msh_2ki_text_reg/05/20.txt

1 line
796 B
Plaintext

\v 20 Nandeha halavira boroboy avao ie, lafa nivola taminy i Gehazy mpanompon'i Elisa lay joharin-Dranagnahary hoe:' Ingo, fa namindra fo gnan'ny toy Namana lay Syriana gny tompoko tamin'ny tsy fandraisa reo fagnomeza zay nandesiny tegny an-tagnany. Laha mbo velo koa i Yaveh, la hagnaraky gnazy ho handramby raha bakaminy." \v 21 Nohon'io la nagnaraky gnan'i Namana i Gehazy. Lafa nahita olo nilay tao afarany i Namana , la nitsamboko nizotso tamin'ny kalesy ie mba hitsena gnazy sady nivola hoe:' Mety va gny raha iaby?" \v 22 La hoy i Gehazy he;' Mety iaby gny raha iaby . Nitahin'ny tompoko aho, nanao hoe:' Ingo nisy tovolahy roe bakamin'ireo anaky gny mpaminany avy namonjy gnahy bakagny amin'ny vohits'i Efraima. Miangavy lahy mba omeo talenta volafotyraiky voho akanjo hisoloa roe rozy."