msh_2ki_text_reg/23/12.txt

1 line
739 B
Plaintext

\v 12 Noravan'i Josia mpanjaka reo alitara zay teo amin'ny tafon'ny efitragnon'i Ahaza farany agnabo, zay namboarin'ny mpanjakan'i Joda, voho reo alitara zay nataon'i Manase eo amin'ireo kianjan'ny tempolin'i Yaveh anakiroe. Notorotoan'i Josia reo sady nariany toa amin'ny Lohasahan-driak'i Kidrona. \v 13 Noravan'ny mpanjaka reo toera abo antignanan'i Jerosalema, antimon'ny tendrombohitsy gny faharatia zay namboarin'i Solomona mpanjakan'Israely ho gnan'i Astarta, lay sampy maharikorikon'ireo Sidoniana; ho gnan'i Kemosy, lay sampy maharikorikon'i Moaba, voho gnan'i Moloka, lay sampy maharikorikon'ireo fokonolon'Amona. \v 14 notorotoroany reo tsangam-bato sady nokapainy reo baon'Aseraha sady nofenoany taolan'olombelo reo toera reo.