plt_ulb/50-EPH.usfm

298 lines
21 KiB
Plaintext

\id EPH
\ide UTF-8
\h Efesiana
\toc1 Efesiana
\toc2 Efesiana
\toc3 eph
\mt Efesiana
\s5
\c 1
\p
\v 1 Paoly, apostolin'i Kristy Jesosy araka ny sitrapon'Andriamanitra, ho an'ireo olo-masin'Andriamanitra any Efesosy, izay mahatoky ao amin'i Kristy Jesosy.
\v 2 \f + \ft Fanamarihana: Misy fandikana sasany manala ny hoe: "Ao Efesosy" saingy mety ao amin'ny taratasin'i Paoly tamin'ny voalohany izany. \f*
Ho aminareo ny fahasoavana sy fiadanana avy amin'Andriamanitra Raintsika sy Jesosy Kristy Tompo.
\s5
\v 3 Deraina anie ny Andriamanitra sy Rain'i Jesosy Kristy Tompontsika, izay nitahy antsika tao amin'i Kristy tamin'ny fitahim-panahy rehetra avy any an-danitra ao amin'i Kristy.
\v 4 Andriamanitra nifidy antsika tao aminy hatramin'ny fiantombohan'izao tontolo izao, mba ho masina sy tsy manan-tsiny eo anatrehany isika.
\s5
\v 5 Andriamanitra dia nisafidy antsika mialoha ho amin'ny fananganana ho zanaka tamin'ny alalan'i Jesosy Kristy, araka ny sitrapony.
\v 6 Ny fananganana antsika dia mitondra amin'ny fiderana ny fahasoavany be voninahitra izay nomeny antsika maimaimpoana tao amin'ilay Iray izay tiany.
\s5
\v 7 Ao amin'i Jesosy Kristy dia mahazo fanavotana amin'ny ràny sy ny famelan-keloka isika, araka ny harem-pahasoavany.
\v 8 Narotsany tamintsika tamin'ny fahendrena sy fahalalana rehetra izany fahasoavana izany.
\s5
\v 9 Nataon'Andriamanitra fantatra tamintsika ny zava-miafin'ny sitrapony, araka izay tiany, sy izay nasehony tao amin'i Kristy,
\v 10 niaraka tamin'ny fandaharana iray amin'ny fahafenoan'ny fotoana, hanangonana ny zavatra rehetra, ety an-tany sy any an-danitra, ho loha iray, na Kristy aza.
\s5
\v 11 Ao amin'i Kristy dia voatendry ho mpandova isika. Nofidiana mialoha araka fandaharan'ilay mampiasa ny zavatra rehetra araka ny tanjon'ny sitrapony isika.
\v 12 Andriamanitra nanendry antsika ho mpandova mba ho isika no manana fahatokiana voalohany ao amin'i Kristy, mba ho fiderana ny voninahiny isika.
\s5
\v 13 Tao amin'i Kristy, ianareo koa, rehefa naheno ny tenin'ny fahamarinana, dia ny filazantsaran'ny famonjena anareo, dia nino Azy ianareo ary voatomboka tamin'ilay Fanahy Masina nampanantenaina,
\v 14 izay antoka ho an'ny lovantsika mandra-pahazoantsika tanteraka izany, ho fiderana ny voninahiny.
\s5
\v 15 Noho izany antony izany, hatramin'ny nahenoako ny finoanareo ny Tompo Jesosy ary ny fitiavanareo ireo olo-masiny rehetra,
\v 16 dia tsy nitsahatra ny nisaotra an'Andriamanitra aho noho ny aminareo ary tsaroako am-bavaka ianareo.
\s5
\v 17 Mivavaka aho mba ny Andriamanitr'i Jesosy Kristy Tompontsika, ilay Rain'ny voninahitra, hanome anareo ny fanahin'ny fahendrena sy fanambarana amin'ny fahalalana Azy.
\v 18 Mivavaka aho mba hanazavana ny mason'ny fonareo, mba hahafantaranareo ny toky izay niantsoany anareo sy ny haren'ny voninahitry ny lovany eo amin'ireo olo-masin'Andriamanitra rehetra.
\s5
\v 19 Ao amin'ny fivavako dia mangataka aho mba hahafantaranareo ny fihoaran'ny halehiben'ny heriny ao amintsika izay mino, araka ny fiasan'ny heriny lehibe.
\v 20 Izany hery izany ihany no nampiasain'Andriamanitra tao amin'i Kristy rehefa natsangany tamin'ny maty Izy ary napetrany teo an-tanany ankavanana tany an-danitra.
\v 21 Kristy dia napetrany ho ambonin'ny lalàna sy ny fahefana ary ny hery sy fitsarana, ary ny anarana rehetra izay misy. Hanapaka Kristy, tsy ho amin'izao vanim-potoana izao ihany, fa ho amin'ny vanim-potoana ho avy koa.
\s5
\v 22 Napetrak'Andriamanitra ho ao ambanin'ny tongotr'i Kristy avokoa ny zavatra rehetra ary natolony ho lohan'ny zavatra rehetra ao amin'ny fiangonana Izy.
\v 23 Ny fiangonana no vatany, ilay fahafenoin'Ilay mameno ny zavatra rehetra amin'ny endriny rehetra.
\s5
\c 2
\p
\v 1 Ary ny momba anareo, dia maty tao anatin'ny fahadisoanareo sy ny fahotanareo ianareo.
\v 2 Tao amin'ireny fahadisoana ireny no niainanareo taloha araka ny fomban'izao tontolo izao. Niaina araka ny mpanapaka ireo fahefana eny amin'ny rivotra ianareo, ilay fanahy izay miasa ao amin'ireo zanaky ny tsy fankatoavana.
\v 3 Niaina teo amin'ireny olona ireny avokoa isika taloha, nanatanteraka ireo filan-dratsin'ny nofontsika, ary nanatanteraka ny fanirian'ny nofo sy ny saina. Efa voahary ho zanaky ny fahatezerana, toy ny zanak'olombelona sisa isika.
\s5
\v 4 Saingy manan-karena famindram-po Andriamanitra noho ilay fitiavany lehibe izay nitiavany antsika.
\v 5 Tamintsika mbola maty tao anatin'ny fahadisoana, dia novelominy niaraka tamin'i Kristy _ tamin'ny fahasoavana no namonjena anareo.
\v 6 Niara-natsangan'Andriamanitra isika, ary niara-napetrany tao an-danitra ao amin'i Kristy Jesosy,
\v 7 mba afahany mampiseho antsika amin'ny vanim-potoana ho avy ny halehiben'ny haren'ny fahasoavany izay tsy azo refesina asehony amin'ny hatsaram-panahiny amintsika ao amin'i Kristy Jesosy.
\s5
\v 8 Fa tamin'ny fahasoavana no namonjena anareo tamin'ny alalan'ny finoana, ary tsy avy aminareo izany, fa fanomezan'Andriamanitra.
\v 9 Tsy avy amin'ny asa ny fahasoavana mba tsy hisy hirehareha.
\v 10 Fa asan'Andriamanitra isika, noforonina tao amin'i Kristy Jesosy mba hanao asa izay fandaharan'Andriamanitra efa ela ho antsika, mba handehanantsika ao amin'ireo.
\s5
\v 11 Noho izany tadidio fa Jentilisa tao amin'ny nofo ianareo taloha. Ianareo dia antsoina hoe "tsy voafora" eo amin'ireo izay antsoina hoe "voafora" ao amin'ny nofo nataon'ny tanan'olombelona.
\v 12 Satria mbola tafasaraka tamin'i Kristy ianareo tamin'izany fotoana izany. Mpivahiny ianareo teo amin'ny vahoakan'ny Israely. Ary vahiny tamin'ny faneken'ny fampanantenana ianreo. Tsy mbola nanana fanantenana ny amin'ny ho avy ianareo. Tsy niaraka tamin'Andriamanitra ianareo teto amin'izao tontolo izao.
\s5
\v 13 Fa ankehitriny ao amin'i Kristy Jesosy ianareo izay lavitra an'Andriamanitra taloha dia nampanakaikezina tamin'ny ràn'i Kristy.
\v 14 Satria Izy no fihavanantsika. Izy no nahatonga ny roa ho iray. Tamin'ny nofony no nandrodanany ny rindrin'ny fanoherana izay nampizarazara antsika.
\v 15 Izany hoe, nofoanany ny lalàn'ny didy sy ny fitsipika mba hanaovany olom-baovao iray ao Aminy, sy mba hanaovana fampihavanana.
\v 16 Kristy dia mampihavana ny vahoaka roa tonta ho vatana iray amin'Andriamanitra amin'ny alalan'ny hazofijaliana, ka mamono ny fanoherana.
\s5
\v 17 Fa tonga Jesosy ary nitory fihavanana ho anareo izay lavitra ary fihavanana ho an'ireo izay akaiky.
\v 18 Fa amin'ny alalan'i Jesosy no hananantsika roa tonta fifandraisana amin'ny Fanahy iray mankany amin'ny Ray.
\s5
\v 19 Noho izany, tsy vahiny sy mpivahiny intsony ianareo Jentilisa izao. Fa vao maika aza mpiray firenena miaraka amin'ireo izay olo-masin'Andriamanitra ianareo sady isan'ny ankohonan'Andriamanitra.
\v 20 Efa naorina teo amin'ny fototra fanorenan'ireo apostoly sy ireo mpaminany ianareo, ary Kristy Jesosy mihintsy no vato fehizoro.
\v 21 Ao Aminy no hikambanan'ny fanorenana rehetra ary hitomboany toy ny tempoly ao amin'ny Tompo.
\v 22 Ao Aminy ihany no hananganana anareo miaraka ho fitoerana ho an'Andriamanitra ao amin'ny Fanahy.
\s5
\c 3
\p
\v 1 Noho izany, izaho Paoly, dia gadran'i Kristy Jesosy ho anareo Jentilisa.
\v 2 Ataoko fa naheno ny fitantanana ny fahasoavan'Andriamanitra izay nomena ahy ho anareo ianareo.
\s5
\v 3 Manoratra araka ny fanambarana nampahafantarina ahy aho. Izany no marina miafina momba izay nosoratako fohifohy taminareo.
\v 4 Rehefa mamaky izany ianareo, dia ho afaka ny hahazo ny fomba fahazoako izany marina miafina momban'i Kristy izany.
\v 5 Tamin'ireo taranaka hafa dia tsy natao fantatry ny zanak'olombelona izany marina izany. Fa ankehitriny kosa izany dia nambara tamin'ny alalan'ny Fanahy tamin'ireo Apostôly sy ireo mpaminaniny izay voatokana ho amin'ity asa ity.
\s5
\v 6 Izany marina miafina izany dia milaza fa ireo Jentilisa dia mpiara-mandova, sy mpiara-miombona amin'ny vatana, ary mizara ny fampanantenana ao amin'i Kristy Jesosy amin'ny alalan'ny filazantsara izy ireo.
\v 7 Fa lasa mpanompon'izany filazantsara izany aho tamin'ny fahasoavan'Andriamanitra nomena ahy tamin'ny alalan'ny fiasan'ny heriny.
\s5
\v 8 Nomen'Andriamanitra ahy izany fanomezana izany, na dia izaho aza no farany kely indrindra amin'ireo olo-masin'Andriamanitra. Izany fanomezana izany dia ny mba hitoriako amin'ireo Jentilisa ny filazantsaran'ny haren'i Kristy saro-katsahina.
\v 9 Ny fanomezam-pahasoavan'Andriamanitra ho ahy dia ny hitondrako fanazavana amin'ny olon-drehetra ny fandaharan'Andriamanitra. Io fandaharana io dia nafenin'Andriamanitra, ilay nahary ny zavatra rehetra, nandritra ny taona maro taloha.
\s5
\v 10 Nampahafantarina tamin'ny fiangonana izany fandaharana izany mba hahatonga ireo mpanapaka sy ireo manam-pahefana any an-danitra hahalala ny toetra maron'ny fahendren'Andriamanitra.
\v 11 Nitranga araka ny fandaharana mandrakizay izay tanterany tao amin'i Kristy Jesosy Tompontsika izany.
\s5
\v 12 Fa ao amin'i Kristy no ananantsika fahasahiana sy lalana am-pahatokiana nohon'ny finoantsika Azy.
\v 13 Noho izany miangavy anareo aho mba tsy ho kivy nohon'ny fijaliako ho anareo, izay voninahitrareo.
\s5
\v 14 Noho izany dia mandohalika eo anatrehan'ny Ray aho,
\v 15 izay nanome anarana ny fianakaviana rehetra any an-danitra sy eto an-tany.
\v 16 Mivavaka aho mba hanomezany anareo, araka ny haren'ny voninahiny, mba hatanjaka amin-kery amin'ny alalan'ny Fanahy Masina, izay ao aminareo.
\s5
\v 17 Mivavaka aho mba hitoetra ao am-ponareo amin'ny finoana Kristy, mba hifototra sy hiorina ao amin'ny fitiavany ianareo.
\v 18 Hahazo hery anie ianareo ka ho afa-mahatakatra, miaraka amin'ireo mpino rehetra, ny sakany, ny halavany, ny hahavony, ary ny halaliny,
\v 19 ary mba hahalala ny fitiavan'i Kristy, izay mihoatra ny fahalalana rehetra, ka mba ho fenon'ny fahafenoan'Andriamanitra rehetra ianareo.
\s5
\v 20 Ary ho Azy izay mahavita manao mihoatra izay rehetra angatahintsika na eritreretintsika, araka ny hery izay miasa ao anatintsika,
\v 21 ho Azy ny voninahitra ao amin'ny fiangonana ary ao amin'i Kristy Jesosy hatramin'ny taranaka rehetra mandrakizay doria. Amena.
\s5
\c 4
\p
\v 1 Noho izany, izaho, amin'ny maha gadra ho an'ny Tompo ahy, dia mamporisika anareo mba handeha am-pamendrehana amin'ny antso izay niantsoana anareo.
\v 2 Mamporisika anareo aho mba hanana fanetren-tena lehibe sy fahatsorana ary faharetana, mifandefitra amin'ny fitiavana.
\v 3 Manaova izay faran'ny herinareo mba hitahirizana ny firaisan'ny Fanahy amin'ny fatoran'ny fihavanana.
\s5
\v 4 Iray ihany ny vatana ary iray ihany ny Fanahy, tahaka ny niatsoana anareo tao amin'ny fanantenan'ny fiantsoana anareo iray ihany koa.
\v 5 Ary iray ihany ny Tompo, iray ny finoana, iray ny batisa,
\v 6 ary iray ihany Andriamanitra sy ny Rain'ny rehetra, izay ambonin'ny zavatra rehetra ary amin'ny alalan'ny zavatra rehetra sy ao amin'ny zavatra rehetra.
\s5
\v 7 Isika tsirairay avy dia nomena fahasoavana araka ny haben'ny fanomezan'i Kristy.
\v 8 Araka ny tenin'ny Soratra Masina izany hoe: "Rehefa niakatra tany amin'ny avo Izy, dia nitondra ireo babo ho amin'ny fahababoana, ary nanolotra fanomezana ho an'ny vahoaka Izy."
\s5
\v 9 Inona ny hevitry ny hoe: "Niakatra Izy," raha tsy hoe nidina tany amin'ny faritra ambanin'ny tany ihany koa Izy?
\v 10 Izy Ilay nidina ihany ilay olona niakatra ambony tany an-danitra, mba afahany mameno ny zavatra rehetra.
\s5
\v 11 Kristy dia nanolotra ny sasany ho apostôly, ny sasany ho mpaminany, ny sasany ho evanjelista, ary ny sasany ho pasitera sy mpampianatra.
\v 12 Nanome ireo asa ireo Izy mba hanampiana ireo vahoakany masina ho amin'ny asa fanompoana, amin'ny fanorenana ny vatan'i Kristy.
\v 13 Manohy manorina ny vatany Izy mandra-pahatrarantsika rehetra ny firaisam-pinoana sy ny fahalalana ny Zanak'Andriamanitra, ary mba hahatonga antsika ho matotra ka mba hahatratra ny haben'ny fahafenoan'i Kristy.
\s5
\v 14 Manorina antsika Kristy mba tsy ho toy ny zaza izay atopatopan'ny onja intsony isika, ary tsy ho entin'ny rivotry ny fampianarana sy ny hafetsen'ireo olona amin'ny tetika feno fitaka.
\v 15 Fa isika kosa, amin'ny filazana ny fahamarinana amin'ny fitiavana, dia tokony hitombo amin'ny fomba rehetra ao amin'Izy izay loha, izany hoe, Kristy.
\v 16 Kristy dia manangana ny tena rehetra, ary nakambana sy natambatra tamin'ny isan-tonony izany, ary rehefa miasa miaraka ireo, dia mahatonga ny vatana hitombo mba hampiorina ny tenany amin'ny fitiavana.
\s5
\v 17 Noho izany, dia milaza sy manindry mafy izany ao amin'ny Tompo aho, mba tsy hiaina tahaka ny Jentilisa intsony ianareo, amin'ny fahafoanan'ny fisainan'izy ireo.
\v 18 Maizina ny fahalalan'izy ireo, tafasaraka amin'ny fiainan'Andriamanitra nohon'ny tsy fahalalana ao amin'izy ireo, nohon'ny fahamafisam-pon'izy ireo.
\v 19 Tsy mahalala menatra izy ireo ary nanolotra ny tenan'izy ireo ho amin'ny filan'ny nofo, ary manohy manao izao karazam-pahalotoana rehetra izao.
\s5
\v 20 Fa tsy izany no fomba nianaranareo ny momban'i Kristy.
\v 21 Inoako fa naheno ny momba Azy ianareo, ary nampianarina tao aminy, satria ny fahamarinana dia ao amin'i Jesosy.
\v 22 Nampianarina ianareo mba hanary ny fomba fiainanareo taloha, mba hanary ny toetra taloha. Ilay toetra taloha izay simba nohon'ny fitaky ny filany.
\s5
\v 23 Nampianarina ianareo mba hihavao ao amin'ny fanahin'ny sainareo,
\v 24 ary hitafy ilay olom-baovao izay nohariana araka ny endrik'Andriamanitra _ ao amin'ny tena fahamarinana sy fahamasinana.
\s5
\v 25 Noho izany, ialao ny lainga, ary aoka ny tsirairay aminareo hifampilaza ny marina amin'ny namany, satria samy isan'ny rantsan'ny rehetra isika.
\v 26 Mitezera fa aza manota. Aza avela ho tratrin'ny masoandro mody ny hatezeranao.
\v 27 Aza manome hirika ho an'ny devoly.
\s5
\v 28 Izay nangalatra dia tsy tokony hangalatra intsony. Tsy maintsy miasa izy, manao asa tsara amin'ny tanany, mba hananany zavatra ho zaraina ho an'ireo ao anatin'ny tsy fahampiana.
\v 29 Aza avela hisy teny maloto hivoaka avy amin'ny vavanareo. Mampiasà teny izay ilaina amin'ny fanorenana ny hafa, araka izay ilain'izy ireo, mba tena hanampy ireo izay mihaino anareo ny teninareo.
\v 30 Ary aza mampalahelo ny Fanahy Masin'Andriamanitra, fa avy aminy no nanaovana tombo-kase anareo ho amin'ny andron'ny fanavotana.
\s5
\v 31 Ialao ny lolom-po rehetra, haromontana, ny hatezerana, ny fifamaliana, ary ny fifampitenenan-dratsy, miaraka amin'ireo karazan'asa ratsy rehetra.
\v 32 Manàna fahalemem-panahy amin'ny tsirairay avy, fahatsoram-po, mifamelà heloka, toy ny namelan'Andriamanitra anareo tao amin'i Kristy.
\s5
\c 5
\p
\v 1 Noho izany aoka mba ho mpaka tahaka an' Andriamanitra, tahaka ny zanaka malala.
\v 2 Ary mandehana amin'ny fitiavana, araka ny nitiavan'i Kristy antsika ihany koa sy nanomezany ny tenany ho antsika, fanatitra manim-pofona sy sorona ho an'Andriamanitra.
\s5
\v 3 Fa tsy tokony hisy na dia resaka fijangajangana na karazana fahalotoana na tsy fahononan-tena aza eo aminareo, fa tsy mendrika ny olo-masin'Andriamanitra ireo.
\v 4 Aoka tsy hisy mamoafady, resaka adaladala, ary hanihany tafahoatra _ fa tsy mendrika ny rehetra amin'ireo. Fa kosa tokony hisy fankasitrahana.
\s5
\v 5 Fa afaka mahazo antoka ny amin'izao ianareo, fa tsy hisy mpijangajanga, maloto, na ny mpierina _ izany hoe, mpanompo sampy _ manana lova ao amin'ny fanjakan'i Kristy sy Andriamanitra.
\v 6 Aoka tsy hisy hamitaka anareo amin'ny teny foana, satria noho ireo zavatra ireo dia tonga amin'ny zanaky ny tsy fankatoavana ny hatezeran'Andriamanitra.
\v 7 Noho izany, aza mikambana amin'izy ireo.
\s5
\v 8 Fa maizina ianareo fahiny, fa izao ianareo dia fahazavana ao amin'ny Tompo. Mandehana tahaka ny zanaky ny mazava,
\v 9 (fa ny vokatry ny fahazavana dia ao amin'ny fahatsarana rehetra, fahitsiana, sy fahamarinana).
\v 10 ary tadiavo izay mahafinaritra ny Tompo.
\v 11 Aza mikambana amin'ireo asa tsy mamokatry ny haizina, fa ampiharihario kosa ireo.
\v 12 Fa mahamenatra na dia ny manonona ireo zavatra ataon'izy ireo any amin'ny miafina aza.
\s5
\v 13 Fa rehefa hazavain'ny fahazavana ny zavatra iray, dia lasa miharihary.
\v 14 Fa ny zavatra rehetra izay miharihary dia fahazavana. Noho izany dia voalaza hoe: "Mifohaza, ianao matory, ary mitsangàna amin'ny toeran'ny maty, dia hamiratra aminao Kristy."
\s5
\v 15 Mitandrema amin'ny fomba fiainanao _ tsy tahaka ny tsy hendry fa tahaka ny hendry.
\v 16 Araraoty ny fotoana satria izao andro izao dia ratsy.
\v 17 Noho izany, aza miadaladala, fa takaro hoe inona no sitrapon'ny Tompo.
\s5
\v 18 Ary aza manao mamon'ny divay, fa mitondra any amin'ny fahasimban-toetra izany. Fa kosa, aoka ho fenon'ny Fanahy Masina,
\v 19 mifampiresaha aminareo samy ianareo amin'ny salamo sy fihirana ary hiram-panahy, mihirà ary mikaloa amin'ny Tompo amin'ny fonareo rehetra.
\v 20 Misaora mandrakariva amin'ny zavatra rehetra, amin'ny anaran'i Jesosy Kristy Tompontsika ho an' Andriamanitra ilay Ray,
\v 21 mifanolora tena amim-panajana ho an'i Kristy.
\s5
\v 22 Ry vehivavy, maneke ny vadinareo, tahaka ny amin'ny Tompo.
\v 23 Fa ny lehilahy no lohan'ny vavy tahaka an'i Kristy koa lohan'ny fiangonana, ary Kristy tenany no mpamonjy.
\v 24 Fa tahaka ny haneken'ny fiangonana an'i Kristy, dia toy izany koa no tokony haneken'ny vehivavy ny vadiny amin'ny zavatra rehetra.
\s5
\v 25 Ry lehilahy, tiavo ny vadinareo, tahaka ny nitiavan'i Kristy ny fiangonana sy nanomezany azy ny ainy.
\v 26 Nanolotra ny tenany ho an'ny fiangonana Kristy mba afahany manamasina azy, tamin'ny fanadiovana azy tamin'ny rano fanasana amin'ny teny,
\v 27 mba afahany mampiseho azy ho be voninahitra eo aminy, tsy misy pentina na kentrona na zavatra toy izany, fa masina sady tsy misy diso.
\s5
\v 28 Tahaka izany ihany koa ny lehilahy dia tokony ho tia ny vadin'izy ireo avy tahaka ny tenan'izy ireo. Izy izay tia ny vadiny dia tia ny tenany ihany koa.
\v 29 Tsy mbola nisy nankahala ny tenany, fa mamahana sy mikarakara izany tsara, tahaka an'i Kristy mamahana ny fiangonana sy mikarakara azy ihany koa,
\v 30 satria isika dia ratsam- batany.
\s5
\v 31 Noho izany antony izany ny lehilahy dia handao ny ray sy ny reniny ka hikambana amin'ny vadiny, ary izy roa dia ho tonga nofo iray ihany."
\v 32 Lehibe izany fahamarinana miafina izany _ fa Izaho dia miresaka momban'i Kristy sy ny fiangonana.
\v 33 Kanefa, ny tsirairay aminareo ihany koa dia tokony ho tia ny vadiny avy tahaka ny tenany, ary ny vehivavy dia tokony hanaja ny vadiny.
\s5
\c 6
\p
\v 1 Ry zanaka, maneke ny ray aman-dreninareo ao amin'ny Tompo, satria mety izany.
\v 2 "Hajao ny rainao sy ny reninao" (izany no didy voalohany misy fampanantenana),
\v 3 "mba hahita soa ianao ary mba ho lava andro iainana eto ambonin'ny tany."
\s5
\v 4 Ianareo ray, aza mitondra ny zanakareo ho amin'ny fahatezerana. Fa kosa, tezao amin'ny fitsipika sy ireo fampianaran'ny Tompo izy ireo.
\s5
\v 5 Ry mpanompo, mankatoava ny tomponareo ety an-tany amin'ny haja ambony sy fangovitana, amin'ny fahatsoran'ny fonareo.
\v 6 Mankatoava azy ireo tahaka ny hankatoavanareo an'i Kristy. Mankatoava tsy eo imason'ny tomponareo ihany mba hankasitrahan'izy ireo. Fa kosa, mankatoava tahaka ny mpanompon'i Kristy, izay manao ny sitrak'Andriamanitra amin'ny fonareo manontolo.
\v 7 Manompoa amin'ny fonareo manontolo, tahaka ny hoe manompo ny Tompo ianareo fa tsy olona,
\v 8 satria fantatsika fa na inona na inona asa tsara ataon'ny olona tsirairay, dia handray valim-pitia avy amin' ny Tompo izy, na andevo izy na olon'afaka.
\s5
\v 9 Ianareo Tompo, manaova tahaka ireo zavatra ireo ihany koa amin'ny mpanomponareo. Aza mampihorohoro azy ireo. Fantatrareo fa Izy izay sady Tomponareo no Tompon'izy ireo dia any an-danitra, ary tsy misy fiangarana ao Aminy.
\s5
\v 10 Farany, mahereza ao amin'ny Tompo sy amin'ny tanjaky ny heriny.
\v 11 Itafio ny fiadian'Andriamanitra rehetra, mba afahanao mijoro manohitra ireo tetiky ny devoly.
\s5
\v 12 Fa ny adintsika dia tsy manohitra ny nofo sy ny rà. Fa kosa, manohitra ny fanjakana sy ny fahefana ara-panahy sy ireo mpanapaky ny fanjakan'ny fahamaizinan-dratsy, manohitra ireo fanahy ratsy any amin'ny fitoeran-danitra.
\v 13 Noho izany itafio ny fiadianan'Andriamanitra rehetra, mba afahanareo mijoro amin'izao andron'ny ratsy izao, ary rehefa vitanareo ny zavatra rehetra, dia hahatohitra ianareo.
\s5
\v 14 Mijoroa, noho izany, rehefa avy nanao ny fehikibon'ny fahamarinana sy ny fiarovan-tratran'ny fahitsiana ianareo.
\v 15 Ary tahaka ny kiraro ho an'ny tongotrareo, dia hapetaho ny fahavononana hitory ny filazantsaran'ny fihavanana.
\v 16 Amin'ny toe-javatra rehetra dia raiso ny ampingan'ny finoana, izay afahanareo manohitra ireo zana-tsipika mirehitr'afon'ilay ratsy.
\s5
\v 17 Ary raiso ny aro-lohan'ny famonjena sy ny sabatry ny Fanahy, izay tenin'Andriamanitra.
\v 18 Amin'ny vavaka sy fangatahana rehetra, dia mivavaha amin'ny Fanahy amin'ny fotoana rehetra. Amin'izany fomba fisainana izany, dia miambena hatrany amin'ny faharetana rehetra, raha manolotra vavaka ho an'ireo olo-masin'Andriamanitra ianareo.
\s5
\v 19 Ary mivavaha ho ahy, mba hisy hafatra homena ahy rehefa manokatra ny vavako aho. Mivavaha mba afahako mampahafantatra amin'ny fahasahiana ny fahamarinana miafina momban'ny filazantsara.
\v 20 Ho an'ny filazantsara no maha- ambasadaoro voafatotra amin'ny gadra ahy, mba afahako manambara izany am-pahasahiana, raha tsy maintsy hiteny aho.
\s5
\v 21 Tykiko, ilay rahalahy malala sy mpanompo mahatoky ao amin'ny Tompo, no hampahafantatra anareo ny zavatra rehetra, mba hahalalanareo izay ataoko.
\v 22 Nirahiko taminareo izy noho io tanjona io indrindra, mba hahafantaranareo ireo zavatra momba anay, ary mba afahany mampahery ny fonareo.
\s5
\v 23 Fiadanana ho amin'ireo rahalahy, ary ny fitiavana miaraka amin'ny finoana avy amin'Andriamanitra Ray sy ny Tompo Jesosy Kristy.
\v 24 Ny fahasoavana anie ho amin'izay rehetra tia an'i Jesosy Kristy Tompontsika amin'ny fitiavana tsy maty mandrakizay.