plt_ulb/14-2CH.usfm

1634 lines
166 KiB
Plaintext

\id 2CH
\ide UTF-8
\h 2 Tantara
\toc1 2 Tantara
\toc2 2 Tantara
\toc3 2ch
\mt 2 Tantara
\s5
\c 1
\p
\v 1 Solomona zanaka lahin'i Davida, dia nitombo hery tamin'ny fanjakany, ary Yaveh Andriamaniny dia nomba azy ary nahatonga azy ho tena mahery.
\s5
\v 2 Solomona niteny tamin'Israely rehetra, tamin'ireo mpifehy ny arivo lahy sy ny zato lahy, sy tamin'ireo mpitsara, ary tamin'ny andrian-dahy rehetra tao Israely rehetra, ireo mpitarika ny tranon-drazambe.
\v 3 Koa dia nandeha teny amin'ny fitoerana avo izay tany Gibeona i Solomona sy ny mpiangona rehetra niaraka taminy, satria tany no nisy ny tranolay fihaonana amin'Andriamanitra, izay namboarin'i Mosesy mpanonpon'i Yaveh, tany an'efitra.
\v 4 Fa nentin'i Davida avy tany Kiriata Jearima ho any amin'ilay toerana izay nomaniny ho amin'izany ny fiaran'Andriamanitra, satria efa nanorina lay ho an'izany tao Jerosalema izy.
\v 5 Fanampin'izany, ilay alitara varahina nataon'i Bezalila zanaka lahin'i Ori zanaka lahin'i Hora dia efa tany nanoloana ny tabernakelin'i Yaveh; nandeha tany i Solomona sy ny fiangonana.
\f + \ft Fanamarihana: Ny dika-teny sasany taloha manao hoe: "ilay alitara varahina nataon'i Bezalela zanaka lahin'i Ori zanaka lahin'i Hora, dia napetrany tany nanoloana ilay tabernakelin'i Yaveh", ny "izy" eto dia manondro an'i Davida. \f*
\s5
\v 6 Niakatra tany amin'ilay alitara varahina anoloan'i Yaveh i Solomona, izay tao amin'ny tranolay fihaonana, ary nanolotra fanatitra dorana arivo teo amin'izany.
\v 7 Andriamanitra niseho tamin'i Solomona tamin'io alina io ary niteny taminy hoe: "Angataho! Inona no tokony omeko anao?"
\s5
\v 8 Hoy Solomona tamin'Andriamanitra hoe: "Ianao dia efa nampiseho famindra-po lehibe tamin'i Davida raiko, ary nanao ahy ho mpanjaka teo amin'ny toerany.
\v 9 Ankehitriny, ry Yaveh Andriamanitra, aoka mba ho tanterahina ny fampanantenana nataonao tamin'i Davida raiko, satria nataonao mpanjakan'ny olona maro an'isa toy ny vovoky ny tany aho.
\v 10 Koa omeo fahendrena sy fahalalana aho, mba hahafahako mitarika ity vahoaka ity, satria iza no afaka hitsara ny vahoakanao, izay tena maro an'isa?"
\v 11 Hoy Andriamanitra tamin'i Solomona hoe: "Satria tao am-ponao izany, ary satria tsy nangataka vola aman-karena ianao, na voninahitra, na ny ain'ireo izay mankahala anao, na mba ho ela velona ianao, fa fahendrena sy fahalalana ho an'ny tenanao no nangatahanao, mba hahafahanao manjaka amin'ny vahoakako, eo amin'ireo izay nanaovako anao ho mpanjaka, ary izao no ho ataoko.
\s5
\v 12 Homeko fahendrena sy fahalalana ianao anio. Homeko vola aman-karena, sy voninahitra ihany koa ianao, izay tsy nananan'ireo mpanjaka teo alohanao, ary tsy hisy aorianao hanana."
\v 13 Koa tonga tao Jerosalema avy tany amin'ny fitoerana avo izay tao Gibeona i Solomona, avy teo anoloan'ny tranolay fihaonana; nanjaka nanerana an'Israely izy.
\s5
\v 14 Nampivory ireo kalesy sy mpitaingin-tsovaly i Solomona, ary nanana kalesy 1. 400 sy mpitaingin-tsoavaly roa arivo sy iray alina izy izay napetrany tao amin'ny tanàna fitoeran'ireo kalesy, ary niaraka taminy, ny mpanjaka tao Jerosalema.
\v 15 Nataon'ny mpanjaka nitobaka tao Jerosalema toy ny vatokely ny volafotsy sy volamena, ary nataony nitobaka toy ny aviavy izay eny amin'ireo tany iva ny hazo sedera.
\v 16 Toy ny fanafarana ireo soavaly avy any Egypta sy Kiho ho an'i Solomona, dia novidian'ireo mpandrantony avy any Kiho tamin'ny vidiny tokana ireo.
\v 17 Nanafatra kalesy avy tany Egypta tamin'ny sekely volafotsy enin-jato izy ireo, ary soavaly tamin'ny sarany sekely 150. Izy ireo ihany koa dia nanondrana ireo tany amin'ireo mpanjakan'i Hetita sy ireo Syriana.
\s5
\c 2
\p
\v 1 Ary Solomona no nibaiko ny fanorenana trano ho amin'ny anaran'i Yaveh sy ny fanorenana lapa ho an'ny fanjakany.
\v 2 Nanendry lehilahy fito alina i Solomona mba hitondra ireo entana, sy lehilahy valo alina mba ho mpanapaka hazo tany an-tendrombohitra, ary lehilahy 3. 600 mba hanara-maso azy ireo. Nandefa hafatra tany amin'i Hirama, mpanjakan'i Tyro i Solomona, nanao hoe:
\v 3 "Tahaka izay nataonao tamin'i Davida raiko, ny nandefasanao hazo sedera mba hanorenany trano honenana, dia manaova toy izany amiko.
\s5
\v 4 Indro, eto am-panorenana trano ho amin'ny anaran'i Yaveh Andriamanitro aho, mba hanokana izany ho Azy, mba handoro ditin-kazo manitra eo anatrehany, mba hametraka ny mofon'ny fanatrehana, ary ho an'ireo fanatitra dorana amin'ny maraina sy hariva, amin'ireo Sabata sy ireo volana vaovao, ary amin'ireo firavoravoana voatondro ho an'i Yaveh Andriamanitsika. Mandrakizay izany, ho an'Israely.
\v 5 Ho lehibe tokoa ny trano izay ho aoriko, satria lehibe ny Andriamanitsika mihoatra ireo andriamanitra rehetr.
\s5
\v 6 Fa iza anefa no mahay manorina trano ho an'Andriamanitra, raha izao tontolo rehetra izao hatramin'ny lanitra aza tsy omby Azy? Iza aho no hanorina trano ho Azy, afa-tsy ny mandoro sorona eo anatrehany?
\v 7 Noho izany aniraho lehilahy manam-pahaizana amin'ny asa amin'ny volamena, volafotsy, varahina, vy, sy volomparasy, sily, ary volon'ondry manga aho, ary lehilahy iray mahay manamboatra ireo karazan-kazo voasokitra rehetra. Hiaraka amin'ireo lehilahy manam-pahaizana izay miaraka amiko any Joda sy Jerosalema izy, izay natolotr'i Davida raiko.
\s5
\v 8 Andefaso sedera, kypreso, ary hazo almoga avy any Libanona ihany koa aho, satria fantatro fa ireo mpanomponao dia mahay ny fomba fanapahana hazo any Libanona. Indro, ireo mpanompoko dia hiaraka amin'ireo mpanomponao,
\v 9 mba hanomana hazo betsaka ho ahy, satria ny trano izay ho aoriko dia ho lehibe sy mahatalanjona.
\v 10 Indro, izaho hanome an'ireo mpanomponao, dia ireo lehilahy izay hanapaka ny hazo, vary tritika roa alina kora, vary hordea roa alina kora, divay roa alina bata, ary diloilo roa alina bata."
\f + \ft Fanamarihana: Ireo dika-teny sasany dia misy hoe: "vary roa alina kora ho sakafo." \f*
\s5
\v 11 Ary Hirama, mpanjakan'i Tyro, namaly an-tsoratra, izay nalefany tany amin'i Solomona hoe: "Satria Yaveh tia ny olony, dia nanao anao ho mpanjaka eo amin'izy ireo Izy."
\v 12 Fanampin'izany, Hirama niteny hoe: "Isaorana anie Yaveh, ilay Andriamanitr'Israely, izay nanao ny lanitra sy ny tany, izay nanome zanaka lahy hendry an'i Davida mpanjaka, natolotra tamim-pitandremana sy fahazavan-tsaina, izay hanorina trano ho an'i Yaveh, ary trano ho an'ny fanjakany.
\s5
\v 13 Ary naniraka lehilahy manam-pahaizana aho, natolotra tamim-pahazavan-tsaina, dia i Horama, ilay matihaniko.
\v 14 Zanaka lahin'ny vehivavy irain'ireo zanaka vavin'i Dana izy. Lehilahy avy any Tyro no rainy. Manam-pahaizana amin'ny asa amin'ny volamena, volafotsy, varahina, vy, vato, sy amin'ny hazo, sy amin'ny volomparasy, manga, ary jaky volon'ondry, sy rongony fotsy madinika izy. Manam-pahaizana amin'ny karazana sokitra sy karazana famolavolana ihany koa izy. Aoka hisy toerana ho azy eo amin'ireo mpiasanao manam-pahaizana, sy miaraka amin'ireo an'ny tompoko, dia i Davida, rainao.
\s5
\v 15 Koa ankehitriny, ny vary sy ny vary hordea, ny diloilo sy ny divay, izay noresahin'ny tompoko, dia aoka ho alefany any amin'ireo mpanompony.
\v 16 Hanapaka hazo avy any Libanona izahay, betsaka araka izay ilainao. Ho alefanay mitsinkafona amin'ny ranomasina ho any Jopa any aminao izany, ary ianao no hampiakatra izany any Jerosalema."
\v 17 Nanisa ireo vahiny rehetra izay tao amin'ny tany Israely i Solomona, araka ny fomba nanisan'i Davida, rainy, azy ireo. 153, 600 no isan'izy ireo.
\v 18 Nanendry fito alina tamin'ireo izy mba hitondra entana, valo alina mba ho mpanapaka hazo any an-tendrombohitra, ary mpanara-maso 3. 600 mba hampiasa ny vahoaka.
\s5
\c 3
\p
\v 1 Avy eo Solomona nanomboka nanangana ny tranon'i Yaveh tao Jerosalema tany amin'ny tendrombohitr'i Moria, izay nisehoan'i Yaveh tamin'i Davida rainy. Nanomana ilay toerana izay efa nofidian'i Davida ho amin'izany izy, tao amin'ny famoloan'i Ornana ilay Jebosita.
\v 2 Nanomboka nanamboatra tamin'ny andro faharoan'ny volana faharoa izy, tamin'ny fahefa-taona nanjakany.
\v 3 Ireto avy ny refin'ny fototra izay nataon'i Solomona ho an'ny tranon'Andriamanitra. Nampiasa ny hakiho taloha, enim-polo hakiho ny halavany, ary roapolo hakiho ny sakany.
\s5
\v 4 Roapolo hakiho ny halavan'ny lavarangana eo anoloan'ny trano, mifanaraka amin'ny sakan'ilay trano. Roa-polo hakiho ihany koa ny haavony, ary nopetahan'i Solomona takela-bolamena madio ny tao anatiny.
\v 5 Noravahany kypreso ny valin-drihan'ny efitrano lehibe, izay nopetahany takela-bolamena tsara, ary nanaovany sokitra tamin'ny hazo palma sy rojo.
\s5
\v 6 Noravahany tamin'ny vato sarobidy ilay trano; ilay takela-bolamena dia volamena avy any Parvaima.
\v 7 Nopetahany takela-bolamena ihany koa ireo andriny, ireo tokonam-baravarana, rindrina, ary ireo varavarana; nasiany sarina kerobima teo amin'ireo rindrin'izany.
\s5
\v 8 Nanamboatra ny fitoerana masina indindra izy. Ny halavany dia mifanaraka amin'ny sakan'ny trano, roapolo hakiho, ary roa-polo hakiho ihany koa ny sakany. Nopetahany takela-bolamena madio izany, izay talenta enin-jato.
\v 9 Ny lanjan'ireo fantsika dia sekely volamena dimam-polo. Nopetahany takela-bolamena ny faritra ambony.
\s5
\v 10 Nanamboatra sarina kerobima roa tao amin'ny fitoerana masina indrindra izy; nopetahan'ny mpanao asa-tanana takela-bolamena ireo.
\f + \ft Fanamarihana: Ireo dika-teny sasany dia mivaky toy izao: "sarina kerobima roa vita tamin'ny hazo" \f*
\v 11 Roapolo hakiho ny halavan'ny elatr'ireo kerobima miaraka; dimy hakiho ny halavan'ny elatry ny kerobima iray, manakatra ny rindrin'ny efitrano; dimy hakiho tahaka izany ihany koa ny elatra iray hafa, manakatra ny elatr'ilay kerobima hafa.
\v 12 Dimy hakiho ihany koa ny halavan'ny elatr'ilay kerobima hafa, manakatra ny rindrin'ilay efitrano; dimy hakiho ihany koa ny elany hafa, mikasika ny elatr'ilay kerobima voalohany.
\s5
\v 13 Roa-polo hakiho ny fitambaran'ny elatr'ireo kerobima ireo. Nijoro ireo kerobima, ny tavan'izy ireo manandrify efitrano lehibe.
\v 14 Nataony tamin'ny manga, volomparasy, sy volon'ondry mena ary rongony fotsy madinika ny lamba, ary nohaingoiny kerobima teo amin'izany.
\v 15 Nanao andry anankiroa ihany koa Solomona, telopolo hakiho ny haavon'ny tsirairay, teo anoloan'ilay trano; dimy hakiho ny haavon'ireo kapitaly izay teo an-tampon'ireo.
\v 16 Nanao rojo ho an'ireo andry izy ary nametraka ireo teo an-tampon'ireo; nanao ampongabendanitra zato ihany koa izy ary nampifandray ireo tamin'ireo rojo.
\v 17 Nataony teo anoloan'ny tempoly ireo andry, iray teo an-kavanana, ary ny iray hafa teo an-kavia; nantsoiny hoe Jakina ilay andry teo an-kavanana, ary Boaza ilay andry teo an-kavia.
\s5
\c 4
\p
\v 1 Ankoatra an'izay dia nanamboatra alitara varahina izy, roapolo hakiho ny halavany, ary roapolo hakiho ny sakany. Folo hakiho ny haavony.
\v 2 Nataony vy ihany koa ny manodidina ny tavin-drano, folo hakiho ny molony. Dimy hakiho ny haavony, ary telopolo hakiho ny manodidina an'ilay tavin-drano.
\v 3 Ny ambanin'ny molotr'ilay tavin-drano manodidina dia nisy ombilahy, folo isaky ny hakiho, natambatra ho iray miaraka amin'ny tavin-drano rehefa vita ilay tavin-drano.
\s5
\v 4 Napetraka teo ambonin'ny omby roa ambin'ny folo ny tavin-drano, ny telo mitodika mianavaratra, ny telo mitodika miankandrefana, ny telo mitodika mianatsimo, ary ny telo mitodika miatsinanana. Napetraka teo an-tendron'ireo ny tavin-drano, ary nifanila ny zorony efatr'izy ireo.
\v 5 Matevina tahaka ny vodivoam-pelatanana ilay tavin-drano, ary ny molony dia voatefy tahaka ny molotra kapoaka, tahaka ny vonin'ny lilia.
\v 6 Mahalany rano telo arivo bata ny tavin-drano. Nanamboatra koveta folo lehibe ho fanasana zavatra ihany koa izy; nasiany dimy teo an-kavanana, ary dimy teo an-kavia; fitaovana ampiasaina amin'ny fanatanterahana ny fanatitra dorana no nosasana teo amin'ireo. Ny tavin-drano kosa, mba hisasan'ireo mpisorona.
\s5
\v 7 Nanamboatra ireo fitoeran-jiro volamena folo izay natao araka ireo toromarika ho an'ny sary izy; napetrany tao an-tempoly ireo, dimy teo amin'ny ankavanana, ary dimy teo amin'ny ankavia.
\v 8 Nanamboatra latabatra folo izy ka napetrany tao an-tempoly ireo, dimy teo amin'ny ankavanana, ary dimy teo amin'ny ankavia. Nanamboatra koveta volamena zato izy.
\s5
\v 9 Fanampin'izany dia nanamboatra kianjan'ny mpisorona sy kianja lehibe, ary varavaran'ny kianja izy; nopetahany varahina ireo varavaran'ireo.
\v 10 Napetrany teo amin'ny ilany ankavanan'ny trano, tany atsinanana, mitodika mianatsimo ilay tavin-drano.
\s5
\v 11 Nanamboatra vilany, lapelina fandraofana, ary lovia famafazana i Hirama. Ka dia vitan'i Hirama ny asa izay nataony ho an'i Solomona Mpanjaka tao an-tranon'Andriamanitra:
\v 12 dia ireo andry roa, kapitaly boribory izay teo an-tapon'ny andry roa, ary fitoeran'ny haingo makarakara roa mba hanaronana ireo kapitaly boribory roa izay teo an-tampon'ireo andry.
\v 13 Efa nanamboatra ampongabendanitra efa-jato ho an'ireo haingo makarakara izy: ampongabendanitra roa andalana isaky ny fitoeran'ny makarakara avy mba hanaronana ny kapitaly boribory roa izay teo amin'ireo andry.
\s5
\v 14 Nanamboatra tsangànana sy koveta natao teo ambonin'ilay tsangànana ihany koa izy;
\v 15 tavin-drano iray sy omby roa ambin'ny folo eo ambaniny,
\v 16 ireo vilany, lapelina fandraofana, fitrebika, ary fitaovana hafa rehetra ihany koa. Nataon'i Hirama ilay matihanina tamin'ny varahina voadio, ho an'i Solomona Mpanjaka, ho an'ny tranon'i Yaveh ireo.
\f + \ft Fanamarihana: Raha tokony hoe "fitrebika", dia ny dika-teny sasany manao hoe "tsinay" \f*
\s5
\v 17 Narendriky ny mpanjaka teo amin'ny lemaky ny Jordana ireo, teo amin'ny tanimanga anelanelan'i Sokota sy Zaretana.
\v 18 Dia toy izany, no nanamboaran'i Solomona ireo fanaka rehetra maro be ireo; tsy afaka nofantarina tokoa ny lanjan'ny varahina.
\s5
\v 19 Nanamboatra ny fanaka rehetra izay tao an-tranon'Andriamanitra i Solomona, ny alitara volamena ihany koa, ary ireo latabatra izay nametrahana ny mofon'ny fanatrehana;
\v 20 ny fitoeran-jiro mbamin'ny jiron'ireo, izay voatokana ho dorana eo anoloan'ny efitra anatiny—ireo dia vita tamin'ny volamena madio;
\v 21 ary ireo voninkazo, ireo jiro, ary ny lelan-jiro, dia volamena, volamena madio.
\v 22 Ny fanapahan-jiro, ny koveta, ny sotro, ary ditin-kazo manitra fandoro ihany koa dia vita tamin'ny volamena madio avokoa. Ny amin'ny fidirana mankao an-trano, ireo varavarana anatiny mankao amin'ny toerana masina indrindra ary ny varavaran'ny trano, izay, an'ny tempoly, dia vita tamin'ny volamena.
\s5
\c 5
\p
\v 1 Rehefa vita ny asa rehetra izay nataon'i Solomona ho an'ny tranon'i Yaveh, dia nampidirin'i Solomona ireo zavatra izay efa natokan'i Davida, rainy, ho an'izany tanjona izany, anisan'izany ny volafotsy, ny volamena, ary ireo fanaka rehetra—napetrany tao amin'ny fitehirizana tao an-tranon'Andriamanitra ireo.
\s5
\v 2 Dia nampivorian'i Solomona, tany Jerosalema, ireo loholon'Israely, ireo mpitarika ny foko rehetra, ary ireo mpitarika ny fianakavian'ny vahoakan'Israely, mba hampiakatra ny fiaran'ny faneken'i Yaveh avy ao amin'ny tanànan'i Davida, izay i Ziona.
\v 3 Niangona teo anoloan'ny mpanjaka tamin'ny andro firavoravoana, izay tamin'ny volana fahafito ny olon'Israely rehetra.
\s5
\v 4 Tonga ny loholon'Israely rehetra, ka dia nampiakatra ny fiara ireo Levita.
\v 5 Nampiakarin'izy ireo ny fiara, ny tranolay fihaonana, ary ny fanaka masina rehetra izay tao an-day. Ireo mpisorona izay avy tamin'ny fokon'i Levy no nampiakatra ireo zavatra ireo.
\v 6 Niara-tonga teo anoloan'ilay fiara i Solomona Mpanjaka sy ny fiangonan'Israely rehetra, nanao sorona ondry sy omby izay tsy tambo isaina.
\s5
\v 7 Ireo mpisorona dia nampiakatra ny fiaran'ny faneken'i Yaveh ho ao amin'ny fitoerany, tao amin'ny efitra anatin'ny trano, tao amin'ny toerana masina indrindra, ambanin'ireo elatry ny kerobima.
\v 8 Satria ny kerobima dia namelatra ny elatr'izy ireo eo amin'ny fitoeran'ny fiara, ka nanarona ilay fiara sy ireo bao izay hilanjana izany ireo.
\s5
\v 9 Ireo bao dia lava tokoa ka dia hita avy ao amin'ny fitoerana masina anoloan'ny efitra anatiny ireo fiafarany, saingy tsy hita avy any ivelany izany. Ao mandrak'androany ireo.
\v 10 Tsy nisy na inona na inona tao amin'ny fiara afa-tsy ireo vato fisaka roa izay napetrak'i Mosesy tao tany Horeba, tamin'i Yaveh nanao fanekena tamin'ny vahoakan'Israely, rehefa nivoaka an'i Egypta izy ireo.
\s5
\v 11 Ary nivoaka tao amin'ny fitoerana masina ireo mpisorona. Ireo mpisorona tonga rehetra dia nanoka-tena ho an'i Yaveh, tsy nandaha-tena araka ny fizaran'izy ireo.
\v 12 Ireo Levita izay mpihira ihany koa, izy rehetra, anisan'izany i Asafa, Hemana, Jedotona, ary ireo zanaka lahy sy rahalahin'izy ireo, niakanjo rongony fotsy madinika ary nitendry kipantsona, harpa, sy lokanga, dia nijoro teo amin'ny farany atsinanan'ny alitara. Nisy mpisorona 120 nitsoka trompetra niaraka tamin'izy ireo.
\v 13 Ary nampiara-peo ireo mpitsoka trompetra sy ireo mpihira, nanao feo tokana mba ho re ho fiderana sy fisaorana an'i Yaveh. Nanandratra ny feony tamin'ny trompetra sy kipantsona ary zava-maneno hafa izy ireo, ka nidera an'i Yaveh. Nihira izy ireo hoe: "Fa tsara Izy, satria maharitra mandrakizay ny tsy fivadiham-panekeny." Ary ny trano, ilay tranon'i Yaveh, dia feno rahona.
\v 14 Tsy afaka nijoro mba hanompo ireo mpisorona nohon'ny rahona, satria nameno ny tranony ny voninahitr'i Yaveh.
\s5
\c 6
\p
\v 1 Dia hoy Solomona hoe: "Nambaran'i Yaveh fa hitoetra ao anaty aizim-pito Izy,
\v 2 kanefa efa nanorina trano tsara tarehy ho Anao aho, dia toerana hitoeranao mandrakizay."
\v 3 Dia nihodina ny mpanjaka ary nitso-drano ny fiangonan'Israely rehetra, raha mbola teo am-pitsanganana ny fiangonan'Israely rehetra.
\s5
\v 4 Hoy izy hoe: "Ho deraina anie Yaveh, ilay Andriamanitr'Israely, izay niteny tamin'i Davida raiko, ary nahatanteraka izany tamin'ny tanany ihany, nanao hoe:
\v 5 'Hatramin'ny andro nitondrako ny vahoakako nivoaka avy tao amin'ny tany Egypta, dia tsy nifidy tanàna teo amin'ny fokon'Israely rehetra mba hanorenana trano Aho, mba hitoeran'ny anarako ao. Ary tsy mba nifidy olona ho andriandahy eo amin'Israely oloko Aho.
\v 6 Kanefa, nifidy an'i Jerosalema Aho, mba hitoeran'ny anarako ao, ary nifidy an'i Davida Aho mba hanapaka eo amin'Israely oloko.'
\s5
\v 7 Ary tao am-pon'i Davida raiko ny hanorina trano ho an'ny anaran'i Yaveh, ilay Andriamanitr'Israely.
\v 8 Fa hoy Yaveh tamin'i Davida raiko hoe: 'Fa nataonao tao am-ponao ny hanorina trano ho an'ny anarako, dia tsara ny nanaovanao izany tao am-ponao.
\v 9 Na izany aza, dia aoka tsy hanorina ilay trano ianao; fa kosa, ny zanakao lahy, izay ho teraka avy amin'ny voanao, no hanorina ilay trano ho an'ny anarako.'
\s5
\v 10 Notanterahin'i Yaveh ny teny izay efa nolazainy, satria nitsangana handimby ny toeran'i Davida raiko aho, ka mipetraka eo amin'ny seza fiandrianan'Israely, araka ny nampanantenain'i Yaveh. Naoriko ho an'ny anaran'i Yaveh, ilay Andriamanitr'Israely ny trano.
\v 11 Napetrako tao ilay fiara, izay misy ny faneken'i Yaveh, izay nataony tamin'ny vahoakan'Israely."
\s5
\v 12 Nijoro teo anoloan'ny alitaran'i Yaveh i Solomona teo amin'ny fanatrehan'ny fiangonan'Israely rehetra, ary namelatra ny tanany.
\v 13 Fa nanamboatra sehatra varahina izy, izay dimy hakiho ny halavany, dimy hakiho ny velarany, ary telo hakiho ny haavony. Napetrany teo afovoan'ny kianja izany. Nijoro teo ambonin'izany izy ary nandohalika teo anatrehan'ny fiangonan'Israely rehetra, ary avy eo namelatra ny tanany nakany amin'ny lanitra izy.
\s5
\v 14 Hoy izy hoe: "Ry Yaveh, Andriamanitr'Israely, tsy misy Andriamanitra tahaka Anao na any an-danitra na ety an-tany, izay mitàna fanekena sy fitiavana tsy mivadika amin'ireo mpanomponao izay mandeha eo anatrehanao amin'ny fony manontolo;
\v 15 Ianao izay efa nitàna izay nampanantenainao tamin'i Davida raiko mpanomponao. Eny, niteny tamin'ny vavanao Ianao ary notanterahinao tamin'ny tananao izany, hatramin'ny androany.
\s5
\v 16 Ankehitriny ary, ry Yaveh, Andriamanitr'Israely, tanteraho izay nampanantenainao tamin'i Davida raiko mpanomponao, rehefa niteny Ianao hoe: 'Tsy ho foana aminao ny hanana olona hipetraka eo amin'ny seza fiandrianan'Israely eo imasoko, raha toa ka mitandrina ny handeha amin'ny lalàko ny taranakao, tahaka ny nandehananao teo anatrehako.'
\v 17 Ankehitriny ary, ry Andriamanitr'Israely, mivavaka aho mba ho tanteraka ny fampanantenana nataonao tamin'i Davida mpanomponao.
\s5
\v 18 Fa tena honina ety an-tany miaraka amin'ny zanak'olombelona tokoa ve Andriamanitra? Indro, izao tontolo izao sy ny lanitra aza tsy antonona Anao—mainka fa ity tempoly izay naoriko ity!
\v 19 Kanefa mba henoy re ity vavaky ny mpanomponao sy ny fangatahany ity, ry Yaveh Andriamanitro; mba henoy ny talaho sy ny vavaka ataon'ny mpanomponao eto anatrehanao.
\v 20 Enga anie ka hisokatra amin'ity tempoly ity andro aman'alina ny masonao, dia ilay toerana izay nampanantenainao hametrahana ny anaranao. Hihaino ny vavaka ataon'ny mpanomponao manatrika ity toerana ity anie Ianao.
\s5
\v 21 Koa henoy ny fangatahan'ny mpanomponao sy ny Israely olonao rehefa mivavaka manatrika ity toerana ity izahay. Eny, mihainoa avy any amin'ny toerana honenanao, avy any an-danitra; ary rehefa mihaino Ianao, dia mamelà.
\s5
\v 22 Raha manota amin'ny namany ny olona iray ka tsy maintsy hampanaovina fianianana, ary raha tonga izy ka manao fianianana eo anatrehan'ny alitaranao ato amin'ity trano ity,
\v 23 dia mihainoa avy any an-danitra ka miasà ary tsarao ireo mpanomponao, mba hamaly ny ratsy fanahy, mba hampanody izay nataony ho eo amin'ny lohany ihany. Ambarao ho tsy manan-tsiny ny marina, mba hamaliana soa azy nohon'ny fahamarinany.
\s5
\v 24 Rehefa resin'ny fahavalo ny Israely olonao satria nanota taminao, ka raha miverina aminao izy ireo, manaiky ny anaranao, mivavaka, ary mangataka famelana avy aminao ato amin'ity tempoly ity—
\v 25 dia mihainoa avy any an-danitra re ary mamelà ny fahotan'Israely olonao; ento miverina any amin'ny tany izay nomenao azy ireo sy ny razambeny izy ireo.
\s5
\v 26 Raha mihidy ny lanitra ka tsy misy orana satria nanota taminao ny vahoaka—raha mivavaka manatrika ity toerana ity izy ireo, manaiky ny anaranao, ary miala amin'ny fahotany rehefa avy nampahorianao—
\v 27 dia mihainoa any an-danitra ary mamelà ny fahotan'ny mpanomponao sy ny Israely olonao, rehefa mampianatra azy ireo ny lalana tsara izay tokony halehany Ianao. Mandatsaha orana eo amin'ny taninao, izay nomenao ho lovan'ny olonao.
\s5
\v 28 Raha atao hoe misy mosary eo amin'ny tany, na atao hoe misy areti-mandringana, fahamainan'ny vary na maty fotsy, valala na sompanga; na atao hoe manafika ny vavahadin'ny tanàna ao amin'ny tanin'izy ireo ny fahavalony, na misy areti-mandringana na faharariana—
\v 29 ary raha atao indray hoe misy vavaka sy fangatahana nataon'ny olona iray na ny Israely vahoakanao manontolo— izay samy mahalala ny aretina sy ny alahelo any am-pony avy raha mamelatra ny tanany ho amin'ity tempoly ity izy.
\v 30 Dia mihainoa any an-danitra, ilay toerana honenanao; mamelà, ary valio soa ny olona rehetra nohon'ny lalany rehetra; Ianao mahalala ny fony, satria Ianao dia Ianao ihany no mahalala ny fon'olombelona.
\v 31 Ataovy izany mba hatahoran'izy ireo Anao, mba handehanan'izy ireo amin'ny lalanao amin'ny andro rehetra iainan'izy ireo ao amin'ilay tany izay nomenao an'ireo razambenay.
\s5
\v 32 Ny amin'ireo vahiny izay tsy isan'Israely olonao, saingy—nohon'ny anaranao lehibe, ny tananao mahery, ary ny sandrinao mitsotra—dia tonga sy mivavaka manatrika ity trano ity,
\v 33 dia mihainoa re any an-danitra, izay toerana honenanao, ary ataovy izay rehetra angatahin'ilay vahiny aminao, mba hahafantaran'ny olona rehetra eto an-tany ny anaranao ka hahatahoran'izy ireo Anao, araka ny ataon'Israely olonao manokana, ary mba hahafantaran'izy ireo fa ity trano izay naoriko ity dia antsoina amin'ny anaranao.
\s5
\v 34 Raha atao hoe mandeha mivoaka hiady amin'ny fahavalon'izy ireo ny olonao, na inona na inona fomba nandefasanao azy ireo, ary raha mivavaka aminao manatrika ity tanàna izay voafidinao ity izy ireo, ary manatrika ny trano izay naoriko ho an'ny anaranao.
\v 35 Dia mihainoa ny vavaka, sy ny fangatahan'izy ireo avy any an-danitra, ary omeo rariny izy ireo.
\s5
\v 36 Raha atao hoe manota aminao izy ireo—satria tsy misy olona tsy manota—ary raha atao hoe tezitra amin'izy ireo Ianao ka manolotra azy ireo ho eo amin'ny fahavalo, mba hitondran'ny fahavalo azy ireo sy hangalana azy ireo ho babo any amin'ny tanin'izy ireo, na lavitra na akaiky.
\v 37 Ary raha atao hoe tsaroan'izy ireo fa any amin'ny tany izay nanaovana sesin-tany azy izy ireo, ary raha atao hoe mibebaka izy ireo ka mitady sitraka aminao any amin'ny tany nahababo azy ireo. Raha miteny izy ireo hoe: 'Nanao zavatra tsy nety izahay ary nanota. Ratsy fitondran-tena izahay.'
\v 38 Raha atao hoe miverina aminao amin'ny fony manontolo sy ny fanahiny manontolo any amin'ilay tanin'ny fahababoany izy ireo, izay nitondrany azy ireo ho babo, ary raha atao hoe mivavaka amin'ny taniny izy ireo, dia izay nomenao ho an'ny razamben'izy ireo, sy manandrify ny tanàna izay nofidinao, ary manandrify ilay trano izay naoriko ho an'ny anaranao.
\v 39 Dia henoy avy any an-danitra, ilay toerana honenanao, ny vavak'izy ireo sy ny fangatahan'izy ireo famonjena, ary omeo ny rariny izy ireo. Mamelà ny olonao, izay nanota taminao.
\v 40 Ankehitriny, ry Andriamanitro, miangavy aminao aho, aoka hisokatra ny masonao, ary aoka ny sofinao hihaino ny vavaka izay atao eto amin'ity toerana ity.
\v 41 Ankehitriny ary mitsangàna, ry Yaveh Andriamanitra, eo amin'ny toerana fitsaharanao, Ianao sy ny fiaran'ny tanjakao. Aoka ny mpisoronao, ry Yaveh Andriamanitra, mba hitafy famonjena, ary aoka ireo olo-masinao hiravo amin'ny fahatsaranao.
\v 42 Ry Yaveh Andriamanitra, aza mampiodina ny tavan'ilay voahosotrao hiala aminao. Tsarovy ireo asan'ny tsy fivadiham-panekenao ho an'i Davida, mpanomponao."
\s5
\c 7
\p
\v 1 Ary rehefa avy nivavaka Solomona, dia nisy afo nidina avy any an-danitra ary nandevona ireo fanatitra dorana sy ireo sorona, ary nameno ny trano ny voninahitr'i Yaveh.
\v 2 Tsy afaka niditra tao an-tranon'i Yaveh ireo mpisorona, satria heniky ny voninahiny ny tranony.
\v 3 Nijery avokoa ny vahoakan'Israely rehefa nilatsaka ny afo ary teo amin'ilay trano ny voninahitr'i Yaveh. Nampiankohoka ny tavany tamin'ny tany teo amin'ny rarivato izy ireo, nivavaka, ary nanome fisaorana an'i Yaveh. Hoy izy ireo hoe: "Fa tsara Izy, fa maharitra mandrakizay ny famindram-pony."
\s5
\v 4 Koa nanolotra sorona ho an'i Yaveh ny mpanjaka sy ny vahoaka rehetra.
\v 5 Nanolotra sorona omby roa arivo sy roa alina sy ondry aman'osy 120. 000 i Solomona Mpanjaka. Koa notokanan'ny mpanjaka sy ny vahoaka rehetra ny tranon'i Yaveh.
\v 6 Nitsangana ireo mpisorona, nijoro teny amin'izay nanompoany avy ny tsirairay; ireo Levita ihany koa niaraka tamin'ireo zava-manenon'i Yaveh, izay nataon'i Davida mpanjaka mba hanomezana fisaorana an'i Yaveh tao amin'ny hira manao hoe: "Fa maharitra mandrakizay ny fanekeny mahatoky." Nampaneno ny trompetrany teo anatrehan'izy ireo avy ireo mpisorona rehetra, ary nitsangana avokoa ny Israely rehetra.
\s5
\v 7 Nanokana ny afovoan'ny kianja teo anoloan'ny tranon'i Yaveh i Solomona. Teo no nanolorany ilay fanatitra dorana sy ilay tavin'ny fanati-pihavanana, satria ny alitara varahina izay nataony dia tsy hay hitazomana ny fanatitra dorana, ny fanatitra hohanina, ary ny sabora.
\s5
\v 8 Nataon'i Solomona nandritry ny hafitoana ny firavoravoana tamin'izany fotoana izany, ary ny Israely rehetra niaraka taminy, dia fiangonana lehibe tokoa, hatrany Lebo Hamata ka hatrany amin'ny lohasahan-driakan'i Egypta.
\v 9 Tamin'ny andro fahavalo dia nanao fivavahana manetriketrika izy ireo, satria nihazona ny fanokanana ny alitara, sy ny firavoravoana nandritry ny hafitoana izy ireo.
\v 10 Tamin'ny andro fahatelo amby roapolon'ny volana fahafito, dia nampody ny vahoaka tany amin'ny tranony tamim-pifaliana sy tamin'ny fo ravoravo i Solomona nohon'ny fahatsarana izay nasehon'i Yaveh tamin'i Davida, Solomona, ary ny Israely olony.
\s5
\v 11 Toy izany no nahavitan'i Solomona ny tranon'i Yaveh sy ny tranony manokana. Ny zavatra rehetra izay avy tamin'ny fon'i Solomona mba hatao ao an-tranon'i Yaveh sy ao an-tranony, dia notanterahiny soa aman-tsara.
\v 12 Niseho tamin'i Solomona i Yaveh ny alina ary nilaza taminy hoe: "Efa reko ny vavakao, ary efa nifidy ity toerana ity ho an'ny tenako ho tranon'ny sorona Aho.
\s5
\v 13 Raha atao hoe manidy ireo lanitra mba tsy hisian'ny orana Aho, na raha mandidy ireo valala handevona ny tany, na raha mandefa aretina eo amin'ny oloko Aho,
\v 14 ary raha ny oloko, izay antsoina amin'ny anarako, no hanetry ny tenany, sy hivavaka, sy hitady ny tavako, ary hiala amin'ny fomba ratsin'izy ireo, dia handre any an-danitra aho, hamela ny fahotan'izy ireo, ary hanasitrana ny taniny.
\v 15 Ankehitriny dia hisokatra ny masoko ary ny sofiko hiaino tsara ireo vavaka izay atao eto amin'ity toerana ity.
\s5
\v 16 Fa ankehitriny dia nifidy sy nanokana ity trano ity aho mba ho eo mandrakizay ny anarako. Ny masoko sy ny foko dia ho eo isan'andro.
\v 17 Raha ny aminao, raha mandeha eo anatrehako tahaka ny nandehanan'i Davida rainao ianao, mankatò izay rehetra nandidiako anao ary mitandrina ireo didy aman-dalàko,
\v 18 dia hametraka ny seza fiandrianan'ny fanjakanao aho, araka ny nolazaiko tao amin'ny fanekena iray tamin'ny Davida rainao, rehefa nilaza Aho hoe: 'Tsy ho foana amin'ny taranakao ny ho mpanapaka eo amin'Israely.'
\s5
\v 19 Fa raha mivadika ianao, ka mahafoy ireo lalàko sy ireo didiko izay napetrako teo anoloanao, ary raha manompo andriamani-kafa sy miankohoka eo amin'izy ireny ianao,
\v 20 dia ho fongoriko hiala amin'ny taniko izay nomeko azy ireo ireny. Ity trano izay natokako ho amin'ny anarako ity, dia hariako tsy ho eto anatrehako, ary hataoko ho ohabolana sy vazivazy eo amin'ireo olona rehetra izany.
\v 21 Na dia efa tsara tarehy tokoa aza ity tempoly ity izao, dia ho tohina sy hisioka izay rehetra manavatsava izany. Hanontany izy ireo hoe: 'Nahoana Yaveh no nanao izao tamin'ity tany ity sy tamin'ity trano ity?'
\v 22 Ny hafa hamaly hoe: 'Satria izy ireo nahafoy an'i Yaveh, Andriamanitr'izy ireo, izay nitondra ny razamben'izy ireo hiala avy tamin'ny tany Egypta, ary nihazona ireo andriamani-kafa sy niankohoka tamin'izy ireo sy nanompo azy ireo. Izany no antony nitondran'i Yaveh izao loza rehetra izao eo amin'izy ireo.'"
\s5
\c 8
\p
\v 1 Nony afaka ny roa-polo taona, nandritry ny nanamboaran'i Solomona ny tranon'i Yaveh sy ny tranony manokana,
\v 2 dia namboarin'i Solomona indray ireo tanàna izay nomen'i Hirama azy, ary napetrany tao ny vahoakan'Israely.
\s5
\v 3 Nanafika an'i Hamata-zoba i Solomona ary nandresy izany.
\v 4 Ary izy nanangana an'i Tadmora tany an'efitra, sy ireo tanàna fitehirizana rehetra, izay naoriny tao Hamata.
\s5
\v 5 Nanangana an'i Beti-horona Ambony, sy Beti-horona Ambany, tanàna voaaro amin'ny manda, sy vavahady, ary fefy vy ihany koa izy.
\v 6 Nanangana an'i Baleta sy ireo tanàna fitehirizana rehetra izay nananany izy, sy ny tanàna rehetra ho an'ireo kalesiny sy ny tanàna ho an'ireo mpitaingin-tsoavaliny, sy izay rehetra niriany atsangana araka izay tiany tao Jerosalema, tao Libanona, sy tao amin'ireo tany rehetra ambany fifehezany.
\s5
\v 7 Ary ireo olona rehetra izay sisa tavela avy tamin'ny Hetita, ny Amorita, ny Perizita, ny Hivita, sy ny Jebosita, izay tsy an'Israely,
\v 8 ireo taranany sisa tavela taorian'izy ireo tany amin'ny tany, izay tsy naringan'ny vahoakan'Israely— dia nataon'i Solomona mpiasa an-terivozona, izany izy ireo mandrak'ankehitriny.
\s5
\v 9 Na izany aza, tsy nataon'i Solomona ho mpiasa an-terivozona ny vahoakan'Israely. Fa kosa, tonga miaramilany, sy mpifehiny, manam-pahefany, ary mpifehy ny tafiky ny kalesiny sy ny mpitaingin-tsoavaliny izy ireo.
\v 10 Ireo ihany koa no manam-pahefana lehibe mpandrindra ireo mpanaramaso izay an'i Solomona Mpanjaka, 250 tamin'izy ireo, no nanaramaso ny vahoaka izay nanao ny asa.
\s5
\v 11 Nentin'i Solomona nivoaka ny tanànan'i Davida ho any amin'ny trano izay namboariny ho azy ny zanaka vavin'i Farao, fa hoy izy hoe: "Tsy mahazo mitoetra ao an-tranon'i Davida mpanjakan'Israely ny vadiko, satria na aiza na aiza nihavian'ny fiaran'i Yaveh dia masina."
\s5
\v 12 Avy eo Solomona nanolotra fanatitra dorana ho an'i Yaveh teo amin'ny alitarany izay naoriny teo anoloan'ny lavarangana.
\v 13 Nanolotra sorona arak'izay notakian'ny fanao isan'andro izy; nanolotra ireo izy, nanaraka ireo torolalana hita tanatin'ny didin'i Mosesy, tamin'ny andro Sabata, ny volana vaovao, sy tamin'ny andro firavoravoana voatondro in-telo mian-taona: dia ny andro Firavoravoana amin'ny Mofo tsy misy Masirasira, ny Herinandro Firavoravoana, ary ny andro Firavoravoan'ny Fialofana.
\s5
\v 14 Tamim-pitandremana ireo lalàn'i Davida rainy, no nanondroan'i Solomona ireo mpisorona ho amin'ny asany, ary ireo Levita ho amin'ny fitoerany, mba hidera an'Andriamanitra sy hanompo eo anoloan'ireo mpisorona, araka izay takian'ny fanao isan'andro. Ary nanendry ireo mpiandry vavahady tamin'ny fizaràny isaky ny vavahady rehetra ihany koa izy, fa izany no efa nandidian'i Davida, ilay lehilahin'Andriamanitra.
\v 15 Ary ireo vahoaka ireo dia tsy mba nivily tamin'ireo didin'ny mpanjaka tamin'ireo mpisorona sy ireo Levita na tamin'inona na tamin'inona, na mahakasika ireo trano fitehirizana.
\s5
\v 16 Ireo asa rehetra nampanaovin'i Solomona dia tontosa avokoa, hatramin'ny andro nanorenana ny fanambanin'ny tranon'i Yaveh ka mandra-pahavitan'izany. Vita ny tranon'i Yaveh.
\v 17 Avy eo Solomona nankany Ezion-gebera sy Elota, teny amoron-dranomasin'ny tany Edoma.
\v 18 Ary nandefasan'i Hirama sambo nentin'ireo manam-pahefana izay tantsambo nanana traikefa izy. Niantsambo niaraka tamin'ireo mpanompon'i Solomona ho any Ofira izy ireo. Naka talenta volamena 450 avy any izy ireo izay nentiny tany amin'i Solomona Mpanjaka.
\s5
\c 9
\p
\v 1 Rehefa nandre ny lazan'i Solomona ny mpanjaka vavin'i Sheba, dia nakany Jerosalema izy mba hitsapa azy amin'ny fanontaniana sarotra. Nandeha niaraka tamin'ny mpanao rodobe lava dia lava, sy rameva nampilanjaina zava-manitra, volamena maro be, ary vatosoa sarobidy maro izy. Rehefa tonga tany amin'i Solomona izy, dia nambarany taminy avokoa izay rehetra tao am-pony.
\v 2 Novalian'i Solomona avokoa ireo fanontaniany rehetra; tsy dia nisy sarotra loatra ho an'i Solomona; tsy nisy fanontaniana izay tsy voavaliny.
\s5
\v 3 Rehefa hitan'ny mpanjaka vavin'i Sheba ny fahendren'i Solomona sy ny lapa izay efa naoriny,
\v 4 ny sakafo teo ambony latabany, ny fipetran'ireo mpanompony, ny asan'ireo mpanompony ary ny fitafian'izy ireo, ireo mpitondra kapoakany sy fitafiany ihany koa, ary ny fomba izay nanolorany ny fanatitra dorana tao an-tranon'i Yaveh, dia tsy nisy fanahy intsony tao aminy.
\s5
\v 5 Dia hoy izy tamin'ny mpanjaka hoe: "Marina tokoa, ny tatitra izay reko tany amin'ny taniko momba ireo teninao sy ny fahendrenao.
\v 6 Tsy nino izay reko aho ambara-pahatongavako teto, ary ankehitriny dia hitan'ny masoko izany. Tsy antsasany akory no nolazaina tamiko momban'ny fahendrenao sy ny harenao! Nihoaranao ny laza izay reko.
\s5
\v 7 Endrey sambatra ny vahoakanao, ary sambatra ireo mpanomponao izay efa teo anatrehanao foana, satria mandre ny fahendrenao izy ireo.
\f + \ft Fanamarihana: Ireo dika-teny sasany manao hoe: "Sambatra ireo vehivavinao", heverina fa ny lahatsoratra dia tokony hivaky toy ny ao amin'ny 1Mpanjaka 10:8 \f*
\v 8 Isaorana anie Yaveh Andriamanitrao, izay faly nandray anao, izay nametraka anao teo amin'ny seza fiandrianany, mba ho mpanjaka ho an'i Yaveh Andriamanitrao. Satria ny Andriamanitrao efa nitia an'Israely, mba hametrahana azy ireo mandrakizay, dia nataony ho mpanjaka teo amin'izy ireo ianao, mba hanaovanao ny rariny sy fahamarinana!"
\s5
\v 9 Nomeny talenta volamena 120 ny mpanjaka ary zava-manitra sy vato sarobidy maro. Tsy nisy fatran-java-manitra maro noho ireo izay nomen'ny mpanjaka vavin'i Seba ho an'i Solomona Mpanjaka mbola nomena ho azy indray.
\s5
\v 10 Ireo mpanompon'i Hirama sy ireo mpanompon'i Solomona, izay nitondra volamena avy tany Ofira, dia nitondra hazo almoga sy vato sarobidy ihany koa.
\v 11 Tamin'ny hazo almoga, dia nanao dingana ho an'ny tranon'Andriamanitra sy ny tranony ny mpanjaka, ary koa harpa sy lokanga ho an'ireo mpitendry. Tsy mbola nisy hazo toy izany ka hita tany amin'ny tanin'ny Joda tany aloha.
\v 12 Dia nomen'i Solomona Mpanjaka ireo zavatra izay niriany ny mpanjaka vavin'i Sheba, na inona na inona nangatahany, ho fanampin'izay efa nentiny tamin'ny mpanjaka. Koa dia lasa izy ary niverina tany amin'ny taniny, izy sy ireo mpanompony.
\s5
\v 13 Ary ny lanjam-bolamena tonga tany amin'i Solomona tao anatin'ny herintaona dia talenta volamena 666,
\v 14 ankoatra ny volamena izay nentin'ireo mpiserasera sy ireo mpandranto. Ireo mpanjakan'i Arabia rehetra sy ireo governora tao amin'ny firenena ihany koa dia nitondra volamena sy volafotsy ho an'i Solomana.
\s5
\v 15 Nanamboatra apinga volamena voafantina lehibe roanjato i Solomona Mpanjaka. Sekely volamena eninjato nomena ho an'ny tsirairay.
\v 16 Nanamboatra apinga volamena voafantina telonjato ihany koa izy. Mina volamena telo no nanaronana ny apinga tsirairay; napetraky ny mpanjaka tao amin'ny Lapan'ny Alan'i Libanona ireo.
\s5
\v 17 Avy eo ny mpanjaka nanamboatra seza fiandrianana ivoara lehibe ary nopetahiny takela-bolamena tena manify indrindra izany.
\v 18 Dingana enina no nankeo amin'ny seza fiandrianana, ary boribory ny tao aorian'ny tampon'ny seza fiandrianana. Nisy fitehenan-tanana teo amin'ny andanin'ny fipetrahana tsirairay, ary nisy liona roa nijoro teo amin'ireo andanin'ny fitehenan-tanana.
\s5
\v 19 Liona roa ambin'ny folo no nijoro teo amin'ireo dingana, iray isaky ny andanin'ny isaky ny dingana enina. Tsy mbola nisy seza fiandrinana toy ity tany amin'ny fanjakàna hafa.
\v 20 Volamena avokoa ireo kapoaka fisotroan'i Solomona Mpanjaka, ary ny kapoka fisotroana rehetra tao amin'ny Tranon'ny Alan'i Libanona dia volamena tsy mifangaro avokoa. Tsy nisy volafotsy satria tsy noheverina ho sarobidy ny volafotsy tamin'ny andron'i Solomona.
\v 21 Ny mpanjaka dia nanana sambo mpandeha an-dranomasina, niaraka tamin'ireo sambon'i Hirama. Indray mandeha isan-telo taona no nitondran'ny sambo volamena, volafotsy, ary ivoara, mbamin'ireo rajako sy gidro.
\s5
\v 22 Noho izany dia nihoatra ireo mpanjaka rehetra eran'izao tontolo izao tamin'ny harena sy fahendrena i Solomona Mpanjaka.
\v 23 Izao tontolo izao dia nitady ny fanatrehan'i Solomona mba handre ny fahendreny, izay efa napetrak'Andriamanitra tao am-pony.
\v 24 Ireo izay nitsidika dia nitondra rakitra, fanaka volafotsy sy volamena, fitafiana, fiarovana, ary zava-manitra, ary soavaly sy apondra, isan-taona.
\s5
\v 25 Nanana fihinanam-bilona efatra arivo ho an'ireo soavaly sy ireo kalesy i Solomona, ary mpitaingin-tsoavaly roa arivo sy iray alina, izay natobiny tao amin'ny tanànan'ny kalesy sy niaraka taminy tany Jerosalema.
\v 26 Nanapaka teo amin'ireo mpanjaka rehetra hatrany amin'ny Ony Eofrata ka hatrany amin'ny tanin'ny Filistina izy, ary hatrany amin'ny sisin-tanin'i Egypta.
\s5
\v 27 Nanana volafotsy tany Jerosalema ny mpanjaka, betsaka noho ireo vatosoa teny amin'ny tany. Nanamboatra hazo sedera betsaka noho ireo hazo amontana aviavy izay tao amin'ny tany lemaka izy.
\v 28 Nitondra soavaly ho an'i Solomona avy any Egypta sy avy any amin'ny tany rehetra izy ireo.
\v 29 Ny amin'ireo raharaha hafa mahakasika an'i Solomona, voalohany sady farany, tsy efa voasoratra tao amin'ny Tantaran'i Natana mpaminany, tao amin'ny Faminanian'i Ahija ilay Silonita, sy tao amin'ny Fahitan'Ido mpahita mahakasika an'i Jeroboama zanaka lahin'i Nebata ve izany?
\v 30 Nanjaka teo amin'Israely rehetra nandritry ny efapolo taona i Solomona.
\v 31 Nody mandry niaraka tamin'ireo razambeny izy ary ny vahoaka nandevina azy tany amin'ny tanànan'i Davida rainy. Rehoboama, zanaka lahiny, no tonga mpanjaka nandimby ny toerany.
\s5
\c 10
\p
\v 1 Nankany Sekema i Rehoboama, satria tonga tany Sekema mba hanao azy ho mpanjaka ny Israely rehetra.
\v 2 Ary ren'i Jeroboama zanaka lahin'i Nebata izany (satria tany Egypta izy, tany amin'izay efa nandosirany hiala teo amin'ny fanatrehan'i Solomona Mpanjaka, nefa efa niverina avy any Egypta i Jeroboama).
\s5
\v 3 Koa nandefa sy nampiantso azy izy ireo, ary tonga Jeroboama sy ny Israely rehetra; niresaka tamin'i Rehoboama izy ireo ka nanao hoe:
\v 4 "Nanasarotra ny zioganay ny rainao. Koa ankehitriny, hamoray ny asa mafin'ny rainao, ary hamaivano ny zioga mavesatra izay napetrany teto aminay, dia hanompo anao izahay."
\v 5 Hoy Rehoboama tamin'izy ireo hoe: "Miverena indray eto amiko afaka telo andro." Ka dia lasa ireo vahoaka.
\s5
\v 6 Naka hevitra tany amin'ireo zokiolona izay nitsangana teo anatrehan'i Solomona rainy fony fahavelony i Rehoboama mpanjaka; hoy izy hoe: "Ahoana no hanoroanareo hevitra ahy mba hitondrako valin-teny eo amin'ireo vahoaka ireo?"
\v 7 Niresaka taminy izy ireo ka niteny hoe: "Raha tsara amin'ireo vahoaka ireo ianao ary mahafinaritra azy ireo, ary milaza teny tsara amin'izy ireo, dia ho mpanomponao mandrakizay izy ireo."
\s5
\v 8 Kanefa tsy norarahian'i Rehoboama ny torohevitra izay nomen'ireo zokiolona azy, ary naka hevitra tany amin'ireo tovolahy izay niara-lehibe taminy izy, izay nitsangana teo anatrehany.
\v 9 Hoy izy tamin'izy ireo hoe: "Inona no torohevitra homenareo ahy, mba hahafahantsika mamaly ny vahoaka izay niresaka tamiko ka niteny hoe: 'Hamaivano ny zioga izay napetraky ny rainao taminay'?"
\s5
\v 10 Ireo tovolahy niara-lehibe tamin'i Rehoboama niteny taminy, nanao hoe: "Toy izao no tokony havalinao ireo vahoaka izay nilaza taminao fa i Solomona rainao dia nampavesatra ny ziogan'izy ireo, ka tokony hamaivaninao izany. Izao no tokony ho lazainao azy ireo: 'Ny ankihikeliko dia matevina noho ny andilan-draiko.
\v 11 Koa ankehitriny, na dia novesarin'ny raiko tamin'ny zioga mavesatra aza ianareo, dia mbola hanampy ny zioganareo aho. Ny raiko nanasazy anareo tamin'ireo karavasy, fa izaho hanasazy anareo amin'ireo maingoka."'
\s5
\v 12 Ka dia nandeha nankany amin'i Rehoboama i Jeroboama sy ny vahoaka rehetra tamin'ny andro fahatelo, araka ny nolazain'ny mpanjaka hoe: "Miverena aty amiko amin'ny andro fahatelo."
\v 13 Niteny mafy azy ireo i Rehoboama, tsy niraharaha ny torohevitr'ireo zokiolona.
\v 14 Nilaza tamin'izy ireo araka ny toro-hevitr'ireo tovolahy izy, nanao hoe: "Nanavesatra ny zioganareo ny raiko, fa izaho hanampy izany. Ny raiko nanasazy anareo tamin'ny karavasy, fa izaho hanasazy anareo amin'ny maingoka."
\s5
\v 15 Noho izany dia tsy nohenoin'ny mpanjaka ny vahoaka, fa izany dia fanovàna tamin'ireo tranga nentin'Andriamanitra, mba hahafahan'i Yaveh manatanteraka ny teniny izay nolazain'i Ahia ilay Silonita tamin'i Jeroboama zanaka lahin'i Nebata.
\s5
\v 16 Rehefa hitan'Israely rehetra fa tsy nihaino azy ireo ny mpanjaka, dia namaly azy ny vahoaka ka niteny hoe: "Inona no anjaranay amin'i Davida? Tsy manana lova ao amin'ny zanaka lahin'i Jese izahay! Ny tsirairay aminareo dia tokony hiverina any an-dainy avy, ry Israely. Ary jereo ny tranonao, ry Davida." Koa dia niverina ho any an-dainy avy ny Israely rehetra.
\v 17 Fa raha ny amin'ireo olona nonina tany amin'ireo tanànan'i Joda, dia i Rehoboama no nanjaka teo amin'izy ireo.
\v 18 Ary Rehoboama Mpanjaka nandefa an'i Adorama, izay nanapaka teo amin'ireo mpanao asa an-terivozona, nefa ny vahoakan'Israely nitora-bato azy ho faty. Ary nitsoaka faingana tamin'ny kalesiny ho any Jerosalema i Rehoboama mpanjaka.
\v 19 Noho izany dia tao anatin'ny fikomiana nanohitra ny taranak'i Davida ny Israely mandrak'androany.
\s5
\c 11
\p
\v 1 Rehefa tonga tany Jerosalema i Rehoboama, dia nangoniny ny taranak'i Joda sy Benjamina, lehilahy miaramila voafidy 180 000, mba hiady amin'Israely, mba hamerina amin'ny laoniny ny fanjakana ho an'i Rehoboama.
\s5
\v 2 Kanefa tonga tamin'i Semaia ilay lehilahin'Andriamanitra ny tenin'i Yaveh, nanao hoe:
\v 3 "Lazao i Rehoboama zanaka lahin'i Solomona, mpanjakan'i Joda, sy ny Israely rehetra any Joda sy Benjamina hoe:
\v 4 'Izao no lazain'i Yaveh: "Aza manafika na manangana ady amin'ireo rahalahinareo ianareo. Ny olona rehetra dia tsy maintsy miverina any amin'ny fonenany avy, fa Izaho no efa nampitranga izany.'" Koa dia nankatò ny tenin'i Yaveh izy ireo ka niverina tsy ho amin'ny fanafihana an'i Jeroboama.
\s5
\v 5 Nonina tao Jerosalema i Rehoboama ka nanangana tanàna tao Joda ho fiarovana.
\v 6 Nanangana an'i Betlehema, Etama, Tekoa,
\v 7 Beti-zoro, Soko, Adolama,
\v 8 Gata, Maresaha, Zifa,
\v 9 Adoraima, Lakisy, Azeka,
\v 10 Zora, Aialona, ary Hebrona izy. Ireo no tanàna mimanda tany Joda sy Benjamina.
\s5
\v 11 Nanamafy ireo manda izy ka nametraka mpifehy tao amin'ireo, niaraka tamin'ny fitoeran-tsakafo, diloilo, ary divay.
\v 12 Nametraka apinga sy lefona tany amin'ny tanàna rehetra izy ka nanamafy ireo tokoa. Ka dia lasany i Joda sy Benjamina.
\s5
\v 13 Ireo mpisorona sy ireo Levita izay tao amin'Israely rehetra dia nanatona azy avy tao amin'ireo fari-taniny.
\v 14 Fa ireo Levita niala tamin'ireo tany fihinanam-bilony sy ny trano sy tanin'izy ireo mba hankanesana any Joda sy Jerosalema, satria efa noroahin'i Jeroboama sy ireo zanaka lahiny izy ireo, mba tsy hahafahan'izy ireo manao ireo adidy amin'ny maha- mpisorona ho an'i Yaveh intsony.
\v 15 Jeroboama dia nanendry mpisorona ho azy ho amin'ireo fitoerana avo sy osy ary sarin-janak'omby izay efa namboariny.
\s5
\v 16 Ny vahoaka avy tamin'ireo fokon'Israely rehetra dia tonga taorian'izy ireo, ireo izay nanefy ny fony hitady an'i Yaveh, ilay Andriamanitry ny Israely; tonga tao Jerosalema izy ireo mba hanao sorona ho an'i Yaveh, ilay Andriamanitry ny razamben'izy ireo.
\v 17 Koa dia nohamafisin'izy ireo ny fanjakan'i Joda ary nanamafy an'i Rehoboama zanaka lahin'i Solomona nandritry ny telo taona, ka nandeha tamin'ny lalan'i Davida sy Solomona nandritry ny telo taona izy ire.
\s5
\v 18 Naka vady ho azy Rehoboama: dia i Mahalota, ilay zanaka vavin'i Jerimota, zanaka lahin'i Davida, sy Abihaila, ilay zanaka vavin'i Eliaba, zanaka lahin'i Jese.
\v 19 Niteraka zanaka lahy taminy izy: dia i Jeosy, Semaria, ary Zahama.
\s5
\v 20 Taorian'i Mahalota, dia naka an'i Maka, zanaka vavin'i Absaloma, i Rehoboama; niteraka an'i Abia, Atahy, Ziza, ary Selomita taminy izy.
\v 21 Rehoboama nitia an'i Maka, zanaka vavin'i Absaloma, nihoatra ireo vadiny hafa sy ireo vaditsindranony rehetra (naka vady vehivavy valo ambin'ny folo sy vaditsindrano enim-polo izy, ka lasa rain'ny zanaka lahy valo amby roapolo sy zanaka vavy enim-polo).
\s5
\v 22 Rehoboama nanendry an'i Abia zanaka lahin'i Maka ho lehibe, mpitarika eo amin'ireo rahalahiny; efa nanan-kevitra ny hanao azy ho mpanjaka izy.
\v 23 Nanapaka tamim-pahendrena i Rehoboama; nampiely ireo zanany lahy rehetra nanerana ny tanin'i Joda sy Benjamina rehetra ho any amin'ny tanàna mimanda rehetra izy. Nanome sakafo be ho azy ireo ihany koa izy ary nitady vady maro be ho azy ireo.
\s5
\c 12
\p
\v 1 Ary tamin'izany, rehefa tafapetraka ny fanjakan'i Rehoboama ary natanjaka izy, dia nahafoy ny lalàn'i Yaveh—sy ny Israely rehetra niaraka taminy izy.
\s5
\v 2 Nitranga izany tamin'ny taona fahadimy nanjakan'i Rehoboama mpanjaka, fa i Sisaka, mpanjakan'i Egypta, niakatra hanohitra an'i Jerosalema, satria namadika an'i Yaveh ny vahoaka.
\v 3 Tonga niaraka tamin'ny kalesy roan-jato sy arivo sy mpitaingin-tsoavaly enina alina izy. Miaramila tsy hita isa no tonga niaraka taminy avy tany Egypta: ireo Lobita, Sokita, ary ireo Etiopiana.
\v 4 Nalainy ireo tanàna voaaro mafy izay an'i Joda ary nankany Jerosalema.
\s5
\v 5 Ary Semaia mpaminany tonga tany amin'i Rehoboama sy ireo mpitarika an'i Joda izay niara-nivondrona tao Jerosalema noho i Sisaka. Hoy Semaia tamin'izy ireo hoe: "Izao no lazain'i Yaveh: Ianareo efa nahafoy ahy, ka dia efa natolotro ho eo an-tanan'i Sisaka ihany koa ianareo."
\v 6 Dia nanetry tena ireo andriandahin'Israely sy ny mpanjaka ary nanao hoe: "Marina i Yaveh."
\s5
\v 7 Ary rehefa hitan'i Yaveh fa nanetry tena izy ireo, dia tonga tamin'i Semaia ny tenin'i Yaveh, nanao hoe: "Efa nanetry tena izy ireo. Tsy handringana azy ireo Aho; fa hamonjy azy ireo amin'ny fandringanana, ary tsy hilatsaka eo amin'i Jerosalema amin'ny alalan'ny tanan'i Sisaka ny hatezerako.
\v 8 Na izany aza, dia ho mpanompony izy ireo, mba hahatakaran'izy ireo hoe ahoana izany manompo Ahy sy manompo ireo mpitondra ireo firenen-kafa izany."
\s5
\v 9 Ary Sisaka, mpanjakan'i Egypta niakatra hanohitra an'i Jerosalema ka naka ireo harena tao an-tranon'i Yaveh, sy ireo harena tao an-tranon'ny mpanjaka. Nalainy avokoa ny zavatra rehetra; nentiny ihany koa ireo apinga volamena izay nataon'i Solomona.
\v 10 Nanao apinga varahina teo an-toeran'ireo i Rehoboama Mpanjaka ary nanankina ireo teo an-tanan'ireo mpifehy ny mpiambina, izay niambina ireo varavaran'ny tranon'ny mpanjaka.
\s5
\v 11 Nitranga izany isaky ny niditra tao an-tranon'i Yaveh ny mpanjaka, ka nitondra izany ireo mpiambina; avy eo izy ireo nitondra izany niverina tany amin'ny trano fiambenana.
\v 12 Rehefa nanetry tena i Rehoboama, dia niala taminy ny hatezeran'i Yaveh, mba tsy handringanana azy tanteraka; ankoatran'izany, mbola nisy fahatsarana hita ihany tao amin'i Joda.
\s5
\v 13 Ary Rehoboama Mpanjaka nitondra hery ho an'ny fanjakany tao jerosalema, dia toy izany no nanjakany. Iraika amby efa-polo taona Rehoboama raha nanomboka nanjaka, ary nanjaka nandritry ny fito ambin'ny folo taona tao Jerosalema, ilay tanàna izay nofidian'i Yaveh tamin'ny fokon'Israely rehetra izy mba hahafahany mametraka ny anarany ao. Ny anaran-dreniny dia Nama, ilay Amonita.
\v 14 Nanao izay ratsy izy, satria tsy nanefy ny fony mba hitady an'i Yaveh.
\v 15 Ary ny amin'ireo zavatra hafa mahakasika an'i Rehoboama, voalohany sady farany, moa ve ireny tsy efa voasoratra ao amin'ny asa soratr'i Semaia mpaminany sy Ido ilay mpahita, izay manana ny firaketana an-tsoratra ireo tetiharana ihany koa ary ireo ady lava teo amin'i Rehoboama sy Jeroboama?
\v 16 Nodi-mandry tany amin'ireo razambeny i Rehoboama ary nalevina tao an-tanànan'i Davida; Abia zanany lahy no tonga mpanjaka teo amin'ny toerany.
\s5
\c 13
\p
\v 1 Tamin'ny taona fahavalo nanjakan'i Jeroboama Mpanjaka, dia nanomboka nanjaka teo amin'i Joda i Abia.
\v 2 Nanapaka nandritry ny telo taona tany Jerosalema izy; Maka no anaran-dreniny, ilay zanaka vavin'i Oriela avy any Gibea. Nisy ady teo amin'i Abia sy Jeroboama.
\v 3 Abia nandeha niady niaraka tamin'ny tafika matanjaka iray, dia miaramila mahery fo, lehilahy voafidy 400 000. Ary Jeroboama nandahatra lehilahy voafidy, matanjaka, miaramila mahery fo 800 000 hiady hanohitra azy.
\s5
\v 4 Nijoro teo an-tendrombohitra Zemaraima, izay tao amin'ny tany havoan'i Efraima i Abia, ary nanao hoe: "Henoy aho, ry Jeroboama sy ry Israely rehetra!
\v 5 Tsy fantatrareo ve fa Yaveh, ilay Andriamanitr'Israely, no nanome an'i Davida ny fanapahana teo amin'Israely mandrakizay, dia ho azy sy ireo zanany lahy tamin'ny fanekena ara-dalàna?
\s5
\v 6 Nefa Jeroboama zanaka lahin'i Nebata, ilay mpanompon'i Solomona zanaka lahin'i Davida, dia efa nitsangana ary nikomy nanohitra ny tompony.
\v 7 Ireo lehilahy tsy mendrika, ireo namana ratsy fitondran-tena, no nikambana taminy. Tonga hanohitra an'i Rehoboama zanaka lahin'i Solomona izy ireo, fony mbola tanora sy tsy nanana traikefa ary tsy nahavita nanohitra azy ireo i Rehoboama.
\s5
\v 8 Ankehitriny ianareo miteny fa mahatohitra ny fitondrana maherin'i Yaveh eo an-tanan'ireo taranak'i Davida. Tafika lehibe ianareo, ary miaraka aminareo ireo zanak'omby volamena izay nataon'i Jeroboama ho andriamanitra ho anareo.
\v 9 Tsy efa nandroaka ireo mpisoron'i Yaveh, dia ireo taranak'i Arona, sy ireo Levita ve ianareo? Tsy efa nanao mpisorona ho an'ny tenanareo tamin'ny fomban'ireo mponin'ny tany hafa ve ianareo? Na iza na iza tonga manamasin-tena miaraka amin'ny zanak'omby sy ondrilahy fito dia ho lasa mpisoron'ireo izay tsy andriamanitra anie izy.
\s5
\v 10 Fa raha ny aminay, Yaveh no Andriamanitray, ary tsy mbola nahafoy Azy izahay. Manana mpisorona izahay, taranak'i Arona, manompo an'i Yaveh, sy ireo Levita, izay amin'ny asan'izy ireo.
\v 11 Isa-maraina sy isan-kariva dia mandoro fanatitra dorana sy ditin-kazo mani-pofona ho an'i Yaveh izy ireo. Mandamina ny mofon'ny fanatrehana eo amin'ny latabatra madio ihany koa izy ireo; mikarakara ny fitoeran-jiro volamena mbamin'ireo jirony ihany koa izy ireo, mba harehitra isan-kariva. Mitandrina ireo didin'i Yaveh, Andriamanitray izahay, nefa ianareo nahafoy Azy.
\s5
\v 12 Indro, Andriamanitra dia miaraka aminay eo anoloanay, ary ireo mpisorony dia eto miaraka amin'ny trompetra mba hampanenoana fanairana ho anareo. Ry vahoakan'Israely, aza miady amin'i Yaveh, ilay Andriamanitry ny razambenareo, fa tsy hahomby ianareo."
\s5
\v 13 Kanefa Jeroboama nanomana famelezana tampoka taorian'izy ireo; teo anoloan'i Joda ny tafiny, ary taorian'izy ireo ny otrika.
\v 14 Rehefa nitodika i Joda, dia indro, sady teo anoloan'izy ireo no tao aoriany ny ady. Nitaraina tamin'i Yaveh izy ireo, ary nitsoka ny trompetra ireo mpisorona.
\v 15 Dia nitifitra ireo lehilahin'i Joda; raha iny nitifitra iny izy ireo, dia namely an'i Jeroboama sy ny Israely rehetra teo anoloan'i Abia sy Joda i Andriamanitra.
\s5
\v 16 Nandositra teo anoloan'i Joda ny vahoakan'Israely, ary natolotr'Andriamanitra teo an-tanan'i Joda izy ireo.
\v 17 Novonoin'i Abia sy ny tafiny tamin'ny famonoana lehibe izy ireo; ka lehilahy voafidy 500 000 tamin'Israely no lavo ka maty.
\v 18 Tamin'izany fomba izany, no nandresen'ny vahoakan'Israely tamin'izany fotoana izany; nandresy ny vahoakan'i Joda satria niankina tamin'i Yaveh, ilay Andriamanitr'ireo razambeny izy ireo.
\v 19 Nenjehin'i Abia i Jeroboama; nalainy taminy ireo tanàna: dia i Betela niaraka tamin'ireo zana-bohiny, Jesana niaraka tamin'ireo zana-bohiny, ary Efrona niaraka tamin'ireo zana-bohiny.
\v 20 Tsy nihanahery intsony Jeroboama nandritry ny andron'i Abia; namely azy i Yaveh, ka maty izy.
\v 21 Fa Abia kosa nihanatanjaka; naka vady efatra ambin'ny folo izy ary niteraka roa amby roapolo lahy sy enina ambin'ny folo vavy.
\v 22 Ny ambin'ireo asa lehibe vitan'i Abia, ny fitondran-tenany sy ireo teniny dia voasoratra ao amin'ny fanehoan-kevitr'i Ido mpaminany.
\s5
\c 14
\p
\v 1 Nodimandry tany amin'ireo razambeny i Abia, ary nalevin'izy ireo tao amin'ny tanànan'i Davida izy.
\v 2 Asa, zanaka lahiny, no tonga mpanjaka nandimby ny toerany. Tamin'ny androny dia nangina nandritry ny folo taona ny tany. Nanao izay tsara sy marina teo imason'i Yaveh Andriamaniny i Asa,
\v 3 satria nesoriny ireo alitara vahiny sy ireo fitoerana avo. Noravainy ireo andrim-bato ary notapahany ireo baon'Aseraha.
\v 4 Nandidy an'i Joda izy mba hitady an'i Yaveh, Ilay Andriamanitry ny razamben'izy ireo, sy hanatanteraka ireo didy aman-dalàna.
\s5
\v 5 Nesoriny ihany koa ireo fitoerana avo sy ireo alitaran'ny ditin-kazo manitra avy tamin'ireo tanànan'i Joda rehetra. Nitsahatra teo ambaniny ny fanjakana.
\v 6 Nanangana tanàna mimanda tany Joda izy, satria nangina ny tany, ary tsy nanan'ady izy tamin'ireo taona ireo, satria nanome fiadanana azy i Yaveh.
\s5
\v 7 Fa Asa nilaza tamin'i Joda hoe: "Aoka isika hanorina ireo tanàna ireo ary hanisy manda manodidina azy ireo, sy tilikambo, vavahady, ary hidiny lavalava; mbola antsika ny tany satria efa nitady an'i Yaveh Andriamanintsika isika. Efa nitady Azy isika, ary nanome fiadanana antsika tamin'ny lafiny rehetra Izy." Ka dia nanorina izy ireo ary nahomby.
\v 8 Nanana tafika iray izay nihazona apinga sy lefona i Asa; avy tamin'i Joda dia nanana lehilahy 300 000 izy, ary avy tamin'ny Benjamina, lehilahy 280 000 izay nitàna apinga sy tsipìka. Natanjaka ireo rehetra ireo, lehilahy be herim-po.
\s5
\v 9 Ary Zera ilay Etiopiana tonga nanohitra azy ireo niaraka tamin'ny tafika miaramila iray tapitrisa sy kalesy telon-jato; tonga tany Maresa izy.
\v 10 Dia nivoaka hitsena azy i Asa, ary nandamina ny laharan'ady tany an-dohasahan'i Zefata tany Maresa izy ireo.
\v 11 Nitalao tamin'i Yaveh, Andriamaniny i Asa, ary nanao hoe: "Ry Yaveh, tsy misy afa-tsy Ianao no hanampy izay tsy manan-kery rehefa miatrika zavatra maro izy. Ampio izahay, ry Yaveh Andriamanitray, satria miantehitra Aminao izahay, ary amin'ny Anaranao no hahatongavanay hanohitra ireo maro be ireo. Ry Yaveh, Ianao no Andriamanitray; aza avela ho resin'ny olona Ianao."
\s5
\v 12 Ka dia namely ireo Etiopiana teo anatrehan'i Asa sy Joda i Yaveh; ka nandositra ireo Etiopiana.
\v 13 Nanenjika azy ireo hatrany Jerara i Asa sy ireo miaramila niaraka taminy. Noho izany dia Etiopiana maro no lavo ka tsy afaka narovan'izy ireo, satria ringana tanteraka teo anatrehan'i Yaveh sy ny tafiny izy ireo. Nitondra babo maro be ny tafika.
\v 14 Naringan'ny tafika ireo tanàna rehetra nanodidina an'i Jerara, satria tonga tamin'ireo mponina ny horohoron'i Yaveh. Nobaboin'ny tafika ireo tanàna rehetra, ka nisy babo maro tao amin'izy ireo.
\v 15 Naringan'ireo tafika ihany koa ireo fonenan-dain'ireo mpiandry mpifindra monina; nitondra ondry maro, sy rameva izy ireo, ary avy eo niverina tany Jerosalema.
\s5
\c 15
\p
\v 1 Tonga tamin'i Azaria zanaka lahin'i Odeda ny fanahin'Andriamanitra.
\v 2 Nivoaka hitsena an'i Asa izy ary nanao taminy hoe: "Henoy aho, ry Asa, sy Joda ary ny Benjamina rehetra: momba anareo Yaveh, raha miaraka aminy ianareo. Raha mitady Azy ianareo, dia ho hitanareo Izy; fa raha mahafoy Azy ianareo, dia hafoiny.
\s5
\v 3 Ary nandritry ny fotoana naharitra, dia tsy nanana ilay Andriamanitra marina ny Israely, tsy nanana mpisorona nampianatra, ary tsy nanana ny lalàna.
\v 4 Fa rehefa nitodika tamin'i Yaveh, ilay Andriamanitr' Israely izy ireo tamin'ny androm-pahorian'izy ireo, ary nitady Azy, dia hitan'izy ireo Izy.
\v 5 Tamin'izany fotoana izany dia tsy nisy fiadanana ho an'izay nandeha lavitra, na ho an'izay nandeha nankaty; fa kosa, fikorontanana lehibe no tamin'ireo mponin'ny tany rehetra.
\s5
\v 6 Potipotika izy ireo, firenena nanohitra firenena, ary tanàna nanohitra tanàna, satria nampijalian' Andriamanitra tamin'ireo karazana fijaliana rehetra izy ireo.
\v 7 Fa mahereza, ary aza avela halemy ny tananareo, fa ho valiana soa ny asanareo."
\s5
\v 8 Rehefa ren'i Asa ireo teny ireo, ny faminanian'i Odeda mpaminany, dia nanana herim-po izy ary nanala ireo zavatra mahatsiravina hiala tamin'ny tanin'i Joda sy Benjamina rehetra, ary tamin'ireo tanàna izay babony avy tamin'ny tany havoan'i Efraima, ary namerina nanamboatra ny alitaran'i Yaveh izy, izay teo anoloan'ny lavarangan'ny tranon'i Yaveh.
\v 9 Nangoniny ny Joda sy Benjamina rehetra, sy ireo izay nijanona niaraka tamin'izy ireo—olona avy tamin'i Efraima sy Manase, ary avy tamin'i Simeona. Fa maro an'isa izy ireo no nanatona azy avy any Israely, rehefa hitan'izy ireo fa nomba azy Yaveh Andriamaniny.
\s5
\v 10 Noho izany dia niara-niangona tao Jerosalema izy ireo tamin'ny fahatelon'ny volana, tamin'ny faha-dimy ambin'ny folo taona nanjakan'i Asa.
\v 11 Nanao sorona ho an'i Yaveh tamin'ny sasany tamin'ireo babo izay nentin'izy ireo tamin'izany andro izany izy ireo: omby fiton-jato sy ondry aman'osy fito arivo.
\s5
\v 12 Nanao fifanekena mba hitady an'i Yaveh, ilay Andriamanitry ny razambeny izy ireo, tamin'ny fon'izy ireo manontolo sy tamin'ny fanahin'izy ireo manontolo.
\v 13 Nanaiky izy ireo fa na iza na iza nandà ny hitady an'i Yaveh, ilay Andriamanitr'Israely, dia tokony vonoina ho faty, na kely na lehibe ilay olona, na lahy na vavy.
\s5
\v 14 Nianiana tamin'i Yaveh tamin'ny feo avo, tamin'ny hiaka, sy tamin'ny trompetra ary anjomara izy ireo.
\v 15 Niravoravo tamin'ilay fianianana ny Joda rehetra, satria nianiana tamin'ny fony manontolo izy ireo, ary nitady fatratra an'Andriamanitra, ka hitan'izy ireo Izy. Nomen'i Yaveh fiadanana ny manodidina azy ireo rehetra.
\s5
\v 16 Nesoriny tsy ho mpanjaka vavy ihany koa Imaka, renibeny, satria nanao sarin-javatra mahatsiravina tamin'ny baon'Aseraha izy. Notapahan'i Asa ilay sarin-javatra mahatsiravina, nohitsahany ho vovoka ary nodorany teo amin'ny lohasahan-driaka Kidrona izany.
\v 17 Kanefa ireo fitoerana avo tsy nesorina tao Israely. Na izany aza, feno fanoloran-tena tanteraka ny fon'i Asa tamin'ny androny rehetra.
\v 18 Nentiny tao an-tranon'i Yaveh ireo zavatry ny rainy sy ireo zavany manokana izay an'i Yaveh: volafotsy sy ireo zavatra volamena.
\v 19 Tsy nisy ady intsony hatramin'ny fahadimy amby telo-polo taona nanjakan'i Asa.
\s5
\c 16
\p
\v 1 Tamin'ny fahenina amby telopolo taona nanjakan'i Asa, i Basa, mpanjakan'Israely, dia naneho herisetra nanohitra an'i Joda ary nanangana an'i Rama, mba tsy hamelany an'iza na iza hiala na hiditra ao amin'ny tanin'i Asa, mpanjakan'i Joda.
\s5
\v 2 Dia nitondra ny volafotsy sy volamena nivoaka ny efitrano fitehirizana tao amin'ny tranon'i Yaveh sy ny tranon'ny mpanjaka i Asa, ary nandefa izany tany amin'i Beni-hadada mpanjakan'i Syria, izay nipetraka tany Damaskosy. Hoy izy hoe:
\v 3 "Aoka hisy fifanekena eo amiko sy aminao, toy ny nisian'izany teo amin'ny raiko sy ny rainao. Indro, nandefa volafotsy sy volamena taminao aho. Ravao ny fifanekenao amin'i Basa, mpanjakan'Israely, mba hahafahany mamela ahy irery."
\s5
\v 4 Nihaino an'i Asa Mpanjaka i Beni-adada ka nandefa ireo mpifehy ny tafiny hanohitra ireo tanànan'Israely. Nanafika an'i Iona, Dana, Abela-maima, ary ireo tanàna fitehirizan'i Naftaly rehetra izy ireo.
\v 5 Ary rehefa nandre izany i Basa, dia najanony ny fananganana an'i Rama, ary nampitsahatra ny asany.
\v 6 Ary nalain'i Asa Mpanjaka niaraka taminy ny Joda rehetra. Nentin'izy ireo ny vato sy ireo hazon'i Rama izay nananganan'i Basa ny tanàna. Dia nampiasain'i Asa nanorenana an'i Geba sy Mizpa izany fitaovana fananganana izany.
\s5
\v 7 Tamin'izany fotoana izany i Hanany mpahita nankany amin'i Asa, mpanjakan'i Joda, ka nanao taminy hoe: "Satria ianao niantehitra tamin'ny mpanjakan'i Syria, fa tsy niantehitra tamin'i Yaveh Andriamanitrao, dia nitsoaka avy eo an-tananao ny tafiky ny mpanjakan'i Syria.
\v 8 Moa ve ireo Etiopiana sy ireo Lobita tsy tafika lehibe, miaraka amin'ny kalesy sy mpitaingin-tsoavaly tena maro? Kanefa, satria ianao niantehitra tamin'i Yaveh, dia nanome anao ny fandresena teo amin'izy ireo Izy.
\s5
\v 9 Fa ny mason'i Yaveh dia mandeha eny rehetra eny manerana ny tany manontolo, mba hahafahany maneho ny tenany ho mahery ho an'ireo izay manana fo tonga lafatra manoloana Azy. Fa nanao adalana tamin'izany zavatra izany ianao. Koa manomboka eto, dia hanana ady ianao."
\v 10 Ary dia tezitra tamin'ilay mpahita i Asa; nogadrainy izy, satria tezitra taminy noho izany zavatra izany izy. Tamin'izany fotoana izany ihany, dia nampahory ny sasany tamin'ireo vahoaka i Asa.
\s5
\v 11 Indro, ireo asan'i Asa, hatramin'ny voalohany hatramin'ny farany, dia indro, efa voasoratra ao amin'ny bokin'ireo mpanjakan'i Joda sy Israely ireo.
\v 12 Tamin'ny fahasivy amby telopolo taona nanjakany, dia narary ny tongotr'i Asa; nahery vaika tokoa ny aretiny. Na izany aza anefa, dia tsy nitady fanampiana avy tamin'i Yaveh izy, fa tamin'ireo mpitsabo ihany.
\s5
\v 13 Nodimandry tany amin'ireo razambeny i Asa; maty tamin'ny fahiraika amby efapolo taona nanjakany izy.
\v 14 Nalevin'izy ireo tao amin'ny fasany ihany izy, izay nohadiany ho azy tao amin'ny tanànan'i Davida. Nampandrian'izy ireo teo ambony fandriana feno fofona manitra sy karazana zava-manitra nomanin'ireo mpahay zava-manitra izy. Ary nanao afo lehibe izy ireo mba ho voninahitra ho azy.
\s5
\c 17
\p
\v 1 Josafata zanaka lahin'i Asa dia tonga mpanjaka nandimby azy. Nampatanjaka ny tenany hanohitra an'Israely i Josafata.
\v 2 Nametraka tafika tamin'ireo tanàna mimandan'i Joda rehetra izy, ary nametraka miaramila tany amin'ireo tanin'i Joda sy tany amin'ireo tanànan'i Efraima, izay nobaboin'i Asa rainy.
\s5
\v 3 Nomba an'i Josafata i Yaveh satria nandeha tamin'ireo lalan'i Davida rainy voalohany izy, ary tsy nitady ireo Bala.
\f + \ft Fanamarihana: ireo dikanteny sasany taloha tsy misy hoe: "Davida", ary ireo dikanteny sasany amin'izao fotoana mamela izany. \f*
\v 4 Fa kosa, nahatoky an'ilay Andriamanitry ny rainy izy, ary nandeha tamin'ireo didiny, fa tsy mba tamin'ny fitondran-tenan' Israely.
\s5
\v 5 Koa napetrak'i Yaveh teo an-tanany ny fanapahana; nanome voninahitra an'i Josafata ny Joda rehetra. Nanana harena sy voninahitra be izy.
\v 6 Ny fony dia natao ho an'ireo lalan'i Yaveh. Nanala ireo fitoerana avo sy ny baon'Aseraha tany Joda ihany koa izy.
\s5
\v 7 Tamin'ny taona fahatelo nanjakany dia naniraka an'i Benaila, Obadia, Zakaria, Netanela ary i Mikaia manam-pahefany izy, mba hampianatra any amin'ireo tanànan'i Joda.
\v 8 Niaraka tamin'izy ireo koa ireo Levita: dia i Semaia, Netania, Zebadia, Asahela, Semiramota, Jonatana, Adonia, Tobia, ary Tob-adonia; ary niaraka tamin'izy ireo i Elisama sy Jorama mpisorona.
\v 9 Nampianatra tany Joda izy ireo, ary nanana ny bokin'ny lalàn'i Yaveh niaraka taminy. Nandeha nanerana ny tanànan'i Joda rehetra izy ireo ary nampianatra teo amin'ny vahoaka.
\s5
\v 10 Nirotsaka tamin'ireo fanjakan'ny tany rehetra izay nanodidina an'i Joda ny horohoro an'i Yaveh, mba tsy hiantsian'izy ireo ady amin'i Josafata.
\v 11 Ny Filistina sasany nitondra fanomezana ho an'i Josafata, sy volafotsy ho fanomezam-boninahitra. Ireo Arabo koa dia nitondra ondry aman'osy ho azy, ondrilahy 7 700 ary osilahy 7 700.
\s5
\v 12 Tonga tena nahery i Josafata. Nanorina fiarovana mafy sy tanàna fitehirizana tao Joda izy.
\v 13 Izy dia nanana fitaovana maro tao an-tanànan'i Joda, sy miaramila—matanjaka, lehilahy mahery fo—tany Jerosalema.
\s5
\v 14 Ireto ny lisitr'izy ireo, milahatra araka ireo anaran'ny ankohon-drain'izy ireo: avy any Joda, ireo mpifehy ny an'arivony; Adna mpifehy, ary niaraka taminy ny lehilahy mpiady 300 000;
\v 15 tao aoriany i Johanana mpifehy, ary niaraka taminy ny lehilahy 280 000;
\v 16 tao aoriany i Amasia zanaka lahin'i Zikry, izay nanolo-tena hanompo an'i Yaveh; ary niaraka taminy ny lehilahy mpiady 200 000.
\v 17 Avy amin'i Benjamina: dia i Eliada lehilahy natanjaka tamin'ny herim-po, ary niaraka taminy ny mitam-piadiana 200 000 niaraka tamin'ireo tsipìka sy ireo ampinga;
\v 18 manaraka azy i Jozabada, ary niaraka taminy ireo 180 000 vonona ho amin'ny ady.
\v 19 Ireo no nanompo ny mpanjaka, ankoatra ireo izay napetraky ny mpanjaka tamin'ireo tanàna mimanda nanerana an'i Joda rehetra.
\s5
\c 18
\p
\v 1 Ary Josafata nanana harena sy voninahitra be; izy dia nihavana tamin'i Ahaba tamin'ny nanambadian'ny iray tao amin'ny fianakaviany ny zanany vavy.
\v 2 Taona maromaro taty aoriana, dia nidina tany amin'i Ahaba tany Samaria izy. Namono ondry aman'osy maro ho azy sy ireo olona niaraka taminy i Ahaba. Nandresy lahatra azy mba hanafika an'i Ramota Gileada hiaraka aminy koa Ahaba.
\v 3 Hoy Ahaba, mpanjakan'Israely, tamin'i Josafata, mpanjakan'i Joda hoe: "Handeha hiaraka amiko ho any Ramota Gileada ve ianao?" Namaly azy Josafata hoe: "Toa anao ihany aho, ary ny vahoakako dia toy ny vahoakanao; hiaraka aminareo any amin'ny ady izahay."
\s5
\v 4 Hoy Josafata tamin'ny mpanjakan'Israely hoe: "Mba tadiavo aloha ny tenin'i Yaveh ho amin'ny valin-teninao."
\v 5 Avy eo ny mpanjakan'Israely nampivory ireo mpaminany, lehilahy efa-jato, ka niteny tamin'izy ireo hoe: "Tokony handeha hiady any Ramota Gileada ve isika, sa tsia? Hoy izy ireo hoe: "Tafiho, fa Andriamanitra hanome izany eo an-tanan'ny mpanjaka."
\s5
\v 6 Saingy hoy Josafata hoe: "Tsy mbola misy mpaminan'i Yaveh hafa izay afaka hangalantsika hevitra ve eto?"
\v 7 Hoy ny mpanjakan'Israely tamin'i Josafata hoe: "Mbola misy lehilahy iray izay afaka hangalantsika ny hevitr'i Yaveh, dia Mikaia zanaka lahin'i Jimla, saingy halako izy satria tsy naminany tsara nahakasika ahy mihintsy izy, fa ratsy foana." Fa hoy Josafata hoe: "Tsy tokony hiteny izany ny mpanjaka."
\v 8 Avy eo niantso manam-pahefana ny mpanjakan'Israely ary niteny hoe: "Ento faingana i Mikaia zanaka lahin'i Jimla."
\s5
\v 9 Ary samy nipetraka tamin'ny seza fiandrianana avy i Ahaba mpanjakan'Israely sy Josafata mpanjakan'i Joda, nitafy ny akanjo lavan'izy ireo, teo amin'ny toerana malalaka anoloan'ny fidirana ny vavahadin'i Samaria, ary ny mpaminany rehetra dia naminany teo anatrehan'izy ireo.
\v 10 Zedekia zanaka lahin'i Kenana dia nanamboatra tandroka vy ho an'ny tenany ary niteny hoe: "Izao no lazain'i Yaveh: Amin'ireo no hanotoanao ireo Syriana mandra-pahalevon'izy ireo."
\v 11 Nitovy faminaniana ireo mpaminany rehetra, nanao hoe: "Tafiho Ramota Gileada ary reseo, fa efa nomen'i Yaveh teo an-tanan'ny mpanjaka izany."
\s5
\v 12 Ilay iraka izay nandeha niantso an'i Mikaia niteny taminy, nanao hoe: "Indro izao, ny tenin'ireo mpaminany dia manambara zavatra tsara amin'ny mpanjaka amin'ny feo tokana. Aoka ny teninao ho toy ny tenin'ny iray amin'izy ireo ary hiteny zavatra tsara."
\v 13 Namaly Mikaia hoe: "Raha mbola velona koa Yaveh, dia izay zavatra lazain'Andriamanitra no hambarako."
\v 14 Rehefa tonga tany amin'ny mpanjaka izy, dia hoy ilay mpanjaka taminy hoe: "Ry Mikaia, tokony andeha hiady any Ramota Gileada ve isika, sa tsia?" Namaly azy Mikaia hoe: "Tafiho ary mandrese! Fa ho fandresena lehibe izany."
\s5
\v 15 Avy eo ny mpanjaka niteny taminy hoe: "Impiry no hampianianako anao tsy hilaza afa-tsy ny marina amiko amin'ny anaran'i Yaveh?"
\v 16 Ka dia hoy Mikaia hoe: "Nahita ny Israely rehetra niparitaka teny amin'ireo tendrombohitra aho, tahaka ny ondry tsy misy mpiandry, ary hoy Yaveh hoe: 'Tsy manana mpiandry ondry ireo. Aoka ny lehilahy rehetra hiverina am-pahatoniana any an-tranony.'"
\s5
\v 17 Noho izany dia hoy ny mpanjakan'Israely tamin'i Josafata hoe: "Tsy efa niteny anao ve aho fa izy dia tsy haminany soa mahakasika ahy, fa loza ihany?"
\v 18 Avy eo dia hoy Mikaia hoe: "Noho izany ianareo rehetra dia tokony hihaino ny tenin'i Yaveh: Nahita an'i Yaveh nipetraka teo amin'ny seza fiandrianany aho, ary ny miaramilan'ny lanitra rehetra nijoro teo an-kavanany sy teo an-kaviany.
\s5
\v 19 Hoy Yaveh hoe: 'Iza no hitaona an'i Ahaba, mpanjakan'Israely, mba hahafahany hiakatra any Ramota Gileada ary ho lavo any?' Ny iray niteny izao ary ny hafa niteny izany.
\s5
\v 20 Taorian'izay dia nisy fanahy nandroso ary nijoro teo anoloan'i Yaveh sy niteny hoe: 'Hitaona azy aho' Hoy Yaveh taminy hoe: 'Amin'ny fomba ahoana?'
\v 21 Dia namaly ilay fanahy hoe: 'Hivoaka aho ary ho tonga fanahy mpandainga ao am-bavan'ireo mpaminaniny rehetra.' Namaly Yaveh hoe: 'Hitaona Azy ianao, ary hahomby koa ianareo. Koa ankehitriny mandehana ary ataovy izany.'
\s5
\v 22 Indro ary ankehitriny, Yaveh nametraka fanahy mpandainga tao am-bavan'ireo mpaminaninao ireo, ary Yaveh nandidy loza ho anareo."
\s5
\v 23 Dia tonga i Zekedia zanaka lahin'i Kenana, namelaka ny takolak'i Mikaia, ary niteny hoe: "Taiza ny lalana nialan'ny Fanahin'i Yaveh tamiko mba hiresaka aminao?"
\v 24 Hoy Mikaia hoe: "Indro, ho fantatrao izany amin'izany andro izany, rehefa mihazakazaka hiafina any amin'ny efitrano anatiny sasany ianao."
\s5
\v 25 Niteny tamin'ny mpanompo sasany ny mpanjakan'Israely hoe: "Samborinareo vahoaka i Mikaia ary ento ho any Amona, ilay governoran'ny tanàna izy, sy any amin'i Joasy, zanako lahy.
\v 26 Ianareo vahoaka hiteny aminy hoe: 'Hoy ny mpanjaka hoe: ampidiro any am-ponja io lehilahy io ary fahano mofo sy rano kely izy, mandra-piveriko soa aman-tsara."'
\v 27 Avy eo Mikaia niteny hoe: "Raha tafaverina soa aman-tsara ianao, dia tsy niteny tamin'ny alalako Yaveh." Dia mbola nampiany hoe: "Henoy izany, ianareo ry vahoaka rehetra."
\s5
\v 28 Koa dia niakatra hanohitra an'i Ramota Gileada i Ahaba, mpanjakan'Israely, sy Josafata, mpanjakan'i Joda.
\v 29 Hoy ny mpanjakan'Israely tamin'i Josafata hoe: "Hiova tava aho ary handeha ho amin'ny ady, fa hanaovy ny akanjo lavan'ny mpanjaka." Koa dia niova nanao olon-kafa ny mpanjakan'Israely, ary nandeha tany amin'ny ady izy ireo.
\v 30 Ary ny mpanjakan'i Syria dia nandidy ireo kapitenin'ireo kalesiny, nanao hoe: "Aza manafika ireo miaramila manan-kaja na tsy manan-kaja. Fa kosa, ny mpanjakan'Israely ihany no tafiho."
\s5
\v 31 Ary rehefa nahita an'i Josafata ireo kapitenin'ny kalesy dia hoy izy ireo hoe: "Iny ny mpanjakan'Israely." Niverina mba hanafika azy izy ireo, saingy nihiaka mafy Josafata, ary namonjy azy Yaveh. Navadik'Andriamanitra niala taminy izy ireo.
\v 32 Ary rehefa hitan'ireo mpifehy ny kalesy fa tsy ny mpanjakan'Israely ilay izy, dia niverina tamin'ny fanenjehana azy izy ireo.
\s5
\v 33 Saingy nisy lehilahy iray nisintona ny zana-tsipìkany ary nitifitra ny mpanjakan'Israely teo anelanelan'ny fifandraisan'ny fiarovany. Avy eo Ahaba niteny tamin'ny mpitondra kalesiny hoe: "Mitodiha ary ento mivoakan'ny ady aho, fa maratra mafy."
\v 34 Niharatsy ny ady tamin'io andro io, ary ny mpanjakan'Israely dia niandry tao amin'ny kalesiny nifanandrify tamin'ireo Syriana mandra-paharivan'ny andro. Mandra-pilentiky ny masoandro, dia maty izy.
\s5
\c 19
\p
\v 1 Niverina soa aman-tsara tany an-tranony tany Jerosalema i Josafata mpanjakan'i Joda.
\v 2 Avy eo Jeho zanaka lahin'i Hanana, ilay mpahita, nivoaka hitsena azy ka niteny tamin'i Josafata Mpanjaka hoe: "Tokony hanampy ny ratsy fanahy ve ianao? Tokony hitia ireo izay mankahala an'i Yaveh ve ianao? Noho izany asa izany, dia ao aminao ny hatezerana avy amin'i Yaveh.
\v 3 Na izany aza, dia mbola misy tsara hita ao anatinao, fa nesorinao hiala ny tany ireo baon'Aseraha, ary efa nanefy ny fonao hitady an'Andriamanitra ianao."
\s5
\v 4 Nonina tao Jerosalema i Josafata; ary nivoaka hitety ny vahoaka indray izy hatrany Beriseba ka hatrany amin'ny tany havoan'i Efraima ka nitondra azy ireo niverina tany amin'i Yaveh, ilay Andriamanitry ny razamben'izy ireo.
\v 5 Nametraka mpitsara tany amin'ny tany nanerana ireo tanàna mimanda rehetra tany Joda izy, isaky ny tanàna.
\s5
\v 6 Hoy izy tamin'ireo mpitsara hoe: "Hevero izay tokony hataonareo, satria tsy mitsara ho an'olona ianareo, fa ho an'i Yaveh; momba anareo Izy amin'ny asam-pitsarana.
\v 7 Koa ankehitriny, aoka ho aminareo ny tahotra an'i Yaveh. Mitandrema rehefa mitsara ianareo, fa tsy mba misy heloka amin'i Yaveh Andriamanitsika, na fizahan-tavan'olona na fandraisana kolikoly."
\s5
\v 8 Koa, nanendry ny sasany tamin'ireo Levita sy ireo mpisorona, ary ny sasany tamin'ireo mpitarika ny tranon-drazan'Israely tao Jerosalema i Josafata, ho amin'ny fanatanterahana ny fitsarana ho an'i Yaveh, ary ho amin'ireo fifandirana. Nitoetra tao Jerosalema izy ireo.
\v 9 Nampianatra azy ireo izy, nanao hoe: "Tokony hanompo an'i Yaveh am-panajana, am-pahatokiana, ary amin'ny fonareo manontolo ianareo.
\s5
\v 10 Na oviana na oviana tonga aminareo ny fifandirana amin'ireo rahalahinareo izay monina any amin'ny tanànan'izy ireo, na mahakasika ny fandatsahan-drà, na momban'ireo didy aman-dalàna, dia ampitandremo izy ireo, mba tsy ho tonga meloka eo anatrehan'i Yaveh izy ireo, raha tsy izany dia ho tonga aminareo sy amin'ireo rahalahinareo ny hatezerana. Izany no tokony hataonareo mba tsy ho meloka ianareo.
\s5
\v 11 Indro, Amaria mpisoronabe no eo aminareo amin'ny raharahan'i Yaveh rehetra. Zebadia zanaka lahin'Ismaela, mpitarika ny taranak'i Joda, no miandraikitra ny raharahan'ny mpanjaka rehetra. Ireo Levita ihany koa dia ho manam-pahefana hanompo anareo. Mahereza ka araho ireo torolalanareo ireo, ary Yaveh anie homba an'ireo izay tsara."
\s5
\c 20
\p
\v 1 Ary taorian'izany, dia tonga nanohitra an'i Josafata ireo vahoakan'i Moaba sy Amona, ary niaraka tamin'izy ireo ny Monita sasany.
\f + \ft Fanamarihana: Ny famakiana hoe "Monita sasany" maneho fanitsiana ny lahatsoratra Hebreo izay mivaky hoe: "Amonita sasany". Noheverina fa "Monita" no dika-teny voalohany ary izany dia nosoloin'ny mpanao dika soratra hoe "Amonita sasany". Nefa ity famakiana farany dia toa tsy misy heviny, satria ny Amonita dia efa voalaza tao amin'io andininy io. Na izany aza dia dika-teny samihafa no nifanarahana tamin'ny fomba maro tamin'izany olana izany. \f*
\v 2 Dia tonga ny sasany niteny tamin'i Josafata, nanao hoe: "Maro be ireo ho tonga hanohitra anao avy any an-dafin'ny Ranomasina Maty, avy any Edoma. Indro, ao Hazezon-tamara izy ireo," izay Enjedy.
\f + \ft Fanamarihana: Raha tokony hoe "Edoma", ireo dika-teny sasany fahiny sy vaovao dia mivaky hoe: "Syria". \f*
\s5
\v 3 Lasa natahotra sy nampizaha ny tenany mba hizaha an'i Yaveh i Josafata. Nanambara fifadian-kanina eran'i Joda rehetra izy.
\v 4 Niara-niangona hitady an'i Yaveh ny Joda rehetra; tonga hitady an'i Yaveh tany amin'ireo tanànan'i Joda rehetra izy ireo.
\s5
\v 5 Ary Josafata nitsangana teo amin'ny fiangonan'i Joda sy Jerosalema, tao an-tranon'i Yaveh, teo anoloan'ny kianja vaovao.
\v 6 Hoy izy hoe: "Ry Yaveh, ilay Andriamanitr'ireo razambenay, tsy ianao ve no Andriamanitry ny lanitra? Tsy Ianao ve no mpanapaka eo amin'ireo fanjakan'ny firenena rehetra? Ny hery sy ny fahefana dia eo an-tananao, koa tsy misy afaka hahatohitra anao.
\v 7 Ry Andriamanitray, tsy ianao ve no nandroaka ny mponina teto amin'ity tany ity nanoloana an'Israely olonao, sy nanome izany mandrakizay ho an'ireo taranak'i Abrahama?
\s5
\v 8 Nonina tao amin'izany sy nanorina fitoerana masina tao ho an'ny anaranao izy ireo, nanao hoe:
\v 9 'Raha tonga eto aminay ny loza—ny sabatra, ny fitsaràna, na aretina, na mosary—dia hitsangana eo anoloan'ity tranony ity, sy eo anoloanao izahay (fa ato amin'ny ity trano ity ny anaranao), ary hitomany Anao izahay amin'ny fahorianay, ka handre sy hamonjy anay Ianao.'
\f + \ft Fanamarihana: Raha tokony hoe "fitsaràna", ireo dika-teny sasany fahiny sy vaovao mivaky hoe "Tondra-drano". \f*
\s5
\v 10 Ary indro, indreo ary ireo vahoakan'i Amona, Moaba, ary ny tendrombohitra Seira izay tsy navelanao ho tafihan'Israely rehefa nivoaka avy tany amin'ny tany Egypta izy ireo; fa kosa, niala tamin'izy ireo ny Israely ary tsy nandrava azy ireo.
\v 11 Indro ny fomba hanonerany antsika; tonga handroaka antsika hiala ao amin'ny taninao izay nomenao ho lovanay izy ireo.
\s5
\v 12 Ry Andriamanitray o, tsy hitsara azy ireo ve Ianao? Fa tsy manana hery hanoherana izany tafika lehibe tonga hanohitra anay izany izahay. Tsy fantatray izay tokony hatao, fa ny masonay dia any aminao."
\v 13 Nitsangana teo anoloan'i Yaveh ny Joda rehetra, niaraka tamin'ireo madinik'izy ireo, ireo vadiny, sy ireo zanany.
\s5
\v 14 Dia teo afovoan'ny fiangonana, no tonga tamin'i Jahaziela, zanak'i Zakaria, zanak'i Benaia, zanak'i Jeiela, zanak'i Matania, ilay Levita, iray tamin'ireo zanak'i Asafa ny fanahin'i Yaveh.
\v 15 Hoy Jahaziela hoe: "Henoy, ry Joda rehetra sy ny mponin'i Jerosalema, ary ry Josafata mpanjaka. Izao no lazain'i Yaveh aminareo hoe: 'Aza matahotra; aza kivy noho izany tafika lehibe izany, fa tsy ho anareo ny ady, fa ho an'Andriamanitra.
\s5
\v 16 Tsy maintsy hidina hanohitra azy ireo ianareo rahampitso. Indro, hiakatra amin'ny lalàna mandalo any Ziza izy ireo. Hahita azy ireo eo amin'ny faran'ny lohasaha ianareo, eo alohan'ny efitr'i Jeroela.
\v 17 Tsy mila miady amin'izany ady izany ianareo. Mijoroa eo amin'ny fitoeranareo, mijanona, ka jereo ny famonjen'i Yaveh anareo, ry Joda sy Jerosalema. Aza matahotra na kivy. Mivoaha hanohitra azy ireo rahampitso, fa Yaveh homba anareo.'"
\s5
\v 18 Nampiankohoka ny tavany teo amin'ny tany i Josafata. Ny Joda rehetra sy ny mponin'i Jerosalema dia niondrika teo anoloan'i Yaveh, nihoby azy.
\v 19 Ireo Levita, sy ireo taranaky ny Kehatita sy Koraita, nitsangana mba hidera an'i Yaveh, ilay Andriamanitry ny Israely, tamin'ny feo mahery.
\s5
\v 20 Vao maraina be dia nitsangana izy ireo ka nivoaka nankany amin'ny efitr'i Tekoa. Raha nivoaka iny izy ireo, dia nitsangana Josafata ary niteny hoe: "Mihainoa ahy, ry Joda, sy ianareo mponin'i Jerosalema! Minoa an'i Yaveh Andriamanitrareo, dia ho tohanana ianareo. Matokia an'ireo mpaminaniny, dia hahomby hianareo."
\v 21 Rehefa nanontany ny olona Izy, dia nanendry ireo tokony hihira ho an'i Yaveh sy hidera Azy nohon'ny voninahiny masina Izy, raha nivoaka nialoha ny tafika izy ireo, ary nanao hoe: "Misaora an'i Yaveh, fa maharitra mandrakizay ny famin-dram-pony."
\s5
\v 22 Rehefa nanomboka nihira sy nanompo izy ireo, dia nametraka lehilahy hamely tampoka ny vahoakan'i Amona, sy Moaba, ary ny tendrombohitra Seira, izay avy hanohitra an'i Joda i Yaveh. Ary dia resy izy ireo.
\v 23 Dia nitsangana hiady hanohitra ny mponina avy ao an-tendrombohitra Seira ny vahoakan'i Amona sy Moaba, mba hamono tanteraka sy handringana azy ireo. Rehefa vitan'izy ireo ny amin'ny mponina ao an-tendrombohitra Seira, dia hifandringana izy ireo.
\s5
\v 24 Raha tonga teo amin'ny toerana fitazanana ny efitra ny Joda, dia nijery ny tafika izy ireo. Indro, efa maty izy ireo, lavo tamin'ny tany; tsy nisy afa-nandositra.
\s5
\v 25 Raha tonga handroba teo amin'izy ireo Josafata sy ny vahoakany, dia nahita zavatra maro be, akanjo, sy fitaovana sarobidy, izay nalainy ho azy ireo, mihoatra noho izay azon'izy ireo nentina. Naharitra hateloana ny fandroban'izy ireo, fa be loatra izany no teo.
\f + \ft Fanamarihana: Raha tokony hoe "teo amin'izy ireo", ireo dika-teny sasany fahiny sy vaovao mivaky hoe "biby fiompy". Raha tokony hoe "fitafiana", ireo dika-teny fahiny sy vaovao mivaky hoe "Faty". \f*
\v 26 Tamin'ny andro fahefatra dia nivory teo amin'ny Lohasahan'i Bereka izy ireo. Tany no nideran'izy ireo an'i Yaveh, ka natao hoe "Lohasahan'i Bereka" ny anaran'izany toerana izany mandrak'androany.
\s5
\v 27 Dia niverina izy ireo, ny olona rehetra tao Joda sy Jerosalema, ary tao amin'ny fitarihan'izy ireo i Josafat, mba handeha hankany Jerosalema am-pifaliana indray, fa Yaveh efa nampifaly azy ireo teo amin'ireo fahavalony.
\v 28 Tonga tany Jerosalema sy tao an-tranon'i Yaveh niaraka tamin'ireo lokanga, valiha, ary trompetra izy ireo.
\s5
\v 29 Ny horohoron'Andriamanitra dia teo amin'ireo fanjakan'ny firenena rehetra raha nandre izy ireo fa Yaveh dia niady hanohitra ireo fahavalon'Israely.
\v 30 Ka dia nangina ny fanjakana'i Josafata, satria nanome fiadanana azy nanodidina azy rehetra ny Andriamaniny.
\s5
\v 31 Nanjaka teo amin'ny Joda i Josafata: dimy amby telo-polo taona izy raha nanomboka nanjaka, ary nanjaka dimy amby roa-polo taona tao Jerosalema izy. Ny anaran-dreniny dia Azoba, zanaka vavin'i Sily.
\v 32 Nandeha tamin'ireo lalan'i Asa rainy izy; ary tsy niala tamin'ireny; nanao izay marina teo imason'i Yaveh izy.
\v 33 Na izany aza, tsy noravana ireo fitoerana avo. Ny vahoaka dia tsy mbola nitarika ny fon'izy ireo ho amin'ilay Andriamanitry ny razamben'izy ireo.
\s5
\v 34 Ary raha ny amin'ireo zavatra hafa mahakasika an'i Josafata, voalohany sady farany, indro, izy ireo dia efa voasoratra ao amin'ny tantaran'i Jeho zanak'i Hanany, izay voarakitra an-tsoratra ao amin'ny bokin'ireo mpanjakan'Israely.
\s5
\v 35 Ary taorian'izany Josafata, mpanjakan'i Joda dia niray hina tamin'i Ahazia, mpanjakan'Israely, izay nanao faharatsiana maro.
\v 36 Niray hina taminy izy mba hanamboatra sambo handehanana any Tarsisy. Tao Ezion-gabera no nanamboaran'izy ireo ny sambo.
\v 37 Ary Eliezera zanak'i Dodavaho avy any Maresa, dia naminany hamely an'i Josafata; hoy izy hoe: "Satria efa niray hina tamin'i Ahazia ianao, dia noravain'i Yaveh ireo tetikasanao." Nirendrika ilay sambo ka tsy afaka niondrana an-tsambo izy ireo.
\s5
\c 21
\p
\v 1 Nodimandry tany amin'ireo razambeny i Josafata ary nalevina niaraka tamin'izy ireo tao amin'ny tanànan'i Davida; Jehorama, zanany lahy, no tonga mpanjaka nandimby ny toerany.
\v 2 Nanana rahalahy i Jehorama, zanak'i Josafata: dia Azaria, Jehiela, Zakaria, Azaria, Mikaela, ary Sefatia. Zanaka lahin'i Josafata, mpanjakan'Israely avokoa ireo.
\v 3 Nanolotra fanomezana volafotsy, volamena, ary zava-tsarobidy hafa maro dia maro, ary tanàna mimanda tany Joda ho azy ireo ihany koa ny rainy, saingy nomeny an'i Jehorama ny seza fiandrianana, satria izy no lahimatoany.
\s5
\v 4 Ary rehefa nitsangana teo amin'ny fanjakan-drainy i Jehorama ka nametraka mafy ny tenany ho mpanjaka, dia novonoiny tamin'ny sabatra ireo rahalahiny rehetra, sy ireo mpitarik'Israely samihafa ihany koa.
\v 5 Roa amby telopolo taona i Jehorama raha nanomboka nanjaka, ary nanjaka nandritry ny valo taona tao Jerosalema izy.
\s5
\v 6 Nandeha tamin'ny lalan'ireo mpanjakan'Israely izy, tahaka ny nataon'ny taranak'i Ahaba, fa ny zanaka vavin'i Ahaba no vadiny, ary nanao izay ratsy teo imason'i Yaveh izy.
\v 7 Kanefa, tsy naniry ny handringana ny taranak'i Davida i Yaveh, nohon'ny amin'ilay fanekena izay nataony tamin'i Davida; efa nampanantena ny hanome fiainana ho azy sy ireo taranany lalandava Izy.
\s5
\v 8 Tamin'ny andron'i Jehorama, dia nikomy hiala tamin'ny fifehezan'i Joda i Edoma, ka nametraka mpanjaka ho eo amin'izy ireo.
\v 9 Dia niampita niaraka tamin'ireo mpifehiny sy ireo kalesiny rehetra i Jehorama. Andro alina no niaingany sy niadiany tamin'ireo Edomita izay nanodidina azy sy mpifehy ny kalesiny.
\v 10 Koa efa nikomy tamin'ny fifehezan'i Joda mandrak'ankehitriny i Edoma. Nikomy hiala tamin'ny fifehezany niaraka tamin'izany ihany koa i Libna, satria Jehorama efa nahafoy an'i Yaveh, Andriamanitr'ireo razambeny.
\s5
\v 11 Fanampin'izany, dia nanorina fitoerana avo tany amin'ireo tendrombohitr'i Joda ihany koa i Jehorama, ka nampiaina ny mponin'i Jerosalema tahaka ny mpivaro-tena, ary nitondra an'i Joda hania.
\s5
\v 12 Nisy taratasy avy tamin'i Elia mpaminany tonga tany amin'i Jehorama. Izao no nambaran'izany: "Izao no lazain'i Yaveh, ilay Andriamanitr'i Davida, razambenao: Satria tsy nandeha tamin'ny lalan'i Josafata, rainao ianao, na tamin'ireo lalan'i Asa, mpanjakan'i Joda,
\v 13 fa efa nandeha tamin'ny lalan'ireo mpanjakan'Israely kosa, ary nahatonga an'i Joda sy ireo mponin'i Jerosalema hiseho toy ny mpivaro-tena, tahaka ny nataon'ny taranak'i Ahaba—ary satria efa novonoinao tamin'ny sabatra ihany koa ireo rahalahinao tao amin'ny fianakavian-drainao, dia ireo lehilahy tsara noho ny tenanao
\v 14 indro, Yaveh hamely anao, ireo zanakao, sy ireo vadinao, ary ny harenao rehetra amin'ny areti-mandringana lehibe.
\v 15 Ianao mihitsy no harary mafy nohon'ny aretina ao amin'ny tsinainao, ambaram-pahavoa ny tsinainao noho ilay aretina, isan'andro isan'andro."
\s5
\v 16 Dia nampientana ny fanahin'ireo Filistina sy ireo Arabo izay nanakaiky an'ireo Etiopiana hanohitra an'i Jehorama i Yaveh.
\v 17 Namely an'i Joda izy ireo, nanafika izany, ary naka ireo harena rehetra izay hita tao an-tranon'ny mpanjaka. Nalain'izy ireo ihany koa ireo zanany lahy sy ireo vadiny. Tsy nisy zanaka lahy tavela ho azy afa-tsy i Jehoaza, zanany faralahy.
\s5
\v 18 Taorian'izany rehetra izany, dia namely azy tao amin'ny tsinainy tamin'ny aretina tsy hay sitranina i Yaveh.
\v 19 Ary tamin'ny fotoana voatondro, afaka roa taona, dia lavon'ny aretiny ny tsinainy, ary maty nohon'ny aretina namaivay izy. Tsy nandrehitra afo ho voninahiny araka ny nataon'izy ireo ho an'ny razambeny ny vahoakany.
\v 20 Nanomboka nanjaka izy tamin'ny faharoa amby telopolo taonany; nanjaka tao Jerosalema nandritry ny valo taona izy, ary maty tsy nisy mpitomany. Nalevin'izy ireo tao amin'ny tanànan'i Davida izy, fa tsy tao amin'ny fasan'ny mpanjaka.
\s5
\c 22
\p
\v 1 Ireo mponin'i Jerosalema dia nanao an' i Ahazia, faralahin'i Jehorama, ho mpanjaka handimby azy, fa ny tarik'ireo lehilahy izay niaraka tamin'ireo Arabo niditra tao amin'ny toby dia namono ireo zanany lahy lehibe rehetra. Ka dia Ahazia zanaka lahin'i Jehorama, mpanjakan'i Joda, no tonga mpanjaka.
\v 2 Roa amby efa-polo taona i Ahazia raha nanomboka nanjaka; nanjaka herintaona tao Jerosalema izy. Atalia no anaran-dreniny; zanaka vavin'i Omry izy.
\v 3 Nandeha tamin'ny lalan'ny taranak'i Ahaba ihany koa izy satria ny reniny no mpanolotsaina azy tamin'ny fanaovan-dratsy.
\s5
\v 4 Nanao izay ratsy teo imason'i Yaveh i Ahazia, tahaka izay nataon'ny taranak'i Ahaba, satria izy ireo no mpanolotsainy taorian'ny nahafatesan-drainy, ho amin'ny faharavany.
\v 5 Nanaraka ny torohevitr'izy ireo ihany koa izy; nandeha niaraka tamin'i Jorama zanaka lahin'i Ahaba, mpanjakan'Israely izy, mba hiady amin'i Hazaela, mpanjakan'i Syria, tany Ramota-gileada. Nandratra an'i Jorama ireo Syriana.
\s5
\v 6 Niverina tany Jezirela i Jorama mba hanasitranana ny ratra izay nataon'izy ireo taminy tany Rama, tamin'izy niady tamin'i Hazaela, mpanjakan'i Syria. Ka dia nidina tany Jezirela i Ahazia zanaka lahin'i Jehorama, mpanjakan'i Joda, mba hijery an'i Jorama zanaka lahin'i Ahaba, satria naratra i Jorama.
\s5
\v 7 Ary ny faharavan'i Ahazia dia nentin'Andriamanitra tamin'ny famangian'i Ahazia an'i Jorama. Rehefa tonga izy, dia niaraka tamin'i Jehorama mba hanafika an'i Jeho zanaka lahin'i Nimsy, izay efa nofidian'i Yaveh handrava ny taranak'i Ahaba.
\v 8 Ary rehefa nanatanteraka ny fitsaran'Andriamanitra teo amin'ny taranak'i Ahaba i Jeho, dia nahita ireo mpitarika an'i Joda sy ireo zanaka lahin'ny rahalahin'i Ahazia nanompo an'i Ahazia izy. Novonoin'i Jeho izy ireo.
\s5
\v 9 Nitady an'i Ahazia i Jeho; nosamborin'izy ireo tao am-pierena tao Samaria izy, nentina tany amin'i Jeho, ka novonoina izy. Avy eo nalevin'izy ireo izy, fa hoy izy ireo hoe: "Izy dia zanaka lahin'i Josafata, izay nitady an'i Yaveh tamin'ny fony rehetra." Ary dia tsy nanana fahefana hanapaka ny fanjakana intsony ny taranak'i Ahazia.
\s5
\v 10 Ary rehefa hitan'i Atalia, renin'i Ahazia fa maty ny zanany lahy, dia nitsangana izy ary namono ireo zanak'andriana rehetra tao amin'ny taranak'i Joda.
\v 11 Kanefa i Joseba, zanaka vavin'ny mpanjaka, naka an'i Joasy, zanaka lahin'i Ahazia, ary nanala azy teo amin'ireo zanaka lahin'ny mpanjaka izay novonoina. Napetrany tao amin'ny efitrano fatoriana izy sy ny mpitaiza azy. Ary Joseba, zanaka vavin'i Jehorama Mpanjaka, vadin'i Jehoiada mpisorona (fa anabavin'i Ahazia izy), nanafina azy tamin'i Atalia, mba tsy hamonoan'i Atalia azy.
\v 12 Niara-niery tamin'izy ireo tao an-tranon'Andriamanitra nandritry ny enin-taona izy, raha mbola i Atalia no nanjaka teo amin'ny tany.
\s5
\c 23
\p
\v 1 Tamin'ny taona faha-fito, dia nampiseho ny heriny i Joiada ary nanao fifanekena tamin'ireo mpifehy ny an-jatony, dia Azaria zanaka lahin'i Jerohama, Isimaela zanaka lahin'i Johanana, Azaria zanaka lahin'i Obeda, Mahaseia zanaka lahin'i Adaia, ary Elisafata zanaka lahin'i Zikri.
\v 2 Nankany Joda izy ireo ary nanangona ireo Levita avy amin'ireo tanànan'i Joda rehetra, sy ireo loham-pianakavian'Israely, ary tonga tao Jerosalema izy ireo.
\v 3 Nanao fifanekena tamin'ny mpanjaka tao an-tranon'Andriamanitra ny fiangonana rehetra. Hoy Joiada tamin'izy ireo hoe: "Indro, hanjaka ny zanaka lahin'ny mpanjaka, araka ny nolazain'i Yaveh mahakasika ireo taranak'i Davida.
\s5
\v 4 Izao no tsy maintsy ataonareo: ny iray ampahatelonareo mpisorona sy Levita izay tonga hanompo amin'ny Sabata, dia ho mpiambina eo amin'ireo varavarana.
\v 5 Ny ampahatelony hafa any amin'ny tranon'ny mpanjaka, ary ampahatelony hafa any amin'ny Vavahadin'ny Fototra. Ny olona rehetra dia ho any an-kianjan'ny tranon'i Yaveh.
\s5
\v 6 Aza misy olona avela mankao an-tranon'i Yaveh, afa-tsy ireo mpisorona sy Levita izay manompo. Mahazo miditra izy ireo satria voatokana. Fa ny olona hafa rehetra dia tsy maintsy mankatoa ireo didin'i Yaveh.
\v 7 Tsy maintsy mihodidina ny mpanjaka amin'ny lafiny rehetra ireo Levita, ny olona rehetra miaraka amin'ny fitaovam-piadiany eny an-tanany. Na iza na iza miditra ao amin'ilay trano, dia aoka izy ho vonoina. Miaraha amin'ny mpanjaka rehefa miditra sy mivoaka izy."
\s5
\v 8 Noho izany ireo Levita sy Joda rehetra dia nanompo tamin'ny fomba rehetra izay nandidian'i Joiada mpisorona. Samy naka ireo lehilahiny ny tsirairay, ireo izay ho avy hanompo amin'ny Sabata, sy ireo izay handao ny fanompoana amin'ny Sabata, satria Joiada, mpisorona, dia tsy mba nandroaka na iza na iza tamin'ny fizaran'izy ireo.
\v 9 Avy eo Joiada, mpisorona, nitondra lefona ho an'ireo mpifehy sy zanak'apinga kely sy lehibe izay an'i Davida Mpanjaka izay tao an-tranon'Andriamanitra.
\s5
\v 10 Nalahatr'i Joiada ireo miaramila rehetra, ny lehilahy tsirairay samy niaraka tamin'ny fitaovam-piadiany teny an-tanany, avy eo amin'ny ilany havanan'ny tempoly hatrany amin'ny ilany havian'ny tempoly, nanaraka ny alitara sy ny tempoly, nanodidina ny mpanjaka.
\v 11 Dia nentin'izy ireo nivoaka ny zanaka lahin'ny mpanjaka, napetaka teo aminy ny satro-boninahitra, ary nomena azy ny lalàn'ny fanekena. Dia nataon'izy ireo ho mpanjaka izy, ary nanosotra azy i Joiada sy ireo zanany lahy. Dia hoy izy ireo hoe: "Ho ela velona anie ny mpanjaka."
\s5
\v 12 Rehefa ren'i Atalia ny tabataban'ny vahoaka nihazakazaka sy nidera ny mpanjaka, dia nanatona ny vahoaka tao an-tranon'i Yaveh izy.
\v 13 Ary nijery izy, ka indro, nijoro teo akaikin'ny andry teo amin'ny fidirana ny mpanjaka, ary teo anilan'ny mpanjaka ireo mpifehy sy ireo mpitsoka trompetra. Nifaly sy nitsoka trompetra ny olon'ny tany rehetra, ary nitendry zava-maneno sy nitarika ny hira fiderana ireo mpihira. Avy eo Atalia nandrovitra ny akanjony ary nihiaka hoe: "Mpamadika! Mpamadika!"
\s5
\v 14 Avy eo Joiada, mpisorona, nitondra nivoaka ireo mpifehy ny an-jatony izay teo amin'ny tafika ary niteny tamin'izy ireo hoe: "Avoahy eo anelanelan'ny filaharana izy; izay olona manaraka azy, aoka izy ho vonoina amin'ny sabatra." Fa hoy ny mpisorona hoe: "Aza vonoina ao an-tranon'i Yaveh izy."
\v 15 Noho izany dia nanao lalana ho azy izy ireo, ary nandeha tamin'ny lalan'ny Vavahadin-tsoavaly nankany amin'ny tranon'ny mpanjaka izy, ary tany no namonoan'izy ireo azy.
\s5
\v 16 Avy eo Joiada nanao fanekena tamin'ny tenany, sy ny olona rehetra, sy ny mpanjaka, fa tokony ho olon'i Yaveh izy ireo.
\v 17 Noho izany dia niditra tao an-tranon'i Bala ny olona rehetra ary nandrava izany. Nopotipotehin'izy ireo ny alitaran'i Bala sy ireo sariny, ary novonoin'izy ireo teo anoloan'ireo alitara ireo i Matana, mpisoron'i Bala.
\s5
\v 18 Ary Joiada nanendry manam-boninahitra ho an'ny tranon'i Yaveh teo ambany fehin'ireo mpisorona, izay Levita, izay notendren'i Davida ho an'ny tranon'i Yaveh, mba hanolotra fanatitra dorana ho an'i Yaveh, araka ny voasoratra ao amin'ny lalàn'i Mosesy, niara-nifaly sy nihira, araka ny torolalana nomen'i Davida.
\v 19 Nametraka mpiambina teo am-bavahadin'ny tranon'i Yaveh i Joiada, mba tsy hisy na iray izay naloto tamin'ny fomba maro tokony hiditra.
\s5
\v 20 Nentin'i Joiada niaraka taminy ireo mpifehy ny an-jatony, ireo lehilahy manan-kaja, ireo governoran'ny vahoaka, sy ireo olon'ny tany rehetra. Nentiny nidina avy tao amin'ny tranon'i Yaveh ny mpanjaka; nanatona avy eny amin'ny Vavahady Ambony nakany amin'ny tranon'ny mpanjaka ny olona ary nametraka ny mpanjaka ho eo amin'ny seza fiandrianam-panjakana.
\f + \ft Fanamarihana: Ny dika-teny sasany amin'izao fotoana misy hoe: "nentin'izy ireo nidina ny mpanjaka". \f*
\v 21 Koa dia niravoravo ny olona rehetra tao amin'ilay tany, ary nilamina ny tanàna. Raha ny amin'i Atalia, dia novonoin'izy ireo tamin'ny sabatra izy.
\s5
\c 24
\p
\v 1 Fito taona i Joasy rehefa nanomboka nanjaka; nanjaka nandritry ny efapolo taona tao Jerosalema izy. Ny anaran-dreniny dia Zibia, avy any Berisheba.
\v 2 Joasy dia nanao izay marina teo imason'i Yaveh tamin'ny andro rehetra niainan'i Joiada, mpisorona.
\v 3 Naka vady roa ho azy i Joiada, ary niteraka zazalahy sy zazavavy izy.
\s5
\v 4 Taorian'izany, dia tapa-kevitra ny hamerina amin'ny laoniny ny tranon'i Yaveh i Joasy.
\v 5 Nangoniny niaraka ireo mpisorona sy ireo Levita, ary hoy izy tamin'izy ireo hoe: "Mandehana isan-taona any amin'ny tanànan'i Joda ary manangòna vola avy amin'Israely rehetra mba hanamboarana ny tranon'ny Andriamanitrareo. Ataovy azo antoka fa hanomboka avy hatrany ianareo." Tamin'ny voalohany dia tsy nanao na inona na inona ireo Levita.
\s5
\v 6 Ary ny mpanjaka nampiantso an'i Joiada, ilay mpisoronabe, ary niteny taminy hoe: "Nahoana no tsy nasainao nentin'ireo Levita avy tany Joda sy Jerosalema ny hetra izay nangonin'i Mosesy mpanompon'i Yaveh sy ireo fiangonan'Israely, ho amin'ny lain'ny lalàn'ny fanekena?"
\v 7 Fa ireo zanaka lahin'i Atalia, ilay vehivavy ratsy fanahy, namotika ny tranon'Andriamanitra ary nanome ireo zava-masina rehetra tao an-tranon'i Yaveh ho an'ireo Bala.
\s5
\v 8 Ka dia nandidy ny mpanjaka, ary nanamboatra vata izy ireo ary nametraka izany teo ivelan'ny fidirana makao an-tranon'i Yaveh.
\v 9 Rehefa izany dia nanao fanambarana nanerana an'i Joda sy Jerosalema izy ireo, ny mba hitondran'ny vahoaka ho an'i Yaveh ny hetra izay nangonin'i Mosesy mpanompon' Andriamanitra tamin'Israely tany an'efitra.
\v 10 Dia nifaly ireo mpitarika sy ny vahoaka rehetra ka nitondra vola ary nametraka izany tao amin'ireo vata mandra-pahafenon'izy ireo izany.
\s5
\v 11 Isaky ny mitondra ny vata ho any amin'ny manam-boninahitry ny mpanjaka ireo Levita, ary isak'izay hitan'izy ireo fa misy vola betsaka ao anatin'izany, dia tonga ny mpanora-dalàn'ny mpanjaka sy ny manam-boninahitry ny mpisoronabe, ka nanafoana ny vata, sy naka izany ary nitondra izany hiverina ho eo amin'ny toerany. Nanao izany isan'andro isan'andro izy ireo, nanangona vola betsaka.
\v 12 Nomen'ny mpanjaka sy Joiada ho an'ireo izay nanao ny asa fanompoana tao an-tranon'i Yaveh ny vola. Nanakarama mpanao trano sy mpandrafitra ireo lehilahy ireo mba hamerina amin'ny laoniny ny tranon'i Yaveh, ary niasa tao ihany koa ireo mpanefy vy sy varahana.
\s5
\v 13 Dia nisasatra ny mpiasa, ary ny asa fanamboarana dia nandroso teo an-tanan'izy ireo; naorin'izy ireo toy ny endriny tamin'ny voalohany ilay tranon'i Yaveh ary nohamafisiny izany.
\v 14 Rehefa vitan'izy ireo, dia nentiny tany amin'i Joiada sy ny mpanjaka ny ambim-bola. Izany vola izany dia nampiasaina hanaovana fanaka ho an'ny tranon'i Yaveh, ireo kojakoja enti-manompo sy hanaovana fanatitra—sotro sy kojakoja volamena sy volafotsy. Tsy nitsahatra nanolotra fanatitra dorana tao amin'ny tranon'i Yaveh izy ireo tamin'ny andron'i Joiada rehetra.
\s5
\v 15 Niha antitra sy ela andro niainana i Joiada, ary dia maty izy; 130 taona izy no maty.
\v 16 Nalevin'izy ireo tao amin'ny tanànan'i Davida niaraka tamin'ireo mpanjaka izy, satria efa nanao ny tsara tany Israely, tamin'Andriamanitra, ary tamin'ny tranon'Andriamanitra izy.
\s5
\v 17 Ary taorian'ny nahafatesan'i Joiada, dia tonga ireo mpitarik'i Joda ary nankatò ny mpanjaka. Dia nihaino azy ireo ny mpanjaka.
\v 18 Nahafoy ny tranon'i Yaveh, ilay Andriamanitr'ireo razambeny izy ireo, ary nanompo ireo andriamanitra Aseraha sy ireo sampy. Tonga tamin'i Joda sy Jerosalema ny hatezeran'Andriamanitra noho izany fanaovan-dratsin'izy ireo izany.
\v 19 Nefa naniraka mpaminany ho any amin'izy ireo Izy mba hitondra azy ireo hiverina any aminy, Yaveh indray; nijoro vavolombelona hanohitra ny vahoaka ireo mpaminany saingy nandà ny hihaino izy ireo.
\s5
\v 20 Tonga tamin'i Zakaria zanaka lahin'i Joiada, ilay mpisorona ny fanahin'Andriamanitra; nitsangana teo ambonin'ny vahoaka Zakaria ary nilaza tamin'izy ireo hoe: "Izao no lazain'Andriamanitra: nahoana no mandika ireo didin'i Yaveh ianareo, ka tsy mahita fanambinana? Koa satria nahafoy an'i Yaveh ianareo, dia nahafoy anareo ihany koa Izy."
\v 21 Kanefa izy ireo nitetika hanohitra azy; tamin'ireo didin'ny mpanjaka, dia nitora-bato azy teo an-kianjan'ny tranon'i Yaveh izy ireo.
\v 22 Tamin'izany fomba izany, Joasy, mpanjaka, dia tsy niraharaha ny hatsaram-panahy nataon'i Joiada, rain'i Zakaria, taminy. Fa kosa, namono ny zanaka lahin'i Joiada izy. Rehefa maty i Zakaria, dia hoy izy hoe: "Yaveh anie hahita izao ary hamaly anao."
\s5
\v 23 Ary tamin'ny fiafaran'ny taona, dia niakatra hanohitra an'i Joasy ny tafik'i Syria. Tonga tao Joda sy Jerosalema izy ireo; novonoin'izy ireo ny mpitarikin'ny vahoaka rehetra ary nandefa ireo babo rehetra ho any amin'ny mpanjakan'i Damaskosy izy ireo.
\v 24 Ny tafik'ireo Syriana dia tonga niaraka tamin'ny tafika kely, fa Yaveh no nanome azy ireo fandresena teo amin'ireo tafika lehibe dia lehibe, satria nahafoy an'i Yaveh, ilay Andriamanintr'ireo razamben'izy ireo ny Joda. Tamin'izany no nitsaran'ny Syriana an'i Joasy.
\s5
\v 25 Tamin'ny fotoana nandehanan'ireo Syriana, dia efa naratra mafy i Joasy. Ireo mpanompony ihany no nitetika hanohitra azy nohon'ny famonoana ireo zanaka lahin'i Joiada, mpisorona. Novonoin'izy ireo teo ambony fandriany izy, ary dia maty; nalevin'izy ireo tao amin'ny tanànan'i Davida izy, fa tsy tao amin'ny fasan'ireo mpanjaka.
\v 26 Ireto no olona izay nitetika hanohitra azy: dia Zabada zanaka lahin'i Simata, ilay Amonita; ary Jozabada zanaka lahin'i Simrita, ilay Moabita.
\s5
\v 27 Ankehitriny ny mahakasika ny zanany lahy, ny faminaniana lehibe izay nitenenana ny mahakasika azy, sy ny fanorenana indray ny tranon'i Yaveh Andriamanitra, indro, efa voasoratra ao amin'ny bokin'ny Tantaran'ny mpanjaka izany. Amazia zanany lahy, no nanjaka nandimby ny toerany.
\s5
\c 25
\p
\v 1 Dimy amby roapolo taona i Amazia raha nanomboka nanjaka; nanjaka sivy amby roapolo taona tao Jerosalema izy. Joadana no anaran-dreniny, avy ao Jerosalema.
\v 2 Nanao izay marina teo imason'i Yaveh izy, saingy tsy tamin'ny fony manontolo.
\s5
\v 3 Ary nony tafapetraka tsara ny fanjakany, dia namono ireo mpanompo izay namono ny rainy, mpanjaka izy.
\v 4 Kanefa tsy namono ireo zanak'ireo mpamono izy, fa nanao araka izay voasoratra tao amin'ny lalàna, tao amin'ny bokin'i Mosesy, araka ny nandidian'i Yaveh hoe: "Aoka ny ray tsy ho faty nohon'ny zanaka, na ny zanaka maty nohon'ny ray. Fa kosa, tokony ho faty nohon'ny otany ihany ny olona tsirairay."
\s5
\v 5 Koa dia, novorian'i Amazia niaraka ny Joda, ary nandray an-tsoratra ny anaran'izy ireo araka ny taranaky ny razambeny avy, teo ambanin'ireo mpifehy ny arivo sy mpifehy ny zato—Joda sy Benjamina rehetra. Nisainy nanomboka tamin'ny roapolo taona no miakatra izy ireo, ary 300 000 ireo lehilahy voafantina, afaka mandeha an'ady, izay afaka mitàna lefona sy ampinga.
\v 6 Nanakarama lehilahy mpiady 100 000 avy tamin' Israely ihany koa izy tamin'ny talenta volafotsy zato.
\s5
\v 7 Fa nisy lehilahin'Andriamanitra iray tonga teo aminy ary nanao hoe: "Ry mpanjaka, aza avela hiaraka aminao ny tafik'Israely, satria Yaveh tsy momba ny Israely—na ny vahoakan'i Efraima.
\v 8 Kanefa na dia mandeha sy mahery fo ary mahery an'ady aza ianao, dia handavo anao eo anatrehan'ny fahavalonao Andriamanitra, satria Andriamanitra dia manana fahefana hanampy, sy fahefana handavo."
\s5
\v 9 Dia hoy Amazia tamin'ilay lehilahin'Andriamanitra hoe: "Koa inona izany no ataonay momba ireo talenta zato izay efa nomeko ho an'ny tafik'Israely?" Ilay lehilahin'Andriamanitra namaly hoe: "Yaveh dia afaka manome anao maro mihoatra noho izany."
\v 10 Ka dia nosarahan'i Amazia ny tafika avy taminy sy ny avy tamin'i Efraima; ary nasainy nody indray izy ireo. Koa nirehitra mafy tamin'i Joda ny hatezeran'izy ireo, ary dia nody tamin-katezerana mafy izy ireo.
\s5
\v 11 Ary Amazia nanana herim-po ary nitarika ny vahoakany nivoaka ny Lohasahan-tsira; tao no nandreseny ireo lehilahy iray alina avy any Seira.
\v 12 Nisambo-belona ireo iray alina hafa ny tafik'i Joda. Nentin'izy ireo tany an-tampon'ny haram-bato izy ireo ary navariny avy teny, mba hamotipotehana azy ireo rehetra.
\s5
\v 13 Fa ireo lehilahin'ny tafika izay naverin'i Amazia, mba tsy handehanan'izy ireo miaraka aminy any an'ady, dia nanafika ireo tanànan'i Joda hatrany Samaria ka hatrany Beti-horona. Nandavo vahoaka telo arivo sy naka babo maro izy ireo.
\s5
\v 14 Ary rehefa tafaverina avy tamin'ny famonoana ny Edomita i Amazia, dia nitondra ireo andriamanitry ny vahoakan'i Seira, sy nametraka azy ireo mba ho andriamaniny manokana izy. Niankohoka teo anoloan'ireo izy ary nandoro ditin-kazo manitra ho an'ireo.
\v 15 Noho izany dia nirehitra tamin'i Amazia ny hatezeran'i Yaveh. Nandefa mpaminany ho any aminy Izy, izay nanao hoe: "Nahoana ianao no nitady ireo andriamanitry ny vahoaka izay tsy nahavonjy ireo vahoakany teo an-tananao akory?"
\s5
\v 16 Ary raha mbola niresaka taminy ny mpaminany, dia hoy ny mpanjaka taminy hoe: "Moa ve izahay efa nanao anao ho mpanolo-tsain'ny mpanjaka? Aoka izay! Nahoana ianao no tokony ho vonoina?" Ary dia nijanona ilay mpaminany ary nanao hoe: "Fantatro fa efa nanapa-kevitra ny handrava anao Andriamanitra satria nanao izany asa izany ianao ary tsy nihaino ny torohevitro."
\s5
\v 17 Ary dia nila hevitra tamin'ireo mpanolo-tsaina i Amazia, mpanjakan'i Joda ary naniraka mpitondra hafatra tany amin'i Joasy zanaka lahin'i Johaza zanaka lahin'i Jeho, mpanjakan'Israely, nanao hoe: "Avia, aoka isika hifanatri-tava amin'ny ady."
\s5
\v 18 Kanefa i Joasy mpanjakan'Israely namerina ireo mpitondra hafatra ho any amin'i Amazia mpanjakan'i Joda, nanao hoe: "Tsilo iray tany Libanona nandefa hafatra tamina sedera iray tany Libanona, nanao hoe: 'Omeo ho vadin'ny zanako lahy ny zanakao vavy,' kanefa nisy bibidia iray avy tany Libanona nandeha teo ary nanosihosy ilay tsilo.
\v 19 Ianao efa nanao hoe: 'Indro, efa nandavo an'i Edoma aho,' ary ny fonao no nampirehareha anao. Mireharehava amin'ny fandresenao, nefa mitoera ihany any an-trano, fa nahoana ianao no tokony hiteraka korontana sy fahalavoana, ho an'ny tenanao sy Joda miaraka aminao?"
\s5
\v 20 Saingy tsy nihaino Amazia, satria avy tamin'Andriamanitra izany tranga izany, mba hahafahany manolotra ny vahoakan'i Joda ho eo an-tanan'ireo fahavalony, satria efa nitady hevitra avy tamin'ireo andriamanitr'i Edoma izy ireo.
\v 21 Ka dia nanafika i Joasy, mpanjakan'i Israely; izy sy Amazia, mpanjakan'i Joda, dia nifanatri-tava tao Beti-semesy, izay an'i Joda.
\v 22 Lavo teo anatrehan'Israely ny Joda, ary nitsoaka nody ny lehilahy rehetra.
\s5
\v 23 Joasy, mpanjakan'Israely, dia nisambotra an'i Amazia zanaka lahin'i Joasy zanaka lahin'i Ahazia, mpanjakan'i Joda, tao Beti-semesy. Nentiny tany Jerosalema izy ary nandrotika ny mandan'i Jerosalema hatrany amin'ny Vavahady Efraima ka hatrany amin'ny Vavahady an-Jorony, izay nielanelana efajato hakiho.
\v 24 Nalainy avokoa ny volamena sy ny volafotsy rehetra, ny zavatra rehetra izay hita tao an-tranon'Andriamanitra niaraka tamin'i Obed-edoma, ary ireo zavatra nanan-danja tao an-tranon'ny mpanjaka, niaraka tamin'ireo takalon'aina ihany koa, ary dia niverina tany Samaria.
\s5
\v 25 Amazia zanaka lahin'i Joasy, mpanjakan'i Joda, dia niaina dimy ambin'ny folo taona taorian'ny nahafatesan'i Joasy, zanaka lahin'i Joahaza, mpanjakan'Israely.
\v 26 Raha ny amin'ireo raharaha hafa mahakasika an'i Amazia, ny voalohany sy ny farany, indro, moa ve izy ireo tsy efa voasoratra tao anatin'ny bokin'ireo mpajakan'i Joda sy Israely?
\s5
\v 27 Ary nanomboka tamin'ny fotoana izay nivilian'i Amazia tamin'ny fanarahana an'i Yaveh, dia nanomboka nanao tetika hanoherana azy tany Jerosalema izy ireo. Nandositra tany Lakisy izy, kanefa izy ireo naniraka lehilahy nanaraka azy tany Lakisy ary namono azy tany.
\v 28 Nentin'izy ireo niverina tamin'ny soavaly izy ary nandevina azy niaraka tamin'ireo razambeny tao an-Tanànan'i Joda.
\s5
\c 26
\p
\v 1 Ny vahoakan'i Joda rehetra naka an'i Ozia, izay enina ambin'ny folo taona, ary nanao azy ho mpanjaka eo amin'ny toeran'i Amazia rainy.
\v 2 Izy no nanorina indray an'i Elota ary namerina nanorina izany ho an'i Joda. Taorian'izay dia nodimandry tany amin'ireo razambeny ny mpanjaka.
\v 3 Enina ambin'ny folo taona i Ozia no nanomboka nanjaka. Nanjaka nandritry ny roa amby dimam-polo taona tao Jerosalema izy. Jekolia no anaran-dreniny; avy any Jerosalema izy.
\s5
\v 4 Nanao izay marina teo imason'i Yaveh izy, nanaraka ny ohatra nomen'i Amazia, rainy, tamin'ny zava-drehetra.
\v 5 Nanolotra ny tenany mba hitady an'Andriamanitra tamin'ny andron'i Zakaria, izay nanome azy ireo torolalana tamin'ny fankatoavana an'Andriamanitra izy. Raha mbola nitady an'i Yaveh izy, dia nanambina azy Andriamanitra.
\s5
\v 6 Nivoaka i Ozia ary niady tamin'ny Filistina. Noravainy ny mandan'ny tanàna tao Gata, Jabne ary Asdoda; nanorina tanàn-dehibe tao amin'ny tanànan'i Asdoda sy teo amin'ireo Filistina izy.
\v 7 Nampin' Andriamanitra nanohitra an'ireo Filistina izy, nanohitra ny Arabo izay nonina tao Gorabala, ary nanohitra ireo Meonita.
\v 8 Nandoa fanomezam-boninahitra ho an'i Ozia ny Amonita, ary niely ny lazany, na dia hatrany amin'ny fidiran'i Egypta aza, satria nihanatanjaka izy.
\s5
\v 9 Fanampin'izany, nanorina tilikambo tao Jerosalema i Ozia izay teo amin'ny Vavahady an-jorony, teo amin'ny Vavahadin-Dohasaha, sy teo amin'ny fiodinan'ny manda, ary nanamafy orina ireo.
\v 10 Nanorina tilikambo fiambenana tany an'efitra izy ary nangady fitoeran-drano maro, satria nanana biby fiompy maro izy, tany amin'ny tany lemaka sy tany amin'ny iva. Nanana mpiompy sy mpamboly voaloboka tany amin'ny firenena sy tany amin'ny tany havoana sy tany amin'ny saha mamokatra izy, satria tiany ny fiompiana sy fambolena.
\s5
\v 11 Fanampin'izany, nanana tafika lehilahy mpiady i Ozia izay nivoaka isam-bondrona mba hiady izay voalamina araka ny isany izay nisain'i Jeiela, mpanora-dalàna, sy Mahaseia, manam-pahefana, teo ambany fahefan'i Hanania, iray tamin'ireo mpifehin'ny mpanjaka.
\v 12 Ny fitambaran'ny isan'ireo lohan'ny fianakavian-drazana, lehilahy mpiady, dia 2 600.
\v 13 Teo ambany fahefan'izy ireo dia nisy tafika 307 500 lehilahy izay niady tamin-kery lehibe mba hanampy ny mpanjaka hanohitra ny fahavalo.
\s5
\v 14 Nomanin'i Ozia ho an'izy ireo—ho an'ny tafika rehetra—ireo apinga, lefona, fiarovan-doha, fiarovan-tratra vy, tsipìka, sy vato ampiasaina amin'ny antsamotady.
\v 15 Nanamboarany milina maro tao Jerosalema, izay noforonin'ireo lehilahy manam-pahaizana, natao teny amin'ny tilikambo sy teny an-dohan'ny manda, izay andefasana zana-tsipìka sy vato lehibe. Niely hatrany amin'ny tany lavitra ny lazany, satria nahazo fanampiana goavana izy mandra-pahatongany ho tena mahery.
\s5
\v 16 Fa rehefa niha-natanjaka i Ozia, dia nieboebo ny fony ka nanao ny tsy marina izy; nivadika tamin'i Yaveh, Andriamaniny izy, satria nankao an-tranon'i Yaveh mba handoro ditin-kazo manitra teo amin'ny alitaran'ny ditin-kazo manitra.
\v 17 Azaria, mpisorona, dia niditra nanaraka azy, mbamin'ny mpisoron'i Yaveh valo-polo, izay lehilahy be herim-po.
\v 18 Nanohitra an'i Ozia, mpanjaka izy ireo, ary niteny taminy hoe: "Tsy anjaranao, ry Ozia, no mandoro ny ditin-kazo manitra ho an'i Yaveh, fa an'ireo mpisorona, ireo zanaka lahin' i Arona, izay voamasina no mandoro ny ditin-kazo manitra. Mivoaha tao amin'ny fitoerana masina, fa tsy nahatoky ianao ary tsy homen'i Yaveh Andriamanitra voninahitra.
\s5
\v 19 Dia tezitra i Ozia. Nihazona lovia teny an-tanany izy mba handorana ny ditin-kazo manitra. Ary raha mbola tezitra tamin'ny mpisorona izy, dia nisy habokana nipoitra teo amin'ny handriny nanoloana ireo mpisorona tao an-tranon' i Yaveh, teo anilan'ilay alitara ho an'ny ditin-kazo manitra.
\v 20 Azaria mpisoronabe sy ireo mpisorona rehetra dia nijery azy, ary, indro, tonga boka teo amin'ny handriny izy. Noroahin'izy ireo faingana teo izy. Ka dia nivoaka faingana tokoa izy, satria namely azy Yaveh.
\s5
\v 21 Ozia, mpanjaka, dia boka mandra-pahafatiny ka nipetraka tao amin'ny fonenana mitokana hatramin'ny nahaboka azy, satria nesorina tao amin'ny tranon'i Yaveh izy. Jotama, zanany lahy, no tao an-dapan'ny mpanjaka ary nanapaka ny vahoakan'ny tany.
\s5
\v 22 Ary raha ny amin'ny raharaha hafa mahakasika an'i Ozia, voalohany ary farany, dia ao amin'izay nosoratan'Isaia zanak'i Amosa, mpaminany.
\v 23 Ary nodimandry tany amin'ny razambeny i Ozia; nalevin'izy ireo niaraka tamin'ireo razambeny tao amin'ny tany fandevenana izay an'ireo mpanjaka izy, fa hoy izy ireo hoe: "Boka izy." Jotama, zanany lahy, no lasa mpanjaka nandimby ny toerany.
\s5
\c 27
\p
\v 1 Dimy amby roapolo taona i Jotama raha nanomboka nanjaka; nanjaka enina ambin'ny folo taona tany Jerosalema izy. Jerosa no anaran-dreniny; zanaka vavin'i Zadoka izy.
\v 2 Nanao izay marina teo imason'i Yaveh izy, nanaraka ny ohatra nataon-drainy, dia i Ozia, tamin'ny zavatra rehetra. Nitsahatra tamin'ny fidirana tao an-tempolin'i Yaveh ihany koa izy. Kanefa mbola nitondra tena tamin'ny fomba ratsy ihany ny vahoaka.
\s5
\v 3 Nanamboatra ny vavahady ambonin'ny tranon'i Yaveh izy, ary nanamboatra betsaka teo amin'ny havoan'i Ofela.
\v 4 Fanampin'izany dia nanamboatra tanàna tany amin'ny tany havoan'i Joda, sy nanamboatra rova sy tilikambo tany amin'ireo ala izy.
\s5
\v 5 Niady tamin'ny mpanjakan'ny vahoakan'i Amona ihany koa izy ary nandresy azy ireo. Tamin'izany taona izany ihany, no nanomezan'ny vahoakan'i Amona azy talenta volafotsy zato, vary tritrika iray alina fatra, vary hordea iray alina fatra. Nomen'ny vahoakan'i Amona azy tahaka izany ihany izy ny taona faharoa sy fahatelo.
\s5
\v 6 Koa dia nihanahery i Jotama satria nandeha nahitsy teo anoloan'i Yaveh Andriamaniny.
\v 7 Ary ny amin'ireo raharaha hafa mahakasika an'i Jotama, ny adiny rehetra, ary ireo lalany, indro, voasoratra ao amin'ny bokin'ireo mpanjakan'Israely sy Joda izany.
\s5
\v 8 Dimy amby roapolo taona izy raha nanomboka nanjaka; nanjaka nandritry ny enina ambin'ny folo taona tao Jerosalema izy.
\v 9 Nodimandry tany amin'ireo razambeny i Jotama, ary nalevin'izy ireo tao an-tanànan'i Davida izy. Ahaza, zanany lahy, no tonga mpanjaka nandimby ny toerany.
\s5
\c 28
\p
\v 1 Roapolo taona i Ahaza no nanomboka nanjaka, ary nanjaka enina ambin'ny folo taona tao Jerosalema izy. Tsy nanao izay marina teo imason'i Yaveh izy, tahaka ny nataon'i Davida razambeny.
\v 2 Fa kosa, nandeha tamin'ny lalan'ireo mpanjakan'Israely izy; nanamboatra sarin-javatra araraka ho an'ireo Bala ihany koa izy.
\s5
\v 3 Fanampin'izany, nandoro emboka manitra tao amin'ny Lohasahan'i Bena-hinoma izy ary nandefa ireo zanany tao anaty afo, araka ireo asa fanompoan-tsampin'ny olona izay noteren'i Yaveh hiala tamin'ny taniny talohan'ny vahoakan'Israely.
\v 4 Nanao sorona sy nandoro ditin-kazo manitra tao amin'ny fitoerana avo sy teny amin'ireo havoana ary tany ambanin'ny hazo maitso rehetra izy.
\s5
\v 5 Noho izany Yaveh Andriamanitr'i Ahaza, dia nanolotra azy teo an-tanan'ny mpanjakan'i Syria. Nandresy azy ny Syriana ary nitondra vahoaka gadra marobe niala teo aminy, nitondra azy ireo nankany Damaskosy. Natolotra teo an-tanan'ny mpanjakan'Israely izay nandresy azy tamin'ny famonoana lehibe ihany koa Ahaza.
\v 6 Fa Peka zanaka lahin'i Remalia, dia namono miaramila 120 000 tao Joda tao anatin'ny iray andro, lehilahy be herim-po avokoa izy rehetra, satria izy ireo dia nahafoy an'i Yaveh, ilay Andriamanitry ny razamben'izy ireo.
\s5
\v 7 Zikry, lehilahy mahery iray avy any Efraima, namono an'i Mahaseia zanaka lahin'ny mpanjaka, Azrikama, manam-pahefana eo amin'ny lapa, ary i Elkana, izay akaiky ny mpanjaka.
\v 8 Ny tafik'Israely dia naka babo 200 000 vady, zanaka lahy, ary zanaka vavy avy tamin'ireo havan'izy ireo. Naka babo maro be ihany koa izy ireo, izay nentiny niverina tany Samaria.
\s5
\v 9 Fa nisy mpaminanin'i Yaveh iray tany, Obeda no anarany. Nivoaka mba hitsena ny tafika izay tonga avy any Samaria izy. Hoy izy tamin'izy ireo hoe: "Satria Yaveh, ilay Andriamanitry ny razambenareo, tezitra tamin'i Joda, dia nanolotra azy ireo teo an-tananareo Izy. Fa namono azy ireo tamin-katezerana izay mahatakatra ny lanitra ianareo.
\v 10 Ary mihevitra ny hihazona ireo lehilahy sy vehivavin'i Joda sy Jerosalema ho andevonareo ianareo. Fa moa ve ianareo tsy meloka tamin'ireo fahotanareo tamin'i Yaveh Andriamanitrareo?
\v 11 Koa ankehitriny, mihainoa ahy: Alefaso ireo gadra, izay nalainareo tamin'ireo rahalahinareo, fa mirehitra aminareo ny hatezeran'i Yaveh."
\s5
\v 12 Ary ireo mpitarika ny vahoakan'i Efraima sasany—Azaria zanaka lahin'i Johanana, Berekia zanaka lahin'i Mesilemota, Jehizkia zanaka lahin'i Saloma, ary i Amasa zanaka lahin'i Hadlay, nitsangana hanohitra ireo izay niverina avy tany amin'ny ady.
\v 13 Hoy izy ireo tamin'izy ireo hoe: "Aoka tsy hitondra ireo gadra aty ianareo, satria mitady hitondra zavatra izay hampanota anay hanohitra an'i Yaveh ianareo, mba hanampy ireo otanay sy ireo fahadisoanay, fa lehibe ny fahadisoanay, ary misy firehetan-katezerana amin'Israely."
\s5
\v 14 Koa namela ireo gadra sy ireo babo teo anatrehan'ireo mpitarika sy fivondronana rehetra ireo lehilahy mitam-piadiana.
\v 15 Niarina ireo lehilahy izay voatendry tamin'ny anarana ary naka ireo gadra, sy nampiakanjo ireo rehetra tsy nitafy teo amin'izy ireo niaraka tamin'ireo babo. Nampiakanjoan'izy ireo ireny ary nomeny kapa. Nomen'izy ireo sakafo hohanina sy zava-pisotro izy ireo. Nitsabo ny ratran'izy ireo ary nametraka ireo malemy teo ambony boriky izy ireo. Nentin'izy ireo niverina tany amin'ny fianakaviany tany Jeriko izy ireo, (antsoina hoe Tanànan'ny Palma). Avy eo dia niverina tany Samaria izy ireo.
\s5
\v 16 Tamin'izany fotoana izany Ahaza Mpanjaka dia nandefa mpitondra hafatra tany amin'ireo mpanjakan'i Asyria mba hangataka azy ireo hanampy azy.
\v 17 Satria mbola tonga indray ireo Edomita ary nanafika an'i Joda, nitondra an'ireo gadra.
\v 18 Ireo Filistina ihany koa dia nanafika ireo tanànan'ireo tany lemaka sy ny an'i Negeva ao Joda. Nalain'izy ireo i Beti-semesy, Aialona, Gederota, ary Soko sy ireo zana-bohiny, Timna sy ireo zana-bohiny, ary Gimzo sy ireo zana-bohiny ihany koa. Nandeha nipetraka tany amin'ireo toerana ireo izy ireo.
\s5
\v 19 Fa i Yaveh nampietry an'i Joda noho i Ahaza, mpanjakan'Israely, satria izy nanao ratsy tao Joda sy nanota mafy dia mafy tamin'i Yaveh tokoa.
\v 20 Tiglato-pilesera, mpanjakan'i Asyria, dia tonga teo aminy ary nanakorontana azy raha tokony nankahery azy.
\v 21 Fa i Ahaza dia nambabo ny tranon'i Yaveh sy ireo ankohonan'ny mpanjaka ary ireo mpitarika, mba hanome zava-tsarobidy ho an'ireo mpanjakan'i Asyria. Saingy tsy nahazoany tombony ny fanaovana izany.
\s5
\v 22 Io Ahaza Mpanjaka io ihany no nanohitra bebe kokoa an'i Yaveh tamin'ny fotoan'ny fahoriany.
\v 23 Satria nanao sorona tamin'ireo andriamanitr'i Damaskosy izy, andriamanitra izay efa nandresy azy. Hoy izy hoe: "Satria nanampy azy ireo ny andriamanitr'ireo mpanjakan'i Syria, dia hisorona ho azy ireo aho, mba hanampy ahy izy ireo." Kanefa faharavana ho azy sy Israely rehetra izy ireo.
\s5
\v 24 Nangonin'i Ahaza ireo fanaka tao amin'ny tranon'Andriamanitra ary nokapakapainy. Nakatony ireo varavaran'ny tranon'i Yaveh ary nanao alitara ho azy teo amin'ny zoron'i Jerosalema rehetra izy.
\v 25 Tany amin'ny tanànan'i Joda rehetra no nanaovany fitoerana avo mba handorana sorona ho an'ireo andriamani-kafa. Niantsy an'i Yaveh, ilay Andriamanitr'ireo razambeny izy.
\s5
\v 26 Ary ny sisa tamin'ireo asany, sy ireo lalany rehetra, voalohany ary farany, dia indro, efa voasoratra ao amin'ny bokin'ireo mpanjakan'i Joda sy Israely.
\v 27 Nodimandry tany amin'ireo razambeny i Ahaza, ary nalevin'izy ireo tao amin'ny tanàna, tao Jerosalema izy, fa tsy nentin'izy ireo tany amin'ny fasan'ireo mpanjakan'Israely. Hezekia, ilay zanany lahy, no lasa mpanjaka teo amin'ny toerany.
\s5
\c 29
\p
\v 1 Nanomboka nanjaka i Hezekia tamin'ny fahadimy amby roapolo taonany; nanjaka nandritry ny sivy amby roapolo taona tany Jerosalema izy. Ny anaran-dreniny dia Abia; zanaka vavin'i Zakaria.
\v 2 Nanao izay marina teo imason'i Yaveh izy, tahaka ny efa nataon'i Davida rainy.
\s5
\v 3 Tamin'ny taona voalohany nanjakany, tamin'ny volana voalohany, dia nanokatra ireo varavaran'ny tranon'i Yaveh i Hezekia ary namboatra ireo.
\v 4 Nampiditra ireo mpisorona sy ireo Levita izy, ary namory azy ireo niaraka tao amin'ny kianja tamin'ny ilany atsinanana.
\v 5 Hoy izy tamin'izy ireo hoe: "Mihainoa ahy, ianareo Levita! Amasino ny tenanareo, ary amasino ny tranon'i Yaveh, ilay Andriamanitry ny razambenareo, ary esory hiala amin'ny fitoerana masina ny fahalotoana.
\s5
\v 6 Fa nanota ireo razambentsika ary nanao izay ratsy teo imason'i Yaveh Andriamanintsika; nahafoy Azy izy ireo, nampihodina ny tavan'izy ireo niala tamin'ny toerana izay honenan'i Yaveh, ary nampitodika ny lamosin'izy ireo ho amin'izany.
\v 7 Nohidian'izy ireo ihany koa ireo varavaran'ny lavarangana ary novonoiny ny jiro; tsy nandoro ditin-kazo manitra izy ireo na fanatitra dorana tao amin'ny toerana masina ho an'ilay Andriamanitr'Israely.
\s5
\v 8 Noho izany dia nilatsaka teo amin'i Joda sy Jerosalema ny hatezeran'i Yaveh, ary nataony toy ny zavatra fampihorohoroana, fampitahorana, sy fanalam-baraka izy ireo, araka ny hitanareo amin'ny masonareo.
\v 9 Izany no antony nahalavo ireo raintsika tamin'ny sabatra, sy nahababo ireo zanantsika lahy, sy ireo zanantsika vavy, ary ireo vadintsika.
\s5
\v 10 Ankehitriny dia ato am-poko ny hanao fanekena amin'i Yaveh, ilay Andriamanitr'Israely, mba hialan'ny fahatezerany mirehitra amintsika.
\v 11 Ry zanako, aza malaina izao, satria Yaveh efa nifidy anareo mba hitsangana eo anoloany, mba hanompo Azy, ary mba ho mpanompony sy ho emboka manitra."
\s5
\v 12 Avy eo dia nitsangana ireo Levita: dia Mahata zanaka lahin'i Amasay, sy Joela zanaka lahin'i Azaria, avy amin'ny olon'ireo Kohalita; ary ireo olon'i Merary, Kisy zanaka lahin'i Abdia, sy Azaria zanaka lahin'i Jehalalila; ary ireo Gersonita, Joa zanaka lahin'i Zima, ary Edena zanaka lahin'i Joa;
\v 13 avy amin'ireo zanaka lahin'i Elizafana, Simry sy Jeiela; ary avy amin'ireo zanaka lahin'i Asafa, Zakaria ary Matania;
\v 14 avy amin'ny zanaka lahin'i Hemana, Jehiela ary Simei; ary avy amin'ny zanaka lahin'i Jedotona, Semaia ary Oziela.
\s5
\v 15 Namory ireo rahalahiny izy ireo, ary nanamasina ny tenany, ka niditra, araka ny nandidian'ny mpanjaka, tamin'ny fanarahana ireo tenin'i Yaveh, mba hanadio ny tranon'i Yaveh.
\v 16 Niditra tao amin'ny efitra anatin'ny tranon'i Yaveh ireo mpisorona mba hanadio izany; nentin'izy ireo nivoaka ny loto rehetra izay hitany tao an-tempolin'i Yaveh tao an-kianjan'ny trano. Nalain'ireo Levita izany mba hanalana izany ao an-dohasahan-driakan'i Kidrona.
\v 17 Ary natombok'izy ireo ny fanamasinana tamin'ny andro voalohan'ny volana voalohany. Ary tamin'ny andro fahavalon'ny volana dia nihazo teo amin'ny lavarangan'i Yaveh izy ireo. Ary nandritry ny valo andro hafa ihany koa dia nanamasina ny tranon'i Yaveh izy ireo. Tamin'ny andro fahenina ambin'ny folon'ny volana voalohany dia vitan'izy ireo izany.
\s5
\v 18 Avy eo izy ireo nandeha tany amin'i Hezekia, ilay mpanjaka, tao amin'ny lapa ary niteny hoe: "Efa nanadio ny tranon'i Yaveh manontolo izahay, ny alitara ho an'ireo fanatitra dorana miaraka amin'ny fampiharany rehetra, sy ny latabatry ny mofon'ny fanatrehana, miaraka amin'ny fampiharany rehetra.
\v 19 Koa efa niomana izahay ary efa nohamasininay ireo fitaovana rehetra izay nesorin'i Ahaza mpanjaka fony niasa tsy am-pahatokiana nandritry ny fanjakany izy. Indro, eo anatrehan'ny alitaran'i Yaveh ireo."
\s5
\v 20 Avy eo Hezekia mpanjaka nifoha maraina ary namory ireo mpitariky ny tanàna; nandeha niakatra tany amin'ny tranon'i Yaveh izy.
\v 21 Nitondra omby lahy fito, ondrilahy fito, zanak'ondry fito, ary osilahy fito ho fanatitra nohon'ny ota ho an'ny fanjakana, ho an'ny fitoerana masina, ary ho an'i Joda izy ireo. Nandidy an'ireo mpisorona, ireo zanaka lahin'i Arona izy, mba hanatitra ireo eo amin'ny alitaran'i Yaveh.
\s5
\v 22 Koa dia novonoin'izy ireo ny omby, ary noraisin'ireo mpisorona ny rà ka nafafiny teo amin'ny alitara. Novonoin'izy ireo ny ondry lahy ary nafafiny teo amin'ny alitara ny rà; novonoin'izy ireo ihany koa ireo zanak'ondry ary nafafiny teo amin'ny alitara ny rà.
\v 23 Nentin'izy ireo teo anoloan'ny mpanjaka sy ny fivondronana ireo osilahy ho fanatitra nohon'ny ota; napetrak'izy ireo teo amin'izany ny tanany.
\v 24 Novonoin'ireo mpisorona izany, ary nanao fanatitra nohon'ny ota tamin'ny ràn'ireo teo amin'ny alitara mba hanaovana fanavotana ho an'Israely izy ireo, satria nandidy ny mpanjaka fa tokony hisy fanatitra dorana sy fanatitra nohon'ny ota hatao ho an'Israely manontolo.
\s5
\v 25 Napetrak'i Hezekia tao amin'ny tranon'i Yaveh niaraka tamin'ny kipantsona, harpa, ary lokanga ireo Levita, nalahany araka ny baikon'i Davida, Gada, ilay mpahitan'ny mpanjaka, sy Natana, ilay mpaminany, satria avy amin'i Yaveh tamin'ny alalan'ireo mpaminaniny ny baiko.
\v 26 Nijoro niaraka tamin'ireo zava-manenon'i Davida ireo Levita, ary ireo mpisorona niaraka tamin'ireo trompetra.
\s5
\v 27 Nandidy azy ireo mba hanolotra ilay fanatitra dorana ho eo amin'ny alitara i Hezekia. Rehefa nanomboka ny fanatitra dorana, dia nanomboka ihany koa ny hiran'i Yaveh, niaraka tamin'ireo trompetra, mbamin'ireo zava-manenon'i Davida, mpanjakan'Israely.
\v 28 Nihoby avokoa ny fiangonana rehetra, nihira ireo mpihira, ary nitsoka ireo mpampaneno trompetra; nitohy hatrany ireo rehetra ireo ambara-pahavitan'ny fanatitra dorana.
\s5
\v 29 Rehefa vitan'izy ireo ny fanatitra, dia niankohoka sy nitsaoka ny mpanjaka sy ireo rehetra izay nanatrika niaraka taminy.
\v 30 Ankoatra izany, Hezekia, ilay mpanjaka, sy ireo mpitarika dia nandidy an'ireo Levita mba hihira fiderana ho an'i Yaveh tamin'ny tenin'i Davida sy Asafa mpahita. Nihira fiderana tamim-pifaliana izy ireo, ary niankohoka sy nidera.
\s5
\v 31 Dia hoy Hezekia hoe: "Ankehitriny dia nanamasina ny tenanareo ho an'i Yaveh ianareo. Avia eto ka ento ho ao an-tranon'i Yaveh ireo sorona sy ireo fanati-pisaorana." Nentin'ny fiangonana ireo sorona sy ireo fanati-pisaorana, ary ireo rehetra izay nanana fo feno finiavana dia nitondra fanatitra dorana.
\s5
\v 32 Ombilahy fitopolo, ondrilahy zato, ary zanak'ondry lahy roanjato no isan'ireo fanatitra dorana nentin'ny fiangonana. Ho fanatitra dorana ho an'i Yaveh avokoa ireo rehetra ireo.
\v 33 Omby eninjato sy ondry telo arivo ireo fanatitra voahasina.
\s5
\v 34 Fa vitsy loatra ireo mpisorona raha hanendaka ny hoditr'ireo fanatitra dorana, ka dia nanampy azy ireo ny rahalahiny, ireo Levita, ambara-pahavitan'ny asa, ary ambara-pahafahan'ireo mpisorona nanamasina ny tenan'izy ireo, fa nitandrina ny hanamasina ny tenan'izy ireo kokoa noho ireo mpisorona ireo Levita.
\s5
\v 35 Fanampin'izany, dia nisy fanatitra dorana maro be; nampiarahana tamin'ny saboran'ny fanati-pihombonana ireo, ary nisy fanatitra sotroina ho an'ny fanatitra dorana rehetra. Koa dia nilamina tsara ny fanompoana tao an-tranon'i Yaveh.
\v 36 Niravoravo Hezekia, ary ny vahoaka rehetra ihany koa, noho izay efa nomanin'Andriamanitra ho an'ny olona, satria vita vetivety ny asa.
\s5
\c 30
\p
\v 1 Nandefa iraka tamin'Israely sy Joda rehetra i Hezekia, ary koa nanoratra taratasy ho an'i Efraima sy Manase, fa tokony ho tonga ao an-tranon'i Yaveh any Jerosalema izy ireo, mba hankalaza ny Paska ho an'i Yaveh, ilay Andriamanitr'Israely.
\v 2 Fa ny mpanjaka, ireo mpitariny, sy ny fiangonana rehetra tany Jerosalema dia niara-nihevitra, nanapa-kevitra ny hankalaza ny Paska amin'ny volana faharoa.
\v 3 Tsy afaka nankalaza izany teo no ho eo anefa izy ireo, satria tsy ampy ireo mpisorona izay nanamasina ny tenan'izy ireo, na ny olona izay niara nivory tany Jerosalema.
\s5
\v 4 Toa marina teo imason'ny mpanjaka sy ny fiangonana rehetra izany tolo-kevitra izany.
\v 5 Ka nanaiky ny hanao fanambarana manerana an'Israely manontolo izy ireo, hatrany Beriseba ka hatrany Dana, fa ny vahoaka dia tokony ho tonga hankalaza ny Paska ho an'i Yaveh, ilay Andriamanitr'Israely, tao Jerosalema. Fa izy ireo dia tsy nitandrina izany niaraka tamin'ny vahoaka maro an'isa, araka izay voasoratra.
\s5
\v 6 Noho izany ireo iraka dia nandeha nitondra ny taratasy avy amin'ny mpanjaka sy ireo mpitariny nanerana an'Israely sy Joda rehetra, araka ny baikon'ny mpanjaka. Hoy izy ireo hoe: "Ianareo vahoakan'Israely, miverena amin'i Yaveh, ilay Andriamanitr'i Abrahama, Isaka, ary Israely, mba hiverenany amin'ny sisa tavela aminareo izay tafatsoaka avy teo an-tanan'ireo mpanjakan'i Asyria.
\s5
\v 7 Aoka ianareo tsy hitovy amin'ny razambenareo na ny rahalahinareo, izay nanota tamin'i Yaveh, ilay Andriamanitry ny razamben'izy ireo, ka nandringanany azy ireo, araka ny hitanareo.
\v 8 Ary aza mafy loha, tahaka ireo razambenareo; fa kosa, manolora tena ho an'i Yaveh ianareo ary midira ao amin'ny fitoerany masina, izay efa nohamasininy mandrakizay, ary manompoa an'i Yaveh Andriamanitrareo mba hiala aminareo ny firehetan'ny hatezerany.
\v 9 Fa raha miverina amin'i Yaveh ianareo, dia hahita fangoraham-po manoloana an'ireo izay nitondra azy ireo ho gadra ny rahalahinareo sy ny zanakareo, ka hiverina amin'ity tany ity izy ireo. Fa Yaveh Andriamanitrareo, dia mahari-po sy mpamindra fo, ary tsy hanafina ny tavany aminareo, raha miverina Aminy ianareo."
\s5
\v 10 Ka dia lasa ireo iraka nandeha isan-tanàna nanerana ny faritr'i Efraima sy Manase, ny lalana rehetra nankany Zebolona, fa nihomehy sy naneso azy ireo ny olona.
\v 11 Na izany aza, ny sasany tamin'ny lehilahin'i Aseraha sy Manase ary Zebolona dia nanetry tena ka tonga tany Jerosalema.
\v 12 Tonga tamin'i Joda ihany koa ny tanan'Andriamanitra, mba hanome fo iray azy ireo, mba hanatanteraka ny didin'ny mpanjaka sy ireo mpitarika tamin'ny alalan'ny tenin'i Yaveh.
\s5
\v 13 Vahoaka maro, fiangonana lehibe tokoa, no tafangona tany Jerosalema mba hankalaza ny firavoravoana amin'ny Mofo tsy misy Masirasira tamin'ny volana faharoa.
\v 14 Dia nitsangana izy ireo ary naka ireo alitara izay tany Jerosalema, sy ireo alitara rehetra ho an'ny ditin-kazo manitra; natsipin'izy ireo tany amin'ny lohasahan-driaka Kidrona izany.
\v 15 Avy eo dia namono ny zanak'ondrin'ny Paska izy ireo tamin'ny andro fahefatra ambin'ny folon'ny volana faharoa. Menatra ireo mpisorona sy ireo Levita, ka nanamasina ny tenany sy nitondra fanatitra dorana tao an-tranon'i Yaveh izy ireo.
\s5
\v 16 Nijoro teny amin'ny toerany avy araka ny fizaràny izy ireo, manaraka ireo torolalana nomena tao amin'ny lalàn'i Mosesy, ilay lehilahin'Andriamanitra. Nafafin'ireo mpisorona ny rà izay noraisiny avy tamin'ny tanan'ireo Levita.
\v 17 Satria nisy maro tamin'ny fiangonana no tsy nanamasina ny tenany. Noho izany dia namono ny zanak'ondrin'ny Paska ho an'ny olona rehetra tsy voadio sy tsy afaka nanamasina ny soron'izy ireo ho an'i Yaveh ireo Levita.
\s5
\v 18 Fa vahoaka marobe, maro tamin'izy ireo avy any Efraima sy Manase, Isakara sy Zebolona, no tsy nanadio ny tenan'izy, nefa nihinana ny sakafon'ny Paska ihany izy ireo, tsy araka izay fampianarana voasoratra. Dia nivavaka ho azy ireo i Hezekia, nanao hoe: "Enga anie Yaveh tsara hamindra fo ny olona rehetra
\v 19 izay manefy ny fony hitady an'Andriamanitra, Yaveh, ilay Andriamanitr'ireo razambeny, na dia tsy voadio tamin'ny fahadiovana araka ny fenitry ny fitoerana masina aza izy."
\v 20 Ka dia nihaino an'i Hezekiah i Yaveh ary nanasitrana ny vahoaka.
\s5
\v 21 Ny vahoakan'Israely izay tany Jerosalema dia nitandrina tamin-kafaliam-be ny firavoravoana amin'ny Mofo tsy misy Masirasira nandritry ny hafitoana. Ireo Levita sy ireo mpisorona dia nidera an'i Yaveh isan'andro isan'andro, nihira niaraka tamin'ny zava-maneno mafy ho an'i Yaveh.
\v 22 Ary Hezekiah nampahery ireo Levita rehetra izay nahatakatra ny fanompoana an'i Yaveh. Koa dia nihinana tamim-piravoravoana nandritry ny hafitoana izy ireo, nanolotra ireo sorona ho fanati-pihombonana, ary nibebaka tamin'i Yaveh, ilay Andriamanitry ny razam-ben'izy ireo.
\s5
\v 23 Ary ny fiangonana manontolo nanapa-kevitra ny hankalaza hafitoana hafa, ka nanao izany tamin-kafaliana izy ireo.
\v 24 Ary Hezekia mpanjakan'i Joda nanome ombilahy arivo sy ondry fito arivo ho an'ny fiangonana ho fanatitra; ary ireo mpitarika nanome ombilahy arivo sy ondry aman'osy iray alina ho an'ny fiangonana. Mpisorona maro an'isa no nanamasina ny tenany.
\s5
\v 25 Ny fiangonan'i Joda rehetra, miaraka amin'ireo mpisorona sy ireo Levita, ary ny vahoaka rehetra izay niara-tonga avy tany Israely, ary ireo vahiny izay tonga avy tany amin'ny tanin'Israely sy ireo izay nipetraka tany Joda dia nifaly avokoa.
\v 26 Ka dia nisy fifaliam-be tao Jerosalema, fa hatramin'ny fotoan'i Solomona zanak'i Davida, mpanjakan'Israely, dia tsy mbola nahitana tahaka izany tao Jerosalema.
\v 27 Ary nitsangana sy nitso-drano ny vahoaka ireo mpisorona, sy ireo Levita. Re ny feon'izy ireo, ary ny vavak'izy ireo niakatra tany an-danitra, ilay fitoerana masina izay onenan'Andriamanitra.
\s5
\c 31
\p
\v 1 Ary rehefa vita izany rehetra izany, dia nivoaka ho any amin'ireo tanànan'i Joda ny vahoakan'Israely rehetra izay tany ka nanorotoro ireo andrim-bato sy nanapaka ireo baon'Aseraha, ary noravan'izy ireo ny fitoerana avo sy ireo alitara tao amin'i Joda sy Benjamina, sy tao Efraima ary Manase rehetra, mandra-paharavan'izy ireo azy rehetra. Dia niverina ny vahoakan'Israely rehetra, ny tsirairay tany amin'ny fananany sy ny tanànany avy.
\s5
\v 2 Notendren'i Hezekia ny fizaràn'ireo mpisorona sy ireo Levita voalamina araka ny fizaràn'izy ireo, ny lehilahy tsirairay notendrena tamin'ny asany, dia ireo mpisorona sy ireo Levita. Notendreny izy ireo mba hanao ny fanatitra dorana sy fanati-pihombonana, mba hanompo, mba hanolotra fisaorana, ary mba hidera eo amin'ireo vavahadin'ny tempolin'i Yaveh.
\v 3 Notendreny ihany koa ny anjaran'ny mpanjaka ho an'ny fanatitra dorana avy amin'ireo fananany manokana, izany dia, ho an'ny fanatira dorana maraina sy fanatitra dorana hariva, ary ny fanatitra dorana ho amin'ny andro sabata, ireo volana vaovao, sy ny andro firavoravoana voatendry, araka izay voasoratra ao amin'ny lalàn'i Yaveh.
\s5
\v 4 Ankoatra izay, nandidy ny vahoaka izay nipetraka tany Jerosalema mba hanome anjara ho an'ireo mpisorona sy ireo Levita izy, mba hahafahan'izy ireo mifantoka amin'ny fankatoavana ny lalàn'i Yaveh.
\v 5 Vantany vao nalefa ny baiko, dia nomen'ny vahoakan'Israely tamin'ny fahalala-tanana ireo voaloham-bokatry ny vary, divay vaovao, diloilo, tantely, sy ny avy amin'ireo vokatra tany an-tsaha. Nentin'izy ireo ny ampahafolon'ny zavatra rehetra; izay tena be dia be.
\s5
\v 6 Ny vahoakan'Israely sy Joda izay nonina tao amin'ireo tanànan'i Joda ihany koa dia nitondra ny ampahafolon'ny biby fiompy sy ondry, ary ny ampahafolon'ireo zava-masina izay natokana ho an'i Yaveh Andriamanitr'izy ireo, ary nangonin'izy ireo ho antonta izany.
\v 7 Tamin'ny volana fahatelo no nanombohan'izy ireo nanangona ny fandraisana anjarany ho antontany, ka nofaranan'izy ireo tamin'ny volana fahafito.
\v 8 Rehefa tonga ary nijery ireo antontany i Hezekia sy ireo mpitarika, dia nisaotra an'i Yaveh sy ny Israely vahoakany izy ireo.
\s5
\v 9 Avy eo Hezekia nanontany an'ireo mpisorona sy ireo Levita momba ireo antontany.
\v 10 Azaria, mpisoronabe, avy amin'ny fokon'i Zadoka, namaly azy ary nanao hoe: "Satria ireo vahoaka nanomboka nitondra fanatitra tao an-tranon'i Yaveh, dia nihinana izahay ka voky, ary feno ambiny, satria efa notahian'i Yaveh ny vahoakany. Ireo zavatra be dia be eto ireo no ambiny."
\v 11 Dia nandidy ny hanomanana trano fitehirizana ao an-tranon'i Yaveh i Hezekia, ka dia nomanin'izy ireo izany.
\v 12 Avy eo nentin'izy ireo tamim-pahatokiana ilay fanatitra, ny ampahafolony sy ireo zavatra izay an'i Yaveh. Konania, ilay Levita, no mpitantana nisahana ireo, ary Simey, rahalahiny, no faharoa nanampy azy.
\v 13 Jehiela, Azazia, Nahata, Asahela, Jerimota, Jozabada, Eliala, Jismakia, Mahata, ary Benaia no mpitantana teo ambany fahefan'i Konania sy Simey rahalahiny, tamin'ny fanendren'i Hezekia, mpanjaka, sy Azaria, manam-boninahitra teo amin'ny tranon'Andriamanitra.
\s5
\v 14 Kore zanaka lahin'i Jimna ilay Levita, mpiandry varavarana teo atsinanan'ny vavahady, no teo amin'ny fanatitra an-tsitrapo ho an'Andriamanitra, nisahana ny fizaràna ireo fanatitra ho an'i Yaveh sy ireo fanatitra masina indrindra.
\v 15 Teo ambany fahefany no nisy an'i Edena, Miamina, Jesoa, Semaia, Amaria, ary Sekania, tao amin'ny tanànan'ireo mpisorona. Nofenoin'izy ireo fahatokiana ireo anjara fanompoana, mba hanomezana ireo fanatitra ireo ho an'ny rahalahin'izy ireo isam-pizaràna, dia ny manan-danja sy ny tsy manan-danja.
\s5
\v 16 Nomen'izy ireo ihany koa ireo lehilahy telo taona no miakatra, izay voatanisa tao amin'ny firaketana an-tsoratr'ireo razambeny izay niditra tao an-tranon'i Yaveh, araka izay notakian'ny fanao andavanandro, mba hanao ny asa tao amin'ireo anjara fanompoany sy fizaràn'izy ireo.
\f + \ft Fanamarihana: Raha tokony hoe "lehilahy telo taona no miakatra", ny dika-teny sasany manao hoe "lehilahy telopolo taona no miakatra". \f*
\s5
\v 17 Nozarain'izy ireo ho an'ny mpisorona araka ny firaketana an-tsoratr'ireo razambeny, ary toy izany koa ho an'ireo Levita roapolo taona no mihoatra, araka ny asa fanompoany sy fizaràn'izy ireo.
\v 18 Tafiditra anatin'izany ny zanany madinika, ireo vadiny, ireo zanany lahy, ary ireo zanany vavy, manerana ny fiarahamonina manontolo, satria izy ireo dia nahatoky tamin'ny fitandremana ny tenan'izy ireo ho masina.
\v 19 Ho an'ireo mpisorona, dia ireo taranak'i Arona, izay tany an-tsaha tany amin'ireo zana-bohitra tao an-tanànan'izy ireo, na tany amin'ny tanàna rehetra, dia nisy lehilahy notendrena tamin'ny anarana mba hanome anjara ho an'ireo lehilahy rehetra teo amin'ireo mpisorona, sy ho an'ireo rehetra izay voatanisa tao amin'ny firaketana an-tsoratr'ireo razambeny teo amin'ireo Levita.
\s5
\v 20 Nataon'i Hezekia nanerana an'i Joda rehetra izany. Notanterahiny izay tsara, marina, ary mahatoky teo imason'i Yaveh, Andriamaniny.
\v 21 Isaky ny tetikasa izay natombony tao amin'ny fanompoana tao an-tranon'Andriamanitra, ny lalàna, ary ireo didy, mba hitadiavana ny Andriamaniny, dia notanterahiny tamin'ny fony manontolo izany, ka nahomby izy.
\s5
\c 32
\p
\v 1 Taorian'ireo zavatra sy asam-pahatokiana ireo, dia tonga ary niditra tao Joda i Sankeriba, mpanjakan'i Asyria. Nitoby hanafika ireo tanàna mimanda izy, izay nokasainy ho baboina.
\s5
\v 2 Rehefa hitan'i Hezekia fa efa tonga i Sankeriba ary izy nikasa hiady amin'i Jerosalema,
\v 3 dia nifampidinika tamin'ireo mpitariny sy ireo lehilahiny manam-pahefana izy ny hampiatoana ny ranon'ireo loharano izay teo ivelan'ny tanàna; dia nanampy azy hanao izany izy ireo.
\v 4 Olona maro no niangona sy nampiato ireo loharano rehetra sy ny rano mikoriana izay namakivaky ny afovoan'ny tany. Hoy izy ireo hoe: "Nahoana ny mpanjakan'i Asyria no tonga hitady rano be?"
\s5
\v 5 Be herim-po i Hezekia ka nanangana ny manda rehetra izay rava. Nanangana ireo tilikambo ho avo kokoa, sy ny manda hafa any ivelany ihany koa izy. Nanamafy ny Milo tao amin'ny tanànan'i Davida ihany koa izy, ary nanamboatra fitaovam-piadiana sy apinga marobe.
\f + \ft Fanamarihana: Raha tokony hoe "Nanangana ireo tilikambo ho avo kokoa izy", ireo dika-teny sasany taloha sy taty aoriana manao hoe "Nanangana tilikambo teo amin'izany izy", izany hoe, teo amin'ilay rindrina. \f*
\s5
\v 6 Nametraka mpifehy miaramila teo amin'ny vahoaka izy. Nanangona azy ireo ho eo aminy teo amin'ny tany malalaka teo amin'ny vavahadin'ny tanàna izy ka niteny tamim-pampaherezana tamin'izy ireo. Hoy izy hoe:
\v 7 "Mahereza sy matanjaha. Aza matahotra na kivy nohon'ny mpanjakan'i Asyria sy ireo tafika rehetra miaraka aminy ianareo, fa misy olona momba antsika izay lehibe mihoatra noho ireo izay momba azy.
\v 8 Sandrin'ny nofo fotsiny no momba azy, fa i Yaveh, Andriamanitsika, kosa no momba antsika, mba hanampy antsika, sy hiady ny adintsika." Koa dia nampahery ny tenan'izy ireo tamin'ireo tenin'i Hezekia, mpanjakan'i Joda ireo vahoaka.
\s5
\v 9 Taorian'izany, dia naniraka ireo mpanompony ho any Jerosalema i Sankeriba, mpanjakan'i Asyria (teo anoloan'i Lakisa izy, ary ny tafiny rehetra nomba azy), ho any amin'i Hezekia, mpanjakan'i Joda, sy ny vahoaka rehetra izay tany Jerosalema. Hoy izy hoe:
\v 10 "Izao no lazain'i Sankeriba, mpanjakan'i Asyria: Inona no hianteheranareo mba hiaretana ilay fahirano any Jerosalema?
\s5
\v 11 Moa tsy mamitaka anareo ve Hezekia, mba hahatonga anareo ho fatin'ny mosary sy ny hetaheta, rehefa milaza aminareo izy hoe: 'Yaveh Andriamanitsika no hanavotra antsika eo an-tanan'ny mpanjakan'i Asyria.'?
\v 12 Moa ve tsy io Hezekia io ihany no nanaisotra ireo fitoerana avony sy ireo alitarany ary nandidy ny Joda sy Jerosalema hoe: 'Eo amin'ny alitara iray no tsy maintsy hanompoanareo, ary eo amin'izany no tsy maintsy handoranareo ny soronareo'?
\s5
\v 13 Fantatrareo ve izay efa nataoko sy ireo razambeko tamin'ireo vondron'olona rehetra avy amin'ireo tany hafa? Moa afaka namonjy ny tanin'izy ireo teo ambany fahefako tamin'ny fomba rehetra ve ireo andriamanitr'ireo vondron'olon'ny tany?
\v 14 Teo amin'ireo andriamanitr'ireo firenena rehetra izay naringan'ny razambeko ireo, moa nisy andriamanitra afaka ny namonjy ny vahoakany hiala teo an-tanako ve? Nahoana ny Andriamanitrareo no tokony hahavonjy anareo eo amin'ny fahefako?
\v 15 Koa aza avela handiso fanantenana sy hitaona anareo amin'ny alalan'izany i Hezekia. Aza mino azy, fa tsy nisy andriamanitry ny firenena na fanjakana afaka namonjy ny olony tsy ho eo an-tanako, na nanaisotra tsy ho eo an-tanan'ireo razambeko. Koa mainka fa ny Andriamanitrareo no hahavonjy anareo amin'ny tanako?"
\s5
\v 16 Mbola niteny ratsy manohitra an'i Yaveh Andriamanitra sy manohitra an'i Hezekia mpanompony aza ireo mpanompon'i Sankeriba.
\v 17 Nanoratra taratasy ihany koa i Sankeriba mba hanesoana an'i Yaveh, ilay Andriamanitr'Israely, ary niteny ratsy taminy. Hoy izy hoe: "Tahaka ireo andriamanitr'ireny firenen'ny tany ireny izay tsy nahavonjy ny olon'izy ireo teo an-tanako, ny Andriamanitr'i Hezekia ihany koa dia tsy hahavonjy ny olony hiala tsy ho eo an-tanako."
\s5
\v 18 Niantso mafy ny vahoakan'i Jerosalema izay tao amin'ny rindrina tamin'ny fitenin'ny jiosy izy ireo, hampitahorana sy hampihorohoroana azy ireo, mba hahafahan'izy ireo mambabo ilay tanàna.
\v 19 Niresaka momban'ilay Andriamanitr'i Jerosalema tahaka ny firesahan'izy ireo momba ireo andriamanitry ny olon'ny tany hafa firenena, izay asa-tanan'ny olona fotsiny ihany, izy ireo.
\s5
\v 20 Hezekia, mpanjaka, sy Isaia, mpaminany, dia nivavaka noho izany zavatra izany ka niantso mafy tany an-danitra izy.
\v 21 Naniraka anjely i Yaveh, mba hamono ireo lehilahy mpiady, ireo mpifehy, ary ireo manam-pahefan'ny mpanjaka tao an-toby. Ka dia niverina tamin-kenatra tany an-taniny i Sankeriba. Rehefa nankany amin'ny tranon'ny andriamaniny izy, dia novonoin'ny sasany tamin'ireo zanany tamin'ny sabatra tany izy.
\s5
\v 22 Tahaka izany no nanavotan'i Yaveh an'i Hezekia sy ireo mponin'i Jerosalema tamin'ny tanan'i Sankeriba, mpanjakan'i Asyria, ary tamin'ny tanan'ireo hafa rehetra, ka nanome azy ireo fiadanana tamin'ny fomba rehetra.
\f + \ft Fanamarihana: Raha tokony hoe "Nanome azy ireo fiadanana tamin'ny fomba rehetra", ireo dikan-teny sasany taloha sy taty aoriana dia manao hoe "Nitarika azy ireo tamin'ny fomba rehetra", tsy voamarina mazava ny vakiteny fototra. \f*
\v 23 Maro ny nitondra fanatitra ho an'i Yaveh tany Jerosalema, sy fanomezana sarobidy ho an'i Hezekia mpanjakan'i Joda, mba hahatonga azy hisandratra teo imason'ireo firenena rehetra nanomboka tamin'izany fotoana izany.
\s5
\v 24 Ary tamin'izany fotoana izany Hezekia dia narary efa ho faty. Nivavaka tamin'i Yaveh izy, izay niteny taminy ary nanome famantarana azy fa ho sitrana izy.
\v 25 Nefa Hezekia tsy mba namaly an'i Yaveh tamin'izay soa nomena azy, fa niavonavona ny fony. Ka dia tonga taminy, sy tamin'i Joda mbamin'i Jerosalema ny fahatezerana.
\v 26 Na izany aza, dia nanetry tena tamin'ny avonavom-pony ihany Hezekia, izy sy ireo mponin'i Jerosalema, ka tsy tonga tamin'izy ireo ny hatezeran'i Yaveh nandritry ny andron'i Hezekia.
\s5
\v 27 Nanana harena marobe sy voninahitra tokoa i Hezekia. Nanao efi-trano fitehirizana ho an'ny volafotsy, volamena, vato sarobidy, sy ho an'ireo hanitra, ary koa ho an'ireo apinga sy ireo zava-manan-danja samy hafa karazana izy.
\v 28 Nanana trano fitehirizam-bokatra ho an'ny vary, divay vaovao, diloilo, ary trano fihinanam-bilona ho an'ireo biby fiompy karazany rehetra ihany koa izy. Nanana ondry aman'osy tao am-balany ihany koa izy.
\v 29 Fanampin'izany, nanao tanàna ho azy ihany koa izy ary nanana ondry aman'osy sy omby marobe, fa Andrimanitra nanome azy harena be indrindra.
\f + \ft Fanamarihana: Raha tokony hoe "tanàna", dia ireo dikan-teny sasany taty aoriana manao hoe "boriky", ary ireo dikan-teny sasany hafa taty aoriana dia manala tanteraka ilay teny. \f*
\s5
\v 30 Io Hezekia io ihany no nanampina ny loharano avy any ambony tany Gihona, sy nampikoriana izany ho any amin'ny ilany andrefan'ny tanànan'i Davida. Nahomby tamin'ireo tetikasany rehetra i Hezekia.
\v 31 Na izany aza, ny amin'ny zavatra mahakasika ireo masoivohon'ireo andriandahin'i Babylona, izay nirahana hankany aminy mba hametra-panontaniana momba ireo izay nahafantatra, ny momban'ilay famantarana mahagaga izay efa natao teo amin'ny tany, dia nandao azy ho irery Andriamanitra, mba hitsapàna azy, ary hahafantarana izay rehetra tao am-pony.
\s5
\v 32 Raha ny amin'ireo zavatra hafa mahakasika an'i Hezekia, ao anatin'izany ireo asa tsy fivadiam-panekeny, indro efa voasoratra ao amin'ny Fahitan'Isaia Mpaminany Zanaka Lahin'i Amosa ireo, sy ao amin'ny bokin'ireo mpanjakan'i Joda sy Israely.
\v 33 Nodimandry tany amin'ireo razambeny i Hezekia, ka nalevin'izy ireo tany amin'ny havoana misy ireo fasan'ny taranak'i Davida izy. Nanome voninahitra azy tamin'ny fahafatesany ny Joda rehetra sy ny mponin'i Jerosalema. Ary Manase zanany lahy no tonga mpanjaka nandimby azy.
\s5
\c 33
\p
\v 1 Roa ambin'ny folo taona i Manase raha nanomboka nanjaka; nanjaka nandritry ny dimy amby dimam-polo taona tany Jerosalema izy.
\v 2 Nanao izay ratsy teo imason'i Yaveh izy, tahaka ireo zavatra maharikorikon'ireo firenena izay efa nasoron'i Yaveh teo anatrehan'ny vahoakan'Israely.
\v 3 Fa nanangana indray ireo fitoerana avo izay noravan'i Hezekia rainy, ary nanangana ireo alitara ho an'ireo Bala izy, nanao ireo baon'Aseraha izy, ary niankohoka teo amin'ireo kintan'ny lanitra ary nanompo azy ireo.
\s5
\v 4 Nanorina alitara fanompoan-tsampy tao an-tranon'i Yaveh i Manase, na dia nandidy aza Yaveh hoe: "Any Jerosalema no itoeran'ny anarako mandrakizay."
\v 5 Nanamboatra alitara ho an'ireo kintan'ny lanitra rehetra teo amin'ny kianja roan'ny tranon'i Yaveh izy.
\v 6 Nodorany tao an-dohasahan'i Ben-hinoma ireo zanany lahy. Nanao fanandroana sy sikidy izy; namaky fahitana izy; ary nandeha tany amin'ireo izay miresaka amin'ny maty sy ireo miresaka amin'ireo fanahy. Nanao zava-dratsy maro teo imason'i Yaveh izy ary niantsy ny fahatezeran'Andriamanitra.
\s5
\v 7 Ny sary sokitr'i Aseraha izay namboariny, napetrany tao an-tranon'Andriamanitra izany. ny momban'io trano io no noresahan'Andriamanitra tamin'i Davida sy Solomona zanany lahy; izao no nolazainy: "Eto amin'ity trano ity sy any Jerosalema, izay efa nofidiko tamin'ny fokon'Israely rehetra, no hametrahako ny anarako mandrakizay.
\v 8 Tsy hafindrako amin'ny tany izay notendreko ho an'ny razamben'izy ireo intsony ny vahoakan'Israely, raha toa ka mitandrina izay rehetra nandidiko azy ireo, manaraka ny lalàna, fitsipika, ary ireo didy izay nomeko azy ireo tamin'ny alalan'i Mosesy izy ireo."
\v 9 Notarihan'i Manase hanao ratsy mihoatra lavitra noho ireo firenena izay efa naringan'i Yaveh teo anatrehan'ny vahoakan'Israely i Joda sy ny mponina tao Jerosalem.
\s5
\v 10 Niresaka tamin'i Manase sy tamin'ny olony i Yaveh, fa tsy niraharaha izy ireo.
\v 11 Koa nentin'i Yaveh teo aminy ireo mpifehy ny tafiky ny mpanjakan'i Asyria, izay naka an'i Manase tamin'ny rojo vy, namatotra azy tamin'ny rojo vy ary namoaka azy ho any Babylona
\s5
\v 12 Raha tao anatin'ny fahoriana i Manase, dia nitalaho tamin'i Yaveh, Andriamaniny, ary nanetry fatratra ny tenany teo anatrehan'ny Andriamanitr'ireo razambeny.
\v 13 Nivavaka taminy izy; ary Andriamanitra no nitalahoany, ka ren'Andriamanitra ny fitalahoany ary nentiny niverina ho any Jerosalema, tany amin'ny fanjakany izy. Ary dia fantatr'i Manase fa Yaveh no Andriamanitra.
\s5
\v 14 Taorian'izany, Manase dia nanamboatra manda ivelany teo amin'ny tanàn'i Davida, teo amin'ny ilany andrefan'i Gihona, tany an-dohasaha, teo amin'ny fidirana amin'ny Vavahadin-kazandrano. Nanodidina ny havoan'i Ofela izy ary nanangana ny manda ho tena avo. Nametraka mpifehy mahery fo teo amin'ny tanàna mimanda rehetran'i Joda izy.
\v 15 Nesoriny tsy ho ao an-tranon'i Yaveh ireo andriamanin-kafa, ny sampy, ary ireo alitara rehetra izay namboariny teny an-tendrombohitry ny tranon'i Yaveh sy tany Jerosalema, ary nariany tany ivelan'ny tanàna izany.
\s5
\v 16 Naoriny indray ny alitaran'i Yaveh ary nanolotra sorona ho fanati-pihombonana sy fanati-pisaorana teo izy; nandidy an'i Joda hanompo an'i Yaveh, ilay Andriamanitr'Israely izy.
\v 17 Na izany aza, ny vahoaka dia mbola nanao sorona teo amin'ireo fitoerana avo ihany, nefa ho an'i Yaveh irery, izay Andriamanitr'izy ireo.
\s5
\v 18 Raha ny amin'ireo raharaha hafa mahakasika an'i Manase, ny vavaka nataony tamin'Andriamaniny, sy ny tenin'ireo mpahita izay niteny taminy tamin'ny anaran'i Yaveh, ilay Andriamanitr'Israely, indro, voasoratra ao amin'ny asan'ireo mpanjakan'Israely izany.
\v 19 Ao anatin'izany ny tantaran'ny vavaka nataony, sy ny fihetseham-pon'Andriamanitra tamin'izany. Ao ihany koa ny fahotany sy ireo fahadisoany rehetra, ary ireo toerana izay nananganany ireo fitoerana avo sy nametrahany ireo baon'Aseraha sy ny sarin-javatra voasokitra, talohan'ny nanetreny ny tenany— voasoratra ao amin'ny Tantaran'ireo Mpahita izany.
\f + \ft Fanamarihana: Ny sasany amin'ireo dika-teny amin'izao fotoana dia manao hoe: "Ny Tantaran'i Hozia", izay famaky ny lahatsoratra niaingana. Kanefa maro ireo dika-teny amin'izao fotoana no manitsy izany ka mamaky hoe "Ny Tantaran'ireo Mpahita". Misy koa dika-teny sasantsasany amin'izao fotoana manao hoe "Ny Tantaran'ireo mpahitany". \f*
\v 20 Ary nodimandry tany amin'ireo razambeny i Manase, ka nalevin'izy ireo tao an-tranony. Amona, zanany lahy, no tonga mpanjaka nandimby azy.
\s5
\v 21 Roa amby roapolo taona i Amona raha nanomboka nanjaka; nanjaka nandritry ny roa taona tany Jerosalema izy.
\v 22 Nanao izay ratsy teo imason'i Yaveh izy, tahaka izay efa nataon'i Manase, rainy. Nanao sorona ho an'ireo sarin-javatra voasokitra rehetra izay efa nataon'i Manase rainy i Amona, ary nanompo ireo izy.
\v 23 Tsy nanetry tena teo anatrehan'i Yaveh izy, tahaka izay efa nataon'i Manase rainy. Fa kosa, ity Amona ity ihany dia nanao fahadisoana betsaka kokoa.
\s5
\v 24 Nanao tetika hanohitra azy ireo mpanompony ary namono azy tao an-tranony ihany.
\v 25 Fa ny mponin'ny tany namono ireo rehetra izay nitetika hanohitra an'i Amona Mpanjaka, ary nataon'izy ireo ho mpanjaka nandimby azy i Josia, zanany lahy.
\s5
\c 34
\p
\v 1 Valo taona i Josia no nanomboka nanjaka; nanjaka nandritry ny iraika amby telopolo taona tao Jerosalema izy.
\v 2 Nanao izay marina teo imason'i Yaveh, sy nandeha tamin'ny lalan'i Davida razambeny, ary tsy mba nivily niankavanana na niankavia izy.
\v 3 Ary tamin'ny taona fahavalo nanjakany, raha mbola tanora izy, dia nanomboka nitady an'ilay Andriamanitr'i Davida, razambeny. Tamin'ny taona faharoa ambin'ny folo, dia nanomboka nanadio an'i Joda sy Jerosalema avy teo amin'ny fitoerana avo izy, ny baon'Aseraha, sy ny sarin-javatra voasokitra ary ny sarin-javatra vita tamin'ny vy.
\s5
\v 4 Noravan'ny vahoaka teo anatrehany ireo alitaran'i Bala; nokapainy ny alitaran'ny ditin-kazo manitra izay teo ambonin'ireo. Notorotoroiny ireo baon'Aseraha sy ireo sarin-javatra voasikotra, ary ireo sarin-javatra vita tamin'ny vy ambara-pahatonga ireny ho vovoka. Naparitany teo amin'ny fasan'ireo izay nanao sorona ho an'izany ny vovoka.
\v 5 Nodorany teo amin'ny alitarany ny taolan'ireo mpisorony. Tahaka izany ny fomba, nanadiovany an'i Joda sy Jerosalema.
\s5
\v 6 Nataony tahaka izany koa ireo tanànan'i Manase, Efraima, ary Simeona, ny lalana rehetra nankany Naftaly, sy teo amin'ireo faharavana izay nanodidina izany.
\v 7 Noravàny ireo alitara, nopotehiny ho tonga vovoka ireo baon'Aseraha sy ireo sarin-javatra voasokitra, ary nokapainy ny alitaran'ny ditin-kazo manitra nanerana ny tanin'Israely rehetra; niverina tany Jerosalema izy avy eo.
\s5
\v 8 Ary tamin'ny taona fahavalo ambin'ny folo nanjakany, rehefa voadion'i Josia ny tany sy ny tempoly, dia naniraka an'i Safana zanaka lahin'i Azalia, Maseia, governoran'ny tanàna, ary i Joa zanaka lahin'i Joahaza mpitantsoratra izy, mba hanamboatra indray ny tranon'i Yaveh Andriamaniny.
\v 9 Nankany amin'i Hilkia, mpisoronabe izy ireo, ary nanankina taminy ny vola izay nentina tao amin'ny tranon'Andriamanitra, izay efa nangonin'ireo Levita, sy ireo mpiandry varavarana avy tamin'i Manase sy Efraima, avy tamin'ireo sisa tamin'Israely rehetra, avy tamin'i Joda sy Benjamina rehetra, ary avy tamin'ireo mponin'i Jerosalema.
\s5
\v 10 Nankinin'izy ireo tamin'ireo lehilahy izay nanara-maso ny asa teo amin'ny tempolin'i Yaveh ny vola. Ireo lehilahy ireo no nanakarama ny mpiasa izay nanamboatra sy namerina ny tempoly tamin'ny laoniny.
\v 11 Naloan'izy ireo tamin'ireo mpandrafitra sy ireo mpanangana izany mba hividianana vato voapaika sy hazo ho fandrefesana, ary hanamboarana andry ho an'ireo rafitra izay noravan'ireo mpanjakan'i Joda sasany.
\s5
\v 12 Nanao ny asa tamim-pahatokiana ireo lehilahy. Ireo mpanara-masony dia Jahata sy Obadia, ireo Levita, avy amin'ny zanaka lahin'i Merary; ary Zakaria sy Mesolama, avy amin'ireo zanaka lahin'ireo Kehatita. Ireo levita hafa, izay mpitendry zava-maneno tena mahay rehetra, mpanoro akaiky ireo mpiasa.
\v 13 Ireo levita ireo dia nisahana ireo izay nitondra ny fitaovan'ny trano lehibe sy ireo lehilahy rehetra izay nanao ny asa samy hafa. Nisy ihany koa ireo Levita izay mpitan-tsoratra, mpandrindra, ary mpiandry vavahady.
\s5
\v 14 Rehefa navoakan'izy ireo ny vola izay nentina tao an-tranon'i Yaveh, dia hitan'i Hilkia mpisorona ny bokin'ny lalàn'i Yaveh izay nomena tamin'ny alalan'i Mosesy.
\v 15 Hoy Hilkia tamin'i Safana mpanora-dalàna hoe: "Hitako tao an-tranon'i Yaveh ny bokin'ny lalàna." Nentin'i Hilkia tany amin'i Safana ilay boky.
\v 16 Nentin'i Safana tany amin'ny mpanjaka ilay boky, sady nitatitra taminy ihany koa, nanao hoe: "Ireo mpanomponao dia manao ny zavatra rehetra izay nankinina tamin'izy ireo.
\s5
\v 17 Efa noraofin'izy ireo ny vola izay hita tao an-tranon'i Yaveh, ary nomeny teo an-tanan'ireo mpanara-maso sy ireo mpiasa izany."
\v 18 Nilaza tamin'ny mpanjaka i Safana mpanora-dalàna hoe: "Nomen'i Hilkia mpisorona boky aho." Ary novakian'i Safana tamin'ny mpanjaka izany.
\v 19 Ary rehefa ren'ny mpanjaka ireo tenin'ny lalàna, dia nandrotika ny akanjony izy.
\s5
\v 20 Ny mpanjaka nandidy an'i Hilkia, Ahikama zanaka lahin'i Safana, Abdona zanaka lahin'i Mika, Safana mpanora-dalàna, ary Asaia, mpanompony manokana, nanao hoe:
\v 21 "Mandehana ary anontanio ho ahy ny sitrapon'i Yaveh, ary koa ho an'ireo izay tavela any Israely sy any Joda, nohon'ny tenin'ilay boky izay efa hita. Fa lehibe izany, dia ny fahatezeran'i Yaveh izay efa nilatsaka tamintsika. Lehibe izany, noho ireo razambentsika tsy nihaino ny voalazan'ny boky ny mba hankatoavana izay voasoratra rehetra tao amin'izany."
\f + \ft Fanamarihana: raha tokony hoe "izay efa nilatsaka tamintsika", ny dika-teny sasany manao hoe: "izay efa nirehitra tamintsika" \f*
\s5
\v 22 Ary Hilkia, sy ireo izay nodidian'ny mpanjaka, dia nankany amin'i Holda mpaminany vavy, vadin'i Saloma zanaka lahin'i Tokehata zanaka lahin'i Hasra, mpitahiry akanjon'ny fisoronana (Nonina tao Jerosalema tao amin'ny tanàna ambany izy), ary tamin'izany fomba izany no niresahan'izy ireo taminy.
\s5
\v 23 Hoy izy tamin'izy ireo hoe: "Izao no lazain'i Yaveh, ilay Andriamanitr'Israely: Lazao ilay lehilahy izay naniraka anareo taty amiko hoe:
\v 24 'Izao no lazain'i Yaveh: Indro, eo am-pitondrana loza eto amin'ity toerana ity sy ireo mponiny Aho, ireo ozona rehetra izay efa voasoratra tao amin'ilay boky izay efa voavakin'izy ireo teo anatrehan'ny mpanjakan'i Joda.
\v 25 Satria efa nahafoy Ahy ary efa nandoro ny ditin-kazo manitra ho an'ireo andriamani-kafa izy ireo, mba hiantsiana Ahy amin'ny fahatezerana tamin'ireo zavatra rehetra nataon'izy ireo—noho izany dia hiraraka amin'ity toerana ity ny fahatezerako, ary tsy ho faty izany.'
\f + \ft Fanamarihana: Raha tokony hoe "hilatsaka amin'ity toerana ity", ireo dikan-teny sasany manao hoe: "hirehitra amin'ity toerana ity." \f*
\s5
\v 26 Fa ho an'ny mpanjakan'i Joda, izay naniraka anareo mba hanontany an'i Yaveh izay tokony hataony, dia izao no ho lazainareo aminy: 'Yaveh, ilay Andriamanitr'Israely milaza izao: Ny amin'ny teny izay renao,
\v 27 satria ianao dia tso-po, sy nanetry tena teo anatrehan'Andriamanitra rehefa renao ny teniny hamely ity toerana ity sy ireo mponiny, ary satria ianao nanetry tena teo anatrehako ary nandrotika ny akanjonao sy nitomany teo anatrehako, dia efa nihaino anao ihany koa Aho—izany no fanambaran'i Yaveh—
\v 28 indro, hangoniko ho eo amin'ireo razambenao ianao. Ho voaangona ao amin'ny fasanao am-piadanana ianao, ary ny masonao dia tsy hahita ny loza izay ho entiko eto amin'ity toerana ity sy ireo mponiny.'" Nentin'ireo lehilahy tany amin'ny mpanjaka izany hafatra izany.
\s5
\v 29 Avy eo ny mpanjaka naniraka mpitondra hafatra ka namory ny loholon'i Joda sy Jerosalema rehetra.
\v 30 Ary niakatra tao an-tranon'i Yaveh ny mpanjaka, sy ireo lehilahin'i Joda rehetra ary ireo mponin'i Jerosalema, sy ireo mpisorona, ireo Levita, ary ny vahoaka rehetra, hatramin'ny lehibe ka hatramin'ny kely. Ary novakiany tamin'izy ireo ny teny rehetran'ny bokin'ny Fanekena izay hita tao an-tranon'i Yaveh.
\s5
\v 31 Nitsangana teo amin'ny fitoerany ny mpanjaka ary nanao fanekena teo anatrehan'i Yaveh, fa hanaraka an'i Yaveh, sy hitandrina ireo didiny, ireo fitsipiny, ary ireo lalàny, amin'ny fony rehetra sy ny fanahiny rehetra, hankatò ireo tenin'ny fanekena izay voasoratra ao amin'izany boky izany.
\v 32 Niteny tamin'ny olona rehetra izay hita tao Jerosalema sy Benjamina izy mba hanaiky ilay fanekena. Tamin'ny fankatoavana no nanaovan'ny mponin'i Jerosalema ny faneken'Andriamanitra, ilay Andriamanitry ny razamben'izy ireo.
\s5
\v 33 Nesorin'i Josia teo amin'ny tany ireo zavatra fahvetavetana rehetra izay an'ny vahoakan'Israely. Nampanompoany an'i Yaveh, Andriamanitr'izy ireo ny olona rehetra tany Israely. Fa tamin'ny androny rehetra, dia tsy nivily tamin'ny fanarahana an'i Yaveh, ilay Andriamanitry ny razambeny izy ireo.
\s5
\c 35
\p
\v 1 Nitandrina ny Paska ho an'i Yaveh tao Jerosalema i Josia, ary novonoin'izy ireo tamin'ny andro fahefatra ambin'ny folon'ny volana voalohany ireo ondrin'ny Paska.
\v 2 Napetrany teny amin'ny fitoerany ireo mpisorona ka nampahereziny tamin'ny asa fanompoana ny tranon'i Yaveh izy ireo.
\s5
\v 3 Hoy izy tamin'ireo Levita izay nampianatra ny Israely rehetra sy izay voatokana ho an'i Yaveh hoe: "Apetraho ao amin'ny trano izay namboarin'i Solomona zanak'i Davida, mpanjakan'Israely ilay fiara masina. Aza lanjaina eny amin'ny sorokareo intsony izany. Ary derao Yaveh Andriamanitrareo, ary tompoy Israely vahoakany.
\v 4 Mifandamìna ianareo araka ny anaran'ny firazananareo sy ny fizaranareo, araka ireo toromarika nosoratan'i Davida, mpanjakan'Israely, sy ireo an'i Solomona, zanany lahy.
\s5
\v 5 Mijoroa eny amin'ny fitoerana masina, raiso ny toeranareo sy ny fizaranareo ao amin'ny taranak'ireo rahalahinareo, ireo taranaky ny vahoaka, ary alaivo ny toeranareo sy ny fizaranareo ao amin'ny taranakin'ny razamben'ireo Levita.
\v 6 Vonoy ny ondrin'ny Paska, hamasino ny tenanareo, omano ho an'ireo rahalahinareo ny ondry, mba hatao araky ny tenin'i Yaveh izay nomena tamin'ny alalan'ny tanan'i Mosesy."
\s5
\v 7 Nanome ondry telo alina ho an'ny vahoaka rehetra Josia ary zanak'osy tamin'ireo ondry aman'osy ho amin'ny fanatitry ny Paska ho an'ireo rehetra izay nanatrika. Nanome omby telo arivo ihany koa izy; ireo dia avy tamin'ny fananan'ny mpanjaka.
\v 8 Ireo mpitariny dia nanome fanati-tsitrapo ho an'ny vahoaka, ireo mpisorona, ary ireo Levita. Hilkia, Zakaria, ary Jehiela, manam-boninahitra niandraikitra ny tranon'Andriamanitra, dia nanome zanaka biby fiompy 2. 600 sy omby telonjato ho fanatitry ny Paska ho an'ireo mpisorona.
\v 9 Konania, sy Semahia ary Natanaela, rahalahiny, sy Hasabia, Jehiela, ary Jozabada, ireo lehiben'ireo Levita ihany koa, dia nanome biby fiompy kely dimy arivo sy omby diman-jato ho fanatitry ny Paska ho an'ireo Levita.
\s5
\v 10 Koa dia vonona ny fanompoana, ary nipetraka teny amin'ny fitoerany ireo mpisorona, niaraka tamin'ireo Levita araka ny fizaran'izy ireo, ho valin'ny didin'ny mpanjaka.
\v 11 Novonoin'izy ireo ny ondrin'ny Paska, ary nafafin'ireo mpisorona ny rà izay noraisin'izy ireo avy tamin'ny tanan'ireo Levita, ary ireo Levita nanala ny hoditr'ireo zanak'ondry.
\v 12 Nesorin'izy ireo ny fanatitra dorana, mba hizaràna ireo ho an'ireo fizaran'ny taranaky vahoaka, mba hanolorana ireo ho an'i Yaveh, araka ny voasoratra tao amin'ny Bokin'i Mosesy. Nataon'izy ireo toy izany koa ireo omby.
\s5
\v 13 Natonon'izy ireo tamin'ny afo araka ny toromarika ireo zanak'ondrin'ny Paska. Raha ny amin'ireo fanatitra nohamasinina, dia nampangotrahan'izy ireo tao anaty vilany, vilanibe, sy fanendasana ireo, ary nolanjain'izy ireo faingana tany amin'ny vahoaka rehetra izany.
\v 14 Taorian'izany dia nanomana fanatitra ho an'ny tenan'izy ireo sy ho an'ireo mpisorona izy ireo, satria ireo mpisorona, taranak'i Arona, dia sahirana tamin'ny fanolorana ny fanatitra dorana sy ny sabora mandra-paha alin'ny andro, koa dia nanomana ireo fanatitra ho azy ireo sy ny mpisorona, taranak'i Arona, ireo Levita.
\s5
\v 15 Ireo mpihira, taranak'i Asafa, dia tao amin'ny toeran'izy ireo, araka ny torolalan'i Davida, Asafa, Hemana, ary Jedotona mpaminanin'ny mpanjaka, ary ireo mpiambina dia teny amin'ny vavahady rehetra. Tsy nahazo nandao ny toerany izy ireo, satria ireo Levita rahalahin'izy ireo dia nanao fanomanana ho azy ireo.
\s5
\v 16 Noho izany, tamin'izany fotoana izany ny asa fanompoana an'i Yaveh rehetra dia notanterahina ho amin'ny fankalazana ny Paska sy hanolorana fanatitra dorana eo amin'ny alitaran'i Yaveh, araka ny nandidian'i Josia mpanjaka.
\v 17 Ny vahoakan'Israely izay nanatrika dia nitandrina ny Paska tamin'izany fotoana izany, ary avy eo ny Firavoravoana amin'ny Mofo tsy misy Masirasira nandritry ny fito andro.
\s5
\v 18 Tsy mbola nisy fankalazana ny Paska toy izany tao Israely nanomboka tamin'ny andron'i Samoela mpaminany, ary tsy nisy mihitsy tamin'ireo mpanjakan'Israely hafa nankalaza ny Paska toy ny nataon'i Josia, niaraka tamin'ireo mpisorona, Levita, sy ny vahoakan'i Joda sy Israely rehetra izay nanatrika, ary ireo mponina tao Jerosalema.
\v 19 Notandrovana izany Paska izany tamin'ny fahavalo ambin'ny folo taona nanjakan'i Josia.
\s5
\v 20 Taorian'izany rehetra izany, taorian'ny nametrahan'i Josia ny tempoly tamin'ny laoniny, dia niakatra mba hiady amin'ireo Karkemisy tao amin'ny ony Eofrata i Neko, mpanjakan'i Egypta, ary Josia nandeha niady taminy.
\v 21 Saingy nandefa masoivoho tany aminy i Neko, nilaza hoe: "Inona no tokony hataoko anao, ry mpanjakan'i Joda? Tsy tonga hanohitra anao aho anio, fa hanohitra ny trano izay hiadiako. Nasain'Andriamanitra nandeha faingana aho, koa manindria fo amin'ny fanoherana an'Andriamanitra, izay momba ahy, raha tsy izany handringana anao Izy."
\s5
\v 22 Na izany aza, dia nandà ny handao azy Josia. Nody nanova tava izy mba hahafahany miady aminy. Tsy nihaino ireo tenin'i Neko izay avy amin'ny vavan'Andriamanitra izy; ka dia nandeha niady tany amin'ny Lohasahan'i Megido izy.
\s5
\v 23 Notifirin'ny mpandefa zana-tsipìka i Josia mpanjaka, ary hoy ny mpanjaka tamin'ireo mpanompony hoe: "Ento aho, fa tena maratra mafy."
\v 24 Ka dia navoakan'ireo mpanompony avy tao amin'ny kalesy izy, ary napetrany tao amin'ny fanampi-kalesiny. Nentin'izy ireo tany Jerosalema, izay nahafatesany izy. Nalevina tao amin'ny fasan'ireo razambeny izy. Nisaona an'i Josia ny Joda sy Jerosalema rehetra.
\s5
\v 25 Nanao hira fisaonana ho an'i Josia i Jeremia; ny mpihira lahy sy vavy rehetra dia misaona an'i Josia mandrak'ankehitriny. Ireo hira ireo dia tonga fomba tao Israely; indro, voasoratra ao amin'ny hira fisaonana ireo.
\v 26 Raha ny amin'ireo zavatra hafa mahakasika an'i Josia, sy ireo asa tsara nataony tamin'ny fankatoavana izay voasoratra tao amin'ny lalàn'i Yaveh—
\v 27 ary ireo asany, nanomboka tany am-piandohana hatramin'ny fiafarana, dia voasoratra ao amin'ny bokin'ireo mpanjakan'i Joda sy Israely.
\s5
\c 36
\p
\v 1 Avy eo ny olona tao amin'ilay tany naka an'i Joahaza zanaka lahin'i Josia, ka nanao azy mpanjaka teo amin'ny toeran'ny rainy tao Jerosalema.
\v 2 Telo amby roa-polo taona Joahaza raha nanomboka nanjaka, ary nanjaka telo volana tao Jerosalema izy.
\s5
\v 3 Nesorin'ny mpanjakan'i Egypta tao Jerosalema izy, ary ny tany nampadoaviny talenta volafotsy zato sy talenta volamena iray.
\v 4 Nataon'ny mpanjakan'i Egypta ho mpanjaka nanerana ny Joda i Eliakima rahalahiny, ary nanova ny anarany ho Joiakima. Avy eo nalainy i Joahaza rahalahin'i Eliakima ary nentiny tany Egypta.
\s5
\v 5 Dimy amby roa-polo taona i Joiakima tamin'izy nanomboka nanjaka, ary nanjaka iraika ambin'ny folo taona tao Jerosalema izy. Nanao izay ratsy teo imason'i Yaveh Andriamaniny izy.
\v 6 Avy eo Nebokadnezara, mpanjakan'i Babylona, nanafika azy sy namatotra azy tamin'ny rojo mba hitarihana azy ho any Babylona.
\v 7 Nitondra ny sasany tamin'ireo zavatra tao an-tranon'i Yaveh ihany koa Nebokadnezara, ary nametraka ireo tany amin'ny lapany tany Babylona.
\s5
\v 8 Raha ny amin'ireo raharaha hafa mahakasika an'i Joiakima, ireo zavatra mahatsiravina izay nataony, sy izay hita nanohitra azy, dia indro, voasoratra ao amin'ny bokin'ny tantaran'ireo mpanjakan'i Joda sy Israely ireny. Ary Joiakina, zanany lahy, no tonga mpanjaka teo amin'ny toerany.
\s5
\v 9 Valo taona Joiakima tamin'izy nanomboka nanjaka; nanjaka telo volana sy folo andro tao Jerosalema izy. Nanao izay ratsy teo imason'i Yaveh izy.
\v 10 Tamin'ny lohataona, dia naniraka lehilahy i Nebokadnezara ary nitondra azy tany Babylona, niaraka tamin'ireo zavatra sarobidy avy tao an-tranon'i Yaveh, ary nanao an'i Zedekia, havany, ho mpanjaka nanerana an'i Joda sy Jerosalema.
\s5
\v 11 Iraika amby roa-polo taona Zedekia tamin'izy nanomboka nanjaka; nanjaka iraika ambin'ny folo taona tao Jerosalema izy.
\v 12 Nanao izay ratsy teo imason'i Yaveh Andriamaniny izy. Ary tsy nanetry tena nanoloana an'i Jeremia mpaminany, izay niteny tamin'ny vavan'i Yaveh izy.
\s5
\v 13 Zedekia ihany koa dia nikomy tamin'i Nebokadnezara, izay nampianiana azy tsy fivadihana taminy tamin'ny alalan'Andriamanitra. Kanefa zedekia nanenjana ny hatony ary nanamafy ny fony mba tsy hitodika amin'i Yaveh, ilay Andriamanitr'Israely.
\v 14 Fanampin'izany, ireo mpitariky ny mpisorona sy ny vahoaka dia tsy nahatoky tanteraka, ary nanaraka ny fomba mahatsiravin'ireo firenena izy ireo. Nolotoin'izy ireo ny tranon'i Yaveh izay nohamasininy tany Jerosalema.
\s5
\v 15 Yaveh, ilay Andriamanitry ny razamben'izy ireo, dia nandefa teny foana foana tamin'izy ireo tamin'ny alalan'ireo mpitondra hafany, satria nanana fangoraham-po tamin'ny vahoakany sy tamin'ny toerana nipetrahany Izy.
\v 16 Kanefa naneso ireo mpitondra hafatr'Andriamanitra izy ireo, nanao tsinontsinona ny teniny, ary naniratsira ireo mpaminaniny, mandra-piharan'ny fahatezeran'i Yaveh tamin'ny vahoakany, ambara-paha tsy nisy fanampiana ho an'izany intsony.
\s5
\v 17 Noho izany dia nentin'Andriamanitra teo amin'izy ireo ny mpanjakan'ireo Kaldeana, izay namono ny zatovolahin'izy ireo tamin'ny sabatra tany amin'ny trano fitoerana masina, ary tsy mba nanana fangoraham-po tamin'ireo zatovolahy na ireo virijiny, na ny olona antitra na ny fotsy volo. Natolotr'Andriamanitra teo an-tanany avokoa izy rehetra.
\s5
\v 18 Ireo fanaka rehetra tao an-tranon'Andriamanitra, na lehibe na kely, ireo harena tao an-tranon'i Yaveh, sy ireo haren'ny mpanjaka sy ireo manam-boninahiny— nentiny tany Babylona ireo rehetra ireo.
\v 19 Nodoran'izy ireo ny tranon'Andriamanitra, narodana ny mandan'i Jerosalema, nodorana ny lapany rehetra, ary nopotehina ireo zavatra tsara tarehy rehetra tao amin'izany.
\s5
\v 20 Nentin'ny mpanjaka tany Babylona ireo izay tsy tratran'ny sabatra. Lasa mpanompony sy an'ireo zanany lahy izy ireo mandra-panjakan'ny fanjakan'i Persia.
\v 21 Nitranga izany mba hahatanteraka ny tenin'i Yaveh tamin'ny vavan'i Jeremia, mandra-pankafizan'ny tany ny fitsaharany amin'ny Sabata. Nanara-maso ny Sabatany izy ireo raha rava sy haolo izany, mba hiaina fito-polo taona tahaka izany.
\s5
\v 22 Ary tamin'ny taona voalohany nanjakan'i Kyrosy, mpanjakan'i Persia, mba hahatanteraka ny tenin'i Yaveh tamin'ny vavan'i Jeremia, dia nandrisika ny fanahin'i Kyrosy, mpanjakan'i Persia i Yaveh, mba hanaovany fanambarana manerana ny fanjakany rehetra, ary hanoratra izany ihany koa. Hoy Izy hoe:
\v 23 "Izao no ambaran'i Kyrosy, mpanjakan'i Persia: Yaveh, ilay Andriamanitry ny lanitra, no nanome ahy ny fanjakan'ny tany rehetra. Nandidy ahy Izy mba hanangana trano ho Azy any Jerosalema, izay any Joda. Na iza na iza eo aminareo avy amin'ny vahoakany rehetra, dia homba anareo anie Yaveh Andriamanitrareo. Aoka izy hiakatra any amin'ilay tany."