plt_ulb/27-DAN.usfm

741 lines
72 KiB
Plaintext

\id DAN
\ide UTF-8
\h Daniela
\toc1 Daniela
\toc2 Daniela
\toc3 dan
\mt Daniela
\s5
\c 1
\p
\v 1 Tamin'ny taona fahatelo nanjakan'i Joiakima mpanjakan'ny Joda, Nebokadnezara mpanjakan'i Babylona tonga tao Jerosalema ary nanodidina ny tanàna mba hanapaka ny famatsiana rehetra ho an'izany.
\v 2 Ny Tompo nanome fandresena an'i Nebokadnezara teo amin'i Joaikima mpanjakan'ny Joda, ary izy nanome azy tamin'ireo zava-masina avy ao amin'ny tranon'Andriamanitra. Nitondra ireo ho any amin'ny tanin'i Babylona izy, ho any an-tranon'andriamaniny, ary napetrany tao amin'ny fitoeran-drakitry ny andriamaniny ireo zava-masina.
\s5
\v 3 Ary niresaka tamin'i Aspenaza, ilay lehiben'ny manampahefany, ny mpanjaka mba hitondra ny sasany amin'ireo zanak'Israely, amin'ny fianakavian'andriana sy ny ambony firazanana—
\v 4 tovolahy tsy misy kilema, manintona amin'ny endrika ivelany, mahay amin'ny fahendrena rehetra, feno fahalalana sy fahazavan-tsaina, ary voafantina mba hanompo ao amin'ny lapan'ny mpanjaka. Izy dia hampianatra azy ireo ny literatiora Babyloniana sy ny fiteniny.
\v 5 Nanisan'ny mpanjaka anjara isan'andro manokana amin'ireo haniny sy sasany amin'ireo divay nisotrony izy ireo. Ireo zatovo lahy ireo dia nampihofanina nandritra ny telo taona, ary aorian'izay, dia hanompo ny mpanjaka izy ireo.
\s5
\v 6 Anisan'ireo i Daniela, Hanania, Misaela ary Azaria, izay sasany amin'ireo olon'ny Joda.
\v 7 Nomen'ny lehibe manampahefana anarana izy ireo: Daniela nantsoiny hoe Beltesazara, Hanania nantsoiny hoe Sadraka, Misaela nantsoiny hoe Mesaka, ary Azaria nantsoiny hoe Abednego.
\s5
\v 8 Fa Daniela nihevitra tao an-tsainy fa tsy handoto ny tenany amin'ireo hanim-pin'ny mpanjaka sy ny divay izay nisotroany izy. Koa naka alalana tamin'ny lehiben'ny manam-pahefana izy mba tsy handoto ny tenany.
\v 9 Ary nomen'Andriamanitra sitraka sy fahangoraham-po Daniela tamin'ny fanajan'ny lehibe manampahefana azy.
\v 10 Niteny tamin'i Daniela ny lehibe manampahefana hoe: "Matahotra ny mpanjaka tompoko aho. Izy no nandidy ny sakafo sy zava-pisotronareo. Nahoana izy no tokony hahita faharatsiana eny aminao mihoatra ireo tovolahy hafa izay mitovy taona aminao? Mety hotapahin'ny mpanjaka noho ianao ny lohako."
\s5
\v 11 Avy eo Daniela niresaka tamin'ny mpitandrin-draharaha izay notendren'ny manampahefana lehibe ho an'i Daniela, Hanania, Misaela ary Azaria.
\v 12 Hoy izy: "Izahao toetra re izahay mpanomponao mandritra ny folo andro. Omeo legioma hoanina sy rano ho sotroina fotsiny izahay.
\v 13 Dia ampitahao amin'ny endrika ivelan'ireo tovolahy izay mihinana ny hanim-pin'ny mpanjaka ny endrikay ivelany, ary ataovy aminay, mpanomponao, araka izay hitanao."
\s5
\v 14 Koa dia niombon-kevitra taminy hanao izany ny mpitandrin-draharaha, ka nizaha toetra azy ireo nandritra ny folo andro izy.
\v 15 Tamin'ny faran'ny hafoloana ny endrika ivelan'izy ireo dia tonga salama kokoa ary voafahana tsara mihoatra noho ireo tovolahy izay nihinana tamin'ny hanim-pin'ny mpanjaka.
\v 16 Ka dia nalain'ny mpitandrin-draharaha ireo hanim-piny sy ireo divain'izy ireo ary legioma ihany no nomeny azy ireo.
\s5
\v 17 Raha ny amin'ireo tovolahy efatra ireo, nomen'Andriamanitra azy ireo ny fahalalana sy fahalalinan-tsaina amin'ny literatiora rehetra sy ny fahendrena, ary afaka mahatakatra ireo karazana fahitana sy nofy rehetra i Daniela.
\v 18 Tamin'ny fiafaran'ny fotoana izay napetraky ny mpanjaka hitondrana azy ireo, dia nitondra azy ireo manoloana an'i Nebokadnezara ny lehibe manampahefana.
\s5
\v 19 Niresaka tamin'izy ireo ny mpanjaka, ary tsy nisy tahaka an'i Daniela, Hanania, Misaela ary Azaria tao amin'ny vondrona iray manontolo. Nitsangana nanoloana ny mpanjaka izy ireo, vonona ny hanompo azy.
\v 20 Tamin'ny fanontaniana rehetra mahakasika ny fahendrena sy ny fahazavan-tsaina izay napetraky ny mpanjaka azy ireo, dia voavalin'izy ireo tsara avo folo heny kokoa mihoatra ny an'ireo ombiasy sy ireo izay milaza ho miresaka amin'ny maty, izay tany amin'ny fanjakany manontolo izany.
\v 21 Tany foana i Daniela hatramin'ny taona voalohany nanjakan'ny mpanjaka Kirosy.
\s5
\c 2
\p
\v 1 Tamin'ny taona faharoa nanjakan'i Nebokadnezara, dia nanofy izy. Nihorohoro ny sainy, ary tsy afa-natory izy.
\v 2 Ary nampiantso ireo ombiasy sy ireo izay nilaza ho miresaka amin'ny maty ny mpanjaka. Niantso ireo mpanao ody sy ireo olon-kendry ihany koa izy. Naniry azy ireo hilaza azy ny momba ny nofiny izy. Koa niditra izy ireo ary nijoro teo anolohan'ny mpanjaka.
\s5
\v 3 Hoy ny mpanjaka tamin'izy ireo hoe: "Nanofy aho, ary ny saiko dia mitebiteby ny hahafantatra ny dikany ilay nofy."
\v 4 Avy eo dia niresaka tamin'ny mpanjaka tamin'ny teny Aramiana ireo olon-kendry: "Ry mpanjaka, ho velona mandrakizay! Lazao aminay mpanomponao ilay nofy, ary izahay hanambara ny dikany."
\s5
\v 5 Namaly an'ireo olon-kendry ny mpanjaka hoe: "Efa nilamina izany raharaha izany. Raha tsy ambaranareo sy hazavainareo ahy ilay nofy, dia ho potikapotika ny vatanareo ary ireo tranonareo hatao korotam-pako.
\v 6 Fa raha lazainareo ahy ny nofy sy ny dikany, dia hahazo fanomezana avy amiko ianareo, valisoa iray, ary voninahitra lehibe. Koa lazao ahy ny nofy sy ny dikany."
\s5
\v 7 Dia namaly indray izy ireo hoe: "Aoka ny mpanjaka hilaza aminay mpanompony, ny nofy dia holazainay anao ny dikany."
\v 8 Namaly ny mpanjaka hoe: "Fantatro tsara fa te hahazo fotoana mihoatra ianareo satria hitanareo fa tena entitra ny fanapaha-kevitro momba izany.
\v 9 Fa raha tsy lazainareo amiko ilay nofy, dia iray ihany ny teniko ho anareo. Nanapa-kevitra ny hanomana teny diso sy fitaka izay nifanekenareo ho lazaina amiko ianareo mandra-piova ny hevitro. Koa lazao ahy ary ilay nofy, dia ho fantatro fa afaka mandika izany amiko ianareo.
\s5
\v 10 Namaly ireo olon-kendry ilay mpanjaka hoe: "Tsy misy olona eto an-tany afaka hananteraka ny fangatahan'ny mpanjaka. Tsy misy mpanjaka lehibe sy mahery mbola nangataka zavatra toy izany avy amin'ny ombiasy, na avy amin'iza na iza milaza fa miresaka amin'ny maty, na avy amin'ny olon-kendry.
\v 11 Sarotra ny zavatra angatahin'ny mpanjaka, ary tsy misy na iza na iza afaka milaza izany amin'ny mpanjaka afa-tsy ireo andriamanitra, ary tsy miaina eo amin'ny olombelona izy ireo."
\s5
\v 12 Nahatezitra sy tena nahavinitra ny mpanjaka izany, ka nanome baiko handringana ireo rehetra any Babylona izay fantatra tamin'ny fahendreny izy.
\v 13 Koa nivoaka ny lalàna fa ireo rehetra izay fantatra tamin'ny fahendren'izy ireo dia hovonoina. Noho io lalàna io, dia nitady an'i Daniela sy ireo namany izy ireo mba hahafahana mamono azy ireo.
\s5
\v 14 Ary i Daniela namaly am-pahamalinana sy am-pisainana an'i Arioka mpifehy ny mpiambina ny mpanjaka, izay tonga hamono ireo rehetra tao Babylona izay fantatra tamin'ny fahendren'izy ireo.
\v 15 Nanontany ny mpifehin'ny mpanjaka i Daniela hoe: "Nahoana no dia maika tahaka izany ny lalàn'ny mpanjaka?" Koa nolazain'i Arioka tamin'i Daniela izay niseho.
\v 16 Avy eo Daniela niditra ary nangataka ny hihaona tamin'ny mpanjaka mba hahafahany manao ny fandikana ho an'ny mpanjaka.
\s5
\v 17 Avy eo dia nankany an-tranony ary nanazava izay niseho tamin'i Hanania, Misaela, sy Azaria i Daniela.
\v 18 Namporisika azy ireo hitady famindram-po avy amin'ny Andriamanitry ny lanitra izy mahakasika io zava-miafina io mba tsy hamonoana azy sy azy ireo miaraka amin'ireo olona tavela tao Babylona izay fantatra amin'ny fahendren'izy ireo.
\s5
\v 19 Tamin'io alina io dia nambara tamin'i Daniela tanaty fahitana ilay zava-miafina. Dia nidera an'ilay Andriamanitry ny lanitra i Daniela
\v 20 ary niteny hoe: "Miderà ny anaran'Andriamanitra mandrakizay doria; fa Azy ny fahendrena sy ny hery.
\s5
\v 21 Manova ny fotoana sy ny vanim-potoana Izy; manala sy mametraka ny mpanjaka eo amin'ireo seza fiandrianany Izy. Manome fahendrena ho an'ny hendry Izy ary fahalalana ho an'ireo izay manana fahazavan-tsaina.
\v 22 Mampiseho ny lalina sy ireo zava-miafina Izy satria fantany ny ao anatin'ny fahamaizinana, ary ny hazavana miaina ao aminy.
\s5
\v 23 Ry Andriamanitry ny razambeko, misaotra Anao aho ary midera anao noho ny fahendrena izay nomenao ahy. Efa nampahafantarinao ahy ankehitriny izay nangatahanay taminao; nampahafantarinao anay ny zavatra mampitebiteby ny mpanjaka."
\s5
\v 24 Avy eo dia niditra i Daniela hijery an'i Arioka (ilay notendren'ny mpanjaka hamono ny olona hendry rehetra tany Babylona). Nandeha izy ary niteny taminy hoe: "Aza mamono ny olon-kendry any Babylona. Ento any amin'ny mpanjaka aho ary dia hasehoko ny mpanjaka ny dikan'ny nofiny."
\s5
\v 25 Dia nentin'i Arioka faingana teo anatrehan'ny mpanjaka i Daniela ary niteny hoe: "Nahita lehilahy iray teo amin'ireo olon'i Joda natao sesitany izay hanambara ny dikan'ny nofin'ny mpanjaka aho."
\v 26 Hoy ny mpanjaka tamin'i Daniela (izay atao hoe Beltesazara): "Moa ve ianao afaka ny hilaza amiko ny nofy izay hitako sy ny heviny?"
\s5
\v 27 Daniela namaly ny mpanjaka ka nanao hoe: "Ny zava-miafina izay nanontanian'ny mpanjaka dia tsy azon'ireo izay manana fahendrena aseho, na ireo izay milaza fa miresaka amin'ny maty, na amin'ny alalan'ireo ombiasy, ary tsy amin'ny alalan'ireo mpanandro.
\v 28 Na dia izany aza, misy Andriamanitra izay monina any an-danitra, izay manambara ny zava-miafina, ary efa nampahafantariny anao, ry Nebokadnezara mpanjaka, izay hitranga amin'ny andro ho avy. Ireto ny nofinao sy ireo fahitan'ny sainao raha nandry teo amin'ny fandrianao ianao.
\s5
\v 29 Raha ny aminao, ry mpanjaka, ny fisainanao eo am-pandrianao dia momba ireo zavatra ho avy, ary izay manambara ireo zava-miafina dia efa nampahafantatra anao izay hiseho.
\v 30 Raha ny amiko, izany zava-miafina izany dia tsy nambara tamiko nohon'ny fahendrena izay hananako bebe kokoa mihoatra ny olombelona hafa. Nambara tamiko izany zava-miafina izany mba hahatakaranao ny dikany, ry mpanjaka, ary mba hahafahanao mahafantatra ireo eritreritra lalina ao anatinao.
\s5
\v 31 Ry mpanjaka, nitraka ianao ary nahita sarivongana lehibe. Io sarivongana io, izay mahery tokoa sy mamirapiratra, dia nijoro teo anatrehanao. Mampihorohoro ny famirapiratany.
\v 32 Ny lohan'ny sarivongana dia natao tamin'ny volamena tsara indrindra. Ny tratrany sy ny sandriny dia vita tamin'ny volafotsy. Ny afovoany sy ny feny dia vita tamin'ny varahina, ary ny ranjon'izany dia natao tamin'ny vy.
\v 33 Ny tongotr'izany dia vita tamin'ny vy ny ampahany ary tanimanga ny ampahany.
\s5
\v 34 Nitraka ianao, ary nisy vato tapaka iray, na dia tsy tamin'ny alalan'ny tanan'ny olona aza, ary namely ny sarivongana teo amin'ny tongony vy sy tanimanga izany, ary nandrava azy ireo.
\v 35 Avy eo ny vy, ny tanimanga, ny varahina, ny volafotsy ary ny volamena dia potipotika ka lasa toy ny akofam-bary eo amin'ny famoloana amin'ny fahavaratra. Notsofin'ny rivotra ireo ary tsy nisy soritr'izy ireo tavela. Fa ilay vato izay namely ny sarivongana dia lasa tendromobohitra lehibe ary nameno ny tany rehetra.
\s5
\v 36 Izany no nofinao. Ary andeha hilaza ny heviny amin'ny mpanjaka izahay izao.
\v 37 Ianao, ry mpanjaka, no mpanjakan'ireo mpanjaka izay nomen'Andriamanitry ny lanitra ny fanjakana, ny fahefana, ny hery, ary ny voninahitra.
\v 38 Efa nataony teo am-pelatananao ny toerana honenan'ny olombelona. Ary efa nomeny teo am-pelatananao ireo bibin'ny saha sy ny voron'ny lanitra, ary efa nanao anao ho mpanapaka eo amin'ireo rehetra ireo Izy. Ianao no lohan'ny sarivongana volamena.
\s5
\v 39 Ao aorianao, dia hisy fanjakana hafa hitsangana izay ambany noho ianao, kanefa ny fanjakana varahina fahatelo dia hanapaka eo amin'ny tany rehetra.
\s5
\v 40 Ary hisy fanjakana fahefatra, mafy tahaka ny vy, satria ny vy mamaky ireo zavatra hafa sy manorotoro ny zavatra rehetra. Manorotoro ireo zavatra rehetra ireo izany ary mamotika azy ireo.
\s5
\v 41 Araka ny hitanao, ny tongotra sy ireo rantsany dia vita tamin'ny tanimanga nandrahoana sy vy ny ampahany, koa dia ho fanjakana voazara izany; ny sasany amin'ny herin'ny vy dia ho ao amin'izany, araka ny efa nahitanao ny vy nafangaro tamin'ny tanimanga malefaka.
\v 42 Satria ireo rantsan-tongony dia natao tamin'ny vy ny ampahany ary tanimanga ny ampahany, dia ho mafy ny fanjakana amin'ny ampahany ary malemy amin'ny ampahany.
\v 43 Tahaka ny nahitanao ny vy nafangaro tamin'ny tanimanga malefaka, dia hifangaro ireo olona; tsy hiara-hijanona izy ireo, tahaka ny vy tsy mifangaro amin'ny tanimanga.
\s5
\v 44 Amin'ny andron'ireo mpanjaka ireo, dia hametraka ny fanjakana izay tsy ho voarava mihitsy, na ho babon'ny olon-kafa ilay Andriamanitry ny lanitra. Handravarava ireo fanjakana hafa izany ary hampitsahatra azy ireo rehetra, ary dia hitoetra mandrakizay izany.
\v 45 Araka ny efa hitanao, nisy vatolampy iray nanapaka tendrombohitra, fa tsy mba tamin'ny tanan'olombelona. Nanapatapaka ny vy, varahina, tanimanga, volafotsy, ary volamena izany. Efa nampahafantarin'ilay Andrimanitra lehibe anao, ry mpanjaka, izay hiseho aorin'izany. Marina ilay nofy ary azo antoka ity fandikana ity."
\s5
\v 46 Nampiankohoka ny tavany teo anatrehan'i Daniela i Nebokadnezara ary nanaja azy; nandidy ny hanaovana fanatitra iray izy ary ditin-kazo manitra hatolotra ho azy.
\v 47 Hoy ilay mpanjaka tamin'i Daniela hoe: "Tena ny Andriamanitrao no Andriamanitr'ireo andriamanitra, ilay Tompon'ireo mpanjaka, ary Ilay manambara ny zava-miafina, satria afaka manambara izany zava-miafina izany ianao."
\s5
\v 48 Avy eo nataon'ny mpanjaka nanana ny haja ambony i Daniela ary nomeny fanomezana mahafinaritra. Nanao azy ho mpanapaka teo amin'ny ireo faritanin'ny Babylona rehetra izy. Lasa lehiben'ny governora teo amin'ireo olon-kendry indrindra an'i Babylona i Daniela.
\v 49 Nanao fangatahana iray tamin'ny mpanjaka i Daniela, ary notendren'ny mpanjaka i Sadraka, Mesaka, ary Abednego mba ho mpandrindra eo amin'ireo faritanin'i Babylona. Fa Daniela kosa nitoetra tao amin'ny lapan'ny mpanjaka.
\s5
\c 3
\p
\v 1 Nanamboatra sarivongana volamena i Nebokadnezara mpanjaka izay enimpolo hakiho ny halavany ary enina hakiho ny sakany. Napetrany tao amin'ny Lemak'i Dora ao amin'ny faritanin'i Babylona izany.
\v 2 Dia nandefa hafatra i Nebokadnezara mba hampivory miaraka ireo governoram-paritany, ireo governoram-paritra, ary ireo governora teo an-toerana, mbamin'ireo mpanolo-tsaina, ireo mpitam-bola, ireo mpitsara, ireo mpahay lalàna, ireo manam-boninahitry ny faritany ambony rehetra mba ho tonga amin'ny fitokanana ny sarivongana izay efa natsangany.
\s5
\v 3 Dia niara-nivory ireo governoram-paritany, ireo governoram-paritra, sy ireo governora teo an-toerana, niaraka tamin'ireo mpanolo-tsaina, ireo mpitam-bola, ireo mpitsara, ireo mpahay lalàna, ireo manam-boninahitry ny faritany ambony rehetra mba ho tonga amin'ny fitokanana ny sarivongana izay efa natsangan'i Nebokadnezara. Nijoro teo anoloan'izany izy ireo.
\v 4 Dia nisy mpikabary nihiaka mafy hoe: "Didiana ianareo, ry vahoaka, ry firenena, sy ireo fiteny samihafa,
\v 5 fa amin'ny fotoana handrenesanareo ny feon'ny anjomara, sodina, sitara, lokanga, harpa ary farara, sy ny karazan-java-maneno rehetra, dia tsy maintsy miondrika ary miankohoka eo amin'ny sarivongana volamena izay efa natsangan'i Nebokadnezara mpanjaka ianareo.
\s5
\v 6 Na iza na iza tsy miondrika ka manompo, amin'izany fotoana izany mihitsy, dia hatsipy ao anaty lafaoro midedadeda."
\v 7 Koa rehefa nandre ny feon'ny anjomara, sodina, sitara, lokanga, harpa ary farara, sy ny karazan-java-maneno rehetra ny vahoaka manontolo, ireo firenena, sy fiteny dia niondrika ary niankohoka teo amin'ny sarivongana volamena izay efa natsangan'i Nebokadnezara mpanjaka.
\s5
\v 8 Ary tamin'io fotoana io dia nisy Kaldeana tonga ary nitondra fiampangana hanohitra ireo Jiosy.
\v 9 Hoy izy ireo tamin'i Nebokadnezara mpanjaka: "Ry mpanjaka! Ho velona mandrakizay anie ianao!
\v 10 Ianao, ry mpanjaka, dia efa nanao lalàna fa ny olona rehetra izay mandre ny feon'ny anjomara, sodina, sitara, lokanga, harpa ary farara, sy ny karazan-java-maneno rehetra, dia tsy maintsy miondrika ary miankohoka eo amin'ny sarivongana volamena.
\s5
\v 11 Na iza na iza tsy miondrika sy manompo dia tsy maintsy atsipy ao anaty lafaoro midedadeda.
\v 12 Ary misy ireo Jiosy izay notendrenao amin'ireo raharaham-paritanin'i Babylona; ny anaran'izy ireo dia Sadraka, Mesaka, ary Abednego. Ireo lehilahy ireo, ry mpanjaka, dia tsy nihaino anao. Tsy hivavaka na hanompo ireo andriamanitrao izy ireo, na hiankohoka eo anoloan'ny sarivongana volamena izay efa natsanganao."
\s5
\v 13 Ary Nebokadnezara, feno fahatezerana sy fahavinirana, dia nandidy ny hitondrana an'i Sadraka, Mesaka, ary Abednego ho eo aminy. Koa nentin'izy ireo teo anoloan'ny mpanjaka ireo lehilahy ireo.
\v 14 Hoy Nebokadnezara tamin'izy ireo: "Efa nandefa fisainanareo ve ianareo ry Sadraka, Mesaka, ary Abednego, fa tsy hanompo ireo andriamanitro ka hiankohoka eo anoloan'ny sarivongana volamena izay efa natsangako?
\s5
\v 15 Ary raha vonona ianareo— rehefa mandre ny feon'ny anjomara, sodina, sitara, lokanga, harpa ary farara, sy ny karazan-java-maneno rehetra— ny hiondrika ary hiankohoka eo amin'ny sarivongana volamena izay efa namboariko, dia hilamina ny zava-drehetra. Fa raha tsy manompo ianareo, dia hatsipy avy hatrany ao anaty lafaoro midedadeda. Iza no andriamanitra afaka mamonjy anareo eo an-tanako?"
\s5
\v 16 Namaly ny mpanjaka i Sadraka, Mesaka, ary Abednego hoe: "Ry Nebokadnezara, tsy mila mamaly anao amin'izany raharaha izany izahay.
\v 17 Raha misy valiny, dia ny Andriamanitray izay tompoinay no afaka miaro anay amin'ny lafaoro midedadeda, ary hamonjy anay tsy ho eo an-tananao Izy, ry mpanjaka.
\v 18 Fa na tsy izany aza, dia aoka ho fantatrao, ry mpanjaka, fa tsy hanompo ireo andriamanitrao izahay, ary tsy hiankohoka amin'ny sarivongana volamena izay efa natsanganao."
\s5
\v 19 Dia feno fahatezerana i Nebokadnezara; niova tamin'i Sadraka, Mesaka, ary Abednego ny endriny. Nodidiany fa tokony hafanaina im-pito mahamay kokoa noho ny hafanany mahazatra ny lafaoro.
\v 20 Dia nandidy lehilahy matanjaka maro tao amin'ny tafiny izy mba hamatotra an'i Sadraka, Mesaka, ary Abednego ka hanipy azy ireo ao anaty lafaoro midedadeda.
\s5
\v 21 Nofatorana mbola tamim-piakanjoana ireo akanjolavany, ireo kapaotiny, ireo satrony, sy fitafiana hafa izy ireo, ka natsipy tao anaty lafaoro midedadeda.
\v 22 Satria hentitra ny fanarahana ny baikon'ny mpanjaka ary nahamay be ny lafaoro, dia namono ireo lehilahy izay nampiakatra an'i Sadraka, Mesaka, ary Abednego ny lelafo.
\v 23 Ireo lehilahy telo ireo, izay Sadraka, Mesaka, ary Abednego, dia nianjera tao anatin'ny lafaoro midedadeda izy ireo sady nifatotra.
\s5
\v 24 Dia gaga Nebokadnezara mpanjaka ka nitsangana faingana. Nanontany ireo mpanolotsainy izy hoe: "Moa ve tsy natsipintsika nifatotra tao anaty afo izy telolahy?" Dia namaly ny mpanjaka izy ireo hoe: "Eny tokoa, ry mpanjaka."
\v 25 Hoy izy: "Nefa aho mahita lehilahy efatra tsy mifatotra mandehandeha ao anaty afo, ary tsy maninona izy ireo. Ny fanjelatry ny fahefatra dia tahaka ny zanak'ireo andriamanitra."
\s5
\v 26 Dia nanatona ny varavaran'ny lafaoro midedadeda i Nebokadnezara ka niantso mafy hoe: "Ry Sadraka, Mesaka, ary Abednego, mpanompon'Andriamanitra Avo Indrindra, mivoaha! Mankanesa aty!" Dia nivoaka avy tao amin'ny afo i Sadraka, Mesaka, ary Abednego.
\v 27 Ireo governoram-paritany, ireo governoram-paritra, ireo governora hafa, ary ireo mpanolo-tsain'ny mpanjaka izay niara-niangona dia nahita ireo lehilahy ireo. Tsy nampaninona ny vatan'izy ireo ny afo; tsy may ny volon-dohan'izy ireo; tsy simba ny fitafian'izy ireo; ary tsy nisy fofon'afo taminy.
\s5
\v 28 Hoy Nebokadnezara: "Ndeha isika hidera ny Andriamanitr'i Sadraka, Mesaka, ary Abednego, izay nandefa ny irany ary nanome izao hafany izao ho an'ireo mpanompony. Natoky Azy izy ireo raha nandà ny baikoko, ary nahafoy ny vatany izy ireo toy izay hanompo sy hiankohoka amin'izay andriamanitra afa-tsy ny Andriamanitr'izy ireo.
\s5
\v 29 Koa manao lalàna aho fa izay vahoaka, firenena, na fiteny izay milaza zavatra hanohitra ny Andriamanitr'i Sadraka, Mesaka, sy Abednego dia tsy maintsy ravana, ary ny tranon'izy ireo dia tsy maintsy atao ho fako mivangongo satria tsy misy andriamani-kafa afaka manavotra tahaka izao."
\v 30 Dia nampisondrotra an'i Sadraka, Mesaka, ary Abednego tao amin'ny faritanin'i Babylona ny mpanjaka.
\s5
\c 4
\p
\v 1 Nandefa izao didy izao ho an'ireo vahoaka, ireo firenena, ary ireo fiteny rehetra izay nonina tety ambonin'ny tany i Nebokadnezara mpanjaka hoe: "Hampitomboina aminareo anie ny fiadanana.
\v 2 Toa tsara amiko ny milaza aminareo ireo famantarana sy zava-mahagaga izay nataon'ny Avo Indrindra tamiko.
\v 3 Lehibe loatra ireo famantarany, ary mahery loatra ireo zava-mahagagany! Fanjakana tsy manam-pahataperana ny fanjakany, ary maharitra hatramin'ny taranaka fara mandimby ny fanapahany.
\s5
\v 4 Izaho, Nebokadnezara, dia nonina tamin-kafaliana tao an-tranoko, ary nankafy fahombiazana aho tao amin'ny lapako.
\v 5 Saingy nampatahotra ahy ny nofiko iray. Raha nandry iny aho, dia nampikorontana ahy ireo kisarisary sy ireo fahitàna izay tato an-tsaiko.
\v 6 Koa dia nanome didy aho ny hitondràna teo amiko ireo lehilahin'i Babylona rehetra izay nanam-pahendrena raha afaka ny handika ny nofy ho ahy izy ireo.
\s5
\v 7 Ary dia tonga ireo ombiasy, ireo izay milaza fa miresaka amin'ny maty, ireo olon-kendry, ary ireo mpanandro. Nanambara ilay nofiko tamin'izy ireo aho, fa tsy afaka ny handika izany tamiko izy ireo.
\v 8 Nefa niditra i Daniela nony farany_ ilay iray izay nantsoina hoe Beltesazara araka ny anaran'andriamanitro, misy fanahin'ireo andriamanitra koa ao anatiny_ ary nilaza taminy ilay nofiko aho.
\v 9 "Ry Beltesazara, ombiasibe, fantatro fa ao aminao ny fanahin'ireo andriamanitra masina ary tsy misy zava-miafina izay sarotra aminao ihany koa. Lazao ahy izay hitako tao anaty nofiko ary inona ny dikan'izany.
\s5
\v 10 Ireto avy ireo fahitana izay hitako tao an-tsaiko raha nandry tao am-pandriako aho: nandinika aho, ary nisy hazo iray teo afovoan'ny tany, ary lehibe tokoa ny haavon'izany.
\v 11 Nihanitombo ilay hazo ka tonga nahery. Nananika ny lanitra ny tendrony, ary afaka mahita izany hatrany amin'ireo vazan-tany manontolo.
\v 12 Tsara tarehy ny raviny, marobe aok'izany ny voany, ary nisy sakafo ho an'ny rehetra teo amboniny. Nahita fialofana tao ambaniny ny bibidia, ary ny voron'ny habakabaka nonina teo amin'ireo rantsany. Voafahana avy tamin'izany avokoa ireo zava-manan'aina rehetra.
\s5
\v 13 Nahita tao an-tsaiko aho tamin'izaho nandry teo am-pandriako, ary nisy iraka masina iray nidina avy teny amin'ny habakabaka.
\v 14 Nihiaka mafy izy ka nanao hoe: 'Kapao ilay hazo ary tapaho ireo ratsany, esory ireo raviny, ary aparitaho ny voany. Aoka ireo biby handositra avy eo ambanin'izany ary ireo vorona hanidina lavitr'ireo rantsany.
\s5
\v 15 Avelao ny fototry ny fakany ho ao anaty tany, fatory amin'ny fehim-by sy varahina, eo afovoan'ny ahitry ny saha. Aoka izany ho kotsan'ny andon'ny habakabaka. Aoka izany hivelona miaraka amin'ireo biby eo amin'ireo voninkazo eny amin'ny tany.
\v 16 Aoka ny fisainany hiova fisainan'olona, ary aoka ny fisainam-biby no homena azy hatramin'ny fahalasan'ny fito taona.
\s5
\v 17 Izany fanapahan-kevitra izany dia avy tamin'ny didy notaterin'ilay iraka. Izany fanapahan-kevitra izany no nataon'ireo masina mba ahafahan'ireo velona mahafantatra fa manapaka manerana ireo fanjakanan'ny vahoaka ny Avo Indrindra ary manome azy ireo ho an'ny olona izay tiany hapetraka eo amin'izy ireo, na dia ny lehilahy faran'izay manetry tena aza.'
\v 18 Izaho, Nebokadnezara, no nanana izany nofy izany. Ankehitriny ianao, ry Beltesazara, Lazao ahy ny dikany, satria tsy misy amin'ireo lehilahy hendrin'ny fanjakako afaka ny handika izany ho ahy. Fa ianao no afaka manao izany, satria ao aminao ny fanahin'ireo andriamanitra masina."
\s5
\v 19 Ary Daniela, izay natsoina ihany koa hoe Beltesazara, dia tohina mafy nandritra ny fotoana vitsy, ka nanaitra azy ny fisainany. Dia hoy ny mpanjaka hoe: "Ry Beltesazara, aza avela hanaitra anao akory ny nofy na ny dikan'izany." Namaly Beltesazara hoe: "Ry Tompoko, aoka ho amin'ireo izay mankahala anao anie ny nofy; ho an'ireo fahavalonao anie ny dikan'izany.
\s5
\v 20 Ilay hazo izay hitanao—izay nitombo ka tonga nahery, ary izay nipaka tany an-danitra ny tendrony, ka azo nojerena tany amin'ny ireo faran'ny tany rehetra—
\v 21 izay tsara tarehy tokoa ireo raviny, ary maro dia maro tokoa ny voany, mba hisian'ny sakafo ho an'ny rehetra ao amin'izany, ary ao ambaniny no ahitan'ireo bibin'ny saha fialofana, ary nonenan'ireo voron'ny habakabaka tao aminy—
\v 22 izany hazo izany dia ianao, ry mpanjaka, ianao izay nitombo ho tena mahery. Nihanitombo ny fahalehibeazanao ka nanakatra ny lanitra, ary ny fanapahanao nipaka tany amin'ireo faran'ny tany.
\s5
\v 23 Ianao, ry mpanjaka, no nahita ny iraka masina nidina avy tany an-danitra ka niteny hoe: "Kapaho ilay hazo ary poteho izany, nefa avelao ny fakan'izany ho ao amin'ny tany, fatory amin'ny fehim-by sy varahina, eo afovoan'ny ahitra malemin'ny saha. Avelao ho kotsan'ny ando avy any an-danitra izany. Aoka izany hivelona hiaraka amin'ireo bibidia eny amin'ireo saha mandra-paha lasan'ny fito taona.'
\s5
\v 24 Izany no dikany, ry mpanjaka. Izany no didin'ny Avo Indrindra izay nipaka taminao, ry tompoko mpanjaka.
\v 25 Hesorina amin'ny olona ianao, ary hitoetra miaraka amin'ireo bibidia any amin'ireo saha. Hampihinanana ahitra tahaka ny omby ianao, ary ho kotsan'ny ando avy any an-danitra, ka fito taona no handalo mandra-pihaikinao fa ny Avo Indrindra no manapaka eo amin'ireo fanjakan'olona ary Izy no manome azy ireo ho amin'ny olona izay iriany.
\s5
\v 26 Araka ny nandidiana ny hamelàna ny fakan'ny hazo, dia amin'izany fomba izany no hamerenana ny fanjakanao ho aminao amin'ny fotoana hahalalanao fa manjaka ny lanitra.
\v 27 Noho izany, ry mpanjaka, aoka ny torohevitro ho azo ekena aminao. Ajanony ny fanotàna ka manaova izay marina. Mivilia amin'ireo helokao amin'ny fanehoana famindram-po amin'ireo nampahoriana, ary izany dia mba ho afaka hihitatra ny fahombiazanao."
\s5
\v 28-29 Nitranga tamin'ny mpanjaka Nebokadnezara ireny zavatra rehetra ireny. Roa ambin'ny folo volana taty aoriana dia nandeha teo amin'ny tafon'ny lapan'ny mpanjaka tany Babylona izy,
\v 30 ary hoy izy hoe: "Tsy ity ve ilay Babylona lehibe, izay natsangako ho an'ny toeram-ponenam-panjakako, ho amin'ny voninahitry ny fahalehibeazako?"
\s5
\v 31 Raha mbola teo am-bavan'ny mpanjaka ireo teny, dia nisy feo avy any an-danitra hoe: "Ry Nebokadnezara mpanjaka, nambara taminao fa efa nesorina taminao izao fanjakana izao.
\v 32 Ho roahina tsy ho eo amin'ny vahoaka ianao, ary ny toeram-ponenanao dia hiaraka amin'ireo bibidia eny amin'ireo saha. Hampihinanana ahitra tahaka ny omby ianao. Fito taona no handalo mandra-pahatonga anao hiaiky fa ny Avo Indrindra no manapaka eran'ireo fanjakan'ny olona ary Izy no manome azy ireo ho an'ny olona iriany."
\s5
\v 33 Izany didy nanohitra an'i Nebokadnezara izany dia notanterahina tsy nisy atak'andro. Noroahina tsy ho eo amin'ny vahoaka izy. Nihinana ahitra tahaka ny omby izy, ary kotsan'ny andon'ny lanitra ny vatany. Nihalava tahaka ny volon'ny rain'ny voromahery ny volony, ary tonga tahaka ny an'ny vorona ireo hohony.
\s5
\v 34 Tamin'ny fiafaran'ny andro, izaho, Nebokadnezara, nanandratra ny masoko any amin'ny lanitra, ary naverina tamiko indray ny adalàko. "Midera ny Avo Indrindra aho, ary manome voninahitra an'ilay Iray izay mitoetra mandrakizay aho. Fa tsy manam-pahataperana ny fanapahany, ary maharitra hatramin'ny taranaka fara-mandimby ny fanjakany.
\s5
\v 35 Tsinotsinona taminy ny mponin'ny tany rehetra; manao izay rehetra mety amin'ny sitra-pony amin'ny tafiky ny lanitra sy ny mponin'ny tany Izy. Tsy misy afaka hampijanona Azy na hifaninana aminy. Tsy misy afaka ny hiteny Azy hoe: 'Nahoana no nanao izao Ianao?'"
\s5
\v 36 Tamin'io fotoana niverenan'ny adalako tamiko io ihany, dia niverina tamiko ny voninahitro sy ny fahalehibeazako ho an'ny voninahitry ny fanjakako. Nahita ny sitrako ireo mpanolotsaiko sy ireo lehilahiko mendri-kaja. Nentina niverina teo amin'ny seza fiandrianako indray aho, ary ambonin'izany dia nomena fahalehibeazana bebe kokoa aho.
\v 37 Izaho, Nebokadnezara, dia midera, manandratra, ary manome voninahitra ilay Mpanjakan'ny lanitra ankehitriny, fa marina ireo asany, ary mahitsy ny lalany. Afaka mampietry ireo izay mandeha amin'ny fiavonavonany Izy.
\s5
\c 5
\p
\v 1 Nanao fanasana lehibe ho an'ireo tandapa arivo lahy i Belsazara mpanjaka, ary nisotro divay teo anoloan'ireo arivo lahy rehetra izy.
\v 2 Raha nanandrana ilay divay i Belsazara, dia nanome baiko mba hitondrana ny tavoara vita amin'ny volamena na volafotsy izay nalain'i Nebokadnezara rainy tao an-tempoly tao Jerosalema, izay tamin'izany izy, ireo tandapany, ary ireo vadiny sy ny vaditsindranony no nisotro.
\s5
\v 3 Naka ireo tavoara volamena izay efa navoaka avy tao an-tempoly, tranon'Andriamanitra, tao Jerosalema ireo mpanompo. Ary tamin'ireo no nisotroan'ny mpanjaka, ireo tandapany, ary ireo vadiny sy ireo vaditsindranony.
\v 4 Nisotro divay izy ireo ary nidera ireo sampin'izy ireo izay vita tamin'ny volamena sy volafotsy, varahina, vy, hazo, ary vato.
\s5
\v 5 Tamin'izany fotoana izany dia nisy rantsan-tanan'olona niseho teo anoloan'ny fitoeran-jiro ary nanoratra teo amin'ny rindrina voalalotra tao an-dapan'ny mpanjaka. Nahita ny ampahan'ilay tanana ny mpanjaka raha nanoratra izany.
\v 6 Dia niova ny endriky ny mpanjaka ary nampatahotra azy ny eritreriny; tsy nahazaka azy ny tongony, ary niady ny lohaliny.
\s5
\v 7 Niantso mafy ny komandiny ny mpanjaka mba hampiditra ireo izay nilaza fa miresaka amin'ny maty, olona marani-tsaina, ary ireo mpanandro. Niteny tamin'ireo fantatra tamin'ny fahendreny tao Babylona ny mpanjaka hoe: "Na iza na iza manazava io soratra io sy ny dikany dia hampitafiana volomparasy izay ary hanana rojo volamena eo am-bozony. Hanana ny fahefan'ny mpanapaka fahatelo ambony indrindra ao amin'ny fanjakana izy."
\s5
\v 8 Ary dia niditra ireo lehilahin'ny mpanjaka izay fantatra noho ny fahendreny, kanefa tsy nahavita namaky ilay soratra na nanazava ny dikany tamin'ny mpanjaka izy ireo.
\v 9 Taitra mafy i Belsazara mpanjaka ary niova ny endriky ny tavany. Very hevitra ireo tandapany.
\s5
\v 10 Ary niditra tao amin'ny trano fanasana ny mpanjaka vavy nohon'ny zavatra notenenin'ny mpanjaka sy ireo tandapany. Dia hoy ny mpanjaka vavy hoe: "Ho ela velona anie ny mpanjaka! Aza avela hanakorontana anao ny eritreritrao. Aza avela hiova ny endriky ny tavanao.
\s5
\v 11 Misy lehilahy izay manana ny fanahin'ireo andriamanitra masina eto amin'ny fanjakanao. Tamin'ny andron'ny rainao, dia hita tao aminy ny fahazavana sy ny fahazavan-tsaina ary fahendrena tahaka ny fahendren'ireo andriamanitra. Nebokadnezara mpanjaka, mpanjaka rainao, nanao azy ho lehiben'ireo ombiasy, ary lehiben'ireo miresaka amin'ny maty, sy an'ireo olona marani-tsaina, ary an'ireo mpanandro.
\v 12 Fanahy tsara dia tsara, fahalalana, fahazavan-tsaina, fandikana nofy, fanazavana teny sarotra ary famahana olana_ireo hatsarana ireo dia hita tao amin'izany lehilahy Daniela izany, izay nantsoin'ny mpanjaka hoe Beltesazara. Koa ankehitriny mampiantsoa an'i Daniela dia holazainy aminao ny dikan'izay voasoratra."
\s5
\v 13 Ary dia nentina teo anatrehan'ny mpanjaka i Daniela. Hoy ny mpanjaka taminy hoe: "Ianao izany Daniela izany, iray amin'ireo vahoaka sesin-tanin'i Joda, izay nentin'ny raiko niala tao Joda.
\v 14 Efa reko ny momba anao, fa ao aminao ny fanahin'ireo andriamanitra, ary ny hazavana sy fahazavan-tsaina ary fahendrena tsara dia tsara dia hita ao aminao.
\s5
\v 15 Efa nampidirina teo anoloako mba hamaky io soratra io sy hampahafantatra ahy ny dikany ireo lehilahy fantatra amin'ny fahendrena sy ireo izay miresaka amin'ny maty, kanefa tsy nahavita nampahafantatra ny dikan'izany izy ireo.
\v 16 Efa nahare aho fa afaka manome fandikana sy mamaha olana ianao. Koa raha hainao ny mamaky ilay soratra ary milaza amiko ny dikany, dia hampitafiana volomparasy ianao ary hasiana rojo volamena eo am-bozonanao, ary hahazo ny fahefana mpanapaka fahatelo avo indrindra eto amin'ny fanjakana ianao."
\s5
\v 17 Dia namaly teo anoloan'ny mpanjaka i Daniela hoe: "Aoka ho anao ihany ny fanomezanao, ary omeo olon-kafa ny valisoanao. Na dia izany aza, dia hovakiko aminao ny soratra, ry mpanjaka, ary holazaiko aminao ny heviny.
\v 18 Ny aminao, ry mpanjaka, ny Andriamanitra Avo Indrindra nanome an'i Nebokadnezara rainao ny fanjakana, ny fahalehibiazana, haja, sy voninahitra.
\v 19 Nohon'ny fahalehibeazana nomen'Andriamanitra azy, dia nangovitra sy natahotra azy ny vahoaka rehetra, ny firenena, ary ny fiteny samihafa. Namono izay tiany hovonoina izy, ary namela ho velona izay tiany ho velona. Nasandrany izay tiany, ary naetriny izay niriany haetry.
\s5
\v 20 Fa rehefa niavonavona ny fony ary nihamafy ny fanahiny mba hanaovany zavatra sahisahy, dia nesorina teo amin'ny seza fiandrianana maha mpanjaka azy izy, ary nesorin'izy ireo ny voninahiny.
\v 21 Noroahina tamin'ny olombelona izy, nanana saim-biby izy, ary niara-niaina tamin'ireo borikidia izy. Nihinan'ahitra tahaka ny omby izy. Kotsan'ny andon'ny lanitra ny vatany mandra-pahafantarany fa ny Andriamanitra Avo Indrindra no manapaka eo amin'ny fanjakan'ny vahoaka ary manendry izay tiany hapetraka eo amin'izany Izy.
\s5
\v 22 Ianao zanany lahy, ry Belsazara, dia tsy nanetry ny fonao, na dia nahafantatra izany rehetra izany aza ianao.
\v 23 Efa nanandra-tena hanohitra ny Tompon'ny lanitra ianao. Avy tao an-tranony no nitondranao ireo tavoara izay nisotroanao, ireo tandapanao, ireo vady sy ireo vaditsindranonao, ary nanompo ireo sampy vita tamin'ny volafotsy sy volamena, varahina, vy, hazo, ary vato—sampy izay tsy mahita, mandre, na mahalala na inona na inona ianao. Tsy nanome voninahitra an'Andriamanitra izay mitazona ny fofon'ainao eo am-pelatanany sy mahalala ny lalanao rehetra ianao.
\v 24 Ary Andriamanitra nandefa tanana avy amin'ny fanatrehany ka vita izao soratra izao.
\s5
\v 25 Ny teny voasoratra dia izao: 'Mene, Mene, Tekela, ary Oparesina.'
\v 26 Izao no heviny: 'Mene,' 'Voaisan'Andriamanitra ny nanjakanao ary nitondra izany ho amin'ny fiafarana Izy.'
\v 27 'Tekela,' 'Lanjaina eo amin'ny mizàna ianao ary hita fa latsa-danja.'
\v 28 'Peresa,' 'Zaraina sy omena ho an'ireo Mediana sy ireo Persiana ny fanjakanao.'"
\s5
\v 29 Dia nanome baiko i Belsazara, ary nampiakanjo volomparasy an'i Daniela izy ireo. Natao teo am-bozony ny rojo volamena, ary nanao fanambarana momba azy ny hahazoany ny fahefana mpanapaka fahatelo avo indrindra teo amin'ny fanjakana ny mpanjaka.
\v 30 Tamin'iny alina iny, dia maty i Belsazara, mpanjakan'ny Babyloniana,
\v 31 ary i Dariosy ilay Mediana no nandray ny fanjakana raha teo ho eo amin'ny roa amby enipolo taona izy.
\s5
\c 6
\p
\v 1 Nahafaly an'i Dariosa ny nanendry governora 120 isam-paritany nanerana ny fanjakana izay hanapaka manerana ny fanjakana rehetra.
\v 2 Nisy komandy lehibe telo teo amin'izy ireo, ary iray tamin'ireo i Daniela. Ireo komandy lehibe ireo dia voatendry mba hanara-maso ireo governora isam-paritra, mba tsy ho faty antoka ny mpanjaka.
\v 3 Niavaka ambonin'ireo komandy lehibe hafa sy ireo governora isam-paritra i Daniela satria nanana fanahy miavaka izy. Nanao drafitra ny hametraka azy manerana ny fanjakana rehetra ny mpanjaka.
\s5
\v 4 Avy eo ireo mpitan-draharaha lehibe hafa sy ireo governora isam-paritany nitady hadisoana tamin'ny asa nataon'i Davida ho an'ny fanjakana, saingy tsy nahita kolikoly na tsy fahombiazana tamin'ny asany izy ireo satria nahatoky izy. Tsy nisy fahadisoana na tsirambina hita taminy.
\v 5 Dia hoy ireo lehilahy ireo hoe: "Tsy mahita antony tokony hitarainana ity Daniela ity izahay raha tsy hoe mahita zavatra manohitra azy araka ny lalàn'ny Andriamaniny izahay."
\s5
\v 6 Dia nitondra tetika teo anoloan'ny mpanjaka ireo mpitan-draharaha sy governora. Hoy izy ireo taminy hoe: "Ry Dariosa mpanjaka, ho velona mandrakizay anie ianao!
\v 7 Ireo mpitan-draharaha lehibe rehetra tao amin'ny fanjakana, ireo governora isam-paritra, sy ireo governora isam-paritany, ireo mpanolotsaina, ary ireo governora dia niara-nifampidinika ary nanapa-kevitra fa ianao, mpanjaka, dia tokony hamoaka didy ary hanamafy izany, ka na iza na iza manao fanangonan-tsonia amin'ny andriamanitra rehetra na olombelona mandritra ny telopolo andro, ankoatra anao, ry mpanjaka, dia tsy maintsy hatsipy ao an-davaky ny liona izany olona izany.
\s5
\v 8 Ankehitriny, ry mpanjaka, mamoaha didy ary soniavo ny taratasy mba tsy hanovàna izany, araka ny voatondron'ny lalàn'ny Mediana sy Persiana, ka tsy afaka foanana izany."
\v 9 Koa dia nosoniavin'i Dariosa mpanjaka ny taratasy namadihana ilay didy ho lalàna.
\s5
\v 10 Rehefa fantatr'i Daniela fa voasonia ho lalàna ilay taratasy, dia nandeha tany an-tranony izy (ary nisokatra ireo varavarakeliny tany amin'ny efitra ambony nifanandrify tamin'i Jerosalema), ary nandohalika izy, toy ny fanaony in-telo anatin'ny iray andro, ary nivavaka sy nisaotra nanoloana ny Andriamaniny izy, toy ny efa nataony tany aloha.
\v 11 Avy eo ireo lehilahy izay niara-nanao teti-dratsy ireo nahita an'i Daniela nanao fangatahana sy nitady fanampiana avy amin'Andriamanitra.
\s5
\v 12 Avy eo izy ireo nanatona ny mpanjaka ary niresaka taminy momban'ny didiny hoe: "Moa tsy nanao didy ve ianao fa izay rehetra manao sonia amin'ny andriamanitra rehetra na olombelona mandritra ny telopolo andro manaraka, ankoatra anao, ry mpanjaka, dia tsy maintsy atsipy ao an-davaky ny liona?" Namaly ny mpanjaka hoe: "Voapetraka ny raharaha, araky ny voatondron'ny lalàn'ny Mediana sy Persiana; tsy afaka foanana izany."
\s5
\v 13 Dia namaly ny mpanjaka izy ireo hoe: "Izany Daniela izany, izay iray amin'ireo olona avy an-tsesi-tany tany Joda, dia tsy miraharaha anao, ry mpanjaka, na ny didy izay nosoniavinao. Mivavaka amin'ny Andriamaniny in-telo izy ao anatin'ny iray andro."
\v 14 Rehefa nandre izany ny mpanjaka, dia nalahelo mafy izy, ary nandefa fisainana ny hanavotra an'i Daniela amin'ny fanapahany. Niasa mandra-podin'ny masoandro izy mba hiezaka hanavotra an'i Daniela.
\s5
\v 15 Avy eo ireo lehilahy izay nanao teti-dratsy ireo niangona niaraka tamin'ny mpanjaka ary nanao taminy hoe: "Fantaro, ry mpanjaka, fa lalàn'ny Midiana sy Persiana izany, ary tsy afaka ovaina ny lalàna na didy izay nataon'ny mpanjaka."
\s5
\v 16 Dia nanome baiko ny mpanjaka, ary nentin'izy ireo niditra Daniela, ka natsipin'izy ireo tao an-davaky ny liona izy. Hoy ny mpanjaka tamin'i Daniela hoe: "Hanavotra anao anie, ny Andriamanitrao, izay tompoinao mandrakariva."
\s5
\v 17 Nisy vato nentina teo amin'ny fidirana mankany amin'ilay lavaka, ary nanisy tombo-kase izany tamin'ny perany ny mpanjaka sy tamin'ireo peratra fanombohan-kasen'ireo manan-kajany mba tsy hisy hiova ny mahakasika an'i Daniela izy.
\v 18 Avy eo nandeha tany amin'ny lapany ny mpanjaka ary nandia ny alina nifady hanina. Tsy nisy fialam-boly nentina teo anoloany, ary lasa ny torimasony.
\s5
\v 19 Avy eo vao mangiran-dratsy dia nitsangana ny mpanjaka ary nandeha faingana tany an-davaky ny liona.
\v 20 Raha nanakaiky ny lavaka izy, dia niantso an'i Daniela tamin'ny feo malahelo, nanao tamin'i Daniela hoe: "Ry Daniela, mpanompon'ilay Andriamanitra velona, moa tsy afaka nanavotra anao tamin'ireo liona ny Andriamanitrao, izay tompoinao mandrakariva?"
\s5
\v 21 Dia hoy Daniela tamin'ny mpanjaka hoe:
\v 22 "Ry mpanjaka, ho velona mandrakizay anie ianao! Efa nandefa ny mpitondra hafany Andriamanitra ary nanakatona ny vavan'ny liona, ary tsy nandratra ahy izy ireo. Fa tsy misy tsiny teo anatrehany aho sy teo anoloanao ihany koa, ry mpanjaka, ary tsy nanao ratsy anao aho."
\s5
\v 23 Avy eo dia faly tanteraka ny mpanjaka. Nanome baiko ny hampakaran'izy ireo an'i Daniela avy ao an-davaka izy. Noho izany dia nampiakarina avy tao an-davaka Daniela. Tsy nisy ratra hita taminy, satria nahatoky ny Andriamaniny izy.
\s5
\v 24 Nanome baiko ny mpanjaka, ary nentiny ireo lehilahy izay niampanga an'i Daniela ireo ary natsipin'izy ireo tao an-davaky ny liona—izy ireo sy ny zanak'izy ireo, ary ny vadin'izy ireo. Mialohan'ny nahatongavan'izy ireo tamin'ny tany, dia nandresy azy ireo ny liona ary namotika ny taolana rehetran'izy ireo.
\v 25 Avy eo Dariosa mpanjaka nanoratra tamin'ny olona rehetra, ireo firenena, ary ireo fiteny izay misy eto an-tany rehetra hoe: "Hampitomboina aminao anie ny fiadanana.
\s5
\v 26 Izao aho dia manao didy fa amin'ny fanapahana rehetra amin'ny fanjakako dia mangovitra sy matahotra eo anatrehan'i Andriamanitr'i Daniela ny olona, satria Izy no Andriamanitra velona sy miaina mandrakizay, ary ny fanjakany dia tokony tsy ho ravaina; ny fanapahany dia tokony ho hatramin'ny farany.
\v 27 Miaro antsika sy manavotra antsika Izy, ary manao famantarana sy fahagagana any an-danitra sy eto an-tany Izy; niaro an'i Daniela ho avotra tamin'ny herin'ireo liona Izy."
\s5
\v 28 Noho izany dia nambinina nandritra ny fitondran'i Dariosa sy nandritra ny fitondran'i Kyrosy ilay Persiana i Daniela.
\s5
\c 7
\p
\v 1 Tamin'ny voalohan-taonan'i Belsazara mpanjakan'i Babylonia, dia nanofy sy nahazo fahitana tao an-tsainy i Daniela raha nandry teo amin'ny fandriany izy. Avy eo dia nanoratra izay hitany tao amin'ny nofiny izy. Nanoratra ireo tranga manan-danja indrindra izy:
\v 2 Nanazava i Daniela hoe: "Tao anatin'ilay fahitako tamin'ny alina dia nahita ireo rivotra efatry ny lanitra aho ka nampihetsika ny ranomasim-be.
\v 3 Biby lehibe efatra, samihafa karazana avy, no niakatra avy tao amin'ny ranomasina.
\s5
\v 4 Ilay voalohany dia tahaka ny liona fa manana elatra voromahery. Raha nijery aho, rovitra ireo elany ary miainga amin'ny tany izany ka mitsangana amin'ny tongotra roa, tahaka ny olona. Nomena izany ny fisainan'ny olona.
\v 5 Avy eo dia nisy biby faharoa, tahaka ny bera, ary niondrika izany; nanana taolan-tehezana telo eo anelanelan'ny nifiny sy ny vavany izany. Notenenina izany hoe: 'Mifohaza ary mandrapaha olona maro.'
\s5
\v 6 Taorian'izany dia nijery indray aho. Nisy biby iray hafa, iray izay miendrika tahaka ny leoparda. Teo an-damosin'izany dia nisy elatra efatra tahaka ny elatry ny vorona, ary nanana loha efatra izany. Nomena fahefana hanapaka izany.
\v 7 Taorian'izay dia nahita biby fahefatra tao anatin'ilay nofiko tamin'ny alina aho, nampihorohoro, nampitahotra, ary tena natanjaka. Nanana nify vy lehibe izy; nandrapaka izany, namotipotika, ary nanitsakitsaka izay tavela amin'ny tongotra. Izany dia tsy nitovy amin'ireo biby hafa, ary nanana tandroka folo izy.
\s5
\v 8 Raha nandinika ireo tandroka aho, dia nijery ary nahita tandroka hafa maniry eo amin'izany, tandroka kely iray. Ny telo amin'ireo tandroka voalohany dia nivoaka tamin'ny fakany. Nahita maso tahaka ny mason'olona tao anatin'io tandroka io aho ary vava izay nirehareha momba ireo zavatra lehibe.
\s5
\v 9 Raha nijery aho, dia nipetraka tamin'ny toerany ireo seza fiandrianana, ary ireo Andro Fahagola no naka ny fitoerany. Fotsy tahaka ny oram-panala ny akanjony, ary ny volon-dohany dia tahaka ny volon'ondry tsy mifangaro. Lelan'afo no seza fiandrianany, ary ireo kodiany dia afo mirehitra.
\s5
\v 10 Nikoriana nivoaka avy teo anoloany ny loharanon'afo; an-tapitrisany no nanompo azy, ary zato tapitrisa no nitsangana eo anatrehany. Nivory ny fitsarana, ary nisokatra ireo boky.
\s5
\v 11 Mbola nijery hatrany aho nohon'ny fireharehan'ireo teny nolazain'ireo tandroka. Nijery aho raha iny mbola novonoina iny ilay biby, ary nosimbaina ny vatany, ka natolotra mba ho dorana izany.
\v 12 Ary ny sisa tamin'ireo biby efatra, dia nalàna ny fahefan'izy ireo hanapaka, kanefa nalavaina ny fehim-potoana hiainan'izy ireo.
\s5
\v 13 Tao anatin'ilay fahitako io alina io, dia nahita olona iray tonga niaraka tamin'ireo rahon'ny lanitra tahaka ny zanak'olona aho; tonga teo amin'ireo Andro Fahagola izy ary naseho teo anatrehany.
\v 14 Nomena azy ny fahefana hanapaka sy voninahitra ary hery fiandrianana mba hanompo azy ireo olona rehetra, ireo firenena, ary ireo fiteny isan-karazany. Ny fahefany hanapaka dia fahefana mandrakizay izay tsy ho levona, ary ny fanjakany dia ilay tsy ho rava mandrakizay.
\s5
\v 15 Raha ny amiko, Daniela, dia malahelo ato anatiko ny fanahiko, ary ireo fahitana izay hitako tao an-tsaiko dia mampangovitra ahy.
\v 16 Nanatona ny iray tamin'ireo nitsangana tany aho ary nangataka taminy mba hampisehoany ahy ny dikan'ireo zavatra ireo.
\s5
\v 17 Ireo biby lehibe ireo, efatra raha isaina, dia mpanjaka efatra izay hisandratra avy amin'ny tany.
\v 18 Fa ireo olomasin'ilay Avo Indrindra dia handray fanjakana, ary hanana izany ho fananana mandrakizay doria izy ireo.'
\s5
\v 19 Ary te hahafantatra bebe kokoa momba ilay biby fahefatra aho—tena hafa tokoa amin'ireo hafa izany ary tena mampiori-koditra tokoa amin'ilay nifiny vy sy ireo hoho varahina; mandrapaka izany, mamotipotika, ary manitsakitsaka amin'ny tongony izay tavela.
\v 20 Te-hahafantatra momba ireo tandroka folo eo an-dohany aho, ary momba ilay tandroka hafa izay nitombo, ary nisy tandroka telo potraka teo alohany. Te-hahafantatra momba ilay tandroka izay mana-maso ary momba ilay vava izay mirehareha momba ireo zavatra lehibe aho ary toa lehibe mihoatra noho ireo namany izany.
\s5
\v 21 Raha nijery aho, io tandroka io dia mikarama an'ady manohitra ireo olomasina ary naharesy azy ireo
\v 22 mandra-pihavian'ireo Andro Fahagola, ary ny fahamarinana dia nomena ireo olomasin'ilay Avo Indrindra. Avy eo dia tonga ny fotoana rehefa nandray ny fanjakana ireo olomasina.
\s5
\v 23 Izao no nolazain'ilay olona: 'Raha ny amin'ilay biby fahefatra, ho fanjakana fahefatra amin'ny tany izay ho hafa amin'ireo fanjakana hafa rehetra izany. Handrapaka ny tany iray manontolo izany, hanitsaka sy handrava azy ho potipotiny.
\v 24 Raha ny amin'ireo tandroka folo, mpanjaka folo no hisandratra avy amin'io fanjakana io, ary iray hafa no hisandratra aorian'izy ireo. Ho hafa amin'ireo teo aloha izany, ary handresy ireo mpanjaka telo izy.
\s5
\v 25 Hilaza teny manohitra an'ilay Avo Indrindra izy ary hampahory ireo olomasin'Andriamanitra Avo Indrindra. Hiezaka hanova ireo fankalazana sy ireo lalàna izy. Ireo zavatra ireo dia homena eo an-tanany mandritra herin-taona, roa taona, ary tapa-taona.
\v 26 Fa hivory ny fitsarana, ka haka ny herin'ny fiandrianana mba ho simba sy ho rava any amin'ny farany izy ireo.
\s5
\v 27 Ny fanjakana sy ny fanapahana, ary ny halehibiazan'ny fanjakana eo ambanin'ny lanitra manontolo, dia homena ireo olona izay an'ireo olomasin'ilay Avo Indrindra. Ny fanjakany dia fanjakana maharitra mandrakizay, ary ireo fanjakana hafa rehetra dia hanompo sy hankato azy.'
\v 28 Inty no faran'ny tranga. Raha ny amiko, Daniela, nanaitra ahy tanteraka ireo eritreritro ary niova endrika ny tavako. Fa notazomiko ho ahy irery ireo zavatra ireo."
\s5
\c 8
\p
\v 1 Tamin'ny taona fahatelo nanjakan'i Belsazara Mpanjaka, izaho, Daniela, dia nisy fahitana niseho tamiko (tao aorinan'ilay iray izay niseho tamiko tamin'ny voalohany).
\v 2 Hitako tamin'ilay fahitana, raha nijery aho, dia tao anatin'ny fiarovana mafin'ny Sosana tany amin'ny faritanin'i Elama aho. Hitako tao amin'ilay fahitana fa nanatrika ny Lakandranon'ny Olay aho.
\s5
\v 3 Nijery ambony aho ary nahita ondrilahy niaraka tamin'ny tandroka roa teo anoloako aho, nitsangana teo akaikin'ny lakan-drano. Ny tandroka iray dia lava noho ny ilany, fa ilay lavalava iray nitombo tsimoramora noho ilay fohifohy ary nihoatra ny halavan'izany.
\v 4 Nahita ilay ondrilahy nirifatra niankandrefana, avy eo nianavaratra, ary avy eo nianatsimo aho; tsy nisy biby hafa afaka nitsangana nanoloana azy. Tsy nisy tamin'izy ireo afaka namonjy izay hiala tao an-tanany. Nanao izay tiany rehetra izy, ary tonga lehibe tokoa.
\s5
\v 5 Raha nisaintsaina momba izany aho, dia nahita osy lahy tonga avy any andrefana, izay nandeha nanerana ny velaran-tany manontolo, nihazakazaka mafy, toa tsy mitehi-tany. Nanan-tandroka lava teo anelanelan'ny masony ilay osy.
\v 6 Nankeo amin'ilay ondrilahy izay nanana tandroka roa izy— nahita ny ondrilahy nitsangana teo amin'ny sisin'ny lakan-drano aho—ary ny osy nihazakazaka ho eny amin'ny ondrilahy tamim-pahatezerana mahery vaika.
\s5
\v 7 Nahita ilay osy nanakaiky ilay ondrilahy aho. Tezitra mafy tamin'ilay ondrilahy izy, ary namely ilay ondrilahy ka namotika ireo tandrony roa. Tsy ampy hery ilay ondrilahy mba hijoro manatrika azy. Ilay osy nanongana azy tamin'ny tany ka nanitsakitsaka azy. Tsy nisy afaka namonjy ilay ondrilahy tamin'ny heriny.
\v 8 Niha-goavana ilay osy avy eo. Fa rehefa niha-nahery izy, dia vaky ilay tandroka lava, ary tamin'ny toeran'iny dia nisy tandroka lava efatra hafa nitombo izay nanondro manandrify ny rivotra efatry ny lanitra.
\s5
\v 9 Nisy tandroka hafa nitsiry, kely tamin'ny voalohany, fa tonga lehibe tokoa tany atsimo, tany atsinanana, ary tany amin'ny tanin'ny hatsarana.
\v 10 Tonga lehibe tokoa izany tahaka ny hirotsaka an'ady miaraka amin'ny tafiky ny lanitra. Ny sasany tamin'izany tafika izany sy ny sasany tamin'ireo kintana dia nazera tamin'ny tany, ary nanitsakitsaka azy ireo izany.
\s5
\v 11 Nanao ny tenany ho lehibe tahaka ny mpifehy ny tafika izy, ary nanaisotra taminy ny sorona dorana tsy tapaka izany, ary ny fitoerana masiny dia voaloto.
\v 12 Noho ny fikomiana, dia homena ny tandroky ny osy ny tafika, ary hatsahatra ny fanatitra dorana. Harian'ny tandroka amin'ny tany ambany ny fahamarinana, ary hahomby amin'izay ataony izany.
\s5
\v 13 Ary naheno masina niteny aho ary iray masina hafa namaly azy: "Hafiriana no haharetan'ireo zavatra ireo, io fahitana momba ny fanatitra dorana io, ny fahotana izay mitondra faharavana, ny fanjakazakana eo amin'ny fitoerana masina, ary ny tafiky ny lanitra izay voahitsakitsaka?"
\v 14 Hoy izy tamiko: "Haharitra 2. 300 hariva sy maraina izany. Aorian'izany dia hapetraka tsara ny fitoerana masina."
\s5
\v 15 Rehefa nahita ny fahitana, izaho, Daniela, dia niezaka nahatakatra izany aho. Ary nisy iray toa miendrika ho olona nitsangana nanoloana ahy.
\v 16 Naheno feon-dehilahy niantso teo anelanelan'ny sisin'ny Lakan-drano Olay aho. Hoy Izy: "Ry Gabriela, ampio io lehilahy io hahatakatra ny fahitana."
\v 17 Ka nanakaiky teo amin'izay nitsanganako izy. Rehefa tonga izy, natahotra aho ary nanodrika ny tenako tamin'ny tany. Hoy izy tamiko: "Mahatakara, ry zanak'olona, fa ny fahitana dia ho amin'ny fotoana farany."
\s5
\v 18 Rehefa niresaka tamiko izy, dia lavo tao anaty torimaso lalina aho miaraka amin'ny tavako amin'ny tany. Ary nikasika ahy izy ary nampitsangana ahy.
\v 19 Hoy izy: "Indro, hasehoko anao izay hitranga aty aoriana amin'ny fotoan'ny fahatezerana, satria ny fahitana dia mikasika ny fotoana voatondro ho amin'ny farany.
\s5
\v 20 Fa ny rameva izay hitanao, ilay nanana tandroka roa—ireo no mpanjakan'i Media sy Persia.
\v 21 Ilay ondry lahy dia ny mpanjakan'i Grisia. Ny tandroka lava teo anelanelan'ireo masony no ilay mpanjaka voalohany.
\s5
\v 22 Raha ny amin'ilay tandroka izay tapaka, teo amin'ny toerana izay nipoiran'ireo efatra hafa—hisy fanjakana efatra hipoitra amin'ny fireneny, fa tsy amin'ny heriny lehibe.
\v 23 Amin'ny fotoana farany an'ireo fanjakana ireo, rehefa hahatratra ny fetrany ireo mpamadika, dia hisy mpanjaka masia-tarehy, izay tena manan-tsaina, hitsangana.
\s5
\v 24 Ho lehibe tokoa ny heriny—fa tsy tamin'ny heriny manokana. Ho gaga amin'izay ho ravàny izy; hiasa izy ary hahomby. Handrava vahoaka mahery izy, vahoaka eo amin'ireo izay masina.
\v 25 Amin'ny alalan'ny hafetsifetseny no hanaovany fitaka mahomby ambanin'ny tanany. Ho tonga lehibe amin'ny eritreriny ihany izy. Handrava olona maro tsy ampoizina izy. Hitsangana izy na dia hanohitra ny Mpanjakan'ireo mpanjaka aza, ary ho potika izy, fa tsy mba amin'ny alalan'ny tanan'olombelona.
\s5
\v 26 Ny fahitana momba ireo hariva sy ireo maraina izay efa voalaza dia marina. Fa asio tombokase ny fahitana, fa manondro andro maro amin'ny hoavy izany."
\s5
\v 27 Koa izaho, Daniela, dia reraka ary dia nandry nalemy nandritra ny andro maromaro. Ary nifoha aho, ka nandeha tamin'ny raharahan'ny mpanjaka. Fa rikoriko tamin'ny fahitana aho, ary tsy nisy iray ka nahatakatra izany.
\s5
\c 9
\p
\v 1 Dariosy dia zanaka lahin'i Ahasoerosy, taranaky ny Mediana. Ahasoerosy no efa natao mpanjaka teo amin'ny faritr'ireo Babiloniana.
\v 2 Ary tamin'ny taona voalohany nanjakan'i Dariosy, izaho Daniela, nianatra ireo boky mirakitra ny tenin'i Yaveh, teny izay efa tonga tamin'i Jeremia mpaminany. Nandinika aho fa tokony nisy fitopolo taona hatramin'ny nandaozana an'i Jerosalema.
\s5
\v 3 Natodiko tamin'ny Tompo Andriamanitro ny tavako, mba hitady Azy amin'ny fivavahana sy fangatahana, amin'ny fifadian-kanina, fiakanjoana lamba fisaonana, ary fipetrahana amin'ny lavenona.
\v 4 Nivavaka tamin'i Yaveh Andriamanitro aho, ary nanao fiaiken-keloka tamin'ireo fahotantsika. Hoy aho hoe: "Tompo o—Ianao no lehibe sady Andriamintra mahatalanjona—Ianao ilay tokana mitandrina ny fanekena ary mahatoky amin'ny fitiavana ireo izay tia anao sy mitandrina ireo didinao.
\s5
\v 5 Efa nanota izahay ary efa nanao ny tsy mety. Efa nanao fitondra-tena ratsy sy nikomy izahay, niala tamin'ny didinao sy ireo fitsipikao.
\v 6 Tsy nihaino ireo mpaminany mpanomponao izay niteny tamin'ny anaranao tamin'ny mpanjakanay izahay, ireo mpitarika anay, ireo razambeanay, ary ireo vahoakan'ny tany rehetra.
\s5
\v 7 Anao, ry Tompo, ny fahamarinana. Kanefa, ho anay anio, ny henatra eo amin'ny tavanay—ho an'ny vahoakan'ny Joda sy ireo izay monina any Jerosalema, ary ho an'ny Israely rehetra. Anisan'izany ireo izay akaiky sy ireo izay lavitra indrindra any amin'ny tany rehetra izay nandefasanao azy ireo. Izany dia noho ny fitaka lehibe izay nataonay hanohitra Anao.
\v 8 Ho anay, ry Yaveh, eo amin'ny tavanay ny henatra—ho an'ireo mpanjakanay, ho an'ireo lehibenay, ary ho an'ireo razambenay—satria efa nanota taminao izahay.
\s5
\v 9 An'ny Tompo Andriamanitray ny fangoram-po sy ny famelan-keloka, fa efa nikomy hanohitra Azy izahay.
\v 10 Izahay dia tsy nankatò ny feon'i Yaveh Andriamanitray tamin'ny fandehanana araka ny lalàny izay nomeny anay tamin'ny alalan'ireo mpaminany mpanompony.
\v 11 Ny Israely rehetra dia efa nandika ny lalànao ka niala, nandà tsy hankatò ny feonao. Ny ozona sy ny fianianana izay voasoratra ao amin'ny lalàn'i Mosesy, ny mpanompon'Andriamanitra, efa naidina taminay, satria efa nanota taminy izahay.
\s5
\v 12 Yaveh efa nanamafy ny teny izay nolazainy manohitra antsika sy manohitra ny fitsipika teo amintsika, tamin'ny fitondrana loza teo amintsika. Fa tsy nisy zava-bita azo ampitahaina amin'ny natao tamin'i Jerosalema teo amin'ny ambany lanitra manontolo.
\v 13 Araka ny voasoratra ao amin'ny lalàn'i Mosesy, no hiavian'izany loza rehetra izany amintsika, fa mbola tsy nitalaho ny famindram-po avy tamin'i Yaveh Andriamanitray tamin'ny fialàna tamin'ireo helokay sy hahitanay ny fahamarinanao izahay.
\v 14 Ka noho izany dia notehirizin'i Yaveh ho vonona ny loza ary efa nentiny teo aminay izany, satria Yaveh Andriamanitray dia marina amin'ny asa rehetra izay ataony, kanefa mbola tsy nankatò ny feony ihany izahay.
\s5
\v 15 Koa, ry Tompo Andriamanitray, nentinao nivoaka avy tany amin'ny tany Egypta ny vahoakanao tamin'ny tanana mahery, ary efa nanao anarana fanta-daza ho an'ny tenanao Ianao, toy izao andro anio izao. Fa mbola nanota ihany izahay; efa nanao ireo zava-dratsy.
\v 16 Ry Tompo, noho ireo asa marinao, dia aoka ny hatezeranao sy ny fahaviniranao hiala amin'i Jerosalema tanànanao, ilay tendrombohitrao masina. Fa noho ireo fahotanay, sy noho ny helok'ireo razambenay, dia lasa antom-pahafam-baraka ho an'izay manodidina anay i Jerosalema sy ireo vahoakanao.
\s5
\v 17 Ankehitriny, ry Andriamanitray, mihainoa ny vavaky ny mpanomponao sy ny fitalahoany famindram-po; fa noho ny aminao, Tompo o, dia ampamirapirato eo amin'ny fitoeranao masina izay rava ny tavanao.
\v 18 Andriamanitro o, sokafy ny sofinao ka mihanoa; sokafy ny masonao ka mijere. Efa simba rava izahay; jereo ny tanàna izay nantsoina avy amin'ny anaranao. Tsy mitalaho ho an'ny fanampianao izahay noho ny fahamarinanay, fa noho ny famindram-ponao lehibe.
\v 19 Tompo o, mihainoa! Tompo o, mamelà heloka! Tompo o, mihainoa ka mihetseha! Noho ny Aminao manokana, aza ela, ry Andriamanitro, fa ny tanànanao sy ny vahoakanao dia antsoina amin'ny anaranao."
\s5
\v 20 Raha mbola niteny aho—nivavaka sy niaiky ny fahotako sy ny fahotan'Israely vahoakako, ary naneho ny fangatahako teo anatrehan'i Yaveh Andrimanitro ho an'ny tendrombohitra masin'Andriamanitra—
\v 21 raha mbola nivavaka, ilay lehilahy Gabriela, izay hitako tao amin'ny fahitana voalohany, nanidina teo amiko tamin'ny fanidinana haingam-pandeha, tamin'ny fotoan'ny fanatitra hariva.
\s5
\v 22 Nanome fahazavan-tsaina ahy Izy ary nanao hoe: "Ry Daniela, tonga hanome halalin-tsaina sy fahazavan-tsaina ho anao aho izao.
\v 23 Rehefa nanomboka nitalaho famindram-po ianao, dia nomena ny baiko ary tonga aho hilaza aminao ny valiny, fa ianao dia tiana tokoa. Noho izany dia tsarovy izao teny izao ary takaro ny fanambarana.
\s5
\v 24 Fito amby fitopolo amin'ny taona no voadidy ho an'ny vahoakanao sy ny tanànanao masina mba hampitsaharana ny heloka sy hampitsaharana ny fahotana, hanoherana ny faharatsiana, ary hitondrana ny fahamarinana mandrakizay, mba hanatanterahana ny fahitana sy ny faminaniana, ary hanamasinana ny fitoerana masina indrindra.
\v 25 Fantaro ary takaro fa avy amin'ny fivoahan'ny baiko no hamerenana amin'ny laoniny sy hanorenana indray an'i Jerosalema ho an'ny fahatongavan'ilay voahosotra (izay ho mpitarika), hisy fito impito sy roa amby enimpolo impito. Haorina amin'ny lalana sy hady indray i Jerosalema, na dia eo aza ireo fotoam-pahoriana.
\s5
\v 26 Afaka roa amby enim-polo impito amin'ny taona, ilay voahosotra dia ho rava ary tsy hanana na inona na inona. Ny tafiky ny mpanapaka izay ho avy dia handringana ny tanàna sy ny fitoerana masina. Ny fiafaran'izany dia ho tonga miaraka amin'ny tondra-drano, ary hisy ady, eny fa na dia any amin'ny farany aza. Efa voadidy ny fandravana.
\s5
\v 27 Hanamafy ny fanekena amin'ny maro anatin'ny fito iray izy. Amin'ny fisasahan'ny fito dia hampitsahatra ny sorona sy fanatitra Izy. Amin'ny elatry ny fahavetavetana no ho tonga ny olona izay hanao fandravana. Ny fiafarana tanteraka sy ny fahapotehana dia nambara fa haidina amin'izay mpandrava."
\s5
\c 10
\p
\v 1 Tamin'ny taona fahatelo nanjakan'i Kyrosy mpanjakan'i Persia, dia nisy hafatra nambara tamin'i Daniela, izay nantsoina ihany koa hoe Beltesazara. Marina izany hafatra izany. Izany dia momban'ny ady lehibe. Nahatakatra ilay hafatra i Daniela rehefa nahazo faharanitan-tsaina avy amin'ny fahitana izy.
\s5
\v 2 Tamin'izany andro izany, izaho Daniela, dia nisaona nandritra ny telo herinandro.
\v 3 Tsy nihinana hanim-py aho, tsy nihinana hena mihitsy, tsy nisotro divay mihitsy, ary tsy mba nanosotra diloilo tamin'ny tavako mandra-pahavitan'ny telo herinandro manontolo.
\s5
\v 4 Tamin'ny andro fahefatra amby roapolon'ny tamin'ny voalohan'ny volana, raha teo akaikin'ny ony lehibe aho (izany hoe, Hedekela),
\v 5 niandrandra aho ary nahita lehilahy nitafy lamban-drongony, miaraka amin'ny fehikibo vita amin'ny volamena tsy mifangaro avy any Ofaza manodidina ny valahany.
\v 6 Ny vatany dia toy ny topaza, ary ny tarehiny toy ny hazavana. Ireo masony tahaka ny fanilo mirehatra, ary ireo sandriny sy ny tongony toy ny varahina manganohano. Ny feony toy ny feon'olona maro be.
\s5
\v 7 Izaho, Daniela, irery no nahita fahitana, fa ny olona izay teo amiko dia tsy nahita ny fahitana. Na izany aza, tonga teo amin'izy ireo ny horohoro lehibe, ary nandositra nanafina ny tenany izy ireo.
\v 8 Koa izaho irery no sisa teo ary nahita ilay fahitana lehibe. Tsisy hery nitoetra tao amiko; nihasimba nivaloarika ny endriko namiratra, ary tsisy hery nitoetra tao amiko.
\v 9 Dia naheno ireo teniny aho—ary raha naheno azy ireo aho, latsaka tanaty torimaso lalina aho ary ny tarehiko teo amin'ny tany.
\s5
\v 10 Nisy tanana nikasika ahy, ary nampangovitra ny lohaliko sy ny felan'ny tanako.
\v 11 Niteny tamiko ny anjely hoe: "Ry Daniela, lehilahy nohindrahindraina fatratra, fantaro ireo teny izay lazaiko aminao. Mijoroa mahitsy, satria nirahina ho aty aminao aho." Rehefa avy niteny izany hafatra izany tamiko izy, dia nijoro am-pangovitana aho.
\s5
\v 12 Dia hoy izy tamiko: "Aza matahotra, ry Daniela. Nanomboka tamin'ny andro voalohany nahafantaranao izany tao an-tsainao ary nanetrenao tena teo alohan'ny Andriamanitrao, dia efa re ny teninao, ary tonga aho noho ny teninao.
\v 13 Ny andriandahy ao amin'ny fanjakan'i Persia nanohitra ahy, ary niandry ny mpanjakan'ny Persia aho nandritran'ny iraika amby roapolo andro. Fa i Mikaela, anankiray amin'ireo andriana lehibe, no tonga nanampy ahy.
\f + \ft Fanamarihana: Raha tokony hoe "mpanjakan'i Persia", misy amin'ireo dikan-teny taloha nanao hoe: "Andriandahin'ny mpanjakan'i Persia". \f*
\s5
\v 14 Ankehitriny tonga aho hanampy anao hahatakatra izay hanjo ny vahoakanao amin'ny andro farany. Fa ny fahitana dia ho an'ireo andro mbola ho avy."
\v 15 Rehefa nilaza tamiko tamin'ny fampiasana ireo teny ireo izy, natodiko tamin'ny tany ny tavako ary tsy afaka niteny aho.
\s5
\v 16 Nikasika ny molotro ny olona iray izay tahaka ny zanak'olona, ary nanokatra ny vavako aho ka niteny taminy nitsangana teo anoloako hoe: "Ry Tompoko, nohon'ny fahitana dia ao anaty fahoriana aho; tsy misy hery tavela ato amiko.
\v 17 Mpanomponao aho. Ahoana no hahafahako miresaka amin'ny tompoko? Fa ankehitriny tsy manan-kery aho, ary tsy misy fofon'aina tavela ato anatiko."
\s5
\v 18 Nikasika ahy indray ilay naka endrik'olona ary nankahery ahy.
\v 19 Hoy izy hoe: "Aza matahotra, ry lehilahy nahindrahindra fatratra. Fiadanana anie ho anao! Matanjaha izao, matanjaha!" Raha mbola niresaka tamiko izy, dia nahery aho. Hoy aho hoe: "Aoka ny tompoko no hiteny, fa nankahery ahy ianao."
\s5
\v 20 Dia hoy izy hoe: "Fantatrao ve nahoana aho no tonga eto aminao? Mbola hiverina hiady amin'ny andriandahin'i Persia aho. Rehefa mandeha aho, dia ho avy koa ny andriandahin'i Grisia.
\v 21 Nefa ho lazaiko aminao izay voasoratra ao amin'Ny Bokin'ny Marina. Tsy misy olona mampiseho ny tanjaky ny tenany amiko mba hanohitra azy ireo, afa-tsy Mikaela andriandahinareo.
\s5
\c 11
\p
\v 1 Tamin'ny taona voalohany nanjakan'i Dariosy Mediana, dia izaho mihitsy no tonga hanohana sy hiaro an'i Mikaela.
\v 2 Ho lazaiko aminao ny marina izao. Hisy mpanjaka telo hitsangana any Persia, ary ny fahefatra dia ho mpanefoefo lavitra noho ireo hafa rehetra. Rehefa nahazo hery tamin'ny hareny izy, dia hamporisika ny olon-drehetra hanohitra ny fanjakan'i Gresy.
\s5
\v 3 Hisy mpanjaka mahery hitsangana izay hanapaka fanjakana lehibe tokoa, ary hanao araka izay iriany izy.
\v 4 Rehefa tafatsangana izy, dia ho rava ny fanjakany ary hizara amin'ny rivotra efatry ny lanitra, fa tsy amin'ny taranany manokana, ary tsy amin'ny fahefany fony nanapahany. Fa ny fanjakany dia ho fongotra ho an'ny hafa ankoatra ireo taranany.
\s5
\v 5 Ny mpanjakan'ny Atsimo dia ho lasa matanjaka, saingy ny iray amin'ireo mpifehiny dia hanjary hatanjaka lavitra noho izy ary hanapaka ny fanjakany amin'ny hery lehibe.
\v 6 Taona vitsy aorian'izany, rehefa mety ny fotoana, dia hanao fihavanana izy ireo. Ny zanaka vavin'ny mpanjakan'ny Atsimo ho avy any amin'ny mpanjakan'ny Avaratra hanamafy ny fifanekena. Saingy tsy hahatana ny herin'ny ny sandriny izy, na koa hotafajanona ralehilahy, na ny sandriny. Hafoy izy—izy sy ireo izay nitondra azy, ary ny rainy, sy izay nanohana azy tamin'izany fotoana izany.
\f + \ft Fanamarihana: Raha tokony ho "ny sandriny, izay ao amin'ny lahatsoratra Hebreo, maro amin'ireo dika-teny sasany taloha sy ankehitriny no mivaky toy izao: "ny voany", izany hoe: "ireo zanany." \f*
\s5
\v 7 Fa hisy rantsana avy amin'ireo fakany hitsangana handimby ny toerany. Hanafika ny tafika izy ary hiditra ao amin'ny fiarovana mafin'ny mpanjakan'ny Avaratra. Hiady amin'izy ireo izy, ka haharesy azy.
\v 8 Hoentiny any Egypta ireo andriamaniny mbamin'ireo sary voasokitra vy ary ireo lovia volafotsy sy volamena sarobidin'izy ireo. Hijanona lavitra ny mpanjakan'ny Avaratra mandritra ny taona maromaro izy.
\v 9 Hananika ny fanjakan'ny mpanjakan'ny Atsimo ny mpanjakan'ny Avaratra, saingy hiala ho any amin'ny taniny izy.
\s5
\v 10 Hivonona ary hanangona tafika lehibe ireo zanany lahy. Hiavy hatrany hatrany izany ary hanafotra ny zava-drehetra; handalo avy eo amin'ny lalana rehetra ho eo amin'ny fiarovany mafy izany.
\s5
\v 11 Hanjary ho tezitra mafy ny mpanjakan'ny Atsimo; handeha ary hiady amin'ny mpanjakan'ny Avaratra izy. Hanangana tafika goavana ny mpanjakan'ny Avaratra, saingy hatolotra eo an-tanany ny tafika.
\v 12 Ho lasa ny tafika, ary ny fon'ny mpanjakan'ny Atsimo hisandratra, ary handavo an'alinalina izy, saingy tsy ho mpandresy.
\s5
\v 13 Hanangana tafika hafa ny mpanjakan'ny Avaratra, goavana noho ilay tamin'ny voalohany. Taona maro aty aoriana, dia ho avy tokoa ny mpanjakan'ny Avaratra miaraka amin'ny tafika goavana voavatsy fitaovana betsaka.
\s5
\v 14 Amin'izany fotoana izany dia maro no hitsangana hanohitra ny mpanjakan'ny Atsimo. Zanaka mpisetrasetra maro eo amin'ny vahoakanao no hametraka ny tenan'izy ireo hahatanteraka fahitana iray, saingy ho tafintohina izy ireo.
\s5
\v 15 Ho avy ny mpanjakan'ny Avaratra, handraraka tany hanaovana tovon-tany, ary hambabo tanàna amin'ny fiarovana mafy. Tsy ho afa-mijoro ny tafiky ny Atsimo, na dia ireo miaramila mahery indrindra aza. Tsy hisy hery ho tafajoro.
\v 16 Fa kosa, izay ho avy no hanao izay iriany hanoherana azy; tsy hisy ho tafatsangana eo amin'ny lalany. Hitsangana eo amin'ny tanin'ny fahatsarana izy, ary ho eo an-tanany ny fandringanana.
\s5
\v 17 Hanomana ny tavany ho avy miaraka amin'ny herin'ny fanjakany rehetra ny mpanjakan'ny Avaratra, ary hisy fifanarahana izay hataony miaraka amin'ny mpanjakan'ny Atsimo hiaraka aminy. Hanome zanaka vavy avy amin'ny vehivavy hampakarina izy mba hamotehana ny fanjakan'ny Atsimo. Fa tsy hahomby na hanampy azy ilay tetika.
\v 18 Aorian'izany, dia ho liana amin'ny sisin-tany ny mpanjakan'ny Avaratra ary hambabo ny maro amin'izy ireo. Saingy hisy mpifehy hanapitra ny avonavony ary hahatonga ny fireharehany hivadika ho any aminy ihany.
\v 19 Dia ho liana amin'ny fiarovana mafin'ny taniny ihany izy, saingy ho tafintohina izy ka ho lavo; ary tsy ho hita.
\s5
\v 20 Dia hisy olona hitsangana handimby ny toerany izay hampandalo mpamory hetra iray noho ny amin'ny famirapiratan'ny fanjakana. Fa amin'ny andro manaraka eo dia ho torotoro izy, fa tsy amin'ny hatezerana na amin'ny ady.
\v 21 Olona notsinontsinoavina izay tsy mba homen'ny olona ny voninahitry ny fahefan'ny mpanjaka no handimby ny toerany; ho avy tampoka izy ary haka ny fanjakana an-kafetsena.
\v 22 Hisy tafika iray ho voafaoka tahaka ny safo-drano eo anoloany. Samy ho ringana avokoa izany tafika izany sy ny mpitarika ny fanekena.
\s5
\v 23 Amin'ny fotoana izay hanaovana fifanarahana miaraka aminy, dia hamitapitaka izy; vahoaka vitsy an'isa fotsiny no hahatonga azy hatanjaka.
\v 24 Ho avy any amin'ny faritany manan-karena indrindra tsy hampitandrina akory izy, ary tsy hanao izay nataon'ny rainy na ny raibeny izy. Hampiely ireo voasambotra, ireo babo, ary ireo harena eo amin'ireo mpanaradia azy izy. Hitetika ny fanonganana ny fiarovana mafy izy, fa vetivety ihany.
\s5
\v 25 Hamoha ny heriny izy ary ny fony hanohitra ny mpanjakan'ny Atsimo amin'ny tafika goavana. Hanangana ady amin'ny tafika lehibe, tena mahery ny mpanjakan'ny Atsimo, saingy tsy hiangana izy satria hikononkonona hanohitra azy ny hafa.
\v 26 Na izay mihinana ny hanim-piny aza dia hitady hamotika azy. Ho voafaoka tahaka ny safo-drano ny tafiny, ary maro amin'izy ireo no ho lavo voavono.
\v 27 Samy hipetraka eo amin'ny latabatra iray ihany ireo mpanjaka ireo, amin'ny fon'izy ireo mikasa hifanao ratsy, hifandainga ao amin'izy ireo, saingy tsy hisy dikany izany. Fa ho avy ny farany amin'ny fotoana izay efa voatondro.
\s5
\v 28 Hiverina any amin'ny taniny miaraka amin'ny harem-be ny mpanjakan'ny Avaratra, miaraka amin'ny fony manohitra ny fanekena masina. Hiasa izy ary hody any amin'ny taniny ihany avy eo.
\s5
\v 29 Amin'ny fotoana voatondro dia hiverina izy ary ho avy hanohitra ny Atsimo indray. Fa amin'ity indray mandeha ity dia tsy ho tahaka ny teo aloha.
\v 30 Fa ho avy hanohitra azy ireo sambon'i Kitima, ary hanjary hatahotra ka hiemotra izy. Ho sosotra amin'ilay fanekena masina izy, ary haneho sitraka amin'ireo izay mahafoy ny fanekena masina.
\s5
\v 31 Hitsangana ny heriny ka hanota-fady ny fiarovana mafin'ny fitoerana masina. Halain'izy ireo ny fanatitra dorana mahazatra, ary hapetrak'izy ireo ny fahavetavetana izay mahatonga faharavana.
\v 32 Ny amin'ireo izay ratsy fanahy tamin'ny fifanekena, dia ho fitahiny ireny ka ho simba toetra. Saingy ireo olona izay mahalala ny Andriamanitr'izy ireo dia hahery ary hiasa.
\s5
\v 33 Ireo izay hendry eo amin'ny olona no hampahalala ny maro. Fa ho lavon-tsabatra sy ny lela afo izy ireo; ho lavo any amin'ny fahababoana sy ny fandrobana mandritra ny andro maro izy ireo.
\v 34 Amin'ny fahalavoan'izy ireo, dia ho vonjena amin'ny famonjena kely sy bitika izy ireo. Hikambana amin'izy ireo am-pihatsarambelatsihy ny maro.
\v 35 Ho lavo ny sasany amin'ireo hendry hany ka ho avy amin'izy ireo ny fandiovana, ny fanasana, ary fanadiovana, ambara-pahatongan'ny fotoana ny farany. Fa mbola ho avy ihany ny fotoana voatondro.
\s5
\v 36 Hanao araka izay iriany ny mpanjaka. Hanandra-tena izy ka hanao ny tenany ho lehibe ambonin'ny andriamanitra rehetra. Hilaza zavatra manohina hanohitra ny Andriamanitry ny andriamanitra izy, fa hahomby ambara-pahatanterahan'ny fahavinirana izy. Fa ho atao izay efa nodidiana.
\v 37 Tsy mba hiraharaha ireo andriamanitry ny razany izy na ilay andriamanitra tsiriritin'ny vehivavy. Ary tsy hiraharaha izay mety ho andriamanitra rehetra izy. Fa hanao ny tenany ho ambonin'ny olon-drehetra izy.
\s5
\v 38 Hankalaza ny andriamanitry ny fiarovana mafy izy fa tsy ireo. Andriamanitra izay tsy neken'ireo razany no homena haja amin'ny volamena sy volafotsy, amin'ny vato soa sy fanomezana sarobidy izany.
\v 39 Hanafika ireo fiarovana mafy indrindra izy amin'ny fanampian'ny andriamani-kafa. Izay rehetra manaiky azy, dia homeny voninahitra be. Hataony mpanapaka eo amin'ny olona maro ireo, ary hozarainy ho valisoa ny tany.
\f + \ft Raha tokony hoe "Hanafika ireo fiarovana mafy indrindra izy", ny dikan-teny vaovao sasany dia misy hoe: "Hiaro ny fiarovana mafiny izy." \f*
\s5
\v 40 Amin'ny fotoan'ny farany no hanafika ny mpanjakan'ny Atsimo. "Hamely azy amin'ny kalesy sy mpitaingin-tsoavaly, ary sambo maro ny mpanjakan'ny Avaratra. Ho avy hanohitra ireo tany izy, hanenika azy ireo, ary hamakivaky izany.
\v 41 Handeha any amin'ny tanin'ny fahatsarana izy, ary Israelita an'alinalina no ho lavo. Fa ireto no ho tafandositra amin'ny tanany: Edoma, Moaba, ary ireo sisa tamin'ny vahoakan'i Amona.
\s5
\v 42 Hanitatra ny tanany amin'ireo tany izy; ary tsy havotana ny tany Egypta.
\v 43 Hifehy ny rakitra volamena sy volafotsy izy, ary ny haren'ny Egypta rehetra; ho eo an-tongony ireo Lybiana sy ireo Etiopiana.
\s5
\v 44 Fa hampihorohoro azy ny vaovao avy any atsinanana sy avaratra, ka handeha hivoaka amin'ny fahavinirana lehibe izy mba handravarava tanteraka ary hanokana ny maro ho ringanina.
\v 45 Hametraka ny lain'ny fonenan'ny mpanjakany eo anelanelan'ny ranomasina sy ny tendrombohitry ny fahatsaran'ny fahamasinana izy. Ho tonga amin'ny fiafarany izy, ary tsy hisy hamonjy azy.
\s5
\c 12
\p
\v 1 "Amin'izany fotoana izany i Mikaela, ilay andriandahy lehibe izay miambina ny vahoakanareo, dia hitsangana. Hisy fotoan'ny fahoriana izay tsy mbola nisy hatramin'ny niandohan'ny firenena hatramin'izany andro izany. Amin'izany fotoana izany ny vahoakanao dia ho voavonjy, dia izay rehetra hita fa voasoratra anarana ao amin'ny boky.
\v 2 Maro amin'izay mandry amin'ny vovoky ny tany no hitsangana, ny sasany ho amin'ny fiainana mandrakizay ary ny sasany ho amin'ny fahamenarana sy fanamavoana mandrakizay.
\s5
\v 3 Ireo izay hendry dia hamirapiratra toy ny hazavan'ny lanitra ambony, ary ireo hamerina ny maro amin'ny fahamarinana, dia toy ireo kintana mandrakizay doria.
\v 4 Fa ianao, ry Daniela, ahorony ireo teny ireo; tehirizo ho voaisy tombokase ny boky mandra-pahatonga ny fotoanan'ny farany. Maro no hihazakazaka etsy sy eroa, ary hitombo ny fahalalana."
\s5
\v 5 Ary izaho, Daniela, nijery, ka nisy roa hafa nitsangana. Ny iray nitsangana teto amoron'ny ony, ary ny anankiray tetsy ankilany amoron'ny ony.
\v 6 Ny iray tamin'izy ireo niteny tamin'ilay lehilahy miakanjo rongony fotsy, izay teo ambonin'ny ony hoe: "Mandra-pahoviana no hiafaran'ireto zava-mahagaga ireto?"
\s5
\v 7 Reko ilay lehilahy miakanjo rongony fotsy, izay teo ambonin'ny ony—nanandratra ny tanany ankavanana sy ny tanany ankavia tamin'ny lanitra izy ka nihaniana tamin'ilay iray izay velona mandrakizay fa ho fotoana iray, fotoana roa, sy atsasam-potoana izany. Rehefa nopotehina ihany ny herin'ny olona masina, dia ho tanteraka avokoa ireo zavatra rehetra ireo.
\s5
\v 8 Nandre aho, fa tsy nahatakatra. Koa nanontany aho hoe: "Ry tompoko, inona no ho vokatra amin'ireto zavatra rehetra ireto?"
\v 9 Hoy izy: "Mandehana amin'ny lalanao, ry Daniela, fa ny teny dia efa voahorona sy voaisy tombokase mandra-pahatongan'ilay fotoana farany.
\s5
\v 10 Maro no ho diovina, ho voasasa, ary ho voafotsy, fa ny ratsy fanahy hanao faharatsiana. Tsy hisy amin'ny ratsy fanahy hahatakatra, fa ireo izay hendry no hahatakatra.
\v 11 Hatramin'ny fotoan'ny fampitsaharana ny fanatitra dorana mahazatra sy ny fametrahana ny fahavetavetana izay mitondra ny fandravana tanteraka, dia hisy andro 1 290.
\s5
\v 12 Sambatra izay miandry hatramin'ny fiafaran'ny 1. 335 andro.
\v 13 Tsy maintsy mandeha amin'ny lalanao hatramin'ny farany ianao, ary hitsahatra ianao. Hitsangana eo amin'ny toerana voatondro ho anao ianao, amin'ireo andro farany."