plt_ulb/57-TIT.usfm

108 lines
7.2 KiB
Plaintext

\id TIT
\ide UTF-8
\h Titosy
\toc1 Titosy
\toc2 Titosy
\toc3 tit
\mt Titosy
\s5
\c 1
\p
\v 1 Paoly, mpanompon'Andriamanitra ary Apostolin'i Jesosy Kristy, hanamafy ny finoan'ny olom-boafidin'Andriamanitra sy ny fahalalana ny marina izay manaraka ny toe-panahy araka an'Andriamanitra,
\v 2 amin'ny fahatokisana ny fiainana mandrakizay, izay nampanantenain'Andriamanitra, ilay tsy mandainga, fony fahagola.
\v 3 Tamin'ny fotoana voatondro, dia nasehony ny teniny tamin'ny hafatra izay natokisany ho ampitaiko. Nataoko izany araka ny didin'Andriamanitra ilay Mpamonjy antsika.
\s5
\v 4 Ho an'i Titosy, zanaka marina ao amin'ny finoana hiombonantsika. Fahasoavana sy fiadanana avy amin'Andriamanitra ilay Ray sy Jesosy Kristy Mpamonjy antsika.
\v 5 Noho izao antony izao no namelako anao tany Kreta, dia ny mba handaminanao ireo zavatra mbola tsy vita sy hanendry loholona isaky ny tanàna araka izay efa nandidiako anao.
\s5
\v 6 Ny loholona dia tsy tokony hanan-tsiny mihintsy, vadin'ny vehivavy iray, manana zanaka mino tsy voampanga ho manara-po amin'ny ratsy na maditra.
\v 7 Ilain'ny mpitandrina, amin'ny maha-mpanao ny asan'Andriamanitra, ny tsy fananan-tsiny. Tsy tokony hahery fiteny na mirehareha. Tsy tokony ho mora tezitra, tsy mpimamo, tsy lian'ady, ary tsy olona tia vola.
\s5
\v 8 Fa kosa, tokony hampiantrano izy, sakaizan'izay tsara. Tsy maintsy mahonon-tena, marina, masina, ary mahafehy tena.
\v 9 Tokony mitana mafy ny hafatra izay efa nampianarina izy, mba afahany mampahery ireo hafa amin'ny fampianarana tsara ary hanitsy ireo izay manohitra azy.
\s5
\v 10 Fa maro ny olona mpikomy, indrindra ireo izay voafora. Tsy misy lanjany ny tenin'izy ireo. Mandiso fanantenana sy mitarika ny olona any amin'ny lalan-diso izy ireo.
\v 11 Ilaina ny manakana azy ireny. Mampianatra ny tsy tokony hampianarina izy ireo mba ahazoana harena maloto ary mandrava ny fianakaviana manontolo.
\s5
\v 12 Nisy iray tamin'izy ireo, izay lehilahy hendrin'izy ireo, nilaza hoe: "Ny Kretana dia mpandainga mandrakariva, ratsy ary biby mandoza, kamo be tenda."
\v 13 Marina izany voalaza izany, noho izany anaro mafy izy ireo mba hatanjaka amin'ny finoana.
\s5
\v 14 Aza miraharaha ireo anganon'ny Jiosy na ireo didin'ny olona izay niala tamin'ny fahamarinana.
\s5
\v 15 Ho an'ireo izay madio, dia madio ny zavatra rehetra. Fa ho an'ireo izay voaloto sy tsy mino kosa, dia tsy misy madio na inona na inona. Noho ny saina sy ny fieritretretany efa voaloto.
\v 16 Manaiky fa mahalala an'Andriamanitra izy ireo, kanefa mandà Azy amin'ireo asany. Mpankahala sy mpandika lalàna izy ireo. Tsy mahavita asa tsara na inona na inona.
\s5
\c 2
\p
\v 1 Fa ianao kosa, milazà izay mifanaraka amin'ny fampianarana marina.
\v 2 Ireo lehilahy efa nahazo taona dia tsy maintsy mahay mitondra tena, maotina, mahonon-tena, matanjaka amin'ny finoana, amin'ny fitiavana, ary amin'ny faharetana.
\s5
\v 3 Toy izany koa ireo vehivavy efa nahazo taona dia tokony hampiseho hatrany ny tenan'izy ireo ho tsara fitondran-tena, fa tsy mpifosa. Tsy tokony ho andevozin'ny divay be izy ireo. Tokony hampianatra izay tsara izy ireo
\v 4 mba hampiofanana ireo vehivavy tanora ho tena tia ny vady aman-janany manokana.
\v 5 Tokony hampianatra azy ireo hahonon-tena, hadio, hikarakara tokantrano tsara, ary hankatoa ny vadiny izy ireo. Tokony hanao izany zavatra rehetra izany izy ireo mba tsy ho voaheso ny Tenin'Andriamanitra.
\s5
\v 6 Tahaka izany, ampaherezo ireo lehilahy mbola tanora mba hahonon-tena.
\v 7 Amin'ny fomba rehetra dia asehoy ny tenanao ho modelin'ireo asa tsara; ary rehefa mampianatra ianao, dia manehoa fahitsiana sy fahamendrehana.
\v 8 Milazà hafatra salama sy tsy misy tsiny, mba ho menatra izay manohitra na iza na iza, satria tsy manana na inona na inona ratsy ho lazaina momba antsika izy.
\s5
\v 9 Ireo mpanompo dia tokony hankatoa ny tompony amin'ny zava-drehetra. Hanao izay sitrapony fa tsy hifamaly aminy.
\v 10 Tsy tokony hanganlangalatra izy ireo. Fa kosa, tokony haneho ny finoana tsara rehetra izy ireo, mba hampahamendrika ny fampianarantsika momba an'Andriamanitra mpamonjy antsika amin'ny lafiny rehetra.
\s5
\v 11 Fa efa niseho tamin'ny olon-drehetra ny fahasoavan'Andriamanitra.
\v 12 Mampianatra antsika handà ny toetra tsy araka an'Andriamanitra sy ny filàn'izao tontolo izao izany. Mampianatra antsika hiaina am-pihononana, am-pahamarinana, ary araka ny lalan'Andriamanitra amin'izao vanim-potoana izao izany
\v 13 eo am-piandrasantsika fatratra izay handraisantsika ny fanantenana mahafinaritra, ny fisehoan'ny voninahitry ny Andriamanintsika lehibe sy Mpamonjy Jesosy Kristy.
\s5
\v 14 Jesosy dia nanolotra ny tenany ho antsika mba hanavotra antsika hiala amin'ny tsy fanarahan-dalàna rehetra sy hanadiovana, ho an'ny tenany, olona iray manokana izay tena mazoto hanao asa tsara.
\s5
\v 15 Ambarao ary ento ampaherezina ireo zavatra ireo. Manomeza fanitsiana amin'ny fahefana rehetra. Aza avela hisy olona hanao tsinontsinona anao.
\s5
\c 3
\p
\v 1 Ampaherezo izy ireo hanaiky ireo mpanapaka sy ireo manam-pahefana, hankatoa azy ireo, ho vonona amin'ny asa tsara rehetra.
\v 2 Ampatsiahivo izy ireo tsy haneso na iza na iza, hiala amin'ny adihevitra, hamela ny hafa hanaraka ny lalany, ary hampiseho fanetren-tena amin'ny olona rehetra.
\s5
\v 3 Fa teo aloha ny tenantsika dia tsy nanan-tsaina ary tsy nankàtoa. Voatarika tamin'ny lalan-diso isika ary nandevozin'ny filàna sy ny fahafinaretana samihafa. Niaina tao amin'ny faharatsiana sy ny fialonana isika. Nankahalaina izahay ary nifankahala isika.
\s5
\v 4 Fa rehefa niseho ny hatsaram-panahin'Andriamanitra mpamonjy antsika sy ny fitiavany ny olombelona,
\v 5 dia tsy tamin'ny asan'ny fahamarinana nataontsika izany, fa tamin'ny famindram-pony no namonjeny antsika. Izy dia namonjy antsika tamin'ny alalan'ny fanadiovan'ny fahateraham-baovao sy ny fanavaozana tamin'ny Fanahy Masina.
\s5
\v 6 Andriamanitra nandrotsaka betsaka tamintsika ny Fanahy Masina tamin'ny alalan'i Jesosy Kristy Mpamonjy antsika.
\v 7 Nataony izany mba, ho voamarina tamin'ny fahasoavana, dia ho tonga mpandova isika amin'ny alalan'ny fahatokisana ny fiainana mandrakizay.
\s5
\v 8 Izany hafatra izany dia mendri-pitokisana. Tiako hilaza momba izany zavatra izany am-pahatokisana ianareo, mba ireo izay mahatoky an'Andriamanitra dia hikasa hanao ireo asa tsara izay efa napetrany teo alohan'izy ireo. Izany zavatra izany dia sady tsara no mahasoa ho an'ny olona rehetra.
\s5
\v 9 Fa ialao ny adihevitra adala sy ny tantaram-pirazanana ary ny fifandiranana sy ny ady momban'ny lalàna. Ireo zavatra ireo dia zava-poana sy tsy mahasoa.
\v 10 Mandà izay olona rehetra miteraka fizarazarana eo anivonareo, aorian'ny fampitandremana indray na indroa,
\v 11 ary fantaro fa ny olona ohatr'izany dia niala tamin'ny lalana marina ary manota sy manameloka ny tenany.
\s5
\v 12 Rehefa naniraka an'i Artema na Tykiko any aminareo aho, dia faingàna ary mankanesa any amiko any Nikopolia, izay nanapahako hevitra andaniana ny ririnina.
\v 13 Faingàna ary alefaso Zena, ilay mpahay lalàna, sy Apolosy, mba tsy hanan-java-mahory izy ireo.
\s5
\v 14 Ny olontsika dia tsy maintsy mianatra manao asa tsara izay ilaina maika mba tsy ahatonga azy ireo tsy hamokatra.
\s5
\v 15 Ireo rehetra miaraka amiko dia manao veloma anareo. Manaova veloma ireo izay tia antsika amin'ny finoana. Ho aminareo rehetra anie ny fahasoavana.