msh_2ki_text_reg/17/24.txt

1 line
768 B
Plaintext

\v 24 Nanday fokonolo bakagny Babylona voho tagny Kota, voho bakagny ava, voho bakagny Hamata voho Sefarivaima gny mpanjakan'i Asyria, ka nametraky gnan-drozy tagny amin'ny tanan'i Samaria teo amin'ny toeran'ny anak'Israely. La nahazo gnan'i Samaria regny ka nipetraky tao amin'ny tananay. \v 25 sady tamin'ny fanombohan'ny fipetrahan-drozy tagny la tsy nagnome voninahitsy gnan'i Yaveh rozy. ka nandefa liona tamin-drozy zay namono gny sasany tamin-drozy Yaveh. \v 26 La nivola taminny mpanjakan'i Asyria rozy nandesinao voho napetrakao tato amin'ny tananan'i Samaria la tsy mahay reo fomba takian'ny ndranagnahary gny tany. Ka nandefa liona teo amin-drozy ie, sady ingo mamono gny olo reo liona fotony tsy mahay reo fomba takian'ny ndranagnahary gny tany rozy."