plt_ulb/63-1JN.usfm

210 lines
18 KiB
Plaintext
Raw Permalink Blame History

This file contains invisible Unicode characters

This file contains invisible Unicode characters that are indistinguishable to humans but may be processed differently by a computer. If you think that this is intentional, you can safely ignore this warning. Use the Escape button to reveal them.

\id 1JN
\ide UTF-8
\h 1 Jaona
\toc1 1 Jaona
\toc2 1 Jaona
\toc3 1jn
\mt 1 Jaona
\s5
\c 1
\p
\v 1 Izay hatramin'ny fiandohana- izay efa renay, izay efa hitanay tamin'ireo masonay, izay efa nojerenay, ary izay efa nokasihan'ny tananay- izany dia momba ny Tenin'ny fiainana.
\v 2 Toy izany ihany koa, ny fiainana dia nampahafantarina, ary efa hitanay izany, ka mijoro vavolombelona amin'izany izahay. Izahay dia manambara aminareo ny fiainana mandrakizay, izay tao amin'ny Ray, ary izay efa nampahafantarina anay.
\s5
\v 3 Izay efa hitanay sy renay dia ambaranay aminareo ihany koa, mba hanananareo fifandraisana aminay ihany koa. Ny fifandraisana misy eo aminay dia amin'ny Ray sy amin'ny Zanany, Jesosy Kristy.
\v 4 Toy izany ihany koa, manoratra ireo zavatra ireo ho anareo izahay mba ho tanteraka ny fifaliantsika.
\f + \ft Fanamarihana: Ireo dikan-teny taloha sasany dia mivaky toy izao: "Ary manoratra ireo zavatra ireo izahay mba ho tanteraka ny fifalianareo." \f*
\s5
\v 5 Izao no hafatra izay efa renay avy taminy ka ambaranay aminareo: Andriamanitra dia fahazavana, ary ao Aminy dia tsy misy haizina mihitsy.
\v 6 Raha milaza isika fa manana fifandraisana Aminy ary mandeha ao anatin'ny haizina, dia mandainga isika ary tsy manao ny marina.
\v 7 Kanefa raha mandeha ao amin'ny fahazavana isika tahaka Azy ao amin'ny fahazavana, dia manana fifandraisana amin'ny tsirairay avy isika, ary ny ràn'i Jesosy Zanany no manadio antsika amin'ny fahotana rehetra.
\s5
\v 8 Raha milaza isika fa tsy manam-pahotana, dia mamitaka ny tenantsika isika, ary ny fahamarinana dia tsy ao amintsika.
\v 9 Nefa raha miaiky ireo fahotantsika isika, Izy dia mahatoky sy marina amin'ny famelana ireo fahotantsika ary manadio antsika amin'ny tsy fahamarinana rehetra.
\v 10 Raha milaza isika fa tsy mbola nanota, dia manao Azy ho mpandainga, ary tsy ao amintsika ny teniny.
\s5
\c 2
\p
\v 1 Anaka, manoratra ireto zavatra ireto aho mba tsy hanotanareo. Kanefa raha misy manota, dia manana mpisolo vava isika miaraka amin'ny Ray, Jesosy Kristy, ilay marina.
\v 2 Izy no fanavotana an'ireo fahotantsika, ary tsy ny antsika ihany, fa ny an'izao tontolo izao iray manontolo ihany koa.
\v 3 Amin'izany no ahafantarantsika fa mahafantatra Azy isika: raha mitandrina ireo didiny isika.
\s5
\v 4 Ilay miteny hoe: "Mahafantatra an'Andriamanitra aho", fa tsy mitandrina ireo didiny, dia mpandainga, ary ny marina dia tsy ao aminy.
\v 5 Fa na iza na iza mitandrina ny teniny, marina tokoa, dia ao amin'izany olona izany no nanatanterahana ny fitiavan'Andriamanitra. Amin'izany no ahafantarantsika fa ao aminy isika.
\v 6 Ilay iray izay miteny fa mitoetra ao amin'Andriamanitra dia tokony andeha ihany koa izy tahaka ny nandehanan'i Jesosy Kristy.
\s5
\v 7 Ry malala, tsy manoratra didy vaovao ho anareo aho, fa didy taloha izay efa nananareo hatramin'ny fiandohana. Ny didy taloha dia ny teny izay renareo.
\v 8 Fa manoratra didy vaovao ho anareo aho, izay marina ao amin'i Kristy sy ao aminareo, satria ny haizina dia mandalo, fa ny fahazavana marina dia efa mamiratra.
\s5
\v 9 Ilay iray izay miteny fa ao amin'ny mazava izy ary mankahala ny rahalahiny dia ao anaty haizina hatramin'izao.
\v 10 Ilay iray izay mitia ny rahalahiny dia mitoetra ao amin'ny mazava ary tsy hisy fotoana hanafintohinana azy.
\v 11 Fa ilay iray izay mankahala ny rahalahiny ao amin'ny haizina dia mandeha ao amin'ny haizina; izy dia tsy mahafantatra izay alehany, satria ny haizina dia efa nahajamba ny masony.
\s5
\v 12 Manoratra ho anareo aho, ry zanaka malala, satria ireo fahotanareo dia voavela nohon'ny anarany.
\v 13 Manoratra ho anareo aho, ry ray, satria fantatrareo ilay iray avy amin'ny fiandohana. Manoratra ho anareo aho, ry zatovo, satria noresenareo ilay ratsy. Efa nanoratra ho anareo aho, ry zaza madinika, satria ianareo dia mahafantatra ny Ray.
\v 14 Efa nanoratra ho anareo aho, ry ray, satria fantatrareo ilay avy amin'ny fiandohana. Efa nanoratra ho anareo aho, ry zatovo, satria mafy ianareo, ary ny tenin'Andriamanitra dia mitoetra ao aminareo, ary ianareo dia efa nandresy ilay ratsy.
\s5
\v 15 Aza mitia na an'izao tontolo izao na ireo zavatra eo aminy. Raha misy mitia an'izao tontolo izao, dia tsy ao aminy ny fitiavan'ny Ray.
\v 16 Fa ny zavatra rehetra izay ao amin'izao tontolo izao-dia ny filan'ny nofo, ny filan'ny maso, ary ny fieboebon'ny fiainana-izay tsy avy amin'ny Ray fa avy amin'izao tontolo izao.
\v 17 Izao tontolo izao sy ny faniriany dia mandalo. Fa na iza na iza manao ny sitrapon'Andriamanitra dia hitoetra mandrakizay.
\s5
\v 18 Rankizy, ity no ora farany. Toy ny efa renareo fa ho avy ny antiKristy, ankehitriny maro ireo antiKristy izay efa tonga. Amin'izany no ahafantarantsika fa ity no ora farany.
\v 19 Niala tamintsika izy ireo, kanefa tsy avy amintsika. Fa raha tamintsika izy ireo dia nitoetra niaraka tamintsika. Fa rehefa niala izy ireo, dia nampiseho fa tsy tamintsika.
\s5
\v 20 Fa manana fanosorana avy amin'ilay Iray Masina ianareo, ary fantatrareo rehetra ny marina.
\f + \ft Fanamarihana: misy dikanteny hafa sasany vaovao izay mivaky hoe: "manana ny fahalalana rehetra ianareo." Ny dikanteny sasany taloha dia mivaky hoe: "ary fantatrareo ny zavatra rehetra." \f*
\v 21 Tsy nanoratra ho anareo aho satria ianareo dia tsy mahalala ny marina, fa satria fantatrareo izany ary tsy misy lainga avy amin'ny marina.
\s5
\v 22 Iza no mpandainga fa tsy ilay iray izay mandà fa i Jesosy no Kristy? Izay olona izay dia ilay antiKristy, rehefa mandà ny Ray sy ny Zanaka izy.
\v 23 Tsy misy olona izay mandà ny Zanaka ka hanana ny Ray. Na iza na iza manaiky ny Zanaka ihany koa dia manana ny Ray.
\s5
\v 24 Fa ho anareo, aoka izay renareo hatramin'ny fiandohana hitoetra ao aminareo. Raha izay renareo hatramin'ny fiandohana no mitoetra ao aminareo, dia hitoetra ao amin'ny Zanaka sy ao amin'ny Ray ihany koa ianareo.
\v 25 Izany no fampanantenana nomeny antsika: dia ny fiainana mandrakizay.
\v 26 Efa nanoratra izany zavatra izany ho anareo aho momban'ireo izay hitondra anareo amin'ny lalan-diso.
\s5
\v 27 Fa ho anareo, ilay hosotra izay noraisinareo avy taminy dia hitoetra ao aminareo, ary ianareo dia tsy mila olona mampianatra anareo. Fa toy izay nampianarin'ny fanosorana anareo ny zavatra rehetra dia marina ary tsy lainga, ary toy izay efa nampianarin'izany anareo, dia mitoera ao Aminy.
\v 28 Ankehitriny, ry zanaka malala, mitoera ao aminy, mba rehefa miseho Izy, dia hanana fahasahiana isika ary tsy ho menatra eo anatrehany amin'ny fiaviany.
\v 29 Raha fantatrareo fa izy no marina, fantatrareo fa izay rehetra manao ny mety dia teraka taminy.
\s5
\c 3
\p
\v 1 Indro toy ny inona ny fitiavana nomen'ny Ray antsika, mba hiantsoana antsika hoe zanak'Andriamanitra, ary izany isika. Noho izany antony izany, izao tontolo izao dia tsy mahafantatra antsika, satria tsy mahafantatra azy izany.
\f + \ft Fanamarihana: Ny dikan-teny taloha dia tsy manisy hoe: "ary izany isika." \f*
\v 2 Ry malala, zanak'Andriamanitra isika ankehitriny, ary izany dia mbola tsy nambara hoe ho toy ny inona isika. Isika dia mahafantatra fa rehefa miseho i Kristy, dia ho tahaka Azy isika, satria hahita Azy toa Azy isika.
\v 3 Ny rehetra izay manana izany fahatokisana momba ny ho avy mifototra aminy izany dia manadio ny tenany mba hadio tahaka Azy.
\s5
\v 4 Izay rehetra manota dia manao izay tsy ara-dalàna; fa ny fahotana dia tsy ara-dalàna.
\v 5 Ianareo dia mahafantatra fa i Kristy dia nambara mba hanala ireo fahotana, ary ao aminy dia tsy misy fahotana.
\v 6 Tsy misy olona izay mitoetra ao aminy ka mbola hanota hatrany. Tsy misy olona mbola manota nahita azy na nahafantatra azy.
\s5
\v 7 Ry zanaka malala, aza avela hisy olona hamitaka anareo. Ilay iray izay manao ny fahamarinana dia marina, tahaka ny mahamarina an'i Kristy.
\v 8 Ilay iray izay manota dia avy amin'ny devoly, fa ny devoly dia nanota hatrany am-piandohana. Noho izany antony izany ny Zanak'Andriamanitra dia naseho, mba hahafahany mamotika ireo asan'ny devoly.
\s5
\v 9 Na iza na iza naterak'Andriamanitra dia tsy hanohy ny fahotana satria ny voa avy tamin'Andriamanitra dia mitoetra ao aminy. Tsy afaka manohy ny fahotana izy satria naterak'Andriamanitra.
\v 10 Ao amin'izany no hampisehoana ireo zanak'Andriamanitra sy ireo zanaky ny devoly. Na iza na iza tsy manao ny marina dia tsy avy amin'Andriamanitra; na ny iray izay tsy tia ny rahalahiny ihany koa aza.
\s5
\v 11 Fa izany no hafatra izay efa renareo hatrany am-piandohana: fa isika dia tokony mifankatia,
\v 12 fa tsy toa an'i Kaina, izay avy amin'ilay ratsy sy namono ny rahalahiny. Fa nahoana izy no namono azy? Satria ireo asany dia ratsy, ary ny an'ny rahalahiny dia marina.
\s5
\v 13 Aza gaga, ry rahalahiko, raha mankahala anareo ny tany.
\v 14 Fantatsika fa efa niala tamin'ny fahafatesana mankany amin'ny fiainana isika, satria tia an'ireo rahalahy isika. Izay tsy tia dia mitoetra any amin'ny fahafatesana.
\v 15 Izay mankahala ny rahalahiny dia mpamono olona. Fantatrareo fa tsy misy mpamono olona manana fiainana mandrakizay mitoetra ao aminy.
\s5
\v 16 Amin'izany no hahafantarantsika ny fitiavana, satria Kristy nanolotra ny ainy ho antsika. Isika ihany koa dia tokony manolotra ny aintsika ho an'ireo rahalahy.
\v 17 Fa na iza na iza manana ny haren'izao tontolo izao, ka mahita ny fahasahiranan'ny rahalahiny, ary manakatona ny fon'ny fangorahany azy, amin'ny fomba ahoana no itoeran'ny fitiavan'Andriamanitra ao aminy?
\v 18 Ry zanako malalako, aoka isika tsy hitia amin'ny teny na koa amin'ny vava, fa amin'ny asa sy fahamarinana.
\s5
\v 19 Avy amin'izany no hahafantarantsika fa avy amin'ny fahamarinana isika, ary mampatoky ny fontsika eo anatrehany isika.
\v 20 Fa raha manameloka antsika ny fontsika, Andriamanitra dia lehibe noho ny fontsika, ary mahafantatra ny zava-drehetra Izy.
\v 21 Ry malala, raha tsy manameloka antsika ny fontsika, dia manana fahatokisana amin'Andriamanitra isika.
\v 22 Na inona na inona angatahintsika dia ho azontsika avy aminy, satria isika mitandrina ireo didiny sy manao izay ankasitrahana eo anatrehany.
\s5
\v 23 Izao no didiny: tokony mino ny anaran'ny Zanany Jesosy Kristy ary mifankatia isika, tahaka ny efa nanomezany antsika izany didy izany.
\v 24 Ny iray izay mitazona ireo didin'Andriamanitra dia mitoetra ao aminy, ary Andriamanitra mitoetra ao aminy. Amin'izany no hahafantarantsika fa izy dia mitoetra ao amintsika, amin'ny Fanahy izay nomeny antsika.
\s5
\c 4
\p
\v 1 Ry malala, aza mino ny fanahy rehetra. Fa kosa, mitsapa ireo fanahy mba hahita fa avy amin'Andriamanitra izy ireo, satria mpaminany sandoka maro no efa niala tamin'izao tontolo izao.
\v 2 Amin'izany no ahafantaranareo ny Fanahin'Andriamanitra-ny fanahy rehetra izay manaiky fa i Jesosy Kristy izay tonga nofo dia avy amin'Andriamanitra,
\v 3 ary ny fanahy rehetra izay tsy manaiky fa Jesosy dia tsy avy amin'Andriamanitra. Dia izany ny fanahin'ny antiKristy, izay efa renareo fa ho avy, ary ankehitriny dia efa eto an-tany.
\f + \ft Fanamarihana: misy dikan-teny taloha sasany dia mivaky hoe: "Ary ny fanahy rehetra izay tsy manaiky fa i Jesosy tonga nofo dia tsy avy amin'Andriamanitra. Izany dia fanahin'ny antiKristy, izay efa henonareo fa ho avy, ary ankehitriny dia efa eto an-tany. \f*
\s5
\v 4 Ianareo dia avy amin'Andriamanitra, ry zanaka malala, ary efa nandresy azy ireo, satria ilay iray izay ao aminareo dia lehibe mihaotra noho ilay iray izay eto amin'izao tontolo izao.
\v 5 Izy ireo dia avy amin'izao tontolo izao; noho izany izay rehetra lazain'izy ireo dia avy amin'izao tontolo izao, ary izao tontolo izao dia mihaino an'izy ireo.
\v 6 Avy amin'Andriamanitra isika. Izay mahafantatra ny Tompo dia maheno antsika. Izy izay tsy avy amin'Andriamanitra dia tsy maheno antsika. Amin'izany no ahafantarantsika ny fanahin'ny fahamarinana sy ny fanahin'ny fahadisoana.
\s5
\v 7 Ry malala, aoka isika hifankatia, fa ny fitiavana dia avy amin'Andriamanitra, ary izay rehetra mitia dia naterak'Andriamanitra sy mahafantatra an'Andriamanitra.
\v 8 Ny olona izay tsy mitia dia tsy mahafantatra an'Andriamanitra, satria Andriamanitra dia fitiavana.
\s5
\v 9 Noho izany ny fitiavan'Andriamanitra dia nambara tamintsika, fa Andriamanitra dia nandefa ny Zanany lahitokana ho an'izao tontolo izao mba ho velona noho Izy isika.
\v 10 Ao amin'izany fitiavana izany, tsy ny nitiavantsika an'Andriamanitra, fa ny nitiavany antsika, ary ny nandefasany ny Zanany lahy ho fanavotana ireo fahotantsika.
\s5
\v 11 Ry malala, raha tia loatra antsika Andriamanitra, dia tokony hifankatia ihany koa isika.
\v 12 Tsy mbola nisy nahita an'Andriamanitra. Fa raha mifankatia isika, dia mitoetra ao amintsika Andriamanitra ary ny fitiavany dia tanteraka ao amintsika.
\v 13 Amin'izany no ahafantarantsika fa mitoetra ao aminy isika ary izy ao amintsika, satria izy dia nanome antsika ny sasany amin'ny Fanahiny.
\v 14 Ary ihany koa, efa nahita isika sy efa mijoro vavolombelona fa ny Ray dia efa nandefa ny Zanany lahy ho Mpamonjy an'izao tontolo izao.
\s5
\v 15 Na iza na iza manaiky fa Jesosy dia Zanaka lahin'Andriamanitra, dia mitoetra ao aminy Andriamanitra ary izy ao amin'Andriamanitra.
\v 16 Isika ihany koa dia nahafantatra ary nino ny fitiavana izay efa nananan'Andriamanitra ho antsika. Andriamanitra dia fitiavana, ary ilay iray izay mitoetra amin'izany fitiavana izany dia mitoetra ao amin'Andriamanitra, ary Andriamanitra dia mitoetra ao aminy.
\s5
\v 17 Noho izany, izany fitiavana izany dia notanterahina tamintsika, mba hananantsika fahatokisana amin'ny andron'ny fitsarana, satria toa Azy, dia toy izany ihany koa isika eto amin'ity tany ity.
\v 18 Tsy misy tahotra ao amin'ny fitiavana. Fa kosa, ny fitiavana tanteraka dia manala ny tahotra, satria ny tahotra dia tsy maintsy miaraka amin'ny sazy. Fa ilay iray izay matahotra dia tsy natao ho tanteraka ao amin'ny fitiavana.
\s5
\v 19 Mitia isika satria Andriamanitra nitia antsika voalohany.
\v 20 Raha misy olona miteny hoe: "Tiako Andriamanitra" nefa mankahala ny rahalahany, dia mpandainga izy. Fa ilay iray izay tsy mitia ny rahalahany, izay hitany, dia tsy afaka ny hitia an'Andriamanitra, izay tsy hitany.
\v 21 Ary, izany ihany koa no didy izay ananantsika avy aminy: Na iza na iza mitia an'Andriamanitra dia tsy maintsy mitia ny rahalahany ihany koa.
\s5
\c 5
\p
\v 1 Na iza na iza mino fa i Jesosy no Kristy dia naterak'Andriamanitra, ary na iza na iza tia ny Ray ihany koa dia tia ny zanaka naterany.
\v 2 Noho izany no ahafantarantsika fa tiantsika ireo zanak'Andriamanitra: rehefa tia an'Andriamanitra sy manatanteraka ireo didiny isika.
\v 3 Satria izany no fitiavana ho an'Andriamanitra: dia ny hanatanterahantsika ireo didiny. Ary ireo didiny dia tsy mavesatra.
\s5
\v 4 Fa ny olona rehetra izay naterak'Andriamanitra dia mandresy an'izao tontolo izao. Ary izany dia fandresena izay efa nandresy an'izao tontolo izao: ny finoantsika.
\v 5 Iza ilay iray izay mandresy an'izao tontolo izao? Ilay iray izay mino fa i Jesosy dia Zanak'Andriamanitra.
\s5
\v 6 Izany dia ilay Iray izay tonga tamin'ny rano sy rà: Jesosy Kristy. Izy dia tonga tsy tamin'ny rano ihany, fa tamin'ny rano sy rà.
\v 7 Fa misy telo izay mijoro vavolombelona:
\v 8 ny Fanahy, ny rano, ary ny rà. Ireo telo ireo dia mifanaraka.
\f + \ft Fanamarihana: Ny dikan-teny taloha sasany dia mivaky toy izao: "Fa misy telo izay mijoro vavolombelona any an-danitra: ny Ray, sy ny Teny, ary ny Fanahy Masina; ary ireo telo ireo dia iray. Ary misy telo izay mijoro vavolombelona eto ambonin'ny tany: ny Fanahy, ny rano, ary ny rà; ary ireo telo ireo dia toy ny iray." Na izany aza, ireo dikan-teny tsara indrindra dia tsy mivaky toy izany. \f*
\s5
\v 9 Raha mandray ny fijoroana vavolombelon'ny olona isika, dia ho lehibe kokoa ny fijoroana vavolombelon'Andriamanitra. Fa ny fijoroana vavolombelon'Andriamanitra dia izao: izy dia mijoro vavolombelona mahakasika ny Zanany.
\v 10 Na iza na iza mino ny Zanak'Andriamanitra dia manana fijoroana vavolombelona ao amin'izy tenany. Izay tsy mino an'Andriamanitra dia manao Azy ho mpandainga, satria izy dia tsy nino ny fijoroana vavolombelona izay efa nomen'Andriamanitra mahakasika ny Zanany.
\s5
\v 11 Ary ny fijoroana vavolombelona dia izao: Andriamanitra dia nanome antsika fiainana mandrakizay, ary izany fiainana izany dia ao amin'ny Zanany.
\v 12 Ilay iray izay manana ny Zanaka dia manana ny fiainana. Ny olona izay tsy manana ny Zanak'Andriamanira dia tsy manana fiainana.
\s5
\v 13 Efa nanoratra ireto zavatra ireto ho anareo aho mba hahafantaranareo fa manana ny fiainana mandrakizay ianareo- ho anareo izay mino ny anaran'ny Zanak'Andriamanitra.
\v 14 Toy izany ihany koa, izao no fifanekena izay ananantsika eo anatrehany, fa na inona na inona angatahantsika araka ny sitrapony, dia maheno antsika Izy.
\v 15 Toy izany ihany koa, raha fantantsika fa mandre antsika Izy- na inona na inona angatahantsika Aminy-dia fantantsika fa azontsika izay rehetra nangatahantsika taminy.
\s5
\v 16 Raha misy olona iray mahita ny rahalahiny manao fahotana izay tsy miteraka fahafatesena, tsy maintsy mivavaka izy, ary Andriamanitra dia hanome fiainana ho azy. Izaho dia mampitaha ireo izay manana fahotana tsy miteraka fahafatesana. Misy fahotana izay miteraka fahafatesana; tsy miteny aho hoe tokony hivavaka amin'izany izy.
\v 17 Ny tsy fahamarinana rehetra dia fahotana, nefa misy fahotana tsy miteraka fahafatesana.
\s5
\v 18 Fantantsika fa na iza na iza naterak'Andriamanitra dia tsy manota. Nefa ilay iray izay naterak'Andriamanitra dia miaro ny tenany, ary ny ratsy dia tsy afaka ny ahakasika azy.
\v 19 Fantantsika fa avy amin'Andriamanitra isika, ary izao tontolo izao dia mitoetra ao amin'ny ratsy.
\s5
\v 20 Kanefa fantantsika fa ny Zanak'Andriamanitra dia efa tonga ary efa nanome antsika fahazavan-tsaina mba ahafantarantsika ilay iray izay tena marina. Toy izany ihany koa, isika dia ao amin'ilay iray izay marina, ao amin'i Jesosy Kristy Zanany. Izy no Andriamanitra marina ary fiainana mandrakizay.
\v 21 Anaka, arovy amin'ireo sampy ny tenanareo.