ony voho loharano. \v 11 Raha-mangidy ro agnaran'ny gny kintana. Lasa nafaitsy gny ampahatelon'ny gny rano, sady olo maro ro maty tamin'ny gnyy rano zay lasa nafaitsy.

1
08/12.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 12 Nitsoky gny trompetra gny anjely faha efatsy, ka niova gny ampahatelon'ny masoandro, manahaky gny ampahatelon'ny volana voho gny ampahatelon'ireo kintana. Nohon'io la lasa mainty gny ampahatelon'ireo; tsy nisy hazava gny ampahatelon'ny andro voho gny ampahatelon'ny haly.

1
08/13.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 13 Nijery aho, ka nahare voro mahery zay nitily tegny agnivon'ny lanitsa, nikaiky tamin'ny feo mare hoe:" Loza, loza, loza, ho gnan'ireo zay mipetraky egny amin'ny tany , nohon'ny feona trompetsa sisa zay fa ho tsofin'ireo anjely telo."

1
08/title.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
Toko faha 8

1
09/01.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 1 Nampagneno gny trompetsa gny anjely fahalimy. Nahita kintana bakagny an-danitsa aho zay nilavo tegny amin'ny tany. Gny kintana ro namea gny fanalahidin'ny gn y lavaky tsy hita noanoa. \v 2 Nisokafiny gny lavaky tsy hita noanoa, ka niakatsy gny setroky niboaky tao amin'ny lavaky manahaky gny setroky bakamin'ny lafaoro bevata. Nivadiky maloky gny masoandro voho gny rivotsy nohon'ny setroky niboaky tao an-davaky

1
09/03.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 3 Bakamin'ny setroky ro nahatongavan'ireo valala teto ambonin'ny tany, ka namea hery manahaky gny gnan'ny maingoka teto ambonin'ny tany rozy. \v 4 Niresafy rozy tsy hanimba gny akata teto ambonin'ny tany na reo raha mitiry maitso na hazo, fa reo olo zay tsy mana tombo-kasen-Dranagnahary eo amin'ny handrin-drozy reo avao.

1
09/05.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 5 Tsy nahazo alala gny hamono reo olo reo rozy, fa hampijaly gnan-drozy tagnatiny gny limy vola avao. Gny fanaintagnan-drozy la hanahaky gny tsindron'ny maingoka lafa mamely olo. \v 6 Amin'ireo andro reo la hila fahafatesa gny olo, fa tsy hahita gnan'io. Hagniry gny ho maty rozy, nefa handositsy gnan-drozy gny fahafatesa.

1
09/07.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 7 Manahaky gny soavaly nomany tamin'ny aly reo valala. Tamin'ny lohan-drozy la nisy raha manahaky gny satro-boninahitsy volamena, voho gny tarehin-drozy manahaky gny tarehin'olombelo. \v 8 Nana volo manahaky gny volon'ampela rozy, voho gny hin-drozy la manahaky gny hin'ny liona. \v 9 nana fiarovan-tratra manahaky gny fiarovan-tratra vy rozy, voho gny feon'ny elan-drozy la manahaky gny feon'ny kalesy voho soavaly maro milailay ho agny amin'ny aly.

1
09/10.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 10 Nana rambo nisy fanindroa manahaky gny maingoka rozy; ao amin'ny rambon-drozy ro misy gny hery hanimba gny olo mandritsa gny limy volana. \v 11 nana mpanjaka rozy la gny anjelin'ny gny lavaky tsy hita noanoa. Gny agnarany tami'ny teny Hebreo la Abadona, sady gny agnarany tamin'ny teny grika la i Apolyona. \v 12 Lasa gny loza voalohany. Ingo! afaran'izao la mbo hisy loza hoe ho avy.

1
09/13.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 13 Nampagneno gny trompetsa gny anjely fahaeny, ka nahare gny feo niboaky tamin'ny tandroky gny alitara volamena zay fa nisy teo agnatrehan-Dranagnahary aho. \v 14 Sady niresaky tamin'ny gny anjely fahaeny gny feo manao hoe;" Avotoro reo anjely efatsy zay mifehy agny amin'ny gny renirano lehiben'ny Eofrata." \v 15 Reo anjely zay fa nomany tamin'io fotoa io, io andro io, io vola io voho io tao io, la navototsy mba hamono gny ampahatelon'olombelo.

1
09/16.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 16 Gny isan'ireo miaramila nitaignin-tsoavaly la 200.000.000. Nahare reo isa reo aho. \v 17 Manahaky gnan'io ro fahitako voho reo soavaly tao amin'ny fahitako voho reo zay nitaingina teo amin-drozy: Reo fiarovan-tratran-drozy la mirehitsy mena, manga antitsy voho solifara mavo. Nitovy tamin'ny lohan'ireo liona gny lohan'ireo soavaly, sady gny niboaky bakao am-bavan-drozy la bolo, setroky, voho solifara.

1
09/18.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 18 Sady gny ampahatelon'ireo olo la matin'ireo loza telo: gny bolo, gny setroky, voho gny solifara zay niboaky bakao am-bavan-drozy. \v 19 Fa gny herin'ireo soavaly la bakao amin'ny vavan-drozy voho tamin'ny rambon-drozy-fa gny rambon-drozy la manahaky gny bibilava, voho nana loha zay afaky mandratsy olo rozy.

1
09/20.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 20 Gny ambin'ireo olombelo, reo zay tsy matin'ireo loza reo, la tsy nibebaky tamin'asa zay vitan-drozy, na nijano nanompo reo demony voho sampy volamena, volafoty, varahina, vato , voho hazo -reo raha zay tsy hita maso, re, na mandeha. \v 21 Rozy la mbo tsy nibebaky tamin'ny asa famonoa , gny famosavian-drozy, gny fijangajanga na reo asa fangalaran-drozy.

1
09/title.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
Toko faha 9

1
10/01.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 1 Bakeo aho la nahita anjely mahery hafa nizotso bakagny an-dagnitsy. Tao agnaty rahona ie, voho nisy avana teo agnabon'ny lohany. Gny tarehiny la miendriky masoandro voho gny tombony la manahaky gny andry bolo. \v 2 Mitanjaky horonan-taratasy kely mivelatsy amin'ny tagnany ie, sady mametraky gny tombony havana amin'ny ranomasina voho gny tombony havia amin'ny tany.

1
10/03.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 3 Bakeo ie la nikoraky tamin'ny feo mare manahaky gny fieron'ny liona. Lafa nikoraky ie, la nikotroky mare tamin'ny feony gny kotroky fito. \v 4 Lafa nikotroky gny kotroky fito, la teo andalam-panorata aho, fa nahare feo bakagny an-dagnitsy aho niresaky hoe:" Tanjaho ho tsiambaratelo zay niresahin'ny kotroky fito. Ka sorata io."

1
10/05.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 5 Bakeo gny anjely hitako nitsanga teo agnabony ranomasina voho teo amin'ny tany, nanandratsy gny tagnany havana tagny an-danitsa. \v 6 Ie nianiana tamin'ny gny raiky zay velo mandrakizay doria, zay namoro gny lanitsa voho zay iaby ao agnatin'io, gny tany voho zay iaby ao agnatin'io, voho gny ranomasina voho zay iaby agnatin'io, voho gny anjely niresaky hoe:" Tsy hisy fandignasa sasy. \v 7 Fa amin'ny andro raiky lafa hampagneno gny trompetsa gny anjely fahafito , la ho tanteraky gny misterin-Dranagnahary, manahaky gny nagnamabarany tamin'ireo mpaminany mpanompony."

1
10/08.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 8 Gny feo zay reko bakagny an-dagnitsy niresaky tamiko ndraiky hoe:" Mandehana , alao gny horonan-taratasy mivelatsy zay egny an-tagnan'ny gny anjely mitsanga eo agnabony ranomasina voho agnabon'ny tany." \v 9 Bakeo la lasa nagnagny amin'ny gny anjely aho ka niresaky taminy mba hagnome gnahy lay horonan-taratasy kely. Hoy ie tamiko:" Raiso gny horonan-taratasy ka hano io. Hampafaitsy gny vao an-kibonao io, fa ao am-bavanao la ho mamy manahaky gny tantely io."

1
10/10.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 10 Nalako tamin'ny tagnan'ny gny anjely gny horonan-taratasy kely ka nihaniko io. Mamy manahaky gny tantely tao am-bavako io, fa tafaran'ny nihinanako gnazy , la lasa nafaitsy gny tao an-kiboko. \v 11 bakeo nisy olo raiky niresaky tamiko hoe:" tsy maintsy maminany ndraiky iha momban'ireo olo maro, reo firenena, reo firesaky voho reo mpanjaka."

1
10/title.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
Toko faha 10

1
11/01.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 1 Nameo volotara mba ampiasa manahaky gny tehy aho. Niresahy tamiko hoe:" Mitsangana ka refeso gny tempolin-Dranagnahary voho gny alitara, voho reo zay mivavaky ao. \v 2 Fa ka refesy gny kianja eo ivelan'ny tempoly, fa namea gnan'ireo Jentilisa io. Hagnitsakitsaky gny tana masina mandritsy gny efapolo roamby vola rozy.

1
11/03.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 3 Hameko reo vavolombeloko roe gny fahefa haminany mandritsy gny 1.260 andro , nisiky lamba fisaogna." \v 4 Reo vavolombelo reo la hazon'oliva roe voho gny fipetrahan-jiro roe zay nitsanga teo agnatrehan'ny Tompon'ny tany . \v 5 Laha misy olo misafidy handratsy gnan-drozy , la miboaky reo fahavalon-rozy . Na ia ia magniry gny handratsy gnan-drozy la tsy maintsy hovonoa amin'io fomba io.

1
11/06.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 6 Reo vavolombelo reo la mana fahefa hagnily gny lanitsy mba tsy hilatsahan'ny ora mandritsa gny andro haminanian-drozy. Manam-pahefa rozy hagnova gny rano ho ra voho hamely gny tany amin'ny karaza loza iaby na mbia mbia irin-drozy. \v 7 Lafa ho vita gny fijoroan-drozy vavolombelo, la miakatsy bakagny agnaty lavaky tsy hita noanoa lay bibidia hialy hanohitsy gnan-drozy. Handresy gnan-drozy Ie sady hamono gnan-drozy.

1
11/08.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 8 Hiampatsy egny amin'ny lalan'ny tanan-dehibe gny fatin-drozy( zay atao avao koa hoe Sodoma voho Egypta) zay namantsiha gny Tompon-Drozy. \v 9 Hijery gny fatin-drozy mandritsa gny telo andro voho tapany gny olo, gny foko , firesaky , voho gny firenena manontolo. tsy ho engan-drozy apetraky ao ampasana reo.

1
11/10.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 10 Reo zay miaina eo agnabon'ny tany la hazoto amin-drozy sady hankalaza . Hifandefa fagnomeza mihintsy aza rozy fotony nampijaly reo zay miaina ambonin'ny tany reo mpaminany roe reo. \v 11 Fa afaky telo andro voho tapany la hilitsy ao amin-drozy gny fofon'aina bakamin-Dranagnahary, ka hijoro amin'ny tombony rozy. Hilatsaky amin'ireo zay mahita gnan-drozy gny tahotsy bevata . \v 12 Bakeo la hahare feo mahery bakagny an-danitsy rozy miresaky gnan-drozy hoe:" Miakara eto!" Bakeo la hiakatsy ho agny an-dagnitsy ao agnaty rahona rozy, laha mbo mijery tagny reo fahavalon-drozy.

1
11/13.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 13 Amin'io fotoa io la hisy horohoron-tany mare, voho hikopaky gny ampahafolon'ny tana. Fito arivo gny olo ho maty amin'ny gny horohorontany, voho ho raiki-tahotsy reo olo sisa tsy maty ka hagnome voninahitsy gnan-Dranagnahary gny lanitsa. \v 14 Lasa gny loza faharoe. Ingo! Avy malaky gny loza fahatelo.

1
11/15.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 15 Bakeo la nampagneno gny trompetsany gny anjely fahafito, ka nisy feo mare niresaky tagny an-dagnitsy nanao hoe:" Ho lasa fanjakan'ny Tompontsika voho gny Kristiny gny fanjakan'izao tontolo zao. Ie ro hanjaka mandrakizay doria.'

1
11/16.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 16 Bakeo reo loholona roapolo efatsamby zay nipetraky teo amin'ny seza fiandrianan-drozy teo agnatrehan-Dranagnahary la nampiankohoky gny vatan-drozy. nankalaza gnan-Dranaganhary rozy. \v 17 Hoy rozy:" Magnome fisaora Gnanao rahay, ry Tompo Ndranagnahary Tsitoha, gny henanio voho taloha, fotony nangalaky gny herinao bevata iha sady nanomboky nanjaka.( Fanamarihana: Gny sasany amin'ireo dikan-teny taloha la mivaky hoe: Gny mpanapaky gny rehetra, gny henanio voho taloha, sady gny ho avy, fa gny dikan-teny amin'izao fotoana tsy manahaky gnan'io.)

1
11/18.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 18 Nasiaky mare reo firenena , Kanefa avy gny fahatezeranao. Avy gny fotoa hitsara gny maty voho hamalianao soa reo mpamianany mpanomponao, reo zay mpino , voho reo zay natahotsy gny agnaranao , na tsy manan-danja na gny mahery. Avy gny fotoa handriganao reo zay manimba gny tany."

1
11/19.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 19 Bakeo la nisokatsy gny tempolin-Dranagnahary tagny an-dagnitsy ka hita gny fiaran'ny fanekeny ao agnatin'ny tempoliny. Nisy tsela-pahazava, kotroky, kotrokora, horohorontany, voho havandra bevata tao.

1
11/title.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
Toko faha 11

1
12/01.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 1 Famantara bevava ro hita tagny an-dagnitsy:" ampela nisiky gny masoandro, voho gny volana teo ambanin'ny tombony, voho gny satro-boninahitsy vita tamin'ny kintana folo roa amby ro teo amin'ny lohany. \v 2 Bevohoka ie, sady nikoraky mare fa fa ho teraky, ao agnatin'ny fihetsehan-jaza.

Some files were not shown because too many files have changed in this diff Show More