plt_ulb/34-NAM.usfm

111 lines
8.3 KiB
Plaintext

\id NAM
\ide UTF-8
\h Nahoma
\toc1 Nahoma
\toc2 Nahoma
\toc3 nam
\mt Nahoma
\s5
\c 1
\p
\v 1 Ny fanambarana mahakasika an'i Ninive. Ny bokin'ny fahitan'i Nahoma, ilay Elkosita.
\s5
\v 2 Andriamanitra saro-piaro sy mamaly faty Yaveh. Mamaly faty sy feno fahatezerana Yaveh. Mamaly ratsy amin'ireo mpifanandrina aminy Yaveh, ary manohy ny fahatezerany ho an'ny fahavalony Izy.
\v 3 Mahari-po sy lehibe amin'ny heriny Yaveh; tsy hanambara ireo fahavalony ho tsy manan-tsiny velively Izy. Hanao ny lalany ao amin'ny tafio-drivotra Yaveh, ary ny rahona no vovoky ny tongony.
\s5
\v 4 Miteny mafy ny ranomasina Izy ka manamaina izany; mandritra ny renirano rehetra Izy. Ketraka i Basana, ary i Karmela ihany koa; malazo ireo voninkazon'i Libanona.
\v 5 Mihovitra amin'ny fanatrehany ireo tendrombohitra, ary mietry ireo havoana; mirodana amin'ny fanatrehany ny tany, eny tokoa, ny tany sy izay olona rehetra monina ao aminy.
\s5
\v 6 Iza no hahajoro eo anatrehan'ny fahatezerany? Iza no hahatohitra ny firehetan'ny hatezerany? Miraraka tahaka ny afo ny fahatezerany, novakivakiany ireo vatolampy.
\s5
\v 7 Tsara Yaveh, fiarovana mafy amin'ny andro fahoriana; ary mahatoky amin'izay mialoka aminy Izy.
\v 8 Fa hanapitra tanteraka ireo fahavalony amin'ny tondra-drano manafotra kosa Izy; hanenjika azy ireo any amin'ny haizina Izy.
\s5
\v 9 Mitetika inona anoherana an'i Yaveh ianareo ry vahoaka? Hamarana tanteraka izany Izy; tsy hisandratra fanindroany ny fahoriana.
\v 10 Fa ho raiki-tahotra tahaka ny kirihitra tsilo; ho safotry ny zava-pisotrony; ho levon'ny afo tanteraka tahaka ny mololo maina izy ireo.
\v 11 Nisandratra tao aminao, ry Ninive, ny olona izay nikasa zava-dratsy hanoherana an'i Yaveh, dia olona izay namporisika faharatsiana.
\s5
\v 12 Izao no lazain'i Yaveh: "Na dia ao amin'ny tanjany tanteraka ary maro isa aza izy ireo, dia ho ringana izy ireo; tsy hisy olony intsony. Fa ianao, ry Joda: Na dia nampahory anao aza Aho, dia tsy hampahory anao intsony Aho.
\v 13 Ary hanapaka ny ziogan'ireo olona ao aminao Aho; hanapaka ireo fatoranao Aho."
\s5
\v 14 Efa nanome baiko momba anao Yaveh, ry Ninive: "Tsy hisy intsony ny taranaka hitondra ny anaranao. Hamongotra ireo sarin-javatra voasokitra sy ireo sarin-javatra an-idina amin'ireo tranon'ireo andriamanitrao Aho. Hiady ireo fanasanao Aho, satria tsinontsinona ianao."
\s5
\v 15 Indro, eny an-tendrombohitra ny tongotry ny olona izay mitondra vaovao mahafaly, izay manambara fiadanana! Ankalazao ireo firavoravoanareo, ry Joda, ary efao ireo voadinareo, fa tsy handositra anareo intsony ny ratsy fanahy; ringana tanteraka izy.
\s5
\c 2
\p
\v 1 Miakatra hanohitra anao ilay hanorotoro anao ho singa maromaro. Mametraha mpiambina eo amin'ny mandan'ny tanàna, ambeno ireo lalana, atanjaho ny tenanareo, angony ireo tafikareo.
\v 2 Fa efa mamerina amin'ny laoniny ny voninahitr'i Jakoba tahaka ny voninahitr'Israely i Yaveh, na dia noravan'ny mpandroba aza izy ireo ary nopotehina ireo sampam-boalobony.
\s5
\v 3 Ny ampingan'ireo lehilahy mahery dia mena, ary ireo lehilahy be herim-po miakanjo jaky; manjelatra ny metalin'ireo kalesy amin'ny andro ary efa natao ho vonona izany, ary ny lefona kypreso dia mihevaheva eny amin'ny rivotra.
\v 4 Mirifatra eraky ny lalana ireo kalesy; mifanaretsaka etsy sy eroa eny amin'ny lalam-be izy ireo. Mitovy amin'ny fanilo izy ireo, ary mihazakazaka tahaka ny tselatra.
\s5
\v 5 Miantso ireo manam-pahefany ilay hanorotoro anao ho singa; mifamingana eny amin'ny lalany izy ireo; mandeha faingana izy ireo mba hanafika ny mandan'ny tanàna. Novononina ny fiarovana lehibe mba hiaro ireo mpanafika.
\s5
\v 6 Ireo vavahady eo amin'ny renirano dia noterena sokafana, ary mirodana ho amin'ny faharavana ny lapa.
\v 7 Nendahina ny akanjon'i Hozaba ary nalaina; mitoloko tahaka ny voromailala sady miteha-tratra ireo mpanompo vaviny.
\s5
\v 8 Tahaka ny ranom-parihy mitete i Ninive, ary mandositra toy ny rano mikoriana ny vahoakany. Ny hafa mihiaka hoe: "Mijanòna, mijanòna," nefa tsy misy mitodika.
\v 9 Alaivo babo ny volavotsy, alaivo babo ny volamena, fa tsy hisy fiafarany izany, ho an'ny famirapiratr'ireo zava-tsarobidin'i Ninive rehetra.
\v 10 Foana sy ravarava i Ninive. Ory ny fon'ny olona rehetra, niara-valaketraka ny lohaliky ny olona rehetra, ao amin'ny olona rehetra ny fahoriam-be; hatsatra avokoa ny endrik'izy ireo.
\s5
\v 11 Ankehitriny aiza ny lavaky ny liona, ilay toerana izay famahanana ny liona tanora, ilay toerana falehan'ny liona lahy sy vavy, miaraka amin'ireo zanaka liona, izay natahoran'izy ireo na inona na inona?
\v 12 Mamotipotika ireo hazany ho an'ny zanany ny liona; nanakenda ireo hazany ho an'ny liona vavy izy, ary nameno ny zohiny tamin'ireo haza, ny lavany amin'ny sisan-taolana voapotipotika.
\s5
\v 13 "Indro, hanohitra anao Aho—izany no fanambaran'i Yaveh Tompon'ny maro. Hodorako ao amin'ny setroka ireo kalesinao, ary handevona ireo liona tanoranao ny sabatra. Ho fongoriko amin'ny taninao ireo babonao, ary tsy ho re intsony ny feon'ireo mpitondra hafatrao."
\s5
\c 3
\p
\v 1 Loza ho an'ny tanàna feno rà! Feno lainga sy fananana halatra avokoa izany; ao aminy mandrakariva ireo babo.
\v 2 Fa ankehitriny dia misy feon'ny karavasy sy ny feon'ny firodorodon'ireo kodiarana, fikatrokatrok'ireo soavaly, ary ny firaondraon'ireo kalesy.
\s5
\v 3 Misy fanafihan'ireo mpitaingin-tsoavaly, tselatry ny sabatra, famirapiratry ny lefona, korotam-paty, faty mitandahatra. Tsy misy fiafarany ireo faty; voafingana eo ambonin'izy ireo ny mpanafika azy.
\v 4 Mitranga izany noho ny filàn'ny janga tsara tarehy, ilay matihanina amin'ny sikidy, izay mivarotra firenena amin'ny alalan'ny fivarotan-tenany, ary ny vahoaka amin'ny alalan'ny fanaovany sikidy.
\s5
\v 5 "Indro, hamely anao Aho—izany no fanambaran'i Yaveh Tompon'ny maro—hanainga ny lambanao eo amin'ny tavanao Aho ary hampiseho ireo faritra mamoafadinao amin'ireo firenena, ny henatrao amin'ireo fanjakana.
\v 6 Hanipy fahalotoana maharikoriko aminao Aho ary hanao anao ho ratsy; hataoko ho olona fijerijeren'ny olon-drehetra ianao.
\v 7 Ary ny olona rehetra izay mijery anao dia handositra anao ary hiteny hoe: "Rava i Ninive; iza no mba hitomany azy?" aiza no ahitako olona hankahery anao?"
\s5
\v 8 Ry Ninive, moa ve ianao tsara noho i Teba, izay naorina eo amin'ny Renirano Neily, izay nisy rano manodidina azy, ka ranomasimbe no arony, ny ranomasina ihany no mandany?
\v 9 Etiopia sy Egypta no tanjany, ary tsy nisy fiafarany ny amin'izany; Pota sy Lybia no mpiara-miady taminy.
\s5
\v 10 Kanefa nentina i Teba; lasa any amin'ny fahababoana izy; voatorotoro teny an-dohan'ny lalana ireo zanany tanora; nanipy filokana ho an'ireo lehilahy manam-boninahiny ireo fahavalony, ary voafatotra tamin'ireo rojo vy ireo lehilahiny mahery.
\v 11 Ho tonga mamo ihany koa ianao; hiezaka hiafina ianao, ary hitady fialofana amin'ireo fahavalonao ihany koa ianao.
\s5
\v 12 Ireo fiarovanao mafy dia ho tahaka ireo hazon'aviavy miaraka amin'ny aviavy masaka alohan'ny fotoana: raha ahozongozona izy ireo, dia hihintsana ao am-bavan'ny mpihinana.
\v 13 Indro, ny vahoaka ao aminao dia vehivavy; ireo vavahadin'ny taninao dia nosokafana midanadana ho an'ireo fahavalonao; nandevona ny hidiny ny afo.
\s5
\v 14 Mandehana matsaka rano ho amin'ny fahirano; hamafiso ireo fiarovanao mafinao; mandehana amin'ny tanimanga ary hosihoseo ny feta; alaivo ho an'ireo biriky ny tavy.
\v 15 Handevona anao any ny afo, ary handringana anao ny sabatra. Handevona anao tahaka ny fandevonan'ny valala ny zava-drehetra izany. Ataovy maro an'isa tahaka ireo valala vao ny tenanareo, dia ho maro tahaka ireo valala.
\s5
\v 16 Nampitombo ireo mpandrantonao mihoatra ny kintana eny amin'ny lanitra ianao; nefa tahaka ny valala vao izy ireny: mandroba ny tany izy ireo ka avy eo dia lasa manidina.
\v 17 Maro tahaka ireo valala ny andriandahinao, ary ny jeneralinao dia tahaka ny andian'izy ireo izay mitoby ao amin'ireo manda amin'ny andro mangatsiaka. Fa rehefa miposaka ny masoandro dia manidina any amin'ny toerana tsy fantatr'olona ireo.
\s5
\v 18 Ry Mpanjakan'i Asyria, resin-tory ireo mpiandry ondrinao; mandry amin'ny fitsaharany ireo mpanapakao. Niely eny an-tendrombohitra ny olonao, ary tsy misy na iza na iza hanangona azy ireo.
\v 19 Tsy hisy fanasitranana azo atao ho an'ireo ratranao. Mafy loatra ireo ratranao. Izay rehetra maheno ny vaovao mahakasika anao dia hiteha-pifaliana eo aminao. Iza no afa-nandositra ny faharatsianao mitandavana?