plt_ulb/41-MAT.usfm

2000 lines
151 KiB
Plaintext
Raw Permalink Blame History

This file contains ambiguous Unicode characters

This file contains Unicode characters that might be confused with other characters. If you think that this is intentional, you can safely ignore this warning. Use the Escape button to reveal them.

\id MAT
\ide UTF-8
\h Matio
\toc1 Matio
\toc2 Matio
\toc3 mat
\mt Matio
\s5
\c 1
\p
\v 1 Ny Bokin'ny razan'i Jesosy Kristy zanak'i Davida zanak'i Abrahama.
\v 2 Abrahama no rain'Isaka, ary Isaka no rain'i Jakoba, ary Jakoba no rain'i Joda sy ireo rahalahiny.
\v 3 Joda no rain'i Fareza sy Zara avy tamin'ny Tamara, Fareza no rain'i Herzona, ary Herzona no rain'i Rama.
\s5
\v 4 Rama no rain'i Aminadaba, ary Aminadaba no rain'i Nasona, ary Nasona no rain'i Salmona. Salmona no rain'i Boaza tamin'ny
\v 5 Rahaba, Boaza no rain'i Obeda tamin'ny Rota, Obeda no rain'i Jese.
\v 6 Ary Jese no rain'i Davida mpanjaka, Davida no rain'i Solomona tamin'ny alalan'ny vadin'ny Oria.
\s5
\v 7 Solomona no rain'i Rehoboama, Rehoboama no rain'i Abia, ary Abia no rain'i Asa.
\v 8 Asa no rain'i Jaosafata, ary Jaosafata no rain'i Jorama, ary Jorama no razan'i Ozia.
\s5
\v 9 Ozia no rain'i Jotama, Jotama no rain'i Ahaza, Ahaza no rain'i Hezekia.
\v 10 Hezekia no rain'i Manase, Manase no rain'i Amona, ary Amona no rain'i Josia.
\v 11 Josia no razan'i Jekonia sy ireo rahalahiny tamin'ny fotoanan'ny fandroahana ho any Babylona.
\s5
\v 12 Taorian'ny fandroahana ho any Babylona, dia Jekonia no rain'i Sealtiela, ary Sealtiela no razan'i Zerobabela.
\v 13 Zerobabela no rain'i Abihoda, Abihoda no rain'i Eliakima, ary Eliakima no rain'i Azora.
\v 14 Azora no rain'i Zadoka, Zadoka no rain'i Akima, ary Akima no rain'i Elihoda.
\s5
\v 15 Elihoda no rain'i Eliazara, Eliazara no rain'i Matana, ary Matana no rain'i Jakoba.
\v 16 Jakoba no rain'i Josefa izay vadin'i Maria, ilay niteraka an'i Jesosy, izay nantsoina hoe Kristy.
\v 17 Ny taranaka rehetra manomboka amin'i Abrahama ka hatrany amin'i Davida dia taranaka efatra ambin'ny folo, manomboka amin'i Davida ka hatrany amin'ny fandroahana ho any Babylona dia taranaka efatra ambin'ny folo, ary manomboka amin'ny fandroahana ho any Babylona ka hatrany amin'i Kristy dia taranaka efatra ambin'ny folo.
\s5
\v 18 Tahaka izao no nitrangan'ny fahaterahan'i Jesosy Kristy. Ny reniny, Maria, dia efa natokana hanambady an'i Josefa, saingy talohan'ny niarahan'izy ireo, dia hita fa nitoe-jaza izy avy tamin'ny Fanahy Masina.
\v 19 Josefa, vadiny, dia lehilahy marina, no sady tsy ta-hanala baraka azy ampahibemaso. Ka nanapa-kevitra izy ny hamarana mangingina ny fifanekeny taminy.
\s5
\v 20 Ary raha izy mbola nieritreritra mahakasika ireo zavatra ireo iny, dia niseho taminy tamin'ny nofy ny anjelin'ny Tompo, manao hoe: "Josefa, zanaka lahin'i Davida, aza matahotra ny haka an'i Maria ho vadinao, satria ilay iray izay notorontoronina ao anatiny dia ny Fanahy Masina no nampitoetra azy.
\v 21 Hiteraka zaza lahy izy, ary ianao hiantso ny anarany hoe Jesosy, fa izy no hamonjy ny olony hiala amin'ny fahotan'izy ireo."
\s5
\v 22 Izany rehetra izany dia nitranga mba hahatanteraka izay nambaran'nyTompo tamin'ny alalan'ilay mpaminany, manao hoe:
\v 23 "Indro, ny virjiny hitoe-jaza ka hiteraka zazalahy, ary izy ireo hiantso ny anarany hoe Imanoela" _izay midika hoe: "Amintsika Andriamanitra."
\s5
\v 24 Nifoha tamin'ny torimasony Josefa ary nanao arak'izay nandidian'ny anjelin'ny Tompo azy ary naka azy ho vadiny.
\v 25 Saingy tsy niray taminy izy mandram-piterany zazalahy. Ary nantsoiny hoe Jesosy ny anarany.
\s5
\c 2
\p
\v 1 Taorian'ny nahaterahan'i Jesosy tao Betleheman'i Jodia tamin'ny andron'i Heroda mpanjaka, dia tonga tao Jerosalema ireo lehilahy manam-pahalalana avy any atsinana niteny hoe:
\v 2 "Aiza Izy izay teraka ho Mpanjakan'ny Jiosy? Nahita ny kintany avy eny atsinanana izahay ary tonga mba hidera azy."
\v 3 Rehefa nandre izany i Heroda mpanjaka, dia nihorohoro izy, sy i Jerosalema manontolo niaraka taminy.
\s5
\v 4 Nentin'i Heroda niaraka ny lohan'ny mpisorona rehetra sy ny mpanora-dalànan'ny olona, ary nanontany azy ireo izy hoe: "Aiza no hahaterahan'i Kristy?"
\v 5 Niteny taminy izy ireo hoe: "Ao Betleheman'i Jodia, fa izao no voasoratry ny mpaminany hoe:
\v 6 'Fa ianao, Betlehema, any amin'ny tanin'ny Joda, dia tsy kely indrindra amin'ireo mpitondran'i Joda, fa avy aminao no hatongavan'ny mpanapaka izay hiandry ny oloko Israely."
\s5
\v 7 Ary niantso mangingina ireo lehilahy manam-pahalalana i Heroda mba hanontany azy ireo mazava tsara ny fotoana nipoiran'ilay kintana.
\v 8 Nalefany tany Betlehema izy ireo, manao hoe: "Mandehana ary fotory tsara ny amin'ilay zaza. Rehefa hitanareo izy, dia ampilazao aho, mba afahako mankany ihany koa ka hidera azy."
\s5
\v 9 Taorian'ny nandrenesan'izy ireo ny mpanjaka, dia nandeha tamin'ny lalany izy ireo, ary ny kintana izay hitan'izy ireo teny atsinanana no nialoha azy ireo mandra-pijanony teo ambonin'ny toerana nisy ilay zaza.
\v 10 Rehefa nahita ny kintana izy ireo, dia niravo tamim-pifaliam-be.
\s5
\v 11 Niditra tao amin'ilay trano izy ireo ary nahita ny zaza niaraka tamin'i Maria reniny. Niankohoka sy nidera azy izy ireo. Nanokatra ny fitoeran-kareny izy ireo ary nanolotra fanomezana volamena, dintin-kazo manitra, ary miora ho azy.
\v 12 Nampitandrina azy ireo tamin'ny nofy Andriamanitra mba tsy hiverina any amin'i Heroda, ka lalana hafa no nandehanan'izy ireo namonjy ny fireneny avy.
\s5
\v 13 Rehefa lasa izy ireo, dia nisy anjelin'ny Tompo niseho tamin'i Josefa tamin'ny alalan'ny nofy ary niteny hoe: "Miarena, ento ny zaza sy ny reniny, ary mandosira any Egypta. Mitoera any mandra-pilazako aminao, fa i Heroda dia mitady ilay zaza mba hamonoana azy."
\v 14 Ny alin'iny Josefa dia nifoha ary nitondra ny zaza sy ny reniny ka nankany Egypta. Nitoetra tany izy mandra-pahafatin'i Heroda.
\v 15 Izany dia nanatanteraka izay nambaran'ny Tompo tamin'ny alalan'ny mpaminany hoe: "Nantsoiko hiala tany Egypta ny zanako."
\s5
\v 16 Avy eo Heroda, rehefa nahita fa voafitak'ireo lehilahy manam-pahalalana, dia tezitra mafy. Naniraka sy nampamono ny zazalahy rehetra roa taona no midina izay tao Betlehema sy tao amin'iny faritra rehetra iny izy, araka ny fotoana izay nofotorany mazava tamin'ireo lehilahy manam-pahalalana.
\s5
\v 17 Avy eo dia tanteraka ny teny izay nolazaina tamin'ny alalan'i Jeremia mpaminany hoe:
\v 18 "Nisy feo re tao Rama, fitomaniana sy fisaonam-be, mitomany nohon'ny amin'ny zanany i Rahely, ary tsy nanaiky ny ho ampanginina izy, satria efa lasana izy ireo."
\s5
\v 19 Rehefa maty i Heroda, indro, nisy anjelin'ny Tompo niseho tamin'i Josefa tany Egypta tamin'ny nofy ary niteny hoe:
\v 20 "Mifohaza ary ento ny zaza sy ny reniny ka mandehana any amin'ny tanin' Isiraely, fa efa maty ireo izay nifofo ny ain'ny zaza."
\v 21 Nifoha Josefa, nentiny ny zaza sy ny reniny, ary nandeha tany amin'ny tanin'Isiraely.
\s5
\v 22 Fa rehefa reny fa i Arkelaosy no nanjaka tany Jodia nandimby an'i Heroda rainy, dia natahotra ny ho any izy. Taorian'ny nampitandreman' Andriamanitra azy tamin'ny nofy, dia niala nankany amin'ny faritr'i Galilia izy
\v 23 ka nandeha ary nitoetra tao amin'ny tanàna antsoina hoe Nazareta. Izany dia nahatanteraka izay voalaza tamin'ny alalan'ireo mpaminany hoe: "Nazarena no hiantsoana azy."
\s5
\c 3
\p
\v 1 Tamin'izany andro izany dia nandeha nitory tany an'efitr'i Jodia i Jaona mpanao Batisa manao hoe:
\v 2 "Mibebaha, fa efa akaiky ny fanjakan'ny lanitra."
\v 3 Fa izy no ilay nolazain'Isaia mpaminany, manao hoe: "Misy feo iray miantso mafy any an'efitra hoe: 'Amboary ny lalan'ny Tompo, ahitsio ny lalany.'"
\s5
\v 4 Ary Jaona nitafy volon-drameva sy nanao fehikibo hoditra tamin'ny valahany. Valala sy tantely remby no nataony fihinana.
\v 5 Ary Jerosalema, Jodia manontolo, sy ny faritra rehetra manodidina ny reniranon'i Jordana dia nanatona azy.
\v 6 Nataony batisa teny amin'ny reniranon'i Jordana izy ireo, rehefa niaiky ny fahotany.
\s5
\v 7 Fa nony nahita ireo Fariseo sy Sadoseo maro nanatona azy mba ho atao batisa izy, dia hoy izy tamin'izy ireo hoe: "Ry taranaka menarana feno poizina, iza no nampitandrina anareo hitsoaka ny fahatezerana izay ho avy?
\v 8 Mamoaza voa miendrika ny fibebahana.
\v 9 Ary aza misaina ny hilaza anankam-po hoe: 'Manana an'i Abrahama ho rainay izahay.' Fa lazaiko aminareo fa Andriamanitra dia mahavita manangana zanaka ho an'i Abrahama na dia avy amin'ireto vato ireto aza.
\s5
\v 10 Ary efa napetraka eo am-pototrin'ny hazo ny famaky. Koa ireo hazo rehetra izay tsy mamoa voa tsara dia ho kapaina ary hatsipy any anaty afo.
\v 11 Manao batisa anareo amin'ny rano ho amin'ny fibebahana aho. Fa mahery noho izaho izy izay tonga aoriako, ary izaho dia tsy mendrika akory na dia ny hitondra ny kapany aza. Hanao Batisa anareo amin'ny Fanahy Masina sy ny afo Izy.
\v 12 Efa eny an-tanany ny fikororohany mba hanadiovana ny famoloany ary hanangonana ny variny any an-tsompitra. Fa izy dia handoro ireo akofa amin'ny afo izay tsy mety maty."
\s5
\v 13 Avy eo Jesosy avy tany Galilia ka tonga teo amin'ny reniranon'i Jordana mba ho ataon'i Jaona batisa.
\v 14 Nefa i Jaona dia niezaka nanakana azy, manao hoe: "Izaho no mila ataonao batisa, nefa ianao indray va no manatona ahy?"
\v 15 Jesosy namaly ary niteny taminy hoe: "Ekeo izany ankehitriny, fa izao no mety amintsika hahatanteraka ny fahamarinana rehetra." Avy eo Jaona nanaiky azy.
\s5
\v 16 Nony vita batisa Izy, dia nivoaka ny rano avy hatrany Jesosy, ary indro, nisokatra taminy ny lanitra. Hitany ny Fanahin'Andriamanitra nidina toy ny voromailala ary nankeo amboniny.
\v 17 Ary indro, nisy feo avy any an-danitra nanao hoe: "Ity no Zanako malalako. Izay sitrako indrindra."
\s5
\c 4
\p
\v 1 Avy eo Jesosy notarihan'ny Fanahy ho any an'efitra mba halain'ny devoly fanahy.
\v 2 Rehefa avy nifady hanina efapolo andro sy efapolo alina izy, dia noana.
\v 3 Nanatona ny mpaka fanahy ka niteny taminy hoe: "Raha Zanak'Andriamanitra Ianao, dia teneno ho tonga mofo ireto vato ireto."
\v 4 Fa Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: "Voasoratra hoe: 'Tsy ny mofo ihany no hiveloman'ny olona fa izay teny rehetra aloaky ny vavan'Andriamanitra."'
\s5
\v 5 Avy eo ny devoly nitondra azy tany amin'ny tanàna masina ka nametraka azy teo amin'ny faratampon'ny tempoly,
\v 6 ary niteny taminy hoe: "Raha Zanak'Andriamanitra ianao, dia mianjerà any ambany any, fa voasoratra hoe: 'Izy handidy ireo anjeliny hiahy anao' sy 'hanandratra Anao eo amin'ny tanan'izy ireo, ka tsy ho tafintohina amin'ny vato ny tongotrao.'"
\s5
\v 7 Jesosy niteny taminy hoe: "Dia mbola voasoratra indray hoe: 'Tsy tokony hitsapa ny Tompo Andriamanitrao Ianao.'"
\v 8 Noentin'ny devoly hankany amin'ny toerana avo indray Izy ary nampiseho azy ny fanjakana rehetra amin'izao tontolo izao sy ny hatsaran'ireo.
\v 9 Hoy izy taminy hoe: "Ireo rehetra ireo dia homeko anao, raha toa ka miankohoka eto anatrehako sy midera ahy ianao."
\s5
\v 10 Avy eo Jesosy niteny taminy hoe: "Mialà eto ianao, ry Satana! Fa efa voasoratra hoe: 'Ianao dia hidera ny Tompo Andriamanitrao, ary izy irery ihany no ho tompoinao.'"
\v 11 Avy eo nandao Azy ny devoly, ary indreo, nisy anjely tonga ka nanompo Azy.
\s5
\v 12 Ary nony ren'i Jesosy fa voasambotra Jaona, dia niverina nakany Galilia izy.
\v 13 Nandao an'i Nazareta izy ka nandeha ary nonina tao Kapernaomy, izay eo amoron-dranomasin'ny Galilia, ao amin'ny zara-tanin'i Zebolona sy Naftaly.
\s5
\v 14 Izany no nitranga mba hahatanteraka izay nambaran'Isaia mpaminany hoe:
\v 15 "Ny tanin'i Zebolona sy ny tanin'i Naftaly, mankany amin'ny ranomasina, any an-dafin'i Jordana, Galilia an'ireo Jentilisa!
\v 16 Ireo olona nipetraka tamin'ny maizina dia nahita fahazavana lehibe, ary ireo izay nipetraka tamin'ny faritra sy ny aloky ny fahafatesana, dia teo amin'izy ireo no niposahan'ny fahazavana."
\s5
\v 17 Ary tamin'izany fotoana izany Jesosy dia nanomboka nitory teny sy nilaza hoe: "Mibebaha, fa efa akaiky ny fanjakan'ny lanitra."
\s5
\v 18 Raha nandeha teny amoron'ny Ranomasin'i Galilia Izy, dia nahita mpirahalahy roa, Simona izay nantsoina hoe Petera, ary Andrea rahalahiny, nanipy ny haratony teny amin'ny ranomasina, fa mpanarato izy ireo.
\v 19 Hoy Jesosy tamin'izy ireo hoe: "Andeha, hanaraka Ahy, fa hataoko mpanarato olona ianareo."
\v 20 Teo no eo ihany dia nandao ireo harato izy ireo ka nanaraka Azy.
\s5
\v 21 Ary raha mbola nandroso Jesosy dia nahita mpirahalahy roa hafa, Jakoba zanak'i Zebedio, sy Jaona rahalahiny. Nanamboatra ny haratony tao an-tsambo izy ireo niaraka tamin'i Zebedio rain'izy ireo. Niantso azy ireo Izy,
\v 22 ka teo no eo ihany dia nandao ny sambokeliny sy ny rainy izy ireo ka nanaraka Azy.
\s5
\v 23 Nandeha eran'i Galilia Jesosy, nampianatra tao amin'ny synagogan'izy ireo, nitory ny filazantsaran'ny fanjakana, ary nanasitrana ireo karazan'aretina rehetra mbamin'ny rofy rehetra teo amin'ny olona.
\v 24 Niely eran'i Syria ny vaovao mahakasika Azy, ka dia nentin'ny olona teo Aminy ireo izay marary rehetra, mararin'ny karazan'aretina sy fangirifiriana, ireo demoniaka, sy izay mararin'ny androbe sy mararin'ny paralysisa. Nositranin'i Jesosy izy ireny.
\v 25 Vahoaka maro avy tany Galilia, Dekapolisy, Jerosalema, Jodia ary ny avy any an-dafin'i Jordana no nanaraka Azy.
\s5
\c 5
\p
\v 1 Rehefa nahita ireo vahoaka Jesosy, dia niakatra teo an-tendrombohitra. Rehefa tafapetraka Izy, dia nanatona Azy ireo mpianany.
\v 2 Nanokatra ny vavany Izy ary nampianatra azy ireo, manao hoe:
\v 3 "Sambatra ny mahantra am-panahy, fa azy ireo ny fanjakan'ny lanitra.
\v 4 Sambatra ireo misaona, fa hampiononina izy ireo.
\s5
\v 5 Sambatra ireo malemy fanahy, fa izy ireo no handova ny tany.
\v 6 Sambatra ireo izay noana sy mangetaheta ny fahamarinana, fa ho vokisana izy ireo.
\v 7 Sambatra ireo mpamindra fo, fa hahazo famindram-po izy ireo.
\v 8 Sambatra ireo madio am-po, fa hahita an'Andriamanitra izy ireo.
\s5
\v 9 Sambatra ireo mpampihavana, fa izy ireo no antsoina hoe zanak'Andriamanitra.
\v 10 Sambatra ireo izay enjehina nohon'ny fahamarinana, fa azy ireo ny fanjakan'ny lanitra.
\s5
\v 11 Sambatra ianareo raha maniratsira anareo sy manenjika anareo ny olona, ary miteny ny karazana lainga ratsy rehetra hanohitra anareo nohon'ny amiko.
\v 12 Mifalia sy miravoravoa, fa lehibe ny valisoanareo any an-danitra. Fa toy izany ny fomba nanenjehan'ny olona ireo mpaminany izay niaina talohanareo.
\s5
\v 13 Ianareo no siran'ny tany. Fa raha ny sira no tonga matsatso, amin'ny fomba ahoana no ampasira izany indray? Tsy ho tsara na amin'ny inona na amin'ny inona intsony izany fa hariana sy ho hitsahin'ny tongotry ny olona sisa.
\v 14 Ianareo no fahazavan'izao tontonlo izao. Ny tanàna miorina eo amin'ny havoana dia tsy azo hafenina intsony.
\s5
\v 15 Tsy misy olona mandrehitra jiro ka mametraka izany any ambany harona, fa eo amin'ny fitoeran-jiro, ka manazava ny rehetra ao an-trano izany.
\v 16 Aoka hazava eo anoloan'ny olona toy izany fomba izany ny fahazavanareo mba ahitan'izy ireo ny asa tsara ataonareo ary ankalazany ny Rainareo izay any an-danitra.
\s5
\v 17 Aza mieritreritra hoe tonga handrava ny lalàna na ireo mpaminany Aho. Tsy tonga hamotika ireo Aho, fa hanatanteraka azy ireo.
\v 18 Fa lazaiko marina aminareo fa mandra-pahalevon'ny lanitra sy ny tany, dia tsy ho foana amin'ny lalàna na dia litera iray sy tendron-tsoratra iray aza, mandra-pahatanteraky ny zavatra rehetra.
\s5
\v 19 Noho izany na iza na iza mandika na dia ny kely indrindra amin'ireo didy ireo sy mampianatra ny hafa anao toy izany dia ho antsoina hoe kely indrindra ao amin'ny fanjakan'ny lanitra. Fa na iza na iza mankatoa sy mampianatra ireo dia ho antsoina hoe lehibe ao amin'ny fanjakan'ny lanitra.
\v 20 Fa lazaiko aminareo fa raha tsy mihoatra noho ny an'ny mpanora-dalàna sy ny fariseo ny fahamarinanareo, dia tsy hiditra ao amin'ny fanjakan'ny lanitra mihitsy ianareo.
\s5
\v 21 Efa renareo fa voalaza tamin'izy ireo fahiny hoe: 'Aza mamono olona,' ary 'Na iza na iza mamono olona dia ho helohina any amin'ny fitsarana.'
\v 22 Fa lazaiko aminareo fa izay rehetra tezitra amin'ny rahalahiny dia mendrika ny ho helohina any amin'ny fitsarana; ary na iza na iza miteny ny rahalahiny hoe: 'Ianao dia olom-poana!' dia ho helohina any amin'ny filan-kevitra; ary na iza na iza milaza hoe: 'Adala ianao!' dia mendrika ny ho any amin'ny farihy mirehitra afo.
\s5
\v 23 Noho izany raha manolotra ny fanatitrao eo amin'ny alitara ianao ka tsaroanao teo fa manana alahelo aminao ny rahalahinao,
\v 24 dia avelao eo anoloan'ny alitara ny fanatitrao, ka mandehana zory ny lalanao. Mihavàna aloha amin'ny rahalahinao, ary avy eo miverena dia atolory ny fanatitrao.
\s5
\v 25 Mihavàna faingana amin'ny mpiampanga anao raha mbola miara-dia aminy any amin'ny fitsarana ianao, fandrao ny mpiampanga anao hanolotra anao amin'ny mpitsara, ary ny mpitsara mety hanolotra anao amin'ny manam-boninahitra, ka hatao ao an-trano maizina ianao.
\v 26 Lazaiko marina aminareo, fa tsy ho afaka mivoaka ao mihintsy ianao mandra-pandohanao ny vola faran'ny kely indrindra amin'ny trosanao.
\s5
\v 27 Efa renareo fa voalaza hoe: 'Aza mijangajanga.'
\v 28 Kanefa lazaiko aminareo fa izay rehetra mijery vehivavy ka maniry azy dia efa nijangajanga tao am-pony sahady.
\s5
\v 29 Raha manafintohina anao ny masonao ankavanana, dia esory izany ary atsipazo lavitra anao. Fa tsara kokoa ho anao raha ny ampahany iray amin'ny vatanao no tokony ho simbaina fa tsy ny tenanao rehetra no atsipy any amin'ny helo.
\v 30 Raha manafintohina anao ny tananao ankavanana, dia tapaho ary atsipazo lavitra hiala aminao. Fa tsara kokoa ho anao raha ny ampahany iray amin'ny vatanao no tokony ho very fa tsy ny tenanao rehetra no atsipy any amin'ny helo.
\s5
\v 31 Ary efa voalaza ihany koa hoe: 'Na iza na iza misaraka amin'ny vadiny, dia aoka izy hanome azy ny taratasy fisaraham-panambadiana.'
\v 32 Fa Izaho kosa milaza aminareo fa izay rehetra misaraka amin'ny vadiny, afa-tsy nohon'ny fijangajangana, dia mampijangajanga azy. Na iza na iza manambady azy aorian'ny fisarahany dia mijangajanga.
\s5
\v 33 Ary koa, renareo fa voalaza tamin'ny ntaolo hoe: 'Aza mianiana fianianana diso, fa ento eo anatrehan'ny Tompo ny fianiananao.'
\v 34 Fa Izaho kosa milaza aminareo, aza mianiana amin'ny zavatra rehetra, na amin'ny lanitra aza, fa seza fiandrianan'Andriamanitra izany;
\v 35 na amin'ny tany, fa fitoeran-tongony izany; na koa amin'ny Jerosalema, fa tanànan'ny mpanjaka lehibe izany.
\s5
\v 36 Aza mianiana amin'ny lohanao, fa tsy afaka manafotsy na manamainty ny singam-bolo iray ianao.
\v 37 Fa aoka ny teninao ho, 'Eny, eny,' na 'Tsia, tsia.' Izay mihoatra izany dia avy amin'ny ilay ratsy.
\s5
\v 38 Renareo fa voalaza hoe: 'Maso solon'ny maso, ary nify solon'ny nify.'
\v 39 Fa Izaho kosa milaza aminareo hoe, aza manohitra izay ratsy. Fa kosa, na iza na iza mamely ny takolakao ankavanana dia atolory azy koa ny ilany.
\s5
\v 40 Ary raha misy olona maniry ny hiaraka aminao ho any amin'ny fitsarana ka manendaka ny akanjonao, dia avelao ho azy ihany koa ny lambanao.
\v 41 Na iza na iza manery anao andeha kilometatra iray, mandehana miaraka aminy amin'ny kilometatra roa.
\v 42 Omeo izay mangataka aminao, ary aza mandà na iza na iza maniry ny hindrana aminao.
\s5
\v 43 Efa renareo fa voalaza hoe: 'Tsy maintsy mitia ny mpiara-belona aminao ianao ary mankahala ny fahavalonao.'
\v 44 Fa lazaiko aminareo, tiavo ny fahavalonareo ary mivavaha ho an'izay manenjika anareo,
\f + \ft Fanamarihana: Ny dikan-teny taloha tsara indrindra dia manala ny hoe: "Misaora ireo izay manozona anareo, manaova ny tsara aminin'ireo izay mankahala anareo." \f*
\v 45 mba ho tonga zanaky ny Rainareo izay any an-danitra ianareo. Fa Izy dia mampiposaka ny masoandrony amin'ny ratsy sy ny tsara, ary mampilatsaka ny orana amin'ny marina sy ny tsy marina.
\s5
\v 46 Fa raha ireo izay tia anareo no tiavinareo, inona no valisoa azonareo? Moa na dia ny mpamory hetra aza tsy mba manao tahaka izany koa?
\v 47 Raha ny rahalahinareo irery ihany no arahabainareo, inona no mba ataonareo mihoatra ny hafa? Moa na dia ny Jentilisa aza tsy mba manao tahaka izany koa?
\v 48 Noho izany dia tsy maintsy tanteraka ianareo, tahaka ny fahatanterahan'ny Rainareo izay any an-danitra.
\s5
\c 6
\p
\v 1 Mitandrema mba tsy hanao ny asan'ny fahamarinanareo eo anatrehan'ny olona ianareo mba ho itan'izy ireo, fa raha tsy izany dia tsy hahazo ny valisoa avy amin'ny Rainareo izay any an-danitra.
\v 2 Noho izany rehefa maneho fihantrana ianareo, dia aza mitsoka trompetra misarika ny hafa tahaka ny ataon'ny mpiatsara velatsia any amin'ny synagoga sy eny amin'ny lalana, ka mba mety hahazo ny fideran'ny olona izy ireo. Lazaiko marina aminareo, fa izy ireo dia efa nandray ny valisoany.
\s5
\v 3 Fa rehefa maneho fihantrana ianareo, aza atao fantatrin'ny tananareo havia izay ataon'ny tananareo havanana,
\v 4 ka mba homena mangingina ny fanomezanareo. Avy eo ny Rainareo izay mahita amin'ny mangingina no hamaly soa anareo.
\s5
\v 5 Rehefa mivavaka ianareo, aza manao tahaka ny mpihatsaravelatsihy, fa izy ireo tia mijoro sy mivavaka eo amin'ny synagoga sy eo amoron-dalana, ka mba mety ho itan'ny olona. Lazaiko marina aminareo, fa izy ireo dia efa nandray ny valisoany.
\v 6 Fa ianareo, rehefa mivavaka, midira ao amin'ny efi-tranonareo. Hidio ny varavarana, dia mivavaha amin'ny Rainareo izay ao amin'ny mangingina. Avy eo ny Rainareo izay mahita ao amin'ny mangingina no hamaly soa anareo.
\v 7 Rehefa mivavaka ianareo, aza manao teny maro tsy misy ilàna azy tahaka ny ataon'ny Jentilisa, ny amin'ny fiheverany fa ho re izy ireo nohon'ny teny maro izay ataony.
\s5
\v 8 Noho izany, aza manao tahaka azy ireo, fa ny Rainareo dia efa mahafantatra ireo zavatra izay ilainareo mialohan'ny angatahanareo Aminy.
\v 9 Noho izany mivavaha tahaka izao hoe: 'Rainay izay any an-danitra, ho hamasinina anie ny anaranao.
\v 10 Ho tonga anie ny fanjakanao. Hatao anie ny sitraponao ety an-tany tahaka ny any an-danitra.
\s5
\v 11 Omeo anay anio ny hanina sahaza ho anay.
\v 12 Mamelà ny helokay, tahaka ny hamelanay izay meloka taminay.
\v 13 Ary aza mitondra anay amin'ny fakam-panahy, fa manafaha anay amin'ny ratsy.'"
\f + \ft Fanamarihana: Ny dika teny taloha tsara indrindra dia manala ny hoe: "Fa Anao ny fanjakana sy ny hery ary ny voninahitra mandrakizay. Amen." \f*
\s5
\v 14 Fa raha mamela ny hadisoan'ny olona ianareo, dia hamela anareo ihany koa ny Rainareo izay any an-danitra.
\v 15 Fa raha tsy mamela ny hadisoan'izy ireo ianareo, dia tsy hamela ny hadisoanareo mihintsy ny Rainareo.
\s5
\v 16 Ankoatra izay, rehefa mifady hanina ianareo, aza mampiseho endrika mampalahelo tahaka ny ataon'ny mpiatsaravelatsihy, fa manaratsy tarehy izy ireo ka mba mety ho itan'ny olona fa tena mifady hanina. Lazaiko marina aminareo, fa efa nandray ny valisoany izy ireo.
\v 17 Fa ianao, rehefa mifady hanina, osory menaka ny lohanao ary sasao ny tarehinao,
\v 18 ka mba tsy ho itan'ny hafa hoe mifady hanina, fa amin'ny Rainao izay ao amin'ny mangingina ihany; ary ny Rainao izay mahita ao amin'ny mangingina, no hamaly soa anao.
\s5
\v 19 Aza mitahiry ny harenareo ety an-tany, izay simbain'ny kalalao sy harafesina, ary hidiran'ireo mpangalatra an-keriny ka hangalatra.
\v 20 Fa kosa, tehirizo ny harenareo any an-danitra, izay tsy ho simban'ny kalalao sy harafesina, ary tsy hidiran'ireo mpangalatra an-keriny ka hangalatra.
\v 21 Fa izay misy ny harenao, no itoeran'ny fonao ihany koa.
\s5
\v 22 Ny maso no jiron'ny vatana. Noho izany, raha tsara ny masonao, dia ho feno fahazavana ny vatana rehetra.
\v 23 Fa raha ratsy ny masonao, dia ho feno haizina ny vatanao rehetra. Noho izany, raha maizina ny fahazavanaizay ao anatinao amin'izao, manao ahoana ny halehibehin'izany haizana izany!
\v 24 Tsy misy afaka hanompo tompo roa, fa hankahala ny iray izy ary hitia ny iray, raha tsy izany hanolo-tena ho an'ny iray ka hankahala ny iray hafa. Ianao dia tsy afaka hanompo an'Andriamanitra sy ny harena.
\s5
\v 25 Noho izany lazaiko aminareo, aza miahiahy momba ny ainareo, izay hohaninareo na izay hosotroinareo - na momba ny vatanareo, izay hotafianareo. Fa tsy lehibe noho ny sakafo va ny fiainana, ary ny vatana lehibe noho ny fitafiana?
\v 26 Jereo ireo vorona eny amin'ny habakabaka. Izy ireny dia tsy mamafy na mijinja na manangona ao an-tsompitra, fa ny Rainareo izay any an-danitra no mamahana azy ireny. Tsy sarobidy kokoa mihoatra ireny ve ianareo?
\s5
\v 27 Iza aminareo no afaka manampy hakio iray amin'ny andro hiainany amin'ny fanahiana?
\v 28 Nahoana ianareo no miahiahy momba ny fitafianareo? Saino ny momban'ny lilia eny amin'ny saha, ahoana ny fanirin'izy ireny. Tsy mba miasa izy ireny, ary tsy mamoly fitafiana.
\v 29 Lazaiko aminareo, fa na i Solomona aza amin'ny voninahiny rehetra dia tsy nitafy tahaka ny iray amin'ireny.
\s5
\v 30 Raha ampitafian'Andriamanitra tahaka izany ny ahitra any an-tsaha, izay rehetra misy anio sy rahampitso dia hatsipy ao am-patana, toy ny ahoana no ampitafiany anareo bebe kokoa, ianareo ry kely finoana?
\v 31 Noho izany aza miahiahy ka milaza hoe: 'Inona no hohaninay?' na hoe: 'Inona no hosotroinay?' na hoe: 'Inona ny fitafiana ho anaovanay?'
\s5
\v 32 Fa ireo Jentilisa mitady ireo zavatra ireo, ary ny Rainareo izay any an-danitra dia mahafantatra fa mila ireo ianareo.
\v 33 Fa katsaho aloha ny fanjakany sy ny fahamarinany dia homena anareo ireo zavatra ireo.
\v 34 Noho izany, aza miahiahy ny ampitso, fa ny ampitso hanahy ny azy. Ampy ho an'ny andro tsirairay ny ratsy ao aminy.
\s5
\c 7
\p
\v 1 Aza mitsara, dia tsy hotsaraina ianareo.
\v 2 Fa amin'ny fitsarana nataonareo, no hitsarana anareo, ary amin' ny fandrefesana andrefesanareo, no handrefesana anareo.
\s5
\v 3 Nahaoana ianao no mijery ny singa-mololo kely izay ao anatin'ny mason'ny rahalahinao, nefa tsy tsikaritrao ny andry ao anaty masonao?
\v 4 Ahoana no hitenenanao ny rahalahinao hoe: 'Avelaho aho hanala ny singa-mololo izay ao anaty masonao,' raha mbola ao anatin'ny masonao ilay andry?
\v 5 Ry mpihatsaravelatsihy! Esory aloha ny andry izay ao anaty masonao, ary avy eo ianao hahita tsara rehefa manala ny singa-mololo izay eo amin'ny mason'ny rahalahinao.
\s5
\v 6 Aza omena ny alika izay masina, ary aza hatsipy eo anoloan'ny kisoa ny vatosoanareo. Raha tsy izany dia mety ho voahitsany ny tongotr'izy ireo, ary avy eo hifotitra sy hamiravira anareo amin'ny fahapotehana.
\s5
\v 7 Mangataha, dia omena anareo izany. Mitadiava, dia hahita ianareo. Dondony, fa hisokatra ho anareo izany.
\v 8 Fa izay rehetra mangataka, dia mahazo; ireo rehetra izay mitady, dia mahita; ary ho an'ny olona mandondòna, dia ho vahana.
\v 9 Sa iza aminareo, raha angatahan'ny zanany mofo, no hanolotra vato ho azy?
\v 10 Na koa raha nangatahiny trondro, ka hanolotra bibilava azy?
\s5
\v 11 Noho izany, raha ianareo izay ratsy aza mahay manome ireo fanomezana izay tsara ho an'ny zanakareo, moa tsy lehibe mihoatra va ny zavatra tsara omen'ny Rainareo izay any an-danitra ho an'ireo izay mangataka aminy?
\v 12 Noho izany, na inona na inona zavatra tianareo ho ataon'ny olona amin'ny tenanareo, dia tokony hanao toy izany amin'izy ireo ihany koa ianareo, fa izany no lalàna sy ireo mpaminany.
\s5
\v 13 Midira amin'ny vavahady tery. Fa lehibe ny vavahady ary malalaka ny lalana mitondra any amin'ny fahaverezana, ary maro ireo olona izay mandeha amin'izany.
\v 14 Fa tery ny vavahady ary sarotra ny lalana izay mitarika mankany amin'ny fiainana, ary vitsy ireo izay mahita izany.
\s5
\v 15 Mitandrema amin'ireo mpaminany sandoka, izay manatona anareo amin'ny fitafian'ondry nefa amboadia tena mpihaza.
\v 16 Amin'ny alalan'ny voany no hahafantaranareo azy ireo. Mioty voaloboka eny amin'ny tsilo va ny olona, na koa aviavy eny amin'ny songosongo?
\v 17 Mitovy amin'izany, ny hazo tsara rehetra dia mamokatra voa tsara, fa ny hazo ratsy dia mamokatra voa ratsy.
\s5
\v 18 Ny hazo tsara dia tsy afaka ny hamokatra voa ratsy, na koa ny hazo ratsy dia tsy afaka mamokatra voa tsara.
\v 19 Ny hazo rehetra izay tsy mamokatra voa tsara dia kapaina ary hatsipy any anaty afo.
\v 20 Ka noho izany, ho fantatrareo izy ireo amin'ny alalan'ny voany.
\s5
\v 21 Tsy ireo rehetra izay miteny amiko hoe: 'Tompo, Tompo,' dia hiditra ny fanjakan'ny lanitra, fa ireo izay manao ny sitrapon'ny Raiko izay any an-danitra ihany.
\v 22 Maro ireo olona hiteny amiko amin'izany andro izany hoe: 'Tompo, Tompo, tsy efa naminany tamin'ny anaranao ve izahay, tsy efa namoaka ireo demonia tamin'ny anaranao, ary nanao ireo asa lehibe tamin'ny anaranao?'
\v 23 Avy eo Aho hanambara amin'izy ireo ampahibemaso hoe: 'Tsy nahafantatra anareo mihitsy Aho! Mialà lavitra Ahy, ry mpanao ratsy!'
\s5
\v 24 Noho izany, ireo rehetra izay mandre ny teniko ary mankatoa izany dia ho tahaka ny olona hendry izay nanorina ny tranony eny ambony vatolampy.
\v 25 Nirotsaka ny orana, tonga ny tondran-drano, ary nifofofofo sy namely ilay trano ny rivotra, fa tsy nianjera izany, satria nahorina teo ambony vatolampy.
\s5
\v 26 Fa ny rehetra izay mandre ireo teniko ka tsy mankatò azy ireny dia tahaka ny olona adala izay manorina ny tranony eny ambony fasika.
\v 27 Nirotsaka ny orana, tonga ny tondra-drano, ary nifofofofo sy namely ilay trano ny rivotra, ka dia nianjera izany, ary feno ny faharavany."
\s5
\v 28 Ary rehefa avy nanambara ireo teny ireo Jesosy, talanjona tamin'ny fampianarany ireo vahoaka,
\v 29 satria nampianatra azy ireo tahaka ny olona izay manana fahefana Izy, fa tsy tahaka ireo mpanora-dalànan'izy ireo.
\s5
\c 8
\p
\v 1 Rehefa nidina avy eny an-tendrombohitra Jesosy, dia vahoaka maro no nanaraka Azy.
\v 2 Indro, nisy boka iray nanatona Azy ary nitsaoka teo anoloany, nanao hoe: "Tompo, raha sitrakao, dia afaka manadio ahy Ianao."
\v 3 Nanatsotra ny tanany Jesosy ary nikasika azy, nanao hoe: "Sitrako. Mahadiova." Teo no ho eo dia nadio tamin'ny fahabokany izy.
\s5
\v 4 Hoy Jesosy taminy hoe: "Aoka mba tsy hilaza na inona na inona na amin'iza na amin'iza ianao. Mandehana amin'ny lalanao, ka asehoy amin'ny mpisorona ny tenanao ary atolory ilay fanatitra izay nodidian'i Mosesy, mba ho fijoroana vavolombelona amin'izy ireo."
\s5
\v 5 Rehefa niditra tao Kapernaomy Jesosy, dia nanatona Azy ny kapiteny iray ary nanontany Azy,
\v 6 nanao hoe: "Tompo, mandry ao an-trano ny mpanompoko fa malemy ary ao anatin'ny fanaintainana mafy."
\v 7 Hoy Jesosy taminy hoe: "Ho avy Aho ary hanasitrana azy."
\s5
\v 8 Namaly ilay kapiteny ary nanao hoe: "Tompo, tsy mendrika aho ny tokony hidiranao ao ambany tafon-tranoko, teneno fotsiny ny teny dia ho sitrana ny mpanompoko.
\v 9 Fa izaho ihany koa dia lehilahy izay napetraka ao ambany fahefana, ary manana miaramila izay feheziko aho. Miteny amin'ny anankiray aho hoe: 'Mandehana', dia mandeha izy, ary amin'ny hafa iray hoe: 'Avia,' dia manatona izy, ary amin'ny mpanompoko hoe: "Ataovy izao,' dia ataony izany."
\v 10 Rehefa ren'i Jesosy izany, dia gaga Izy ary niteny tamin'ireo izay nanaraka Azy hoe: "Lazaiko marina aminareo, fa tsy mbola nahita olona nanam-pinoana toy izany Aho teto Israely.
\s5
\v 11 Lazaiko aminareo, fa maro ny avy any atsinanana sy avy any andrefana no ho avy, ary izy ireo dia hipetraka eo an-databatra miaraka amin'i Abrahama, Isaka ary Jakoba, any amin'ny fanjakan'ny lanitra.
\v 12 Fa ireo zanaky ny fanjakana dia hatsipy any ivelan'ny aizina lavitra any, izay hisy fitomaniana sy fikitroha-nify."
\v 13 Hoy Jesosy tamin'ilay kapiteny hoe: "Mandehana! Araka ny ninoanao, dia aoka izany ho atao ho anao." Ary dia sitrana tamin'izany ora izany mihitsy ilay mpanompo.
\s5
\v 14 Rehefa niditra tao an-tranon'i Petera Jesosy, dia nahita ny rafozam-bavin'i Petera nandry nararin'ny tazo Izy.
\v 15 Nokasihan'i Jesosy ny tanany, ary niala taminy ny tazo. Dia nitsangana izy ary nanomboka nandroso sakafo Azy.
\s5
\v 16 Rehefa tonga ny hariva, dia maro ireo nofehezin'ny demony noentin'ny olona teo amin'i Jesosy. Nandroaka ireo fanahy tamin'ny teny Izy ary nanasitrana ireo rehetra izay narary.
\v 17 Toy izany no nahatanteraka izay nambara tamin'Isaia mpaminany, nanao hoe: "Izy tenany naka ny faharariantsika sy nitondra ireo aretintsika."
\s5
\v 18 Ary rehefa hitan'i Jesosy ireo vahoaka nanodidina Azy, dia nanome toromarika mba hialana ho eny ampitan'ny ranomasina Galilia Izy.
\v 19 Avy eo ny mpanora-dalàna iray nanatona Azy ary nanao hoe: "Ry mpampianatra, hanaraka Anao aho na aiza na aiza alehanao."
\v 20 Hoy Jesosy taminy hoe: "Ny amboahaolo manan-davaka, ary ireo voron'ny lanitra manana akany, fa ny Zanak'Olona tsy manana na aiza na aiza ampandriana ny lohany."
\s5
\v 21 Iray hafa tamin'ireo mpianatra niteny taminy hoe: "Tompo, avelao aho aloha andeha ary andevina ny raiko."
\v 22 Fa hoy Jesosy taminy hoe: "Manaraha Ahy, ary avelao ny maty andevina ny maty ao aminy manokana."
\s5
\v 23 Rehefa niditra tao amin'ny sambokely iray Jesosy, dia nanaraka Azy tao anatin'io ireo mpianany.
\v 24 Indro, nisy tafio-drivotra lehibe nitranga teo amin'ny ranomasina, ka dia rakotry ny onja ny sambo. Fa resin-tory Jesosy.
\v 25 Nankeo Aminy ireo mpianatra ary namoha Azy, nanao hoe: "Vonjeo isika, Tompo; ho faty isika!"
\s5
\v 26 Hoy Jesosy tamin'izy ireo hoe: "Nahoana ianareo no matahotra, ry kely finoana?" Dia nitsangana Izy avy eo ary niteny mafy ny rivotra sy ny ranomasina. Dia nisy fitoniana be avy teo.
\v 27 Gaga ireo lehilahy ary niteny hoe: "Fa karazana lehilahy inona ity, fa na dia ny rivotra sy ranomasina aza mankatoa Azy?"
\s5
\v 28 Rehefa tonga teny ampita sy teo amin'ny tanànan'ny Gadarenesa Jesosy, dia nisy lehilahy roa izay nofehezin'ny demonia nifanena Taminy. Izy ireo dia nivoaka avy any amin'ireo fasana ary tena nahery setra, noho izany dia tsy nisy mpandeha afaka nandalo izany lalana izany.
\v 29 Indro, nihiaka mafy izy ireo ary nanao hoe: "Moa mpifaninona akory izahay sy Ianao, ry Zanak'Andriamanitra? Tonga eto va Ianao hampihorohoro anay mialohan'ny fotoana voatondro?"
\s5
\v 30 Ary nisy andian-kisoa maro nisakafo teo, tsy dia lavitra azy ireo.
\v 31 Mbola niangavy an'i Jesosy ihany ireo demonia ary nanao hoe: "Raha mandroaka anay Ianao, dia alefao ao anatin'ireo andian-kisoa ireo izahay."
\v 32 Hoy Jesosy tamin'izy ireo hoe: "Mandehana!" Dia nivoaka ireo demonia ka nankao amin'ireo kisoa; ary indro, ireo andiany rehetra nirifatra nidina ny tendrombohitra mideza nankany an-dranomasina ary maty tao anaty rano izy ireo.
\s5
\v 33 Ireo izay nikarakara ireo kisoa dia nihazakazaka ary nankany amin'ny tanàna izy ireo ary nitatitra ny zavatra rehetra, ary indrindra izay nitranga tamin'ireo lehilahy izay nofehezin'ireo demonia.
\v 34 Indro, nivoaka ireo tao an-tanàna rehetra mba hihaona amin'i Jesosy. Rehefa hitan'izy ireo Izy, dia nangataka Azy mba handao ny faritaninizy ireo.
\s5
\c 9
\p
\v 1 Niditra tao an-tsambokely Jesosy, niampita, ary tonga tao amin'ny tanànany.
\v 2 Indro, nisy lehilahy mararin'ny paralysisa nandry teo am-pandriana noentin'izy ireo teo Aminy. Rehefa nahita ny finoan'izy ireo, dia hoy Jesosy tamin'ilay lehilahy mararin'ny paralesisa hoe: "Anaka, aoka ianao hifaly. Efa voavela ny helokao."
\s5
\v 3 Indro, ny sasany tamin'ireo mpanora-dalàna nanao anakampo hoe: "Miteny ratsy io lehilahy io."
\v 4 Fantatr'i Jesosy ny eritreritr'izy ireo ary niteny hoe: "Nahoana ianareo no mieritreri-dratsy ao am-ponareo?
\v 5 Fa iza no moramora kokoa no miteny azy hoe: 'Voavela ny helokao,' sa ny miteny hoe: 'mitsangàna ka mandehana?'
\v 6 Fa mba ho fantatrareo fa ny zanak'olona dia manana fahefana hamela heloka eto ambonin'ny tany..." hoy Izy tamin'ilay mararin'ny paralisisa hoe: "Mitsangàna, batao ny fandrianao, ary mandehana any an-tranonao."
\s5
\v 7 Avy eo nitsangana ilay lehilahy ary nankany an-tranony.
\v 8 Rehefa nahita izany ny vaohaka, dia gaga izy ireo ary nidera an'Andriamanitra, izay nanome fahefana tahaka izany ho an'ny olona.
\v 9 Ary raha niala avy teo Jesosy, dia nahita lehilahy nantsoina hoe Matio Izy, izay nipetraka teo amin'ny lain'ny famorian-ketra. Hoy Izy taminy hoe: "Manaraha Ahy." Nitsangana izy ary nanaraka Azy.
\s5
\v 10 Ary raha nipetraka hihinana tao an-trano Jesosy, indro, mpamory hetra sy olona mpanota maro tonga ary niara-nihinana tamin'i Jesosy sy ireo mpianany.
\v 11 Rehefa nahita izany ireo fariseo, dia niteny tamin'ireo mpianany izy ireo hoe: "Nahoana ny mpampianatrareo no miara-mihinana amin'ny mpamory hetra sy ny olona mpanota?"
\s5
\v 12 Rehefa nandre izany Jesosy, dia hoy Izy hoe: "Ny olona matanjaka ara-batana dia tsy mila mpitsabo, fa ireo izay marary ihany.
\v 13 Tokony mandeha mianatra ianareo ny dikan'ny hoe: 'Famindram-po no iriako fa tsy sorona.' Fa tonga Aho, tsy hiantso ireo marina hibebaka, fa ireo mpanota."
\s5
\v 14 Avy eo nanatona azy ireo mpianatr'i Jaona ka niteny hoe: "Nahoana izahay sy ireo fariseo no mifady hanina matetika, fa ireo mpianatrao kosa tsy mba mifady?"
\v 15 Hoy Jesosy tamin'izy ireo hoe: "Mety alahelo ve ireo havan'ny mpampakatra, raha mbola miaraka eo amin'izy ireo ny mpampakatra? Fa ho avy ny andro hangalana ny mpampakatra eo amin'izy ireo, dia amin'izay izy ireo vao hifady hanina.
\s5
\v 16 Tsy misy olona manampina akanjo tonta amin'ny tapa-damba vaovao, fa ny tampina handrovitra ny lamba, ary hisy tritra ratsy lavitra.
\s5
\v 17 Tsy misy olona manisy divay vaovao ao anaty siny hoditra tonta. Raha manao izany izy ireo, dia ho triatra ny siny hoditra, ho raraka ny divay ary ho potika ny siny hoditra. Fa kosa, manisy divay vaovao ao anaty siny hoditra vaovao izy ireo, ary ho voatahiry izy roa."
\s5
\v 18 Raha mbola niteny ireo zavatra ireo tamin'izy ireo Jesosy, dia indro, nisy manam-pahefana anankiray tonga ka niankohoka teo aminy. Niteny izy hoe: "Maty izao ankehitriny izao ny zanako vavy, fa tongava ary apetraho eo aminy ny tananao, dia ho velona izy."
\v 19 Avy eo nitsangana Jesosy ary nanaraka azy, dia nanao toy izany koa ireo mpianany.
\s5
\v 20 Indro, nisy vehivavy izay efa nandeha rà nandritra ny roa ambin'ny folo taona, nankao aorian'i Jesosy ary nikasika ny moron'akanjony.
\v 21 Fa hoy izy tamin'ny tenany hoe: "Raha mahavoakasika ny lambany fotsiny aho, dia ho sitrana."
\v 22 Fa nitodika Jesosy ka nahita azy, dia niteny hoe: "Ry zanako vavy, mahereza; ny finoanao no nahasitrana anao." Ary sitrana ilay vehivavy nanomboka tamin'io ora io.
\s5
\v 23 Rehefa tonga tany amin'ny tranon'ilay manam-pahefana Jesosy, dia nahita ireo mpitsoka sodina sy ireo vahoaka nitabataba be Izy.
\v 24 Dia hoy Izy hoe: "Mandehana, fa tsy maty ilay zazavavy, fa matory izy." Fa nihomehy Azy tamin'ny fanesoana izy ireo.
\s5
\v 25 Rehefa navoaka tany ivelany ny vaohaka, dia niditra tao an'efitra Izy ary nandray azy tamin'ny tanana, ary nitsangana ilay zazavavy.
\v 26 Niely nanerana ny faritra rehetra ny vaovao momba izany.
\s5
\v 27 Ary raha niala teo Jesosy, dia nisy jamba roa lahy nanaraka Azy. Tsy nitsahatra niantso izy ireo sady niteny hoe: "Mamindrà fo aminay, ry zanak'i Davida!"
\v 28 Rehefa tonga tao an-trano Jesosy, dia nanatona Azy ireo lehilahy jamba. Hoy Jesosy tamin'izy ireo hoe: "Mino ve ianareo fa mahay manao izany Aho?" Dia hoy izy ireo taminy hoe: "Eny, Tompo."
\s5
\v 29 Avy eo nokasihan'i Jesosy ny mason'izy ireo ary niteny hoe: "Ho tanteraka aminareo araka ny finoanareo anie izany,"
\v 30 ary nahiratra ny mason'izy ireo. Avy eo Jesosy nandidy mafy azy ireo ary niteny hoe: "Aoka mba tsy hisy olona ahafantatra momba izao."
\v 31 Fa nandeha ireo roa lahy ka nampiely ny vaovao momba izany nanerina izany faritra izany.
\s5
\v 32 Ary raha nandeha ireo roa lahy, dia indro, nisy lehilahy moana nitoeran'ny demonia noentina teo amin'i Jesosy.
\v 33 Ary rehefa navoaka ilay demonia, dia niteny ilay lehilahy moana. Gaga ny vahoaka ka niteny hoe: "Tsy mbola fahita hatrizay tamin'Isiraely izao!"
\v 34 Fa hoy ireo fariseo hoe: "Tamin'ny fanapahan'ireo demonia, no namoahany ireo demonia."
\s5
\v 35 Nandeha nitety ireo tanàn-dehibe sy ireo vohitra rehetra Jesosy. Nanohy nampianatra tany amin'ireo synagogan'izy ireo Izy, nitory ny filazantsaran'ny fanjakana, ary nanasitrana ireo karazan'aretina rehetra sy ireo karazana fahararina rehetra.
\v 36 Rehefa nahita ireo vahoaka Izy, dia nanana fangoraham-po tamin'ireo, satria niahiahy sy kivy izy ireo. Tahaka ny ondry tsy misy mpiandry izy ireo.
\s5
\v 37 Dia hoy izy tamin'ireo mpianany hoe: "Betsaka ny vokatra, fa ireo mpiasa no vitsy.
\v 38 Noho izany mivavaha faingana amin'ny Tompon'ny vokatra, mba andefasany mpiasa eny amin'ny vokatrany."
\s5
\c 10
\p
\v 1 Nantsoin'i Jesosy niaraka ireo mpianany roa ambin'ny folo ary nanome azy ireo fahefana amin'ireo fanahy maloto, mba handroahana azy ireo, sy hanasitrana ireo karazan'aretina sy karazana faharariana rehetra.
\s5
\v 2 Ary ireto avy ny anaran'ireo apostoly roa ambiny folo. Ny voalohany, Simona (izay antsoina ihany koa hoe Petera), ary Andreo rahalahiny; Jakoba zanaka lahin'i Zebede, sy Jaona rahalahiny;
\v 3 Filipo, sy Barteleomy; Tomasy, sy Matio ilay mpanangona hetra; Jakoba zanaka lahin'i Alfeosy, ary Tadeosy;
\v 4 Simona ilay Zelota, ary Jodasy Iskariota, ilay hamadika Azy.
\s5
\v 5 Nirahin'i Jesosy izy roa ambiny folo. Nanoro azy ireo Izy ary niteny hoe: "Aza mandeha any amin'ny toerana izay hitoeran'ny Jentilisa ianareo, ary aza miditra amin'ny renivohitr'ireo Samaritana.
\v 6 Fa mandehana kosa any amin'ireo ondry very amin'ny taranak'Isiraely;
\v 7 ka rehefa mandeha ianareo, dia mitoria ary ambarao hoe: 'Efa akaiky ny fahatongavan'ny Fanjakan'ny lanitra.'
\s5
\v 8 Sitrano ny marary, atsangano ny maty, diovy ireo boka, ary roahy ireo demonia. Araka ny nahazoanareo maimaimpoana, dia manomeza ihany koa maimaimpoana.
\v 9 Aza mitondra volamena, volafotsy, na varahina ao amin'ny kitapom-bolanareo.
\v 10 Aza mitondra kitapom-batsy amin'izay alehanareo, na fitafy hafa, na kiraro, na tehina, fa ny mpiasa dia mendrika hahazo ny sakafony.
\s5
\v 11 Na inona na inona tanàn-dehibe na tanàna kely hidiranareo, tadiavo izay mendrika ao, ary mitoera ao mandra-pialanareo.
\v 12 Raha vao miditra ao amin'ilay trano ianareo, dia miarahabà ny ao. Raha mendrika ilay trano, dia aoka ny fiadananareo ho tonga ao.
\v 13 Fa raha tsy mendrika kosa izany, dia aoka ny fiadananareo hiverina aminareo.
\s5
\v 14 Ho an'ireo izay tsy mandray anareo na tsy mihaino ny teninareo, dia ahintsano ny vovoka amin'ny tongotrareo, rehefa miainga amin'izany trano na tanàn-dehibe izany ianareo.
\v 15 Lazaiko marina aminareo, fa ho moramora kokoa ny an'ny tanin'i Sodoma sy Gomora amin'ny andro fitsarana noho izany tanàn-dehibe izany.
\s5
\v 16 Indro, handefa anareo toy ny ondry eo afovoan'ny ambodia Aho, koa hendre tahaka ny menarana ary tsy manan-tsiny tahaka ny voromailala.
\v 17 Mitandrema ny amin'ny olona! Hanolotra anareo eo amin'ny filan-kevitra izy ireo, ary hikapoka anareo ao amin'ny sinagogan'izy ireo.
\v 18 Avy eo dia ho entina manoloana ny governora sy ny mpanjaka ianareo nohon'ny Amiko, mba ho vavolombelona ho azy ireo sy ho an'ireo Jentilisa.
\s5
\v 19 Rehefa manolotra anareo izy ireo, dia aza manana ahiahy ny amin'ny hoe ahoana na inona no ho lazainareo, fa homena anareo amin'io ora io izay tokony ho lazaina.
\v 20 Fa tsy ianareo no hiteny, fa ny Fanahin'ilay Rainareo no hiteny ao aminareo.
\s5
\v 21 Ny rahalahy dia hanolotra ny rahalahy ho amin'ny fahafatesana, ary ny ray dia ny zanany. Ny zanaka dia hitsangana hanohitra ny ray aman-dreniny ka hahatonga ny fahafatesan'izy ireo.
\v 22 Ho halan'ny olon-drehetra ianareo nohon'ny amin'ny anarako. Fa na iza na iza miharitra hatramin'ny farany, dia ho voavonjy izany olona izany.
\v 23 Rehefa manenjika anareo ao amin'io tanàn-dehibe io izy ireo, dia mandosira any amin'ny manaraka, fa lazaiko marina aminareo, fa tsy hahatapitra ireo tanànan'Israely mialohan'ny hatongavan'ny Zanak'Olona ianareo.
\s5
\v 24 Ny mpianatra dia tsy lehibe noho ny mpampianany, na ny mpanompo ho ambony noho ny tompony.
\v 25 Ampy ho an'ny mpianatra raha tonga toy ny mpampianany izy, ary ny mpanompo toy ny tompony. Raha nantsoin'izy ireo hoe Belzeboba ny tompon'ny trano, dia ho ratsy lavitra tahaka ny ahoana ireo anarana hiantson'izy ireo ny isam-piankohonana!
\s5
\v 26 Noho izany aza matahotra azy ireo, fa tsy hisy takona izay tsy hiseho, ary zava-miafina izay tsy ho fantatra.
\v 27 Izay lazaiko anareo ao amin'ny haizina, dia teneno amin'ny andro mazava, ary izay bitsibitsika renareo amin'ny sofinareo, dia torio eny ambony tampon-trano.
\s5
\v 28 Aza matahotra an'ireo izay mamono ny vatana kanefa tsy afaka mamono ny fanahy. Fa kosa, matahora an'izay afaka mamotika ny fanahy sy ny vatana any amin'ny helo.
\v 29 Moa va tsy vola madinika kely no hamarotana fody roa? Fa tsy mbola misy na iray amin'izy ireo aza mianjera amin'ny tany raha tsy misy ny fahalalan'ny Rainareo.
\v 30 Fa na ny volon-dohanareo aza voaisa avokoa.
\v 31 Aza matahotra. Manan-danja bebe kokoa noho ny fody maro ianareo.
\s5
\v 32 Noho izany izay rehetra manaiky Ahy eo anatrehan'ny olona, dia ho ekeko ihany koa eo anatrehan'ny Raiko izay any an-danitra.
\v 33 Fa izay mandà Ahy eo anatrehan'ny olona kosa, dia ho laviko ihany koa eo anatrehan'ny Raiko izay any an-danitra.
\s5
\v 34 Aza mieritreritra fa izaho dia tonga hitondra fiadanana eto an-tany. Tsy tonga mba hitondra fiadanana Aho, fa sabatra.
\v 35 Fa tonga aho hanasaraka ny zanaka lahy amin'ny rainy, sy ny zanaka vavy amin'ny reniny, ary ny vinantovavy amin'ny rafozam-baviny.
\v 36 Ireo izay ao an-tokantranony ihany no ho lasa fahavalon'ny olona.
\s5
\v 37 Izay tia kokoa ny ray na reny mihoatra Ahy dia tsy mendrika Ahy; ary izay tia kokoa ny zanaka lahy na ny zanaka vavy mihoatra Ahy dia tsy mendrika Ahy.
\v 38 Izay tsy mandray ny hazofijaliany ka manaraka Ahy dia tsy mendrika Ahy.
\v 39 Izay mamonjy ny ainy dia hahavery izany. Fa izay mahavery ny ainy noho ny amiko dia hahita izany.
\s5
\v 40 Izay mandray anareo dia mandray Ahy, ary izay mandray Ahy dia mandray ilay naniraka ahy ihany koa.
\v 41 Izay mandray ny mpaminany satria mpaminany izy dia hahazo ny valisoan'ny mpaminany, ary izay mandray ny olo-marina satria olo-marina izy dia hahazo ny valisoan'ny olo-marina.
\s5
\v 42 Na iza na iza manome ny iray amin'ireny madinika indrindra ireny, na dia rano mangatsiaka iray kaopy ho sotroina aza, satria izy mpianatra, dia lazaiko marina aminareo fa, tsy ho very ny valisoany."
\s5
\c 11
\p
\v 1 Ary rehefa avy nampianatra ireo mpianany roa ambin'folo Jesosy, dia niainga avy teo Izy hampianatra sy hitory any amin'ny tananan'izy ireo.
\v 2 Ary rehefa ren'i Jaona tao am-ponja ny momba ireo asan'i Kristy, dia nandefa hafatra tamin'ny alalan'ireo mpianany izy
\v 3 ka niteny Azy hoe: "Ianao va ilay iray izay ho avy, sa tokony hitady hafa izahay?"
\s5
\v 4 Jesosy namaly ary niteny azy ireo hoe: "Mandehana ary lazao amin'i Jaona izay hitanareo sy renareo."
\v 5 Mahazo fahitana ireo jamba, mandeha ireo olona malemy, diovina ireo boka, mandre indray ireo olona marenina, atsangan-ko velona ireo olona maty, ary anambarana ireo vaovao mahafaly ny mahantra.
\v 6 Sambatra izay tsy tafitohina noho ny amiko."
\s5
\v 7 Raha nandeha teny amin'ny lalany ireo lehilahy ireo, dia nanomboka nilaza ny momban'i Jaona tamin'ireo vahoaka Jesosy hoe: "Hijery inona no nivoahanareo any an'efitra - volotara tsofin'ny rivotra?
\v 8 Nefa hijery inona no nivoahanareo - lehilahy manao fitafy lafo vidy? Indro, ireo izay manao fitafy lafo vidy dia mipetraka ao an-tranon'ireo mpanjaka.
\s5
\v 9 Nefa hijery inona no nivoahanareo -mpaminany? Eny, miteny aminareo Aho, ary mihoatra lavitra noho ny mpaminany.
\v 10 Izy ilay izay voasoratra hoe: 'Jereo, maniraka ny irako hialoha ny tavanareo Aho, izay hanomana ny làlanareo mialoha anareo.'
\s5
\v 11 Lazaiko marina aminareo, fa amin'ireo izay natera-behivavy dia tsy misy lehibe mihoatra noho Jaona mpanao Batisa. Nefa ny olona tsy manan-danja indrindra eo amin'ny fanjakan'ny lanitra dia lehibe noho izy.
\v 12 Nanomboka tamin'ny andron'i Jaona mpanao Batisa ka hatramin'izao, dia miaritra amin'ny herisetra ny fanjakan'ny lanitra, ary ireo olona mahery setra dia maka azy an-keriny.
\s5
\v 13 Fa ireo mpaminany rehetra sy ny lalàna dia efa naminany hatramin'i Jaona;
\v 14 ary raha sitrakareo ny hanaiky izany, dia Izy no Elia ilay ho avy.
\v 15 Izay manan-tsofina ho enti-mhaino, aoka izy hihaino.
\s5
\v 16 Amin'inona no tokony hampitahako ity taranaka ity? Izany dia toy ny ankizy milalao eny amin'ny tsena, izay mipetraka sy mifampiantsoantso
\v 17 ka miteny hoe: 'Nitsoka sodina ho anareo izahay, fa tsy nandihy inareo. Nanao hira fisaonanana izahay, fa tsy nitomany ianareo.'
\s5
\v 18 Fa Jaona dia tsy tonga hihinana mofo na hisotro divay, ka hoy izy ireo hoe: 'Manana demonia izy.'
\v 19 Ny Zanak'Olona dia tonga hihinana sy hisotro ka hoy izy ireo hoe: 'Jereo, lehilahy tendan-kanina sy mpimamo izy, naman'ireo mpamory hetra sy ireo mpanota!' Fa ny fahendrena dia voamarina tamin'ireo asany."
\s5
\v 20 Avy eo Jesosy nanomboka niteny mafy ireo tanàna izay nanaovany ny ankamaroan'ny asany mahagaga, satria tsy nibebaka izy ireo.
\v 21 "Loza ho anareo, ry Korazina! Loza ho anareo, ry Betsaida! Raha natao tany Tyra sy Sidona ireo asa mahagaga izay natao teto aminareo, dia efa ela no nibebaka tamin'ny lamba fisaonana sy lavenona izy ireo.
\v 22 Nefa ho moramora kokoa ny an'ny Tyra sy Sidona amin'ny andron'ny fitsarana mihoatra noho ny anareo.
\s5
\v 23 Ianareo, ry Kapernaomy, mihevitra ve ianareo fa hasandratra any an-danitra? Tsia, ho entina hidina any amin'ny helo ianareo. Satria raha tany Sodoma no natao ireo asa mahagaga izay natao teto aminareo, dia mbola ho tavela izany mandrak' androany.
\v 24 Nefa milaza aminareo Aho fa ho mora kokoa ho an'ny tanin'i Sodoma ny andron'ny fitsarana noho ny ho aminareo."
\s5
\v 25 Tamin'izany fotoana izany Jesosy niteny hoe: "Midera Anao Aho, ry Ray, Tompon'ny lanitra sy ny tany, satria Ianao no nanafina ireo zavatra ireo tamin'ny hendry sy ny mahalala, ary nanambara ireo tamin'ireo izay tsy mahalala, toy ireo ankizy kely.
\v 26 Eny, ry Ray, satria izany dia nahafinaritra teo imasonao.
\v 27 Ny zavatra rehetra nankinina tamiko dia avy amin'ny Raiko; ary tsy misy mahalala ny Zanaka afa-tsy ny Ray ary tsy misy mahalala ny Ray afa-tsy ny Zanaka, sy izay fidian'ny Zanaka hanambarana Azy.
\s5
\v 28 Mankanesa aty amiko, ianareo rehetra izay miasa sy mitondra mavesatra, dia omeko fitsaharana ianareo.
\v 29 Ento ny ziogako ary mianara amiko, fa malemy fanahy sy manetry tena am-po Aho, dia hahita fitsaharana ho an'ireo fanahinareo ianareo.
\v 30 Fa mora ny ziogako ary maivana ny entako."
\s5
\c 12
\p
\v 1 Tamin'izany fotoana izany Jesosy nandeha namakivaky ny tanimbary tamin'ny andro Sabata. Noana ireo mpianany ka nanomboka nioty salohim-bary dia nihinanana ireo.
\v 2 Nefa noho ny hitan'ireo Fariseo izany, dia hoy izy ireo tamin'i Jesosy hoe: "Jereo, ireo mpianatrao manao izay tsy ara-dalàna ny manao azy amin'ny Sabata."
\s5
\v 3 Fa Jesosy niteny azy ireo hoe: "Mbola tsy novakinareo mihitsy va ny zavatra nataon'i Davida, rehefa noana izy, sy ireo lehilahy rehetra niaraka taminy?
\v 4 Niditra tao amin'ny tranon' Andriamanitra izy ary nihinana ny mofon'ny fanatrehena, izay tsy ara-dalàna ho azy raha hanina ary tsy ara-dalàna ho an'ireo izay niaraka taminy, nefa ara-dalàna ho an'ny lohan'ny mpisorona irery ihany.
\s5
\v 5 Tsy mbola novakinareo va ny ao amin'ny lalàna, fa amin'ny Sabata ireo mpisorona ao an-tempoly dia manota ny Sabata nefa tsy manan-tsiny?
\v 6 Kanefa lazaiko aminareo fa eto ny iray lehibe noho ny tempoly.
\s5
\v 7 Raha fantatrareo ny hevitry ny hoe: 'Famindram-po no iriko fa tsy sorona,' dia tsy nanameloka ny tsy manan-tsiny ianareo.
\v 8 Fa ny Zanak'Olona no Tompon'ny Sabata."
\s5
\v 9 Avy eo Jesosy niala tao ka niditra tao amin'ny synagogan'izy ireo.
\v 10 Indro, nisy lehilahy izay malemy tanana teo. Nanontany an'i jesosy ireo Fariseo, nanao hoe: "Ara-dalàna va ny manasitrana amin'ny Sabata?" mba hiampangan'izy ireo Azy amin'ny fahotana.
\s5
\v 11 Hoy Jesosy tamin'izy ireo hoe: "Olona iza eo aminareo, iza, raha ondry iray fotsiny no ananany, ka raha latsaka anaty lavaka lalina ilay ondry amin'ny Sabata, no tsy hisambotra azy ary tsy hampakatra azy?
\v 12 Tsy manan-danja mihoatra lavitra, va, ny olona noho ny ondry! Ka noho izany dia ara-dalàna ny manao soa amin'ny andro Sabata."
\s5
\v 13 Avy eo hoy Jesosy tamin-dralehilahy hoe: "Ahinjiro ny tananao." Dia nahinjiny izany, ka niverina ny fahasalamany, tahaka ny tanany ilany.
\v 14 Fa nivoaka ireo Fariseo ka nitetika ny hamono Azy. Nitady hevitra ny amin'ny fomba mety hamonona Azy izy ireo.
\s5
\v 15 Rehefa nahalala izany Jesosy, dia niala teo Izy. Olona maro no nananaraka Azy, ary nositraniny izy rehetra.
\v 16 Dia nandidy azy ireo Izy mba tsy hampafantatra Azy amin'ny hafa,
\v 17 mba hahatanteraka, izay efa nambara tamin'ny alalan' Isaiah mpaminany, manao hoe:
\s5
\v 18 "Jereo, ny mpanompoko izay nofidiko; ry ilay malalako, izay sitrakin'ny fanahiko indrindra. Hapetrako ao aminy ny fanahiko, ary hanambara ny fitsaràna amin'ny Jentilisa izy.
\s5
\v 19 Tsy hifanditra na hiantso mafy izy; ary tsy hisy olona handre ny feony eny an-dalàna.
\v 20 Tsy hanapaka ny volotara torotoro izy; tsy hamono izay lahin-jiro manentona, mandra-panaony ny rariny ho fandresena,
\v 21 ary amin'ny anarany no hananan'ireo Jentilisa fanantenana."
\s5
\v 22 Avy eo nisy olona jamba sy moana, nitoeran'ny demonia, noentina teo amin'ny Jesosy. Nositraniny izy, vokatr'izany dia niteny sy nahita ilay moana.
\v 23 Gaga ireo vahoaka rehetra ka niteny hoe: "Mety io lehilahy io ve no Zanak'i Davida?"
\s5
\v 24 Kanefa rehefa nandre izany fahagagana izany ireo Fariseo, dia hoy izy ireo hoe: "Io lehilahy io dia tsy mamoaka demonia raha-tsy amin'ny alalan'i Belzeboba, lehiben'ny demonia."
\v 25 Kanefa fanatatr'i Jesosy ny eritreritr'izy ireo ka niteny azy ireo izy hoe: "Ny fanjakana rehetra miady an-trano dia tsy haharitra, ary ny tanàna na trano rehetra miady an-trano dia ho rava.
\s5
\v 26 Raha mamoaka satana ny satana, dia miady an-trano izy. Ahoana noho izany no hijoroan'ny fanjakany?
\v 27 Ary raha mamoaka ireo demonia amin'ny alalan'i belzeboba Aho, dia amin'ny alalan'iza izany no adroahan'ny zanakareo azy ireo? Noho izany antony izany dia ho mpitsaranao izy ireo.
\s5
\v 28 Kanefa raha mamoaka ireo demonia amin'ny alalan'ny Fanahin'Andriamanitra Aho, dia efa tonga aminareo ny Fanjakan'Andriamanitra.
\v 29 Amin'ny fomba ahoana no ahafahan'ny olona miditra ao an- tranon'ny lehilahy mahery ary maka ireo fananany raha tsy hafatotra aloha ilay lehilahy mahery? Avy eo haka ireo fananany ao an-tranony izy.
\v 30 Izay tsy momba Ahy dia manohitra Ahy, ary izay tsy mitambatra miaraka Amiko dia miparitaka.
\s5
\v 31 Noho izany lazaiko aminareo fa, ho voavela heloka ny olona amin'ny fahotaha sy fitenenan-dratsy rehetra, fa ny fitenenan-dratsy amin'ny Fanahy Masina dia tsy hahazoana famelan-keloka.
\v 32 Na iza na iza miteny manohitra ny Zanak'Olona, dia ho voavela izy. Fa na iza na iza miteny manohitra ny Fanahy Masina, dia tsy ho voavela izy, na amin'izao fiainana izao, na amin'izay ho avy.
\s5
\v 33 Ataovy tsara ny hazo dia hamoa tsara izany, na ataovy ratsy ny hazo dia hamoa ratsy izany, fa fantatra amin'ny voany ny hazo.
\v 34 Ianareo taranaky ny menarana, satria ratsy fanahy ianareo, koa ahoana no afahanareo miteny zavatra tsara? Fa avy amin'ny haben'ny ao am-po no itenenan'ny vavany.
\v 35 Ny olona tsara avy amin'ny harena tsara ao am-pony dia mamokatra izay tsara, ary ny olon-dratsy avy amin'ny harena ratsy ao am-pony dia mamokatra izay ratsy.
\s5
\v 36 Lazaiko aminareo fa amin'ny andron'ny fitsarana dia ho adinina amin'ny teny tsy voahevitra nolazainy avy ny olona.
\v 37 Fa ny teninao no hanamarinana anao, ary ny teninao no hanamelohana anareo."
\s5
\v 38 Avy eo nisy mpanora-dalàna sy Fariseo sasantsasany namaly an'i Jesosy ary niteny hoe: "Ry Mpampinatra, maniry ny ahita famatarana avy aminao izahay."
\v 39 Fa namaly Jesosy ary niteny azy ireo hoe: "Misy taranaka ratsy fanahy sy mpijangajanga mitady famantarana. Kanefa tsy misy famatarana omena azy afa-tsy ny famataran'i Jaona mpaminany.
\v 40 Fa tahaka an'i Jonah izay telo andro sy telo alina tao an-kibon'ny trondro lehibe, dia ho toy izany koa no hitoeran'ny zanak'olona telo andro sy telo alina ao anatin'ny tany.
\s5
\v 41 Ireo olon'i Ninive dia hitsangana eo amin'ny fitsarana miaraka amin'ity taranaka ity ary hanameloka izany. Fa nibebaka izy ireo tamin'ny toritenin'i Jaonah, ary indro, misy olona lehibe noho jaonah eto.
\s5
\v 42 Ny mpanjakavavin'ny atsimo dia hiara-hitsangana amin'ireo lehilahin'ity taranaka ity amin'ny andron'ny fitsarana ary hanameloka izany. Tonga avy any amin'ny faran'ny tany izy mba handre ny fahendren'i Salomona, ary indro, misy olona lehibe noho Solomona eto.
\s5
\v 43 Rehefa nisy fanahy ratsy niala tao amin'ny lehilahy iray, dia mandalo tany karakaina izy ary mitady fitsaharana, nefa tsy mahita izany.
\v 44 Izany dia milaza hoe: 'Hiverina any amin'ny tranoko izay nihaviako aho.' Ary nony tonga, dia nahita fa voafafa ny trano ary nilamina.
\v 45 Avy eo dia nandeha izany ary nitondra fanahy ratsy fito niaraka taminy izay ratsy mihoatra azy, ka niditra nonina tao izy rehetra. Avy eo niha-ratsy noho ny voalohany ny fiafaran'izany lehilahy izany. Ary ho tahaka izany koa ny amin'ity taranaka ratsy fanahy ity."
\s5
\v 46 Raha mbola niteny tamin'ireo vahoaka Jesosy, dia indreo, ny reniny sy ireo rahalahiny nijoro tany ivelany, nitady hiresaka aminy.
\v 47 Nisy olona iray niteny taminy hoe: "Jereo, ny reninao sy ireo rahalahinao mijoro ao ivelany, mitady iresaka aminao."
\s5
\v 48 Fa namaly Jesosy ary niteny tamin'ilay niteny Azy hoe, "Iza no reniko ary iza ireo rahalahiko?"
\v 49 Avy eo nahijiny tamin'ireo mpianany ny tanany ary niteny hoe: "Jereo, indreto ny reniko sy ireo rahalahiko!
\v 50 Fa izay manao ny sitrapon'ny Raiko izay any an-danitra, dia izany olona izany no rahalahiko, sy ny anabaviko, ary reniko."
\s5
\c 13
\p
\v 1 Tamin'izany andro izany Jesosy nandeha nivoaka ny trano ary nipetraka teo amoron'ny ranomasina.
\v 2 Nisy vahoaka maro niangona nanodidina Azy, ka dia niditra tao an-tsambokely Izy ary nipetraka tao amin'izany, raha nitsangana teo amoron-dranomasina kosa ny vahoaka rehetra.
\s5
\v 3 Avy eo Jesosy nilaza zavatra maro tamin'izy ireo tamin'ny alalan'ny fanoharana. Hoy Izy hoe: "Indro, nisy mpamboly iray nandeha nivoaka hamafy voa.
\v 4 Raha izy namafy iny, dia nisy voa sasany latsaka teny amoron-dalana, ary tamy ireo vorona ka nandrapaka ireo.
\v 5 Ireo voa hafa indray dia latsaka teny amin'ny tany be vato, izay tsy nahazoan'ireo nofon-tany tsara. Avy hatrany dia naniry ireo, satria tsy lalina ny tany.
\v 6 Fa rehefa niposaka ny masoandro, dia maina ireo satria tsy nisy fakany, ary dia nalazo.
\s5
\v 7 Nilatsaka teo amin'ny tsilo ireo voa hafa. Naniry ireo tsilo ary nangenja azy ireo.
\v 8 Ireo voa hafa nilatsaka tamin'ny tany tsara ary namoa voany, ny sasany avo zato heny, ny sasany enim-polo, ary ny sasany telo-polo.
\v 9 Izay manan-tsofina, aoka izy hiaino."
\s5
\v 10 Tamy ireo mpianatra ary niteny an'i Jesosy hoe: "Nahoana Ianao no miresaka amin'ireo vahoaka amin'ny alalan'ny fanoharana?"
\v 11 Namaly Jesosy ary niteny azy ireo hoe: "Ianareo no nomena tombony hahafantatra ireo zava-miafin'ny fanjakan'ny lanitra, fa ho azy ireo dia tsy nomena izany.
\v 12 Satria na iza na iza manana, dia ho be kokoa aza no homena. Fa na iza na iza kosa tsy manana, na izay hananany aza ho esorina aminy.
\s5
\v 13 Izany no antony hiresahako amin'izy ireo amin'ny alalan'ny fanoharana: Na dia mijery aza izy ireo, dia tsy mahita; ary na dia mihaino aza izy ireo, dia tsy mandre, na mahazo.
\v 14 Amin'izy ireo ny faminanian'Isaia no tanteraka, izay milaza hoe: 'Rehefa mihaino dia handre ianareo, saingy tsy hahazo mihitsy; rehefa mijery dia hahita ianareo, saingy tsy hahatakatra.
\s5
\v 15 Fa lasa donto ny fon'ity vahoaka ity, ary mafy sofina izy ireo, ary nakipin'izy ireo ny masony, mba tsy hahita amin'ny mason'izy ireo, na handre amin'ny sofin'izy ireo, na hahazo amin'ny fon'izy ireo, ka hibebaka indray izy ireo, ary hanasitrana azy ireo Aho.'
\s5
\v 16 Fa sambatra ny masonareo, satria mahita; ary ny sofinareo, satria mandre.
\v 17 Lazaiko marina aminareo fa mpaminany sy olo-marina maro no naniry ny hahita ireo zavatra izay hitanareo, kanefa tsy nahita an'ireo. Naniry ny handre ireo zavatra izay renareo izy ireo, kanefa tsy nandre an'ireo.
\s5
\v 18 Koa mihainoa ary ny fanoharana ny amin'ny mpamboly iray izay namafy ny voany.
\v 19 Rehefa misy mandre ny tenin'ny fanjakana kanefa tsy mahazo izany, dia tonga ilay ratsy ary manongotra izay nafafy tao am-pony. Io ilay voa nafafy teny amoron-dalana.
\s5
\v 20 Ilay nafafy teny amin'ny tany be vato dia ny olona izay mandre ny teny ary avy hatrany dia mandray azy am-pifaliana,
\v 21 saingy tsy mbola miorim-paka ao anatiny izy ary dia maharitra vetivety ihany. Rehefa tonga ny fahoriana na ny fanenjehana nohon'ny amin'ny teny, dia malaky tafintohina izy.
\s5
\v 22 Ilay nafafy teny amin'ny tsilo, io dia ny olona izay mandre ny teny, saingy ny fiahiahian'izao tontolo izao sy ny fitaky ny harena no mangeja ny teny, ary dia lasa tsy mamoa izy.
\v 23 Ilay nafafy teo amin'ny tany tsara, io no olona izay mandre ny teny ary mahazo izany. Mamoa voankazo izy ary mahatonga ny voa iray, hanome avo zato heny mihoatra izay nambolena, ny sasany enim-polo, ny sasany avo telo-polo heny."
\s5
\v 24 Naneho fanoharana iray hafa tamin'izy ireo Jesosy. Hoy Izy hoe: "Ny fanjakan'ny lanitra dia toy ny lehilahy iray izay namafy voa tsara tao amin'ny sahany.
\v 25 Fa raha natory iny ny olona, dia tonga ny fahavalony ary namafy voan-tsimparifary ihany koa tao amin'ireo vary ary nandeha.
\v 26 Rehefa nitsiry ireo vary ary avy eo namokatra ireo voany, dia nipoitra ihany koa ireo voan-tsimparifary.
\s5
\v 27 Tonga ireo mpanompon'ny tompon-tany ary niteny taminy hoe: 'Tompoko, tsy namafy voa tsara tao amin'ny sahanao va ianao? Nahoana izy ankehitriny no misy voan-tsimparifary?'
\v 28 Hoy izy tamin'izy ireo hoe: 'Nisy fahavalo nanao izany.' Hoy ireo mpanompo taminy hoe: 'Koa tianao va ny handehananay manongotra azy ireo?'
\s5
\v 29 Ilay tompon-tany niteny hoe: 'Tsia. Satria raha manongotra ireo tsimparifary ianareo, dia mety hanongotra ny fakan'ireo vary miaraka amin'ireo koa.
\v 30 Avelao hiara-haniry izy roa hatramin'ny fijinjana. Amin'ny fotoam-pijinjana dia hiteny amin'ny mpijinja aho hoe: "Esory aloha ireo ahi-dratsy ary fehezo ho fatorana maromaro mba handorana azy ireo, fa angony ao amin'ny fitoeram-bokatro kosa ireo vary."'"
\s5
\v 31 Avy eo Jesosy naneho fanoharana iray hafa tamin'izy ireo. Hoy Izy hoe: "Ny fanjakan'ny lanitra dia toy ny voatsinampy izay nalain'ny lehilahy iray ary nafafiny teo amin'ny sahany.
\v 32 Io voa io tokoa no voa kely indrindra amin'ny voa hafa rehetra. Fa rehefa naniry izany, dia lehibe noho ireo zava-maniry ao amin'ny saha. Lasa hazo izany, mba hiavian'ireo voron'ny habakabaka ary hanao ny tranon'izy ireo eo amin'ireo rantsany."
\s5
\v 33 Avy eo Jesosy nilaza fanoharana iray hafa. "Ny fanjakan'ny lanitra dia toy ny lalivay izay nalain'ny vehivavy iray ary nafangarony tamina lafarinina intelo famarana mandra-piakatry ny foto-koba manontolo."
\s5
\v 34 Fanoharana no nanambaran'i Jesosy ireo zava-drehetra ireo tamin'ny vahoaka; ary tsy nilaza na inona na inona tamin'izy ireo afa-tsy tamin'ny fanoharana Izy.
\v 35 Izany dia mba hahatanteraka izay nolazaina tamin'ny alalan'ny mpaminany, rehefa niteny Izy hoe: "Izaho hiloa-bava amin'ny alalan'ny fanoharana. Hilaza zavatra izay nafenina hatrizay nanorenana izao tontolo izao Aho."
\s5
\v 36 Avy eo Jesosy nandao ireo vahoaka ary nankao an-trano. Nankeo aminy ireo mpianany ary niteny hoe: "Azavao aminay ny fanoharana momba ilay tsimparifarin'ny saha."
\v 37 Namaly Jesosy ary niteny hoe: "Ilay mamafy voa tsara dia ny Zanak'Olona.
\v 38 Ny saha dia izao tontolo izao; ary ny voa tsara, ireo no zanaky ny fanjakana. Ny tsimparifary dia ireo zanak'ilay ratsy,
\v 39 ary ny fahavalo izay namafy azy ireo dia ny devoly. Ny fijinjana dia ny fiafaran'izao tontolo izao, ary ny mpijinja dia ireo anjely.
\s5
\v 40 Noho izany, tahaka ny anangonana sy andorana ireo tsimparifary amin'ny afo, no atao koa amin'ny fiafaran'izao tontolo izao.
\v 41 Haniraka ireo anjeliny ny Zanak'Olona, ary ho angonin'izy ireo hiala amin'ny fanjakany ireo zavatra rehetra izay mahatonga fahotana, sy ireo izay manao ratsy.
\v 42 Ho atsipin'izy ireo ao amin'ny lafaoro lehibe mirehitra afo izy ireo, izay hisy ny fitomaniana sy ny fikitroha-nify.
\v 43 Avy eo hamiratra toy ny masoandro ao amin'ny fanjakan'ny Rain'izy ireo ny olo-marina. Izay manan-tsofina, aoka izy hihaino.
\s5
\v 44 Ny fanjakan'ny lanitra dia toy ny harena izay miafina ao amin'ny saha iray. Nisy lehilahy nahita izany ary nafeniny. Nandeha tamin'ny hafaliany izy, nivarotra izay rehetra nananany, ary nividy io saha io.
\v 45 Ary koa, ny fanjakan'ny lanitra dia toy ny lehiahy izay mpivarotra mitady voahangy lafo vidy.
\v 46 Rehefa nahita voahangy iray izay tena lafo vidy izy, dia nandeha ka nivarotra izay rehetra nananany ka nividy izany.
\s5
\v 47 Ary koa, ny fanjakan'ny lanitra dia toy ny harato izay natsipy tany an-dranomasina, ary nanangona ireo karazan-java-manan'aina rehetra.
\v 48 Rehefa feno izany, dia nosintonin'ireo mpanarato ho eo amoron-dranomasina. Avy eo izy ireo nipetraka ka nanangona ireo zavatra tsara ho ao amin'ny fitoerany, fa ireo zavatra tsy ilaina kosa narian'izy ireo.
\s5
\v 49 Ho toy izany amin'ny fiafaran'izao tontolo izao. Ho avy ireo anjely ary hanasaraka ireo ratsy fanahy amin'ireo marina.
\v 50 Ho atsipin'izy ireo ao amin'ny fandoroana lehibe mirehitra afo izy ireo, izay hisy ny fitomaniana sy fikitroha-nify.
\s5
\v 51 Azonareo ve izany zavatra rehetra izany?" Hoy ireo mpianany taminy hoe: "Eny."
\v 52 Avy eo Jesosy niteny tamin'izy ireo hoe: "Noho izany ny mpanora-dalana rehetra izay lasa mpianatra eo amin'ny fanjakan'ny lanitra dia tahaka ny lehilahy tompon-trano iray, izay mamoaka ireo zavatra tranainy sy ireo zavatra vaovao avy ao amin'ny hareny."
\v 53 Avy eo rehefa nahavita ireo fanoharana ireo Jesosy, dia niala tamin'izany toerana izany Izy.
\s5
\v 54 Avy eo Jesosy niditra tao amin'ny taniny manokana ary nampianatra ireo vahoaka tao amin'ny synagogan'izy ireo. Vokatr'izany dia talanjona izy ireo ary niteny hoe: "Avy aiza no ahazoan'ity lehilahy ity ny fahendreny sy ireo fahagagana ireo?
\v 55 Tsy io lehilahy io va no zanak'ilay mpandrafitra? Tsy Maria va no hiantsoana ny reniny? Tsy Jakoba, Josefa, Simona, ary Jodasy va no rahalahiny?
\v 56 Tsy miaraka amintsika va ireo anabaviny rehetra? Avy aiza no nahazoany ireo zavatra rehetra ireo?"
\s5
\v 57 Tohina nohon'ny aminy izy ireo. Fa hoy Jesosy tamin'izy ireo hoe: "Tsy misy mpaminany tsy misy hajany raha tsy ao amin'ny fireneny sy ao amin'ny fianakaviany ihany."
\v 58 Tsy dia nanao fahagagana be tao Izy nohon'ny tsy finoan'izy ireo.
\s5
\c 14
\p
\v 1 Tamin'izany fotoana izany, Heroda mpanapaka nandre ny vaovao momba an'i Jesosy.
\v 2 Hoy izy tamin'ireo mpanompony hoe: "I Jaona mpanao batisa izany; nitsangana tamin'ny maty izy. Noho izany dia miasa ao aminy ireo hery ireo."
\s5
\v 3 Fa Heroda nisambotra an'i Jaona, namatotra azy, ary nandefa azy tany an-trano maizina noho i Herodiasy, vadin'i Filipo rahalahiny.
\v 4 Fa hoy Jaona taminy hoe: "Tsy ara-dalana ho anao ny manana azy ho vadinao."
\v 5 Naniry ny hamono azy Heroda, saingy natahotra ireo vahoaka izy, satria noraisin'izy ireo toy ny mpaminany izy.
\s5
\v 6 Fa rehefa tonga ny fitsingerenan'ny andro nahaterahan'i Heroda, dia nandihy teo afovoan'ireo vahiny nasaina ny zanaka vavin'i Herodiasy ka nahafinaritra an'i Heroda.
\v 7 Ho setrin'izany, dia nampanantena tamin'ny fianianana izy ny hanome izay hangatahiny na inona na inona.
\s5
\v 8 Rehefa avy notoroanny reniny marika, dia hoy izy hoe: "Omeo ahy eto, ambonin'ny lovia, ny lohan'i Jaona mpanao Batisa."
\v 9 Nalahelo mafy nohon'ny fangatahany ny mpanjaka, saingy nohon'ny voadiny sy noho ireo rehetra nisakafo niaraka taminy, dia nanome baiko izy fa tokony ho vita izany.
\s5
\v 10 Naniraka ka nanapaka ny lohan'i Jaona tao an-tranomaizina izy.
\v 11 Avy eo nentina tamin'ny lovia ny lohany ary nomena ilay zazavavy ary nentiny teo amin'ny reniny izany.
\v 12 Avy eo dia tonga ireo mpianany, naka ilay faty, ary nandevina izany. Taorian'izany, dia nandeha izy ireo ary nilaza tamin'i Jesosy.
\s5
\v 13 Ary rehefa nandre izany Jesosy, dia niala avy teo tamina sambokely iray izy hankany amina toerana mitokana iray. Rehefa nandre izany ireo vahoaka, dia nanaraka Azy an-tongotra avy tany amin'ireo tanàn-dehibe.
\v 14 Avy eo Jesosy nankeo anoloan'izy ireo ary nahita ireo vahoaka maro be. Nangoraka azy ireo Izy ary nanasitrana ny aretin'izy ireo.
\s5
\v 15 Rehefa tonga ny hariva, dia nankeo aminy ireo mpianatra ary niteny hoe: "Ity dia toerana foana, ary efa tapitra sahady ny andro. Alefao ireo vahoaka, mba hahafahan'izy ireo mandeha any amin'ireo tanàna ary hividy sakafo ho an'ny tenan'izy ireo."
\s5
\v 16 Fa Jesosy niteny azy ireo hoe: "Tsy mila mandeha lavitra izy ireo. Omenareo zavatra hanina izy ireo."
\v 17 Hoy izy ireo taminy hoe: "Mofo dimy sy hazandrano roa ihany no hanananay eto."
\v 18 Hoy Jesosy hoe: "Ento aty amiko izany."
\s5
\v 19 Avy eo Jesosy nibaiko ireo vahoaka mba hipetraka eo amin'ny bozaka. Nalainy ireo mofo dimy sy hazandrano roa. Niandrandra tany an-danitra, dia nisaotra Izy ary nanapaka ireo mofo ka nomeny ireo mpianatra, ary ireo mpianatra nanome izany ho an'ireo vahoaka.
\v 20 Nihinana avokoa izy rehetra ary voky. Avy eo dia nangonin'izy ireo ny sisan'ireo poti-tsakafo ka nahafeno roambinifolo harona.
\v 21 Teo amin'ny dimy arivo lahy teo ireo nihinana, ankoatra ireo zaza amam-behivavy.
\s5
\v 22 Avy hatrany dia nasainy nankao amin'ny sambokely ary handeha hialoha Azy ho eny ampita ireo mpianany, raha mbola nandefa ireo vahoaka Izy.
\v 23 Taorian'ny nandefasany ireo vahoaka, dia nandeha niakatra teny an-tendrombohitra irery Izy mba hivavaka. Rehefa tonga ny hariva, dia irery teo Izy.
\v 24 Ary ny sambo dia efa lasa lavitry ny tanety, natopatopan'ny onja, satria nitsoka nanohitra azy ireo ny rivotra.
\s5
\v 25 Tamin'ny fiambenana fahefatry ny alina dia nanatona azy ireo Jesosy, nandeha teny ambony ranomasina.
\v 26 Rehefa nahita Azy nandeha teny ambony ranomasina ireo mpianatra, dia raiki-tahotra ka niteny hoe: "Matotoa io," ary dia nihiakiaka tamin-tahotra izy ireo.
\v 27 Fa Jesosy niteny tamin'izy ireo avy hatrany hoe: "Mahereza! Izaho ity! Aza matahotra."
\s5
\v 28 Namaly Azy Petera ka nanao hoe: "Tompo, raha Ianao io, dia asaivo manatona Anao eny ambonin'ny rano aho."
\v 29 Hoy Jesosy hoe: "Manatona" Koa dia niala avy tao amin'ny sambokely Petera ary nandeha teo ambony rano mba hanatona an'i Jesosy.
\v 30 Fa rehefa nahita ny rivotra Petera, dia lasa natahotra. Raha iny izy nanomboka nilentika iny, dia nihiaka mafy izy sady niteny hoe: "Tompo, vonjeo aho!"
\s5
\v 31 Avy hatrany Jesosy dia naninjitra ny tànany, nihazona an'i Petera, ary niteny taminy hoe: "Ianao ry kely finoana, fa maninona ianao no niahiahy?"
\v 32 Avy eo Jesosy sy Petera nandeha nihazo ny sambokely, nitsahatra nitsoka ny rivotra.
\v 33 Avy eo ireo mpianatra tao anaty sambokely nidera an'i Jesosy ary niteny hoe: "Ianao marina no Zanak'Andriamanitra."
\s5
\v 34 Rehefa avy niampita izy ireo, dia tonga teny an-tanety tao Genesareta.
\v 35 Rehefa nahafantatra an'i Jesosy ireo lehilahy tao amin'izany toerana izany, dia nandefa hafatra teny amin'ny faritra manodidina rehetra, ary nentin'izy ireo teo Aminy izay olona narary rehetra.
\v 36 Nitalaho Taminy izy ireo mba hahafahan'izy ireo mikasika ny moron'akanjony fotsiny ihany, ary maro ireo nikasika izany ka sitrana.
\s5
\c 15
\p
\v 1 Avy eo nisy Fariseo sy mpanora-dalana sasatsasany avy any Jerosalema nanatona an'i Jesosy. Hoy izy ireo hoe:
\v 2 "Nahoana ireo mpianatrao no mandika ny fomban-drazan'ireo zoky olona? Fa tsy manasa ny tanany izy ireo mialohan'ny hisakafo."
\v 3 Namaly Izy ary niteny tamin'izy ireo hoe: "Koa nahoana ary ianareo no mandika ny lalàn'Andriamanitra nohon'ny fomban-drazanareo?
\s5
\v 4 Fa Andriamanitra niteny hoe: 'Hajao ny rainao sy ny reninao', ary 'Izay miteny ratsy ny rainy na ny reniny, dia ho faty tokoa.'
\v 5 Fa ianareo miteny hoe: 'Na iza na iza milaza amin'ny rainy na reniny hoe: "Na inona na inona fanampiana izay azonareo avy amiko dia fanomezana ho an'Andriamanitra ankehitriny,'"
\v 6 izany olona izany dia tsy mila manaja ny rainy. Amin'izany fomba izany dia nofoananareo ny tenin'Andriamanitra nohon'ny tombontsoan'ireo fomban-drazanareo.
\s5
\v 7 Ry mpihatsaravelatsihy! Marina ny faminanian'Isaia momba anareo raha nilaza izy hoe:
\v 8 'Ity vahoaka ity dia manaja ahy amin'ny molotr'izy ireo, fa ny fon'izy ireo dia lavitra ahy.
\v 9 Tsy misy dikany ny fiderany ahy, satria izy ireo mampianatra ny didin'olombelona toy ny fampianaran'izy ireo.'"
\s5
\v 10 Avy eo niantso ny vahoaka ho eo Aminy Izy ary niteny tamin'izy ireo hoe: "Mihainoa ka mahazoa -
\v 11 Tsy ny miditra ao ambavan'ny olona no mandoto ny olona. Fa kosa, izay aloaky ny vava, no mandoto ny olona."
\s5
\v 12 Avy eo nanatona ireo mpianatra ary niteny tamin'i Jesosy hoe: "Moa va fantatrao fa tohina ireo Fariseo nohon'ny nandre izany teny izany?"
\v 13 Jesosy namaly ka niteny hoe: "Ireo zava-maniry izay tsy nambolen'ilay Raiko any an-danitra dia ho fongorina avokoa.
\v 14 Avelao izy ireo ho eo, izy ireo dia mpitarika jamba. Raha misy olona jamba iray mitarika jamba iray hafa, dia samy hivarina an-kady izy roa."
\s5
\v 15 Petera namaly ka niteny tamin'i Jesosy hoe: "Azavao aminay izany fanoharana izany."
\v 16 Hoy Jesosy hoe: Tsy manam-pahalalana ihany koa ve ianareo?"
\v 17 Tsy hitanao va fa izay miditra amin'ny vava dia mankao an-kibo ary avy eo dia havoaka any amin'ny lava-piringy?
\s5
\v 18 Fa ireo zavatra izay aloaky ny vava dia avy amin'ny fo. Ireo zavatra ireo no mandoto ny olona iray.
\v 19 Fa avy amin'ny fo no ivoahan'ny sain-dratsy, ny vono olona, ny fijangajangana, ny fakam-badin'olona, ny halatra, ny fijoroana vavolombelona tsy marina, ary ny fitenenan-dratsy.
\v 20 Ireo zavatra ireo no mandoto ny olona iray. Fa ny mihinana amin'ny tanana tsy misasa dia tsy mandoto ny olona iray."
\s5
\v 21 Avy eo Jesosy niala teo ka niverina tany amin'ny faritanin'i Tyro sy Sidona.
\v 22 Indro, nisy vehivavy Kananita anankiray avy amin'izany faritra izany. Niantso mafy izy ary niteny hoe: "Mamindrà fo amiko, ry Tompo, Zanak'i Davida o! Ny zanako vavy dia ampahorin'ny demonia mafy."
\v 23 Fa Jesosy tsy namaly teny azy. Nanatona ireo mpianany ka niangavy Taminy, nanao hoe: "Roahy izy, fa mitabataba mafy amintsika."
\s5
\v 24 Fa Jesosy namaly ary niteny hoe: "Tsy nirahina ho an'iza na iza Aho afa-tsy ho an'ny ondry very ao amin'ny ankohonan'Isiraely."
\v 25 Fa tonga nangataka sy niankohaka teo anatrehany izy, nanao hoe: "Tompo, vonjeo aho."
\v 26 Namaly Izy ka nanao hoe: "Tsy rariny raha alaina ny mofon-jaza ka atsipy ho an'ny amboa."
\s5
\v 27 Fa hoy izy hoe: "Eny, Tompo, fa na dia ny amboa aza mba mihinana izay sombintsombiny latsaka avy amin'ny latabatry ny tompony."
\v 28 Dia namaly Jesosy ary niteny taminy hoe: "Ravehivavy, lehibe ny finoanao; ho tanteraka aminao anie izany araka izay irinao." Dia sitrana ny zanany vavy tamin'izany ora izany.
\s5
\v 29 Niala teo Jesosy ka nankeny akaikin'ny ranomasin'ny Galilia. Avy eo dia niakatra teny an-tendrombohitra iray Izy ka nipetraka teo.
\v 30 Vahoaka maro no nanatona Azy. Noentin'izy ireo niaraka tamin'izy ireo ny mandringa, ny jamba, ny moana, ny kilemaina, ary marary maro hafa koa. Napetrak'izy ireo teo an-tongotr'i Jesosy ireo; ka dia nositraniny.
\v 31 Koa dia talanjona ny vahoaka raha nahita ireo moana miteny, ny kilemaina sitrana, ny malemy afaka mandeha, ary ny jamba mahiratra. Nankalaza ny Andriamanitr'Israely izy ireo.
\s5
\v 32 Niantso ireo mpianany mba hanatona Azy Jesosy ary niteny hoe: "Mangoraka ireo vahoaka Aho, satria efa telo andro sahady izy ireo no nipetraka niaraka tamiko nefa tsy manan-ko hanina. Tsy te handefa azy ireo tsy misakafo Aho, fandrao mety ho torana eny an-dalàna eny."
\v 33 Hoy ireo mpianatra Taminy hoe: "Aiza no hahitanay mofo sahaza sy ampy ireo vahoaka maro be ireo aty an'efitra?"
\v 34 Hoy Jesosy tamin'izy ireo hoe: "Mofo firy no any aminareo?" Ary hoy izy ireo hoe: "Fito, sy hazandrano madinika vitsy."
\v 35 Avy eo Jesosy nandidy ny vahoaka mba hipetraka amin'ny tany.
\s5
\v 36 Nandray ny mofo fito mbamin'ny hazandrano Izy, ary rehefa nisaotra, dia namaky ny mofo ka nanolotra ireo ho an'ireo mpianatra. Ireo mpianatra nanome ho an'ny vahoaka.
\v 37 Nihinana ka afa-po ny vahoaka rehetra. Avy eo izy ireo nanangona sobika fito feno sombintsombiny izay tsy lany.
\v 38 Ireo izay nihinana dia efatra arivo lahy, tsy ao anatiny ny zaza amam-behivavy.
\v 39 Avy eo Jesosy nampody ny vahoaka ka niondrana an-tsambokely ary dia nankany amin'ny faritr'i Magadana.
\s5
\c 16
\p
\v 1 Tonga ireo Fariseo sy Sadoseo ary nitsapa Azy ka nangataka Azy mba hampiseho azy ireo famantarana avy any an-danitra.
\v 2 Fa Izy namaly ary niteny azy ireo hoe: "Rehefa hariva, dia hoy ianareo hoe: 'Ho tsara ny andro, fa mena ny lanitra.'
\s5
\v 3 Rehefa maraina, dia hoy ianareo hoe: 'Ho ratsy ny andro, fa mena sy manjombona ny lanitra.' Hainareo ny mamantatra ny endriky ny lanitra, fa ianareo tsy afaka mandika ireo famantarana ny fotoana.
\v 4 Ny taranaka ratsy sy mpijangajanga dia mitady famantarana, fa tsy hisy famantarana homena azy ankoatra ny famantaran'i Jona." Avy eo Jesosy nandao azy ireo ka lasa.
\s5
\v 5 Rehefa tonga teny ampita ireo mpianatra, dia adinon'izy ireo ny nitondra mofo.
\v 6 Hoy Jesosy tamin'izy ireo hoe: "Miambena ary mitandrema amin'ny masirasiran'ireo Fariseo sy Sadoseo."
\v 7 Niady hevitra ireo mpianatra ka nilaza hoe: "Noho isika tsy nitondra mofo izany."
\v 8 Jesosy nahafantatra izany ka niteny hoe: "Ianareo ry kely finoana, nahoana ianareo no miady hevitra aminareo ka miteny fa nohon'ny tsy nitondranareo mofo izany?
\s5
\v 9 Mbola tsy fantatrareo na tsaroanareo va ny mofo dimy ho an'ny dimy arivo, ary sobika firy no nangoninareo?
\v 10 Na ireo mofo fito ho an'ireo efatr'arivo, ary sobika firy no nalainareo?
\s5
\v 11 Ahoana no tsy ahazoanareo fa tsy momban'ny mofo no nolazaiko anareo? Miambena ary mitandrema amin'ny masirasiran'ireo Fariseo sy Sadoseo."
\v 12 Avy eo azon'izy ireo fa tsy hitandrina amin'ny masirasiran'ny mofo no nolazainy azy ireo, fa hitandrina ny amin'ny fampianaran'ireo Fariseo sy Sadoseo.
\s5
\v 13 Ary rehefa tonga tany amin'ny faritra akaikin'ny Kaisaria-filipo Jesosy, dia nanontany ireo mpianany Izy, manao hoe: "Ataon'ny olona ho iza moa ny Zanak'Olona?"
\v 14 Hoy izy ireo hoe: "Ny sasany milaza fa Jaona mpanao batisa; ny sasany, Elia; ary ireo hafa, Jeremia, na iray amin'ireo mpaminany."
\v 15 Hoy Izy tamin'izy ireo hoe: "Fa ianareo kosa manao Ahy ho iza?"
\v 16 Namaly, Simona Petera nanao hoe: "Ianao no Kristy, Zanak'ilay Andriamanitra velona."
\s5
\v 17 Namaly Jesosy ka nanao taminy hoe: "Sambatra ianao, ry Simona Bar-Jona, fa tsy ny nofo sy rà no naneho izany taminao, fa ny Raiko izay any an-danitra.
\v 18 Lazaiko aminao ihany koa fa ianao no Petera, ary ambonin'ity vatolampy ity no hanorenako ny fiangonako. Ny vavahadin'ny fasana dia tsy haharesy izany.
\s5
\v 19 Homeko anareo ny fanalahidin'ny fanjakan'ny lanitra. Na inona na inona fehezinao eto ambonin'ny tany dia ho fehezina any an-danitra, ary na inona na inona vahanao ety an-tany dia ho vahana any an-danitra."
\v 20 Avy eo Jesosy nandidy ireo mpianatra fa izy ireo dia tsy tokony hilaza na amin'iza na iza fa Izy no Kristy.
\s5
\v 21 Tamin'izany fotoana izany Jesosy nanomboka niteny ireo mpianany fa tsy maintsy ho any Jerosalema Izy, hizaka fijaliana maro eo an-tanan'ny loholona sy ny lohan'ny mpisorona ary ireo mpanora-dalàna, ho vonoina, sy hatsangana indray amin'ny andro fahatelo.
\v 22 Avy eo Petera naka Azy ka niteny mafy Azy, manao hoe: "Ho lavitra anao anie izany, ry Tompo; tsy hitranga aminao mihintsy anie izany."
\v 23 Fa Jesosy nitodika ka niteny tamin'i Petera hoe: "Mialà any ivohoko, ry Satana! Ianao dia fanafintohinana ho Ahy, noho ianao tsy miraharaha ireo zavatr'Andriamanitra, fa ireo zavatrin'ny olona."
\s5
\v 24 Avy eo Jesosy niteny tamin'ireo mpianany hoe: "Raha misy te-hanaraka Ahy, dia tsy maintsy mandà ny tenany izy, hitondra ny hazofijaliany, ary manaraka Ahy.
\v 25 Fa na iza na iza te-hamonjy ny ainy dia hahavery azy, ary na iza na iza no hahavery ny ainy nohon'ny amiko, dia hahazo izany.
\v 26 Fa inona moa no soa ho azon'ny olona raha mahazo izao tontolo izao kanefa very ny ainy? Inona no omen'ny olona ho takalon'ny ainy?
\s5
\v 27 Fa ny Zanak'Olona dia ho avy amin'ny voninahitry ny Rainy miaraka amin'ireo anjeliny. Avy eo Izy hamaly soa ny olona tsirairay araka izay vitany.
\v 28 Lazaiko marina aminareo, fa misy sasany aminareo izay mijoro eto no tsy hitsapa ny fahafatesana mandrapahitan'izy ireo ny Zanak'Olona tonga amin'ny fanjakany."
\s5
\c 17
\p
\v 1 Enin'andro taty aoriana Jesosy dia naka an'i Petera, Jakoba, sy Jaona rahalahiny niaraka taminy, ary nitondra azy ireo niakatra ny tendrombohitra avo tamin'ny tenan'izy ireo.
\v 2 Niova endrika teo anoloan'izy ireo Izy. Namiratra toy ny masoandro ny tavany, ary ireo fitafiany lasa namiratra toy ny hazavana.
\s5
\v 3 Indro, niseho tamin'izy ireo Mosesy sy Elia niresaka taminy.
\v 4 Namaly Petera ary nanao tamin'i Jesosy hoe: "Tompo, tsara amintsika ny eto. Raha sitrakao, dia hanao fialofana telo ho antsika eto aho - iray ho anao, iray ho an'i Mosesy, ary iray ho an'i Elia."
\s5
\v 5 Raha mbola niteny Izy, indro, nisy rahona mazava nanarona azy ireo, ary indro, nisy feo nivoaka avy tao amin'ny rahona, nanao hoe: "Ity ny Zanako malalako, izay sitrako tokoa. Henoy Izy."
\v 6 Rehefa ren'ireo mpianatra izany, dia lavo izy ireo ary natahotra mafy.
\v 7 Avy eo tamy Jesosy ary nikasika azy ireo ka niteny hoe: "Mitsangàna ary aza matahotra."
\v 8 Avy eo dia nijery ambony izy ireo fa tsy nahita na iza na iza afa-tsy Jesosy irery ihany.
\s5
\v 9 Raha nidina ny tendrombohitra izy ireo, dia nandidy azy ireo Jesosy, nanao hoe: "Aza mitatitra izao fahitana izao na amin'iza na iza mandra-pitsangan'ny Zanak'Olona amin'ny maty."
\v 10 Nanontany Azy ireo mpianany, nanao hoe: "Nahoana ary ireo mpanora-dalàna no milaza fa Elia dia tsy maintsy ho avy aloha?"
\s5
\v 11 Jesosy namaly ary niteny hoe: "Elia dia ho avy tokoa ary hamerina amin'ny laoniny ny zavatra rehetra.
\v 12 Nefa lazaiko aminareo, fa efa tonga Elia, fa izy ireo tsy nahafantatra azy. Mifanohitra amin'izany, nanao ny zavatra rehetra izay tiany natao taminy izy ireo. Ary toy izany ihany koa, ny Zanak'Olona ihany koa dia hijaly eo an-tanan'izy ireo.
\v 13 Avy eo dia azon'ireo mpianatra fa niteny tamin'izy ireo ny momba an'i Jaona mpanao Batisa Izy.
\s5
\v 14 Rehefa tonga teo amin'ny vahoaka izy ireo, dia nisy lehilahy iray nanatona Azy, nandohalika teo anoloany, ary niteny hoe,
\v 15 "Tompo, manàna famindram- po amin'ny zanako lahy, fa voan'ny androbe izy ary mijaly mafy. Fa mianjera matetika any anaty afo na rano izy.
\v 16 Nitondra azy teo amin'ireo mpianatrao aho, fa tsy afaka nanasitrana azy izy ireo."
\s5
\v 17 Namaly Jesosy ary niteny hoe: "Ry taranaka tsy mpino sy simba toetra, mandra-pahoviana no tokony hitoerako miaraka aminareo? Mandra-pahoviana no tsy maintsy izakako miaraka aminareo? Ento eto amiko izy."
\v 18 Niteny mafy ny demonia Jesosy, ka nivoaka taminy izany ary dia sitrana tamin'izany ora izany ilay zazalahy.
\s5
\v 19 Dia nanatona an'i Jesosy mangingina ireo mpianatra ary nanao hoe: "Maninona no tsy nahavita namoaka an'iny izahay?"
\v 20 Jesosy niteny azy ireo hoe: "Noho ny finoana kelinareo. Fa lazaiko marina aminareo, raha manana finoana na dia kely toy ny voatsinampy aza ianareo, dia afaka miteny amin'ity tendrombohitra ity ianareo hoe: 'Mifindrà avy eto ho etsy,' dia hifindra izany ary tsy hisy na inona na inona tsy ho hainareo atao.
\v 21 \f + \ft Fanamarihana: Ny dikan-teny taloha tsara indrindra dia tsy ahitana ny hoe v. 21. "Fa ity karazana demonia ity dia tsy mivoaka raha tsy miaraka amin'ny vavaka sy fifadian-kanina." \f*
\s5
\v 22 Raha nitoetra tany Galilia izy ireo, dia hoy Jesosy tamin'ireo mpianany hoe: "Ny Zanak'Olona dia hatolotra eo an-tanan'ny olona,
\v 23 ary izy ireo hamono Azy, ary ny andro fahatelo dia hatsangana Izy." Lasa nalahelo tanteraka ireo mpianatra.
\s5
\v 24 Rehefa tonga tany Kaperinaomy izy ireo, dia nankeo aminí Petera ireo lehilahy izay nanangona ny hetra atsasaky ny sekely ary niteny hoe: "Tsy mandoa ny hetra atsasaky ny sekely ve ny mpampianatrareo?"
\v 25 Hoy izy hoe: "Eny." Fa rehefa niditra tao an-trano Petera, dia Jesosy aloha no niresaka taminy ka nanao hoe: "Inona no eritreritrao, ry Simona? Ireo mpanjaka eto an-tany, avy amin'iza no andraisan'izy ireo hetra na hetran'olona? Avy amin'ireo vahoakany va sa avy amin'ireo vahiny?"
\s5
\v 26 Rehefa niteny Petera hoe: "Avy amin'ireo vahiny," Dia hoy Jesosy taminy hoe: "Dia afaka amin'ny fandoavana izany ireo vahoaka.
\v 27 Fa mba tsy hampanotantsika ny mpamory hetra, dia mandehana any amin'ny ranomasina, manipàza fitana ao, ary alaivo ny trondro izay miakatra voalohany. Rehefa voasokatrao ny vavany, dia hahita sekely ianao. Alaivo izany ary omeo ireo mpamory hetra ho Ahy sy ho anao."
\s5
\c 18
\p
\v 1 Tamin'izany fotoana izany ihany dia tonga teo amin'i Jesosy ireo mpianany ary niteny hoe: "Iza no lehibe indrindra any amin'ny fanjakan'ny lanitra?"
\v 2 Jesosy niantso ankizy kely ho eo aminy, nametraka azy teo amin'izy ireo,
\v 3 ary niteny hoe: "Lazaiko marina aminareo, fa raha tsy miova toy ireo ankizy kely ianareo, dia tsy hisy hevitra ny hidiranareo any amin'ny fanjakan'ny lanitra.
\s5
\v 4 Noho izany, na iza na iza manetry tena toy ity ankizy kely ity dia lehibe indrindra izy any amin'ny fanjakan'ny lanitra.
\v 5 Na iza na iza mandray ny ankizy kely toy izao amin'ny anarako dia mandray Ahy.
\v 6 Fa na iza na iza mahatonga ny iray amin'ireto ankizy kely ireto izay mino Ahy hanota, dia ho tsara kokoa ho azy ny hiantonan'ny fikosoham-bary lehibe eo amin'ny vozony, ka halentika any amin'ny ranomasina lalina izy.
\s5
\v 7 Loza ho an'izao tontolo izao nohon'ny fotoanan'ny fanafintohinana! Fa ilaina ny ahatongavan'izany fotoana izany, nefa loza ho an'ny olona izay niavian'izany fotoana izany!
\v 8 Raha miteraka fanafintohina ho anao ny tananao na ny tongotrao, dia tapaho izany ary esory eo aminao. Tsara kokoa ho anao ny miditra kilemaina na mandringa any amin'ny fiainana mandrakizay noho ny ho very any amin'ny afo tsy mety maty amin'ny fanana tanana roa na tongotra roa.
\s5
\v 9 Raha miteraka fanafintohinana ho anao ny masonao iray, hongoty izany ary esory eo aminao. Tsara kokoa ho anao ny miditra any amin'ny fiainana mandrakizay miaraka amin'ny maso ila noho ny hoe very any amin'ny afo tsy mety maty miaraka amin'ny maso roa.
\s5
\v 10 Tandremo tsy hanao tsinotsinona ireo ankizy madinika ireo ianareo. Fa milaza aminareo Aho fa any an-danitra ireo anjeliny dia mijery foana ny endriky ny Raiko izay any an-danitra.
\v 11 \f + \ft Fanamarihana: Ny dikan-teny taloha tsara indrindra dia tsy ahitana ny fehezanteny izay miseho toy ny v. 11. hoe: "Fa ny Zanak'Olona dia tonga mba hamonjy izay very." \f*
\s5
\v 12 Inona no eritreritrareo? Raha misy manana manana ondry zato, ka mankany amin'ny lalan-diso ny iray amin'izy ireo, dia tsy handao ny sivy amby sivifolo eo amin'ny avoana va izy ary andeha hikaroka ilay iray izay nankany amin'ny lalan-diso?
\v 13 Raha hitany izany, dia lazaiko marina aminareo, fa mifaly amin'izany mihoatra noho ireo sivy amby sivifolo izay tsy nankany amin'ny lalan-diso izy.
\v 14 Toy izany ihany koa, tsy sitraky ny Rainareo any an-danitra ny hahavery ny iray amin'ireo madinika ireo.
\s5
\v 15 Raha manota aminao ny rahalahinao, mandehana ary lazao azy ny hadisoany, aminao sy izy irery ihany. Raha mihaino anao izy, dia hifankahazo amin'ny rahalahinao indray ianao.
\v 16 Kanefa raha tsy mihaino anao izy, dia mangalà iray na roa hafa miaraka aminao, amin'izay mba amin'ny vavan'ireo vavolombelona roa na telo no ahafahana manamarina ny teny rehetra.
\s5
\v 17 Ary raha mandà ny hihaino azy ireo izy, dia lazao amin'ny fiangonana ny zava-mitranga. Raha tsy manaiky hiaino ny fiangonana ihany koa izy, dia avelao izy ho toy ny Jentilisa sy ny mpamory hetra.
\s5
\v 18 Lazaiko marina aminareo, na inona na inona fehezinareo ety an-tany dia ho fehezina any an-danitra; ary na inona na inona avelanareo eto an-tany dia ho voavela any an-danitra.
\v 19 Dia mbola lazaiko aminareo indray hoe: "Raha misy roa aminareo manaiky eto an-tany ny amin'izay rehetra angatahan'izy ireo, dia ho atao ho azy ireo izany amin'ny alalan'ny Raiko izay any an-danitra.
\v 20 Fa na aiza misy roa na telo miara-mivory amin'ny Anarako, dia eo afovoan'izy ireo eo Aho."
\s5
\v 21 Avy eo nanatona Petera ary niteny tamin'i Jesosy hoe: "Tompo, impiry hanota amiko ny rahalahiko ka hamela azy aho? Hatramin'ny im-pito va?"
\v 22 Jesosy niteny azy hoe: "Tsy miteny aminao Aho hoe im-pito, fa hatramin'ny fitopolo im-pito.
\s5
\v 23 Noho izany ny fanjakan'ny lanitra dia mitovy amin'ny mpanjaka iray izay te hifandamina ara-bola miaraka amin'ireo mpanompony.
\v 24 Raha vao nanomboka ny fandaminana izy, dia nisy mpanompo iray nentina teo aminy izay nananany talenta iray alina.
\v 25 Nefa satria tsy nanana fomba handoavana izany izy, dia nandidy ny hamarotana azy ny tompony, miaraka amin'ny vadiny sy ireo zanany ary izay hananany rehetra, ka ho vita ny fandoavan-trosa.
\s5
\v 26 Noho izany dia niondrika ilay mpanompo, ary niankohoka teo anoloany, ary niteny hoe: 'Tompo, manàna faharetana amiko, dia haloako aminao ny zavatra rehetra.'
\v 27 Noho izany ny tompon'izany mpanompo izany, dia onena, ka nanafaka azy ary namela ny trosa taminy.
\s5
\v 28 Fa nivoaka io mpanompo io ka nahita ny iray tamin'ireo mpiara-manompo aminy, izay nananany dinaria zato. Nosamboriny izy, noraisiny tamin'ny tendany, ary niteny hoe: 'Aloavy amiko izay notrosainao.'
\v 29 Nefa niondrika io mpiara-manompo aminy io ary nitalaho taminy, nanao hoe: 'Manàna faharetana amiko, dia haloako aminao indray.'
\s5
\v 30 Kanefa nandà ilay mpanompo voalohany. Mifanohitra amin'izany, nandeha izy ary nataony tany am-pigadrana ilay mpiara-manompo aminy mandra-pahaloany aminy izay notrosainy.
\v 31 Rehefa nahita izay niseho ireo mpiara-manompo aminy, dia nalahelo tokoa izy ireo. Nandeha ary nilaza tamin'ny tompony izay rehetra niseho izy ireo.
\s5
\v 32 Avy eo niantso azy ny tompon'io mpanompo io, ary niteny azy hoe: 'Ianao ry mpanompo ratsy fanahy, namela ny trosa rehetra taminao aho satria ianao nitalaho tamiko.
\v 33 Tsy tokony hanana famindram-po amin'ny mpiara-manompo aminao va ianao, toy ny nananako famindram-po taminao?'
\s5
\v 34 Tezitra ny tompony ary nitondra azy tany amin'ireo mpampijaly mandra-pahaloany izay rehetra notrosainy.
\v 35 Toy izany ihany koa no ho ataon'ny Raiko any an-danitra aminareo, raha tsy mamela ny rahalahiny amin'ny fony ny tsirairay avy aminareo."
\s5
\c 19
\p
\v 1 Ary rehefa nahavita ireo teny ireo Jesosy, niala tany Galilia Izy, ary nankany amin'ny faritr'i Jodia izay tany andafin'ny reniranon'ny Jordana.
\v 2 Vaohaka maro no nanaraka Azy, ka nanasitrana azy ireo tany Izy.
\s5
\v 3 Nanatona Azy ireo fariseo, nitsapa Azy, niteny taminy hoe: "Ara-dalàna ho an'ny lehilahy va ny misaraka amin'ny vadiny noho izay mety ho antony rehetra?"
\v 4 Jesosy namaly ary niteny hoe: "Tsy novakianareo va fa Izy izay nanao azy ireo tamin'ny voalohany dia nanao azy ireo ho lahy sy vavy?
\s5
\v 5 Izy Izay nanao azy ireo dia niteny ihany koa hoe: 'Fa noho izany antony izany dia handao ny rainy sy reniny ny lehilahy ka hikambana amin'ny vadiny, ary ho lasa nofo iray izy roa?'
\v 6 Ka tsy ho roa intsony izy ireo, fa ho nofo iray. Ka izay natambatr' Andriamanitra, aoka tsy hisy hanasaraka."
\s5
\v 7 Hoy izy ireo taminy hoe: "Nahoana izany Mosesy no mandidy anay hanome taratasy fanamarinam-pisarahana ary avy eo hampody azy?"
\v 8 Hoy Izy tamin'ireo hoe: "Fa ny hamafisam-ponareo no namelan'i Mosesy anareo hisaraka amin'ny vadinareo, fa tamin'ny voalohany dia tsy izany no fomba.
\v 9 Lazaiko anareo, na iza na iza misaraka amin'ny vadiny, afa-tsy nohon'ny fijangajangana, ka manambady hafa, dia manitsakitsa-bady; ary ny lehilahy manambady vehivavy izay efa nisara-bady dia mijangajanga."
\s5
\v 10 Ireo mpianatra niteny tamin'i Jesosy hoe: "Raha izany no toetran'ny lehilahy amin'ny vadiny, dia tsy tsara ny manambady."
\v 11 Fa Jesosy niteny tamin'ireo hoe: "Tsy ny olona rehetra no afaka manaiky izany fampianarana izany, fa ireo izay navela hanaiky izany ihany.
\v 12 Fa misy ireo ionoka izay efa toy izany hatrany an-kibon-drenin'izy ireo, ary misy ireo ionoka izay nataon'olombelona, ary misy ireo ionoka izay manao ny tenan'izy ireo ho ionoka nohon'ny fanjakan'ny lanitra. Izy izay afaka mandray izany fampianarana izany, aoka izy handray izany."
\s5
\v 13 Avy eo nisy ankizy madinika sasantsasany noentina teo aminy mba hametrahany tanana amin'izy ireo ka hivavaka, fa niteny mafy azy ireo ireo mpianatra.
\v 14 Fa hoy Jesosy hoe: "Avelao ny ankizy madinika, ary aza raràna izy ireo hanatona Ahy, satria ny fanjakan'ny lanitra dia an'ny toy azy ireo."
\v 15 Napetrany teo amin'ireo ankizy ny tanany, ary avy eo niala teo Izy.
\s5
\v 16 Indro, nisy lehilahy nanatona an'i Jesosy ary niteny hoe: "Mpampianatra, Inona no zavatra tsara tsy maintsy ataoko mba hahazoako ny fiainana mandrakizay?"
\v 17 Jesosy niteny taminy hoe: "Nahoana ianao no manontany momba izay tsara aty amiko? Iray ihany no tsara, fa raha te-hididtra any amin'ny fiainana ianao, dia tandremo ireo didy."
\s5
\v 18 Hoy ilay lehilahy taminy hoe: "Didy inona?" Dia hoy Jesosy hoe: "Aza mamono olona, aza mijangajanga, aza mangalatra, aza mety vavolombelona diso,
\v 19 hajao ny rainao sy ny reninao, ary tiavo ny mpiara-belona aminao tahaka ny tenanao."
\s5
\v 20 Ilay zatovo niteny taminy hoe: "Efa nankatoaviko avoko izany rehetra izany. Inona no mbola ilaiko?"
\v 21 Jesosy niteny taminy hoe: "Raha maniry ny ho tonga lafatra ianao, dia mandehana, amidio izay anananao, ary omeo ny mahantra, ka hanana harena any an-danitra ianao; ary avia, manaraha Ahy."
\v 22 Fa rehefa nandre izay nolazain'i Jesosy ilay zatovo, dia niala tamin'alahelo izy, satria nanana fananana betsaka.
\s5
\v 23 Hoy Jesosy tamin'ireo mpianatra hoe: "Lazaiko marina aminareo, sarotra ho an'ny mpanakarena ny hiditra ny fanjakan'ny lanitra.
\v 24 Ary mbola lazaiko aminareo indray, mora kokoa ho an'ny rameva ny miditra amin'ny vodim-panjaitra noho ny idiran'ny mpanakarena ao amin'ny fanjakan'Andriamanitra."
\s5
\v 25 Rehefa nandre izany ireo mpianatra, dia tena talanjona tokoa ka niteny hoe: "Iza ary izany no afaka ho vonjena?"
\v 26 Nijery azy ireo Jesosy ary niteny hoe: "Amin'ny olona dia tsy hay atao izany, fa amin'Andriamanitra ny zava-drehetra dia azo atao."
\v 27 Avy eo Petera namaly ary niteny hoe: "Indro, navelanay ny zava-drehetra ary nanaraka Anao izahay. Inona ary no ho azonay?"
\s5
\v 28 Jesosy niteny azy ireo hoe: "Lazaiko marina aminareo, amin'ny vanim-potoana vaovao rehefa mipetraka eo amin'ny seza fiandrianan'ny voninahiny ny Zanak'Olona, dia hipetraka eo amin'ny seza fiandrianana roa ambin'ny folo ihany koa ianareo izay nanaraka Ahy, hitsara ireo foko roa ambin'ny folon'Israely.
\s5
\v 29 Ny olona rehetra izay nandao trano, rahalahy, anabavy, ray, reny, zanaka, na tany nohon'ny anarako, dia handray avo zato heny ary handova fiainana mandrakizay.
\v 30 Fa maro ireo izay voalohany ho lasa farany, ary ny farany ho voalohany.
\s5
\c 20
\p
\v 1 Fa ny fanjakan'ny lanitra dia tahaka ny tompon-tany izay nandeha vao maraina be hanakarama mpiasa ho an'ny tanim-boalobony.
\v 2 Rehefa avy nifanaraka tamin'ireo mpiasa izy fa ho denaria iray isan'andro ny karaman'izy ireo, dia nalefany tany amin'ny tanim-boalobony izy ireo.
\s5
\v 3 Nivoaka indray izy tamin'ny ora fahatelo ary nahita mpiasa hafa nijorojoro tao an-tsena.
\v 4 Hoy izy tamin'izy ireo hoe: 'Ianareo koa, mandehana any amin'ny tanim-boaloboka, ary izay an-keviny marina dia homeko anareo.' Ka nandeha niasa izy ireo.
\s5
\v 5 Mbola nivoaka indray izy teo ho eo amin'ny ora fahenina ary koa tamin'ny ora fahasivy, ary nanao toy izany ihany.
\v 6 Tamin'ny ora fahiraika ambin'ny folo dia nivoaka indray mandeha koa izy ary nahita mpiasa hafa nijorojoro. Hoy izy tamin'izy ireo hoe: 'Nahoana ianareo no mijoro eto mandritry ny tontolo andro?'
\v 7 Hoy izy ireo taminy hoe: 'Tsy misy olona manakarama izahay.' Hoy izy tamin'izy ireo hoe: 'Ianareo ihany koa mandehana any amin'ny tanim-boaloboka.'
\s5
\v 8 Rehefa tonga ny hariva, dia niteny tamin'ny mpitandrin-draharahany ny tompom'ilay tanim-boaloboka hoe: 'Antsoy ireo mpiasa ary haloavy ny karaman'izy ireo, manomboka avy any amin'ny farany mankany amin'ny voalohany.'
\v 9 Rehefa tonga ireo mpiasa izay nalaina tamin'ny ora fahiraika ambiny folo, dia nahazo denaria iray tsirairay avy izy ireo.
\v 10 Rehefa tonga ireo mpiasa voalohany, dia nihevitra fa ahazo mihoatra izy ireo, kanefa izy reo ihany koa dia nahazo dinaria iray tsirairay avy.
\s5
\v 11 Rehefa nahavoaray ny karamany izy ireo, dia nitaraina momba ilay tompon-tany izy ireo.
\v 12 Hoy izy ireo hoe: 'Ireo mpiasa farany ireo dia niasa adin'iray fotsiny, nefa dia nampitovianao taminay izy ireo, izahay izay nisaka ny vesatry ny tontolo andro sy niharitra hain'andro.'
\s5
\v 13 Fa namaly ilay tompon-tany ka niteny tamin'ny iray tamin'izy ireo hoe: 'Ry sakaiza, tsy manao izay tsy mety aminao aho. Tsy denaria iray va no nifanarahanao tamiko?
\v 14 Raiso izay anao ary zory ny lalanao. Izaho dia nifidy ny hanome ho an'ireo mpiasa nokaramaina farany tahaka ny anao ihany.
\s5
\v 15 Tsy manan-jo hanao araka izay tiako amin'izay ahy ve aho? Sa mialona ve ianareo satria malala-tanana aho?'
\v 16 Ka ny farany dia ho voalohany, ary ny voalohany ho farany."
\f + \ft Fanamarihana: Ny dikan-teny taloha tsara indrindra dia manala ny hoe: "Maro no nantsoina fa vitsy ny voafidy." \f*
\s5
\v 17 Raha hiainga ho any Jerosalema Jesosy, dia naka ireo roa ambin'ny folo teo anilany Izy, ary teny an-dalana Izy niteny tamin'izy ireo hoe:
\v 18 "Indro, hiakatra ho any Jerosalema isika, ary ny Zanak'Olona dia hatolotra eo amin'ny lohan'ny mpisorona sy ireo mpanora-dalàna. Izy ireo dia hanameloka Azy ho faty
\v 19 ary hanolotra Azy amin'ireo Jentilisa mba hiomehezana, ho kapohina, ary hanombohana Azy amin'ny hazofijaliana. Fa amin'ny andro fahatelo dia hatsangana indray Izy."
\s5
\v 20 Avy eo ny renin'ireo zanaka lahin'i Zebedio nanatona an'i Jesosy niaraka tamin'ireo zanany lahy. Niankohoka teo anatrehany izy ary nangataka zavatra avy Aminy.
\v 21 Hoy Jesosy taminy hoe: "Inona no irinao?" Hoy izy taminy hoe: "Mandidia mba hipetrahan'ireto zanako roa lahy ireto, ny iray eo an-tananao ankavana ary ny iray eo an-tananao ankavia, ao amin'ny fanjakanao."
\s5
\v 22 Fa Jesosy namaly ary niteny hoe: "Tsy fantatrareo ny zavatra angatahinareo. Afaka ny hisotro ny kapoaka izay ho sotroiko va ianareo?" Namaly izy ireo hoe: "Afaka izahay."
\v 23 Hoy Izy tamin'izy ireo hoe: "Hisotro ny kapoakako tokoa ianareo. Fa ny hipetraka eo an-tanako ankavanako sy ankaviako dia tsy anjarako no manome, fa an'ireo izay efa nomanin'ny Raiko."
\v 24 Rehefa nandre izany ireo mpianatra folo lahy hafa, dia tezitra mafy tamin'ireo mpirahalahy roa.
\s5
\v 25 Fa Jesosy niantso azy ireo hankeo aminy ary niteny hoe: "Fantatrareo fa ireo mpanapak'ireo Jentilisa dia hangeja azy ireo, ary ireo lehilahy manan-danjan'izy ireo dia hampiatra ny fahefany eo amin'izy ireo.
\v 26 Fa tsy tokony ho toy izany ny aminareo. Mifanohitra amin'izany, na iza na iza maniry ny ho lasa lehibe aminareo dia tsy maintsy ho mpanomponareo,
\v 27 ary na iza na iza maniry ny ho voalohany eo aminareo dia tsy maintsy ho mpanomponareo,
\v 28 tahaka ny Zanak'Olona tsy tonga ho tompoina, fa hanompo, ary hanome ny ainy mba ho vidim-panavotana ho an'ny maro."
\s5
\v 29 Raha nivoaka avy any Jeriko izy ireo, dia vahoaka maro no nanaraka Azy.
\v 30 Nisy lehilahy jamba roa nipetraka teo amoron-dalana. Rehefa nandre fa nandalo Jesosy, dia nihiaka mafy izy ireo hoe: "Tompo, zanak'i Davida, mamindrà fo aminay".
\v 31 Nibedy azy ireo ny vahoaka, niteny azy ireo mba hangina, kanefa vao mainka izy ireo niantsoantso mafy hoe: "Tompo, zanak'i Davida, mamindrà fo aminay."
\s5
\v 32 Avy eo Jesosy nijanona ary niantso azy ireo sady niteny hoe: "Inona no irinareo ho ataoko aminareo?"
\v 33 Hoy izy ireo taminy hoe: "Tompo, mba hahiratra ny masonay"
\v 34 Avy eo Jesosy, nangoraka, ka nikitika ny mason'izy ireo. Avy hatrany dia nahiratra izy ireo ary nanaraka Azy.
\s5
\c 21
\p
\v 1 Raha nanantona an'i Jerosalema Jesosy sy ny mpianany ka nankao Betifaga, any an-tendrombohitr'i Oliva, dia nandefa mpianatra anankiroa Jesosy,
\v 2 nilaza tamin'izy ireo hoe: "Mandehana ao amin'izay vohitra manaraka ao, fa eo no eo ianareo dia hahita boriky mifatotra ary zana-boriky iray miaraka aminy. Vahao izy ireo ary hoento aty amiko.
\v 3 Raha misy miteny anareo momba izany, dia lazao hoe: 'Misy ilan'ny Tompo azy ireo,' ary eo no eo izany olona izany dia handefa azy ireo miaraka aminareo."
\s5
\v 4 Ary nitranga izany mba hahatanteraka izay nambara tamin'ny alalan'ny mpaminany. Hoy Izy hoe:
\v 5 "Ilazao ny zanaka vavin'i Ziona hoe: 'Indro, ny Mpanjakanao manatona anao, Manetry tena ary mitaingina boriky- zana-boriky lahy."'
\s5
\v 6 Avy teo dia lasa ireo mpianatra ary nanao arak'izay nandidian'i Jesosy azy ireo.
\v 7 Noentin'izy ireo ilay ampondra sy ilay zana-boriky ary nametraka ny lamban'izy ireo teo aminy, ka nipetraka teo amin'ilay lamba Jesosy.
\v 8 Ny ankabeazan'ny vahoaka dia namelatra ny lambany tamin'ny tany, ary ireo hafa nanapaka sampan-kazo ary nanaparitaka izany tamin'ny lalana.
\s5
\v 9 Avy eo ireo vahoaka nialoha an'i Jesosy sy ireo izay nanaraka azy nitabataba hoe: "Hosana ho an'ny zanak'i Davida! Isaorana ilay tonga avy amin'ny anaran'ny Tompo! Hosana any amin'ny avo indrindra!"
\v 10 Rehefa niditra tao Jerosalema Jesosy, dia nihiaka ny iray tanàna ka nanao hoe: "Iza moa io?"
\v 11 Ny vahoaka namaly hoe: "Izy no Jesosy ilay mpaminany avy any Nazareta any Galilia."
\s5
\v 12 Avy eo niditra tao an-tempoly Jesosy. Noroahiny avokoa ireo mpividy sy mpivarotra tao an-tempoly, ary navadiny ny latabatr'ireo mpanakalo vola sy ny fipetrahan'ireo mpivarotra voromailala.
\v 13 Hoy Izy tamin'izy ireo hoe: "Efa voasoratra hoe: 'Ny tranoko dia ho antsoina hoe trano fivavahana,' kanefa ataonareo zohy fieren'ny jiolahy."
\v 14 Nony avy teo dia nisy jamba sy mandringa nanatona Azy tao an-tempoly, ka nositraniny izy ireo.
\s5
\v 15 Fa nony nahita ny zava-mahagaga nataony ny lehiben'ny mpisorona sy ny mpanora-dalàna, ary rehefa ren'izy ireo ny zaza madinika nitabataba tao an-tempoly hoe: "Hosana ho an'ny zanak'i Davida," dia tezitra mafy izy ireo.
\v 16 Hoy izy ireo taminy hoe: "Renareo va izany lazain'ireo olona ireo?" Namaly azy ireo Jesosy hoe: "Eny! Fa tsy mbola novakianareo mihitsy ve ny hoe: 'Avy amin'ny vavan'ny zaza madinika sy ny zaza minono no nandavorarianareo ny fiderana?"
\v 17 Avy eo nandao azy ireo Jesosy ka nandeha tany amin'ny tanànan'i Betania ary nitoetra tao ny alina.
\s5
\v 18 Ary nony maraina raha niverina tany an-tanàna Izy, dia noana.
\v 19 Nahita azon'aviavy teny an-tsisin-dalana, dia nanatona teny Izy ary tsy nahita na inona na inona teo afa-tsy ny raviny. Hoy Izy taminy hoe: "Aoka tsy hisy voa intsony avy aminao mandrakizay," ary niaraka tamin'izay dia maina ilay aviavy.
\s5
\v 20 Rehefa nahita izany ireo mpianatra, dia gaga izy ireo ary niteny hoe: "Ahoana no nahamaina avy hatrany ity aviavy ity?"
\v 21 Namaly Jesosy ary nilaza azy ireo hoe: "Lazaiko marina aminareo, raha manam-pinoana sy tsy misy fisalasalana ianareo, dia tsy izay natao tamin'io aviavy io ihany no hataonareo, fa na dia hiteny amin'ity tendrombohitra ity aza hoe: 'miongota ary mianjerà any an-dranomasina', dia ho atao izany.
\v 22 Na inona na inona angatahinareo am-bavaka, am-pinoana, dia ho azonareo."
\s5
\v 23 Nony niditra tao an-tempoly Jesosy, dia nanatona Azy ny lehiben'ny mpisorona sy ny zokiolona raha nampianatra Izy ary niteny hoe: "Fahefana avy aiza moa no anaovanao ireny zavatra ireny, ary iza no nanome anao izany fahefana izany?"
\v 24 Namaly Jesosy ary niteny tamin'izy ireo hoe: "Hametrahako fanontaniana iray ihany koa ianareo. Raha lazainareo amiko, dia ho lazaiko aminareo ny fahefana anaovako ireny zavatra ireny.
\s5
\v 25 Ny batisan'i Jaona - avy taiza no niaviany? Avy tany an-danitra sa avy tamin'ny olombelona?" Niady hevitra izy ireo, nanao hoe: "Raha miteny isika hoe, 'Avy tany an-danitra,' Izy hiteny amintsika hoe: 'Fa nahoana izany ianareo no tsy nino azy?'
\v 26 Fa raha miteny isika hoe: 'Avy tamin'ny olombelona', mataotra ny vahoaka isika, satria izy rehetra dia mihevitra an'i Jaona tahaka ny mpaminany". Ka namaly an'i Jesosy izy ireo ka niteny hoe: "Tsy fantatray."
\v 27 Ary hoy ihany koa Izy tamin'izy ireo hoe: "Izaho ihany koa dia tsy hilaza aminareo hoe avy aiza ny fahefana anaovako ireny zavatra ireny.
\s5
\v 28 Fa ahoana ny hevitrareo? Nisy lehilahy iray nanana zanaka lahy roa. Nandeha nankany amin'ilay voalohany izy ary nanao hoe: 'Anaka, mandehàna miasa any amin'ny tanim-boaloboka androany.'
\v 29 Ilay zanany lahy namaly azy hoe: "Tsy ho any aho," fa avy eo niova hevitra izy dia lasa.
\v 30 Avy eo dia nankany amin'ilay faharoa izy ary niteny tahaka izany ihany koa. Namaly izy ka niteny hoe: "Ho any aho, tompoko,' nefa tsy nankany izy.
\s5
\v 31 Iza tamin'ireo zanany roa ireo no nanao ny sitrapon'ny rainy?" Ary hoy izy ireo hoe: "Ilay voalohany." Jesosy niteny azy ireo hoe: "Lazaiko marina aminareo, ireo mpamory hetra sy ireo mpivaro-tena dia hiditra ny Fanjakan'ny Andriamanitra alohanareo.
\v 32 Fa Jaona nanatona anareo tamin'ny fahamarinana, fa tsy nino azy ianareo. Fa ireo mpamory hetra sy mpivaro-tena nino azy. Fa ianareo, na dia nahita izany aza, dia tsy nibebaka sy tsy nino azy.
\s5
\v 33 Henoy ity fanoharana iray hafa ity. Nisy lehilahy iray, tompona tany. Nanao tanim-boaloboka izy, nofefeny izany, nandavahany famiazana tao anatiny, nananganany tilikambo, ary nampanofainy tamin'ireo mpamboly voaloboka. Avy teo dia nankany amin'ny tanàna hafa izy.
\v 34 Nony nanakaiky ny taom-pahavokarana, dia naniraka ny sasany tamin'ireo mpanompo izy ho any amin'ireo mpamboly voaloboka haka ny vokatrany.
\s5
\v 35 Fa nosamborin'ireo mpamboly voaloboka ireo mpanompony, nokapohiny ny anankiray, novonoiny ny hafa, dia mbola notorahana vato ny hafa.
\v 36 Ary mbola, nandefa mpanompony hafa indray ilay tompon-tany, maro noho ny tamin'ny voalohany, fa nataon'izy ireo toy izany ihany koa.
\v 37 Taorian'izany, dia naniraka ny zanany lahitokana tany amin'ireo ny tompon-tany, nilaza hoe: 'Hanaja ny zanako izy ireo.'
\s5
\v 38 Fa rehefa nahita ilay zanaka lahy ireo mpamboly voaloboka, dia nifampiresaka izy ireo hoe: 'Ity no mpandova. Andeha, ho vonointsika izy ary ho alaintsika ny lova.'
\v 39 Noho izany dia nosamborin'izy ireo izy, natsipy tao anatin'ny tanim-boaloboka ary novoina.
\s5
\v 40 Ary rehefa tonga ny tompon'ny tanim-boaloboka, inona no ho ataony amin'ireo mpamboly voaloboka?".
\v 41 Hoy izy ireo taminy hoe: "Ho ringaniny amin'izay fomba mafy indrindra ireo olon-doza, ary avy eo hampanofainy amin'ireo mpamboly voaloboka hafa ny tanin-boaloboka, olona hanome azy ny anjara voliny amin'ny fotoam-pahavokarana."
\s5
\v 42 Jesosy niteny tamin'izy ireo hoe: "Tsy mbola namaky ny Soratra Masina mihitsy va ianareo hoe: 'Ny vato nolavin'ny mpanori-trano no natao vato fehizoro. Avy tamin'ny Tompo izany, ary mahatalanjona eo imasontsika'?
\s5
\v 43 Noho izany lazaiko aminareo, hesorina aminareo ny fanjakan'Andriamanitra ary hatolotra ny firenena izay mamokatra ireo voany.
\v 44 Na iza na iza ho lavon'io vato io dia ho potipotika. Fa izay hianjerany kosa dia ho torotoro."
\s5
\v 45 Rehefa nandre ireo fanoharany ireo ny lehiben'ny mpisorona sy ireo Fariseo, dia azon'izy ireo fa mahakasika azy ireo no noresahany.
\v 46 Nikasa ny hisambotra Azy, saingy natahotra ny vahoaka izy ireo, satria nataon'ny olona ho mpaminany Izy.
\s5
\c 22
\p
\v 1 Niteny tamin'ny fanoharana tamin'izy ireo indray Jesosy, nanao hoe:
\v 2 "Ny fanjakan'ny Lanitra dia mitovy amin'ny mpanjaka izay nanomana fanasana amin'ny fampakaram-bady ho an'ny zanany lahy.
\v 3 Naniraka ireo mpanompony hiantso ireo izay nahazo fanasana hanatrika ny lanonam-pampakaram-bady izy, fa tsy nety ho avy izy ireo.
\s5
\v 4 Nandefa ireo mpanompony hafa indray ny mpanjaka, manao hoe: 'Ilazao ireo izay nasaina hoe: "Jereo, efa nokarakaraiko ny sakafoko. Efa novonoina ny omby sy ny zanak'omby mifahiko, ary efa vonona ny zava-drehetra. Tongava ao amin'ny lanonam-pampakaram-bady.'"
\s5
\v 5 Saingy tsy niraharaha izy ireo ary lasa nandeha, ny iray namonjy ny toeram-piompiny, ny hafa tamin'ny raharaham-barony.
\v 6 Ireo sasany nisambotra ireo mpanompon'ny mpanjaka, nanala baraka azy ireo, ary namono azy ireo.
\v 7 Tezitra ny mpanjaka ka naniraka ireo miaramilany, ary namono mpamono olona ireo izy ireo, ary nandoro ny tanànany.
\s5
\v 8 Avy eo niteny tamin'ireo mpanompony izy hoe: 'Efa vonona ny fampakaram-bady, fa ireo izay nasaina no tsy mendrika.
\v 9 Noho izany mandehana eny amin'ny sampanan-dalambe ary manasà olona maro araka izay hitanareo ho ao amin'ny lanonam-mpampakaram-bady.'
\v 10 Nandeha nivoaka tany amin'ny lalan-dehibe ireo mpanompo ary nanambatra ny olona rehetra izay hitan'izy ireo, na ny tsara na ny ratsy. Noho izany dia feno vahiny ilay efi-trano lehibe nisy ny fampakaram-bady.
\s5
\v 11 Fa rehefa niditra ny mpanjaka mba hijery ireo vahiny, dia nahita lehilahy tsy nitafy akanjo fitondra amin'ny fampakaram-bady izy.
\v 12 Niteny taminy ny mpanjaka hoe: 'Ry sakaiza, ahoana no idiranao ato tsy miaraka amin'ny fitafy fitondra amin'ny fampakaram-bady?' Fa tsy nahateny ilay lehilahy.
\s5
\v 13 Avy eo niteny tamin'ireo mpanompony ny mpanjaka hoe: 'Fehezo ny tanana sy ny tongotr'ity lehilahy ity, ary atsipazo any amin'ny maizina any ivelany izy, any no misy fitomaniana sy fikotroha-nify.'
\v 14 Fa olona maro nantsoina, nefa vitsy no ho voafidy.
\s5
\v 15 Avy eo nandeha ireo Fariseo ary nanomana ny fomba mety hamandrihana an'i Jesosy amin'izay noteneniny.
\v 16 Avy eo nirahan'izy ireo ankany Aminy ireo mpianatr'izy ireo, niaraka tamin'ireo Herodiana. Niteny tamin'i Jesosy izy ireo hoe: "Ry mpampianatra, fantatray fa marina Ianao, ary mampianatra ny lalan'Andriamanitra amin'ny marina. Tsy miraharaha ny hevitry ny hafa Ianao, ary tsy mizaha mitanila.
\v 17 Noho izany lazao aminay, inona ny hevitrao? Ara-dalàna ve ny fandoavan-ketra any amin'i Kaisara sa tsia?"
\s5
\v 18 Nefa azon'i Jesosy ny faharatsian'ireo ka niteny hoe: "Nahoana no mitsapa Ahy ianareo, ry mpihatsaravelatsihy?
\v 19 Asehoy Ahy ny farantsa amin'ny hetra." Avy eo nitondra denaria teo aminy izy ireo.
\s5
\v 20 Hoy Jesosy tamin'izy ireo hoe: "An'iza ity sary sy anarana ity?"
\v 21 Niteny taminy izy ireo hoe: "An'i Kaisara." Avy eo Jesosy niteny azy ireo hoe: "Omeo an'i Kaisara ireo izay an'i Kaisara, ary an'Andriamanitra ireo izay an'Andriamanitra."
\v 22 Rehefa nandre izany izy ireo, dia gaga. Ary niala teo Aminy izy ireo ka nandeha.
\s5
\v 23 Tamin'izay andro izay ihany ny Sadoseo sasany, ireo izay nilaza fa tsy misy fitsanganana amin'ny maty, nanatona Azy. Nanontany Azy izy ireo,
\v 24 nanao hoe: "Ry mpampianatra, Mosesy niteny hoe: 'Raha maty ny olona, tsy manan-janaka, dia tokony hanambady ny vadiny ny rahalahiny ary hanan-janaka ho an'ny rahalahiny.
\s5
\v 25 Nisy mpirahalahy fito. Nanambady ny voalohany ary maty avy eo. Lasa tsy namela anaka, navelany ho an'ny rahalahiny ny vadiny.
\v 26 Avy eo nanao zavatra mitovy amin'izay ny faharoa, avy eo ny fahatelo, toy izany foana hatrany amin'ilay rahalahy fahafito.
\v 27 Taorian'izy rehetra ireo, dia maty ilay vehivavy.
\v 28 Ary amin'ny fitsanganan'ny maty, ho vadin'iza amin'ireo mpirahalahy fito izy? Fa efa nanambady azy izy rehetra ireo."
\s5
\v 29 Fa namaly Jesosy ary niteny azy ireo hoe: "Diso ianareo, satria tsy mahafantatra ny Soratra Masina na ny herin'Andriamanitra.
\v 30 Fa amin'ny fitsanganan'ny maty dia sady tsy hanambady izy ireo no tsy omena ampakarina. Fa kosa, mitovy amin'ireo anjely any an-danitra.
\s5
\v 31 Fa mahakasika ny fitsanganan'ny maty, mbola tsy novakianareo va izay nolazain'Andriamanitra taminareo, manao hoe:
\v 32 'Izaho no Andriamanitr'i Abrahama, Andriamanitr'Isaka, ary Andriamanitr'i Jakoba'? Andriamanitra dia tsy Andriamanitry ny maty, fa an'ny velona."
\v 33 Rehefa nandre izany ireo vahoaka, dia talanjona tamin'ny fampianarany.
\s5
\v 34 Fa rehefa rean'ireo Fariseo ny nampanginan'i Jesosy ny Sadoseo, dia niara-nivondrona izy ireo.
\v 35 Ny iray tamin'izy ireo, mpahay lalàna, nametra-panontaniana taminy, naka fanahy Azy hoe:
\v 36 "Ry mpampianatra, iza no lehibe indrindra amin'ny didy ao amin'ny lalàna?"
\s5
\v 37 Niteny taminy Jesosy hoe: "Tiavo amin'ny fonareo rehetra, amin'ny fanahinareo rehetra, ary amin'ny sainareo rehetra ny Tompo Andriamanitrareo.'
\v 38 Izany no didy lehibe sy voalohany.
\s5
\v 39 Ary ny didy faharoa dia tahaka izany ihany: 'Tiavo ny mpiara-belona aminareo tahaka ny tenanareo.'
\v 40 Amin'ireo didy roa ireo no iankinan'ny lalàna manontolo sy ireo mpaminany."
\s5
\v 41 Ary raha mbola niara-nivondrona ireo Fariseo, dia nametra-panontaniana azy ireo Jesosy.
\v 42 Hoy Izy hoe: "Inona no eritreritrareo momban'i Kristy? Zanaka lahin'iza Izy?" Niteny taminy ireo hoe: "zanak'i Davida."
\s5
\v 43 Hoy Jesosy tamin'izy ireo hoe: "Nahoana ary Davida mitoetra ao amin'ny Fanahy no miantso Azy hoe Tompo, manao hoe:
\v 44 'Ny Tompo niteny tamin'ny Tompoko hoe: "Mipetraha eo amin'ny tanan'ankavanako, mandra-panaoko ny fahavalonao ho fitoeran-tongtrao?'
\s5
\v 45 Raha Davida aza miantso an'i Kristy hoe: 'Tompo,' dia ahoana no maha-zanak'i Davida Azy?"
\v 46 Tsy nisy nahavaly Azy tamin'ny teny, ary tsy nisy olona sahy nametra-panontaniana hafa intsony nanomboka tamin'izany andro izany.
\s5
\c 23
\p
\v 1 Ary Jesosy niteny tamin'ireo vahoaka sy ireo mpianany.
\v 2 Hoy Izy hoe: "Ireo mpanora-dalàna sy fariseo dia mipetraka eo amin'ny fitoeran'i Mosesy.'
\v 3 Noho izany na inona na inona handidian'izy ireo anareo ho atao, dia ataovy ireny zavatra ireny ka mitandrema azy ireo. Fa aza alaina tahaka ny asan'izy ireo, satria izy ireo dia miteny zavatra nefa avy eo tsy manao izany.
\s5
\v 4 Eny, fehezin'izy ireo ny enta-mavesatra izay sarotra entina, ary avy eo dia apetrak'izy ireo eo amin'ny soroky ny olona. Fa tsy hanetsika ny ratsan-tanana iray akory ny tenan'izy ireo mba hitondra azy ireo.
\v 5 Manao ny asany rehetra izy ireo mba ho hitan'ny olona. Fa ataon'izy ireo malalaka ny filakiterany, ary itarin'izy ireo ny moron'akanjony.
\s5
\v 6 Tian'izy ireo ny toeran'ny manan-kaja any amin'ny fanasana sy ny toeran'ny lehibe ao amin'ny synagoga,
\v 7 sy ny fiarahabana miavaka eny an-tsena, ary mba ho antsoin'ny olona hoe: 'Raby'.
\s5
\v 8 Fa ianareo tsy azo antsoina hoe: 'Raby', fa iray ihany ny mpampianatrareo, ary mpirahalahy ianareo rehetra.
\v 9 Ary aza miantso ny olona ety an-tany hoe rainareo, fa iray ihany ny Rainareo, ary Izy dia any an-danitra.
\v 10 Ianareo aza mety antsoina hoe: 'Mpampianatra', fa iray ihany ny mpampianatrareo, dia i Kristy.
\s5
\v 11 Fa izay lehibe indrindra aminareo no ho mpanomponareo.
\v 12 Na iza na iza manandra-tena dia ahetry, ary na iza na iza manetry tena dia hasandratra.
\s5
\v 13 Fa lozanareo, ry mpanora-dalàna sy fariseo, mpihatsaravelatsihy! Fa arindrinareo amin'ny olona ny fanjankan'ny lanitra. Fa ianareo tsy mampiditra ny tenanareo, ary tsy avelanareo ireo izay mitady hiditra.
\v 14 \f + \ft Fanamarihana: Ny antotan-taratasy taloha dia tsy ahitana ny fehezanteny hoe: 'Fa lozanareo, ry mpanora-dalàna sy ny fariseo, mpihatsaravelatsihy! Fa mandany ny tranon'ny mpitondra tena, ary manao vavaka lavareny ianareo. Noho izany dia hahazo fanamelohana lehibe ianareo.' \f*
\v 15 Lozanareo, ry mpanora-dalàna sy fariseo, mpiatsaravelatsihy! Fa mandeha mitety ny ranomasina sy ny tany ianareo mba hampiova fo ny olona iray, ary rehefa miova izy, dia ataonareo ny zanaky ny helo avo roa heny mihoatra noho ianareo izy.
\s5
\v 16 Lozanareo, ry mpitarika jamba, ianareo izay milaza hoe: 'Na iza na iza mianiana amin'ny tempoly, dia tsy misy dikany izany. Fa na iza na iza mianiana amin'ny volamenan'ny tempoly, dia voafatotry ny fianianany izy.'
\v 17 Ianareo ry jamba adala! Iza no lehibe kokoa, ny volamena sa ny tempoly izay manao ny volamena ho masina?
\s5
\v 18 Ary, 'Na iza na iza mianiana amin'ny alitara, dia tsy misy dikany izany. Fa na iza na iza mianiana amin'ny fanatitra izay eo ambonin'izany, dia voafatotry ny fianianany izy.'
\v 19 Ianareo ry olona jamba! iza no lehibe kokoa, ny fanatitra sa ny alitara izay manao ny fanatitra ho masina?
\s5
\v 20 Noho izany, izay mianiana amin'ny alitara, dia mianiana amin'izany sy amin'ny zavatra rehetra eo amboniny.
\v 21 Ny iray izay mianiana amin'ny tempoly, dia mianiana amin'izany sy amin'izay monina ao aminy,
\v 22 ary ny iray izay mianiana amin'ny lanitra, dia mianiana amin'ny seza fiandrianan'Andriamanitra sy aminy izay mipetraka eo ambonin'izany.
\s5
\v 23 Lozanareo, ry mpanora-dalàna sy fariseo, mpihatsaravelatsihy! Fa mandoa ny fahafolon'ny solila sy ny aneta ary ny komina ianareo, fa ianareo dia tsy nankatoa ny raharaha mavesa-danja indrindra amin'ny lalàna- dia ny rariny sy ny famindram-po ary ny finoana. Fa ireo no tokony nataonareo ary tsy tokony navelanareo ho tsy vita ny iray hafa.
\v 24 Ianareo ry mpitarika jamba, ianareo izay manivana ny lalitra nefa mitelina rameva!
\s5
\v 25 Loza ho anareo, ry mpanora-dalàna sy fariseo, mpihatsaravelatsihy! Fa diovinareo ny ivelan'ny kapoaka sy ny lovia, nefa ny ao anatiny dia feno fitsiriritana sy filana.
\v 26 Ianareo ry fariseo jamba! Diovy aloha ny ao anatin'ny kapoaka sy ny lovia, mba ho lasa madio ihany koa ny ivelany.
\s5
\v 27 Loza ho anareo, ry mpanora-dalàna sy fariseo, mpihatsaravelatsihy! Fa ianareo dia tahaka ny fasana voalalotra fotsy; izay tsara ivelany, fa ny ao anatiny kosa dia feno ny taolam-paty sy ny loto rehetra.
\v 28 Toy izany ihany koa, ety ivelany ianareo miseho ho marina eo amin'ny olona, nefa ny ao anatinareo dia feno fihatsaram-belatsihy sy heloka.
\s5
\v 29 Loza ho anareo, ry mpanora-dalàna sy fariseo, mpihatsaravelatsihy! Fa manorina ny fasan'ny mpaminany ianareo ary manaingo ny fasan'ny olo-marina.
\v 30 Hoy ianareo hoe: 'Raha niaina tamin'ny andron'ny razambetsika isika, dia tsy ho nandray anjara niaraka tamin'izy ireo tamin'ny fandatsahana ny ràn'ny mpaminany isika'.
\v 31 Noho izany dia mijoro vavolombelona amin'ny tenanareo ianareo fa zanak'ireo izay namono ny mpaminany.
\s5
\v 32 Ianareo ihany koa dia nahafeno ny fahotan'ireo razambenareo
\v 33 Ianareo ry bibilava, ianareo ry taranaky ny menarana, ahoana no handosiranareo ny fanamelohana ho any amin'ny helo?
\s5
\v 34 Noho izany, indro, maniraka mpaminany sy olon-kendry ary mpanora-dalàna ho anareo Aho. Ny sasany amin'izy ireo dia ho vonoinareo sy hombohanareo; ary ny sasany ho kapohinareo ao amin'ny synagoganareo ary handroaka azy hiala ao an-tanàna.
\v 35 Ny vokatr'izany dia hanody anareo ny rà marina rehetra izay nalatsaka teto an-tany, nanomboka tamin'ny ràn'i Abela marina, ka hatramin'ny ràn'i Zakaria zanak'i Barakia, izay novonoinareo teo anelanelan'ny fitoerana masina sy ny Alitara.
\v 36 Lazaiko marina aminareo, fa ny zavatra rehetra dia ho tonga amin'ity taranaka ity.
\s5
\v 37 Ry Jerosalema, ry Jerosalema, ianao izay mamono ny mpaminany sy mitora-bato izay irahina ho aminao! Impiry Aho no maniry ny hanangona ny zanakao miaraka, tahaka ny akoho vavy iray manangona ny akoho kely ao ambany elany, nefa tsy nety ianareo!
\v 38 Indro, ny tranonareo no avela ho lao ho anareo.
\v 39 Fa lazaiko aminareo, hatramin'izao, tsy hahita Ahy tokoa ianareo mandra-pilazanareo hoe: 'Isaorana anie izay avy amin'ny anaran'ny Tompo."'
\s5
\c 24
\p
\v 1 Nivoaka ny tempoly Jesosy ary lasa nandeha. Nanatona Azy ireo mpianany mba hanoroana Azy ny rafitry ny tempoly.
\v 2 Nefa namaly Izy ary niteny tamin'izy ireo hoe: "Tsy hitanareo va ireo zavatra rehetra ireo? Lazaiko marina aminareo, tsy hisy vato ho tavela amin'ny iray hafa izay tsy ho ravàna."
\s5
\v 3 Raha nipetraka teo an-tendrombohitr'Oliva Izy, dia nanatona Azy mangingina ireo mpianany ary niteny hoe: "Lazao anay, rahoviana ireo zavatra rehetra ireo no hitranga? Inona no famantarana ny fahatongavanao sy ny fara-andro?"
\v 4 Namaly Jesosy ary niteny azy ireo hoe: "Mitandrema mba tsy hisy hamitaka anareo".
\v 5 Fa ho maro ny ho avy amin'ny anarako. Ary hiteny izy ireo hoe: 'Izaho no Kristy,' ary maro no ho voafitaka.
\s5
\v 6 Handre ady sy tatitr'ady ianareo. Mitandrema mba tsy hitebiteby ianareo, fa tsy maintsy hitranga izany zavatra rehetra izany; nefa tsy mbola tonga ny farany.
\v 7 Fa hisy firenena hitsangana hanohitra firenena, ary fanjakana hanohitra fanjakana. Hisy mosary sy horohoron-tany amin'ny toerana samihafa.
\v 8 Nefa izany zavatra rehetra izany dia fiandoahan'ny fanaintainan'ny fiterahana fotsiny ihany.
\s5
\v 9 Ka ho atolotr'izy ireo ho amin'ny fahoriana ianareo ary ho vonoiny. Ho halan'ny firenena rehetra ianareo nohon'ny anarako.
\v 10 Ary maro ny ho tafintohina, ary hifamadika sy hifankahala ny tsirairay.
\v 11 Mpaminany sandoka maro no hitsangana ka hamitaka olona maro.
\s5
\v 12 Satria ny faharatsiana dia hitombo, ary hihamangatsika ny fitiavan'ny maro.
\v 13 Fa ilay iray izay miharitra hatramin'ny farany dia ho voavonjy.
\v 14 Ity filazantsaran'ny fanjakana ity dia ho toriana erak'izao tontolo izao ho vavolombelona amin'ny firenena rehetra. Avy eo dia ho tonga ny farany.
\s5
\v 15 Noho izany, raha mahita ny fahavetavetan'ny fandravana ianareo, izay nolazain'i Daniela mpaminany, dia hitsangana eo amin'ny toerana Masina ianareo" (aoka ny mpamaky hahatakatra),
\v 16 "Aoka ireo izay any Jodia handositra ho any an-tendrombohitra,
\v 17 aoka izay ao an-tampon'ny trano tsy hidina haka zavatra avy ao an-tranony,
\v 18 ary aoka izay any an-tsaha tsy hiverina haka ny lambany.
\s5
\v 19 Fa loza ho an'ireo bevohoka sy mampinono amin'izany andro izany!
\v 20 Mivavaha mba tsy ho amin'ny ririnina na amin'ny Sabata no hitranga ny fandosiranareo.
\v 21 Fa hisy fahoriana lehibe, izay tsy mbola nisy toy izany hatrany am-piandohan'izao tontolo izao mandrak'ankehitriny, tsia, ary tsy hisy intsony.
\v 22 Raha tsy afohezina ireo andro ireo, dia tsy hisy nofo ho vonjena. Fa nohon'ny olom-boafidy, dia hafohezina ireo andro ireo.
\s5
\v 23 Fa raha misy olona miteny anareo hoe: 'Indro, ity ilay Kristy' na, 'iry ilay Kristy' dia aza mino izany.
\v 24 Fa ny Kristy sandoka sy ny mpaminany sandoka dia ho avy ary hampiseho fahamatrana lehibe sy zava-mahagaga, mba hamitaka, raha azo atao, eny fa na ireo olom-boafidy aza.
\v 25 Indro, efa nolazaiko anareo mialohan'ny fotoana.
\s5
\v 26 Noho izany, raha miteny anareo izy ireo hoe: 'indro, any an-efitra izy,' dia aza makany an-efitra. Na hoe 'indro, any anaty efitrano izy' dia aza mino izany.
\v 27 Fa toy ny varatra izay mitselatra avy any antsinana ka mazava hatrany andrefana, dia tahaka izany ny fihavian'ny Zanak'Olona.
\v 28 Na aiza na aiza misy biby maty, dia any no hiangonan'ny voltora.
\s5
\v 29 Ary raha vao afaka ny fahoriana amin'ireo andro ireo dia ho maizina ny masoandro, tsy hanome ny hazavany ny volana, hilatsaka avy any an-danitra ny kintana, ary hihozongozona ny herin'ny lanitra.
\s5
\v 30 Avy eo dia hiseho eny amin'ny lanitra ny famantaran'ny Zanak'Olona, ary ny foko rehetra ambonin'ny tany hisaona. Hahita ny Zanak'Olona tonga amin'ny rahon'ny lanitra miaraka amin'ny hery sy voninahitra lehibe Izy ireo.
\v 31 Handefa ireo anjeliny Izy miaraka amin'ny feo trompetra mafy, ary hanangona ny olom-boafidiny avy any amin'ny vazan-tany efatra izy ireo, manomboka amin'ny faravodilanitra ka hatrany amin'ny hafa.
\s5
\v 32 Mianara ny lesona avy amin'ny aviavy. Raha vantany vao matoy ny sampana ary mamoaka ny raviny, dia fantatrareo fa manakaiky ny fahavaratra.
\v 33 Toy izany ihany koa, raha mahita izany zavatra rehetra izany ianareo, dia tokony ho fantatrareo fa efa akaiky Izy, eo amin'ireo vavahady mihitsy.
\s5
\v 34 Lazaiko marina aminareo, fa tsy ho lany ity taranaka ity mandra-pisehon'izany rehetra izany.
\v 35 Tsy hisy intsony ny lanitra sy ny tany, fa ny teniko dia tsy mba ho levona mandrakizay.
\s5
\v 36 Kanefa ny mahakasika izany andro sy ora izany dia tsy misy mahalala, na ny Anjelin'ny lanitra aza, na ny Zanaka lahy, fa ny Ray ihany.
\s5
\v 37 Toy ny tamin'ny andron'i Noa, dia tahaka izany ihany koa ny fihavian'ny Zanak'Olona.
\v 38 Fa toy ny tamin'ireo andro mialohan'ny safo-drano dia nihinana sy nisotro izy ireo, nanambady sy nampakarina mandra-pahatongan'ilay andro nidiran'i Noa tao anatin'ilay sambo fiara,
\v 39 ary tsy nahafantatra na inona na inona izy ireo mandra-pahatongan'ny safo-drano ka nandringana azy rehetra- dia tahak'izany ny fihavian'ny Zanak'Olona.
\s5
\v 40 Avy eo hisy lehilahy roa eny an-tsaha - ny iray ho raisina, ary ny iray ho avela.
\v 41 Vehivahy roa no hitoto vary- ny iray ho raisina, ary ny iray ho avela.
\v 42 Noho izany dia miambena, fa tsy fantatrareo izay andro hiavian'ny Tomponareo
\s5
\v 43 Fa fantaro izao, raha fantatry ny tompon-trano hoe amin'ny firy alina no hiavian'ny mpangalatra, dia ho niambina izy ary tsy namela ny tranony ho vaky.
\v 44 Noho izany dia tsy maintsy mivonona ihany koa ianareo, fa ho avy ny Zanak'Olona amin'ny ora tsy ampoizinareo.
\s5
\v 45 Koa iza moa ilay mpanompo mahatoky sy hendry izay notenendren'ny tompony hanapaka ny ankohonany mba hanomezana azy ireo ny sakafon'izy ireo amin'ny fotoana mety?
\v 46 Sambatra izany mpanompo izany izay hitan'ny Tompony fa manao izany rehefa tonga izy.
\v 47 Lazaiko marina aminareo fa ny tompony no hanapaka azy ho ambonin'ny zavatra rehetra izay ananany.
\s5
\v 48 Fa raha misy mpanompo ratsy miteny ao am-pony hoe: 'Ela fiavy ny tompoko',
\v 49 ka manomboka mamono ireo manompo namany, sy mihinana ary misotro miaraka amin'ireo mpimamo;
\v 50 dia ho avy ny tompon'ilay mpanompo amin'ny fotoana izay tsy ampoiziny ary amin'ny ora izay tsy fantany.
\v 51 Dia ho kapakapain'ny tompony izy ary ho ataony toy ny an'ireo mpihatsaravelatsy ny anjarany, izay hisy ny fitomaniana sy ny fikitroha-nify.
\s5
\c 25
\p
\v 1 Ny fanjakan'ny lanitra dia ho tahaka ny virjina folo izay naka ny jirony ka nandeha nihaona tamin' ny mpampakatra.
\v 2 Adala ny dimy tamin'izy ireo fa ny dimy kosa hendry.
\v 3 Ary rehefa nitondra ireo jirony ireo virjina adala, dia tsy nitondra solika niaraka taminy.
\v 4 Fa ireo virijina hendry kosa dia nitondra fitahirizan-tsolika niaraka tamin'ny jirony.
\s5
\v 5 Ary raha tara ny mpampakatra, dia rendremana izy rehetra ka natory.
\v 6 Fa tamin'ny sasak'alina dia nisy niantso mafy hoe: "Indro, ny mpampakatra! mivoaha mba hiaona aminy."
\s5
\v 7 Avy eo niharina ireo virijina rehetra ka nikarakara ny jirony.
\v 8 Hoy ireo adala tamin'ireo hendry hoe: "Mba omeo ampahany amin'ny solikareo izahay fa efa ho faty ny jironay.
\v 9 Fa namaly ireo hendry ka niteny hoe: "Sao dia tsy ho ampy ho anay sy ho anareo, fa mandehana kosa any amin'ireo mpivarotra ka mividiana ho an'ny tenanareo."
\s5
\v 10 Raha nandeha nividy izy ireo, dia tonga ny mpampakatra, ary izay efa vonona dia niara-nandeha taminy ho ao amin'ny fanasam-panambadiana, ka nihidy ny vavahady.
\v 11 Rehefa afaka izany dia tonga ihany koa ireo virjiny sasany ka niteny hoe: 'Tompoko, Tompoko, mba vahao izahay'.
\v 12 Fa namaly izy ka niteny hoe: 'Lazaiko marina aminareo, tsy mahafantatra anareo aho.'
\v 13 Koa noho izany mihambena, fa tsy fantatrareo ny andro na ny ora.
\s5
\v 14 Fa izany dia tahaka ny lehilahy iray izay handeha ho any amin'ny firenen-kafa. Niantso ny mpanompony izy ka nampitantana azy ireo ny hareny.
\v 15 Ny iray tamin'izy ireo nomeny talenta dimy, ny iray hafa nomeny roa, ary ny iray hafa kosa nomeny talenta iray. Ny tsirairay dia samy nandray talenta araka izay fahaizany avy, ary nandeha tamin'ny diany izany lehilahy izany.
\v 16 Ny iray izay naharay talenta dimy dia nihainga teo noho eo ka nampiasa azy ireo ary nahazo talenta dimy hafa.
\s5
\v 17 Toy izany koa ilay iray izay naharay talenta roa nahazo roa hafa.
\v 18 Fa ilay mpanompo iray izay naharay talenta iray kosa, nandeha ka niady lavaka tamin'ny tany, ary nandevina ny volan'ny tompony.
\s5
\v 19 Ary taorian'ny fotoana ela dia niverina ny tompon'ireo mpanompo ireo ary nandamin-draharaha tamin'izy ireo.
\v 20 Niditra ilay mpanompo izay naharay talenta dimy no sady nitondra talenta dimy hafa. Hoy izy hoe: "Tompoko, nomenao talenta dimy aho. Indro, nanatombo talenta dimy hafa aho."
\v 21 Hoy ny tompony taminy hoe: "Tsara izany, ry mpanompo tsara sady mahatoky! Nahatoky tamin'ny zavatra vitsivitsy ianao. Izaho hampihandraikitra anao amin'ny zavatra maro. Midira amin'ny fifalian'ny tomponao."
\s5
\v 22 Ilay mpanompo izay naharay talenta roa dia nanatona sy niteny hoe: "Tompoko, nomenao talenta roa aho, indro, nanatombo talenta roa hafa aho".
\v 23 Niteny azy ny tompony hoe: 'Tsara izany, ry mpanompo tsara sady mahatoky! Nahatoky tamin'ny zavatra vitsivitsy ianao. Izaho hampihandraikitra anao amin'ny zavatra maro. Midira amin'ny fifalian'ny tomponao.'
\s5
\v 24 Avy eo ilay mpanompo izay naharay talenta iray nanatona no sady niteny hoe: "Tompoko, fantatro fa lehilahy hentitra hianao. Mijinja eny amin'izay tsy namafazanao ianao, no sady manangom-bokatra eny amin'izay tsy namboleanao.
\v 25 Natahotra aho, ka nandeha ary nanafina ny talentanao tao anatin'ny tany. Jereo, indro izay anao."
\s5
\v 26 Ary namaly azy ny tompony ka nanao taminy hoe: 'Ianao ry mpanompo ratsy sady malaina, fantatrao fa izaho dia mijinja eny amin'izay tsy namafazako sy manangom-bokatra eny amin'izay tsy namboleko.
\v 27 Noho izany dia tokony nomenao ny mpanjana-bola ny volako, ka rehefa niverina aho dia nandray ny ahy miaraka amin'ny tombony.
\s5
\v 28 Noho izany alaivo any aminy ny talenta ary omeo ho an'ilay mpanompo izay manana talenta folo izany.
\v 29 Fa izay rehetra manana dia homena be kokoa- mihoatra lavitra aza. Fa ho an'ireo izay tsy manana na inona na inona kosa, na izay hananany aza dia ho esorina aminy.
\v 30 Ario any amin'ny maizina any ivelany ny mpanompo tsy mendrika, any no misy ny fitomaniana sy ny fikitroha- nify.
\s5
\v 31 Ka rehefa tonga amin'ny voninahiny ny Zanak'Olona sy ny anjely rehetra miaraka Aminy, dia hipetraka eo amin'ny seza fihandrihanan'ny voninahiny Izy.
\v 32 Ary ny firenena rehetra dia hangonina eo anatrehany, ary hanavaka ny olona iray amin'iray hafa Izy, tahaka ny mpiandry ondry manavaka ny ondry amin'ny osy.
\v 33 Hametraka ny ondry ho eo ankavanany izy, fa ny osy eo ankaviany.
\s5
\v 34 Ary ny mpanjaka hiteny amin'ireo izay eo an-tanana ankavanany hoe: 'Avia, ianareo izay notahian'ny Raiko, mandovà ny fanjakana izay efa voahomana ho anareo hatrizay nanorenana an'izao tontolo izao.
\v 35 Fa noana Aho dia nomenareo sakafo; nangetaheta Aho dia nomenareo ho sotroina; nivahiny Aho dia nampandrosoinareo;
\v 36 nitanjaka Aho dia nampitafinareo; narary Aho nokarakarainareo; ary tany am-ponja Aho dia nakany Amiko ianareo.'
\s5
\v 37 Ary ireo marina dia hamaly sy hiteny hoe: 'Tompo, oviana izahay no nahita Anao noana ka namahana Anao? Na nangetaheta ka nampisotroinay?
\v 38 Oviana Ianao no hitanay nivahiny ka nampandrosoinay? Na nitanjaka ka nampitafianay?
\v 39 Oviana izahay no nahita Anao narary na tany am-ponja ka nakany aminao?
\v 40 Ary ny Mpanjaka namaly ka niteny azy ireo hoe: 'Lazaiko marina aminareo, izay nataonareo tamin'ireny rahalahiko kely indrindra ireny, dia nataonareo tamiko.'
\s5
\v 41 Ary izy hilaza amin'ireo izay eo ankaviany hoe: 'Mialà amiko, Ianareo izay voahozona, ho any amin'ny afo mirehitra mandrakizay izay efa voahomana hoan'ny devoly sy ireo anjeliny,
\v 42 satria noana Aho, fa tsy nomenareo sakafo; nangetaheta Aho, fa tsy nomenareo hosotroina;
\v 43 nivahiny Aho, fa tsy nampandrosoinareo; nitanjaka Aho, nefa tsy nampitafinareo; narary sy tao am-ponja Aho, fa tsy nokarakarainareo.'
\s5
\v 44 Ary dia hamaly koa izy ireo ka hiteny hoe: 'Tompo! Oviana izahay no nahita Anao noana, na nangetaheta, na nivahiny, na nitanjaka, na narary, na tany am-ponja, ka tsy nanompo Anao?
\v 45 Ary Izy hamaly azy ireo ka hiteny hoe: 'Lazaiko marina aminareo, fa izay tsy nataonareo tamin'iray tamin'ireo madinika ireo, dia tsy nataonareo tamiko.'
\v 46 Ireo dia halefa ho ao amin'ny fanasaziana mandrakizay fa ireo marina kosa ao amin'ny fiainana mandrakizay."
\s5
\c 26
\p
\v 1 Rehefa vitan'i Jesosy izany teny rehetra izany, dia niteny tamin'ireo mpianany Izy hoe:
\v 2 "Fantatrareo fa afaka roa andro dia ho tonga ny Paska, ary hatolotra homboana amin'ny hazofijaliana ny Zanak'Olona."
\s5
\v 3 Avy eo ny lehiben'ny mpisorona sy ny loholona niara-nivory tao amin'ny lapan'ny mpisorona-be, izay nantsoina hoe Kaiafa.
\v 4 Niara-nanao tetika izy ireo mba hisamborana mangina an'i Jesosy ary hamono Azy.
\v 5 Fa hoy izy ireo hoe: "Tsy amin'ny fety, mba tsy hisian'ny korontana eo amin'ny olona."
\s5
\v 6 Ary Jesosy rehefa tao Betania tao an-tranon'i Simona boka,
\v 7 raha nipetraka nihinana teo amin'ny latabatra, dia nisy vehivavy iray nanana tavoara alabastara feno menaka lafo vidy nanatona Azy, dia nandraraka izany tamin'ny lohany.
\v 8 Fa rehefa hitan'ireo mpianany izany, dia tezitra izy ireo ka nanao hoe: "Inona no anton'izao fandaniana izao?
\v 9 Afaka namidy lafo ary nomena ireo mahantra io."
\s5
\v 10 Fa Jesosy, nahafantatra izany, niteny azy ireo hoe: "Nahoana ianareo no manahiran-tsaina an-dravehivavy? Fa zavatra tsara no nataony tamiko.
\v 11 Eo aminareo mandrakariva ny mahantra, fa Izaho dia tsy ho eo aminareo mandrakariva.
\s5
\v 12 Fa rehefa nandraraka izany menaka manitra izany tamin'ny vatako izy, dia nataony ho an'ny fandevenana Ahy izany.
\v 13 Lazaiko marina aminareo, na aiza na aiza hitoriana ny filazantsara eto amin'izao tontolo rehetra izao, izay nataon'ity vehivavy ity dia ho lazaina ihany koa ho fahatsiarovana azy."
\s5
\v 14 Avy eo iray tamin'ireo roa ambinifolo, izay nantsoina hoe Jodasy Iskariota, nankany amin'ny lehiben'ny mpisorona
\v 15 ary nanao hoe: "Omenareo ohatrinona aho hanolorako Azy aminareo?" Nandanja volafotsy madinika telopolo izy ireo ho azy.
\v 16 Tamin'izany fotoana izany dia nitady fahafahana izy mba hanolorana Azy amin'izy ireo.
\s5
\v 17 Tamin'ny andro voalohan'ny mofo tsy misy lalivay dia nanatona an'i Jesosy ireo mpianatra ka niteny hoe: "Aiza no tianao hanomananay ho anao hihinana ny sakafon'ny paska?"
\v 18 Namaly Izy hoe: "Midira ao an-tanàna misy lehilahy iray ary lazao izy hoe: 'Hoy ny Mpampianatra hoe: "Efa akaiky ny fotoanako. Ato an-tranonao Aho no hanao ny paska miaraka amin'ireo mpianatro."'"
\v 19 Nataon'ireo mpianatra araka izay nandidin'i Jesosy izany, ary nanomana ny sakafon'ny paska izy ireo.
\s5
\v 20 Rehefa tonga ny hariva, dia nipetraka nihinana niaraka tamin'ny mpianatra roa ambin'ny folo Izy.
\v 21 Rehefa nihinana izy ireo, dia hoy Izy hoe: "Lazaiko marina aminareo fa hisy iray aminareo hamadika Ahy."
\v 22 Nalahelo izy ireo ary nanomboka nanontany Azy ny tsirairay hoe: "Tsy ho izaho mihitsy, ry Tompo?"
\s5
\v 23 Namaly Izy hoe: "Izay niara-nanatsoboka ny tanany tamiko tao anaty lovia no ilay iray hamadika Ahy.
\v 24 Handeha ny Zanak'Olona, araka izay efa voasoratra momba Azy. Nefa lozan'ny olona izay hamadika ny Zanak'Olona! Tsara kokoa ho an'izany olona izany no tsy teraka akory."
\v 25 Jodasy, izay hamadika Azy niteny hoe: "Izaho ve izany, Raby o?" Hoy Izy taminy hoe: "Voalazanao."
\s5
\v 26 Raha mbola nihinana izy ireo, dia naka ny mofo Jesosy, nisaotra, ary nanapaka izany. Nomeny ireo mpianatra izany ary niteny hoe: "Raiso, hano. Ity no vatako."
\s5
\v 27 Nandray ny kapoaka Izy ary nisaotra, ary nanome izany azy ireo ka niteny hoe: "Ianareo rehetra, sotroy ity.
\v 28 Fa ity ny ràn'ny fanekem-pihavanana arotsaka ho an'ny maro ho famelan-keloka.
\v 29 Fa lazaiko aminareo, fa tsy mba hisotro ny vokatry ny voaloboka intsony Aho, mandra-pihavin'ny fisotroana vaovao hiarahako aminareo any amin'ny fanjakan'ny Raiko."
\s5
\v 30 Rehefa nihira hira fiderana izy ireo, dia nandeha tany amin'ny tendrombohitr'i Oliva.
\v 31 Avy eo hoy Jesosy tamin'izy ireo hoe: "Ianareo rehetra dia handao Ahy nohon'ny amiko anio alina, fa voasoratra hoe: 'Hamely ny mpiandry ondry Aho dia hiparitaka ny ondry.'
\v 32 Fa aorian'ny fitsanganako amin'ny maty, dia hialoha lalana anareo any Galilia."
\s5
\v 33 Fa Petera nanao taminy hoe: "Na dia handao nohon'ny aminao aza ny rehetra, izaho tsy mba handao mihintsy."
\v 34 Hoy Jesosy taminy hoe: "Lazaiko marina aminao, fa anio alina raha mbola tsy maneno akoho, dia handà Ahy intelo ianao."
\v 35 Petera niteny taminy hoe: "Na dia tsy maintsy ho faty miaraka aminao aza aho, dia tsy handà anao." Toy izany avokoa no nolazain'ireo mpianatra hafa.
\s5
\v 36 Ary Jesosy nandeha niaraka tamin'izy ireo nankany amin'ny toerana antsoina hoe Getsemane ary nilaza tamin'ny mpianany hoe: "Mipetraha eto raha mbola handeha ery hivavaka Aho."
\v 37 Nitondra an'i Petera mbamin'ny zanak'i Zebedio roa lahy Izy ary nanomboka nalahelo sy ory.
\v 38 Avy eo hoy Izy tamin'izy ireo hoe: "Fadiranovana ny fanahiko, toy ny efa ho faty. Mitoera eto ary mihambena miaraka amiko."
\s5
\v 39 Nisintaka kely Izy, niankohoka ary nivavaka. Hoy Izy hoe: "Ry Raiko, raha azo atao, dia aoka esorina amiko ity kapoaka ity. Nefa, aoka tsy araky ny sitrapoko, fa ny sitraponao."
\v 40 Nanatona ireo mpianatra Izy ary nahita azy ireo resin-tory, ka hoy Izy tamin'i Petera hoe: "Inona, tsy mahavita miambina miaraka amiko na dia ora iray aza va ianareo?
\v 41 Miambena ary mivavaha mba tsy ho azon'ny fakam-panahy ianareo. Mety ihany ny fanahy, fa ny nofo no malemy."
\s5
\v 42 Mbola nandeha fanindroany Izy ary nivavaka. Hoy Izy hoe: "Ry Raiko, raha toa tsy azo esorina amiko ity raha tsy misotro Aho, dia ho atao anie ny sitraponao."
\v 43 Niverina indray Izy ary mbola nahita azy ireo natory, fa navesatra ny mason'izy ireo.
\v 44 Ka nandao azy ireo indray Izy, lasa ary nivavaka fanintelony, nilaza ireo teny ireo ihany.
\s5
\v 45 Avy eo Jesosy nanatona ireo mpianatra ka nanao tamin'izy ireo hoe: "Mbola matory sy miala sasatra va ianareo? Jereo, efa akaiky ny ora, ary ny Zanak'Olona dia hatolotra eo an-tanan'ireo mpanota.
\v 46 Mitsangàna, andeha isika. Jereo, efa akaiky ilay hamadika Ahy."
\s5
\v 47 Raha mbola niteny Izy, dia tonga Jodasy, iray amin'ireo roa ambin'ny folo. Nisy vahoaka maro tonga niaraka taminy avy amin'ny lehiben'ny mpisorona sy ireo loholona. Tonga niaraka tamin'ny sabatra sy langilangy izy ireo.
\v 48 Ary nanome famantarana azy ireo ilay lehilahy hamadika an'i Jesosy, manao hoe: "Izay horohako, no Izy. Sambory Izy."
\s5
\v 49 Teo no eo ihany dia nanatona an'i Jesosy izy ary niteny hoe: "Finaritra, Raby!" Ary nanoroka Azy izy.
\v 50 Hoy Jesosy taminy hoe: "Ry sakaiza, ataovy izay nalehanao eto." Avy eo tonga izy ireo, naninjitra tanana tamin'i Jesosy, ary nisambotra Azy.
\s5
\v 51 Indro, iray tamin'ireo niaraka tamin'i Jesosy naninjitra ny tanany, nanatsoaka ny sabany, nikapa ny mpanompon'ny mpisoronabe, ary nahafaka ny sofiny.
\v 52 Avy eo hoy Jesosy taminy hoe: "Avereno amin'ny toerany ny sabatrao, fa ireo izay mandray sabatra dia ho vonoina amin'ny sabatra.
\v 53 Mieritreritra va ianareo fa tsy afaka miantso ny Raiko Aho, ary Izy dia afaka mandefa ho Ahy tafik'anjely mihoatra noho ny roa ambin'ny folo?
\v 54 Fa atao ahoana izany no hahatanteraka ny Soratra Masina, izay milaza fa tsy maintsy hitranga izany?"
\s5
\v 55 Tamin'izany andro izany Jesosy niteny tamin'ny vahoaka hoe: "Tonga miaraka amin'ny sabatra sy langilangy hisambotra Ahy tahaka ny jiolahy va ianareo? Isan'andro dia nipetraka nampianatra teo amin'ny tempoly Aho, fa tsy nosamborinareo.
\v 56 Fa izany rehetra izany dia nitranga mba hahatanteraka izay voasoratr'ireo mpaminany." Avy eo nandao Azy ireo mpianatra rehetra ka nandositra.
\s5
\v 57 Noentin'ireo nisambotra Azy tany amin'i Kaiafa mpisoronabe Jesosy, izay nivorian'ireo mpanora-dalàna sy loholona.
\v 58 Fa Petera nanaraka Azy avy eny alavitra nankany amin'ny kianjan'ny mpisoronabe. Niditra tao anatiny izy ary nipetraka niaraka tamin'ireo mpiandry raharaha mba hahita izay hiafarany.
\s5
\v 59 Ary ireo lehiben'ny mpisorona sy ireo Synedriona rehetra dia nitady fiampangana tsy marina manohitra an'i Jesosy, mba mety ahafahan'izy ireo mamono Azy.
\v 60 Tsy nahita na inona na inona izy ireo, na dia nisy mpijoro vavolombelona maro tsy marina tonga aza teo. Ary kelikely avy eo dia nisy roa tonga nanatona teo
\v 61 ary niteny hoe: "Io lehilahy io dia niteny hoe: 'Afaka mandrava ny Tempolin'Andriamanitra Aho ary manangana izany indray afaka telo andro.'"
\s5
\v 62 Nitsangana ilay mpisoronabe ka nanao taminy hoe: "Tsy manan-kavaly va Ianao? Inona izany hiampangan'izy ireo Anao izany?"
\v 63 Fa nangina Jesosy. Hoy ny mpisoronabe taminy hoe: "Mandidy Anao amin'ny alalan'Andriamanitra velona aho, lazao aminay raha Ianao no Kristy, Zanak'Andriamanitra."
\v 64 Jesosy namaly azy hoe: "Voalazanao. Fa lazaiko aminareo, manomboka izao dia ho hitanareo ny Zanak'Olona hipetraka eo an-tanana ankavanan'ny Hery, ary ho tonga eo amin'ny rahon'ny lanitra."
\s5
\v 65 Avy eo ny mpisoronabe nandrovitra ny ankanjony ary nilaza hoe: "Niteny ratsy Izy! Nahoana isika no mbola mila mpijoro vavolombelona? Indro, renareo ny fitenenan-dratsy izao.
\v 66 Inona no hevitrareo?" Namaly izy ireo ary nanao hoe: "Mendrika ny ho faty Izy."
\s5
\v 67 Avy eo izy ireo nandrora ny tavany sy nikapoka Azy, ary namely tehamaina Azy,
\v 68 ary nanao hoe: "Maminania aminay, ry Kristy. Iza no namely Anao?"
\s5
\v 69 Ary Petera nipetraka ivelan'ny kianja, ary nisy mpanompo vavy tonga nanatona azy niteny hoe: "Ianao ihany koa dia niaraka tamin'i Jesosin'ny Galilia."
\v 70 Fa nandà izany teo anoloan'izy ireo izy, manao hoe: "Tsy fantatro izay resahanareo."
\s5
\v 71 Rehefa nivoaka ny vavahady izy, dia nisy mpanompo vavy hafa nahita azy ary niteny tamin'ireo izay teo hoe: "Ity lehilahy ity ihany koa dia niaraka tamin'i Jesosy avy any Nazareta."
\v 72 Mbola nandà indray izy niaraka tamin'ny fianianana hoe: "Tsy fantatro izany lehilahy izany!"
\s5
\v 73 Nony afaka kelikely dia nanatona ireo izay nitsangana teo ary niteny tamin'i Petera hoe: "Ianao ihany koa dia tena iray amin'izy ireny, fa ny fomba firesakao dia miampanga anao."
\v 74 Avy eo izy nanomboka nanozona sy niniana ka nanao hoe: "Tsy fanatatro izany lehilahy izany." Ary teo no eo dia naneno ny akoho.
\v 75 Tsaroan'i Petera ny teny nambaran'i Jesosy hoe: "Mbola tsy maneno akoho dia handà Ahy intelo ianao." Avy eo izy nivoaka ary nitomany fatratra.
\s5
\c 27
\p
\v 1 Ary rehefa tonga ny maraina, dia nitetika hanohitra an'i Jesosy mba hamono Azy ireo lehiben'ny mpisorona sy ny loholona rehetra.
\v 2 Izy ireo namatotra Azy, nitarika Azy tany ivelany, ary nanolotra Azy tamin'i Pilato governora.
\s5
\v 3 Ary Jodasy, ilay namadika Azy, rehefa nahita fa voaheloka Jesosy, dia nibebaka izy ary namerina ireo volafotsy telopolo tamin'ireo lehiben'ny mpisorona sy ireo loholona,
\v 4 ary niteny hoe: "Nanota aho tamin'ny namadihako rà tsy manan-tsiny." Fa izy ireo niteny hoe: "Ahoanay inona? Anao izany."
\v 5 Dia natsipiny tao an-tempoly ireo volafotsy, ary nanainga, sy nivoaka ary nanantona ny tenany Izy.
\s5
\v 6 Ireo lehiben'ny mpisorona naka ireo volafotsy ary niteny hoe: "Tsy ara-dalàna ny mametraka ity ao amin'ny fitehirizam-bola, satria ity dia vidin-drà."
\v 7 Niara-niresaka ny olana izy ireo ary nividy ny sahan'ny mpanao vilany tanimanga izay handevenana ireo vahiny tamin'ireo vola.
\v 8 Ary izany no antony niantsoana izany saha izany hoe: "Sahan'ny Rà" mandrak'androany.
\s5
\v 9 Ary dia tanteraka izay voalaza tamin'ny mpaminany Jeremia, manao hoe: "Naka ny volafotsy telopolo izy ireo, vidy nanombanan'ireo vahoakan'Israely Azy,
\v 10 ary izy ireo nanome izany ho an'ny sahan'ny mpanao vilany tanimanga, araka ny natoron'ny Tompo ahy."
\s5
\v 11 Ary Jesosy nijoro teo anolohan'ny governora, ary ny governora nanontany Azy hoe, "Ianao va no mpanjakan'ireo Jiosy?" Jesosy namaly azy hoe: "Voalazanao."
\v 12 Fa rehefa nampangain'ireo lehiben'ny mpisorona sy ireo loholona Izy, dia tsy namaly na inona na inona.
\v 13 Dia niteny taminy Pilato hoe: "Tsy renao va ny fiampangana rehetra atao aminao?"
\v 14 Fa tsy namaly na dia teny iray aza Izy, gaga tanteraka noho izany ny governora.
\s5
\v 15 Ary isakin'ny firavoravoana dia fomban'ny governora ny mamotsotra gadra iray voafidin'ny vahoaka.
\v 16 Tamin'io fotoana io, nanana gadra malaza ratsy antsoina hoe Barabasy izy ireo.
\s5
\v 17 Noho izany rehefa niara-niangona izy ireo, dia hoy Pilato tamin'izy ireo hoe: "Iza no tianareo halefako ho anareo? Barabasy, sa Jesosy izay antsoina hoe Kristy?"
\v 18 Fantany fa nohon'ny fialonana no nanoloran'izy ireo an'i Jesosy taminy.
\v 19 Raha nipetraka teo amin'ny seza fitsarana izy, dia nandefa teny taminy ny vadiny ary nanao hoe: "Tsy manana na inona na inona atao amin'ity lehilahy tsy manan-tsiny ity aho. Fa ory loatra aho androany nohon'ny nofy azoko momba Azy."
\s5
\v 20 Ary ireo lehiben'ny mpisorona sy ireo loholona nandresy lahatra ny vahoaka mba hangataka an'i Barabasy, ary hampamono an'i Jesosy.
\v 21 Nanontany azy ireo ny Governora hoe: "Iza amin'izy roa no tianareo halefako ho anareo?" Hoy izy ireo hoe: "Barabasy."
\v 22 Pilato niteny tamin'izy ireo hoe: "Inona no tokony ataoko amin'i Jesosy izay antsoina hoe Kristy?" Izy rehetra namaly hoe: "Fantsiho amin'ny hazofijaliana Izy."
\s5
\v 23 Dia hoy Izy hoe: "Nahoana, inona no heloka nataony?" Fa vao mainka izy ireo nihiaka mafy hoe: "Fantsiho amin'ny hazofijaliana Izy."
\v 24 Fa rehefa hitan'i Pilato fa tsy afaka hanao na inona na inona izy, kanefa efa nanomboka ny tabataba, dia naka rano izy, nanasa ny tanany teo anoloan'ny vahoaka, ary nanao hoe: "Tsy manan-tsiny amin'ny ràn'ity lehilahy tsy manan-tsiny ity aho. Fa asanareo izany."
\s5
\v 25 Ireo olona rehetra niteny hoe: "Ho aminay sy ny zanakay anie ny ràny."
\v 26 Dia nalefany ho an'izy ireo Barabasy, fa nively karavasy an'i Jesosy izy ary nanolotra Azy ho fantsihina.
\s5
\v 27 Avy eo ireo miaramilan'ny governora naka an'i Jesosy hankao an-dapa ary nanangona ireo vondrona miaramila rehetra.
\v 28 Nanala ny fitafiany izy ireo ary nampanao akanjo jaky Azy.
\v 29 Nanamboatra satro-boninahitra tsilo izy ireo ary nametraka izany teo an-dohany, ary nametraka tehina teo amin'ny tanany ankavanana. Nandohalika teo anatrehany izy ireo ary naneso Azy, nanao hoe: "Arahaba, ry mpanjakan'ny Jiosy!"
\s5
\v 30 Nororain'izy ireo Izy, ary nalain'izy ireo ny tehina dia nikapoka Azy im-be dia be teo amin'ny lohany.
\v 31 Rehefa avy naneso Azy izy ireo, dia nanala ny akanjo lavany ary nampitafy Azy ny fitafiany, ary nitondra Azy nivoaka mba hamantsika Azy amin'ny hazofijaliana.
\s5
\v 32 Rehefa nivoaka izy ireo, dia nahita lehilahy iray avy any Syrena antsoina hoe Simona, izay noteren'izy ireo hiaraka amin'izy ireo mba hampilanjaina ny hazofijaliany.
\v 33 Nankany amin'ny toerana antsoina hoe Golgota izy ireo, izay midika hoe "Toeran'ny Karandoha."
\v 34 Nomen'izy ireo divay mifangaro amin'ny afero Izy mba ho sotroina. Fa rehefa nandramany izany, dia tsy nisotro Izy.
\s5
\v 35 Rehefa nofantsihin'izy ireo tamin'ny hazofijaliana Izy, dia nataon'izy ireo loka ny fizarana ireo fitafiany,
\v 36 ka nipetraka izy ireo ary nijanona niambina Azy.
\v 37 Teo ambonin'ny lohany no nametrahan'izy ireo soratra milaza ny nanamelohana Azy, izay mivaky hoe: "Ity no Jesosy, mpanjakan'ireo Jiosy."
\s5
\v 38 Nisy jiolahy roa nofantsihina niaraka taminy, ny iray teo ankavanany ary iray teo ankavia.
\v 39 Ireo izay nandalo dia nanevateva Azy, nanivingivina ny lohan'izy ireo
\v 40 ary nanao hoe: "Ianao izay handrava ny tempoly ary hanamboatra izany indray ao anatin'ny telo andro, vonjeo ny tenanao! Raha Ianao no Zanak'Andriamanitra, midinà avy eny amin'ny hazofijaliana!"
\s5
\v 41 Toy izany koa ireo lehiben'ny mpisorona naneso Azy, niaraka tamin'ireo mpanora-dalàna sy ireo loholona, ary niteny hoe:
\v 42 "Nanavotra ireo hafa Izy, fa tsy afaka manavotra ny tenany. Izy no mpanjakan'Israely. Avelao Izy hidina eny amin'ny hazofijaliana, ary dia hino Azy isika.
\s5
\v 43 Natoky an'Andriamanitra Izy, avelao Andriamanitra hamonjy Azy izao, raha mankasitraka ny hanafaka Azy Andriamanitra. Fa na Izy aza dia niteny hoe: 'Izaho no Zanak'Andriamanitra.'"
\v 44 Toy izany koa ireo jiolahy izay nofantsihina niaraka taminy niteny fanevatevana taminy ihany koa.
\s5
\v 45 Ary nanomboka tamin'ny ora fahaenina dia nandrakotra ny tany rehetra ny aizina ka hatramin'ny ora fahasivy.
\v 46 Teo amin'ny ora fahasivy, dia nihiaka tamin'ny feo mafy Jesosy ary nanao hoe: "Ely, Ely, lamà sabaktani?" Izay midika hoe: "Andriamanitro, Andriamanitro, nahoana no nandao Ahy Ianao?"
\v 47 Rehefa ren'ny sasany tamin'ireo izay nitsangana teo izany, dia hoy izy ireo: "Miantso an'i Elia Izy."
\s5
\v 48 Teo no eo dia nihazakazaka ny iray tamin'izy ireo ary naka spaonjy, namonto izany tamin'ny vinaingitra, nametraka izany tamin'ny tohitohina bararata, ary nanome izany Azy mba ho sotroina.
\v 49 Ny sasany tamin'izy ireo niteny hoe: "Avelao Izy. Hitantsika eo raha ho tonga hamonjy Azy Elia."
\v 50 Dia nihiaka tamin'ny feo mafy indray Jesosy ary nanolotra ny fanahiny.
\s5
\v 51 Indro, ny lamban'ny tempoly nitriatra roa hatrany ambony ka hatrany ambany, ary nihorohoro ny tany, ary vaky nisasaka ireo vatolampy.
\v 52 Nisokatra ireo fasana, ary ny fatin'ireo olon'Andriamanitra maro izay nodimandry dia natsangana.
\v 53 Izy ireo dia nivoaka avy tao amin'ny fasana taorian'ny fitsanganany tamin'ny maty, niditra ny tanàna masina, ary niseho tamin'ny maro.
\s5
\v 54 Ary ireo kapiteny sy ireo izay nijery an'i Jesosy rehefa nahita ny horohoron-tany sy ireo zavatra izay nitranga, dia lasa natahotra mafy ary nanao hoe: "Zanak'Andriamanitra marina ity."
\v 55 Nisy Vehivavy maro izay nanaraka an'i Jesosy hatrany Galilia mba hikarakara Azy teo nijery avy eny alavitra.
\v 56 Tamin'izy ireo Maria Magdalena, Maria renin'i Jakoba sy Josefa, ary ny renin'ireo zanakalahin'i Zebedio.
\s5
\v 57 Rehefa hariva ny andro, dia nisy lehilahy iray manan-karena avy any Armatia tonga, antsoina hoe Josefa, izay mpianatr'i Jesosy ihany koa.
\v 58 Nanatona an'i Pilato izy ary nangataka ny fatin'i Jesosy. Dia nobaikon'i Pilato omena azy izany.
\s5
\v 59 Naka ny faty Josefa, namono izany tamin'ny lamba rongony madio,
\v 60 ary nampandry izany tamin'ny fasany vaovao izay nolavahany tamin'ny vatolampy. Dia nanakodia vato lehibe hanohina ny varavaran'ny fasana izy ary nivoaka.
\v 61 Maria Magdalena sy ireo Maria hafa dia teo, nipetraka teo ampitan'ny fasana.
\s5
\v 62 Ny andro manaraka, izay andro aorian'ny Fanomanana, dia niara-niangona tamin'i Pilato ireo lehiben'ny mpisorona sy ireo Fariseo.
\v 63 Hoy izy ireo hoe: "Tompoko, tadidinay fa tamin'ny mbola velona iny mpamitaka iny, dia hoy Izy hoe: 'Aorian'ny telo andro, dia hitsangana indray Aho.'
\v 64 Ka noho izany, mandidia mba ho ambenana ny fasana hatramin'ny andro fahatelo, raha tsy izany ireo mpianany mety ho avy ary hangalatra Azy dia hiteny amin'ny olona hoe: 'Nitsangana tamin'ny maty Izy', ary ny fitaka farany dia ho ratsy noho ilay tamin'ny voalohany."
\s5
\v 65 Hoy Pilato tamin'izy ireo hoe: "Makà mpiambina. Mandehana ary ambeno tsara araka izay vitanareo izany."
\v 66 Dia nandeha izy ireo ary niambina ny fasana, nanisy tombo-kase ny vato ary nametraka ny mpiambina.
\s5
\c 28
\p
\v 1 Ary tamin'ny alin'ny Sabata, raha vao nanomboka mangiran-dratsy ny andro voalohany amin'ny herinandro, dia lasa nandeha nijery ny fasana Maria Magdalena sy ilay Maria iray hafa.
\v 2 Indro, nisy horohoron-tany be, fa ny anjelin'ny Tompo no nidina avy any an-danitra, tonga ary nanakodia ny vato, ka nipetraka teo ambonin'izany.
\s5
\v 3 Ny endriny dia toy ny tselatra, ary ny akanjony dia fotsy tahaka ny oram-panala.
\v 4 Raiki-tahotra ireo mpiambina ka nanjary tahaka ny lehilahy maty.
\s5
\v 5 Niresaka tamin'ireo vehivavy ilay anjely ary niteny tamin'izy ireo hoe: "Aza matahotra, fantatro fa mitady an'i Jesosy ianareo, ilay nofantsihina tamin'ny hazofijaliana.
\v 6 Tsy ato Izy, fa efa nitsangana, araka ny efa nolazainy. Avia jereo ny toerana izay nandrian'ny Tompo.
\v 7 Mandehana faingana ary teneno ireo mpianany hoe: 'Nitsangana tamin'ny maty Izy. Indro, efa nandeha nialoha anareo any Galilea Izy. Any no hahitanareo Azy.' Indro, efa voalazako taminareo."
\s5
\v 8 Nandao haingana ny fasana tamin-tahotra sy tamin'ny hafaliana lehibe ireo vehivavy, ary nihazakazaka mba hiteny ireo mpianany.
\v 9 Indro, nihaona tamin'izy ireo Jesosy ary niteny hoe: "Arahaba!" Nanatona ireo vehivavy, nihazona ny tongony ary nidera Azy.
\v 10 Ary avy eo Jesosy niteny tamin'izy ireo hoe: "Aza matahotra. Mandehana miteny amin'ireo rahalahiko mba hiala ka hihazo an'i Galilia. Any no hahitan'izy ireo Ahy."
\s5
\v 11 Ary raha mbola iny nandeha iny ireo vehivavy, indro, ny sasany tamin'ireo mpiambina nankany amin'ny tanàn-dehibe ary niteny tamin'ny lohan'ny mpisorona ny zavatra rehetra izay niseho.
\v 12 Rehefa nihaona tamin'ireo loholona ny mpisorona ary niresaka momban'ny olana tamin'izy ireo, dia nanome vola be an'ireo miaramila izy ireo
\v 13 ary niteny azy ireo hoe: "Lazao amin'ireo hafa hoe: 'Tonga tamin'ny andro alina ireo mpianatr'i Jesosy ary nangalatra ny vatany raha mbola natory izahay.'
\s5
\v 14 Raha tonga any amin'ny governora izany tatitra izany, dia handresy lahatra azy isika ary hanala ny ahiahy aminareo."
\v 15 Ary dia nalain'ny miaramila ny vola ary nanao araka izay efa nolazaina azy izy ireo. Ary izany tatitra izany dia nieli-patrana teo amin'ireo Jiosy ary mitohy mandrak'ankehitriny aza.
\s5
\v 16 Fa nankany Galilea ireo mpianatra iraika ambin'ny folo, tany amin'ny tendrombohitra izay efa natoron'i Jesosy azy ireo.
\v 17 Rehefa nahita Azy izy ireo, dia nidera azy, fa ny sasany kosa niahiahy.
\s5
\v 18 Nanatona azy ireo Jesosy ka niresaka tamin'izy ireo ary niteny hoe: "Efa nomena Ahy ny fahefana rehetra any an-danitra sy ety an-tany.
\v 19 Koa mandehana ary ataovy tonga mpianatro ny firenen-drehetra. Ataovy batisa izy ireo amin'ny anaran'ny Ray, ny Zanaka, ary ny Fanahy Masina.
\s5
\v 20 Ampianaro izy ireo hankatoa ny zavatra rehetra izay nandidiako anareo. Indro, miaraka aminareo foana Aho, eny fa na hatramin'ny fiafaran'izao tontolo izao aza."