plt_ulb/65-3JN.usfm

35 lines
2.1 KiB
Plaintext

\id 3JN
\ide UTF-8
\h 3 Jaona
\toc1 3 Jaona
\toc2 3 Jaona
\toc3 3jn
\mt 3 Jaona
\s5
\c 1
\p
\v 1 Izaho loholona mamangy an'i Galo malala, ilay tiako amin'ny fahamarinana.
\v 2 Ry malala, mivavaka aho mba hambinina amin'ny zavatra rehetra ianao ary ho salama, toy ny hanambinana ny fanahinao.
\v 3 Fa nifaly indrindra aho fony nisy rahalahy tonga ary nijoro vavolombelona tamin'ny fahamarinanao, tahaka ny andehananao amin'ny marina.
\v 4 Tsy manana hafaliana be noho ity aho, dia ny mandre fa mandeha amin'ny fahamarinana ireo zanako.
\s5
\v 5 Ry malala, manao asa mahatoky ianao na amin'ny inona na inona asa ataonao ho an'ireo rahalahy sy ireo vahiny,
\v 6 izay nijoro vavolombelona ny fitiavanao teo anatrehan'ny fiangonana. Soa no ataonao raha alefanao mandeha amin'ny fomba mendrika an' Andriamanitra izy ireo,
\v 7 satria nohon'ny anarana no nialany, tsy nitondra na inona na inona avy tamin'ireo Jentilisa.
\v 8 Noho izany isika dia tokony handray ny tahaka izany, mba ho mpiara-miasa amin'ny fahamarinana isika.
\s5
\v 9 Nanoratra zavatra tamin'ny fiangonana aho, kanefa Diotrefa, ilay te-ho lohany amin'izy ireo, dia tsy nandray anay.
\v 10 Noho izany, raha tonga aho, dia ho tsaroako ireo asa izay nataony, ny fomba nilazany zavatra mahatsiravina manohitra anay miaraka amin'ny teny ratsy. Tsy afa-po tamin'ireo asa, dia tsy nandray ireo rahalahy izy. Nandrara ireo izay te-hanao toy izany izy ary nandroaka azy ireo hivoaka ny fiangonana.
\s5
\v 11 Ry malala, aza maka tahaka izay ratsy fa izay tsara. Ilay iray izay manao ny tsara dia an'Andriamanitra; ilay iray izay manao ny ratsy dia tsy nahita an'Andriamanitra.
\v 12 Ny rehetra sy ny fahamarinana dia vavolombelona manambara an'i Demetrio. Izahay ihany koa dia mijoro vavolombelona, ary fantatrao fa marina ny fanambaranay.
\s5
\v 13 Nanana zavatra betsaka ho soratana aminareo aho, fa tsy maniry hanoratra ireo aminareo amin'ny penina sy ranomainty aho.
\v 14 Kanefa aho manantena hahita anareo tsy ho ela, ary hiresaka mivantana isika.
\v 15 Ho aminareo anie ny fiadanana. Manao veloma anao ireo sakaiza aty. Veloma any amin'ireo sakaiza tsirairay araka ny anarany avy.