plt_ulb/51-PHP.usfm

195 lines
15 KiB
Plaintext

\id PHP
\ide UTF-8
\h Filipiana
\toc1 Filipiana
\toc2 Filipiana
\toc3 php
\mt Filipiana
\s5
\c 1
\p
\v 1 Paoly sy Timoty, mpanompon'i Jesosy Kristy, ho an'ireo rehetra voatokana ho an'i Jesosy Kristy izay any Filipy, miaraka amin'ireo mpiandraikitra sy ireo diakona.
\v 2 Ho aminareo anie ny fahasoavana sy fiadanana avy amin'Andriamanitra Raintsika sy Jesosy Kristy Tompo.
\s5
\v 3 Misaotra ny Andriamanitro aho amin'ny fahatsiarovako anareo.
\v 4 Ao amin'ny fivavahako ho anareo rehetra, dia amin'ny fifaliana hatrany no anaovako ny fivavahako.
\v 5 Manome fisaorana aho nohon'ny amin'ny fiombonanareo amin'ny filazantsara nanomboka tamin'ny andro voalohany ka hatramin'izao.
\v 6 Mahatoky an'izao zavatra izao aho, fa Izy izay nanomboka asa tsara taminareo dia hanohy hanatanteraka izany hatramin'ny andron'i Jesosy Kristy.
\s5
\v 7 Fa tsara amiko ny mahatsapa toy izany ny amin'ny momba anareo rehetra satria ato am-poko ianareo. Ianareo rehetra dia mpiara-miasa tamiko tamin'ny fahasoavana na tamin'ny figadrako sy tamin'ny fiarovako na koa tamin'ny fanamafisana ny filazantsara.
\v 8 Fa Andriamanitra no vavolombeloko, fa manina anareo fatratra aho amin'ny famindram-pon'i Kristy Jesosy.
\s5
\v 9 Ary izaho mivavaka an'izao: mba hitombo hatrany hatrany ny fitiavanareo amin'ny fahalalana sy amin'ny fahazavan-tsaina rehetra.
\v 10 Mivavaka ho an'izany aho mba hanaiky izay tsara dia tsara ianareo, mba ho tso-po sy tsy misy tsiny amin'ny andron'i Kristy.
\v 11 Mivavaka aho mba ho fenon'ny vokatry ny fahamarinana izay avy amin'i Jesosy Kristy ianareo, ho voninahitra sy fiderana an'Andriamanitra.
\s5
\v 12 Ary tiako ho fantatrareo, ry rahalahy, fa ireo zavatra izay nitranga tamiko dia niasa ho amin'ny fampandrosoana ny filazantsara tokoa.
\v 13 Vokatr'izany, ny fatorako ao amin'i Kristy dia niharihary mazava nanerana ireo mpiambin'ny lapa manontolo sy ireo olona hafa.
\v 14 Ny ankamaroan'ireo rahalahy dia manana toky lehibe kokoa ao amin'ny Tompo nohon'ny fatorako, ary sahy manambara tsy amin-tahotra ny teny izy ireo.
\s5
\v 15 Ny sasany aza dia mitory an'i Kristy amin'ny fialonana sy fifandirana tokoa, ary ireo hafa kosa amin'ny sitrapo tsara.
\v 16 Ireto farany dia manao izany amin'ny fitiavana, mahafantatra fa izaho dia napetraka eto ho fiarovana ny filazantsara.
\v 17 Fa iretsy voalohany dia mitory an'i Kristy amin'ny fitiavan-tena, fa tsy tso-po. Izy ireny dia mihevitra fa hanakorontana ahy raha mbola ao amin'ny fifatorako aho.
\s5
\v 18 Inona ary? Amin'ny fomba rehetra, na amin'ny fihatsaram-belatsihy na amin'ny fahamarinana, Kristy no toriana, ary mifaly ny amin'izany aho. Eny, ho faly aho,
\v 19 fa fantatro fa izany dia hiafara amin'ny fanafahana ahy amin'ny alalan'ireo vavakareo sy ny fanampian'ny Fanahin'i Jesosy Kristy.
\s5
\v 20 Izany dia araka ny fiandrasako fatratra sy ny antoka fa izaho dia tsy ho menatra mihitsy, ary mbola amin'ny fahasahiana rehetra ihany, ankehitriny tahaka ny hatrizay, dia hisandratra ato amin'ny tenako Kristy, na amin'ny fiainana na amin'ny fahafatesana.
\v 21 Ho ahy ny hoe miaina dia Kristy ary ny hoe maty dia tombony.
\s5
\v 22 Fa raha miaina amin'ny nofo aho, dia midika asa mahavokatra ho ahy izany. Kanefa inona no ho fidiako? Tsy fantatro.
\v 23 Fa voatery mafy eo anelanelan'izy roa aho. Ny faniriako dia ny handeha ary hiaraka amin'i Kristy, izay tsara lavitra,
\v 24 kanefa ny mitoetra ao amin'ny nofo dia ilaina kokoa noho ianareo.
\s5
\v 25 Resy lahatra ny amin'izany, dia fantatro fa hitoetra sy hanohy hiaraka aminareo rehetra aho, ho an'ny fandrosoanareo sy fifaliana ao amin'ny finoana.
\v 26 Mba ho ao amiko dia hanana antony hireharehana ao amin'i Kristy Jesosy ianareo rehefa miverina any aminareo indray aho.
\v 27 Matondrà tena amin'ny fomba mendrika ny filazantsara an'i Kristy, ka na tonga hijery anareo aho na tsy eo, dia afaka ny handre momba anareo, fa mijoro mafy amin'ny fanahy iray ianareo, amin'ny saina iray miara-miezaka ho an'ny finoana ny filazantsara.
\s5
\v 28 Ary aza mety ampitahorin'ireo izay fahavalonareo. Mariky ny fahapotehan'izy ireo izany, fa mariky ny famonjenareo kosa _ ary izany dia avy amin'Andriamanitra.
\v 29 Fa nomena anareo izany, ho an'i Kristy, tsy hoe mba hinoana Azy fotsiny, fa hijaliana ho Azy koa,
\v 30 fa ianareo dia manana ady mitovy amin'izay hitanareo tamiko, ary izay henonao amiko ankehitriny.
\s5
\c 2
\p
\v 1 Raha misy fampaherezana ao amin'i Kristy, raha misy fampiononana avy amin'ny fitiavany, raha misy firaisana ao amin'ny Fanahy, raha misy famindrampo lehibe sy fiantrana,
\v 2 dia ataovy feno ny fifaliako amin'ny fisainana tahaka izany, amin'ny fananana fitiavana mitovy, amin'ny firaisana am-panahy, ary amin'ny fananana tanjona mitovy.
\s5
\v 3 Aza manao na inona na inona amin'ny fitiavan-tena na fanandratan-tena foana. Fa amin'ny fanetren-tena kosa dia mihevera ny hafa mihoatra ny tenanareo.
\v 4 Tokony tsy hitady izay mahasoa ny tenanareo ihany ny tsirairay aminareo, fa izay mahasoa ny hafa ihany koa.
\s5
\v 5 Mihevera tahaka ny fisainana izay tao amin'i Kristy Jesosy ihany koa.
\v 6 Efa nisy araka ny endrik'Andiamanitra Izy, fa tsy nihevitra izany fitoviany amin'Andriamanitra izany ho zavatra hifikirana Izy.
\v 7 Ny mifanohitra amin'izany, nofoanany ny tenany. Naka ny endriky ny mpanompo Izy. Ary niseho ho tahaka ny olombelona Izy. Ary hita nitovy tamin'olombelona Izy.
\v 8 Nanetry tena Izy ary tonga mpankatoa hatramin'ny fahafatesana, dia ilay fahafatesan'ny hazofijaliana!
\s5
\v 9 Noho izany dia nasandratr'Andriamanitra avo dia avo ihany koa Izy. Nomeny ilay Anarana izay ambonin'ny anarana rehetra Izy.
\v 10 Nataony izany mba ho amin'ny Anaran'i Jesosy no handohalihan'ny lohalika rehetra, ny lohalik'ireo izay any an-danitra sy ety an-tany ary any ambanin'ny tany.
\v 11 Nataony izany haneken'ny lela rehetra fa i Jesosy Kristy no Tompo, ho voninahit'Andriamanitra Ray.
\s5
\v 12 Noho izany, ry malalako, tahaka ny ankatoavanareo hatrany, tsy eo amin'ny fanatrehako ihany fa mihoatra lavitra aza ankehitriny rehefa tsy eo aho, dia asehoy amin'ny tahotra sy hovitra ny famonjena anareo.
\v 13 Satria Andriamanitra no miasa ao aminareo mba ho vonon-kanao no sady hiasa ho an'ny fifaliany ianareo.
\s5
\v 14 Ataovy tsy am-pitarainana na fiadian-kevitra ny zavatra rehetra.
\v 15 Manaova toy izany mba ho tonga zanak'Andriamanitra tsy misy tsiny sady marina, tsy misy kilema ianareo. Miasà toy izany mba hamirapiratanareo tahaka ny fahazavana eo amin'izao tontolo izao, eo afovoan'ny taranaka meloka sady maditra.
\v 16 Mifikira mafy amin'ilay Tenin'ny fiainana mba hananako antony hireharehàna amin'ny andron'i Kristy. Fa amin'izany dia ho fantatro fa tsy very maina ny nihazakazahako ary tsy very maina ny niasàko.
\s5
\v 17 Fa na dia ahidina ho fanatitra eo amin'ny sorona sy fanompom-pinoana aza aho, dia mifaly aho, ary miara-mifaly aminareo rehetra aho.
\v 18 Ary tahaka izany koa no hifalianareo, ary miara-mifaly amiko ianareo.
\s5
\v 19 Fa manantena ao amin'i Tompo Jesosy aho fa handefa an'i Timoty any aminareo faingana, mba hahery ihany koa aho rehefa fantatro ny zavatra momba anareo.
\v 20 Fa tsy manana olona hafa mitovy toe-tsaina aminy aho, izay tena manahy ny aminareo.
\v 21 Fa izy rehetra dia mitady ny tombon-tsoany, fa tsy ny zavatr'i Jesosy Kristy.
\s5
\v 22 Fa fantatrareo ny fahamendrehany, satria tahaka ny zaza manompo ny rainy, no nanompoany niaraka tamiko tao amin'ny filazantsara.
\v 23 Koa manantena ny handefa azy aho raha vao hitako hoe manao ahoana ny fandehan-javatra aty amiko.
\v 24 Fa matoky ny Tompo aho fa ho avy any faingana koa ny tenako.
\s5
\v 25 Fa mieritreritra aho fa ilaina ihany koa ny mampiverina an'i Epafrodito any aminareo. Ralahiko izy sy mpiara-miasa no mpiara-miady, sady mpitondra hafatrareo izy no mpanompo amin'izay ilaiko.
\v 26 Fa tra-pahoriana mafy izy, ary manina ny hiaraka taminareo rehetra izy, satria renareo fa narary izy.
\v 27 Fa tena narary izy ka efa saika maty. Fa namindra fo taminy Andriamanitra, ary tsy taminy irery, fa tamiko koa, mba tsy hananako alahelo ambonin'ny alahelo.
\s5
\v 28 Koa dia amim-paharisihana lehibe rehetra no handefasako azy, ka rehefa hahita azy indray ianareo dia mba hifaly ka dia ho afaka kokoa amin'ny fanahiako aho.
\v 29 Raiso ao amin'ny Tompo Epafrodito miaraka amin'ny fifaliana rehetra. Hajao ny olona tahaka azy.
\v 30 Fa ho an'ny asan'i Kristy no nanakaikezany ny fahafatesana. Fa nanao vy verin'ny ainy izy hanompoana ahy mba hanatanterahany izay tsy afaka nataonareo tamin'ny fanompoana tamiko.
\s5
\c 3
\p
\v 1 Farany, ry rahalahy, mifalia ao amin'ny Tompo. Tsy manahirana ahy ny mamerina manoratra ireny zavatra ireny ho anareo. Ireny zavatra ireny dia hiaro anareo.
\v 2 Mitandrema amin'ireo amboa. Mitandrema amin'ireo mpanao ratsy. Mitandrema amin'ireo fanapahana rantsam-batana.
\v 3 Fa isika no voafora. Ary Isika no manompo amin'ny Fanahin'Andriamanitra. Ary isika no mirehareha ao amin'i Kristy Jesosy, ary tsy mitoky amin'ny nofo.
\s5
\v 4 Na izany aza, izaho tenako dia afaka mitoky amin'ny nofo. Raha misy olona mihevitra fa izy dia manana fahatokisana amin'ny nofo, afaka manao mihoatra noho izany aho.
\v 5 Noforaina tamin'ny andro fahavalo aho, teraka tao amin'ny vahoakan'Isiraely, tao amin'ny fokon'ny Benjamina, Hebreo tao amin'ireo Hebreo aho; araky ny lalàna, dia Fariseo aho.
\s5
\v 6 Tamin'ny zotom-po, dia nanenjika ny fiangonana aho; Raha ny amin'ny fahamarinana ambanin'ny lalàna, dia tsy nanan-tsiny aho.
\v 7 Fa na inona na inona tombony ho ahy, dia noraisiko ho toy ny fatiantoka ireny nohon'ny amin'i Kristy.
\s5
\v 8 Raha ny tena izy, nisaiko ho faty antoka avokoa ireo zavatra rehetra nohon'ny halehiben'ny fahalalana an'i Kristy Jesosy Tompoko. Noho Izy dia nariako ny zavatra rehetra. Heveriko ho fako ireny mba hahazoako an'i Kristy
\v 9 ary ho hita ao Aminy aho. Tsy manana ny fahamarinana ho an'ny tenako avy amin'ny lalàna aho. Fa kosa, manana ny fahamarinana izay tamin'ny alalan'ny finoana an'i Kristy aho, fahamarinana avy amin'ny Andriamanitra izay mifototra amin'ny finoana.
\v 10 Koa ankehitriny dia te hahafantatra Azy sy ny herin'ny fitsanganany tamin'ny maty ary ny fiombonana amin'ireo fijaliany aho. Te hiova amin'ny alalan'i Kristy aho mba hanahaka ny fahafatesany,
\v 11 mba hahafahako mahatsapa ny fitsanganana amin'ny maty.
\s5
\v 12 Tsy marina fa efa nandray ireo zavatra ireo sahady aho, na koa hoe tonga tanteraka aho. Fa miezaka aho mba handrombahako ilay nandrombahan'i Kristy Jesosy ahy.
\v 13 Ry rahalahy, tsy mieritreritra aho fa ny tenako dia efa nandrombaka izany. Fa misy zavatra iray: Adinoiko izay any aoriana ary miezaka ho an'izay eo aloha aho.
\v 14 Miezaka manatratra ny tanjona aho mba hahazo ny lokan'ny antso avy any ambony avy amin'Andriamanitra ao amin'i Kristy jesosy.
\s5
\v 15 Isika rehetra izay matotra, aoka isika hieritreritra tahaka izany; ary raha misy eritreritrareo hafa momba zavatra rehetra, dia ho asehon'Andriamanitra aminareo ihany koa izany.
\v 16 Kanefa, na inona na inona efa tratrantsika, aoka isika hifikitra amin'izany.
\s5
\v 17 Aoka ho mpaka tahaka ahy, ianareo ry rahalahy. Diniho akaiky ireo izay mandeha araka ny ohatra izay hitanareo ao aminay.
\v 18 Maro ireo mandeha _ ireo izay efa nolazaiko anareo matetika, ary ankehitriny aho milaza aminareo amin-dranomaso _ tahaka ny fahavalon'ny hazofijalian'i Kristy.
\v 19 Fandringanana no fiafaran'izy ireo. Fa ny kibony no andriamaniny, ary ny fireharehan'izy ireo dia ao amin'ny fahamenarany. Mieritreritra ny zavatr'izao tontolo izao izy ireo.
\s5
\v 20 Fa any an-danitra ny fanjakantsika, izay hiandrasantsika Mpamonjy ihany koa, dia ny Tompo Jesosy kristy.
\v 21 Izy dia hanova ny vatanantsika izay malemy mba ho vatana manahaka ny vatany feno voninahitra, izay natao tamin'ny herin'ny fahefany mba hampanaiky ny zavatra rehetra amin'ny tenany.
\s5
\c 4
\p
\v 1 Noho izany, ry rahalahy malalako izay mahamanina ahy, fifaliako sy satro-boninahitro, amin'izany dia mijoroa tsara ao amin'ny Tompo, ry namako malala.
\v 2 Miangavy an'i Eodia aho, ary miangavy an'i Syntyke, miraisa saina ao amin'ny Tompo.
\v 3 Ary, mangataka aminao ihany koa aho, ry namako mpiray zioga: Ampio ireo vehivavy ireo. Satria izy ireo dia niara-niasa tamiko tamin'ny fampielezana ny Filazantsara niaraka tamin'i Klementa sy ireo sisa namana mpiara-miasa amiko rehetra, izay efa ao amin'ny Bokin'ny Fiainana ny anaran'izy ireo.
\s5
\v 4 Mifalia hatrany ao amin'ny Tompo. Hoy ihany aho, mifalia.
\v 5 Avelao ho fantatry ny olona rehetra ny fahatsoram-ponareo. Efa akaiky ny Tompo.
\v 6 Aza manahy na amin'inona na amin'inona. Fa kosa, amin'ny zava-drehetra amin'ny alalan'ny vavaka sy fangatahana, miaraka amin'ny fisaorana, avelao ny fangatahinareo ho fantatr'Andriamanitra.
\v 7 Ary ny fiadanan'Andriamanitra, izay mihoatra ny fahalalàna rehetra, hiaro ny fonareo sy ny fisainanareo rehetra ao amin'i Kristy Jesosy.
\s5
\v 8 Ary farany, ry rahalahy, na inona na inona marina, na inona na inona manan-kaja, na inona na inona ara-drariny, na inona na inona madio, na inona na inona mahafinaritra, na inona na inona nolazaina fa tsara, raha misy na inona na inona tena tsara, raha misy na inona na inona tokony ho deraina, dia mihevera an'ireny zavatra ireny.
\v 9 Ireo zavatra izay nianaranareo sy noraisinareo sy henonareo ary hitanareo tamiko, ataovy ireny zavatra ireny, ary ny Andriamanitry ny fiadanana hiaraka aminareo.
\s5
\v 10 Mifaly be ao amin'ny Tompo aho satria nohavaozinareo ihany ankehitriny ny fiheveranareo ahy. Efa nihevitra ahy tokoa ianareo teo aloha, fa tsy nisy fahafahana ho anareo mba hanampy.
\v 11 Tsy milaza izany aho satria ao anatin'ny tsy fahampiana. Fa efa nianatra ny hifaly amin'izay toe-java-miseho rehetra aho.
\v 12 Fantatro ny hoe mahantra ary fantatro koa ny hoe manam-be. Amin'ny fomba rehetra sy amin'ny zavatra rehetra dia nianatra ny tsiambaratelon'ny fihinanam-be sy ny hanoanana aho, ary ny hoe manam-be sy ny hoe ao anatin'ny tsy fahampiana.
\v 13 Afaka manao ny zavatra rehetra aho amin'ny alalan'Ilay mampahery ahy.
\s5
\v 14 Kanefa, ianareo nanao ny tsara tamiko tamin'ny fahasahiranako.
\v 15 Ary ianareo Filipiana mahafantatra fa tamin'ny fiandohan'ny filazantsara, rehefa nandao an'i Makedonia aho, dia tsy nisy fiangonana nanohana ahy raha ny mahakasika ny fanomezana sy fandraisana afa-tsy ianareo irery.
\v 16 Na tamin'izaho tany Tesalonika aza, dia nandefa fanampiana ho an'izay nilaiko mihoatra ny indray mandeha ianareo.
\v 17 Tsy hoe mitady fanomezana aho. Fa kosa, mitady ny vokatra izay mampiakatra ny voninahitrareo aho.
\s5
\v 18 Nandray ireo zavatra rehetra aho, ary manana be dia be. Fa feno aho. Voaraiko avy tamin'i Epafrodito ireo zavatra avy aminareo. Ireo dia hanitra manim-pofona, izay fanatitra azo ekena sy ankasitrahan'Andriamanitra.
\v 19 Ary ny Andriamanitro hameno izay rehetra ilainareo araka ny haren'ny voninahiny ao amin'i Kristy Jesosy.
\v 20 Ary ho an'Andriamanitra sady Raintsika anie ny voninahitra mandrakizay doria. Amena.
\s5
\v 21 Manaova veloma an'ny mpino rehetra ao amin'i Kristy Jesosy. Ireo rahalahy izay miaraka amiko dia manao veloma anareo.
\v 22 Ireo mpino rehetra izay eto manao veloma anareo, indrindra ireo izay avy ao amin'ny ankohonan'i Kaisara.
\v 23 Ny fahasoavan'ny Tompo Jesosy Kristy anie ho amin'ny fanahinareo.
\f + \ft Fanamarihana: Misy ireo fandikana sasany manampy hoe: "Amena." \f*