msh_luk_text_udb/05/29.txt

1 line
568 B
Plaintext

\v 29 La nanao fanasana bevata tao an-tragnony ho gnan'i Jesosy i Levy. Maro reo mpamory hetra voho reo olo hafa zay nipetraky teo amin'ny latabatsy sady nihina niaraky tamin-drozy. \v 30 Nefa reo Fariseo voho reo mpanora-dalagna la nitaray tamin'ireo mpianany, nivola hoe: " Nagnino iha ro mihina voho misotro miaraky amin'ireo mpamory hetra voho gny olo mpanonta hafa?" \v 31 Namaly gnan-drozy Jesosy hoe: " Tsy mila dokotera gny olo salama; fa reo marary avao. \v 32 Tsy avy hikaiky gny olo-to ho amin'ny fibebaha Zaho, fa hikaiky gny mpanonta ho amin'ny fibebaha."