plt_ulb/32-JON.usfm

108 lines
8.4 KiB
Plaintext

\id JON
\ide UTF-8
\h Jona
\toc1 Jona
\toc2 Jona
\toc3 jon
\mt Jona
\s5
\c 1
\p
\v 1 Ary tonga teo amin'i Jona zanaka lahin'i Amitahy ny tenin'i Yaveh, manao hoe:
\v 2 "Mitsangàna ary mandehana any Ninive, izay tanàna tena lehibe, ary miresàha ny momba izany, satria efa niakatra teo anatrehako ny faharatsian'izy ireo."
\v 3 Fa nitsangana i Jona mba hitsoaka ny fanatrehan'i Yaveh ary nandeha tany Tarsisy. Nidina tany Jopa izy ary nahita sambo hiainga ho any Tarsisy. Koa dia naloany ny saran-dalana ary niakatra tao amin'ilay sambo niaraka tamin'izy ireo ho any Tarsisy izy, lavitry ny fanatrehan'Andriamanitra.
\s5
\v 4 Fa nandefasan'i Yaveh rivo-mahery teny amin'ny ranomasina ary dia lasa tafio-drivotra teny amin'ny ranomasina izany. Vetivety teo dia hita fa ho potika ilay sambo.
\v 5 Ary lasa natahotra mafy ireo tantsambo ka niantso mafy ny andriamaniny manokana. Natsipin'izy ireo tany an-dranomasina ny entana tao amin'ilay sambo mba hanamaivana izany. Fa Jona kosa nidina lalina tao amin'ilay sambo, ary nitsilany renoky ny torimaso tao.
\s5
\v 6 Ka nanatona azy ny kapitenin-tsambo ary niteny taminy hoe: "Nahoana ianao no matory? Mitsangàna! Antsoy ny andriamanitrao! Mety mba hahita antsika ny andriamanitrao ka tsy ho faty isika."
\v 7 Nifampiresaka izy rehetra nanao hoe: "Manatona, andao isika hanao ankitsapaka, mba hafahantsika mahafantatra hoe iza no anton'izao loza mitranga amintsika izao." Ka nataon'izy ireo ny ankitsapaka, ary nitontona teo amin'i Jona izany.
\s5
\v 8 Dia hoy izy ireo tamin'i Jona hoe: "Mba teneno anay re hoe iza no anton'izao loza mitranga amintsika izao. Inona no asanao, ary avy aiza ianao? Inona no firenenao, ary avy amin'ny vahoaka iza ianao?
\v 9 Hoy Jona tamin'izy ireo hoe: "Hebreo aho; ary matahotra an'i Yaveh, ilay Andriamanitry ny lanitra, izay nanao ny ranomasina sy ny tany maina."
\v 10 Ary vao mainka niha-natahotra ireo lehilahy ka niteny tamin'i Jona hoe: "Fa inona ity nataonao?" Fa fantatr'ireo lehilahy fa nitsoaka ny fanatrehan'i Yaveh izy, satria nolazainy tamin'izy ireo.
\s5
\v 11 Ary hoy izy ireo tamin'i Jona hoe: "Inona no tokony ho ataonay aminao mba hampilamina ny ranomasina ho anay?" Satria niha-nanonja mafy dia mafy ny ranomasina.
\v 12 Hoy i Jona tamin'izy ireo hoe: "Raiso aho ary atsipazo any anaty ranomasina. Ary hilamina ho anareo ny ranomasina, satria fantatro fa noho izaho no mahatonga izao tafio-drivotra izao hitranga aminareo."
\v 13 Na dia izany aza, dia namohy mafy ireo lehilahy mba hampiverina azy ireo eny an-tanety, saingy tsy afaka nanao izany izy ireo satria niha-nahery ny ranomasina nanohitra azy ireo.
\s5
\v 14 Noho izany dia niantso mafy an'i Yaveh izy ireo ary nanao hoe: "Mitalaho Aminao izahay, ry Yaveh, mitalaho Aminao izahay, aza avela ho faty nohon'ny ain'ity lehilahy ity izahay, ary aza melohina aminay ny fahafatesany, satria Ianao, Yaveh, dia efa nanao araka izay sitraky ny fonao."
\v 15 Koa dia noraisin'izy ireo i Jona ary natsipin'izy ireo tany anaty ranomasina, ary nijanona tsy nisafoaka ny ranomasina.
\v 16 Avy eo dia natahotra mafy an'i Yaveh ireo lehilahy. Nanolotra sorona ho an'i Yaveh izy ireo ary nanao voady.
\s5
\v 17 Ary efa nanomana trondro lehibe hitelina an'i Jona i Yaveh, ka nijanona tao anatin'ny vavonin'ilay trondro telo andro sy telo alina i Jona.
\s5
\c 2
\p
\v 1 Avy eo dia nivavaka tamin'i Yaveh Andriamaniny avy tao an-kibon'ilay hazandrano i Jona.
\v 2 Hoy izy hoe: "Niantso an'i Yaveh nanoloana ny fahoriako aho ka namaly ahy Izy; avy tany an-kibon'ny Fiainan-tsy hita no niantsoako vonjy! Dia renao ny feoko.
\s5
\v 3 Efa natsipinao tany amin'ny lalina aho, tany amin'ny farany lalin'ny ranomasina, ary nanodidina ahy ny herin-driaka; nanafotra ahy avokoa ny onja sy alon-dranonao.
\v 4 Hoy aho hoe: 'Voaroaka tsy ho eo anoloan'ny masonao aho; kanefa dia mbola hitodika hanatrika ny tempolinao masina.'
\s5
\v 5 Nihidy nanodidina ahy ka hatreny amin'ny vozoko ny rano; ary nanodidina ahy tokoa ny lalina; naningotra nanodidina ny lohako ny ahi-drano.
\v 6 Nidina tany am-pototr'ireo tendrombohitra aho; dia nikatona tamiko mandrakizay ny tany sy ny hidiny. Kanefa mbola nampiakatra ny aiko avy tao an-davaka Ianao, ry Yaveh, Andriamanitro!
\s5
\v 7 Raha reraka tato anatiko ny fanahiko, dia nahatsirao an'i Yaveh aho; dia tonga teo Aminao ny fivavako, tao amin'ny tempolinao masina.
\v 8 Ireo izay mihaino andriamanitra tsy misy dikany dia manary ny fahatokianao manoloana azy ireo.
\s5
\v 9 Fa raha ny amiko kosa, dia hanao sorona ho Anao amin'ny feo fanoloram-pisaorana aho; ho tanterahiko izay efa nivoadiako.
\v 10 Avy amin'i Yaveh ny famonjena!" Dia niteny tamin'ny hazandrano i Yaveh, ary naloany teny amin'ny tany maina i Jona.
\s5
\c 3
\p
\v 1 Ary tonga tamin'i Jona fanindroany indray ny tenin'i Yaveh nanao hoe:
\v 2 "Mitsangàna, mandehana mankany Ninive, ilay tanàna lehibe, ary torio aminy ny hafatra izay andidiako anao."
\v 3 Ary dia nitsangana Jona ka nankany Ninive tamin'ny fankatoavana ny tenin'i Yaveh. Ary Ninive dia tanàna lehibe tokoa, iray amin'ireo lalana hateloana.
\s5
\v 4 Nanomboka niditra ny tanàna i Jona ary taorian'ny lalana iray andro dia niantso mafy izy ary niteny hoe: "Horavana i Ninive ao anatin'ny efapolo andro."
\v 5 Nino an'Andriamanitra ny vahoaka tao Ninive ary niantso fifadian-kanina izy ireo. Nanao lamba fisaonana avokoa izy rehetra, hatramin'ny lehibe indrindra ka hatramin'ny kely indrindra amin'izy ireo.
\s5
\v 6 Tsy ela dia tonga teo amin'ny mpanjakan'i Ninive ilay vaovao. Dia nitsangana avy teo amin'ny seza fiandrianany izy, nanaisotra ny akanjom-boninahiny, ka nanarona ny tenany tamin'ny lamba fisaonana, ary nipetraka teo an-davenona.
\v 7 Nandefa fanambarana izy nilaza hoe: "Eto Ninive, amin'ny fahefan'ny mpanjaka sy ny olo-manan-kajany, aoka tsy hisy olona na biby, omby na ondry aman'osy, hanendry zavatra. Aoka tsy hihinana izy ireo, na hisotro rano.
\s5
\v 8 Fa aoka ny biby sy ny olona hisarona lamba fisaonana ary aoka izy ireo hitaraina mafy amin'Andriamanitra. Aoka ny tsirairay samy hiala amin'ny lalan-dratsiny sy amin'ny herisetra izay eo an-tanany.
\v 9 Iza no mahalala? Mety hanenina ihany Andriamanitra ka hiova hevitra ary hiala amin'ny fahavinirany ka tsy ho ringana isika."
\s5
\v 10 Hitan'Andriamanitra ny nataon'izy ireo, fa niala tamin'ny lalan-dratsiny izy ireo. Noho izany dia niova hevitra Andriamanitra ny amin'ny famaizana izay nolazainy hataony amin'izy ireo, ka tsy nataony izany.
\s5
\c 4
\p
\v 1 Fa tsy nahafaly an'i Jona izany ka nanjary tezitra mafy izy.
\v 2 Noho izany dia nivavaka tamin'i Yaveh i Jona ary nanao hoe: "Oh ry Yaveh, tsy izao ve no efa nolazaiko taminao rehefa tafaverina tany amin'ny fireneko aho? Izany no antony nihetsehako voalohany sy niezahako handositra tany Tarsisy—satria fantatro fa Andriamanitra manan-karem-pahasoavana, mahari-po, malain-ko tezitra, feno fahatokiana, ary manenina amin'ny fandefasana loza Ianao.
\v 3 Koa ankehitriny ary, ry Yaveh, mitalaho aminao aho, esory amiko ny aiko, fa tsara ho ahy ny ho faty toy izay ho velona."
\s5
\v 4 Hoy i Yaveh hoe: "Mety ve izao fahatezeranao loatra izao?"
\v 5 Dia nivoaka ny tanàna i Jona ary nipetraka teny amin'ny ilany antsinanan'ny tanàna. Tany no nanaovany fialofana ka nipetraka teo ambanin'ny alok'izany izy mba hahitany izay mety hanjo ny tanàna.
\s5
\v 6 Nanomana hazo Yaveh Andriamanitra ka nampaniry izany teo ambonin'i Jona hanalokaloka ny lohany mba hanamaivana ny fahoriany. Tena faly tokoa i Jona nohon'ny amin'ilay hazo.
\v 7 Saingy nanomana kankana Andriamanitra tamin'ny fiposahan'ny masoandro ny ampitso maraina. Namely ny hazo izany ka dia maina ilay hazo.
\s5
\v 8 Ary rehefa niposaka ny masoandro ny ampitso maraina, dia nanomana rivo-mahamay avy any antsinanana Andriamanitra. Ary koa, namely ny lohan'i Jona ny masoandro hany ka lany hery izy. Dia naniry ny hahafatesany i Jona. Hoy izy tamin'ny tenany hoe: "Aleoko maty toy izay ho velona."
\v 9 Ary hoy Andriamanitra tamin'i Jona: "Mety ve izao fahatezeranao lehibe ny amin'ilay hazo izao?" Dia hoy i Jona hoe: "Mety ny fahatezerako, na ho amin'ny fahafatesana aza."
\s5
\v 10 Hoy Yaveh hoe: "Nangoraka an'ilay hazo ianao, izay tsy niasanao, na nampanirianao. Naniry tao anatin'ny alina iray izany ary maty tao anatin'ny alina iray.
\v 11 Toy izany koa ny Amiko, tsy tokony hangoraka an'i Ninive, ilay tanàna lehibe, izay misy vahoaka mihoatra ny zato sy roa alina izay tsy mahalala ny fahasamihafana eo amin'ny tanana ankavanana sy ny tanana ankavian'izy ireo, sy ireo biby fiompy maro ihany koa ve Aho?"