plt_ulb/62-2PE.usfm

127 lines
11 KiB
Plaintext

\id 2PE
\ide UTF-8
\h 2 Petera
\toc1 2 Petera
\toc2 2 Petera
\toc3 2pe
\mt 2 Petera
\s5
\c 1
\p
\v 1 Simona Petera, mpanompo sy apostolin'i Jesosy Kristy, ho an'ireo izay nahazo ny finoana sarobidy tahaka izay noraisinay, finoana ao amin'ny fahamarinan'ny Andriamanitsika sy Jesosy Kristry Mpamonjy.
\v 2 Hampitomboina anie ny fahasoavana sy fiadanana nohon'ny fahalalana an'Andriamanitra sy Jesosy Tompontsika.
\s5
\v 3 Ireo zavatra rehetra mahakasika ny herin' Andriamanitra ho an'ny fiainana sy toe-panahy dia nomena antsika tamin'ny alalan'ny fahalalana an'Andriamanitra, izay niantso antsika tamin'ny alalan'ny voninahiny sy ny fahatsarany manokana.
\v 4 Tamin'ny alalan'ireo, nomeny teny fikasana tsara sady lehibe indrindra isika, mba ho tonga mpizara amin'ny fomban'Andriamanitra ianareo, raha mitsoaka ny fahalotoana izay eto an-tany noho ireo filàn-dratsy.
\s5
\v 5 Noho izany, manaova ny tsara indrindra mba hanampiana fahatsarana amin'ny alalan'ny finoanareo, ary amin'ny alalan'ny fahatsaranareo, ny fahalalana.
\v 6 Amin'ny alalan'ny fahalalanareo, manampia fahononam-po, ary amin'ny alalan'ny fahononam-ponareo, manampia fiaretana, ary amin'ny alalan'ny fiaretanareo, manampia toe-panahy.
\v 7 Amin'ny alalan'ny toe-panahinareo, manampia fitiavana rahalahy, ary amin'ny alalan'ny fitiavana rahalahy, manampia fitiavana.
\s5
\v 8 Raha ao aminareo ireo ary mitombo ao aminareo, dia tsy tsy hamoa na tsy tsy hamokatra amin'ny fahalalana an'i Jesosy Kristy Tompontsika ianareo.
\v 9 Fa na iza na iza tsy ampy ireo zavatra ireo dia tsy mahita afa-tsy izay akaiky; jamba izy. Nadinoiny ny fanadiovana azy tamin'ireo fahotany taloha.
\s5
\v 10 Noho izany, ry rahalahy, ataovy ny rehetra mba hahazoana antoka ny fiantsoana sy ny fifidianana anareo. Raha manao ireo zavatra ireo ianareo, dia tsy ho voafingana.
\v 11 Amin'izay dia malalaka ho anareo ny fidirana ao amin'ny fanjakana mandrakizay izay an'ny Tompontsika sy Jesosy Kristy mpamonjy.
\s5
\v 12 Noho izany dia vonona foana aho hampatsiaro anareo ireo zavatra ireo, na dia fantatrareo aza ireo, ary na dia mantanjaka ao amin'ny marina aza ianareo ankehitriny.
\v 13 Izaho mieritreritra fa rariny amiko ny mamoha anareo amin'ny fampahatsiahivana ireo zavatra ireo, raha mbola eto amin'ity trano-lay ity aho.
\v 14 Satria fantatro fa tsy ho ela dia ho esoriko ny trano-laiko, tahaka izay nasehon'i Jesosy Kristy Tompontsika ahy.
\v 15 Ary ho ataoko izay farany vitako mba hahatsiarovanareo mandrakariva ireo zavatra ireo rehefa lasa aho.
\s5
\v 16 Fa izahay dia tsy nanaraka angano tsara rafitra izay noforonona rehefa niresaka taminareo ny momban'ny hery sy ny nisehoan'i Jesosy Kristy Tompontsika. Fa kosa, izahay dia vavolombelona nahita ny fiandrianany.
\v 17 Fa Izy dia naharay laza amam-boninahitra avy tamin'Andriamanitra Ray rehefa nisy feo tonga teo Aminy tamin'ilay voninahitra lehibe indrindra hoe: "Ity no Zanako malalako, izay sitrako indrindra."
\v 18 Nandre izany feo avy tany an-danitra izany izahay, rehefa niaraka taminy teny an- tendrombohitra masina.
\s5
\v 19 Isika dia manana ity teny faminaniana izay efa natao mafy orina ity. Tokony hitandrina izany tsara ianareo. Izany dia tahaka ny jiro mazava ao anaty haizina mandra-piavin'ny maraina sy ny kintan'ny maraina miposaka ao am-ponareo.
\v 20 Fantaro aloha izao, fa tsy misy faminaniana avy amin'ny famoahan-kevitry ny olona.
\v 21 Fa tsy misy faminaniana avy tamin'ny sitrapon'ny olona. Fa kosa, notarihan'ny Fanahy Masina izy ireny mba hiteny izay notenenin'Andriamanitra.
\s5
\c 2
\p
\v 1 Ny mpaminany sandoka dia tonga teo amin'ny olona, ary ny mpampianatra sandoka ihany koa dia ho avy eo aminareo. Hitondra mangingina sain-diso mamotika izy ireo, ary handà ny Tompo izay nividy azy ireo. Izy ireo dia mitondra fahapotehana faingana amin'izy ireo.
\v 2 Maro no hanaraka ny fijejojejoan'izy ireo, ary amin'ny alalan'ireny no hitenenan-dratsy ny lalan'ny fahamarinana.
\v 3 Amin'ny fieremana no hanararaotany anareo miaraka amin'ny teny mamitaka. Tsy ho ela ny fanamelohana an'izy ireny; tsy matory ny fahapotehan'izy ireny.
\s5
\v 4 Fa Andriamanitra tsy namindra fo ireo anjely izay nanota. Fa kosa natolony ho amin'ny vilany tany izy ireo mba ho voatazona amin'ny gadran'ny fahamaizinana mandra-pihavin'ny fitsaràna.
\f + \ft Fanamarihana: Ny dikan-teny taloha sasany dia mivaky toy izao: "Mba ho fatorana ao amin'ny lavaky ny fahamaizinana mandra-pihavin'ny fitsaràna." \f*
\v 5 Ary ihany koa, tsy namela izao tontolo izao taloha Izy. Fa kosa, namonjy an'i Noah, izay mpitory ny fahamarinana, miaraka amin'ny fito hafa, rehefa nitondra ny safo-drano tamin'ny ratsy fanahy teto amin'izao tontolo izao izy.
\v 6 Andriamanitra ihany koa dia nanao ireo tanànan'i Sodoma sy Gomora ho lavenona ary nanameloka azy ireo ho amin'ny fahapotehana, ho toy ny ohatra amin'izay hitranga amin'ny ratsy fanahy.
\s5
\v 7 Fa i Lota marina, izay nampahoriana tamin'ny fitondran-tenan'ireo olona tsy ara-dalàna tamin'ny fijejojejoana, dia novonjen'Andiamanitra.
\v 8 Fa izany lehilahy marina izany, izay niaina niaraka tamin'izy ireo isan'andro, dia fadiranovana tamin'ny fanahin'ny fahamarinany noho izay hitany sy reny.
\v 9 Fantatry ny Tompo ny fomba hamonjena ireo olona tsara fanahy amin'ireo fitsapana, sy ny fomba hitazomana ireo olona tsy marina ho amin'ny famaizana amin'ny andron'ny fitsaràna.
\s5
\v 10 Marina indrindra izany ho an'ireo izay manohy amin'ny faniriana ratsin'ny nofo sy manao tsinontsinona ny fahefana. Sahy sy mitompo teny fatratra izy ireo. Izy ireo dia tsy matahotra hiteny ratsy ireo be voninahitra.
\v 11 Ireo anjely dia manana hery sy fahefana lehibe, fa izy ireo dia tsy mitondra fitsaràna maniratsira manohitra azy ireo amin'ny Tompo.
\s5
\v 12 Fa ireo biby tsy manan-tsaina ireo dia natao ho samborina sy potehina. Tsy fantatr'izy ireo izay tsiratsirain'izy ireo. Ho potika izy ireo.
\v 13 Handray ny valisoan'ny zavatra ratsy nataony izy ireo. Mieritrertra izy ireo fa ny tsy fiafiana mandritry ny andro dia fahafinaretana. Izy ireo dia be pentipentina sy tsiny. Mahafinaritra azy ireo ny asa famitahan'izy ireo rehefa mihinana miaraka aminareo.
\f + \ft Fanamarihana: Ireo dikan-teny sasany dia mivaky toy izao: "Mahafinaritra azy ireo ny asan'izy ireo rehefa mihinana miaraka aminareo amin'ny sakafom-pifankatiavana." \f*
\v 14 Adalam-behivavy mijangajanga izy ireo; tsy afa-po amin'ny fahotana mihitsy izy ireo. Mitarika fanahy tsy mety maty ho amin'ny fanaovan-dratsy izy ireo, ary manana fo voaofana amin'ny fitsiriritana izy ireo. Zanaky ny fanozonana izy ireny!
\s5
\v 15 Niala tamin'ny lala-mahitsy izy ireo. Lasa nivily izy ireo, ary nanaraka ny lalan'i Balama zanak'i Beora, izay tia ny tambin'ny tsy fahamarinana.
\f + \ft Fanamarihana: Ireo dikan-teny sasany dia mivaky toy izao: "Balama, zanak'i Bosora." \f*
\v 16 Fa nahazo teny mafy izy nohon'ny fandikan-dalàny manokana. Nisy boriky moana niteny tamin'ny feon'olombelona nanajanona ny adalan'ilay mpaminany.
\s5
\v 17 Ireo olona ireo dia tahaka ny lohataona tsy misy orana. Toy ny rahona entin'ny tafio-drivotra izy ireo. Natokana ho azy ireo ny haizina matevina.
\v 18 Miteny tsy am-piheverana izy ireo. Mitaona ny olona amin'ny alalan'ny filàn'ny nofo izy ireo. Izy ireo dia mitaona ny olona izay miezaka mandositra ireo izay miaina amin'ny fahadisoana.
\v 19 Izy ireo dia mampanantena fahafahana ho azy ireo, kanefa izy tenany ary dia andevon'ny fahalotoana. Fa ny olona dia andevon'izay rehetra maharesy azy.
\s5
\v 20 Na iza na iza afaka amin'ireo fahalotoan'izao tontolo izao amin'ny alalan'ny fahalalana ny Tompo sy Jesosy kristy Mpamonjy, ary avy eo miverina amin'ireo fahalotoana indray, dia hanjary ratsy noho ilay toe-javatra voalohany ilay toe-javatra farany.
\v 21 Tsara kokoa ho azy ireo ny tsy mahafantatra ny lalan'ny fahamarinana nohon'ny mahafantatra izany dia hivadika amin'ny didy masina natolotra azy ireo.
\v 22 Marina ho azy ireo ity ohabolana ity hoe: "Ny amboa no miverina amin'ny loany. Ny kisoa efa nisasa miverina mihoso-potaka."
\s5
\c 3
\p
\v 1 Ankehitriny, ry malala, manoratra ho anareo ity taratasy faharoa ity aho ho fampatsiahivana entina hamporisihana ny sainareo madio,
\v 2 mba hahatsiarovanao ireo teny nolazain'ny mpaminany masina tany taloha sy ny didin'ny Tompo sy Mpamonjy antsika izay nomen'ireo apostolinareo.
\s5
\v 3 Fantaro aloha izao, fa ny mpaniratsira dia ho avy amin'ny andro farany. Izy ireo dia haneso ary handeha araka ny filàn'izy ireo manokana.
\v 4 Izy ireo dia hiteny hoe: "Aiza ny fampanantenana ny amin'ny fiverenany? Fa hatrizay nodian'ny razambe mandry, dia tsy niova ny zavatra rehetra, eny fa hatramin'ny fiantombohan'izao tontolo izao aza."
\s5
\v 5 Izy ireo dia minia manadino fa ny lanitra sy ny tany dia nisy avy tamin'ny rano ary tamin'ny alalan'ny rano, fotoana ela,
\v 6 nohon'ny didin'Andriamanitra, ary tamin'ny alalan'ireo zavatra ireo, no nandravàna ny tontolo tamin'izany fotoana izany, tamin'ny tondra-drano.
\v 7 Fa ankehitriny ny lanitra sy ny tany dia natokana ho an'ny afo amin'ny alalan'io didy io ihany. Izy ireo dia voatokana ho amin'ny andron'ny fitsarana sy ny fandringanana ny olona ratsy fanahy.
\s5
\v 8 Aoka tsy ho adinoinareo, ry malala, fa ny indray andro amin'ny Tompo dia toy ny arivo taona, ary ny arivo taona toy ny indray andro.
\v 9 Ny Tompo dia tsy ela amin'ny fanatanterahana ireo fampanantenany, araka izay lazain'ny sasany ho fahelany. Fa kosa, Izy dia maharitra aminareo. Tsy tiany hisy ho very ianareo, fa mba ho tonga amin'ny fibebahana ny rehetra.
\s5
\v 10 Na izany aza, ho avy toy ny mpangalatra ny andron'ny Tompo: Ny lanitra dia hanjavona miaraka amin'ny feo mafy. Ny zavatra rehetra dia ho main'ny afo, ary ny tany sy ireo asa ao aminy dia hambara.
\f + \ft Fanamarihana: Ireo dikan-teny sasany dia mivaky toy izao: "Ny zavatra rehetra dia ho main'ny afo, ary ny tany sy ireo asa ao aminy dia ho dorana avokoa." \f*
\s5
\v 11 Koa raha ho levona toy izany izao zavatra rehetra izao, dia tokony ho olona manao ahoana ianareo? Tokony hiaina amin'ny fahamasinana sy ny fiainana araka an'Andriamanitra ianareo.
\v 12 Tokony hanantena ary hanafaingana ny fiavian'ny andron' Andriamanitra ianareo. Amin'izany andro izany, ny lanitra dia ho levon'ny afo, ary ny zavatra rehetra dia hiempo amin'ny hafanana be.
\v 13 Fa araka ny fampanantenany, dia miandry ny lanitra vaovao sy tany vaovao isika, izay hitoeran'ny fahamarinana.
\s5
\v 14 Noho izany, ry malala, satria manantena izany zavatra izany ianareo, manaova ny tsara indrindra avy any aminareo mba tsy hisy pentina sy tsy hanan-tsiny eo anatrehany, am-piadanana.
\v 15 Ary ihany koa, eritrereto ny faharetan'ny Tompontsika amin'ny famonjena, tahaka ny nosoratan'i Paoly rahalahy malalantsika taminareo, araka ny fahendrena izay nomena azy.
\v 16 Paoly dia miresaka izany zavatra izany ao amin'ny taratasiny rehetra, izay misy zavatra sarotra takarina. Olona tsy misy fahalalana ary tsy miorina no manova ireny zavatra ireny, tahaka ny hanaovany ireo soratra masina hafa ihany koa, ka mahatonga fahaverezana ho an'ny tenany.
\s5
\v 17 Noho izany, ry malala, satria fantatrareo izany zavatra izany, dia tandremo ny tenanareo mba tsy ho voafandriky ny fitakin'ny olona ratsy fanahy ka ho very ny fahamarinanareo.
\v 18 Fa mitomboa amin'ny fahasoavana sy ny fahalalana ny Tompontsika sy Jesosy Kristy Mpamonjy antsika. Ho azy anie ny voninahitra ankehitriny ary mandrakizay. Amena!