plt_ulb/42-MRK.usfm

1263 lines
96 KiB
Plaintext
Raw Permalink Blame History

This file contains ambiguous Unicode characters

This file contains Unicode characters that might be confused with other characters. If you think that this is intentional, you can safely ignore this warning. Use the Escape button to reveal them.

\id MRK
\ide UTF-8
\h Marka
\toc1 Marka
\toc2 Marka
\toc3 mrk
\mt Marka
\s5
\c 1
\p
\v 1 Ity ny fiandohan'ny filazantsaran'i Jesosy Kristy, ilay Zanak'Andriamanitra.
\v 2 Araka izay voasoratra ao amin'Isaia mpaminany hoe: "Indro, Izaho maniraka ny irako hialoha Anao, ilay iray hamboatra ny lalanao.
\v 3 Misy feo re miantso mafy any an'efitra hoe: "Ataovy vonona ny lalan'ny Tompo; ataovy mahitsy ny lalan-kalehany."'
\s5
\v 4 Tonga Jaona, nanao batisa tany an'efitra ary nitory ny batisan'ny fibebahana ho amin'ny famelan-keloka nohon'ny ota.
\v 5 Ny tanin'i Jodia rehetra sy ny mponina rehetra ao Jerosalema dia tonga nanatona azy. Nataony batisa tao amin'ny onin'i Jordana izy ireo, rehefa niaiky ny fahotany.
\v 6 Jaona dia nitafy lamba volon-drameva ary nanao fehikibo hoditra teo am-balahany, ary valala sy tantely remby no nohaniny.
\s5
\v 7 Nanambara izy hoe: "Misy iray ho avy manaraka ahy izay mahery mihoatra ahy, ary tsy mendrika aho na dia ny hamaha ny fehin-kapany aza.
\v 8 Izaho nanao batisa anareo tamin'ny rano, fa Izy kosa hanao batisa anareo amin'ny Fanahy Masina."
\s5
\v 9 Tamin'ireo andro nahatongavan'i Jesosy avy any Nazareta tao Galilia no nitranga izany, ary nataon'i Jaona batisa tao amin'ny onin'i Jordana Izy.
\v 10 Raha vao nivoaka ny rano Jesosy, dia hitany nisokatra ny lanitra ary nidina teo aminy tahaka ny voromailala ny Fanahy.
\v 11 Ary nisy feo avy any an-danitra nanao hoe: "Ianao no Zanako malalako. Ianao no sitrako."
\s5
\v 12 Avy eo dia notaomin'ny Fanahy ho any an'efitra Jesosy.
\v 13 Efapolo andro Izy no tany an'efitra, nalain'ny satana fanahy. Nitoetra niaraka tamin'ny bibidia Izy, ary nanompo Azy ireo anjely.
\s5
\v 14 Ary rehefa voasambotra Jaona, dia tonga tao Galilia Jesosy nitory ny filazantsaran' Andriamanitra,
\v 15 ary nilaza hoe: "Efa tonga ny fotoana, ary efa akaiky ny fanjakan'Andriamanitra. Mibebaha dia minoa ny filazantsara."
\s5
\v 16 Rehefa nandeha teny amoron-dranomasin'i Galilia Izy, dia nahita an'i Simona sy Andrea rahalahan'i Simona nanarato, satria mpanarato izy ireo.
\v 17 Hoy Jesosy tamin'izy ireo hoe: "Avia, manaraha Ahy, fa ataoko mpanarato olona ianareo."
\v 18 Teo no eo dia namela ny harato izy ireo ka nanaraka Azy.
\s5
\v 19 Rehefa nandeha lavidavitra Jesosy, dia nahita an'i Jakoba zanak'i Zebedio sy Jaona rahalahiny; izay tao an-tsambokely namboatra ny harato.
\v 20 Niantso azy ireo Izy ka dia nilaozany tao an-tsambokely avy hatrany Zebedio rainy niaraka tamin'ireo mpikarama, ka nanaraka Azy izy ireo.
\s5
\v 21 Avy eo dia tonga tao Kapernaomy izy ireo, ary tamin'ny andro Sabata, dia niditra tao amin'ny synagoga Jesosy ary nampianatra.
\v 22 Talanjona tamin'ny fampianarany izy ireo, satria nampianatra azy ireo toy ny olona manana fahefana Izy fa tsy tahaka ireo mpanora-dalàna.
\s5
\v 23 Avy eo nisy lehilahy iray tao amin'ny synagogan'izy ireo izay nanana fanahy maloto nihiaka mafy,
\v 24 nanao hoe: "Inona no hifandraisanay aminao, ry Jesosy avy any Nazareta? Tonga hamotika anay va Ianao? Fantatro hoe iza Ianao. Ianao ilay Masin'Andriamanitra!"
\v 25 Niteny mafy ny demonia Jesosy ka nanao hoe: "Mangina ary mivoaha aminy!"
\v 26 Ary ilay fanahy maloto nandavo azy sy nivoaka taminy ka niantso tamin'ny feo mahery.
\s5
\v 27 Talanjona ny olona rehetra, ka nifanontany izy ireo hoe: "Inona ity? Fampianarana vaovao misy fahefana? Baikoiny na dia ireo fanahy maloto aza ary manaiky Azy izy ireo!"
\v 28 Ny vaovao momba Azy dia niparitaka teny rehetra teny tao amin'ny faritr'i Galilia iray manontolo.
\s5
\v 29 Rehefa avy nivoaka ny synagoga, dia tonga tao an-tranon'i Simona sy Andrea izy ireo, niaraka tamin'i Jakoba sy Jaona.
\v 30 Ary ny rafozam-bavin'i Simona nandry nararin'ny tazo, ka nolazain'izy ireo an'i Jesosy ny momba azy.
\v 31 Dia nanatona Izy, ka nandray azy tamin'ny tanany, ary nanarina azy; dia afaka ny tazony, ary nanomboka nanompo azy ireo izy.
\s5
\v 32 Tamin'io hariva io, taorian'ny filentehan'ny masoandro, dia nentin'izy ireo teo aminy izay narary rehetra na misy demonia.
\v 33 Tafavory niaraka teo am-baravarana ny tao an-tanàna rehetra.
\v 34 Nanasitrana olona maro izay nararin'ny aretina samihafa Izy ary nandroaka demonia maro, fa tsy navelany hiteny ireo demonia satria nahafantatra Azy izy ireo.
\s5
\v 35 Nifoha maraina be Izy, raha mbola maizina ny andro; niala teo Izy ka nandeha tany amin'ny toerana mitokana ary teo Izy no nivavaka.
\v 36 Nitady Azy Simona sy ireo izay niaraka taminy.
\v 37 Nahita Azy izy ireo ary nilaza taminy hoe: "Mitady Anao ny olona rehetra."
\s5
\v 38 Hoy Izy hoe: "Andeha isika ho any amin'ny toeran-kafa, any ivelany ao amin'ireo tanàna manodidina, mba hafahako mitory teny any koa. Fa izany no antony nivoahako taty."
\v 39 Dia nitety an'i Galilia manontolo Izy, nitory teny tao amin'ny synagogan'izy ireo sady nandroaka demonia maro.
\s5
\v 40 Nisy boka iray tonga teo aminy. Nitalaho taminy izy; nandohalika teo Aminy ary nilaza taminy hoe: "Raha sitrakao, dia afaka manadio ahy Ianao."
\v 41 Onena azy, dia naninjitra ny tanany Jesosy ary nikasika azy, nanao taminy hoe: "Sitrako. Madiova ianao."
\v 42 Niala taminy avy hatrany ny habokana, ary nadio izy.
\s5
\v 43 Nampitandrina mafy azy Jesosy ary nandefa azy.
\v 44 Hoy Izy taminy hoe: "Tandremo tsy hilaza na inona na inona amin'iza na amin'iza ianao, fa mandehana, asehoy amin'ny mpisorona ny tenanao, ary manaova fanatitra nohon'ny fanadiovana anao araka ny nandidian'i Mosesy, mba ho fijoroana vavolombelona ho azy ireo."
\s5
\v 45 Fa nivoaka izy ary nanomboka nilaza tamin'ny olona rehetra sy nampiely loatra ny teny ka dia tsy afaka niditra an-kalalahana tany amin'ny tanàna rehetra intsony Jesosy. Ka nitoetra tany ivelany tany amin'ny toerana mitokana Izy ary nanatona Azy ny olona avy amin'ny toerana rehetra.
\s5
\c 2
\p
\v 1 Rehefa niverina tao Kapernaomy Izy afaka andro vitsivitsy, dia re fa tao an-trano Izy.
\v 2 Maro tokoa ny olona nitangorona teo hany ka tsy nisy toerana intsony, na dia ny teo am-baravarana aza, ary nanambara ny teny tamin'izy ireo Jesosy.
\s5
\v 3 Dia nisy lehilahy maromaro nanatona Azy izay nitondra lehilahy malemy iray; izay nolanjain'olona efa-dahy.
\v 4 Rehefa tsy afaka nanatona Azy akaiky izy ireo nohon'ny habetsaky ny vahoaka, dia nesorinizy ireo ny tafon-trano izay teo ambonin'i Jesosy, ary rehefa voasokatr'izy ireo, dia nampidinin'izy ireo ny fandriana izay nandrian'ilay lehilahy malemy.
\s5
\v 5 Nony nahita ny finoan'izy ireo, dia hoy Jesosy tamin'ilay lehilahy malemy hoe: "Anaka, voavela ny helokao."
\v 6 Ary nisy sasany tamin'ireo mpanora-dalàna nipetraka teo, ka nimonomonona tao am-pon'izy ireo hoe:
\v 7 "Ahoana no ahafahan'io lehilahy io miteny tahaka izany? Miteny ratsy Izy! Fa tsy Andriamanitra irery ihany va no afaka mamela heloka?"
\s5
\v 8 Fa Jesosy nahafantatra avy hatrany tao amin'ny fanahiny ny zavatra noeritreretin'izy ireo. Ary hoy Izy tamin'izy ireo hoe: "Nahoana ianareo no mieritreritra izany zavatra izany ao am-ponareo?
\v 9 Inona no moramora kokoa ny miteny amin'ilay lehilahy malemy hoe: 'Voavela ny helokao' sa ny hoe: 'Mitsangàna, batao ny fandrianao, dia mandehana'?
\s5
\v 10 Fa mba hahafantaranareo fa manana fahefana hamela heloka ety an-tany ny Zanak'Olona," hoy Izy tamin'ilay malemy hoe:
\v 11 "Lazaiko aminao, mitsangàna, batao ny fandrianao, dia mandehana any an-tranonao".
\v 12 Dia nitsangana izy ka nibata ny fandriany avy hatrany, ary nivoaka an'ilay trano manoloana ny rehetra, ka dia talanjona izy rehetra ka nanome voninahitra an'Andriamanitra, ary hoy izy ireo hoe: "Tsy mbola nahita zavatra tahaka ity izahay."
\s5
\v 13 Avy eo nivoaka teo amoron-dranomasina indray Izy, ary nanatona azy avokoa ny vahoaka, ka nampianariny izy ireo.
\v 14 Ary rehefa nandalo Izy, dia nahita an'i Levi zanak'i Alfeo nipetraka teo amin'ny toerana fanangonana hetra ka hoy Izy taminy hoe: "Manaraha Ahy." Dia nitsangana izy ka nanaraka Azy.
\s5
\v 15 Nisakafo tao an-tranon'i Levy Jesosy ary mpamory hetra sy olona mpanota maro no niara-nihinana taminy sy ireo mpianany, fa maro izy ireo no tao ary nanaraka Azy.
\v 16 Ary ireo mpanora-dalàna, izay Fariseo, rehefa nahita an'i Jesosy niara-nisakafo tamin'ireo olona mpanota sy ireo mpamory hetra, dia nanontany ny mpianany hoe: "Nahoana Izy no miara-misakafo amin'ny mpamory hetra sy olona mpanota?"
\s5
\v 17 Rehefa nandre izany Jesosy dia hoy Izy tamin'izy ireo hoe: "Tsy ny salama no mila mpitsabo; fa izay marary irery ihany no mila izany. Tsy tonga hiantso ny olo-marina Aho, fa ny olona mpanota."
\s5
\v 18 Ary nifady hanina ireo mpianatr'i Jaona sy ireo Fariseo. Lehilahy maromaro no nanatona Azy ka niteny taminy hoe: "Nahoana ny mpianatr'i Jaona sy ny mpianatr'ireo Fariseo no mifady hanina, fa ny mpianatrao kosa tsy mba mifady?"
\v 19 Dia hoy Jesosy tamin'izy ireo hoe: "Afaka mifady hanina va ny mpanatrika ny fampakarana raha mbola eo ny mpampakatra? Raha mbola miaraka aminizy ireo eo ny mpampakatra, dia tsy afaka mifady hanina izy ireo.
\s5
\v 20 Ho avy ny andro hanalana ny mpampakatra eo amin'izy ireo, dia amin'izay andro izay, no hifady hanina izy ireo.
\v 21 Tsy misy manampina lamba tonta amin'ny lamba vaovao, raha tsy izany dia hiala aminy ilay tapa-damba, ny vaovao hiala amin'ny taloha, ary vao maika ho ratsy ny faharovitana.
\s5
\v 22 Ary tsy misy olona manisy divay vaovao ao anaty siny hoditra tonta, raha tsy izany dia ho rovitry ny divay ny hoditra ka samy ho very ny divay sy ny siny hoditra. Fa kosa, divay vaovao atao ao anaty siny hoditra vaovao."
\s5
\v 23 Tamin'ny andro sabata Jesosy nandeha teny amin'ny tanimbary maromaro, ary nanomboka nioty salohimbary ny mpianany.
\v 24 Dia hoy ireo Fariseo Taminy: "Jereo, nahoana izy ireo no manao zavatra tsy araky ny lalànan'ny andro Sabata?"
\s5
\v 25 Dia hoy Izy tamin'izy ireo hoe: "Mbola tsy novakianareo angaha izay nataon'i Davida rehefa tao anatin'ny tsy fahampiana sy hanoanana izy_ sy ireo lehilahy niaraka taminy_
\v 26 ahoana ny fomba nidirany tao an-tranon'Andriamanitra tamin'ny andron' i Abiatara mpisoronabe, ka nihinana ny mofon'ny fanatrehana, izay tsy ara-dalàna ho an'iza na iza ny mihinana azy afa-tsy ny mpisorona ihany, ary mbola nanomezany maromaro ireo izay niaraka taminy aza?"
\s5
\v 27 Jesosy niteny hoe: "Ny Sabata dia natao ho an'ny zanak'olombelona, fa tsy ny zanak'olombelona no ho an'ny Sabata.
\v 28 Noho izany, ny Zanak'Olona no Tompo, na dia amin'ny Sabata aza."
\s5
\c 3
\p
\v 1 Dia nandeha tao amin'ny synagoga indray Jesosy ary nisy lehilahy maty tanana tao.
\v 2 Nijery akaiky Azy ny olona sasantsasany mba hahita raha hanasitrana azy amin'ny Sabata Izy mba afahan'izy ireo manameloka Azy.
\s5
\v 3 Hoy Jesosy tamin'ilay lehilahy maty tànana hoe: "Mitsangàna ary mijoroa eto afovoan'ny olon-drehetra eto."
\v 4 Dia niteny tamin'ny olona Izy hoe: "Ara-dalàna va ny manao soa amin'ny andro Sabata sa ny manao ratsy; ny mamonjy aina, sa ny mahafaty?" Nefa izy ireo tsy nahaloa-teny.
\s5
\v 5 Nijery azy ireo tamim-pahatezerana Jesosy, ary nalahelo Izy nohon'ny hamafin'ny fon'izy ireo, dia niteny tamin'ilay lehilahy Izy hoe: "Ahinjiro ny tananao." Dia natsotran'ilay lehilahy ny tanany ka sitrana.
\v 6 Nivoaka ireo fariseo ary nikonokonona faingana niaraka tamin'ny Herodiana hitady izay fomba hamonoana Azy.
\s5
\v 7 Avy eo Jesosy, niaraka tamin'ireo mpianany, nankeny an-dranomasina, ary nisy vahoaka maro nanaraka avy any Galilia sy avy any Jodia
\v 8 ary avy any Jerosalema sy avy any Edoma ary hatrany amin'ny onin'i Jordana sy manodidina ny Tyra sy Sidona. Rehefa nahare momba ireo zavatra nataony izy ireo, dia nisy vahoaka maro nankeo aminy.
\s5
\v 9 Dia nampitady sambokely ny mpianany Jesosy ho Azy nohon'ny habetsaky ny olona teo, mba tsy hifanosehan'ny olona Izy.
\v 10 Noho Izy nanasitrana olona maro, dia nifandrombaka nanatona Azy ny olon-drehetra izay nanana aretina mba hikasika Azy.
\s5
\v 11 Isaky ny nahita Azy ireo fanahy maloto, dia niankohoka teo anoloany ary nihiaka, ary hoy izy ireo hoe: "Ianao no Zanak'Andriamanitra."
\v 12 Noteneniny mafy ireo mba tsy hampahafantatra Azy.
\s5
\v 13 Niakatra teny an-tendrombohitra Izy, ary niantso ireo izay tiany, dia nankeo aminy ireo.
\v 14 Nanendry ireo roa ambinifolo Izy (izay nantsoiny hoe Apostoly), mba hafahan'izy ireo miaraka aminy sy hafahany mandefa azy ireo mitory ny hafatra,
\v 15 ary hanana fahefana handroaka demonia.
\v 16 Avy eo dia nanendry ireo roa ambinifolo Izy: Simona, izay nomeny anarana hoe Petera;
\s5
\v 17 Jakoba zanak'i Zebedio, sy Jaona rahalahiny, izay nomeny ny anarana hoe Boanarijesy, izay midika hoe, zana-baratra;
\v 18 ary Andrea, Filipo, Baritolomeo, Matio, Tomasy, Jakoba zanak'i Alfeo, Tadeo, Simona Zelota,
\v 19 ary Jodasy Iskariota, izay hamadika Azy.
\s5
\v 20 Dia nody tany an-trano Izy, ary niara-tonga indray ny vahoaka, hany ka tsy afaka nisakafo akory izy ireo.
\v 21 Rehefa nandre ny momba izany ny fianakaviany, dia nivoaka izy ireo haka Azy, satria nolazain'izy ireo hoe: "Very saina Izy."
\v 22 Ary ireo mpanora-dalàna izay nidina avy any Jerosalema dia nilaza fa: "Itoeran'i Belzeboba Izy", ka, "Aminny alalanny mpanapaky ny demonia no androahany ny demonia."
\s5
\v 23 Dia nantsoin'i Jesosy hankeo aminy ireo ka niteny azy ireo tamin'ny alalan'ny fanoharana hoe: "Ahoana no hahafahan'i Satana mandroaka an'i Satana?
\v 24 Raha misy fanjakana miady an-trano, dia ho rava izany.
\v 25 Ary raha misy tokan-trano miady an-trano, dia tsy haharitra izany tokan-trano izany.
\s5
\v 26 Raha nitsangana nanohitra ny tenany Satana ary nisaraka, dia tsy haharitra, ka hifarana.
\v 27 Fa tsy misy afaka miditra ao amin'ny tranona lehilahy mahery iray ary mandroba ny fananany raha tsy mamatotra ilay mahery aloha, ary handroba ny tranony izy avy eo.
\s5
\v 28 Lazaiko marina aminareo, ho voavela avokoa ny heloky ny zanak'olombelona, na dia ireo teny ratsy rehetra izay avoakan'ny vavany aza,
\v 29 fa izay miteny ratsy ny Fanahy Masina kosa dia tsy ho voavela heloka mandrakizay, fa meloka nohon'ny ota mandrakizay."
\v 30 Nanambara izany Jesosy nohon'ny filazan'izy ireo hoe: "Manana fanahy maloto Izy."
\s5
\v 31 Avy eo dia tonga ny reniny sy ireo rahalahiny ary nijoro teny ivelany. Nandefa olona nampahafantatra Azy izy ireo, ka nampiantso Azy.
\v 32 Nipetraka manodidina Azy ny vahoaka ary hoy izy ireo taminy hoe: "Ny reninao sy ireo rahalahinao dia ao ivelany ao, ary mitady anao izy ireo."
\s5
\v 33 Ary Izy namaly hoe: "Iza no reniko sy rahalahiko?"
\v 34 Ary nijery nanodidina tamin'ny olona nipetraka manodidina Azy Izy ary hoy Izy hoe: "Jereo, ireto ny reniko sy ny rahalahiko!
\v 35 Fa na iza na iza manao ny sitrapon'Andriamanitra, dia izany olona izany no rahalahiko, sy anabaviko, ary reniko."
\s5
\c 4
\p
\v 1 Ary nanomboka nampianatra teo amoron'ny ranomasina indray Izy, ary nisy vahoaka be niangona nanodidina Azy. Niditra tao an-tsambokely izay teo an-dranomasina Izy, ary nipetraka tao amin'izany. Ny vahoaka rehetra kosa dia nijanona teo amoron'ny ranomasina.
\v 2 Nampianatra azy ireo zavatra maro tamin'ny alalan'ny fanoharana Izy, ary tao amin'ny fampianarany, dia izao no nolazainy tamin'izy ireo.
\s5
\v 3 "Henoy, nisy mpamafy handeha hamafy voa.
\v 4 Ary raha namafy izy, dia nisy voa sasany niraraka tamin'ny lalana, ka avy ireo vorona ary nihinana izany.
\v 5 Ny voa sasany niraraka tamin'ny tany feno vatovato, izay tsy nisy tany firy. Tonga dia nitsimoka avy hatrany izy ireny, satria tsy lalina ny tany nisy azy.
\s5
\v 6 Fa rehefa niposaka ny masoandro, dia nalazo izy ireo, ary satria tsy nisy fakany izy ireo, dia maina.
\v 7 Ny voa hafa niraraka tamin'ny tany feno tsilo. Ary nitsimoka niha-lehibe ireo tsilo ireo dia nangeja azy, ka tsy namoa voa.
\s5
\v 8 Ny voa hafa niraraka tamin'ny tany tsara ka namokatra voa teo am-pitomboana ary nihamaro, ary ny sasany nitombo avo telopolo heny, ny sasany enimpolo, ary ny sasany zato."
\v 9 Avy eo dia hoy Izy hoe: "Izay manan-tsofina hoenti-mihaino, aoka izy hihaino!"
\s5
\v 10 Rehefa irery Jesosy, dia nanontany Azy momba io fanoharana io ireo izay akaiky Azy sy ireo mpianany roambinifolo.
\v 11 Hoy Izy tamin'izy ireo hoe: "Ho anareo no nanomezana ny zava-miafin'ny fanjakan'Andriamanitra. Fa ho an'ireo izay any ivelany dia fanoharana avokoa,
\v 12 mba amin'ny fotoana hijeren'izy ireo, eny hijery izy ireo, nefa tsy hahita, ary mba amin'ny fotoana hihainoan'izy ireo, eny handre izy ireo, nefa tsy hahafantatra izany, na koa hiodina izy ireo dia hamindra fo amin'izy ireo Andriamanitra."
\s5
\v 13 Ary hoy izy tamin'izy ireo hoe: "Tsy azonareo va izany fanoharana izany? Ahoana izany no hahazoanareo ireo fanoharana hafa rehetra?
\v 14 Ilay mpamboly izay mamafy ny voa dia ilay iray izay mamafy ny teny.
\v 15 Ireto no ilay niraraka teny an-dalana, izay namafazana ny teny, fa rehefa ren'izy ireo izany, dia tonga avy hatrany Satana ary hangalatra ny teny izay voafafy tamin'izy ireo.
\s5
\v 16 Ireto no ilay voafafy tamin'ny tany feno vatovato, izay, rehefa nandre ny teny, dia nandray izany avy hatrany tamim-pifaliana.
\v 17 Tsy misy fakany ao amin'izy izy ireo, fa maharitra fotoana fohy fotsiny. Dia tonga ny fahoriana na ny fanenjehana nohon'ny teny, ka avy hatrany dia lavo izy ireo.
\s5
\v 18 Ireo hafa no ilay voafafy tamin'ny tany feno tsilo. Ren'izy ireo ny teny,
\v 19 fa ny fanahian'izao tontolo izao, ny famitahan'ny harena, sy ny filàna ny zavatra hafa dia tafiditra ka mangeja ny teny, ka tsy mamoa vokatra izany.
\v 20 Ary ireo izay voafafy teny amin'ny tany tsara dia ireo izay mandre ny teny ary mandray izany, ka namoa vokatra izy ireo_ telopolo, enimpolo, na avo zato henin'izay nafafy."
\s5
\v 21 Jesosy niteny tamin'izy ireo hoe: "Moa entinao ao ao an-trano va ny jiro mba ho atao ao ambany sobika, na ambanin'ny farafara? Entinao miditra izany dia hataonao ambonin'ny fitoeran-jiro.
\v 22 Fa tsy misy zava-miafina izay tsy ho fantatra, ary tsy misy tsiambaratelo izay tsy hivoaka.
\v 23 Raha misy manan-tsofina hoenti-mihaino, aoka izy hihaino!"
\s5
\v 24 Hoy Izy tamin'izy ireo hoe: "Mitandrema amin'ny teny izay renareo, fa arakaraky ny ohatra anoharanareo ihany, no anoharana anareo, ary ho ampiana aminareo izany.
\v 25 Satria na iza na iza manana, dia homena betsaka kokoa izy, ary na iza na iza tsy manana, na izay ananany aza hesorina aminy."
\s5
\v 26 Ary hoy ihany koa Izy hoe: "Ny fanjakan' Andriamanitra dia tahaka ny olona iray mamafy ny voany amin'ny tany.
\v 27 Matory izy amin'ny alina ary mifoha aminny maraina, ary ny voa dia mitsimoka ka maniry, fa tsy fantany hoe ahoana.
\v 28 Ny tany dia mamoa amin'ny tenany ihany: voalohany ny rantsany, avy eo ny tahony, avy eo ny voa matoy eo amin'ny tahony.
\v 29 Ary rehefa matoy ny voa dia avy hatrany izy dia handefa fijinjana, fa efa tonga ny fotoam-pijinjana."
\s5
\v 30 Ary hoy indray Izy hoe: "Inona no azontsika ampitahana ny fanjakan'Andriamanitra, na inona no fanoharana hampiasaintsika hanazavana izany?
\v 31 Izany dia tahaka ny voatsinampy izay, rehefa hafafy, dia izy no voa kely indrindra amin'ny voa rehetra eto ambonin'ny tany.
\v 32 Nefa, rehefa voafafy izany, dia mitsimoka ary lasa lehibe noho ny hazo rehetra, ary mamoa rantsana vaventy, ka azon'ny voromanidina hanaovana ny tranony eo amin'ny alokalony."
\s5
\v 33 Ary fanoharana maro toy izany no nanambarany ny teny tamin'izy ireo, araka izay fahazoanizy ireo azy,
\v 34 ary tsy niteny tamin'izy ireo afa-tsy tamin'ny fanoharana Izy. Saingy rehefa irery Izy, dia nohazavainy tamin'ireo mpianany manokana ny zavatra rehetra.
\s5
\v 35 Tamin'izany andro izany, rehefa tonga ny hariva, dia hoy Izy tamin'izy ireo hoe: "Andeha isika hita ery am-pita."
\v 36 Ka niala teo amin'ireo vahoaka izy ireo, nitondra an'i Jesosy niaraka tamin' izy ireo, raha iny Izy, tao anaty sambokely iny. Nisy sambokely hafa nandeha niaraka taminy.
\v 37 Avy eo nanomboka nisy tafio-drivotra be ary ny onjan-drano nanafotra ny sambokely ka efa saika feno rano ny sambokely.
\s5
\v 38 Ary Jesosy irery natory teo ambodin'ny sambokely, tambonin'ny ondana. Nofohazin'izy ireo Izy, nanao hoe: "Mpampianatra o, tsy mampaninona Anao ve raha ho faty eto isika?"
\v 39 Ary nifoha Izy, dia niteny mafy tamin'ny rivotra, ary niteny tamin'ny ranomasina hoe: "Mitsahara! mitonia!" Ary nitsahatra ny rivotra, ka nisy fitoniana be.
\s5
\v 40 Ary hoy Izy tamin'izy ireo hoe: "Nahoana ianareo no matahotra? Mbola tsy manam-pinoana foana va ianareo?"
\v 41 Feno tahotra izy ireo ka nifampiteny hoe: "Iza moa ity, fa na dia ny rivotra sy ny ranomasina aza manaiky Azy?"
\s5
\c 5
\p
\v 1 Tonga teny ampitan'ny ranomasina izy ireo, tao amin'ny faritr'i Gerasena.
\v 2 Rehefa niala avy tao amin'ny sambokely Jesosy, avy hatrany dia nisy lehilahy iray azon'ny fanahy maloto nanatona Azy avy teny amin'ny fasana.
\s5
\v 3 Nipetraka teny amin'ny fasana ity lehilahy ity. Tsy nisy afaka nihazona azy intsony, na dia tamin'ny rojo vy aza.
\v 4 Voafatotra imbetsaka tamin'ny gadra vy sy rojo vy izy. Notapahany ireo rojo ary potika ireo gadra vy. Tsy nisy nanana hery nifehy azy.
\s5
\v 5 Isak'alina sy isan'andro teny amin'ireo fasana sy teny an-tendrombohitra, dia nihiakiaka izy ary nandratra ny tenany tamin'ny vato maranitra.
\v 6 Rehefa nahita an'i Jesosy avy lavitra izy, dia nihazakazaka nankeo aminy ary niankohoka teo anoloany.
\s5
\v 7 Ary nihiaka tamin'ny feo mahery izy hoe: "Inona moa no ifandraisako aminao, ry Jesosy, Zanak' Andriamanitra Avo Indrindra? Miangavy anao amin'ny anaran'Andriamanitra irery ihany aho, aza mampijaly ahy."
\v 8 Fa Izy niteny taminy hoe: "Mivoaha amin'io lehilahy io, ry fanahy maloto."
\s5
\v 9 Ary Izy nanontany azy hoe: "Iza no anaranao?" Ka novaliany hoe: "Legiona no anarako, satria marobe izahay."
\v 10 Ary niangavy mafy Taminy hatrany hatrany izy tsy handroaka azy ireo any ivelan'ny faritra.
\s5
\v 11 Ary nisy andian-kisoa niraoka teny an-tendrombohitra,
\v 12 ary niangavy taminy izy ireo, nanao hoe: "Alefao ao amin'ireo kisoa izahay; avelao izahay hiditra ao amin'ireo."
\v 13 Ka dia navelany izy ireo; ary nivoaka ireo fanahy maloto ka dia niditra tao amin'ireo kisoa, ary avy dia nirifatra teny amin'ny hantsana ho any an-dranomasina ireo, ary kisoa teo amin'ny roa arivo teo no maty an-dranomasina.
\s5
\v 14 Nitsoaka nandositra ireo nampisakafo ny kisoa ary nitatitra ny zava-niseho tao an-tanàna sy tany ambanivohitra, ary olona maro no nivoaka hizaha ny zava-niseho.
\v 15 Avy eo izy ireo nankeo amin'i Jesosy ary hitan'izy ireo ilay lehilahy nitoeran'ny demonia, ilay iray izay nitoeran'ny legiona, nipetraka teo, nitafy ary vory saina; ka dia natahotra izy ireo.
\s5
\v 16 Ireo izay nahita ny zava-niseho tamin'ilay lehilahy nitoeran'ny demonia dia nitantara tamin'izy ireo ny momba izany tamin'ny antsipirihiny, ary koa nitantara momba ireo kisoa tamin'izy ireo.
\v 17 Dia nanomboka niangavy Azy izy ireo mba hialany eo amin'ny faritr'izy ireo.
\s5
\v 18 Rehefa hiakatra tao amin'ny sambokely Izy, dia niangavy taminy ilay lehilahy nitoeran'ny demonia mba hiaraka aminy.
\v 19 Saingy tsy namela azy anefa Jesosy, fa nanao taminy hoe: "Mandehana mody any amin'ny tranonao sy ny fianakavianao ary tantarao amin'izy ireo izay nataon'ny Tompo taminao, sy ny namindrany fo taminao!"
\v 20 Dia lasa nody izy ary nanomboka nanambara ny zava-dehibe izay nataon'i Jesosy taminy tany Dekapolisy, ary talanjona ny rehetra.
\s5
\v 21 Ary rehefa nandeha teny am-pita indray Jesosy, tamin'ny sambokely, dia indreo nisy vahoaka be dia be niangona nanodidina Azy, raha teo amoron'ny ranomasina iny Izy.
\v 22 Avy eo tonga ny iray amin'ireo mpitarika ny synagoga, atao hoe Jairo, ka raha vao nahita Azy, dia niantoraka teo an-tongony.
\v 23 Nitalaho hatrany hatrany izy, nanao hoe: "Marary mafy efa ho faty ny zanako vavy. Mitalaho aminao aho, avia ary apetraho aminy ny tananao mba ho sitrana sy ho velona izy."
\v 24 Dia lasa niaraka taminy Izy, ary vahoaka be dia be no nanaraka sy nanery nanodidina Azy.
\s5
\v 25 Ary nisy vehivavy iray teo voan'ny fahaverezan-drà nandritry ny roambinifolo taona.
\v 26 Nijaly be tokoa izy ary nitety mpitsabo maro sy nandany ny fananany rehetra, nefa tsy nahita fahasitranana fa vao mainka aza niharatsy.
\v 27 Rehefa nahare ireo tatitra momban'i Jesosy izy, dia nankao aoriany tao anaty vahoaka izy ary nikasika ny fitafiany.
\s5
\v 28 Satria hoy izy hoe: "Raha mahakasika ny lambany fotsiny aho, dia ho sitrana."
\v 29 Rehefa nikasika Azy izy, dia nijanona ny fahaverezan-drà, ary tsapany hatrany anatiny fa sitrana tamin'ny aretiny izy.
\s5
\v 30 Fantatr'i Jesosy niaraka tamin'izay fa nisy hery niala avy taminy. Nitodika tany amin'ny vahoaka Izy ary niteny hoe: "Iza no nikasika ny fitafiako?"
\v 31 Dia namaly Azy ireo mpianany hoe: "Hitanao ireo vahoaka marobe mifanesika aminao ireo, koa hoy Ianao hoe: "Iza no nikasika Ahy."
\v 32 Fa nijery ny manodidina Azy Jesosy mba hahitany izay nanao izany.
\s5
\v 33 Ilay vehivavy, nahafantatra izay nitranga taminy, dia natahotra sy nangovitra. Nandeha izy ary niantoraka teo anoloan'i Jesosy ka nilaza taminy ny marina rehetra.
\v 34 Dia hoy Jesosy taminy hoe: "Anaka, ny finoanao no nahasitrana anao. Mandehana amin'ny fiadanana ary sitràna amin'ny aretinao."
\s5
\v 35 Raha mbola niteny Izy, dia tonga ny olona sasany avy tany amin'ny mpitarika ny synagoga, nanao hoe: "Efa maty ny zanakao. Nahoana no mbola manahirana ny mpampianatra ihany?"
\s5
\v 36 Fa rehefa nandre izay nolazain'izy ireo Jesosy, dia hoy Izy tamin'ilay mpitarika ny synagoga hoe: "Aza matahotra. Minoa fotsiny ihany."
\v 37 Ary tsy nisy navelany hiaraka aminy, afa-tsy Petera, Jakoba, ary Jaona, rahalahin'i Jakoba.
\v 38 Tonga tany an-tranon'ilay mpitarika ny synagoga izy ireo ary nahita olona nitabataba be teo Izy; nitomany sy nidradradra mafy izy ireo.
\s5
\v 39 Rehefa niditra ny trano Izy, dia hoy Izy tamin'izy ireo hoe: "Nahoana ianareo no mitabataba sy mitomany? Tsy maty ny zaza fa matory."
\v 40 Niomehy Azy izy ireo. Nefa navoakany tany ivelany izy rehetra ary naka ny ray sy renin'ilay zaza sy ireo izay niaraka taminy, ary niditra tao amin'ny efitra nisy ilay zaza Izy.
\s5
\v 41 Noraisiny ny tanan'ilay zaza ary niteny taminy hoe: "Talita, Komy!" izay raha adika dia hoe: "Razazavavy, miteny aminao Aho, mitsangàna."
\v 42 Avy hatrany dia nitsangana razazavavy ary nandeha (satria roa ambin'ny folo taona izy). Talanjona avy hatrany izy ireo.
\v 43 Noraràny mafy izy ireo mba tsy hisy na iza na iza hahafantatra ny momba izao. Avy eo dia nasainy nomena hanina razazavavy.
\s5
\c 6
\p
\v 1 Nandao io toerana io Izy ka namonjy ny tanindrazany, ary nanaraka Azy ireo mpianany.
\v 2 Ary rehefa tonga ny andro sabata, dia nampianatra tao amin'ny synagoga Izy. Maro ny olona nandre Azy ka gaga izy ireo. Hoy izy ireo hoe: "Avy aiza no nahazoany ireo fampianarana ireo?" "Inona izao fahendrena izay nomena Azy izao?" "Inona ireo fahagagana izay nataony tamin'ny tanany ireo?"
\v 3 "Tsy ilay mpandrafitra ve io, ilay zanak'i Maria ary rahalahin'i Jakoba sy Josesy sy Jodasy ary Simona? Tsy miaraka amintsika eto ve ireo anabaviny?" Tohina tamin'i Jesosy izy ireo.
\s5
\v 4 Ary hoy Jesosy tamin'izy ireo hoe: "Tsy misy mpaminany tsy omen-kaja, afa-tsy ao amin'ny tanindrazany sy ao amin'ny havany akaiky ary ao amin'ny ankohonany manokana ihany."
\v 5 Tsy afaka nanao asa mahagaga Izy, afa-tsy ny fametrahany tanana amin'ny marary vitsivitsy ary manasitrana azy ireo.
\v 6 Gaga nohon'ny tsy finoan'izy ireo Izy. Avy eo nandeha nanodidina ireo tanàna Izy hampianatra.
\s5
\v 7 Avy eo dia niantso ireo roa ambinifolo lahy Izy ary nanomboka naniraka azy ireo tsiroaroa, ary nomeny fahefana teo amin'ny fanahy maloto izy ireo,
\v 8 ary nandidy azy ireo tsy hitondra na inona na inona amin'ny diany, na mofo, na kitapo, na vola amin'ny fehin-kibon'izy ireo_ afa-tsy tehina ihany_
\v 9 fa hanao kapa, ary tsy hanao akanjo roa.
\s5
\v 10 Hoy Izy tamin'izy ireo hoe: "Na oviana na oviana ianareo miditra amina trano iray, dia mitoera ao mandra-pialanareo any.
\v 11 Ary raha misy tanàna tsy mandray anareo na mihaino anareo, rehefa miala ao amin'izany toerana izany ianareo, dia ahintsano ny vovoka amin'ny tongotrareo mba ho fijoroana vavolombelona amin'izy ireo."
\s5
\v 12 Dia niainga izy ireo ary nitory fa ny olona dia tokony hibebaka amin'ny fahotany.
\v 13 Nandroaka demonia maro izy ireo, ary nanosotra marary maro tamin'ny diloilo ka nanasitrana azy ireny.
\s5
\v 14 Ren'i Heroda mpanjaka izany, satria lasa fanta-daza ny anaran'i Jesosy. Ny sasany nilaza hoe: "Nitsangana tamin'ny maty Jaona mpanao batisa ary noho izany, dia miasa ao anatiny ireo hery mahagaga ireo."
\v 15 Fa ireo sasany kosa nilaza hoe: "Elia Izy." Ny sasany mbola niteny hoe: "Mpaminany Izy, tahaka ny iray amin'ireo mpaminany tamin'ny andro taloha."
\s5
\v 16 Fa rehefa nandre izany Heroda dia hoy izy hoe: "Jaona, ilay notapahiko loha, no nitsangana tamin'ny maty."
\v 17 Fa Heroda no nampisambotra an'i Jaona ka nandefa azy tany an-tranomaizina nohon'ny raharaha Herodiasy (vadin'i Filipo rahalahiny), satria novadiany ravehivavy.
\s5
\v 18 Fa Jaona niteny an'i Heroda hoe: "Tsy araka ny lalàna ny hanambadianao ny vadin'ny rahalahinao."
\v 19 Fa tezitra taminy Herodiasy ka nitady izay hamonoana azy, saingy tsy afaka,
\v 20 nohon'ny fatahoran'i Heroda an'i Jaona; fantany fa olo-marina sy feno fahamasinana izy, ary niaro azy izy. Nanahiran-tsaina azy ny fihenoana azy, kanefa mbola nihaino azy tamim-pifaliana izy.
\s5
\v 21 Avy eo nisy irika tamin'ny fitsingerenan'ny taona nahaterahan'i Heroda ka nanao fanasàna ho an'ireo lehibeny, sy ireo mpifehiny, ary ireo mpitariky ny Galilia izy.
\v 22 Dia niditra ny efitrano fanasana ny zanaka vavin'i Herodiasy ary nandihy ho azy ireo, ary nahafinaritra an'i Heroda sy ireo vahiny nasaina tamin'ny fisakafoana izy. Hoy ny mpanjaka tamin-drazazavavy hoe: "Angataho amiko izay rehetra tianao dia omeko anao izany."
\s5
\v 23 Ary nianiana taminy izy nanao hoe: "Na inona na inona angatahinao amiko, dia homeko anao, hatramin'ny antsasaky ny fanjakako."
\v 24 Dia nivoaka izy ary niteny tamin'ny reniny hoe: "Inona no tokony angatahiko aminy?" Dia hoy ny reniny hoe: "Ny lohan'i Jaona mpanao Batisa."
\v 25 Teo no ho eo dia niverina tany amin'ny mpanjaka izy, ka nangakataka, nanao hoe: "Tiako omenao ahy, izao dieny izao, eo ambony lovia ny lohan'i Jaona mpanao batisa."
\s5
\v 26 Na dia nampalahelo mafy ny mpanjaka aza izany, dia tsy afaka nandà ny fangatahany izy nohon'ny fianianana nataony sy noho ireo vahininy nasaina tamin'ny fisakafoana.
\v 27 Noho izany dia nandidy miaramila iray avy tamin'ny mpiambina ny mpanjaka ary nandidy azy hitondra ny lohan'i Jaona ho eo aminy. Lasa ilay mpiambina ary nanapaka ny lohany tao an-tranomaizina.
\v 28 Nentiny teo ambony lovia ny lohany ary natolony an-drazazavavy, ary ilay zazavavy nanolotra izany an-dreniny.
\v 29 Rehefa nahare izany ireo mpianany, dia tonga izy ireo ary naka ny nofony ka nametraka izany tao am-pasana.
\s5
\v 30 Niverina tany amin'i Jesosy ireo apostoly ary nitantara taminy izay rehetra vitan'izy ireo sy nampianarin'izy ireo.
\v 31 Ary hoy Izy tamin'izy ireo: "Ndeha isika ho any an'efitra ka hiala sasatra kely." Fa maro ny olona no nivezivezy, ary tsy nanam-potoana hinanana sakafo akory aza izy ireo.
\v 32 Dia nandeha an-tsambokely izy ireo mba ho any amin'ny tany foana.
\s5
\v 33 Fa izy ireo nahita azy ireo nandeha ary maro no nahafantatra azy ireo, dia niara-nihazakazaka an-tongotra avy tany amin'ny tanàna rehetra izy ireo, ary tonga teo talohan'izy ireo.
\v 34 Rehefa tonga teny amin'ny morony izy ireo, dia nahatazana vahoaka maro Izy ary onena azy ireo Izy satria tahaka ny ondry tsy manana mpiandry izy ireo. Ka nanomboka nampianatra zavatra maro azy ireo Izy.
\s5
\v 35 Ary rehefa hariva ny andro, dia nanatona Azy ireo mpianany ka nanao hoe: "Toerana foana ity ary ny andro efa madiva ho hariva sahady.
\v 36 Alefao izy ireo mba handehanany any amin'ireo vohitra sy tanàna manodidina hividy hanina ho an'ny tenan'izy ireo."
\s5
\v 37 Fa namaly Izy ka nanao tamin'izy ireo hoe: "Omenareo zavatra hoanina izy ireo." Dia hoy izy ireo taminy hoe: "Afaka mandeha ary mividy mofo azon'ny denaria roanjato va izahay ka hanome izany azy ireo hoanina?"
\v 38 Dia hoy Izy tamin'izy ireo hoe: "Firy no mofo anananareo? Mandehana ary jereo." Rehefa hitany, dia hoy izy ireo hoe: "Mofo dimy sy hazandrano roa."
\s5
\v 39 Dia nandidy ny olona rehetra mba hipetraka mitsitokotoko teo amin'ny ahi-maitso Izy.
\v 40 Dia nipetraka an-tokony izy ireo; an-tokony zato sy dimampolo.
\v 41 Naka ireo mofo dimy sy hazandrano roa Izy, niandrandra ny lanitra dia nisaotra ka nizarazara ny mofo ary nanolotra izany tamin'ireo mpianatra mba homena eo anolohan'ny olona. Nozarainy ihany koa ny hazandrano roa ho an'izy rehetra.
\s5
\v 42 Dia nihinana avokoa izy rehetra nandra-pahavoky azy ireo.
\v 43 Nalain'izy ireo ny sombitsombina mofo, izay nahafeno roambinifolo sobika mitafotafo, ary koa ny ambin'ireo hazandrano.
\v 44 Nisy dimy arivo ireo lehilahy nihinana ny mofo.
\s5
\v 45 Teo no ho eo dia nasainy niakatra tao an-tsambokely ireo mpianany mba hialoha Azy ho eny ampita, ho any Betsaida, raha nandefa ny vahoaka Izy.
\v 46 Rehefa lasa izy ireo, dia niakatra tany an-tendrombohitra Izy mba hivavaka.
\v 47 Tonga ny hariva, ary efa teo afovoan'ny ranomasina ny sambokely, fa irery teny an-tanety izy.
\s5
\v 48 Ary hitany fa sahirana mafy izy ireo nivoy ny sambokely, satria nanohitra mafy azy ireo ny rivotra. Teo ho eo amin'ny ora fiambenana fahefatry ny alina dia nankeo amin'izy ireo Izy, nandeha teny ambony ranomasina, ary te-handalo teo amin'izy ireo Izy.
\v 49 Fa rehefa nahita Azy nandeha teny ambony ranomasina izy ireo, dia noheverin'izy ireo ho matoatoa Izy ka nihiakiaka izy ireo,
\v 50 satria nahita Azy izy ireo dia raiki-tahotra. Teo no eo dia niteny tamin'izy ireo Izy ka nilaza azy ireo hoe: "Matokia! Izaho ihany ity! Aza matahotra!"
\s5
\v 51 Ary niditra tao an-tsambokely niaraka tamin'izy ireo Izy, dia nitsahatra tsy nitsoka ny rivotra. Dia talanjona tanteraka izy ireo.
\v 52 Ary tsy takatry ny sain'izy ireo ny dikan'ilay mofo. Fa kosa, nihamafy ny fon'izy ireo.
\s5
\v 53 Rehefa tafita izy ireo, dia tonga tao Genesareta ireo ka niantsona tao.
\v 54 Ary rehefa nidina avy tao amin'ny sambokely izy ireo, avy hatrany dia fantatry ny olona tao Izy,
\v 55 ka nihazakazaka nanerana ny faritra rehetra izy ireo ary nanomboka nitondra ny marary tamin'ny fandriany tany amin'izay rehetra ren'izy ireo misy Azy.
\s5
\v 56 Fa na taiza na taiza nalehany na an-tanàna, na tanàn-dehibe, na teny amin'ny vohitra kely, dia nepetrak'izy ireo teo amin'ny kianja ny marary. Niangavy Azy izy ireo mba hamela azy ireo hikasika ny rambon'akanjony, ary ireo maro izay nikasika Azy dia sitrana.
\s5
\c 7
\p
\v 1 Ireo fariseo sy ny mpanoradalana sasany izay avy any Jerosalema dia tonga niangona nanodidina Azy.
\s5
\v 2 Ary hitan'izy ireo ny mpianany sasany nihinana mofo tamin'ny tanana tsy voadio, izany hoe, tsy voasasa.
\v 3 (Fa ny Fariseo sy ny Jiosy rehetra dia tsy mba mihinana raha tsy efa nanasa ny tanan'izy ireo, satria manaraka ny fombafomban'ireo loholona.)
\v 4 Ary rehefa miverina avy any an-tsena ireo Fariseo, dia tsy mihinana izy ireo raha tsy avy mandro, ary mitandrina fomba maro hafa fatratra izy ireo, tahaka ny fanasana ny kapoaka, sy ny famarana, sy fanaka varahina, ary ny fandriana izay ihinanan'izy ireo.)
\s5
\v 5 Ireo Fariseo sy ny mpanoradalana nanontany an'ny Jesosy hoe: "Nahoana ny mpianatrao no tsy mandeha araka ny fombafomban'ireo loholona, fa mihinana ny mofon'izy ireo amin'ny tanana tsy voasasa?"
\s5
\v 6 Nefa hoy Izy tamin'izy ireo: "Isaia naminany tsara momba anareo mpihatsaravelatsihy. Nosoratany hoe: 'Ity vahoaka ity manaja Ahy amin' ny molony, fa ny fony kosa lavitra Ahy.
\v 7 Foana ny fivavahana atolotr'izy ireo Ahy, raha mampianatra ny fitsipik'olombelona ho fampianaran'izy ireo.'
\s5
\v 8 Afoinareo ny didin'Andriamanitra ka hazoninareo mafy ny fomban'ny olona."
\v 9 Ary hoy ihany koa Izy tamin'izy ireo: "Tahaka ny ahoana ny fanarinareo ny didin' Andriamanitra mba hitandremanareo ny fomban-drazanareo!
\v 10 Fa hoy Mosesy: 'Manajà ny rainao sy ny reninao,' ary koa, 'Izay miteny ratsy ny rainy na ny reniny dia ho faty tokoa.'
\s5
\v 11 Kanefa ianareo miteny hoe: 'Raha misy lehilahy iray miteny ny rainy na ny reniny hoe: "Na inona na inona tianao ho azo tamiko dia efa Korbana,"' (izany hoe: 'Nomena an'Andriamanitra') --
\v 12 dia tsy avelanareo hanao na inona na inona amin'ny rainy sy ny reniny intsony izy.
\v 13 Manafoana ny tenin' Andriamanitra ianareo noho ny fomban-drazanareo izay notananareo. Ary zavatra maro mitovy amin'izany koa no ataonareo."
\s5
\v 14 Ary niantso ny vahoaka indray Izy ka niteny tamin'izy ireo hoe: "Mihainoa Ahy, ianareo rehetra, ka fantaro.
\v 15 Tsy misy zavatra avy eo ivelany izay miditra ao anatin'ny olona ka afaka mahaloto azy rehefa miditra ao aminy. Fa izay mivoaka avy ao anatin'ny olona no mahaloto azy."
\v 16 \f + \ft Ny fandikana tsara indrindra dia tsy manisy ny andininy faha 16: Raha misy manan-tsofina hihainoana, aoka izy hihaino. \f*
\s5
\v 17 Ary rehefa niala teo amin'ny vahoaka Jesosy ka niditra tao an-trano, ny mpianany nanontany Azy momba ilay fanoharana.
\v 18 Hoy Jesosy taminy: "Ianareo koa ve mbola tsy manana fahalalana? Tsy hitanareo ve fa izay rehetra miditra ao anatin'ny olona avy any ivelany dia tsy mahaloto azy,
\v 19 satria tsy afa-miditra ao am-pony izany, fa ao an-kibony ihany ka mivoaka any amin'ny fivoahana?" Tamin'izany fanambarana izany dia nahatonga ny hanina rehetra ho madio i Jesosy.
\s5
\v 20 Hoy Izy: "Izay mivoaka avy ao amin'ny olona no mahaloto azy.
\v 21 Fa avy ao anatin'ny olona, avy ao am-pony, no ivoahan'ny sain-ratsy, ny fahavetavetana, ny halatra, ny famonoan'olona,
\v 22 ny fijangajangana, ny fitsiriritana, ny haratsiam-panahy, ny fitaka, ny fijejojejoana, ny fialonana, ny fiampangana lainga, ny avonavona, ny hadalana.
\v 23 Izany zava-dratsy rehetra izany no mivoaka avy ao anatin'ny olona, ary ireo no mahaloto azy."
\s5
\v 24 Niala teo Izy ka lasa nandeha tany amin'ny faritry Tyro sy Sidona. Niditra tao an-trano iray Izy ary tsy tiany ho fantatr'iza na iza fa tao Izy, kanefa tsy afaka niery.
\v 25 Kanefa niaraka tamin'izay dia nisy vehivavy iray, izay nisy fanahy maloto iray ny zanany vavy kely, nandre ny aminy, tonga, ary niankohoka teo an-tongony.
\v 26 Ary Grika ilay vehivavy, Syro-foinika no niaviany. Niangavy Taminy izy mba hamoaka ny demonia hiala amin'ny zanany vavy.
\s5
\v 27 Hoy Izy taminy: "Aoka homen-kanina aloha ny zaza. Satria tsy mety ny maka ny mofon-jaza ka manipy azy ho an'ny amboa."
\v 28 Nefa namaly izy ka nanao Taminy hoe: "Eny, Tompo, fa na ny amboa ao ambany latabatra aza dia mba mihinana ny sombintsombiny amin'ny mofon-jaza."
\s5
\v 29 Dia hoy Izy taminy: "Noho izany teninao izany, afaka mandeha ianao. Efa nivoaka tamin'ny zanakao vavy ny demonia".
\v 30 Ary raha niverina tany an-tranony ravehivavy dia nahita ny zaza nandry teo ambonin'ny farafara, ary ny demonia efa niala.
\s5
\v 31 Ary Jesosy nivoaka indray niala ny faritry Tyro, dia namaky an'i Sidona hatrany amin'ny Ranomasin'ny Galilia ka niakatra ny faritry Dekapolisy.
\v 32 Ary nentin'izy ireo teo Aminy ny olona iray marenina sady sahirana raha miteny, ary nitalaho Taminy izy ireo mba hametrahany ny tanany aminy.
\s5
\v 33 Nitondra an-dralehilahy nitokana niala teo amin'ny vahoaka Izy, dia nametraka ny rantsan-tanany tao an-tsofiny Izy, ary raha avy nandrora, dia nikasika ny lelany.
\v 34 Dia niandrandra ny lanitra Izy, dia nisento ka nanao taminy hoe: "Efata," izany hoe: "Maladia!"
\v 35 Ary haingana teo ny sofiny dia nalady, ary izay namehy ny lelany dia potika ary afaka niteny mazava tsara izy.
\s5
\v 36 Ary Jesosy nandrara azy ireo tsy hilazalaza na amin'iza na amin'iza. Kanefa na dia norarana aza izy ireo, vao maika nampiely izany bebe kokoa.
\v 37 Dia gaga tanteraka ny olona, ka niteny hoe: "Nataony tsara daholo ny zavatra rehetra. Nataony mandre aza ny marenina ary miteny ny moana."
\s5
\c 8
\p
\v 1 Tamin'izany andro izany, dia nisy vahoaka marobe indray, ary tsy nanan-kohanina izy ireo. Dia niantso ny mpianany Jesosy ary niteny tamin'izy ireo hoe:
\v 2 "Mampahonena Ahy ireo vahoaka, satria efa telo andro ireo no nanohy niaraka tamiko ary tsy manan-kohanina.
\v 3 Raha alefako mody any an-tranony tsy misakafo ireo, dia mety ho safotra an-dalana. Ny sasany amin'izy ireo dia avy any amin'ny lalan-davitra."
\v 4 Namaly Azy ireo mpianany hoe: "Aiza no hahazoantsika mofo ampy hamokisana ireo vahoaka ireo ety an-tany foana tahaka izao?"
\s5
\v 5 Nanontany azy ireo Izy hoe: "Firy ny mofo anananareo?" Hoy izy ireo hoe: "Fito"
\v 6 Nandidy ny vahoaka mba hipetraka amin'ny tany Izy. Noraisiny ny mofo fito, dia nisaotra Izy, ary nanapaka ireo. Natolony ny mpianany izany mba ho zarain'izy ireo amin'ny vahoaka, ary napetrak'izy ireo teo anoloan'ny vahoaka izany.
\s5
\v 7 Ary mbola nanana hazandrano kely vitsivitsy ihany koa izy ireo, ka rehefa avy nisaotra ireo Izy, dia nandidy ireo mpianatra mba handroso izany koa Izy.
\v 8 Dia nihinana izy ireo ka voky, ary nalain'izy ireo ny sombitsombiny tavela, izay nahafeno sobika fito lehibe.
\v 9 Tokony ho efatr'arivo teo ho eo ny olona tamin'izany. Avy eo dia nalefany nody izy ireo.
\v 10 Avy hatrany dia niakatra tao an-tsambokely niaraka tamin'ireo mpianany Izy, ary nandeha nankany amin'ny faritr'i Dalmanota izy ireo.
\s5
\v 11 Dia nivoaka ireo fariseo ary nanomboka nifanditra taminy. Nitady famantarana avy any an-danitra taminy izy ireo, mba hitsapana Azy.
\v 12 Nisento lalina tany amin'ny fanahiny Izy ary niteny hoe: "Nahoana no mitady famantarana ity taranaka ity? Nefa lazaiko marina aminareo, fa tsy misy famantarana omena ity taranaka ity izany."
\v 13 Avy eo dia nandao azy ireo Izy, niakatra tao an-tsambokely indray, ary niala lavitra ho eny am-pita.
\s5
\v 14 Ary adinon'ny mpianatra ny nitondra mofo niaraka tamin'izy ireo. Tsy nanana mihoatra ny iray izy ireo tao anaty sambo.
\v 15 Dia nampitandrina azy ireo Izy ka niteny hoe: "Miambena ary mitandrema amin'ny masirasiran'ireo Fariseo sy ny masirasiran'i Heroda."
\s5
\v 16 Dia nifanontany tena ny mpianatra hoe: "Noho isika tsy manana mofo izany."
\v 17 Fantatr'i Jesosy izany, ary hoy Izy tamin'izy ireo hoe: "Nahoana no amin'ny tsy fananana mofo ny fisainanareo? Mbola tsy azonareo va? Mbola tsy takatrareo va? Nanjary donto va ny fonareo?
\s5
\v 18 Manana maso ianareo, fa tsy mahita va? Manan-tsofina ianareo, fa tsy mandre va? Tsy tadidinareo va?
\v 19 Rehefa nanapaka ny mofo dimy ho an'ny olona dimy arivo Aho, dia sobika firy feno sombitsombina mofo no nangoninareo?" Hoy izy ireo taminy hoe: "Roambinifolo."
\s5
\v 20 Rehefa nanapaka ireo mofo fito ho an'ny olona efatr'arivo Aho, firy sobika ny ambiny nangoninareo?" Hoy izy ireo taminy hoe: "Fito."
\v 21 Ary hoy Izy hoe: "Mbola tsy takatrareo ihany va?"
\s5
\v 22 Tonga tany Betsaida izy ireo. Ary nisy jamba anankiray nentin'olona teo aminy ary niagavian'izy ireo Jesosy mba hikasika azy.
\v 23 Nentin'i Jesosy tamin'ny tanana ilay jamba, ary nitarika azy hivoaka ny tanàna. Rehefa nandrora teo amin'ny masony Izy ary nametraka ny tanany teo aminy, dia nanontany azy Izy hoe: "Mahita zavatra va ianao?"
\s5
\v 24 Dia nitraka izy, ka niteny hoe: "Mahita olona tahaka ny hazo mandehandeha aho."
\v 25 Napetrak'i Jesosy teo amin'ny masony indray ny tanany, ary nahiratr'ilay lehilahy ny masony, dia niverina tamin'ny laoniny ny fahitany, ary nahita mazava tsara ny zavatra rehetra izy.
\v 26 Dia nalefan'i Jesosy nody izy ary noteneniny hoe: "Aza miditra ao an-tanàna."
\s5
\v 27 Nandeha nivoaka Jesosy sy ny mpianany nankany amin'ny tanànan'i Kaisaria Filipo. Teny an-dalana dia nanontany ireo mpianany Izy hoe: "Hataon'ny olona ho iza moa Aho?"
\v 28 Namaly Azy izy ireo ka niteny hoe: "Jaona mpanao batisa. Ny hafa miteny hoe: 'Elia', ary ny hafa hoe: 'Iray amin'ireo mpaminany.'"
\s5
\v 29 Nanontany azy ireo Izy hoe: "Fa ianareo kosa manao Ahy ho Iza?" Dia namaly Azy Petera hoe: "Ianao no Kristy."
\v 30 Nampitandrina azy ireo Jesosy tsy hilaza ny momba Azy na amin'iza na amin'iza.
\s5
\v 31 Nanomboka nampianatra azy ireo Izy fa tsy maintsy hijaly ny Zanak'Olona, ary ho lavin'ny loholona sy ireo lohan'ny mpisorona ary mpanora-dalàna, ary ho vonoina, ka hitsangana amin'ny maty afaka telo andro.
\v 32 Nolazainy mazava tsara izany. Avy eo nantsoin'i Petera mangingiina Jesosy ka nanomboka niteny mafy Azy.
\s5
\v 33 Nefa nitodika Jesosy dia nijery ireo mpianany ary avy eo niteny mafy an'i Petera ka nanao hoe: "Mialà lavitra Ahy, ry satana! Tsy mba misaina ny zavatr'Andriamanitra ianao, fa ny zavatr'olona."
\v 34 Avy eo dia niantso ny vahoaka sy ny mpianany niaraka izy, ary hoy Izy tamin'izy ireo hoe: "Raha misy te-hanaraka Ahy, dia tsy maintsy mandà ny tenany izy, maka ny hazo fijaliany, ary manaraka Ahy.
\s5
\v 35 Na iza na iza te-hamonjy ny ainy dia hahavery izany, ary izay mahavery ny ainy noho ny amiko sy ny filazantsara, dia hahavonjy izany.
\v 36 Fa inona anefa no tombontsoa azon'ny ny olona iray, raha mahazo izao tontolo izao, ary avy eo very ny ainy?
\v 37 Inona no afaka omen'ny olona iray ho takalon'ny ainy?
\s5
\v 38 Na iza na iza menatra Ahy sy ny teniko eto amin'ity taranaka mijangajanga sy mpanota ity, dia ho menatra azy ihany koa ny Zanak'olona rehefa tonga ao amin'ny voninahitry ny Rainy miaraka amin'ireo anjely masina Izy."
\s5
\c 9
\p
\v 1 Hoy Izy tamin'izy ireo hoe: "Lazaiko aminareo marina tokoa, fa misy aminareo izay mitsangana eto no tsy hanandrana izany fahafatesana izany mialohan'ny hahitan'izy ireo ny fanjakan' Andriamanitra izay ho avy amin'ny hery lehibe."
\v 2 Ary enina andro taty aorina, dia nentin'i Jesosy niaraka taminy Petera sy Jakoba ary Jaona teny amin'ny tendrombohitra avo, ary izy ireo irery no tany. Avy eo niova tarehy teo anatrehan'izy ireo Izy.
\v 3 Ny fitafiany niova nanjelanjelatra no sady mazava, ary fotsy indrindra, fotsy mihoatra ny zavatra nampamotsiana indrindra teto ambonin'ny tany.
\s5
\v 4 Avy eo Elia sy Mosesy niseho tamin'izy ireo, ary niresaka tamin'i Jesosy izy ireo.
\v 5 Petera namaly ka niteny tamin'i Jesosy hoe: "Raby ô, tsara raha mitoetra eto isika, koa andeha hanao lay telo, ny iray ho Anao, ny iray ho an'i Mosesy, ary ny iray ho an'i Elia."
\v 6 (Fa tsy fantany izay tokony ho tenenina, satria natahotra mafy izy ireo.)
\s5
\v 7 Nisy rahona tonga ka nanarona azy ireo. Ary nisy feo nivoaka avy ao anatin'ny rahona hoe: "Ity ny Zanako Malalako. Mihainoa Azy."
\v 8 Tampoka teo, raha nijery ny manodidina izy ireo, dia tsy nahita na iza na iza intsony, afa-tsy Jesosy irery ihany.
\s5
\v 9 Raha nidina avy eny an-tendrombohitra izy ireo, dia nodidiany mafy mba tsy hilaza na amin'iza na amin'iza ny zavatra hitan'izy ireo, raha tsy efa mitsangana amin'ny maty ny Zanak'Olona.
\v 10 Ary dia notanan'izy ireo ho azy ireo izany teny izany, kanefa nifampanontany ireo ny amin'ny mety ho dikan'izany "fitsanganana amin'ny maty" izany.
\s5
\v 11 Nanontany Azy izy ireo hoe: "Nahoana ireo mpanora-dalàna no manambara fa tsy maintsy ho avy mialoha Elia?"
\v 12 Dia hoy Izy tamin'izy ireo hoe: "Efa tonga voalohany Elia hanarina ny zavatra rehetra. Ary nahoana no voasoratra fa ny Zanak'Olona dia hijaly mafy amin'ny zavatra maro ary hatao toy ny olona tsy misy dikany?
\v 13 Nefa lazaiko aminareo fa efa tonga Elia, ary nataon'ny olona taminy izay sitraky ny fony, araka izay efa voalazan'ny Soratra Masina momba azy."
\s5
\v 14 Ary rehefa niverina teo amin'ny mpianatra izy ireo, dia nahita vahoaka be nanodidina azy ireo ary ireo mpanora-dalàna niady hevitra taminy.
\v 15 Raha vao nahita an'i Jesosy izy ireo, dia talanjona ny vahoaka rehetra ary raha iny nihazakazaka nanatona Azy iny izy ireo dia niarahaba Azy.
\v 16 Nanontany ireo mpianany Izy hoe: "Momba ny inona no hiadianareo hevitra amin'ireo."
\s5
\v 17 Ary nisy iray tamin'ireo vahoaka namaly Azy hoe: "Mpampianatra ô, nentiko ho eto aminao ny zanako lahy. Misy fanahy ratsy tsy mampiteny azy izy.
\v 18 Misambotra azy io ka mampienjerazera azy ary mandoa vory izy, mikitro-nify, ary lasa mihenjana izy. Nangataka tamin'ireo mpianatrao ny tenako mba hamoaka izany hiala aminy, kanefa tsy vitan'izy ireo izany."
\v 19 Ary namaly azy ireo Izy hoe: "Ry taranaka tsy mino, mandra-pahoviana no hitoerako eto aminareo? Mandra-pahoviana no handeferako aminareo? Ento ety amiko izy."
\s5
\v 20 Ary nentina teo aminy ilay zazalahy, ary raha vao nahita an'i Jesosy ilay fanahy ratsy, dia nampifanintontsitona azy izany. Nianjera tamin'ny tany ilay zazalahy ary feno vory ny vavany.
\v 21 Jesosy nanontany ny rainy hoe: "Hafiriana no naha- toy izao azy?" Dia hoy ny ray hoe: "Efa hatramin'ny fahazazany."
\v 22 Indraindray io fanahy ratsy io nandavo azy tany anaty afo na tany anaty rano ary nanandrana ny hamotika azy. Raha mahay manao ny zavatra rehetra Ianao, dia miantrà anay ary ampio izahay."
\s5
\v 23 Jesosy niteny taminy hoe: "'Raha mahay ianao'?
\v 24 Ny zavatra rehetra dia hain'izay mino." Ary niaraka tamin'izay ny rain'ilay zaza dia nihiaka mafy nanao hoe: "Mino aho! Ampio aho amin'ny tsy finoako!"
\v 25 Rehefa hitan'i Jesosy ireo vahoaka nihazakazaka nanatona azy ireo, dia noteneniny mafy ilay fanahy maloto ary nanao hoe: "Ry fanahy moana sy marenina, mandidy anao Aho, mivoaha aminy, ary aza miverina miditra ao aminy intsony."
\s5
\v 26 Nihiakiaka mafy izany ka nampifanintona mafy ilay zazalahy ary avy eo nivoaka. Tahaka ny olona maty ilay zazalahy, ka maro no niteny hoe: "Maty izy."
\v 27 Fa Jesosy nandray azy tamin'ny tanana ka nanarina azy, dia nitsangana ilay zazalahy.
\s5
\v 28 Ary rehefa niditra tao an-trano Jesosy, dia nanontany Azy manokana ireo mpianany hoe: "Nahoana izahay no tsy nahavoaroaka ilay fanahy ratsy?"
\v 29 Hoy izy tamin'izy ireo hoe: "Ny tahaka ireny dia tsy afaka roasina afa-tsy amin'ny alalan'ny vavaka."
\s5
\v 30 Niala teo izy ireo ary nandalo tany Galilia. Tsy tiany ho fantatr'iza na iza hoe taiza izy ireo,
\v 31 fa nampianatra ireo mpianany Izy. Hoy Izy tamin'izy ireo hoe: "Ny Zanak'Olona dia hatolotra eny an-tanan'ny olona, ka ho vonoin'izy ireo Izy. Ary rehefa voavono Izy, dia hitsangana amin'ny maty indray afaka telo andro."
\v 32 Fa tsy takatr'izy ireo io fanambarana io, ary natahotra izy ireo hanontany Azy.
\s5
\v 33 Avy eo tonga tao Kapernaomy izy ireo. Rehefa avy niditra tao an-trano Izy dia nanontany azy ireo hoe: "Inona ny zavatra nifampiresahanareo teny an-dalana?"
\v 34 Fa nangina izy ireo. Satria efa niady hevitra teny an-dalana izy ireo ny amin'izay lehibe indrindra.
\v 35 Nipetraka, dia niantso ireo roambinifolo lahy niaraka Izy ary niteny tamin'izy ireo hoe: "Raha misy te-ho voalohany, dia tsy maintsy farany amin'ny rehetra izy ary ho mpanompon'ny rehetra."
\s5
\v 36 Naka zazakely iray Izy ary nataony teo anivon'izy ireo. Notrotroiny teny an-tsandriny izy ary niteny tamin'izy ireo hoe:
\v 37 "Na iza na iza mandray ny zaza tahaka izao amin'ny anarako, dia mandray Ahy koa, ary raha ka misy mandray Ahy, dia tsy mandray Ahy irery izy, fa Ilay naniraka Ahy koa."
\s5
\v 38 Hoy Jaona Taminy hoe: "Mpampianatra ô, nahita olona namoaka demonia tamin'ny anaranao izahay ary norarànay izy, satria tsy manaraka antsika."
\v 39 Fa Jesosy nanao hoe: "Aza mandrara azy, fa tsy misy olona hanao asa lehibe amin'ny anarako nefa vetivety aorian'izay dia hilaza zavatra ratsy momba Ahy.
\s5
\v 40 Na iza na iza tsy manohitra antsika dia momba antsika.
\v 41 Na iza na iza manome anao rano eran'ny kaopy ho sotroina satria an'i Kristy ianao, dia lazaiko aminao marina tokoa, fa tsy ho very ny valim-pitiany.
\s5
\v 42 Fa na iza na iza manafintohina ny iray amin'ireo kely mino Ahy ireo, dia tsara ho azy ny anantonana vato lehibe fikosoham-bary mifatotra eo amin'ny vozony ary hazera any an-dranomasina.
\v 43 Raha ny tananao no mahatonga anao ho tafintohina, tapaho izany. Fa tsara aminao ny miditra kilemaina any amin'ny fiainana toy izay manana tanan-droa ary handeha any amin'ny helo, any amin'ny afo tsy mety vonoina.
\v 44 \f + \ft Fanamarihana: Ny fandikana tsara indrindra dia tsy manisy ny fehezanteny ao amin'ny andininy faha44 sy 46 hoe: "'Izay tsy maty mihitsy ny kankan'izy ireo ary ny afo tsy ho faty mandrakizay."' \f*
\s5
\v 45 Raha ny tongotrao no manafintohina anao, tapaho izany. Tsara kokoa aminao ny miditra mandringa any amin'ny fiainana noho ny manana tongotra roa ary hariana any amin'ny helo.
\v 46 \f + \ft Jereo ny fanamarihana eo amin'ny andininy faha 44. \f*
\s5
\v 47 Raha ny masonao no manafintohina anao, esory hiala izany. Tsara aminao ny miditra ny fanjakan'Andriamanitra miaraka amin'ny maso tokana toy izay maso roa ary hariana any amin'ny helo,
\v 48 any aminny toerana izay tsy mahafaty ny kankan'izy ireo, ary ny afo tsy mety vonoina.
\s5
\v 49 Fa ny olona rehetra dia samy ho voasira amin'ny afo.
\v 50 Tsara ny sira, fa raha ny sira no tonga matsatso, ahoana no ahafahanao mampasira azy indray? Asio sira ao aminareo, ary mihavàna amin'ny tsirairay avy."
\s5
\c 10
\p
\v 1 Niala teo amin'izany toerana izany Jesosy ary nandeha tany amin'ny faritr'iJodia sy teny amin'ny faritra ambanin'ny Reniranon'i Jordana, ary nankeo aminy indray ny vahoaka. Ary araka ny fanaony, dia nampianatra azy ireo indray Izy.
\v 2 Dia nanatona Azy ireo fariseo mba hitsapa Azy ka nanontany hoe: "Ara-dalàna ho an'ny lehilahy va ny misaraka amin'ny vadiny?"
\v 3 Namaly Izy hoe: "Inona no nandidian'i Mosesy anareo?"
\v 4 Dia hoy izy ireo hoe: "Mosesy dia namela ny lehilahy iray hanoratra taratasy fanamarinana fisaraham-panambadiana ary mandefa azy avy eo."
\s5
\v 5 Hoy Jesosy tamin'izy ireo hoe: "Nohon'ny hamafin'ny fonareo no nanoratany ho anareo izany lalàna izany."
\v 6 "Fa tany am-piandohan'ny famoronana, 'Andriamanitra nanao azy ireo ho lahy sy vavy.'
\s5
\v 7 'Amin'izany antony izany dia handao ny rainy sy reniny ny lahy ka hikambana amin'ny vadiny,
\v 8 ary hanjary ho nofo iray izy roa.' Ka tsy ho roa intsony izy ireo, fa ho nofo iray ihany.
\v 9 Koa izay nakamban'Andriamanitra, dia aoka tsy ho sarahin'olombelona."
\s5
\v 10 Ary rehefa tao an-trano izy ireo, dia mbola namerina nanontany mikasika izany indray ireo mpianatra.
\v 11 Hoy Izy tamin'izy ireo hoe: "Na iza na iza lehilahy misaraka amin'ny vadiny ka mampakatra vehivavy hafa dia mijangajanga.
\v 12 Raha misaraka amin'ny vadiny ny vehivavy ka manambady lehilahy hafa, dia mijangajanga izy."
\s5
\v 13 Avy eo izy ireo dia nitindra ny zanak'izy ireo teo Aminy mba hametrahany tanana, fa nobedesin'ireo mpianatra izy ireo.
\v 14 Fa rehefa nahatsikaritra izany Jesosy, dia tezitra mafy Izy ka niteny tamin'izy ireo hoe: "Avelao ny zaza hanatona Ahy, ary aza raràna izy ireo, fa ny fanjakan'Andriamanitra dia an'ireo izay toa azy ireo.
\s5
\v 15 Lazaiko aminareo marina tokoa, na iza na iza tsy mandray ny fanjakan'Andriamanitra tahaka ny zazakely dia tsy hiditra izany amin'izany velively."
\v 16 Avy eo dia notrotroiny ireo zaza ireo ka notsofiny rano sady nametrahany tanana.
\s5
\v 17 Ary rehefa nanomboka ny diany Izy, dia nisy lehilahy nihazakazaka ka nandohalika teo anatrehany, ary nanontany hoe: "Ry mpampianatra tsara, inona no tsy maintsy ataoko mba handovàko ny fiainana mandrakizay?"
\v 18 Jesosy nanao hoe: "Nahoana no antsoinao hoe tsara Aho? Tsy misy tsara, afa-tsy Andriamanitra irery ihany.
\v 19 Fantatrao ny didy hoe: 'Aza mamono olona, aza mijangajanga, aza mangalatra, Aza mijoro ho vavolombelona tsy marina, aza mamitaka, hajao ny ray sy reninao'."
\s5
\v 20 Dia hoy ilay lehilahy hoe: "Mpampianatra ô, efa narahiko hatramin'ny fahatanorako avokoa ireo rehetra ireo."
\v 21 Nijery azy Jesosy dia tia azy. Ary hoy Izy taminy hoe: "Misy zavatra banga iray ao aminao. Tsy maintsy amidinao izay rehetra anananao ary omena ny mahantra izany, dia hanana harena any an-danitra ianao. Avy eo, manaraha Ahy."
\v 22 Fa noho izany filazana izany dia nalahelo izy ka nandeha nangahiahy, satria nanana fananam-be tokoa izy.
\s5
\v 23 Nijery ny manodidina Azy Jesosy ary niteny tamin'ireo mpianany hoe: "Tena sarotra ho an'ireo manana harena be ny miditra ny fanjakan' Andriamanitra!"
\v 24 Dia gaga tamin'ny teniny ireo mpianatra. Fa hoy indray Jesosy tamin'izy ireo hoe: "Anaka, sarotra ny fidirana ao amin'ny fanjakan'Andriamanitra!
\v 25 Mora kokoa ho an'ny rameva ny miditra amin'ny vody fanjaitra, noho ny hidiran'ny mpanakarena ao amin'ny fanjakan'Andriamanitra."
\s5
\v 26 Dia mbola gaga indray ny mpianatra ary dia nifanontany ireo hoe: "Iza izany no afaka ny ho voavonjy?"
\v 27 Nijery azy ireo Jesosy ary hoy Izy hoe: "Tsy vitan'ny olona izany, fa vitan'Andriamanitra. Satria ny zavatra rehetra dia hain'Andriamanitra atao."
\v 28 Dia nanomboka niteny taminy i Petera hoe: "Jereo, Izahay ireto dia nahafoy ny rehetra ary nanaraka Anao."
\s5
\v 29 Ary hoy Jesosy: "Lazaiko marina aminareo, tsy misy olona izay nandao ny tranony, na ny rahalahiny; na ny rahavaviny, na ny reniny, na ny rainy, na ny zanany, na ny taniny noho ny amiko, sy ny Filazantsara,
\v 30 ka tsy nahazo avo zato heny amin'izao taonjato ankehitriny izao: dia trano, rahalahy, rahavavy, reny, zanaka sy tany, miaraka amin'ny fanenjehana, ary amin'ny taonjato ho avy, dia ny fiainana mandrakizay.
\v 31 Fa betsaka ny voalohany no ho lasa farany, ary ny farany ho lasa voalohany."
\s5
\v 32 Teny an-dalana izy ireo, hiakatra ho any Jerosalema, ary Jesosy nandeha nialoha azy ireo. Gaga ireo mpianatra, ary ireo izay nanaraka Azy taoriana dia natahotra. Nantsoin'i Jesosy ho eo Aminy indray izy roa ambinifolo ary dia nanomboka nilaza izay zavatra hihatra Aminy tsy ho ela Izy.
\v 33 "Jereo, miakatra ho any Jerosalema isika izao, ary ny Zanak'Olona dia atolotra ny mpisoronabe sy ny mpanora-dalàna. Ho helohin'izy ireo ho faty Izy ary hatolony amin'ny Jentilisa.
\v 34 Ireo dia haneso Azy, handrora Azy, hikapoka Azy, sy hahafaty Azy. Fa afaka telo andro dia hitsangana amin'ny maty Izy."
\s5
\v 35 Jakoba sy Jaona, zanak'i Zebedio, nanatona Azy ary niteny Taminy hoe: "Mpampianatra ô, mba tianay raha mba ataonao izay rehetra angatahanay aminao."
\v 36 Dia hoy Izy tamin'izy ireo hoe: "Inona no tianareo ho ataoko ho anareo?"
\v 37 Hoy izy ireo hoe: "Avelao izahay hiara-hipetraka aminao ao amin'ny voninahitrao, ka ny iray eo an-tanana ankavananao ary ny iray eo ankavianao."
\s5
\v 38 Fa Jesosy namaly azy ireo hoe: "Tsy fantatrareo izay angatahanareo. Ianareo ve afaka misotro amin'ny kapoaka izay hisotroako na hiaritra ho atao batisa amin'izay hanaovana batisa Ahy?"
\v 39 Hoy izy ireo Taminy hoe: "Vitanay izany." Ary niteny tamin'izy ireo Jesosy hoe: "Ny kapoaka izay ho sotroiko, dia ho sotroinareo, ary amin'ny batisa izay hanaovam-batisa Ahy, no hanaovam-batisa anareo koa.
\v 40 Fa izay hipetraka eo an-tanana ankavanako na eo ankaviako kosa dia tsy miankina amiko izany, fa izany dia ho an'ireo izay nanomanana izany."
\s5
\v 41 Rehefa nahare ny momba izany ireo mpianatra folo hafa, dia nanomboka tezitra mafy tamin'i Jakoba sy Jaona.
\v 42 Nantsoin'i Jesosy ho eo aminy izy ireo ary niteny hoe: "Fantatrareo fa ireo izay heverina ho mpanapaky ny Jentilisa dia mampanompo azy ireo, ary ny lehibe mpifehy azy ireo dia manampatra fahefana amin'izy ireo.
\s5
\v 43 Fa tsy tokony ho toy izany ny aminareo. Fa na iza na iza maniry ho lehibe aminareo dia aoka izy ho mpanomponareo,
\v 44 ary na iza na iza maniry ho voalohany aminareo dia aoka izy no andevonareo rehetra.
\v 45 Fa ny Zanak'Olona tsy tonga mba ho tompoina, fa mba hanompo, sy hanolotra ny ainy ho takalon'aina ho an'ny maro."
\s5
\v 46 Tonga tao Jeriko izy ireo. Rehefa nivoaka ny tanàna niaraka tamin'ny mpianany sy vahoaka marobe Izy, ny zanak'i Timeo, Bartolomeo, izay mpangataka sady jamba, nipetraka teo amoron-dalana.
\v 47 Rehefa nahare izy fa Jesosy avy any Nazareta izany, dia nanomboka nihiakiaka mafy izy ary niteny hoe: "Ry Jesosy, Zanak'i Davida ô, mamindrà fo amiko!"
\v 48 Betsaka no niteny mafy ilay jamba, niteny taminy mba hangina. Fa vao mainka izy nihiaka mafy hoe: "Ry Zanak'i Davida ô, mamindrà fo amiko!"
\s5
\v 49 NIjanona Jesosy ary nampiantso azy. Nantsoin'ireo ilay jamba, ary noteneniny hoe: "Mahereza! Mitsangàna! Miantso anao Izy."
\v 50 Nariany ny lambany, ary nitsangana, ka nankeo amin'i Jesosy izy.
\s5
\v 51 Dia namaly azy Jesosy ary niteny hoe: "Inona no tianao ataoko aminao?" Hoy ilay lehilahy jamba hoe: "Raby ô, te-hahiratra aho."
\v 52 Ary hoy Jesosy taminy hoe: "Mandehana. Ny finoanao no nahavonjy anao." Dia nahita niaraka tamin'izay ny masony, ary nanaraka an'i Jesosy teny an-dalana izy.
\s5
\c 11
\p
\v 1 Ary raha nandeha tany Jerosalema izy ireo, dia nanakaiky an'i Betifaga sy Betania, any an-tendrombohitry Oliva, ary Jesosy naniraka roa tamin'ireo mpianany
\v 2 ary nilaza tamin'izy ireo hoe: "Mandehana amin'iry vohitra kely manoloana antsika iry. Raha vao tafiditra ao ianareo, dia hahita zana-boriky iray mbola tsy notaingenan'olona. Vahao izy dia ento aty amiko.
\v 3 Raha misy olona miteny aminareo hoe: 'Nahoana ianareo no manao izao?' Dia ataovy hoe: 'Misy ilain'ny Tompo azy dia haverina haingana aty izy."'
\s5
\v 4 Nandeha nivoaka izy ireo dia nahita zana-boriky iray nifatotra teo ivelan'ny trano anilan'ny varavarana iray eo amoron-dalana, ary novahan'izy ireo ny fatorany.
\v 5 Nisy olona sasany nijoro teo ary niteny tamin'izy ireo hoe: "Inona ity ataonareo, mamaha io zana-boriky io?"
\v 6 Dia nolazainy azy ireo ny tenin'i Jesosy tamin'izy ireo, ary navelan'ny olona handeha amin'ny lalany izy ireo.
\s5
\v 7 Ary nentin'ireo mpianatra roa lahy teo amin'i Jesosy ny zana-boriky dia nataony teo ambonin'izany ny lamban'izy ireo ka afaka nitaingina azy Jesosy.
\v 8 Maro ny olona namelatra ny lambany teny an-dalana, ary ny sasany kosa namelatra rantsan-kazo izay notapatapahany avy tany an-tsaha.
\v 9 Ireo izay nandeha teo alohany sy ireo nanaraka Azy niantsoantso hoe: "Hosana! Deraina ilay iray avy amin'ny anaran'ny Tompo.
\v 10 Deraina ny fanjakana ho avin'i Davida raintsika! Hosana any amin'ny avo indrindra!"
\s5
\v 11 Avy eo Jesosy niditra tao Jerosalema ka nankao an-kianjan'ny tempoly ary nijerijery ny zavatra rehetra. Ary, efa niha-hariva ny andro, dia nizotra nankany Betania Izy sy ireo roambinifolo lahy.
\v 12 Ny andro manaraka, raha niverina avy any Betania izy ireo, dia noana Izy.
\s5
\v 13 Ary nahita hazon'aviavy iray nandravina avy tery lavidavitra, dia nanatona Izy hijery raha misy voa teo aminy, ary rehefa nankeo amin'izany Izy, dia tsy nahita na inona na inona afa tsy ravina fotsiny, fa tsy mbola taom-pamoazan'ny aviavy tamin'io.
\v 14 Ary Izy niteny tamin'izany hoe: "Tsy hisy hihinana ny voa avy aminao intsony mandrakizay." Ary ny mpianany nandre izany.
\s5
\v 15 Nankany Jerosalema izy ireo, ary niditra tao an-kianjan'ny tempoly Izy ary nanomboka nandroaka ny mpivarotra sy ny mpividy rehetra tao. Nazerany ny latabatr'ireo mpanakalo vola sy ny sezan'ireo mpivarotra voromailala.
\v 16 Tsy namela an'iza na iza hitondra zavatra izay azo amidy hiditra ny kianjan'ny tempoly Izy.
\s5
\v 17 Dia nampianatra azy ireo Izy ka nilaza hoe: "Tsy efa voasoratra va hoe: 'Ny tranoko dia ho antsoina hoe trano fivavahana ho an'ny firenen-drehetra'? Nefa nataonareo ho zohy fieren'ny mpangalatra."
\v 18 Ren'ireo lohan'ny mpisorona sy ireo mpanoradalana izay nolazainy, dia nitady fomba hamonoana Azy izy ireo. Fa natahotra Azy izy ireo satria ny vahoaka rehetra dia talanjona tamin'ny fampianarany.
\v 19 Rehefa tonga ny hariva, dia niala ny tanàna izy ireo.
\s5
\v 20 Ary raha nandeha izy ireo ny maraina, dia nahita ilay hazon'aviavy nalazo hatramin'ny fakany.
\v 21 Ary Petera nahatsiaro ka niteny hoe: "Raby o, jereo! Nalazo ilay aviavy nozoninao."
\s5
\v 22 Jesosy namaly azy ireo hoe: "Manàna finoana an'Andriamanitra.
\v 23 Lazaiko aminareo marina tokoa fa na iza na iza miteny amin'ity tendrombohitra ity hoe: 'Mitsangàna ka mianjerà any an-dranomasina,' ka raha tsy misy fisalasalana ao am-pony fa mino fa hitranga aminy izay nolazainy, dia toy izany no hataon'Andriamanitra.
\s5
\v 24 Noho izany Izaho milaza aminareo hoe: Izay rehetra hivavahanareo sy angatahinareo, minoa fa efa nandray izany ianareo, dia ho azonareo izany.
\v 25 Rehefa mijoro sy mivavaka ianareo, dia tsy maintsy mamela izay alahelo rehetra anananareo amin'iza na iza ianareo, mba ho avelan'ny Rainareo Izay any an-danitra ihany koa ny fahotanareo.
\v 26 \f + \ft Fanamarihana: Ny fandikana tsara indrindra dia tsy manisy ny hoe (Jereo ao amin'ny Mat. 16:15) Mk. 11:26 "Fa raha tsy mamela heloka kosa ianareo, dia tsy hamela ny fahotanareo mihintsy koa ny Rainareo Izay any an-danitra." \f*
\s5
\v 27 Dia niakatra ho any Jerosalema indray izy ireo. Ary raha nandehandeha tao an-kianjan'ny tempoly Jesosy, dia tonga nanatona Azy ny lohandohan'ny mpisorona, ny mpanoradalana, ary ireo loholona.
\v 28 Hoy izy ireo taminy hoe: "Fahefana avy aiza no hanaovanao ireny zavatra ireny, ary iza no nanome Anao fahefana hanao ireny?"
\s5
\v 29 Jesosy niteny tamin'izy ireo hoe: "Hametraka fanontaniana iray aminareo Aho. Lazao Amiko dia ho lazaiko ianareo hoe fahefana avy aiza no anaovako ireny zavatra ireny.
\v 30 Ny batisan'i Jaona, avy any an-danitra va izany sa avy amin'ny olona? Valio Aho."
\s5
\v 31 Nifampidinika miaraka izy ireo sady nifamaly sy niteny hoe: "Raha mamaly isika hoe: 'Avy any an-danitra,' dia hiteny Izy hoe: 'Fa nahoana ary no tsy nino azy ianareo?'
\v 32 Fa raha mamaly kosa isika hoe: 'Avy amin'ny olona,'...." Natahotra ny olona izy ireo, satria resy lahatra ny olon-drehetra fa Jaona dia mpaminany tokoa.
\v 33 Avy eo namaly an'i Jesosy izy ireo ka nanao hoe: "Tsy hainay." Dia hoy Jesosy tamin'izy ireo hoe: "Izaho ihany koa tsy hilaza aminareo hoe fahefana avy aiza no hanaovako ireny zavatra ireny."
\s5
\c 12
\p
\v 1 Nanomboka nampianatra azy ireo tamin'ny alalan'ny fanoharana Jesosy. Hoy Izy hoe: "Nisy lehilahy nanao tanim-boaloboka, nanisy fefy manodidina izany, ary nandavaka famiazana. Nanangana tilikambo izy ary avy eo nampanofa ilay tanim-boaloboka tamin'ny mpamboly voaloboka. Dia niala nandia lavitra izy avy eo.
\v 2 Tamin'ny fotoana mety, dia naniraka mpanompo ho any amin'ilay mpamboly voaloboka izy mba haka amin'izy ireo ny sasany amin'ireo izay tokony ho anjarany amin'ny vokatr'ilay tanim-boaloboka.
\v 3 Fa nosamborin'izy ireo izy, nokapohiny, ary noroahiny tsy hitondra na inona na inona.
\s5
\v 4 Naniraka mpanompo hafa ho any amin'izy ireo indray izy, dia noratrain'izy ireo teo amin'ny lohany ary nalainy baraka.
\v 5 Dia mbola nandefa hafa ihany izy, ary novonoin'izy ireo io iray io. Nataon'izy ireo tahaka izany ireo maro hafa, nokapohiny ny sasany ary novonoiny ireo hafa.
\s5
\v 6 Mbola nanana olona iray hafa hirahina izy, dia zanaka malala. Izy no farany nalefany tany amin'izy ireo. Hoy izy hoe: "Mba hanaja ny zanako lahy izy ireo."
\v 7 Nefa nifampiteny ireo mpamboly voaloboka hoe: "Inty ilay mpandova. Avia, andeha ho vonointsika izy, dia ho lasantsika ny lova."
\s5
\v 8 Nosamborin'izy ireo izy, dia novonoiny, ary natsipiny tany ivelan'ny tanim-boaloboka.
\v 9 Koa, inona ary no ho ataon'ilay tompon'ny tanim-boaloboka? Ho avy izy ka handringana ireo mpamboly voaloboka ary hanome ny tanim-boaloboka ho an'ny hafa.
\s5
\v 10 Tsy novakianareo angaha izao Soratra Masina izao? 'Ny vato izay nolavin'ny mpanorin-trano, no natao vato fehizoro.
\v 11 Avy tamin'ny Tompo izany, ary dia mahagaga eo imasontsika."'
\v 12 Nitady ny hisamborana an'i Jesosy izy ireo, saingy natahotra ny vahoaka, satria fantatr'izy ireo fa hanoherana azy ireo no nitenenany izany fanoharana izany. Koa dia navelan'izy ireo Izy ary lasa nandeha izy ireo.
\s5
\v 13 Dia naniraka ny Fariseo sy Herodiana sasany ho any Aminy mba hamandrika Azy amin'ny teny izy ireo.
\v 14 Rehefa tonga izy ireo, dia hoy izy ireo taminy hoe: "Mpampianatra ô, fantatray fa tsy miraharaha ny hevitry ny olona Ianao, ary tsy maneho fiangarana eo amin'ny olona. Mampianatra marina ny lalan'Andriamanitra Ianao. Ara-dalàna ve sa tsia ny mandoa hetra amin'i Kaisara? Tokony handoa hetra va izahay sa tsia?"
\v 15 Fa fantatr'i Jesosy ny fiatsarambelatsihin'izy ireo ka niteny azy ireo hoe: "Nahoana ianareo no mitsapa Ahy? Itondray denaria iray Aho mba hijereko izany."
\s5
\v 16 Dia nitondran'izy ireo vola iray Jesosy. Hoy Izy tamin'izy ireo hoe: "Endrik'iza ity sary sy soratra ity?" Hoy izy ireo hoe: "An'i Kaisara."
\v 17 Hoy Jesosy hoe: "Omeo an'i Kaisara izay an'i Kaisara, ary omeo an'Andriamanitra izay an'Andriamanitra." Dia talanjona taminy izy ireo.
\s5
\v 18 Avy eo ireo Sadoseo, izay milaza fa tsy misy ny fitsanganana amin'ny maty, dia tonga teo aminy. Nanontany Azy izy ireo, nanao hoe:
\v 19 "Mpampianatra ô, nanoratra izao ho anay Mosesy hoe: 'Raha maty ny rahalahin'ny lehilahy iray ary namela vady izy, nefa tsy mba nanan-janaka, dia tokony manambady ilay vadin-dralahiny ilay lehilahy, ka hanana taranaka ho an'ny rahalahiny.'
\s5
\v 20 Nisy fito mirahalahy; nanambady ilay voalohany ary maty, tsy namela taranaka.
\v 21 Avy eo naka azy ny faharoa dia maty, tsy namela taranaka, dia torak'izany koa ny fahatelo.
\v 22 Tsy nisy namela taranaka izy fito. Ny farany indrindra, maty koa ilay ramatoa.
\v 23 Amin'ny fitsanganana amin'ny maty, rehefa hitsangana indray izy ireo, dia ho vadin'iza izy? Satria samy nanambady azy daholo izy fito mirahalahy."
\s5
\v 24 Ary hoy Jesosy hoe: "Tsy izany va no antony maha-diso hevitra anareo, satria tsy fantatrareo na ny Soratra Masina na ny herin'Andriamanitra?
\v 25 Satria rehefa mitsangana amin'ny maty izy ireo, dia tsy hanambady na hatolotra amin'ny fanambadiana, fa ho tahaka ny anjely any an-danitra.
\s5
\v 26 Fa mahakasika ny amin'ny fitsanganan'ny tena amin'ny maty, tsy novakianareo va ny tao amin'ny bokin'i Mosesy, ao amin'ny andalana momba ilay voaroy, ny niresahan'Andriamanitra taminy ka nilazany hoe: 'Izaho no Andriamanitr'i Abrahama sy Andriamanitr'Isaka ary Andriamanitr'i Jakoba'?
\v 27 Izy dia tsy Andriamanitry ny maty, fa an'ny velona. Somary diso hevitra ianareo."
\s5
\v 28 Nisy iray tamin'ireo mpanora-dalàna tamy ary nandre ny resak'izy ireo; hitany fa novalian'i Jesosy tsara izy ireo. Ary nanontany Azy izy hoe: "Inona no didy lehibe indrindra amin'izy rehetra?"
\v 29 Jesosy namaly hoe: "Ny lehibe indrindra dia ny hoe: 'Mihainoa, ny Tompo Andriamanitsika, ry Israely, iray ny Tompo.
\v 30 Tsy maintsy mitia ny Tompo Andriamanitrao amin'ny fonao rehetra ianao, amin'ny fanahinao rehetra, amin'ny sainao rehetra, sy amin'ny herinao rehetra.'
\v 31 Ity no didy faharoa: 'Tsy maintsy mitia ny namanao tahaka ny tenanao ianao.' Tsy misy didy hafa lehibe mihoatra noho ireo."
\s5
\v 32 Hoy ilay mpanora-dalàna hoe: "Tsara izany, ry Mpampianatra! Voalazanao marina fa Andriamanitra dia Iray, ary tsy misy afa-tsy Izy.
\v 33 Ary ny mitia azy amin'ny fo rehetra sy amin'ny saina rehetra sy ny hery rehetra, ary ny mitia ny namana tahaka ny tena, dia tsara lavitra mihoatra ny fanatitra dorana sy ny sorona rehetra."
\v 34 Rehefa hitan'i Jesosy fa nanome valin-teny hendry Izy, dia niteny taminy Izy hoe: "Tsy lavitry ny fanjakan' Andriamanitra ianao." Ary taorian'izany, dia tsy nisy olona sahy nametraka fanontaniana tamin'i Jesosy intsony.
\s5
\v 35 Namaly Jesosy, raha nampianatra tao amin'ny tempoly Izy; dia hoy Izy hoe: "Ahoana moa no ilazan'ny mpanora-dalàna fa Kristy dia zanak'i Davida?
\v 36 Davida tenany, tamin'ny Fanahy Masina, nanao hoe: 'Ny Tompo niteny tamin'ny Tompoko hoe: mipetraha eo an-tanana ankavanako, mandram-panaoko ny fahavalonao ho fitoeran-tongotrao.'
\v 37 Davida tenany aza niantso Azy hoe 'Tompo,' koa ahoana no maha zanak'i Davida an'i Kristy?" Nihaino Azy tamim-pifaliana ireo vahoaka maro be.
\s5
\v 38 Tamin'ny fampianarany Jesosy dia niteny hoe: "Mitandrema amin'ireo mpanora-dalàna, izay tia mandehandeha amin'ny akanjo lava ary tian'izy ireo ny fiarahabana azon'izy ireo eny an-tsena
\v 39 ary tian'izy ireo ny mahazo ny seza voalohany any amin'ny synagoga sy ny toerana voalohany any amin'ny fety.
\v 40 Mandroba ny tranon'ireo mpitondra tena izy ireo, ary manao vavaka lava be mba ho hitan'ny olona. Ireo lehilahy ireo dia handray fanamelohana lehibe kokoa."
\s5
\v 41 Avy eo Jesosy nipetraka nifanandrify ny vatan-drakitra tao amin'ny faritry ny tempoly; nijery ireo olona rehetra izay nandrotsaka vola tao amin'ny vatan-drakitra. Mpanankarena maro no nandatsaka vola be dia be tao.
\v 42 Dia nisy vehivavy mahantra mpitondratena iray tonga nandrotsaka farantsakely roa, izay kely variroaventy oharina amin'ny iraimbilanja.
\s5
\v 43 Dia nantsoiny ireo mpianany ary hoy Izy tamin'izy ireo hoe: "Lazaiko aminareo marina tokoa, fa ity vehivavy mahantra mitondratena ity no nandrotsaka betsaka mihoatra amin'ny olona izay nandrotsaka vola tao amin'ny vatan-drakitra.
\v 44 Satria ny rehetra dia nanome tamin'ny fananam-ben'izy ireo. Fa ity mpitondratena ity kosa, tamin'ny fahantrany, dia nandrotsaka ny vola rehetra izay tokony hivelomany tao."
\s5
\c 13
\p
\v 1 Ary raha niala tao an-kianjan'ny tempoly Jesosy, dia niteny taminy ny iray tamin'ireo mpianany hoe: "Mpampianatra ô, jereo ny hatsaran'ny vato sy ny hatsaran'ny rafitra!"
\v 2 Hoy izy taminy hoe: "Hitanao va ireto rafitra lehibe ireto? Tsy havela hisy vato iray hifanongoa eo ka tsy ho ravana."
\s5
\v 3 Ary raha nipetraka teo an-tendrombohitr'Oliva tandrifin'ny tempoly Izy, dia nanontany Azy mangingina Petera, Jakoba, Jaona sy Andrea hoe:
\v 4 "Lazao aminay, rahoviana no hitranga izany zavatra rehetra izany? Inona no famantarana rehefa hitranga ireo zavatra ireo?"
\s5
\v 5 Ary Jesosy nanomboka niteny tamin'izy ireo hoe: "Mitandrema mba tsy hisy olona hampivily lalana anareo.
\v 6 Fa maro no ho avy amin'ny Anarako sy hilaza hoe: 'Izaho no izy,' ary maro no ho voafitany.
\s5
\v 7 Rehefa mandre ady sy resabe momban'ny ady ianareo, dia aza manahy; tsy maintsy hitranga ireo, fa tsy mbola izay ny farany.
\v 8 Fa hisy firenena hitsangana hamely firenena, ary hisy fanjakana hamely fanjakana. Ary hisy horohoron-tany amin'ny toerana maro, sady hisy mosary. Izany no fiandohan'ny fahorian'ny fiterahana.
\s5
\v 9 Mitandrema ianareo. Ho atolotr'izy ireo amin'ny Synedriona ianareo, ary ho kapohina ao amin'ny synagoga. Hitsangana manoloana ireo mpanapaka sy ireo mpanjaka noho ny Amiko ianareo, ho vavolombelona amin'izy ireo.
\v 10 Fa ny Filazantsara dia tsy maintsy ho toriana any amin'ny firenena rehetra aloha.
\s5
\v 11 Rehefa misambotra sy manolotra anareo izy ireo, dia aza manahy ny amin'izay tokony ho lazainareo. Fa amin'iny ora iny, dia homena anareo izay tokony ho teneninareo; tsy ianareo akory no hiteny, fa ny Fanahy Masina.
\v 12 Ny rahalahy hanolotra ny rahalahiny ho faty, ary ny ray hanolotra ny zanany. Ny zanaka hitsangana hanohitra ny ray aman-dreniny ka hahafaty azy ireo.
\v 13 Ho halan'ny olon-drehetra ianareo nohon'ny Anarako. Fa na iza na iza maharitra hatramin'ny farany, dia ho voavonjy izany olona izany.
\s5
\v 14 Fa raha hitanareo mitsangana eo amin'ny tsy tokony hitsanganany ny fahavetavetan'ny fandravana (aoka hisaina izay mamaky), dia aoka izay avy any Jodia rehetra handositra eny an-tendrombohitra,
\v 15 izay ao an-tampon-trano aoka tsy hidina ao an-trano na hamoaka zavatra avy ao amin'izany,
\v 16 ary izay any an-tsaha aoka tsy hiverina haka ny lambany.
\s5
\v 17 Lozan'ireo vehivavy bevohoka sy mampinono amin'izany andro izany!
\v 18 Mivavaha ianareo mba tsy ho amin'ny ririnina no hitrangan'izany.
\v 19 Fa hisy fahoriana be, izay tsy mbola nisy hatramin'ny voalohany, rehefa namorona izao tontolo izao Andriamanitra, ka mandrak'ankehitriny, tsia, ary mandrakizay tsy hisy intsony izany.
\v 20 Ary raha tsy hoe nohafohezin'ny Tompo izany andro izany, dia tsy hisy nofo ho voavonjy. Fa nohon'ny olom-boafidy, izay nofinidiny, dia nafohezin'ny isan'izany andro izany.
\s5
\v 21 Ary raha misy olona miteny aminao hoe: 'Jereo, aty Ilay Kristy!' na koa hoe: 'Jereo, ery Izy!' dia aza mino izany.
\v 22 Fa hisy Kristy sandoka sy mpaminany sandoka hiseho ary haneho famantarana sy fahagagana, mba hamitahana, na dia ny olom-boafidy aza, raha azo atao.
\v 23 Miambena! Efa voalazako taminareo mialoha ny fotoan'ireo zavatra rehetra ireo.
\s5
\v 24 Kanefa aorian'ny fahorian'ireo andro ireo, dia hihamaizina ny masoandro, ny volana tsy hanome ny hazavany,
\v 25 ireo kintana hiraraka avy eny amin'ny lanitra, ary ireo hery izay ao an-danitra ho hozongozonina.
\v 26 Ka ho hitan'izy ireo ny Zanak'Olona avy eny amin'ny rahona amin'ny hery lehibe sy voninahitra.
\v 27 Ary haniraka ny anjeliny Izy ka hanangona miaraka ireo olom-boafidiny avy any amin'ny vazan-tany efatra, avy any amin'ny faran'ny tany ka hatrany amin'ny faran'ny lanitra.
\s5
\v 28 Makà lesona avy amin'ny hazon'aviavy. Raha vao manaroka sy mandravina ny rantsany, dia fantatrareo fa akaiky ny lohataona.
\v 29 Toy izany koa, raha vao hitanareo mitranga izany zavatra rehetra izany, dia fantatrareo fa efa akaiky Izy, manakaiky ny vavahady.
\s5
\v 30 Lazaiko aminareo, marina tokoa, ity taranaka ity dia tsy ho lany ritra mandra-pitrangan'izany zavatra rehetra izany.
\v 31 Ho levona ny lanitra sy ny tany, fa ny teniko kosa tsy mba ho levona mandrakizay.
\v 32 Fa ny mahakasika izany andro na ora izany, dia tsy misy mahalala, na dia ireo anjely any an-danitra aza, na ny Zanaka, fa ny Ray ihany.
\s5
\v 33 Mitandrema! Miambena, satria tsy fantatrareo ny ora.
\f + \ft Fanamarihana: Ireo fahefana taloha dia hoe: Mitandrema! Miambena ary mivavaha, satria... \f*
\v 34 Izany dia tahaka ny lehilahy iray handeha lavitra_nandao ny tranony izy ka ireo mpanompony no nataony niandraikitra ny tranony, samy amin'ny raharahany avy, ary nandidy ny mpiambina Izy mba tsy hatory.
\s5
\v 35 Koa miambena, satria tsy fantatrareo hoe rahoviana no ho avy ny tompon-trano; mety ho amin'ny hariva izany, na amin'ny sasak'alina, na maneno akoho, na maraina.
\v 36 Fa raha avy tampoka izy, dia aza avela hahita anareo matory izy.
\v 37 Izay lazaiko aminareo dia lazaiko amin'ny olona rehetra koa: Miambena!"
\s5
\c 14
\p
\v 1 Ary roa andro mialohan'ny Paska sy ny Fankalazana ny fihinanana ny Mofo Tsy misy Masirasira tamin'izany. Nitady fomba hisamborana an'i Jesosy mangingina ireo lohan'ny mpisorona sy ny mpanoradalàna ary hamono Azy avy eo.
\v 2 Fa hoy izy ireo hoe: "Aleo tsy amin'ny andro fety, mba tsy hampitabataba ny olona."
\s5
\v 3 Raha tany Betania tao an-tranon'i Simona boka Jesosy, raha nipetraka teo an-databatra Izy, dia nisy vehivavy iray nanatona Azy nitondra tavoara alabastara misy menaka lafo vidy, izay narda tsy misy fangarony. Novakiany ilay tavoara dia nararany teo amin'ny lohany izany.
\v 4 Nahatezitra ny olona sasany anefa izany. Nifampiresaka izy ireo ka nanao hoe: "Inona no anton'izao fandanindaniam-poana izao?
\v 5 Io menaka manitra io dia afaka namidy mihoatry ny denaria telonjato, ary nomena ny mahantra." Dia nibedy ilay vehivavy izy ireo avy eo.
\s5
\v 6 Nefa hoy Jesosy hoe: "Avelao izy. Nahoana ianareo no manao izay mampalahelo azy? Zavatra tsara no nataony tamiko.
\v 7 Ny mahantra dia eo aminareo mandrakariva, ary afaka hanao asa soa ho azy ireo foana ianareo na amin'ny fotoana inona na fotoana inona, fa Izaho kosa tsy hitoetra eo aminareo mandrakariva.
\v 8 Nanao izay azony atao izy: nanosotra ny tenako ho amin'ny fandevenana izy.
\v 9 Lazaiko marina aminareo, na aiza na aiza hitoriana ny Filazantsara manerana izao tontolo izao, dia ho lazaina ny nataon'ity vehivavy ity, mba ho fahatsiarovana azy."
\s5
\v 10 Avy eo Jodasy Iskariota, iray tamin'izy roa ambin'ny folo lahy, lasa nankany amin'ireo lohan'ny mpisorona hahafahany manolotra Azy eo amin'izy ireo.
\v 11 Rehefa nandre izany ireo lohan'ny mpisorona, dia faly izy ireo ka nampanantena hanome vola azy. Dia nanomboka nitady irika hanolorana Azy amin'izy ireo izy.
\s5
\v 12 Tamin'ny andro voalohan'ny fihinanana ny mofo tsy misy masirasira, rehefa nanao sorona ny ondrin'ny Paska izy ireo, dia hoy ireo mpianany taminy hoe: "Aiza no tianao alehanay hikarakarana sakafo, mba hinananao ny sakafon'ny Paska?"
\v 13 Dia naniraka roa tamin'ireo mpianany Izy ka niteny tamin'izy ireo hoe: "Mandehana any an-tanàna, ary hisy lehilahy mitondra siny feno rano hifanena aminareo. Manaraha Azy.
\v 14 Izay trano hidirany, manaraha azy dia lazao ny tompon'izany trano izany hoe: 'Hoy ny Mpampianatra hoe: "Aiza ny efitrano fandraisam-bahiny ahafahako miara-mihinana ny Paska amin'ireo mpianatro?"'
\s5
\v 15 Hanoro anareo efitrano lehibe ambony rihana misy fanaka izay efa vonona tsara izy. Ao no ataovy ny fanomanana rehetra ho antsika."
\v 16 Dia lasa ny mpianatra ary nihazo ny tanàna. Hitan'izy ireo araka izay efa nolazainy tamin'izy ireo ny zava-drehetra, dia nanomana ny sakafon'ny Paska izy ireo.
\s5
\v 17 Rehefa hariva ny andro, dia tonga niaraka tamin'ireo roa ambin'ny folo lahy Izy.
\v 18 Rehefa nipetraka teo an-databatra sy nihinana izy ireo, dia hoy Jesosy hoe: "Lazaiko marina aminareo, fa ny iray aminareo izay miara-mihinana amiko eto dia hamadika Ahy".
\v 19 Nalahelo mafy izy rehetra, ka niteny taminy ny tsirairay hoe: "Tsy izaho mihitsy izany?"
\s5
\v 20 Jesosy namaly ka niteny azy ireo hoe: "Ny anankiray aminareo roa ambin'ny folo izany, ilay iray miara-manatsoboka mofo amiko anaty lovia izao."
\v 21 Fa ny Zanak'Olona dia handeha amin'ny lalana izay efa voalazan'ny Soratra Masina momba Azy. Fa loza kosa ho an'izany lehilahy izay mamadika ny Zanak'olona izany. Tsara ho azy kokoa aza raha tsy teraka izy."
\s5
\v 22 Raha mbola teo am-pihinanana izy ireo, dia nandray ny mofo i Jesosy, nisaotra, ary nizarazara izany. Natolony azy ireo izany sady nanao hoe: "Raiso, ity no vatako."
\v 23 Dia nandray ny kapoaka Izy, nisaotra, ary nanolotra izany azy ireo, dia nisotro tamin'izany izy rehetra.
\v 24 Dia hoy Izy tamin'izy ireo hoe: "Ity ny ràn'ny fanekem-pihavanako, rà izay alatsaka ho an'ny maro.
\v 25 Lazaiko marina aminareo, tsy hisotro ity vokatry ny voaloboka ity intsony Aho mandra-pahatongan'ny andro izay hisotroako izany indray any amin'ny Fanjakan'Andriamanitra."
\s5
\v 26 Rehefa avy nihira fiderana izy ireo, dia nandeha teny an-tendrombohitr'Oliva.
\v 27 Hoy Jesosy tamin'izy ireo hoe: "Handao Ahy avokoa ianareo rehetra, fa voasoratra hoe: 'Hamely ny mpiandry ondry Aho ary hiparitaka ny ondry.'
\s5
\v 28 Fa rehefa avy hatsangana amin'ny maty Aho, dia hialoha lalana anareo ao Galilia."
\v 29 Dia hoy Petera taminy hoe: "Na dia handao avokoa aza ny rehetra, izaho tsy mba handao."
\s5
\v 30 Hoy Jesosy taminy hoe: "Lazaiko marina aminao, fa anio alina, raha mboola tsy maneno in-droa akory ny akoho, dia efa handà Ahy in-telo ianao."
\v 31 Fa hoy Petera hoe: "Na tsy maintsy hiara-maty aminao aza aho, tsy mba handà Anao." Dia samy nampanantena toy izany avokoa izy rehetra.
\s5
\v 32 Ary tonga tany amin'ny toerana atao hoe Getsemane izy ireo, dia hoy Jesosy tamin'ireo mpianany hoe: "Mipetraha eto raha mbola mivavaka Aho."
\v 33 Dia nitondra an'i Petera, sy Jakoba, ary Jaona niaraka taminy Izy ary nanomboka nalahelo sady ory tanteraka.
\v 34 Dia hoy Izy tamin'izy ireo hoe: "Fadiranovana loatra ny Fanahiko, toy ny efa ho faty. Mitoera eto ka miambena."
\s5
\v 35 Nanalavitra kelikely Jesosy, niankohoka tamin'ny tany, dia nivavaka Izy mba raha toa ka azo atao, dia hiala Aminy izany ora izany.
\v 36 Hoy Izy hoe: "Aba, Ray o, ny zavatra rehetra hainao atao. Esory amiko ity kapoaka ity. Nefa aoka tsy ny sitrapoko no hatao, fa ny Anao."
\s5
\v 37 Niverina Izy dia nahita azy ireo natory, ka hoy Izy tamin'i Petera hoe: "Simona, matory va ianao? Tsy nahavita niambina ora iray va ianao?
\v 38 Miambena dia mivavaha mba tsy hidiranareo amin'ny fakam-panahy. Ny fanahy mety mazoto tokoa, fa ny nofo no malemy."
\v 39 Dia lasa indray Izy nisintaka kely ary nivavaka, ary dia namerina ny teny nataony teo aloha ihany.
\s5
\v 40 Niverina indray Izy dia nahita azy ireo natory, fa navesatry ny torimaso ny mason'izy ireo ary tsy hitan'izy ireo izay nolazaina taminy.
\v 41 Nanatona fanintelony Izy ka niteny azy ireo hoe: "Mbola matory sy maka aina foana va ianareo? Ampy izay! Efa tonga ny fotoana. Jereo! Ny Zanak'Olona novadihana hatolotra eo an-tanan'ny mpanota.
\v 42 Mitsangàna; andao andeha isika. Jereo, efa akaiky ilay hamadika Ahy."
\s5
\v 43 Ary raha mbola teo am-pitenenana Izy, dia tonga Jodasy, iray amin'ireo roambinifolo lahy, niaraka tamina vahoaka maro izay nilanja sabatra sy langilangy, avy amin'ireo lohan'ny mpisorona, ny mpanoradalàna, ary ny loholona.
\v 44 Ary ilay mpamadika Azy nanome famantarana azy ireo, niteny hoe: "Izay horohako, Izy ilay Izy. Sambory Izy dia ambeno."
\v 45 Rehefa tonga Jodasy, dia nanatona an'i Jesosy avy hatrany izy sady niteny hoe: "Raby," ary nanoroka Azy izy.
\v 46 Avy eo dia nosamborin'izy ireo Jesosy.
\s5
\v 47 Fa nisy iray tamin'ireo nijoro teo namoaka ny sabatrany ary namely ilay mpanompon'ny mpisoronabe ka nanapaka ny sofiny.
\v 48 Hoy Jesosy tamin'izy ireo hoe: "Avy hisambotra Ahy, toy ny hisambotra jiolahy, miaraka amin'ny sabatra sy langilangy va ianareo?
\v 49 Tamin'Izaho teo aminareo isan'andro sy nampianatra teo amin'ny tempoly, tsy nosamborinareo. Fa natao izao mba hahatanteraka ny Soratra Masina."
\v 50 Dia nandao Azy avokoa ireo rehetra niaraka tamin'i Jesosy ary niery.
\s5
\v 51 Ary nisy zatovo lahy anankiray, tsy nitafy afa-tsy lamba hariry fotsiny ihany, nanaraka an'i Jesosy. Rehefa nosamborin'ny olona izy
\v 52 dia navelany teo ny lambany ka lasa nandositra nitanjaka izy.
\s5
\v 53 Nentin'izy ireo tany amin'ny mpisoronabe Jesosy. Niara-niangona taminy teo daholo ny mpisorona rehetra, sy ny loholona, ary ireo mpanora-dalàna.
\v 54 Ary Petera nanaraka Azy avy eny lavidavitra eny, hatrany amin'ny tokontanin'ny mpisoronabe. Nipetraka teo amin'ireo mpiambina izy, izay namindro teo akaikin'ny afo.
\s5
\v 55 Ary ireo lohan'ny mpisorona sy ny Synedriona Jiosy dia nitady vavolombelona manohitra an'i Jesosy mba hahafahan'izy ireo mamono Azy ho faty. Saingy tsy nahita izy ireo.
\v 56 Fa maro no niampanga lainga Azy, nefa na ny fiampangan'izy ireo aza tsy nitombomona akory.
\s5
\v 57 Ary nisy olona sasany nitsangana ka niampanga lainga Azy; hoy izy ireo hoe:
\v 58 "Renay Izy niteny hoe: 'Ho ravako ity tempoly natao tanana ity, ary ao anatin'ny telo andro Aho dia hanangana iray hafa tsy nataon-tanana."'
\v 59 Fa mbola tsy nifanaraka ihany ny fiampangan'izy ireo.
\s5
\v 60 Ary ny mpisoronabe nijoro teo amin'izy ireo dia nanontany an'i Jesosy hoe: "Tsy manan-kavaly va Ianao? Inona izany hiampangan'ireto olona ireto Anao izany?"
\v 61 Fa nangina Izy sady tsy namaly na inona na inona. Dia mbola nanontany Azy indray ny mpisoronabe ka nanao hoe: "Ianao va no Kristy, Zanak'Ilay voatahy?"
\v 62 Dia hoy Jesosy hoe: "Izaho no Izy; ary ho hitanareo ny Zanak'Olona rehefa mipetraka eo an-tanana ankavanan'ny herin'Andriamanitra sy avy eny amin'ny rahon'ny lanitra."
\s5
\v 63 Ary ny mpisoronabe nandrovitra ny fitafiany sady nanao hoe: "Mbola mila vavolombelona ihany va isika?
\v 64 Efa renareo ny fitenenan-dratsy. Inona no fanapahan-kevitrareo?" Izy rehetra dia samy nanameloka Azy toy ny olona mendrika ny ho faty.
\v 65 Ny sasany nanomboka nandrora Azy ary nanarona ny tavany ka namely Azy ary nanao taminy hoe: "Maminania!" Ary ireo manam-boninahitra naka Azy ka nidaroka Azy.
\s5
\v 66 Ary raha teo ambany teo an-kianja Petera, dia nanatona azy ny iray tamin'ireo mpanompo vavin'ny mpisoronabe.
\v 67 Nahita an'i Petera nijoro namindro teo amin'ny afo izy, dia nodinihany akaiky. Dia hoy izy taminy hoe: "Ianao koa niaraka tamin'ilay Nazarena, Jesosy".
\v 68 Fa izy nandà izany, nanao hoe: "Tsy fantatro sady tsy azoko izay teneninao." Avy eo lasa niala ny kianja izy.
\f + \ft Fanamarihana: Ireo fandikana sasany manampy hoe: "Dia naneno ny akoho," fa ireo fandikana taloha tsara indrindra dia tsy misy an'io teny io. \f*
\s5
\v 69 Fa ilay ankizivavy teo nahita azy dia nanomboka niteny tamin'ireo olona nitsangana manodidina indray hoe: "Io lehilahy io dia iray amin'izy ireny!"
\v 70 Fa mbola nandà izany indray izy. Kelikely avy eo dia hoy ireo nitsangana teo tamin'i Petera hoe: "Iray amin'izy ireo mihitsy ianao, satria ianao koa dia Galiliana."
\s5
\v 71 Fa nanomboka nanozon-tena sy nianiana izy hoe: "Tsy fantatro izany lehilahy lazainareo izany."
\v 72 Ary niaraka tamin'izany dia naneno fanindroany ny akoho. Avy eo dia nahatsiaro ny tenin'i Jesosy taminy Petera hoe: "Raha tsy mbola maneno fanindroany ny akoho, dia handà Ahy intelo ianao," Dia nalahelo mafy izy sady nitomany.
\s5
\c 15
\p
\v 1 Vao maraim-be, dia nivory ny mpisoronabe niaraka tamin'ireo loholona sy ireo mpanora-dalàna ary ny Synedriona Jiosy iray manontolo. Nofatoran'izy ireo Jesosy ary nentin'izy ireo nivoaka. Natolotr'izy ireo teo amin'i Pilato Izy.
\v 2 Nanontany Azy Pilato hoe: "lanao va no mpanjakan'ny jiosy?" Novaliany hoe: "Voalazanao."
\v 3 Nanolotra fiampangana maro manohitra an'i Jesosy ireo lohan'ny mpisorona.
\s5
\v 4 Nanontany Azy indray Pilato hoe: "Tsy manome valin-teny va Ianao? Jereo ny habetsaky ny fiampangana entin'izy ireo manohitra Anao!"
\v 5 Fa tsy namaly an'i Pilato intsony Jesosy, dia nahagaga azy izany.
\s5
\v 6 Ary tamin'ny andro firavoravoana, dia namotsotra gadra iray ho azy ireo foana Pilato, gadra izay angatahan'izy ireo.
\v 7 Niaraka tamin' ireo mpikomy tao am-ponja, teo amin'ireo mpamono olona izay voatazona nohon'ny fandraisan'izy ireo anjara tamin'ny fikomiana, dia nisy lehilahy iray antsoina hoe Barabasy.
\v 8 Dia nankeo amin'i Pilato ny vahoaka ka nanomboka nangataka taminy mba hanao ho azy ireo araka ny fanaony tany aloha.
\s5
\v 9 Pilato namaly azy ireo ka nanao hoe: "Tianareo va raha ny Mpanjakan'ny Jiosy no halefako ho anareo?"
\v 10 Satria fantany fa fialonana no nanoloran'ny lohan'ny mpisorona an'i Jesosy taminy.
\v 11 Fa nanentana ny vahoaka ireo lohan'ny mpisorona mba hihiaka mafy fa tokony ho Barabasy kosa no havotsotra.
\s5
\v 12 Dia namaly azy ireo indray Pilato ka nanao hoe: "Inona ary izany no tokony ho ataoko amin'ny Mpanjakan'ny Jiosy?"
\v 13 Dia nihiakiaka indray izy ireo hoe: "Homboy Izy!"
\s5
\v 14 Hoy Pilato tamin'izy ireo hoe: "Inona no ratsy nataony?" Fa nihiaka mafy hatrany hatrany izy ireo hoe: "Homboy Izy."
\v 15 Te-hanao izay mahafa-po azy ireo Pilato, koa dia nafahany ho azy ireo Barabasy. Nokapohiny Jesosy ary avy eo natolony mba homboana.
\s5
\v 16 Nentin'ireo miaramila ho eo an-kianja Izy (izay ivon-toeran'ny fanjakana), ary nantsoin'ireo avokoa ny antoko miaramila manontolo
\v 17 Notafian'izy ireo lamba voloparasy Jesosy, ary nandrandrana fehiloha tsilo izy ireo ka nametraka izany teo aminy.
\v 18 Dia nanomboka niarahaba Azy izy ireo ary niteny hoe: "Arahaba, ry Mpanjakan'ny Jiosy!"
\s5
\v 19 Nokapohin'izy ireo tamin'ny volotara ny lohany sady nandrora teo aminy. Dia nandohalika teo anatrehany izy ireo mody nidera Azy.
\v 20 Rehefa avy naneso Azy izy ireo, dia nesorin'izy ireo taminy indray ny lamba volomparasy ary nampitafian'izy ireo Azy ny fitafiany manokana, ary dia nentin'ireo nivoaka Izy mba hanomboana Azy.
\v 21 Noteren'izy ireo ny mpandalo anankiray izay avy any an-tsaha mba hilanja ny hazofijalian'i Jesosy, lehilahy iray antsoina hoe Simona Kyreniana rain'i Aleksandra sy Rofosy.
\s5
\v 22 Nentin'ireo miaramila tany amin'ny toerana atao hoe Gologota Jesosy (izay midika hoe "Toeran'ny karandoha").
\v 23 Nomen'izy ireo divay nifangaro miora Izy, fa tsy nisotro izany Izy.
\v 24 Dia nohomboan'izy ireo Izy ary nifampizaran'izy ireo tamin'ny alalan'ny ankitsapaka ny fitafiany mba hahalalana izay ampahany raisin'ny miaramila tsirairay.
\s5
\v 25 Tamin'ny ora fahatelo Izy no nohomboan'izy ireo.
\v 26 Ary teo amin'ny takelaka hazo iray no nosoratan'izy ireo ny fiampangana nanohitra Azy hoe: "Mpanjakan'ny Jiosy."
\v 27 Jiolahy roa no niaraka nohomboan'izy ireo taminy, ny iray teo ankavanany ary ny iray kosa teo ankaviany.
\v 28 \f + \ft Fanamarihana: Ireo fandikana taloha tsara indrindra dia tsy manisy ny Marka 15: 28 hoe: "Dia tanteraka ny Soratra Masina manao hoe: 'Natao ho isan'ny mpanota Izy.' (Ampitahao ny Lioka 22:35) \f*
\s5
\v 29 Ireo izay nandalo teo dia naniratsira Azy, nihifikifi-doha ary nanao hoe: "Aha! Ianao ilay afaka mandrava ny tempoly ary manorina izany ao anatin'ny telo andro,
\v 30 vonjeo ny tenanao ary midina avy eo amin'io hazofijaliana io!"
\s5
\v 31 Ny lohan'ny mpisorona koa dia naneso Azy tahaka izany, niaraka tamin'ireo mpanora- dalàna, ary niteny hoe: "Namonjy ny hafa Izy, nefa tsy mahavonjy ny tenany.
\v 32 Aoka ilay kristy, ilay Mpanjakan'Israely, hidina avy eo amin'ny hazofijaliana, mba ho hitanay ary hinoanay," ary ireo nohomboana niaraka taminy koa dia naneso Azy.
\s5
\v 33 Tamin'ny ora faha-enina, dia tonga teo amin'ny tany rehetra ny aizina hatramin'ny ora fahasivy.
\v 34 Ary tamin'izany ora fahasivy izany dia nihiaka tamin'ny feo mahery Jesosy hoe: "Eloy, Eloy, lamà sabaktany?" izay midika hoe: "Andriamanitro ô, Andriamanitro ô, nahoana Ianao no nahafoy Ahy?"
\v 35 Ny sasany tamin'ireo izay nitsangana teo nandre ny teniny ka niteny hoe: "'Jereo, miantso an'i Elia Izy."
\s5
\v 36 Nisy olona iray nihazakazaka, namonto divay marikivy ny sipaonjy, ary nandraikitra izany tamin'ny volotara, dia nanome izany ho sotroiny. Ilay lehilahy nilaza hoe: "Aoka ho hitanay raha ho avy ampidina Azy eo Elia."
\v 37 Avy eo Jesosy nihiaka tamin'ny feo mafy dia maty.
\v 38 Rovitra nizara roa hatrany ambony ka hatrany ambany ny lamban'ny tempoly.
\s5
\v 39 Rehefa hitan'ilay kapiteny izay nitsangana sy nifanatrika tamin'i Jesosy fa maty tamin'izany fomba izany Izy, dia hoy Izy hoe: "Tena Zanak'Andriamanitra marina tokoa io lehilahy io."
\v 40 Dia nisy vehivavy koa nijery teny lavitra teny. Isan'izany Maria Magdalena, Maria (renin'i Jakoba zandriny sy Josesy), ary Salome
\v 41 Tamin'Izy tany Galilia dia nanaraka Azy sy nanompo Azy izy ireo. Ary vehivavy maro hafa koa no niara-niakatra taminy tany Jerosalema.
\s5
\v 42 Koa rehefa tonga ny hariva, satria Andro Fiomanana, izany hoe, andro mialohan'ny Sabata io,
\v 43 dia tonga teo Josefa avy any Arimatia. Mpikambana hajaina ao amin'ny Synedriona izy, izay niandry ny Fanjakan'Andriamanitra. Nanam-pasahiana izy nankany amin'i Pilato hangataka ny fatin'i Jesosy.
\v 44 Gaga Pilato hoe maty sahady Jesosy; dia nantsoiny ilay kapiteny ary nanontany azy izy raha maty Jesosy.
\s5
\v 45 Rehefa nahazo antoka tamin'ilay kapiteny izy fa maty Jesosy, dia nomeny an'i Josefa ny vatana mangatsiaka.
\v 46 Ary Josefa nividy hariry madinika. Nampidina an'i Jesosy teo amin'ny ny hazofijaliana izy, dia namono hariry madinika Azy, ary nametraka Azy tao amin'ny fasana izay nolavahana tao amin'ny vatolampy. Avy eo nanakodia vato teo amin'ny varavaram-pasana izy.
\v 47 Dia hitan'i Maria Magdalena sy Maria renin'i Josesy ny toerana nandevenana Azy.
\s5
\c 16
\p
\v 1 Rehefa tapitra ny andron'ny Sabata, dia nividy zava-manitra hosorana amin'ny fatin'i Jesosy i Maria Magdalena sy Maria renin'i Jakoba, ary Salome nividy hanitra mba handeha ary hanosotra ny fatin'i Jesosy.
\v 2 Vao maraim-be tamin'ny andro voalohan'ny herinandro, dia nankeny amin'ny fasana izy ireo rehefa niposaka ny masoandro.
\s5
\v 3 Dia nifampiteny izy ireo hoe: "Iza no hanakodia ny vato eo amin'ny varavaram-pasana ho antsika?"
\v 4 Rehefa nitraka izy ireo, dia hitany fa efa voakodia niala ilay vato, izay tena lehibe tokoa.
\s5
\v 5 Niditra tao am-pasana izy ireo dia nahita zatovolahy niakanjo fotsy, nipetraka teo ankavanana, ary dia gaga izy ireo.
\v 6 Dia hoy Izy tamin'izy ireo hoe: "Aza matahotra. Mitady an'i Jesosy ianareo, ilay Nazarena, izay nombohana. Nitsangana Izy! Tsy eto Izy. Jereo ny toerana izay nametrahan'izy ireo Azy.
\v 7 Fa mandehana, lazao ireo mpianany sy Petera fa hialoha lalana anareo any Galilia Izy. Any no hahitanareo Azy, araka izay nolazainy taminareo."
\s5
\v 8 Nivoaka izy ireo ka nihazakazaka niala ny fasana; nangovitra sy talanjona izy ireo. Tsy nilaza na inona na inona tamin'ny olona izy ireo satria tena natahotra mafy.
\s5
\v 9 \f + \ft Fanamarihana: Ny fandikana taloha tsara indrindra dia manala ny Marka: 16:9-20 \f*
Vao maraina tamin'ny andro voalohan'ny herinandro, taorian'ny nitsanganany, dia niseho tamin'i Maria Magdalena aloha Izy, ilay nandroahany demonia fito.
\v 10 Dia lasa Maria ary nilaza ny vaovao tamin'ireo niaraka tamin'i Jesosy, raha mbola nisaona sy nitomany izy ireo.
\v 11 Ren'izy ireo fa velona Izy ary nahita Azy izy, saingy tsy nino izy ireo.
\s5
\v 12 \f + \ft Ny fandikana taloha tsara indrindra dia manala ny Marka 16:9-20 \f*
Taorian'ireo zavatra ireo Jesosy dia niseho tamin'ny endrika hafa tamin'ny roa tamin'izy ireo, raha nandeha ho any an-tanàna izy ireo.
\v 13 Dia lasa izy ireo ary nilaza tamin'ireo mpianatra sisa, saingy tsy nino izy ireo.
\s5
\v 14 \f + \ft Fanamarihana: Ny fandikana taloha tsara indrindra dia manala ny Marka 16:9-20 \f*
Taoriana kely dia niseho tamin'ny iraika ambiny folo lahy Jesosy raha mbola teo am-pisakafoana izy ireo, ary niteny mafy azy ireo Izy nohon'ny tsy finoana sy hamafin'ny fon'izy ireo, satria tsy nino ireo izay nahita Azy taorian'ny nitsangany tamin'ny maty izy ireo.
\v 15 Ary hoy Izy tamin'ireo hoe: "Mandehana any amin'izao tontolo izao, ary torio amin'ny olona rehetra ny Filazantsara.
\v 16 Izay mino sy atao batisa no ho vonjena, ary izay tsy mino kosa dia ho helohina.
\s5
\v 17 \f + \ft Fanamarihana: Ny fandikana taloha tsara indrindra dia manala ny Marka 16:9-20 \f*
Ireto famantarana ireto dia hanaraka ireo izay mino: Amin'ny anarako no hamoahan'izy ireo demonia. Hiteny amin'ny fiteny vaovao izy ireo.
\v 18 Handray menarana amin'ny tanana izy ireo, ary raha misotro zava-mahafaty izy ireo, dia tsy hampaninona azy ireo izany. Hametra-tanana amin'ny marary izy ireo, dia ho sitrana ireny."
\s5
\v 19 \f + \ft Ny fandikana taloha tsara indrindra dia manala ny Marka 16:9-20 \f*
Rehefa avy niresaka tamin'izy ireo ny Tompo, dia nampiakarina ho any an-danitra Izy ary nipetraka eo an-tanana ankavanan' Andriamanitra.
\v 20 Dia lasa ireo mpianatra nitory teny rehetra teny, ary ny Tompo niara-niasa tamin'izy ireo ary nanamafy ny teny tamin'ny alalan'ny famantarana izay niaraka tamin'izy ireo.