\v 16 Ankoatsizay lafa mifaly hany nareo , ka mampiseho endriky mampalahelo manahaky gnataon'ny mpiatsaravelatsihy, fa magnaraty tarehy rozy ka mba mety ho itany gn'olo fa tena mifaly hany. Resahako marina aminareo , fa fa nandramby gny valisoa rozy. \v 17 Fa iha , lafa mifaly hany, alao menaky gny lohanao voho sasao gny tarehinao, \v 18 ka mba tsy ho itan'ny hafa hoe mifaly hany , fa amin'ny Babanao zay ao amin'ny mangingina avao; voho gny Babanao zay mahajery ao amin'ny mangingina , ro hamaly soa gnanao.