plt_ulb/15-EZR.usfm

537 lines
43 KiB
Plaintext

\id EZR
\ide UTF-8
\h Ezra
\toc1 Ezra
\toc2 Ezra
\toc3 ezr
\mt Ezra
\s5
\c 1
\p
\v 1 Tamin'ny taona voalohany nanjakan'i Kyrosy, mpanjakan'i Persia, dia nanatanteraka ny teniny izay naloaky ny vavan'i Jeremia, ary nanentana ny fanahin'i Kyrosy i Yaveh. Nivoaka nanerana ny fanjakany manontolo ny feon'i Kyrosy. Izao no voasoratra sy voalaza:
\v 2 "Kyrosy, mpanjakan'i Persia, dia milaza hoe: Yaveh, Andriamanitry ny Lanitra, no nanome ahy ny fanjakana rehetra amin'ny tany, ary nanendry ahy hanorina trano any Jerosalema any Joda ho Azy.
\s5
\v 3 Na iza na iza avy amin'ny vahoakany (homba azy anie ny Andriamaniny) dia afaka miakatra any Jerosalema ary hanorina trano ho an'i Yaveh, Andriamanitr'Israely, ilay Andriamanitra izay any Jerosalema.
\v 4 Ny olona izay anatin'ny fanjakana izay honenan'ireo sisa velona ao amin'izany tany izany dia tokony hanome azy ireo volafotsy sy volamena, fananana sy biby, ary koa fanati-tsitrapo ho an'ny tranon'Andriamanitra any Jerosalema."
\s5
\v 5 Avy eo nitsangana ireo lohan'ireo razamben'ireo fianakaviam-ben'i Joda sy Benjamina, ireo mpisorona sy Levita, ary ny rehetra izay nentanin'Andriamanitra ny fanahiny mba handeha sy hanorina ny tranony.
\v 6 Ireo nanodidina azy ireo dia nanohana ny asan'izy ireo tamin'ny zavatra volafotsy sy volamena, fananana, biby, zava-tsoa, ary fanati-tsitrapo.
\s5
\v 7 Navoakan'i Kyrosy mpanjaka ihany koa ireo zavatra tao an-tranon'i Yaveh izay nentin'i Nebokadnezara avy any Jerosalema ary napetrany tao amin'ny tranon'ireo andriamaniny manokana.
\v 8 Napetrak'i Kyrosy teo an-tanan'i Mitredata mpitahiry vola, izay nanisa ireo ho an'i Sesbazara, mpitarika an'i Joda izany.
\s5
\v 9 Ireto no isan'ireo: koveta volamena telopolo, koveta volafotsy arivo, koveta sivy amby roapolo hafa,
\v 10 lovia jobo volamena telopolo, lovia jobo volafotsy 410, ary zavatra hafa arivo fanampiny.
\v 11 Nisy fanaka 5. 400 volamena sy volafotsy raha atambatra. Nentin'i Sesbazara ireo rehetra ireo rehefa niainga avy any Babylona nankany Jerosalema ireo sesitany.
\s5
\c 2
\p
\v 1 Ireto avy ireo olona tany amin'ny faritany izay niakatra avy tamin'ny fambaboan'i Nebokadnezara mpanjaka, izay nanao sesitany azy ireo tany Babylona, ireo olona izay niverina tany amin'ny tanànan'izy ireo tsirairay any Jerosalema sy any Joda.
\v 2 Tonga niaraka tamin'i Zerobabela, Josoa, Nehemia, Seraia, Relaia, Mordekay, Bilsana, Mispara, Bigvay, Rehoma ary Bana izy ireo. Ireto no lisitr'ireo olon'ny vahoakan'Israely.
\s5
\v 3 Ireo taranak'i Parosy dia: 2. 172.
\v 4 Ireo taranak'i Sefatia dia: 372.
\v 5 Ireo taranak'i Ara dia: 775.
\v 6 Ireo taranak'i Pahatamoaba, avy tamin'i Jesoa sy Joaba dia: 2. 812.
\s5
\v 7 Ireo taranak'i Eliama dia: 1. 254.
\v 8 Ireo taranak'i Zato dia: 945.
\v 9 ireo taranak'i Zakay dia: 760.
\v 10 Ireo taranak'i Bany dia: 642
\s5
\v 11 Ireo taranak'i Bebay dia: 623.
\v 12 Ireo taranak'i Azgada dia: 1. 222.
\v 13 Ireo taranak'i Adonikama dia: 666.
\v 14 Ireo taranak'i Bigvay dia: 2. 056.
\s5
\v 15 Ireo taranak'i Adina dia: 454.
\v 16 Ireo olon'i Atera, avy tamin'i Hezekia dia: valo amby sivifolo.
\v 17 Ireo taranak'i Bezay dia: 323.
\v 18 Ireo taranak'i Jora dia: 112.
\s5
\v 19 Ireo olon'i Hasoma dia: 223.
\v 20 Ireo olon'i Gibara dia: dimy amby sivifolo.
\v 21 Ireo olon'i Betlehema dia: 123.
\v 22 Ireo olon'i Netofa dia: enina amby dimampolo.
\s5
\v 23 Ireo olon'i Anatota dia: 128.
\v 24 Ireo olon'i Azmaveta dia: roa amby efapolo.
\v 25 Ireo olon'i Kiriat-Arima, Kefira ary Berota dia: 743.
\v 26 Ireo olon'i Rama sy Gaba dia: 621.
\s5
\v 27 Ireo olon'i Mikmasy dia: 122.
\v 28 Ireo olon'i Betela sy Ay dia: 223.
\v 29 Ireo olon'i Nebo dia: roa amby dimampolo.
\v 30 Ireo olon'i Magbisy dia: 156.
\s5
\v 31 Ireo olon'i Elama hafa dia: 1. 254.
\v 32 Ireo olon'i Harima dia: 320.
\v 33 Ireo olon'i Loda, Hadida, ary Ono dia: 725.
\s5
\v 34 Ireo olon'i Jeriko dia: 345.
\v 35 Ireo olon'i Sena dia: 3. 630
\s5
\v 36 Ireo mpisorona: ireo taranak'i Jedaia avy amin'ny ankohonan'i Jesoa dia: 973.
\v 37 Ireo taranak'Imera dia: 1. 052.
\v 38 Ireo taranak'i Pasora: 1. 247.
\v 39 Ireo taranak'i Harima dia: 1. 017.
\s5
\v 40 Ireo Levita: ireo taranak'i Jesoa sy Kadmiela, ireo taranak'i Hodavia dia: efatra amby fitopolo.
\v 41 Ireo mpihira ao an-tempoly, taranak'i Asafa dia: 128.
\v 42 Ireo taranak'ireo mpiambina vavahady: ireo taranak'i Saloma, Atera, Talmona, Akoba, Hatita, ary Sobay dia: 139 ny fitambarany.
\s5
\v 43 Ireo izay notendrena mba hanompo ao amin'ny tempoly dia: ireo taranak'i Ziha, Hasofa, Tabaota,
\v 44 Kerosa, Siaha, Padona,
\v 45 Lebana, Hagabaha, Akoba,
\v 46 Hagaba, Salmay, ary Hanana.
\s5
\v 47 Ireo taranak'i Gidela dia: Gahara, Reaia,
\v 48 Rezina, Nekoda, Gazama,
\v 49 Oza, Pasea, Besai,
\v 50 Asna, Meonita ary Nefisita.
\s5
\v 51 Ireo taranak'i Bakboka: Hakofa, Harora,
\v 52 Bazlota, Mehida, Harsa,
\v 53 Barkosa, Sisera, Tema,
\v 54 Nezia, ary Hatifa.
\s5
\v 55 Ireo taranak'ireo mpanompon'i Solomona dia: ireo taranak'i Sotahy, Sofereta, Peroda,
\v 56 Jala, Darkona, Gidela,
\v 57 Sefatia, Hatila, Pokereta-Hazebaima, ary i Amy.
\v 58 392 ny fitambaran'ny taranak'ireo izay notendrena hanompo ao amin'ny tempoly sy ireo taranak'ireo mpanompon'i Solomona.
\s5
\v 59 Ireo izay nandao an'i Tela-Mela, Tela-Harsa, Keroba, Adana ary Imera—nefa tsy afaka ny hanamarina ireo razamben'izy ireo avy amin'Israely
\v 60 —dia anisan'izany ireo taranaka 652 an'i Delaia, Tobia, ary Nekoda.
\s5
\v 61 Avy amin'ny taranak'ireo mpisorona ihany koa dia: ireo taranak'i Habaia, Hakoza, Barzilay (izay naka vady ny zanaka vavin'i Barzilay avy any Gileada ary nantsoina tamin'ny anaran'izy ireo).
\v 62 Nitady ny rakitry ny tetiarany izy ireo, nefa tsy nahita izany, koa dia voaroaka ho toy ny maloto tamin'ny fisoronana izy ireo.
\v 63 Koa nambaran'ny governora tamin'izy ireo fa tsy mahazo mihinana amin'ireo sorona masina izy ireo mandra-paneken'ny mpisorona iray izay mitondra ny Orima sy Tomima.
\s5
\v 64 Ny fitambaran'ny vondrona manontolo dia niisa 42. 360,
\v 65 tsy anatin'izany ireo mpanompon'izy ireo sy ny ankizivavin'izy ireo (ireo dia niisa 7. 337) ary ireo lehilahy sy vehivavy mpihiran'ny tempolin'izy ireo (Niisa roanjato).
\s5
\v 66 Ny soavalin'izy ireo dia: 736. Ny ampondran'izy ireo dia: 245.
\v 67 Ny ramevan'izy ireo dia: 435. Ary ny borikin'izy ireo dia: 6. 720.
\s5
\v 68 Rehefa nandeha tany amin'ny tranon'i Yaveh tany Jerosalema izy ireo, dia nanolotra fanomezana an-tsitrapo ireo lehiben'ny patriarka mba hanorenana ilay trano.
\v 69 Nanome araka ny fahafahany amin'ny petra-bolan'ny asa izy ireo: darika volamena arivo sy enina alina, mane volafotsy dimy arivo, ary akanjo fisoronana zato.
\s5
\v 70 Koa ireo mpisorona sy ireo Levita, ny vahoaka, ireo mpihiran'ny tempoly sy ireo mpiambina vavahady, ary ireo izay notendrena hanompo ny tempoly dia nonina tao amin'ireo tanànany. Ny olona rehetra tao Israely dia tao amin'ireo tanànany avokoa.
\s5
\c 3
\p
\v 1 Tamin'ny volana fahafito rehefa avy niverina tany an-tanànany avy ny vahoakan'Israely, no niangonan'izy ireo ho iray tany Jerosalema.
\v 2 Niainga ka nanangana ny alitaran'ny Andriamanitr'Israely i Jesoa zanaka lahin'i Jozadaka sy ireo mpisorona rahalahiny, ary Zerobabela zanaka lahin'i Sealtiela, mbamin'ireo rahalahiny mba hanolotra fanatitra dorana araka ny voadidy ao amin'ny lalàn'i Mosesy, ilay lehilahin'Andriamanitra.
\s5
\v 3 Dia napetrak'izy ireo teo amin'ny fitoerany ilay alitara, fa nanenika azy ireo ny horohoro nohon'ny amin'ny olon'ilay tany. Nanolotra fanatitra dorana ho an'i Yaveh vao mangiran-dratsy sy tamin'ny hariva izy ireo.
\v 4 Nitandrina ny Firavoravoan'ny Fialofana ihany koa izy ireo araka ny voasoratra ary nanolotra fanatitra dorana isan'andro isan'andro araka ny didy, araka ny andraikitra isan'andro avy.
\v 5 Araka izany, dia nisy ny fanatitra dorana andavanandro sy isam-bolana ary fanatitra ho an'ireo firavoravoan'i Yaveh efa voatondro rehetra, mbamin'ireo fanati-tsitrapo rehetra.
\s5
\v 6 Nanomboka nanolotra fanatitra dorana ho an'i Yaveh izy ireo ny andro voalohany tamin'ny volana fahafito, na dia mbola tsy voaisy fototra aza ny tempoly. Koa dia nomen'izy ireo volafotsy avy ireo mpanao vato sy ireo mpanao tao-zavatra,
\v 7 ary nomen'izy ireo sakafo, zava-pisotro, sy menaka ny vahoakan'i Sidona sy Tyra, dia nitondra hazo sedera teny an-dranomasina avy any Libanona ka hatrany Jopa izy ireo, araka ny nanomezan'i Kyrosy, mpanjakan'i Persia alalana azy ireo.
\s5
\v 8 Ary tamin'ny volana faharoa tamin'ny taona faharoa taorian'ny nandehanan'izy ireo tao an-tranon'Andriamanitra tao Jerosalema, no nanomboka niasa i Zerobabela, i Jesoa zanaka lahin'i Jozadaka, ireo mpisorona sisa, ireo Levita, ary ireo izay tonga avy tany amin'ny fahababoana niverina tany Jerosalema. Nanendry ireo Levita roapolo taona no ho miakatra izy ireo mba hanara-maso ny asan'ny tranon'i Yaveh.
\v 9 Napetrak'i Jesoa mba hanara-maso ny olona manao ny asa fanorenana ny tranon'Andriamanitra ireo zanany lahy sy ireo rahalahiny, i Kadmiela sy ireo zanany, ary ireo taranak'i Joda. Niaraka tamin'izy ireo ihany koa ireo taranak'i Henadada, ny taranany, ary ireo Levita namany.
\s5
\v 10 Nametraka fototra ho an'ny Tempolin'i Yaveh ireo mpanorina. Nahafahan'ireo mpisorona nitsangana nanao ireo akanjony miaraka amin'ny trompetra izany, ary nahafahan'ireo Levita, ireo zanaka lahin'i Asafa, nidera an'i Yaveh tamin'ny kipantsona, araka ny nandidian'ny tanan'i Davida, mpanjakan'Israely.
\v 11 Nihira fiderana sy fisaorana ho an'i Yaveh izy ireo hoe: "Tsara Izy! Maharitra mandrakizay ny fanekeny mahatoky amin'Israely." Nihorakoraka mafy tamin'ny hiakam-pifaliana ho fiderana an'i Yaveh ny vahoaka rehetra fa voapetraka ny fototra iorenan'ny tempoly.
\s5
\v 12 Saingy maro tamin'ireo mpisorona, Levita, lohan'ny patriarka, ary ireo zokiolona izay nahita ny trano voalohany no nitomany mafy, rehefa voapetraka teo anoloan'ny mason'izy ireo izany fototra iorenan'izany trano izany. Fa maro no nihiaka fifaliana tam-piravoravoana ary tamin'ny feo mangitakitaka.
\v 13 Vokatr'izany, tsy afaka nanavaka ny feo falifaly sy ravoravo tamin'ireo feon'olona nitomany ny vahoaka, satria nihiaka mafy tamin'ny fifaliana lehibe ny olona, ary re avy lavitra tokoa ilay feo.
\s5
\c 4
\p
\v 1 Ary ireo sasany tamin'ny fahavalon'i Joda sy Benjamina dia nandre fa ny vahoaka izay natao sesitany dia manorina tempoly ho an'i Yaveh, ilay Andriamanitr'Israely ankehitriny.
\v 2 Koa nanatona an'i Zerobabela sy ireo lohan'ny fokon'ny razambe izy ireo. Hoy izy ireo tamin'izy ireo hoe: "Avelao izahay hanorina hiaraka aminareo, fa satria, mitady ny Andriamanitrareo, tahaka anareo izahay, ary nanao sorona ho Azy hatramin'ny andro nitondran'i Esara-hadona, mpanjakan'i Asyria, anay teto amin'ity toerana ity."
\s5
\v 3 Fa i Zerobabela, Jesoa, ary ireo lohan'ny fokon'ny razamben'izy ireo nanao hoe: "Tsy ianareo, fa izahay no tsy maintsy manorina ny tranon'ny Andriamanitray, satria izahay no hanorina ho an'i Yaveh, Andriamanitr'Israely, araka izay nandidian'i Kyrosy mpanjakan'i Persia."
\s5
\v 4 Koa nataon'ireo vahoakan'ny tany nalemy ny tanan'ireo Jodiana; nataon'izy ireo natahotra ny hanorina ireo Jodiana.
\v 5 Nolangolangoin'izy ireo ihany koa ny mpanolotsaina mba hahafoana ny tetik'izy ireo. Nandritry ny andron'i Kyrosy rehetra sy tamin'ny fanjakan'i Dariosy mpanjakan'i Persia izy ireo no nanao izany.
\v 6 Ary tamin'ny fiandohan'ny fanjakan'i Ahasoerosy dia nanoratra fiampangana an'ireo mponin'i Joda sy Jerosalema izy ireo.
\s5
\v 7 Nandritry ny andron'i Ahaseorosy no nanoratan' i Bislama, Mitredata, Tabela, ary ireo namany ho an'i Ahasoerosy. Nosoratana tamin'ny Aramaika ny taratasy ary nadika.
\v 8 Rehoma mpifehy sy i Simsay mpanora-dalàna dia nanoratra momban'i Jerosalema ho an'i Artaksersesy.
\s5
\v 9 Avy eo i Rehoma, Simsay, ary ireo naman'izy ireo, izay mpitsara sy manam-boninahitra hafa tao amin'ny governemanta, avy any Ereka, Babylona, ary Sosa avy any Elama dia nanoratra taratasy—
\v 10 mbamin'ireo vahoaka izay noteren'i Asnapara lehibe sy manan-kaja hanorim-ponenana tany Samaria, niaraka tamin'ireo sisa izay tany amin'ny Faritany Andafin'ny Ony.
\s5
\v 11 Ity dia dika mitovy amin'ilay lahatsoratra nalefa tany amin'i Artaksersesy: "Ireo mpanomponao, olona avy amin'ny Faritany Andafin'ny Ony, no manoratra izao:
\v 12 Aoka ny mpanjaka hahafantatra fa ireo Jiosy izay avy tany aminao dia tonga hanohitra anay aty Jerosalema mba hanorina tanàna mpikomy. Izy ireo dia nanampina ny manda ary nanamboatra ny fototra.
\s5
\v 13 Ary aoka ny mpanjaka hahafantatra fa raha voaorina izany tanàna izany ary voatampina ny manda, dia tsy hanome haba sy hetra izy ireo, fa hanisy ratsy ireo mpanjaka.
\s5
\v 14 Tena izany tokoa satria nihinana tamin'ny siran'ny lapa izahay, ka tsy mety aminay ny hahita ny fahafaham-baraka hiseho amin'ny mpanjaka. Noho izany no hampahafantaranay ny mpanjaka
\v 15 mba hitady ny firaketana an-tsoratry ny rainao ary hanamarina fa tanàna mpikomy izay hanisy ratsy ny mpanjaka sy ireo faritany io. Nahatonga olana maro ho an'i mpanjaka sy ireo faritany izany. Foiben'ny fikomiana hatry ny ela izy io. Noho izany antony izany no naharava ilay tanàna.
\v 16 Mampahafantatra ny mpanjaka izahay fa raha voaorina io tanàna sy manda io, dia tsy hisy na inona na inona ho tavela ho anao ao amin'ny Faritany Andafin'ny Ony.
\s5
\v 17 Koa nandefa valinteny tany amin'i Rehoma sy Simsay ary ireo namany tao Samaria sy ireo ambiny izay tao amin'ny Faritany Andafin'ny Ony ny mpanjaka hoe: "Fiadanana anie ho anareo.
\v 18 Ny taratasy izay nalefanareo ho ahy dia efa voadika ary novakiana tamiko.
\v 19 Ka nampanao fanadihadiana aho ary nahafantatra fa tamin'ny andro taloha dia efa nikomy nanohitra ireo mpanjaka izy ireo.
\s5
\v 20 Ireo mpanjaka mahery dia nanapaka teo amin'i Jerosalema ary nanana fahefana tamin'ny zavatra rehetra tao amin'ny Faritany Andafin'ny Ony. Naloa tamin'izy ireo ny haba sy ireo hetra.
\v 21 Ankehitriny, manaova lalàna ho an'ireo lehilahy ireo mba hanajanona sy tsy hanorina io tanàna io izy ireo mandra-panaovako lalàna.
\v 22 Mitandrema mba tsy hanao tsirambina izany. Nahoana izany fandrahonana izany no avela hitombo ka ho fatiantoka fahaverezana maro ho an'ny tombontsoan'ny fanjakana?
\s5
\v 23 Rehefa novakiana teo anatrehan'i Rehoma, Simsay, ary ireo namany, ny lalàn'i Artarkersesy Mpanjaka, dia nivoaka an'i Jerosalema haingana izy ireo ary nanery ireo Jiosy mba hanajanona ny fanorenana.
\v 24 Koa nijanona ny asa fanaovana ny tranon'Andriamanitra tao Jerosalema mandra-pahatongan'ny taona faharoan'ny fanjakan'i Dariosy mpanjakan'i Persia.
\s5
\c 5
\p
\v 1 Ary Hagay mpaminany sy Zakaria zanaka lahin'Ido mpaminany dia naminany tamin'ny anaran'ny Andriamanitr'Israely tamin'ireo Jiosy tao Joda sy Jerosalema.
\v 2 Nitsangana Zerobabela zanaka lahin'i Sealtiela sy Jesoa zanaka lahin'i Jozadaka ary nanomboka nanamboatra ny tranon'Andriamanitra tao Jerosalema niaraka tamin'ireo mpaminany izay nampahery azy ireo.
\s5
\v 3 Avy eo i Tatenay governoran'ny Faritany tany Andafin'ny Ony, Setara Bozenay, ary ireo mpiara-dia aminy dia tonga ary niteny tamin'izy ireo hoe: "Iza no nandidy anareo hanamboatra io trano io sy hamita ireo manda ireo?"
\v 4 Hoy ihany koa izy ireo hoe: "Iza avy no anaran'ireo lehilahy nanamboatra io trano io?
\v 5 Fa ny mason'Andriamanitra dia teo amin'ireo loholona Jiosy ary tsy nanakana azy ireo ny fahavalon'izy ireo. Niandry taratasy ho lasa any amin'ny mpanjaka sy lalàna hiverina amin'izy ireo mahakasika izany izy ireo.
\s5
\v 6 Ity no dika mitovin'ilay taratasin'i Tatenay, governoran'ny Faritany tany Andafin'ny Ony, sy Setara Bozenay ary ireo mpiara-miasa taminy tany amin'ny Faritany tany Andafin'ny Ony, izay nalefan'izy ireo ho an'i Dariosy mpanjaka.
\v 7 Nandefa tatitra izy ireo, nanoratra izao ho an'i Dariosy mpanjaka hoe: "Ho anao anie ny fiadanana rehetra.
\s5
\v 8 Aoka ho fantatry ny mpanjaka fa izahay dia nankany Joda ho any amin'ny tranon'Andriamanitra lehibe. Izany dia haorina amin'ireo vato vaventy sy hazo matevina apetraka amin'ireo manda. Efa atao tsara mihitsy ny asa ary mandroso tsara eo am-pelatanan'izy ireo.
\v 9 Nanontany ireo loholona izahay hoe: 'Iza no nanome anareo lalàna hanamboatra io trano io sy ireo manda ireo?'
\v 10 Nanontany ny anaran'izy ireo ihany koa izahay mba hahafantaranao ny anaran'ny lehilahy tsirairay avy izay nitarika azy ireo.
\s5
\v 11 Namaly izy ireo ary nanao hoe: 'Izahay dia mpanompon'ilay Iray izay Andriamanitry ny lanitra sy ny tany, ary izahay dia mamerina manangana ny trano izay namboarina taona maro tany aloha rehefa nanorina izany ny mpanjaka lehiben'Israely ary nahavita izany.
\s5
\v 12 Na izany aza, rehefa nampatezitra an'ilay Andriamanitry ny lanitra ny razambenay, dia natolony teo am-pelatanan'i Nebokadnezara mpanjakan'i Babylona izy ireo, izay nandrava io trano io ary naka ny olona ho sesitany tany Babylona.
\v 13 Kanefa, tamin'ny taona voalohany naha-mpanjakan'i Babylona an'i Kyrosy, dia namoaka didy hanamboarana ny tranon'Andriamanitra indray i Kyrosy.
\s5
\v 14 Naverin'i Kyrosy mpanjaka ihany koa ireo zavatra volamena sy volafotsy tao an-tranon'Andriamanitra izay nentin'i Nebokadnezara avy tao amin'ny tempoly tao Jerosalema ho any amin'ny tempoly tao Babylona. Ireo dia naveriny tamin'i Sesbazara, izay nataony ho governora.
\v 15 Hoy izy taminy hoe: "Raiso ireo zavatra ireo. Mandehana ary hapetraho ao amin'ny tempoly ao Jerosalema ireo. Aoka ny tranon'Andriamanitra ho hatsangana any."
\s5
\v 16 Ary tonga io Sesbazara io ka nametraka ny fototry ny tranon'Andriamanitra tao Jerosalema; ary namboarina izany, fa tsy mbola vita tanteraka.'
\s5
\v 17 Ary raha sitraky ny mpanjaka, dia aoka ho zahana ao amin'ny trano firaketana ao Babylona raha misy didy hanamboarana ilay tranon'Andriamanitra ao Jerosalema avy tamin'i Kyrosy mpanjaka ao. Dia aoka ny mpanjaka handefa ny fanapaha-keviny aminay.
\s5
\c 6
\p
\v 1 Ary nampanao fanadihadiana tao amin'ny trano firaketana tao Babylona i Dariosy Mpanjaka.
\v 2 Tao amin'ny tanàna voaaron'i Akmeta ao Mediana no nahitana horonan-taratasy iray; izao no voarakitra tao:
\s5
\v 3 "Tamin'ny taona voalohany nanjakan'i Kyrosy Mpanjaka, dia namoaka didy momban'ny tranon'Andriamanitra tao Jerosalema i Kyrosy hoe: 'Aoka hatsangana indray ny trano mba ho toeran'ny sorona, aoka hapetraka ny fototra iorenany, aoka ho enimpolo hakiho ny haavony, ary enimpolo hakiho ny sakany,
\v 4 miaraka amin'ny vato lehibe telo andalana sy hazo vaovao iray andalana, ary aoka ny vidiny haloa amin'ny tranon'ny mpanjaka.
\v 5 Ary ento miverina ny fitaovana volamena sy volafotsy izay an'ny tranon'Andriamanitra, izay nentin'i Nebokadnezara avy tany amin'ny tempoly any Jerosalema nankany Babylona ary avereno ao amin'ny tempoly any Jerosalema. Ianao no hametraka ireo ao an-tranon'Andriamanitra.'
\s5
\v 6 Ary Tatenay, governoran'ny Faritra Andafin'ny Ony, Setara Bozenay, ary ireo mpiara-miasa izay any amin'ny Faritra Andafin'ny Ony, miataha lavitra!
\v 7 Avelao ny asa amin'ity trano ity ho an'Andriamanitra irery ihany. Ny governora sy ireo loholona Jiosy no hanangana ity tranon'Andriamanitra ity amin'izany toerana izany.
\s5
\v 8 Mandidy ny tsy maintsy hanaovanareo izao ho an'ireo loholona Jiosy izay manangana izao tranon'Andriamanitra izao aho: Ny vola avy amin'ny hetran'ny mpanjaka avy any andafin'ny Ony no hampiasaina hanakaramana ireo lehilahy ireo mba tsy hanajanonan'izy ireo ny asany.
\v 9 Na inona na inona ilaina— zanak'omby, ondry lahy, na zanak'ondry ho an'ny fanatitra dorana ho an'ny Andriamanitry ny Lanitra, vary, sira, divay, na diloilo araka ny didin'ireo mpisorona ao Jerosalema— dia omeo azy ireo isan'andro tsy tapaka ireo zavatra ireo.
\v 10 Ataovy izany mba hitondran'izy ireo ny fanatitra ho an'ny Andriamanitry ny Lanitra ka hivavaka ho ahy, mpanjaka, sy ireo zanako.
\s5
\v 11 Ary mandidy aho fa na iza na iza mandika io lalàna io, dia tsy maintsy hanesorana andry iray eo amin'ny tranony ary tsy maintsy hahantona amin'izany izy. Ary tsy maintsy ho lasa fako mivangongo noho izany ny tranony.
\v 12 Ary Andriamanitra izay nahatonga ny anarany hitoetra teo anie handringana izay mpanjaka na olona izay manandra-tanana hanova izany lalàna izany, na hanimba izany tranon'Andriamanitra ao Jerosalema izany. Izaho, Dariosy, no mandidy izany. Aoka hatao am-pahazotoana izany!"
\s5
\v 13 Ary nohon'ny lalàna nalefan'i Dariosy mpanjaka, i Tatenay, ilay governoran'ny Faritra Andafin'ny Ony, sy Setara Bozenay sy ireo mpiara-miasa aminy, dia nanao izay rehetra nandidian'i Dariosy Mpanjaka.
\v 14 Ka dia nanangana araka izay natoron'i Hagay sy Zakaria tamin'ny faminaniana ireo loholona Jiosy. Natsangan'izy ireo araka ny didin'ny Andriamanitr'Israely sy Kyrosy, Dariosy, ary Artaksersesy, mpanjakan'i Persia izany.
\v 15 Dia vita ny trano tamin'ny andro fahatelon'ny volana Adara, tamin'ny taona fahenina nanjakan'i Dariosy Mpanjaka.
\s5
\v 16 Nankalaza ny fanokanana izany tranon'Andriamanitra izany tamin'ny fifaliana ny vahoaka Israelita, ireo mpisorona, ireo Levita, ary ireo sisa tamin'ireo babo.
\v 17 Nanolotra omby zato, ondry lahy zato, ary zanak'ondry efajato ho an'ny fanokanana ny tranon'Andriamanitra izy ireo. Osy lahy roa ambin'ny folo ihany koa no natolotra ho fanatitra nohon'ny ota ho an'Israely rehetra, iray isaky ny foko tany Israely.
\v 18 Nanendry ireo mpisorona sy Levita tamin'ny fizaràn'asa ho an'ny fanompoana an'Andriamanitra ao Jerosalema ihany koa izy ireo, araka ny voasoratra tao amin'ny Bokin'i Mosesy.
\s5
\v 19 Ary ireo izay avy tany an-tsesitany dia nankalaza ny Paska tamin'ny andro fahefatra ambin'ny folon'ny volana voalohany.
\v 20 Ireo mpisorona sy ny Levita rehetra dia nanadio ny tenany ary namono ny soron'ny Paska ho an'ireo izay avy tany an-tsesitany rehetra, anisan'izany izy ireo.
\s5
\v 21 Ny vahoaka Israelita izay nihinana tamin'ny henan'ny Paska dia ireo izay niverina avy tany an-tsesitany sy nanasaraka ny tenany tamin'ny fahalotoan'ny vahoakan'ny tany ary nitady an'i Yaveh, Andriamanitr'Israely.
\v 22 Nankalaza tamin'ny fifaliana ny Firavoravoan'ny Mofo tsy misy masirasira nandritry ny fito andro izy ireo, satria i Yaveh dia efa nitondra fifaliana tamin'izy ireo ary nanova ny fon'ny mpanjakan'i Asyria mba hampatanjaka ny tanan'izy ireo tamin'ny asan'ny tranony, dia ilay tranon'ny Andriamanitr'Israely.
\s5
\c 7
\p
\v 1 Ary taorian'izany, nandritry ny nanjakan'i Artaksersesy mpanjakan'i Persia, dia niakatra avy tany Babylona i Ezra. Ireo razamben'i Ezra dia i Seraia, Azaria, Hilklay,
\v 2 Saloma, Zadoka, Ahitoba
\v 3 Amaria, Azaria, Meraiota,
\v 4 Zerahia, Ozy, Boky,
\v 5 Abisoa, Finehasa, Eleazara, izay zanaka lahin'i Arona mpisoronabe.
\s5
\v 6 Niakatra avy tany Babylona i Ezra ary izy dia mpanora-dalàna mahay tsara ny lalàn'i Mosesy, izay efa nomen'i Yaveh, Andriamanitr'Israely. Nomen'ny mpanjaka azy izay rehetra nangatahany satria nomban'ny tanan'i Yaveh izy.
\v 7 Ny sasany tamin'ireo taranak'Israely sy ireo mpisorona, Levita, mpihiran'ny tempoly, mpiambina vavahady, ary ireo izay notendrena hanompo tao an-tempoly dia niakatra tany Jerosalema ihany koa tamin'ny taona fahafito ambin'ny folo nanjakan'i Artaksersesy Mpanjaka.
\s5
\v 8 Dia tonga tany Jerosalema tamin'ny volana fahadimy tamin'io taona io ihany izy.
\v 9 Niala tao Babylona tamin'ny andro voalohan'ny volana voalohany izy. Tamin'ny andro voalohan'ny volana fahadimy no nahatongavany tany Jerosalema, satria nomban'ny tanana tsaran'Andriamanitra izy.
\v 10 I Ezra dia nametraka ny fony mba hianatra, hanatanteraka, ary hampianatra ireo fitsipika sy ireo didin'ny lalàn'i Yaveh.
\s5
\v 11 Izao no didy izay nomen'i Artaksersesy mpanjaka an'i Ezra mpisorona sy mpanora-dalàn'ny didy aman-dalàn'i Yaveh ho an'Israely:
\v 12 "Artaksersesy Mpanjakan'ny mpanjaka, ho an'i Ezra mpisorona, mpanora-dalàn'ny lalàn'Andriamanitry ny lanitra.
\v 13 Izaho dia mandidy fa ny olona rehetra avy any Israely ao amin'ny fanjakako miaraka amin'ireo mpisorona sy ireo Levitan'izy ireo izay maniry ny andeha ho any Jerosalema, dia afaka miaraka aminao.
\s5
\v 14 Izaho, mpanjaka, sy ireo mpanolotsaiko fito, dia maniraka anareo rehetra mba hanontany mahakasika an'i Joda sy Jerosalema araka ny lalàn'Andriamanitra, izay eo an-tananao.
\v 15 Tsy maintsy entinareo ny volafotsy sy ny volamena izay efa natolotr'izy ireo an-kalalahana tamin'ny Andriamanitr'Israely, izay any Jerosalema ny fonenany.
\v 16 Omeo an-kalalahana ny volafotsy sy ny volamena rehetra izay nomen'ny Babylona rehetra niaraka tamin'izay efa natolotry ny vahoaka sy ireo mpisorona an-kalalahana ho an'ny tranon'Andriamanitra any Jerosalema.
\s5
\v 17 Koa mividiana omby, ondry lahy sy zanak'ondry, ary fanatitra hohanina sy fanatitra sotroina maro be. Atolory eo amin'ny alitara izay ao amin'ny tranon'ny Andriamanitrao any Jerosalema ireo.
\v 18 Ireo ambina volafotsy sy volamena dia anaovy izay hitanao fa tsara ho anao sy ireo rahalahinao, mba hampifaly ny Andriamanitrao.
\s5
\v 19 Apetraho eo anatrehany ho an'ny asa fanompoana ao amin'ny tranon'Andriamanitrao any Jerosalema ireo zavatra izay nomena anao an-kalalahana.
\v 20 Izay zavatra hafa rehetra ilaina ho an'ny tranon'ny Andriamanitrao takianao, dia alaivo ao amin'ny fitehirizan-drakitro ny vidin'izany.
\s5
\v 21 Izaho, Artaksersesy Mpanjaka, dia manao didy ho an'ireo mpitahiry vola any amin'ny Faritany Andafin'ny Ony, fa ny zavatra rehetra izay angatahin'i Ezra aminao dia tokony homena manontolo, hatramin'ny talenta volafotsy zato, vary zato kora, divay zato bata, ary diloilo zato bata,
\v 22 ary koa sira tsy misy fetrany.
\v 23 Izay zavatra rehetra avy amin'ny didin'ny Andriamanitry ny Lanitra, dia ataovy miaraka amin'ny fanoloran-tena ho an'ny tranony izany. Fa nahoana ny fahatezerany no ho tonga eo amin'ny fanjakako sy ireo zanako lahy?
\s5
\v 24 Ampahafantarinay azy ireo ny mahakasika anao izay tsy hitaky haba na hetra amin'ireo mpisorona rehetra, ireo Levita, ireo mpitendry zava-maneno, ireo mpiambina vavahady, na eo amin'ny vahoaka notendrena ho amin'ny asan'ny tempoly ary ireo mpanompon'ny tranon'izany Andriamanitra izany.
\s5
\v 25 Ry Ezra, amin'ny fahendrena izay efa nomen'Andriamanitra anao, dia manendre mpitsara sy olona lalin-tsaina hanompo ireo vahoaka rehetra any amin'ny Faritany Andafin'ny Ony, ary hanompo ny olona izay mahafantatra ny lalàn'Andriamanitrao. Mampianara ireo izay tsy mahalala ny lalàna ihany koa.
\v 26 Sazio ny olona izay tsy mankatoa tanteraka ny lalàn' Andriamanitra na ny lalàn'ny mpanjaka, na amin'ny alalan'ny fahafatesana, na fandroahana, fanagiazana ny fananan'izy ireo, na fanagadrana.
\s5
\v 27 Miderà an'i Yaveh, Andriamanitry ny razantsika, izay nametraka izany rehetra izany tao am-pon'ny mpanjaka mba hanomezam-boninahitra ny tranon'i Yaveh any Jerosalema,
\v 28 ary izay namone ny fanekena mahatoky tamiko teo anatrehan'ny mpanjaka, ireo mpanolo-tsainy, ary ireo manam-pahefany mahery rehetra. Efa nampatanjahana tamin'ny alalan'ny tanan'i Yaveh Adriamanitro aho, ary nanangona mpitarika avy amin'Israely mba hiaraka amiko.
\s5
\c 8
\p
\v 1 Ireto avy ireo mpitarika ny fianakavian'ny razamben'izy ireo izay nandao an'i Babylona niaraka tamiko nandritry ny fanjakan'i Artaksersesy.
\v 2 Amin'ny taranak'i Finehasa, dia i Gersona. Amin'ny taranak'i Itamara, dia i Daniela. Amin'ny taranak'i Davida, dia i Hatosy,
\v 3 izay avy amin'ny taranak'i Sekania, izay avy amin'ny taranak'i Parosy; ary Zakaria, ary nisy lehilahy 150 voatanisa tao amin'ny rakitry ny tetiarany niaraka taminy.
\s5
\v 4 Amin'ny taranak'i Pahata-moaba, dia Elihoenay zanaka lahin'i Zerahia ary niaraka taminy dia nisy roanjato lahy.
\v 5 Amin'ny taranak'i Sekania, dia Beni-Jahaziela ary niaraka taminy nisy telonjato lahy.
\v 6 Amin'ny taranak'i Adina, dia Ebeda zanaka lahin'i Jonatana ary niaraka taminy nisy dimampolo lahy voatanisa.
\v 7 Amin'ny taranak'i Elama, dia Jesaia zanaka lahin'i Atalia ary niaraka taminy nisy fitopolo lahy voatanisa.
\s5
\v 8 Amin'ny taranak'i Sefatia, dia Zebadia zanaka lahin'i Mikaela ary niaraka taminy nisy valopolo lahy voatanisa.
\v 9 Amin'ny taranak'i Joaba, dia Obadia zanaka lahin'i Jehiela ary niaraka taminy nisy 218 lahy voatanisa.
\v 10 Amin'ny taranak'i Selomita zanak'i Josifia dia nisy 160 lahy voatanisa niaraka taminy.
\v 11 Amin'ny taranak'i Bebay, dia Zakaria zanaka lahin'i Bebay ary nisy valo amby roapolo lahy voatanisa niaraka taminy.
\s5
\v 12 Amin'ny taranak'i Azgada, dia Johanana zanaka lahin'i Hakatana ary nisy 110 lahy voatanisa niaraka taminy. Ireo izay avy amin'ny taranak'i Adonikama no tonga taty aoriana.
\v 13 Ireto avy ny anaran'izy ireo: Elifeleta, Jeiela, Semaia, ary niaraka tamin'izy ireo nisy enimpolo lahy.
\v 14 Amin'ny taranak'i Bigvay, dia Otahy sy Zaboda ary nisy fitopolo lahy voatanisa niaraka taminy.
\s5
\v 15 Nangoniko ireo mpandeha tao amin'ny lakan-drano izay mankany Ahava, ary nitoby hateloana teo izahay. Nanadihady ny vahoaka sy ireo mpisorona aho, nefa tsy nahita taranak'i Levy tao mihitsy.
\v 16 Dia nampiantso an'i Eliezera, Ariela, Semaia, Elnatana, Jariba, sy Elnatana sy Natana, Zakaria, ary Mesolama—izay mpitarika—ary an'i Joariba sy Elnatana—izay mpampianatra aho.
\s5
\v 17 Manaraka izany dia nirahiko ho any amin'Ido, mpitarika any Kasifia izy ireo. Nambarako azy ireo izay ho lazaina amin'Ido sy ireo havany, ireo mpanompon'ny tempoly mipetraka any Kasifia, dia ny, mba handefasana mpanompo ho an'ny tranon'Andriamanitra ho aty aminay.
\s5
\v 18 Dia nandefa lehilahy iray antsoina hoe Serebia, lehilahy malina taminay tamin'ny tanana tsaran'Andriamanitray izy ireo. Izy dia taranak'i Maly zanaka lahin'i Levy zanak'Israely.
\v 19 Tonga niaraka tamin'ny zanaka lahy sy rahalahy valo ambin'ny folo izy. Tonga niaraka taminy i Hasabia. Nisy an'i Jesaia, iray amin'ireo zanaka lahin'i Merary, niaraka tamin'ireo rahalahiny sy ny zanaka lahin'izy ireo ihany koa izy ireo, roapolo lahy ny fitambarany.
\v 20 Amin'ireo izay notendrena hanompo ao an-tempoly, izay nomen'i Davida sy ireo manam-boninahiny mba hanompo an'ireo Levita dia: 220, samy notendrena tamin'ny anarany avy.
\s5
\v 21 Dia nanambara fifadian-kanina tao amin'ny Lakan-drano Ahava aho mba hanetry ny tenanay eo anatrehan'Andriamanitra, mba hitady lala-mahitsy avy Aminy ho anay, ny zaza madinikay, ary ireo fanananay rehetra.
\v 22 Menatra ny hangataka tafika na mpitaingin-tsoavaly tamin'ny mpanjaka mba hiaro anay amin'ireo fahavalo teny an-dalàna aho, satria efa niteny tamin'ny mpanjaka izahay hoe: 'Ny tanan'Andriamanitray dia eo amin'ny rehetra izay mitady Azy amin'ny tsara, fa ny heriny sy ny hatezerany dia eo amin'ny rehetra izay manadino Azy.'
\v 23 Koa nifady hanina sy nitady an'Andriamanitra momba izany izahay, ary niangavy taminy.
\s5
\v 24 Manaraka izany dia nifantina lehilahy roa ambin'ny folo tamin'ireo manam-boninahitry ny fisoronana aho: Serebia, Hasabia, ary folo tamin'ny rahalahin'izy ireo.
\v 25 Nandanja volafotsy, volamena, ary zavatra sy fanatitra ho an'ny tranon'Andriamanitra izay natolotry ny mpanjaka, ireo mpanolo-tsainy sy manam-boninahiny, sy ireo izay natolotry ny Israely rehetra maimaim-poana ho azy ireo aho.
\s5
\v 26 Dia nandanja talenta volafotsy 650, talenta zavatra volafotsy zato, talenta volamena zato,
\v 27 lovia volamena roapolo izay nisanda darika arivo, ary fanaka varahina roa nangirana tsara izay sarobidy toy ny volamena teo am-pelantanan'izy ireo aho.
\s5
\v 28 Dia hoy aho tamin'izy ireo hoe: "Natokana ho an'i Yaveh ianareo, ary ireto zavatra ireto ihany koa, sy ny volafotsy ary ny volamena dia fanati-tsitrapo ho an'i Yaveh, Andriamanitry ny razambenareo.
\v 29 Ambeno ireo ary tandremo mandra-pandanjanareo izany eo anatrehan'ny manam-boninahitry ny fisoronana, Levita, ary ireo mpitarika ny fokon-drazan'Israely any Jerosalema ao amin'ireo efitry ny tranon' Andriamanitra."
\v 30 Nanaiky ny volafotsy, volamena, sy ireo zavatra voalanja ireo mpisorona sy ireo Levita mba hitondrana izany any Jerosalema, ao an-tranon'ny Andriamanitray.
\s5
\v 31 Nivoaka avy tao amin'ny Lakan-dranon'i Ahava izahay tamin'ny andro faharoa ambin'ny folon'ny volana voalohany mba handeha ho any Jerosalema. Teo aminay ny tanan'ny Andriamanitray; niaro anay tamin'ny tanan'ny fahavalo sy ireo olona izay naniry ny hanafika anay tampoka teny an-dalana Izy.
\v 32 Dia niditra tany Jerosalema izahay ary nitoetra tao nandritry ny hateloana.
\s5
\v 33 Ary tamin'ny andro fahefatra dia nolanjaina tao an-tranon'ny Andriamanitray teo an-tanan'i Meremota zanaka lahin'i Oria mpisorona ny volafotsy, volamena, sy ireo zavatra, ary niaraka taminy Eleazara zanaka lahin'i Finehasa, Jozabada zanaka lahin'i Jesoa, ary Noadia zanaka lahin'i Binoy ilay Levita.
\v 34 Voafaritra ny isa sy ny lanjan'ny zavatra rehetra. Nosoratana avokoa ny lanja rehetra tamin'izany fotoana izany.
\s5
\v 35 Ireo olona izay niverina avy amin'ny fahababoana, ny olona voasesy tany, dia nanolotra fanatitra dorana ho an'ilay Andriamanitr'Israely: omby roa ambin'ny folo ho an'Israely rehetra, ondry lahy enina amby sivifolo, zanak'ondry fito amby fitopolo, ary osy lahy roa ambin'ny folo ho fanatitra nohon'ny fahotana. Fanatitra dorana ho an'i Yaveh ireo rehetra ireo.
\v 36 Dia nomen'izy ireo ho an'ireo manam-boninahitry ny mpanjaka ambony sy ireo governora tany amin'ny Faritra Andafin'ny Ony ny lalàn'ny mpanjaka, ary nanampy ny vahoaka sy ny tranon'Andriamanitra izy ireo.
\s5
\c 9
\p
\v 1 Rehefa vita ireo zavatra ireo, dia nanatona ahy ireo manam-pahefana ary nanao hoe: "Ny vahoakan'Israely, ireo mpisorona, ary ireo Levita dia tsy nanasaraka ny tenan'izy ireo tamin'ireo olona avy any an-tany hafa sy ny fahavetavetany: dia ireo Kananita, Hitita, Perizita, Jebosita, Amonita, Moabita, Egyptiana ary Amorita.
\v 2 Fa nalain'izy ireo ny sasany tamin'ireo zanany vavy sy zanany lahy, ary nafangaron'izy ireo tamin'ny vahiny ny vahoaka masina, ary ireo manam-pahefana sy ireo mpitarika no voalohany tamin'izany tsy fahatokiana izany."
\s5
\v 3 Rehefa nandre izany aho, dia nandrovitra ny fitafiako sy ny akanjo lavako ka nanongotra ny volon-dohako sy ny volom-bavako, ary nipetraka, torotoro.
\v 4 Ireo rehetra izay nangorohoro tamin'ny tenin'ny Andriamanitr'Israely mahakasika izany tsy fahatokiana izany dia niangona teo amiko raha iny nipetraka am-pahamenarana hatramin'ny fanatitra hariva iny aho.
\s5
\v 5 Fa tamin'ny fanatitra hariva dia niarina avy tamin'ny toeran'ny fahafaham-barakako tamin'ny fitafiako sy ny akanjo lavako rovitra aho, ka nandohalika ary namelatra ny tanako ho amin'i Yaveh Andriamanitro.
\v 6 Hoy aho hoe: "Andriamanitro o, menatra sy mangahiahy ny hanandratra ny tavako eo aminao aho, fa miakatra mihoatry ny lohanay ny helokay, ary ny fahamelohanay mihombo hatrany an-danitra.
\s5
\v 7 Nanomboka tamin'ny andron'ny razambenay mandrak'ankehitriny dia tao anaty fahamelohana lehibe izahay. Tao anatin'ny helokay izahay, ireo mpanjakanay, sy ireo mpisoronay no natolotra ho eo an-tanan'ireo mpanjakan'ity izao tontolo izao ity, ho eo amin'ny sabatra, ho eo amin'ny fahababoana, ho eo amin'ny babo sy ny tarehy mangahiahy, tahaka anay anio.
\s5
\v 8 Ankehitriny anefa tao anaty fotoana fohy, dia tonga taminay ny indrafo avy amin'i Yaveh Andriamanitray mba hamela sisa velona eo aminay ka hanome anay fifikirana eo amin'ny fitoerany masina. An'ny Andriamanitray ny manazava ny masonay sy manome fiatoana kely amin'ny fanandevozana anay.
\v 9 Fa andevo izahay, nefa tsy nanadino anay ny Andriamanitray fa nanitatra ny fanekena mahatoky taminay. Nanao izany teo imason'ny mpanjakan'i Persia Izy mba hanome hery vao ho anay, mba hafahanay manorina ny tranon'ny Andriamanitray indray ka hanangana ny faharavany. Nanao izany Izy mba hanomezany manda fiarovana ho anay ao Joda sy Jerosalema.
\s5
\v 10 Fa ankehitriny kosa, ry Andriamanitray, inona no azonay ambara aorian'izao? Nanadino ireo didinao izahay,
\v 11 dia ny didy izay nomenao ireo mpaminany mpanomponao, rehefa niteny Ianao hoe: "Ity tany izay hidiranareo ho fanananareo ity dia tany maloto. Voaloton'ny olon'ity tany ity tamin'ny fahavetavetan'izy ireo izany. Nofenoin'izy ireo ny fahalotoan'izy ireo hatrany amin'ny ilany iray ka hatrany amin'ny hafa izany.
\v 12 Ankehitriny ary, aza omena ny zanak'izy ireo lahy ny zanakareo vavy; aza maka ny zanak'izy ireo vavy ho an'ny zanakareo lahy, ary aza mitady fihavanana sy fanampiana amin'izy ireo, mba hatanjaka ianareo ary hihinana ny tsara avy amin'ny tany, ka hahatonga ny zanakareo ho tompon'izany amin'ny fotoana rehetra."
\s5
\v 13 Kanefa taorian'ny zavatra rehetra izay nanjo anay nohon'ny asa ratsinay sy ny fahamelohanay lehibe—satria Ianao, Andriamanitray, dia nihazona izay mendrika ny helokay ka namela anay ho velona—
\v 14 tokony handika ireo didinao indray ve izahay ka hifanambady amin'ireo vahoaka vetaveta ireo? Tsy ho tezitra ve Ianao ka handringana anay mba tsy hisy ho tavela, tsy hisy anankiray ho tafandositra?
\s5
\v 15 Ry Yaveh, Andriamanitr'Israely, marina Ianao, fa vitsy izahay no sisa velona amin'izao anio izao. Indro! Indreto izahay eto anatrehanao amin'ny fahamelohanay, fa tsy misy afaka hijoro eo anatrehanao nohon'ny amin'izany.
\s5
\c 10
\p
\v 1 Raha mbola nivavaka sy niaiky heloka i Ezra, dia nitomany izy ary niankohoka teo anoloan'ny tranon'Andriamanitra. Lehilahy Israelita, zaza aman-behivavy maro be no nitangorona teo aminy, fa nitomany mafy dia mafy ireo olona.
\v 2 Hoy i Sekania zanaka lahin'i Jehiela taranak'i Elama tamin'i Ezra hoe: "Efa tsy nahatoky tamin'Andriamanintray izahay ary nanambady ireo vehivavy hafa firenena avy tamin'ny vahoakan'ireo tany hafa. Kanefa na dia eo aza izany, dia mbola misy fanantenana ho an'Israely.
\s5
\v 3 Koa aoka izahay hanao fifanekena amin'ny Andriamanintray mba handroaka ireo vehivavy rehetra sy ireo zanany araka ireo toromariky ny Tompo sy ny toromarik'ireo izay nihorohoro tamin'ireo didin'ny Andriamanintsika, ary aoka izany ho tanteraka araka ny lalàna.
\v 4 Mitsangàna, fa izany zavatra izany dia ho tanterahinao, ary izahay dia miaraka aminao. Mahereza ary ataovy izany."
\s5
\v 5 Koa nitsangana i Ezra ary nasainy nampanantena ireo manam-boninahitry ny fisoronana, ireo Levita, ary ny Israely rehetra mba hanao toy izany. Koa dia nanao fianianana manetriketrika izy rehetra.
\v 6 Avy eo nitsangana avy teo anoloan'ny tranon'Andriamanitra i Ezra ary nandeha tao amin'ny efitr'i Johanana zanaka lahin'i Eliasiba. Tsy mba nihinana mofo na nisotro rano izy, satria nisaona ny hakelin'ny finoan'ireo izay efa tao amin'ny fahababoana izy.
\s5
\v 7 Koa nandefa teny tany Joda sy Jerosalema ho an'ireo olona niverina avy tany an-tsesitany izy ireo mba hivory ao Jerosalema.
\v 8 Izay rehetra tsy tonga tao anatin'ny telo andro araka ireo toromarika avy amin'ireo manam-pahefana sy loholona dia nesorina tamin'izy ireo ny fananan'izy ireo rehetra ary nalàna tsy ho ao amin'ny fikambanam-ben'ireo izay niverina avy any an-tsesitany.
\s5
\v 9 Koa nivory tao Jerosalema nandritry ny telo andro ny lehilahy avy any Joda sy Benjamina rehetra. Izany dia tamin'ny volana fahasivy ary tamin'ny andro faharoapolon'ny volana. Nijoro teo amin'ny kianja malalaka nanoloana ny tranon'Andriamanitra ny olona rehetra ary nangovitra noho ilay teny sy ny orana.
\v 10 Nitsangana i Ezra mpisorona ary niteny hoe: "Efa namadika ianareo. Nanambady ireo vehivavy hafa firenena ianareo ary nampitombo ny helok'Israely.
\s5
\v 11 Fa ankehitriny dia miderà an'i Yaveh, Andriamanitr'ireo razambenareo, ary ataovy ny sitrapony. Misaraha amin'ny olona tompon-tany sy amin'ireo vehivavy hafa firenena."
\s5
\v 12 Namaly tamin'ny feo avo ny fivondronana rehetra hoe: "Hanao araka izay nolazainao izahay.
\v 13 Na izany aza, maro ireo olona, ary vanim-potoanan'ny orana izao. Tsy manana hery hijoro ety ivelany izahay, ary izany dia tsy asa iray na roa andro fotsiny, satria efa nanao heloka lehibe tamin'izany raharaha izany izahay.
\s5
\v 14 Koa aoka ny mpanapakay hisolo-tena ny fiangonana rehetra. Aoka izay namela ireo vehivavy avy amin'ny firenena hafa hipetraka amin'ny tanànantsika ho tonga amin'ny fotoana izay ho tondroina miaraka amin'ireo loholon'ny tanàna sy ireo mpitsara ao amin'ny tanàna mandra-pialan'ny firehetan'ny hatezeran'ny Andriamanitsika amintsika."
\v 15 Nanohitra izany i Jonatana zanaka lahin'i Asahela sy Jahaza zanaka lahin'i Tikva, ary nanohana azy ireo i Mesolama sy Sabetahy Levita.
\s5
\v 16 Koa nanao izany ireo olona niverina avy tany an-tsesitany. Ezra mpisorona dia nifidy ireo lehilahy, ireo mpitarika tao amin'ireo foko sy fianakavian'ireo razamben'izy ireo—tamin'ny anaran'izy rehetra, ary nandinika ny raharaha tamin'ny andro voalohany tamin'ny fahafolon'ny volana izy ireo.
\v 17 Tamin'ny andro voalohany tamin'ny volana voalohany dia nahavita namantatra izay lehilahy niara-nipetraka tamin'ny vehivavy hafa firenena izy ireo.
\s5
\v 18 Nisy tamin'ireo taranak'ireo mpisorona no nanambady vehivavy hafa firenena. Tamin'ny taranak'i Jesoa zanaka lahin'i Jozadaka sy ireo rahalahiny dia nisy an'i Mahaseia, Eliezera, Jariba, sy Gedalia.
\v 19 Koa dia tapa-kevitra ny handroaka ireo vadiny izy ireo. Satria meloka izy ireo, dia nanolotra ondry lahy tamin'ireo ondriny izy ireo nohon'ny helok'izy ireo.
\s5
\v 20 Tamin'ireo taranak'Imera dia: i Hanany sy Zebadia.
\v 21 Tamin'ireo taranak'i Harima: i Mahaseia, Elia, Semaia, Jehiela, ary Ozia.
\v 22 Tamin'ireo taranak'i Pasora: i Elioenay, Mahaseia, Ismaela, Netanela, Jozabada, ary Elasa.
\s5
\v 23 Tamin'ireo Levita dia: i Jozabada, Simey, Kelaia—izay, Kelita, Petahia, Joda.
\v 24 Tamin'ireo mpihira: i Eliasiba. Tamin'ireo mpiandry vavahady dia: i Saloma, Talema, ary Ory.
\v 25 Tamin'ireo Israelita sisa—tamin'ireo taranak'i Parosa dia: i Ramia, Jizia, Malkia, Miamina, Eleazara, Malkia, ary Benaia.
\f + \ft Fanamarihana: Raha tokony ho "Malkia" ilay niverina fanindroany, dia ny sasany amin'ireo dikan-teny vaovao manolo izany ho "Hasabia". \f*
\s5
\v 26 Tamin'ireo taranak'i Elama dia: i Matania, Zakaria, Jehiela, Abdia, Jeremota, ary i Elia.
\v 27 Tamin'ireo taranak'i Zato dia: i Elioenay, Eliasiba, Matania, Jeremota, Zabada, ary Aziza.
\v 28 Tamin'ireo taranak'i Bebay dia: i Johanana, Hanania, Zabay, ary Atlay.
\v 29 Tamin'ireo taranak'i Bany dia: i Mesolama, Maloka, Adaia, Jasoba, ary Seala Jeremota.
\f + \ft Fanamarihana: Raha tokony ho "Bany, dia ny sasany amin'ireo dikan-teny vaovao manao azy ho "Bigvay." \f*
\s5
\v 30 Tamin'ny taranak'i Pahata Moaba dia: i Adna, Kelala, Benaia, Mahaseia, Matania, Bezaiela, Binoy, ary Manase.
\v 31 Tamin'ny taranak'i Harima dia: i Eliezera, Jisia, Malkia, Semaia, Simeona,
\v 32 Benjamina, Maloka, ary Semaria.
\s5
\v 33 Tamin'ny taranak'i Hasoma dia: i Matenay, Matata, Zabada, Elifeleta, Jeremay, Manase, ary Simey.
\v 34 Tamin'ny taranak'i Bany dia: i Maday, Amrama, Oela,
\v 35 Benaia, Bedeia, Keloho,
\v 36 Vania, Meremota, Eliasiba,
\s5
\v 37 Matania, Matenay, ary Jasao.
\v 38 Tamin'ny taranak'i Binoy dia: i Simey,
\f + \ft Fanamarihana: Raha tokony ho "Tamin'ny taranak'i Binoy: i Simey, dia ny sasany amin'ireo dikan-teny vavao manao hoe "Bany, Binoy, Simey" \f*
\v 39 Selemia, Natana, Adaia,
\v 40 Maknadebay, Sasay, Saray,
\f + \ft Fanamarihana: Raha tokony ho "Maknadebay, dia ny sasany amin'ireo dikan-teny vaovao manao hoe "Tamin'ny taranak'i Zakay". \f*
\s5
\v 41 Azarela, Selemia, Semaria,
\v 42 Saloma, Amaria, ary i Josefa.
\v 43 Tamin'ny taranak'i Nebo dia: i Jeiela, Matitia, Zabada, Zebina, Ido, Joela, ary Benaia.
\v 44 Ireo rehetra ireo dia nanambady vehivavy hafa firenena ary nanan-janaka tamin'ny sasany tamin'izy ireo.
\f + \ft Fanamarihana: Raha tokony ho "nanan-janaka tamin'ny sasany tamin'izy ireo, dia ny sasany amin'ireo dikan-teny vaovao manao hoe: "saingy nandroaka azy ireo niaraka tamin'ny zanak'izy ireo." \f*