plt_ulb/49-GAL.usfm

289 lines
21 KiB
Plaintext

\id GAL
\ide UTF-8
\h Galatiana
\toc1 Galatiana
\toc2 Galatiana
\toc3 gal
\mt Galatiana
\s5
\c 1
\p
\v 1 Paoly, apostoly _ tsy apostoly avy amin'ny olona na tamin'ny alalan'ny olona, fa avy amin'i Jesosy Kristy sy ilay Andriamanitra Ray, izay nanangana Azy tamin'ny maty _
\v 2 ary ireo rahalahy rehetra miaraka amiko, ho an'ireo fiangonan'ny Galatiana:
\s5
\v 3 Fahasoavana ho aminareo ary fiadanana avy amin'Andriamanitra Raintsika sy Jesosy Kristy Tompo,
\v 4 izay nanolotra ny tenany ho an'ny fahotantsika mba hanafahany antsika amin'izao andron'ny faharatsiana izao, araka ny sitrapon'Andriamanitsika sy Raintsika,
\v 5 ho Azy anie ny voninahitra mandrakizay doria. Amena.
\s5
\v 6 Gaga aho hoe niala faingana tamin'ilay niantso anareo tamin'ny fahasoavan'i Kristy ianareo. Gaga aho fa mitodika ho amin'ny filanzantsara hafa ianareo.
\v 7 Tsy midika akory izany fa misy filanzantsara hafa, fa misy olona maromaro izay mitondra fikorontanana ho anareo ary te hanova ny filazantsaran'i kristy.
\s5
\v 8 Fa na izahay na anjely avy any an-danitra aza no hitory filazantsara hafa aminareo noho izay nitorianay taminareo, dia aoka izy ho voaozona.
\v 9 Araka izay nolazainay taloha, dia ankehitriny aho manambara indray hoe: "Raha misy olona manambara aminareo filazantsara hafa noho izay noraisinareo, dia aoka izy ho voaozona."
\v 10 Moa ve izaho ankehitriny mitady ny fakantoavan'ny olona sa Andriamanitra? Moa ve izaho mitady izay hampifaly ny olona? Raha mbola manohy miezaka ny hampifaly olona aho, dia tsy mpanompon'i Kristy.
\s5
\v 11 Fa tiako ho fantatrareo, ry rahalahiko, fa ny filazantsara izay nambarako dia tsy filazantsaran'olombelona.
\v 12 Tsy nandray izany tamin'olona aho, na nampianarina ahy izany. Fa kosa, izany dia fanambaran'i Kristy Jesosy tamiko.
\s5
\v 13 Fa ianareo nahare ny amin'ny fiainako taloha tamin'ny fomba fivavahana Jiosy, sy ny fomba nanenjehako ny fiangonan'Andriamanitra mihoatra ny tokony ho izy ary ny fiezahako handrava izany.
\v 14 Nandroso tamin'ny fivavahan'ny Jiosy aho nihoatra ny maro tamin'ireo nitovy taona tamiko, avy tamin'ireo iray firenena tamiko. Toy izany ny fomba nihazonako mafy ireo fomban-drazako.
\s5
\v 15 Kanefa Andriamanitra, izay nanokana ahy hatrany an-kibon-dreniko, ary niantso ahy tamin'ny alalan'ny fahasoavany,
\v 16 rehefa faly ny hampiseho ny Zanany lahy tamiko, mba hahafahako manambara Azy any amin'ny Jentilisa, dia tsy naka saina tamin'ny nofo sy ra avy hatrany aho.
\v 17 Tsy niakatra tany Jerosalema ho any amin'ireo efa lasa Apostoly talohako aho. Fa kosa, nandeha tany Arabia ary avy eo niverina tany Damaskosy aho.
\s5
\v 18 Ary telo taona taoriana dia niakatra tany Jerosalema mba hifankafantatra tamin'i Kefasy aho ary nijanona niaraka taminy nandritra ny dimy ambin'ny folo andro.
\v 19 Fa tsy nisy hitako ireo Apostoly ankoatra an'i Jakoba, ilay rahalahin'ny Tompo.
\v 20 Ary ao amin'izay soratako ho anareo, dia manome toky anareo aho eo anatrehan'Andriamanitra, fa tsy mandainga aho.
\s5
\v 21 Avy eo aho dia nandeha tany amin'ny faritr'i Syria sy Kilikia.
\v 22 Tsy mbola fantatra teo amin'ireo fiangonan'i Jodia izay ao amin'i Kristy aho.
\v 23 Henon'izy ireo fotsiny izay voalaza hoe: "Ilay lehilahy izay nanenjika antsika fahiny ankehitriny dia manambara ilay finoana izay niezahany nopotehina taloha."
\v 24 Noho izany izy ireo dia nidera an'Andriamanitra noho ny amiko.
\s5
\c 2
\p
\v 1 Efatra ambin'ny folo taona taty aoriana dia niakatra tany Jerosalema indray aho niaraka tamin'i Barnabasy, dia nitondra an'i Titosy niaraka tamiko.
\v 2 Niakatra tany nohon'ny fanambarana iray aho ary nametraka teo amin'izy ireo ny filazantsara izay toriako eo amin'ireo Jentilisa. Niresaka mitokana tamin'ireo izay noheverina ho manan-danja aho, mba hahazoana antoka fa tsy nihazakazaka _ na efa nihazakazaka _ very maina aho.
\s5
\v 3 Fa na Titosy aza, izay niaraka tamiko no sady Grika, dia noterena ho voafora.
\v 4 Niditra mangingina ireo rahalahy sandoka mba hitsikilo ny fahafahana hanananay ao amin'i Kristy Jesosy. Naniry ny hanandevo anay izy ireo,
\v 5 fa tsy nety ny hanaiky azy ireo na dia fotoana kely aza izahay, mba hitoeran'ny fahamarinan'ny filazantsara aminareo.
\s5
\v 6 Fa ireo izay noheverina ho manan-danja (na inona na inona izy ireo dia tsy mampaninona ahy, Andriamanitra dia tsy miangatra) _ lazaiko, ireo, izay heverina ho manan-danja dia tsy nanampy na inona na inona tamiko.
\v 7 Mifanohitra amin'izany, hitan'izy ireo fa nanankinana ny filazantsara ho an'ireo izay tsy voafora aho, tahaka ny nanankinana an'i Petera ny filazantsara ho an'ireo izay voafora.
\v 8 Fa Andriamanitra, izay niasa tao amin'i Petera ho amin'ny maha-apostoly ho an'ireo izay voafora, dia niasa tato amiko ihany koa ho an'ireo Jentilisa.
\s5
\v 9 I Jakoba, Kefasy, ary Jaona, izay fantatra fa anisan'ireo nanorina ny fiangonana, rehefa nahalala ny fahasoavana izay nomena ahy, dia nanome ny tanana ankavanan'ny fiombonana ho ahy sy Barabasy izy ireo. Nataon'izy ireo izany mba hahafahanay mankany amin'ny Jentilisa, ary mba hahafahan'izy ireo mankany amin'ireo izay voafora.
\v 10 Nangataka fotsiny izy ireo mba hahatsiaro ny mahantra izahay, izay zavatra tena tiako atao tokoa.
\s5
\v 11 Fa rehefa tonga tany Antioka i Kefasy, dia nanohitra azy teo amin'ny tavany aho satria voalaza fa diso izy.
\v 12 Talohan'ny nahatongavan'ireo lehilahy sasany avy any amin'i Jakoba, dia teo am-pisakafoana niaraka tamin'ireo Jentilisa i Kefasy. Fa rehefa tonga ireo lehilahy ireo, dia nijanona izy ary niala lavitra an'ireo Jentilisa. Natahotra ireo izay nitaky famorana izy.
\s5
\v 13 Ny sisa tamin'ireo Jiosy koa dia niray tamin'izany fiatsaram-belatsihy izany. Na i Barnabasy aza dia voavily lalana niaraka tamin'izy ireo tamin'ny fiatsaram-belatsihin'izy ireo.
\v 14 Fa rehefa hitako fa tsy manaraka ny fahamarinan'ny filazantsara ny fitondran-tenan'izy ireo, dia niteny tamin'i Kefasy teo anoloan'izy rehetra aho hoe: "Raha Jiosy ianao kanefa miaina tahaka ny Jentilisa fa tsy tahaka ny Jiosy, ahoana no ahafahanao manery ireo Jentilisa hiaina tahaka ny Jiosy?"
\s5
\v 15 Isika dia Jiosy tamin'ny alalan'ny fahaterahana fa tsy mpanota Jentilisa;
\v 16 fantatsika anefa fa tsy misy olona hamarinin'ny asan'ny lalàna fa amin'ny alalan'ny finoana an'i Kristy Jesosy. Isika ihany koa dia tonga tamin'ny finoana an'i Jesosy Kristy mba ho hamarinina amin'ny finoana an'i Kristy fa tsy amin'ny asan'ny lalàna. Fa tsy hisy nofo ho hamarinina amin'ny asan'ny lalàna.
\s5
\v 17 Fa raha toa ka, mitady ho hamarinina ao amin'i Kristy isika, isika ihany koa, dia hita fa mpanota, moa mamporisika ny fahotana ary ve i Kristy? Tsia avy hatrany!
\v 18 Fa raha manangana indray ireo zavatra efa noravako taloha aho, dia manaporofo ny tenako ho mpandika lalàna aho.
\v 19 Fa tamin'ny lalàna no nahafatesako amin'ny lalàna, mba ho velona ho an'Andriamanitra aho.
\s5
\v 20 Nohomboana niaraka tamin'i Kristy aho. Tsy izaho intsony no velona, fa i Kristy no velona ato anatiko. Ny fiainana iainako ao amin'ny nofo ankehitriny dia iainako amin'ny finoana ny Zanak'Andriamanitra, izay tia ahy ka nanolotra ny tenany ho ahy.
\v 21 Tsy manilika ny fahasoavan' Andriamanitra aho, fa raha azo amin'ny lalàna ny fahamarinana, dia tsy misy dikany ny nahafatesan'i Kristy!
\s5
\c 3
\p
\v 1 Ry Galatiana Adala! Iza no namosavy anareo? Teo imasonareo indrindra no nanehoana an'i Jesosy Kristy voahombo.
\v 2 Izao ihany no zavatra tiako ianarana aminareo: Nandray ny Fanahy tamin'ny asan'ny lalàna sa tamin'ny finoana izay renareo ianareo?
\v 3 Adala tokoa ve ianareo? Niatomboka tamin'ny Fanahy ianareo, dia hiafara amin'ny nofo ve ankehitriny?
\s5
\v 4 Moa niharitra zava-maro tamin'ny tsy misy dikany ve ianareo_ fa raha tena zava-poana tokoa ary izany?
\v 5 Moa ve izy izay manome ny Fanahy anareo sy manao asa mahagaga eo aminareo dia manao izany izany amin'ny asan'ny lalàna, sa amin'ny fihainoana amin'ny finoana?
\s5
\v 6 Tahaka an'i Abrahama "nino an'Andriamanitra ary nisaina ho fahamarinany izany,"
\v 7 dia tahaka izany, fantaro, fa ireo izay amin'ny finoana dia zanak'i Abrahama.
\v 8 Ny Soratra Masina, nahita mialoha fa Andriamanitra hanamarina ireo Jentilisa amin'ny finoana, dia nitory ny filazantsara mialoha tamin'i Abrahama, niteny hoe: "Avy aminao no hitahiana ny firenena rehetra."
\v 9 Koa, ireo izay amin'ny finoana dia voatahy miaraka amin'i Abrahama, ilay olon'ny finoana.
\s5
\v 10 Ireo izay miankina amin'ny asan'ny lalàna dia eo ambanin'ny ozona; fa voasoratra hoe: "Voaozona izay rehetra tsy manaiky ny zavatra rehetra voasoratra ao anatin'ny bokin'ny lalàna, sy manao ireny."
\v 11 Ankehitriny dia mazava fa tsy misy olona izay hamarinina eo anatrehan'Andriamanitra amin'ny alalan'ny lalàna, satria ny marina dia ho velona amin'ny finoana.
\v 12 Fa ny lalàna dia tsy araka ny finoana, fa kosa, "Ny olona izay manao ny asan'ny lalàna dia tsy maintsy velona amin'ireo".
\s5
\v 13 Kristy nanavotra antsika tamin'ny ozon'ny lalàna tamin'ny nahatongavany ho ozona ho antsika— fa voasoratra hoe: "Voaozona izay rehetra mihantona amin'ny hazo" _
\v 14 mba ho tonga amin'ny Jentilisa ny fitahian'i Abrahama ao amin'i Kristy Jesosy, mba ho amin'ny finoana no ahazoantsika ilay fampanantenan'ny Fanahy.
\s5
\v 15 Ry rahalahy, avelao aho hiteny araka ny fanaon'ny olona. Ao amin'ny fifanarahana ataon'ny olona, tsy misy afaka manafoana na manampy izay ao, rehefa tafapetraky ny lalàna izany.
\v 16 Ary ireo fampanantenana dia nolazaina tamin'i Abrahama sy tamin'ireo taranany. Tsy milaza izany hoe: "ho an'ny taranaka," manondro olona maro, fa kosa olona iray ihany, "ho an'ny taranakao," dia i Kristy.
\s5
\v 17 Ary izao no tiako ho lazaina: "Ny lalàna, izay tonga telo-polo sy efa-jato taona taty aoriana, dia tsy hahafoana ny fanekena izay efa napetrak'Andriamanitra mialoha.
\v 18 Fa raha avy amin'ny lalàna ny lova, dia tsy avy amin'ny fampanantenana intsony izany. Fa Andriamanitra nanome izany an'i Abrahama tamin'ny alalan'ny fampanantenana.
\s5
\v 19 Inona, ary, ny tanjon'ny lalàna? Nasiana izany noho ireo fandikan-dalàna, mandra-pahatongan'ny taranak'i Abrahama eo amin'izay nanaovana ny fampanantenana. Ny lalàna dia nataon'ny mpanalalana iray ho manan-kery tamin'ny alalan'ny anjely.
\v 20 Fa ny mpanalalana dia midika olona mihoatra ny iray, kanefa Andriamanitra dia iray.
\s5
\v 21 Moa ve ny lalàna manohitra ireo fampanantenan'Andriamanitra? Sanatria izany! Fa raha nisy lalàna nomena izay afaka manome fiainana, dia avy tamin'ny lalàna tokoa ny fahamarinana.
\v 22 Fa ny Soratra Masina nanagadra ny zava-drehetra ambanin'ny fahotana. Nanao izany Andriamanitra mba hanomezana ho an'ireo mino ny fampanantenana ny hanavotana antsika amin'ny alalan'ny finoana an'i Jesosy Kristy.
\s5
\v 23 Ary talohan'ny ny nahatongavan'ny finoana, isika dia notazonina ho babo tao ambanin'ny lalàna, nogadraina mandra-pisehon'ny finoana.
\v 24 Koa avy eo ny lalàna dia lasa mpiambina antsika nandra-piavian'i Kristy, mba ho voamarina amin'ny finoana isika.
\v 25 Fa izao dia tonga izany finoana izany, ka tsy eo ambanin'ny mpiambina intsony isika.
\v 26 Fa ianareo rehetra dia zanak'Andriamanitra ao amin'ny finoana an'i Kristy Jesosy.
\s5
\v 27 Fa maro aminareo izay natao batisa tao amin'i Kristy, no nandray an'i Kristy.
\v 28 Ary tsy misy intsony na Jiosy na Grika, na andevo na olon'afaka, na lahy na vavy, fa iray ihany ianareo ao amin'i Kristy.
\v 29 Koa raha an'i Kristy ianareo, dia taranak'i Abrahama, sy mpandova araka ny fampanantenana ianareo.
\s5
\c 4
\p
\v 1 Milaza aho fa ny mpandova, raha mbola zaza izy, dia tsy hafa amin'ny andevo, na dia tompon'ny zavatra rehetra aza.
\v 2 Kanefa izy dia eo ambany fifehezan'ireo mpiambina sy ireo mpitahiry zava-tsarobidy mandra-pahatongan'ny daty izay napetraky ny rainy.
\s5
\v 3 Ka toy izany ihany koa, fony isika mbola zaza, dia nandevozin'ireo lalàna fitsipi-pianaran'izao tontolo izao.
\v 4 Fa rehefa tonga ny fahafenoan'ny fotoana, dia nandefa ny Zanany Andriamanitra, izay natera-behivavy, nateraka tao ambanin'ny lalàna.
\v 5 Nanao izany Izy mba hanavotana ireo izay ambanin'ny lalàna, mba hahafahantsika mandray ny fananganana ho zanaka.
\s5
\v 6 Ary satria zanaka ianareo, dia nirahin'Andriamanitra ho ao am-pontsika ny Fanahin'ny Zanany, izay miantso hoe: "Aba, Ray."
\v 7 Noho izany tsy andevo intsony ianao, fa zanaka, ary raha zanaka, dia mpandova amin'ny alalan'Andriamanitra ihany koa ianao.
\s5
\v 8 Fa tamin'izany fotoana izany, fony ianareo tsy nahalala an'Andriamanitra, dia natao ho andevon'ireo izay, amin'ny hery voajanahary, dia tsy andriamanitra velively.
\v 9 Fa ankehitriny ianareo dia lasa nahalala an'Andriamanitra, na koa hoe fantatr'Andriamanitra ianareo, ka ahoana no hiverenanareo amin'ny abidim-pianarana malemy no sady tsy misy dikany? Te ho andevozina indray ve ianareo?
\s5
\v 10 Mandinika ireo andro sy ireo volana ary ireo vanim-potoana sy ireo taona ianareo!
\v 11 Matahotra ny aminareo aho fa sao dia ho zava-poana ny asako teo aminareo.
\s5
\v 12 Miangavy anareo aho, ry rahalahy, manaova tahaka ahy, satria izaho ihany koa dia efa lasa tahaka anareo. Tsy nanao ratsy tamiko ianareo.
\v 13 Kanefa fantatrareo fa noho ny aretim-batako no nanambarako anareo ny filazantsara tamin'ny voalohany.
\v 14 Na dia nitondra anareo tamin'ny fakam-panahy aza ny toe-batako, dia tsy nanao tsinontsinona na nanilika ahy ianareo. Fa noraisinareo toy ny hoe anjelin'Andriamanitra kosa aho, toy ny hoe izaho mihitsy no Kristy Jesosy.
\s5
\v 15 Aiza, noho izany, ny fahasoavanareo ankehitriny? Fa mijoro vavolombelona aminareo aho fa, raha azonareo atao, dia noesorinareo ny masonareo ary nomenareo ahy izany.
\v 16 Ka noho izany, efa lasa fahavalonareo ve aho satria milaza aminareo ny marina?
\s5
\v 17 Izy ireo dia mazoto ny hitaona anareo, fa tsy amin'ny tsara. Te hanidy anareo any ivelany izy ireo, mba hanananareo zotom-po ho azy ireo.
\v 18 Tsara foana ny manana zotom-po amin'ny tanjona tsara, ary tsy rehefa miaraka aminareo ihany aho.
\s5
\v 19 Ry zanako, mbola mijaly amin'ny fanaintainan'ny fiterahana ho anareo indray aho mandra-piforon'i Kristy ao aminareo.
\v 20 Maniry aho mba ho afaka miaraka aminareo ankehitriny ary hanova ny feoko, satria sahiran-tsaina noho ny aminareo aho.
\s5
\v 21 Teneno amiko, ianareo izay maniry ny ho eo ambanin'ny lalàna, moa tsy mihaino ny lalàna ve ianareo?
\v 22 Satria voasoratra fa i Abrahama dia nanan-janaka roa lahy, ny iray avy amin'ny andevo vavy ary ny iray avy amin'ny vehivavy afaka.
\v 23 Fa ny iray dia nateraky ny andevo vavy araka ny nofo, fa ilay iray hafa dia nateraky ny vehivavy tamin'ny teny fampanantenana.
\s5
\v 24 Ireo zavatra ireo dia azo raisina ho toy ny fanoharana, satria ireo vehivavy ireo dia manambara fanekena roa. Ny iray amin'izy ireo dia avy amin'ny tendrombohitr'i Sinay ary niteraka zaza izay andevo izy. Izy io dia i Hagara.
\v 25 Ary i Hagara dia maneho ny tendrombohitr'i Sinay any Arabia; ary maneho an'i Jerosalema amin'izao fotoana izao, satria nandevozina niaraka tamin'ireo zanany izy.
\s5
\v 26 Fa i Jerosalema izay any ambony dia afaka, ary izy no renintsika.
\v 27 Satria voasoratra hoe: "Mifalia, ianao ry momba izay tsy miteraka. Miantsoantsoa mafy ary manaova hiaka fifaliana, ianao izay tsy mijaly amin'ny fanaintainan'ny fiterahana. Satria ireo zanaky ny vehivavy izay nafoy dia maro noho ny an'ireo vehivavy manambady."
\s5
\v 28 Fa ianareo, ry rahalahy, tahaka an'i Isaka, dia zanaky ny fampanantenana.
\v 29 Tamin'izany fotoana izany ny olona izay teraka araka ny nofo dia nanenjika izay teraka araka ny Fanahy. Toy izany ihany ankehitriny.
\s5
\v 30 Kanefa inona no lazain'ny soratra masina? "Alefaso any ny andevo vavy sy ny zanany lahy. Fa ny zanaka lahin'ny andevo vavy dia tsy hizara lova miaraka amin'ny zanaka lahin'ny vehivavy afaka."
\v 31 Noho izany, ry rahalahy, tsy zanaky ny andevo vavy isika, fa zanaky ny vehivavy afaka.
\s5
\c 5
\p
\v 1 Ho amin'ny fahafahana no nanafahan'i Kristy antsika. Miorena tsara, noho izany, aza mety ho ao ambanin'ny ziogan'ny fanandevozana indray.
\v 2 Indro, izaho, Paoly, miteny aminareo fa raha mamela ny tenanareo ho foraina ianareo, dia tsy hahasoa anareo amin'ny fomba rehetra Kristy.
\s5
\v 3 Mijoro vavolombelona amin'ny olona tsirairay izay mamela ny tenany ho voafora indray aho fa voatery hanaraka ny lalàna rehetra izy.
\v 4 Tafasaraka tamin'i Kristy ianareo, izay te ho hamarinina amin'ny lalàna; ary tsy miaina fahasoavana intsony ianareo.
\s5
\v 5 Fa amin'ny alalan'ny Fanahy, amin'ny finoana, no hiandrasantsika fatratra ny fanantenana ny fahamarinana.
\v 6 Ao amin'i Kristy Jesosy dia tsy midika na inona na inona na voafora na tsy voafora, fa ny finoana miasa amin'ny fitiavana ihany.
\v 7 Fa nihazakazaka tsara ianareo. Iza no nisakana anareo amin'ny fankatoavana ny marina?
\v 8 Izany fandresen-dahatra izany dia tsy avy aminy ilay niantso anareo.
\s5
\v 9 Lalivay kely no mampitombo ny koba rehetra.
\v 10 Fa matoky ny Tompo aho fa tsy handray fomba fijery hafa ianareo. Fa ny iray izay mampikorontana anareo no hanefa ny sazy, na iza izy na iza.
\s5
\v 11 Ry rahalahy, raha mbola mitory ny amin'ny famorana aho, nahoana aho no mbola enjehina? Amin'izany dia ho afaka tokoa ny fahatafintohinan'ny hazo fijaliana.
\v 12 Fa ho an'ireo izay manakorontana anareo, enga anie ka hanapaka ny tenany izy ireo!
\s5
\v 13 Fa nantsoina ho amin'ny fahafahana ianareo, ry rahalahy. Nefa aza ampiasaina ho irika amin'ny filan'ny nofo ny fahafahanareo; fa kosa, amin'ny alalan'ny fitiavana dia mifanompoa.
\v 14 Fa ny lalàna rehetra dia tanteraka ao amin'ny didy iray; ao amin'ny hoe: "Tsy maintsy mitia ny namanao tahaka ny tenanao ianao."
\v 15 Fa raha mifanaikitra sy mifampihinana ianareo, dia mitandrema sao hifandringana.
\s5
\v 16 Fa hoy aho, mandehana araka ny Fanahy dia tsy hahatanteraka izay filan'ny nofo ianareo.
\v 17 Fa manohitra ny Fanahy ny filan'ny nofo, ary manohitra ny filan'ny nofo ny fanirian'ny Fanahy. Fa mifanohitra ireo, mba tsy hahafahanareo manao izay zavatra tianareo.
\v 18 Fa raha tarihin'ny Fanahy ianareo dia tsy ho ambanin'ny lalàna.
\s5
\v 19 Ankehitriny dia miharihary ny asan'ny filan'ny nofo: fijangajangana, fahalotoana, fijejojejoana,
\v 20 fanompoan-tsampy, famosaviana, fankahalana, fifandirana, fahasarotam-piaro, fipoahan'ny fahatezerana, fifandrafiana, fisaraham-bazana, fizarazarana,
\v 21 fialonana, fahamamoana, fanakorontanana, ary ny zavatra mitovy amin'izany. Mampitandrina anareo aho, tahaka ny efa nampitandremako anareo taloha, fa tsy handova ny fanjakan'Andriamanitra ireo izay mampihatra ireo zavatra ireo.
\s5
\v 22 Fa ny vokatry ny Fanahy dia fitiavana, fifaliana, fiadanana, faharetana, hatsaram-panahy, fanaovan-tsoa, finoana,
\v 23 fahalemem-panahy, ary fahafehezan-tena; tsy misy lalàna manohitra zavatra tahaka izany.
\v 24 Ireo izay an'i Kristy Jesosy dia efa nanombo ny toetra feno fahotany niaraka tamin'ny fahafinaretany sy ny filany.
\s5
\v 25 Raha miaina amin'ny Fanahy isika, aoka handeha amin'ny Fanahy ihany koa.
\v 26 Aoka isika tsy ho lasa mpieboebo, mifandrangitra, ary mifampialona.
\s5
\c 6
\p
\v 1 Ry rahalahy, raha misy olona azon'ny ota, ianareo izay ara-panahy no tokony hamerina azy indray amin'ny fahamoram-panahy. Mihevera ny tenanao, mba tsy ho halaim-panahy koa ianao.
\v 2 Mifampitondrà ny mavesatra, ary amin'izany dia tanteraho ny lalàn'i Kristy.
\s5
\v 3 Fa raha misy olona mihevitra ny tenany ho zavatra kanefa tsinotsinona, dia mamitaka ny tenany izy.
\v 4 Tokony handinika ny asany avy ny tsirairay, mba ho amin'ny tenany ihany ny antony hireharehany fa tsy amin'ny olon-kafa.
\v 5 Fa samy hitondra ny entany avy ny olona tsirairay.
\s5
\v 6 Ny olona izay nampianarina ny teny dia tsy maintsy mizara ny zavatra tsara rehetra amin'izay mampianatra.
\v 7 Aza mety ho fitahana. Tsy azo vazivaziana Andriamanitra, fa izay rehetra ambolen'ny olona, no ho jinjainy koa. Ho an'izay mamboly voa amin'ny toetrany feno fahotana, dia avy amin'izany no hijinjany fahasimbana.
\v 8 Izay mamboly voa amin'ny Fanahy, amin'ny Fanahy no hijinjany ny fiainana mandrakizay.
\s5
\v 9 Aoka isika mba tsy ho reraka amin'ny fanaovan-tsoa, fa hijinja ny vokatra isika amin'ny fotoana mety, raha tsy milavo lefona isika.
\v 10 Koa noho izany, satria manana fahafahana isika, dia aoka hanao ny tsara amin'ny olona rehetra, indrindra fa amin'ny fianakavian'ny finoana.
\s5
\v 11 Jereo ny halehiben'ny soratra izay nosoratan'ny tanako ho anareo.
\v 12 Ireo izay te hiseho ho tsara ao amin'ny nofo no miezaka manery anareo mba hoforaina. Manao izany izy ireo mba hialana amin'ny fanenjehana nohon'ny amin'ny hazofijalian'i Kristy.
\v 13 Na ireo izay tsy voafora aza dia tsy mitandrina ny lalàna, nefa tian'izy ireo hoforaina ianareo mba hireharehan'izy ireo amin'ny nofonareo.
\s5
\v 14 Nefa tsy hirehareha na oviana na oviana afa-tsy ny amin'ny hazofijalian'i Jesosy Kristy Tompontsika anie aho, izay nanomboana an'izao tontolo izao teo amiko, ary izaho kosa teo amin'izao tontolo izao.
\v 15 Fa ny famorana na ny tsy famorana dia samy tsy misy dikany, fa ny fiainam-baovao no misy dikany.
\v 16 Ho an'ny ireo rehetra izay miaina araka izany fomba izany, dia ho amin'izy ireo anie ny fiadanana sy ny famindram-po, na amin'ny Israelin'Andriamanitra aza.
\s5
\v 17 Manomboka izao dia aoka tsy hisy hanadala ahy, fa mitondra ireo marik'i Jesosy eo amin'ny vatako aho.
\v 18 Ho amin'ny fanahinareo anie ny fahasoavan'i Jesosy Kristy Tompontsika, ry rahalahy. Amena.