msh_2ki_text_reg/13/17.txt

1 line
744 B
Plaintext

\v 17 Hoy i Elisa hoe:' Sokafo magnantignana gny varavarakely." La nosokafany io. La hoy i Elisa hoe:' Tifiro," ka nitifitsy ie. La hoy i Elisa;' Io ro ana-tsipikam-pandresen'i Yaveh, ana-tsipikam-pandresen'i Yaveh teo amin'i Syria, fa hanafiky reo Syria agny Afeka iha mandra-pahalevonao an-drozy." \v 18 La hoy i Elisa hoe:" Rambeso reo ana-tsipika, " ka norambesin'i Joasy reo. La hoy ie tamin'ny mpanjakan'Israely hoe:' Kapohy amin'iregny gny tany,' Ka namango gny tany intelo ie, sady nijano bakeo. \v 19 Fa ingo masiaky taminy lay joharin-Dranagnahary ka nanao hoe:' Tokony indimy na igneny ro namelezanao gny tany. bakeo la tokony nanafiky gnan'i Syria iha mandra-paharinaganao gnan'io, nefa amizao intelo avao ro hanafiky gnan'i Syria."