\v 36 Sady gny raiky tamin'ireo Fariseo nanasa gnan'i Jesosy hihina miaraky taminy. Ka lafa baka nilitsy tao an-tragnon'izay Fariseo Jesosy, la nipetraky hihina teo amin'ny latabatsy. \v 37 Ingo, nisy sevaky tao an-tana zay mpanonta. Sady lafa nahatsikaritsy ie fa nipetraky teo amin'ny latabatsy tao an-tragnon'izay Fariseo Ie, la nanday tavoangy alabastara feno soliky magnitsy ie. \v 38 Sady laha nitsanga tafarany teo agnilan'ny tombony ie, la nitomany, ka nanomboky nande gny tombony tamin'ny ranomasony, ka la nifafany tamin'ny volon-dohany reo sady nanoroky gny tombony sady nanosotsy reo tamin'ny menaky magnitsy.