plt_ulb/13-1CH.usfm

1727 lines
132 KiB
Plaintext

\id 1CH
\ide UTF-8
\h 1 Tantara
\toc1 1 Tantara
\toc2 1 Tantara
\toc3 1ch
\mt 1 Tantara
\s5
\c 1
\p
\v 1 Adama, Seta, Enosy,
\v 2 Kenana, Mahalalila, Jareda,
\v 3 Enoka, Metosela, Lameka.
\v 4 Sema, Hama sy Jafeta no zanaka lahin'i Noa.
\f + \ft Fanamarihana: Ny dikan-teny sasany dia manala ny hoe: Ireo zanaka lahin'..., fa ny hafa dia ahitana io fomba fiteny io. \f*
\s5
\v 5 Ireo zanaka lahin'i Jafeta dia Gomera, Magoga, Maday, Javana, Tobala, Maseta, ary Tirasa.
\v 6 Ary ireo zanaka lahin'i Gomera dia Askenaza, Rifata, ary Togarma.
\f + \ft Fanamarihana: Ny dikan-teny sasany dia manao hoe: "Difata" raha tokony hoe "Rifata." Na izany aza, "Difata" dia mety ho fandikana diso. Ny fandikana maro taloha dia nanitsy izany ho: "Rifata" mba hanao izany ho anarana mitovy amin'ny ao amin'ny Gen 10:2. \f*
\v 7 Ireo zanaka lahin'i Javana dia Elisa, Tarisisy, Kitima, ary Dodanita.
\s5
\v 8 Ireo zanaka lahin'i Hama dia i Kosy, Mizraima, Pota, ary Kanana.
\v 9 Ireo zanaka lahin'i Kosy dia i Seba, Havila, Sabta, Ragama, ary Sabketa. Ireo zanaka lahin'i Ragama dia i Seba sy dedana.
\v 10 Kosa niteraka an'i Nimroda, izay mpandresy voalohany teto an-tany.
\s5
\v 11 Mizraima dia lasa razamben'ireo Lodita, Anamita, Lehabita, Naftohita,
\v 12 Patrosita sy ny Kaslohita (izay niavian'ireo Filistina), ary ireo Kaftorita.
\s5
\v 13 Kanana niteraka an'i Sidona, lahimatoany, sy Heta.
\v 14 Lasa razamben'ny Jebosita, Amorita, sy Girgasita,
\v 15 Hivita, Arkita, Sinita,
\v 16 Arvadita, Zemarita, ary ny Harnatita ihany koa izy.
\s5
\v 17 Ireo zanaka lahin'i Sema dia Elama, Asyra, Arpahada, Loda, Arama, Oza, Hola, Gatera, ary Maseka.
\v 18 Arpaksada niteraka an'i Sela, ary Sela niteraka an'i Ebera. Nanan-janaka roa lahy i Ebera.
\v 19 Ny anaran'ny iray dia Palega, satria tamin'ny androny dia nizara ny tany. Joktana ny anaran'ny rahalahiny.
\s5
\v 20 Joktana niteraka an'i Almodada, Salefa, Hazarmaveta, Jera,
\v 21 Hadorama, Ozala, Dikla
\v 22 Ebala, Abimaela, Seba,
\v 23 Ofira, Havila, Jobaba; taranak'i Joktana avokoa ireo.
\s5
\v 24 Sema, Arpaksada, Sela,
\v 25 Ebera, Palega, Reo,
\v 26 Seroga, Nahora, Tera,
\v 27 Abrama, izay Abrahama izany.
\s5
\v 28 Ireo zanaka lahin'i Abrahama dia Isaka sy Ismaela.
\v 29 Ireto avy ny zanaka lahin'izy ireo: ny lahimatoan'Ismaela dia i Nebaiota, avy eo Kedara, Abdela, Mibsama,
\v 30 Misma, Doma, Masa, Hadada, Tema,
\v 31 Jetora, Nafisy, ary Kedma. Ireo no zanaka lahin'Ismaela.
\s5
\v 32 Ireo zanaka lahin'i Ketora, vaditsindranon'i Abrahama, dia i Zimrama, Joksana, Medana, Midiana, Jisbaka, ary Soaha. Ireo zanaka lahin'i Joksana dia i Sheba sy Dedana.
\v 33 Ireo zanaka lahin'i Midiana dia i Efaha, Efera, Hanoka, Abida, ary Eldaha. Ireo rehetra ireo dia taranak'i Ketora.
\s5
\v 34 Abrahama niteraka an'Isaka. Ireo zanaka lahin'Isaka dia Esao sy Israely.
\v 35 Ireo zanaka lahin'i Esao dia Elifaza, Regoela, Jeosy, Jalama, ary Kora.
\v 36 Ireo zanaka lahin'i Elifaza dia Temana, Omara, Zefo, Gatama, Kenaza, Timna, ary Amaleka.
\v 37 Ireo zanaka lahin'i Regoela dia i Nahata, Zera, Sama, ary Miza.
\s5
\v 38 Ireo zanaka lahin'i Seira dia i Lotana, Sobala, Zibona, Ana, Disona, Ezera, ary Disana.
\v 39 Ireo zanaka lahin'i Lotana dia i Hori sy Homana, ary Timna no anabavin'i Lotana.
\v 40 Ireo zanaka lahin'i Sobala dia Aliana sy Manahata, Ebala, Sefy, ary Onama. Ireo zanaka lahin'i Zibona dia Aia sy Ana.
\s5
\v 41 Ny zanaka lahin'i Ana dia Disona. Ireo zanaka lahin'i Disona dia Hamrana, Esbana, Jitrana ary Kerana.
\v 42 Ireo zanaka lahin'i Ezera dia i Bilana, Zavana, ary Jakana. Ireo zanaka lahin'i Disana dia Oza sy Arana.
\s5
\v 43 Ireto avy ireo mpanjaka izay nanjaka tany amin'ny tany Edoma talohan'ny nanjakan'izay mety ho mpanjaka teo amin'ireo Israelita: Bela zanaka lahin'i Beora, ary ny anaran'ny tanànany dia Dinaba.
\v 44 Rehefa maty Bela, dia Jobaba zanaka lahin'i Zera avy any Bozra no nanjaka nandimby ny toerany.
\v 45 Rehefa maty Jobaba, dia Hosama avy any amin'ny tanin'ny Temanita no nanjaka nandimby ny toerany.
\s5
\v 46 Rehefa maty Hosama, dia i Hadada zanaka lahin'i Bedada, izay nandresy ireo Midianita tany amin'ny tanin'i Moaba, no nanjaka nandimby ny toerany. Avita no anaran'ny tanànany.
\v 47 Rehefa maty Hadada, dia nanjaka teo amin'ny toerany i Samla avy any Masreka.
\v 48 Rehefa maty Samla, dia nanjaka nandimby ny toerany i Saoly avy any Rehobota Hanahara.
\s5
\v 49 Rehefa maty Saoly, dia nanjaka nandimby ny toerany i Bala-hanana zanaka lahin'i Akbora.
\v 50 Rehefa maty Bala-hanana zanaka lahin'i Akbora, dia nanjaka nandimby ny toerany i Hadara. Pao no anaran'ny tanànany. Ny anaram-badiny dia Mehetabela zanaka vavin'i Matreda zanaka vavin'i Me-zahaba.
\s5
\v 51 Maty Hadada. Ary ny lohan'ireo foko tany Edoma dia i Timna, Alva, Jetata,
\v 52 Oholibama, Elaha, Pinona,
\v 53 Kenaza, Temana, Mibzara,
\v 54 Magdiela, ary Irama. Ireo no lohan'ireo foko tany Edoma.
\s5
\c 2
\p
\v 1 Ireto avy ireo zanaka lahin'Israely: Robena, Simeona, Levy, Joda, Isakara, Zebolona,
\v 2 Dana, Josefa, Benjamina, Naftaly, Gada, ary Asera.
\s5
\v 3 Ireo zanaka lahin'i Joda dia i Era, Onana, ary Sela, izay naterany tamin'ny zanaka vavin'i Batsoa, ilay Kananita. Era, lahimatoan'i Joda, dia ratsy fanahy teo imason'i Yaveh, ary novonoin'i Yaveh izy.
\v 4 Tamara, vinantony vavy, niteraka an'i Fareza sy Zera taminy. Nanan-janaka lahy dimy i Joda.
\s5
\v 5 Hezrona sy Hamola no zanaka lahin'i Fareza.
\v 6 Ireo zanaka lahin'i Zera kosa dia Zimry, Etana, Hemana, Kalkola, ary Dara, dimy ny fitambarany.
\v 7 Ny zanaka lahin'i Karmy dia i Akara, izay nitondra fikorontanana teo amin'Israely rehefa nangalatra izay voatokana ho an'Andriamanitra izy.
\v 8 Azaria no zanaka lahin'i Etana.
\s5
\v 9 Jeramela, Rama, ary Kelobay no zanaka lahin'i Hezrona.
\v 10 Rama niteraka an'i Aminadaba, ary Aminadaba niteraka an'i Nasona, mpitarika iray eo amin'ireo taranak'i Joda.
\v 11 Nasona niteraka an'i Salma, ary Salma niteraka an'i Boaza.
\v 12 Boaza niteraka an'i Obeda, ary Obeda niteraka an'i Jese.
\s5
\v 13 Jese niteraka an'i Eliaba lahimatoany, i Abinadaba faharoa, Simea fahatelo,
\v 14 Netanela fahefatra, Raday fahadimy,
\v 15 Ozema fahenina, ary Davida fahafito.
\s5
\v 16 Abigaila sy Zeroba no anabavin'izy ireo. Abisay, Joaba, ary Asahela, telo mirahalahy no zanaka lahin'i Zeroba.
\v 17 Abigaila niteraka an'i Amasa, izay Jitra ilay Ismaelita no rainy.
\s5
\v 18 Kaleba zanaka lahin'i Hezrona niteraka zanaka avy tamin'i Azoba, vadiny, sy tamin'i Jeriota. Jasera, Sobaba, ary Ardona no zanany lahy.
\v 19 Maty Azoba, ary dia nalain'i Kaleba ho vady i Efrata, izay niteraka an'i Hora taminy.
\v 20 Hora niteraka an'i Ory, ary Ory niteraka an'i Bezalila.
\s5
\v 21 Taty aoriana kely Hezrona (rehefa enim-polo taona izy) dia nampakatra ny zanaka vavin'i Makira, rain'i Gileada. Niteraka an'i Segoba taminy izy.
\v 22 Segoba niteraka an'i Jaira, izay nifehy tanàna telo amby roa-polo tao amin'ny tanin'i Gileada.
\s5
\v 23 Nalain'i Gesora sy Arama ny renivohitr'i Jaira sy Kenata, mbamin'ireo renivohitra enim-polo manodidina. Samy taranak'i Makira, rain'i Gileada avokoa ireo mponina rehetra ireo.
\v 24 Taorian'ny nahafatesan'i Hezrona, dia nandry niaraka tamin'i Efrata, vadin'i Hezrona rainy i Kaleba. Niteraka an'i Asora, rain'i Tekoa taminy izy.
\f + \ft Fanamarihana: Ny dikan-teny sasany dia mivaky toy izao: "Taorian'ny nahafatesan'i Hezrona tao Kaleba-efrata, dia niteraka zazalahy taminy i Abija vadiny, dia i Asora, rain'i Tekoa. \f*
\s5
\v 25 Ary ireo zanaka lahin'i Jeramela, ilay lahimatoan'i Hezrona, dia i Rama ilay lahimatoa, Bona, Orena, Ozema, ary Ahia.
\v 26 Mbola nanana vady hafa koa i Jeramela, izay Atara no anarany. Izy no renin'i Onama.
\v 27 Ireo zanaka lahin'i Rama, ilay lahimatoan'i Jeramela, dia i Maza, Jamina, ary Ekera.
\v 28 Samay sy Jada no zanaka lahin'i Onama. Nadaba sy Abisora no zanaka lahin'i Samay.
\s5
\v 29 Ny anaran'ny vadin'i Abisora dia Abihaila, ary niteraka an'i Abana sy Molida taminy izy.
\v 30 Saleda sy Apaima no zanaka lahin'i Nadaba, fa i Saleda kosa dia maty tsy nanan-janaka. Jisy no zanaka lahin'i Apaima.
\v 31 Sesana no zanaka lahin'i Jisy. Ahelay no zanaka lahin'i Sesana.
\v 32 Ireo zanaka lahin'i Jada, rahalahin'i Samay, dia Jatera sy Jonatana. Maty tsy nanan-janaka i Jatera.
\v 33 Paleta sy Zaza no zanaka lahin'i Jonatana. Ireo no taranak'i Jeramela.
\s5
\v 34 Ary Sesana tsy nanan-janaka lahy, fa zanaka vavy ihany. Nanana mpanompo i Sesana, izay Egyptiana, Jara no anarany.
\v 35 Nomen'i Sesana ho an'i Jara mpanompony ny zanany vavy mba ho vadiny. Niteraka an'i Atahy taminy izy.
\s5
\v 36 Atahy niteraka an'i Natana, ary Natana niteraka an'i Zabada.
\v 37 Zabada niteraka an'i Efiala, ary Efiala niteraka an'i Obeda.
\v 38 Obeda niteraka an'i Jeho, ary Jeho niteraka an'i Azaria.
\s5
\v 39 Azaria niteraka an'i Haleza, ary Haleza niteraka an'i Elasa.
\v 40 Elasa niteraka an'i Sismay, ary Sismay niteraka an'i Saloma.
\v 41 Saloma niteraka an'i Jekamia, ary Jekamia niteraka an'i Elisama.
\s5
\v 42 Ireo zanaka lahin'i Kaleba, rahalahin'i Jeramela, dia Mesa lahimatoany, izay razamben'ny any Zifa. Ny zanany lahy faharoa, Maresa, no razamben' ny any Hebrona.
\v 43 Kora, Tapoa, Rakema, ary Sema no zanaka lahin'i Hebrona.
\v 44 Sema niteraka an'i Rahama, rain'i Jorkeama. Rakema niteraka an'i Samay.
\s5
\v 45 Maona no zanaka lahin'i Samay, ary Maona no razamben'i Beti-zora.
\v 46 Efaha, vaditsindranon'i Kaleba, niteraka an'i Harana, Moza, ary Gazeza. Ary Harana niteraka an'i Gazeza.
\v 47 Ragema, Jotama, Gesana, Paleta, Efaha, ary Safa no zanaka lahin'i Jeday.
\s5
\v 48 Maka, vaditsindranon'i Kaleba, niteraka an'i Sabera sy Tirana. Niteraka an'i Safa raamben'ny any Madmana, Seva razamben'ny any Makbena sy razamben'ny any Gibea ihany koa izy.
\v 49 Ny zanaka vavin'i Kaleba dia i Aksa. Ireo no taranak'i Kaleba.
\v 50 Ireto avy ny zanaka lahin'i Hora, lahimatoany avy tamin'i Efrata: Sobala razamben'ny any Kiriata-Jearima,
\s5
\v 51 Salma razamben'i Betlehema, ary Harefa razamben'ny any Beti-gadera.
\s5
\v 52 Sobala razamben'ny any Kiriata Zarima dia nanana taranaka: Haroe, ny antsasaky ny vahoaka Hamenakota,
\v 53 ary ireo fokon'i Kiriata Zarima: dia ireo Jitrita, Potita, Somatita, ary Misraita. Ireo Zoraita sy Estaolita dia taranaka avy amin'izy ireo.
\s5
\v 54 Ireto manaraka ireto ny fokon'i Salma: Betlehema, ireo Netofatita, Atrota Beti-Joaba, ary ny antsasak'ireo Hamanatita—ireo Zoraita,
\v 55 ireo fokon'ireo mpanora-dalàna izay nonina tany Jabeza dia: ireo Tiratita, Simeatita, ary ny Sokatita. Ireo no Kenita izay taranaka avy tamin'i Hamata, razamben'ireo Rekabita.
\s5
\c 3
\p
\v 1 Ary ireto avy ny zanaka lahin'i Davida izay naterany tany Hebrona: Amnona no lahimatoa, zanak'i Ahinoama avy any Jezirela; Daniela no faharoa, zanak'i Abigaila avy any Karmela;
\v 2 Absaloma, zanak'i Maka, zanaka vavin'i Talmay mpanjakan'i Gesora no fahatelo. Adonia zanaka lahin'i Hagita no fahefatra;
\v 3 Sefatia zanaka lahin'i Abitala no fahadimy; Jitreama zanaka lahin'i Egla vadiny no fahenina.
\s5
\v 4 Ireo enina ireo no naterak'i Davida tao Hebrona, izay nanjakany nandritry ny fito taona sy enim-bolana. Avy eo izy nanapaka nandritry ny telo amby telo-polo taona tao Jerosalema.
\v 5 Ireto zazalahy efatra ireto, izay avy amin'i Batsoa zanaka vavin'i Amiela, dia naterany tany Jerosalema: Simea, Sobaba, Natana, ary Solomona.
\f + \ft Fanamarihana: Ireo dikan-teny sasany dia manao hoe: "Batseba" raha tokony ho "Batsoa" \f*
\s5
\v 6 Ireo zanaka lahin'i Davida sivy hafa dia: Jibara, Elisama, Elifeleta,
\f + \ft Fanamarihana: Ny ULB sy UDB dia mampifanaraka ny hoe "Elisama" sy "Elifeleta" amin'i "Elisoa" sy "Elfeleta," tahaka ny ataon'ny dikan-teny sasany. \f*
\v 7 Noga, Nafega, Jafia,
\v 8 Elisama, Eliada, ary Elifeleta.
\v 9 Ireo no zanaka lahin'i Davida, tsy ao anatin'izany ireo zanany avy tamin'ireo vaditsindranony. Tamara no anabavin'izy ireo.
\s5
\v 10 Rehoboama no zanaka lahin'i Solomona. Abia no zanaka lahin'i Rehoboama. Asa no zanaka lahin'i Abia.
\v 11 Josafata no zanaka lahin'i Asa. Jehorama no zanaka lahin'i Josafata. Ahazia no zanaka lahin'i Jehorama. Joasy no zanaka lahin'i Ahazia.
\v 12 Amazia no zanaka lahin'i Joasy. Azaria no zanaka lahin'i Amazia. Jotama no zanaka lahin'i Azaria.
\s5
\v 13 Ahaza no zanaka lahin'i Jotama. Hezekia no zanaka lahin'i Ahaza.
\v 14 Manase no zanaka lahin'i Hezekia. Amona no zanaka lahin'i Manase. Josia no zanaka lahin'i Amona.
\s5
\v 15 Johanana no zanak'i Josia lahimatoa, Joiakima no faharoa, Zedekia no fahatelo, ary Saloma no fahefatra.
\v 16 Jekonia sy Zedekia no zanaka lahin'i Joiakima.
\s5
\v 17 Ireo zanaka lahin'i Jekonia, ilay babo, dia Sealtiela,
\v 18 Malkirama, Pedaia, Senazara, Jekamia, Hosama, ary Nedabia.
\s5
\v 19 Zerobabela sy Simey no zanaka lahin'i Pedaia. Mesolama sy Hanania no zanaka lahin'i Zerobabela; Selomita no anabavin'izy ireo.
\v 20 Ireo zanany lahy dimy hafa dia Hasoba, Ohela, Berekia, Hasadia, ary Josaba-heseda.
\v 21 Ireo zanaka lahin'i Hanania dia Pelatia sy Jisaia. Rafaia no zanany lahy, ary Arnana, Obadia, sy Sekania no taranaka bebe kokoa.
\s5
\v 22 Semaia no zanaka lahin'i Sekania. Hatosy, Jigala, Baria, Nearia, ary Safata no zanaka lahin'i Semaia.
\v 23 Ireo zanaka lahin'i Nearia telo dia Elioenay, Hezekia, ary Azrikama.
\v 24 Ireo zanaka lahin'i Elioenay fito dia Hodaia, Eliasiba, Pelaia, Akoba, Johanana, Delaia, ary Anany.
\s5
\c 4
\p
\v 1 Ireo taranak'i Joda dia Fareza, Hezrona, Karmy, Hora, ary Sobala.
\v 2 Sobala no rain'i Reaia. Reaia no rain'i Jahata. Jahata no rain'i Ahomay sy Lahada. Ireo no razamben'ny fokon'ireo Zoraita.
\s5
\v 3 Ireto avy ireo razamben'ireo foko tao amin'ny tanànan'i Etama: Jezirela, Jisma, ary Jidbasy. Hazelelpony no anaran'ny anabavin'izy ireo.
\v 4 Penoela no razamben'ny foko tao amin'ny tanànan'i Gedora. Ezera no fiantombohan'ireo foko tao Hosa. Ireo no taranak'i Hora, ilay lahimatoan'i Efrata sy razamben'ny any Betlehema.
\s5
\v 5 Asora razamben'ny any Tekoa dia nanana vady roa, Hela sy Nara.
\v 6 Nara niteraka an'i Ahozama, Hafera, Temeny ary Hahastary. Ireo no zanaka lahin'i Nara.
\v 7 Ireo zanaka lahin'i Hela dia Zareta, Jizara, Etnana
\v 8 ary Hakoza, izay niteraka an'i Anoba sy Zobeba, sy ny foko avy amin'ny taranak'i Aharela zanaka lahin'Haroma.
\s5
\v 9 Jabeza dia voahaja kokoa noho ireo rahalahiny. Jabeza no niantsoan'ny reniny azy. Hoy izy hoe: "Satria tamin'ny fanaintainana no niterahako azy."
\v 10 Niantso an'ilay Andriamanitry ny Israely i Jabeza ary niteny hoe: "Raha hitahy ahy tokoa Ianao, dia hitaro ny fari-taniko, ary ny tananao homba ahy. Rehefa manao izany Ianao dia hiaro ahy amin'ny ratsy, mba ho afaka amin'ny fanaintainana aho!" Koa dia notanterahin'Andriamanitra ny fivavany.
\s5
\v 11 Keloba rahalahin'i Soha niteraka an'i Mehira, izay rain'i Estona.
\v 12 Estona niteraka an'i Betirafa, Pasea, ary Tehina, izay nanorina ny tanànan'i Ir-nahasa. Ireo avy ireo olona nonina tao Reka.
\s5
\v 13 Ireo zanaka lahin'i Kenaza dia Otniela sy Seraia. Ireo zanaka lahin'i Otniela dia Hatata sy Meonotahy.
\f + \ft Fanamarihana: Ny ankamaroan'ireo dikan-teny dia manisy hoe: "Meonotahy" ao amin'io andininy io, mihevitra hoe fahadisoan'ny mpanoratra ny nanala izany \f*
\v 14 Meonotahy niteraka an'i Ofra, ary Seraia niteraka an'i Joaba, ilay niantombohan'ny lohasahan'ny mpiasa, izay mpanao asa-tanana ny vahoakany.
\v 15 Ireo zanaka lahin'i Kaleba zanaka lahin'i Jefone dia Iro, Elaha sy Nama. Ny zanaka lahin'i Elaha dia Kenaza.
\v 16 Ireo zanaka lahin'i Jehalalila dia i Zifa, Zifaha, Tiria ary Asarela.
\s5
\v 17 Ireo zanaka lahin'i Ezra dia i Jatera, Mareda, Efera ary Jalona. Ilay Egyptiana vadin'i Mareda dia niteraka an'i Miriama, Samay ary Jisba, izay razamben'ny any Estemoa. Ireo no zanaka lahin'i Bitia, zanaka vavin'i Farao, izay novadian'i Mareda.
\v 18 Ilay Jiosy vadin'i Mareda dia niteraka an'i Jareda, izay niteraka an'i Gedora; Hebera, izay niteraka an'i Soko; ary Jakotiela izay niteraka an' i Zanoa.
\s5
\v 19 Ny amin'ireo zanaka roa lahin'ny vadin'i Hodia, anabavin'i Nahama, ny iray dia niteraka an'i Keila ilay Garmita. Ilay hafa dia Estemoa ilay Makatita.
\v 20 Ireo zanaka lahin'i Simona dia i Amnona, Rina, Ben-hanana, ary Tilona. Ireo zanaka lahin'i Jisy dia i Zoheta sy Ben-zoheta.
\s5
\v 21 Ireo taranak'i Sela zanaka lahin'i Joda dia Era rain'i Leka, Lada rain'i Maresa sy ireo fokon'ireo mpanao rongony fotsy madinika tany Asbea,
\v 22 Jokima, ireo vahoakan'i Kozeba, ary Joasy sy Sarafa, izay nanana fananana tao Moaba, nefa niverina tany Betlehema. (Avy amin'ireo raki-tsoratra taloha io fampahafantarana io).
\v 23 Ny sasany tamin'ireo olona mpanefy tanimanga ireo dia nonina tao Netaima sy Gadera ary niasa ho an'ny mpanjaka.
\s5
\v 24 Ireo taranak'i Simeona dia Nemoela, Jamina, Jariba, Zera ary Saoly.
\v 25 Saloma no zanaka lahin'i Saoly, Mibsama no zanaka lahin'i Saloma, ary Misma no zanaka lahin'i Mibsama.
\v 26 Ireo taranak'i Misma dia i Hamoela zanany lahy, Zakora zafiny, ary Simey zafiafiny.
\s5
\v 27 Simey dia nanana zanaka lahy enina ambin'ny folo ary zanaka vavy enina. Ny rahalahiny dia tsy nanana zanaka maro, ka tsy nitombo tahaka ny vahoakan'i Joda ny isan'ireo fokony.
\v 28 Nonina tao Beri-sheba, Molada, sy tao Hazara-soala izy ireo.
\s5
\v 29 Nonina tao Bila, Ezema sy Tolada,
\v 30 Betoela, Horma sy Ziklaga,
\v 31 Beti-markabota, Hazora-sosima, Beti-biry ary Saraima ihany koa izy ireo. Ireo no tanànan'izy ireo mandra-panjakàn' i Davida.
\s5
\v 32 Ireo tanàna dimin'izy ireo dia Etama, Aina, Rimona, Tokena, ary Asana,
\v 33 niaraka tamin'ireo tanàna manodidina hatrany Bala. Ireo no fonenan'izy ireo, ary izy ireo no nihazona ny tahirin'ny tetiarana.
\s5
\v 34 Ireo mpitarika ny foko dia i Mesobaba, Jamleka, Josa zanaka lahin'i Amazia,
\v 35 Joela, Jeho zanaka lahin'i Josibia zanaka lahin'i Seraia zanaka lahin'i Asiela,
\v 36 Elioenay, Jakoba, Jesohaia, Asaia, Adiela, Jesimiela sy Benaia,
\v 37 ary Ziza zanaka lahin'i Sify zanaka lahin'i Alona zanaka lahin'i Jedaia zanaka lahin'i Simry zanaka lahin'i Semaia.
\v 38 Ireo anarana voatonona ireo no mpitarika tao amin'ny fokon'izy ireo, ary nitombo maro ireo fokony.
\s5
\v 39 Nankany akaikin'i Gedora izy ireo, tany amin'ny ilany atsinanan'ny lohasaha, mba hitady ahitra ho an'ny ondry aman'osin'izy ireo.
\v 40 Nahita ahitra maro sady tsara izy ireo. Nalalaka, nangingina, ary nilamina ilay tany. Efa nonina tao ireo Hamita tany aloha.
\v 41 Ireo voasoratra anarana ireo dia tonga tamin'ny andron'i Hezekia mpanjakan'i Joda, ka nanafika ny fonenan'i Hamita sy ireo Meonita, izay tao ihany koa. Naringan'izy ireo tanteraka izy ireo ary nonina tao satria nahita ahitra ho an'ireo ondry aman'osiny izy ireo.
\s5
\v 42 Nisy lehilahy diman-jato avy tamin'ny fokon'i Simeona nankany amin'ny tendrombohitra Seira, niaraka tamin'ireo mpitarik'izy ireo dia i Peletia, Nearia, Refaia, ary Oziela zanaka lahin'i Jisy.
\v 43 Nandresy ny sisa afaka tamin'ny Amalekita izy ireo, ka nonina tao mandrak'androany.
\s5
\c 5
\p
\v 1 Ireo zanaka lahin'i Robena ilay lahimatoan'Israely— ary Robena no lahimatoan'Israely, kanefa nomena an'ireo zanaka lahin'i Josefa zanaka lahin'Israely ny fizokiany satria nandoto ny fandrian-drainy i Robena. Ka dia tsy voasoratra ho zanaka lahy zokiny indrindra izy.
\v 2 Joda no natanjaka indrindra tamin'ireo rahalahiny, ary avy aminy no niavian'ny mpitarika. Kanefa ny fizokiana dia an'i Josefa—
\v 3 ireo zanaka lahin'i Robena, ilay lahimatoan'Israely dia i Hanoka, Palo, Hezrona, ary Karmy.
\s5
\v 4 Ireto avy ny taranak'i Joela: ny zanaka lahin'i Joela dia i Semaia.
\v 5 Ny zanaka lahin'i Semaia dia i Goga. Ny zanaka lahin'i Goga dia i Simei. Ny zanaka lahin'i Simei dia i Mika. Ny zanaka lahin'i Mika dia i Reaia. Ny zanaka lahin'i Reaia dia i Bala.
\v 6 Ny zanaka lahin'i Bala dia i Bera, ilay nalain'i Tiglato-pilesera mpanjakan'i Asyria ho babo. Bera dia mpitarika tao amin'ny fokon'i Robena.
\s5
\v 7 Ireto manaraka ireto ny havan'i Bera avy amin'ireo fokony, izay voatanisa ao amin'ny tahirin'ny tetiaran'izy ireo: Jeiela no zokiny indrindra, Zakaria, sy
\v 8 Bela zanaka lahin'i Azaza zanaka lahin'i Sema zanaka lahin'i Joela. Nonina tany Aroera, hatrany Nebo ary Balameona,
\v 9 ary miantsinana manomboka eo amin'ny efitra izay mihitatra hatrany amin'ny renirano Efrata izy ireo. Izany dia satria nanana biby fiompy maro teo amin'ny tanin'i Gileada izy ireo.
\s5
\v 10 Tamin'ny andron'i Saoly, dia nanafika an'ireo Hagrita ny fokon'i Robena ary nandresy azy ireo. Nonina tao amin'ny lain'ireo Hagrita nanerana ny tany rehetra tany antsinanan'i Gileada izy ireo.
\s5
\v 11 Nonina teo akaikin'izy ireo ny mpikambana tao amin'ny fokon'i Gada, teo amin'ny tany Basana hatrany Saleka.
\v 12 Ny mpitarika azy ireo dia i Joela, izay lehiben'ny foko, ary Safama no lehiben'ny foko hafa, ary Janay sy Safata tany Basana.
\v 13 Ireo havan'izy ireo, avy amin'ireo fianakavian-drainy, dia i Mikaela, Mesolama, Seba, Joray, Jakana, Zia, ary Ebera— fito ny fitambarany.
\s5
\v 14 Ireo olona voalaza anarana eo ambony ireo no taranak'i Abihaila, ary Abihaila dia zanaka lahin'i Hory. Hory dia zanaka lahin'i Jaroa. Jaroa dia zanaka lahin'i Gileada, Gileada dia zanaka lahin'i Mikaela. Mikaela dia zanaka lahin'i Jesisay. Jesisay dia zanaka lahin'i Jado. Jado dia zanaka lahin'i Boza.
\v 15 Ahia zanaka lahin'i Abdiela zanaka lahin'i Gony, no loham-pianakavian'ny rain'izy ireo.
\s5
\v 16 Nonina tao Gileada, tany Basana, tao amin'ny renivohiny izy ireo, ary tao amin'ny tany fihinanam-bilon'i Sarona rehetra hatrany amin'ny sisin-taniny.
\v 17 Ireo rehetra ireo dia voatanisa araka ny tahiry tetiarana tamin'ny andron'i Jotama mpanjakana'i Joda sy tamin'i Jeroboama mpanjakan'Israely.
\s5
\v 18 Ireo Robenita, ireo Gadita, ary ny antsasaky ny fokon'i Manase dia nanana miaramila efatra arivo sy efatra alina voahofana ho amin'ny ady, izay nitàna ampinga sy sabatra, ary nanenjana ny tsipìka.
\v 19 Nanafika an'ireo Agarita, Jetora, Nafisy, ary Nodaba izy ireo.
\s5
\v 20 Nandray fanampiana avy tamin'Andriamanitra izy ireo mba hamelezana azy ireo. Tamin'izany fomba izany, no naharesy ireo Agarita sy izay rehetra niaraka tamin'izy ireo. Izany dia satria nitalaho tamin'Andriamanitra tany an'ady ny Israelita, ary namaly azy ireo Izy, satria nametraka ny fitokisany taminy izy ireo.
\v 21 Nosamborin'izy ireo ny biby fiompiny, anisan'izany ny rameva dimy alina, ondry aman'osy 250. 000, boriky roa arivo, ary lehilahy 100. 000.
\v 22 Satria Andriamanitra niady ho azy ireo, dia novonoin'izy ireo ny ankamaroan'ireo fahavalo. Nonina tao amin'ny taniny izy ireo mandra-pahatongan'ny fanababoana.
\s5
\v 23 Nonina teo amin'ny tany Basana hatrany Bala Hermona sy Senira (Tendrombohitra Hermona izany) ny antsasaky ny fokon'i Manase.
\v 24 Ireto avy ny mpitarika ny fianakavian'izy ireo: Efera, Jisy, Eliala, Azriela, Jeremia, Hodavia, ary Jadiela. Izy ireo dia lehilahy mahery sy be risi-po, lehilahy malaza, mpitarika ny fianakavian'izy ireo.
\s5
\v 25 Kanefa tsy nahatoky ny Andriamanitr'ireo razambeny izy ireo. Fa kosa, nanompo ny andriamanitr'ireo vahoakan'ny tany, izay efa noravan'Andriamanitra teo anatrehan'izy ireo.
\v 26 Ilay Andriamanitr'Israely namporisika an'i Pola mpanjakan'i Asyria (antsoina ihany koa hoe Tiglato-pilesera, mpanjakan'i Asyria). Nalefany sesi-tany ireo Robenita, Gadita, ary ny antsasaky ny fokon'i Manase. Nentiny tany Hala, Habora, Hara, ary tany amin'ny reniranon'i Gozana izy ireo, izay hitoeran'izy ireo mandrak'androany.
\s5
\c 6
\p
\v 1 Ireo zanaka lahin'i Levy dia i Gersona, Kehata, ary Merary.
\v 2 Ireo zanaka lahin'i Kehata dia i Amrama, Jizara, Hebrona, ary Oziela.
\v 3 Ireo zanak'i Amrama dia i Arona, Mosesy ary Miriama. Ireo zanaka lahin'i Arona dia Nadaba, Abiho, Eleazara, ary Itamara.
\s5
\v 4 Eleazara niteraka an'i Finehasa, ary Finehasa niteraka an'i Abisoa.
\v 5 Abisoa niteraka an'i Boky, ary Boky niteraka an'i Ozy.
\v 6 Ozy niteraka an'i Zerahia, ary Zerahia niteraka an'i Meraiota.
\s5
\v 7 Meraiota niteraka an'i Amaria, ary Amaria niteraka an'i Ahitoba.
\v 8 Ahitoba niteraka an'i Zadoka, ary Zadoka niteraka an'i Ahimaza.
\v 9 Ahimaza niteraka an'i Azaria, ary Azaria niteraka an'i Johanana.
\s5
\v 10 Johanana niteraka an'i Azaria, izay nanompo tao amin'ny tempoly izay namboarin'i Solomona tany Jerosalema.
\v 11 Azaria niteraka an'i Amaria, ary Amaria niteraka an'i Ahitoba.
\v 12 Ahitoba niteraka an'i Zadoka, ary Zadoka niteraka an'i Saloma.
\s5
\v 13 Saloma niteraka an'i Hilkia, ary Hilkia niteraka an'i Azaria.
\v 14 Azaria niteraka an'i Seraia, ary Seraia niteraka an'i Jozadaka.
\v 15 Lasa babo i Jozadaka rehefa nataon'i Yaveh sesi-tany tamin'ny tanan'i Nebokadnezara i Joda sy Jerosalema.
\s5
\v 16 Ireo zanaka lahin'i Levy dia i Gersona, Kehata, ary Merary.
\v 17 Ireo zanaka lahin'i Gersona dia i Libny sy Semey.
\v 18 Ireo zanaka lahin'i Kehata dia i Amrama, Jizara, Hebrona, ary Oziela.
\s5
\v 19 Ireo zanaka lahin'i Merary dia i Maly sy Mosy. Lasa fokon'i Levita avy amin'ireo fianakavian-drainy izy ireo.
\v 20 Ireo taranak'i Gersona dia nanomboka tamin'i Libny zanany lahy. Ny zanaka lahin'i Libny dia i Jahata. Ny zanany lahy dia i Zima.
\v 21 Ny zanany lahy dia i Joa. Ny zanany lahy dia i Ido. Ny zanany lahy dia i Zera. Ny zanany lahy dia i Jeateray.
\s5
\v 22 Ireo taranak'i Kehata dia nanomboka tamin'i Aminadaba zanany lahy. Ny zanany lahy dia i Kora. Ny zanany lahy dia i Asira.
\v 23 Ny zanany lahy dia i Elkana. Ny zanany lahy dia i Ebiasafa. Ny zanany lahy dia i Asira.
\v 24 Ny zanany lahy dia i Tahata. Ny zanany lahy dia i Oriela. Ny zanany lahy dia i Ozia. Ny zanany lahy dia i Saoly.
\s5
\v 25 Ireo zanaka lahin'i Elkana dia i Amasay, Ahimota, ary Elkana.
\v 26 Ny zanaka lahin'ity Elkana faharoa ity dia i Zofay. Ny zanany lahy dia i Nahata.
\v 27 Ny zanany lahy dia i Eliaba. Ny zanany lahy dia i Jerohama. Ny zanany lahy dia i Elkana.
\s5
\v 28 Ireo zanaka lahin'i Samoela, dia i Joela lahimatoa, ary Abia, no faharoa.
\v 29 Ny zanaka lahin'i Merary dia Maly. Ny zanany lahy dia Libny. Ny zanany lahy dia Semey. Ny zanany lahy dia Oza.
\v 30 Ny zanany lahy dia Simea. Ny zanany lahy dia Hagia. Ny zanany lahy dia Asaia.
\s5
\v 31 Ireto avy ireo anaran'ireo lehilahy izay nataon'i Davida hiandraikitra ny zava-maneno tao an-tranon'i Yaveh, tao aorian'ny nijanonan'ny fiara tao.
\v 32 Nanompo tamin'ny fihirana nanoloana ny tabernakely, ilay trano lay fihaonana izy ireo, mandra-pahavitan'i Solomona ny tranon'i Yaveh tany Jerosalema. Nahatanteraka ny adidiny nifanaraka tamin'ireo toromarika izay nomena azy izy ireo.
\s5
\v 33 Ireto avy ireo izay nanompo niaraka tamin'ireo zanany lahy. Avy amin'ny fokon'ny Kehatita i Hemana mpitendry zava-maneno. Ireto avy ireo razambeny, miverina araka ny fotoana: Hemana no zanaka lahin'i Joela. Joela no zanaka lahin'i Samoela.
\v 34 Samoela no zanaka lahin'i Elkana. Elkana no zanaka lahin'i Jerohama. Jerohama no zanaka lahin'i Eliala. Eliala no zanaka lahin'i Toa.
\v 35 Toa no zanaka lahin'i Zofa. Zofa no zanaka lahin'i Elkana. Elkana no zanaka lahin'i Mahata. Mahata no zanaka lahin'i Amasay. Amasay no zanaka lahin'i Elkana.
\s5
\v 36 Elkana no zanaka lahin'i Joela. Joela no zanaka lahin'i Azaria. Azaria no zanaka lahin'i Zefania.
\v 37 Zefania no zanaka lahin'i Tahata. Tahata no zanaka lahin'i Asira. Asira no zanaka lahin'i Ebiasafa. Ebiasafa no zanaka lahin'i Kora.
\v 38 Kora no zanaka lahin'i Jizara. Jizara no zanaka lahin'i Kehata. Kehata no zanaka lahin'i Levy. Levy no zanaka lahin'Israely.
\s5
\v 39 Asafa no mpiara-miasa tamin'i Hemana, izay nitsangana teo amin'ny tanany an-kavanana. Asafa no zanaka lahin'i Berekia. Berekia no zanaka lahin'i Simea.
\v 40 Simea no zanaka lahin'i Mikaela. Mikaela no zanaka lahin'i Beseia. Beseia no zanaka lahin'i Malkia.
\v 41 Malkia no zanaka lahin'i Etny. Etny no zanaka lahin'i Zera. Zera no zanaka lahin'i Adaia.
\v 42 Adaia no zanaka lahin'i Etana. Etana no zanaka lahin'i Zima. Zima no zanaka lahin'i Simey.
\v 43 Simey no zanaka lahin'i Jahata. Jahata no zanaka lahin'i Gersona. Gersona no zanaka lahin'i Levy.
\s5
\v 44 Teo amin'ny tanana an-kavian'i Hemana ireo zanaka lahin'i Merary izay mpiara-miasa taminy. Anisan'izany i Etana zanaka lahin'i Kisy. Kisy dia zanaka lahin'i Abdia. Abdia no zanaka lahin'i Maloka.
\v 45 Maloka no zanaka lahin'i Hasabia. Hasabia no zanaka lahin'i Amazia. Amazia no zanaka lahin'i Hilkia.
\v 46 Hilkia no zanaka lahin'i Amzy. Amzy no zanaka lahin'i Bany. Bany no zanaka lahin'i Samera.
\v 47 Samera no zanaka lahin'i Maly. Maly no zanaka lahin'i Mosy. Mosy no zanaka lahin'i Merary. Merary no zanaka lahin'i Levy.
\s5
\v 48 Ireo mpiara-miasa amin'izy ireo, ireo Levita, dia voatendry hanao ny asa rehetra ho an'ny tabernakely, ilay tranon'Andriamanitra.
\s5
\v 49 Arona sy ireo zanany lahy no nanao ny fanatitra teo amin'ny alitara ho an'ny fanatitra dorana; sy ny fanatitra teo amin'ny alitaran'ny ditin-kazo manitra ho an'ny asa rehetra eo amin'ny toerana masina indrindra. Ireo fanatitra ireo no nanaovana fanavotana ho an'Israely, araka izay rehetra nandidin'i Mosesy ilay mpanompon'Andriamanitra.
\s5
\v 50 Ireo taranak'i Arona dia voatanisa toy izao manaraka izao: ny zanaka lahin'i Arona dia Eleazara. Ny zanaka lahin'i Eleazara dia Finehasa. Ny zanaka lahin'i Finehasa dia Abisoa.
\v 51 Ny zanaka lahin'i Abisoa dia Boky. Ny zanaka lahin'i Boky dia Ozy. Ny zanaka lahin'i Ozy dia Zerahia.
\v 52 Ny zanaka lahin'i Zerahia dia Meraiota. Ny zanaka lahin'i Meraiota dia Amaria. Ny zanaka lahin'i Amaria dia Ahitoba.
\v 53 Ny zanaka lahin'i Ahitoba dia Zadoka. Ny zanaka lahin'i Zadoka dia Ahimaza.
\s5
\v 54 Ireto avy ireo toerana izay voatondro honenan'ireo taranak'i Arona, izay natao ho an'ireo taranak'i Arona izay avy amin'ny fokon'ny Kehatita (ny filokana voalohany dia azy ireo).
\v 55 Nomen'izy ireo azy ireo Hebrona any amin'ny tanin'i Joda sy ireo tany fihinanam-bilony,
\v 56 fa ireo sahan'ny tanàna sy ireo vohiny kosa dia nomen'izy ireo an'i Kaleba zanaka lahin'i Jefone.
\s5
\v 57 Ho an'ireo taranak'i Arona dia nomen'izy ireo: Hebrona (tanànan'ny fialofana), sy Libna miaraka amin'ireo tany fihinanam-bilony, Jatira, Estemoa miaraka amin'ireo tany fihinanam-bilony,
\v 58 Hilena miaraka amin'ireo tany fihinanam-bilony, ary Debira miaraka amin'ireo tany fihinanam-bilony.
\s5
\v 59 Nomen'izy ireo ho an'ireo taranak'i Arona: Asana miaraka amin'ireo tany fihinanam-bilony sy Beti-semesy miaraka amin'ireo tany fihinanam-bilony;
\v 60 ary avy amin'ny fokon'ny Benjamina no nanomezana azy ireo an'i Geba miaraka amin'ireo tany fihinanam-bilony, Alemeta miaraka amin'ireo tany fihinanam-bilony, ary Anotata miaraka amin'ireo tany fihinanam-bilony. Ireo tanànan'izy ireo rehetra dia miisa telo ambin'ny folo.
\s5
\v 61 Ho an'ireo taranak'i Kehata ambiny dia nomen'izy ireo azy ireo tamin'ny filokana ireo tanàna folo avy amin'ny antsasaky ny fokon'ny Manase.
\v 62 Ho an'ireo taranak'i Gersona amin'ireo fokony isan-karazany dia nomena ho azy ny tanàna telo ambin'ny folo avy amin'ireo fokon'ny Isakara, Asera, Naftaly, ary ny antsasaky ny fokon'ny Manase tany Basana.
\s5
\v 63 Ho an'ireo taranak'i Merary dia nomen'izy ireo tanàna roa ambin'ny folo, araka ireo fokony, avy amin'ny fokon'i Robena, Gada, ary Zebolona.
\v 64 Ary dia nomen'ireo olon'Israely ho an'ireo Levita ireo tanàna ireo miaraka amin'ireo tany fihinanam-bilony.
\v 65 Notendren'izy ireo tamin'ny filokana ireo renivohitra voalaza teo aloha avy amin'ny fokon'i Joda, Simeona, ary Benjamina.
\s5
\v 66 Ho an'ireo fokon'ny Kehatita sasany dia nomen'izy ireo tanàna avy amin'ny fokon'i Efraima.
\v 67 Nomen'izy ireo azy ireo: Sekema (tanànan'ny fialofana) miaraka amin'ireo tany fihinanam-bilony tany amin'ny tany havoan'i Efraima, Gazera miaraka amin'ireo tany fihinanam-bilony,
\v 68 Jokmeama miaraka amin'ireo tany fihinanam-bilony, Beti-horona miaraka amin'ireo tany fihinanam-bilony,
\v 69 Aialona miaraka amin'ireo tany fihinanam-bilony ary Gata-rimona miaraka amin'ireo tany fihinanam-bilony.
\s5
\v 70 Nomen'ireo antsasaky ny fokon'i Manase an'ireo Kehatita: Amera miaraka amin'ireo tany fihinanam-bilony sy Bileama miaraka amin'ireo tany fihinanam-bilony. Lasa fananan'ireo fokon'ny Kehatita sisa ireo.
\s5
\v 71 Ho an'ireo taranak'i Gersona tsy ao anatin'ny antsasaky ny fokon'i Manase, nomen'izy ireo: Golana any Basana miaraka amin'ireo tany fihinanam-bilony sy Astarta miaraka amin'ireo tany fihinanam-bilony.
\v 72 Nomen'ny fokon'Isakara an'ireo taranak'i Gersona: Kadesy miaraka amin'ireo tany fihinanam-bilony, Daberata miaraka amin'ireo tany fihinanam-bilony,
\v 73 Ramota miaraka amin'ireo tany fihinanam-bilony, ary Anema miaraka amin'ireo tany fihinanam-bilony.
\s5
\v 74 Noraisin'Isakara avy amin'ny fokon'i Asera: Masala miaraka amin'ireo tany fihinanam-bilony, Abdona miaraka amin'ireo tany fihinanam-bilony,
\v 75 Hokoka miaraka amin'ireo tany fihinanam-bilony, ary Rehoba miaraka amin'ireo tany fihinanam-bilony.
\v 76 Noraisin'izy ireo avy amin'ny fokon'i Naftaly: Kadesy any Galilia miaraka amin'ireo tany fihinanam-bilony, Hamona miaraka amin'ireo tany fihinanam-bilony, ary Kiriataima miaraka amin'ireo tany fihinanam-bilony.
\s5
\v 77 Ho an'ny sisa amin'ireo Levita, ireo taranak'i Merary, dia nomen'ny fokon'ny Zebolona: Rimono miaraka amin'ireo tany fihinanam-bilony sy Tabara miaraka amin'ireo tany fihinanam-bilony.
\v 78-79 Dia nomena ho azy ireo ihany koa, ny teo am-pitan'i Jordana any Jeriko, teo atsinanan'ny ony: Bazera tany an'efitra miaraka amin'ireo tany fihinanam-bilony, Jaza miaraka amin'ireo tany fihinanam-bilony, Kedemota miaraka amin'ireo tany fihinanam-bilony, Mefata miaraka amin'ireo tany fihinanam-bilony. Ireo no nomena avy amin'ny fokon'i Robena.
\s5
\v 80 Noraisin'ireo Levita avy tamin'ny fokon'i Gada: Ramota any Gileada miaraka amin'ireo tany fihinanam-bilony, Mahanaima miaraka amin'ireo tany fihinanam-bilony,
\v 81 Hesbona miaraka amin'ireo tany fihinanam-bilony, ary Jazera miaraka amin'ireo tany fihinanam-bilony.
\s5
\c 7
\p
\v 1 Ireo zanaka lahin'i Jisakara efatra dia i Tola, Poa, Jasoba ary Simrona.
\v 2 Ireo zanaka lahin'i Tola dia Ozy, Refaia, Jeriela, Jamay, Jibsama ary Samoela. Izy ireo no lohany ao amin'ny fianakavian'ny rain'izy ireo, avy amin'ny taranak'i Tola ary izy ireo dia isan'ireo mpiady mahery tamin'ny andron'izy ireo. 22, 600 no isan'izy ireo tamin'ny andron'i Davida.
\v 3 Ny zanak'i Ozy dia i Jizrahia. Ireo zanany lahy dia Mikaela, Obadia, Joela, ary Jisia, izy dimy ireo dia mpitarika foko avy.
\s5
\v 4 Andian-tafika enina arivo sy telo alina hiatrika ady no niaraka tamin'izy ireo, araky ny lisitry ny fianakavian'ny razamben'izy ireo, satria izy ireo dia nanana vady aman-janaka maro be.
\v 5 Ireo rahalahiny, avy amin'ny fokon'i Jisakara, dia nanana lehilahy mpiady fito arivo sy valo alina, araky ny lisitry ny fianakavian'ny razamben'izy ireo.
\s5
\v 6 Ireo zanak'i Benjamina telo lahy dia i Bela, Bakera, ary Jediaela.
\v 7 Ireo zanak'i Bela dimy lahy dia i Ezbona, Ozy, Oziela, Jerimota, ary Iry. Izy ireo dia miaramila sy fiandohan'ireo foko. Niisa 22, 034 ireo lehilahy mpiady, araky ny lisitry ny fianakavian'ny razamben'izy ireo.
\s5
\v 8 Ireo zanaka lahin'i Bakera dia i Zemira, Joasy, Eliezera, Elioenay, Omry, Jerimota, Abia, Anatota, ary Alameta. Ireo rehetra ireo dia zanany lahy.
\v 9 Ny lisitry ny fokon'izy ireo dia miisa 20, 200 fianakaviana mpitarika sy lehilahy mpiady.
\v 10 Ny zanaka lahin'i Jediaela dia i Bilana. Ireo zanaka lahin'i Bilana dia i Jeosy, Benjamina, Ehoda, Kenana, Zetana, Tarsisy ary Ahisahara.
\s5
\v 11 Ireo rehetra ireo no zanaka lahin'i Jediaela. Ireo voasoratra ao amin'ny lisitry ny fokon'izy ireo dia nisy mpitarika sy lehilahy mpiady 17, 200 lany ho amin'ny raharaha miaramila.
\v 12 (Ny zanaka lahin'Iry dia i Sopima sy Hopima, ary Hosima dia zanaka lahin'i Ahera.)
\s5
\v 13 Ny zanaka lahin'i Naftaly dia Jaziela, Gony, Jezera, ary Saloma. Ireo no zafikelin'i Bila.
\s5
\v 14 Nanana zanaka lahy nantsoina hoe Asriela i Manase, izay naterak'ilay Syriana vaditsindranony. Izy koa dia niteraka an'i Matira, rain'i Gileada.
\v 15 Naka vady avy tamin'i Hopima sy Sopima i Makira. Imaka ny anaran'ny rahavaviny. Taranak'i Manase hafa koa i Zelofada, izay nanan-janaka vavy tokana.
\v 16 Imaka vadin'i Makira, dia niteraka zaza lahy ary nantsoiny hoe Paresy. Ny anaran'ny rahalahiny dia Saresy, ary ireo zanany lahy dia i Olama sy Rakema.
\s5
\v 17 Ny zanaka lahin'i Olama dia Bedana. Ireo no taranak'i Gileada zanaka lahin'i Makira zanaka lahin'i Manase.
\v 18 Hamoleketa anabavin'i Gileada dia niteraka an'Isehoda, Abiezera, ary Mahala.
\v 19 Ireo zanaka lahin'i Semida dia Ahiana, Sekema, Liky ary Aniama.
\s5
\v 20 Ireo taranak'i Efraima dia ireto manaraka ireto: Ny zanaka lahin'i Efraima dia i Sotela. Ny zanaka lahin'i Sotela dia Bareda. Ny zanaka lahin'i Bareda dia i Tahata.
\v 21 Ny zanaka lahin'i Tahata dia Elada. Ny zanaka lahin'i Elada dia Tahata. Ny zanaka lahin'i Tahata dia Zabada. Ny zanaka lahin'i Zabada dia Sotela. (Ezera sy Elada dia novonoin'ireo lehilahin'i Gata, tompon-tany, rehefa nandeha nangalatra ny biby fiompiny izy ireo.
\v 22 Nisaona ho azy ireo nandritry ny andro maro i Efraima rain'izy ireo, ary tonga nampahery azy ireo rahalahiny.
\s5
\v 23 Nandry niaraka tamin'ny vadiny izy. Nitoe-jaza izy ary niteraka zaza lahy. Nantsoin'i Efraima hoe Beria izy, satria nisy fahoriana tonga teo amin'ny fianakaviany.
\v 24 Ny zanany vavy dia i Sera, izay nanorina an'i Beti-horona ambany sy ambony ary Ozena-sera.)
\s5
\v 25 Ny zanany lahy dia i Refa. Ny zanaka lahin'i Refa dia i Rasefa. Ny zanaka lahin'i Rasefa dia i Tela. Ny zanak'i Tela dia i Tahana.
\v 26 Ny zanaka lahin'i Tahana dia i Ladana. Ny zanaka lahin'i Ladana dia i Amihoda. Ny zanaka lahin'i Ahimoda dia i Elisama.
\v 27 Ny zanaka lahin'i Elisama dia i Nona. Ny zanaka lahin'i Nona dia i Josoa.
\s5
\v 28 Ireo fananana sy fonenan'izy ireo dia Betela sy ireo zana-bohiny manodidina azy. Izy ireo dia nihitatra hatrany atsinanan'i Narana sy tany andrefan'i Gazera sy ireo zana-bohiny, ary tany Sekema sy ireo zana-bohiny hatrany Gaza sy ireo zana-bohiny.
\v 29 Teny amin'ny sisin-tanin'i Manase no nisy an'i Beti-sana sy ireo zana-bohiny, Tanaka sy ny zana-bohiny, Megido sy ny zana-bohiny, ary Dora sy ireo zana-bohiny. Teny amin'ireo tanàn-dehibe ireo no nipetraka ireo taranak'i Josefa zanaka lahin'Israely.
\s5
\v 30 Ny zanaka lahin'i Asera dia Jimna, Jisva, Jisvy, ary Beria. Sera no anabavin'izy ireo.
\v 31 Ny zanaka lahin'i Beria dia i Hebera sy Malkiela, izay rain'i Birzavita.
\v 32 Ireo zanaka lahin'i Hebera dia i Jafleta, Somera, ary Hotama. Soha no anabavin'izy ireo.
\s5
\v 33 Ireo zanaka lahin'i Jafleta dia i Pasaka, Bimala, ary Asvata. Ireo no zanak'i Jafleta.
\v 34 Somera, rahalahin'i Jafleta, dia nanana ireto zanaka lahy ireto: Rohaga, Hoba ary Arama.
\v 35 Helema, rahalahin'i Semera, dia nanana ireto zanaka lahy ireto: Zofa, Jimna, Selesy, ary Amala.
\s5
\v 36 Ireo zanaka lahin'i Zofa dia i Soha, Harnefera, Soala, Bery, Jimra,
\v 37 Bazera, Hoda, Sama, Silsa, Jitrana, ary Bera.
\v 38 Ireo zanaka lahin'i Jatera dia Jefone, Pispa, ary Ara.
\s5
\v 39 Ireo zanaka lahin'i Ola dia Ara, Haniela, ary Rizia.
\v 40 Ireo rehetra ireo no taranak'i Asera. Izy ireo no razamben'ny fokon'izy ireo, mpitarika ny fianakavian'izy ireo, lehilahy manan-danja, lehilahy mpiady, ary lehibe teo amin'ireo mpitarika. Enina arivo sy roa alina ny isan'ireo lehilahy izay lany hanao miaramila, araky ny isa anaty listr'izy ireo.
\s5
\c 8
\p
\v 1 Ireo zanaka dimy lahin'i Benjamina dia Bela lahimatoany, Asbela, Ahara,
\v 2 Noha, ary Rafa.
\v 3 Ireo zanaka lahin'i Bela dia Adara, Gera, Abihoda,
\v 4 Abisoa, Namana, Ahoa,
\v 5 Gera, Sefofana, ary Horama
\s5
\v 6 Ireto ny taranak'i Ehoda izay lohan'ny fianakavian'ny mponin'i Geba, izay voatery nifindra tany Manahata:
\v 7 Namana, Ahia, ary Gera, izay nitarika azy ireo tamin'ny fifindran'izy ireo. Izy no rain'i Oza sy Ahihoda.
\s5
\v 8 Saharaima dia niteraka tany an-tanin'i Moaba, taorian'ny nisarahany am-panambadiana tamin'i Hosima sy Bara vadiny.
\v 9 Tamin'i Hodesy vadiny, no niterahan'i Saharaima an'i Jobaba, Ziba, Mesa, Malkama,
\v 10 Jeoza, Sakia, ary Mirma. Ireo ny zanany lahy, mpitarika tao amin'ny fianakaviany.
\v 11 Efa niteraka an'i Abitoba sy Elpala tamin'i Hosima ihany koa izy.
\s5
\v 12 Ny zanaka lahin'i Elpala dia Ebera, Misama, sy Samera (izay nanorina an'i Ono sy Loda ary ny zana-bohiny manodidina).
\v 13 Teo ihany koa i Beria sy Sema. Lohan'ireo fianakaviana nipetraka tany Aialona, izay nandroaka ny mponin'i Gata izy ireo.
\s5
\v 14 Ireto avy ny zanaka lahin'i Beria: Ahio, Sasaka, Jeremota,
\v 15 Zebadia, Arada, Adera,
\v 16 Mikaela, Jispa, ary Joha.
\v 17 Ireto avy ny zanaka lahin'i Elplala: Zebadia, Mesolama, Hizky, Hebera,
\v 18 Jismeray, Jizlia, ary Jobaba.
\s5
\v 19 Ireto avy ny zanaka lahin'i Simey: Jakima, Zikry, Zabdy,
\v 20 Elienay, Ziletahy, Eliala,
\v 21 Adaia, Beraia, ary Simrata.
\s5
\v 22 Ireto avy ny zanaka lahin'i Sasaka: Jispana, Hebera, Eliala,
\v 23 Abdona, Zikry, Hanana,
\v 24 Hanania, Elama, Antotia,
\v 25 Jifdia, ary Penoela.
\s5
\v 26 Ireto ny zanaka lahin'i Jerohama: Samseray, Seharia, Atalia,
\v 27 Jaresia, Elia, ary Zitry.
\v 28 Ireo no lohan'ny fianakaviana sy mpitarika izay nipetraka tao Jerosalema.
\s5
\v 29 Ny razamben'i Gibeona, dia i Jehiela, izay antsoina hoe Imaka ny vadiny, dia nipetraka tao Gibeona.
\v 30 Ny lahimatoany dia i Abdona, narahan'i Zora, Kisy, Bala, Nadaba,
\v 31 Gedora, Ahio, ary Zakera.
\s5
\v 32 Zanaka lahin'i Jehiela hafa i Miklota, izay niteraka an'i Simea. Nipetraka teny akaikin'ny havany teny Jerosalema ihany koa izy ireo.
\v 33 Nera dia rain'i Kisy. Kisy dia rain'i Saoly. Saoly dia rain'i Jonatana, Malkisoa, Abinadaba, ary Esbala.
\v 34 Meribala dia zanaka lahin'i Jonatana. Meribala dia rain'i Mika.
\s5
\v 35 Ny zanaka lahin'i Mika dia i Pitona, Maleka, Tarea, ary Ahaza.
\v 36 Ahaza dia rain'i Joada. Joada dia rain'i Alemeta, Azmaveta, ary Zimry. Zimry dia rain'i Moza.
\v 37 Moza dia rain'i Binea. Binea dia rain'i Rafa. Rafa dia rain'i Elasa. Elasa dia rain'i Azela.
\s5
\v 38 Nanan-janaka enina mirahalahy i Azela: Azrikama, Bokero, Isimaela, Searia, Obadia, ary Hanana.
\v 39 Zanak'i Azela avokoa izy ireo. Ny zanaka lahin'i Eseka, rahalahiny, dia i Olama lahimatoany, Jeosy lahiaivo, ary Elifeleta fahatelo.
\v 40 Lehilahy mpiady sy mpanipy tsipikà ireo zanaka lahin'i Olama. Nanana zanaka sy zafy maro izy ireo, 150 ny fitambarany. Ireo rehetra ireo dia anisan'ny taranak'i Benjamina.
\s5
\c 9
\p
\v 1 Ka dia voasoratra tao amin'ireo tetiarana ny Israely rehetra. Ary voasoratra tao amin'ny bokin'ireo mpanjakan'Israely izy ireo. Raha ny amin'i Joda, dia nalefa sesitany tany Babylona izy ireo nohon'ny fahotany.
\v 2 Ny nonina voalohany tany amin'ny tanànan'izy ireo dia ny sasany tamin' ireo Israelita, ireo mpisorona, ireo levita, ary ireo mpanompon'ny tempoly.
\v 3 Ny sasany tamin'ireo taranak'i Joda, Benjamina, Efraima, ary Manase dia nitoetra tany Jerosalema.
\s5
\v 4 Ireo mpanorim-ponenana dia nahitana an'i Otahy zanaka lahin'i Amihoda zanaka lahin'i Omry zanaka lahin'Imry zanaka lahin'i Bany, iray amin'ireo taranak'i Fareza zanaka lahin'i Joda.
\v 5 Teo amin'ireo Silonita dia i Asay ilay lahimatoa sy ireo zanany lahy.
\v 6 Teo amin'ireo taranak'i Zera dia i Jeoela. Ny taranak'izy ireo dia niisa 690.
\s5
\v 7 Teo amin'ireo taranak'i Benjamina dia i Salo zanaka lahin'i Mesolama zanaka lahin'i Hodavia zanaka lahin'i Hasenoa.
\v 8 Teo ihany koa Jibnia zanaka lahin'i Jerohama; Elaha zanaka lahin'i Ozy zanaka lahin'i Mikry, ary Mesolama zanaka lahin'i Sefatia zanaka lahin'i Regoela zanaka lahin'i Jibnia.
\v 9 Ireo havan'izy ireo izay voasoratra tao amin'ny lisitry ny tetiharana dia niisa 956. Ireo lehilahy rehetra ireo no mpitarika tamin'ny fokon'ny razambean'izy ireo.
\s5
\v 10 Ireo mpisorona dia i Jedaia, Joiariba, ary Jatina.
\v 11 Teo ihany koa i Azaria zanaka lahin'i Hilkia zanaka lahin'i Mesolama zanaka lahin'i Zadoka zanaka lahin'i Meraiota zanaka lahin'i Ahitoba, ilay iray izay misahana ny tranon'Andriamanitra.
\s5
\v 12 Teo i Adaia zanaka lahin'i Jerohama zanaka lahin'i Pasora zanaka lahin'i Malkia. Teo ihany koa i Masay zanaka lahin'i Adiela zanaka lahin'i Jazera zanaka lahin'i Mesolama zanaka lahin'i Mesilemita zanaka lahin' Imera.
\v 13 Ireo havan'izy ireo, izay mpitarika tao amin'ny fokon-drazamben'izy ireo dia niisa 1, 760. Tena lehilahy nahay tamin'ny asan'ny tranon'Adriamanitra izy ireo.
\s5
\v 14 Teo amin'ireo Levita, dia nisy an'i Semaia zanaka lahin'i Asoba zanaka lahin'i Azrikama zanaka lahin'i Asabia, teo amin'ireo taranak'i Merary.
\v 15 Dia teo ihany koa i Bakbakara, Haresy, Galala, ary Matania zanaka lahin'i Mika zanaka lahin'i Zikry zanaka lahin'i Asafa.
\v 16 Teo ihany koa Obadia zanaka lahin'i Semaia zanaka lahin'i Galala zanaka lahin'i Jedotona; ary Berekia zanaka lahin'i Asa zanaka lahin'i Elkana, izay nitoetra tany amin'ny vohitr'ireo Netotatita.
\s5
\v 17 Ireo mpiandry varavarana dia Saloma, Akoba, Talmona, Ahimana, ary ireo taranak'izy ireo. Saloma no mpitarika azy ireo.
\v 18 Tany aloha dia nijoro niambina ny vavahadin'ny mpanjaka tany amin'ny sisiny atsinanana ho an'ny tobin'ireo taranak'i Levy izy ireo.
\v 19 Saloma zanaka lahin'i Kore zanaka lahin'i Abiasafa, izay zanaka lahin'i Kora, sy ireo havany avy amin'ny ankohonan-drainy, ireo Koraita, no nisahana ny amin'ny asa fanompoana, niambina ny varavaran'ny trano lay izy ireo, araka ny efa niambenan'ireo razamben'izy ireo ny tobin'i Yaveh, ary efa niambina ny fidirana ihany koa izy ireo.
\s5
\v 20 Finehasa zanaka lahin'i Eleazara dia efa nisahana azy ireo taloha, ary nomba azy Yaveh.
\v 21 Zakaria zanaka lahin'i Meselimia dia mpiambina ny fidirana amin'ny tempoly, ilay "trano lay fihaonana."
\s5
\v 22 Niisa 212 ireo rehetra izay voafidy ho mpiambina ny vavahady eo amin'ny fidirana. Ny anaran'izy ireo dia voatahiry tao amin'ny tahirin'anaran'ireo vahoaka tao an-tanànan'izy ireo. Davida sy Samoela mpahita dia efa nametraka azy ireo tamin'ny fitokisana.
\v 23 Ka izy ireo sy ny zanak'izy ireo no niambina ireo vavahadin'ny tranon'i Yaveh, ilay tabernakely.
\v 24 Ireo mpiambina vavahady dia napetraka tany amin'ireo sisiny efatra rehetra, mankany atsinanana, andrefana, avaratra, ary atsimo.
\s5
\v 25 Ireo rahalahan'izy ireo, izay nitoetra tany amin'ny tanànan'izy ireo, dia nifandimby tao, isan-kafitoana.
\v 26 Fa ireo mpitarika efatry ny mpiambina ny vavahady, izay Levita, dia notendrena mba hiambina ireo efitra sy ireo trano fitahirizam-bokatra tao an-tranon' Andriamanitra.
\v 27 Nandany ny alina teo amin'ny toerana manodidina ny tranon'Andriamanitra rehetra izy ireo, satria tompon'andraikitra amin'ny fiambenana izany. Ary hamoha izany isa-maraina izy ireo.
\s5
\v 28 Ny sasany tamin'izy ireo dia nisahana ny fitaovan'ny tempoly; nanisa ireo fanaka izy ireo rehefa nampidirina sy navoaka ireo.
\v 29 Maro tamin'izy ireo ihany koa no voatendry hikarakara ireo zavatra masina, ny fitaovana, sy ireo vatsy, anisan'izany ny koba tsara toto, ny divay, ny diloilo, sy didin-kazo mamerovero, ary ireo zava-manitra.
\s5
\v 30 Ny sasany tamin'ireo zanaka lahin'ny mpisorona dia nanafangaro ireo zava-manitra.
\v 31 Matatia, iray tamin'ireo Levita, izay lahimatoan'i Saloma Koraita, no nisahana ny fikarakarana ny mofo ho amin'ireo fanatitra.
\v 32 Ny sasany tamin'ny rahalahin'izy ireo, taranaky ny Kehatita, no nisahana ny mofon'ny fanatrehana, mba hikarakara izany isakin'ny Sabata.
\s5
\v 33 Ireo mpihira sy ireo mpitarika ny fianakavian'ny Levita dia nitoetra tao amin'ny efitrano masina rehefa tsy miasa izy ireo, satria tsy maintsy nanatanteraka ireo raharaha nomena andro aman'alina.
\v 34 Ireto avy ireo mpitarika ny fianakaviana teo amin'ireo Levita, izay voatanisa tao amin'ny tahirin-tetiaran'izy ireo. Nitoetra tany Jerosalema izy ireo.
\s5
\v 35 Ny razamben'ny any Gibeona, Jeiely, izay atao hoe Imaka ny anaram-badiny, dia nitoetra tany Gibeona.
\v 36 Abdona no lahimatoany, avy eo ireo zanany lahy Zora, Kisy, Bala, Nera, Nadaba,
\v 37 Gedora, Ahio, Zakaria, ary Miklota.
\s5
\v 38 Miklota no rain'i Simeama. Nitoetra tany akaikin'ireo rahalahiny tany Jerosalema ihany koa izy ireo.
\v 39 Nera no rain'i Kisy. Kisy no rain'i Saoly. Saoly no rain'i Jonatana, Malkisoa, Abinadaba, ary Esbala.
\v 40 Meribala no zanaka lahin'i Jonatana. Ary Meribala no rain'i Mika.
\s5
\v 41 Ireo zanaka lahin'i Mika dia Pitona, Maleka, Tarea, ary Ahaza.
\v 42 Ahaza no rain'i Jara. Jara no rain'i Alemeta, Azmaveta, ary Zimry. Zimry no rain'i Moza.
\v 43 Moza no rain'i Binea. Binea no rain'i Refaia. Refaia no rain'i Elasa. Elasa no rain'i Azela.
\v 44 Ireo zanaka lahy enin'i Azela dia Azrikama, Bokero, Isimaela, Searia, Obadia, ary Hanana. Ireo no zanaka lahin'i Azela.
\s5
\c 10
\p
\v 1 Ary ireo Filistina niady tamin'Israely. Nitsoaka teo anatrehan'i Filistina ny lehilahin'Israely rehetra ary niampatra maty teny an-tendrombohitra Gilboa.
\v 2 Nanenjika akaiky an'i Saoly sy ny zanany lahy ireo Filistina. Novonoin'ireo Filistina i Jonatana, Abinadaba, sy Malkisoa, zanany lahy.
\v 3 Navesatra tamin'i Saoly ny ady, ary nahatratra azy ireo mpandefa tsipìka. Tao anaty fanaintainana mafy izy noho ireo mpandefa tsipìka.
\s5
\v 4 Dia hoy Saoly tamin'ny mpitondra ny fiadiany hoe: "Avoahy ny sabatrao ka trobaro amin'izany aho. Raha tsy izany dia ho avy hanararaotra ahy ireo tsy voafora ireo." Nefa tsy nanaiky ny mpitondra ny fiadiany, satria natahotra mafy izy. Ka dia nalain'i Saoly ny sabany ary lavo teo amin'izany izy.
\s5
\v 5 Rehefa hitan'ny mpitondra ny fiadiany fa maty Saoly, dia lavo tamin'ny sabany tahaka izany koa izy ka maty.
\v 6 Dia maty Saoly, sy ireo zanany telo lahy, ka dia niara-maty ireo ankohonany rehetra.
\s5
\v 7 Rehefa hitan'ny lehilahin'Israely rehetra teny an-dohasaha fa efa nandositra izy ireo, ary maty Saoly sy ireo zanany lahy, dia nandao ny tanànany izy ireo ary nandositra. Dia tonga ireo Filistina ary nonina teo amin'izy ireo.
\v 8 Ary ny ampitso, rehefa tonga naka ny maty ireo Filistina, dia nahita an'i Saoly sy ireo zanany lahy lavo teo an-tendrombohitra Gilboa.
\s5
\v 9 Nendahan'izy ireo izy ary nentiny ny lohany sy ny fiadiany. Naniraka mpitondra hafatra nanerana an'i Filistina mba hitondra ireo vaovao teo amin'ireo sampy sy teo amin'ny vahoaka izy ireo.
\v 10 Napetrak'izy ireo tao an-tempolin'ny andriamitr'izy ireo ny fiadiany, ary nofatoran'izy ireo tao an-tempolin'i Dagona ny lohany.
\s5
\v 11 Rehefa nandre ny rehetra izay nataon'ireo Filistina tamin'i Saoly ny vahoakan'i Jabesa-gileada rehetra,
\v 12 dia nandeha ny lehilahy mpiady rehetra ary naka ny fatin'i Saoly sy ny an'ireo zanany lahy, ary nitondra ireo tany amin'i Jabesy. Nalevin'izy ireo tao ambanin'ny hazo terebinta ny taolan'izy ireo ka nifady hanina hafitoana izy ireo.
\s5
\v 13 Ary maty Saoly satria tsy nahatoky an'i Yaveh izy. Tsy nankatoa ireo didin'i Yaveh izy, fa naka torohevitra tamin'ny olona izay niresaka tamin'ny maty.
\v 14 Tsy nitady torolalana tamin'i Yaveh izy, ka dia novonoin'i Yaveh ary nafindrany tamin'i Davida zanaka lahin'i Jese ny fanjakana.
\s5
\c 11
\p
\v 1 Dia tonga tany amin'i Davida tao Hebrona ny Israely rehetra ary niteny hoe: "Indro, nofonao sy taolanao izahay.
\v 2 Vao tsy ela akory, raha nanjaka teo aminay Saoly, dia ianao no nitarika ny tafika Israelita. Yaveh Andriamanitrao niteny taminao hoe: 'Ho mpiandry an'Israely vahoakako ianao, ary ianao no ho tonga mpanapaka eo amin'Israely vahoakako."'
\v 3 Noho izany dia tonga tany amin'ny mpanjakan'Israely tao Hebrona ireo loholon'Israely rehetra, ary Davida nanao fanekena tamin'izy ireo teo anoloan'i Yaveh. Nanosotra an'i Davida ho mpanjakan'Israely izy ireo. Tamin'izany fomba izany, dia tanteraka ny tenin'i Yaveh izay nambaran'i Samoela.
\s5
\v 4 Nandeha tany Jerosalema i Davida sy ny Israely rehetra (izany dia, Jebosa). Ary ireo Jebosita, mponina tao amin'ny tany, no teo.
\v 5 Hoy ireo mponina tao Jebosa tamin'i Davida hoe: "Tsy ho tonga eto ianao." Fa Davida naka ny fiarovana mafin'i Ziona, izay, ny tanànan'i Davida.
\v 6 Hoy Davida hoe: "Na iza na iza manafika ireo Jebosita voalohany dia ho tonga mpifehy." Koa Joaba zanaka lahin'i Zeroia no nanafika voalohany, ary dia natao ho mpifehy izy.
\s5
\v 7 Ary nanomboka nonina tao amin'ilay fiarovana mafy i Davida. Ka dia nantsoin'izy ireo hoe tanànan'i Davida izany.
\v 8 Nanamafy ny tanàna manodidina izy nanomboka tany Milo hatrany amin'ny rindrina manodidina. Namafisin'i Joaba ny sisa ambiny tamin'ny tanàna.
\v 9 Tonga lehibe dia lehibe i Davida satria nomba azy Yaveh tompon'ny maro.
\s5
\v 10 Ireto avy ireo mpitarika nananan'i Davida, izay nampiseho ny tenan'izy ireo ho natanjaka niaraka taminy teo amin'ny fanjakany, niaraka tamin'ireo Israely rehetra, mba hanao azy ho mpanjaka, nankatoa ny tenin'i Yaveh mahakasika an'Israely.
\v 11 Ity no lisitr'ireo miaramila sangan'i Davida: Jasobeama, ilay zanaka lahin'i Hakmony, no mpifehy ny telo-polo. Namono telon-jato lahy tamin'ny lefony tanaty ady iray izy.
\s5
\v 12 Ny nanaraka azy dia i Eleazara zanaka lahin'i Dodo, ilay Ahohita, izay iray tamin'ireo telo lahy mahery.
\v 13 Niaraka tamin'i Davida izy tao Efesa-damina, ary tany ireo Filistina no nitambatra ho amin'ny ady, izay nisy ny saham-bary hordea sy ireo tafika nandositra avy tany Filistina.
\v 14 Nitsangana teo afovoan'ny saha izy ireo. Niaro izany izy ireo ary nandringana ireo Filistina ary Yaveh nanavotra azy ireo tamin'ny fandresena lehibe.
\s5
\v 15 Avy eo telo tamin'ireo telo-polo mpitarika no nidina ho any amin'ny vatolampy tany amin'i Davida, tao amin'ny zohin'i Adolama. Ny tafik'ireo Filistina dia nitoby tao amin'ny Lohasahan'i Refaita.
\v 16 Tamin'izany ora izany Davida dia tao amin'ny fiarovana mafiny, zohy iray, raha nitoby tao Betlehema ireo Filistina.
\v 17 Naniry rano Davida ka nanao hoe: "Raha mba misy olona manome rano ahy ho sotroina avy ao amin'ny lava-drano ao Betlehema, ilay lava-drano izay akaikin'ny vavahady!"
\s5
\v 18 Koa dia namakivaky teo amin'ny tafik'ireo Filistina ireo lehilahy mahery telo ary nanovo rano avy tao amin'ny lava-dranon'i Betlehema, ilay lava-drano teo amin'ny vavahady. Ary naka ny rano izy ireo ka nitondra izany ho any amin'i Davida, saingy nandà ny hisotro izany izy. Fa kosa, nararany ho an'i Yaveh izany.
\v 19 Ary hoy izy hoe: "Sanatria amiko ny hisotro izany, ry Yaveh. Tokony hisotro ny ràn'ireo lehilahy izay nanao vy very ny ain'izy ireo ve aho?" Satria nanao vy very ny ainy izy ireo, nandà ny hisotro izany izy. Izany no zavatra nataon'ireo lehilahy mahery telo.
\s5
\v 20 Abisay rahalahin'i Joaba, no kapiteny teo amin'izy telo. Ary nampiasa ny lefony indray mandeha izy teo amin'ny olona telo-jato ary namono azy ireo. Nalaza niaraka tamin'ireo Telo izy.
\v 21 Tamin'ireo Telo, dia izy no nomem-boninahitra avo roa heny ary lasa kapitenin'izy ireo. Na dia tsy anisan'izy ireo aza izy.
\s5
\v 22 Benaia zanaka lahin'i Joiada dia lehilahy natanjaka izay nanao asa lehibe. Izy no namono ireo roa lahy zanak'i Ariela avy any Moaba.
\v 23 Nidina tao amin'ny lavaka ihany koa izy ary namono liona raha nilatsaka ny oram-panala. Namono Egyptiana iray aza izy, lehilahy dimy hakiho ny halavany. Ilay Egyptiana nanana lefona tahaka ny andrin'ny mpanenona, nefa tehina ihany no nentiny nidina teo aminy. Nisambotra ny lefona teny an-tanan'ilay Egyptiana izy ary namono azy tamin'ny lefony ihany.
\s5
\v 24 Benaia zanaka lahin'i Joiada no nanao ireo asa lehibe ireo, ary nalaza toy ireo telo lahy mahery izy.
\v 25 Tamin'ny ankapobeny dia izy no be voninahitra mihoatra noho ireo miaramila telo-polo. Nefa tsy nanam-boninahitra firy izy mihoatra ireo miaramila telo lahy tena sangany. Nefa napetrak'i Davida hiandraikitra ny fiambenana azy manokana izy.
\s5
\v 26 Ireo lehilahy mahery dia Asahela rahalahin'i Joaba, Elanana zanak'i Dodo avy any Betlehema,
\v 27 Samota ilay Harorita, Haleza ilay Pelonita,
\v 28 Ira zanaka lahin'Ikesy ilay Tekoita, Abiezera ilay Anatotita,
\v 29 Sibekay ilay Hosatita, Ely ilay Ahohita,
\s5
\v 30 Maharay ilay Netofatita, Heleda zanaka lahin'i Bana ilay Netofatita,
\v 31 Itahy zanaka lahin'i Ribay avy tao Gibean'ny taranak'i Benjamina, Benaia ilay Piratnita,
\v 32 Horay any amin'ny lohasahan-driak'i Gasy, Abiela ilay Arbatita,
\v 33 Azmaveta ilay Baharomita, Eliaba ilay Salbonita,
\s5
\v 34 ireo zanaka lahin'i Hasema ilay Gizonita, Jonatana zanaka lahin'i Sage ilay Hararita,
\v 35 Ahiama zanaka lahin'i Sakara ilay Hararita, Elifala zanaka lahin'i Ora,
\v 36 Hefera ilay Mekeratita, Ahia ilay Pelonita,
\v 37 Hezro ilay Karmelita, Naray zanaka lahin'i Ezbay,
\s5
\v 38 Joela rahalahin'i Natana, Mibara zanaka lahin'i Hagry,
\v 39 Zaleta ilay Amonita, Naharay ilay Berotita (ilay mpitondra ny fiarovan'i Joaba zanaka lahin'i Zeroia),
\v 40 Ira ilay Jitrita, Gareba ilay Jitrita,
\v 41 Oria ilay Hetita, Zabada zanaka lahin'i Ahelay,
\s5
\v 42 Adina zanaka lahin'i Siza ilay Robenita (lehiben'ny Robenita) ary telo-polo lahy niaraka taminy,
\v 43 Hanana zanaka lahin'i Maka, sy Josafata ilay Mitnita,
\v 44 Ozia ilay Astartita, Sama sy Jeiela zanaka lahin'i Hotama ilay Aroerita,
\s5
\v 45 Jediaela zanaka lahin'i Simry, Joha (ilay Tizita rahalahiny),
\v 46 Eliala ilay Mahavita, Jeribay sy Josavia zanaka lahin'i Elnama, Jitma ilay Moabita,
\v 47 Eliala, Obeda, ary Jasiela ilay Mezobaita.
\s5
\c 12
\p
\v 1 Ireto avy ireo lehilahy izay tonga tany amin'i Davida tao Ziklaga, raha mbola voaroaka tamin'ny fanatrehan'i Saoly zanaka lahin'i Kisy izy. Isan'ireo miaramila izy ireo, mpanampy azy an'ady.
\v 2 Nirongo tsipìka izy ireo ary afaka nampiasa ny tanany an-kavanana sy an-kavia tamin'ny antsamon-tady sy tamin'ny fitifirana amin'ny tsìpika. Benjamita izy ireo, mpiray foko tamin'i Saoly.
\s5
\v 3 Ahiezera no lehibe, avy eo Joasy, samy zanaka lahin'i Sema ilay Gibeatita izy ireo. Nahitana an'i Jeziela sy Peleta, zanaka lahin'i Azmaveta. Nahitana ihany koa an'i Beraka, Jeho ilay Anatotita,
\v 4 Jismaia ilay Gibeonita, anisan'ireo miaramila telo-plo (ary mpifehy ireo telo-polo); Jeremia, Jahaziela, Johanana, Jozababa ilay Gaderatita,
\s5
\v 5 Elozay, Jerimota, Bealia, Semaria, Sefatia ilay Harofita,
\v 6 ireo Koraita Elkana, Jisia, Azarela, Joezera, Jasobeama, ary
\v 7 Joela sy Zebadia, zanaka lahin'i Jehorama avy any Gedora.
\s5
\v 8 Nisy Gadita sasany nanatona an'i Davida tao amin'ny fiarovana mafy tany an'efitra. Lehilahy mpiady izy ireo, lehilahy voahofana ho amin'ny ady, izay afaka mivimbina ampinga sy lefona; ny tavan'izy ireo dia masiaka tahaka ny tavan'ny liona. Haingam-pandeha tahaka ny gazela eny an-tendrombohitra izy ireo.
\s5
\v 9 Nisy an'i Ezera ilay mpitarika, Obadia no faharoa, Eliaba no fahatelo,
\v 10 Mismana no fahefatra, Jeremia no fahadimy,
\v 11 Atahy no fahenina, Eliala no fahafito,
\v 12 Johanana no fahavalo, Elizabada no fahasivy,
\v 13 Jeremia no fahafolo, Makbanay no fahiraika ambin'ny folo.
\s5
\v 14 Ireo zanaka lahin'i Gada ireo no mpitari-tafika. Ny ambany indrindra nitarika an-jatony, ary ny ambony indrindra nitarika an'arivony.
\v 15 Niampita an'i Jordana izy ireo tamin'ny volana voalohany, rehefa nandifotra ny morony izany, ka nandroaka ny zava-manan'aina rehetra tamin'ireo lohasaha, na ny mankany atsinana na ny mankany andrefana.
\s5
\v 16 Ny sasany tamin'ireo lehilahin' i Benjamina sy Joda dia tonga tao amin'ny fiarovana tao amin'i Davida.
\v 17 Nivoaka mba hitsena azy ireo Davida ary niteny tamin'izy ireo hoe: "Raha tonga amim-pilaminana aty amiko mba hanampy ahy ianareo, dia afaka manatona ahy. Fa raha avy mba hamadika ahy amin'ny fahavaloko, dia aoka anie ny Andriamanitry ny razambentsika hijery ka hamaly anareo, satria tsy nanao ratsy aho."
\s5
\v 18 Avy eo ilay Fanahy tonga tao amin'i Amasay, izay mpitarika ny telo-polo. Hoy Amasay hoe: "Izahay dia anao, ry Davida. Izahay dia miandany aminao, ry zanaka lahin'i Jese. Fiadanana, fiadanana anie ho amin'izay manampy anao. Fiadanana anie ho amin'ireo mpanampinao, satria ny Andriamanitrao dia manampy anao." Dia nandray azy ireo Davida ary nanao azy ireo ho mpifehy ny lehilahiny.
\s5
\v 19 Ny sasany avy tamin'i Manase ihany koa dia niala mba hanatona an'i Davida raha niaraka tamin'ireo Filistina mba hiady amin'i Saoly izy. Nefa tsy nanampy ireo Filistina izy ireo, satria nifampidinika ireo tompon'i Filistina ka nampandeha an'i Davida. Hoy izy ireo hoe: "Hiala ho any amin'i Saoly tompony izy ka hampidi-doza ny fiainantsika."
\v 20 Rehefa nankany Ziklaga izy, ny lehilahin'i Manase izay nanatona azy dia i Adna, Jozabada, Jediaela, Mikaela, Jozabada, Eliho, Ziletahy, kapitenin'ny arivon'i Manase.
\s5
\v 21 Nanampy an'i Davida niady tamin'ireo an-tokony mpijirika izy ireo, satria lehilahy mpiady izy ireo. Taty aoriana dia lasa mpifehy teo amin'ny tafika izy ireo.
\v 22 Isan'andro, dia tonga tany amin'i Davida ireo lehilahy mba hanampy azy, mandra-pisian'ny tafika lehibe, tahaka ny tafik'Andriamanitra.
\s5
\v 23 Ity no tahirin-tantaran'ireo miaramila nitam-piadiana ho amin'ny ady, izay tonga tany amin'i Davida tao Hebrona, mba hanodina ny fanjakan'i Saoly ho azy, izay nanatanteraka ny tenin'i Yaveh.
\v 24 Tamin'i Joda dia 6. 800 ireo mpitàna ampinga sy lefona no voaomana hiady.
\v 25 Nisy lehilahy mpiady 7. 100 avy tamin'ireo Simeonita.
\s5
\v 26 Nisy lehlahy mpiady 4. 600 avy tamin'ireo Levita.
\v 27 Joiada no mpitarika ny taranak'i Arona, ary 3. 700 no niaraka taminy.
\v 28 Mpitarika roa amby roa-polo avy amin'ny fianakavian-drainy no niaraka tamin'i Zadoka, tovolahy, mahery, sy lehilahy be herim-po.
\s5
\v 29 Avy tamin'i Benjamina, fokon'i Saoly, dia nisy telo arivo. Ny ankamaroan'izy ireo dia mbola nijanona ho mpomba an'i Saoly hatramin'izao fotoana izao.
\v 30 Nisy lehilahy mpiady 20. 800 avy tamin'ireo Efraimita, lehilahy nalaza teo amin'ny fianakavian'ny razamben'izy ireo.
\v 31 Avy tamin'ny antsasa-pokon'i Manase dia nisy lehilahy malaza valo arivo sy iray alina izay tonga mba hanao an'i Davida ho mpanajaka.
\s5
\v 32 Avy tamin'Isakara, dia nisy lehilahy mpitarika roanjato izay nanana fahazavan-tsaina tamin'izany fotoana izany ary nahalala izay tsy maintsy ataon'Israely. Ireo havany rehetra dia teo ambany fifehezan'izy ireo.
\v 33 Nisy lehilahy mpiady dimy alina avy tamin'i Zebolona, nomanina ho amin'ny ady, niaraka tamin'ny fitaovam-piadiana rehetra, ary vonona ny hanome tsy fivadihana azo antoka.
\s5
\v 34 Nisy manamboninahitra arivo avy tamin'i Naftaly, ary lehilahy mpitàna ampinga sy lefona fito arivo sy telo alina niaraka tamin'izy ireo.
\v 35 Avy tamin'ireo Danita dia nisy lehilahy 28. 600 voahomana ho amin'ny ady.
\s5
\v 36 Nisy lehilahy efatra alina voahomana ho amin'ny ady avy tamin'i Asera.
\v 37 Avy tamin'ny an-dafin'i Jordana, avy tamin'ireo Robenita, Gadita, ary ny antsasa-pokon'i Manase, dia nisy lehilahy 120. 000 izay nirongo ireo karazam-pitaovam-piadiana rehetra ho amin'ny ady.
\s5
\v 38 Ireo miaramila rehetra, vonona ho amin'ny ady ireo, dia tonga tany Hebrona niaraka tamin'ny fikasana raikitra ny amin'ny hanaovana an'i Davida ho mpanjaka manerana an'Israely rehetra. Ny sisa rehetra tamin'Israely dia nifanaiky ny hanao an'i Davida ho mpanjaka ihany koa.
\v 39 Niaraka tamin'i Davida tao telo andro izy ireo, nihinana sy nisotro, satria ny havan'izy ireo dia efa nampitondra vatsy ho azy.
\v 40 Fanampin'izany, ireo izay teo akaikin'izy ireo, hatrany Isakara sy Zebolona ary Naftaly, dia nitondra mofo tamin'ny boriky, rameva, ampondra, sy omby, ary mofo aviavy, voaloboka maina, divay, menaka, omby, ary ondry, satria nifaly ny Israely.
\s5
\c 13
\p
\v 1 Davida dia niresaka tamin'ireo mpifehy ny arivo sy zato, niaraka tamin'ny mpitarika rehetra.
\v 2 Hoy Davida tamin'ny vondron-tafik'Israely rehetra hoe: "Raha tsara aminareo, ary raha avy amin'i Yaveh Andriamanitsika izany, dia aoka isika handefa mpitondra hafatra eny rehetra eny any amin'ireo rahalahintsika izay mitoetra any amin'ireo faritr'Israely rehetra, ary any amin'ireo mpisorona sy ireo Levita izay ao amin'ireo tanànan'izy ireo. Aoka izy ireo ho lazaina mba hiaraka amintsika.
\v 3 Ndeha isika hamerina amintsika ny fiaran'ny Andriamanitsika, satria tsy nitady ny sitrapony isika tamin'ireo andron'ny fanjakan'i Saoly."
\v 4 Ny vondron-tafika rehetra dia nanaiky hanao ireo zavatra ireo, satria toa marina teo imason'ny olona rehetra ireo.
\s5
\v 5 Koa nangonin'i Davida hiaraka ny Israely rehetra, hatrany amin'i Onin'i Sihora any Egypta ka hatrany Lebo Hamata, mba hitondra ny fiaran'Andriamanitra avy any Kiriata Jearima.
\v 6 Niakatra nankany Bala i Davida sy ny Israely rehetra, izany hoe, Kiriata Jearima, izay an'i Joda, mba hitondra ny fiaran'Andriamanitra avy any, izay nantsoina tamin'ny anaran'i Yaveh, dia Yaveh, izay mipetraka eo amin'ny seza fiandrianana eo amin'ny Kerobima.
\s5
\v 7 Noho izany dia napetrak'izy ireo teo ambony sarety vaovao ilay fiaran'Andriamanitra. Navoakan'izy ireo avy tao amin'ny tranon'i Abinada izany. Oza sy Ahio no nitondra ilay sarety.
\v 8 Davida sy ny Israely rehetra dia nankalaza teo anatrehan'Andriamanitra tamin'ny herin'izy ireo rehetra. Nihira niaraka tamin'ny lokanga, ampongatapaka, kipantsona, ary trompetra izy ireo.
\s5
\v 9 Rehefa tonga teo amin'ny tany famoloan'i Kidona izy ireo, dia naninjitra ny tanany hihazona an'ilay fiara i Oza, satria nianjera ny omby.
\v 10 Dia nirehitra tamin'i Oza ny hatezeran'i Yaveh, ary novonoin'i Yaveh izy satria naninjitra ny tanany tamin'ilay fiara i Oza. Maty teo anatrehan'Andriamanitra teo izy.
\v 11 Tezitra Davida satria namely an'i Oza i Yaveh. Nantsoina hoe Pereza Oza izany toerana izany mandrak'androany.
\s5
\v 12 Natahotra an'Andriamanitra i Davida tamin'izany andro izany. Hoy izy hoe: "Ahoana no fomba hitondrako ny fiaran'Andriamanitra aty amiko?"
\v 13 Ka tsy nanetsika ny fiara ho any amin'ny tanànan'i Davida i Davida, fa nametraka izany teo akaikin'ny tranon'i Obeda Edoma ilay Getita.
\v 14 Dia nijanona tao amin'ny tokantranon'i Obeda Edoma nandritry ny telo volana ilay fiaran'Andriamanitra. Noho izany dia nitahy ny ankohonany sy izay rehetra nananany i Yaveh.
\s5
\c 14
\p
\v 1 Ary Hirama mpanjakan'i Tyro nandefa mpitondra hafatra tany amin'i Davida, sy hazo sedera, mpandrafitra, ary mpanao trano. Nanorina trano ho azy izy ireo.
\v 2 Davida dia nahafantatra fa Yaveh no efa nametraka azy ho mpanjaka teo amin'Israely, ary ny fanjakany dia nasandratra ambony nohon'ny amin' Israely olony.
\s5
\v 3 Tao Jerosalema, dia naka vady maro Davida, ary niteraka zanaka lahy sy zanaka vavy maro izy.
\v 4 Ireto avy ny anaran' ireo zanaka naterany tany Jerosalema: Samoa, Sobaba, Natana, Solomona,
\v 5 Jibara, Elisoa, Elipeleta,
\v 6 Noga, Nafega, Jafia,
\v 7 Elisama, Beliada ary Elifeleta.
\s5
\v 8 Ary rehefa ren'ireo Filistina fa efa nohosorana ho mpanjakan'Israely rehetra Davida, dia nivoaka nitady azy izy rehetra. Nefa ren'i Davida izany ka nivoaka hanohitra azy ireo izy.
\v 9 Ary tonga ireo Filistina ka nanao fanafihana teny amin'ny Lohasahan'ny Refaïta.
\s5
\v 10 Avy eo Davida nangataka fanampiana tamin'Andriamanitra. Hoy izy hoe: "Tokony hiakatra hanafika ireo Filistina ve aho? Hanome fandresena eo amin'izy ireo ve ianao?" Dia hoy Yaveh taminy hoe: "Tafiho, fa tena hanome azy ireo ho anao Aho."
\v 11 Dia niakatra nankao Bala-perazima izy ireo, ary tao no nandreseny azy ireo. Naneho hevitra izy hoe: "Ny tanako no namakian'i Yaveh ny fahavaloko hiparitaka toy ny tondra-drano." Ka lasa Bala-perazima no anaran'izany toerana izany.
\v 12 Navelan'ireo Filistina teo ireo andriamaniny, ary nanome didy Davida fa tokony dorana ireo.
\s5
\v 13 Ary nanafika ny lohasaha indray ny Filistina.
\v 14 Dia nangataka fanampiana tany amin'Andriamanitra indray Davida. Hoy Andriamanitra taminy hoe: "Tsy tokony hanafika azy ireo eo anoloana ianao, fa kosa hiodidina ao aorian'izy ireo ary ho tonga eo amin'izy ireo avy eo amin'ireo hazo balsama.
\s5
\v 15 Rehefa renao ny feon'ny dia-be amin'ny fitsokan'ny rivotra avy eo amin'ireo tendron'ny hazo balsama, dia manafiha amin-kery. Manaova izany satria Andriamanitra efa hialoa lalana anao hanafika ny tafik'ireo Filistina."
\v 16 Ka nataon'i Davida izay nandidian'Andriamanitra azy. Nandresy ny tafik'ireo Filistina tany Gibeona hatrany Gazera izy.
\v 17 Ary ny lazan'i Davida dia niely teo amin'ny tany rehetra, ary nahatonga ny firenena rehetra hatahotra azy Yaveh.
\s5
\c 15
\p
\v 1 Ary Davida nanamboatra trano ho azy tao an-tanànan'i Davida. Nanomana toerana ho an'ny fiaran'Andriamanitra ary nanangana lay ho an'izany izy.
\v 2 Dia hoy Davida hoe: "Ireo Levita ihany no afaka mitondra ny fiaran'Andriamanitra, fa izy ireo no voafidin'i Yaveh mba hitondra ny fiaran'i Yaveh, sy hanompo Azy mandrakizay."
\v 3 Dia novorian'i Davida tao Jerosalema ny Israely rehetra, mba hampiakatra ny fiaran'i Yaveh any amin'ny toerana efa nomaniny ho an'izany.
\s5
\v 4 Novorian'i Davida niaraka ireo taranak'i Arona sy ireo Levita.
\v 5 Tamin'ireo taranak'i Kehata, dia nisy an'i Oriela mpitarika sy ireo havany, lehilahy 120.
\v 6 Tamin'ireo taranak'i Merary, dia nisy an'i Asaia mpitarika sy ireo havany, lehilahy 220.
\s5
\v 7 Tamin'ireo taranak'i Gersona, dia nisy an'i Joela mpitarika sy ireo havany, lehilahy 130.
\v 8 Tamin'ireo taranak'i Elizafana, dia nisy an'i Semaia mpitarika sy ireo havany, lehilahy 200.
\v 9 Tamin'ireo taranak'i Hebrona, dia nisy an'i Eliala mpitarika sy ireo havany, lehilahy valopolo.
\v 10 Tamin'ireo taranak'i Oziela, dia nisy an'i Aminadaba mpitarika sy ireo havany, lehilahy 112.
\s5
\v 11 Niantso an'i Zadoka sy Abiatara mpisorona, ary ireo Levita Oriela, Asaia, Joela, Semaia, Eliala, ary Aminadaba i Davida.
\v 12 Hoy izy tamin'izy ireo hoe: "Ianareo no lohan'ireo fianakavian'ny Levita. Hamasino ny tenanareo, dia ianareo sy ireo rahalahinareo, mba hafahanareo mampiakatra ny fiaran'i Yaveh, ilay Andriamanitr'Israely, ho any amin'ny toerana izay efa nomaniko ho an'izany.
\s5
\v 13 Tsy nitondra izany ianareo tamin'ny voalohany. Izany no antony namaizan'i Yaveh Andriamanitsika antsika, satria tsy nitady Azy na nankatoa ny lalàny isika."
\v 14 Noho izany dia nanamasin-tena ireo mpisorona sy ireo Levita mba hafahan'izy ireo mampiakatra ny fiaran'i Yaveh, ilay Andriamanitr' Israely.
\v 15 Dia nolanjain'ireo Levita teo an-tsorok'izy ireo tamin'ny bao ilay fiaran'Andriamanitra, araka izay efa nandidian'i Mosesy—manaraka ireo fitsipika nomena avy tamin'ny tenin'i Yaveh.
\s5
\v 16 Niresaka tamin'ireo mpitarika ny Levita i Davida mba hanendry ny rahalahin'izy ireo ho mpihira amin'ireo zava-maneno, valiha, lokanga sy kipantsona, hanandratra mafy sy am-pifaliana ny feon'izy ireo.
\v 17 Dia notendren'ireo Levita i Hemana zanaka lahin'i Joela sy ny iray tamin'ireo rahalahiny, dia i Asafa zanaka lahin'i Berekia. Nanendry havana avy amin'ireo taranak'i Merary sy Etana zanaka lahin'i Kosaia ihany koa izy ireo.
\v 18 Niaraka tamin'izy ireo koa ny havana akaiky manarakaraka azy ireo: Zakaria,
\f + \ft Fanamarihana: Ireo fandikana taloha sasany dia manampy anarana na tovona hoe: "bena", mety heverina ho anaran-drain'i Zakaria izay tsy voasoratra. \f*
Jaziela, Semiramota, Jehiela, Ony, Eliaba, Benaia, Mahaseia, Matitia, Elifeleho, Mikneia, Obed-edoma, ary Jeiela, ireo mpiandry vavahady.
\s5
\v 19 Hemana, Asafa, ary Etana mpihira dia notendrena mba hitendry mafy kipantsona varahina.
\v 20 Zakaria, Aziela, Semiramota, Jehiela, Ony, Eliaba, Mahaseia, ary Benaia no nitendry ireo valiha, tamin'ny Alamota.
\v 21 Matitia, Elifeleho, Mikneia, Obed-edoma, Jeiela, ary Azazia no nitari-dalana tamin'ny harpa tamin'ny Seminita.
\s5
\v 22 Kenania, mpitarika ireo Levita, izy no tonian'ny fihiràna satria mpampianatra hira izy.
\v 23 Berekia sy Elkana no mpiambina ny fiara.
\v 24 Sebania, Josafata, Netanela, Amasay, Zakaria, Benaia, ary Eliezera, ireo mpisorona, no nitsoka ireo trompetra teo alohan'ny fiaran'Andriamanitra. Obed-edoma sy Jehia no mpiambina ny fiara.
\s5
\v 25 Ary Davida, ireo loholon'Israely, sy ireo mpifehy ny an'arivony dia nandeha nampiakatra ilay fiaran'ny faneken'i Yaveh avy tao an-tranon'i Obed-edoma tamim-pifaliana.
\v 26 Ary Andriamanitra raha nanampy ireo Levita izay nilanja ny fiaran'ny faneken'i Yaveh, dia nanao sorona omby fito sy ondrilahy fito izy ireo.
\s5
\v 27 Nanao akanjo vita tamin'ny rongony fotsy madinika i Davida, tahaka ireo Levita izay nilanja ny fiara, ireo mpihira, ary Kenaia, ilay mpitarika ny hira mbamin'ireo mpihira. Niakanjo efoda rongony fotsy i Davida.
\v 28 Ka dia nampiakatra ny fiaran'ny faneken'i Yaveh tamin'ny hiakam-pifaliana, sy tamin'ny feon-tandroka, tamin'ny kipantsona, ary tamin'ny valiha sy harpa ny Israely rehetra.
\s5
\v 29 Nefa raha tonga tao an-tanànan'i Davida ny fiaran'ny faneken'i Yaveh, dia nitazana teo am-baravarankely i Mikala zanaka vavin'i Saoly. Nahita an'i Davida mpanjaka nandihy sy nankalaza izy. Avy eo nanao tsinontsinona azy tao am-pony izy.
\s5
\c 16
\p
\v 1 Dia nentin'izy ireo niditra ilay fiaran'Andriamanitra ary napetrak'izy ireo teo afovoan'ny lay izay nataon'i Davida ho an'izany. Avy eo nanolotra fanatitra dorana sy fanati-pihombonana teo anatrehan'Andriamanitra izy ireo.
\v 2 Rehefa vitan'i Davida ny soron'ny fanatitra dorana sy ny fanati-pihombonana, dia nitahy ny vahoaka tamin'ny anaran'i Yaveh izy.
\v 3 Nizarazara mofo, sombin-kena, ary mofo mamy misy voaloboka tamin'ireo Israelita rehetra, na lahy na vavy izy.
\s5
\v 4 Nanendry Levita sasantsasany mba hanompo eo anoloan'ilay fiaran'i Yaveh i Davida, ary mba hankalaza, hisaotra sy hidera an'i Yaveh, ilay Andriamanitr'Israely.
\v 5 Ireo Levita ireo dia Asafa ilay mpitarika, ary faharoa manaraka azy i Zakaria, Jeiela, Semiramota, Jehiela, Matita, Eliaba, Benaia, Obed-Edoma, ary Jeiela. Ireo no nitendry lokanga sy harpa. Asafa no nampaneno ny kipantsona, izay maneno mafy.
\v 6 Benaia sy Jahaziela mpisorona no mpitsoka tsy tapaka ny trompetra, teo anoloan'ny fiaran'ny faneken'Andriamanitra.
\s5
\v 7 Ary tamin'izany andro izany Davida no nanendry voalohany an'i Asafa sy ireo rahalahiny mba hihira io hiran'ny fisaorana an'i Yaveh io.
\v 8 Tolory fisaorana i Yaveh, antsoy ny anarany; ampahafantaro eo amin'ireo firenena ny asany.
\v 9 Mihirà Azy, mihirà fiderana Azy; ambarao ireo asany mahagaga rehetra.
\s5
\v 10 Mireharehà amin'ny anarany masina; aoka hifaly ny fon'ireo izay mitady an'i Yaveh.
\v 11 Tadiavo Yaveh sy ny heriny; tadiavo mandrakariva ny fanatrehany.
\s5
\v 12 Tsarovy ireo zava-mahagaga nataony, ireo fahagagana sy ireo lalàna avy amin'ny vavany,
\v 13 ry taranak'Israely mpanompony, ianareo vahoakan'i Jakoba, izay nofidiany.
\v 14 Izy no Yaveh, Andriamanitsika. Amin'ny tany rehetra ireo lalàny.
\s5
\v 15 Ataovy ao an-tsaina mandrakariva ny fanekeny, dia ny teny izay nandidiany an'ireo taranaka arivo hifandimby.
\v 16 Mahatsiaro ny fanekena izay nataony tamin'i Abrahama, sy ny voadiny tamin'Isaka Izy.
\v 17 Izany no nohamafisiny tamin'i Jakoba toy ny fitsipika, ary tamin'Israely toy ny fanekena mandrakizay.
\v 18 Hoy Izy hoe: "Hanome anareo ny tanin'i Kanana ho anjara lovanareo Aho."
\s5
\v 19 Niteny izany Aho raha mbola vitsy an'isa ianareo, tena vitsy tokoa, ary vahiny tao amin'ny tany.
\v 20 Nandeha tamin'ny firenena ho amin'ny firenena izy ireo, avy amin'ny fanjakana iray mankany amin'ny hafa.
\v 21 Tsy nisy na iza na iza navelany hampahory azy ireo; ireo mpanjaka dia nosaziany nohon'ny amin'izy ireo.
\v 22 Hoy Izy hoe: "Aza mikasika an'ireo izay voahosotro, ary aza manisy ratsy an'ireo mpaminaniko."
\s5
\v 23 Mihirà ho an'i Yaveh, ry tany rehetra; hambarao isan'andro isan'andro ny famonjeny.
\v 24 Hambarao eo amin'ireo firenena ny voninahiny, ary eo amin'ireo firenena rehetra ireo asany mahagaga.
\s5
\v 25 Fa lehibe Yaveh ka tokony ho deraina indrindra, ary tokony hatahorana ambonin'ireo andriamanin-kafa rehetra Izy.
\v 26 Satria sampy ireo andriamanitry ny firenena rehetra, fa Yaveh no nanao ny lanitra.
\v 27 Eo amin'ny fanatrehany ny famirapiratana sy ny voninahitra. Ary eo amin'ny toerany ny hery sy ny hafaliana.
\s5
\v 28 Manomeza an'i Yaveh, ry fokon'ny vahoaka, manomeza voninahitra sy hery an'i Yaveh;
\v 29 omeo an'i Yaveh ny voninahitra mendrika ny anarany. Mitondrà fanatitra ary mankanesa eo anatrehany. Miankohofa amin'i Yaveh amin'ny famirapiratany masina.
\s5
\v 30 Mangovita eo anatrehany, ry tany rehetra. Izao tontolo izao ihany koa dia efa naorina; tsy afaka hozongozonina izany.
\v 31 Aoka ho faly ny lanitra, ary aoka hiravo ny tany; aoka izy ireo hiteny eo amin'ireo firenena hoe: "Manjaka Yaveh."
\s5
\v 32 Aoka hierona ny ranomasina, ary izay mameno izany dia hihiaka am-pifaliana. Aoka ho ravo ireo saha, sy izay rehetra eo amin'ireo.
\v 33 Ary aoka ireo hazo ao an'ala hihiaka am-pifaliana eo anatrehan'i Yaveh, fa ho avy hitsara ny tany Izy.
\s5
\v 34 Misaora an'i Yaveh, fa tsara Izy, satria maharitra mandrakizay ny fanekeny mahatoky.
\v 35 Avy eo milazà hoe: "Vonjeo izahay, ry Andriamanitry ny famonjenay. Hangony miaraka izahay ary vonjeo amin'ireo firenena hafa, mba ho afaka hanolotra fisaorana ho an'ny anaranao masina sy voninahitra amin'ny fiderana Anao izahay."
\s5
\v 36 Ho deraina mandrakizay mandrakizay anie i Yaveh, ilay Andriamanitr'Israely. Hoy ny olona rehetra hoe: "Amena" ary nidera an'i Yaveh.
\s5
\v 37 Noho izany Davida dia namela an'i Asafa sy ireo rahalahiny teo anatrehan'ilay fiaran'ny faneken'i Yaveh, mba hanompo mandrakariva eo anatrehan'ilay fiara, araka izay takian'ny asa isan'andro isan'andro.
\v 38 Anisan'izany i Obed-edoma miaraka amin'ireo havany valo amby enim-polo. Obed-Edoma zanaka lahin'i Jedotona, miaraka amin'i Hosa, no mpiandry vavahady.
\v 39 Zadoka ilay mpisorona sy ireo mpisorona namany dia teo amin'ny toerana avo tao Gibeona mba hanompo eo anoloan'ny tabernakelin'i Yave.
\s5
\v 40 Hanolotra fanatitra dorana mandrakariva amin'ny maraina sy hariva ho an'i Yaveh eo ambonin'ny alitara ho an'ny fandorana fanatitra izy ireo, araka izay rehetra voasoratra ao amin'ny lalàn'i Yaveh, izay nomeny ho didy ho an'Israely.
\v 41 Hemana sy Jedotona dia niaraka tamin'izy ireo, niaraka tamin'ireo ambiny izay nosafidiana tamin'ny anarana, mba hanolotra fisaorana an'i Yaveh, satria maharitra mandrakizay ny fanekeny mahatoky.
\s5
\v 42 Hemana sy Jedotona no mpiandraikitra ny tranon'ireo izay mitsoka trompetra, kipantsona, ary zava-maneno hafa ho an'ny hira masina. Ireo zanaka lahin'i Jedotona no niandry ny vavahady.
\v 43 Avy eo ny olona rehetra niverina tany an-tranon'izy ireo avy, ary Davida niverina mba hitahy ny ankohonany.
\s5
\c 17
\p
\v 1 Ary rehefa tafapetraka tao amin'ny tranony ny mpanjaka, dia hoy izy tamin'i Natana mpaminany hoe: "Indro, monina anaty trano sedera aho, nefa ny fiaran'ny faneken'i Yaveh dia mijanona ao ambany lay."
\v 2 Dia hoy Natana tamin'i Davida hoe: "Mandehana, ataovy izay ao am-ponao, fa momba anao Andriamanitra."
\s5
\v 3 Nefa ny alin'iny ihany dia tonga tamin'i Natana ny tenin'Andriamanitra, nanao hoe:
\v 4 "Mandehana ary lazao i Davida mpanompoko hoe: 'Izao no lazain'i Yaveh: Tsy hanorina trano ho Ahy mba honenako ianao.
\v 5 Fa tsy mbola nonina tao anaty trano Aho nanomboka tamin'ny andro izay nitondrako an'Israely niakatra ka hatramin'izao andro izao. Fa kosa, nonina tao anaty lay Aho, dia tabernakely, tamin'ny toerana samihafa.
\v 6 Tamin'ny toerana rehetra izay efa nifindrako teo amin'Israely rehetra, moa ve Aho efa niteny na inona na inona tamin'ireo mpitarik'Israely izay notendreko ho mpiandry ny vahoakako, nanao hoe: "Nahoana ianareo no tsy nanorina trano sedera ho Ahy?""'
\s5
\v 7 "Ankehitriny ary, lazao Davida mpanompoko hoe: 'Izao no lazain'i Yaveh tompon'ny maro: Izaho no naka anao avy tamin'ny tany fihinanam-bilona, avy tamin'ny fanarahana ondry, mba ho mpanapaka eo amin'Israely oloko ianao.
\v 8 Nomba anao Aho na taiza na taiza nalehanao ary nandringana ireo fahavalonao tsy ho eo anolonao, ary homeko anarana, tahaka ny anaran'ireo izay lehibe eto ambonin'ny tany ianao.
\s5
\v 9 Hanendry toerana iray ho an'Israely oloko Aho ary hametraka azy ireo ao, mba honenan'izy ireo ao amin'ny toeran'izy ireo manokana ary tsy hanana ahiahy intsony. Ireo olona ratsy fanahy dia tsy hampahory azy ireo, tahaka ny nataon'izy ireo taloha intsony,
\v 10 tahaka ny nataon'izy ireo nanomboka tamin'ny andro izay nandidiako ireo mpitsara mba ho eo amin'Israely oloko. Avy eo hampilavo lefona ireo fahavalonao rehetra Aho. Fanampin'izany dia lazaiko aminao fa izaho, Yaveh, dia hanorina trano iray ho anao.
\s5
\v 11 Ho avy izany rehefa tanteraka ny fotoananao izay handehananao any amin'ireo razambenao, dia hanangana ireo taranaka mandimby anao Aho, ary ho an'iray amin'ireo taranakao, dia Izaho no hametraka ny fanjakany.
\v 12 Hanorina trano ho Ahy izy, ary Izaho hametraka ny seza fiandrianany mandrakizay.
\s5
\v 13 Ho rainy Aho, ary izy ho zanako. Tsy ho esoriko aminy ny fahatokian'ny fanekeko, tahaka ny nanesorako an'izany tamin'i Saoly, izay nanapaka talohanao.
\v 14 Hapetrako ho eo amin'ny tranoko sy ho eo amin'ny fanjakako mandrakizay izy, ary ny seza fiandrianany dia hitoetra mandrakizay."'
\v 15 Dia niresaka tamin'i Davida i Natana ary nitatitra ireo teny rehetra ireo tany aminy, ka niresaka taminy momban'ilay fahitana iray manontolo izy.
\s5
\v 16 Dia niditra Davida mpanjaka ary nipetraka teo anoloan'i Yaveh; hoy izy hoe: "Iza moa aho, ry Yaveh Andriamanitra, ary inona ny fianakaviko, no dia nentinao ho amin'izao tanjona izao aho?
\v 17 Fa zavatra kely teo imasonao izany, ry Andriamanitra. Niresaka ny amin'ny fianakavian'ny mpanomponao izay mbola ho avy Ianao, ary nampiseho ahy ireo taranaka ho avy, ry Yaveh Andriamanitra.
\v 18 Inona intsony no azoko, izaho Davida, lazaina aminao? Nomenao voninahitra ny mpanomponao. Nomenao fankatoavana manokana ny mpanomponao.
\s5
\v 19 Ry Yaveh, nohon'ny amin'ny mpanomponao, sy mba hahatanteraka ny tanjona manokana, no nanaovanao izao zava-dehibe izao mba hampiharihariana ireo asanao lehibe rehetra.
\v 20 Ry Yaveh, tsy misy tahaka Anao, ary tsy misy Andriamanitra afa-tsy Ianao, araka izay efa renay mandrakariva.
\v 21 Fa iza no firenena eto ambonin'ny tany tahaka ny Israely olonao, izay navotanao, Andriamanitra, avy any Egypta mba ho vahoaka ho Anao, mba hanao anarana ho anao amin'ireo asa lehibe sy mahagaga? Ireo firenena dia noroahinao tsy ho eo anoloan'ny vahoakanao, izay navotanao tamin'i Egypta.
\s5
\v 22 Nataonao ho vahoakanao manokana mandrakizay i Israely, ary Ianao, ry Yaveh, dia tonga Andriamanitr'izy ireo.
\v 23 Koa ankehitriny, ry Yaveh, hitoetra mandrakizay anie ny fampanantenana izay nataonao mahakasika ny mpanomponao sy ny fianakaviany. Ataovy araka izay efa nolazainao.
\v 24 Hitoetra mandrakizay anie ny anaranao ary ho lehibe, ka hilaza ny olona hoe: "Yaveh tompon'ny maro no Andriamanitr'Israely,' raha apetraka eo anatrehanao, ny tranoko, Davida mpanomponao.
\s5
\v 25 Fa Ianao, ry Andriamanitro, dia efa nampiseho tamin'ny mpanomponao fa hanorina trano ho azy Ianao. Izany no antony, nahitako, izaho mpanomponao, faharisihana hivavaka aminao.
\v 26 Koa ankehitriny, ry Yaveh, Ianao no Andriamanitra, ary efa nanao izany fampanantenana tsara izany tamin'ny mpanomponao:
\v 27 Ary sitrakao ny hitahy ny tranon'ny mpanomponao, mba hitoizan'izany mandrakizay eo anatrehanao. Ianao, ry Yaveh, no nitahy izany, ka ho voatahy mandrakizay izany."
\s5
\c 18
\p
\v 1 Taorian'izany Davida dia nanafika ny Filistina ary nandresy azy ireo. Nalàny teo amin'ny fifehezan'ny Filistina i Gata sy ny tanànany.
\v 2 Ary nandresy an'i Moaba izy avy eo, ary dia lasa mpanompon'i Davida ny Moabita ary nandoa hetra taminy.
\s5
\v 3 Dia resin'i Davida i Hadarezera, mpanjakan'i Zoba tao Hamata, raha mbola nandeha mba hametraka ny lalàny teo amoron'ny reniranon'i Eofrata i Hadarezera.
\v 4 Nisambotra kalesy arivo, sy mpitaingin-tsoavaly fito arivo, ary mpandeha an-tongotra roa alina i Davida. Notraingoin'i Davida ireo soavalin'ny kalesy rehetra, fa nanokana izay mahampy kalesy zato izy.
\s5
\v 5 Nony tonga mba hanampy an'i Hadarezera mpanjakan'i Zoba ireo Syriana avy any Damaskosy, dia namono lehilahy Syriana roa arivo sy roa alina Davida.
\v 6 Avy eo dia nametraka miaramila tany Syria any Damaskosy i Davida, ka lasa mpanompon'i Davida ny Syriana ary nandoa hetra taminy. Nomen'i Yaveh fandresena i Davida na taiza na taiza nalehany.
\s5
\v 7 Nalain'i Davida ireo ampinga volamena rehetra teny amin'ny mpanompon'i Hadarezera ary nentiny tany Jerosalema.
\v 8 Tany Tibata sy Kona, tanànan'i Hadarezera, dia naka varahina betsaka i Davida. Izany varahina izany no nanaovan'i Solomona ny ranomasim-barahina, ny andry, sy ny fitaovana varahina taty aoriana.
\s5
\v 9 Nony ren'i Toy, mpanjakan'i Hamata, fa resin'i Davida ny tafik'i Hadarezera mpanjakan'i Zoba rehetra,
\v 10 dia nalefan'i Toy tany amin'i Davida i Hadorama zanany lahy mba hiarahaba sy hisaotra azy, satria Davida niady tamin'i Hadarezera sy nandresy azy, ary satria nanangana ady tamin'i Toy i Hadarezera. Ary Hadorama dia nitondra zavatra vita tamin'ny volafotsy, volamena, ary varahina niaraka taminy.
\v 11 Natokan'i Davida mpanjaka ho an'i Yaveh ireo zavatra ireo, niaraka tamin'ny volafotsy sy volamena izay noentiny avy tamin'ny firenena rehetra: Edoma, Moaba, ny vahoakan'i Amona, ireo Filistina, ary ny Amalekita.
\s5
\v 12 Namono Edomita valo arivo sy iray alina i Abisay zanaka lahin'i Zeroia tao amin'ny Lohasahan-tsira.
\v 13 Nametrahany miaramila tao Edoma, ary dia lasa mpanompon'i Davida ireo Edomita rehetra. Nomen'i Yaveh fandresena i Davida na taiza na taiza nalehany.
\s5
\v 14 Nanjaka teo amin'Israely rehetra Davida, ary nampihatra ny rariny sy ny fahamarinana tamin'ny vahoakany rehetra izy.
\v 15 Joaba zanaka lahin'i Zeroia no mpifehy ny tafika, ary Josafata zanaka lahin'i Ahiloda no mpitan-tsorata.
\v 16 Zadoka zanaka lahin'i Ahitoba sy Abimeleka zanaka lahin'i Abiatara no mpisorona, ary Saosa no mpanora-dalàna.
\v 17 Benaia zanaka lahin'i Joiada no nifehy ireo Keretita sy Peletita, ary ireo zanaka lahin'i Davida no mpanolotsaina mitarika ny mpanjaka.
\s5
\c 19
\p
\v 1 Ary taty aoriana dia maty Nahasy, mpanjakan'ny vahoakan'i Amona, ary dia ny zanany lahy no lasa mpanjaka teo amin'ny toerany.
\v 2 Hoy Davida hoe: "Hampiseho hatsaram-panahy amin'i Hanona zanaka lahin'i Nahasy aho, satria nampiseho hatsaram-panahy tamiko ny rainy." Ka dia nandefa iraka i Davida mba hampionona azy mahakasika an-drainy. Niditra tany amin'ny tanin'ny Amonita ireo mpanompon'i Davida ary nankany amin'i Hanona, mba hampionona azy.
\v 3 Saingy hoy ireo andrian-dahy Amonita tamin'i Hanona hoe: "Mieritreritra ve ianao fa manome voninahitra ny rainao i Davida satria naniraka ireo mpanompony mba hampahery anao? Moa tsy tonga eto aminao ireo mpanompony mba hisafo sy hizaha ny tany mba handravana izany?"
\s5
\v 4 Koa dia nisambotra ireo mpanompon'i Davida i Hanona, nandratra azy ireo, nanapaka ireo fitafian'izy ireo hatreo amin'ny valahany, hatreo amin'ny foto-pen'izy ireo, ary nandroaka azy ireo.
\v 5 Rehefa nazavain'izy ireo tamin'i Davida izany, dia naniraka hitsena azy ireo izy, satria afa-baraka tanteraka ireo lehilahy. Hoy ny mpanjaka hoe: "Mijanòna ao Jeriko mandra-pitsirin'ny volombavanareo indray, ary miverena avy eo."
\s5
\v 6 Rehefa hitan'ireo Amonita fa lasa nangidy hoditra tamin'i Davida izy ireo, dia nandefa talenta volafotsy arivo i Hanona sy ny Amonita mba hanakaramana kalesy Syriana sy mpitaingin-tsoavaly avy tamin'i Naharaima, Maka, ary Zoba.
\v 7 Nanakarama azy ireo kalesy roa arivo sy telo alina ny mpanjakan'i Maka sy ny vahoakany, izay tonga nitoby teo anoloan'i Medeba. Niangona tany amin'ireo tanànany ireo Amonita, ary nivoaka ho amin'ny ady.
\s5
\v 8 Rehefa nahare izany i Davida, dia naniraka an'i Joaba sy ny tafiny manontolo izy mba hihaona amin'izy ireo.
\v 9 Nivoaka ny vahoakan'i Amona ka nilahatra ho amin'ny ady teo amin'ny vavahadin'ny tanàna, raha teny amin'ny saha ireo mpanjaka izay tonga.
\s5
\v 10 Rehefa hitan'i Joaba ny ady nanatrika azy sady teo anoloana no tao aoriana, dia nifantina ny sasany tamin'ireo mpiady mahay indrindra teo amin'Israely izy ary nandahatra azy ireo hanohitra ireo Syriana.
\v 11 Raha ny amin'ireo tafika ambiny, dia nomeny ho eo ambany fandidian'i Abisay rahalahiny izany, ary nalahany ho amin'ny ady hanohitra ny tafik'i Amona izy ireo.
\s5
\v 12 Hoy Joaba hoe: "Raha toa ka mahery loatra ho ahy ireo Syriana, dia ianao, ry Abisay, no tsy maintsy mamonjy ahy. Fa raha mafy loatra aminao kosa ny tafik'i Amona, dia ho avy hamonjy anao aho.
\v 13 Mahereza, ary aoka isika hampiseho ny tenantsika ho mahery ho an'ny vahoakantsika sy ho an'ireo tanànan'ny Andriamanitsika, fa hanao izay tsara ho an'ny tanjony Yaveh."
\s5
\v 14 Koa dia niroso ho amin'ny ady i Joaba sy ireo miaramila tafiny mba hanohitra ireo Syriana, izay voatery nitsoaka teo anatrehan'ny tafik'Israely.
\v 15 Rehefa hitan'ny tafik'i Amona fa efa nandositra ireo Syriana, dia nandositra an'i Abisay rahalahin'i Joaba ihany koa izy ireo ka niverina tany an-tanàna. Avy eo niverina avy tany amin'ny vahoakan'i Amona i Joaba ary nody tany Jerosalema.
\s5
\v 16 Rehefa hitan'ireo Syriana fa resin'Israely izy ireo, dia nandefa fanampin-kery avy tany andafin'ny Ony Eofrata izy ireo, niaraka tamin'i Sofaka ilay mpifehy ny tafik'i Hadarezera.
\v 17 Rehefa nilazàna izany i Davida, dia nanangona ny Israely rehetra izy, niampita an'i Jordana, ary tonga teo amin'izy ireo. Nandahatra ny tafika ho amin'ny ady hanohitra ireo Syriana izy, ary niady taminy izy ireo.
\s5
\v 18 Nandositra an'Israely ny Syriana, ary Davida namono mpitaingin-kalesy Syriana fito arivo sy miaramila mpandeha tongotra efatra alina. Novonoiny ihany koa i Sofaka, ilay mpifehy ny tafika.
\v 19 Rehefa hitan'ireo mpanjaka rehetra izay mpanompon'i Hadarezera fa resin'Israely izy ireo, dia nihavana tamin'i Davida izy ireo ary nanompo azy ireo. Ka dia tsy maniry ny hanampy ireo Amonita intsony ny vahoakan'i Syria.
\s5
\c 20
\p
\v 1 Ary tamin'ny fotoanan'ny lohataona, fotoana andehanan'ny mpanjaka any an'ady raha ny tokony ho izy, no nitarihan'i Joaba ny tafika ho amin'ny ady sy nandravany ny tanin'ireo Amonita. Lasa izy ary nanao fahirano an'i Raba. Nijanona tao Jerosalema i Davida. Ary nanafika an'i Raba ka nandresy izany i Joaba.
\s5
\v 2 Nesorin'i Davida hiala amin'ny lohany ny satro-boninahitry ny mpanjakan'izy ireo, ary hitany fa talenta volamena iray ny lanjan'izany, ary nisy vato sarobidy tao amin'izany. Napetraka teo an-dohan'i Davida ilay satro-boninahitra, ary navoakany ireo babo maro be tao an-tanàna.
\v 3 Navoakany ny olona izay tao an-tanàna ary notereny hiasa miaraka amin'ny tsofa sy fangao-by ary famaky izy ireo. Davida dia nangataka ireo tanànan'ny vahoakan'i Amona rehetra mba hanao izany asa izany. Avy eo niverina tany Jerosalema i Davida sy ny tafika rehetra.
\s5
\v 4 Taorian'izany dia nisy ady niaraka tamin'ireo Filistina tao Gazera. Novonoin'i Sibekay ilay Hosatita i Sipay, iray amin'ireo taranaky ny Refaita, ary resy ireo Filistina.
\v 5 Dia nisy ady niaraka tamin'ireo Filistina indray tao Goba, ary novonoin'i Elanana zanaka lahin'i Jaira ilay Betlehemita i Lamy rahalahin'i Goliata ilay Gatita, ny tsora-kazon'izay nanana lefona dia toy ny vodi-tenon'ny mpanenona.
\s5
\v 6 Ary nisy ady iray hafa indray tao Gata izay nisy lehilahy lava vaventy nanana rantsan-tanana enina isaky ny tanana ary rantsan-tongotra enina isaky ny tongotra. Izy ihany koa dia avy amin'ny taranaky ny Refaita.
\v 7 Rehefa naniratsira ny tafik'Israely izy, dia novonoin'i Jehonadaba zanaka lahin'i Simea, rahalahin'i Davida.
\v 8 Ireo no taranaky ny Refaita avy ao Gata, ary matin'ny tanan'i Davida sy ny tanan'ireo miaramilany izy ireo.
\s5
\c 21
\p
\v 1 Nisy fahavalo iray nitsangana nanohitra an'Israely ary nandrisika an'i Davida mba hanisa ny Israely.
\v 2 Hoy Davida tamin'i Joaba sy ireo mpifehy ny tafika hoe: "Mandehana, isao ny vahoakan'Israely avy ao Beri-sheba ka hatrany Dana ary tatero amiko, mba hahafantarako ny isan'izy ireo."
\v 3 Dia hoy Joaba hoe: "Hampitombo avo zato heny ny tafiny anie Yaveh. Kanefa ry tompoko ilay mpanjaka, moa tsy manompo ny tompoko izy rehetra? Nahoana no mila izany ny tompoko? Nahoana no mitondra heloka amin'Israely?"
\s5
\v 4 Kanefa tapitra ny tenin'ny mpanjaka amin'i Joaba. Koa dia lasa Joaba ary nandeha nanerana an'Israely rehetra. Avy eo dia niverina tao Jerosalema izy.
\v 5 Ary dia notaterin'i Joaba tamin'i Davida ny fitambaran'ny isan'ireo lehilahy mpiady. Nisy lehilahy 1. 100. 000 mitan-tsabatra tao Israely. Joda irery no nanana miaramila 470. 000.
\s5
\v 6 Fa Levy sy Benjamina dia tsy voaisa amin'izy ireo, satria naharikoriko an'i Joaba ny baikon'ny mpanjaka.
\v 7 Naha-tohina an'Andriamanitra ny fihetsiny, ka dia nanafika an'Israely Izy.
\v 8 Hoy Davida tamin' Andriamanitra hoe: "Nanota be aho tamin'ny fanaovana izany. Koa esory ny heloky ny mpanomponao, satria nanao adalana be aho."
\s5
\v 9 Hoy Yaveh tamin'i Gada, mpaminanin'i Davida hoe:
\v 10 "Mandehana lazao amin'i Davida hoe: 'Izao no ambaran'i Yaveh: Omeko safidy telo ianao. Misafidiana iray amin'ireo.'"
\s5
\v 11 Noho izany Gada dia nankany amin'i Davida ary niteny taminy hoe: "Izao no ambaran'i Yaveh: 'Misafidiana iray amin'ireto:
\v 12 mosary telo taona, sa telo volana enjehan'ireo fahavalo sy tratran'ny sabatr'izy ireo, sa telo andro amin'ny sabatr'i Yaveh, izany hoe, areti-mandringana ao amin'ny tany, miaraka amin'ny anjelin'i Yaveh mandrava manerana ny tanin'Israely rehetra.' Koa ankehitriny ary, tapao izay valin-teny tokony ho entiko any amin'ilay naniraka ahy."
\s5
\v 13 Dia hoy Davida tamin'i Gada hoe: "Ory loatra aho. Avelao aho hianjera eo an-tanan'i Yaveh toy izay eo an-tanan'ny olona, satria tena lehibe ny famindram-pony."
\v 14 Noho izany dia nandefa loza tamin'Israely i Yaveh, ary olona fito alina no maty.
\v 15 Nandefa anjely tany Jerosalema i Yaveh mba handrava izany. Raha iny izy saika handrava azy iny, dia nijery Yaveh ary nanova ny fisainany tamin'ilay ratsy. Hoy Izy tamin'ilay anjely mpandrava hoe: "Ampy izay! Atsaharo ny tananao." Tamin'izany fotoana izany dia nitsangana teo amin'ny famoloan'i Araona ilay Jebosita ny anjelin'i Yaveh.
\s5
\v 16 Nijery ambony Davida ary nahita ilay anjelin'i Yaveh nijoro teo anelanelan'ny tany sy ny lanitra, nisy sabatra voatsoaka nanondro an'i Jerosalema teny an-tanany. Avy eo Davida sy ireo loholona, nitafy akanjo fisaonana, nampiankohoka ny tavan'izy ireo tamin'ny tany.
\v 17 Dia hoy Davida tamin'Andriamanitra hoe: "Moa tsy izaho no nandidy ny hanisàna ireo tafika? Nanao izany zavatra ratsy izany aho. Fa ireo ondry ireo, inona no nataon'izy ireo? Ry Yaveh Andriamanitro! Aoka ny tananao hamely ahy sy ny fianakaviako, fa aza avela hitoetra amin'ny vahoakanao ny loza."
\s5
\v 18 Dia nandidy an'i Gada ny anjelin'i Yaveh mba hilaza amin'i Davida, fa tokony hiakatra sy hanorina alitara ho an'i Yaveh eo amin'ny famoloan'i Araona ilay Jebosita i Davida.
\v 19 Noho izany dia lasa niakatra Davida araky ny toromarika nasain'i Gada nataony amin'ny anaran'i Yaveh.
\v 20 Raha mbola nitoto vary i Araona, dia nitodika izy ary nahita ilay anjely. Dia niafina izy ireo sy ireo zanany lahy efatra.
\s5
\v 21 Rehefa tonga tany amin'i Araona i Davida, dia nijery Araona ka nahita an'i Davida. Nandao ny famoloana izy ary nampiankohoka ny tavany tamin'ny tany teo amin'i Davida.
\v 22 Dia hoy Davida tamin'i Araona hoe: "Amidio amiko ity famoloana ity, mba hafahako manorina alitara ho an'i Yaveh. Ho aloako ny vidiny feno, mba hiala amin'ny vahoaka ny loza."
\s5
\v 23 Hoy Araona tamin'i Davida hoe: "Alaivo ho anao izany, ry tompoko ilay mpanjaka. Ataovy aminy izay hitanao fa tsara eo imasonao. Indro, hanome omby ho anao ho fanatitra dorana aho, ny fivelesam-bary ho kitay, ary ny vary ho fanatitra voa; homeko anao avokoa izany."
\v 24 Dia hoy Davida mpanjaka tamin'i Araona hoe: "Tsia, mihizingizina hividy izany amin'ny vidiny feno aho. Tsy haka izay anao sy hanolotra izany ho fanatitra dorana amin'i Yaveh aho raha omena ahy fotsiny izany."
\s5
\v 25 Noho izany dia nandoa enin-jato sekely volamena ho an'ilay toerana i Davida.
\v 26 Nanorina alitara ho an'i Yaveh teo Davida ary nanolotra fanatitra dorana sy fanati-pihombonana teo amin'izany. Niantso an'i Yaveh izy, izay namaly azy tamin'ny afo avy any an-danitra ho eo amin'ny alitara fandoroana ny fanatitra dorana.
\v 27 Avy eo Yaveh nanome baiko an'ilay anjely, ary namerina ny sabany tao amin'ny fitoerany ilay anjely.
\s5
\v 28 Rehefa hitan'i Davida fa namaly azy teo amin'ilay famoloan'i Araona ilay Jebosita i Yaveh, dia nanao ny sorona teo izy tamin'io fotoana io ihany.
\v 29 Ary tamin'izany fotona izany, ny tabernakelin'i Yaveh, izay nataon'i Mosesy tany an'efitra, sy ny alitara ho an'ny fanatitra dorana, dia tany amin'ireo tany avo tany Gibeona.
\v 30 Kanefa, tsy afaka nandeha tany mba hangataka ny tari-dalan'Andriamanitra i Davida, satria natahotra ny sabatry ny anjelin'i Yaveh izy.
\s5
\c 22
\p
\v 1 Avy eo Davida nilaza hoe: "Eto no hisy ny tranon'i Yaveh Andriamanitra, miaraka amin'ny alitara ho an'ny fanatitra doran'Israely."
\v 2 Koa nandidy ireo mpanompony i Davida mba hanangona miaraka ireo vahiny izay monina any amin'ny tanin'Israely. Notendreny izy ireo mba ho mpamaky vato, mba hamaky ireo vato karangana, mba hanorenana ny tranon'Andriamanitra.
\s5
\v 3 Nanome vy maro be ho fantsiky ny varavarana mba ho eo amin'ny vavahady, ary amin'ireo vy fanitsiana i Davida. Nanome varahina maro noho izay azo lanjaina ihany koa izy,
\v 4 ary hazo sedera maro tsy tambo isaina. (Nitondra hazo sedera maro be ho an'i Davida mba hisaina ireo Sidoniana sy ireo Tyriana.)
\v 5 Hoy Davida hoe: "Solomona zanako lahy dia tanora sady tsy manam-pahaizana, ary ilay trano izay tokony hamboarina ho an' i Yaveh dia tsy maintsy mahatalanjona, mba halaza sy ho be voninahitra eo amin'ireo tany hafa rehetra. Koa hikarakara ny fanorenana izany aho." Noho izany dia nanao fanomanana lehibe i Davida talohan'ny nahafatesany.
\s5
\v 6 Avy eo dia niantso an'i Solomona zanany izy ary nandidy azy hanorina trano ho an'i Yaveh, Ilay Andriamanitr'Israely.
\v 7 Hoy Davida tamin'i Solomona hoe: "Ry zanako, fikasako ny hanorenako trano, ho an'ny anaran'i Yaveh Andriamanitro.
\v 8 Kanefa Yaveh nanatona ahy ary niteny hoe: 'Efa nandatsaka rà maro ary efa niady ady maro ianao. Tsy hanorina trano ho an'ny anarako ianao, satria efa nandatsaka rà maro teto an-tany teo imasoko ianao.
\s5
\v 9 Na dia izany aza, hanana zanaka lahy iray tia fihavanana ianao. Hanome azy fialan-tsasatra amin'ireo fahavalony rehetra amin'ny lafiny rehetra Aho. Fa ny anarany dia ho atao hoe Solomona, ary hanome azy fiadanana sy fahanginana ho an'Israely amin'ireo androny Aho.
\v 10 Hanorina trano ho an'ny anarako izy. Ho zanako izy, ary ho rainy Aho. Hametraka ny seza fiandrian'ny fanjakany eo amin'Israely mandrakizay Aho.'
\s5
\v 11 Ankehitriny, ry zanako, homba anao anie Yaveh ary hampahomby anao.
\v 12 Hanorina ny tranon'i Yaveh Andriamanitrao anie ianao, araka ny nolazainy fa hataonao. Hanome anao saina sy fahazavan-tsaina ihany koa anie Yaveh, mba hankatoavanao ny lalàn'i Yaveh Andriamanitrao, rehefa mametraka anao hiasa eo amin'Israely Izy.
\v 13 Dia hahomby ianao, raha mankatoa tsara ireo lalàna sy ireo didy izay nomen'i Yaveh tamin'i Mosesy mahakasika ny Israely. Mahereza ary manàna herim-po. Aza matahotra na kivy.
\s5
\v 14 Ary, indro, ny fihezahana lehibe izay efa nomaniko ho an'ny tranon'i Yaveh izay talenta volamena 100. 000, talenta volafotsy iray tapitrisa, ary varahina sy vy maro be. Efa nanome hazo sy vato ihany koa aho. Tsy maintsy hanampy bebe kokoa an'ireo rehetra ireo ianao.
\s5
\v 15 Manana mpiasa maro miaraka aminao ianao: mpamaky vato, mpanao trano, mpandrafitra, ary ireo mpanao asa-tanana mahay maro isan-karazany,
\v 16 izay afaka miasa amin'ny volamena, volafotsy, varahina, ary vy. Ka atomboy ny asa, ary homba anao anie Yaveh."
\s5
\v 17 Nandidy ireo mpitariky ny Israely rehetra ihany koa Davida mba hanampy an'i Solomona zanany lahy, manao hoe:
\v 18 "Momba anareo Yaveh Andriamanitrareo ary efa nanome fiadanana anareo tamin'ny lafiny rehetra. Efa nanome ireo mponin'ny faritra teto am-pelatanako Izy. Milavo lefona eo anatrehan'i Yaveh sy ny olony ny faritra.
\v 19 Ankehitriny mitadiava an'i Yaveh Andriamanitrareo amin'ny fonareo rehetra sy ny fanahinareo rehetra. Mitsangàna ary aoreno ny toerana masin'i Yaveh Andriamanitra. Ka afaka mitondra ny fiaran'ny faneken'i Yaveh sy ireo zavatra izay an'Andriamanitra ao an-trano izay naorina ho an'ny anaran'i Yaveh ianareo."
\s5
\c 23
\p
\v 1 Rehefa antitra Davida ary akaiky hifarana ny andro iainany, dia nataony mpanjaka hanapaka an'Israely i Solomona zanany lahy.
\v 2 Nangoniny niaraka ireo mpitarika ny Israely rehetra, niaraka tamin'ireo mpisorona sy ireo Levita.
\v 3 Ireo Levita telo-polo taona no ho mihoatra no nisaina. Niisa valo arivo sy telo alina izy ireo.
\s5
\v 4 "Amin'ireo, dia efatra arivo sy roa alina no niandraikitra ny asa tao an-tranon'i Yaveh, ary enina arivo ireo manam-boninahitra sy mpitsara.
\v 5 Efatra arivo ny mpiandry vavahady, ary efatra arivo ny mpidera an'i Yaveh miaraka amin'ny fitaovana izay namboariko ho fanomezana fiderana," Hoy Davida.
\v 6 Nozarainy ho vondrona izay mifanaraka amin'ireo zanaka lahin'i Levy izy ireo: Gersona, Kehata, ary Merary.
\s5
\v 7 Avy amin'ireo foko taranak'i Gersona, no nisy an'i Ladana sy Simey.
\v 8 Telo ny zanaka lahin'i Ladana: Jehiela ilay mpitarika, Zetama, ary Joela.
\v 9 Telo ny zanaka lahin'i Simey: Selomota, Haziela, ary Harana. Ireo no mpitarika ireo fokon'i Ladana.
\s5
\v 10 Efatra ny zanaka lahin'i Simey: Jahata, Ziza, Jeosy, ary Beria.
\v 11 Jahata no zokiny indrindra, ary Ziza no faharoa, fa Jeosy sy Beria kosa tsy mba nanana zanaka lahy maro, ka dia natao ho foko iray mitovy asa izy ireo.
\s5
\v 12 Efatra ny zanaka lahin'i Kehata: Amrama, Jizara, Hebrona, ary Oziela.
\v 13 Ireto avy ny zanaka lahin'i Amrama: Arona sy Mosesy. Voasafidy ho mpanokana ireo zava-masina indrindra i Arona, ka izy sy ireo taranany no hanolotra ny ditin-kazo manitra eo anatrehan'i Yaveh, hanompo Azy ary hanome tso-drano amin'ny anarany mandrakizay.
\v 14 Fa raha ny amin'i Mosesy ilay lehilahin'Andriamanitra kosa, dia natao ho Levita ireo zanany lahy.
\s5
\v 15 Ireo zanaka lahin'i Mosesy dia i Gersona sy Eliezera.
\v 16 Ny taranak'i Gersona dia i Seboela ilay zokony indrindra.
\v 17 Ny taranak'i Eliezera dia i Rehabia. Tsy nanan-janaka lahy hafa i Eliezera, kanefa Rehabia dia nanana taranaka maro.
\v 18 Ny zanaka lahin'i Jizara dia i Selomita ilay mpitarika.
\s5
\v 19 Ny taranak'i Hebrona dia i Jeria, zokiny indrindra, Amaria no faharoa, Jahaziela no fahatelo, ary Jekameama no fahefatra.
\v 20 Ireo zanaka lahin'i Oziela dia i Mika zokiny indrindra, ary Isiah no faharoa.
\s5
\v 21 Ireo zanaka lahin'i Merary dia i Maly sy Mosy. Ireo zanaka lahin'i Maly dia i Eleazara sy Kisy.
\v 22 Maty tsy mba nitera-dahy i Eleazara. Zanaka vavy ihany no nananany. Ireo zanaka lahin'i Kisy dia nanambady azy ireo.
\v 23 Ireo zanak'i Mosy telo lahy dia i Maly, Edera, ary Jeremota.
\s5
\v 24 Ireo no taranak'i Levy araka ny fokon'izy ireo. Izy ireo no mpitarika, voaisa ary voatanisa araka ny anaran'ny foko izay nanao ny asa fanompoana tao an-tranon'i Yaveh, manomboka eo amin'ny roapolo taona no ho miakatra.
\v 25 Fa hoy Davida hoe: "Yaveh, Andriamanitr'Israely, dia efa nanome fitsaharana ho an'ny olony. Nataony ao Jerosalema mandrakizay ny tranony.
\v 26 Tsy hitondra ny tabernakely sy ireo fitaovana fampiasa amin'ny fanompoana rehetra intsony ireo Levita."
\s5
\v 27 Fa tamin'ny alalan'ny tenin'i Davida farany no nanisana ireo Levita, roapolo taona no ho miakatra.
\v 28 Ny raharahan'izy ireo dia manatrika ireo taranak'i Arona amin'ny asa ao an-tranon'i Yaveh. Izy ireo dia mikarakara ireo kianja, ireo efitrano, ny fomba fanadiovana ireo zavatra rehetra izay an'i Yaveh, ary ny asa fanompoana hafa ao an-tranon'Andriamanitra.
\v 29 Izy ireo ihany koa no mikarakara ny mofon'ny fanatrehana, ny koba tsara toto ho vary fanatitra, ny mofo manify tsy misy masirasira, fanatitra voahendy, fanatitra mifangaro diloilo, ary ny famarana ny habetsahana sy haben-javatra rehetra.
\s5
\v 30 Nitsangana isa-maraina ihany koa izy ireo mba hisaotra sy hidera an'i Yaveh. Nataon'izy ireo ihany koa izany ny hariva
\v 31 ary na oviana na oviana no manatitra fanatitra dorana ho an'i Yaveh, na amin'ny Sabata na amin'ny fankalazana ny voaloham-bolana sy amin'ny andro fanasana. Ny isa raikitra, izay voatendrin'ny didy, dia tsy maintsy aseho eo anatrehan'i Yaveh mandrakariva.
\s5
\v 32 Izy ireo no nisahana ny trano lay fihaonana, ny toerana masina, ary nanampy ireo taranak'i Arona naman'izy ireo tamin'ny fanompoana tao an-tranon'i Yaveh.
\s5
\c 24
\p
\v 1 Ny antokon'asa mifototra amin'ireo taranak'i Arona dia ireto avy: Nadaba, Abiho, Eleazara ary Itamara.
\v 2 Nadaba sy Abiho dia maty talohan'ny nahafatesan'ny rain'izy ireo. Tsy nanan-janaka izy ireo, koa niasa tahaka ny mpisorona i Eleazara sy Itamara.
\v 3 Davida, niaraka tamin'i Zadoka, taranak'i Eleazara, ary Ahimeleka, taranak'Itamara, dia nizarazara azy ireo ho antokony amin'ny asa maha-mpisorona azy ireo.
\s5
\v 4 Teo amin'ireo taranak'i Eleazara dia nisy lehilahy mpitarika maro kokoa noho ny teo amin'ireo taranak' Itamara, ka nozarazarain'izy ireo ho antoko enina ambin'ny folo ireo taranak'i Eleazara. Nanao izany tamin'ny lohan'ny fianakaviambe sy tamin'ireo taranak' Itamara izy ireo. Valo ireo fizarazarana ireo raha isaina, izay mifandraika amin'ny fokon'izy ireo avy.
\v 5 Nosarasarahan'izy ireo tamin'ny antsapaka izy ireo, satria nisy manam-boninahitra masina sy manam-boninahitr'Andriamanitra, avy amin'ireo taranak'i Eleazara sy ireo taranak'Itamara.
\s5
\v 6 Semaia zanaka lahin'i Netanela mpanora-dalàna, Levita iray, dia nanoratra ny anaran'izy ireo teo amin'ny fanatrehan'ny mpanjaka, ireo manam-boninahitra, Zadoka mpisorona, Ahimeleka zanaka lahin'i Abiatara, ary ireo mpitariky ny fisoronana sy ireo fianakavian'ny Levita. Ny foko iray dia voasarika tamin'ny antsapaka avy tamin'ireo taranak'i Eleazara, ary ny manaraka dia ho sarihana avy amin'ireo taranak'Itamara.
\s5
\v 7 Ny loka voalohany dia nankany amin'i Joariba, ny faharoa an'i Jedaia,
\v 8 ny fahatelo an'i Harima, ny fahefatra an'i Seorima,
\v 9 ny fahadimy an'i Malkia, ny fahenina an'i Miamina,
\v 10 ny fahafito an'i Hakoza, ny fahavalo an'i Abia,
\s5
\v 11 ny fahasivy an'i Jesoa,
\v 12 ny fahafolo an'i Sekania, ny fahiraika ambin'ny folo an'i Eliasiba, ny faharoa ambin'ny folo an'i Jakima,
\v 13 ny fahatelo ambin'ny folo an'i Hopa, ny fahefatra ambin'ny folo an'i Jesebaba,
\v 14 ny fahadimy ambin'ny folo an'i Bilga, ny fahenina ambin'ny folo an'Imera,
\s5
\v 15 ny fahafito ambin'ny folo an'i Hezira, ny fahavalo ambin'ny folo an'i Hafizeza,
\v 16 ny fahasivy ambin'ny folo an'i Petahia, ny faharoa-polo an'i Jehezekela,
\v 17 ny fahiraika amby roa-polo an'i Jakina, ny faharoa amby roa-polo an'i Gamola,
\v 18 ny fahatelo amby roa-polo an'i Delaia, ary ny fahefatra amby roa-polo an'i Mazia,
\s5
\v 19 Ireo no laharan'asan'izy ireo, rehefa tonga tao amin'ny tranon'i Yaveh izy ireo, manaraka ny fitsipika nomena azy ireo tamin'ny alalan'i Arona razamben'izy ireo, tahaka ny nampianarin'i Yaveh, ilay Andriamanitr'Israely azy.
\s5
\v 20 Ireto no ambin'ireo Levy: tamin'ireo zanaka lahin'i Amrama, dia i Sobaela; tamin'ireo zanaka lahin'i Sobaela, dia i Jedala.
\v 21 Ireo zanaka lahin'i Rehabia: tamin'ireo zanaka lahin'i Rehabia, dia i Jisia mpitarika.
\v 22 Tamin'ireo Jizarita, dia i Selomota; tamin'ireo zanaka lahin'i Selomota, dia i Jahata.
\s5
\v 23 Ireo zanaka lahin'i Hebrona: Jeria mpitarika, Amaria no faharoa, Jahaziela no fahatelo, ary Jekameana no fahefatra.
\v 24 Anisan'ny zanaky ny taranak'i Oziela i Mika. Anisan'ny taranak'i Mika i Samira.
\v 25 Jisia no rahalahin'i Mika. Anisan'ny zanaka lahin'i Jisia i Zakaria.
\s5
\v 26 Ireo zanaka lahin'i Merary: Maly sy Mosy. Ny zanaka lahin'i Jazia, dia i Beno.
\v 27 Ireo zanaka lahin'i Merary: Jazia, Beno, Sohama, Zakora, ary Ibry.
\v 28 Ny zanaka lahin'i Maly: Eleazara, izay tsy nanan-janaka lahy.
\s5
\v 29 Ny zanaka lahin'i Kisy, ny zanaka lahin'i Kisy dia: Jeramela.
\v 30 Ireo zanaka lahin'i Mosy: Maly, Edera, ary Jerimota. Ireo no Levita, voatanisa araka ny fianakavian'izy ireo avy.
\v 31 Ireo lehilahy izay lohan'ny isam-pianakavian'ny rainy avy sy ireo faralahiny avy ireo, dia samy niloka teo anatrehan'i Davida Mpanjaka, sy Zadoka ary Ahimeleka, niaraka tamin'ireo loham-pianakavian'ireo mpisorona sy ireo Levita. Nanao antsapaka tahaka ny nataon'ireo taranak'i Arona izy ireo.
\s5
\c 25
\p
\v 1 Davida sy ireo mpitarika ny asan'ny tabernakely dia nisafidy ny asan'ny sasany tamin'ireo zanaka lahin'i Asafa, Hermana, ary Jedotona. Ireo lehilahy ireo dia naminany tamin'ireo harpa, lokanga, ary kipantsona. Ireto avy ny lisitr'ireo olona izay nanao izany asa izany:
\v 2 Avy amin'ireo zanaka lahin'i Asafa: Zakora, Josefa, Netania, ary Asarela, ireo zanaka lahin'i Asafa, teo ambany fitarihan'i Asafa, izay naminany teo ambany fanaraha-mason'ny mpanjaka.
\v 3 Avy amin'ireo zanaka lahin'i Jedotoma: Gedalia, Zery, Jesaia, Simey, Hasabia, ary Matatia, enina ny fitambarany, teo ambany fifehezan'i Jedotoma rain'izy ireo, izay nitendry ny harpa mba hanomezana fisaorana sy hiderana an'i Yaveh.
\s5
\v 4 Avy amin'ireo zanaka lahin'i Hermana: Bokia, Matania, Oziela, Seboela, ary Jerimota, Hanania, Hanany, Eliata, Gidalty, Romamti-ezera, Josbekasa, Maloty, Hotira, ary Mazaiota.
\v 5 Zanaka lahin'i Hemana mpaminanin'ny mpanjaka ireo rehetra ireo. Andriamanitra dia nanome zanaka lahy efatra ambin'ny folo sy zanaka vavy telo an'i Hemana mba hanomezana voninahitra azy.
\s5
\v 6 Ireo rehetra ireo dia teo ambany fifehezan'ny rain'izy ireo. Mpitendry zava-maneno tao an-tranon'i Yaveh izy ireo, miaraka amin'ireo kipantsona sy ireo lokanga raha nanompo tao an-tranon'i Yaveh izy ireo. Asafa, Jedotona, ary Hermana dia teo ambany fanaraha-mason'ny mpanjaka.
\v 7 Izy ireo sy ireo rahalahiny izay nanam-pahaizana sy nomanina mba hitendry mozika ho an'i Yaveh dia niisa 288.
\v 8 Nanao antsapaka ho an'ireo andraikiny izy ireo, mitovy avokoa, toy izany koa ho an'ny tanora sy ny antitra, ny mpampianatra sy ny mpianatra.
\s5
\v 9 Raha ny mahakasika an'ireo zanaka lahin'i Asafa: ny antsapaka voalohany dia azon'ny fianakavian'i Josefa; ny faharoa azon'ny fianakavian'i Gedali, olona miisa roa ambin'ny folo;
\v 10 ny fahatelo azon'i Zakora, ireo zanany lahy sy ireo havany, olona miisa roa ambin'ny folo;
\v 11 ny fahefatra azon'i Jizry, ireo zanany lahy sy ireo havany; olona roa ambin'ny folo;
\v 12 ny fahadimy dia azon'i Netania, ireo zanany lahy sy ireo havany, olona miisa roa ambin'ny folo;
\s5
\v 13 Ny fahenina dia azon'i Bokia, ireo zanany lahy sy ireo havany, olona miisa roa ambin'ny folo;
\v 14 ny fahafito azon'i Jesarela, ireo zanany lahy sy ireo havany, olona miisa roa ambin'ny folo;
\v 15 ny fahavalo dia azon'i Jesaia, ireo zanany lahy sy ireo havany, olona miisa roa ambin'ny folo;
\v 16 ny fahasivy dia azon'i Matania, ireo zanany lahy sy ireo havany, olona miisa roa ambin'ny folo;
\s5
\v 17 Ny fahafolo dia azon'i Simey, ireo zanany lahy sy ireo havany, olona miisa roa ambin'ny folo;
\v 18 ny fahiraika ambin'ny folo dia azon'i Azarela, ireo zanany lahy sy ireo havany, olona miisa roa ambin'ny folo;
\v 19 ny faharoa ambin'ny folo dia azon'i Hasabia, ireo zanany lahy sy ireo havany, olona miisa roa ambin'ny folo;
\v 20 ny fahatelo ambin'ny folo dia azon'i Sobaela, ireo zanany lahy sy ireo havany, olona miisa roa ambin'ny folo;
\s5
\v 21 Ny fahefatra ambin'ny folo dia azon'i Matitia, ireo zanany lahy sy ireo havany, olona miisa roa ambin'ny folo;
\v 22 ny fahadimy ambin'ny folo dia azon'i Jemerota, ireo zanany lahy sy ireo havany, olona miisa roa ambin'ny folo;
\v 23 ny fahenina ambin'ny folo dia azon'i Hanania, ireo zanany lahy sy ireo havany, olona miisa roa ambin'ny folo;
\v 24 ny fahafito ambin'ny folo dia azon'i Josbekasa, ireo zanany lahy sy ireo havany, olona miisa roa ambin'ny folo;
\s5
\v 25 Ny fahavalo ambin'ny folo dia azon'i Hanania, ireo zanany lahy sy ireo havany, olona miisa roa ambin'ny folo;
\v 26 ny fahasivy ambin'ny folo dia azon'i Maloty, ireo zanany lahy sy ireo havany, olona miisa roa ambin'ny folo;
\v 27 ny faharoa-polo dia azon'i Eliata, ireo zanany lahy sy ireo havany, olona miisa roa ambin'ny folo;
\v 28 ny fahiraika amby roa-polo dia azon'i Hotira, ireo zanany lahy sy ireo havany, olona miisa roa ambin'ny folo;
\s5
\v 29 Ny faharoa amby roa-polo dia azon'i Gidalty, ireo zanany lahy sy ireo havany, olona miisa roa ambin'ny folo;
\v 30 ny fahatelo amby roa-polo dia azon'i Mahaziota, ireo zanany lahy sy ireo havany, olona miisa roa ambin'ny folo;
\v 31 ny fahefatra amby roa-polo dia azon'i Romamti-ezera, ireo zanany lahy sy ireo havany, olona miisa roa ambin'ny folo.
\s5
\c 26
\p
\v 1 Ireto avy ny fizaran'ireo mpiandry vavahady: Avy amin'ireo Koraïta, Meselemia zanaka lahin'i Kore, taranak'i Asafa.
\v 2 Meselemia dia nanan-janaka lahy: Zakaria no lahimatoa, Jediaela no faharoa, Zebadia no fahatelo, Jatniela no fahefatra,
\v 3 Elama no fahadimy, Johanana no fahenina, Elihoenay no fahafito.
\s5
\v 4 Obed-edoma dia nanan-janaka lahy: Semaia no lahimatoa, Jozabada no faharoa, Joa no fahatelo, ary Sakara no fahefatra, ary Netanela no fahadimy,
\v 5 Amiela no fahenina, Isakara no fahafito, Peoletahy no fahavalo, satria notahian'Andriamanitra i Obed-edoma.
\v 6 Ary Semaia zanany dia niteraka lahy izay nanapaka teo amin'ny fianakavian'izy ireo; izy ireo dia lehilahy manana fahaiza-manao maro.
\s5
\v 7 Ireo zanaka lahin'i Semaia dia: Otny, Rafaela, Obeda ary Elzabada. Ireo havany Eliho sy Semakia dia olona manana fahaiza-manao maro ihany koa.
\v 8 Ireo rehetra ireo dia taranak'i Obed-edoma. Izy ireo sy ny zanaka lahin'izy ireo ary ireo havany dia olona mahavita manao ny adidiny any amin'ny tabernakely fanompoana. Nisy roa amby enim-polo tamin'izy ireo nifandraika tamin'i Obed-edoma.
\v 9 Meselemia dia nanan-janaka lahy sy havana, olona manam-pahaizana, valo ambin'ny folo ny fitambarany.
\s5
\v 10 Hosa, taranak'i Merary, dia nanan-janaka lahy: Simry no mpitarika (na dia tsy lahimatoa aza izy, dia nataon'ny rainy ho mpitarika),
\v 11 Hilkia no faharoa, Tebalia no fahatelo, ary Zakaria no fahefatra. Ireo zanaka lahin'i Hosa sy ny havany akaiky rehetra dia telo ambin'ny folo ny isany.
\s5
\v 12 Ireo fizaran'ireo mpiandry vavahady ireo, mifanaraka amin'ny mpitarika azy ireo, dia nanana andraikitra, tahaka ireo havany, mba hanompo ao an-tranon'i Yaveh.
\v 13 Niloka izy ireo, na ny tanora na ny antitra, mifanaraka amin'ny fianakavian'izy ireo, ho an'ny isam-bavahady.
\v 14 Rehefa natsipy ho an'ny vavahady atsinanana ny loka, dia latsaka tao amin'i Selemia izany. Dia nanipy ny loka ho an'i Zakaria zanany lahy izy ireo, izay mpanolo-tsaina hendry, ary ny lokany dia niseho ho an'ny vavahady avaratra.
\s5
\v 15 Ny vavahady atsimo dia notendrena ho an'i Obed-edoma, ary ny trano fitehirizana no notendrena ho an'ireo zanany lahy.
\v 16 Ny vavahady andrefana no notendrena ho an'i Sopima sy Hosa miaraka amin'ny vavahadin'ny Saleketa, amin'ny lalàna miakatra. Voapetraka ho an'ny isam-pianakaviana ireo fiambenana.
\s5
\v 17 Tany atsinanana dia nisy Levita enina, ny tany avaratra efatra isan'andro, ny tany atsimo efatra isan'andro, ary lehilahy tsiroaroa anankiroa ny tany amin'ny trano fitehirizana.
\v 18 Tao amin'ny fitsaràna andrefana dia nisy lahatsoratra efatra, efatra teny amin'ny lalana, ary roa tao amin'ny fitsaràna.
\v 19 Ireo no fizaran'ireo mpiandry vavahady. Izy ireo dia fenon'ny taranak'i Kora sy Merary.
\s5
\v 20 Eo amin'ny Levita, Ahia no nisahana ireo harena tao an-tranon'Andriamanitra, sy ny amin'ireo harena tao amin'ireo zavatra izay an'i Yaveh.
\v 21 Ny taranak'i Ladana, tranaka avy amin'i Gersona avy tamin'ny alalany ary izay mpitarika ny fianakavian'i Ladana ilay Gersonita, dia i Jehielita sy ireo zanany lahy,
\v 22 Zetama, sy Joela rahalahiny, izay nanara-maso ny trano fitehirizana ao an-tranon'i Yaveh.
\s5
\v 23 Nisy mpiambina ihany koa voasarika tamin'ny fianakaviamben'i Armama, Jizara, Hebrona, ary Oziela.
\v 24 Seboela zanaka lahin'i Gersona zanak'i Mosesy, no mpanara-maso eo amin'ny trano fitehirizana.
\v 25 Ireo havany avy amin'ny fianakavimben'i Eliezera dia Rehabia zanany lahy, Jesaia zanaka lahin'i Rehabia, Jorama zanaka lahin'i Jesaia, Zikry zanaka lahin'i Jorama, ary Selomota zanaka lahin'i Zikry.
\s5
\v 26 Selomota sy ny havany dia nisahana ny trano fitehirizana rehetra mitàna ireo zavatra izay an'i Yaveh, izay natokan'i Davida mpanjaka, ireo mpitarika ny fianakaviana, ny mpifehy ny arivo sy ny mpifehy ny zato, ary ireo mpifehy ny tafika.
\v 27 Natokan'izy ireo izay azo babo tamin'ny ady ho fahafoizana ho an'ny tranon'i Yaveh.
\v 28 Nisahana ny amin'ny zavatra rehetra izay natokan'i Samoela mpaminany, Saoly zanaka lahin'i Kisy, Abnera zanaka lahin'i Nera, ary Joaba zanaka lahin'i Zeroia ho an'i Yaveh ihany koa izy ireo. Ny zavatra rehetra izay voatokana ho an'i Yaveh dia teo ambany fiambenan'i Selomota sy ireo havany.
\s5
\v 29 Ny avy amin'ny taranak'i Jizara, Kenania sy ireo zanany lahy no nisahana ny raharahan'olon-tsotra amin'Israely. Izy ireo dia manamboninahitra sy mpitsara.
\v 30 Ny avy amin'ny taranak'i Hebrona, Hasabia sy ireo rahalahiny, dia lehilahy mahay 1. 700, no nisahana ny asan'i Yaveh sy ny asan'ny mpanjaka. Tany an-dafy andrefan'i Jordana izy ireo.
\s5
\v 31 Avy amin'ny taranak'i Hebrona, Jeria no mpitarika tamin'ireo taranany, voaisa tamin'ny lisitr'ireo fianakaviany. Tamin'ny taona fahefa-polo nanjakan'i Davida no nandinihan'izy ireo ny firaketana an-tsoratra ary nahitany lehilahy mahay tao Jazera any Gileada teo amin'izy ireo.
\v 32 Jeria dia nanana havana 2. 700, izay loham-pianakaviana mahay. Nataon'i Davida mpiandrakitra teo amin'ireo fokon'i Robena sy Gada, ary ny antsasa-pokon'i Manase, amin'ny zavatra rehetra mahakasika an'Andriamanitra, sy ny amin'ny raharahan'ny mpanjaka izy ireo.
\s5
\c 27
\p
\v 1 Ireto ny lisitry ny fianakaviamben'ireo mpitarika Israelita, ireo mpifehy ny arivo sy ny zato, mbamin'ireo manamboninahitry ny tafika izay nanompo ny mpanjaka tamin'ny fomba samihafa. Ny antoko miaramila tsirairay dia nanompo isam-bolana isam-bolana nandritry ny taona. Ny antoko tsirairay dia nisy lehilahy efatra arivo sy roa alina avy.
\v 2 Ny lohan'ny antoko tamin'ny volana voalohany dia i Jasobeama zanaka lahin'i Zabdiela. Nisy lehilahy efatra arivo sy roa alina tao amin'ny antokony.
\v 3 Isan'ireo taranak'i Fareza izy ary niandraikitra an'ireo manamboninahitry ny tafika rehetra nandritry ny volana voalohany.
\s5
\v 4 Dodo no lohan'ny antoko tamin'ny volana faharoa, izay avy amin'ny foko taranak'i Ahoa. Miklota no teo amin'ny laharana faharoa. Nisy lehilahy efatra arivo sy roa alina tao amin'ny antokony.
\v 5 Ny mpifehy ny tafika tamin'ny volana fahatelo dia i Benaia zanaka lahin'i Joiada, mpisorona sy mpitarika. Nisy lehilahy efatra arivo sy roa alina tao amin'ny antokony.
\v 6 Io ilay Benaia izay mpitarika ireo telo-polo, sady lohan'ireo telo-polo. Tao amin'ny antokony i Amizabada zanany lahy.
\s5
\v 7 Asahela rahalahin'i Joaba no mpifehy tamin'ny volana fahefatra. Zebadia zanany lahy no tonga mpifehy nandimby azy. Nisy lehilahy efatra arivo sy roa alina tao amin'ny antokony.
\v 8 Samihota no mpifehy tamin'ny volana fahadimy, izay taranaka Jizarita. Nisy lehilahy efatra arivo sy roa alina tao amin'ny antokony.
\v 9 Ira zanaka lahin'Ikesy, avy any Tekoa no mpifehy tamin'ny volana fahenina. Nisy lehilahy efatra arivo sy roa alina tao amin'ny antokony.
\s5
\v 10 Heleza Pelonita, avy amin'ireo vahoakan'i Efraima no mpifehy tamin'ny volana fahafito. Nisy lehilahy efatra arivo sy roa alina tao amin'ny antokony.
\v 11 Sibekay ilay Hosatita, avy amin'ny foko taranak'i Zera no mpifehy tamin'ny volana fahavalo. Nisy lehilahy efatra arivo sy roa alina tao amin'ny antokony.
\v 12 Abiezera ilay Anatotita, avy amin'ny fokon'i Benjamina no mpifehy tamin'ny volana fahasivy. Nisy lehilahy efatra arivo sy roa alina tao amin'ny antokony.
\s5
\v 13 Maharay avy any amin'ny tanànan'i Netofata, avy amin'ny foko taranak'i Zera no mpifehy tamin'ny volana fahafolo. Nisy lehilahy efatra arivo sy roa alina tao amin'ny antokony.
\v 14 Benaia avy any amin'ny tanànan'i Piratona, avy amin'ny fokon'i Efraima no mpifehy tamin'ny volana fahiraika ambin'ny folo. Nisy lehilahy efatra arivo sy roa alina tao amin'ny antokony.
\v 15 Helday avy ao amin'ny tanànan'i Netofata, avy amin'ny foko taranak'i Otniela no mpifehy tamin'ny volana faharoa ambin'ny folo. Nisy lehilahy efatra arivo sy roa alina tao amin'ny antokony.
\s5
\v 16 Ireto avy ireo mpitarika ny fokon'Israely: Ho an'ny fokon'i Robena, dia Eliezera zanaka lahin'i Zikry no mpitarika. Ho an'ny fokon'i Simeona, dia Sefatia zanaka lahin'i Maka no mpitarika.
\v 17 Ho an'ny fokon'i Levy, dia Hasabia zanaka lahin'i Kemoela no mpitarika, ary Zadoka no nitarika ireo taranak'i Arona.
\v 18 Ho an'ny fokon'i Joda, dia Eliho, iray amin'ireo rahalahin'i Davida no mpitarika. Ho an'ny fokon'Isakara, dia Omry zanaka lahin'i Mikaela no mpitarika.
\s5
\v 19 Ho an'ny fokon'i Zebolona, dia Jismala zanaka lahin'i Obadia no mpitarika. Ho an'ny fokon'i Naftaly, dia Jerimota zanaka lahin'i Azriela no mpitarika.
\v 20 Ho an'ny fokon'i Efraima, dia Hosea zanaka lahin'i Azazia no mpitarika. Ho an'ny antsasaky ny fokon'i Manase, dia Joela zanaka lahin'i Pedaia no mpitarika.
\v 21 Ho an'ny antsasaky ny fokon'i Manase tao Gileada, dia Ido zanaka lahin'i Zakaria no mpitarika. Ho an'ny fokon'i Benjamina, dia Jasiela zanaka lahin'i Abniera no mpitarika.
\v 22 Ho an'ny fokon'i Dana, dia Azarela zanaka lahin'i Jehorama no mpitarika. Ireo no mpitarika ny fokon'Israely.
\s5
\v 23 Tsy nanisa ireo roa-polo taona na ambanin'izany i Davida, satria nampanantena ny hanamaro an'Israely tahaka ireo kintan'ny lanitra i Yaveh.
\v 24 Nanomboka nanisa ireo olona i Joaba, saingy tsy nahavita. Noho izany dia nianjera teo amin'Israely ny fahavinirana. Tsy voasoratra ao amin'ny Tantaran'i Davida Mpanjaka io tarehimarika io.
\s5
\v 25 Azmaveta zanaka lahin'i Adiela no niandraikitra ny rakitry ny mpanjaka. Jonatana zanaka lahin'i Ozia no nisahana ny fitehirizana tany an-tsaha, tany amin'ireo tanàn-dehibe, sy tany amin'ireo zana-bohitra, ary tany amin'ireo tilikambo voaaro.
\v 26 Ezry zanaka lahin'i Keloba no nisahana an'ireo tantsaha, ireo izay niasa ny tany.
\v 27 Simey avy any Rama no nisahana ireo tanim-boaloboka, ary Zebdy avy any Sifama no nisahana ireo voaloboka sy ny lakaly fitehirizan-divay.
\s5
\v 28 Bala-hanana avy any Gadera no nisahana ireo hazo oliva sy ireo hazon'amontana tany amin'ireo tany lemaka, ary Joasy no nisahana ireo trano fitehiriza-menaka.
\v 29 Sitray avy any Saràna no nisahana ireo biby fiompy izay nihinam-bilona tany Saràna, ary Safata zanaka lahin'i Adlay no nisahana ireo biby fiompy izay tany amin'ireo lohasaha.
\s5
\v 30 Obila ilay Ismaelita no nisahana an'ireo rameva, ary Jedda avy any Meronota no nisahana an'ireo boriky vavy. Jaziza Hagarita no nisahana an'ireo ondry aman'osy.
\v 31 Ireo rehetra ireo dia mpiandraikitra ny fananan'i Davida Mpanjaka avokoa.
\s5
\v 32 Mpanolotsaina i Jonatana, rahalahin-drain'i Davida, satria hendry no sady mpanora-dalàna izy. Jehiela zanaka lahin'i Hakmony no niahy ireo zanaky ny mpanjaka.
\v 33 Ahitofela no mpanolotsain'ny mpanjaka, ary Hosay avy amin'ireo vahoaka Arkita no mpanolotsaina manokan'ny mpanjaka.
\v 34 Noraisin'i Joiada zanaka lahin'i Benaia, sy Abiatara ny toeran'i Ahitofela. Joaba no mpifehy ny tafiky ny mpanjaka.
\s5
\c 28
\p
\v 1 Novorian'i Davida ireo manam-boninahitry ny Israely rehetra tao Jerosalema: ireo manam-boninahitr'ireo foko, ireo manam-pahefan'ireo antoko izay nanompo ny mpanjaka tamin'ny asan'izy ireo voalahatra, ireo mpifehy an'arivo sy mpifehy an-jato, ireo mpitantana ny harena sy fananan'ny mpanjaka sy ny an'ireo zanany lahy rehetra, ary ireo manam-pahefana sy ireo lehilahy mpiady, anisan'izany ny mahay indrindra amin'izy ireo.
\s5
\v 2 Dia nitsangana Davida mpanjaka ary nanao hoe: "Henoy aho, ry rahalahiko sy vahoakako. Fikasako ny hanamboatra tempoly ho an'ny fiaran'ny faneken'i Yaveh; fitoeran-tongotra ho an'Andriamanitsika, ary efa nanao fanomanana hanorenana izany aho.
\v 3 Nefa hoy Andriamanitra tamiko hoe: 'Tsy hanamboatra tempoly ho an'ny anarako ianao, satria lehilahin'ady ianao ary efa nandatsa-drà.'
\s5
\v 4 Ary Yaveh, ilay Andriamanitr'Israely, efa nifidy ahy tamin'ny fianakavian-draiko rehetra ho mpanjaka eo amin'Israely mandrakizay. Efa nifidy ny fokon'i Joda ho mpitarika Izy. Nifidy ahy ho mpanjaka eo amin'ny Israely rehetra tao amin'ny fokon'i Joda, ary tao amin'ny ankohonan-draiko, avy tamin'ny zanaka lahin-draiko rehetra Izy.
\v 5 Avy amin'ireo zanaka lahy maro nomen'i Yaveh ahy, no nisafidianany an'i Solomona, zanako lahy, mba hipetraka eo amin'ny seza fiandrianan'ny fanjakan'i Yaveh, eo amin'Israely.
\s5
\v 6 Hoy Izy tamiko hoe: 'Hanamboatra ny tranoko sy ireo kianjako i Solomona zanakao lahy, satria efa nifidy azy ho zanako Aho, ary ho rainy Aho.
\v 7 Hametraka ny fanjakany mandrakizay Aho, raha mitoetra mankatoa ireo didiko sy lalàko, tahaka anao amin'izao izy.'
\s5
\v 8 Ary ankehitriny, eo imason'Israely rehetra, ity fiangonana ho an'i Yaveh ity, sy eo amin'ny fanatrehan'Andriamanitsika, dia tandremonareo rehetra ary tano ireo didin'i Yaveh Andriamanitrareo rehetra. Ataovy izany mba hanananareo izany tany soa izany ka hametraka izany ho lovan'ireo zanakareo mandimby anareo mandrakizay.
\s5
\v 9 Ary ny aminao, ry Solomona zanako, ankatoavy ny Andriamanitry ny rainao, ary manompoa Azy amin'ny fonao manontolo sy fanahy mazoto. Ataovy izany satria Yaveh mitady ny fo rehetra ary mahatakatra ny fahazotoan'ny eritreritry ny olona rehetra. Raha mitady Azy ianao, dia ho hitanao Izy, nefa raha mandao Azy ianao, dia hanary anao mandrakizay Izy.
\v 10 Fantaro fa i Yaveh efa nifidy anao mba hanamboatra izany tempoly izany ho fitoerany masina. Mahatanjaha ka ataovy izany."
\s5
\v 11 Dia nomen'i Davida an'i Solomona zanany ny sarin'ny fidiran'ny tempoly, ny fananganana ny tempoly, ireo trano fitehirizana, ireo efitra farany ambony, ireo efitra anatiny, ary ny efitra misy ny rakotra fanavotana.
\v 12 Nomeny azy ireo rafitra nataony sary ho an'ireo kianjan'ny tranon'i Yaveh, ireo efitra manodidina rehetra, ireo trano fitehirizana ao an-tranon'Andriamanitra, ary ireo fitehirizan-drakitra ho an'ireo zavatra izay an'i Yaveh.
\s5
\v 13 Nanome azy ireo fitsipika ho an'ireo fizaran'ireo mpisorona sy ireo Levita, ho an'ireo andraikitra voatendry ho an'ny fanompoana ao amin'ny tranon'i Yaveh, ary ho an'ireo zavatra rehetra ho an'ny fanompoana ao an-tranon'i Yaveh izy.
\v 14 Nomeny azy ny lanjan'ny fanaka volamena rehetra ho an'ny fanompoana isan-karazany rehetra ary ny fanaka volafotsy rehetra, ho an'ny zavatra rehetra ho an'ny karazam-panompoana rehetra.
\v 15 Ireo antsipirihany ireo dia nomena tamin'ny lanja, anisan'izany ny antsipirihan'ireo fanaovan-jiro volamena sy ireo jiro volamena, ny antsipirihan'ny lanja ho an'ny fanaovan-jiro rehetra, ho an'ireo jiro, ho an'ireo fanaovan-jiro volafotsy, ary ny antsipirihany ho an'ny fampiasana manokana ny fanaovan-jiro rehetra.
\s5
\v 16 Nomeny ho an'ireo latabatry ny mofon'ny fanatrehana, ho an'ny latabatra rehetra ny lanjan'ny volamena, ary ny lanjan'ny volafotsy ho an'ireo latabatra volafotsy.
\v 17 Nomeny ho an'ireo sotro fihinanan-kena, ireo koveta, ary ireo kapoaka ny lanjan'ny volamena tsy mifangaro. Nomeny ny lanjan'ny lovia volamena tsirairay, ary ny lanjan'ny lovia volafotsy tsirairay.
\s5
\v 18 Nomeny ho an'ny alitara fandorana ditin-kazo manitra ny lanjan'ny volamena voadio, ary ny an'ny volamena ho an'ny sarin'ny kerobima izay mamelatra ireo elany ka manarona ny fiaran'ny faneken'i Yaveh.
\v 19 Hoy Davida hoe: "Efa nataoko an-tsoratra izany rehetra izany araka ny nanoroan'i Yaveh ahy sy nampahazoany ahy momba ny sary."
\s5
\v 20 Hoy Davida tamin'i Solomona zanany hoe: "Mahatanjaha ary manàna herim-po. Ataovy ny asa. Aza matahotra na miahiahy, fa Yaveh Andriamanitra, Andriamanitro, dia momba anao. Tsy hamela anao Izy na handao anao mandra-pahavitan'ny asa rehetra ho an'ny fanompoana ao amin'ny tempolin'i Yaveh.
\v 21 Indro, ireto ireo fizaran'ireo mpisorona sy ireo Levita ho an'ny fanompoana rehetra ao an-tempolin' Andriamanitra. Hiaraka aminao izy ireo, miaraka amin'ny lehilahy manam-piniavana sy tena mahay avokoa, mba hanampy anao amin'ny asa sy hanatanteraka ny fanompoana. Ireo manam-boninahitra sy ny vahoaka rehetra dia vonona ny hanaraka ireo baikonao."
\s5
\c 29
\p
\v 1 Hoy Davida Mpanjaka tamin'ny fiangonana manontolo hoe: "Solomona zanako lahy, izay hany nofidian'Andriamanitra, dia mbola tanora sy tsy manana traikefa, nefa goavana ny asa. Fa ny tempoly dia tsy ho an'ny vahoaka fa ho an'i Yaveh Andriamanitra.
\v 2 Ka dia efa nanao izay fara heriko aho mba hamatsiana ny tempolin'ny Andriamanitro. Hanome volamena aho ho an'izay zavatra vitaina amin'ny volamena, volafotsy ho an'izay zavatra vitaina amin'ny volafotsy, varahina ho an'izay zavatra vitaina amin'ny varahina, vy ho an'izay zavatra vitaina amin'ny vy, ary hazo ho an'izay zavatra vitaina amin'ny hazo. Hanolotra vato beryla ihany koa aho, vato hahorina, vato ho an'ny asa voarafitra maro loko—karazana vato sarobidy rehetra—ary marmora fotsy maro be.
\s5
\v 3 Indro, nohon'ny fankasitrahako ny ao tranon'ny Andriamanitro, dia homeko ho an'izany ny volamena sy ny volafotsy sarobidy fananako. Ataoko izao ho fanampin'izay rehetra efa nomaniko ho an'ity tempoly masina ity:
\v 4 talenta volamena avy any Ofira telo arivo, sy talenta volafotsy voadio fito arivo, mba hametrahana ireo rindrin'ireo fanorenana.
\v 5 Hanome volamena ho an'ny zavatra ho vitaina amin'ny volamena aho, sy volafotsy ho an'ny zavatra ho vitaina amin'ny volafotsy, ary ireo zavatra ho an'ny karazan'asa rehetra izay ataon'ireo mpanao asa tanana. Iza ihany koa no te- handray anjara ho an'i Yaveh androany ary hanolo-tena ho Azy?"
\s5
\v 6 Ary ireo fanatitra an-tsitrapo dia nataon'ireo mpitarika ny fianakavian'ny razamben'izy ireo, ireo mpitarik'ireo fokon'Israely, ireo mpifehy ireo an'arivony sy an-jatony, ary ireo manamboninahitra eo amin'ny asan'ny mpanjaka.
\v 7 Nanome talenta dimy arivo sy darika volamena iray alina, talenta volafotsy iray alina, talenta varahina valo arivo sy iray alina, ary talenta vy 100. 000 ho an'ny asan'ny tranon'Andriamanitra izy ireo.
\s5
\v 8 Ireo izay nanana vato sarobidy dia nanome izany tao amin'ny fitoeran-drakitry ny tranon'i Yaveh, teo ambany fanaraha-mason'i Jehiela, taranak'i Gersona.
\v 9 Niravoravo ny vahoaka noho ireo fanatitra an-tsitrapo ireo, satria nandray anjara tamin'ny fony manontolo ho an'i Yaveh izy ireo. Faly dia faly ihany koa i Davida Mpanjaka.
\s5
\v 10 Nisaotra an'i Yaveh teo anatrehan'ny fiangonana rehetra i Davida. Hoy izy hoe: "Ho deraina anie Ianao, ry Yaveh, Andriamanitry ny Israely razambenay, mandrakizay doria.
\v 11 Anao, ry Yaveh, ny fahalebiazana, ny fahefana, ny voninahitra, ny fandresena, ary ny famirapiratana. Fa izay rehetra eny amin'ny lanitra sy eo ambonin'ny tany dia Anao. Anao ny fanjakana, ry Yaveh, asandratra ho mpanapaka eo amin'ny zava-drehetra Ianao.
\s5
\v 12 Ny harena sy ny voninahitra dia samy avy aminao, ary manapaka amin'ny olona rehetra Ianao. Eo an-tananao ny fahefana sy ny hery. Hanananao ny tanjaka sy ny hery mba hahalehibe ny olona sy hanome tanjaka ny olona na iza na iza.
\v 13 Koa ankehitriny, ry Andriamanitray, dia misaotra Anao sy midera ny anaranao be voninahitra izahay.
\s5
\v 14 Fa iza moa aho, ary iza ireo vahoakako, no tokony ho afaka hanolotra ireo zavatra ireo an-tsitrapo? Eny tokoa, ny zava-drehetra dia avy aminao, ka dia naverinay taminao tsotr'izao izay anao.
\v 15 Fa vahiny sy mpandalo tahaka ireo razambenay rehetra izahay, eo anatrehanao. Ny andronay eto an-tany dia tahaka ny aloka, ary tsy misy fanantenana ny amin'ny fijanonana eto an-tany.
\s5
\v 16 Ry Yaveh Andriamanitray, ireo harena rehetra ireo izay voahangonay mba hananganana tempoly hanomezam-boninahitra ny anaranao masina— dia avy aminao ary Anao.
\v 17 Fantatro ihany koa, ry Andriamanitro, fa mandinika ny fo sy mankasitraka ny fahitsiana Ianao. Raha ny amiko, tamin'ny fahitsim-poko no efa nanolorako an-tsitrapo ireo zavatra rehetra ireo, ary ankehitriny mijery am-piravoravoana ireo vahoakanao izay manatrika an-tsitrapo eto manolotra fanomezana ho Anao aho.
\s5
\v 18 Ry Yaveh, ilay Andriamanitr'i Abrahama, Isaka, ary Israely— razambenay—raketo mandrakizay ao an-tsaina aman'eritreritr'ireo vahoakanao izany. Tariho ny fon'izy ireo hitodika aminao
\v 19 Omeo an'i Solomona zanako lahy ny fo feno faniriana hitandrina ireo didinao, ireo lalàn'ny fanekenao, ary ireo lalànao, mba hanatanterahana ireo fikasana rehetra ny amin'ny fananganana ny lapa izay efa novatsiako."
\s5
\v 20 Hoy Davida tamin'ny fiangonana rehetra hoe: "Ankehitriny misaora an'i Yaveh Andriamanitrareo." Ny fiangonana rehetra, nisaotra an'i Yaveh, ilay Andriamanitry ny razamben'izy ireo, nanondrika ny lohany ka nanompo an'i Yaveh ary niankohoka teo anoloan'ny mpanjaka.
\v 21 Ny ampitso, dia nanao sorona ho an'i Yaveh sy nanolotra fanatitra dorana ho Azy izy ireo. Nanolotra omby arivo, ondry lahy arivo, ary zanak'ondry arivo, niaraka tamin'ny fanatitra sotroina sy sorona be dia be ho an'Israely rehetra izy ireo.
\s5
\v 22 Tamin'izany andro izany, dia nihinana sy nisotro teo anatrehan'i Yaveh tamin'ny fankalazana lehibe izy ireo. Nataon'izy ireo mpanjaka fanindroany indray i Solomona, zanak'i Davida, ary nanosotra azy ho mpanapaka tamin'ny alalan'ny fahefan'i Yaveh. Nanosotra an'i Zadoka ho mpisorona ihany koa izy ireo.
\v 23 Ary Solomona nipetraka teo amin'ny seza fiandrianan'i Yaveh ho mpanjaka handimby an'i Davida rainy. Nambinina izy, ary ny Israely rehetra nankatoa azy.
\s5
\v 24 Ireo mpitarika rehetra, miaramila, ary ireo zanaka lahin'i Davida dia nanome fankatoavana an'i Solomona Mpanjaka.
\v 25 Nomen'i Yaveh voninahitra tamim-palehibiazana teo anatrehan'Israely rehetra i Solomona ary nomeny fahefana lehibe noho izay efa nomeny an'ireo mpanjaka teo alohany tao Israely.
\s5
\v 26 Nanjaka teo amin'Israely rehetra i Davida zanaka lahin'i Jese.
\v 27 Mpanjakan'Israely nandritry ny efa-polo taona i Davida. Nanapaka an'i Hebrona nandritry ny fito taona ary Jerosalema nandritry ny telo amby telopolo taona izy.
\v 28 Maty izy rehefa tratra antitra tsara, rehefa niaina andro lava, tamin'ny harena sy voninahitra. Nandimby azy i Solomona zanany.
\s5
\v 29 Voasoratra ao amin'ny bokin'i Samoela mpaminany, ao amin'ny bokin'i Natana mpaminany, ary ao amin'ny bokin'i Gada mpaminany ireo zava-bitan'i Davida Mpanjaka.
\v 30 Voarakitra ao ireo asan'ny fanapahany, ireo zava-bitany sy ireo zava-niseho izay nahakasika azy, Israely, ary ireo fanjakan'ny tany hafa rehetra.