plt_ulb/44-JHN.usfm

1655 lines
120 KiB
Plaintext

\id JHN
\ide UTF-8
\h Jaona
\toc1 Jaona
\toc2 Jaona
\toc3 jhn
\mt Jaona
\s5
\c 1
\p
\v 1 Tamin'ny voalohany ny Teny, ary ny Teny tao amin'Andriamanitra, ary ny Teny dia Andriamanitra.
\v 2 Izany dia tao amin'Andriamanitra tamin'ny voalohany.
\v 3 Ny zavatra rehetra dia avy Aminy avokoa, ary raha tsy noho Izy dia tsy nisy na inona na inona.
\s5
\v 4 Noho Izy no nisiam-piainana, ary io fiainana io no fahazavan'ny olona rehetra.
\v 5 Ny hazavana dia mamiratra ao anaty haizina, ary ny haizina tsy nandresy izany.
\s5
\v 6 Nisy lehilahy iray nirahin'Andriamanitra, Jaona no anarany.
\v 7 Tonga izy mba ho vavolombelona hanambara ny momban'ny fahazavana, mba hinoan'ny rehetra amin'ny alalany.
\v 8 Tsy Jaona ilay fahazavana, fa kosa tonga mba hanambara ny momba ilay fahazavana izy.
\s5
\v 9 Ny fahazavana marina, izay manome hazavana ny olona rehetra, dia tonga eto amin'izao tontolo izao.
\s5
\v 10 Teto amin'izao tontolo Izy, ary Izy no nahariana an'izao tontolo izao, ary izao tontolo izao tsy nahalala Azy.
\v 11 Tonga tany amin'ny olony Izy, ary ny olony tsy nandray Azy.
\s5
\v 12 Fa ireo maro nandray Azy, izay nino ny anarany, dia nomeny fahefana ho tonga zanak' Andriamanitra.
\v 13 Ireo dia tsy nateraka tamin'ny rà, na ny sitrapon'ny nofo, na ny sitrapon'ny olona, fa ny an'Andriamanitra.
\s5
\v 14 Ary ny Teny tonga nofo ka nonina teo amintsika. Hitanay ny voninahiny, voninahitra tahaka ilay iray sy tokana izay tonga avy tamin'ny Ray, feno fahasoavana sy fahamarinana.
\v 15 Jaona nanambara ny momba Azy ka nihiaka mafy, manao hoe: "Izy ilay iray izay efa nolazaiko hoe: 'Izy izay tonga aoriako dia lehibe noho izaho, satria talohako Izy."'
\s5
\v 16 Fa avy amin'ny fahafenoany no nandraisantsika rehetra fahasoavana hanampy fahasoavana.
\v 17 Fa ny lalàna dia nomena tamin'ny alalan'i Mosesy. Ny fahasoavana sy fahamarinana dia tonga tamin'ny alalan'i Jesosy kristy.
\v 18 Tsy nisy nahita an'Andriamanitra na oviana na oviana. Fa ilay Andriamanitra iray sy tokana, izao eo an-tratran'ilay Ray, no nampahafantatra Azy.
\s5
\v 19 Ary izao no fanambaran'i Jaona rehefa naniraka ireo mpisorona sy Levita avy tany Jerosalema hankeo aminy ireo Jiosy mba hanontany azy hoe: "Iza moa ianoa?"
\v 20 Niteny tsotra izy, ary tsy nandà, fa namaly hoe: "Tsy kristy aho."
\v 21 Ka nanontany azy izy ireo hoe: "Inona ary ianao izany? Elia va ianao?" Niteny izy hoe: "Tsy izy aho" Hoy izy ireo hoe: "Ianao va ilay mpaminany?" Namaly izy hoe: "Tsia".
\s5
\v 22 Avy eo izy ireo niteny taminy hoe: "Iza ianao, mba afahanay manome valin-teny an'ireo izay naniraka anay? Inona no hambaranao momban'ny tenanao?"
\v 23 Hoy izy hoe: "Izao ilay feo, miantso mafy any an'efitra hoe: 'Ataovy mahitsy ny lalan'ny Tompo,' araka ny voalazan'Isaia mpaminany."
\s5
\v 24 Ary nisy iraka sasany avy amin'ireo fariseo nalefa,
\v 25 ary nanontany azy izy ireo ka niteny taminy hoe: "Nahoana ary ianao no manao batisa raha tsy Kristy ianao no sady tsy Elia no tsy ilay mpaminany?"
\s5
\v 26 Ary Jaona namaly azy ireo, manao hoe: "Manao batisa amin'ny rano aho. Fa eo anivonareo eo dia misy olona iray mijoro izay tsy fantatrareo.
\v 27 Izy ilay iray izay tonga avy ao aoriako, izay tsy mendrika ahy ny hamaha ny fehi-kapany."
\v 28 Ireo zavatra ireo dia natao tany Betania tany andafin'i jordana, izay nanaovan'i Jaona batisa.
\s5
\v 29 Ny ampitso Jaona nahita an'i Jesosy nanatona azy ary nilaza hoe: "Jereo, indro ny zanak'ondrin'Andriamanitra izay nanaisotra ny fahotan'izao tontolo izao!
\v 30 Ity ilay iray izay nolazaiko hoe: 'Ilay iray izay tonga avy aoriako dia lehibe noho izaho, satria talohako Izy.'
\v 31 Ary izaho tsy nahalala Azy, fa mba ho voalaza amin'Isiraely izy no nihaviako hanao batisa amin'ny rano."
\s5
\v 32 Jaona nanambara, manao hoe: "Nahita ny Fanahy nidina avy any an-danitra tahaka ny voromailala aho, ary nioetra teo amboniny izany.
\v 33 Tsy nahafantatra Azy aho, fa Izy izay naniraka ahy hanao batisa amin'ny rano nilaza tamiko hoe: 'Eo ambonin'izay hitanao hidinan'ny Fanahy sy hitoerany eo aminy, izy ilay iray izay manao batisa amin'ny Fanahy Masina.'
\v 34 Sady nahita aho no nanambara fa izy ilay Zanak'Andriamanitra."
\s5
\v 35 Ny ampitso, indray, raha nijoro niaraka tamin'ny roa amin'ireo mpianany Jaona,
\v 36 dia nahita an'i Jesosy nandeha izy ireo, ka hoy Jaona hoe: "Jereo, ilay Zanak'ondrin'Andriamanitra!"
\s5
\v 37 Nandre azy niteny izany ireo mpianany roa ka nanaraka an'i Jesosy izy ireo.
\v 38 Avy eo Jesosy nitodika ka nahita azy ireo nanaraka Azy ka niteny azy ireo hoe: "Inona no ilainareo?" Namaly ireo hoe: "Raby (izay midika hoe mpampianatra), aiza Ianao no mitoetra?"
\v 39 Namaly azy ireo Izy hoe: "Manatona ary jereo." Ary nanatona izy ireo ka nahita ny toerana izay nonenany; nitoetra niaraka Taminy tao izy ireo tamin'io andro io, fa tokony efa ho ora fahafolo tamin'izay.
\s5
\v 40 Iray tamin'ireo mpianatra roa nandre an'i Jaona niteny ary nanaraka an'i Jesosy avy eo i Andrea, rahalahin'i Simona Petera.
\v 41 Nitady an'i Simona rahalahiny aloha izy ary nilaza taminy hoe: "Hitanay ny Mesia" (izay adika hoe Kristy)
\v 42 Nitondra azy tany amin'i Jesosy izy, ary nijery azy Jesosy ka niteny hoe: "Ianao dia Simona zanak'i Jaona, ianao dia ho antsoina hoe Kefasy" (izay midika hoe: Petera).
\s5
\v 43 Ny ampitso, raha te-hiala ho any Galilia Jesosy, dia nahita an'i Filipo Izy ary nilaza taminy hoe: "Manaraha Ahy."
\v 44 Filipo dia avy any betsahida, tanànan'i Andrea sy Petera.
\v 45 Nahita an'i Natanaela i Filipo ka niteny taminy hoe: "Izy izay nosoratan'i Mosesy tao amin'ny lalàna, sy ireo mpaminany, hitanay Izy, dia Jesosy zanak'i Josefa, avy any Nazareta."
\s5
\v 46 Natanaela niteny taminy hoe: "Moa hisy zava-tsoa avy ao Nazareta?" Filipo nilaza taminy hoe: "Manatona ary jereo."
\v 47 Jesosy nahita an'i Natanaela nanatona azy ary nilaza ireo mombamomba azy hoe: "Jereo, izany no tena isiraelita, izay tsy misy fitaka ao aminy!"
\v 48 Natanaela niteny Taminy hoe: "Ahoana no hahafantaranao ahy?" Jesosy namaly ka nilaza taminy hoe: "Talohan'ny niantsoan'i Filipo anao, raha teo ambanin'ny hazon'aviavy ianao, dia tazako."
\s5
\v 49 Natanaela namaly hoe: "Raby, Ianao ilay zanak'Andriamanitra! Ianao no mpanjakan'Isiraely!"
\v 50 Jesosy namaly ka niteny taminy hoe: "Satria ve Aho niteny taminao hoe: 'Nahita anao teo ambanin'ny hazon'aviavy Aho,' no hinoanao? Hahita zavatra tsara mihoatra noho izany ianao."
\v 51 Avy eo Izy niteny hoe: "Lazaiko aminareo, marina, dia marina tokoa, fa hahita ny lanitra hisokatra ianareo, ary ireo anjelin'Andriamanitra hiakatra sy hidina eo ambonin'ny Zanak'Olona."
\s5
\c 2
\p
\v 1 Telo andro taty aoriana, dia nisy fampakaram-bady tao Kanà ao Galilia, ary tao ny renin'i Jesosy.
\v 2 Jesosy sy ireo mpianany dia nasaina tamin'ilay fampakaram-bady.
\s5
\v 3 Rehefa lany ny divay, dia niteny taminy ny renin'i Jesosy hoe: "Tsy manana divay izy ireo."
\v 4 Ary hoy Jesosy taminy hoe: "Ravehivavy, nahoana ianao no mankaty amiko? Mbola tsy tonga ny fotoako."
\v 5 Dia hoy ny reniny tamin'ireo mpanompo hoe: "Na inona na inona lazainy aminareo, dia ataovy izany."
\s5
\v 6 Ary nisy siny vato enina teo izay fampiasa amin'ny andro fisasan'ny Jiosy, mahazaka roa hatramin'ny telo metatra avy.
\v 7 Hoy Jesosy tamin'izy ireo hoe: "Fenoy rano ny siny." Ka nofenoin'izy ireo hatramin'ny molony izany.
\v 8 Nony avy eo dia hoy Izy tamin'ireo mpanompo hoe: "Manovoza amin'izany ary ento any amin'ny tompon'andraikitry ny fikarakarana." Ka notanterahin'izy ireo izany.
\s5
\v 9 Nandraman'ny tompon'andraikitrin'ny fikarakarana ilay rano lasa divay, kanefa tsy nahalala izay niavian'izany izy (fa ireo mpanompo izay nanovo ny rano kosa nahafantatra). Avy eo dia niantso ny mpampakatra Izy
\v 10 ary nilaza taminy hoe: "Ny olona rehetra dia mandroso ny divay tsara aloha izay vao ny divay moramora rehefa mamo izy ireo. Fa ianareo kosa nitahiry ny divay tsara mandrak'ankehitriny."
\s5
\v 11 Izany no famantarana voalohany nataon'i Jesosy tao Kanà any Galilia, ary naneho ny voninahiny Izy, ka nino Azy ireo mpianany.
\s5
\v 12 Taorian'izay dia nidina ho any Kapernaomy Jesosy, ny reniny, ireo rahalahiny sy ireo mpianany ary nijanona tao andro vitsivitsy izy ireo.
\s5
\v 13 Ary efa akaiky ny Pasky ny Jiosy, dia niakatra tany Jerosalema Jesosy.
\v 14 Nahita mpivarotr'omby, ondry ary voromailala tao an-tempoly Izy, ary nipetraka tao ihany koa ireo mpanakalo vola.
\s5
\v 15 Noho izany dia nanamboatra karavasy izy ka nandroaka azy rehetra hivoaka ny tempoly, na ny ondry na omby. Nandraraka ny volan'ireo mpanakalo vola Izy ary nananjera ny latabatr'izy ireo.
\v 16 Dia hoy Izy tamin'ireo mpivarotra voromailala hoe: "Ento mivoaka lavitra ity toerana ity ireo zavatra ireo. Aoka izay ny fanaovana ny tranon-dRaiko ho toeram-pivarotana."
\s5
\v 17 Ary tsaroan'ireo mpianany fa efa voasoratra hoe: "Ny firehetako ny amin'ny tranonao no handevona ahy."
\v 18 Avy eo namaly ireo lohandohan'ny mpisorona Jiosy ka nanao taminy hoe: "Inona no famantarana ho asehonao anay, mahatonga anao manao ireny zavatra ireny?"
\v 19 Jesosy namaly hoe: "Ravao ity tempoly ity, fa ho hatsangako anatin'ny telo andro monja izany."
\s5
\v 20 Ary hoy ireo mpanapaka jiosy hoe: "Enina amby efapolo taona no nanorenana ity tempoly ity, ka ianao ve hahatsangana azy ao anatin'ny telo andro?"
\v 21 Kanefa, momban'ny tempolin'ny tenany no noresahany.
\v 22 Taorian'ny nitsanganany tamin'ny maty, dia tsaroan'ireo mpianany fa nilaza izany izy, ary nino ny Soratra Masina sy izany teny nolazain'i Jesosy izany izy ireo.
\s5
\v 23 Ary rehefa tao Jerosalema Izy tamin'ny andro firavoravoan'ny Paska, dia maro no nino ny anarany rehefa nahita ireo famantarana izay nataony.
\v 24 Fa Jesosy kosa tsy nahatoky azy ireo noho Izy nahafantatra tsara azy rehetra,
\v 25 satria tsy nila na iza na iza hanambara aminy ny momban'ny olona Izy, noho Izy nahafantatra ny ao anatin'ny olona.
\s5
\c 3
\p
\v 1 Ary nisy Fariseo iray antsoina hoe Nikodemosy, mpitarika Jiosy.
\v 2 Nanatona an'i Jesosy tamin'ny andro alina io lehilay io ary niteny taminy hoe: "Raby, fantatray fa mpampianatra izay avy amin'Andriamanitra Ianao, satria tsy misy mahavita ireo famantarana ataonao raha tsy miaraka aminy Andriamanitra."
\s5
\v 3 Dia namaly azy Jesosy nanao hoe: "Lazaiko aminareo marina, dia marina tokoa, fa raha tsy ateraka indray ny olona, dia tsy hahita ny fanjakan' Andriamanitra izy."
\v 4 Nikodemosy niteny taminy hoe: "Amin'ny fomba ahoana no hahateraka ny olona iray raha efa antitra izy? Tsy afaka hiditra fanindroany ao an-kibon-dreniny izy ary hateraka, sa ve afaka?"
\s5
\v 5 Namaly Jesosy hoe: "Lazaiko aminao marina, dia marina tokoa, fa raha tsy nateraka tamin'ny rano sy ny fanahy ny zanak'olona, dia tsy afaka hiditra ao amin'ny fanjakan'Andriamanitra izy.
\v 6 Izay ateraky ny nofo dia nofo, ary izay ateraky ny Fanahy dia fanahy.
\s5
\v 7 Aza gaga amin'izay nolazaiko anao hoe: 'Tsy maintsy hateraka indray ianareo.'
\v 8 Ny rivotra mitsoka na aiza na aiza iriany; renao ny feony, fa tsy fantatrao izay niaviany na izay alehany. Tahaka izany avokoa izay ateraky ny Fanahy."
\s5
\v 9 Namaly Nikodemosy ka niteny taminy hoe: "Ahoana ny fomba hahatanterahan'izany zavatra izany?"
\v 10 Jesosy namaly ka niteny taminy hoe: "Mpampianatra an'Israely ve ianao, dia mbola tsy azonao ihany izany zavatra izany?
\v 11 Lazaiko aminao, marina, dia marina tokoa, fa izay fantatray no resahanay, ary izahay manambara ny momba izay hitanay. Kanefa mbola tsy manaiky ny fanambaranay ianareo.
\s5
\v 12 Raha nanambara taminareo ny zavatra tety an-tany Aho nefa tsy hinoanareo, amin'ny fomba ahoana no hinoanareo Ahy raha hitantara aminareo ny zava-misy any an-danitra Aho?
\v 13 Tsy nisy niakatra any an-danitra afa-tsy Ilay nidina avy tany, dia Ilay zanak'Olona izany.
\s5
\v 14 Ary toy ny nanandratan'i Mosesy ny bibilava tany an'efitra, no tsy maintsy hanandratana ny Zanak'olona,
\v 15 mba hanana fiainana mandrakizay izay rehetra mino Azy.
\s5
\v 16 Fa tena tian'Andriamanitra izao tontolo izao, ka nomeny ny zanany lahy tokana, mba tsy ho very izay rehetra mino Azy fa hanana ny fiainana mandrakizay.
\v 17 Fa Andriamanitra tsy naniraka ilay Zanaka lahy ho amin'izao tontolo izao mba hanameloka izao tontolo izao, fa mba hamonjy izao tontolo izao amin'ny alalany.
\v 18 Izay mino Azy dia tsy helohina, fa izay tsy mino kosa dia efa voaheloka sahady satria tsy nino ny anaran'ilay Zanaka lahy iray sy tokan'Andiamanitra.
\s5
\v 19 Izao no anton'ny fitsaràna: tonga teto amin'izao tontolo izao ny fahazavana, nefa dia naleon'ny olombelona ny haizina toy izay ny mazava satria ratsy ireo asa nataony.
\v 20 Fa izay rehetra manao ratsy dia mankahala ny mazava ary tsy manatona izany mba tsy ho hita miharihary ireo asany.
\v 21 Kanefa, izay manao ny marina dia manatona ny mazava mba ho hita tsara fa ireo asany dia natao arakan'Andriamanitra."
\s5
\v 22 Taorian'izay, dia nandeha tany Jodia Jesosy sy ireo ny mpianany. Nitoetra fotoana vitsy tao niaraka tamin'izy ireo Izy ary nanao batisa.
\v 23 Ary Jaona koa nanao batisa tany Ainona akaikin'i Saleima satria betsaka ny rano tany. Nanatona azy ny vahoaka ary natao batisa,
\v 24 fa tsy mbola nalefa any an-trano maizina Jaona.
\s5
\v 25 Avy eo nisy fifandirana tamin'ny sasany amin'ireo mpianatr'i Jaona sy Jiosy iray momban'ny andro fisasana.
\v 26 Nanatona an'i Jaona izy ireo ka niteny taminy hoe: "Raby, Ilay iray niaraka taminao tany ampitan'ny reniranon'i Joridana, izay nambaranao, indro, manao batisa izy, ary manatona azy avokoa izy rehetra."
\s5
\v 27 Ary Jaona namaly hoe: "Tsy afaka mandray na inona na inona ny olona iray raha tsy nomena azy avy any an-danitra izany.
\v 28 Ianareo ihany dia efa afaka ny vavolombelona amin'ny lazaiko hoe: 'Tsy ilay Kristy aho,' fa kosa: 'Nirahina talohany.'
\s5
\v 29 Ny ampakarina dia an'ny mpampakatra. Ary ny sakaizan'ny mpampakatra, izay mitsangana sy mihaino azy, dia mifaly indrindra nohon'ny amin'ny fahenoana ny feon'ny mpampakatra. Izany, ary, no mameno ny hafaliako.
\v 30 Tsy maintsy mitombo Izy, fa izaho kosa tsy maintsy mihena.
\s5
\v 31 Izy izay avy any ambony dia ambonin'ny zava-drehetra. Izy izay avy eto an-tany dia avy eto an-tany ary miresaka momban'ny eto an-tany. Izay avy any an-danitra dia ambonin'ny zava-drehetra.
\v 32 Izy dia manambara ny momba izay hitany sy reny, kanefa dia tsy misy mandray ny fanambarany.
\v 33 Izay nandray ny fanambarany kosa dia nanamafy fa marina Andriamanitra.
\s5
\v 34 Fa ilay iray nirahin'Andriamanitra dia milaza ny tenin'Andriamanitra. Satria tsy nasiany fetra ny fanomezana ny Fanahy.
\v 35 Ny Ray tia ilay zanaka lahy ary nametraka ny zava-drehetra teo ampelan-tanany.
\v 36 Izay mino ilay Zanaka lahy dia manana ny fiainana mandrakizay, fa izay tsy mankàto ilay zanaka lahy kosa dia tsy hahita fiainana, fa hitoeran'ny hatezeran'Andriamanitra."
\s5
\c 4
\p
\v 1 Ary rehefa fantatr'i Jesosy hoe ren'ireo Fariseo fa nahazo sy nanao batisa mpianatra maro noho Jaona Izy
\v 2 (na dia tsy Jesosy tenany aza no nanao batisa, fa ireo mpianany),
\v 3 dia niala tao Jodia Izy ary niverina nankany Galilia indray.
\s5
\v 4 Fa ilainy ny mamakivaky an'i Samaria.
\v 5 Ka dia tonga tao amin'ny tanàna iray ao Samaria Izy, antsoina hoe Sykara, akaikin'ilay ampahan-tany izay nomen'i Jakoba an'i Josefa zanany.
\s5
\v 6 Teo ilay fatsakan'i Jakoba. Nahatsiaro sasatra tamin'ny diany Jesosy ka nipetraka teo amin'ilay fatsakana. Tokony teo amin'ny ora fahenina teo.
\v 7 Nisy vehivavy samaritana iray tonga hatsaka rano, ka hoy Jesosy taminy hoe: "Mba omeo rano Aho ho sotroiko."
\v 8 Fa ireo mpianany efa lasa any an-tanàna mba hividy hanina.
\s5
\v 9 Avy eo hoy ilay vehivavy samaritana taminy hoe: "Ahoana ianao, izay Jiosy, no mangataka amiko, izay vehivavy samaritana, rano ho sotroina?" Fa ireo Jiosy tsy misy hifandraisana amin'ny Samaritana.
\v 10 Fa Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: "Raha fantatrao ny fanomezan'Andriamanitra, sy izay miteny aminao hoe: 'Omeo aho ho sotroiko,' dia ianao indray no ho nangataka taminy, ka omeny rano velona."
\s5
\v 11 Hoy ilay vehivavy taminy hoe: "Tompoko, Ianao dia tsy manana fanovozana ary ny fatsakana lalina. Koa aiza no hahazoanao rano velona?
\v 12 Ianao dia tsy lehibe, moa va, noho Jakoba razambentsika, izay nanome anay ny fatsakana sy nisotro tamin'izany ny tenany, tahaka ny nataon'ireo zanany sy ireo bibiny?"
\s5
\v 13 Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: "Izay rehetra misotro amin'ity rano ity dia mbola hangetaheta indray,
\v 14 fa na iza na iza misotro amin'ny rano izay homeko azy dia tsy hangetaheta mandrakizay. Fa kosa, ny rano izay homeko azy dia ho tonga loharano miboiboika ao anatiny, izay mitondra any amin'ny fiainana mandrakizay."
\s5
\v 15 Hoy ravehivavy taminy hoe: "Tompoko, omeo izany rano izany aho mba tsy hangetaheta sy ho tonga hatsaka eto intsony."
\v 16 Hoy Jesosy tamin-dravehivavy hoe: "Mandehana, antsoy ny vadinao, dia miverena aty."
\s5
\v 17 Namaly ilay vehivavy ka niteny taminy hoe: "Tsy manambady aho." Namaly Jesosy hoe: "Marina ny voalazanao hoe: 'Tsy manambady aho,'
\v 18 fa efa nanambady indimy ianao, ary ilay iray izay hipetrahanao ankehitriny dia tsy mbola vadinao. Marina izay voalazanao."
\s5
\v 19 Hoy ravehivavy taminy hoe: "Tompoko, itako fa mpaminany Ianao.
\v 20 Ireo razantsika nivavaka teto amin'ity tendrombohitra ity, kanefa ianareo manambara fa Jerosalema no toerana tokony hivavahan'ny olona."
\s5
\v 21 Hoy Jesosy taminy hoe: "Minoa Ahy, ravehivavy, fa ho avy ny andro izay hideranareo ny Ray ka sady tsy amin'ity an-tendrombohitra ity no tsy any Jerosalema.
\v 22 Fa ianareo miankohoka amin'izay tsy fantatrareo. Izahay kosa miankohoka amin'izay fantatray, satria ny famonjena dia avy amin'ireo Jiosy.
\s5
\v 23 Kanefa, ho avy ny andro, ary tonga ankehitriny, rehefa hidera ny Ray amin'ny fanahy sy fahamarinana ireo tena mpivavaka, satria ny Ray dia mitady olona tahaka izany ho mpidera Azy.
\v 24 Andriamanitra dia Fanahy, ary ny olona izay midera Azy dia tsy maintsy midera amin'ny fanahy sy fahamarinana."
\s5
\v 25 Hoy ilay vehivavy taminy hoe: "Fantatro fa ho avy ny Mesia (ilay antsoina hoe Kristy). Ary rehefa tonga Izy, dia hanazava amintsika ny zavatra rehetra."
\v 26 Hoy Jesosy taminy hoe: "Izaho izay miresaka aminao, no Izy."
\s5
\v 27 Tamin'izany fotoana izany dia niverina ireo mpianany. Ary nanontany tena izy ireo hoe nahoana Izy no miresaka amin'ny vehivavy, fa tsy nisy niteny hoe: "Inona no tadiavinao?" na hoe: "Nahoana Ianao no miresaka aminy?"
\s5
\v 28 Noho izany dia namela ny sininy ravehivavy, ka nandeha niverina tany an-tanàna, ary nilaza tamin'ny olona hoe:
\v 29 "Handeha, hizaha ilay lehilahy izay nilaza ny vitako rehetra. Tsy ho Kristy izany, sa ve Izy?"
\v 30 Dia niala teo an-tanàna izy ireo ka nankeo Aminy.
\s5
\v 31 Nandritr'izany, namporisika Azy ireo mpianatra, manao hoe: "Raby, mihinàna."
\v 32 Fa hoy Izy tamin'izy ireo hoe: "Izaho dia manana hanin-ko hanina izay tsy fantatrareo."
\v 33 Ka nifampiteny ireo mpianatra hoe: "Tsy nisy olona nitondra zavatra ho hanina ho Azy, sa ve nisy?"
\s5
\v 34 Hoy Jesosy tamin'izy ireo hoe: "Ny sakafoko dia ny manao ny sitrapon'Ilay naniraka Ahy ary manao ny asany.
\v 35 Moa Ianao tsy milaza hoe: "Efa-bolana sisa dia ho avy ny fararano?' Lazaiko aminareo, hatopazo ny masonareo dia jereo ny eny an-tsaha, fa efa masaka ary ho jinjaina ireo!
\v 36 Izay minjinja dia mandray karama sy manangona vokatra ho amin'ny fiainana mandrakizay, ka hiara-paly ny mpamafy sy ny mpinjinja.
\s5
\v 37 Fa amin'izany dia marina ilay teny manao hoe: 'Ny iray mamafy, ary ny iray kosa minjinja,'
\v 38 Naniraka anareo hinjinja izay tsy nisasaranareo Aho. Ireo hafa no nisasatra, ary ianareo no niditra teo amin'izay nisasarany."
\s5
\v 39 Maro tamin'ireo samaritana tao amin'izany tanàna izany no nino Azy nohon'ny tatitr'ilay vehivavy izay manambara hoe: "Nolazainy tamiko avokoa izay nataoko rehetra."
\v 40 Ka rehefa nanatona Azy ireo samaritana, dia nangataka Azy mba hijanona hiaraka amin'izy ireo, dia nijanona tao roa andro Izy.
\s5
\v 41 Maro hafa no nino nohon'ny teniny.
\v 42 Hoy izy ireo tamin-dravehivavy hoe: "Tsy noho izay voalazanao intsony no hinoanay, fa izahay mihitsy no efa nandre, ary fantatray fa Izy tokoa no ilay Mpamonjy an'izao tontolo izao."
\s5
\v 43 Taorian'ireo roa andro ireo, dia niala avy tao Izy hakany Galilia.
\v 44 Fa Jesosy mihintsy no nanambara fa ny mpaminany dia tsy manan-danja ao amin'ny taniny manokana.
\v 45 Rehefa tonga tao Galilia Izy, dia nandray Azy ireo Galiliana. Izy ireo dia nahita ny zavatra rehetra izay nataony tao Jerosalema tamin'ny andro firavoravoana, satria nandeha tany amin'ny andro firavoravoana ihany koa izy ireo.
\s5
\v 46 Ary tonga tao Kana ao Galilia indray Izy, izay toerana nampodiany ny rano ho divay. Nisy tandapa iray izay nanana zanaka lahy marary tao Kapernaony.
\v 47 Rehefa reny fa avy any Jodia ho any Galilia Jesosy, dia nankeo amin'i Jesosy izy ary nangataka taminy mba hidina ary hanasitrana ny zanany lahy, izay efa ho faty.
\s5
\v 48 Avy eo Jesosy nilaza taminy hoe: "Raha tsy mahita famantarana sy fahagagana ianareo, tsy mba hino mihintsy."
\v 49 Hoy ilay tandapa taminy hoe: "Tompoko, midina re mialohan'ny hafatesan'ny zanako."
\v 50 Hoy Jesosy taminy hoe: "Mandehàna. Velona ny zanakao." Nino ny teny izay nolazain'i Jesosy taminy ilay lehilahy, ka dia lasa izy.
\s5
\v 51 Raha iny izy nidina iny, dia nitsena azy ireo mpanompony, nilaza fa velona ny zanany.
\v 52 Ka nanontany azy ireo ny ora izay nanaretany izy. Namaly azy izy ireo hoe: "Omaly tamin'ny ora fahafito no nialàn'ny tazo taminy."
\s5
\v 53 Fantatr'ilay ray avy eo fa tamin'io ora io no nilazan'i Jesosy azy hoe: "Velona ny zanakao." Ka dia nino ny tenany sy ireo ankohonany rehetra.
\v 54 Izany no famantarana faharoa nataon'i Jesosy fony Izy niala tao Jodia ho any Galilia.
\s5
\c 5
\p
\v 1 Taorian'izany dia nisy firavoravoan'ny Jiosy, ary niakatra ho any Jerosalema Jesosy.
\v 2 Ary tany Jerosalema eo akaikin'ny vavahadin'ondry, dia nisy farihy, izay natsoina tamin'ny Hebreo hoe Betesda, ary misy fialofana dimy izany.
\v 3 Maro ireo olona marary, jamba, malemy, na tsy afa-mihetsika natory tao.
\f + \ft Fanamarihana: Ny antontan-taratasy taloha tsara indrindra dia manala ny fehezanteny hoe: "Miandry ny fihetsehin'ny rano" \f*
\v 4 \f + \ft Fanamarihana: Ny antontan-taratasy taloha tsara indrindra dia manala ny and. 4 hoe: "Fa nisy anjelin'ny Tompo iray nidina ka nampihetsika ny rano indraindray ary na iza na iza nandroso nankao rehefa nihetsika ny rano dia sitrana tamin'ireo aretina izay namparary azy na inona na inona." \f*
\s5
\v 5 Ary nisy lehilahy anankiray teo izay efa narary valo amby telo-polo taona.
\v 6 Rehefa hitan'i Jesosy nandry teo izy, sy taorian'ny nahatsapany fa efa an-taona maro izy no teo, dia hoy Izy taminy hoe: "Te-ho sitrana ve ianao?"
\s5
\v 7 Namaly ilay lehilahy marary hoe: "Tompoko, tsy manana na iza na iza aho handroboka ahy ao anaty farihy rehefa mihetsika ny rano. Rehefa mandeha aho, dia misy misosoka eo alohako."
\v 8 Hoy Jesosy taminy hoe: "Mitsangàna, ento ny fandrianao, ka mandehana."
\s5
\v 9 Avy hatrany dia sitrana ilay lehilahy, ka noraisiny ny fandriany dia nandeha izy. Ary Sabata izay andro izay.
\s5
\v 10 Dia hoy ireo Jiosy tamin'ilay sitrana hoe: "Sabata ny andro dia tsy mahazo mitondra ny fandrianao ianao".
\v 11 Namaly izy hoe: "Ilay nanasitrana ahy no niteny tamiko hoe: 'Ento ny fandrianao ka mandehana.'"
\s5
\v 12 Ary nanontany azy izy ireo hoe: "Iza ilay lehilahy niteny taminao hoe: 'Ento ny fandrianao ka mandehana'?"
\v 13 Kanefa, ilay sitrana tsy nahalala Azy satria niala moramora Jesosy fa nisy vahoaka teo an-toerana.
\s5
\v 14 Nony avy eo, hitan'i Jesosy tao an-tempoly izy ka hoy Izy taminy hoe: "Indro, sitrana ianao! Aza manota intsony, mba tsy hitranga aminao ny zavatra ratsy noho ny teo."
\v 15 Avy eo dia lasa ralehilahy ka nitatitra tamin'ireo Jiosy fa Jesosy no nanasitrana azy.
\s5
\v 16 Ary noho ireo zavatra ireo dia nanenjika an'i Jesosy ireo Jiosy, satria nanao ireo zavatra ireo tamin'ny Sabata Izy.
\v 17 Ary namaly azy ireo Jesosy hoe: "Ny Raiko dia miasa eny fa na ankehitriny aza, ary Izaho, ihany koa, dia miasa."
\v 18 Noho izany, dia vao maika nitady hamono Azy ireo Jiosy tsy nohon'ny faniratsirany ny Sabata ihany, fa ny niantsoany an'Andriamanitra ihany koa hoe Rainy manokana, manao ny tenany ho mitovy amin'Andriamanitra.
\s5
\v 19 Ary Jesosy namaly azy ireo hoe: "Lazaiko aminareo marina, dia marina tokoa, fa ny Zanaka dia tsy afaka manao na inona na inona ho Azy, afa-tsy izay hitany ataon'ny Ray ihany, fa na inona na inona ataon'ny Ray, dia ataon'ny Zanaka ihany koa ireo zavatra ireo.
\v 20 Fa ny Ray tia ny Zanaka ka nampiseho azy ny zavatra rehetra izay nataon'ny tenany, ary hampiseho azy zavatra lehibe mihoatra noho ireo Izy mba ho gaga ianareo.
\s5
\v 21 Fa tahaka ny Ray manangana sy mamelona ny maty, dia tahaka izany ihany koa no ameloman' ny Zanaka izay tiany.
\v 22 Fa ny Ray dia tsy mitsara na iza na iza, fa nomeny ny Zanaka ny fitsarana rehetra
\v 23 mba hanajan'ny rehetra ny Zanaka tahaka ny hanajan'izy ireo ny Ray. Izay tsy manaja ny Zanaka dia tsy manaja ilay Ray naniraka Azy.
\s5
\v 24 Lazaiko aminareo marina, dia marina tokoa, fa izay mandre ny teniko sy mino izay naniraka Ahy dia manana ny fiainana mandrakizay ka tsy ho helohina, fa niala tamin'ny fahafatesana ho amin'ny fiainana izy.
\s5
\v 25 Lazaiko aminareo marina, dia marina tokoa, fa avy ny ora, ary tonga izany ankehitriny, rehefa handre ny feon'ny Zanak'Andriamanitra ny maty, ary ho velona ireo izay mandre.
\s5
\v 26 Fa tahaka ny Ray manana fiainana ao Aminy, no nanomezana ny zanaka ihany koa mba hananany fiainana ao Aminy,
\v 27 ary nomen'ny Ray fahefana hitsara ny Zanaka noho Izy Zanak'olona.
\s5
\v 28 Aza gaga amin'izany, fa avy ny andro handrenesan'ny olona rehetra any am-pasana ny feony
\v 29 ka hivoaka: ireo izay nanao ny tsara dia ho any amin'ny fitsanganana ho amin'ny fiainana, fa ireo izay nanao ny ratsy kosa dia ho any amin'ny fitsanganana ho amin'ny fitsarana.
\s5
\v 30 Tsy afaka manao na inona na inona raha Izaho ihany. Araka izay reko, no itsarako, ary ny fitsarako dia marina satria tsy mitady ny sitrapoko manokana Aho fa ny sitrapon'Izy izay naniraka Ahy.
\v 31 Raha tokony hanambara ny momban'ny tenako Aho, dia tsy marina ny fanambarako.
\v 32 Misy iray hafa izay manambara ny momba Ahy, ary fantatro fa marina ny fanambarana izay lazainy momba Ahy.
\s5
\v 33 Nirahina tany amin'i Jaona ianareo, ary nanambara ny marina izy.
\v 34 Kanefa ny fanambarana izay raisiko dia tsy avy amin'ny olona. Milaza izany zavatra izany Aho mba mety ho voavonjy ianareo.
\v 35 Jaona dia jiro nirehitra sy nanazava, ary ianareo naniry ny hifaly vetivety tao amin'ny fahazavany.
\s5
\v 36 Kanefa ny fanambarako dia mbola lehibe noho ny an'i Jaona, fa ireo asa nomen'ny Ray ho tanterahiko, ireo asa izay ataoko ireo, no manambara ny momba Ahy fa nirahin'ny Ray Aho.
\v 37 Ny Ray Izay naniraka Ahy mihintsy no nanambara Ahy. Tsy mbola nandre ny feony na nahita ny tavany ianareo.
\v 38 Ary ny teniny tsy mba mitoetra ao anatinareo, satria tsy mino ilay nirahiny ianareo.
\s5
\v 39 Mitady ny Soratra Masina ianareo satria heverinareo fa ao amin'ireo no anananareo fiainana mandrakizay, ary ireo Soratra Masina ireo ihany no manambara momba Ahy,
\v 40 kanefa tsy vonona ny hanatona Ahy ianareo mba hanananareo fiainana.
\s5
\v 41 Tsy mandray laza avy amin'ny olona Aho,
\v 42 satria fantatro fa tsy misy fitiavana an'Andriamanitra ao aminareo.
\s5
\v 43 Tonga amin'ny anaran'ny Raiko Aho, nefa tsy raisinareo. Raha misy hafa tonga amin'ny anarany manokana, dia ho raisinareo izy.
\v 44 Ahoana no hinoanareo, ianareo izay mandray laza avy amin'ny olon-kafa kanefa tsy mitady ny laza izay avy amin'Andriamanitra tokana?
\s5
\v 45 Aza mieritreritra hoe Izaho no hiampanga anareo anatrehan'ny Ray. Ilay iray miampanga anareo dia Mosesy, izay nametrahanareo ny fanantenanareo.
\v 46 Raha nino an'i Mosesy ianareo dia tokony hino Ahy, satria nanoratra ny momba Ahy izy.
\v 47 Raha tsy mino ireo nosoratany ianareo, dia ataonareo ahoana no hino ny teniko?
\s5
\c 6
\p
\v 1 Taorian'ireo zavatra ireo, dia lasa niampita ny ranomasin'i Galilia Jesosy, antsoina ihany koa hoe ranomasin'i Tiberiasy.
\v 2 Nisy vahoaka maro nanaraka Azy satria hitan'izy ireo ny famantarana izay nataony tamin'ireo narary.
\v 3 Niakatra an-tendrimbohitra Jesosy ary nipetraka teny niaraka tamin'ireo mpianany Izy.
\s5
\v 4 (Ary ny Paska, ilay andro firavoravoan'ny Jiosy, dia efa akaiky.)
\v 5 Rehefa nijery ambony Jesosy ka nahita vahoaka maro be nanatona Azy, dia hoy Izy tamin'i Filipo hoe: "Aiza no hividianantsika mofo mba hafahan'izy ireo mihinana?"
\v 6 (Fa Jesosy niteny izany mba hitsapana an'i Filipo, fa efa fantany izay ho ataony.)
\s5
\v 7 Ary Filipo namaly Azy hoe: "Na dia mofo roanjato dinaria aza tsy ho ampy ho an'ny tsirairay na dia kely avy aza."
\v 8 Iray tamin'ireo mpianatra, Andrea, rahalahin'i Simona Petera, nilaza tamin'i Jesosy hoe:
\v 9 "Misy lehilahy iray eto manana mofo dimy sy hazandrano roa, fa inona ireo manoloana ireto olona maro?"
\s5
\v 10 Ary Jesosy nilaza hoe: "Asaivo mipetraka ny olona" (Ary feno ahitra teo amin'ilay toerana.) Ka dia nipetraka ireo olona, teo amin'ny dimy arivo teo ny isany.
\v 11 Avy eo Jesosy naka ireo mofo ka rehefa avy nisaotra, dia nizara izany tamin'ireo izay nipetraka teo. Tahaka izany ihany koa no nataony tamin'ny hazandrano, maro araka izay nilain'izy ireo.
\v 12 Rehefa voky ny olona, dia hoy Izy tamin'ireo mpianany hoe: "Angony ireo sombintsombiny tavela, mba tsy hisy ho very."
\s5
\v 13 Ka dia nangonin'izy ireo izany ka nahafeno harona roa ambin'ny folo ny sombintsombina mofo dimy sisa navelan'ireo nihinana.
\v 14 Avy eo, rehefa nahita izany famantarana nataony izany ny olona, dia hoy izy ireo hoe: "Ity tokoa ilay mpaminany izay tonga ho ety amin'izao tontolo izao."
\v 15 Rehefa hitan'i Jesosy fa ho avy izy ireo haka Azy sy hanandratra Azy an-keriny ho mpanjaka, dia niverina teny an-tendrimbohitra irery indray Izy.
\s5
\v 16 Rehefa ariva ny andro, dia nidina teny amin'ny ranomasina ireo mpianany.
\v 17 Nankao anaty sambokely izy ireo, ka niampita ny ranomasina ho any Kapernaomy. Efa maizina tamin'izay, ary Jesosy mbola tsy tonga teo amin'izy ireo ihany.
\v 18 Nisy rivotra nitsoka mafy, ary niha-nahery ny ranomasina.
\s5
\v 19 Rehefa nivoy teo amin'ny dimy amby roapolo na telopolo stadio teo izy ireo, dia nahita an'i Jesosy nandeha teo amin'ny ranomasina ary nanakaiky ny sambokely, ka dia natahotra izy ireo.
\v 20 Fa hoy Izy tamin'izy ireo hoe: "Izao ihany ity! Aza matahotra."
\v 21 Avy eo dia vonona ny handray Azy tao amin'ilay sambokely izy ireo, ary teo no eo dia tonga teny amin'ilay toerana alehan'izy ireo ilay sambokely.
\s5
\v 22 Ny ampitso, hitan'ireo vahoaka izay nitsangana teny ampitan'ny ranomasina fa tsy nisy sambokely hafa teo afa-tsy ilay iray ihany, ary Jesosy tsy niditra tao niaraka tamin'ireo mpianany fa nandeha irery ireo mpianany.
\v 23 Kanefa, nisy sambokely maromaro avy any Tiberiasy teo akaikin'ilay toerana izay nihinanan'izy ireo ny mofo rehefa avy nisaotra ny Tompo.
\s5
\v 24 Rehefa hitan'ny vahoaka fa tsy teo na Jesosy na ireo mpianany, dia niditra tao anaty sambokely izy ireo ary nakeny Kapernaomy hitady an'i Jesosy.
\v 25 Rehefa hitan'izy ireo teny ampitan'ny renirano Izy, dia hoy izy ireo taminy hoe: "Raby, oviana Ianao no tonga teto?"
\s5
\v 26 Jesosy namaly azy ireo, nanao hoe: "Lazaiko aminareo marina, dia marina tokoa, fa mitady Ahy ianareo, tsy nohon' ny nahitanareo famantarana, fa nohon'ny nihinanareo ny mofo ka voky.
\v 27 Aza miasa ho an'ny hanina mety levona, fa miasà ho an'ny hanina izay maharitra ho an'ny fiainana mandrakizay izay homen'ny Zanak'Olona anareo, satria Andriamanitra Ray no nanisy tombo-kase taminy."
\s5
\v 28 Avy eo dia hoy izy ireo taminy hoe: "Inona no tsy maintsy hataonay, mba hanaovanay ireo asan' Andriamanitra?"
\v 29 Jesosy namaly ka nanao tamin'izy ireo hoe: "Izao no asan'Andriamanitra: dia ny hinoanareo ilay iray izay nirahiny."
\s5
\v 30 Ka hoy izy ireo taminy hoe: "Inona ary no famantarana ho ataoano, mba hahitanay sy hinoanay anao? Inona no ho ataonao?
\v 31 Ny raibenay nihinana ny mana tany an'efitra, araky ny voasoratra hoe: 'Nomeny mofo avy any an-danitra izy ireo hoanina.'"
\s5
\v 32 Avy eo Jesosy namaly azy ireo hoe: "Lazaiko aminareo marina, dia marina tokoa, fa tsy Mosesy no nanome anareo ny mofo avy any an-danitra, fa ny Raiko no manome anareo ny tena mofo avy any an-danitra.
\v 33 Satria ny mofon'Andriamanitra dia ilay midina avy any an-danitra ka manome fiainana ho an'izao tontolo izao."
\v 34 Ka hoy izy ireo taminy hoe: "Tompoko, omeo anay mandrakariva izany mofo izany."
\s5
\v 35 Dia hoy Jesosy tamin'izy ireo hoe: "Izaho no mofon'ny fiainana; izay manatona Ahy tsy mba ho noana intsony, ary izay mino Ahy tsy hangetaheta intsony.
\v 36 Kanefa efa nolazaiko taminareo fa nahita Ahy ihany ianareo, nefa tsy mino.
\v 37 Ny rehetra izay omen'ny Raiko Ahy dia hanatona Ahy, ary izay manatona Ahy dia tsy mba ho ariako.
\s5
\v 38 Fa nidina avy any an-danitra aho, tsy mba hanao ny sitrapoko manokana, fa ny sitrapon'Izy izay naniraka Ahy.
\v 39 Ary izao no sitrapon'Izy izay naniraka Ahy, dia ny tsy hanariako izay rehetra nomeny Ahy, fa hanangana azy ireo amin'ny andro farany.
\v 40 Satria izao no sitrapon'ny Raiko, dia ny mba hahazoan'ny rehetra izay mahita ny Zanaka sy mino Azy ny fiainana mandrakizay ary ho hatsangako amin'ny andro farany izy.
\s5
\v 41 Avy eo nimonomonona momba Azy ireo Jiosy satria Izy nilaza hoe: "Izaho no mofo nidina avy any an-danitra."
\v 42 Ary hoy izy ireo hoe: "Tsy ilay Jesosy zanak'i Josefa ve io, izay fantatsika ny ray aman-dreniny? Ahoana ary no ilazany hoe: 'Nidina avy any an-danitra Aho'?"
\s5
\v 43 Jesosy namaly ka nanao tamin'izy ireo hoe: "Ajanony ny fimonomononana eo anivonareo.
\v 44 Tsy misy olona afaka manatona Ahy raha tsy ny Ray izay naniraka Ahy no mitaona azy, ary ho hatsangako izy amin'ny andro farany.
\v 45 Izany dia voasoratra ao amin'ny bokin'ny mpaminany hoe: 'Hampianarin'Andriamanitra izy rehetra.' Izay rehetra nandre sy nianatra tamin'ny Ray no manatona Ahy.
\s5
\v 46 Tsy nisy nahita ny Ray, afa-tsy izay avy amin'Andriamanitra, izy no nahita ny Ray.
\v 47 Lazaiko aminareo marina, dia marina tokoa, fa izay mino no manana fiainana mandrakizay.
\s5
\v 48 Izaho no mofon'ny fiainana.
\v 49 Ny Raibenareo nihinana ny mana tany an'efitra, ary maty izy ireo.
\s5
\v 50 Ity no mofo nidina avy any an-danitra, mba tsy ho faty izay mihinana amin'izany.
\v 51 Izaho no mofo velona nidina avy any an-danitra. Raha misy olona mihinana amin'ity mofo ity, dia ho velona mandrakizay izy. Ny mofo izay homeko no nofoko ho an'ny fiainan'izao tontolo izao."
\s5
\v 52 Niha-tezitra ireo Jiosy ka nanomboka niady hevitra, nanao hoe: "Ahoana no afahan'io lehilahy io manome antsika ny nofony hoanina?" Ary hoy Jesosy tamin'izy ireo hoe:
\v 53 "Lazaiko aminareo marina, dia marina tokoa, fa raha tsy mihinana ny nofon'ny Zanak'Olona ianareo sy misotro ny ràny, dia tsy hanana fiainana ao aminareo.
\s5
\v 54 Na iza na iza mihinana ny nofoko sy misotro ny ràko dia manana fiainana mandrakizay, ary hatsangako izy amin'ny andro farany.
\v 55 Fa ny nofoko no tena fihinana, ary ny ràko no tena fisotro.
\v 56 Izay mihinana ny nofoko sy misotro ny ràko no mitoetra ao Amiko, ary Izaho ao aminy.
\s5
\v 57 Tahaka ny nanirahan'ny Ray velona Ahy, sy tahaka ny hivelomako nohon'ny Ray, izay mihinana Ahy, dia ho velona ihany koa nohon'ny Amiko.
\v 58 Ity ilay mofo nidina avy any an-danitra, tsy tahaka ny Raibe nihinana ka maty. Izay mihinana ity mofo ity dia ho velona mandrakizay."
\v 59 Fa Jesosy nilaza ireo zavatra ireo tao amin'ny synagoga rehefa nampianatra tao Kapernaomy Izy.
\s5
\v 60 Ary maro tamin'ireo mpianany izay nandre izany no nilaza hoe: "Fampianarana sarotra izany; iza no afaka anaiky izany?"
\v 61 Jesosy, noho Izy nahalala tao aminy fa nimonomonona tamin'izany ireo mpianany, nilaza azy ireo hoe: "Manafitohina anareo ve izany?
\s5
\v 62 Koa ahoana raha tokony hahita ny Zanak'Olona miakatra any amin'ny nitoerany taloha ianareo?
\v 63 Ny Fanahy no manome fiainana; ny nofo tsy ahazoana na inona na inona. Ireo teny izay nolazaiko taminareo dia fanahy, ary fiainana ireo.
\s5
\v 64 Mbola misy sasany aminareo tsy mino." Fa Jesosy efa nahalala hatramin'ny voalohany izay tsy hino sy izay hamadika Azy.
\v 65 Hoy Izy hoe: "Noho izany no nilazaiko taminareo fa tsy misy olona afaka manatona Ahy raha tsy nomen'ny Ray Azy izany."
\s5
\v 66 Noho izany, maro tamin'ireo mpianany no lasa ary tsy niara-dia taminy intsony.
\v 67 Dia hoy Jesosy tamin'ireo roa ambin'ny folo hoe: "Tsy te-andeha koa ve ianareo, sa tsia?"
\v 68 Ary Simona Petera namaly Azy hoe: "Tompo, ho any amin'iza moa izahay? Ianao no manana ny tenin'ny fiainana mandrakizay,
\v 69 ary nino izahay ka manatona mba hahalala fa Ianao no ilay Masin'Andriamanitra."
\s5
\v 70 Hoy Jesosy tamin'izy ireo hoe: "Tsy Izaho ve no nifidy anareo, roa ambin'ny folo, ary ny iray aminareo dia devoly?"
\v 71 Ary Jodasy zanak'i Simona Iskariota no resahany, satria izy, ilay iray amin'izy roa ambin'ny folo, izay hamadika an'i Jesosy.
\s5
\c 7
\p
\v 1 Taorian'ireo zavatra ireo Jesosy dia nandeha tany Galilia, fa tsy te-ho any Jodia anefa Izy noho ireo Jiosy mitady hamono Azy.
\v 2 Ary efa akaiky ny andro firavoravoan'ny Jiosy ny Tabernakely.
\s5
\v 3 Noho izany ireo rahalahiny niteny taminy hoe: "Mialà amin'ity toerana ity ary mandehàna any Jodia, mba hafahan'ireo mpianatrao mahita ireo asa ataonao ihany koa.
\v 4 Tsy misy olona manao zavatra miafina izany raha izy tenany ary te-ho fantatra ampahibemaso. Raha manao ireo zavatra ireo ianao, dia misehoa amin'izao tontolo izao."
\s5
\v 5 Fa na ireo rahalahiny aza tsy nino Azy.
\v 6 Noho izany Jesosy niteny azy ireo hoe: "Mbola tsy tonga ny fotoako, fa ny fotoanareo kosa dia vonona lalandava.
\v 7 Tsy afaka ny hankahala anareo izao tontolo izao, fa Izaho no halany satria manambara fa ratsy ireo asany.
\s5
\v 8 Ianareo miakara any amin'ny firavoravoana; fa Izaho kosa tsy handeha amin'izany satria tsy mbola tonga ny fotoako."
\v 9 Taorian'ny nitenenany ireo zavatra ireo azy ireo, dia nijanona tao Galilia Izy.
\s5
\v 10 Fa rehefa niakatra tany amin'ny firavoravoana ireo rahalahiny, dia niakatra tany ihany koa Izy avy eo, tsy nisehoseho fa niafina.
\v 11 Nitady azy tany amin'ny firavoravoana ireo Jiosy ary niteny hoe: "Aiza Izy?"
\s5
\v 12 Nisy resaka be dia be momba Azy teo anivon'ireo vahoaka. Ny sasany milaza fa: "Lehilahy tsara Izy." Ireo hafa miteny hoe: "Tsia, mitarika ny vahoaka any amin'ny fahaverezana Izy."
\v 13 Ary tsy nisy sahy niresaka ampahibemaso momba Azy nohon'ny fatahorana ireo Jiosy.
\s5
\v 14 Rehefa nisasaka ny firavoravoana, dia niakatra tany amin'ny Tempoly Jesosy ary nanomboka nampianatra.
\v 15 Avy eo dia gaga ireo Jiosy, manao hoe: "Ahoana no hahaizan'io lehilahy io izany rehetra izany? Izy tsy mba nandalo fianarana mihintsy."
\v 16 Jesosy namaly azy ireo ary nanao hoe: "Tsy Ahy ny fampianarako, fa avy amin'Izy izay naniraka Ahy.
\s5
\v 17 Raha misy olona maniry hanao ny sitrapony, dia hahafantatra momban'io fampianarana io izy, na avy amin'Andriamanitra izany, na Izaho no miteny avy amin'ny tenako.
\v 18 Na iza na iza miteny avy amin'ny tenany dia mitady ny voninahitry ny tenany manokana, fa na iza na iza mitady ny voninahitr'izay naniraka azy, dia io olona io no marina, ary tsy misy tsy fahamarinana ao aminy.
\s5
\v 19 Tsy nomen'i Mosesy anareo ve ny lalàna? Kanefa tsy misy aminareo mitandrina ny lalàna. Nahoana ianareo no mitady hamono Ahy?"
\v 20 Namaly ny vahoaka hoe: "Ianao dia misy demonia. Iza koa no mitady hamono anao?"
\s5
\v 21 Jesosy namaly ka niteny azy ireo hoe: "Asa iray no nataoko, ary dia gaga noho izany avokoa ianareo.
\v 22 Nomen'i Mosesy ny famoràna ianareo (tsy hoe avy amin'i Mosesy izany, fa avy amin'ireo razana), ary amin'ny Sabata dia mamora olona ianareo.
\s5
\v 23 Raha amin'ny Sabata no amoràna ny olona mba tsy ho voadika ny lalàn'i Mosesy, dia nahoana ianareo no tezitra amiko raha nanasitrana tanteraka olona iray tamin'ny Sabata Aho?
\v 24 Aza mitsara amin'ny endrika ivelany, fa mitsarà am-pahamarinana."
\s5
\v 25 Nisy sasany tamin'ireo avy any Jerosalema niteny hoe: "Tsy ity ve ilay tadiavin'izy ireo ho vonoina?"
\v 26 Jereo, miresaka miharihary Izy, ary tsy misy miteny na inona na inona Azy izy ireo. Dia ho fantatrin'ny mpitondra tokoa ve fa Izy no Kristy, sa ahoana?
\v 27 Efa fantantsika hoe avy aiza io lehilahy io. Fa rehefa tonga ilay Kristy, dia tsy hisy hahafantatra hoe avy aiza Izy."
\s5
\v 28 Avy eo nihiaka mafy Jesosy tao an-Tempoly, nampianatra ary niteny hoe: "Ianareo dia samy mahafantatra ny tenako ary mahalala ny fihaviko. Tsy tonga nohon'ny tenako manokana Aho, fa ilay naniraka Ahy dia marina, ary tsy fantatrareo Izy.
\v 29 Fantatro Izy satria Izaho dia avy aminy ary Izy no naniraka Ahy".
\s5
\v 30 Niezaka ny hisambotra Azy izy ireo, fa tsy nisy naninji-tanana taminy satria tsy mbola tonga ny fotoany.
\v 31 Kanefa maro tamin'ireo vahoaka no nino Azy, ary hoy izy ireo hoe: "Rehefa tonga ilay Kristy, moa hanao famantarana maro noho ny vitan'io lehilahy io ve Izy?"
\v 32 Nandre ny vahoaka nibitsibitsika ireo zavatra momban'i Jesosy ireo ny Fariseo, ary ny lohan'ny mpisorona sy ireo Fariseo dia naniraka mpiandry raharaha hisambotra Azy.
\s5
\v 33 Hoy Jesosy avy eo hoe: "Kely sisa ny fotoana hiarahako aminareo, dia handeha ho any amin'ilay naniraka Ahy Aho.
\v 34 Hitady Ahy ianareo fa tsy hahita Ahy; izay halehako, tsy ho azonareo aleha."
\s5
\v 35 Noho izany ireo Jiosy dia nifampiresaka hoe: "Fa handeha ho aiza io lehilahy io no tsy ho vitantsika ny hitady Azy? Handeha ho any amin'ireo izay niparitaka nakany amin'i Grika dia hananatra ireo Grika ve?
\v 36 Ary inona ny dikan'ny teny nolazainy hoe: 'Hitady Ahy ianareo fa tsy hahita Ahy; izay haleako, tsy ho azonareo aleha'?"
\s5
\v 37 Ary tamin'ny farany, andro lehibe amin'ny firavoravona, dia nitsangana Jesosy ary niteny mafy, manao hoe: "Raha misy mangetaheta, avelao izy hanatona Ahy ary hisotro.
\v 38 Izay mino Ahy, araka ny voalazan'ny Soratra Masina, dia hikoriana avy ao an-kibony ny onin'ny rano velona."
\s5
\v 39 Fa izao no ambarany momban'ny Fanahy, ireo izay nino Azy no handray; ilay Fanahy dia tsy mbola nomena satria tsy mbola nahazo voninahitra Jesosy.
\s5
\v 40 Ny sasany tamin'ireo vahoaka, rehefa nandre ireo teny ireo, dia niteny hoe: "Ity tokoa ilay mpaminany."
\v 41 Ireo hafa nilaza hoe: "Ity ilay Kristy." Fa ny sasany niteny hoe: "Fa angaha Kristy avy any Galilia?
\v 42 Tsy voalazan'ny Soratra Masina ve fa Kristy dia ho avy amin'ny taranak'i Davida ary avy ao Betlehema, ilay tanàna izay nisy an'i Davida?"
\s5
\v 43 Ka nisy fizarana teo amin'ny vaohaka noho Izy.
\v 44 Ny sasany tamin'izy ireo te-hisambotra Azy, fa tsy nisy naninji-tanana taminy.
\s5
\v 45 Avy eo ireo mpiandry raharaha niverina tany amin'ireo lohan'ny mpisorona sy ireo Fariseo, izay nilaza tamin'izy ireo hoe: "Nahoana ianareo no tsy nitondra Azy?"
\v 46 Namaly ireo mpiandry raharaha hoe: "Tsy mbola nisy niresaka tahaka izany mihintsy."
\s5
\v 47 Noho izany ireo Fariseo namaly azy ireo hoe: "Voafitaka ihany koa ve ianareo?
\v 48 Moa nisy tamin'ireo mpanapaka mba nino Azy, na tamin'ireo Fariseo?
\v 49 Fa ireo vahoaka ireo dia tsy mahalala ny lalàna, voaozona ireo."
\s5
\v 50 Nikodemosy (iray amin'ireo Fariseo, izay tonga mialoha teo aminy), nilaza hoe:
\v 51 "Moa ve ny lalàntsika mitsara olona mialohan'ny handrenesana azy ka ahafantarana izay nataony?"
\v 52 Namaly izy ireo ary niteny taminy hoe: "Avy any Galilia koa angaha ianao? Mikaroha ary jereo fa tsy misy mpaminany avy any Galilia."
\s5
\v 53 \f + \ft Fanamarihana: Ny dika-teny taloha tsara indrindra dia tsy ahitana ny Jaona 7:53-8:11 \f*
Avy eo ny tsirairay nankany an-tranony avy.
\s5
\c 8
\p
\v 1 \f + \ft Fanamarihana: Jereo ny fanamarihana momban'i Jaona 7:53-8:11 etsy ambony \f*
Nankany an-tendrombohitr'i Oliva Jesosy.
\v 2 Vao maraina dia nakeny an-tempoly indray Izy, ary ny olona rehetra nanatona Azy; nipetraka Izy ary nampianatra azy ireo.
\v 3 Ireo mpanora-dalàna sy ireo Fariseo dia nitondra vehivavy iray tratra nijangajanga. Napetrak'izy ireo teo afovoany izy.
\s5
\v 4 \f + \ft Fanamarihana: Jereo ny fanamarihana momban'i Jaona 7:53-8:11 etsy ambony \f*
Avy eo hoy izy ireo taminy hoe: "Ry mpampianatra ô, ity vehivavy ity dia tratra teo am-pijangajangana.
\v 5 Ary ao amin'ny lalàna, Mosesy nibaiko anay mba hitora-bato ny olona tahaka izany; inona no ambaranao momba azy?"
\v 6 Nolazain'izy ireo hamandrihana Azy fotsiny anefa izany mba afahan'izy ireo manameloka Azy, fa Jesosy kosa niondrika ary nanoratra tamin'ny tany tamin'ny ratsan-tanany.
\s5
\v 7 \f + \ft Fanamarihana: Jereo ny fanamarihana momban'i Jaona 7:53-8:11 etsy ambony \f*
Rehefa nametraka fanontaniana taminy hatrany izy ireo, dia nitsangana Izy ka niteny azy ireo hoe: "Izay tsy nanota taminareo, aoka izy no hitora-bato azy voalohany."
\v 8 Dia niondrika indray Izy, ary nanoratra tamin'ny tany tamin'ny ratsan-tanany.
\s5
\v 9 \f + \ft Fanamarihana: Jereo ny fanamarihana momban'i Jaona 7:53-8:11 etsy ambony \f*
Rehefa nandre izany izy ireo, dia niala tsirairay, nanomboka tamin'ny zokiny indrindra. Ary ny farany dia Jesosy irery ihany sisa no tavela teo, niaraka tamin'ilay vehivavy izay teo afovoany.
\v 10 Nitsangana Jesosy ka nilaza taminy hoe: "Ravehivavy, fa lasa aiza ireo mpanameloka anao? Tsy misy manameloka anao ve?"
\v 11 Hoy izy hoe: "Tsy misy, Tompoko." Ary hoy Jesosy hoe: "Tsy manameloka anao Aho. Mandehana ary aza manota intsony."
\s5
\v 12 Niteny tamin'izy ireo indray Jesosy, manao hoe: "Izaho no fahazavan'izao tontolo izao; izay manaraka Ahy dia tsy handeha amin'ny haizina fa hanana ny fahazavan'ny fiainana."
\v 13 Hoy ireo fariseo taminy hoe: "Ianao dia manambara ny tenanao; tsy marina ny fanambaranao."
\s5
\v 14 Jesosy namaly ka nanao tamin'izy ireo hoe: "Na dia manambara ny tenako aza Aho, dia marina ny fanambarako. Fantatro ny nihaviako sy ny lalana alehako, fa ianareo kosa tsy mahafantatra izay nihaviako na izay alehako.
\v 15 Ianareo dia mitsara araky ny nofo; fa Izaho tsy mitsara na iza na iza.
\v 16 Na dia mitsara aza Aho; dia marina ny fitsarako satria tsy irery Aho, fa miaraka amin'ny Ray izay naniraka Ahy.
\s5
\v 17 Eny, ary ao amin'ny lalànareo dia voasoratra fa marina ny fijoroan'ny olon-droa vavolombelona.
\v 18 Izaho no manambara ny tenako, ary ny Ray izay naniraka Ahy ihany koa dia manambara Ahy."
\s5
\v 19 Hoy izy ireo taminy hoe: "Aiza ny rainao?" Jesosy namaly hoe: "Tsy fantatrareo na Izaho na ny Raiko; raha nahafantatra Ahy ianareo, dia mahafantatra ny Raiko ihany koa."
\v 20 Teo akaikin'ny fandatsahan-drakitra Izy no nilaza izany teny izany raha iny Izy nampianatra teo amin'ny tempoly iny, ary tsy nisy nisambotra Azy satria tsy mbola tonga ny orany.
\s5
\v 21 Ary hoy indray Izy tamin'izy ireo hoe: "Andeha Aho; hitady Ahy ianareo ary ho faty amin'ny fahotanareo. Izay alehako, dia tsy ho azonareo haleha."
\v 22 Hoy ireo Jiosy hoe: "Hamono tena ve Izy? Izany ve no antony nilazany hoe: 'Izay alehako, dia tsy azonareo haleha'?"
\s5
\v 23 Hoy Jesosy tamin'izy ireo hoe: "Avy ety ambany ianareo; Izaho kosa avy any ambony. Avy amin'izao tontolo izao ianareo; fa Izaho tsy avy amin'izao tontolo izao.
\v 24 Noho izany, nambarako taminareo fa ho faty ao amin'ny fahotanareo ianareo. Fa raha tsy mino ianareo fa IZAHO NO IZY, dia ho faty amin'ny fahotanareo ianareo."
\s5
\v 25 Noho izany dia hoy izy ireo taminy hoe: "Iza moa Ianao?" Hoy Jesosy tamin'izy ireo hoe: "Araka izay voalazako taminareo hatrany am-boalohany.
\v 26 Manana zavatra betsaka ho lazaina sy hitsaràna momba anareo Aho. kanefa, Izy izay naniraka Ahy dia marina; ary ireo zavatra izay reko avy taminy, dia hambarako amin'izao tontolo izao."
\v 27 Tsy azon'izy ireo anefa fa Izy dia niresaka tamin'izy ireo momba ny Ray.
\s5
\v 28 Hoy Jesosy hoe: "Rehefa asandratrareo ny Zanak'Olona, dia ho fantatrareo fa izaho no IZY, ary tsy manao na inona na inona ho Ahy Aho. Araka ny nampianarin'ny Ray Ahy, no hilazako ireo zavatra ireo.
\v 29 Izy izay naniraka Ahy dia miaraka amiko, ary tsy namela Ahy ho irery Izy, noho Izaho manao izay ankasitrahany mandrakariva."
\v 30 Raha nilaza ireo zavatra ireo Jesosy, dia betsaka no nino Azy.
\s5
\v 31 Jesosy niteny tamin'ireo Jiosy izay nino Azy hoe: "Raha mitoetra amin'ny teniko ianareo, dia ho tena mpianatro;
\v 32 ary ho fantatrareo ny marina, ary ny marina hanafaka anareo."
\v 33 Ary izy ireo namaly Azy hoe: "Taranak'i Abrahama izahay ary tsy mbola nandevozin'iza na iza hatrizay; koa ahoana no hilazanao hoe: 'Ho afaka ianareo'?"
\s5
\v 34 Jesosy namaly azy ireo hoe: "Lazaiko aminareo, marina, dia marina tokoa, fa ireo izay manota dia andevon'ny ota.
\v 35 Ny andevo dia tsy mitoetra ao an-trano mandrakizay; fa ny zanaka no mitoetra mandrakizay.
\v 36 Noho izany, raha ny Zanaka no manafaka anareo, dia ho afaka tokoa ianareo.
\s5
\v 37 Fantatro fa taranak'i Abrahama ianareo; mitady izay hahafaty Ahy satria tsy manana toerana ao aminareo ny teniko.
\v 38 Milaza izay hitako niaraka tamin'ny Raiko Aho, ary ianareo koa manao izay renareo tamin'ny rainareo."
\s5
\v 39 Namaly izy ireo ka nilaza taminy hoe: "Abrahama no rainay." Jesosy niteny azy ireo hoe: "Raha zanak'i Abrahama ianareo, dia hanao ny asan'i Abrahama.
\v 40 Kanefa, ankehitriny ianareo mitady hamono Ahy, izay lehilahy nilaza taminareo ny marina izay reko tamin'Andriamanitra. Abrahama tsy nanao izany.
\v 41 Ianareo dia manao ny asan'ny rainareo." Hoy izy ireo taminy hoe: "Tsy teraka tamin'ny fijangajangana izahay; iray ihany ny Rainay: dia Andriamanitra."
\s5
\v 42 Jesosy niteny azy ireo hoe: "Raha Andriamaitra no rainareo, dia tokony ho tia Ahy ianareo, satria avy tamin'Andriamanitra no nivoahako sy nandehanako aty; fa tsy tonga ho azy Aho, fa Izy no naniraka Ahy.
\v 43 Nahoana no tsy azonareo ny teniko? Izany dia satria tsy afaka hanaiky ny teniko ianareo.
\v 44 Avy amin'ny rainareo ianareo, ilay devoly, ary ny tianareo atao dia ny filàna izay nataon'ny rainareo. Mpamono olona hatramin'izay izy ary tsy mijoro amin'ny fahamarinana satria tsy misy marina ao aminy. Rehefa mandainga Izy, dia ny toetra fanaony ihany no lazainy satria mpandainga Izy ary rain'ny lainga.
\s5
\v 45 kanefa, satria milaza ny marina Aho, dia tsy mino Ahy ianareo.
\v 46 Iza aminareo no manameloka Ahy amin'ny fahotana? Raha milaza ny marina Aho, nahoana no tsy hinoanareo?
\v 47 Izay avy amin'Andriamanitra dia mandre ny tenin' Andriamanitra; tsy mandre izany ianareo satria tsy avy amin'Andriamanaitra."
\s5
\v 48 Namaly ireo Jiosy ka niteny taminy hoe: "Moa ve tsy milaza ny marina izahay fa Samaritana Ianao ary misy demonia?"
\v 49 Jesosy namaly hoe: "Tsy misy demonia aho, fa manome voninahitra ny Raiko, ary ianareo tsy manome voninahitra Ahy.
\s5
\v 50 Tsy mitady ny voninahitro Aho; misy iray mitady sy mitsara.
\v 51 Lazaiko aminareo, marina, dia marina tokoa, fa raha misy mitandrina ny teniko, dia tsy hahita fahafatesana mandrakizay izy."
\s5
\v 52 Hoy ireo jiosy taminy hoe: "Ankehitriny fantatray fa manana demonia Ianao. Efa maty Abrahama sy ireo mpaminany; kanefa ianao milaza hoe: 'Raha misy mitandrina ny teniko, dia tsy hahita fahafatesana mandrakizay izy.'
\v 53 Tsy lehibe noho ny rainay Abrahama izay efa maty Ianao, sa ve lehibe? Ireo mpaminany ihany koa dia maty. Manao ny tenanao ho Iza moa Ianao?"
\s5
\v 54 Jesosy namaly hoe: "Raha mankalaza ny tenako Aho, dia ho tsinotsinona ny voninahitro; ny Raiko izay ataonareo ho Andriamanitra no mankalaza Ahy.
\v 55 Tsy fantatrareo Izy, fa Izaho mahafantatra Azy. Raha milaza Aho hoe: 'Tsy mahafantatra Azy Aho,' dia ho tahaka anareo, mpandainga. Kanefa, fantatro Izy ka mitandrina ny teniny Aho.
\v 56 Ny rainareo dia nifaly nahita ny androko; nahita izany izy dia faly."
\s5
\v 57 Hoy ireo Jiosy taminy hoe: "Mbola tsy misy dimampolo taona akory Ianao, ka dia ho efa nahita an'i Abrahama ve?"
\v 58 Ary hoy Jesosy tamin'izy ireo hoe: "Lazaiko aminareo, marina, dia marina tokoa, talohan'ny nahaterahan'i Abrahama, dia Izaho no Izy."
\v 59 Avy eo dia naka vato hatoraka Azy izy ireo, fa Jesosy kosa niery ka nivoaka ny tempoly.
\s5
\c 9
\p
\v 1 Ary raha nandalo Jesosy, dia nahita lehilahy jamba hatramin'izy vao teraka.
\v 2 Nanontany Azy ireo ny mpianany hoe: "Raby, iza re no nanota, io lehilahy io sa ireo ray aman-dreniny, no dia teraka jamba tahaka izao izy?"
\s5
\v 3 Jesosy namaly hoe: "Tsy io lehilahy io no nanota, na ny ray aman-dreniny, fa natao izao mba hanehoana aminy ny asan'Andriamanitra.
\v 4 Tsy maintsy manao ny asan'izay naniraka Ahy isika raha mbola mazava. Fa ho avy ny alina izay tsy afahan'iza na iza miasa intsony.
\v 5 Raha mbola eto amin'izao tontolo izao Aho, dia Izaho no fahazavan'izao tontolo izao."
\s5
\v 6 Rehefa avy niteny izany Jesosy, dia nandrora tamin'ny tany, ary nanao feta tamin'ilay rora, ka nanosotra ny fotaka tamin'ny mason'ilay lehilahy.
\v 7 Hoy Izy taminy hoe: "Mandehana, sasao eny amin'ny ranon'ny Siloama (izay adika hoe: nirahina) ny masonao." Ka lasa ralehilahy, nanasa izany, ary niverina nahiratra.
\s5
\v 8 Ary nifampanontany ireo olona mpiray vody rindrina tamin-dralehilahy sy ireo izay nahita azy nangataka taloha nanao hoe: "Tsy ity ve ilay lehilahy nipetraka nangataka teto?"
\v 9 Ny sasany nanao hoe: "Izy io." Ary ny hafa nilaza hoe: "Tsia, fa mitovy aminy ihany izy." Fa izy kosa nanao hoe: "Izaho ity."
\s5
\v 10 Hoy izy ireo taminy hoe: "Koa ahoana ary no nahiratan'ny masonao?"
\v 11 Namaly izy hoe: "Ilay lehilahy antsoina hoe Jesosy no nanao feta ary nonosotra izany tamin'ny masoko ka niteny tamiko hoe: 'Mandehana any Siloama ary sasao ny masonao.' Dia nandeha aho ary nanasa izany, ka nahiratra."
\v 12 Hoy izy ireo taminy hoe: "Aiza Izy?" Dia novaliany hoe: "Tsy fantatro."
\s5
\v 13 Nentin'izy ireo teo amin'ny fariseo ilay lehilahy izay jamba taloha.
\v 14 Tamin'ny andro Sabata moa no nanaovan'i Jesosy ny feta sy nampahiratany ny masony.
\v 15 Ary nanontany azy indray ireo Fariseo ny amin'ny fomba nahiratany. Hoy izy tamin'izy ireo hoe: "Nasiany feta ny masoko, nosasako, ka mahita aho izao."
\s5
\v 16 Ny sasany tamin'ireo fariseo niteny hoe: "Tsy avy amin'Andriamanitra ity lehilahy ity satria tsy mba manaja ny andro Sabata." Ny hafa nanao hoe: "Ahoana no afahan'ny olona mpanota manao famantarana lehibe tahaka izao?" Ka dia nisy fizarazarana teo amin'izy ireo.
\v 17 Ka dia niverina nanontany ilay lehilahy jamba indray izy ireo hoe: "Inona no hambaranao momba Azy, hatramin'ny nampahiratany ny masonao?" Hoy ilay lehilahy jamba hoe: "Mpaminany Izy."
\v 18 Ary mbola tsy nino ny momba azy ihany ireo Jiosy hoe izy dia efa jamba ka nahiratra raha tsy niantso ny ray aman-drenin'ilay lehilahy nahiratra izy ireo.
\s5
\v 19 Nanontany ireo ray aman-dreny izy ireo hoe: "Ity ve ilay zanakareo izay lazainareo fa hoe teraka jamba? Koa ahoana ary no ahitany izao?"
\v 20 Ary dia novalian'ireo ray aman-deniny izy ireo hoe: "Fantatray fa zanakay io sady teraka jamba izy.
\v 21 Saingy ny amin'ny nahitany, tsy fantatray, ary izay nampahiratra ny masony, tsy fantatray. Anontanio azy, efa lehibe izy. Afaka milaza ho an'ny tenany izy."
\s5
\v 22 Nilaza izany ireo ray aman-dreniny, satria natahotra ireo jiosy izy ireo. Satria efa nifanaiky ireo jiosy fa raha misy manaiky Azy ho Kristy, dia ho roahina hiala ao amin'ny synagoga izy.
\v 23 Nohon'ny amin'izany, no nilazan'ireo ray aman-dreniny hoe: "Efa lehibe izy, izy no anontanio."
\s5
\v 24 Ary niantso ilay lehilahy jamba taloha fanindroany indray izy ireo dia niteny taminy hoe: "Omeo voninahitra Andriamanitra. Fantatray fa mpanota izany lehilahy izany."
\v 25 Avy eo dia namaly ilay lehilahy hoe: "Tsy fantatro aloha raha mpanota Izy. Ny hany fantatro dia izao: efa jamba aho taloha, fa ankehitriny aho mahita."
\s5
\v 26 Avy eo dia hoy izy ireo taminy hoe: "Fa inona no nataony taminao? Ahoana ny fomba nampahiratany ny masonao?"
\v 27 Dia namaly izy hoe: "Efa nambarako taminareo, fa tsy nihaino ianareo! Ka nahoana ianareo no te-hihaino izany indray? Te-ho isan'ny mpianany ihany koa ve ianareo, sa tsy izany?"
\v 28 Naneso azy izy ireo ka niteny hoe: "Ianao no mpianany, fa izahay mpianatr'i Mosesy.
\v 29 Fantatray fa efa niresaka tamin'i Mosesy Andriamanitra, fa raha izany lehilahy izany dia tsy fantatray izay nihaviany."
\s5
\v 30 Dia namaly ilay lehilahy ka nanao tamin'izy ireo hoe: "Mahagaga izany, tsy fantatrareo izay niaviany, kanefa nampahiratra ny masoko Izy.
\v 31 Fantatsika fa tsy mihaino ireo mpanota Andriamanitra, fa raha misy mazoto mivavaka sy manao ny sitrapony, dia mihaino azy Izy.
\s5
\v 32 Hatramin'ny niantombohan'izao tontolo izao dia tsy mbola re mihintsy hoe nisy nampahiratra ny mason'izay teraka jamba.
\v 33 Koa raha tsy avy amin'Andriamanitra izany lehilahy izany, dia tsy mahefa na inona na inona."
\v 34 Ary dia namaly izy ireo ka nanao taminy hoe: "Tena teraka tamin'ny ota ianao, dia ianao indray ve no hampianatra anay?" Avy eo dia noroahin'izy ireo hivoaka izy.
\s5
\v 35 Ren'i Jesosy fa noroahin'izy ireo tao amin'ny synagoga izy. Ary Izy nahita azy dia niteny hoe: "Mino ny Zanak'Olona ve ianao?"
\v 36 Namaly izy hoe: "Iza moa no Izy, Tompo, mba hinoako Azy?"
\v 37 Jesosy nanao taminy hoe: "Efa nahita Azy ianao, ary ilay iray izay miresaka aminao izao izany."
\v 38 Hoy ilay lehilahy hoe: "Tompo, mino aho." ary dia nidera Azy izy.
\s5
\v 39 Jesosy nilaza hoe: "Fa fitsarana no nahatongavako eto amin'izao tontolo izao mba hahiratra ireo izay jamba ary mba ho tonga jamba ireo izay mahiratra."
\v 40 Nandre izany ny sasany tamin'ireo Fariseo izay niaraka taminy ka nanontany Azy hoe: "Ary izahay ihany koa ve jamba?"
\v 41 Fa Jesosy niteny tamin'izy ireo hoe: "Raha jamba ianareo, dia tsy ho nanan-keloka, fa ianareo kosa ankehitriny milaza hoe: 'Mahiratra izahay,' dia mbola mitoetra ny helokareo."
\s5
\c 10
\p
\v 1 "Lazaiko aminareo, marina, dia marina tokoa, fa izay tsy miditra ny vavahady ho amin'ny valan'ondry, fa mananika lalana hafa, dia mpangalatra sy mpandroba izy.
\v 2 Fa izay miditra ny vavahady kosa no mpiandry ondry tsara.
\s5
\v 3 Izy no vahan'ny mpiandry vavahady. Mandre ny feony ny ondry, ary izy miantso ny ondriny manokana amin'ny anarany ka mitondra azy mivoaka.
\v 4 Rehefa namoaka ny azy rehetra izy, dia nialoha lalana azy ireo, ary manaraka azy ny ondriny, satria mahalala ny feony.
\s5
\v 5 Ary tsy hanaraka vahiny izy ireo fa handositra azy kosa, satria tsy fantany ny feon'ny vahiny."
\v 6 Jesosy nilaza izany fanoharana izany tamin'izy ireo, saingy tsy azon'izy ireo akory ireo zavatra nolazainy tamin'izy ireo.
\s5
\v 7 Dia hoy indray Jesosy tamin'izy ireo hoe: "Lazaiko aminareo, marina, dia marina tokoa, fa Izaho no vavahadin'ondry.
\v 8 Izay rehetra tonga talohako dia mpangalatra sy mpandroba, satria tsy nihaino azy ireo ny ondry.
\s5
\v 9 Izaho no vavahady. Raha misy miditra ao amin'ny alalako, dia ho voavonjy izy; hiditra sy hivoaka izy ary hahita ny fihinanana.
\v 10 Fa ny mpangalatra tsy avy raha tsy hangalatra sy hamono ary handrava. Fa Izaho kosa avy mba hananan'izy ireo fiainana ary hanana izany be dia be.
\s5
\v 11 Izaho no mpiandry tsara. Ny mpiandry tsara dia manolotra ny ainy hamonjena ny ondriny.
\v 12 Ny mpikarama dia tsy mpiandry ary tsy tompon'ny ondry. Raha nahita ambodia manatona izy dia handao ny ondry ka hitsoaka, ary ny ambodia misambotra sy mampiparitaka azy ireo.
\v 13 Mandositra izy satria mpikarama ka tsy miraharaha ny ondry.
\s5
\v 14 Izaho no mpiandry ondry tsara, ary fantatro ny Ahy, ary fantany Aho.
\v 15 Ny Ray mahafantatra Ahy, ary Izaho mahafantatra ny Ray, ary Izaho manolotra ny aiko ho an'ny ondry.
\v 16 Manana ondry hafa izay tsy amin'ity vala ity Aho. Tsy maintsy ho entiko ihany koa ireny, ary izy ireo handre ny feoko mba ho tonga andiany iray ihany sy mpiandry iray.
\s5
\v 17 Izao no antony hitiavan'ny Ray Ahy: mahafoy manolotra ny aiko Aho mba handraisako izany indray.
\v 18 Tsy misy manaisotra izany amiko, fa ny tenako ihany no manolotra izany. Manana fahefana hanolotra izany Aho, ary manana fahefana haka izany indray. Izany didy izany dia azoko avy tamin'ny Raiko."
\s5
\v 19 Nisy fizarazarana indray teo amin'ireo jiosy noho ireo teny ireo.
\v 20 Maro tamin'izy ireo no nilaza hoe: "Manana demonia Izy ary very saina. Nahoana ianareo no mihaino Azy?"
\v 21 Ny sasany nilaza hoe: "Tsy fitenin'ny olona misy demonia izany. Moa ny demonia afaka mampahiratra ny mason'ny jamba?"
\s5
\v 22 Avy eo tonga ny fetin'ny fanokanana tao Jerosalema.
\v 23 Ririnina tamin'izany, ary Jesosy nitsangana teo an-kianjan'ny tempoly teo amin'ny fialofan'i Solomona.
\v 24 Avy eo notangoronan' ireo Jiosy Izy ary niteny taminy hoe: "Mandrapaha- rahoviana no hampisalasalanao anay? Raha Ianao no Kristy, dia hambarao miharihary aminay."
\s5
\v 25 Ary Jesosy namaly azy ireo hoe: "Efa nanambara anareo aho, fa tsy mino ianareo. Ireo asa izay ataoko amin'ny anaran'ny Raiko, ireo no manambara ny mahakasika Ahy.
\v 26 Kanefa ianareo tsy mino satria tsy mba ondriko.
\s5
\v 27 Mandre ny feoko ny ondriko; fantatro izy ireo, ary manaraka Ahy.
\v 28 Omeko azy ireo ny fiainana mandrakizay; ka tsy ho faty mandrakizay izy ireo, ary tsy hisy handrobaka azy eo am-pelantanako.
\s5
\v 29 Ny Raiko, izay nanome ireo Ahy, dia lehibe noho ny hafa rehetra, ary tsy misy mahavita mandrobaka azy ireo eo am-pelatanan'ny Ray.
\v 30 Izaho sy ny Ray dia iray ihany."
\v 31 Avy eo naka vato indray ireo Jiosy mba hitora-bato Azy.
\s5
\v 32 Ary Jesosy namaly azy ireo hoe: "Maro ny asa tsara nasehoko anareo avy tamin'ny Ray. Koa inona tamin'ireny asa ireny no hitorahanareo vato Ahy?"
\v 33 Namaly Azy ireo Jiosy hoe: "Tsy ny asa tsara no hitorahanay vato anao, fa ny fitenenan-dratsy, satria ianao, olombelona, dia manao ny tenanao ho Andriamanitra."
\s5
\v 34 Namaly azy ireo Jesosy hoe: "Tsy efa voasoratra ao amin'ny lalànareo ve hoe: 'Hoy Aho hoe: "andriamanitra ianareo"'?
\v 35 Raha niantso ireny ho andriamanitra izy, dia ho an'iza izany no niavian'ny tenin'Andriamanitra (ary ny Soratra Masina dia tsy azo foanana),
\v 36 moa ve ilay nohamasinin'ny Ray sy nirahina ho amin'izao tontolo izao no ataonareo hoe: 'Miteny ratsy Ianao,' noho Izaho niteny hoe: 'Izaho no Zanak'Andriamanitra'?
\s5
\v 37 Raha tsy manao ireo asan'ny Raiko Aho, dia aza mino Ahy.
\v 38 Fa raha manao ireny Aho, na dia tsy mino Ahy aza ianareo, dia minoa ireo asa mba hahafantaranareo sy hahazoanareo fa ny Ray dia ato Amiko ary Izaho ao amin'ny Ray."
\v 39 Mbola nikasa ny hisambotra Azy indray izy ireo, fa nandositra Izy.
\s5
\v 40 Dia nankany an-dafin'i Jordana indray Izy ho any amin'ilay toerana izay nanaovan'i Jaona batisa voalohany, ary nitoetra teo.
\v 41 Maro ny olona nanatona Azy ary hoy izy ireo hoe: "Jaona tsy mba nanao famantarana, fa ny zavatra rehetra nolazain'i Jaona momba io lehilahy io dia marina."
\v 42 Maro ny olona nino Azy teo.
\s5
\c 11
\p
\v 1 Ary nisy lehilahy iray narary antsoina hoe Lazarosy. Avy ao Betania izy, tanànan'i Maria sy Marta rahavaviny.
\v 2 Maria no nanosotra menaka manitra ny Tompo sy nanadio ny tongony tamin'ny volony, ary Lazarosy anadahiny no narary.
\s5
\v 3 Ary ireo mpirahavavy naniraka olona ho any amin'i Jesosy, nilaza hoe: "Tompo, jereo, fa marary ilay tianao."
\v 4 Rehefa ren'i Jesosy izany, dia hoy Izy hoe: "Tsy fahafatesana no hiafaran'ity aretina ity, fa kosa ho fanehoana ny voninahitr'Andriamanitra mba hanandratana ny Zanak'Andriamanitra amin'ny alalan'izany."
\s5
\v 5 Ary Jesosy dia tia an'i Marta sy ny rahavaviny ary Lazarosy.
\v 6 Ka rehefa nandre Jesosy fa marary Lazarosy, dia mbola nijanona roa andro tao amin'ny toerana nizy Azy Izy.
\v 7 Ary taorian'izany, dia niteny tamin'ireo mpianatra Izy hoe: "Andeha isika ho any Jodia indray."
\s5
\v 8 Hoy ireo mpianatra taminy hoe: "Raby, amin'izao dia mikasa ny hitora-bato Anao ireo Jiosy, ka mbola hiverina ho any indray ve Ianao?"
\v 9 Ary namaly Jesosy hoe: "Tsy roa ambin'ny folo ora ve ny fahazavan'ny andro? Raha misy olona mandeha amin'ny andro mazava, dia tsy ho tafintohina izy, satria mahita ny fahazavan'izao tontolo izao.
\s5
\v 10 Kanefa, raha mandeha amin'ny alina izy, dia ho tafintohina satria tsy ao aminy ny fahazavana."
\v 11 Nilaza ireo zavatra ireo Izy, ary taorian'ireo zavatra ireo, dia hoy Izy tamin'izy ireo hoe: "Resin-tory Lazarosy namantsika, fa handeha Aho mba hafahako mamoha azy amin'ny torimaso."
\s5
\v 12 Ka hoy ireo mpianatra taminy hoe: "Tompo, raha resitory izy, dia ho tsara."
\v 13 Kanefa Jesosy nilaza ny fahafatesany, saingy noheverin'izy ireo fa fialan-tsasatra amin'ny torimaso no nolazainy.
\v 14 Avy eo Jesosy niteny tsotra tamin'izy ireo hoe: "Maty Lazarosy.
\s5
\v 15 Faly aho, nohon'ny aminareo, fa tsy tany Aho mba hahatonga anareo hino. Andeha isika ho any aminy."
\v 16 Tomasy, izay antsoina hoe Didymo, dia niteny tamin'ireo mpianatra namany hoe: "Andeha koa isika mba hiara-maty amin'i Jesosy."
\s5
\v 17 Rehefa tonga Jesosy, dia hitany fa efa nalevina efatr'andro tao am-pasana Lazarosy.
\v 18 Ary Betania dia efa akaiky an'i Jerosalema, eo amin'ny dimy ambin'ny folo stadio eo no elanelany.
\v 19 Maro ireo Jiosy tonga tao amin'i Marta sy Maria, mba hampahery azy ireo nohon'ny fahafatesan'ny anadahin'izy ireo.
\v 20 Avy eo Marta, rehefa nandre fa tonga Jesosy, dia nandeha nitsena Azy, fa Maria kosa nipetraka tao an-trano.
\s5
\v 21 Dia niteny tamin'i Jesosy Marta hoe: "Tompo, raha teto ianao, dia tsy maty ny anadahiko.
\v 22 Nefa na dia izao ankehitriny izao aza, dia fantatro fa na inona na inona angatahinao amin'Andriamanitra, dia homeny anao izany."
\v 23 Hoy Jesosy taminy hoe: "Ny anadahinao dia hitsangan-ko velona indray."
\s5
\v 24 Marta niteny taminy hoe: "Fantatro fa hitsangana indray izy amin'ny fitsanganan'ny maty amin'ny andro farany."
\v 25 Dia hoy Jesosy taminy hoe: "Izaho no fananganana ny maty ary fiainana; izay mino Ahy, na dia maty aza izy, dia ho velona;
\v 26 ary na iza na iza velona ka mino Ahy dia tsy ho faty mandrakizay. Mino izany ve ianao?"
\s5
\v 27 Hoy izy taminy hoe: "Eny, Tompo, mino aho fa Ianao no Kristy, Zanak'Andriamanitra, ilay ho tonga eto amin'izao tontolo izao."
\v 28 Rehefa voalazany izany, dia lasa izy niantso mangingina an'i Maria rahavaviny. Hoy izy hoe: "Tonga ny Mpampianatra ary miantso anao izy."
\v 29 Rehefa ren'i Maria izany, dia nitsangana faingana izy dia nankany aminy.
\s5
\v 30 Ary Jesosy tsy mbola tonga tao an-tanàna fa mbola teo amin'ilay toerana nihaonan'i Marta taminy ihany.
\v 31 Noho izany ireo Jiosy, izay niaraka taminy tao an-trano sy nampahery azy, rehefa nahita an'i Maria nitsangana faingana ka lasa nivoaka, dia nanaraka azy, nihevitra fa handeha hitomany any amin'ny fasana izy.
\v 32 Rehefa tonga teo amin'ny toerana nisy an'i Jesosy i Maria ka nahita Azy, dia niankohoka izy ary niteny taminy hoe: "Tompo, raha teto ianao, dia tsy maty ny anadahiko."
\s5
\v 33 Rehefa nahita azy nitomany Jesosy, ary ireo Jiosy niaraka taminy koa nitomany, dia vonto ny fanahiny ary tora-kovitra Izy;
\v 34 dia hoy Izy hoe: "Taiza no nandevenanareo azy?" Dia hoy izy ireo taminy hoe: "Tompo, avia ary jereo."
\v 35 Nitomany Jesosy.
\s5
\v 36 Avy eo hoy ireo Jiosy hoe: "Jereo ny haben'ny fitiavany an'i Lazarosy!"
\v 37 Fa ny sasany tamin'izy ireo niteny hoe: "Moa ve tsy hain'ity lehilahy ity, izay nampahiratra ny mason'ilay jamba, ny manao izay tsy ho nahafaty ity lehilahy ity koa?"
\s5
\v 38 Avy eo indray Jesosy, raha mbola vonto ny fanahiny, dia nankeny amin'ny fasana. Ary zohy izany, ary misy vato manarona azy.
\v 39 Hoy Jesosy hoe: "Esory hiala ny vato." Marta, anabavin'i Lazarosy, ilay maty, niteny tamin'i Jesosy hoe: "Tompo, efa maimbo ny vatany raha amin'izao fotoana izao, satria efatr'andro izao no nahafatesany."
\v 40 Ary Jesosy niteny taminy hoe: "Tsy efa nolazaiko anao ve fa, raha nino ianao, dia ho hitanao ny voninahitr'Andriamanitra?"
\s5
\v 41 Dia nohesorin'izy ireo ny vato. Jesosy nanandratra ny masony ka niteny hoe: "Ray ô, misaotra Anao Aho satria nihaino Ahy Ianao.
\v 42 Fantatro fa mihaino Ahy mandrakariva Ianao, fa nohon'ny vahoaka mijoro manodidina Ahy no nilazako izany, mba hafahan'izy ireo mino fa Ianao no naniraka Ahy."
\s5
\v 43 Rehefa avy niteny izany Izy, dia niantso tamin'ny feo mafy hoe: "Lazarosy, mivoaha!"
\v 44 Nivoaka ilay lehilahy maty; nisy fehim-paty ny tongony sy ny tanany, ary voafehy lamba koa ny tavany. Hoy Jesosy tamin'izy ireo hoe: "Vahao izy ary avelao handeha."
\s5
\v 45 Avy eo maro tamin'ireo Jiosy izay tonga tao amin'i Maria sy nahita ny nataon'i Jesosy, no nino Azy;
\v 46 Fa ny sasany tamin'izy ireo kosa lasa nandeha nankany amin'ny Fariseo ary nilaza tamin'izy ireo ny zavatra nataon'i Jesosy.
\s5
\v 47 Avy eo ny lohan'ny mpisorona sy ny Fariseo namory ny Synedriona niaraka ary nanao hoe: "Inona no hataontsika? Ity lehilahy ity dia manao famantarana maro.
\v 48 Raha avelantsika amin'izao Izy, dia hino Azy ny rehetra; ary ho avy ny Romana haka ny tananàntsika sy ny firenentsika."
\s5
\v 49 Kanefa, nisy lehilahy iray tamin'izy ireo, Kaiafa, izay mpisoronabe tamin'izany taona izany, nanao tamin'izy ireo hoe: "Ianareo dia tsy mahalala na inona na inona.
\v 50 Tsy mieritreritra akory ianareo fa tsara ho anareo raha lehilahy iray no maty ho an'ny olona toy izay ny firenena manontolo no ringana."
\s5
\v 51 Ary izay nolazainy dia tsy nataony ho azy ihany. Fa kosa, noho izy mpisoronabe tamin'io taona io, dia naminany fa tokony ho faty ho an'ny firenena Jesosy;
\v 52 ary tsy ho an'ny firenena fotsiny ihany, fa mba hampiray ny zanak'Andriamanitra izay niparitaka koa.
\v 53 Ka nanomboka tamin'io andro io dia nanao tetika ny fomba hamonoana an'i Jesosy izy ireo.
\s5
\v 54 Ary Jesosy tsy nandeha niharihary teny amin'ireo Jiosy intsony, fa niala teo Izy nankany amin'ny tany akaikin'ny efitra ho any an-tanàna atao hoe Efraima. Ary nonina tao Izy sy ireo mpianatra.
\v 55 Ary efa akaiky ny Pasky ny Jiosy, ary maro tamin'ireo tany ivelan'ny tanàna no niakatra tao Jerosalema mialohan'ny Paska mba hanadio ny tenan'izy ireo.
\s5
\v 56 Nitady an'i Jesosy izy ireo, ary nijoro teo amin'ny Tempoly nifampiresaka hoe: "Inona no eritreretinareo? Hoe tsy ho tonga amin'ny andro firavoravoana ve Izy?"
\v 57 Ary efa nanome baiko ny lohan'ny mpisorona sy ny Fariseo fa raha misy mahalala ny misy an'i Jesosy, dia tokony milaza izy mba hisamboran'izy ireo Azy.
\s5
\c 12
\p
\v 1 Enin'andro mialohan'ny Paska, dia tonga tao Betania Jesosy, izay nitoeran'i Lazarosy, ilay efa natsangan'i Jesosy tamin'ny maty.
\v 2 Ka nanao sakafo ho Azy izy ireo, ary Marta no nandroso azy ireo, fa Lazarosy kosa dia anisan'ireo niara-nipetraka tamin'i Jesosy teo amin'ny latabatra.
\v 3 Avy eo Maria naka menaka manitra iray litatra izay vita tamin'ny narda sarobidy, ka nanosotra ny tongotr'i Jesosy tamin'izany, ary namafa ny tongony tamin'ny volon-dohany. Feno ny hanitr'ilay menaka ny trano.
\s5
\v 4 Ary Jodasy Iskariota, iray tamin'ireo mpianany, izay hamadika Azy, nanao hoe:
\v 5 "Nahoana io menaka io no tsy namidy 300 dinaria dia nomena ny mahantra?"
\v 6 Ary izy milaza izany, tsy nohon'ny fiahiany ny mahantra, fa satria mpangalatra izy: teny aminy ny kitapom-bola ary ho nangalariny izay natao tao.
\s5
\v 7 Jesosy nanao hoe: "Avelao izy mba hitazona izay hananany ho amin'ny andro handevenana Ahy.
\v 8 Ho eo aminareo mandrakariva ny mahantra, fa Izaho kosa tsy ho eo aminareo mandrakariva."
\s5
\v 9 Ary nisy vahoaka maro tamin'ireo jiosy nahalala fa teo Jesosy, ka nanatona izy ireo, tsy ho an'i Jesosy irery ihany, fa mba hahita an'i Lazariosy ihany koa, ilay natsangan'i Jesosy tamin'ny maty.
\v 10 Ireo lohan'ny mpisorona dia nitetika niaraka mba hahafahan'izy ireo manosika an'i Lazarosy amin'ny fahafatesana ihany koa;
\v 11 satria noho Izy no nahatonga ny ankamaroan'ireo jiosy andeha ary nino an'i Jesosy.
\s5
\v 12 Ny ampitso dia vahoaka maro no tonga tamin'ny andro firavoravoana. Rehefa ren'izy ireo fa ho avy ao jerosalema Jesosy,
\v 13 dia naka sampan-drofia izy ireo ary nivoaka ka nitsena Azy tamin'ny antso mafy hoe: "Hosanna! Sambatra anie ilay avy amin'ny anaran'ny Tompo, Ilay mpanjakan'Israely."
\s5
\v 14 Ary Jesosy nahita zana-boriky anankiray ka nipetraka teo amboniny;
\v 15 Araka ny voasoratra hoe: "Aza matahotra, ry zanakavavin'i Ziona; jereo, indro tamy ny Mpanjakanareo, izay mipetraka eo ambonin'ny zana-boriky."
\s5
\v 16 Tsy nahazo ireo zavatra ireo ny mpianany tamin'ny voalohany; fa rehefa nomem-boninahitra Jesosy, dia tsaroan'izy ireo fa voasoratra momba Azy ireo zavatra ireo ary efa nataon'izy ireo taminy izany.
\s5
\v 17 Ary ireo vahoaka izay niaraka taminy tamin'ny niantsoany an'i Lazarosy hivoaka ny fasana sy nanangana azy tamin'ny maty dia samy nijoro vavolombelona avy.
\v 18 Noho izany antony izany ihany koa no nahatonga ny vahoaka hitsena Azy, satria ren'izy ireo fa nanao izany famantarana izany Izy.
\v 19 Ireo Fariseo noho izany nifampiresaka hoe: "Jereo, tsy afaka manao na inona na inona ianareo; indro, manaraka Azy izao tontolo izao."
\s5
\v 20 Ary nisy grika vitsivitsy tamin'ireo izay niakatra hidera any amin'ny firavoravoana.
\v 21 Nankany amin'i Filipo izy ireo, izay avy any Betsaida any Galilia, ary nanontany azy, manao hoe: "Tompoko, mba ta-hahita an'i Jesosy izahay."
\v 22 Dia lasa Filipo ka niteny tamin'i Andrea; dia lasa Andrea niaraka tamin'i Filipo, ary niteny an'i Jesosy izy ireo.
\s5
\v 23 Jesosy namaly azy ireo ka nanao hoe: "Efa tonga ny fotoana hanomezana voninahitra ny Zanak'Olona.
\v 24 Lazaiko aminareo, marina, dia marina tokoa, fa raha tsy latsaka amin'ny tany ny voam-bary ka maty, dia mitoetra amin'ny tenany irery izany; fa raha maty izany, dia hamokatra be.
\s5
\v 25 Izay tia ny fiainany dia hanary izany; fa izay mankahala ny fiainany eto amin'izao tontolo izao kosa dia hitazona izany ho any amin'ny fiainana mandrakizay.
\v 26 Raha misy manompo Ahy, aoka izy hanaraka Ahy; ary izay hitoerako, dia ao ihany koa no hitoeran'ny mpanompoko. Raha misy manompo Ahy, dia hanome voninahitra azy ny Ray.
\s5
\v 27 Ankehitriny mangorohoro ny fanahiko ary inona no tokony ho teneniko? 'Ray o, vonjeo amin'ity ora ity Aho'? Kanefa noho izany antony izany no nahatongavako amin'izao fotoana izao.
\v 28 Ray o, hankalazao ny anaranao." Avy eo nisy feo nanako avy any an-danitra nanao hoe: "Efa nankalazaiko izany ary mbola ho hankalazaiko indray."
\v 29 Ary ireo vahoaka nitsangana teo sy nandre izany dia nilaza fa nisy kotroka teo. Ny sasany nilaza hoe: "Nisy anjely niresaka taminy."
\s5
\v 30 Jesosy namaly ary niteny hoe: "Izany feo izany dia tsy tonga ho Ahy, fa ho anareo.
\v 31 Tonga ankehitriny ny fitsarana an'izao tontolo izao: Ary dia ho roahina ny mpanapaka izao tontolo izao.
\s5
\v 32 Rehefa hasandratra hiala amin'ny tany Aho, dia hitaona ny tsirairay hanaraka Ahy."
\v 33 Nolazainy izany mba hanehoana hoe karazana fahafatesana toy ny inona no hafatesany.
\s5
\v 34 Ireo vahoaka namaly Azy hoe: "Renay tamin'ny lalàna fa Kristy dia hijanona mandrakizay. Ahoana no hafahanao milaza hoe: 'Ny Zanak'Olona dia tsy maintsy hasandratra'? Iza izany Zanak' Olona izany?"
\v 35 Avy eo Jesosy niteny azy ireo hoe: "Ny hazavana dia mbola hiaraka aminareo mandritry ny fotoana fohy. Mandehana dieny mbola manana hazavana, mba tsy hafahan'ny haizaina mialoha anareo. Izay mandeha amin'ny haizina dia tsy mahalala ny lalana alehany.
\v 36 Raha mbola manana ny hazavana ianareo, dia minoa izany mba ho zanakin'ny hazavana ianareo." Jesosy nilaza ireo zavatra ireo ary avy eo dia tsy hita ary niery azy ireo.
\s5
\v 37 Na dia nanao famantarana maro teo anatrehan'izy ireo aza Jesosy, dia tsy ninoan'izy ireo
\v 38 mba ho tanteraka ny tenin'Isaia mpaminany, izay nilazany hoe: "Tompo, iza no nino ny tatitray, ary iza no nampisehoana ny sandrin'ny Tompo?"
\s5
\v 39 Noho izany antony izany dia tsy nino izy ireo, araka ny voalazan'Isaia hatrany hoe:
\v 40 "Nohajambainy ny mason'izy ireo, ary nohamafisiny ny fon'izy ireo; mifanohitra amin'izany izy ireo dia te-hahita amin'ny mason'izy ireo ary hahazo amin'ny fon'izy ireo, ka hitodika, ary Izaho hanasitrana azy ireo."
\s5
\v 41 Isaia nilaza ireo zavatra ireo satria hitany ny voninahitr'i Jesosy ka niresaka momba Azy.
\v 42 Kanefa na izany aza, dia maro tamin'ireo mpanapaka no nino an'i Jesosy; fa noho ireo Fariseo, dia tsy niaiky izany izy ireo mba tsy ho voasakana ho ao amin'ny synagoga.
\v 43 Tian'izy ireo kokoa ny fiderana avy amin'ny olona noho ny fiderana avy amin'Andriamanitra.
\s5
\v 44 Jesosy niantso mafy ka niteny hoe: "Izay iray mino Ahy, aza mino Ahy irery ihany fa koa Izy izay naniraka Ahy,
\v 45 ary izay iray mahita Ahy dia mahita Azy izay naniraka Ahy.
\s5
\v 46 Izaho dia tonga toy ny hazavana teto amin'izao tontolo izao, mba tsy hitoetra ao anaty haizina izay mino Ahy.
\v 47 Raha misy maheno ny teniko nefa tsy mitandrina izany, dia tsy hitsara azy Aho; satria Aho tsy tonga hitsara izao tontolo izao, fa hanavotra izao tontolo izao.
\s5
\v 48 Izay mandà Ahy sy tsy mandray ny teniko, dia manana iray izay mitsara azy. Ilay teny izay nolazaiko no hitsara azy amin'ny andro farany.
\v 49 Fa Izaho tsy miteny ho Ahy, fa ilay Ray izay naniraka Ahy, izay nanome Ahy ny didy amin'izay ho lazaina sy ho tenenina.
\v 50 Fantatro fa ny didiny dia fiainana mandrakizay, koa izay lazaiko_ dia lazaiko araka izay nolazain'ny Ray tamiko."
\s5
\c 13
\p
\v 1 Ary andro mialohan'ny firavoravoan'ny Paska izao. Fantatr'i Jesosy fa tonga ny ora hialany eto amin'izao tontolo izao ka handeha any amin'ny Ray. Rehefa nitia ny mpiara-dia taminy teto amin'izao tontolo izao Izy, dia nitia azy ireo hatramin'ny farany.
\v 2 Ary ny devoly dia efa nametraka izao tao an-tsain'i Jodasy Iskariota zanak'i Simona, dia ny hamadihana an'i Jesosy.
\s5
\v 3 Izy dia nahafantatra fa ny zavatra rehetra dia efa napetrakin'ny Ray teo am-pelatanany ary Izy dia avy amin'Andriamanitra ary hiverina any amin' Andriamanitra.
\v 4 Nitsangana Izy teo am-pisakafoana ary nanala ny akanjony ivelany. Avy eo Izy naka lamba ary nisalotra izany.
\v 5 Avy eo nandraraka rano tao anaty siny Izy dia nanomboka nanasa ny tongotr'ireo mpianatra ary namafa azy ireo tamin'ilay lamba nisalorany.
\s5
\v 6 Nanatona an'i Simona Petera Izy, ary hoy Petera taminy hoe: "Tompo, hanasa ny tongotro ve Ianao?"
\v 7 Jesosy namaly ary niteny taminy hoe: "Izay ataoko dia mbola tsy ho azonao izao ny heviny, fa ho azonao ihany izany any aoriana."
\v 8 Hoy Petera taminy hoe: "Tsy hanasa ny tongotro mihintsy Ianao." Jesosy namaly azy hoe: "Raha tsy manasa ny tongotrao Aho, dia tsy manana anjara ato amiko ianao."
\v 9 Hoy Simona Petera taminy hoe: "Tompo, aza ny tongotro ihany no sasana, fa ny tanako sy ny lohako ihany koa."
\s5
\v 10 Hoy Jesosy taminy hoe: "Izay efa nandro dia tsy mila izany, afa-tsy ny manasa tongony ihany, fa izy dia efa madio tanteraka; ianao dia madio, fa tsy ny rehetra nefa."
\v 11 (Satria efa fantatr'i Jesosy hoe iza ilay hamadika Azy; izany no antony nilazany hoe: "Tsy ianareo rehetra no madio.")
\s5
\v 12 Ka rehefa avy nanasa ny tongotr'izy ireo Jesosy sy naka ireo lambany ka nipetraka indray, dia hoy Izy tamin'izy ireo hoe: "Fantatrareo ve ny nataoko ho anareo?
\v 13 Antsoinareo Aho hoe 'mpampianatra' sy 'Tompo,' ary marina ny voalazanareo, satria izany tokoa Aho.
\v 14 Kanefa raha Izaho, sady Tompo no mpampianatra, no nanasa ny tongotrareo, ianareo ihany koa dia tokony hifanasa ny tongotrareo.
\v 15 Satria efa nanome ohatra ho anareo Aho ka mba tokony hanao toy izay nataoko ho anareo ihany koa ianareo.
\s5
\v 16 Lazaiko aminareo, marina, dia marina tokoa, fa ny mpanompo dia tsy lehibe kokoa noho ny tompony; na koa ny mpitondra hafatra dia tsy lehibe kokoa noho ilay naniraka azy.
\v 17 Raha fantatrareo ireo zavatra ireo, dia ho tahiana ianareo raha manatanteraka izany.
\v 18 Tsy ianareo rehetra no resahiko; fantatro ireo izay nofidiako—fa izany dia mba hahatanteraka ny Soratra Masina hoe: 'Izay mihinana ny mofoko dia nanandratra ny vodi-tongony hamadika Ahy.'
\s5
\v 19 Lazaiko aminareo izao izany mialohan'ny hitrangany mba rehefa mitranga izany, dia mety hino ianareo fa Izaho no Izy.
\v 20 Lazaiko aminareo, marina, dia marina tokoa, fa izay mandray izay nirahiko, dia mandray Ahy, ary izay mandray Ahy, dia mandray Azy izay naniraka Ahy."
\s5
\v 21 Rehefa nilaza izany Jesosy, dia nangorohoro ny fanahiny. Nanambara Izy ary nilaza hoe: "Lazaiko aminareo, marina, dia marina tokoa fa hisy iray aminareo hamadika Ahy."
\v 22 Nifampijery ireo mpianatra, nanontany tena hoe iza izany nolazainy izany.
\s5
\v 23 Nisy iray tamin'ireo mpianany, izay tian'i Jesosy, nipetraka teo amin'ny latabatra ampitan'i Jesosy.
\v 24 Nanatona io mpianatra io Simona Petera ary nilaza hoe: "Anontanio Azy hoe iza izany lazainy izany."
\v 25 Ka niverina niankina tamin'i Jesosy izy ary nilaza taminy hoe: "Tompo, iza izany?"
\s5
\v 26 Avy eo Jesosy namaly hoe: "Ilay iray izay handonako sy homeko ity mofo ity izany." Ka rehefa nolomany ny mofo, dia nomeny an'i Jodasy zanak'i Simona Iskariota izany.
\v 27 Ary taorian'ny mofo, dia niditra tao aminy satana, ka hoy Jesosy taminy hoe: "Izay ataonao, ataovy aingana izany."
\s5
\v 28 Tamin'izay ireo rehetra teo an-databatra tsy nisy nahalala ny antony nilazan'i Jesosy azy izany.
\v 29 Ny sasany nieritreritra hoe, satria Jodasy no nitazona ny kitapom-bola, no nilazan'i Jesosy taminy hoe: "Vidio ny zavatra rehetra ilaintsika amin'ny andro firavoravoana," na hoe tokony hanome zavatra ho an'ny mahantra izy.
\v 30 Raha vao avy nandray ny mofo Jodasy, dia lasa nivoaka avy hatrany izy. Alina ny andro tamin'izay.
\s5
\v 31 Rehefa lasa Jodasy, dia hoy Jesosy hoe: "Ankehitriny dia omem-boninahitra ny Zanak'Olona, ary Andriamanitra dia omem-boninahitra ao aminy.
\v 32 Andriamanitra dia hanome voninahitra Azy ao amin'ny tenany, ary Izy hanome voninahitra Azy avy hatrany.
\v 33 Ry ankizy madinika, fotoana fohy sisa no hiarahako aminareo. Hitady Ahy ianareo, ary araka izay nolazaiko tamin'ny Jiosy hoe: 'Izay alehako, tsy azonareo aleha.' Ary lazaiko aminareo koa izany ankehitriny.
\s5
\v 34 Didy vaovao no omeko anareo, dia ny hifankatiavanareo; tahaka ny nitiavako anareo, no tokony hifankatiavanareo ihany koa.
\v 35 Amin'izany no hahafantaran'ny rehetra fa mpianatro ianareo, raha mifankatia ianareo."
\s5
\v 36 Hoy Simona Petera taminy hoe: "Tompo, fa andeha ho aiza Ianao?" Namaly Jesosy hoe: "Izay alaehako, dia tsy afaka hanarahanareo Ahy izao, fa hanaraka ianareo any aoariana."
\v 37 Dia hoy Petera taminy hoe: "Tompo, nahoana aho no tsy afaka manaraka Anao izao? Hafoiko ho Anao ny aiko."
\v 38 Dia namaly Jesosy hoe: "Hafoinao ho Ahy ve ny ainao? Lazaiko aminao, marina, dia marina tokoa, fa mbola tsy haneno akory ny akoho dia efa handà Ahy in-telo ianao."
\s5
\c 14
\p
\v 1 "Aza avela hangorohoro ny fonareo. Mino an'Andriamanitra ianareo, dia minoa Ahy koa.
\v 2 Misy efitra maro ao an-tranon'ny Raiko. Raha toa ka tsy izany, dia efa niteny taminareo Aho, fa hanomana toerana ho anareo.
\v 3 Raha handeha Aho ary hanomana toerana ho anareo, dia hiverina indray Aho ary handray anareo ato Amiko, ka izay misy Ahy dia hisy anareo koa.
\s5
\v 4 Ianareo mahalala izay alehako."
\v 5 Hoy Tomasy tamin'i Jesosy hoe: "Tompo, tsy fantatray izay alehanao, ahoana no hahafantaranay ny lalana?"
\v 6 Hoy Jesosy taminy hoe: "Izaho no lalana, fahamarinana, ary fiainana; tsy misy manatona ny Ray raha tsy amin'ny alalako.
\v 7 Raha nahafantatra Ahy ianareo, dia tokony ho nahafantatra ny Raiko koa. Manomboka izao dia fantatrareo Izy ary efa hitanareo."
\s5
\v 8 Hoy Filipo tamin'i Jesosy hoe: "Tompo, asehoy anay ny Ray, dia ampy ho anay izany."
\v 9 Hoy Jesosy taminy hoe: "Efa hatry ny ela no niarahako taminareo dia mbola tsy fantatrareo foana ve Aho, ry Filipo? Na iza na iza nahita Ahy dia nahita ny Ray. Koa ahoana no hitenenanao hoe: 'Asehoy anay ny Ray'?
\s5
\v 10 Tsy mino ve ianareo fa ao amin'ny Ray Aho ary ny Ray ato amiko? Ireo teny izay lazaiko aminareo dia tsy lazaiko avy amin'ny fahefako manokana, fa ilay Ray velona ato anatiko no manao ny asany.
\v 11 Minoa Ahy fa Izaho dia ao amin'ny Ray, ary ny Ray ato amiko, raha tsy izany dia minoa noho ireo asa manokana.
\s5
\v 12 Lazaiko aminareo, marina, dia marina tokoa, izay mino Ahy dia hanao ny asa izay ataoko, ary hanao asa lehibe mihoatra noho ireny izy satria ho any amin'ny Ray Aho.
\v 13 Na inona na inona angatahinareo amin'ny Anarako, dia tanterahiko izany mba hanomezam-boninahitra ny Ray ao amin'ny Zanaka.
\v 14 Raha mangataka zavatra amin'ny anarako ianareo, dia ho tanterahiko izany.
\s5
\v 15 Raha tia Ahy ianareo, dia hitandrina ireo didiko,
\v 16 ary hivavaka amin'ny Ray Aho, dia hanome anareo Mpampahery hafa Izy mba ho eo aminareo mandrakizay izy—
\v 17 ny Fanahin'ny fahamarinana. Tsy afaka mandray Azy izao tontolo izao satria tsy mahita na mahafantatra Azy. Fa ianareo kosa mahalala Azy, satria mitoetra miaraka aminareo Izy ary ho ao anatinareo.
\s5
\v 18 Tsy hamela anareo ho irery Aho; mbola hiverina aty aminareo Aho.
\v 19 Afaka fotoana vitsy monja dia tsy hahita Ahy intsony izao tontolo izao, fa ianareo mahita Ahy. Satria velona Aho, dia ho velona ihany koa ianareo.
\v 20 Ary amin'izay andro izay dia ho fantatrareo fa ao amin'ny Raiko Aho, ary ianareo ato Amiko, ary Izaho ao aminareo.
\s5
\v 21 Izay manana ireo didiko ka mitandrina ireny dia izy ilay tia Ahy, ary izay tia Ahy dia ho tiavin'ny Raiko koa, ary Izaho hitia azy sy hiseho aminareo."
\v 22 Hoy Jodasy (tsy Iskariota) tamin'i Jesosy hoe: "Tompo, nahoana ianao no hiseho aminay fa tsy amin'izao tontolo izao?"
\s5
\v 23 Jesosy namaly ary nilaza taminy hoe: "Raha misy olona tia Ahy, dia hitandrina ny teniko izy. Hitia azy ny Raiko, ary ho avy aminy Izahay ary hanamboatra ny fitoeranay miaraka aminy.
\v 24 Fa izay tsy tia Ahy dia tsy mitandrina ny teniko. Ny teny izay renareo dia tsy avy amiko fa avy amin'ny Ray izay naniraka Ahy.
\s5
\v 25 Efa noteneniko taminareo ireo zavatra ireo, raha mbola nijanona niaraka taminareo Aho.
\v 26 Kanefa, ilay Mpampahery—ilay Fanahy Masina, izay hirahin'ny Ray amin'ny Anarako_ izy no hampianatra anareo ny zava-drehetra sy hampatsiahy izay rehetra nolazaiko taminareo.
\v 27 Fiadanana no avelako ho anareo; omeko anareo ny fiadanako. Tsy omeko ohatran'ny fanomen'izao tontolo izao izany. Aza avela hangorohoro ny fonareo, ary aza matahotra.
\s5
\v 28 Efa renareo Aho niteny taminareo hoe: 'Andeha Aho, ary hiverina any aminareo indray.' Raha nitia Ahy ianareo, dia tokony hiravoravo satria hankany amin'ny Ray Aho, satria ny Ray dia lehibe kokoa noho Izaho.
\v 29 Ary noteneniko anareo dieny mbola tsy mitranga izany, mba hino ianareo, rehefa mitranga izany.
\v 30 Tsy hilaza betsaka aminareo intsony Aho, fa efa ho avy ny mpanapaka izao tontolo izao. Tsy manana fahefana Amiko izy,
\v 31 fa mba hahafantaran'izao tontolo izao fa tiako ny Ray, dia ataoko tahaka ny nandidian'ny Ray Ahy. Andeha hitsangana isika ary hiala ety."
\s5
\c 15
\p
\v 1 "Izaho no tena voaloboka, ary ny Raiko no mpamboly.
\v 2 Esoriny ato amiko ny sampana rehetra izay tsy mamoa voankazo, ary rantsaniny ny sampana izay mamokatra mba hamoa voankazo bebe kokoa izany.
\s5
\v 3 Efa madio ianareo noho ilay hafatra izay nolazaiko taminareo.
\v 4 Mitoera ato amiko, ary Izaho ao aminareo. Tahaka ny sampana tsy afaka mamokatra voankazo amin'ny tenany raha tsy mitoetra ao amin'ny voaloboka izany, dia toy izany koa ianareo, raha tsy mitoetra ao amiko.
\s5
\v 5 Izao no voaloboka, ianareo no sampana. Izay mitoetra ato Amiko ary Izaho ao Aminy, dia mamokatra be izy, fa raha tsy misy Ahy dia tsy mahefa na inona na inona ianareo.
\v 6 Raha misy olona tsy mitoetra ao Amiko, dia ho ariana tahaka ny sampana izy ary halazo, ary izy ireo manangona ireo sampana ary manary izany any amin'ny afo, ary may izy ireo.
\v 7 Raha mitoetra ao Amiko ianareo, ary raha mitoetra ao aminareo ireo teniko, angataho na inona na inona irianareo, dia ho atao aminareo izany.
\s5
\v 8 Ny Raiko dia omem-boninahitra amin'izao, dia ny hamokaranareo voankazo bebe kokoa ka ho porofo fa mpianatro ianareo.
\v 9 Tahaka ny nitiavan'i Ray Ahy, no nitiavako anareo. Mitoera ao amin'ny fitiavako.
\s5
\v 10 Raha mitandrina ireo didiko ianareo, dia hitoetra ao amin'ny fitiavako, tahaka ny nitandremako ireo didin'ny Raiko sy nitoerako tao amin'ny fitiavany.
\v 11 Nilaza ireny zavatra ireny taminareo Aho mba ho ao aminareo ny fifaliako ary mba ho feno ny fifalianareo.
\s5
\v 12 Izao no didiko, dia ny hifankatiavanareo tahaka ny nitiavako anareo.
\v 13 Tsy misy manam-pitiavana lehibe mihoatra noho izao, dia ny manolotra ny ainy ho an'ireo sakaizany.
\s5
\v 14 Namako ianareo raha manao ireo zavatra andidiko anareo ireo.
\v 15 Tsy hiantso anareo hoe mpanompoko intsony Aho, satria ny mpanompo dia tsy mahafantatra izay ataon'ny tompony. Nantsoiko hoe namako ianareo, satria ny zavatra rehetra izay reko tamin'ny Raiko, dia nampahafantariko anareo.
\s5
\v 16 Tsy nifidy Ahy ianareo, fa Izaho no nifidy anareo ary nanendry anareo mba andeha ka hamokatra, ary mba tokony hitoetra ny vokatrareo. Natao izany mba na inona na inona angatahinareo amin'ny Ray amin'ny Anarako, dia homeny anareo izany.
\v 17 Ireny zavatra ireny no andidiko anareo mba hifankatiavanareo.
\s5
\v 18 Raha mankahala anareo izao tontolo izao, fantaro fa nankahala Ahy izy talohan'ny nankahalany anareo.
\v 19 Raha avy amin'izao tontolo izao ianareo, dia ho tian'izao tontolo izao tahaka ny azy ianareo. Fa satria tsy an'izao tontolo izao ianareo ary nofidiako hiala amin'izao tontolo izao, noho izany dia halan'izao tontolo izao ianareo.
\s5
\v 20 Tsarovy ny teny nolazaiko taminareo hoe: 'Ny mpanompo dia tsy lehibe noho ny tompony.' Raha nanenjika Ahy izy ireo, dia hanenjika anareo koa; ary raha nitandrina ny teniko izy ireo, dia hitandrina ny anareo koa.
\v 21 Hanao ireo zavatra rehetra ireo aminareo izy ireo nohon'ny Anarako, satria tsy fantatr'izy ireo Izy izay naniraka Ahy.
\v 22 Raha tsy tonga sy niteny tamin'izy ireo Aho, dia tsy ho nanota izy ireo, fa ankehitriny tsy afa-miala amin'ny fahotany izy ireo.
\s5
\v 23 Izay mankahala Ahy dia mankahala ny Raiko ihany koa.
\v 24 Raha tsy nahavita ireo asa izay tsy nataon'ny olon-kafa teo anivon'izy ireo Aho, dia tsy ho nanan-keloka izy ireo, fa ankehitriny efa sady hitany no halany Izaho sy ny Raiko.
\v 25 Fa izany dia mba hahatanteraka ny teny izay voasoratra ao amin'ny lalàn'izy ireo hoe: 'Mankahala Ahy amin'ny tsy misy antony izy ireo.'
\s5
\v 26 Rehefa ho avy ilay Mpampahery—izay hirahiko aminareo avy amin'ny Ray, ilay, Fanahin'ny fahamarinana, izay mivoaka avy amin'ny Ray—dia hanambara ny momba Ahy Izy.
\v 27 Ianareo ihany koa dia mijoro vavolombelona satria efa niaraka tamiko hatrany am-piandohana ianareo.
\s5
\c 16
\p
\v 1 "Nolazaiko taminareo izany zavatra rehetra izany mba tsy ho solafaka ianareo.
\v 2 Ho roahin'izy ireo ao amin'ny synagoga ianareo. Fa tonga ny andro rehefa hihevitra izay rehetra mamono anareo fa izy ireo dia manolotra zavatra tsara ho an'Andriamanitra.
\s5
\v 3 Ho ataon'izy ireo izany satria tsy mahalala ny Ray na ny Tenako izy ireo.
\v 4 Nolazaiko anareo ireo zavatra ireo mba rehefa avy ny oran'izy ireo, dia ho tsaroanareo fa efa nolazaiko taminareo ny momba azy ireo. Tsy nambarako taminareo ireo zavatra ireo tany am-piandohana, satria mbola teo aminareo Aho.
\s5
\v 5 Fa Ankehitriny ho any amin'Ilay naniraka Ahy Aho, nefa tsy mbola nisy nanontany Ahy ianareo hoe: "Handeha ho aiza moa Ianao?"
\v 6 Fa satria nolazaiko taminareo ireo zavatra ireo, dia alahelo no nameno ny fonareo.
\v 7 Fa lazaiko marina aminareo, tsara kokoa ho anareo ny handehanako. Satria raha tsy mandeha Aho, dia tsy ho tonga aminareo ny Mpampahery, fa raha mandeha Aho, dia handefa azy ho aminareo.
\s5
\v 8 Rehefa tonga izy, dia hanaporofo amin'izao tontolo izao ho diso momban'ny fahotana, ny fahamarinana, ary moban'ny fitsarana—
\v 9 momban'ny fahotana ny mpampahery, satria tsy mino Ahy izy ireo;
\v 10 momban'ny fahamarinana, satria hody any amin'ny Ray Aho, ka tsy ho hitanareo intsony;
\v 11 ary momban'ny fitsarana, satria ny mpanapaka izao tontolo izao dia notsaraina.
\s5
\v 12 Manana zavatra maro hambara aminareo Aho, fa tsy ho azonareo ny hevitr'izany izao.
\v 13 Kanefa, rehefa tonga izy, Fanahin'ny Fahamarinana, dia hitarika anareo ho amin'ny fahamarinana rehetra, satria tsy hiteny avy amin'ny tenany izy. Fa hilaza izay rehetra reny izy, ary hilaza aminareo ireo zavatra izay ho avy.
\v 14 Hanome voninahitra Ahy izy, satria ny avy amin'ny Ahy ihany no hambarany aminareo.
\s5
\v 15 Izay rehetra anana'ny Ray dia Ahy. Noho izany, niteny Aho fa ilay Fanahy dia haka amin'izay Ahy ary hiteny izany aminareo.
\v 16 Afaka fotoana fohy dia tsy hahita Ahy intsony ianareo, ary afaka fotoana fohy hafa dia hahita Ahy indray ianareo."
\s5
\v 17 Avy eo ny sasany tamin'ireo mpianany nifampiresaka hoe: "Inona ary izany lazainy antsika izany hoe: 'Afaka fotoana fohy dia tsy hahita Ahy intsony ianareo ary afaka fotoana fohy hafa dia hahita Ahy indray ianareo,' sy hoe: 'Satria ho any amin'ny Ray Aho'?"
\v 18 Noho izany dia hoy izy ireo hoe: "Inona ary izany lazainy izany hoe: 'afaka fotoana fohy'? Tsy fantatray ny tiany hambara."
\s5
\v 19 Hitan'i Jesosy fa te-hanontany Azy izy ireo, dia hoy Izy tamin'izy ireo hoe: "Izao ve no anontanianareo tena, dia ny tiko hambara amin'ny fitenenana hoe: 'Fotoana fohy sy tsy hahita Ahy intsony ianareo, ary afaka fotoana fohy indray nefa dia hahita Ahy ianareo'?
\v 20 Lazaiko aminareo, marina, dia marina tokoa, fa hitomany ianareo ary hitaraina, fa izao tontolo izao kosa hifaly. Ho feno alahelo ianareo, kanefa ho lasa hafaliana izany alahelonareo izany.
\v 21 Rehefa mihetsi-jaza ny vehivavy iray dia malahelo satria tonga ny fotoany, fa rehefa teraka kosa ilay zazakely, dia tsy tsaroany intsony ny alahelony nohon'ny hafaliany fa nisy zazakely teraka eo amin'izao tontolo izao.
\s5
\v 22 Ka malahelo ianareo ankehitriny, kanefa Aho mbola hiaona aminareo indray, ary ho faly ny fonareo, ary tsy hisy hanaisotra izany hafalianareo izany aminareo.
\v 23 Amin'izany andro izany dia tsy hangataka amiko na inona na inona ianareo. Lazaiko aminareo, marina, dia marina tokoa, raha mangataka na inona na inona amin'ny Ray amin'ny anarako ianareo, dia homeny anareo izany.
\v 24 Hatramin'izao anefa tsy mbola nanagataka na inona na inona tamin'ny anarako ianareo. Mangataha, dia homena ianareo mba ho feno ny hafalianareo.
\s5
\v 25 Efa nolazaiko taminareo tamin'ny fanoharana ireo zavatra ireo, fa avy ny ora rehefa tsy hiresaka aminareo amin'ny fanoharana intsony Aho, fa kosa hilaza aminareo mazava ny momban'ny Ray.
\s5
\v 26 Amin'izany andro izany dia hangataka amin'ny anarako ianareo ary tsy hilaza anareo Aho hoe hivavaka amin'ny Ray ho anareo,
\v 27 fa ny Ray mihitsy no tia anareo satria nitia Ahy ianareo ary nino fa avy any amin'ny Ray Aho.
\v 28 Avy amin'ny Ray Aho, ary tonga teto an-tany. Fa handao izao tontolo izao Aho ary ho any amin'ny Ray."
\s5
\v 29 Hoy ny mpianany taminy hoe: "Jereo, Ankehitriny Ianao miteny mazava tsara ary tsy mampiasa fanoharana.
\v 30 Fantatray ankehitriny fa mahalala ny zava-drehetra Ianao, ary tsy misy tianao hametraka fanontaniana aminao. Noho izany, dia mino izahay fa avy amin'Andriamanitra Ianao."
\v 31 Namaly azy ireo Jesosy hoe: "Mino amin'izay ve ianareo?
\s5
\v 32 Indro, tonga izao ny ora, eny, tonga tokoa, rehefa hiparitaka ianareo, ny tsirairay samy any amin'ny tranony avy manokana, dia havelanareo irery Aho. Nefa tsy irery Aho satria miaraka amiko ny Ray.
\v 33 Efa nolazaiko taminareo ireo zavatra ireo mba hanana fiadanana ato Amiko ianareo. Manan'olana ianareo eto amin'izao tontolo izao, nefa mahereza: efa nandresy izao tontolo izao Aho."
\s5
\c 17
\p
\v 1 Rehefa avy niteny ireo zavatra ireo Jesosy, dia nanandratra ny masony ho amin'ny lanitra Izy ka nanao hoe: "Ray ô, tonga ny fotoana, mankalazà ny Zanakao mba hankalazan'ny Zanaka Anao_
\v 2 tahaka ny nanomezanao Azy fahefana ambonin'ny nofo rehetra mba hanomezany fiainana mandrakizay ho an'izay rehetra nomenao Azy.
\s5
\v 3 Izao no fiainana mandrakizay: dia ny ahafantaran'izy ireo Anao, ilay Andriamanitra tokana sady marina, ary Izy izay nirahinao, dia Jesosy Kristy.
\v 4 Nankalaza Anao aho teto an-tany. Efa vitako ny asa izay nomenao Ahy ho ataoko.
\v 5 Ankehitriny, ry Ray, hankalazao miaraka amin'ny tenanao Aho amin'ny voninahitra izay nananako niaraka taminao talohan'ny nahariana izao tontolo izao.
\s5
\v 6 Nampahafantatra ny anaranao tamin'ny olona izay nomenao Ahy avy amin'izao tontolo izao Aho. Anao ireny, ary nomenao Ahy, ary notandremany ny teninao.
\v 7 Ankehitriny fantatr'izy ireo fa ny zavatra rehetra izay nomenao Ahy dia avy aminao,
\v 8 satria nomeko azy ireo avokoa ny teny izay nomenao Ahy. Noraisin'izy ireo ireny ary fantany marina tokoa fa avy taminao Aho, ary nino izy ireo fa Ianao no naniraka Ahy.
\s5
\v 9 Mivavaka ho azy ireo Aho. Tsy mivavaka ho an'izao tontolo izao Aho fa ho an'ireo izay nomenao Ahy, noho izy ireo Anao.
\v 10 Ny zavatra rehetra izay Ahy dia Anao, ary izay Anao dia Ahy, ary hankalazaina amin'ireny Aho.
\v 11 Tsy amin'izao tontolo izao intsony Aho, fa ireo olona ireo dia eto amin'izao tontolo izao, ary manatona anareo Aho. Ray Masina o, tazomy amin'ny anaranao izay nomenao Ahy izy ireo mba hitambatra ho iray, tahaka ny maha iray Antsika.
\s5
\v 12 Raha mbola teo amin'izy ireo Aho, dia nihazona azy ireo tamin'ny anaranao, izay nomenao Ahy. Niaro azy ireo Aho, ary tsy nisy very na dia iray aza, afa-tsy ny zanaky ny fahaverezana ihany, mba ho tanteraka ny Soratra Masina.
\v 13 Ary ho any aminao Aho, fa milaza ireo zavatra ireo amin'izao tontolo izao Aho mba hahatanteraka ny hafaliako ao amin'izy ireo.
\v 14 Efa nomeko azy ireo ny teninao, ary nankahalain'izao tontolo izao izy ireo satria tsy avy amin'izao tontolo izao, tahaka Ahy tsy an'izao tontolo izao.
\s5
\v 15 Izaho dia tsy mangataka Aminao ny hanalanao azy ireo amin'izao tontolo izao, fa ny mba hiarovanao azy ireo amin'ilay ratsy.
\v 16 Izy ireo dia tsy an'izao tontolo izao, tahaka Ahy tsy an' izao tontolo izao.
\v 17 Hamasino amin'ny fahamarinana izy ireo. Fa ny teninao no fahamarinana.
\s5
\v 18 Tahaka ny nanirahanao Ahy ho amin'izao tontolo izao, no nanirahako azy ireo ho amin'izao tontolo izao ihany koa.
\v 19 Fa nohon'ny fitiavako azy ireo no nanamasinako ny tenako, mba hanamasinana ny tenan'izy ireo amin'ny fahamarinana ihany koa.
\s5
\v 20 Izaho dia tsy mivavaka ho an'ireo fotsiny, fa ho an'ireo izay hino Ahy amin'ny alalan'ny tenin'izy ireo koa
\v 21 mba ho iray ihany izy rehetra, tahaka anao, Ray, ato amiko, ary Izaho ao aminao. Mivavaka Aho mba ho ao amintsika ihany koa izy ireo mba hinoan'izao tontolo izao fa naniraka Ahy Ianao.
\s5
\v 22 Ny voninahitra izay nomenao Ahy, dia nomeko azy ireo, mba ho iray izy ireo, tahaka ny maha iray antsika.
\v 23 Izaho ao amin'izy ireo, ary Ianao ato amiko—ka ho tena iray tanteraka tokoa izy ireo, mba ho fantatr'izao tontolo izao fa naniraka Ahy Ianao, ary nitia azy ireo tahaka ny nitiavanao Ahy.
\s5
\v 24 Ray ô, ireo izay nomenao Ahy dia tiako hiaraka amiko na aiza na aiza misy Ahy, ary hahita ny voninahitro, ilay voninahitra izay nomenao Ahy satria nitia Ahy Ianao talohan'ny nahariana izao tontolo izao.
\s5
\v 25 Ray marina ô, tsy nahalala Anao izao tontolo izao, fa Izaho mahalala Anao; ary izy ireo mahalala fa naniraka Ahy ianao.
\v 26 Nampahafantariko azy ireo ny anaranao, ary mbola ho hampahafantariko izany mba ho ao amin'izy ireo ny fitiavana izay nitiavanao Ahy, ary Izaho ho ao amin'izy ireo."
\s5
\c 18
\p
\v 1 Taorian'ny nitenenan'i Jesosy ireo teny ireo, dia nivoaka niaraka tamin'ireo mpianany Izy ho eny ampita eny amin'ny lohasan-drika an'i Kidrona, izay nisy saha nidirany sy ireo mpianany.
\v 2 Ary Jodasy, Izay hamadika an'i Jesosy, nahafantatra ny toerana koa, satria nandeha matetika teny Jesosy sy ireo mpianany.
\v 3 Avy eo Jodasy, nitarika ireo vondrona miaramila sy ireo mpiandry raharaha sasany avy amin'ireo lohan'ny mpisorona sy Fariseo, nandeha tany niaraka tamin'ny fanilo, fanala ary fitaovam-piadina.
\s5
\v 4 Avy eo Jesosy, izay efa nahafantatra ny zavatra rehetra hitranga Aminy, nandroso teo aloha ary nanontany azy ireo hoe: "Iza no tadiavinareo?"
\v 5 Namaly Azy izy ireo hoe: "Jesosy avy any Nazareta." Ary hoy Jesosy tamin'izy ireo hoe: "Izaho no Izy." Jodasy, izay namadika Azy, dia nitsangana niaraka tamin'ireo miaramila ihany koa.
\s5
\v 6 Ka rehefa niteny tamin'izy ireo Izy hoe: "Izaho no Izy", dia nihemotra izy ireo ka lavo tamin'ny tany.
\v 7 Avy eo indray dia nanontany azy ireo Izy hoe: "Iza no tadiavinareo?" Ary niteny indray izy ireo hoe: "Jesosy avy any Nazareta."
\s5
\v 8 Jesosy namaly hoe: "Niteny anareo Aho fa Izaho no Izy. Noho izany raha mitady Ahy ianareo, dia avelao ireto handeha."
\v 9 Izany dia mba hahatanteraka ny teny nolazainy hoe: "Amin'ireo izay nomenao Ahy, tsy nasiko very na iray aza."
\s5
\v 10 Avy eo Simona Petera, izay nanana sabatra, namoaka izany ary namely ilay mpanompon'ny mpisoronabe ka nahakapa ny sofiny ankavanana. Ary Malko no anaran'ilay mpanompo.
\v 11 Hoy Jesosy tamin'i Petera hoe: "Avereno ao amin'ny tranony ny sabatrao. Tsy tokony hisotro ny kapoaka izay nomen'ny Ray Ahy ve Aho?"
\s5
\v 12 Noho izany ireo vondrona miaramila sy ny kapiteny, ary ireo mpiandry raharahan'ireoJjiosy, dia nisambotra an'i Jesosy ary namatotra Azy.
\v 13 Nentin'ireo tany amin'i Anasy Izy aloha, satria izy dia rafozan-dahin'i Kaiafa, Izay mpisoronabe tamin'io taona io.
\v 14 Ary Kaiafa dia ilay nanome hevitra ireo Jiosy fa tsara kokoa raha misy olona iray maty ho an'ny vahoaka.
\s5
\v 15 Nanaraka an'i Jesosy Simona Petera, ary nanao toy izany ihany koa ny mpianatra iray hafa. Ary fantatr'ilay mpisoronabe izany mpianatra izany, ary niditra niaraka tamin'i Jesosy tao amin'ny kianjan'ny mpisoronabe izy;
\v 16 fa Petera dia nijoro tao ivelan'ny vavahady. Noho izany ilay mpianatra hafa, izay fantatry ny mpisoronabe, dia nivoaka ka niresaka tamin'ilay mpanompo vavy izay mpiambina ny vavahady ary nitondra an'i Petera hiditra.
\s5
\v 17 Avy eo ilay mpanompo vavy, mpianbinana ny vavahady, niteny tamin'i Petera hoe: "Ianao koa ve tsy iray amin'ny mpianatr'io leihilahy io?" Hoy izy hoe: "Tsy izy aho."
\v 18 Ary nijoro teo ireo mpanompo sy ireo mpiandry raharaha, ary nandrehitra afon'arina izy ireo, satria nangatsiaka ny andro; ka nanafana ny tenan'izy ireo. Petera koa niaraka tamin'izy ireo, nijoro teo ary nanafana ny tenany.
\s5
\v 19 Nanontany an'i Jesosy momba ireo mpianany sy ny fampianarany ny mpisorinabe.
\v 20 Jesosy namaly azy hoe: "Niteny ampahibemaso tamin'izao tontolo izao Aho. Nampianatra mandrakariva tao amin'ny synagoga sy tao amin'ny tempoly Aho izay nifampintaonan'ny Jiosy rehetra. Tsy nisy nolazaiko tamin'ny takona.
\v 21 Nahoana ianao no nanontany Ahy? Anontanio an'ireo izay nandre Ahy momba izay nolazaiko. Jereo, ireo olona ireo dia mahalala izay nolazaiko."
\s5
\v 22 Rehefa avy niteny izany Jesosy, dia nisy iray tamin'ireo mpiandry raharaha nijoro teo namelaka tehamaina an'i Jesosy ary niteny hoe: "Izany ve no fomba hamalianao ny mpisoronabe?"
\v 23 Jesosy namaly azy hoe: "Raha niteny zavatra diso Aho, mijoroa vavolombelona amin'izany diso izany, fa raha marina, nahoana ianao no mamely Ahy?"
\v 24 Avy eo Anasy nandefa Azy mifatotra nankany amin'i Kaiafa ilay mpisoronabe.
\s5
\v 25 Ary nitsangana Petera ka nanafana ny tenany. Avy eo hoy ireo olona taminy hoe: "Ianao koa ve tsy iray amin'ireo mpianany?" Nandà izany izy ary niteny hoe: "Tsy izy aho."
\v 26 Iray tamin'ireo mpanompon' ny mpisoronabe, izay havan'ilay lehilahy izay nokapain'i Petera ny sofiny, niteny hoe: "Tsy hitako niaraka taminy tao amin'ny saha ve ianao?"
\v 27 Avy eo Petera nandà indray, ary avy hatrany dia naneno ny akoho.
\s5
\v 28 Avy eo nentin'izy ireo avy tao amin'i Kaiafa ho any anaty rova Jesosy. Mbola maraina be ny andro tamin'izany, ary izy ireo dia tsy niditra tao anaty rova mba tsy ho voaloto fa efa hihinana ny Paska.
\v 29 Ka nivoaka teo amin'izy ireo Pilato ka niteny hoe: "Inona ny fiampangana entinareo manohitra ity lehilahy ity?"
\v 30 Namaly izy ireo ary niteny taminy hoe: "Raha tsy mpanao ratsy io lehilahy io, dia tsy ho natolotray anao."
\s5
\v 31 Noho izany Pilato niteny tamin'izy ireo hoe: "Hentonareo Izy, ary tsarao araky ny lalànareo." Hoy ireo Jiosy taminy hoe: "Tsy ara-dalàna ho anay ny manolotra olona ho faty."
\v 32 Nilaza izany izy ireo mba hahatanteraka ny tenin'i Jesosy izay noteneniny mba hilazana hoe karazana fahafatesana toy ny inona no hahafatesany.
\s5
\v 33 Avy eo niditra tao anaty rova indray Pilato ka niantso an'i Jesosy ary niteny taminy hoe: "Ianao ve no mpanjakan'ny Jiosy?"
\v 34 Jesosy namaly hoe: "Manontany avy amin'ny tenanao ve ianao, sa nisy hafa niteny anao momba Ahy?"
\v 35 Pilato namaly hoe: "Tsy Jiosy aho, sa tsy izany?" Ny vahoakanao sy ireo lohan'ny mpisorona no nanolotra anao tamiko. Inona no nataonao?"
\s5
\v 36 Jesosy namaly hoe: "Ny fanjakako dia tsy avy eto amin'izao tontolo izao. Fa raha mba ao anatin'izao tontolo izao ny fanjakako, dia hiady ireo mpanompoko mba tsy hanolorana Ahy amin'ireo Jiosy. Fa ankehitriny ny fanjakako dia tsy avy ety."
\v 37 Avy eo Pilato niteny taminy hoe: "Mpanjaka ary ve izany Ianao?" Jesosy namaly hoe: "Voalazanao fa mpanjaka Aho. Fa ho amin'izany tanjona izany no nahaterahako, ary ho amin'izany antony izany no niaviko eto amin'izao tontolo izao, mba hijoroko vavolombelona amin'ny fahamarinana. Ireo rehetra izay an'ny fahamariana dia mihaino ny feoko."
\s5
\v 38 Pilato niteny taminy hoe: "Inona no atao hoe marina?" Rehefa avy niteny izany izy, dia nivoaka indray ary niteny tamin'ireo jiosy hoe: "Tsy mahita heloka amin'ity lehilahy ity aho.
\v 39 Fa ianareo manana fomba izay hanafahako olona iray ho aminareo amin'ny Paska. Noho izany tianareo ve ny hanafahako aminareo ny mpanjakan'ny Jiosy?"
\v 40 Avy eo ireo nihiaka mafy indray izy ireo ary niteny hoe: "Tsy io lehilahy io, fa Barabasy." Ary Barabasy dia mpangalatra.
\s5
\c 19
\p
\v 1 Avy eo nentin'i Pilato Jesosy ka nokapohiny.
\v 2 Nandrandrana satroka tsilo ireo miaramila. Napetrak'izy ireo teo amin'ny lohan'i Jesosy izany ary nampitafy lamba volomparasy Azy.
\v 3 Nanantona Azy izy ireo ary niteny hoe: "Arahaba, ry mpanjakan'ny Jiosy!" ary nikapoka Azy izy ireo.
\s5
\v 4 Avy eo nivoaka indray Pilato ka niteny tamin'izy ireo hoe: "Indro, entiko aminareo eto ivelany Izy mba hahafantaranareo fa tsy mahita heloka Aminy aho."
\v 5 Ka nivoaka Jesosy, nanao ilay fehiloha tsilo sy ilay lamba volomparasy. hoy Pilato tamin'izy ireo hoe: "Indro, ity ilay lehilahy!"
\v 6 Rehefa hitan'ny lohan'ny mpisorona sy ny manamboninahitra Jesosy, dia nihiaka mafy izy ireo ka niteny hoe: "Homboy izy, homboy izy!" Dia hoy Pilato tamin'izy ireo hoe: "Alaivonareo Izy ary homboy, fa izaho tsy mahita heloka Aminy."
\s5
\v 7 Namaly azy ireo Jiosy hoe: "Manana lalàna isika, ary araka ny lalàna dia tokony ho faty Izy satria mitonon-tena ho Zanak'Andriamanitra."
\v 8 Rehefa ren'i Pilato izany fanambarana izany, dia nihanatahotra kokoa izy,
\v 9 ary niditra tao amin'ny lapam-panjakana indray izy ka niteny tamin'i Jesosy hoe: "Avy aiza ny fihavianao?" Kanefa tsy nanome valin-teny azy Jesosy.
\s5
\v 10 Avy eo Pilato niteny taminy hoe: "Tsy manana ambara amiko ve ianao? Tsy fantatrao ve fa manana fahefana hanafaka Anao aho, sy fahefana hanombo Anao?"
\v 11 Namaly azy Jesosy hoe: "Tsy manana fahefana Amiko ianao raha tsy nomena anao avy any ambony izany. Noho izany, izy izay nanolotra Ahy taminao dia manana heloka bebe kokoa."
\s5
\v 12 Tamin'izany valin-teny izany, dia niezaka ny hanafaka Azy Pilato, fa nihiaka mafy ireo Jiosy, nanao hoe: "Raha afahanao io lehilahy io, dia tsy naman'i Kaisara ianao. Izay rehetra manao ny tenany ho mpanjaka dia manohitra an'i Kaisara."
\v 13 Rehefa ren'i Pilato ireo teny ireo, dia nentiny nivoaka Jesosy ary nipetraka teo amin'ny seza fitsarana izay antsoina hoe "lampivato", fa amin'ny teny Hebreo hoe "Gabata."
\s5
\v 14 Ary tonga ny andro fanomanana ny Paska, teo amin'ny ora faha enina teo. Hoy Pilato tamin'ireo Jiosy hoe: "Indro, ity ny mpanjakanareo!"
\v 15 Nihiaka mafy izy ireo hoe: "Avelao Izy, avelao Izy; homboy Izy!" Hoy Pilato tamin'izy ireo hoe: "Tokony hanombo ny mpanjakanareo ve aho?" Namaly ireo lohan'ny mpisorona hoe: "Tsy manana mpanjaka akotran'i Kaisara izahay."
\v 16 Avy eo dia natolotr'i Pilato azy ireo ho homboina Jesosy.
\s5
\v 17 Avy eo nalain'izy ireo Jesosy, ary nandeha nivoaka izy, nilanja ny hazofijaliana, ho any amin'ilay toerana antsoina hoe "toeran'ny karandoha," izay amin'ny Hebreo antsoina hoe '"Golgota."
\v 18 Nombohan'ireo tany Jesosy, ary nisy lehilahy roa hafa niaraka taminy, iray isaky ny ilany, ary Jesosy teo afovoany.
\s5
\v 19 Nanoratra famantarana ihany koa Pilato ary nametraka izany teo amin'ny hazofijaliana. Izao no voasoratra teo: JESOSY AVY ANY NAZARETA, ILAY MPANJAKAN'NY JIOSY.
\v 20 Maro tamin'ireo Jiosy no namaky izany famantarana izany satria tsy lavitra ny tanàna no misy ny toerana nanomboana an'i Jesosy. Ilay famantarana dia nosoratana tamin'ny Hebreo, Latina, ary Grika.
\s5
\v 21 Avy eo hoy ireo lohan'ny mpisoron'ny Jiosy tamin'i Pilato hoe: "Aza soratana hoe: 'Ilay Mpanjaka'ny Jiosy,' fa aleo hoe: 'Ity iray ity dia niteny hoe: "Izaho no mpanjakan'ny Jiosy.'"
\v 22 Ary namaly Pilato hoe: "Izay voasoratro dia voasoratro."
\s5
\v 23 Rehefa nombohan'ireo miaramila Jesosy, dia nalain'izy ireo ny lambany, ka nozarain'izy ireo efatra, dia samy manana iray avy ireo; ary ilay akanjo ihany koa. Ary tsy misy vitrana ilay akanjo, fa tenona iray ihany.
\v 24 Avy eo nifampiresaka izy ireo hoe: "Aleo tsy rovitintsika ity, fa kosa andeha hilokana ahitana izay mahazo azy." Nitranga izany mba hahatanteraka ny Soratra Masina izay milaza hoe: "Nifampizaran'izy ireo ny lambako ary nolokainy ny fitafiako." Izany no nataon'ireo miaramila.
\s5
\v 25 Ary nijoro teo akain'ny hazofijalian'i Jesosy ny reniny, ny rahavavin-dreniny, Maria vadin'i Klopa, ary Maria Magdalena.
\v 26 Rehefa nahita ny reniny sy ireo mpianatra izay tiany nijoro teo akaiky teo Jesosy, dia niteny tamin'ny reniny Izy hoe: "Ravehivavy, indro, ny zanakao lahy!"
\v 27 Avy eo hoy Izy tamin'ny mpianatra hoe: "Indro, ny reninareo!" Ary tamin'izany ora izany dia nalain'ny mpianatra ho any aminy izy.
\s5
\v 28 Taorian'izany, rehefa nahafantatra fa vita ny zavatra rehetra ka mba ho tanteraka ny Soratra Masina, dia hoy Jesosy hoe: "Mangetaheta Aho."
\v 29 Ary nisy tavoara feno divay marikivy nipetraka teo amin'io toerana io, ka nasian'izy ireo divay marikivy ny sipaonjy ka notohizany tamin'ny hysopa ary napetapetany tamin'ny vavany.
\v 30 Rehefa nisotro ilay vinaingitra Jesosy, dia hoy Izy hoe: "Efa vita." Nahondriny ny lohany ary niala ny fanahiny.
\s5
\v 31 Satria andron'ny fihomanana tamin'izany, ka mba tsy hijanona eo amin'ny hazofijaliana mandritry ny Sabata (satria ny Sabata dia andro manan-danja manokana) ireo vata-mangatsiaka, dia nangataka tamin'i Pilato ireo Jiosy avy eo, ny mba hanapahana ny tongotr'izy ireo ary hanalana azy ireo.
\v 32 Avy eo nanatona ireo miaramila ka nanapaka ny tongotr'ilay lehilahy voalohany sy ilay lehilahy faharoa izay voahombo niaraka tamin'i Jesosy.
\v 33 Rehefa nanatona an'i Jesosy izy ireo, dia nahita fa efa maty Izy, ka tsy notapahin'izy ireo ny tongony.
\s5
\v 34 Kanefa, nisy miaramila iray nanindrona ny lanivoany tamin'ny lefona, ary avy hatrany dia nisy rà sy rano niraraka.
\v 35 Ilay iray izay nahita izany dia nijoro vavombelona, ary marina ny fanambarany. Fantany fa marina izay nolazainy mba hinoanareo ihany koa.
\s5
\v 36 Fa ireo zavatra ireo no nitranga mba hahatanteraka ny Soratra Masina hoe: "Tsy hisy ho tapaka na dia iray amin'ny taolany aza."
\v 37 Ary mbola, misy Soratra Masina hafa milaza hoe: "Izy ireo dia hijery Azy izay nolefonin'izy ireo."
\s5
\v 38 Taorian'ireo zavatra ireo, Josefa avy ao Arimatia, hatramin'ny naha-mpianatr'i Jesosy azy (fa tao amin'ny mangingina nohon'ny fatahorana ireo Jiosy), nanontany an'i Pilato raha afaka maka ny vatan'i Jesosy izy. Nomen'i Pilato alalana izy. Ka tonga Josefa ary naka ny vatany.
\v 39 Tonga tany ihany koa Nikodemosy, izy izay tonga voalohany hijery an'i Jesosy ny alin'iny. Ary nitondra menaka manitra sy vahona izy, teo amin'ny zato litatra teo ny fatrany.
\s5
\v 40 Ka noraisin'izy ireo ny vatan'i Jesosy ary namono izany tamin'ny lambam-paty sy zava-manitra, araka ny fomba fandevenana Jiosy.
\v 41 Ary teo amin'ny toerana nanomboana Azy dia nisy saha; ary teo amin'ilay saha nisy fasana vaovao izay mbola tsy nandevenan'olona.
\v 42 Satria andron'ny fiomanan'ireo Jiosy tamin'izany ary satria akaiky ny fasana, dia nalevin'izy ireo tao Jesosy.
\s5
\c 20
\p
\v 1 Ary vao marainan'ny andro voalohan'ny erinandro, raha mbola maizina iny, dia nankeny amin'ny fasana Maria Magdalenina ary nahita ilay vato efa nikisaka lavitra ilay fasana izy.
\v 2 Noho izany dia nihazakazaka izy ary nanatona an'i Simona Petera sy ilay mpianatra hafa izay tian'i Jesosy, ary hoy izy tamin'izy ireo hoe: "Nalain'izy ireo tao amin'ny fasana ny Tompo, ary tsy fatatray izay nametrahan'izy ireo Azy."
\s5
\v 3 Avy eo nandeha nivoaka Petera sy ilay mpianatra hafa, ary nankany amin'ny fasana izy ireo.
\v 4 Samy niazakazaka izy ireo, ary nosongonan'ilay mpianatra hafa haingana Petera ary dia izy no tonga voalohany teny amin'ny fasana.
\v 5 Avy eo niondrika izy, ary natazana ilay lambam-paty nipetraka teo, fa tsy mbola nitsofoka tao anatiny izy.
\s5
\v 6 Tonga taoriany avy eo Simona Petera ary niditra tao am-pasana. Tazany nipetraka teo ilay lambam-paty
\v 7 sy ilay lamba natao teny amin'ny lohany. Tsy niara-nipetraka tamin'ilay lambam-paty anefa ilay izy fa nivalona ho azy teo amin'ny toerany.
\s5
\v 8 Avy eo ilay mpianatra iray hafa, ilay tonga voalohany teo amin'ny fasana, niditra tao anatiny koa, ary nahita sy nino izy.
\v 9 Fa hatramin'io fotoana io izy ireo dia tsy mbola nahafantatra ny Soratra Masina ihany fa Izy dia tsy maintsy hitsangana amin'ny maty.
\v 10 Ka dia niverina tany an-trano indray ireo mpianantra.
\s5
\v 11 Fa Maria dia nijoro nitomany teo ivelan'ny fasana. Raha izy nitomany iny, dia niondrika tao amin'ilay fasana.
\v 12 Nahita anjely roa mitafy lamba fotsy nipetraka izy, ny iray teo an-doha, ary ny iray teo an-tongotra teo amin'ilay toerana nametrahana ny vatan'i Jesosy.
\v 13 Hoy izy ireo taminy hoe: "Ravehivavy, nahoana ianao no mitomany?" Hoy izy tamin'izy ireo hoe: "Satria nentin'izy ireo ny Tompoko, ary tsy fantatro izay nametrahan'izy ireo Azy."
\s5
\v 14 Rehefa avy niteny izany izy, dia nitodika ary naita an'i Jesosy nijoro teo, fa tsy fantany anefa hoe Jesosy io.
\v 15 Hoy Jesosy taminy hoe: "Ravehivavy, Nahoana ianao no mitomany? Fa iza no jerenao?" Noheveriny fa ilay mpiambina anefa Izy, ka hoy izy taminy hoe: "Tompoko, raha Ianao no naka Azy, dia lazao amiko ny nametrahanao Azy, fa ho alaiko any Izy."
\s5
\v 16 Hoy Jesosy taminy hoe: "Maria." Nitodika izy, ary niteny taminy tamin'ny teny Hebreo hoe: "Rabôny" (izay midika hoe: "Mpampianatra.")
\v 17 Hoy Jesosy taminy hoe: "Aza mikasika Ahy, fa tsy mbola niakatra any amin'ny Ray Aho, fa mandehana any amin'ireo rahalahiko ary teneno azy ireo fa hiakatra any amin'ny Raiko sy Rainareo Aho, ary ny Andriamanitro sy Andriamanitrareo."
\v 18 Nandeha Maria Magdalenina ary niteny ireo mpianatra hoe: "Nahita ny Tompo aho," ary ireo zavatra ireo no nolazainy taminy.
\s5
\v 19 Ary hariva tamin'izay, tamin'io andro io, andro voalohan'ny herinandro, ary ireo varavarana izay nisy ireo mpianatra, dia nidy nohon'ny fatahorana ireo Jiosy, nanatona Jesosy ary nijoro teo afovoan'izy ireo ka niteny azy ireo hoe: "Fiadanana ho anareo."
\v 20 Rehefa avy niteny izany Izy, dia nasehony azy ireo ny tanany sy ny lanivoany. Faly ireo mpianatra rehefa nahita ny Tompo.
\s5
\v 21 Avy eo Jesosy niteny azy ireo hoe: "Fiadanana ho anareo. Toy ny nanirahin'ny Ray Ahy, no hanirahako anareo koa."
\v 22 Rehefa avy niteny izany Jesosy, dia nitsoka ny fofon'ainy tamin'izy ireo ary niteny azy ireo hoe: "Raiso ny Fanahy Masina.
\v 23 Na helok'iza na helok'iza avelanareo, dia ho voavela izy ireo; ary na an'iza na an'iza tsy avelanareo, dia tsy voavela izy ireo."
\s5
\v 24 Tomasy, iray tamin'ireo roa ambin'ny folo, nantsoina hoe Didymo, dia tsy niaraka tamin'izy ireo rehefa tonga Jesosy.
\v 25 Ireo mpianatra hafa avy eo niteny taminy hoe: "Hitanay ny Tompo." Hoy izy tamin'izy ireo hoe: "Raha tsy hitako eny amin'ny tanany ny loakin'ireo fantsika, ary mametraka ny ratsan-tanako ao anatin'ilay loakin'ireo fantsika aho, ary mametraka ny tanako eo amin'ny lanivoany, dia tsy hino aho."
\s5
\v 26 Valo andro taty aoriana dia tao indray ireo mpianany, ary niaraka tamin'izy ireo Tomasy. Nanatona Jesosy raha nihidy ny varavarana, ary nijoro niaraka teo amin'izy ireo, ary niteny hoe: "Fiadanana ho anareo."
\v 27 Avy eo niteny an'i Tomasy izy hoe: "Manatona ety miaraka amin'ny tananao ary apetraho eto amin'ny lanivoako izany. Aza kely finoana, fa minoa."
\s5
\v 28 Tomasy namaly ary niteny Azy hoe: "Tompoko sy Andriamanitro."
\v 29 Hoy Jesosy taminy hoe: "Satria nahita Ahy ianao, dia nino. Sambatra ireo izay tsy nahita, nefa mino."
\s5
\v 30 Ankehitriny Jesosy dia nanao famantarana maro hafa teo anatrehan'ireo mpianany, famantarana izay tsy voasoratra tao anatin'ity boky ity,
\v 31 fa ireo dia voasoratra mba hafahanareo mino fa Jesosy no Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra, ary rehefa mino Azy ianareo, dia hahazo ny fiainana amin'ny anarany.
\s5
\c 21
\p
\v 1 Taorian'ireo zavatra ireo Jesosy dia niseho tamin'ireo mpianatra indray teo amin'ny ranomasin'i Tiberiasy. Toy izao ny fomba nisehoany:
\v 2 Simona Petera dia niaraka tamin'i Tomasy izay antsoina hoe Didymo, Natanaela avy any Kana any Galilia, ireo zanak'i Zebedio, ary mpianatr'i Jesosy roa hafa.
\v 3 Hoy Simona Petera tamin'izy ireo hoe: "Handeha hanarato aho." Ary hoy izy ireo taminy hoe: "Izahay, koa, handeha hiaraka aminao." Ka lasa izy ireo ary niditra tao an-tsambokely iray, fa tsy nahazo na inona na inona izy ireo nandritry ny alina tontolo.
\s5
\v 4 Ary, raha efa mangiran-dratsy sahady ny andro, dia nijoro teo an-dranomasina Jesosy, fa tsy fantatr'ireo mpianatra hoe Jesosy io.
\v 5 Ka hoy Jesosy tamin'izy ireo hoe: "Ry tovolahy, tsy manan-ko-hanina ve ianareo?" Namaly Azy izy ireo hoe: "Tsia."
\v 6 Hoy Izy tamin'izy ireo hoe: "Atsipazo eo amin'ny sisiny ankavanan'ny sambokely ny haratonareo, dia hahazo ianareo." Ka dia natsipin'izy ireo ny haraton'izy ireo ary tsy nahavita nampiakatra izany tao nohon'ny habetsaky ny hazandrano.
\s5
\v 7 Avy eo hoy ilay mpianatra izay tian'i Jesosy tamin'i Petera hoe: "Ny Tompo io." Rehefa ren'i Simona Petera fa ny Tompo io, dia nampiditra ny ambonin'ankanjony izy (satria tsy niakanjo izy), ka nitsambikina tao anaty ranomasina.
\v 8 Ireo mpianatra hafa nankao an-tsambokely (satria izy ireo tsy lavitry ny tanety, teo amin'ny roan-jato hakiho teo), ary nisintona ny harato feno hazandrano.
\v 9 Rehefa tafiakatra an-tanety izy ireo, dia nahita afon'arina teny ary hazandrano teo amboniny, miaraka amin'ny mofo.
\s5
\v 10 Hoy Jesosy tamin'izy ireo hoe: "Mitondrà hazandrano maromaro amin'ireo vao azonareo teo."
\v 11 Ary niakatra Simona Petera ka nisintona an-tanety ny harato, izay feno hazandrano vaventy; 153. Tena maro be, kanefa tsy nitriatra ilay harato.
\s5
\v 12 Hoy Jesosy tamin'izy ireo hoe: "Avia hisakafo maraina." Tsy nisy tamin'ireo mpianatra sahy nanontany Azy hoe: "Iza moa Ianao?" Fantatr'izy ireo fa ny Tompo io.
\v 13 Nanatona Jesosy, nandray ny mofo, ary nanome izany azy ireo, toy izany koa ny hazandrano.
\v 14 Fanintelony amin'io no nisehoan'i Jesosy tamin'ireo mpianatra taorian'ny nitsanganany tamin'ny maty.
\s5
\v 15 Rehefa avy nihinana ilay sakafo maraina izy ireo, dia hoy Jesosy tamin'i Simona Petera hoe: "Simona zanak'i Jaona, tia Ahy mihoatra noho ireo ve ianao?" Hoy Petera taminy hoe: "Eny ry Tompo, fantatrao fa tia Anao aho." Hoy Jesosy taminy hoe: "Fahano ireo ondriko."
\v 16 Niteny taminy fanindroany indray Izy hoe: "Simona zanak'i Jaona, tia Ahy ve ianao?" Hoy Petera taminy hoe: "Eny ry Tompo, fatatrao fa tia Anao aho." Hoy Jesosy taminy hoe: "Karakarao ny ondriko."
\s5
\v 17 Niteny taminy fanintelony izy hoe: "Simona, zanak'i Jaona, tia Ahy ve ianao?" Dia nalahelo Petera satria Jesosy nanao intelo taminy hoe: "Tia Ahy ve ianao?" Ka hoy izy taminy hoe: "Tompo, Ianao mahalala ny zavatra rehetra, fantatrao fa tia Anao aho." Hoy Jesosy taminy hoe: "Fahano ny ondriko."
\v 18 Lazaiko aminao, marina, dia marina tokoa, fony mbola tanora ianao, dia zatra nampiditra irery ny akanjonao ary nandeha tamin'izay tianao, fa rehefa niha-antitra ianao, dia haninjitra ny tananao, ary olon-kafa no hampiakanjo anao sy hitondra anao amin'izay tsy tianao aleha."
\s5
\v 19 Ary Jesosy nilaza izany mba hahafantarana hoe amin'ny karazana fahafatesana toy ny inona no hanomezan'i Petera voninahitra an'Andriamanitra. Rehefa avy nilaza izany Izy, dia hoy Izy tamin'i Petera hoe: "Manaraha Ahy."
\s5
\v 20 Nitodika Petera ka nahita ilay mpianatra izay tian'i Jesosy nanaraka azy ireo, ilay iray izay niankina ampitan'i Jesosy ihany koa tao amin'ny fisakafoana ary nanao hoe: "Tompo, iza ilay iray hamadika Anao?"
\v 21 Nahita azy Petera ary hoy izy avy eo tamin'i Jesosy hoe: "Tompo, inona no ho ataon'io lehilahy io?"
\s5
\v 22 Hoy Jesosy taminy hoe: "Raha tiako hitoetra izy mandra-piaviko, dia midika inona izany aminao? Manaraha Ahy."
\v 23 Ka niparitaka teo amin'ireo mpirahalahy izany teny izany, fa tsy ho faty io mpianatra io. Nefa Jesosy tsy nilaza tamin'i Petera fa tsy ho faty ilay mpianatra hafa, fa hoe: "Raha tiako hitoetra izy mandra-pihaviko, dia midika inona izany aminao?"
\s5
\v 24 Izy ilay mpianatra izay nijoro vavolombelona momba ireo zavatra ireo, sy ilay nanoratra ireo zavatra ireo, ary fantatsika fa marina ny fanambarany.
\v 25 Misy zavatra maro hafa koa izay nataon'i Jesosy. Raha voasoratra tsirairay avy izany, dia heveriko fa na dia izao tontolo izao aza tsy ho omby ny boky izay ho soratana.