msh_2ki_text_reg/18/16.txt

1 line
776 B
Plaintext

\v 16 La nalan'i Hezekia gny volamena teo amin'ny tempolin'i Yaveh voho teo amin'ny andry zay nametrahany takela-bolamena; sady nameany gny mpanjakan'i asyria gny volamena. \v 17 Nefa gny mpanjakan'i asyria nagnetsiky gny tafiny bevata nagniraky gnan'i Tartana voho Raba-sarsa sady gny lehiben'ny mpifehy bakagny Lakisy ho agny amin'i Hezekia mpanjaka ao Jerosalema. Nandeha niakatsy tamin'ny lala rozy sady avy tao ivelan'i Jerosalema. Namonjy gny lakan-dranon'ny Kamory agnabony rozy, teo an-dalamben'ny sahan'ny mpamotsy lamba, sady nijano teo amin'io. \v 18 Lafa nikaiky gnan'i Hezekia mpanjaka rozy, la niboaky mba hanenty gnan-drozy i Eliakima anaky lahin'i Hilkia, zay nanapaky gny avorohota, voho sebna mpanora-dalagna, voho Joa anaky lahin'i Asafa, mpitahiry talenta.