plt_ulb/53-1TH.usfm

174 lines
13 KiB
Plaintext

\id 1TH
\ide UTF-8
\h 1 Tesaloniana
\toc1 1 Tesaloniana
\toc2 1 Tesaloniana
\toc3 1th
\mt 1 Tesaloniana
\s5
\c 1
\p
\v 1 Paoly, Silasy, ary Timoty ho an'ny fiangonan'ireo Tesaloniana ao amin'Andriamanitra Ray sy Jesosy Kristy Tompo. Ho aminareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana.
\f + \ft Fanamarihana: Ireo dikan-teny sasany taloha dia mivaky hoe: "Ho aminareo anie ny fahasoavana sy fiadanana avy amin'Andriamanitra Ray sy Jesosy Kristy Tompo." \f*
\s5
\v 2 Manome fisaorana an'Andriamanitra mandrakariva izahay ny aminareo rehetra, ka manonona anareo amin'ny vavakay.
\v 3 Izahay dia tsy mitsahatra ny mahatsiaro anareo eo anatrehan'Andriamanitra Raintsika ny asan'ny finoanareo, ny asan'ny fitiavanareo, ary fahatokisanareo maharitra ho an'ny ho avy ao amin'i Jesosy Kristy Tompontsika.
\s5
\v 4 Ry rahalahy tian'Andriamanitra, fantatray fa Izy dia efa nifidy anareo,
\v 5 satria ny filazantsaranay dia tonga taminareo tsy tamin'ny teny ihany, fa tamin'ny hery ihany koa, tamin'ny Fanahy Masina, ary ny fahatokiana be. Mitovy amin'izany, ianareo ihany koa dia mahalala hoe olona toy ny ahoana izahay teo aminareo noho ny aminareo.
\s5
\v 6 Nanjary nanahaka anay sy ny Tompo ianareo, tamin'ny nandraisanareo ny teny tamin'ny ady sarotra lehibe sy tamin'ny fifaliana avy amin'ny Fanahy Masina.
\v 7 Vokatr'izany, tonga ohatra ho an'ny rehetra izay mino ao Makedonia sy Akaia ianareo.
\s5
\v 8 Fa avy taminareo no nanenoan'ny tenin'ny Tompo, ary tsy tao Makedonia sy Akaia ihany. Fa kosa, teny amin'ny toerana rehetra no nielezan'ny finoanareo an'Andriamanitra. Vokatr'izany, dia tsy mila milaza na inona na inona isika.
\v 9 Fa izy ireo ihany no hilaza izay fandraisana azonay teo aminareo. Izy ireo dia milaza ny fomba nitodihanareo tamin'Andriamanitra ka niala tamin'ireo sampy mba hanompo an'Andriamanitra velona sy marina.
\v 10 Izy ireo dia nitatitra fa ianareo dia miandry ny Zanany avy any an-danitra, izay natsangany tamin'ireo maty. Jesosy izany, izay manafaka antsika amin'ny fahatezerana ho avy.
\s5
\c 2
\p
\v 1 Fa ny tenanareo dia mahalala, ry rahalahy, fa ny fahatongavanay teto aminareo dia tsy foana.
\v 2 Fantatrareo fa teo aloha dia nijaly ary nalaim-baraka tany Filipy izahay. Izahay dia sahy tao amin'Andriamanitray hilaza taminareo ny filazantsaran'Andriamanitra tao anatin'ny fanoherana lehibe.
\s5
\v 3 Satria ny fananaranay dia tsy avy tamin'ny fahadisoana, na avy tamin'ny fahalotoana, na avy tamin'ny fitaka.
\v 4 Fa kosa, araka ny nankatoavan'Andriamanitra anay mba hatokisana amin'ny filazantsara, noho izany dia miteny izahay. Miteny izahay, tsy hampifaly ny olona, fa hampifaly an'Andriamanitra. Izy ilay mahalala ny fonay.
\s5
\v 5 Satria tsy dia nampiasa na oviana na oviana ireo teny fandokafana izahay, araka ny fantatrareo, na koa ho fialan-tsiny amin'ny fitsiriritana, satria Andriamanitra no vavolombelonay.
\v 6 Na koa nitady ny voninahitra avy amin'ny olona izahay, na koa avy aminareo na avy amin'ireo hafa. Izahay dia afaka nitaky ireo tombotsoa tahaka ireo apostolin'i Kristy.
\s5
\v 7 Fa kosa, izahay dia tsotra teo aminareo toy ny reny mankahery ny zanany naterany.
\f + \ft Fanamarihana: Ireo dikan-teny hafa sasany dia mivaky toy izao: "Fa kosa, izahay dia toy ny zazakely teo aminareo, rehefa mankahery ny zanany naterany ny reniny." \f*
\v 8 Dia toy izany no nanananay fitiavana ho anareo. Faly izahay mizara aminareo, tsy ny filazantsara an'Andriamanitra ihany, fa ny fiainanay manokana ihany koa. Satria ianareo dia lasa malalanay tokoa.
\v 9 Satria tsaroanareo, ry rahalahy, ny asanay sy ny fisasaranay. Andro aman'alina no niasanay mba tsy ahafahanay mampitondra mavesatra ny iray aminareo. Nandritra izany fotoana izany, dia nitory ny filazantsaran'Andriamanitra taminareo izahay.
\s5
\v 10 Ianareo no vavolombelona, ary Andriamanitra ihany koa, fa masina, sy marina, ary tsy manan-tsiny ny fitondran-tenanay teo aminareo izay mino.
\v 11 Toy izany ihany koa dia fantatrareo hoe toy ny ahoana no nataonay taminareo tsirairay toy ny ataon'ny ray amin'ny zanany naterany,
\v 12 niangavy sy nankahery ary nandrisika anareo izahay mba handeha amin'ny fomba izay mendrika an'Andriamanitra, izay miantso anareo ho ao amin'ny fanjakany sy ny voninahiny manokana.
\s5
\v 13 Fa izany antony izany no isaoranay ihany koa an'Andriamanitra mandrakariva. Fa ianareo rehefa nandray avy taminay ny hafatr'Andriamanitra izay renareo, dia noraisinareo izany tsy ho toy ny tenin'olona. Fa kosa, noraisinareo izany araka izay marina, dia ny tenin'Andriamanitra. Izany teny izany ihany koa no miasa eo aminareo izay mino.
\s5
\v 14 Satria ianareo, ry rahalahy, dia lasa tahaka ireo fiangonan'Andriamanitra any Jodia izay amin'i Jesosy Kristy. Fa ianareo ihany koa dia nijaly tamin'ireo zavatra ireo ihany noho ny nataon'ireo mpiray tanindrazana aminareo, sahala ny nanjo azy ireo koa noho ny nataon'ny Jiosy taminy.
\v 15 Ireo Jiosy no namono na an'i Jesosy Kristy na ireo mpaminany. Ireo Jiosy no nandroaka anay. Tsy nankasitraka an'Andriamanitra izy ireo. Fa kosa, izy ireo dia fahavalon'ny olona rehetra.
\v 16 Izy ireo dia nandrara anay tsy hiteny amin'ireo Jentilisa mba tsy hamonjena azy ireny. Vokatr'izany dia mameno ny fahotan'ny tenany mandrakariva izy ireo. Ny fahatezerana dia tsy maintsy tonga eo amin'izy ireo amin'ny farany.
\s5
\v 17 Tafasaraka taminareo izahay, ry rahalahy, nandritry ny fotoana fohy, tamin'ny fanatrehana fa tsy tamin'ny fo. Tena nazoto fatratra izahay, naniry mafy, ny hahita ny tavanareo.
\v 18 Satria naniry ny ho any aminareo izahay, izaho, Paoly, matetitetika, nefa nanakana anay i Satana.
\v 19 Fa inona moa ny fanantenanay ny ho avy, na fifaliana, na satro-boninahitry ny fandresena eo anatrehan'i Jesosy Tompontsika amin'ny fihaviany? Moa tsy ianareo toy ireo sasany hafa koa ve?
\v 20 Fa ianareo no voninahitray sy fifalianay.
\s5
\c 3
\p
\v 1 Noho izany, rehefa tsy afaka niaritra izany intsony izahay, dia noeritreretinay fa tsara ny mitoetra irery tao Atena.
\v 2 Nandefa an'i Timoty izahay, rahalahinay sy mpiara-miasa ho an'Andriamanitra ao amin'ny filazantsaran'i Kristy, mba hanamafy sy hankahery momban'ny finoanareo.
\f + \ft Fanamarihana: Ny dikan-teny sasany hafa taloha dia mivaky hoe: "Nandefa an'i Timoty izahay, rahalahinay ary mpanompon'Andriamanitra aoamin'ny filazantsaran'i Kristy." \f*
\v 3 Nataonay izany mba tsy hisy olona ho taitra noho ireo fahoriana ireo. Fa ny tenanareo dia mahafantatra fa izany no nanendrena antsika.
\s5
\v 4 Marina tokoa, rehefa niaraka taminareo izahay, dia nilaza mialoha taminareo fa isika dia tsy maintsy hampahoriana, ary nitranga izany, araka ny fantatrareo.
\v 5 Noho izany antony izany, rehefa tsy naharitra izany intsony aho, dia naniraka mba ahafantarako ny finoanareo. Angamba ny mpaka fanahy dia efa naka fanahy anareo, ary ho zava-poana ny asantsika.
\s5
\v 6 Fa tonga taty aminay avy tany aminareo i Timoty ary nitondra ny vaovao mahafalin'ny finoana sy fitiavanareo ho anay. Nilaza taminay izy fa ianareo dia manana fahatsiarovana tsara anay foana, ary ianareo dia maniry mafy ny ahita anay tahaka ny fanirianay ahita anareo.
\v 7 Noho izany, ry rahalahy, izahay dia namaherezinareo nohon'ny finoanareo, tao anatin'ny fitaintainana sy fahorianay rehetra.
\s5
\v 8 Fa ankehitriny velona izahay, raha mifikitra mafy amin'ny Tompo ianareo.
\v 9 Fa fisaorana toy ny ahoana no azonay omena an'Andriamanitra ny aminareo, tamin'ny fifaliana rehetra izay anananay teo anatrehan'ny Andriamanitray noho ny aminareo?
\v 10 Mivavaka mafy andro aman'alina izahay mba mety ahita ny endrikareo sy amatsy izay tsy ampy ao amin'ny finoanareo.
\s5
\v 11 Andriamanitra Raintsika tenany, ary Jesosy Tompontsika anie, hanitsy ny lalanay ho aminareo.
\v 12 Ny Tompo anie hampitombo sy hampandroso amin'ny fifankatiavanareo amin'ny hafa sy ny olon-drehetra, tahaka ny ataonay aminareo koa.
\v 13 Izy anie hanamafy ny fonareo, ka mba tsy hanan-tsiny amin'ny fahamasinana izy ireo eo anatrehan'Andriamanitra Raintsika, amin'ny fihavian'i Jesosy Tompontsika mbamin'ireo masiny rehetra.
\s5
\c 4
\p
\v 1 Ary farany, ry rahalahy, mampahery sy mananatra anareo izahay ao amin'ny Tompo Jesosy. Raha nahazo ireo fampianarana avy aminay ianareo momban'ny fomba tsy maintsy handehananareo sy hamalifalinareo an'Andriamanitra, ny amin'io lalana andehanana io ihany koa, dia mba anaovanareo mihoatra izany.
\v 2 Fa ianareo dia mahafantatra ireo fampianarana izay nomenay anareo tamin'ny alalan'i Jesosy Tompo.
\s5
\v 3 Fa izao no sitrapon'Andriamanitra, dia ny hanamasinana anareo, mba hialanareo amin'ny fijangajangana,
\v 4 izay ahafantaran'ny tsirairay avy aminareo ny fomba ahazoana ny fanaky ny tenany ao amin'ny fahamasinana sy voninahitra,
\v 5 tsy amin'ny filan-dratsy (tahaka ireo Jentilisa izay tsy mahafantatra an'Andriamanitra).
\v 6 Aoka tsy hisy olona handika na hanaratsy ny rahalahiny amin'izany. Fa ny Tompo no mamaly amin'ireny zava-drehetra ireny, tahaka ny nampitandremanay mialoha sy nijoronay vavolombelona taminareo.
\s5
\v 7 Fa Andriamanitra tsy niantso anay ho amin'ny fahalotoana, fa amin'ny fahamasinana.
\v 8 Noho izany, izy izay mandà izany dia tsy mandà olona, fa Andriamanitra, izay nanome ny Fanahiny Masina ho anareo.
\s5
\v 9 Momban'ny fifankatiavan'ny mpirahalahy, tsy mila olona hafa ianareo hanoratra ho anareo, fa ianareo tenanareo dia nampianarin'Andriamanitra mba hifankatia.
\v 10 Ataonareo tokoa izany, ho an'ireo rahalahy rehetra izay eran'i Makedonia. Fa izahay dia mananatra anareo, ry rahalahy, mba hanao mihoatra.
\v 11 Mananatra anareo ihany koa izahay mba hanandrana hiaina am-pilaminana, hisaina ny raharahanareo manokana, ary hiasa amin'ny tananareo, araka ny nandidianay anareo,
\v 12 mba hanananareo fitondran-tena mendrika eo anatrehan'ireo tsy mino ary tsy hanan-java-mahory.
\s5
\v 13 Fa tsy tianay tsy ho fantatrareo, ry rahalahy, ny momba ireo izay nodimandry, mba tsy halahelovanareo tahaka ireo ambiny izay tsy manana antoka ny amin'ny ho avy.
\v 14 Fa raha mino isika fa Jesosy dia maty ary nitsangana indray, dia toy izany koa no hitondran'Andriamanitra miaraka amin'i Jesosy ireo izay efa nodimandry tao aminy.
\v 15 Fa izao no lazainay aminareo tamin'ny tenin'ny Tompo, fa isika izay velona, izay sisa tavela amin'ny fahatongavan'ny Tompo, dia tsy hialoha tokoa ireo izay nodimandry.
\s5
\v 16 Fa ny tenan'ny Tompo no hidina avy any an-danitra. Ho avy miaraka amin'ny feo avo Izy, miaraka amin'ny feon'ny Arkanjely, ary miaraka amin'ny trompetran'Andriamanitra, ary ny maty ao amin'i Kristy no hitsangana voalohany.
\v 17 Avy eo isika izay velona, izay sisa tavela, hiaraka hiakatra amin'izy ireo eny amin'ny rahona ka hihaona amin'ny Tompo eny amin'ny habakabaka. Amin'izany dia hiaraka amin'ny Tompo mandrakariva isika.
\v 18 Noho izany, mifankahereza amin'ireo teny ireo.
\s5
\c 5
\p
\v 1 Ankehitriny mikasika ireo fotoana sy ireo vanim-potoana, ry rahalahy, tsy mila na inona na inona voasoratra ho anareo ianareo.
\v 2 Fa ianareo tenanareo mahafantatra tsara fa ny andron'ny Tompo dia ho avy tahaka ny mpangalatra amin'ny alina.
\v 3 Rehefa miteny izy ireo, "Miadana sy milamina," dia fahapotehana tampoka no ho avy amin'izy ireo. Ho tahaka ny fahararian'ny vehivavy bevohoka rehefa miteraka izany. Tsy ho afa-mandositra mihitsy izy ireo.
\s5
\v 4 Fa ianareo, ry rahalahy, dia tsy ao anatin'ny haizina ka hahatratra anareo tampoka tahaka ny mpangalatra ny andro.
\v 5 Fa ianareo rehetra dia zanaky ny mazava sy zanaky ny andro. Tsy zanaky ny alina isika na ny haizina.
\v 6 Noho izany, ndeha isika tsy hatory tahaka ny fataon'ny ambiny. Fa kosa, aoka isika hiambina sy hahonon-tena.
\v 7 Fa ireo izay matory dia manao izany amin'ny alina, ary ireo izay mamo dia manao izany ihany koa amin'ny alina.
\s5
\v 8 Fa raha mbola an'ny andro isika, dia tsy maintsy mahonon-tena isika ary mitafy finoana sy fitiavana ho fiarovan-tratra, ary ny antoky ny famonjena amin'ny ho avy ho fiarovan-dohantsika.
\v 9 Fa Andriamanitra tsy nanendry antsika ho amin'ny fahatezerana, fa hahazoana ny famonjena amin'ny alalan'i Jesosy Kristy Tompontsika.
\v 10 Izy ilay maty ho antsika, na mifoha isika na matory, dia afaka miara-miaina aminy.
\v 11 Ka noho izany mifampionona ary mifampahereza ianareo, tahaka ny efa nataonareo.
\s5
\v 12 Mangataka aminareo izahay, ry rahalahy, mba hanekenareo izay mikely aina aminareo sy mitondra anareo amin'ny Tompo ary izay mananatra anareo.
\v 13 Mangataka anareo ihany koa izahay mba hanaja azy ireo am-pitiavana noho ny asan'izy ireo. Mihavàna amin'ny tenanareo.
\v 14 Mananatra anareo izahay, ry rahalahy: mampitandrema ny fikorontanana, hampaherezo ireo kivy, ampio ireo malemy, mahareta amin'ny rehetra.
\s5
\v 15 Indro tsy misy olona mamaly ratsy ny ratsy na amin'iza na iza. Fa kosa, mitadiava izay tsara ho an'ny tsirairay sy ho an'ny rehetra.
\v 16 Mifalia mandrakariva.
\v 17 Aza mitsahatra mivavaka.
\v 18 Misaora amin'ny zavatra rehetra. Fa izany no sitrapon'Andriamanitra ao amin'i Kristy Jesosy ho anareo.
\s5
\v 19 Aza mamono ny Fanahy.
\v 20 Aza manao tsinontsinona ireo faminaniana.
\v 21 Andramo ny zava-drehetra. Mifikira amin'izay tsara.
\v 22 Esory ireo fisehoan'ny ratsy rehetra.
\s5
\v 23 Andriamanitry ny fiadanana anie hampamasina anao tanteraka. Aoka ny fanahinareo manontolo, ny aina, ary ny vatana dia hotehirizina tsy hanan-tsiny ho amin'ny fahatongavan'i Jesosy Kristy Tompontsika.
\v 24 Mahatoky izy ilay miantso anao, ilay iray izay hanao izany ihany koa.
\s5
\v 25 Ry rahalahy, mivavaha ihany koa ho anay.
\v 26 Arahabao amin'ny fanorohana masina ny rahalahy rehetra.
\v 27 Mangataka aminareo amin'ny Tompo aho mba ho vakiana amin'ny rahalahy rehetra ity taratasy ity.
\v 28 Ho aminareo anie ny fahasoavan'i Jesosy Kristy Tompontsika.