msh_exo_text_udb/14/26.txt

1 line
555 B
Plaintext

\v 26 Hoy Yaveh tamin'i Mosesy: " Amparo eo amin'ny ranomasy gny tagnanao mba himpoly hodoboky eo amin-drozy Egyptiana, gny kalesin-drozy sady reo mpitaingin-tsoavaliny gny rano." \v 27 Ka la namparin'i Mosesy teo amin'ny ranomasy gny tagnany, sady nimpoly tamin'ny polasiny zay lafa avy gny maraindry. Nandositsy tao amin'ny ranomasy reo Egyptiana, sady nosintonin'i Yaveh teo agnivon-drozy. \v 28 Nimpoly gny rano ka nanarona reo kalesy, reo mpitaingin-tsoavaly sady reo tafiky iaby zay nanaraky gny kalesy tao agnaty ranomasy. Tsy nisy tafavoaky velo.