auto save

This commit is contained in:
Masikoro-001 2022-10-22 11:32:33 +03:00 committed by root
commit e5881999b5
287 changed files with 287 additions and 1 deletions

1
01/01.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 1 Toy gny fiandohan'ny filazantsaran'i Jesosy Kristy, gny Anakin-Dranagnahary. \v 2 Araky zay voasoratsy ao amin'Isaia mpaminany hoe:' Ingo, Zaho magniraky gny irako hialoha Gnanao, gny raiky hamboatsy gny lalanao. \v 3 Misy feo re mikaiky mare agny agn'efitsy hoe:" Ataovy vonona gny lalan'ny Tompo; ataovy mahitsy gny lala handehanany."

1
01/04.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 4 Avy Jaona , nanao batisa tagny agn'efitsy voho gny nitory gny batisan'ny fibebaha ho amin'ny famelan-keloky noho gny ota. \v 5 Gny tanin'i Jodia iaby voho gny olo iaby ao Jerosalema la avy namonjy gnazy. Nataony batisa tao amin'ny onin'i Jordana rozy, lafa niaiky gny fahotany. \v 6 Jaona la nignisy siky volon-drameva voho nanao fehikibo holitsy teo am-balahany, ka galala voho gny tantely remby ro nihaniny.

1
01/07.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 7 nagnambara ie hoe:" Misy ho avy magnaraky gnahy zay mahery mandilatsy gnahy, sady tsy mendriky ahy ndra la gny hamaha gny feh-kapany aza. \v 8 Zaho nanao batisa gnanareo tamin'ny rano, fa Ie koa hanao batisa gnanareo amin'ny Fagnahy Masy."

1
01/09.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 9 Tamin'ireo andro niavian'i Jesosy bakagny nazareta tao Galilia ro nitranga io, sady nataon'i Jaona batisa tao amin'ny onin'i Jordana Ie. \v 10 Laha vao niboaky gny rano Jesosy , la hitany nisokatsy gny lagnitsy sady nizotso teo aminy manahaky gny voromahilala gny Fagnahy. \v 11 Sady nisy feo bakagny an-dagnitsy nanao hoe:" Iha ro Anako malalako . Iha ro sitrako."

1
01/12.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 12 Bakeo la nataonin'ny Fagnahy ho agny agn'efitsy Jesosy. \v 13 Efapolo andro Ie ro tagny agn'efitsy, nalan'ny satana fagnahy. Nipetray niaraky tamin'ny bibilia Ie, voho nanompo Gnazy reo anjely.

1
01/14.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 14 Sady lafa voasambotsy Jaona , la avy tao Galilia nitory gny filazantsaran-Dranagnahary, \v 15 sady niresaky hoe:" Fa avy gny fotoa, voho fa mariniky gny fanjakan-Dranagnahary. Mibebaha la minoa gny filazantsara."

1
01/16.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 16 Lafa nandeha tegny amoron-dranomasin'i Galilia Ie, la nahajery gnan'i Simona voho Andrea rahalahin'i Simona nagnarato, fotony mpagnarato rozy. \v 17 Hoy Jesosy tamin-drozy hoe:" Avia , magnaraha Gnahy, fa ataoko mpagnarato olo nareo." \v 18 Teo eo la nagnenga gny harato rozy ka nagnaraky Gnazy.

1
01/19.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 19 Lafa nandeha lavidavitsy Jesosy, la nahita gnan'i Jakoba anak'i Zebedio voho Jaona rahalahiny; zay tao an-tsambokely namboatsy gny harato. \v 20 Nikaiky gnan-drozy Ie ka la nilaozany tao an-tsambokely avy hatragny Zebedio babany niaraky tamin'ireo mpikarama, ka nagnaraky Gnazy rozy.

1
01/21.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 21 Bakeo la avy tao Kapernaomy rozy, sady tamin'ny andro Sabata , la nilitsy tao amin'ny Synagoga Jesosy ka nampianatsy. \v 22 Tandregna tamin'ny fampianarany rozy, fotony nampianatsy gnan-drozy manahaky gny olo mana fahefa Ie fa tsy manahaky reo mpanora-dalagna.

1
01/23.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 23 Bakeo nisy johary raiky tao amin'ny synagogan-drozy zay nana fagnahy maloto nikoraky mare, \v 24 nanao hoe;" Ino ro hifandraisany aminao, ry Jesosy bakagny Nazareta? Avy hamotiky gnanay va Iha? Haiko hoe ia Iha. Iha zay Masin-Dranagnahary!" \v 25 Niresaky mare gny demonia Jesosy ka nanao hoe:" Mangina ka miboaha aminy!" \v 26 Sady gny fagnahy maloto nandova gnazy voho niboaky taminy ka nikaiky tamin'ny feo mahery.

1
01/27.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 27 Tandregna gny olo manontolo, ka nifagnontany rozy hoe:" Ino toy? Fampianara vaovao misy fahefa? Baikony ndra la reo fagnahy maloto aza ka la magnenky Gnazy rozy!" \v 28 Gny vaovao momba Gnazy la niparitaky tegny tao amin'ny farits'i Galilia ray manontolo.

1
01/29.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 29 Lafa baka niboaky gny synagoga , la avy tao an-tragnon'i Simona voho Andrea rozy, niaraky tamin'i jakoba voho Jaona. \v 30 Sady gny rafozam-bavin'i Simona nandry nararin'ny tazo , ka niresahin-drozy gnan'i Jesosy gny momba gnazy. \v 31 La namonjy Ie, ka nandramby gnazy tamin'ny tagnany, sady nagnary gnazy, la afaky gny tazony , voho nanomboky nanompo gnan-drozy ie.

1
01/32.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 32 Tamin'io hariva io, tafaran'ny filentehan'ny masoandro, la nandesin-drozy teo aminy zay narary iaby na misy demonia. \v 33 Tafavory niaraky teo am-baravagna gny tao an-tana iaby. \v 34 Nagnasitsana olo maro zay nararin'ny arety sambihafa Ie sady nandroaky demonia maro, fa tsy nengany hiresaky reo demonia fotony nahay Gnazy rozy.

1
01/35.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 35 Nifoha maray be Ie, laha mbo maiky gny andro; niala teo Ie ka nandeha tagny amin'ny toera mitoka sady reo Ie ro nivavaky. \v 36 Nila Gnazy Simona voho reo zay niaraky taminy. \v 37 Nahajery Gnazy rozy sady niresaky taminy hoe:' Mila Gnanao gny olo iaby."

1
01/38.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 38 Hoy Ie hoe:" Andeha tsika ho agny amin'ny toera hafa, agny ivelany ao amin'ireo tana magnodidy , mba hahafahako mitory safa agny koa. Fa io ro antony niboahako tatoy." \v 39 la nitety gnan'i Galilia manontolo Ie, nitory teny tao amin'ny Synagogan-drozy sady nandroaky demonia maro.

1
01/40.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 40 Nisy boka raiky avy taminy teo .Nitalaho taminy ie; nandohaliky teo Aminy voho niresaky taminy hoe:" laha sitrakao, la afaky magnalio gnahy Iha." \v 41 Onana gnazy, la naninjitsy gny tagnany Jesosy voho nikasiky gnazy, nanao taminy hoe:" Niala taminy avy hatragny gny haboka, ka nalio ie.

1
01/43.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 43 Nampitandrina mare gnazy Jesosy ka nandefa gnazy. \v 44 Hoy Ie taminy hoe:" Tandremo tsy hivola na ino ino amin'ia nia iha, fa mandehana, aseho amin'ny mpisoro gny vatanao , ka manaova fagnatitsy noho gny fagnadiova gnanao araky gny nandidian'i Mosesy, mba ho fijoroa vavolombelo ho gnan-drozy."

1
01/45.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 45 Fa niboaky ie sady nanomboky nilaza tamin'ny olo iaby voho nampiely loatsy gny safa ka la tsy afaky nilitsy an-kalalaha atgny amin'ny tana iaby sasy Jesosy. Ka nipetraky tagny ivelany tagny amin'ny toera mitoka Ie ka namonjy Gnazy gny olo baka toera manontolo.

1
01/title.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
Toko 1

1
02/01.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 1 Lafa nimpoly tao Kapernaomy Ie afaky andro vitsivitsy, la re fa tao an-tragno Ie. \v 2 Maro tokoa gny olo nivory hany ka tsy nisy toera sasy, ndra la gny teo am-baravagna aza, voho nagnambara gny teny tamin-drozy Jesosy.

1
02/03.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 3 La nisy johary maromaro namonjy Gnazy zay ninday johary malemy raiky; zay nilanjan'olo efa-dahy. \v 4 Lafa tsy afaky namonjy Gnazy mariniky rozy noh gny hamaroan'ny gnolo, la nalan-drozy gny tafon-tragno zay teo agnabon'i Jesosy, sady lafa voasokatsin-drozy, la nazotson-drozy gny fandria zay nandrian'ny gny johary malemy.

1
02/05.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 5 Nony nahita gny finoan-drozy, la hoy Jesosy tamin'ialy johary malemy hoe;' anaky, voavela gny helokao." \v 6 sady nisy sasany tamin'ireo mpanora-dalagna nipetraky teo, ka nimonomono tao ampon-drozy hoe:" \v 7 " Nagnino ro ahafahan'io johary io miresaky manahaky gnan'io? Mivola raty Ie! Fa tsy Ndranagnahary raiky avao va ro afaky mamela heloky?"

1
02/08.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 8 Fa Jesosy nahay avy hatragny tao amin'ny fagnahiny gny raha nieretseretin-drozy. sady hoy Ie tamin-drozy hoe:" Nagnino nareo ro mieritseritsy gnan'io raha io ao am-ponareo? \v 9 Ino ro moramora kokoa gny mivola amin'ny gny johary malemy hoe:" voavela gny helokao sa gny hoe:" Mitsangana, batao gny fandrianao la mandehana?"

1
02/10.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 10 Fa mba hahaizanareo fa mana fahefa hamela heloky eto an-tany gny Anak'Olo." Hoy Ie tamin'ny gny malemy hoe:" \v 11 Resahako aminao, mitsangana, batao gny fandrianao, la mandehana agny an-tragnonao." \v 12 La nitsanga ie ka nibata gny fandriany avy hatragny, voho niboaky gnan'ny gny tragno magnatriky gny iaby, ka la tandregna rozy iaby ka nagnome voninahitsy gnan-Dranagnahary, voho hoy rozy hoe:" Mbo tsy nahajery manahaky gnan'ny toy rahay."

1
02/13.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 13 Bakeo niboaky teo amoron-dranomasina ndraiky Ie, voho namonjy gnazy iaby gny vahoaky, ka nampianariny rozy. \v 14 Sady lafa nandalo Ie, la nahita gnan'i Levi anak'i Alfeo nipetrakt teo amin'ny toera famoria hetra ka hoy Ie taminy hoe:" Magnaraha Gnahy." La nitsanga ie ka nagnaraky Gnazy.

1
02/15.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 15 Nisakafo tao an-tragnon'i levy Jesosy sady mpamory hetra voho olo mpanota maro ro niara-nihina taminy voho reo mpianany, fa maro rozy ro tao sady nagnaraky Gnazy. \v 16 sady reo mpanora-dalagna, zay Fariseo, lafa nahajery gnan'i jesosy niara-nisakafo tamin'ireo olo mpanota voho reo mpamory hetra, la nagnontany gny mpianany hoe:" Nagnino Ie ro miara-mihina amin'ny mpamory hetra voho olo mpanota?"

1
02/17.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 17 Lafa nahare gnan'io Jesosy la hoy Ie tamin-drozy hoe: Tsy gny salama ro mila mpitsabo ; fa zay marary raiky avao ro mila gnan'io. tsy avy hikaiky gny olo-to Aho, fa gny olo mpanota."

1
02/18.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 18 Sady nifaly hany reo mpianats'i jaona voho reo Fariseo . Johary maromaro ro namonjy gnazy ka niresaky taminy hoe:" nagnino gny mpianats'i Jaona voho gny mpianats'ireo Fariseo ro mifady hany, fa gny mpianatsao koa tsy mba mifady ?" \v 19 La hoy Jesosy tamin-drozy hoe:' afaky mifady hany va gny mpagnatsiky gny fampankara laha mbo eo gny mpampakatsy ? Laha mbo miaraky amin-drozy eo gny mpampakatsy , la tsy afaky mifady hany rozy.

1
02/20.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 20 Ho avy gny andro hangala gny mpampakatsy eo amin-drozy, la amin'izay andro zay , ro hifady hany rozy. \v 21 Tsy misy manampy siky tonta amin'ny lamba vaovao, laha tsy io la hiala aminy gny tapa-tsiky , gny vaovao hiala amin'ny taloha, voho vao mainka ho raty gny fahatatahany.

1
02/22.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 22 Sady tsy nisy olo magnisy divay vaovao ao agnaty siny hoditsy tonta, laha tsy io la ho tataky gny divay gny hodittsy ka samy ho trobo gny divay voho gny siny hiditsa. fa koa, divay vaovao atao ao agnaty siny hoditsy vaovao."

1
02/23.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 23 Tamin'ny andro sabata Jesosy nandeha tegny amin'ny tanimbary maromaro, sady nanomboky nioty salohimbary gny mpianany. \v 24 La hoy reo Fariseo taminy:' Jereo, nagnino rozy ro manao raha tsy araky gny lalagnan'ny Sabata?"

1
02/25.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 25 La hoy Ie tamin-drozy hoe:" Mbo tsy nivakinareo vasa zay nataon'i Davida lafa tao agnatin'ny tsy fahampia voho hamosary ie_ voho reo johary niaraky taminy_ \v 26 manao akory gny fomba nilirany tao an-tragnon-Dranagnahary tamin'ny andron'i Abiatara mpisoronabe, ka nihina gny mofon'ny fagnatrehana, zay tsy ara-dalagna ho gnan'ia nia gny mihina gnazy afa-tsy gny mpisoro avao, sady mbo nagnomezany maromaro zay niaraky taminy aza?'

1
02/27.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 27 Jesosy niresaky hoe:' Gny Sabata la natao ho gnan'ny anak'olombelo, fa tsy anak'olombelo ro ho gnan'ny Sabata. \v 28 Nohon'io , gny Anak'Olo ro Tompo, ndra amin'ny Sabata aza."

1
02/title.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
Toko faha 2

1
03/01.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 1 La nandeha tao amin'ny Synagoga ndraiky Jesosy ka nisy johary maty tagna tao. \v 2 Nijery agnilany Gnazy gny olo sasantsasany mba hahita laha nagnasitsana gnazy amin'ny sabata Ie mba ahafahan-drozy magnameloky Gnazy.

1
03/03.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 3 Hoy Jesosy tamin'ny gny johary maty tagna hoe:" Mitsangana ka mijoroa eto agnivon'ny olo iaby eto." \v 4 La niresaky tamin'ny olo Ie hoe:" Ara-dalagna va gny manao soa amin'ny andro sabata sa manao gny raty; gny mamonjy aina, sa gny mahafaty?" Nefa rozy tsy nahaloan-dresaky.

1
03/05.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 5 Nijery gnan-drozy tamim-pahatezera Jesosy , voho nalahelo Ie nohon'ny hamafin'ny fon-drozy, la niresaky tamin'ny gny johary Ie hoe:" Ahinjiro gny tagnanao." La natsotran'ny gny johary gny tagnany ka janga. \v 6 Niboaky reo fariseo voho nikonokonona malaky niaraky tamin'ny Herodiana hila zay fomba hamonoa Gnazy.

1
03/07.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 7 Bakeo Jesosy , niaraky tamin'ireo mpianany, nagnegny an-dranomasina, voho nisy vahokay maro nagnaraky bakagny Galilia voho bakagny Jodia \v 8 voho bakagny Jerosalema voho bakagny Edoma voho hatragny amin'ny onin'i Jordana voho magnodidy gny tyro voho Sidona. Lafa nahare momba reo raha nataony rozy , la nisy vahokay maro nandeha aminy.

1
03/09.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 9 La nampila sambokely gny mpianany Jesosy ho Gnazy noho gny hamaroany gn'olo teo, mba tsy hifanosehan'ny gn'olo Ie. \v 10 Noho Ie nagnasitsana olo maro, la nifandrobaky namonjy Gnazy gny olo manontolo zay nana arety mba hikasiky Gnazy.

1
03/11.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 11 Isaky gny nahajery Gnazy reo fagnahy maloto, la niankohoky teo agnatrehany voho nikoitsaky, ka hoy rozy :" Iha ro Anakin-Dranagnahary." \v 12 Niresahany mareo reo mba tsy hampahay Gnazy.

1
03/13.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 13 Niakatsy tegny an-tendrombohitsy Ie,voho nikaiky reo zay tiany, la nandeha teo aminy rozy. \v 14 Nanendry reo folo raomby lahy Ie( Zay atao hoe:" Apostoly), mba hahafahan-drozy miaraky aminy voho hahafahany mandefa gnan-drozy mitory gny hafatsy, \v 15 sady hanagna fahefa handroaky demonia. \v 16 Bakeo la nanendry reo folo raomby Ie: Simona, zay nameany agnara hoe:" Petera;

1
03/17.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 17 Jakoba anak'i Zebedio, voho Jaona rahalahiny, zay nameany gny agnara hoe: Boanarijesy, zay midika hoe: Ana-baratsy; \v 18 voho Andrea, Filipo, Baitolomeo, Matio, Tomasy, Jakoba anak'i alfeo, Tadeo, Simona Zelota, \v 19 voho Jodasy Iskariota, zay hamadiky Gnazy.

1
03/20.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 20 La noly tagny an-tragno Ie, voho niara-avy ndraiky gny vahoaky, hany ka tsy afaky nisakafo akory rozy. \v 21 Lafa nahare gny momba gnan'io gny avorohotany, la niboaky rozy hangalaky Gnazy, fotony niresahan-drozy hoe:" Tsobo saina Ie." \v 22 Voho reo mpanora-dalagna zay nizotso bakagny Jerosalema la nivola fa :" Ipetrahan'i Belzeboba Ie." Ka "Amin'ny alalan'ny mpanapaky gny demonia ro androahany gny demonia."

1
03/23.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 23 La nikaihin'i Jesosy handeha eo aminy rozy ka niresaky gnan-drozy tamin'ny alalan'ny fagnohara hoe:" Manao akory ro hahafahan'i Satana mandroaky gnan'i Satana? \v 24 Laha misy fanjakana mialy an-tragno, la ho rava io. \v 25 Voho laha misy tokan-trano mialy an-tragno, la tsy haharitsy io tokan-trano io.

1
03/26.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 26 Laha nitsanga nanohitsy gny vatany Satana ka nisaraky , la tsy haharitsy , ka hifarana. \v 27 Fa tsy misy afaky militsy ao amin'ny tragnony johary mahery raiky ka nandroba gny fanagnany laha tsy mamehy lay mahery aolha, voho handroba gny tragnon-drozy bakeo.

1
03/28.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 28 Resahako marina aminareo, ho voavela iaby gny heloky gny anak'olombelo , ndra la reo safa raty iaby zay aboakin'ny tsihoviny aza, \v 29 fa zay mivola raty gny Fagnahy Masina koa la tsy ho voavela heloky mandrakizay, fa meloky nohon'ny ota mandrakizay." \v 30 Nagnambaran'io Jesosy noho gny firesahan-drozy hoe:" Mana fagnahy maloto Ie."

1
03/31.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 31 Bakeo la avy gny reniny voho reo rahalahiny sady nijoro tegny ivelany. nandefa olo nampahay Gnazy rozy, ka nampikaiky Gnazy. \v 32 Nipetraky magnodidy Gnazy gny vahoaky voho hoy rozy taminy hoe;" Gny reninao voho reo rahalahinao la ao ivelany ao, sady mila gnanao rozy."

1
03/33.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 33 Sady Ie namaly hoe:" Ia ro reniko voho rahalahiko?" \v 34 Nijery nagnodidy tamin'ny olo nipetraky magnodidy Gnazy Ie sady hoy Ie hoe:" Jereo, reto gny reniko voho gny rahalahiko! \v 35 Fa ndra ia ia manao gny sitrapon-Dranagnahary, la io olo io ro rahalahiko, voho anabaviko, voho reniko."

1
03/title.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
Toko faha 3

1
04/01.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 1 Sady nanomboky nampianatsy teo amoron'ny ranomasina ndraiky Ie , voho nisy vahoaky lako nivory nagnodidy Gnazy. Nilitsy tao an-tsambokely zay teo an-dranomasina Ie, sady nipetraky tao amin'io. Gny vahoaky iaby koa la nijano teo agnilan'ny ranomasina. \v 2 Nampianatsy gnan-drozy raha maro tamin'ny alalan'ny fagnohara Ie, sady tao amin'ny fampianarany, la zao ro niresahany tamin-drozy.

1
04/03.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 3 " janjigno, nisy mpamafy handeha hamafy voa. \v 4 Sady laha namafy ie, la nisy voa sasany niraraky tamin'ny lala, ka avy reo voro ka nihina gnan'io. \v 5 Gny voa sasany niraraky tamin'ny feno vatovato, zay tsy nisy tany firy. Avy la nitsimoky avy hatrany rozy, fotony tsy laliky gny tany nisy gnazy.

1
04/06.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 6 Fa lafa niposaky gny masoandro, la nalazo rozy, ary satria tsy nisy fakany rozy, la maiky . \v 7 Gny voa hafa niraraky tamin'ny tany feno fatiky. Sady nitsimoky niha-bevata reo fatiky la nangeja gnazy, ka tsy namoa voa.

1
04/08.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 8 Gny voa hafa niraraky tamin'ny tany soa ka namokatsy voa teo am-pitomboa sady nihamaro, voho gny sasany nitombo avo telopolo heny, gny sasany enimpolo, voho gny sasany zato." \v 9 Bakeo la hoy Ie hoe:" Zay manan-tsofy handesy mijanjy, ao ie hijanjy."

1
04/10.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 10 Lafa Jesosy avao teo,la nagnontany Gnazy momba io fagnohara io reo zay akaiky Gnazy voho reo mpianany foloroamby. \v 11 Hoy Ie tamin-drozy hoe:" Ho gnanareo ro nagnomeza gny raha mietakin'ny fanjakan-Dranagnahary. Fa ho gnan'ireo zay agny ivelany la fagnohara iaby, \v 12 mba amin'ny fotoa hanentean-drozy; eka hijery rozy, nefa tsy hahajery, voho mba amin'ny fotoa hijanjignan-drozy, eka hahajanjy rozy, nefa tsy hahay gnan'io , na koa hiodiky rozy la hamindra fo amin-drozy Ndranagnahary."

1
04/13.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 13 La hoy ie tamin-drozy hoe:" tsy azonareo va io fagnohara io? Manao akory zany ro hahazoanareo reo fagnohara hafa iaby? \v 14Gnyy mpamboly zay mamafy gny voa la gny raiky zay mamafy gny safa. \v 15 Reto ro gny niraraky tegny an-dala, zay namafaza gny safa, fa lafa ren-drozy io, la avy hatragny Satana voho hangalatsy gny safa zasafa zay voafafy tamin-drozy.

1
04/16.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 16 Reto gny voafafy tamin'ny tany feno vato, zay lafa nahare gny safa, la nandramby gnan'io avy hatrany tamim-pazotoa. \v 17 tsy misy fakany ao amin-drozy fa maharitsy fotoa tsy ampy avao. La avy gny fahoria na fagnenjeha noho gny safa, ka avy hatrany la lavo rozy.

1
04/18.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 18 Reo hafa ro lay voafafy tamin'ny tany feno fatiky. Ren-drozy gny safa, \v 19 fa gny fanahian'izao tontolo zao, gny famitahan'ny hanagna, voho gny fila gny raha hafa la tafilitsy ka mangeja gny safa, ka tsy mamoa iaby io. \v 20 Voho reo zay voafafy tegny amin'ny tany soa la reo zay nahare gny safa sady mandramby gnan'io, ka namoa vokatsy rozy_ telopolo, enimpolo, na avo zato henin'izay nafafy."

1
04/21.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 21 Jesosy niresaky tamin-drozy hoe:" Moa andesinao ao an-tragno va gny jiro mba hatao ao ambany sobiky , na ambanin'ny farafara? Andesinao militsy io la hataonao agnabon'ny fipetrahan-jiro. \v 22 Fa tsy misy raha mietaky zay tsy ho hay, sady tsy misy tsiambaratelo zay tsy hiboaky. \v 23 Laha misy manan-tsofy handesy mijanjy , ao ie hijanjy!"

1
04/24.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 24 Hoy Ie tamin-drozy hoe:" Mitandrema amin'ny safa zay renareo, fa araky gny ohatsy agnoharanareo avao, ro agnohara nareo, sady hampia aminareo io. \v 25 Fotony ndra ia ia mana, la hamea maro tokoa ie, fa ndra ia ia tsy mana , na zay anagnany aza hala aminy."

1
04/26.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 26 Sady hoy avao koa Ie hoe:" Gny fanjakan-Dranagnahary la manahaky gny olo raiky mamafy gny voany amin'ny tany. \v 27 miroro ie amin'ny haly voho mifoha amin'ny maray, fa tsy hainy hoe manao akory. \v 28 Gny tany la mamoa amin'ny vatany avao:Voalohany gny rantsany, bakeo gny tahony, bakeo gny voa matoe eo amin'ny tahony. \v 29 Voho lafa matoe gny voa la avy hatragny ie la handefa fijinja , fa fa avy gny fotoam-pijinja."

1
04/30.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 30 Sady hoy ndraiky Ie hoe:" Ino ro azontsika ampitaha gny fanjakan-Dranagnahary, ndra ino ro fagnohara hampiasantsika hagnazava gnan'io? \v 31 Io la manahaky gny voatsinampy zay lafa hafafy, la ie ro voa kely mare amin'ny voa iaby eto ambonin'ny tany. \v 32 Nefa, lafa voafafy io, la mitsimoky ka lasa bevata noho gny hazo manontolo, voho mamoa rantsa bevata, ka azon'ny voromanidina hanaova gny tragnony eo amin'ny alokiny."

1
04/33.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 33 Sady fagnohara maro manahaky gnan'io ro nagnambarany gny safa tamin-drozy, araky zay fahazoan-drozy gnazy, \v 34 sady tsy niresaky tamin-drozy afa-tsy tamin'ny fagnohara Ie, fa zao lafa Ie raiky avao teo, la nihazavagniny tamin'ireo mpianany manoka gny raha iaby.

1
04/35.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 35 Tamin'io andro io , lafa avy gny hariva , la hoy Ie tamin-drozy hoe:" andeha tsika hita egny am-pita." \v 36 ka niala teo amin'ireo vahoaky rozy, nanday gnan'i Jesosy niaraky tamin-drozy, laha igny Ie, tao agnaty sambokely igny. Nisy sambokely hafa nandeha niaraky taminy. \v 37 bakeo nanomboky nisy tafio-drivotsy mare voho gny ojan-drano nanafotsy gny sambokely ka fa saiky feno rano gny sambokely.

1
04/38.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 38 Sady Jesosy niroro raiky teo ambodin'ny sambokely, tagnabon'ny onda. Nifohazin-drozy Ie, nanao hoe:" Mpampianatsa o, tsy mampagnino Gnanao va laha ho maty eto tsika?" \v 39 Ka nifoha Ie, la niresaky mareo tamin'ny tsioky , sady niresaky tamin'ny ranomasina hoe:" Mijanogna! mitonia!" ka nijano gny tsioky , ka nisy fitonia be.

1
04/40.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 40 Sady hoy Ie tamin-drozy hoe:" nagnino nareo ro matahotsy? Mbo tsy manam-pinoa avao va nareo?" \v 41 Feno tahotsy rozy ka nifampiresaky hoe:" ia moa toy, fa ndra la gny tsioky voho gny ranomasina aza magnenky Gnazy?"

1
04/title.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
Toko faha 4

1
05/01.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 1 Bakeo tegny ampiatan'ny ranomasina rozy, tao amin'ny farits'i Gerasena. \v 2 Lafa niala bakao amin'ny sambokely Jesosy, avy hatragny la nisy johary raiky azon'ny fagnahy maloto namonjy Gnazy bakegny amin'ny fasana.

1
05/03.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 3 Nipetraky tegny amin'ny fasana toy johary toy. tsy nisy afaky nitanjaky gnazy sasy, ndra la tamin'ny rojo vy aza. \v 4 Voafehy gny maro tamin'ny gadra vy voho rojo ie. Nitapahany reo rojo sady potiky reo gadra vy. Tsy nisy nana hery nifehy gnazy.

1
05/05.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 5 Isaka'alina voho isan'andro tegny amin'ireo fasana voho tegny an-tendrombohitsy, la nikoraky ie sady nandratsy gny vatany tamin'ny vato maragnitsy. \v 6 Lafa nahajery gnan'i Jesosy bakagny lavitsy ie, la nilay nandeha aminy sady niankohoky teo agnatrehany.

1
05/07.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 7 Sady nikokary tamin'ny feo mahery ie hoe:" Ino moa ro ifandraisako aminao, ry jesosy, anakin-dranagnahary agnabo Mare? Miangavy gnanao amin'ny agnaran-Dranagnahary raiky avao aho, ka mampijaly gnahy." \v 8 Fa Ie niresaky taminy hoe:" Miboaha amin'io johary io, fagnahy maloto."

1
05/09.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 9 Sady Ie nagnontany gnazy hoe:" ia ro agnaranao?" ka nivaliany hoe:" Legiona ro agnarako, fotony maro mare rahay." \v 10 Voho niangavy mare Taminy hatragny hatragny ie tsy handroaky gnan-drozy agny ivelan'ny faritsy.

1
05/11.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 11 Sady nisy andian-koso niraoky tegny an-tedrombohitsy , \v 12 sady niangavy taminy rozy, nanao hoe:" alefao ao amin'ireo koso rahay; engao rahay hilitsy ao amin'ireo." \v 13 ka la nengany rozy; ka niboaky reo fagnahy maloto ka la nilitsy tao amin'ireo koso, sady avy la nirifatsy tegny amin'ny hantsana ho agny an-dranomasina rozy, sady koso teo amin'ny roa arivo ro maty an-dranamomasina.

1
05/14.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 14 Nitsoaky nandositsy reo nampihina gny koso sady nitatitsy gny raha niseho tao an-tana voho tagny ambanivohitsy, ka olo maro ro niboaky hanenty gny raha niseho. \v 15 Bakeo rozy nandeha amin'i Jesosy ka jerin-drozy gny johary nipetrahan'ny demonia, gny raiky zay nipetrahan'ny legiona, nipetraky teo, nisiky voho vory saina; ka la natahotsy rozy.

1
05/16.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 16 Reo zay nahajery gny raha niseho tamin'ny gny johary nipetrahan'ny demonia la nitantara tamin-drozy gny mikasiky gnan'io tamin'ny antsipiriany, sady koa nitantara momba reo koso tamin-drozy. \v 17 la nanomboky niangavy Gnazy rozy mba hialany eo amin'ny faritsin-drozy.

1
05/18.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 18 Lafa hiakatsy tao amin'ny sambokely Ie, la niangavy taminy gny johary nipetrahan'ny demonia mba hiaraky aminy. \v 19 fa zao tsy namela gnazy anefa Jesosy, fa nanao taminy hoe:" Mandehana moly agny amin'ny tragnonao voho gny longonao ka tantarao amin-drozy zay nataon'ny Tompo taminao, voho namindrany fo taminao!" \v 20 la lasa noly ie ka nanomboky nagnambaragny raha bevata zay nataon'i Jesosy taminy tagny Dekapolisy, sady tandregna gn'olo.

1
05/21.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 21 sady lafa nandeha tegny am-pita ndraiky Jesosy , tamin'ny sambokely, la ndreo nisy vahoaky maro la maro nivory nagnodidy Gnazy, laha teo amoron'ny ranomasina igny Ie. \v 22 bakeo avy gny raiky amin'ireo mpitariky gny Synagoga, atao hoe Jairo, ka raha vao nahita Gnazy, la niantoraky teo an-tombony. \v 23 Nitalaho hatragny hatragny ie, nanao hoe:" marary mare fa ho maty gny anakampelako. Mitalaho aminao aho, avia ka apetraho aminy gny tagnanao mba ho janga voho ho velo ie." \v 24 la lasa niaraky taminy Ie, sady vahoaky lako ro nagnaraky voho nanery nagnodidy Gnazy.

1
05/25.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 25 Sady nisy ampela raiky teo agnivon'ny fahaverezan-dra nandritsy gny folo roamby tao. \v 26 Nijaly mareo tokoa ie sady nitety mpitsabo maro voho nandany gny fanagnany manontolo, nefa tsy nahajery fahasitsana fa vao maika aza hiharaty. \v 27 Lafa nahare reo tatitsy momban'i Jesosy ie, la nandeha afarany tao agnatiny vahoaky ie sady nikasiky gny fisikinany.

1
05/28.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 28 Fotony hoy ie hoe:" Laha mahakasiky gny sikiny avao aho, la ho janga." \v 29 Lafa nikasiky Gnazy ie, la nijano gny fahatroboan-dra, sady tsapany hatrany agnaty fa janga tamin'ny aretiny ie.

1
05/30.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 30 hain'i Jesosy niaraky tamin'izay fa nisy hery niala bakaminy. Nitoliky tagny amin'ny vahoaky Ie sady niresaky hoe:" Ia ro nikasiky gny fisikinako?" \v 31 La namaly Gnazy reo mpianany hoe:" Hitanao reo vahokay lako mifanesiky aminao reo, ka hoy Iha hoe:" Ia ro nikasiky Gnahy." \v 32 Fa nijery gny magnodidy Gnazy Jesosy mba hahitany zay nanao gnan'io.

1
05/33.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 33 Gny sevaky, nahay zay nitranga taminy, la natahotsy voho nangovitsy. nandeha ie sady niantoraky teo agnatrehan'i Jesosy ka nilaza taminy gny marina iaby. \v 34 la hoy Jesosy taminy hoe:" anaka, gny finoanao ro nahasitsana gnanao. mandehana amin'ny fiadagna fa janga amin'ny aretinao."

1
05/35.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 35 Laha mbo niresaky Ie, la avy gny olo sasany bakagny amin'ny mpitariky gny synagoga, nanao hoe:" fa maty gny anakao. Nagnino ro mbo manahira gny mpampianatsy avao?"

1
05/36.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 36 Fa lafa nahare zay niresahan-drozy Jesosy, la hoy Ie tamin'ny gny mpitariky gny synagoga hoe:" Ka matahotsy . Minoa fotsiny avao." \v 37 Sady tsy nengany hiaraky aminy, afa-tsy Petera, Jakoba voho Jaona rahalahin'i Jakoba. \v 38 Bakagny an-tragnon'ny gny mpitariky gny synagoga rozy ka nahajery olo nitabataba mare teo Ie, nitagny voho nidradradra mare rozy.

1
05/39.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 39 Lafa nilitsy gny tragno Ie, la hoy Ie tamin-drozy hoe:" nagnino nareo ro mitoretoreo voho tomagny? Tsy maty gny aja fa miroro." \v 40 Nihehy Gnazy rozy. Nefa naboakiny tagny ivelany rozy iaby sady nangalaky gny ray voho gny renin'ny gny aja voho reo zay niaraky taminy, ka nilitsy tao amin'ny efitsy nisy gny aja Ie.

1
05/41.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 41 Nirambesisny gny tagnan'ny gny aja ka niresaky taminy hoe:' Talita, Komy!" zay adika hoe:' razazavavy, miresaky aminao Aho, mitsangana." \v 42 Avy hatragny la nitsanga razazavavy ka nandeha ( fotony folo roamby tao ie) . Tandregna avy hatrany rozy. \v 43 Nirarany mare rozy mba tsy hisy na ia ia hahay gny momba gnan'izao. Bakeo la nasainy namea hany razazavavy.

1
05/title.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
Toko faha 5

1
06/01.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 1 Nagnenga io toera io Ie ka namonjy gny tanindrazany, sady nagnaraky Gnazy reo mpianany. \v 2 sady lafa avy gny andro Sabata, la nampianatsy tao amin'ny synagoga Ie. maro gny olo nahare Gnazy ka tseriky rozy. Hoy rozy hoe:" bakaia ro nahazoany reo fampianara reo?" Ino zao fahendrea zay namea Gnazy zao? " Ino reo fahagaga zay nataony tamin'ny tanany reo?" \v 3 " tsy gny mpandrafitsy va io, gny anak'i Maria voho rahalahin'i Jakoba voho Josesy voho Jodasy voho Simona? tsy miaraky amintsika eto va reo anabaviny?" Tohina tamin'i Jesosy rozy.

1
06/04.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 4 Sady hoy Jesosy tamin-drozy hoe:" Tsy misy mpaminany tsy omen-kaja, afa-ts ao amin'ny tanindrazany voho ao amin'ny longony mariniky voho ao amin'ny avorohotany maoka avao." \v 5 tsy afaky nanao asa mahatseriky Ie, afa-tsy gny fametrahany tagna amin'ny marary tsy ampiampy sady magnasitsana gnan-drozy. \v 6 Tseriky nohon'ny tsy finoan-drozy Ie. Bakeo nandeha nagnodidy reo tana Ie hampianatsy .

1
06/07.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 7 Bakeo la nikaiky reo folo raomby gny Ie sady nanomboky nagniraky gnan-drozy kiroeroe, sady nameany fahefa teo amin'ny fagnahy maloto rozy, \v 8 sady nandidy gnan-drozy tsy handay na ino ino amin'ny liany, na mofo , na kitapo, na drala amin'ny fehin-kibon-drozy_ afa-tsy tehy avao_ \v 9 fa hanao kapa, sady tsy hanao akanjo roe.

1
06/10.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 10 Hoy Ie Tamin-drozy hoe:' Na mbia mbia nareo militsy aminy tragno raiky, la mipetraky ao mandram-pialanareo agny. \v 11 Voho laha misy tana tsy mandramby gnanareo na mijanjy gnanareo , lafa miala ao amin'io toera io nareo, la ahintsagno gny vovoky amin'ny tombokareo mba ho fijoroa vavolombelo amin-drozy."

1
06/12.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 12 La niainga rozy sady nitory fa gny olo tokony hibebaky amin'ny fahotany. \v 13 Nandroaky demonia maro rozy voho nagnosotsy marary maro tamin'ny diloilo ka nagnasitsana gnan'iregny.

1
06/14.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 14 Ren'i Heroda mpanjaka io, fotony lasa fanta-daza gny agnaran'i Jesosy. Gny sasany niresaky hoe:" Nitsanga tamin'ny maty jaona mpanao batisa voho nohon'io, la miasa ao agnatiny reo hery mahagaga reo."\v 15 Fa reo sasany koa niresaky hoe :" Elia Ie." Gny sasany mbo niresaky he:" Mpaminany Ie, manahaky gny raiky amin'ireo mpaminany tamin'ny andro taloha."

1
06/16.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 16 Fa lafa nahare gnan'io Heroda la hoy ie hoe:" Jaona, gny notapahiko loha, ro nitsanga tamin'ny maty." \v 17 Fa Heroda ro nampanambotsy gnan'i Jaona ka nandefa gnazy tagny an-tragnomaizina nohon'ny raharaha Herodiasy( valin'ny Filipo rahalahiny) Fotony nivadihany ravehivavy.

1
06/18.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 18 Fa Jaona niresaky gnan'i Heroda hoe:" tsy araky gny lalagna gny hanambalianao gny valin'ny rahalahinao." \v 19 Fa nasiaky Herodiasy ka nila zay hamonoa gnazy, fa zao tsy afaky, \v 20 noho gny fatahoran'i Herodiasy gnan'i Jaona; hainy fa olo marina voho feno fahamasigna ie, voho niaro gnazy ie. Nanahiran-tsay gnazy gny fiharezany gnazy, kanefa mbo nijanjy gnazy tam-pazotoa ie.

1
06/21.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 21 Bakeo nisy iraky tamin'ny fitsingerenan'ny tao nahaterahan'i Heroda ka nanao fanasa ho gnan'ireo lehibeny, voho reo mpifehiny, voho reo mpitariky gny Galilia ie. \v 22 la nilitsy gny efitragno fanasa gny anaky ampelan'i Herodiasy ka nisinjaky ho gnan-drozy, ka nahafinaritsy gnan'i Heroda voho reo vahiny nasaina tamin'ny fisakafoana ie. Hoy gny mpanjaka tamin-drazazavavy hoe:" Angataho amiko zay iaby tianao la hameako gnanao io."

1
06/23.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 23 Sady nianiana taminy ie nanao hoe:" Ndra ino ino angatahinao amiko, la hameako gnanao, hatramin'ny antsasaky gny fanjakako." \v 24 La niboaky ie sady niresaky tamin'ny reniny hoe hoe:" Ino ro tokony angatahiko aminy?" La hoy gny reniny hoe:" Gny lohan'i Jaona mpanao Batisa." \v 25 Eo no eo la nimpoly tagny amin'ny mpanjaka ie, ka nangataky , nanao hoe:" Tiako ameanao ahy, zao dieny zao, eo agnabony finga gny lohan'i Jaona mpanao batisa."

1
06/26.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 26 Ndra la nampalahelo mareo gny mpanjaka aza io, la tsy afaky nanda gny fangatahany ie nohon'ny fianianana nataony voho noho reo vahininy nasaina tamin'ny fisakafoana. \v 27 Nohon'io la nandidy miaramila raiky bakamin'ny mpiamby gny mpanjaka ka nandindidy gnazy handay gny lohan'i Jaona eo aminy. Lasa gny mpiamby sady nanapaky gny lohany tao an-tragnomaizina . \v 28 Nandesiny teo agnabony finga gny lohany ka natolony an-drazazavavy, voho gny zazavavy nanolotsy gnan'io an-dreniny. \v 29 Lafa nahajanjy gnan'io reo mpaminany , la avy rozy sady nangalaky gny nofony ka nametraky gnan'io tao am-pasana.

1
06/30.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 30 Nimpoly tagny amin'i Jesosy reo apostoly voho nitantara taminy zay iaby vitan-drozy voho nampianarin-drozy. \v 31 Sady hoy Ie tamin-drozy:" Andeha tsika ho agny agn'aefitsy ka hiala sasatsy kely." Fa maro gny olo ro nivezivezy, sady tsy nanam-potoa hihinana sakafo akory aza rozy. \v 32 La nandeha an-tsambokely rozy mba ho agny amin'ny tany foana.

1
06/33.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 33 Fa rozy nahita gnan'ireo nandeha sady maro ro nahay gnan-drozy, la niara-nilailay an-tomboky bakagny amin'ny tana iany rozy, sady avy talohan-drozy. \v 34 Lafa avy tegny amin'ny morony rozy, la nahajilo vahokay maro Ie sady onena gnan-drozy Ie fotony manahaky gny aondry tsy mana mpiaraky rozy. ka nanomboky nampianatsy raha maro gnan-drozy Ie.

1
06/35.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 35 Sady lafa hariva gny andro , la namonjy Gnazy reo mpianany ka nanao hoe:" Toera foana toy sady andro fa miha hariva sahady. \v 36 Alefaso rozy mba handehanany agny amin'ireo vohitsy voho tana magnodidy hivily hany ho gnan'ny vatan-drozy."

1
06/37.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 37 fa namaly Ie ka nanao tamin-drozy hoe:' Omeonareo raha hoaniny rozy." La hoy rozy taminy:" Afaky mandeha voho mivily mofo azon'ny denaria roanjato va rahay ka hamea gnan'io gnan-drozy ho hany?" \v 38 La ho Ie tamin-drozy hoe:" Firy ro mofo gnanareo? Mandehana ka Jereo ."Lafa hitany , la hoy rozy hoe: Mofo limy voho hazan-drano roe."

Some files were not shown because too many files have changed in this diff Show More