plt_ulb/30-AMO.usfm

328 lines
26 KiB
Plaintext

\id AMO
\ide UTF-8
\h Amosa
\toc1 Amosa
\toc2 Amosa
\toc3 amo
\mt Amosa
\s5
\c 1
\p
\v 1 Ireto zavatra mahakasika an'Israely ireto no noraisin'i Amosa, iray tamin'ireo mpiandry ondry tao Tekoa, tao amin'ny fanambarana. Nandray ireo zavatra ireo izy tamin'ny andron'i Ozia mpanjakan'ny Joda, ary koa tamin'ny andron'i Jeroboama zanaka lahin'i Joasy mpanjakan'Israely, roa taona mialohan'ilay horohorontany.
\v 2 Hoy izy hoe: "Hierona avy any Ziona i Yaveh; hampiakatra ny feony avy any Jerosalema Izy. Ho maina ny ahitr'ireo mpiandry ondry; halazo ny tampon'i karmela."
\s5
\v 3 Izao no lazain'Yaveh hoe: "Noho ireo fahotana telo nataon'i Damaskosy, eny, na efatra aza, dia tsy hanala ny sazy Aho, satria fitaovana vy no nivelesan'izy ireo an'i Gileada.
\v 4 Handefasako afo ny taranak'i Hazaela, ary handevona ireo fiarovana mafin'i Beni-Hadada Aho.
\s5
\v 5 Ho tapahiko ny vy eo amin'ny vavahadin'i Damaskosy ary handringana ilay lehilahy izay monina ao Bikata Avena Aho, ary koa ilay lehilahy izay mitazona ny tehim-panjakana ao Bet-Edena. Ny vahoakan'i Syria dia handeha ho amin'ny fahababoana any Kira," hoy Yaveh.
\s5
\v 6 Izao no lazain'Yaveh hoe: "Noho ireo fahotana telo nataon'i Gaza, eny, na efatra aza, dia tsy hanala ny sazy Aho, satria nataon'izy ireo ho babo ny vahoaka manontolo, mba hanolorana azy ireo an'i Edoma.
\v 7 Handefa afo amin'ireo rindrin'i Gaza Aho, ary handevona ireo fiarovana mafiny izany.
\s5
\v 8 Ho aringako ilay lehilahy izay monina ao Asdoda sy ilay lehilahy izay mitazona ny tehim-panjakana avy any Askelona. Hanohitra an'i Ekrona ny tanako, ary ho faty ireo Filistina tavela," hoy ny Tompo Yaveh.
\s5
\v 9 Izao no lazainy Yaveh hoe: "Noho ireo fahotana telo nataon'i Tyro, eny, na efatra aza, dia tsy hanala ny sazy Aho, satria nanolotra ny vahoaka manontolo an'i Edoma izy ireo, ary nandika ny fifanekem-pirahalahiany izy ireo.
\v 10 Handefa afo eo amin'ireo rindrin'i Tyro Aho, ary handevona ireo fiarovana mafiny izany."
\s5
\v 11 Izao no nolazain'i Yaveh hoe: "Noho ireo fahotana telo nataon'i Edoma, eny, na efatra aza, dia tsy hanala ny sazy Aho, satria nanenjika ny rahalahiny tamin'ny sabatra izy ary nanary ny famindram-po rehetra. Ny hatezerany dia nitohy mandrakariva, ary naharitra mandrakizay.
\v 12 Handefa afo eo Temana Aho, ary handevona ny lapan'i Bozra izany."
\s5
\v 13 Izao no nolazain'i Yaveh hoe: "Noho ireo fahotana telo nataon'ny vahoakan'i Amona, eny, na efatra aza, dia tsy hanala ny sazy Aho, satria nanataka ireo vehivavy bevoka tao Gileada izy ireo, mba hanitaran'izy ireo ny faritaniny.
\s5
\v 14 Handrehitra afo eo amin'ireo rindrin'i Raba Aho, ary handevona ireo lapa izany, miaraka amin'ny hiaka amin'ny andron'ny ady, miaraka amin'ny tafio-drivotra amin'ny andron'ny tadio.
\v 15 Handeha ho amin'ny fahababoana ny mpanjakan'izy ireo, izy mbamin'ireo manam-boninahiny," hoy Yaveh.
\s5
\c 2
\p
\v 1 Izao no lazain'i Yaveh: "Noho ireo fahotana telon'i Moaba, eny na efatra aza, dia tsy hanala ny famaizana Aho, satria izy ireo dia nandoro ireo taolan'ny mpanjakan'i Edoma ho sokay.
\s5
\v 2 Handefa afo eo amin'i Moaba Aho, ary holevoniko ny fiarovana mafin'i Kiriota, ho faty ao anatin'ny kotaba sy hiaka ary ny feon'anjomara i Moaba.
\v 3 Ho ravako ny mpitsara ao aminy, ary ho vonoiko miaraka aminy ny andriana rehetra," hoy i Yaveh.
\s5
\v 4 Izao no lazain'i Yaveh: "Noho ireo fahotana telon'i Joda, eny na efatra aza, dia tsy hanala ny famaizana Aho, satria izy ireo dia nanary ny lalàn'i Yaveh ary tsy nitandrina ireo didiny. Nampandeha azy ireo tany amin'ny lalan-diso ny laingan'izy ireo, dia nandeha nanaraka izany ihany koa ireo razany.
\v 5 Handefa afo eo amin'i Joda Aho, ary ho levoniko ireo fiarovana mafin'i Jerosalema."
\s5
\v 6 Izao no lazain'i Yaveh: "Noho ireo fahotana telon'Israely, eny efatra aza, dia tsy hanala ny famaizana Aho. Satria namidin'izy ireo volafotsy ny tsy manan-tsiny ary ny mahantra ho kapa.
\s5
\v 7 Nanitsaka ny lohan'ny mahantra tahaka ny fanitsahan'ny olona ny vovoka amin'ny tany izy ireo; nandroaka ny ory izy ireo. Ny lehilahy sy ny rainy dia samy mandry amin'ny vehivavy iray ihany ary mandoto ny anarako masina.
\v 8 Mandry eo anilan'ny alitara rehetra amin'ny akanjo azo tamin'ny antoka izy ireo, ary ao an-tranon'Andriamanitr'izy ireo no hisotroany ny divay izay avy amin'ireo voasazy.
\s5
\v 9 Nefa efa noravako teo anoloan'izy ireo ny Amorita, ny halavan'izany dia tahaka ny halavan'ny sedera, natanjaka tahaka ireo Ôka. Efa noravako ny voany ambony, sy ny fakany ambany.
\v 10 Ary koa, nitondra anareo nivoaka avy tany amin'ny tany Egypta Aho ka nitarika anareo efapolo taona tany an-efitra mba ahazoana ny tanin'ny Amorita.
\s5
\v 11 Nanandratra mpaminany avy tamin'ireo zanakalahinareo sy Nazirita avy tamin'ireo zatovonareo Aho. Moa tsy izany ve, ry vahoakan'Israely? —Izany no fanambaran'i Yaveh.
\v 12 Nefa ianareo dia nandresy lahatra ireo Nazarita hisotro divay ary nandidy ireo mpaminany tsy haminany.
\s5
\v 13 Indro, hanitsaka anareo tahaka ny fanitsahan'ny sarety feno vary ny olona Aho.
\v 14 Tsy hahita handosirana ny olona kinga; tsy hampitombo ny heriny ny matanjaka; na ny mahery hahavonjy ny tenany.
\s5
\v 15 Tsy ahajoro ny mpandefa tsipìka; tsy ho afa-mandositra ny mpihazakazaka aingam-pandeha; tsy hahavonjy ny tenany ny mpitaingin-tsoavaly.
\v 16 Na dia ny mpiady be herim-po aza dia handositra mitanjaka amin'izany andro izany —Izany no fanambaran'i Yaveh."
\s5
\c 3
\p
\v 1 Henoy izao teny izay notenenin'i Yaveh taminareo izao, ry olon'Israely, amin'ireo fianakaviana manontolo izay nentiko hivoaka ny tany Egypta:
\v 2 "Ianareo irery ihany no nofidiko amin'ireo fianakaviana rehetra eto ambonin'ny tany. Noho izany, dia hofaiziko ianareo noho ireo otanareo rehetra."
\s5
\v 3 Moa ve hiaraka handeha ny roa raha tsy niombon-kevitra izy ireo?
\v 4 Moa ve hierona any an'ala ny liona raha tsy misy haza izy? Moa ve hierona ao an-davany ny liona tanora raha tsy nahazo na inona na inona izy?
\s5
\v 5 Moa ve afaka mianjera anaty fandrika ety amin'ny tany ny vorona raha tsy misy tadivavarana voapetraka ho azy akory? Moa ve hikatona ny fandrika ety amin'ny tany raha tsy nahazo na inona na inona akory izy?
\v 6 Haneno ao an-tanàna ve ny trompetra ka tsy hangovitra ny olona? Ho avy ao an-tanàna ve ny loza raha tsy i Yaveh no nandefa izany?
\s5
\v 7 Azo antoka fa tsy hanao na inona na inona i Tompo Yaveh raha tsy manambara ireo fikasany amin'ireo mpaminany mpanompony Izy.
\v 8 Iza no tsy hahatahotra; raha nierona ny liona? Efa niteny ny Tompo Yaveh, iza no tsy haminany?
\s5
\v 9 Ambarao any amin'ireo fiarovana mafin'i Asdoda izany, ary any amin'ny fiarovana mafin'ny tany Egypta; lazao hoe: "Miangòna ianareo eny amin'ireo tendrombohitr'i Samaria ary jereo ny fifanjevona be izay ao aminy, ary inona ny fahoriana ao aminy.
\v 10 Fa tsy mahalala ny fanaovana ny marina izy ireo —izany no fanambaran'i Yaveh— Mitahiry herisetra sy faharavana ao amin'ny mandany izy ireo."
\s5
\v 11 Noho izany, izao no lazain'ny Tompo Yaveh hoe: "Hiodidina ny tany ny fahavalo. Handrava ireo fiarovanao mafy izy ary handroba ireo mandanao.
\v 12 Izao no lazain'i Yaveh: "Tahaka ny famonjen'ny mpiandry ondry ny tongotra roa fotsiny amin'ny vavan'ny liona, na sombin'ny sofina, no hamonjena ny olon'Israely izay monina any Samaria, eo anjoron-tseza fotsiny, na koa eo anjorom-parafara ihany."
\s5
\v 13 Mihainoa ary mijoroa ho vavolombelona manohitra ny ankohonan'i Jakoba —Izao no fanambarana nataon'ny Tompo Yaveh, Andriamanitra Tompon'ny maro:
\v 14 Fa amin'ny andro izay hamaizako ireo fahotan'Israely, dia ho faiziko ihany koa ny alitaran'i Betela. Hotapahina ireo tandroky ny alitara ary hianjera amin'ny tany.
\s5
\v 15 Horavako ny trano ririnina miaraka amin'ny trano fahavaratra. Ho simba ny trano ivory ary ireo tranobe dia hanjavona, —izany no fanambaran'i Yaveh."
\s5
\c 4
\p
\v 1 Henoy izao teny izao, ianareo ry ombivavin'i Basana, ianareo izay any an-tendrombohitr'i Samaria, ianareo izay mampahory ny mahantra, ianareo izay manorotoro ny ory, ianareo izay milaza amin'ny vadinareo hoe: "Itondray zava-pisotro izahay."
\v 2 Efa nianiana tamin'ny fahamasinany ny Tompo Yaveh hoe: "Indro, ho avy aminareo ny andro izay hakan'izy ireo anareo amin'ny farango, ary ny sisa aminareo amin'ny fintana.
\s5
\v 3 Hivoaka eo amin'ilay vaky eo amin'ny mandan'ny tanàna ianareo, samy hanitsy amin'izany avy, ary hatsipy any ivelany mankany Harmona ianareo —izany no fanambaran'i Yaveh."
\s5
\v 4 "Mandehana any Betela dia manotà, any Gilgala ka ampitomboy ny fahotana, ento isa-maraina ny soronareo, ny ampahafolon-karenareo isaky ny telo andro.
\v 5 Manolora sorona fanati-pisaorana miaraka amin'ny mofo; manambarà fanati-tsitrapo; torio ireo, fa mahafinaritra anareo izany, ry olon'Israely —izany no fanambaran'ny Tompo Yaveh.
\s5
\v 6 Nomeko fanadiova-nify ianareo tany amin'ny tanànanareo rehetra ary tsy fahampian'ny mofo tao amin'ny toeranareo rehetra. Kanefa tsy niverina tamiko ihany ianareo—izany no fanambaran'i Yaveh.
\v 7 Nanakana ny orana tsy ho eo aminareo ihany koa Aho raha mbola nisy telo volana hijinjana. Nataoko nanorana teo amin'ny tanàna iray, ary nataoko tsy nanorana teo amin'ny tanàna iray hafa. Ny ampahan-tany nisy orana, fa ny ampahany hafa izay tsy mba nisy orana dia maina.
\s5
\v 8 Tanàna roa na telo no nivembena nankany amin'ny tanàna iray hafa mba hisotro rano, saingy tsy afa-po. Kanefa tsy niverina tamiko ihany ianareo —izany no fanambaran'i Yaveh.
\v 9 Nampahory anareo tamin'ny fahamainan'ny voly sy ny bobongolo aho. Ny habetsahan'ny sahanareo, ny tanim-boalobokareo, ny hazon'aviavinareo, ary ny hazon'olivanareo— efa narapaky ny valala avokoa izy rehetra. Kanefa tsy niverina tamiko ihany ianareo— izany no fanambaran'i Yaveh.
\s5
\v 10 Nandefa areti-mandringana teo aminareo toy ny teo amin'ny Egypta Aho. Novonoiko tamin-tsabatra ny tovolahinareo, nalaiko ny soavalinareo, ary nataoko teo amin'ny vavoronareo ny hamaimbon'ny tobinareo. Kanefa tsy niverina tamiko ihany ianareo— izany no fanambaran'i Yaveh.
\v 11 Nandringana tanàna teo aminareo aho, toy ny tamin'ny nandringanan'Andriamanitra an'i Sodoma sy Gomora. Efa sahala amin'ny tapa-kazo mirehitra nosintonina avy tao amin'ny afo ianareo. Kanefa tsy niverina tamiko ihany ianareo— izany no fanambaran'i Yaveh.
\s5
\v 12 Noho izany dia hanao zavatra mahatsiravina aminareo Aho, ry Israely; ary satria hanao zavatra mahatsiravina aminareo Aho, dia miomàna hihaona amin'ny Andriamanitrareo, ry Israely!
\v 13 Fa indro, ilay nanao ny tendrombohitra ihany koa no nahary ny rivotra, mampiseho ny heviny amin'ny zanak'olombelona, mahatonga ny maraina ho aizina, ary manosiosy ny toerana avon'ny Tany. Yaveh, Andriamanitra Tompon'ny maro, no anarany."
\s5
\c 5
\p
\v 1 Henoy ity teny izay nalaiko ho fitarainana eo aminao ity, ry ankohonan'Israely.
\v 2 Lavo ny virijinin' Israely; ary tsy hitsangana intsony izy; nazera tamin'ny taniny izy; ary tsy misy na dia iray aza hanangana azy.
\s5
\v 3 Fa izao no lazain'ny Tompo Yaveh: "Ilay tanàna izay nivoahan'ny arivo dia hanana zato tavela, ary ilay iray izay nivoahan'ny zato dia hanana folo tavela izay an'ny ankohonan'Israely."
\s5
\v 4 Fa izao no lazain'i Yaveh tamin'ny ankohonan'Israely hoe: "Tadiavo Aho dia ho velona ianao!
\v 5 Aza mitady an'i Betela; na miditra any Gilgala; aza mandeha any Beri-sheba. Fa Gilgala dia azo antoka fa ho babo, ary ho lasa tsinontsinona i Betela.
\s5
\v 6 Tadiavo Yaveh dia ho velona ianao, raha tsy izany dia hivoaka toy ny afo ao amin'ny ankohonan'i Josefa Izy. Handrapaka izany, ary tsy hisy na iza na iza hamono izany any Betela.
\v 7 Ireo olona ireo dia hamadika ny rariny ho zava-mangidy ary hanipy ny fahamarinana amin'ny tany!"
\s5
\v 8 Andriamanitra nanao an'Ikotokelimiadilaona sy ny Telonohorefy; mamadika ny haizina ho maraina Izy; manao ny andro ho maizina miaraka amin'ny alina Izy ary miantso ny ranon'ny ranomasina; mandraraka ireo amin'ny velaran-tany Izy. Yaveh no anarany!
\v 9 Mitondra faharinganana tampoka eo amin'ny mahery izy mba ho tonga eo amin'ny fiarovana mafy ny fandravana.
\s5
\v 10 Mankahala ny olona rehetra izay manitsy azy ireo ao amin'ny vavahadin'ny tanàna Izy, ary mankahala ny olona rehetra izay miteny ny marina izy ireo.
\v 11 Satria manitsakitsaka ireo mahantra ianao ary maka ampaham-bary aminy— na dia nanorina trano vita tamin'ny vato aza ianao, dia tsy hipetraka ao amin'izany. Manana tanim-boaloboka mahafinaritra ianao, kanefa tsy hisotro ny divain'izany ianao.
\s5
\v 12 Fa fantatro ny isan'ireo fandikan-dalànao sy ny halehiben'ireo fahotanao— ianao izay mampahory ny rariny, mandray ny kolikoly, ary mivily amin'ireo olona mila fanampina ao amin'ny vavahadin'ny tanàna.
\v 13 Noho izany dia mangina amin'ny fotoana tahaka izany ny olon-kendry, satria fotoana ratsy izany.
\s5
\v 14 Mitadiava ny tsara fa tsy ny ratsy, mba ho velona ianao. noho izany Yaveh, Ilay Andriamanitry ny maro, dia tena homba anao, araka ny lazainao fa Izy.
\v 15 Hankahalao ny ratsy, tiavo ny tsara, apetraho ny rariny ao amin'ny vavahadin'ny tanàna. Angamba Yaveh, ilay Andriamanitry ny maro hamindra fo amin'ireo sisa navelan'i Josefa.
\s5
\v 16 Noho izany, izao no lazain'i Yaveh, ilay Andriamanitry ny maro, ny Tompo hoe: "Ny fidradradradrana dia ho amin'ny ireo efa-joro rehetra, ary hilaza izany any amin'ny lalana rehetra izy ireo, 'Loza, loza!' Hiantso ireo mpamboly mba ho amin'ny fisaonana izy ireo ary ireo malahelo mba hidradradradra.
\v 17 Hisy fidradradradrana ao amin'ireo tanim-boaloboka rehetra, satria handalo ao afovoanareo Aho," hoy Yaveh.
\s5
\v 18 Loza ho anareo izay maniry ny andron'i Yaveh! Nahoana ianareo no maniry ny andron'i Yaveh? Ho fahamaizinana izany ary tsy hisy hazavana,
\v 19 toy ny olona rehefa mandositra liona sy bera mifanena aminy, na miditra ao amin'ny trano sy mametraka ny tanany eo amin'ny manda ary manaikitra azy ny menarana.
\v 20 Moa ve ny andron'i Yaveh tsy aizina fa tsy hazavana? Haizim-pito ary tsy misy famirapiratana?
\s5
\v 21 "Halako, hataoko tsinontsinona ny firavoravoanareo, tsy maka maminy amin'ireo fivondronanareo manetriketrika Aho.
\v 22 Na dia manolotra fanatitra dorana sy fanatitra hohanina Amiko aza ianareo, dia tsy handray ireo Aho, na hijery ny fanati-pihavanan'ireo biby matavinareo.
\s5
\v 23 Esory tamiko ny tabataban'ireo hiranareo; tsy hihaino ny feon'ny lokanganareo aho.
\v 24 Fa kosa, avelao hikoriana toy ny rano ny rariny, ary ny fahamarinana toy ny renirano mikoriana lalandava.
\s5
\v 25 Nitondra sorona sy fanatitra tany an'efitra nandritry ny efa-polo taona ho ahy ve ianareo, ry ankohonan'Israely?
\v 26 Hanandratra an'i Sokita ho mpanjakanareo ianareo, ary Kiona, andriamanitry ny kintanareo —sampy izay nataonareo ho anareo.
\s5
\v 27 Noho izany dia halefako sesitany mihoatran'i Damaskosy ianareo," hoy Yaveh, izay Andriamanitry ny maro no anarany.
\s5
\c 6
\p
\v 1 Loza ho an'ireo izay mahazo aina ao Ziona, ary ho an'ireo izay milamina ao amin'ny tany havoan'i Samaria, ireo olo-malaza avy amin'ireo firenena tsara indrindra, izay hatongavan'ny taranak'Israely mba ho vonjena!
\v 2 Hoy ireo mpitarika anareo: "Mandehana any Kalne ka mijere; avy ao dia mandehana any Hamata, ilay tanàna lehibe; avy eo dia midìna any Gatan'ireo Filistina. Moa ve tsara noho ireo fanjakanao roa ireo? Moa ve lehibe noho ny faritaninao ny faritanin'izy ireo?"
\s5
\v 3 Loza ho an'ireo izay mampihemotra ny andron'ny loza sy mampanakaiky ny seza fiandrianan'ny herisetra.
\v 4 Mandry eo am-pandriana ivory izy ireo ary mitsotsotra eo am-parafaran'izy ireo. Mihinana zanak'ondry avy amin'ireo ondry aman'osy izy ireo ary zanak'ondry avy amin'ny fihinanam-bilona.
\s5
\v 5 Nihira ireo hira adaladala tamin'ny feon'ny harpa izy ireo; namoromporona zava-maneno tahaka ny nataon'i Davida.
\v 6 Nisotro divay tamin'ny lovia jobo izy ireo ary nihosotra diloilo tsara indrindra, nefa tsy nalahelo ny amin'ny faharavan'i Josefa.
\s5
\v 7 Koa handeha an-tsesitany miaraka amin'ireo sesitany voalohany izy ireo ankehitriny, ary ny firavoravoan'ireo izay mitsotsotra dia ho foana.
\v 8 "Izaho, Tompo Yaveh, dia efa nianiana tamin'ny tenako —izany no fanambaran'ny Tompo Yaveh, Andriamanitra Tompon'ny maro, halako ny fieboeboan'i Jakoba; halako ny fiarovana mafiny. Koa hanolotra ny tanàna mbamin'izay rehetra ao aminy Aho."
\s5
\v 9 Ary raha misy folo lahy tavela ao an-trano iray, dia ho faty avokoa izy rehetra.
\v 10 Raha misy havan-dralehilahy tonga mba haka ny fatin'izy ireo—ny iray izay handoro ny fatin'izy ireo aorian'ny hitondrany ireo faty mivoaka ny trano—raha miteny amin'ny olona ao an-trano izy hoe: "Misy olona miaraka aminao ve ao?" Raha mamaly izany olona izany hoe: "Tsia". Dia hiteny izy hoe: "Mangìna, fa aoka isika tsy hanonona ny anaran'i Yaveh."
\s5
\v 11 Fa, indro, hanome baiko Yaveh, ka ho torotoro ny trano lehibe ary ho potipotika ny trano kely.
\s5
\v 12 Moa ve ny soavaly mihazakazaka amin'ny harambato? Moa ve misy olona mampihosy omby ao? Nefa namadika ny fahamarinana ho poizina ianareo ary ny vokatry ny fahamarinana ho fangidian.
\v 13 Ianareo izay mifaly amin'i Lodebara, izay manao hoe: "Moa ve tsy efa naka an'i Karnaima tamin'ny herinay ihany izahay?"
\s5
\v 14 "Nefa indro, hanangana firenena hanohitra anareo Aho, ry taranak'Israely—izany no fanambaran'ny Tompo Yaveh, Andriamanitra Tompon'ny maro. Hampahory anareo manomboka ao Lebo-hamata hatrany amin'ny lohasahan-driakan'i Araba izy ireo."
\s5
\c 7
\p
\v 1 Izany no nasehon'i Yaveh tamiko. Indro, namorona valala be izy rehefa nanomboka niakatra ny vokatry ny lohataona, ary indro, taraiky ny vokatra tao aorian'ny vokatry ny mpanjaka.
\v 2 Rehefa avy nihinana ny vokatry ny tany izy ireo, dia hoy aho: "Ry Tompo Yaveh, mba mamindrà re fo amiko, ahoana no haveloman'i Jakoba? Satria dia tena kely izy?"
\v 3 ka nanatsahatra ny mahakasika izany Yaveh. "Tsy hiseho izany", hoy Izy.
\s5
\v 4 Izao no nasehon'i Tompo Yaveh ahy: Indro, miantso amin'ny fitsaran'ny afo ny Tompo Yaveh. Izany no nanamaina ny tany malalaka, ny rano lalina ambanin'ny tany ary handevona ny tany ihany koa.
\v 5 Kanefa hoy aho hoe: "Tompo Yaveh o, ajanony re; ahoana no haveloman'i Jakoba? Fa tena bitika izy."
\v 6 Dia nanatsahatra ny mahakasika izany i Yaveh hoe: "Tsy hitranga ihany koa izany," hoy ny Tompo Yaveh.
\s5
\v 7 Izao no nasehony ahy: Indro, nitsangana teo akaikin'ny rindrina ny Tompo, niaraka tamin'ny vato pilao teny an-tanany.
\v 8 Yaveh nanao tamiko hoe: "Ry Amosa, Inona no itanao?" Dia hoy aho: "Vato pilao milahatra." Ary hoy ny Tompo hoe: "Indro, hametraka pilao eo amin'ny Israely vahoakako Aho. Tsy hamindra fo amin'izy ireo intsony Aho.
\s5
\v 9 Horavana ireo fitoerana avon'i Isaka, hopotehina ireo fitoerana masin'ny Israely, ary hitsangana hanohitra amin'ny sabatra ny taranak'i Jeroboama Aho."
\s5
\v 10 Ary Amazia, ilay mpisoron'i Betela, nandefa hafatra tany amin'ny Jeroboama, mpanjakan'Israely hoe: "Efa nitetika hanohitra anao eo anivon'ny taranak'Israely i Amosa. Tsy zakan'ny tany ireo teniny rehetra.
\v 11 Fa izao no tenin'i Amosa: 'Ho faty amin'ny sabatra i Jeroboama, ary ho sesi-tany hiala amin'ny taniny tokoa ny Israely.'"
\s5
\v 12 Amazia niteny tamin'i Amosa hoe: "Ry Mpahita, miverena any amin'ny tanin'i Joda, ary mihinana mofo sy maminania any.
\v 13 Fa aza manao faminaniana eto Betela intsony, satria fitoerana masin'ny mpanjaka sy tranon'ny mpanjaka ity."
\s5
\v 14 Dia hoy Amosa tamin'i Amazia hoe: "Tsy mpaminany aho na zanaky ny mpaminany. Mpiandry ondry sy mpikarakara hazo amontana ary aviavy aho.
\v 15 Fa naka ahy avy teny ampiandrasan'ondry i Yaveh ary niteny tamiko hoe: "Mandehana, ka maminania amin'ny Israely vahoakako."
\s5
\v 16 Ankehitriny mihainoa ny tenin'Yaveh. Hoy ianao hoe: "Aza maminany hanohitra an'i Israely, ary aza miteny manohitra ny taranak'Isaka."
\v 17 Noho izany dia izao no lazain'Yaveh: "Ho lasa mpivaro-tena ao an-tanàna ny vadinao; ireo zanakalahinareo sy ireo zanakavavinareo dia ho lavo amin'ny alalan'ny sabatra; horefesina ny taninao ary hozaraina; ho faty ao amin'ny tany maloto ianao, ary halefa sesi-tany hiala ao amin'ny taniny tokoa ny Israely.""
\s5
\c 8
\p
\v 1 Izao no nasehon'ny Tompo Yaveh tamiko. Indro, voankazon'ny fahavaratra iray harona!
\v 2 Hoy Izy hoe: "Inona no hitanao, ry Amosa?" Dia hoy aho hoe: "Ny haron'ny voankazo fahavaratra." Dia hoy i Yaveh tamiko hoe: "Efa tonga amin'ny Israely vahoakako ny farany; tsy hamindra fo amin'izy ireo intsony aho.
\v 3 Ho tonga fidradradradrana ny hiran'ny tempoly. Tamin'izany andro izany—izany no fanambaran'ny Tompo Yaveh. Ho maro ireo faty, dia hatsipin'izy ireo mangingina eny amin'ny rehetra eny ireny!"
\s5
\v 4 Henoy izao, ianareo izay manitsaka ny ory sy manilika ny mahantran'ny tany.
\v 5 Hiteny izy ireo hoe: "Rahoviana no ho tapitra ny volana vaovao, mba hafahantsika mivarotra vary indray? Rahoviana no ho tapitra ny andro Sabata, mba hahafahantsika mivarotra vary? Hataontsika kely ny famarana ary hampiakarina ny vidim-bary, ary hangalatra amin'ny mizàna diso isika.
\v 6 Izany dia mba hahafahantsika mivarotra vary ratsy, vidio amin'ny volafotsy ny ory, ary ny mahantra amin'ny kapa."
\s5
\v 7 Nianiana tamin'ny fireharehan'i Jakoba i Yaveh hoe: "Tena tsy ho adinoko mandrakizay mihitsy ny nataon'izy ireo."
\v 8 Tsy hihorohoro noho izany ve ny tany, ary ny olona rehetra izay monina ho ao amin'izany dia misaona? Ny ankabetsahan'izany dia hitsangana toy ny Onin'i Neily, ary hisamboaravoara sy hilentika indray izany, tahaka ny Onin'ny Egypta.
\s5
\v 9 "Dia ho avy izany amin'io andro io —izany no fanambaran'ny Tompo Yaveh— fa hampiposaka ny masoandro amin'ny mitatao vovonana Aho, ary hanamaizina ny tany amin'ny atoandro.
\v 10 Hamadika ny firavoravoanareo ho fisaonana Aho ary ireo hiranareo rehetra ho fitomaniana. Hampanaoviko ny akanjo fisaonana avokoa ianareo rehetra ary ho sola ny lohan'ny tsirairay. Hanao izany ho tahaka ny fisaonana ho an'ny zanaka lahitokana izany, ary andro mangidy any amin'ny faran'izany.
\s5
\v 11 Indro, tonga ny andro —izany no fanambaran'ny Tompo Yaveh— Rehefa handefa mosary eny amin'ny tany Aho, tsy mosary mofo, na koa hetaheta rano, fa ho amin'ny fandrenesana ireo tenin'i Yaveh.
\v 12 Hivembena erakin'ny ranomasina izy ireo; dia hiazakazaka avy any avaratra ka hatrany atsinanana mba hitady ny tenin'i Yaveh, saingy tsy hahita izany izy ireo.
\s5
\v 13 Amin'izany andro izany ireo virijiny tsara tarehy sy ireo tovolahy dia ho ketraky ny hetaheta.
\v 14 Ireo izay nianiana tamin'ny fahotan'i Samaria
\f + \ft Fanamarihana: Raha tokony ho "ny fahotan'i Samaria", misy amin'ireo dikan-teny sasany manao hoe: "Asima an'i Samaria" Asima no anaran'ny andriamanibavin'ny Pagana notompoina tany amin'ny faritr'i Syria sasany. Ary nanao hoe: "Raha mbola miaina koa ny andriamanitrao, ry Dana" ary hoe: "Raha mbola misy koa ny lalana mankany Beri-sheba"— ny lahatsoratra Hebreo misy hoe "Raha mbola misy koa ny lalana mankany Beri-sheba", izay mety manondro izay andehanan'ny vahoaka hanompo ireo sampin'i Beri-sheba mety efa nolazaina. Kanefa, ireo dikan-teny sasany te hanova ilay lahatsoratra Hebreo mba hovakiana hoe "Raha mbola miaina koa ny tian'i Beri-sheba". Eto ny "tia" dia midika sampy izay tompoina any Beri-sheba. \f*
dia ho lavo izy ireo ary tsy hitsangana intsony."
\s5
\c 9
\p
\v 1 Nahita ny Tompo nijoro teo akaikin'ny Alitara aho, ary hoy Izy hoe: "Kapohy ny tendron'ireo andry mba hihozona ireo fototra. Torotoroy ny eny amin'ny lohany rehetra eny, ary hamono amin'ny sabatra ny sisa tavela amin'izy ireo Aho. Tsy misy iray handositra amin'izy ireo, tsy misy ho tafatsoaka amin'izy ireo.
\v 2 Na handavaka any amin'ny fiainan-tsi-hita aza izy ireo, dia ny tanako no haka azy ireo any. Na dia hiakatra eny amin'ny lanitra aza izy ireo, dia ho entiko midina.
\s5
\v 3 Na dia miafina any an-tampon'ny Karmela aza izy ireo, dia hikaroka ary haka azy ireo any Aho. Na dia miafina any ambanin'ny ranomasina aza izy ireo, dia haniraka ny bibilava any Aho, ary hanaikitra azy ireo izany.
\v 4 Na dia mandeha ao amin'ny fahababoana aza izy ireo, entin'ny fahavalony eo anoloan'izy ireo, dia hanome baiko ny sabatra Aho, ary hamono azy ireo izany. Hijery azy ireo foana ny masoko mba hanimba fa tsy hanao soa azy ireo."
\s5
\v 5 Yaveh Tompon'ny maro dia nikasika ny tany ary lasa karakaina izany; ny rehetra izay miaina ao amin'izany dia misaona; hiakatra toy ny Ony izany rehetra izany, ary hilentika indray toy ny onin'i Egypta,
\v 6 Izy no nanamboatra ireo tohany any an-danitra, ary efa nametraka ny andohalambony manerana ny tany. Niantso ny ranon'ny ranomasina Izy, ary nandraraka izany teo amin'ny velaran-tanin'izy ireo, Yaveh no anarany.
\s5
\v 7 Tsy toy ny vahoakan'i Etiopia ve ianareo ho ahy, ry vahoakan'Israely? —izany no fanambaran'i Yaveh. Tsy nitondra an'Israely hivoaka an'i Egypta, ireo filistina avy any Kreta, ary ireo Syriana avy tany Kira ve Aho?
\v 8 Indro, eo amin'ny fanjakana mpanota ny mason'ny Tompo Yaveh, ary hamongotra azy tsy ho eto ambonin'ny tany aho, kanefa tsy hamotika tanteraka ny tranon'i Jakoba aho —izany no fanambaran'i Yaveh.
\s5
\v 9 Indro, hanome baiko, ary hanozongozona ny zanak'Israely eo amin'ny firenena rehetra Aho, tahaka ny olona manivana vary amin'ny sivana, mba tsy hilatsahan'ny vato kely amin'ny tany.
\v 10 Ny mpanota rehetra avy amin'ny vahoakako dia ho faty amin'ny sabatra, ireo izay milaza hoe: 'Tsy hahatratra na hanatona antsika ny loza.'
\s5
\v 11 Amin'izay andro izay dia hanangana ny trano-lain'i Davida izay nianjera Aho, ary hanampina ireo bangany. hatsangako ireo faharavany, ary hamboariko ho toy ny tamin'ny andro fahiny izany.
\v 12 Mba hananan'izy ireo ny sisa tavela an'i Edoma, ary ny firenena rehetra izay nantsoina tamin'ny anarako —izany no fanambaran'i Yaveh—nanao izany Izy.
\s5
\v 13 Indro, ho avy ilay andro—izany no fanambaran'i Yaveh— rehefa mahatratra ny fijinjana ny mpiasa-tany, ary ireo mpioty voaloboka dia hahatratra azy izay namboly ny voany. Ireo tendrombohitra dia hampiboiboika divay mamy, ary ireo havoana rehetra dia hikoriana miaraka amin'izany.
\s5
\v 14 Ho entiko miverina avy any amin'ny fahababoana ny vahoakako Israely. Hanangana ireo tanàna rava izy ireo ary hipetraka amin'izany, hamboly tanim-boaloboka izy ireo ary hisotro ny divain'izany, ary hanao zaridaina izy ireo ary hihinana ny vokatr'izany.
\v 15 Hamboly izany eo amin'ny tanin'izy ireo Aho, ary tsy hihongotra eo amin'ny tany izay nomeko azy ireo intsony mihitsy izy ireo," hoy i Yaveh Andriamanitrareo.