\v 25 Fa Iha, Ndranagnahariko, la fa nagnatoro tami-gny mpanomponao fa hagnory tragno ho gnazy Iha. Zay ro gnantony, nahitako, zaho mpanomponao, fahazotoa hivavaky aminao. \v 26 Ka henanizao, Yaveh, Iha ro Ndranagnahary, la fa nanao an'izay fampagnantegna soa zay tami-gny mpanomponao. \v 27 La sitrakao gny hitahy gny tragnon'ny gny mpanomponao, mba hitohizan'izay zisiky farany agnatrehanao eo. Iha, Yaveh, ro nitahy an'izay, ka ho voatahy zisiky farany zay."