\v 19 Nefa haiko fa tsy hagnenga anareo handeha gny mpanjakan'i Egypta, laha tsy tere ie. \v 20 Hagnenga gny tagnako Zaho ka hanohitsy reo Egyptiana amin'ireo fahagaga zay hitako eo amin-drozy. Lafa afaky zay la hagnenga anareo handeha ie. \v 21 La hampahitako hatea amin'ny gny Egyptiana reo olo reo, ka lafa handeha nareo, la tsy handeha amin'ny gny tagnam-polo. \v 22 Gnampela iaby la hangataky ravaky volafoty voho volamena voho akanjo amin'ireo Egyptiana mpiara-mipetraky aminy voho gnampela iaby zay mitoetsy ao antragnon'ireo tana raiky aminy. Hampandesinareo gnanakilanareo voho gnanakampelanareo zay. Zay gny fomba handravanareo gny Egyptiana."