msh_exo_text_udb/17/04.txt

1 line
737 B
Plaintext

\v 4 La nikaiky mare gnan'i Yaveh i Mosesy hoe: " Ino ro tokony ataoko amy toy vahoaky toy? Fa efa vonona hitoraky vato gnahy rozy." \v 5 Hoy Yaveh tagnamin'i Mosesy: " Mandehana eo agnatrehan'ireo vahoaky sady andeso misondry agnaminao reo loholon'i Israely sasany. Andeso misondry agnaminao gny tehy zay namangoanao gny vavarano, sady mandehana. \v 6 Hijoro eo agnatrehanao agny eo amin'ny vatolampy ao Horeba Zaho, sady hamango gny vatolampy iha. Hisy rano hiboaky amin'izay mba hinomin'ny vahoaky." La nanao zay teo amason'ireo loholon'Israely i Mosesy. \v 7 Nikaiky zay toera zay hoe Masa vo Meriba noho gny fitaraignan'ireo Israelita ie, sady fa nangalaky gny Tompo rozy tamin'ny nivolagnany hoe: " Eto agnaminay va Yaveh sa tsia?"