plt_ulb/38-ZEC.usfm

437 lines
39 KiB
Plaintext

\id ZEC
\ide UTF-8
\h Zakaria
\toc1 Zakaria
\toc2 Zakaria
\toc3 zec
\mt Zakaria
\s5
\c 1
\p
\v 1 Tamin'ny volana fahavalo tamin'ny taona faharoa nanjakan'i Dariosa, dia tonga tamin'i Zakaria zanaka lahin'i Berekia zanaka lahin'Ido, mpaminany, ny tenin'i Yaveh, manao hoe:
\v 2 "Tezitra fatratra tamin'ireo razambenao i Yaveh!
\v 3 Lazao izy ireo hoe: 'Izao no lazain'i Yaveh tompon'ny maro: Mitodiha Amiko! —izany no fanambaran'i Yaveh tompon'ny maro —dia hitodika aminareo Aho, hoy Yaveh tompon'ny maro.
\s5
\v 4 Aoka ianareo tsy ho tahaka ny razambenareo izay nantsoin'ireo mpaminany teo aloha, manao hoe: "Izao no lazain'i Yaveh tompon'ny maro: Mialà amin'ny lalan-dratsinareo sy ny fampiharan-dratsinareo!" Fa tsy nandre izy ireo ary tsy niraharaha Ahy—izany no fanambaran'i Yaveh.'
\v 5 Ireo razambenareo, aiza izy ireo? Aiza ireo mpaminany, eto mandrakizay ve izy ireo?
\v 6 Fa ireo teniko sy ireo lalàko izay nandidiko an'ireo mpaminany mpanompoko, tsy efa nahatratra ireo razambenareo ve ireo? Koa nibebaka izy ireo ary nanao hoe: 'Araka izay efa nalahatr'i Yaveh tompon'ny maro hatao aminay izay mendrika ireo lalanay sy ireo asanay, no nataony taminay.""
\s5
\v 7 Tamin'ny andro fahefatra amby roapolo tamin'ny fahiraika ambin'ny folon'ny volana, izay volan'ny Sebata, tamin'ny taona faharoa nanjakan'i Dariosa, dia tonga tamin'i Zakaria, zanaka lahin'i Berekia zanaka lahin'Ido, ilay mpaminany, ny tenin'i Yaveh, manao hoe:
\v 8 "Nahita tamin'ny alina aho, ary, indro! nisy lehilahy iray nitaingina soavaly mena, ary teo amin'ny hazo rotra izay teo amin'ny lohasaha izy; ary teo aoriany dia nisy soavaly mena, volontany manopy mena, ary soavaly fotsy."
\v 9 Hoy aho hoe: "Inona ireto zavatra ireto, ry Tompo?" Avy eo dia nisy anjely iray niresaka tamiko nanao tamiko hoe: "Ho asehoko anao hoe inona ireo zavatra ireo."
\s5
\v 10 Ary ilay lehilahy izay nitsangana teo amin'ny hazo rotra namaly ary niteny hoe: "Ireo no nalefan'i Yaveh mba hirenireny manerana ny tany."
\v 11 Namaly ilay anjelin'i Yaveh izay nitsangana teo amin'ny hazo rotra izy ireo; hoy izy ireo taminy hoe: "Efa nirenireny nanerana ny tany izahay; indro, ny tany rehetra dia mbola mipetraka sy mitsahatra."
\s5
\v 12 Dia namaly ilay anjelin'i Yaveh ary niteny hoe: "Ry Yaveh tompon'ny maro, mandra-pahoviana no hanehoanao tsy fangoraham-po amin'i Jerosalema sy amin'ireo tanànan'i Joda izay efa niharitra fahatezerana izay fitopolo taona izay?"
\v 13 Namaly ilay anjely izay niresaka tamiko, tamin'ny teny soa, teny fampaherezana i Yaveh.
\s5
\v 14 Ka niteny tamiko ilay anjely izay niresaka tamiko hoe: "Miantsoa mafy ary milazà hoe: 'Izao no lazain'i Yaveh tompon'ny maro: Saro-piaro tamim-pitiavana lehibe tamin'i Jerosalema sy tamin'i Ziona Aho! Tezitra mafy amin'ireo firenena izay ao anatin'ny fitoniana ireo Aho.
\v 15 Raha mbola tezitra kely tamin'ireo Aho, dia vao mainka nampaharatsy ny fahoriana izy ireo.
\s5
\v 16 Noho izany dia izao no lazain'i Yaveh tompon'ny maro: Efa niverina tamin'i Jerosalema tamim-pamindram-po Aho. Ho voaorina ao anatiny ny tranoko—izany no fanambaran'i Yaveh tompon'ny maro—ary ny famolaina dia ho henjanina amin'i Jerosalema!'
\v 17 Miantsoa mafy indray, manao hoe: 'Izao no lazain'i Yaveh tompon'ny maro: Ho tondraka soa indray ireo tanànako, ary hampahery an'i Ziona indray Yaveh, ary hisafidy an'i Jerosalema indray Izy."'
\s5
\v 18 Dia nanandratra ny masoko aho ary nahita tandroka efatra!
\v 19 Niresaka tamin'ilay anjely izay niresaka tamiko aho hoe: "Inona ireo?" Namaly ahy izy hoe: "Ireo no tandroka izay efa nanaparitaka an'i Joda, Israely, ary Jerosalema."
\s5
\v 20 Avy eo dia nampiseho mpanao asa tanana efatra tamiko i Yaveh.
\v 21 Hoy aho hoe: "Inona no anton-dian'ireo olona ireo?" Namaly Izy, ary niteny hoe: "Ireo no tandroka izay nanaparitaka an'i Joda mba tsy hisy olona afaka hanandratra ny lohany. Fa ireo olona ireo dia tonga mba handroaka azy ireo, mba handrava ireo tandrok'ireo firenena izay nanandratra tandroka manohitra ny tanin'i Joda mba hanaparitaka azy."
\s5
\c 2
\p
\v 1 Manaraka izany dia nanandratra ny masoko aho ary nahita lehilahy niaraka tamin'ny tady fandrefesana teny an-tanany.
\v 2 Hoy aho hoe: "Andeha ho aiza ianao?" Dia hoy izy tamiko hoe: "Handrefy an'i Jerosalema, hamaritra ny sakany sy ny halavany."
\s5
\v 3 Dia lasa ilay anjely izay niresaka tamiko ary nisy anjely iray hafa nivoaka mba hitsena azy.
\v 4 Hoy ilay anjely faharoa taminy hoe: "Mihazakazaha ary miresaha amin'iny tovolahy iny; lazao hoe: 'Hipetraka eo amin'ny tanàna misokatra i Jerosalema nohon'ny hamaroan'ny olona sy ireo biby ao aminy.
\v 5 Fa Izaho — izany no fanambaran'i Yaveh—dia ho tonga manda afo manodidina azy, ary ho voninahitra eo afovoany Aho.
\s5
\v 6 Haingana! Haingana! Mitsoaha avy any amin'ny tany avaratra—izany no fanambaran'i Yaveh—fa Izaho efa nampiely anareo toy ny rivotra efatry ny lanitra! —Izany no fanambaran'i Yaveh.
\v 7 Eh! Mandosira mankany Ziona, ianareo izay mipetraka miaraka amin'ny zanaka vavin'i Babylona!"'
\s5
\v 8 Fa taorian'ny nanomezan'i Yaveh tompon'ny maro voninahitra ahy sy nandefasany ahy hanohitra ireo firenena izay nandroba anareo—fa na iza na iza mikasika anareo, dia mikasika ny anakandriamason' Andriamanitra! —rehefa avy nanao izany Yaveh, dia hoy Izy hoe:
\v 9 "Izaho mihitsy no haninjitra ny tanako amin'izy ireo, ary dia ho babo ho an'ireo andevony izy ireo." Dia ho fantatrareo fa i Yaveh tompon'ny maro no naniraka ahy.
\s5
\v 10 "Mihirà ho amin'ny fifaliana, ry zanaka vavin'i Ziona, fa Izaho mihitsy no ho tonga sy hitoby eo aminareo! —izany no fanambaran'i Yaveh."
\v 11 Avy eo ireo firenen-dehibe hiaraka amin'i Yaveh amin'izany andro izany. Hoy izy hoe: "Ary dia ho tonga vahoakako ianareo; fa hitoby eo afovoanareo Aho," ary ho fantatrareo fa Yaveh tompon'ny maro no naniraka ahy ho eo aminareo.
\s5
\v 12 Fa Yaveh hampandova an'i Joda toy ny fananany ara-drariny any amin'ny tany masina ary hifidy indray an'i Jerosalema ho azy.
\v 13 Aza miteny, eo anatrehan'i Yaveh, ry nofo rehetra, fa nitsangana avy tao amin'ny toerany masina Izy!
\s5
\c 3
\p
\v 1 Avy eo Yaveh nampiseho ahy an'i Josoa ilay mpisoronabe izay nijoro nanoloana ny anjelin'i Yaveh sy Satana nijoro teo an-tanan-kavanany mba hiampanga azy ho nanota.
\v 2 Hoy ilay anjelin'i Yaveh tamin'ny Satana hoe: "Hiteny mafy anao anie Yaveh, ry Satana; Yaveh, izay nisafidy an'i Jerosalema anie, hiteny mafy anao! Moa tsy forohana nosarihana tamin'ny afo ve ity?"
\v 3 Niakanjo fitafiana maloto Josoa raha nijoro teo anoloan'ilay anjely.
\s5
\v 4 Niresaka ilay anjely ary niteny tamin'ireo izay nijoro teo anoloany hoe: "Esory aminy ireo fitafiana maloto." Dia hoy izy tamin'i Josoa hoe: "Indro! Efa nesoriko taminao ny helokao ary hampiakanjoako akanjo tsara ianao."
\v 5 Hoy izy hoe: "Aoka izy ireo hametraka hamama madio eo an-dohany!" Dia nametraka hamama madio teo ambony lohan'i Josoa izy ireo ary nampiakanjo azy tamin'ny akanjo madio raha nijoro teo akaiky teo ilay anjelin'i Yaveh.
\s5
\v 6 Avy eo ilay anjelin'i Yaveh nibaiko am-pahamatorana an'i Josoa ary niteny hoe:
\v 7 "Izao no lazain'i Yaveh tompon'ny maro: Raha handeha amin'ny lalako ianao, ary raha hitandrina ireo didiko ianao, dia hifehy ny tranoko ianao ary hiambina ny kianjako, satria havelako handeha sy hiditra eo amin'ireo izay mijoro manoloana Ahy ireo ianao.
\s5
\v 8 Henoy, ry Josoa mpisoronabe, ianao sy ireo namanao izay monina miaraka aminao! Fa famantarana ireo olona ireo, satria Izaho mihitsy no hampiakatra ny mpanompoko ilay Rantsana.
\v 9 Ary jereo ilay vato izay napetrako eo anoloan'i Josoa. Misy maso fito ao amin'io vato tokana io, ary hanao sokitra soratra Aho—izany no fanambaran'i Yaveh tompon'ny maro— ary hanala ny fahotana amin'ity tany ity ao anatin'ny iray andro Aho.
\s5
\v 10 Amin'izany andro izany— izany no fanambaran'i Yaveh tompon'ny maro—ny olona tsirairay dia hanasa ny mpiara-belona aminy mba hipetraka ambanin'ny voalobony sy ambanin'ny hazon'aviaviny."
\s5
\c 4
\p
\v 1 Avy eo nitodika ary nanaitra ahy toy ny olona tairina amin'ny torimasony ilay anjely izay niresaka tamiko.
\v 2 Hoy izy tamiko hoe: "Inona no hitanao?" Dia hoy aho hoe: "Mahita fanaovan-jiro vita amin'ny volamena tanteraka aho, miaraka amin'ny fitoeran-diloilo eo an-tampony. Misy lela fanaovan-jiro fito eo amin'izany ary misy fantsona fito eo an-tampon'ny lahin-jiro tsirairay.
\v 3 Misy hazon'oliva roa eo anilan'izany, iray eo amin'ny ilany amin'ny tanan-kavanan'ny fitoeran-diloilo ary ilay hafa eo amin'ny ilany an-kavia."
\s5
\v 4 Noho izany dia niresaka tamin'ilay anjely izay niresaka tamiko indray aho. Hoy aho hoe: "Inona no dikan'ireo zavatra ireo, ry tompoko?"
\v 5 Namaly ahy ilay anjely izay niresaka tamiko ary nanao tamiko hoe: "Tsy fantatrao ve ny dikan'ireo zavatra ireo?" Dia hoy aho hoe: "Tsia, ry tompoko."
\s5
\v 6 Noho izany dia hoy izy tamiko hoe: "Izao no tenin'i Yaveh tamin'i Zerobabela: Tsy amin-kery na amin'ny tanjaka, fa amin'ny Fanahiko, hoy Yaveh tompon'ny maro.
\v 7 Inona moa ianao, ry tendrombohitra lehibe? Ho tonga tany lemaka eo anoloan'i Zerobabela ianao, ary hitondra ny vato atao tendrony izy mba hihiaka hoe: "Fahasoavana! Fahasoavana ho amin'izany!"'
\s5
\v 8 Tonga tamiko ny tenin'i Yaveh, nanao hoe:
\v 9 "Nametraka ny fototr'ity trano ity ny tanan'i Zerobabela ary hamita izany ny tanany. Dia ho fantatrao fa Yaveh tompon'ny maro no naniraka ahy ho aminao.
\v 10 Iza no nanao tsinontsinona ny andron'ireo zavatra madinika? Hiravo ireo olona ireo ary hahita ny vato pilao eny an-tanan'i Zerobabela. (Ireo lahin-jiro fito ireo no mason'i Yaveh izay mijery an'izao tontolo izao.)"
\v 11 Avy eo dia nanontany an'ilay anjely aho hoe: "Inona ireo hazon'oliva roa izay mitsangana eo an-kavia sy an-kavanan'ny fanaovan-jiro ireo?"
\s5
\v 12 Nanontany azy indray aho hoe: "Inona ireo sampan-kazon'oliva roa akaikin'ireo fantsona volamena roa izay misy diloilo volamena miraraka avy eo aminy ireo?"
\v 13 Avy eo dia hoy izy tamiko hoe: "Tsy fantatrao ve hoe inona ireo?" Hoy aho hoe: "Tsia, ry tompoko."
\s5
\v 14 Noho izany dia hoy izy hoe: "Ireo no zana-diloilo vaovao izay mitsangana manoloana ny Tompon'izao tontolo rehetra izao."
\s5
\c 5
\p
\v 1 Dia nitodika aho ka nampiandrandra ny masoko, ka nahita, indro, horonan-taratasy manidina!
\v 2 Hoy ilay anjely tamiko hoe: "Inona no hitanao?" Dia namaly aho hoe: "Horonan-taratasy manidina no itako, roapolo hakiho ny halavany ary folo hakiho ny sakany."
\s5
\v 3 Dia hoy izy tamiko hoe: "Ity no ozona izay mivoaka manerana izao tontolo izao, fa ny mpangalatra rehetra dia ho fongorina manomboka izao izay mifototra amin'izay lazainy amin'ny andaniny, ary izay rehetra milaza fianianana diso dia ho fongorina izay mifototra amin'izay lazainy amin'ny ankilany, araka ny tenin'izy ireo.
\v 4 "Ho havoakako izany—izany no fanambaran'i Yaveh tompon'ny maro—koa hiditra ao an-tranon'ny mpangalatra sy ao amin'ny tranon'izay mianiana diso amin'ny anarako izany. Hitoetra ao an-tranony izany ary hanimba ny hazony sy ireo vatony."
\s5
\v 5 Dia nivoaka ilay anjely izay niresaka tamiko ary niteny tamiko hoe: "Asandrato ny masonao ka jereo izay tonga eo"
\v 6 Dia hoy aho hoe: "Inona iny?" Dia hoy izy hoe: "Harona misy efaha iny tonga iny. Ity no helok'izy ireo amin'ny tany manontolo."
\f + \ft Fanamarihana: Ireo dikan-teny taloha sasany sy ny ankamaroan'ny dikan-teny amin'izao dia manao hoe: "helok'izy ireo". Ny lahatsoratra Hebreo manao hoe "mason'izy ireo", fa izany dia noheverina ho fahadisoana. \f*
\v 7 Dia nalàna tamin'ny harona ny firaka fandrakofana ary nisy vehivavy tao ambanin'izany izay nipetraka tao!
\s5
\v 8 Dia niteny ilay anjely hoe: "Faharatsiana ity!" Natsipiny tao anaty harona indray izy, ary natsipiny teo amin'ny fisokafany ilay firaka fandrakofana.
\v 9 Nampiandrandra ny masoko aho ary nahita vehivavy roa manatona ahy, ary ny rivotra dia teny amin'ny elatr'izy ireo—fa nanana elatra tahaka ny elatry ny vano izy ireo. Nampisandratra ny harona teo anelanelan'ny tany sy ny lanitra izy ireo.
\s5
\v 10 Ka niteny tamin'ilay anjely izay niresaka tamiko aho hoe: "Ho entin'izy ireo mankaiza ny harona?"
\v 11 Dia hoy izy tamiko hoe: "Hanamboarana tempoly any amin'ny tanin'i Sinara ho an'izany, ka rehefa vonona ny tempoly, dia hampitoerina any eo amin'ny fototra voahomana ho azy ilay harona."
\s5
\c 6
\p
\v 1 Dia nitodika aho ary nampiandrandra ny masoko ka nahita kalesy efatra nivoaka avy teo anelanelan'ny tendrombohitra roa; ary ireo tendrombohitra roa ireo dia vita avy tamin'ny varahina.
\v 2 Ny kalesy voalohany dia nanana soavaly mena, ny kalesy faharoa nanana soavaly mainty,
\v 3 ny kalesy fahatelo nanana soavaly fotsy ary ny kalesy fahefatra dia nanana soavaly sada fotsy.
\v 4 Dia namaly aho ka niteny tamin'ilay anjely niresaka tamiko hoe: "Inona ireo, ry tompoko?"
\s5
\v 5 Namaly ilay anjely ka niteny tamiko hoe: "Ireo no rivotra efatry ny lanitra izay nivoaka teo amin'ny toerana izay nitsanganan'izy ireo teo anoloan'ilay Tompon'ny tany rehetra.
\v 6 Ilay iray izay miaraka amin'ny soavaly mainty dia mivoaka mankany amin'ny firenena avaratra; ireo soavaly fotsy dia mivoaka mankany amin'ny firenena andrefana; ary ireo soavaly sada fotsy dia mivoaka mankany amin'ny firenena atsimo."
\s5
\v 7 Ireo soavaly matanjaka ireo dia nivoaka ary nitady handeha sy hirenireny eny amin'ny tany, ka hoy ilay anjely hoe: "Mandehana mirenireny eny amin'ny tany!" ary nandeha nirenireny eran'ny tany rehetra izy ireo.
\v 8 Dia nitaraina tamiko izy ka niresaka tamiko ary nanao hoe: "Jereo ireo izay mivoaka ho any amin'ny firenena avaratra; hampitony ny fanahiko mahakasika ny firenena avaratra izy ireo."
\s5
\v 9 Ary tonga tamiko ny tenin'i Yaveh, manao hoe:
\v 10 "Makà fanatitra amin'ireo tany an-tsesitany—avy any Helday, Tobia, ary Jedaia—ary mandehana amin'izany andro izany ihany ary alaivo ao an-tranon'i Josia zanak'i Zefania, izay avy tany Babylona izany.
\v 11 Dia alaivo ny volafotsy sy volamena, manaova satro-boninahitra ary apetraho eo amin'ny lohan'i Josoa zanaka lahin'i Jozadaka, ilay mpisoronabe izany.
\s5
\v 12 Miresaha aminy ary lazao hoe: 'Izao no lazain'i Yaveh tompon'ny maro: Ity lehilahy ity, ny anarany dia Rantsana! Hitombo eo amin'ny misy azy izy sady hanorina ny tempolin'i Yaveh!
\v 13 Izy no hanorina ny tempolin'i Yaveh ary hanangana avo ny famirapiratan' izany; dia hipetraka sy hanapaka eo amin'ny seza fiandrianany izy. Ho mpisorona eo amin'ny seza fiandrianany izy ary hisy ny fahazavan-tsain'ny fiadanana eo amin'izy roa.
\s5
\v 14 Hapetraka eo amin'ny tempolin'i Yaveh ny satro-boninahitra hanomezam-boninahitra an'i Helema, Tobia, sy Jedaia ary ho fahatsiarovana ny hatsaram-panahin'ny zanaka lahin'i Zefania.
\v 15 Ary ireo izay lavitra dia ho tonga sy hanorina ny tempolin'i Yaveh, ka ho fantatrao fa Yaveh tompon'ny maro no naniraka ahy ho aminareo; fa hitranga izany raha tena mihaino ny feon'i Yaveh Andriamanitrareo ianareo!"'
\s5
\c 7
\p
\v 1 Tamin'i Dariosa mpanjaka no mpanapaka nandritry ny efa-taona, tamin'ny andro fahefatra nanjakan'i Kisleva (izay volana fahasivy), dia tonga tamin'i Zakaria ny tenin'i Yaveh.
\v 2 Nandefa an'i Serezera sy Regema-meleka ary ireo olony ny vahoakan'i Betela mba hiangavy anoloan'ny tavan'i Yaveh.
\v 3 Niresaka tamin'ireo mpisorona izay tao an-tranon'i Yaveh tompon'ny maro sy tamin'ireo mpaminany izy ireo; hoy izy ireo hoe: "Tokony hisaona amin'ny alalan'ny fifadian-kanina ve aho amin'ny volana fahadimy, tahaka izay efa nataoko taona maro ireny?"
\s5
\v 4 Dia tonga tamiko ny tenin'i Yaveh tompon'ny maro, nanao hoe:
\v 5 "Mitenena amin'ny mponin'ny tany rehetra sy amin'ireo mpisorona ka ataovy hoe: 'Raha nifady hanina sy nisaona tamin'ny volana fahadimy sy fahafito ianareo nandritr'izay fito taona izay, moa ve nifady hanina ho Ahy marina ianareo?
\v 6 Raha nihinana sy nisotro ianareo, moa ve tsy nisotro sy nihinana ho an'ny tenanareo ianareo?
\v 7 Moa ve tsy ireo teny ireo ihany no nambaran'i Yaveh tamin'ny vavan'ireo mpaminany taloha, raha mbola nonina tao Jerosalema sy ireo tanàna nanodidina tamin'ny fanambinana ary nitoetra tao Negeva, sy ireo lemaka amoron-tsiraka any andrefana ianareo?"'
\s5
\v 8 Tonga tamin'i Zakaria ny tenin'i Yaveh, nanao hoe:
\v 9 "Izao no lazain'i Yaveh tompon'ny maro: 'Mitsarà amin'ny fitsarana marina, fanekena mahatoky, ary famindram-po. Aoka ny olona tsirairay hanao izany amin'ny rahalahiny.
\v 10 Ny amin'ny mpitondratena sy kamboty, ny vahiny, ary ny olona mahantra—aza mampahory azy ireo, ary aoka tsy hisy aminareo hitetika hanisy ratsy ny hafa ao am-ponareo.'
\s5
\v 11 Nefa nandà ny hihaino izy ireo ary nanamafy ny sorok'izy ireo. Nanakatona ny sofiny izy ireo mba tsy handre.
\v 12 Nanamafy ny fony tahaka ny vato izy ireo mba tsy handre ny lalàna na ireo tenin'i Yaveh tompon'ny maro. Nandefa ireo hafatra ireo ho an'ny vahoaka tamin'ny alalan'ny Fanahiny tamin'ny fotoana taloha, tamin'ny alalan'ny vavan'ireo mpaminany Izy. Nefa nandà ny hihaino ny vahoaka, ka tezitra mafy tamin'izy ireo Yaveh tompon'ny maro.
\s5
\v 13 Ary rehefa niantso Izy, dia tsy nihaino izy ireo. Tahaka izany ihany," hoy Yaveh tompon'ny maro, "no hiantsoan'izy ireo mafy Ahy, fa tsy hihaino Aho.
\v 14 Fa haeliko amin'ny tadio any amin'ireo firenena rehetra izay tsy mbola hitany izy ireo, ary ho lao manaraka azy ireo ny tany. Fa tsy misy olona handalo amin'ny tany na hiverina ao amin'izany satria efa namadika ny tanin'izy ireo mahafinaritra ho tany ngazana ny vahoaka."
\s5
\c 8
\p
\v 1 Tonga tamiko ny tenin'i Yaveh tompon'ny maro, nanao hoe:
\v 2 "Izao no lazain'i Yaveh tompon'ny maro: Tia fatratra an'i Ziona amin'ny zotom-po lehibe Aho ary saropiaro nohon'ny aminy amin'ny hatezerana lehibe Aho!
\v 3 Izao no lazain'i Yaveh tompon'ny maro: hiverina any Ziona Aho ary hitoetra ao afovoan'i Jerosalema, fa efa nantsoina hoe ilay Tanànan'ny Fahamarinana i Jerosalema ary ny tendrombohitr'i Yaveh tompon'ny maro dia ho antsoina hoe Ilay Tendrombohitra Masina!
\s5
\v 4 Izao no lazain'i Yaveh tompon'ny maro: Lahy antitra sy vavy antitra indray no ho eny an-dalam-ben'i Jerosalema, ary ny olona tsirairay hila tehana ho eny an-tanany satria efa niha-antitra izy.
\v 5 Ho feno tovolahy sy tovovavy milalao eny amin'ireo lalam-ben'ny tanàna.
\s5
\v 6 Izao no lazain'i Yaveh tompon'ny maro: Amin'izany andro izany raha misy zavatra tsy hay atao eo imason'ireo vahoaka sisa tavela, dia tokony tsy ho hay atao eo imasoko koa ve izany? —izany no fanambaran'i Yaveh.
\v 7 Izao no lazain'i Yaveh tompon'ny maro: Indro, eo an-dalam-panavotana ny oloko amin'ny tany fiposahan'ny masoandro Aho ary eo amin'ny tany filentehan'ny masoandro!
\v 8 Fa hitondra azy ireo hiverina Aho, ary honina ao afovoan'i Jerosalema izy ireo, mba ho vahoakako indray izy ireo, ary ho Andriamanitr'izy ireo amin'ny marina sy amin'ny fahamarinana Aho!
\s5
\v 9 Izao no lazain'i Yaveh tompon'ny maro: Ianao izay manohy mihaino ireo teny mitovy izay nivoaka avy tamin'ny vavan'ny mpaminany rehefa napetraka ny fototry ny tranoko—ity tranoko ity, Yaveh tompon'ny maro: Atanjaho ireo tananao mba ho voatsangana ny tempol.
\v 10 Fa talohan'izany andro izany dia tsy nisy vokatra voaangon'ny olona, tsy nisy tombony na ho an'ny olona na ho an'ny biby, ary tsy nisy fiadanana ho an'izay olona mivoaka na miditra avy tamin'ireo fahavalo. Efa nametraka ny olona tsirairay hanohitra ny namany Aho.
\s5
\v 11 Fa ankehitriny izany dia tsy ho toy ny tamin'ny andro fahiny, homba ny sisan'ity vahoaka ity Aho— izany no fanambaran'i Yaveh tompon'ny maro.
\v 12 Fa hafafy ny voan'ny fiadanana; dia hanome ny voany ny hazo voaloboka ary ny tany hanome ny vokam-pamboleny; hanome ny andony ny lanitra, fa hampandovaiko izany zavatra rehetra izany ny sisa amin'ity vahoaka ity.
\s5
\v 13 Ohatra ho an'ireo firenen'ny ozona hafa ianareo, ry taranak'i Joda sy taranak'Israely. Koa dia hamonjy anareo Aho ary ho fitahiana ianareo. Aza matahotra; aoka hatanjaka ny tananareo!
\v 14 Fa izao no lazain'i Yaveh tompon'ny maro: tahaka ny nanomanako hanao ratsy aminareo rehefa nampatezitra Ahy ireo razambenareo—hoy Yaveh tompon'ny maro—ary tsy nilefitra Aho,
\v 15 no hanomanako hanao zavatra tsara indray ho an'i Jerosalema sy ny taranak'i Joda ihany koa amin'izany andro izany! Aza matahotra!
\s5
\v 16 Ireto no zavatra izay tsy maintsy hataonareo: Milazà ny marina, ny olona tsirairay amin'ny namany. Mitsarà amin'ny marina, rariny, ary fiadanana eo amin'ny vavahadinareo.
\v 17 Aza manao fikasan-dratsy ao am-ponareo amin'ny hafa, ary aza mitia fianianan-diso—satria mankahala ireo zavatra ireo Aho! —izany no fanambaran'i Yaveh."
\s5
\v 18 Dia tonga tamiko ny tenin'i Yaveh tompon'ny maro, manao hoe:
\v 19 "Izao no lazain'i Yaveh tompon'ny maro: Ny fifadian-kanina amin'ny volana fahefatra, volana fahadimy, volana fahafito, ary ny volana fahafolo dia ho lasa fotoanan'ny fifaliana, firavoravoana, ary fotoana mahafinaritra ho an'ny tarakan'i Joda! Noho izany tiavo ny fahamarinana sy ny fiadanana!
\s5
\v 20 Izao no lazain'i Yaveh tompon'ny maro: Ho tonga indray ny vahoaka, na dia ireo izay monina amin'ireo tanàna maro samihafa aza.
\v 21 Handeha ho any amin'ny tanàna hafa ny mponin'ny tanàna iray ka hanao hoe: "Aoka handeha faingana eo anoloan'i Yaveh isika ka hitady an'i Yaveh tompon'ny maro! Handeha ihany koa isika.
\v 22 Vahoaka maro sy firenena mahery maro no ho tonga hitady an'i Yaveh tompon'ny maro any Jerosalema ary hiangavy ny fankasitrahan'i Yaveh!
\s5
\v 23 Izao no lazain'i Yaveh tompon'ny maro: Amin'izany andro izany dia lehilahy folo avy amin'ny fiteny sy firenena rehetra no hiazona ny sisin'ny akanjonao ary hiteny hoe: 'Aoka hiaraka aminao izahay, fa efa renay fa momba anao Andriamanitra!'"
\s5
\c 9
\p
\v 1 Izao no fanambaran'ny tenin'i Yaveh mahakasika ny tanin'i Hadraka sy Damaskosy. Fa ny mason'i Yaveh dia amin'ny olombelona rehetra, ary koa amin'ny fokon'Israely rehetra.
\v 2 Ity fanambarana ity ihany koa dia mahakasika an'i Hamata, izay mifanolotra amin'i Damaskosy, ary mahakasika an'i Tyro sy Sidona izany, na dia tena hendry aza izy ireo.
\s5
\v 3 Efa nanorina fiarovana mafy ho an'ny tenany i Tyro ary nanangona volafotsy tahaka ny vovoka sy volamena voadio tahaka ny fotaka eny an-dalana.
\v 4 Indro! hanafoana azy Andriamanitra ary hanimba ny tanjany an-dranomasina, mba ho levon'ny afo izy.
\s5
\v 5 Hahita i Askelona ka hatahotra! Hangovitra mafy ihany koa i Gaza! Ekrona, ho foana ny fanantenany! Ho faty any Gaza ny mpanjaka, ary i Askelona dia tsy hisy mponina intsony!
\v 6 Hanao ny tranony ao Asdoda ireo vahiny, ary hanafoana ny fireharehan'ireo Filistina Aho.
\v 7 Fa hanala ny ràn'izy ireo avy eo amin'ny vavany Aho ary ny fahavetavetan'izy ireo eo anelanelan'ny nifiny. Ary dia ho lasa sisa ho an'ny Andriamanitsika tahaka ny foko any Joda izy ireo, ary Ekrona dia ho lasa tahaka ireo Jebosita.
\s5
\v 8 Hitoby manodidina ny taniko Aho mba hanohitra ireo miaramilan'ny fahavalo ka tsy hisy na iray aza afaka mandroso na miverina, fa tsy hisy mpampahory handalo eo amin'izany intsony. Fa ankehitriny dia hiambina ny taniko amin'ny masoko Aho!
\s5
\v 9 Mihobia amin'ny fifaliam-be, ry zanaka vavin'i Ziona! Mihobia am-pifaliana, ry zanaka vavin'i Jerosalema! Indro! Tonga amim-pahamarinana aminao ny mpanjaka ary manavotra anao. Manetry tena izy ka mitaingina eo amin'ny boriky, eo ambony zana-boriky.
\v 10 Ary ho foanako ny kalesy avy any Efraima sy ny soavaly avy any Jerosalema, ary ny tsipìka dia ho foanana amin'ny ady; fa hilaza fiadanana amin'ireo firenena izy, ary ny fanapahany dia ho avy amin'ny ranomasina ka hatramin'ny ranomasina, ary hatramin'ny Ony ka hatramin'ny faravazan-tany!
\s5
\v 11 Raha ny aminareo, nohon'ny ràn'ny fanekeko ao aminareo, dia hafahako avy ao an-davaka izay tsy misy rano ireo gadranareo.
\v 12 Miverena any amin'ny fiarovana mafy, ry gadran'ny fanantenana! Eny na dia anio aza dia manambara Aho fa hanonitra avo roa heny aminareo,
\v 13 fa efa nanenjana an'i Joda ho tsipìkako Aho. Efa namahana ny zana-tsipìkako tamin'ny Efraima Aho. Efa nanaitra ireo zanakareo lahy Aho, ry Ziona, hanohitra ireo zanakareo lahy, ry Grisia, ary efa nanao anareo tahaka ny sabatry ny mpiady Aho, ry Ziona!
\s5
\v 14 Hiseho amin'izy ireo i Yaveh, ary hitifitra tahaka ny tselatra ny tsipìkany! Fa Yaveh Tompoko hitsoka trompetra ary handroso avy amin'ny tafio-drivotra avy any Temana.
\v 15 Yaveh tompon'ny maro no hiaro azy ireo, ary handevona azy ireo sy handresy ny vaton'antsamotadiny ireo. Ary dia hisotro izy ireo ary hidradradradra tahaka ny olona mamon'ny divay, ary ho feno divay tahaka ireo lovia izy ireo, tahaka ireo zoron'ny alitara.
\s5
\v 16 Koa amin'izany andro izany dia hamonjy azy ireo i Yaveh Andriamaniny; dia ho tahaka ny ondrin'ny vahoakany izy ireo, fa izy ireo no ho firavaky ny satro-boninahitra, hisandratra eo amin'ny taniny.
\v 17 Fa akory ny hasoany sy hatsaran-tarehin'izy ireo! Haniry eo amin'ny vary ny tovolahy ary ny virijiny eo amin'ny voaloboka mamy!
\s5
\c 10
\p
\v 1 Mangataha orana amin'i Yaveh amin'ny vanim-potoan'ny oran-dohataona—Yaveh izay manao kotrokorana—ary manome orana mivatravatra ho an'ny olon-drehetra sy ny zava-maitso eny an-tsaha.
\v 2 Fa ireo sampy ao an-tokatrano dia miteny lainga; ny mpisikidy manao sary an-tsaina lainga; miteny nofy fitaka izy ireo ary manome fampiononana foana, ka mirenireny toy ny ondry ary mijaly nohon'ny tsy fisian'ny mpiandry izy ireo.
\s5
\v 3 Ny hatezerako dia mirehitra amin'ireo mpiandry ondry; ireo osilahy— mpitarika—no ho faiziko. Yaveh tompon'ny maro ihany koa dia hanatrika ireo ondriny, dia ny taranak'i Joda, ary hanao azy ireo toy ny soavaly fentiny any amin'ny ady!
\s5
\v 4 Avy amin'izy ireo no hiavian'ny vato fehizoro; avy amin'izy ireo no hiavian'ny fihantonan-javatry ny lay; avy amin'izy ireo no hiavian'ny tsipìka fiadiana; avy amin'izy ireo no hiavian'ny mpitarika rehetra hiaraka.
\f + \ft Fanamarihana: Maro amin'ny dikan-teny ankehitriny no mametraka ny hevitry ny "hiaraka" ao amin'ny fiatombohan'ny andinin-teny manaraka. \f*
\v 5 Ho toy ny mpiady izay manitsaka ny fahavalony eo amin'ny fotaky ny lalana amin'ny ady izy ireo; hiady izy ireo, satria Yaveh no momba azy ireo, ary hahamenatra ireo izay mitaingina soavalin'ady izy ireo.
\s5
\v 6 Hampahery ny taranak'i Joda Aho ary hamonjy ny taranak'i Josefa; fa hamerina azy ireo amin'ny laoniny Aho ka hamindra fo amin'izy ireo. Ho toy ny hoe tsy nolaviko izy ireo, satria Izaho no Yaveh Andriamanitr'izy ireo, ary hamaly azy ireo Aho.
\v 7 Dia ho toy ny mpiady i Efraima, ary hifaly toy ny azon'ny divay ny fon'izy ireo; hahita izany ireo zanany ka hifaly. Hifaly Amiko ny fon'izy ireo!
\s5
\v 8 Hisioka ho azy ireo Aho ary hanangona azy ireo, satria hamonjy azy ireo Aho, ary ho tonga lehibe tahaka ny teo aloha izy ireo!
\v 9 Namafy azy ireo teny amin'ireo olona Aho, nefa hahatsiaro Ahy any amin'ireo firenena lavitra izy ireo, ka ho velona sy hiverina izy ireo sy ny zanany.
\v 10 Fa hampody azy ireo avy any amin'ny tany Egypta Aho ary hanangona azy ireo avy any Asyria. Hitondra azy ireo any amin'ny tanin'ny Gileada sy Libanona Aho mandra-paha tsy hisy efitrano ho azy ireo intsony.
\s5
\v 11 Hamakivaky ny ranomasim-pahorian'izy ireo Aho; hamely ireo onjan'izany ranomasina izany Aho ary hanamaina ny lalin'i Neily rehetra. Hahetry ny voninahitr'i Asyria, ary ny tehim-panjakan'i Egypta hiala amin'ireo Egyptiana.
\v 12 Hanamafy orina azy ireo amiko Aho, ary handeha amin'ny anarako izy ireo—izany no fanambaran'i Yaveh.
\s5
\c 11
\p
\v 1 Vohay ny varavaranao, ry Libanona, mba handevonan'ny afo ny sederanao!
\v 2 Misaonà, ry hazo kypreso, fa efa nianjera ny hazo sedera! Ireo avo dia efa nofongorana! Misaonà, ianareo ry hazo terebintan'i Basana, fa efa ripaka ny ala mikitroka.
\v 3 Midradradradra ireo mpiandry ondry, fa efa rava ny voninahitr'izy ireo! Mierona ny feon'ny zanaky ny liona, fa efa rava ny reharehan'ny Ony Jordana!
\s5
\v 4 Fa izao no lazain'i Yaveh Andriamanitro: "Tahaka ny mpiandry ondry, miambina ny ondry izay ho vonoina!
\v 5 (mamono azy ireo ilay mividy azy ary tsy voasazy, ary ilay mivarotra azy ireo manao hoe: 'Isaorana anie Yaveh! Efa tonga mpanan-karena aho!' fa ireo mpiandry miasa ho an'ireo tompon'ondry dia tsy niantra azy ireo.)
\v 6 Fa tsy hiantra ny mponin'ny tany intsony Aho! —izany no fanambaran'i Yaveh. Indro! Ny tenako mihitsy no hamerina ny olona rehetra eo an-tanan'ny namany sy eo an-tanan'ny mpanjakany, ary handrava ny tany izy ireo ary tsy hisy na iray amin'izy ireo aza hafahako eo an-tanan'izy ireo."
\s5
\v 7 Koa dia lasa mpiandry ny ondry voalahatra ho vonoina Aho, ho an'ireo izay nitondra ny ondry. Nandray tehina roa Aho; ny tehina iray nantsoiko hoe "Fahasoavana" ary ilay hafa nantsoiko hoe "Fikambanana". Tamin'izany fomba izany no niandrasako ny ondry.
\v 8 Mpiandry ondry telo no novonoiko tao anatin'ny iray volana, satria tsy naharitra tamin'izy ireo aho, ary nankahala ahy rahateo izy ireo.
\v 9 Dia hoy aho tamin'ny tompon'ondry hoe: "Tsy hiasa ho mpiandry ondrinao intsony aho. Ny ondry izay maty—dia aleo ho faty, ny ondry izay ringana—dia aleo ho ringana. Aoka ny ondry izay sisa tavela samy hihinana ny nofon'ny namany."
\s5
\v 10 Dia noraisiko ny tehiko "Fahasoavana" ary nosimbaiko izany mba hanafoanako ny fanekena izay efa nataoko tamin'ireo fokoko rehetra.
\v 11 Tamin'izany andro izany dia rava ilay fanekena, ka ireo izay nitondra ny ondry sy nijery Ahy dia nahafantatra fa niteny Yaveh.
\v 12 Dia hoy aho tamin'izy ireo hoe: "Raha toa ka tsara aminareo izany, dia aloavy ny karamako. Fa raha tsy izany, dia aoka ihany." Ka dia nolanjain'izy ireo ny karamako—sekely volafotsy telopolo.
\s5
\v 13 Ary hoy Yaveh tamiko hoe: "Apetraho ao amin'ny fitoeran-drakitra ny volafotsy, ny sanda tsara indrindra izay nanombanan'izy ireo anao!" Ka dia nalaiko ny sekely volafotsy telopolo ary napetrako tao amin'ny fitoeran-drakotra tao an-tranon'i Yaveh.
\v 14 Avy eo nopotehiko ny tehiko faharoa, "Fikambanana," mba hamotehana ny firahalahian'i Joda sy Israely.
\s5
\v 15 Hoy Yaveh tamiko hoe: "Alaivo ho an'ny tenanao indray ny fitaovan'ny mpiandry ondry adala,
\v 16 fa indro, hametraka mpiandry ondry eo amin'ny tany Aho. Tsy hiraharaha ny ondry maty izy. Tsy hitady ny ondry very izy, na koa hanasitrana ny mandringa. Tsy hamahana ny ondry izay salama izy, fa hihinana ny nofon'ny ondry matavy ary hamiravira ny kitron'ireo.
\s5
\v 17 Loza ho an'ny mpiandry ondry tsy mendrika izay mahafoy ny ondry! Hamely ny sandriny sy ny masony an-kavanana anie ny sabatra! Halazo anie ny sandriny ary ho jamba ny masony ankavanana!"
\s5
\c 12
\p
\v 1 Ity dia fanambarana ny tenin'i Yaveh mahakasika an'Israely—fanambaran'i Yaveh, izay nanandratra ireo habakabaka sy nametraka ny fototry ny tany, izay mamolavola ny fanahin'olombelona ao anatin'ny olona hoe:
\v 2 "Indro, eo an-dalam-panaovana an'i Jerosalema anaty kapoaka Aho hahatonga ireo vahoaka rehetra manodidina azy hivembena. Dia ho tahaka izany ihany koa ny an'i Joda mandritry ny fahirano an'i Jerosalema.
\v 3 Amin'izany andro izany, hataoko ho vato mavesatra ho an'ny olon-drehetra i Jerosalema. Izay manandrana ny hanainga izany vato izany dia handratra mafy ny tenany, ka hitambatra hanohitra izany tanàna izany ireo firenen'ny tany rehetra.
\s5
\v 4 Amin'izany andro izany—izany no fanambaran'i Yaveh—hamely ny soavaly tsirairay amin'ny horohoro Aho ary ny mpitaingina azy amin'ny fahaverezan-tsaina. Hijery am-pankasitrahana ny taranak'i Joda Aho ary hamely ny soavalin'ireo tafika amin'ny fahajambana.
\v 5 Avy eo ireo mpitarik'i Joda hiteny anakampo hoe: 'Ireo mponin'i Jerosalema no tanjatsika noho i Yaveh tompon'ny maro, Andriamanitr'izy ireo.'
\s5
\v 6 Amin'izany andro izany dia hataoko tahaka ny fatana mirehitra eny amin'ny hazo ary tahaka ny fanilo eny amin'ny amboara ireo mpitarika ny Jod, fa izy ireo no handevona ireo firenena rehetra manodidina eo ankavanany sy eo ankaviany. Hitoetra eo amin'ny toerany indray i Jerosalema."
\s5
\v 7 Hamonjy ireo lain'i Joda i Yaveh, mba tsy ho lehibe noho ny sisa tavela amin'i Joda ny voninahitry ny taranak'i Davida sy ny voninahitr'ireo izay monina ao Jerosalema.
\v 8 Amin'izany andro izany dia ho mpiaro ireo mponin'i Jerosalema i Yaveh, ary amin'izany andro izany ireo izay ketraka amin'izy ireo dia ho tahaka an'i Davida, ary ny taranak'i Davida dia ho tahaka an'Andriamanitra, tahaka ny anjelin'i Yaveh eo anoloan'izy ireo.
\v 9 "Amin'izany andro izany dia hanomboka handringana ireo firenena rehetra izay tonga hanohitra an'i Jerosalema Aho.
\s5
\v 10 Nefa handraraka ny fanahin'ny fangoraham-po sy fitarainana amin'ny taranak'i Davida sy ireo mponin'i Jerosalema Aho, mba hitodihan'izy ireo Amiko, ilay Iray izay nolefonin'izy ireo. Hisaona nohon'ny Amiko, tahaka ny olona misaona nohon'ny amin'ny zanany lahy tokana izy ireo; hisaona ho Azy tahaka ireo izay misaona nohon'ny fahafatesan'ny voalohan-janaka izy ireo.
\v 11 Amin'izany andro izany ny fisaonana ao Jerosalema dia ho tahaka ny fisaonana tao Hadadrimona eo amin'ny lemak'i Megido.
\s5
\v 12 Hisaona ny tany, ny fianakaviambe tsirairay hitokana amin'ireo fianakaviambe hafa. Ny fianakaviamben'ny taranak'i Davida hitokana ary ireo vadin'izy ireo hitokana amin'ireo lehilahy. Ny fianakaviamben'ny taranak'i Natana hitokana ary ireo vadin'izy ireo hitokana amin'ireo lehilahy.
\v 13 Ny fianakaviamben'ny taranak'i Levy hitokana ary ireo vadin'izy ireo hitokana amin'ireo lehilahy. Ny fianakaviamben'ireo Simeita hitokana ary ny vadin'izy ireo hitokana amin'ireo lehilahy.
\v 14 Ny fianakaviambe tsirairay amin'ireo fianakaviambe tafajanona—ny fianakaviana tsirairay dia samy hitsitokatokana ary ny vadin'izy ireo hitokana amin'ireo lehilahy."
\s5
\c 13
\p
\v 1 "Amin'izany andro izany dia hisy loharano hisokatra ho an'ny ankohonan'i Davida sy ireo mponin'i Jerosalema, nohon'ny fahotan'izy ireo sy ny tsy fahadiovan'izy ireo.
\v 2 Amin'izany andro izany—izany no fanambaran'i Yaveh tompon'ny maro—no hanafoanako ny anaran'ireo sampy amin'ny tany mba tsy ho tsaroana intsony izy ireo. Hampivoaka ireo mpaminany tsy marina sy ny fanahy maloton'izy ireo amin'ny tany ihany koa Aho.
\s5
\v 3 Raha misy olona manohy maminany, dia hiteny aminy ny rainy sy ny reniny izay niteraka azy hoe: 'Tsy ho velona ianao, satria miteny lainga amin'ny anaran'i Yaveh!' Avy eo ny ray sy ny reny izay niteraka azy handefona azy rehefa maminany izy.
\s5
\v 4 Amin'izany andro izany ny mpaminany tsirairay dia ho menatra amin'ny fahitany rehefa eo am-paminaniana izy. Ireo mpaminany ireo dia tsy hanao lamba voloina, mba hamitahana ny olona intsony.
\v 5 Fa ny tsirairay hiteny hoe: 'Tsy mpaminany aho! Lehilahy miasa tany aho, satria ny tany no lasa asako raha mbola tovolahy aho!'
\v 6 Fa hisy olona iray hiteny aminy hoe: 'Inona ireo ratra eo anelanelan'ireo sandrinao ireo?' ary hamaly izy hoe: 'Naratra niaraka tamin'ireo izay tao amin'ny tranon'ireo namako aho."'
\s5
\v 7 "Ry sabatra! Asandrato amin'ny mpiandry ondriko, ilay lehilahy izay mitsangana eto akaikiko ny tenanao—izany no fanambaran'i Yaveh tompon'ny maro. Veleso ny mpiandry ondry, dia hiparitaka ireo ondry! Fa hamerina ny tanako hanohitra ireo madinika Aho.
\s5
\v 8 Ary manerana ny tany rehetra—izany no fanambaran'i Yaveh—dia hisy roa ampahatelon'izany hofoanana! Ho levona ireo olona ireo; iray ampahatelony ihany no hijanona any.
\v 9 Ho entiko amin'ny afo io ampahatelony io ary ho dioviko tahaka ny manadio volafotsy izy ireo; ho zahako tahaka ny volamena voazaha izy ireo. Hiantso ny anarako izy ireo, ka hamaly azy ireo Aho ary hanao hoe: 'Ity no oloko!' ary hiteny izy ireo hoe: 'Yaveh no Andriamanitro!""
\s5
\c 14
\p
\v 1 Indro! Ho tonga ny andron'i Yaveh rehefa hozaraina eo afovoanareo ny babonareo.
\v 2 Fa hangoniko hanohitra an'i Jerosalema amin'ny ady ny firenena rehetra ka ho voababo ny tanàna. Ireo trano dia ho voababo ary ny vehivavy ho voaholana. Ny antsasaky ny tanàna dia ho voababo, fa ny sisa tavela amin'ireo olona dia tsy ho esorina eo amin'ny tanàna.
\s5
\v 3 Fa i Yaveh dia hivoaka ary hiady amin'ireo firenena tahaka Azy rehefa miady amin'ny andron'ny ady.
\v 4 Amin'izany andro izany ny tongony dia hitsangana eo ambonin'ny Tendrombohitr'i Oliva, izay eo akaikin'i Jerosalema any atsinanana. Ny Tendrombohitr'i Oliva dia hitresaka roa ary ho sarahan'ny lohasaha lehibe ary ny antsasaky ny tendrombohitra dia hiverina manoloana ny avaratra ary ny antsasany manoloana ny atsimo.
\s5
\v 5 Avy eo ianao handositra hidina ny lohasaha eo anelanelan'ireo tendrombohitr'i Yaveh, fa ny lohasaha eo anelanelan'ireo tendrombohitra dia hipaka hatrany Azela. Handositra tahaka ny nandosiranao tamin'ny horohoron-tany tamin'ireo andron'i Ozia, mpanjakan'i Joda ianao. Dia ho tonga i Yaveh Andriamanitro ary hiaraka Aminy avokoa ireo olomasina rehetra.
\s5
\v 6 Amin'izany andro izany dia tsy hisy hazavana, fa tsy hisy na hatsiaka na fanala.
\v 7 Amin'izany andro izany, andro izay Yaveh irery ihany no mahafantatra, dia tsy hisy andro na alina intsony, fa ny hariva dia ho lasa fotoan'ny hazavana.
\v 8 Amin'izany andro izany ny rano velona dia hikoriana hivoaka an'i Jerosalema. Ny antsasak'ireo dia hikoriana amin'ny ranomasina atsinanana ary ny antsasany amin'ny ranomasina andrefana, amin'ny fahavaratra sy amin'ny ririnina.
\s5
\v 9 Ho mpanjaka amin'ny tany rehetra i Yaveh. Amin'izany andro izany dia hisy Yaveh, Ilay Andriamanitra tokana, ary ny anarany irery ihany.
\v 10 Ny tany rehetra dia ho tahaka an'i Araba, manomboka ao Geba ka hatrany Rimona atsimon'i Jerosalema. Ho hasandatra hatrany i Jerosalema ary hipetraka amin'ny toerany manokana, hatrany amin'ny Vavahadin'i Benjamina ka hatrany amin'ny toerana izay nisy ny vavahady voalohany, hatrany amin'ny Vavahady an-jorony, ary hatrany amin'ny Tilikambon'i Hananela ka hatrany amin'ireo famiazam-boaloboky ny mpanjaka.
\v 11 Ny vahoaka dia hipetraka any Jerosalema ary tsy hisy faharavana tanteraka avy amin'Andriamanitra hanohitra azy ireo intsony. Hiaina tsy amin'ahiahy i Jerosalema.
\s5
\v 12 Izao no ho loza izay hamelezan'i Yaveh an'ireo vahoaka rehetra niady nanohitra an'i Jerosalema: ny nofon'izy ireo dia ho lo na dia mitsangana amin'ny tongony aza izy ireo. Ny mason'izy ireo dia ho lo ao amin'ny faladian'izy ireo ary ny lelan'izy ireo ho lo ao am-bavan'izy ireo.
\v 13 Amin'izany andro izany ny tahotra lehibe avy amin'i Yaveh dia ho tonga amin'izy ireo. Ny tsirairay dia hihazona ny tanan'ny hafa, ary ny tanan'ny iray dia hisandratra hamely ny tanan'ny iray hafa.
\s5
\v 14 Joda ihany koa dia hiady hanohitra an'i Jerosalema. Hanangona ny haren'ireo firenena manodidina rehetra izy ireo—volamena, volafotsy, ary fitafiana tsara maro be.
\v 15 Ny loza ihany koa dia ho amin'ireo soavaly sy ireo ampondra, ireo rameva sy ireo boriky, ary ireo biby rehetra ao amin'ireo toby ireo ihany koa dia hijaly amin'izany loza izany ihany.
\s5
\v 16 Ary izao no hiseho, izay rehetra tavela ao amin'ireo firenena izay tonga manohitra an'i Jerosalema dia hiakatra isan-taona kosa mba hidera ny mpanjaka, dia i Yaveh tompon'ny maro, ary hitandrina ny Firavoravoan'ny Fialofana.
\v 17 Raha tsy mandeha miakatra ho any Jerosalema mba hidera an'ilay mpanjaka, dia i Yaveh tompon'ny maro, ny olona avy amin'ireo firenena rehetran'ny tany, dia tsy hitondra orana amin'izy ireo i Yaveh.
\v 18 Raha tsy miakatra ny firenen'i Egypta, dia tsy hahazo orana izy ireo. Hisy areti-mandringana avy amin'i Yaveh izay hamely ireo firenena izay tsy hiakatra mba hitàna ny Firavoravoan'ny Fialofana.
\s5
\v 19 Izany no ho famaizana ho an'i Egypta ary famaizana ho an'ny firenena rehetra izay tsy miakatra mba hitàna ny Firavoravoan'ny Fialofana.
\s5
\v 20 Fa amin'izany andro izany, ny lakolosin'ireo soavaly dia hiteny hoe: "Atokany ho an'i Yaveh," ary ireo koveta ao amin'ny tranon'i Yaveh dia ho tahaka ny lovia boribory eo anatrehan'ny alitara.
\v 21 Fa ny vilany tanimanga rehetra ao Jerosalema sy Joda dia ho atokana ho an'i Yaveh tompon'ny maro ary izay rehetra mitondra sorona dia hihinana amin'ireo ary hampangotraka ao anatin'ireo. Amin'izany andro izany ireo mpivarotra dia tsy ho ao an-tranon'i Yaveh tompon'ny maro intsony.