plt_ulb/12-2KI.usfm

1397 lines
143 KiB
Plaintext

\id 2KI
\ide UTF-8
\h Mpanjaka faharoa
\toc1 Mpanjaka faharoa
\toc2 Mpanjaka faharoa
\toc3 2ki
\mt Mpanjaka faharoa
\s5
\c 1
\p
\v 1 Taorian'ny nahafatesan'i Ahaba dia nikomy hanohitra an'Israely i Moaba.
\v 2 Dia nikarapoka teo amin'ny makarakara tao amin'ny efitranony ambony tao Samaria i Ahazia, ary naratra. Ka nalefany ireo mpitondra ny hafany ary hoy izy tamin'izy ireo hoe: "Mandehana, manontania an'i Bala-zeboba, andriamanitr'i Ekrona, raha ho sitrana amin'ity ratrako ity aho."
\s5
\v 3 Fa ny anjelin'i Yaveh nilaza tamin'i Elia Tisbita hoe: "Miaingà, miakara hihaona amin'ireo mpitondra ny hafatry ny mpanjakan'i Samaria, ary anontanio amin'izy ireo hoe: 'Satria ve tsy misy Andriamanitra ao Israely no handeha haka hevitra any amin'i Bala-zeboba, andriamanitr'i Ekrona ianao?
\v 4 Noho izany dia hoy i Yaveh hoe: "Tsy hidina avy eo amin'ny fandrianao izay efa niakaranao ianao; fa kosa, ho faty tokoa ianao."" Avy eo dia lasa i Elia.
\s5
\v 5 Rehefa niverina tany amin'i Ahazia ireo mpitondra hafatra, dia hoy izy tamin'izy ireo hoe: "Fa ahoana no niverina ianareo?"
\v 6 Hoy izy ireo taminy: "Nisy lehilahy iray nihaona taminay nilaza hoe: 'Miverena any amin'ny mpanjaka izay nandefa anareo, ary lazao azy hoe: "Izao no lazain'i Yaveh: 'Satria ve tsy misy Andriamanitra ao Israely no nandefa ny olonao haka hevitra any amin'i Bala-zeboba, andriamanitr'i Ekrona ianao? Ka noho izany dia tsy hidina avy eo amin'ny fandrinao izay efa niakaranao ianao; fa kosa, ho faty tokoa ianao.""'
\s5
\v 7 Ahazia niteny tamin'ireo mpandefa ny hafany hoe: "Lehilahy tahaka ny ahoana, izany olona nihaona taminareo ary nilaza ireo teny ireo izany?"
\v 8 Izy ireo namaly azy hoe: "Nitafy akanjo vita amin'ny volo izy ary fehin-kibo hoditra teo amin'ny andilany." Ary ny mpanjaka namaly hoe: "Elia Tisbita izany."
\s5
\v 9 Ary nandefa kapiteny miaraka amin'ny miaramila dimampolo ho any amin'i Elia ny mpanjaka. Niakatra tany amin'i Elia izay nipetraka tany an-tampon-kavoana ilay kapiteny. Hoy ilay kapiteny taminy hoe: "Ianao, ry lehilahin'Andriamanitra, nilaza ny mpanjaka hoe: 'Midìna."'
\v 10 Elia namaly ary nilaza tamin'ilay kapiteny hoe: "Raha lehilahin'Andriamanitra aho, aoka hilatsaka avy eny amin'ny lanitra ny afo ary handevona anao sy ireo dimampolo lahinao." Dia nilatsaka avy teny amin'ny lanitra ny afo ary nandevona azy sy ireo dimampolo lahiny.
\s5
\v 11 Nandefa kapiteny hafa indray niaraka tamin'ireo miaramila dimampolo ho any amin'i Elia i Ahazia mpanjaka. Hoy koa izany kapiteny izany tamin'i Elia hoe: "Ianao, ry lehilahin'Andriamanitra, nilaza ny mpanjaka hoe: 'Midìna faingana."'
\v 12 Elia namaly ary nilaza tamin'izy ireo hoe: "Raha lehilahin'Andriamanitra aho, aoka hilatsaka avy eny amin'ny lanitra ny afo ary handevona anao sy ireo dimampolo lahinao." Dia nilatsaka avy teny amin'ny lanitra indray ny afon'Andriamanitra ary nandevona azy sy ireo dimam-polo lahiny.
\s5
\v 13 Mbola nandefa vondrona mpiady dimampolo fanintelony indray ny mpanjaka. Niakatra io kapiteny io, nandohalika teo anoloan'ny Elia izy, ary niangavy azy sy nilaza taminy hoe: "Ianao, ry lehilahin'Andriamanitra, mangataka aminao aho, aoka ho sarobidy eo imasonao ny aiko sy ny ain'ireto mpanomponao dimampolo ireto.
\v 14 Eny tokoa, nilatsaka avy eny amin'ny lanitra ny afo ary nandevina ireo kapiteny anankiroa voalohany mbamin'ireo lehilahiny, fa ankehitriny aoka ho sarobidy eo imasonao ny aiko."
\s5
\v 15 Ary ny anjelin'i Yaveh nilaza tamin'i Elia hoe: "Midìna miaraka aminy. Aza matahotra azy." Ka nitsangana Elia ary nidina niaraka taminy ho any amin'ny mpanjaka.
\v 16 Taoriana kelin'izany dia hoy Elia tamin'i Ahazia hoe: "Izao no nolazain'i Yaveh: 'Efa nandefa mpitondra hafatra haka hevitra tany amin'i Bala-zeboba, andriamanitr'i Ekrona ianao. Satria ve tsy misy Andriamanintra ao Israely izay afaka angatahinao fampahafantarana? Koa ankehitriny, tsy hidina avy eo amin'ny fandriana izay niakaranao ianao; fa ho faty tokoa ianao."'
\s5
\v 17 Dia maty araka ny tenin'i Yaveh izay nolazain'i Elia i Ahazia mpanjaka. Jorama no nanomboka nanjaka teo amin'ny toerany, tamin'ny taona faharoa nanjakan'i Jehorama zanak'i Josafata mpanjakan'i Joda, satria tsy nanan-janaka i Ahazia.
\v 18 Ary ny amin'ireo raharaha hafa mahakasika an'i Ahazia, moa tsy efa voasoratra ao amin'ny bokin'ny tantaran'ny mpanjakan'Israely ve izany?
\s5
\c 2
\p
\v 1 Ary rehefa handeha hampiakatra an'i Elia tamin'ny tafio-drivotra ho any an-danitra i Yaveh, dia niala tao Gilgala niaraka tamin'i Elisa i Elia.
\v 2 Hoy i Elia tamin'i Elisa: "Mba mijanòna re eto, satria efa naniraka ahy ho any Betela i Yaveh." Namaly Elisa hoe: "Raha mbola velona koa i Yaveh, ary raha mbola velona koa ianao, dia tsy handao anao aho." Dia nidina tany Betela izy ireo.
\s5
\v 3 Nankany amin'i Elisa ireo zanaky ny mpaminany izay tany Betela ary niteny taminy hoe: "Fantatrao ve fa haka ny tomponao aminao i Yaveh androany?" Namaly Elisa hoe: "Eny, fantatro izany, fa aza miresaka momba izany."
\v 4 Hoy i Elia taminy: "Elisa, mba miandrasa eto re, satria efa naniraka ahy ho any Jeriko i Yaveh." Dia namaly Elisa hoe: "Raha mbola velona koa i Yaveh, ary raha mbola velona koa ianao, dia tsy handao anao aho." Dia nandeha tany Jeriko izy ireo.
\s5
\v 5 Dia nankany amin'i Elisa ireo zanaky ny mpaminany izay tany Jeriko ary niteny taminy hoe: "Fantatrao ve fa haka ny tomponao aminao i Yaveh androany?" Dia namaly Elisa hoe: "Eny, fantatro izany, fa aza miresaka momba izany."
\v 6 Dia hoy Elia taminy: "Mba mijanòna re, fa Yaveh efa naniraka ahy ho any Jordana." Namaly Elisa hoe: "Raha mbola velona koa Yaveh, ary raha mbola velona koa ianao, dia tsy handao anao aho." Dia nandeha izy roa.
\s5
\v 7 Taty aoriana kely, nisy dimampolo tamin'ireo zanaky ny mpaminany nitsangana nifanatrika tamin'izy ireo teny lavitra raha nitsangana teo amoron'i Jordana izy roa.
\v 8 Nalain'i Elia ny lambany, nahorongorony, ary nokapohiny tamin'izany ny rano. Nizara tamin'ny lafiny roa ny renirano ka nandeha tamin'ny tany maina izy roa.
\s5
\v 9 Ary rehefa avy niampita izy ireo, dia hoy Elia tamin'i Elisa: "Angataho amiko izay tokony ho ataoko ho anao mialohan'ny hakana ahy aminao." Namaly Elisa hoe: "Aoka re mba ho tonga amiko ny avo roa henin'ny anjara fanahinao."
\v 10 Namaly Elia hoe: "Efa nangataka zavatra sarotra ianao. Na izany aza, raha hitanao aho rehefa alàna aminao, dia hitranga aminao izany, fa raha tsia, dia tsy hitranga izany."
\s5
\v 11 Raha mbola nandeha sy niresaka izy ireo, indro, nisy kalesy afo sy soavaly afo niseho, izay nanasaraka azy roa lahy, ary niakatra tamin'ny tafio-drivotra tany an-danitra i Elia.
\v 12 Nahita izany Elisa ka nihiaka mafy hoe: "Raiko o, raiko o, ireo kalesin'Israely sy ireo mpitaingina izany!" Tsy hitany intsony i Elia, ka nohazoniny ireo akanjony ary norovitiny roa ireo.
\s5
\v 13 Nalainy ny lamban'i Elia izay latsaka avy teny aminy, ary niverina mba hijoro teo amoron'i Jordana izy.
\v 14 Nokapohiny tamin'ny lamban'i Elia izay latsaka ny rano ary hoy izy: "Aiza i Yaveh, Andriamanitr'i Elia?" Rehefa nikapoka ny rano izy, dia nizara teo amin'ny lafiny roa ireo ka niampita i Elisa.
\s5
\v 15 Rehefa hitan'ireo zanaky ny mpaminany izay avy any Jeriko teo ampitan'izy ireo izy, dia hoy izy ireo: "Mitoetra ao amin'i Elisa ny fanahin'i Elia!" Dia tonga mba hitsena azy izy ireo, ary niankohoka tamin'ny tany teo anatrehany.
\v 16 Hoy izy ireo taminy: "Indro ankehitriny, misy lehilahy mahery dimampolo eo amin'ireo mpanomponao. Avelao izy ireo handeha, mangataka izahay, mba hitady ny tomponao, sao dia nampiakarina sy natsipin'ny fanahin'i Yaveh any amin'ny tendrombohitra na any amin'ny lohasaha izy." Namaly Elisa hoe: "Tsia, aza maniraka azy ireo."
\s5
\v 17 Nefa rehefa namporisika an'i Elisa mandra-pahamenatra azy izy ireo, dia hoy izy: "Iraho izy ireo." Dia naniraka lehilahy dimampolo izy ireo, ary nitady nandritra ny telo andro izy ireo, kanefa tsy nahita azy.
\v 18 Niverina tany amin'i Elisa izy ireo, raha nitoetra tao Jeriko izy, dia hoy izy tamin'izy ireo: "Tsy niteny taminareo ve aho hoe: 'Aza mandeha'?"
\s5
\v 19 Ireo olon'ny tanàna niteny tamin'i Elisa hoe: "Indro, miangavy anao izahay, ny zava-misy eto amin'ity tanàna ity dia mahafinaritra, araka izao hitan'ny tompoko izao, nefa ratsy ny rano ary tsy mamokatra ny tany."
\v 20 Namaly Elisa hoe: "Itondray lovia vaovao aho ka asio sira ao anatiny," dia nitondra izany teo aminy izy ireo.
\s5
\v 21 Nivoaka nankany amin'ny loharano Elisa ary nanipy sira tao anatin'izany; dia hoy izy hoe: "Izao no lazain'i Yaveh: 'Efa nanasitrana ireo rano ireo Aho. Manomboka amin'izao fotoana izao, dia tsy hisy fahafatesana na tany tsy mahavokatra intsony.'"
\v 22 Koa dia sitrana ireo rano mandraka androany, tamin'ny alalan'ny teny izay nolazain'i Elisa.
\s5
\v 23 Dia niakatra avy tao ho any Betela Elisa. Rehefa niakatra ny lalany izy, dia nisy tovolahy nivoaka ny tanàna ary nanevateva azy; hoy izy ireo taminy: "Miakara, ianao ry solaloha! Miakara, ianao ry solaloha!"
\v 24 Nijery tany aoriany Elisa ary nahita azy ireo; niantso an'i Yaveh izy mba hanozona azy ireo. Dia nisy beravavy roa nivoaka avy tao an'ala ka nandratra roa amby efapolo tamin'ireo tovolahy.
\v 25 Dia niala teo ho any an-tendrombohitra Karmela i Elisa, ary avy teo no niverenany ho any Samaria.
\s5
\c 3
\p
\v 1 Tamin'ny taona fahavalo ambin'ny folo nanjakan'i Josafata mpanjakan'i Joda, no nanomboka nanjaka teo amin'Israely tao Samaria i Jorama zanaka lahin'i Ahaba; nanjaka nandritra ny roa ambin'ny folo taona izy.
\v 2 Nanao izay ratsy teo imason'i Yaveh izy, fa tsy mba tahaka ny rainy sy ny reniny; fa nesoriny ny tsangam-bato masina an'i Bala izay namboarin'ny rainy.
\v 3 Na izany aza dia nihazona ireo fahotan'i Jeroboama zanaka lahin'i Nebata izy, izay nampanota an'i Israely, tsy nivily tamin'izany izy.
\s5
\v 4 Ary i Mesa mpanjakan'i Moaba dia niompy ondry. Tsy maintsy nanome zanak'ondry 100. 000 sy volon'ondry lahy 100. 000 ho an'ny mpanjakan'Israely izy.
\v 5 Fa taorian'ny nahafatesan'i Ahaba, dia nikomy nanohitra ny mpanjakan'Israely ny mpanjakan'i Moaba.
\v 6 Ary nandao an'i Samaria i Jorama mpanjaka tamin'izany fotoana izany mba hanentana ny Israely rehetra ho amin'ny ady.
\s5
\v 7 Nandefa hafatra tamin'i Josafata mpanjakan'i Joda izy, nilaza hoe: "Efa nikomy hanohitra ahy ny mpanjakan'i Moaba. Handeha hiaraka amiko hifanandrina amin'i Moaba ve ianao?" Namaly i Josafata hoe: "Handeha aho, tahaka anao ihany aho, ny oloko dia toy ny olonao, ireo soavaliko dia toy ireo soavalinao."
\v 8 Ary niteny izy avy eo hoe: "Amin'ny lalana aiza no tokony hanafihantsika?" Namaly i Josafata hoe: "Amin'ny lalana mamaky ny efitr'i Edoma."
\s5
\v 9 Ka nandeha nihodidina nandritra ny fito andro ireo mpanjakan'Israely, Joda, ary Edoma. Tsy nahitana rano ho an'ny tafik'izy ireo, na ho an'ireo soavaliny sy ireo biby hafa.
\v 10 Koa niteny ny mpanjakan'Israely hoe: "Fa inona ity? Moa ve niantso mpanjaka telo hatolotra ho eo an-tanan'i Moaba i Yaveh?"
\s5
\v 11 Kanefa nilaza i Josafata hoe: "Tsy misy mpaminanin'i Yaveh ve eto, hahafahantsika maka torohevitra amin'i Yaveh amin'ny alalany?" Ary namaly ny iray tamin'ny mpanompon'ny mpanjakan'i Israely nanao hoe: "Eto i Elisa zanaka lahin'i Safata, izay nandraraka rano teo an- tanan'i Elia."
\v 12 Hoy i Josafata: "Momba azy ny tenin'i Yaveh." Ka nidina nankany aminy, i Josafata, mpanjakan'Israely, ary ny mpanjakan'i Edoma.
\s5
\v 13 Hoy i Elisa tamin'ny mpanjakan'Israely: "Mpifaninona moa izaho sy ianao? Mandehana mankany amin'ireo mpaminanin'ny rainao sy reninao." Ka niteny taminy ny mpanjakan'Israely hoe: "Tsia, satria i Yaveh niantso ireto mpanjaka telo ireto niaraka mba hanolotra azy ho eo an-tanan'i Moaba."
\v 14 Namaly i Elisa: "Raha mbola velona koa i Yaveh tompon'ny maro, izay eo anatrehany no hijoroako, raha tsy nohon'ny fanajako ny fanatrehan'i Josafata mpanjakan'i Joda, dia tsy nihaino anao aho, na nijery anao akory.
\s5
\v 15 Fa ankehitriny hitondrao mpitendry zava-maneno aho." Ary rehefa nitendry ny mpitendry lokanga, dia tonga teo amin'i Elisa ny tanan'i Yaveh.
\v 16 Nilaza izy hoe: "Izao no nambaran'i Yaveh, 'Fenoy hady kely io lohasahan-driaka maina io.'
\v 17 Fa hoy i Yaveh: 'Tsy hahita rivotra ianao, na orana, fa ho dibo-drano io lohasahan-driaka io, ary hisotro ianareo, ianareo sy ny biby fiompinareo sy ny bibinareo rehetra.'
\s5
\v 18 Izany dia zavatra mora eo imason'i Yaveh. Hanome anareo fandresena eo amin'ireo Moabita ihany koa Izy.
\v 19 Hanafika ny tanàna voaaro mafy sy tanàna tsara rehetra ianareo, hanapaka ny hazo tsara rehetra, hanajanona ny loharano rehetra, ary handrava ireo tany tsara rehetra amin'ny vato."
\s5
\v 20 Koa tamin'ny maraina nanodidina ny fotoana fanolorana ny sorona, dia nisy rano nikoriana avy any Edoma; dibo-drano ny tany.
\s5
\v 21 Ary nony nandre ireo Moabita rehetra fa tonga hiady aminy ireo mpanjaka, dia niara-niangona izy ireo, ireo rehetra afaka nanao akanjo fiarovana, ka nitsangana teo amin'ny sisin-tany izy ireo.
\v 22 Nifoha maraina izy ireo ary ny masoandro nitaratra teo amin'y rano. Nony nahatazana ny rano teo ampitany ireo Moabita, dia niloko mena tahaka ny rà izany.
\v 23 Nihoraka mafy izy ireo hoe: "Rà io! Tena ringana tokoa ireo mpanjaka, ary nifamono izy ireo! Ankehitriny ary, ry Moaba, andeha isika handroba azy ireo!"
\s5
\v 24 Nony nankany amin'ny tobin'Israely izy ireo, nanampoka ireo Israelita izy ireo ka nanafika ireo Moabita, izay nandositra teo anatrehany. Notaritin'ny tafik'Israely nanerana ny tany ireo Moabita, dia novonoiny izy ireo.
\v 25 Nopotehiny ireo tanàna, ary ny velaran-tany tsara rehetra dia nofafazan'ny lehilahy rehetra vato mandra-paharakotra izany. Notapenan'izy ireo ny loharano rehetra, nokapain'izy ireo ny hazo tsara rehetra. Ary Kira-haresa sisa no tavela tsy nihetsika ny vatony. Fa nodidinin'ireo miaramila mpitana antsamotady izany ary notafihany.
\s5
\v 26 Nony hitan'i Mesa mpanjakan'i Moaba fa resy an'ady izy, dia naka mpitan-tsabatra fitonjato niaraka taminy izy hanafika ny mpanjakan'i Edoma, kanefa tsy nahomby izy ireo.
\v 27 Dia nalainy ny zanany lahimatoa izay tokony nanjaka nandimby azy, ary natolony ho fanatitra dorana teo ambonin'ny manda izy. Ka nisy hatezerana lehibe nihatra tamin'Israely, dia nandao an'i Mesa Mpanjaka ny tafiky ny Israelita ka nody tany amin'ny taniny.
\s5
\c 4
\p
\v 1 Ary ny vadin'ny iray tamin'ireo zanaky ny mpaminany tonga nitomany tamin'i Elisa, nanao hoe: "Maty ny vadiko ilay mpanomponao, ary fantatrao fa ny mpanomponao dia natahotra an'i Yaveh. Ankehitriny ny mpampindram-bola dia tonga haka ireo zanako roa mba ho mpanompony."
\v 2 Ka hoy i Elisa taminy: "Inona no azoko atao ho anao? Lazao ahy inona avy no hanananao ao an-tranonao?" Ary hoy izy: "Tsy manana na inona na inona afa-tsy diloilo iray tavoara ny mpanomponao ao an-trano."
\s5
\v 3 Ary hoy i Elisa: "Mandehana mindrana siny any amin'ireo mpiray vodirindrina aminao, siny tsy misy na inona na inona." Farak'izay betsaka hindramina.
\v 4 Avy eo dia tsy maintsy miditra ao anatiny ianao ary mirindrim-baravarana ao ianao sy ireo zanakao lahy, ary mandraraha diloilo ao amin'ny siny rehetra; ary atokàny ireo siny izay feno."
\s5
\v 5 Ka nandao an'i Elisa izy ary nirindrim-baravarana izy sy ireo zanany lahy. Nentin'izy ireo tao aminy ireo siny, ka nofenoiny diloilo ireo.
\v 6 Rehefa feno ny siny, dia hoy izy tamin'ireo zanany: "Hitondray siny hafa aho." Fa hoy ny zanany taminy: "Tsy misy siny intsony." Dia tsy niraraka intsony ny diloilo.
\s5
\v 7 Ary tonga izy ka niteny tamin'ilay lehilahin'Andriamanitra. Hoy izy hoe: "Mandehana, varoty ny diloilo; aloavy ny trosanao, ary hivelomy miaraka amin'ireo zanakao lahy ny ambiny."
\s5
\v 8 Indray andro i Elisa nandeha tany Sonema any amin'izay hitoeran'ny vehivavy manan-danja iray; nasainy hiara-hisakafo aminy izy. Ary isaky ny andalo izy, dia hijanona ka hisakafo ao.
\v 9 Hoy ilay vehivavy tamin'ny vadiny: "Indro, mahatsapa aho ankehitriny fa izy dia lehilahy masin'Andriamanitra izay mandalo mandrakariva.
\s5
\v 10 Ndeha isika hanao efitra kely ambony rihana ho an'i Elisa, ka ho asiantsika fandriana ao anatiny, latabatra, seza, ary jiro. Ka rehefa tonga eto amintsika izy, dia hijanona eto."
\v 11 Ary tonga indray ny andro dia nijanona tao i Elisa, nipetraka tao amin'ilay efitra izy ary naka aina tao.
\s5
\v 12 Hoy i Elisa tamin'i Gehazy ilay mpanompony: "Antsoy io Sonemita io." Rehefa avy niantso azy izy, dia nitsangana teo anatrehany.
\v 13 Ary hoy i Elisa taminy: "Teneno amin-dravehivavy hoe: 'Efa nankaty amin'izao olana rehetra izao ianao mba hiahy anay. Ka inona no azo atao ho anao? Afaka misolo vava anao any amin'ny mpanjaka na any amin'ny lehiben'ny tafika ve izahay?"' Dia namaly izy hoe: "Miara-mipetraka amin'ny vahoakako aho."
\s5
\v 14 Ka hoy i Elisa: "Inona izany no azontsika atao ho azy?" Dia namaly i Gehazy hoe: "Eny tokoa, tsy manan-janaka izy, ary efa antitra ny vadiny."
\v 15 Ka namaly i Elisa hoe: "Antsoy izy." Rehefa avy niantso azy izy, dia nitsangana teo amin'ny varavarana.
\v 16 Hoy i Elisa: "Amin'ny fotoana toy izao, afaka herin-taona, dia hitrotro zazalahy ianao." Ka hoy ravehivavy: "Tsia, ry tompoko sady lehilahin'Andriamanitra, aza mandainga amin'ny mpanomponao."
\s5
\v 17 Fa ny taona manaraka ihany ravehivavy dia nitoe-jaza ary niteraka zazalahy, araka izay efa nolazain'i Elisa taminy.
\v 18 Rehefa niha-lehibe ny zaza, indray andro dia nandeha niaraka tamin'ny rainy, izay niaraka tamin'ireo mpijinja izy.
\v 19 Hoy izy tamin'ny rainy: "Ny lohako, ny lohako." Dia hoy ny rainy tamin'ny mpanompony: "Ento any amin'ny reniny izy."
\v 20 Rehefa naka azy sy nitondra ilay zazalahy tany amin'ny reniny ilay mpanompo, dia nipetraka teo am-pofoany ilay zaza mandra-pitaotaovovonana ary maty avy eo.
\s5
\v 21 Ka nitsangana ilay vehivavy ary nametraka ilay zazalahikely teo amin'ny fandrian'ilay lehilahin'Andriamanitra, nanidy ny varavarana, ary nivoaka.
\v 22 Niantso ny vadiny izy, ary niteny hoe: "Mba andefaso iray amin'ireo mpanompo sy iray amin'ireo ampondra re aho mba hahafahako mandeha haingana any amin'ilay lehilahin'Andriamanitra ary hiverina avy eo."
\s5
\v 23 Dia hoy ny vadiny: "Nahoana ianao no te-ho any aminy anio? Tsy tsinam-bolana na Sabata izao." Ka namaly izy hoe: "Tsy maninona re."
\v 24 Dia nasiany lasely ny ampondra iray ary hoy izy tamin'ny mpanompony hoe: "Ampandehano haingana; ary aza mandeha mora raha tsy miteny aho."
\s5
\v 25 Ka nandeha ravehivavy ary tonga tao amin'ilay lehilahin'Andriamanitra tany amin'ny Tendrombohitra Karmela. Ary rehefa nahita azy avy lavitra ilay lehilahin'Andriamanitra, dia niteny tamin'i Gehazy mpanompony izy hoe: "Indro, tonga ilay vehivavy Sonemita.
\v 26 Mihazakazaha faingana mba hitsena azy sy hilaza aminy hoe: "Milamina ve ny aminao sy ny vadinao ary ny zanakao?"' Dia namaly izy hoe: "Milamina tsara."
\s5
\v 27 Rehefa tonga teo amin'ilay lehilahin'Andriamanitra tany an-tendrombohitra ravehivavy, dia nohazoniny ny tongony. Nanatona akaiky i Gehazy mba hanala azy kanefa hoy ilay lehilahin'Andriamanitra hoe: "Avelao izy, fa tohina tanteraka, ary nafenin'i Yaveh tamiko ilay olana, ary tsy niteny na inona na inona tamiko."
\s5
\v 28 Dia hoy ravehivavy: "Nangataka zanaka taminao ve aho, ry tompoko? Tsy efa niteny ve aho hoe: 'Aza fitahana aho'?"
\v 29 Dia hoy i Elisa tamin'i Gehazy: "Miakanjoa ho an'ny dia ary ento amin'ny tananao ny tehiko. Mandehana any an-tranony. Raha mifanena amin'ny olona ianao, dia aza miarahaba azy, ary raha misy olona miarahaba anao, dia aza mamaly azy. Ateheno eo amin'ny tarehin'ilay zaza ny tehiko."
\s5
\v 30 Fa ny renin'ilay zaza niteny hoe: "Raha velona koa i Yaveh, ary raha velona koa ianao, dia tsy handao anao aho." Ka nitsangana i Elisa ary nanaraka azy.
\v 31 nialoha faingana azy ireo i Gehazy ary nametraka ny tehina teo amin'ny tarehin'ilay zaza, nefa tsy niteny na nandre ilay zaza. Ka niverina tany amin'i Elisa i Gehazy ary niteny taminy hoe: "Mbola tsy nifoha ilay zaza."
\s5
\v 32 Rehefa tonga tao an-trano i Elisa, dia mbola maty teo ambony fandriana ilay zaza.
\v 33 Ka niditra tao i Elisa ary nirindrim-baravarana tao izy sy ilay zaza ka nivavaka tamin'i Yaveh izy.
\v 34 Nitsangana izy ary nandry teo amin'ilay zaza; nametraka ny molony teo amin'ny molony, ny masony teo amin'ny masony, ary ny tanany teo amin'ny tanany. Naninjitra ny tenany teo amin'ilay zaza, ka lasa nafana ny vatan'ilay zazalahikely.
\s5
\v 35 Ary nitsangana i Elisa ary nivezivezy tao amin'ny efitra ary niakatra indray ka naninjitra ny tenany teo ambonin'ilay zazalahikely. Nihevona im-pito ilay zazalahy ary nanokatra ny masony.
\v 36 Ka niantso an'i Gehazy i Elisa ary niteny hoe: "Antsoy ilay Sonemita!" Ka dia niantso azy izy, ary rehefa tonga tao amin'ny efitra izy, dia hoy i Elisa: "Raiso ny zanakao."
\v 37 Dia nampiakohoka ny tavany teo amin'ny tany teo amin'ny tongony izy ary nandohalika teo amin'ny tany, ka naka ny zanany dia nivoaka.
\s5
\v 38 Ary niverina tany Gilgala indray i Elisa. Nisy mosary tao amin'ilay tany, ary nipetraka teo anoloany ireo zanaky ny mpaminany. Hoy izy tamin'ny mpanompony: "Ataovy eo amin'ny afo ny siny lehibe ary mandrahoa hanina ho an'ireo zanaky ny mpaminany."
\v 39 Nidina tany an-tsaha mba hitango legioma ny iray tamin'izy ireo. Nahita voaloboka dia izy ary nanangona tanatanamanga dia mba hamenoana ny moron-tongotry ny akanjony. Notapatapahany ary nataon'izy ireo tao amin'ny hanina izany, nefa tsy nahafantatra ny karazan'izany izy ireo.
\s5
\v 40 Ka nandoatra ny hanina mba ho hanin'ireo lehilahy izy ireo. Afaka kelikely, raha teo am-pihinanana izy ireo, dia nihiaka mafy nanao hoe: "Ry lehilahin'Andriamanitra, misy mahafaty ao am-bilany!" Ka tsy afaka ny hihinana izany intsony izy ireo.
\v 41 Fa hoy i Elisa hoe: "Mitondrà koba." Nanipy izany tao anaty vilany izy ary niteny hoe: "Lohary ho an'ny olona izany, mba hihinana izy ireo." Ka tsy nisy zavatra mahafaty intsony tao am-bilany."
\s5
\v 42 Nisy lehilahy iray avy any Bala-salisa nankany amin'ny lehilahin'Andriamanitra ary nitondra mofo vita tamin'ny vary hordea roapolo vao nojinjaina, ary salohim-bary vaovao tao anaty kitapony. Hoy izy: "Omeo an'ireo olona ireto mba hahafahan'izy ireo mihinana."
\v 43 Hoy ny mpanompony: "Ahoana no hanomezako izany an'ireo olona zato?" Fa hoy i Elisa hoe: "Omeo ny olona ireto, mba hahafahan'izy ireo mihinana, satria i Yaveh niteny hoe: "Hihinana izy ireo ary hamela ambiny."
\v 44 Ka nanome izany azy ireo ny mpanompony; dia nihinana izy ireo, ary nisy sisa tavela, araka ny teny fampanantenan'i Yaveh.
\s5
\c 5
\p
\v 1 Ary Namàna, mpifehy ny tafiky ny mpanjakan'i Syria, dia lehilahy lehibe sady be voninahitra eo imason'ny tompony, satria tamin'ny alalany no nanomezan'i Yaveh fandresena an'i Syria. Lehilahy matanjaka, be herim-po ihany koa izy, kanefa boka.
\v 2 Nandeha nivoaka isan-tokony ireo Syriana ary naka zazavavy kely iray avy tao amin'ny tanin'Israely. Nanompo ny vadin'i Namàna izy.
\s5
\v 3 Hoy ilay zazavavy tamin'ny tompovaviny hoe: "Enga anie mba hiaraka amin'ilay mpaminany izay any Samaria ny tompoko! Ary hanasitrana ny tompoko amin'ny habokany izy."
\v 4 Koa nandeha i Namàna ary niteny tamin'ny mpanjaka izay nolazain'ilay zazavavy kely avy any amin'ny tanin'Israely.
\s5
\v 5 Dia hoy ilay mpanjakan'i Syria hoe: "Mandehana ankehitriny, ary hampitondra taratasy ho an'ny mpanjakan'Israely aho." Lasa i Namàna ary nitondra talenta volafotsy folo, volamena enin'arivo, sy akanjo fisoloana folo niaraka taminy.
\v 6 Nitondra ilay taratasy ho an'ny mpanjakan'Israely ihany koa izy izay nilaza hoe: "Rehefa entina aminao ity taratasy ity, dia ho hitanao fa nandefa an'i Namàna mpanompoko aminao aho, mba hanasitrananao azy amin'ny habokany."
\s5
\v 7 Rehefa avy namaky ilay taratasy ny mpanjakan'Israely, dia nandrovitra ny akanjony izy ary niteny hoe: "Moa ve Andriamanitra aho, ka hamono na hamelona, no mila ahy hanasitrana lehilahy amin'ny habokany ity lehilahy ity? Ohatran'ny mitady hifanditra amiko izy."
\s5
\v 8 Koa rehefa ren'i Elisa ilay lehilahin'Andriamanitra fa nandriatra ny ankanjony ilay mpanjakan'Israely, dia nandefa teny tany amin'ny mpanjaka izy nanao hoe: "Nahoana no norovitinao ny akanjonao? Avelao izy hanatona ahy ankehitriny, dia ho fantany fa misy mpaminany ao Israely."
\v 9 Ka tonga niaraka tamin'ireo soavaliny sy kalesiny i Namàna ary nijoro teo am-baravaran'ny tranon'i Elisa.
\v 10 Naniraka mpitondra hafatra tany aminy Elisa, nanao hoe: "Mandehana ary ampandroy impito ao amin'i Jordana ny tenanao, dia hiverina amin'ny laoniny ny nofonao; hadio ianao."
\s5
\v 11 Fa tezitra i Namàna ary lasa ka niteny hoe: "Indro, noheveriko fa hivoaka hanatona ahy izy ary hitsangana sy hiantso ny anaran'i Yaveh Andriamaniny, ary hanofahofa ny tanany amin'ilay toerana ka hanasitrana ny habokako.
\v 12 Moa i Abana sy Farpara, reniranon'i Damaskosy, tsy tsara kokoa noho ny rano rehetra ao Israely? Tsy afaka mandro ao amin'ireo ve aho dia hadio?" Dia niverina izy ary lasa an-katezerana.
\s5
\v 13 Avy eo ireo mpanompon'i Namàna nanakaiky ka niresaka taminy hoe: "Ry raiko, raha nandidy anao hanao zava-tsarotra sasany ny mpaminany, moa tsy nanao izany ve ianao? Koa mainka fa, rehefa miteny tsotra anao izy hoe: 'Ampandroy ny tenanao dia hadio ianao?"
\v 14 Avy eo dia nandeha nidina izy ary nampandro ny tenany impito tao amin'i Jordana, nankatò ireo toromarik'ilay lehilahin'Andriamanitra. Niverina toy ny nofon-jazakely indray ny nofony, ary sitrana izy.
\s5
\v 15 Niverina tany amin'ilay lehilahin'Andriamanitra i Namàna, izy sy ireo mpiara-dia taminy rehetra ary nijoro teo anoloany. Hoy izy hoe: "Indro, fantatro ankehitriny fa tsy misy Andriamanitra manerana ny tany afa-tsy ao Israely ihany. Noho izany, raiso ny fanomezana avy amin'ny mpanomponao."
\v 16 Fa Elisa namaly hoe: "Raha mbola velona koa i Yaveh, izay eo anatrehany no hijoroako, dia tsy handray na inona na inona aho." Namporisika an'i Elisa mba handray ilay fanomezana i Namàna, fa nandà izy.
\s5
\v 17 Noho izany dia hoy i Namàna hoe: "Raha tsy izany, dia mangataka aminao aho mba hanome ny mpanomponao tany ampy zakain'ny ampondra roa, satria manomboka izao, dia hanome fanatitra dorana na sorona ho an'andriamani-kafa intsony ny mpanomponao afa-tsy i Yaveh.
\v 18 Aoka mba hamela heloka ny mpanomponao Yaveh amin'ity zavatra iray ity, dia izao, rehefa miditra aoan-tranon'i Rimona ny mpanjakako mba hanompo ao, ary mitehina amin'ny tanako izy dia miankohoka ao an-tranon'i Rimona aho, rehefa miankohoka ao an-tranon'i Rimona aho, dia enga anie Yaveh mba hamela heloka ny mpanomponao amin'izany zavatra izany."
\v 19 Dia hoy i Elisa taminy hoe: "Mandehana am-piadanana." Dia lasa i Namàna.
\s5
\v 20 Nandeha halavirana fohy ihany izy, rehefa niteny taminy i Gehazy mpanompon'i Elisa ilay lehilahin'Andriamanitra hoe: "Indro, efa namindra fo ity Namàna ilay Syriana ny tompoko tamin'ny tsy fandraisana ireo fanomezana izay nentiny teny an-tanany. Raha mbola velona koa i Yaveh, dia hanaraka azy aho ary handray zavatra avy aminy."
\v 21 Noho izany dia nanaraka an'i Namàna i Gehazy. Rehefa nahita olona nihazakazaka tao ahoriany i Namàna, dia nitsambikina nidina tamin'ny kalesiny izy mba hitsena azy ary niteny hoe: "Mety ve ny zavatra rehetra?"
\v 22 Dia hoy i Gehazy hoe: "Mety daholo ny zavatra rehetra. Nirahin'ny tompoko aho, nanao hoe: 'Indro, nisy tovolahy roa avy amin'ireo zanaky ny mpaminany tonga nanatona ahy avy any amin'ny vohitr'i Efraima. Miangavy re mba omeo talenta volafotsy iray sy akanjo hisoloana roa izy ireo."
\s5
\v 23 Namaly i Namàna hoe: "Faly be aho manome talenta volafotsy roa ho anao." Namporisika an'i Gehazy i Namàna ary namatotra talenta volafotsy roa tao anaty kitapo roa, niaraka tamin'ireo akanjo roa hisoloana, ary nametraka ireo tamin'ny roa tamin'ireo mpanompony, izay nitondra ireo kitapom-bolafotsy nialoha an'i Gehazy.
\v 24 Rehefa tonga tao amin'ny havoana i Gehazy, dia naka ireo kitapom-bolafotsy teny an-tanan'izy ireo izy ary nanafina ireo tao an-trano; nalefany ireo lehilahy, ka lasa izy ireo.
\v 25 Rehefa niditra i Gehazy ary nitsangana nanoloana ny tompony, dia hoy i Elisa taminy hoe: "Avy aiza ianao, ry Gehazy?" Namaly izy hoe: "Tsy nandeha taiza na taiza ny mpanomponao."
\s5
\v 26 Hoy i Elisa tamin'i Gehazy hoe: "Tsy niaraka taminao ve ny fanahiko rehefa nihodina tamin'ny kalesiny mba hitsena anao ilay lehilahy? Fotoana fandraisana vola sy akanjo, tanin'oliva sy tanim-boaloboka, ondry sy omby, ary mpanompo lahy sy vavy ve izao?
\v 27 Noho izany dia ho aminao sy ny taranakao mandrakizay ny habokan'i Namàna." Koa niala tamin'ny fanatrehany i Gehazy, boka fotsy tahaka ny oram-panala.
\s5
\c 6
\p
\v 1 Ireo zanaky ny mpaminany nilaza tamin'i Elisa hoe: "Ilay toerana izay hipetrahanay miaraka aminao dia tena kely loatra ho anay rehetra.
\v 2 Avelao re izahay handeha ho any Jordana, ary avelao ny olona rehetra mba hanapaka hazo any, ary avelao izahay hanorina toerana hahafahanay mipetraka any." Namaly i Elisa hoe: "Afaka mandeha ianareo."
\v 3 Ny iray tamin'izy ireo niteny hoe: "Mandehana re miaraka amin'ireo mpanomponao." Ary namaly Elisa hoe: "Handeha aho."
\s5
\v 4 Koa nandeha niaraka tamin'izy ireo izy, ary rehefa tonga tany Jordana izy ireo, dia nanomboka nanapaka hazo.
\v 5 Fa raha teo am-pikapana ny iray, dia nilatsaka tao anaty rano ny lela-pamaky; nihiaka mafy izy ary niteny hoe: "Loza, ry tompoko, nindramina iny!"
\s5
\v 6 Ka hoy ilay lehilahin'Andriamanitra hoe: "Taiza no nilatsahany?" Dia natoron'ilay olona an'i Elisa ilay toerana. Dia nanapaka tapa-kazo izy, ary nanipy izany tao anaty rano, ka nampitsingevana ny vy.
\v 7 Hoy i Elisa hoe: "Alaivo io." Ka naninjitra ny tanany ilay olona ary naka izany.
\s5
\v 8 Ary nanangan'ady tamin'Israely nyy mpanjakan'i Syria. Niresaka tamin'ny mpanompony izy, nanao hoe: "Any amin'ny toerana tahaka izao sy tahaka izao no hitobiako."
\v 9 Ka ilay lehilahin'Andriamanitra izay nalefa tany amin'ny mpanjakan'Israely, niteny hoe: "Mitandrema tsy handalo amin'izany toerana izany, fa hidina any ireo Syriana."
\s5
\v 10 Nandefa hafatra tany amin'ilay toerana izay voalaza sy nampitandreman'ilay lehilahin'Andriamanitra azy ny mpanjakan'Israely. Tsy indray mandeha na indroa fotsiny, rehefa nandeha tany ilay mpanjaka, dia mailo izy.
\v 11 Tezitra mafy tamin' ireo fampitandremana ilay mpanjakan'i Syria, ka niantso ireo mpanompony izy ary nilaza tamin'izy ireo hoe: "Tsy hilaza amiko ve ianareo hoe iza eo aminareo no miandany amin'ny mpanjakan'Israely?"
\s5
\v 12 Ka hoy ny iray tamin'ireo mpanompony hoe: "Tsia, ry mpanjaka, tompoko, fa i Elisa mpaminany ao Israely no milaza amin'ny mpanjakan'Israely ireo teny izay lazainao ao amin'ny efitrano fatorianao!"
\v 13 Ary namaly ilay mpanjaka hoe: "Mandehana ary tadiavo ny misy an'i Elisa mba hahafahako mandefa olona hisambotra azy." Nolazaina taminy hoe: "Indro, any Dotana izy."
\s5
\v 14 Ka nandefa soavaly maro, kalesy, ary tafika lehibe tany Dotana ny mpanjaka. Tamin'ny alina izy no tonga ary nanodidina ny tanàna.
\v 15 Rehefa nifoha maraina ka nivoaka tany ivelany ny mpanompon'ilay lehilahin'Andriamanitra, dia indro, ny tafika lehibe mitaingi-tsoavaly sy kalesy nanodidina ny tanàna. Hoy ilay mpanompo taminy hoe: "O, ry tompoko! Inona no ho ataontsika?"
\v 16 Elisa namaly hoe: "Aza matahotra, fa ireo izay miaraka amintsika dia mbola maro kokoa noho ireo izay miaraka amin'izy ireo."
\s5
\v 17 Nivavaka i Elisa ary niteny hoe: "Ry Yaveh, mitalaho aminao ny mba hanokafanao ny masony mba hahita aho." Ary nosokafan'i Yaveh ny mason'ilay mpanompo, ka nahita izy. Indro, ny tendrombohitra dia feno soavaly sy kalesy afo nanodidina an'i Elisa!
\v 18 Rehefa nidina teo aminy ireo Syriana, dia nivavaka tamin'i Yaveh i Elisa ary niteny hoe: "Mangataka aminao aho, ataovy jamba ireo olona ireo." Koa nohajambainy izy ireo, araka ny nangatahan'i Elisa.
\v 19 Ary hoy i Elisa tamin'ireo Syriana hoe: "Tsy io no lalana, na ilay tanàna. Araho aho, fa ho entiko any amin'ilay olona izay tadiavinareo ianareo." Avy eo dia notarihany ho any Samaria izy ireo.
\s5
\v 20 Ary rehefa tonga tany Samaria izy ireo, dia hoy i Elisa hoe: "Ry Yaveh, sokafy ny mason'ireo olona ireo mba hahafahan'izy ireo mahita." Dia nosokafan'i Yaveh ny mason'izy ireo ka nahita izy ireo, ary indro, teo afovoan'ny tanànan'i Samaria izy ireo.
\v 21 Hoy ilay mpanjakan'Israely tamin'i Elisa, rehefa nahita azy ireo izy: "Ry raiko, tokony hovonoiko ve izy ireo? Tokony hovonoiko ve izy ireo?"
\s5
\v 22 Elisa namaly hoe: "Aoka tsy hamono azy ireo ianao. Hovonoinao ve ireo izay nobaboanao tamin'ny sabatra sy ny tsipìka? Mametraha mofo sy rano eo anoloan'izy ireo, mba hihinana sy hisotro izy ireo, ary mandehana any amin'ny tompon'izy ireo."
\v 23 Koa nanomana sakafo maro ho azy ireo ilay mpanjaka, ary rehefa nihinana sy nisotro izy ireo, dia nalefany, ka niverina tany amin'ny tompony. Tsy niverina tany amin'ny tanin'Israely nandritra ny fotoana ela ireo tariky ny miaramila Syriana.
\s5
\v 24 Fotoana fohy taorian'izay dia namory ny tafiny i Beni-hadada ary nanafika an'i Samaria sy nanao fahirano azy.
\v 25 Ka nisy mosary lehibe tany Samaria. Indro, nanao fahirano izy ireo mandra-pahalafo ho sekely volafotsy valopolo ny lohan'ampondra iray, ary ny taim-boromailala ampahefatry ny kaba ho sekely volafotsy dimy.
\v 26 Raha nandalo teo amin'ny manda ny mpanjakan'Israely, dia nisy vehivavy nihiaka taminy, nilaza hoe: "Vonjeo, ry mpanjaka, tompoko."
\s5
\v 27 Hoy izy: "Raha tsy manampy anao i Yaveh, ahoana no hahafahako manampy anao? Misy zavatra ve avy amin'ny famoloana sy ny famiazam-boaloboka?"
\v 28 Dia nanohy ny mpanjaka hoe: "Inona no olanao?" Ka namaly izy hoe: "Hoy ity vehivavy ity tamiko: 'Omeo ny zanakao mba hihinanantsika azy anio, ary hihinana ny zanako isika rahampitso."'
\v 29 Ka nampangotrahinay ny zanako ary nohaninay, ary nilaza taminy aho ny andro manaraka hoe: "Omeo ny zanakao mba hihinanantsika azy, kanefa efa nafeniny ny zanany."
\s5
\v 30 Ary rehefa nandre ireo tenin-dravehivavy ny mpanjaka, dia nandriatra ny akanjony izy (ary nandalo teo amin'ny manda izy), ka nijery ary nahita fa nanana atin'akanjo lamba fisaonana izy, teny an-kodiny.
\v 31 Ary hoy izy hoe: "Aoka anie Andriamanitra hanao izany amiko, mihoatra noho izany aza, raha mitoetra ao aminy ny lohan'i Elisa zanak'i Safata anio."
\s5
\v 32 Fa i Elisa nipetraka tao an-tranony, ary ireo loholona niara-nipetraka taminy. Nandefa olona iray avy teo anoloany ny mpanjaka, nefa rehefa tonga tany amin'i Elisa ny mpitondra hafatra, dia hoy izy tamin'ireo loholona hoe: "Indro, ahoana ny fomba nandefasana ity zanaka mpamono olona ity olona hanapaka ny lohako? Indro, rehefa tonga ny mpitondra hafatra, dia hidio ny varavarana, ary hazony hihidy mba tsy hidirany ny varavarana. Moa ve tsy feon'ny tongotry ny tompony izany ao aoriany izany?
\v 33 Raha mbola nanohy niresaka tamin'izy ireo izy, dia indro, nidina teo aminy ilay mpitondra hafatra. Hoy ny mpanjaka hoe: "Indro, avy amin'i Yaveh izao loza izao. Nahoana aho no tokony mbola hiandry an'i Yaveh ihany?"
\s5
\c 7
\p
\v 1 Hoy Elisa hoe: "Henoy ny tenin'i Yaveh". Izao no voalazan'i Yaveh: 'Rahampitso amin'ny ora toy izao dia ho sekely iray ny vidin'ny koba tsara toto eran'ny famarana, ary ho sekely iray ny vary hordea roa famarana, eo am-bavahadin'i Samaria."'
\v 2 Ary namaly ilay lehilahin'Andriamanitra ny lehiben'ny mpiambina iray izay nanankinan'ny mpanjaka ny tanany, ary nilaza hoe: "Indro, na dia hanao varavarankely eny amin'ny lanitra aza i Yaveh, hitranga ve izany zavatra izany?" Ary namaly Elisa hoe: "Indro, hahita ny fitrangan'izany ireo masonareo, kanefa tsy hihinana amin'izany ianareo."
\s5
\v 3 Ary nisy efa-dahy boka teo ivelan'ny vavahadin'ny tanàna. Nifampiresaka izy ireo hoe: "Nahoana isika no tokony mijanona eto mandra-pahafatintsika? Raha hiteny isika hoe tokony hiditra ao amin'ny tanàna isika, kanefa misy mosary ao an-tanàna, dia ho faty any isika.
\v 4 Nefa raha hijanona eto isika dia mbola ho faty ihany koa. Ka andao, andao isika ho any amin'ny tafikin'ireo Syriana. Raha tsy mamono antsika izy ireo, dia ho velona isika, fa raha mamono antsika izy ireo, dia ho faty isika.
\s5
\v 5 Ka niainga izy ireo ny takariva mba hankany amin'ny tobin'ny Syriana; rehefa tonga teny amin'ny faritra ivelan'ny toby izy ireo, dia tsy nisy olona tao.
\v 6 Fa efa nampandrenesin'ny Tompo ny feon'ireo kalesy, sy ny feon'ireo soavaly—ny feon'ireo tafika lehibe hafa, ny tafikin'ny Syriana, ary nifampiresaka izy ireo hoe: "Ny mpanjakan'Israely dia efa nanakarama ireo mpanjakan'ireo Hetita sy ireo Egyptiana mba ho avy hanohitra antsika.
\s5
\v 7 Dia nanainga sy nandositra ireo miaramila ny takariva; navelan'izy ireo ny lainy, ireo soavaliny, ireo ampondrany, ary toy izany koa ny toby, ary nandositra ho an'ny ainy izy ireo.
\v 8 Rehefa tonga teo amin'ny faritra ivelan'ny toby ireo lehilahy boka ireo, dia niditra tao anatin'ny lay iray izy ireo ka nihinana sy nisotro, ary naka volafotsy sy volamena ary akanjo, dia nandeha ka nanafina ireo. Niverina izy ireo ary niditra tao amin'ny lay hafa dia nandroba ny tao ihany koa izy ireo, ary nandeha ka nanafina izany.
\s5
\v 9 Avy eo dia nifampiresaka izy ireo hoe: "Tsy manao ny marina isika. Andron'ny filazantsara izao andro izao, nefa mitazona fahanginana momba izany isika. Raha miandry mandra-pahazavan'ny andro isika, dia hisy famaizana hiatra amintsika. Ankehitriny ary, andao aoka isika handeha ary hilaza ny ankohonan'ny mpanjaka."
\v 10 Nandeha izy ireo ka niantso ireo mpiambina vavahady tao an-tanàna. Hoy ireo tamin'izy ireo: "Nankany amin'ny tobin'ireo Syriana izahay, nefa tsy nisy olona tao, tsy nisy feon'olona, fa ireo soavaly sy ampondra mifatotra no ao, ary ireo lay izay nitoerany."
\v 11 Dia nihiaka mafy ireo vaovao ny mpiambina vavahady, avy eo dia nolazaina tao amin'ny ankohonan'ny mpanjaka izany.
\s5
\v 12 Ary nifoha ny mpanjaka ny alina ary nilaza tamin'ireo mpanompony hoe: "Ankehitriny dia ambarako anareo ny nataon'ireo Syriana tamintsika. Fantatr'izy ireo fa mosarena isika, ka niala ny toby izy ireo mba hiafina any an-tsaha. Hoy izy ireo: "Rehefa mivoaka ny tanàna izy ireo, dia ho ataontsika sambo-belona, ka hidirantsika ny tanàna."'
\v 13 Namaly ny iray tamin'ireo mpanompon'ny mpanjaka sady niteny hoe: "Mitalaho aminao aho, avelao haka dimy amin'ireo soavaly tavela ireo lehilahy, dia izay tavela tao an-tanàna izany. Izy ireo dia tahaka ny ambin'ireo vahoakan'Israely rehetra izay tavela_fa efa maty ny ankamaroany ankehitriny; aoka isika handefa azy ireo ka hahita."
\s5
\v 14 Ka naka kalesy roa niaraka tamin'ny soavaly izy ireo, ka nirahan'ny mpanjaka hanaraka ireo tafikin'ireo Syriana izy ireo, nilaza hoe: "Mandehana ary jereo."
\v 15 Nandeha nanaraka azy ireo hatrany Jordana izy ireo, ka feno fitafiana sy fitaovana izay narian'i Syriana tamim-pikorompahana ny lalana rehetra. Dia niverina ny mpitondra hafatra ary nilaza tamin'ny mpanjaka.
\s5
\v 16 Nandositra ireo vahoaka sady nandroba ny tobin'ireo Syriana. Ka namidy ho sekely iray ny koba tsara toto eran'ny famarana, ary vary hordea roa famarana dia sekely iray, araka ny efa voalazan'ny tenin'i Yaveh.
\v 17 Nobaikon'ny mpanjaka ilay lehiben'ny mpiambina izay akaiky azy mba hiambina ny vavahady, ary voahitsakitsak'ireo vahoaka teo am-bavahady izy. Ary maty izy tahaka ny efa voalazan'ny lehilahin'Andriamanitra, izay niteny rehefa nidina teo aminy ny mpanjaka.
\s5
\v 18 Ka niseho izany araka ny efa nolazain'ny lehilahin'Andriamanitra tamin'ny mpanjaka hoe: "Amin'izao fotoana izao eo am-bavahadin'ny Samaria, dia azo vidina ho sekely iray ny vary hordea roa famarana, ary ny koba tsara toto iray famarana dia ho sekely iray."
\v 19 Namaly an'ilay lehilahin'Andriamanitra izany lehiben'ny mpiambina izany sady nilaza hoe: "Indro, na dia hanao varavarankely eny an-danitra aza i Yaveh, hitranga ve izany zavatra izany? Efa nilaza i Elisa hoe: "Indro, hahita ny fitrangan'izany amin'ny masonareo ianareo, kanefa tsy hihinana amin'izany ianareo.
\v 20 Toy izany tokoa no niseho taminy, satria voahitsakitsaky ny vahoaka teo am-bavahady izy, ary maty.
\s5
\c 8
\p
\v 1 Ary Elisa niresaka tamin-dravehivavy renin'ilay zaza izay novelominy. Hoy izy taminy: "Mitsangàna, ary mandehana miaraka amin'ny ankohonanao, ka mitoera na aiza na aiza azonao hitoerana any an-tany hafa, satria Yaveh efa niantso mosary ho tonga eto amin'ity tany ity mandritra ny fito taona."
\v 2 Ka dia nitsangana ravehivavy ary nankatò ny tenin'ilay lehilahin'Andriamanitra. Nandeha niaraka tamin'ireo ankohonany izy ary nipetraka tany amin'ny tanin'ny Filistina fito taona.
\s5
\v 3 Ary ny faran'ny fito taona dia niverina avy tao amin'ny tanin'ny Filistina ravehivavy, dia nankany amin'ny mpanjaka izy mba hiangavy ny amin'ny tranony sy ny amin'ny taniny.
\v 4 Ary ny mpanjaka niresaka tamin'i Gehazy mpanompon'ilay lehilahin'Andriamanitra, nanao hoe: "Mba lazao ahy re ireo zavatra lehibe rehetra izay nataon'i Elisa."
\s5
\v 5 Ka raha niteny tamin'ny mpanjaka ny fomba nameloman'i Elisa ilay zaza izay efa maty izy, dia tonga ilay vehivavy renin'ilay zaza novelominy mba hiangavy ny mpanjaka ny amin'ny tranony sy ny taniny. Hoy i Gehazy: "Ry mpanjaka, tompoko, ity ilay vehivavy, ary ity ny zanany lahy, izay novelomin'i Elisa."
\v 6 Rehefa nanontany an-dravehivavy momba ny zanany ny mpanjaka, dia nazavainy taminy izany. Ka nandidy manam-pahefana iray ho azy ny mpanjaka, nanao hoe: "Avereno aminy izay rehetra azy ary ny vokatry ny sahany rehetra hatramin'ny andro izay nandaozany ny tany ka hatramin'izao."
\s5
\v 7 Nankany Damaskosy tany amin'izay nahararian'i Beni-hadada mpanjakan'i Syria i Elisa. Nolazaina ny mpanjaka hoe: "Tonga eto ilay lehilahin'Andriamanitra."
\v 8 Hoy ny mpanjaka tamin'i Hazaela: "Mitondrà fanomezana eny an-tananao ary mandehana mitsena ilay lehilahin'Andriamanitra, ary manontania an'i Yaveh amin'ny alalany, manao hoe: "Ho sitrana amin'izao aretina izao ve aho?"'
\v 9 Dia nandeha nitsena azy i Hazaela ary nitondra fanomezana tamin'izay zava-tsoa isan-karazany avy tao Damaskosy, nentina rameva efapolo. Dia tonga i Hazaela ary nijoro teo anoloan'i Elisa ka nanao hoe: "Ny zanakao lahy Beni-hadada mpanjakan'i Syria no naniraka ahy ho aty aminao, manao hoe: 'Ho sitrana amin'izao aretina izao ve aho?"'
\s5
\v 10 Hoy i Elisa taminy: "Mandehana, lazao i Beni-hadada hoe: 'Ho sitrana tokoa ianao', nefa i Yaveh efa nampiseho ahy fa ho faty tokoa izy."
\v 11 Dia nibanjina an'i Hazaela mandra-pahamenatra azy i Elisa, dia nitomany ilay lehilahin'Andriamanitra.
\v 12 Nanontany i Hazaela hoe: "Nahoana ianao no mitomany, ry tompoko?" Namaly izy hoe: "Satria fantatro ny ratsy izay hataonao amin'ny vahoakan'Israely. Handoro ny fiarovana mafin'izy ireo ianao, ary hamono ny tovolahin'izy ireo amin'ny sabatra, handrasarasa ny zanaka madinik'izy ireo ianao, ary hanataka ny vehivavy bevohoka ao amin'izy ireo."
\s5
\v 13 Hazaela namaly hoe: "Iza moa ity mpanomponao, no hanao izany zavatra lehibe izany izy? Amboa fotsiny ihany izy." Namaly i Elisa hoe: "Efa nasehon'i Yaveh ahy fa ho lasa mpanjakan'i Syria ianao."
\v 14 Dia nandao an'i Elisa i Hazaela ary nankany amin'ny tompony, izay niteny taminy hoe: "Inona no nolazain'i Elisa taminao?" Namaly izy hoe: "Niteny tamiko izy fa ho sitrana tokoa ianao."
\v 15 Ary ny ampitso dia naka bodofotsy i Hazaela ary nanatsoboka izany tao anaty rano, ary namelatra izany teo amin'ny tavan'i Beni-hadada mba ho faty izy. Dia lasa mpanjaka nandimby ny toerany i Hazaela.
\s5
\v 16 Tamin'ny taona fahadimy nanjakan'i Jorama zanaka lahin'i Ahaba, mpanjakan'Israely, dia nanomboka nanjaka i Jehorama. Izy dia zanaka lahin'i Josafata mpanjakan'i Joda.
\v 17 Jehorama dia roa amby telopolo taona no nanomboka nanjaka, ary nanjaka nandritra ny valo taona tao Jerosalema izy.
\s5
\v 18 Nandeha tamin'ireo lalan'ny mpanjakan'Israely i Jehorama, tahaka izay nataon'ny ankohonan'i Ahaba; satria nanana ny zanaka vavin'i Ahaba ho vadiny izy, ka nanao izay ratsy teo imason'i Yaveh izy.
\v 19 Na dia izany aza, nohon'ny amin'i Davida mpanompony, dia tsy te-handrava an'i Joda i Yaveh, satria niteny taminy Izy fa hanome azy taranaka mandrakariva.
\s5
\v 20 Tamin'ny andron'i Jehorama, dia nikomy nanohitra ny tanan'i Joda i Edoma, ary nametraka mpanjaka ho an'ny tenany izy ireo.
\v 21 Avy eo dia niampita niaraka tamin'ireo mpifehiny sy ireo kalesiny rehetra i Jehorama. Dia nitsangana izy ny alina ka nanafika ary namely ireo Edomita, izay nanodidina azy sy ireo mpifehy ireo kalesy. Dia nandositra tany an-tranon'izy ireo ny tafik'i Jehorama.
\s5
\v 22 Ka nikomy nanohitra ny fitsipik'i Joda mandraka ankehitriny i Edoma. Nikomy ihany koa i Libna tamin'io fotoana io.
\v 23 Ary ny amin'ireo raharaha hafa mahakasika an'i Jerohama, izay rehetra nataony, moa tsy efa voasoratra ao amin'ny bokin'ireo tantaran'ny mpanjakan'i Joda ve izany?
\v 24 Maty ary nitsahatra niaraka tamin'ireo razany i Jehorama, ary nalevina niaraka tamin'ireo razany tao an-tanànan'i Davida. Dia i Ahazia zanany lahy no tonga mpanjaka nandimby toerany.
\s5
\v 25 Tamin'ny taona faharoa ambin'ny folo nanjakan'i Jorama zanaka lahin'i Ahaba, mpanjakan'Israely, no nanomboka nanjaka i Ahazia, zanaka lahin'i Jehorama, mpanjakan'i Joda.
\v 26 Roa amby roapolo taona i Ahazia no nanomboka nanjaka; nanjaka nandritra ny herin-taona tao Jerosalema izy. Ny anaran-dreniny dia Atalia; izy dia zanaka vavin'i Omry, mpanjakan'Israely.
\v 27 Ary nandeha tamin'ireo lalan'ny ankohonan'i Ahaba i Ahazia; nanao izay ratsy teo imason'i Yaveh izy, tahaka izay nataon'ny ankohonan'i Ahaba, satria i Ahazia dia vinanto lahy tamin'ny taranak'i Ahaba.
\s5
\v 28 Nandeha niaraka tamin'i Jorama zanaka lahin'i Ahaba i Ahazia, mba hiady amin'i Hazaela, mpanjakan'i Syria, ao Ramota-gileada. Nandratra an'i Jorama ireo Syriana.
\v 29 Niverina i Jorama mpanjaka mba hotsaboina any Jezirela amin'ireo ratra izay nataon'ireo Syriana taminy tao Rama, rehefa niady tamin'i Hazaela mpanjaka izy. Ary i Ahazia zanaka lahin'i Jehorama, mpanjakan'i Joda, nidina ho any Jezirela mba hijery an'i Jorama zanaka lahin'i Ahaba, satria naratra i Jorama.
\s5
\c 9
\p
\v 1 Niantso ny iray tamin'ireo zanaky ny mpaminany i Elisa mpaminany ka nanao taminy hoe: "Miankanjoa ho an'ny dia, ary raiso eo an-tananao ity tavoahangy kely misy diloilo ity ary mandehana any Ramota-gileada.
\v 2 Rehefa tonga ianao, dia tadiavo i Jeho zanaka lahin'i Josafata zanak'i Nemsy, ka midira ary ampitsangano eo amin'ireo namany ary ento ao anaty efitra anatiny iray izy.
\v 3 Ary alaivo ny tavoahangy misy diloilo ka araraho eo ambonin'ny lohany ary lazao hoe: 'Izao no lazain'i Yaveh: "Efa nosorako ho mpanjaka eo amin'Israely ianao.'" Avy eo dia sokafy ny varavarana, ka mandosira; dia aza mitaredretra."
\s5
\v 4 Ary nandeha tany Ramota-gileada, ilay tovolahy, mpaminany.
\v 5 Nony tonga izy, indreo, nipetraka ny kapitenin'ny tafika. Ary hoy ilay mpaminany zatovo: "Nitondra hafatra ho anao aho, ry kapiteny." Jeho namaly hoe: "Ho an'iza aminay izany?" Ilay mpaminany zatovo namaly hoe: "Ho anao, ry kapiteny."
\v 6 Ka nitsangana i Jeho ary niditra tany an-trano, ary nararak'ilay mpaminany zatovo teo ambonin'ny lohany ny diloilo ka hoy izy tamin'i Jeho: "Izao no lazain'Yaveh, ilay Andriamanitr'Israely: 'Efa nanosotra anao ho mpanjaka teo amin'ny olon'i Yaveh, teo amin'Israely Aho.
\s5
\v 7 Tsy maintsy vonoinao ny fianakavian'i Ahaba tomponao, mba hamaliako faty ny ràn'ireo mpaminany mpanompoko, sy ireo ràn'ireo mpanompon'i Yaveh rehetra, izay novonoin'ny tanan'i Jezebela.
\v 8 Fa ho ringana ny fianakavian'i Ahaba manontolo, ary ho foanako eo amin'i Ahaba ny zanaka lahy rehetra, na andevo izany na olona afaka.
\s5
\v 9 Ho ataoko tahaka ny ankohonan'i Jeroboama zanaka lahin'i Nebata sy tahaka ny ankohonan'i Basa zanaka lahin'i Ahia ny ankohonan'i Ahaba.
\v 10 Ireo amboa no hihinana an'i Jezebela ao Jezirela, ary tsy hisy olona handevina azy.'" Ary nosokafan'ilay mpaminany ny varavarana ka nandositra izy.
\s5
\v 11 Ary Jeho nivoaka teo amin'ireo mpanompon'ny tompony, ary nisy iray nanao taminy hoe: "Mandeha tsara ve ny zava-drehetra? Nahoana no nankao aminao iny olona marary saina iny? Jeho namaly azy ireo hoe: "Fantatrareo iny olona iny ary fantatrareo izay zavatra lazainy."
\v 12 Hoy izy ireo: "Lainga izany. Lazao anay." Jeho namaly hoe: "Toy izany sy izany no nolazainy tamiko, ary hoy koa izy hoe: "Izao no lazain'Yaveh: Efa nanosotra anao ho mpanjaka teo amin'Israely Aho.'"
\v 13 Ary dia samy nanala faingana ny akanjony ivelany izy ireo ka nametraka izany teo ambanin'i Jeho teny amin'ny farany ambonin'ny tohatra. Notsofin'izy ireo ny trompetra ary hoy izy ireo hoe: "Mpanjaka i Jeho."
\s5
\v 14 Izany no fomba nikomian'i Jeho zanaka lahin'i Josafata zanak'i Nimsy hanohitra an'i Jorama. Ary Jorama mpanjaka efa niaro an'i Ramota-gileada, izy sy ny Israely rehetra, noho i Hazaela mpanjakan'i Syria,
\v 15 kanefa niverina tany Jezirela i Jorama mpanjaka mba ho sitrana amin'ireo ratra izay nataon'ireo Syriana azy, rehefa niady tamin'i Hazaela mpanjakan'i Asyria izy. Hoy i Jeho tamin'ireo mpanompon'i Jorama: "Raha izany ny hevitrareo, dia aza avela hisy olona hitsoaka ary hivoaka ny tanàna, mba hilazana izao vaovao izao any Jezirela."
\v 16 Ka nitaingina kalesy nankany Jezirela i Jeho; satria naka aina tany i Jorama. Ary nandeha nidina mba hihaona amin'i Jorama i Ahazia mpanjakan'i Joda.
\s5
\v 17 Nitsangana teo amin'ny tilikambon'i Jezirela ny mpitily, ary hitany nanatona avy lavitra ireo naman'i Jeho; hoy izy: "Mahatazana andian'olona manatona aho." Jorama nanao hoe: "Makà mpitaingin-tsoavaly iray, ary alefaso mba hitsena azy ireo izy; lazao izy mba hiteny hoe: 'Tonga mba hihavana ve ianareo?'"
\v 18 Ka nalefa mba hitsena azy ilay mpitaingin-tsoavaly; ary hoy izy: "Izao no lazain'ny mpanjaka: 'Tonga mba hihavana ve ianareo?'" Ary hoy i Jeho: "Mpifaninona moa ianao sy ny fihavanana? Mihodina ary manaraha ahy." Ary nilaza tamin'ny mpanjaka ilay mpitily hoe: "Nihaona tamin'izy ireo ilay mpitondra hafatra, kanefa tsy niverina izy."
\s5
\v 19 Ary nandefa mpitaingin-tsoavaly iray faharoa izy, izay nankeny amin'izy ireo ka nanao hoe: "Izao no lazain'ny mpanjaka: 'Tonga mba hihavana ve ianareo?'" Jeho namaly hoe: "Mpifaninona moa ianao sy ny fihavanana? Mivilia ary manaraha ahy."
\v 20 Nitatitra indray ilay mpitily hoe: "Nihaona tamin'izy ireo izy, kanefa tsy niverina. Fa ny lalana izay nitondràna kalesy no lalana nandehan'i Jeho zanaka lahin'i Nismy; dia nirifatra mafy izy."
\s5
\v 21 Ka hoy i Jorama: "Homany ny kalesiko." Ary nomanin'izy ireo ny kalesiny, ary samy nitaingina ny kalesiny avy, i Jorama mpanjakan'Israely sy i Ahazia mpanjakan'i Joda, mba hihaona amin'i Jeho. Hitan'izy ireo tao amin'ny tanànan'i Nabota ilay Jezirelita izy.
\v 22 Rehefa hitan'i Jorama i Jeho, dia hoy izy: "Tonga mba hihavana ve ianao, ry Jeho?" Izy namaly hoe: "Inona no fihavanana eo, raha mbola maro be koa ny fanompoan-tsampy amin'ny asa fivarotan-tena sy ny ody ratsin'i Jezebela reninao?"
\s5
\v 23 Ary navilin'i Jorama ny kalesiny ka nandositra izy ary niteny tamin'i Ahazia hoe: "Misy fitaka, ry Ahazia."
\v 24 Ary dia nenjanin'i Jeho tamin'ny heriny rehetra ny tsipìkany ka notifiriny ny teo anelanelan'ny sorok'i Jorama; nitsatoka teo amin'ny fony ny zana-tsipìka, ka nianjera avy teo amin'ny kalesy izy.
\s5
\v 25 Ary hoy i Jeho tamin'i Bidkara kapiteniny: "Alaivo izy ary atsipazo ao amin'ny sahan'i Nabota ilay Jezirelita. Tsarovy tamin'ny izaho sy ianao niaraka nitondra kalesy nanaraka an'i Ahaba rainy, dia nametraka izany faminaniana izany hamelezana azy i Yaveh:
\v 26 Yaveh nanambara hoe—'Nahita ny ràn'i Nabota sy ny ràn'ireo zanany lahy Aho omaly—ary hampanonitra anao izany eto amin'ity saha ity tokoa Aho—hoy i Yaveh. Koa ankehitriny, alaivo izy ary atsipazo eo amin'io saha io, araka ny tenin'i Yaveh."
\s5
\v 27 Rehefa nahita izany i Ahazia mpanjakan'i Joda, dia nandositra niakatra tany amin'ny lalana mankany Beta Hagana izy. Fa i Jeho nanaraka azy, ary nanao hoe: "Vonoy eo amin'ny kalesy ihany koa izy," ary notifirin'izy ireo teo amin'ny fiakarana ho any Gora, izay eo akaikin'i Jibleama izy. Nandositra tany Megido i Ahazia ka dia maty tany.
\v 28 Nentin'ireo mpanompony tamin'ny kalesy nankany Jerosalema ny fatiny ary naleviny tao amin'ny fasany niaraka tamin'ireo razambeny tao an-tanànan'i Davida izy.
\s5
\v 29 Ary tamin'ny fahairaika ambin'ny folo taona nanjakan'i Jorama zanaka lahin'i Ahaba no nanomboka nanjaka teo amin'i Joda i Ahazia.
\s5
\v 30 Rehefa tonga tao Jezirela i Jeho, dia ren'i Jezebela izany, ary nandoko ny masony, sy nibango ny volony, ary nitazana teo am-baravarankely izy.
\v 31 Raha niditra ny vavahady i Jeho, dia hoy izy taminy hoe: "Tonga mba hihavana ve ianao, ry Zimry, mpamono ny tomponao?"
\v 32 Niandrandra teny am-baravarankely i Jeho ary hoy izy: "Iza no miandany amiko? Iza?" Avy eo dia nisy tandapa roa na telo nitazana.
\s5
\v 33 Ka dia hoy i Jeho: "Alatsaho izy." Ka nalatsak'izy ireo i Jezebela, ary ny sasany tamin'ny ràny nipitipitika teny amin'ny rindrina sy ireo soavaly, ka nosihosen'i Jeho tamin'ny tongony izy.
\v 34 Rehefa niditra tao amin'ny lapa i Jeho, dia nihinana sy nisotro izy. Ary hoy izy: "Jereo amin'izay ilay vehivavy voahozona ary aleveno izy, fa zanaka vavin'ny mpanjaka izy."
\s5
\v 35 Nandeha nandevina azy izy ireo, kanefa tsy nahita afa-tsy karandoha, sy tongotra, ary ny felatanany izy ireo.
\v 36 Ka niverina izy ireo ary niteny tamin'i Jeho. Hoy izy: "Izao ny tenin'i Yaveh izay noteneniny tamin'ny alalan'i Elia ilay Tisibita mpanompony, manao hoe: 'Ao amin'ny tany ao Jezirela no hihinanan'ireo amboa ny nofon'i Jezebela,
\v 37 ary ny fatin'i Jezebela dia ho tahaka ny zezika eo amin'ny velaran'ny saha eo amin'ny tany ao Jezirela, mba tsy hisy olona afaka hiteny hoe: "Jezebela io.""'
\s5
\c 10
\p
\v 1 Ary nanana taranaka fitopolo tany Samaria i Ahaba. Nanoratra taratasy i Jeho ka nandefa izany tany Samaria, ho an'ireo mpanapaka an'i Jezirela, tao anatin'izany ireo loholona sy ireo mpiambina ny taranak'i Ahaba, nilaza hoe:
\v 2 "Eo aminareo ireo taranaky ny tomponareo, ary manana kalesy sy soavaly ary tanàna voaaro sy akanjo fiarovana ihany koa ianareo. Noho izany, raha vao tonga eo aminareo ity taratasy ity,
\v 3 dia safidio izay tsara sy mendrika indrindra amin'ireo taranaky ny tomponareo ka apetraho ho eo amin'ny seza fiandrianan-drainy izy, ary miadia ho an'ny fianakavian'ny mpanjaka tomponao."
\s5
\v 4 Fa nihorohoro izy ireo ka nifampilaza hoe: "Indro, mpanjaka roa aza tsy nahajanona teo anatrehan'i Jeho. Koa ahoana moa no hahajanonantsika?"
\v 5 Avy eo ilay lehilahy izay misahana ny lapa, sy ilay lehilahy nanapaka ny tanàna, sy ireo loholona ihany koa, ary ireo izay nitaiza ireo zaza, dia nandefa teny niverina tany amin'i Jeho, nilaza hoe: "Mpanomponao izahay. Hataonay izay rehetra handidianao anay, tsy hametraka olona ho mpanjaka izahay. Ataovy izay fantatrao fa mety eo imasonao."
\s5
\v 6 Ary nanoratra taratasy fanindroany ho azy ireo i Jeho, nilaza hoe: "Raha miandany amiko ianareo, ary raha mihaino ny feoko ianareo, dia tsy maintsy tapahinareo ny lohan'ireo lehilahy taranaky ny tomponareo, ary mankanesa aty amiko aty Jezirela rahampitso amin'ny ora toy izao." Ankehitriny ireo taranaky ny mpanjaka, miisa fitopolo, dia niaraka tamin'ireo lehilahy manan-danja teo an-tanàna, izay nitaiza azy ireo.
\v 7 Ka rehefa tonga teo amin'izy ireo ilay taratasy, dia nalainy ireo zanaka lahin'ny mpanjaka ka novonoiny, olona fitopolo, nataony tao anaty sobika ny lohan'izy ireo, ary nalefany tany amin'i Jeho tany Jezirela ireo.
\s5
\v 8 Nisy mpitondra hafatra tonga teo amin'i Jeho, nilaza hoe: "Efa nitondra ny lohan'ireo zanaka lahin'ny mpanjaka izy ireo." Ka hoy izy: "Ataovy antontan-javatra roa ho eo amin'ny vavahady fidirana izy ireo mandra-maraina."
\v 9 Ny maraina i Jeho dia nivoaka ka nitsangana, ary niteny tamin'ny vahoaka rehetra hoe: "Tsy manan-tsiny ianareo. Indro, nikomy tamin'ny tompoko aho ka namono azy, fa iza no namono ireto rehetra ireto?
\s5
\v 10 Ankehitriny dia tokony ho tsapanareo tokoa fa tsy nisy tamin'ny tenin'i Yaveh, ny teny izay nolazainy mahakasika ny fianakavian'i Ahaba, hiraraka amin'ny tany, satria Yaveh no nanao araka izay nolazainy tamin'ny alalan'i Elia mpanompony."
\v 11 Ka novonoin'i Jeho izay sisa tavela tamin'ny fianakavian'i Ahaba tany Jezirela, sy ireo lehilahy manan-danjany, ireo namany akaiky, ireo mpisorony, mandra-pahalany tamingana azy ireo.
\s5
\v 12 Avy eo dia nitsangana i Jeho ka lasa; nankany Samaria izy. Ary raha vao tonga tao Bet-ekedan'ny mpiandry ondry izy,
\v 13 dia nifanena tamin'ireo rahalahin'i Ahazia mpanjakan'i Joda. Hoy i Jeho tamin'izy ireo: "Iza ianareo?" Namaly izy ireo hoe: "Rahalahin'i Ahazia izahay, ary hidina mba hiarahaba ireo zanaky ny mpanjaka sy ireo zanak'i Jezebela Mpanjakavavy izahay."
\v 14 Hoy i Jeho tamin'ireo lehilahiny: "Ataovy sambo-belona izy ireo." Ka nataon'izy ireo sambo-belona izy ireo ary novonoiny tany amin'ny lavaka famorian-dranon'i Bet-ekda, ireo roa amby efapolo lahy. Tsy nisy navelany ho velona izy ireo.
\s5
\v 15 Rehefa niala teo i Jeho, dia nifanena tamin'i Jonadaba zanaka lahin'i Rekaba ary nanatona azy. Niarahaba azy i Jeho ka nilaza taminy hoe: "Miaraka amiko ve ny fonao, tahaka ny foko izay miaraka amin'ny anao?" Namaly i Jonadaba hoe: "Izany tokoa." Hoy i Jeho: "Raha izany tokoa no izy, dia atolory ahy ny tananao." Ka natolotr'i Jonadaba azy ny tanany, ary nampiakarin'i Jeho niaraka taminy teo amin'ny kalesiny i Jonadaba.
\v 16 Hoy i Jeho "Miaraha amiko ka jereo ny zotom-poko ho an'i Yaveh." Ka niara-nandeha taminy tao amin'ny kalesiny i Jonadaba.
\v 17 Raha tonga tany Samaria izy, dia novonoin'i Jeho avokoa ny taranak'i Ahaba izay sisa tavela tany Samaria, mandra-pandringanany ny fianakavian'i Ahaba mpanjaka, araka izay efa nolazaina tamin'izy ireo tany aloha tamin'ny alalan'ny tenin'i Yaveh, izay nolazainy tamin'i Elia.
\s5
\v 18 Ary nampivory ny olona rehetra niaraka i Jeho ka niteny tamin'izy ireo hoe: "Ahaba dia nanompo an'i Bala kelikely ihany, fa i Jeho kosa hanompo azy fatratra.
\v 19 Ankehitriny ary antsoy ho eto amiko avokoa ireo mpaminan'i Bala rehetra, sy ireo mpanompo azy rehetra, ary ireo mpisorony rehetra. Aoka tsy hisy tavela, satria manana fanatitra lehibe hatolotra ho an'i Bala aho. Izay rehetra tsy tonga dia tsy ho velona." Fa nataon'i Jeho izany mba ho famitahana, tamin'ny fikasany hamono ireo mpanompon'i Bala.
\v 20 Hoy i Jeho: "Manokàna fotoana iray mba hanaovana fivoriana ho an'i Bala." Ka nambaran'izy ireo izany.
\s5
\v 21 Ary naniraka manerana an'Israely rehetra sy ireo mpanompo an'i Bala rehetra i Jeho, mba tsy hisy olona tavela ka tsy tonga. Tonga tao amin'ny tempolin'i Bala izy ireo, ary feno na hatraiza na hatraiza.
\v 22 Nilaza tamin'ilay lehilahy mpitahiry ny akanjon'ny mpisorona i Jeho hoe: "Mamoaha akanjo ho an'ireo mpisoron'i Bala rehetra." Ka namoaka akanjo ho azy ireo ilay lehilahy.
\s5
\v 23 Ary lasa niaraka tamin'i Jonadaba zanaka lahin'i Rekaba ho ao an-tranon'i Bala i Jeho, ary hoy izy tamin'ireo mpanompon'i Bala: "Zahao, ary ataovy azo antoka fa tsy hisy avy amin'ny mpanompon'i Yaveh ny iray aminareo eto, fa mpanompon'i Bala ihany."
\v 24 Dia nandeha nanolotra sorona sy fanatitra dorana izy ireo. Ary nifidy lehilahy valopolo hitsangana eo ivelany i Jeho, ary hoy izy tamin'izy ireo: "Raha misy tafatsoaka amin'ireo lehilahy izay entiko eo an-tananareo, na iza na iza mamela izany olona izany handositra, dia ho esorina aminy ny ainy ho solon'ilay tafatsoaka."
\s5
\v 25 Ary vantany vao vitan'i Jeho ny fanolorana ny fanatitra dorana, dia hoy izy tamin'ilay mpiambina sy ireo kapiteny: "Midira ka vonoy izy ireo. Aza avela hisy ho tafavoaka."
\v 26 Ka novonoin'izy ireo tamin'ny lelan-tsabatra ireo, ary ny mpiambina sy ireo kapiteny nanipy azy ireo tany ivelany ary niditra tao an'efitra anatin'ny tranon'i Bala. Notarihin'izy ireo nivoaka ny andry vato tao an-tranon'i Bala, ary nodoran'izy ireo izany.
\v 27 Avy eo dia narodan'izy ireo ny andrin'i Bala, ka noravainy ny tranon'i Bala ary nataony trano fivoahana, ary mandraka ankehitriny izany.
\v 28 Toy izany no nandravan'i Jeho ny fanompoana an'i Bala tany Israely.
\s5
\v 29 Kanefa tsy nandao ireo fahotan'i Jeroboama zanaka lahin'i Nebata i Jeho, izay nampanotàny ny Israely_izay fanompona ny ombilahy kely volamena tany Betela sy Dana.
\v 30 Ka hoy i Yaveh tamin'i Jeho hoe: "Satria ianao nanao izay tsara tamin'ny fanatanterahana izay marina teo imasoko, ary nanao ny ankohonan'i Ahaba araka izay rehetra tato am-poko, ireo taranakao dia hipetraka eo amin'ny seza fiandrianan'Israely hatramin'ny taranaka fahefatra."
\v 31 Fa tsy niraraha izay handeha amin'ny lalàn'i Yaveh, ilay Andriamanitr'Israely, tamin'ny fony manontolo i Jeho. Tsy niala tamin'ny fahotan'i Jeroboama izy, izay nampanotàny ny Israely.
\s5
\v 32 Tamin'ireo andro ireo i Yaveh no nanomboka nametra ny faritr'Israely, ary i Hazaela nandresy ireo Israelita teny amin'ny sisin-tanin'ny Israely,
\v 33 hatrany Jordana no ho miantsinanana, ny tanin'i Gileada rehetra, ny Gadita, ary ny Robenita, sy ny Manasita, avy any Aroera, izay avy eo amin'ny lohasahan'i Arnona, hatrany Gileada ka hatrany Basana.
\s5
\v 34 Raha ny amin'ireo raharaha hafa mahakasika an'i Jeho, sy izay rehetra nataony, sy ny fahefany rehetra, moa tsy efa voasoratra ao amin'ny bokin'ny tantaran'ny mpanjakan'Israely ve izany?
\v 35 Nodimandry niaraka tamin'ireo razambeny i Jeho, ary nalevin'izy ireo tany Samaria izy. Ary i Joahaza zanany lahy no lasa mpanjaka nandimby azy.
\v 36 Valo amby roapolo taona ny fotoana nanjakan'i Jeho teo amin'Israely tany Samaria.
\s5
\c 11
\p
\v 1 Nony hitan'i Atalia, renin'i Ahazia, fa maty ny zanany, dia nitsangana izy ary namono ny zanaky ny mpanjaka rehetra.
\v 2 Nefa i Joseba, zanaka vavin'i Jehorama Mpanjaka aryy anabavin'i Ahazia, dia naka an'i Joasy zanak'i Ahazia, ary nanafina azy lavitra teo amin'ireo zanaky ny mpanjaka izay novonoina, miaraka amin'ny mpitaiza azy; nataony tao amin'ny efitrano fatoriana izy ireo.
\v 3 Nafenin'izy ireo an'i Atalia izy mba tsy hovonoina. Niaraka tamin'i Joseba izy, nafenina tao an-tranon'i Yaveh, nandritra ny enin-taona, raha mbola nanjaka teo amin'ny tany i Atalia.
\s5
\v 4 Ary tamin'ny taona fahafito, dia nandefa hafatra sy nitondra ireo mpifehy ny Karita sy ny mpiambina an-jatony i Joiada, ary nitondra azy ireo ho azy, tao an-tempolin'i Yaveh. Dia nanao fanekena tamin'izy ireo izy, ka nasainy nanao voady tao an-tranon'i Yaveh izy ireo. Avy eo dia nasehony azy ireo ny zanaky ny mpanjaka.
\v 5 Nibaiko azy ireo izy, nanao hoe: "Izao no tsy maintsy ataonareo. Ny telo aminareo izay tonga amin'ny andro Sabata dia hiambina ny tranon'ny mpanjaka,
\v 6 ary ny telo ho ao amin'ny Vavahadin'ny Sora, ary ny telo ao am-bavahady ao ahorian'ny trano fiambenana."
\s5
\v 7 Ireo vondrona roa hafa izay tsy manompo amin'ny andro Sabata, dia tsy maintsy miambina ny tranon'i Yaveh ho an'ny mpanjaka ianareo.
\v 8 Tokony mihodidina ny mpanjaka ianareo, ary ny olona rehetra miaraka amin'ny fitaovam-piadiany eny an-tanany. Na iza na iza miditra eo an-daharanareo, dia aoka hovonoina izy. Tsy maintsy hanaraka ny mpanjaka ianareo rehefa mivoaka, sy rehefa miditra izy.
\s5
\v 9 Ary ireo mpifehy an-jatony dia nankatò ny zavatra rehetra izay nandidian'i Joiada mpisorona. Samy naka ny olony ny tsirairay, ireo izay niditra mba hanompo tamin'ny Sabata, sy ireo izay hitsahatra hanompo tamin'ny Sabata; dia nandeha tany amin'i Joiada mpisorona izy ireo.
\v 10 Ary nomen'i Joiada mpisorona ny mpifehy an-jatony ny lefona sy ny apinga izay an'i Davida Mpanjaka sy izay tao an-tranon'i Yaveh.
\s5
\v 11 Ary nitsangana ireo mpiambina, ny olona tsirairay miaraka amin'ny fitaovam-piadiany eny an-tanany, teo ankavanan'ny tempoly hatrany ankavia, akaikin'ny alitara sy ny tempoly, miodidina ny mpanjaka.
\v 12 Dia nentin'i Joiada nivoaka i Joasy zanaky ny mpanjaka, nametrahany satro-boninahitra, ary nomeny azy ny didy fanekena. Dia nataony mpanjaka sy nosoran'izy ireo izy. Nitehaka izy ireo ary niteny hoe: "Ho ela velona anie ny mpanjaka!"
\s5
\v 13 Rehefa ren'i Atalia ny tabataban'ireo mpiambina sy ny olona, dia nankao amin'ny olona tao an-tranon'i Yaveh izy.
\v 14 Nijery izy, ary indro, ny mpanjaka nitsangana teo akaikin'ny tsangam-bato, araka ny fanao, ary ireo kapiteny sy ireo mpitsoka trompetra dia teo anilan'ny mpanjaka. Ary ny olona rehetra teo amin'ny tany dia nifaly sy nitsoka trompetra. Dia nandriatra ny akanjony i Atalia ka nihiaka mafy hoe: "Mpamadika! Mpamadika!"
\s5
\v 15 Avy eo i Joiada mpisorona nandidy ireo mpifehy an-jatony izay teo amin'ny tafika, nanao hoe: "Avoay eo an-daharana izy. Na iza na iza manaraka azy, dia vonoy amin'ny sabatra izy." Fa ny mpisorona nilaza hoe: "Aza avela hovonoina ao an-tranon'i Yaveh izy."
\v 16 Ka nisambotra azy izy ireo raha tonga teo amin'ilay toerana izay fidiran'ny soavaly ao an-kianjan'ny lapa izy, ary teo no namonoana azy.
\s5
\v 17 Ary nanao fanekena teo amin'i Yaveh sy ny mpanjaka ary ny vahoaka i Joiada, ary teo amin'ny mpanjaka sy ny olona ihany ko, mba ho olon'i Yaveh izy ireo.
\v 18 Ary ny olona rehetra teo amin'ny tany nankany amin'ny tranon'i Bala ka nanimba izany. Namotipotika ireo alitaran'i Bala sy ny sampiny vosokitra izy ireo, ary namono an'i Matana, ilay mpisoron'i Bala teo anoloan'ireo alitara izy ireo. Ary Joiada mpisorona nanendry ireo mpiambina hifehy ny tempolin'i Yaveh.
\s5
\v 19 Nentin'i Joiada nanaraka azy ny mpifehy an-jatony, ireo Karita, ny mpiambina, ary ny olona rehetra teo amin'ny tany, ary niaraka nitondra ny mpanjaka nidina avy tany an-tranon'i Yaveh izy ireo, ka niditra tao an-tranon'ny mpanjaka, miditra amin'ny lalana eo am-bavahadin'ireo mpiambina. Naka ny toerany teo amin'ny seza fiandrianan'ny mpanjaka i Joasy.
\v 20 Ary nifaly ny olona rehetra teo amin'ny tany, ka nilamina ny tanàna taorian'ny namonoana an'i Atalia tamin'ny sabatra tao an-tranon'ny mpanjaka.
\s5
\v 21 Fito taona i Joasy no nanomboka nanjaka.
\s5
\c 12
\p
\v 1 Tamin'ny fahafito taona nanjakan'i Jeho, no nanomboka ny fanjakan'i Joasy; nanjaka nandritra ny efapolo taona tao Jerosalema izy. Zibia no anaran-dreniny, avy any Beri-sheba.
\v 2 Nanao izay marina teo imason'i Yaveh i Joasy tamin'ny fotoana rehetra, satria nampianatra azy i Joiada mpisorona. Kanefa ireo toerana avo tsy noravàna.
\v 3 Mbola nanao sorona sy nandoro ditin-kazo manitra teo amin'ireo toerana avo ihany ny vahoaka.
\s5
\v 4 Hoy i Joasy tamin'ireo mpisorona hoe: "Ny vola rehetra izay nentina ho fanatitra masina tao an-tranon'i Yaveh, dia ny vola izay notombanan'ny olona tsirairay—na ny vola nangonina tamin'ny fanisam-bahoaka izany, na ny vola azo tamin'ny voady manokana, na ny vola nentin'ny olona tamin'ny fandrisihan'i Yaveh tao am-pon'izy ireo mba hanome—
\v 5 dia tokony ho raisin'ireo mpisorona ny vola avy amin'ny iray amin'ireo haren'izy ireo ary hanamboarana izay fahavoazana hita tao an-tempoly."
\s5
\v 6 Fa tamin'ny fahatelo amby roapolo taona nanjakan'i Joasy Mpanjaka, dia tsy nanamboatra na inona na inona tao an-tempoly ireo mpisorona.
\v 7 Ary niantso an'i Joiada mpisorona sy ireo mpisorona hafa i Joasy mpanjaka; hoy izy tamin'izy ireo hoe: "Nahoana ianareo no tsy nanamboatra na inona na inona tao an-tempoly? Ankehitriny aza maka vola amin'ny mpandoa hetra intsony, fa raiso izay efa voaangona mba hanamboarana ny tempoly ary omeo an'ireo izay afaka manao ny fanamboarana izany."
\v 8 Noho izany dia nanaiky tsy hitaky vola amin'ny vahoaka sy tsy hanamboatra ny tempoly intsony ireo mpisorona.
\s5
\v 9 Fa kosa, naka vata iray Joiada mpisorona, nandoaka ny sarony, ary nametraka izany teo akaikin'ny alitara, teo ankavanan'ny fidirana ao amin'ny tranon'i Yaveh. Ireo mpisorona izay niandry ny fidirana ao an-tempoly dia nametraka ny vola rehetra izay nentina ho ao an-tranon'i Yaveh tao amin'izany.
\v 10 Isaky ny hitan'izy ireo fa be vola tao anatin'ilay vata, dia tonga ny mpanora-dalàn'ny mpanjaka sy ny mpisoronabe ary nametraka ny vola tao anaty kitapo ary manisa izany avy eo, ilay vola hita tao an-tempolin'i Yaveh.
\s5
\v 11 Natolotr'izy ireo teo an-tanan'ireo lehilahy izay nikarakara ny tempolin'i Yaveh ny vola izay voalanja. Nomen'izy ireo an'ireo mpandrafitra sy ireo mpanamboatra izay niasa tao an-tempolin'i Yaveh izany,
\v 12 ary ho an'ireo mpanao trano sy ireo mpikapoka vato, mba hividianana hazo sy vato voakapa mba hanamboarana ny tempolin'i Yaveh, sy ho an'ny zavatra rehetra izay ilaina vidiana hanamboarana izany.
\s5
\v 13 Fa ny vola nentina tao an-tranon'i Yaveh dia tsy nanomezana hividianana lovia volafotsy, antsy, koveta, trompetra, na fanaka volafotsy na volamena ho an'izany.
\v 14 Nomen'izy ireo an'ireo izay nanao ny asa fanamboarana ilay tranon'i Yaveh izany vola izany.
\s5
\v 15 Fanampin'izany, tsy nangataka ilay vola nomena hanaovana fanamboarana mba ho isain'ireo lehilahy izay nandray izany izy ireo ary nanome izany ho an'ireo mpiasa, satria marina ireo lehilahy ireo.
\v 16 Fa ny vola ho an'ny fanatitra nohon'ny heloka sy ny fanatitra nohon'ny ota dia tsy nentina tao an-tempolin'i Yaveh, satria an'ireo mpisorona izany.
\s5
\v 17 Ary nanafika sy niady tamin'i Gata i Hazaela mpanjakan'i Syria, ary nahazo izany. Avy eo dia nitodika hanafika an'i Jerosalema i Hazaela.
\v 18 Nalain'i Joasy mpanjakan'i Joda ny zavatra rehetra izay natokan'i Josafata sy Jehorama ary Ahazia, ireo razambeny, ireo mpanjakan'i Joda, sy ireo volamena hita tao amin'ny efitra fitehirizana tao an-tranon'i Yaveh sy ny mpanjaka ary nandefa ireo tany amin'i Hazaela mpanjakan'i Syria. Dia lasa niala tao Jerosalema i Hazaela.
\s5
\v 19 Raha ny amin'ireo raharaha hafa mahakasika an'i Joasy, izay rehetra nataony, moa tsy efa voasoratra ao amin'ny bokin'ny tantaran'ireo mpanjakan'i Joda ve izany?
\v 20 Nitsangana ireo mpanompony ary niara-nanao tetika; notafihan'izy ireo tany Beti-milo i Joasy, any amin'ny lalana midina mankany Sila.
\v 21 Notafihan'i Jozakara zanaka lahin'i Simata, sy Jozabada zanaka lahin'i Somera, mpanompony izy, ka maty. Nalevin'izy ireo niaraka tamin'ireo razambeny tao amin'ny tanànan'i Davida i Joasy, ary Amazia, zanany lahy, no lasa mpanjaka teo amin'ny toerany.
\s5
\c 13
\p
\v 1 Tamin'ny taona fahatelo amby roapolo naha-mpanjakan'i Joda an'i Joasy zanaka lahin'i Ahazia, no nanomboka nanjaka teo amin'Israely tany Samaria i Joahaza; fito ambin'ny folo taona izy no nanjaka.
\v 2 Nanao izay ratsy teo imason'i Yaveh izy ary nanaraka ireo fahotan'i Jeroboama zanaka lahin'i Nebata, izay nahatonga an'Israely hanota; ary tsy niala tamin'izany i Joahaz.
\s5
\v 3 Nirehitra tamin'Israely ny fahatezeran'i Yaveh, ary nanolotra azy ireo teny an-tanan'i Hazaela mpanjakan'i Syria hatrany Izy ary teny an-tanan'i Beni-Hadada zanaka lahin'i Hazaela.
\v 4 Ka dia niangavy an'i Yaveh i Joahaza, ary nihaino azy Izy satria hitany ny fampahoriana ny Israely, ny fomba nampahorian'ny mpanjakan'i Syria azy ireo.
\v 5 Ka nomen'i Yaveh mpamonjy ny Israely, ary nitsoaka avy tamin'ny tanan'ireo Syriana izy ireo, ary ny zanak'Israely nanomboka nitoetra tany amin'ireo fonenany arak'izay nananan'izy ireo tany aloha.
\s5
\v 6 Na izany aza anefa, dia tsy niala tamin'ireo fahotan'ny ankohonan'i Jeroboama izy ireo, izay nahatonga ny Israely hanota, ary nanohy izany izy ireo, ary ny baon'Aseraha nijanona tany Samaria.
\v 7 Ka nandao an'i Joahaza ireo Syriana niaraka tamin'ny mpitaingin-tsoavaly dimampolo, kalesy folo, ary miaramila an-tongotra iray alina fotsiny, fa ny mpanjakan'i Syria efa nandrava azy ireo, ary nanao azy ireo toy ny akofa amin'ny fotoam-pikosoham-bary.
\s5
\v 8 Raha ny amin'ireo zavatra hafa mahakasika an'i Joahaza, sy izay nataony rehetra ary ny fahefany, moa tsy efa voasoratra ao amin'ny bokin'ny tantaran'ireo mpanjakan'Israely ve izany?
\v 9 Ka nodimandry tany amin'ireo razany i Joahaza, ary nandevina azy tany Samaria izy ireo. Dia i Joasy zanany lahy no lasa mpanjaka teo amin'ny toerany.
\s5
\v 10 Tamin'ny taona fahafito amby telopolo naha-mpanjakan'i Joda an'i Joasy, ny fanjakan'i Joasy zanaka lahin'i Joahaza dia nanomboka teo amin'Israely tany Samaria; enina ambin'ny folo taona no nanjakany. Nanao izay ratsy teo imason'i Yaveh izy.
\v 11 Tsy mbola niala tamin'ireo fahotan'i Jeroboama zanaka lahin'i Nebata izy, izay nampatonga an'Israely hanota, saingy tany amin'ireny no nandehanany.
\s5
\v 12 Raha ny amin'ireo zavatra hafa mahakasika an'i Joasy, sy izay nataony rehetra, ary ny heriny tamin'izay niadiany tamin'i Amazia mpanjakan'i Joda, moa tsy efa voasoratra ao amin'ny bokin'ny tantaran'ireo mpanjakan'ny Israely ve izany?
\v 13 Dia nodimandry tany amin'ireo razambeny i Joasy, ary i Jeroboama no nipetraka teo amin'ny seza fiandrianany. Dia nalevina niaraka tamin'ireo mpanjaka tany Samaria i Joasy.
\s5
\v 14 Ary narary nohon'ny aretina iray izay nahafaty azy i Elisa taty aoriana, ka nidina tany aminy i Joasy mpanjakan'Israely ary nitomany teo aminy. Hoy izy hoe: "Ry raiko, ry raiko, ireo kalesin'ny Israely sy ny mpitaingin-tsoavaly no maka anao!"
\v 15 Dia hoy i Elisa taminy: "Makà tsipìka ary zana-tsipìka maromaro" Ka dia naka tsipìka sy zana-tsipìka maromaro i Joasy.
\v 16 Hoy i Elisa tamin'ny mpanjakan'Israely hoe: "Ataovy eo amin'ilay tsipìka ny tananao," Ka nataony teo amin'izany ny tanany. Avy eo napetrak'i Elisa teo amin'ny tanan'ny mpanjaka ny tanany.
\s5
\v 17 Hoy i Elisa hoe: "Sokafy miantsinana ny varavarankely." Dia nosokafany izany. Dia hoy i Elisa hoe: "Tifiro", ka nitifitra izy. Dia hoy i Elisa: "Izany no zana-tsipìkam-pandresen'i Yaveh, zana-tsipìkam-pandresen'i Yaveh teo amin'i Syria, fa hanafika ireo Syriana any Afeka ianao mandra-pahalevonao azy ireo."
\v 18 Dia hoy i Elisa hoe: "Raiso ireo zana-tsipìka," ka noraisin'i Joasy ireo. Dia hoy izy tamin'ny mpanjakan'Israely hoe: "Kapohy amin'ireny ny tany," ka nikapoka ny tany intelo izy, ary nijanona avy eo.
\v 19 Saingy tezitra taminy ilay lehilahin'Andriamanitra ka nanao hoe: "Tokony indimy na inenina no namelezanao ny tany. Avy eo dia tokony nanafika an'i Syria ianao mandra-paharinganao izany, nefa ankehitriny intelo ihany ianao no hanafika an'i Syria."
\s5
\v 20 Avy eo dia maty i Elisa, ary nandevina azy izy ireo. Ary nisy andiana Moabita nanafika ny tany tamin'ny fiatombohan'ny taona.
\v 21 Raha nandevina ilay lehilahy izy ireo, dia nahita andiana Moabita iray izy, ka nanipy ilay vatana tao am-pasan'i Elisa. Raha vantany vao nahakasika ny taolan'i Elisa ny vatana mangatsiakan'ilay lehilahy, dia velona indray izy ary nitsangana.
\s5
\v 22 Nampahory ireo Israely tamin'ny andron'i Joahaza mpanjaka rehetra i Hazaela mpanjakan'i Syria.
\v 23 Nefa namindra fo ny Israely i Yaveh, ka nangoraka azy ireo ary nihantra azy ireo, nohon'ny fanekem-pihavanana nataony tamin'i Abrahama, Isaka, ary Jakoba. Ka tsy nandringana azy ireo i Yaveh, ary mbola tsy nandroaka azy ireo tamin'ny fanatrehany Izy.
\v 24 Maty i Hazaela mpanjakan'i Syria, ka i Beni-hadada zanany lahy no lasa mpanjaka teo amin'ny toerany.
\v 25 Namerina ireo tanàna izay nalaina tamin'i Joahaza rainy tamin'ny ady tamin'i Beni-hadada zanak'i Hazaela i Joasy zanak'i Hazaela. Intelo i Joasy no nanafika azy, ary naka ireo ny tanànan'Israely ireo indray izy.
\s5
\c 14
\p
\v 1 Tamin'ny faharoa taona naha-mpanjaka an'i Joasy zanaka lahin'i Joahaza, mpanjakan'Israely, dia nanomboka nanjaka i Amazia zanak'i Joasy, mpanjakan'i Joda.
\v 2 Dimy amby roapolo taona izy no nanomboka nanjaka; nanjaka sivy amby roapolo taona tao Jerosalema izy. Ny anaran'ny reniny dia i Joadana, avy any Jerosalema.
\v 3 Nanao izay marina teo imason'i Yaveh izy, fa tsy tahaka an'i Davida rainy. Izy dia nanao ny zavatra rehetra izay nataon'i Joasy, rainy.
\s5
\v 4 Saingy tsy nesorina ireo toerana avo. Nanohy nanao sorona sy nandoro ditin-kazo manitra teny amin'ireo toerana avo ireo ny olona.
\v 5 Ary raha vantany vao tafapetraka tsara ny fitondràny, dia novonoiny ireo mpanompo izay namono ny rainy, dia ny mpanjaka.
\s5
\v 6 Fa mbola tsy novonoiny ny zanak'ireo mpamono olona, fa nanao araka ny voasoratra tao amin'ny lalàna, tao amin'ny Ny Bokin'i Mosesy kosa izy, araka ny efa nandidian'i Yaveh, nanao hoe: "Tsy tokony ho vonoina nohon'ny fahotan'ireo zanany ireo ray, na ho vonoina nohon'ny fahotan'ireo ray aman-dreniny ireo zanany. Fa ny olona tsirairay kosa dia tokony ho vonoina nohon'ny fahotany manokana."
\v 7 Namono miaramila Edomita iray alina izy tao amin'ny Lohasahan-tsira izy; nalainy tany an'ady ihany koa i Sela, ary nantsoiny hoe: Joktela, izay fiantsoana azy mandraka ankehitriny.
\s5
\v 8 Ary nandefa mpitondra hafatra ho any amin'i Joasy zanaka lahin'i Joahaza, zanaka lahin'i Jeho, mpanjakan'Israely i Amazia nanao hoe: "Avia, andao isika hifanandrina any an'ady."
\v 9 Saingy Joasy mpanjakan'Israely dia nandefa mpitondra hafatra hiverina tany amin'i Amazia mpanjakan'i Joda, nanao hoe: "Ny tsilo izay tany Libanona dia nampitondra hafatra ho an'ny sedera tao Libanona, nanao hoe: 'Omeo ho vadin'ny zanako lahy ny zanakao vavy,' saingy nisy bibi-dia nandalo ary nanitsaka ilay tsilo.
\v 10 Efa nanafika an'i Edoma tokoa ianao, efa nanandratra anao ny fonao. Mireharehà amin'ny fandresenao, saingy mijanòna ao an-trano, fa nahoana ianao no tokony hanakorontana sy handavo ny tenanao, dia ianao sy i Joda niaraka taminao?"
\s5
\v 11 Fa tsy nihaino i Amazia. Ka nanafika i Joasy mpanjakan'Israely ary nifanatri-tava tao Bety-semesy izy sy Amazia, mpanjakan'i Joda, izay an'i Joda.
\v 12 Resin'Israely i Joda, ary nandositra nody ny lehilahy rehetra.
\s5
\v 13 Nosamborin'i Joasy mpanjakan'Israely tao Beti- semesy i Amazia mpanjakan'i Joda zanak'i Joasy zanaka lahin'i Ahazia. Tonga tao Jerosalema izy ary nandrodana ny rindrina nanomboka teo amin'ny vavahadin'i Efraima hatrany amin'ny Vavahady Zorony, efajato hakiho ny halavirany.
\v 14 Nalainy avokoa ny volamena sy ny volafotsy rehetra, ireo zavatra rehetra hita tao an-tranon'i Yaveh, sy ireo zavatra manan-danja rehetra tao amin'ny lapan'ny mpanjaka, niaraka tamin'ireo takalon'aina ihany koa, ary niverina tany Samaria izy.
\s5
\v 15 Raha ny amin'ireo zavatra hafa mahakasika an'i Joasy, izay rehetra nataony, ny fahefany, ary ny fomba niadiany tamin'i Amazia mpanjakan'i Joda, moa tsy efa voasoratra ao anatin'ny bokin'ny tantaran'ireo mpanjakan'Israely ve izany?
\v 16 Ary nodimandry niaraka tamin'ireo razambeny i Joasy ary nalevina tany Samaria niaraka tamin'ireo mpanjakan'Israely, ary Jeroboama, zanany lahy, no lasa mpanjaka nandimby azy.
\s5
\v 17 Amazia zanak'i Joasy, mpanjakan'i Joda, dia niaina dimy ambin'ny folo taona taorian'ny nahafatesan'i Joasy, zanak'i Joahaza, mpanjakan'Israely.
\v 18 Raha ny amin'ireo zavatra hafa mahakasika an'i Amazia, moa tsy efa voasoratra ao anatin'ny bokin'ny tantaran'ireo mpanjakan'i Joda ve izany?
\v 19 Nanao tetika hanoherana an'i Amazia tao Jerosalema izy ireo, ary nandositra tany Lakisy izy. Nandositra tany Lakisy izy, saingy nandefa lehilahy hanaraka azy tany Lakisy izy ireo ary namono azy tany.
\s5
\v 20 Nentin'izy ireo niverina tamin'ny soavaly izy, ary nalevina niaraka tamin'ireo razambeny tao amin'ny tanànan'i Davida.
\v 21 Ny vahoakan'i Joda rehetra dia naka an'i Azaria, izay enina ambin'ny folo taona, ary nanao azy ho mpanjaka teo amin'ny toeran'i Amazia rainy.
\v 22 Azaria no nanorina indray an'i Elota ary namerina izany tao Joda, ary nodimandry niaraka tamin'ireo razambeny i Amazia.
\s5
\v 23 Tamin'ny fahadimy ambin'ny folo taona naha-mpanjaka an'i Amazia, zanaka lahin'i Joasy mpanjakan'i Joda, no nanombohan i Jeroboama zanaka lahin'i Joasy mpanjakan'Israely nanjaka tao Samaria; nanjaka nandritry ny iraika amby efapolo taona izy.
\v 24 Nanao ratsy teo imason'i Yaveh izy. Tsy niala tamin'ireo fahotana nataon'i Jeroboama zanaka lahin'i Nebata izy, izay nahatonga ny Israely hanota.
\v 25 Namerina ny sisin-tanin'Israely nanomboka teo Lebo Hamata hatrany amin'ny Ranomasin'ny Arabà izy araka ny tenin'i Yaveh, ilay Andriamanitr'Israely, izay efa noresahany tamin'i Jona mpanompony zanak'i Amitahy, ilay mpaminany, avy any Gata-hefera.
\s5
\v 26 Fa hitan'i Yaveh ny fijalian'Israely, izay tena nangidy tamin'ny tsirairay, na ny andevo na ny afaka, ary tsy nisy mpanavotra ny Israely.
\v 27 Ka niteny i Yaveh fa tsy hanimba ny anaran'Israely eo amin'ny ambany lanitra Izy, fa novonjeny tamin'ny alalan'ny tanan'i Jeroboama zanak'i Joasy kosa izy ireo.
\s5
\v 28 Raha ny amin'ireo zavatra hafa mahakasika an'i Jeroboama, ireo rehetra izay nataony, ny fahefany, ny niadiany sy namerenany an'i Damaskosy sy Hamata, izay an'i Joda, ho an'Israely, moa tsy efa voasoratra ao amin'ny bokin'ny tantaran'ireo mpanjakan'Israely ve izany?
\v 29 Nodimandry niaraka tamin'ireo razambeny i Jeroboama, niaraka tamin'ireo mpanjakan'Israely, ary i Zakaria zanany lahy no lasa mpanjaka teo amin'ny toerany.
\s5
\c 15
\p
\v 1 Tamin'ny taona fahafito amby roapolo nanjakan'i Jeroboama mpanjakan'Israely, no nanomboka nanjaka i Azaria zanak'i Amazia mpanjakan'i Joda.
\v 2 Enina ambin'ny folo taona i Azaria no nanomboka nanjaka, ary nanjaka tao Jerosalema nandritra ny roa amby dimampolo taona izy. Jekolia no anaran-dreniny, ary avy any Jerosalema izy.
\v 3 Nanao izay marina teo imason'i Yaveh izy, araka izay nataon'i Amazia rainy.
\s5
\v 4 Na dia izany aza dia tsy mba nalàna ireo toerana avo. Mbola nanao sorona sy nandoro ditin-kazo manitra teo amin'ireo toerana avo ihany ny olona.
\v 5 Nampahory ny mpanjaka i Yaveh hany ka boka hatramin'ny andro nahafatesany izy ary nipetraka tao amina trano misara-toerana. Jotama, zanaka lahin'ny mpanjaka, no lohan'ny ankohonana ary nanapaka teo amin'ny vahoaka tao amin'ny tany.
\s5
\v 6 Ary ny amin'ireo raharaha hafa mahakasika an'i Azaria, sy izay rehetra nataony, moa tsy efa voasoratra ao amin'ny bokin'ny tantaran'ireo mpanjakan'i Joda ve izany?
\v 7 Ka nodimandry niaraka tamin'ireo razambeny i Azaria, nalevin'izy ireo tany amin'ny tanànan'i Davida niaraka tamin'ireo razambeny izy. I Jotama, zanany lahy, no lasa mpanjaka nandimby ny toerany.
\s5
\v 8 Tamin'ny fahavalo amby telopolo taona nanjakan'i Azaria mpanjakan'i Joda, dia i Zakaria zanak'i Jeroboama no nanjaka teo amin'Israely tany Samaria nandritra ny enim-bolana.
\v 9 Nanao izay ratsy teo imason'i Yaveh izy, tahaka ny nataon'ireo razany. Tsy niala tamin'ny fahotan'i Jeroboama zanak'i Nebata, izay nahatonga ny Israely nanota izy.
\s5
\v 10 Nikononkonona hanohitra an'i Zakaria i Saloma zanak'i Jabesy, nanafika azy tany Ibleama, ary namono azy. Dia lasa mpanjaka nandimby ny toerany izy.
\v 11 Ny amin'ny raharaha hafa mahakasika an'i Zakaria, dia voasoratra ao amin'ny bokin'ny tantaran'ireo mpanjakan'Israely ireo.
\v 12 Izao no tenin'i Yaveh izay nambarany tamin'i Jeho, manao hoe: "Hipetraka eo amin'ny seza fiandrianan'Israely hatramin'ny taranaka fahefatra mandimby ny taranakao." Dia nitranga izany.
\s5
\v 13 Nanomboka nanjaka i Saloma zanak'i Jabesy tamin'ny fahasivy amby telopolo taona nanjakan'i Azaria mpanjakan'i Joda, ary nanjaka iray volana monja tao Samaria izy.
\v 14 Ary niakatra avy any Tirza ho any Samaria i Menahema zanak'i Gady. Tany no nanafihany an'i Saloma zanak'i Jabesy, tao Samaria. Nahafaty azy izy ka tonga mpanjaka nandimby ny toerany.
\s5
\v 15 Ny amin'ny raharaha hafa mahakasika an'i Saloma sy ny fikononkononana narafiny, dia voasoratra ao amin'ny bokin'ny tantaran'ireo mpanjakan'Israely izany.
\v 16 Dia nanafika an'i Tifsa sy ireo rehetra teo, sy ny sisin-tany nanodidina an'i Tirza i Menahema, satria tsy novohain'izy ireo ho azy ny tanàna. Ka notafihany izany, ary notatahany avokoa ireo vehivahy bevohoka tao amin'izany tanàna izany.
\f + \ft Fanamarihana: Raha tokony hoe "Tifsa," dia misy dikan-teny taloha iray sy dikan-teny vaovao sasan-tsasany mivaky toy izao: "Tapoa." \f*
\s5
\v 17 Tamin'ny fahasivy amby telopolo taona nanjakan'i Azaria mpanjakan'i Joda, dia nanomboka nanjaka teo amin'Israely i Menahema zanak'i Gady; nanjaka nandritra ny folo taona tao Samaria izy.
\v 18 Nanao izay ratsy teo imason'i Yaveh izy. Nandritra ny androm-piainany, dia tsy niala tamin'ny fahotan'i Jeroboama zanak'i Nebata izy, izay nahatonga ny Israely nanota.
\s5
\v 19 Ary tonga hanohitra ny tany i Pola mpanjakan'i Asyria, ary nomen'i Menahema talenta volafotsy arivo i Pola, mba homba azy ny fanohanan'i Pola ka hampatanjaka ny fanjakan'Israely teo an-tanany.
\v 20 Nalain'i Menahema avy tamin'ny Israely tamin'ny alalan'ny fitakiana ny olona manan-karena tsirairay mba handoa sekely volafotsy dimampolo aminy mba homena ny mpanjakan'i Asyria io vola io. Ka nitodi-doha niverina ny mpanjakan'i Asyria ary tsy nitoetra tao amin'ny tany.
\s5
\v 21 Raha ny amin'ireo raharaha hafa mahakasika an'i Menahema, sy ireo rehetra nataony, moa tsy efa voasoratra ao amin'ny bokin'ny tantaran'ireo mpanjakan'Israely ve izany?
\v 22 Ary nodimandry niaraka tamin'ireo razambeny i Menahema, ka Pekahia zanany no lasa mpanjaka nandimby ny toerany.
\s5
\v 23 Ary tamin'ny faha-dimampolo taona nanjakan'i Azaria mpanjakan'i Joda, no nanomboka nanjaka teo amin'Israely tao Samaria i Pekahia zanak'i Menahema; nanjaka nandritra ny roa taona izy.
\v 24 Nanao izay ratsy teo imason'i Yaveh izy. Tsy mba nanary ny fahotan'i Jeroboama zanak'i Nebata, izay nahatonga ny Israely nanota izy.
\s5
\v 25 Nanana lefitra iray nantsoina hoe: Peka zanak'i Remalia i Pekahia, izay nikononkonona hanohitra azy. Niaraka tamin'ireo dimampolo lahin'i Gileada, dia namono an'i Pekahia sy Argoba ary Aria tany Samaria i Peka, tao amin'ny trano mimandan'ny lapan'ny mpanjaka. Novonoin'i Peka i Pekahia ary izy no lasa mpanjaka nandimby ny toerany.
\v 26 Raha ny amin'ny raharaha hafa mahakasika an'i Pekahia, sy ireo rehetra nataony, dia voasoratra ao amin'ny bokin'ny tantaran'ireo mpanjakan'Israely izany.
\s5
\v 27 Tamin'ny faharoa amby dimampolo taona nanjakan'i Azaria mpanjakan'i Joda, no nanombohan'i Peka zanak'i Remalia nanjaka teo amin'Israely tao Samaria; nanjaka nandritra ny roapolo taona izy.
\v 28 Nanao izay ratsy teo imason'i Yaveh izy. Tsy niala tamin'ny fahotan'i Jeroboama zanak'i Nebata, izay nahatonga ny Israely nanota izy.
\s5
\v 29 Tamin'ny andron'i Peka mpanjakan'Israely, dia tonga ka naka an'Iona, Abela-beti-maka, Janoa, Kadesy, Hazora, Gileada, Galilia, ary ny tanin'i Naftaly rehetra i Tiglato-pilesera mpanjakan'i Asyria. Ary nitondra ny vahoaka nankany Asyria izy.
\v 30 Koa dia nandrafitra fikononkononana nanohitra an'i Peka zanak'i Remalia i Hosea zanak'i Ela. Nanafika azy izy ka nahafaty azy. Dia tonga mpanjaka nandimby ny toerany izy, tamin'ny faharoapolo taona nanjakan'i Jotama zanak'i Ozia.
\v 31 Raha ny amin'ny raharaha hafa mahakasika an'i Peka, sy izay rehetra nataony, dia voasoratra ao amin'ny bokin'ny tantaran'ireo mpanjakan'Israely izany.
\s5
\v 32 Tamin'ny taona faharoa nanjakan'i Peka zanak'i Remalia, mpanjakan'Israely, dia nanomboka nanjaka i Jotama zanak'i Azaria, mpanjakan'i Joda.
\v 33 Dimy amby roapolo taona izy fony nanomboka nanjaka; nanjaka nandritra ny enina ambin'ny folo taona tao Jerosalema izy. Jerosa no anaran'ny reniny; zanaka vavin'i Zadoka izy.
\s5
\v 34 Nanao izay marina teo imason'i Yaveh i Jotama. Nanaraka ny ohatra rehetra izay nataon'i Azaria rainy izy.
\v 35 Kanefa, tsy mba nesorina ireo toerana avo. Mbola nanao sorona sy nandoro ditin-kazo manitra teo amin'ireo toerana avo ihany ny vahoaka. Natsangan'i Jotama ny vavahady ambonin'i Yaveh.
\v 36 Raha ny amin'ireo raharaha hafa mahakasika an'i Jotama, sy izay rehetra nataony, moa tsy efa voasoratra ao amin'ny bokin'ny tantaran'ireo mpanjakan'i Joda ve izany?
\v 37 Tamin'izany andro izany Yaveh dia nanomboka naniraka an'i Rezina mpanjakan'i Arama, sy Peka zanak'i Remalia, hanohitra an'i Joda.
\v 38 Nodimandry niaraka tamin'ireo razambeny i Jotama ary nalevina niaraka tamin'ireo razambeny tao amin'ny tanànan'i Davida, razany. Ary i Ahaza, zanany lahy, no lasa mpanjaka nandimby ny toerany.
\s5
\c 16
\p
\v 1 Tamin'ny fahafito ambin'ny folo taona nanjakan'i Peka zanak'i Remalia, no nanomboka nanjaka i Ahaza zanakin'i Jotama mpanjakan'i Joda.
\v 2 Roapolo taona i Ahaza no nanomboka nanjaka, nanjaka nandritra ny fito ambin'ny folo taona tao Jerosalema izy. Tsy nanao izay marina teo imason'i Yaveh Andriamaniny, toy ny nataon'i Davida razambeny izy.
\s5
\v 3 Fa kosa, nanaraka ny lalan'ireo mpanjakan'Israely izy; nataony tao anaty afo ho fanatitra dorana ny zanany lahy, ho fanarahana ireo fampianarana ratsin'ireo firenena, izay efa noroasin'i Yaveh teo anoloan'ny vahoakan'Israely.
\v 4 Nanolotra fanatitra izy sady nandoroditin-kazo manitra tany amin'ireo toerana avo, teny amin'ireo havoana, ary teny ambanin'ny hazo maitso rehetra.
\s5
\v 5 Ary i Rezina, mpanjakan'i Syria sy Peka zanak'i Remalia, mpanjakan'Israely dia niakatra mba hanafika an'i Jerosalema. Nanao fahirano an'i Ahaza izy ireo, nefa tsy naharesy azy izy ireo.
\v 6 Tamin'izany fotoana izany, i Rezina mpanjakan'i Syria dia niverina naka an'i Elota ho an'i Syria ary nandroaka ireo olon'i Joda hiala an'i Elota. Avy eo dia nankany Elota ireo Syriana any amin'izay efa nonenan'izy ireo mandraka androany.
\s5
\v 7 Ka nandefa mpitondra hafatra ho any amin'i Tiglato-pilesera manjakan'i Asyria i Ahaza, manao hoe: "Mpanomponao aho sady zanakao." Mitsangàna ary vonjeo eo amin'ny tanan'ny mpanjakan'i Syria sy ny tanan'ny mpanjakan'Israely, izay efa nanafika ahy aho."
\v 8 Dia nalain'i Ahaza ny volafotsy sy ny volamena izay hitany tao an-tranon'i Yaveh sy teo amin'ireo harenan'ny lapan'ny mpanjaka ary nalefany ho fanomezana ho an'ny mpanjakan'i Asyria izany.
\v 9 Dia nihaino azy ny mpanjakan'i Asyria, ary niakatra nanohitra an'i Damaskosy ny mpanjakan'i Asyria, nandresy izany sy naka ireo vahoaka ho gadra ho an'i Kira. Novonoiny ihany koa i Rezina mpanjakan'i Syria.
\s5
\v 10 Nandeha tany Damaskosy i Ahaza mpanjaka mba hihaona amin'i Tiglato-pilesera mpanjakan'i Asyria. Nahita alitara iray tao Damaskosy izy. Nandefa ny modely sy ny sarin'ny alitara ary ny endriky ny asa ilaina rehetra tany amin'i Oria mpisorona izy.
\v 11 Oria mpisorona dia nanamboatra alitara mitovy amin'ireo firafitra efa nalefan'i Ahaza mpanjaka avy any Damaskosy. Novitainy talohan'ny niverenan'i Ahaza mpanjaka avy any Damaskosy izany.
\v 12 Rehefa tonga avy any Damakosy ny mpanjaka dia nahita ny alitara; nanatona ny alitara ny mpanjaka sady nanatitra fanatitra teo amin'izany.
\s5
\v 13 Nanao fanatitra dorana sy fanatitra vary izy, ary nandraraka ny fanatiny fisotro sy namafy ny rà avy amin'ny fanati-pihavanany teo amin'ny alitara.
\v 14 Ny alitara varahina izay teo anatrehan'i Yaveh—dia nalàny teo anoloan'ny tempoly, avy teo anelanelan'ny alitarany sy ny tempolin'i Yaveh ary nataony teo amin'ny faritra avaratry ny alitarany izany.
\s5
\v 15 Avy eo dia nandidy an'i Oria mpisorona i Ahaza mpanjaka, nanao hoe: "Eo ambonin'ny alitara lehibe no handorana ny fanatitra dorana ny maraina ary ny hariva dia ny fanatitra vary, ary ireo fanatitra doran'ny mpanjaka sy fanatitra vary, miaraka amin'ireo fanatitra doran'ny vahoakan'ny tany rehetra, sy ireo fanatitra vary ary ireo fanatitra fisotron'izy ireo. Afafazo eo ambonin'izany ny rà rehetra avy amin'ny fanatitra dorana, ary ny rà rehetra avy amin'ny sorona. Fa ny alitara varahina dia ho ahy mba ho fakàna torohevitra."
\v 16 Dia nanao araka izay nandidian'i Ahaza mpanjaka azy i Oria mpisorona.
\s5
\v 17 Avy eo dia nesorin'i Ahaza mpanjaka teo amin'ny tsanganana azo afindra ireo takelaka sy ireo koveta; nampidininy ihany koa ny koveta teo amin'ny omby varahina izay teo ambanin'izany ary napetraka teo amin'ny lampivato izany.
\v 18 Nohon'ny mpanjakan'i Asyria, dia nalàny ireo fandrakofana ho an'ny Sabata izay efa namboarin'izy ireo tao an-tempoly, mbamin'ny fidiran'ny mpanjaka teo ivelan'ny tempolin'i Yaveh.
\s5
\v 19 Raha ny raharaha hafa mahakasika an'i Ahaza sy izay nataony, moa tsy efa voasoratra ao anatin'ny bokin'ny tantaran'ireo mpanjakan'i Joda ve izany?
\v 20 Nodimandry sy nalevina niaraka tamin'ireo razany tao an-tanànan'i Davida i Ahaza. Lasa mpanjaka nandimby azy i Hezekia zanany lahy.
\s5
\c 17
\p
\v 1 Tamin'ny taona faharoa ambin'ny folo nanjakan'i Ahaza mpanjakan'i Joda, no nanomboka ny fanjakan'i Hosea zanak'i Elaha. Nanjaka tao Samaria nanerana ny Israely nandritra ny sivy taona izy.
\v 2 Nanao izay ratsy teo imason'i Yaveh izy, tsy tahaka ireo mpanjakan'Israely izay teo alohany.
\v 3 Nanafika azy i Salmanesera mpanjakan'i Asyria, ka tonga mpanompony i Hosea ary nitondra fanomezam-boninahitra ho azy.
\s5
\v 4 Ary hitan'ny mpanjakan'i Asyria fa nitetika hanohitra azy i Hosea, satria nandefa mpitondra hafatra nankany amin'i So mpanjakan'i Egypta i Hosea; ary koa, tsy mba nanolotra fanomezam-boninahitra ho an'ny mpanjakan'i Asyria izy, tahaka ny nataony isan-taona isan-taona. Ka nidin'ny mpanjakan'i Asyria izy ary nofatorany tany am-ponja.
\v 5 Avy eo dia nanafika nanerana ny tany rehetra ny mpanjakan'i Asyria, ary nanafika an'i Samaria sy nanao fahirano an'izany nandritra ny telo taona.
\v 6 Tamin'ny taona fahasivy naha-mpanjaka an'i Hosea, dia naka an'i Samaria sy nitondra ny Israely lavitra an'i Asyria ny mpanjakan'i Asyria. Nametraka azy ireo tany Hala izy, tao amin'ny Habora Onin'i Gozana, ary tany amin'ny tanànan'ny Mediana.
\s5
\v 7 Nitranga izany fahababoana izany satria nanota tamin'i Yaveh Andriamanitr'izy ireo ny vahoak'Israely, izay nitondra azy ireo niakatra avy tany amin'ny tany Egypta, avy teo ambany fifehezan'i Farao mpanjakan'i Egypta. Efa nanompo andriamani-kafa ireo vahoaka
\v 8 ka nandeha tamin'ny fanaon'ireo firenena izay efa naringan'i Yaveh teo anatrehan'ireo zanak'Israely, sy tamin'ny fanaon'ireo mpanjakan'Israely izay efa nataon'izy ireo.
\s5
\v 9 Ny zanak'Israely—dia nanao ireo zavatra izay tsy marina an-tsokosoko—hanohitra an'i Yaveh Andriamanitr'izy ireo. Nanangana fitoerana avo ho azy manerana an'ireo tanànany izy ireo, hatrany amin'ny tilikambo fiambenana ka hatrany amin'ny manda fiarovana.
\v 10 Nanangana tsangam-bato sy baon'Aseraha teny amin'ny havoana avo rehetra sy tany ambanin'ny hazo maitso rehetra ihany koa izy ireo.
\s5
\v 11 Teny izy ireo no nandoro ditin-kazo manitra tamin'ireo fitoerana avo rehetra, tahaka ny nataon'ireo firenena, ireo izay nentin'i Yaveh teo anatrehan'izy ireo. Nanatanteraka zava-dratsy ireo Israelita mba hahatonga an'i Yaveh ho tezitra;
\v 12 izy ireo dia nanompo sampy, momba izay efa notenen'i Yaveh azy ireo hoe: "Tsy hanao izany zavatra izany ianareo."
\s5
\v 13 Nefa Yaveh efa nanambara tamin'Israely sy tamin'i Joda tamin'ny alalan'ny mpaminany tsirairay sy ny mpahita tsirairay, nanao hoe: "Mialà amin'ireo fomba ratsinareo ka tandrovy ireo didiko sy ireo lalàko, ary meteza hanaraka ny lalàna rehetra nandidiako ireo razanareo, ary izay nirahiko ho aminareo tamin'ny alalan'ireo mpaminany mpanompoko.
\s5
\v 14 Kanefa tsy nihaino izy ireo; fa kosa mafy loha tokoa tahaka ireo razany izay tsy nahatoky an'i Yaveh Andriamanitr'izy ireo.
\v 15 Nolavin'izy ireo ny lalàny sy ny fanekem-pihavanana izay nataony tamin'ireo razany, ary ireo didy fanekena izay nomeny azy ireo. Nanaraka fomba tsy nisy nilàna azy izy ireo ary ny tenan'izy ireo mihitsy no lasa tsy nisy nilàna azy. Nanaraka ireo firenena mpanompo sampy izay nanodidina azy izy ireo, dia ireo izay nandidian'i Yaveh azy ireo tsy hotahafina.
\s5
\v 16 Izy ireo dia nanao tsinontsinona ireo didy rehetran'i Yaveh Andriamanitr'izy ireo. Nanamboatra sarin-janak'omby roa vita tamin'ny vy izy ireo mba ho tompoina. Nanamboatra baon'Aseraha izy ireo, ary nanompo an'i Bala sy ireo kintana rehetra teny an-danitra.
\v 17 Nalefan'izy ireo tanaty afo ireo zanaka lahy sy zanaka vavin'izy ireo, nampiasa ireo sikidy sy famosaviana, nivarotra ny tenan'izy ireo mba hanao izay ratsy teo imason'i Yaveh, sy nahatonga Azy ho tezitra.
\v 18 Noho izany dia tezitra mafy tamin'Israely i Yaveh ka nanaisotra azy ireo tsy ho eo imasony. Tsy nisy na iray aza tafajanona afa-tsy ny fokon'i Joda irery ihany.
\s5
\v 19 Na dia i Joda aza tsy nahatàna ny didin'i Yaveh Andriamanitr'izy ireo, fa kosa nanaraka fanompoan-tsampy nitovy tamin'izay narahin'Israely.
\v 20 Noho izany dia nolavin'i Yaveh avokoa ireo taranak'Israely rehetra; nampahoriany izy ireo ary natolony teny an-tanan'ireo izay mpambabo ny fananan'izy ireo, mandra-pitsonik'izy ireo tsy ho eo imasony.
\s5
\v 21 Nanaisotra ny Israely tamin'ny fitohizan-taranak'i Davida Izy, ary nametraka an'i Jeroboama zanaka lahin'i Nebata mpanjaka. Nitarika ny Israely hiala tamin'ny fanarahana an'i Yaveh i Jeroboama ary nampanao fahotana lehibe azy ireo.
\v 22 Nanaraka ny fahotan'i Jeroboama rehetra ny zanak'Israely ary tsy niala tamin'ireny izy ireo,
\v 23 ka nesorin'i Yaveh teo imason'Israely, araka ny nolazainy tamin'ireo mpaminany mpanompony rehetra fa hataony. Dia nentina lavitra ivelan'ny tanin'izy ireo tany Asyria ny Israely, ary mbola any foana hatramin'izao andro izao.
\s5
\v 24 Nitondra vahoaka avy tany Babylona sy avy tany Kota, sy avy tany Ava, sy avy tany Hamata sy Sefarivaima ny mpanjakan'i Asyria, ka nametraka azy ireo tany amin'ny tanànan'i Samaria teo amin'ny toeran'ny Zanak'Israely. Dia nahazo an'i Samaria ireny ka nonina tao amin'ny tanànany.
\v 25 Ary tamin'ny fiantombohan'ny fonenan'izy ireo tany dia tsy nanome voninahitra an'i Yaveh izy ireo. Koa nandefa liona tamin'izy ireo izay namono ny sasany tamin'izy ireo i Yaveh.
\v 26 Dia niteny tamin'ny mpanjakan'i Asyria izy ireo, nanao hoe: "Ireo firenena izay avy nentinao sy napetrakao tato amin'ny tanànan'i Samaria dia tsy mahafantatra ireo fomba takian'ny andriamanitry ny tany. Ka nandefa liona teo amin'izy ireo izy, ary, indro, mamono ny olona ireo liona satria tsy mahalala ireo fomba takian'ny andriamanitry ny tany izy ireo."
\s5
\v 27 Ary ny mpanjakan'i Asyria nibaiko, nanao hoe: "Alaivo ny iray amin'ireo mpisorona izay nentinareo avy tany, ka aoka izy handeha sy honina any, ary aoka izy hampianatra azy ireo ny fomba izay takian'ny andriamanitry ny tany."
\v 28 Koa tonga nonina tany Betela ny iray tamin'ireo mpisorona izay avy nentin'izy ireo avy tany Samaria; nampianatra azy ireo ny fomba tokony hideran'izy ireo an'i Yaveh izy.
\s5
\v 29 Nanao andriamanitra ho azy avy ireo foko tsirairay, ka nametraka azy ireny teny amin'ny fitoerana avo izay nataon'ireo Samaritana—ny foko tsirairay tany amin'ny tanàna nonenany avy.
\v 30 Ny vahoakan'i Babylona nanamboatra an'i Sokota-benota; ny vahoakan'i Kota nanamboatra an'i Nergala; ny vahoakan'i Hamata nanamboatra an'i Asima;
\v 31 ireo Avita nanamboatra an'i Nibaza sy Tartaka. Ireo Sefarvita nandoro ireo zanany tao amin'ny afo ho an'i Adrameleka sy Anameleka, andriamanitry ny Sefarvaima.
\s5
\v 32 Nanome voninahitra an'i Yaveh ihany koa izy ireo, ka nanendry mpisoron'ireo fitoerana avo avy tamin'izy ireo, izay nanao sorona ho azy ireo tao amin'ny tempoly tao amin'ireo toerana avo.
\v 33 Nanome voninahitra an'i Yaveh izy ireo sady nanompo ireo andriamanitr'izy ireo, tamin'ny fomba fanaon'ireo firenena tamin'izay efa nentin'izy ireo.
\s5
\v 34 Hatramin'izao andro izao dia mikiry amin'ireo fomba fanaon'izy ireo taloha izy ireo. Sady tsy manome voninahitra an'i Yaveh izy ireo, no tsy manaraka ireo didy aman-dalàna izay natolotr'i Yaveh tamin'ny vahoakan'i Jakoba—izay nantsoiny hoe: Israely—
\v 35 ary tamin'izay nanaovan'i Yaveh fanekena sy nandidiany azy ireo hoe: "Tsy hatahotra andriamani-kafa ianareo, na hiankohoka amin'izy ireny, na hanompo azy ireny, na hanao fisoronana ho azy ireny.
\s5
\v 36 Nefa i Yaveh, izay nitondra anareo niakatra avy tany amin'ny tany Egypta tamin'ny hery lehibe sy tanana nisandratra, no ilay Iray izay tsy maintsy omenareo voninahitra; Izy no hiankohofanareo, ary ho Azy ny sorona ataonareo.
\v 37 Ireo didy aman-dalàna izay nosoratany ho anareo, hotànanareo mandrakariva ireny. Noho izany aza matahotra andriamani-kafa ianareo,
\v 38 ary ny fanekem-pihavanana izay efa nataoko taminareo, dia tsy ho adinoinareo; na ianareo hanome voninahitra andriamani-kafa.
\s5
\v 39 Fa Yaveh Andriamanitrareo no homenareo voninahitra. Izy no hamonjy anareo amin'ny herin'ireo fahavalonareo."
\v 40 Tsy nihaino izy ireo, satria nanohy nanao izay nataon'izy ireo tany amin'ny lasa izy ireo.
\v 41 Ka dia natahotra an'i Yaveh ireo firenena ary nanompo ireo sarin-javatra voasokitr'izy ireo ihany koa izy ireo, ary nanao toy izany ihany koa ireo zanak'izy ireo—tahaka izay nataon'ny taranaky ny zanak'izy ireo. Manohy manao izay nataon'ireo razany hatrany izy ireo, mandrak'ankehitriny.
\s5
\c 18
\p
\v 1 Ary tamin'ny taona fahatelo nanjakan'i Hosea zanak'i Elaha, mpanjakan'Israely, no nanomboka nanjaka i Hezekia zanak'i Ahaza, mpanjakan'i Joda.
\v 2 Dimy amby roapolo taona izy no nanomboka nanjaka; nanjaka sivy amby roapolo taona tany Jerosalema izy. Ny anaran-dreniny dia i Aby; zanaka vavin'i Zakaria izy.
\v 3 Ary nanao izay mahitsy teo imason'i Yaveh izy, nanaraka ny ohatra rehetra izay efa nataon'i Davida, razambeny.
\s5
\v 4 Nanaisotra ireo toerana avo izy, nandrava ireo andry vato, ary nanapaka ireo baon'Aseraha. Nanapatapaka ny menarana varahina izay nataon'i Mosesy izy, satria tamin'ireo andro ireo no nandoroan'ny vahoakn'Israely ny ditin-kazo manitra ho an'izany; izany dia nantsoina hoe: "Nehostana."
\v 5 Nahatoky an'i Yaveh, ilay Andriamanitr'Israely i Hezekia, mba tsy hisy olona hitovy aminy ao aoriany eo amin'ireo mpanjakan'i Joda rehetra, na eo amin'ireo mpanjaka izay teo alohany.
\s5
\v 6 Fa nifikitra tamin'i Yaveh izy. Tsy nitsahatra nanaraka azy izy ary nitandrina ireo didiny, izay nandidian'i Yaveh an'i Mosesy.
\v 7 Ka nomba an'i Hezekia i Yaveh, ary na aiza na aiza nalehany dia nambinina izy. Nikomy nanohitra ny mpanjakan'i Asyria izy ary tsy nanompo azy.
\v 8 Nanafika ireo Filistina hatrany Gaza sy ny sisin-tany manodidina izy, hatrany amin'ny tilikambon'ireo mpiambina ka hatrany amin'ny tanàna voaaro mafy.
\s5
\v 9 Ary tamin'ny taona fahefatra nanjakan'i Hezekia Mpanjaka, izay taona fahafito nanjakan'i Hosea zanak'i Elaha mpanjakan'Israely, dia niakatra hanohitra an'i Samaria i Salmanesera mpanjakan'i Asyria ary nanao fahirano izany.
\v 10 Ary tamin'ny fiafaran'ny taona fahatelo no nakan'izy ireo izany, dia tamin'ny taona fahenina nanjakan'i Hezekia, izay taona fahasivy nanjakan'i Hosea mpanjakan'Israely; izany no fomba nisamborana an'i Samaria.
\s5
\v 11 Koa nentin'ny mpanjakan'i Asyria tany Asyria ny Israely, ary nataony tao Hala, teo amin'ny Reniranon'i Habora tany Gozana, ary tao amin'ireo tanànan'i Mediana izy ireo.
\v 12 Nanao izany izy satria tsy nankatò ny feon'i Yaveh Andriamaniny izy ireo, fa kosa nandika ny tenin'ny fanekeny, izay rehetra nandidian'i Mosesy mpanompon'i Yaveh azy ireo. Nandà hihaino na hanao izany izy ireo.
\s5
\v 13 Ary tamin'ny taona fahefatra ambin'ny folo nanjakan'i Hezekia Mpanjaka, Sankeriba mpanjakan'i Asyria dia nanafika ny tanàna voaaro mafy rehetran'i Joda ka naka ireo.
\v 14 Ka nandefa hafatra tany amin'ny mpanjakan'i Asyria, izay tany Lakisy i Hezekia mpanjakan'i Joda nanao hoe: "Efa nanafintohina anao aho. Mialà amiko. Na inona na inona hampitondrainao ahy dia ho entiko." Dia nitaky tamin'i Hezekia mpanjakan'i Joda mba handoa ny talenta volafotsy telonjato sy talenta volamena telopolo ny mpanjakan'i Asyria.
\v 15 Ka nomen'i Hezekia azy ny volafotsy rehetra izay hita tao amin'ireo tranon'i Yaveh sy tao amin'ireo fitoeran-java-tsarobidin'ny lapan'ny mpanjaka.
\s5
\v 16 Dia nesorin'i Hezekia ny volamena teo amin'ny tempolin'i Yaveh sy teo amin'ny andry izay nametahany takela-bolamena; ary nomeny ny mpanjakan'i Asyria ny volamena.
\v 17 Nefa ny mpanjakan'i Asyria nanetsika ny tafiny lehibe, naniraka an'i Tartana sy Raba-sarisa ary ny lehiben'ny mpifehy avy any Lakisy ho any amin'i Hezekia mpanjaka ao Jerosalema. Nandeha niakatra tamin'ny lalana izy ireo ary tonga tao ivelan'i Jerosalema. Nanatona ny lakan-dranon'ny kamory ambony izy ireo, teo an-dalamben'ny sahan'ny mpamotsy lamba, ary nijanona teo amin'izany.
\v 18 Rehefa niantso an'i Hezekia Mpanjaka izy ireo, dia nivoaka mba hijery azy ireo i Eliakima zanaka lahin'i Hilkia, izay nanapaka ny ankohonana, sy Sebna mpanora-dalàna, ary Joa zanaka lahin'i Asafa, mpitahiry tantara.
\s5
\v 19 Ary ny lehiben'ny mpifehy niteny azy ireo mba hilaza amin'i Hezekia izay nolazain'ny mpanjaka lehibe, mpanjakan'i Asyria, manao hoe: "Inona no loharanon'ny fahatokianao?
\v 20 Teny tsy misy dikany no lazainao, milaza hoe misy namana sy hery ho amin'ny ady. Ary ankehitriny iza no itokianao? Iza no nanome herim-po anao hikomy hanohitra ahy?
\v 21 Indro, matoky ny tehina volotara torotoron'ny Egypta ianao, kanefa raha mitehina amin'izany ny olona, dia hiraikitra eo amin'ny tanany izany ka handoaka izany. Tahaka izany i Farao mpanjakan'i Egypta amin'ireo rehetra matoky azy.
\s5
\v 22 Fa raha miteny amiko ianao hoe: 'Matoky an'i Yaveh Andriamanitray izahay,' moa ve tsy izy ilay iray izay naka ireo toerana avo sy ny alitara izay nalain'i Hezekia, ary nilaza tamin'i Joda sy Jerosalema hoe: 'Tsy maintsy manompo eo anoloan'ity alitaran'i Jerosalema ity ianao'?
\v 23 Ankehitriny ary, te-hanolotra fanatitra tsara avy amin'ny tompoko mpanjakan'i Asyria aho. Homeko soavaly roa arivo ianao, raha mahita mpitaingina azy ireo.
\s5
\v 24 Hataonao ahoana ny manohitra na dia ny iray amin'ny kapiteny izay kely indrindra amin'ireo mpanompon'ny tompoko aza? Efa nametraka ny fahatokianao tany Egypta ho an'ireo kalesy sy ny mpitaingin-tsoavaly ianao!
\v 25 Moa efa nandeha niakatra tsy nisy an'i Yaveh mba hiady hanohitra sy handrava ity toerana ity ve aho? Hoy i Yaveh tamiko: 'Tafio ary ravao ity tany ity.'"
\s5
\v 26 Avy eo i Eliakima zanaka lahin'i Hilkia, sy Sebna, ary Joa nilaza tamin'ny lehiben'ny mpifehy hoe: "Mba resaho amin'ny fiteny Syriana re ireo mpanomponao, fa azonay izany. Aza miresaka aminay amin'ny fitenin'ny Joda eo amin'ny sofin'ny olona izay eo amin'ny rindrina."
\v 27 Nefa hoy ny lehiben'ny mpifehy tamin'izy ireo hoe: "Moa ve nandefa ahy ho any amin'ny tomponao sy ianao ny tompoko mba hilaza ireo teny ireo? Moa ve aho nalefany tany amin'ireo lehilahy mipetraka eo amin'ny rindrina, iza no tsy maintsy hihinana ny malotony sy hisotro ny amanin'izy ireo manokana miaraka aminao?"
\s5
\v 28 Ary ny lehiben'ny mpifehy nitsangana sy niantso tamin'ny feo mafy tamin'ny fiteny Jiosy hoe: "Henoy ny tenin'ny mpanjaka lehibe, dia ny mpanjakan'i Asyria.
\v 29 Izao no lazain'ny mpanjaka, 'Aza manaiky hofitahin'i Hezekia hianareo, fa tsy afaka ny hamonjy anao amin'ny fahefako izy.
\v 30 Aza mamela an'i Hezekia hampahatoky anao an'i Yaveh, manao hoe: "Hamonjy antsika tokoa i Yaveh, ary ity tanàna ity dia tsy hatolotra ho eo an-tanan'ny mpanjakan'i Asyria.'"
\s5
\v 31 Aza mihaino an'i Hezekia, fa izao no lazain'ny mpanjakan'i Asyria hoe: 'Mihavana amiko ary miaraha amiko. Ary ny tsirairay avy aminareo dia samy hihinana amin'ny voalobony sy ny hazon'aviaviny, ary hisotro ny rano ao amin'ny famorian-dranony.
\v 32 Hanao izany mandra-pihaviko sy hitondrako anareo any amin'ny tany toy ny taninareo manokana, tany misy vary sy voaloboka vaovao, tany misy mofo sy tanim-boaloboka, tany misy hazo oliva sy tantely mba ho velona ianareo fa tsy ho faty.' Aza mihaino an'i Hezekia raha miezaka mandresy lahatra anareo izy, manao hoe: 'Hamonjy antsika i Yaveh.'
\s5
\v 33 Moa nisy nahavonjy azy ireo teo an-tanan'ny mpanjakan'i Asyria ve ireo andriamanitry ny olona? Aiza moa ireo andriamanitr'i Hamata sy Arpada?
\v 34 Aiza moa ireo andriamanitr'i Sefarvaima, sy Hena, ary Iva? Nahavonjy an'i Samaria teto an-tanako ve izy ireo?
\v 35 Eo amin'ny andriamanitry ny tany rehetra, moa ve efa nisy andriamanitra nahavonjy ny taniny tamin'ny fahefako? Ahoana no hahafahan'i Yaveh mamonjy an'i Jerosalema amin'ny heriko?"
\s5
\v 36 Kanefa nangina ny olona ary tsy namaly, satria efa nandidy ny mpanjaka hoe: "Aza mamaly azy."
\v 37 Avy eo Eliakima, zanak'i Hilikia, izay ambony teo amin'ny ankohonana; sy Sebna ilay mpanora-dalàna; ary Joa zanak'i Asafa, ilay mpitan-tsoratra, niditra nankao amin'i Hezekia niaraka tamin'ireo fitafian'izy ireo voatritra, ary nitondra ny tenin'ny lehiben'ny mpifehy taminy.
\s5
\c 19
\p
\v 1 Ary rehefa ren'i Hezekia Mpanjaka ny tatitr'izy ireo, dia nandrovitra ny akanjony izy, nanao akanjo fisaonana, ary niditra tao an-tranon'i Yaveh.
\v 2 Naniraka an'i Eliakima izay lehiben'ny tandapa izy, sy Sebna ilay mpanora-dalàna, ary ireo lohan'ny mpisorona, samy nitafy ny akanjo fisaonana avokoa, ho any amin'i Isaia zanaka lahin'i Amoza, ilay mpaminany.
\s5
\v 3 Dia hoy izy ireo taminy: "Izao no tenin'i Hezekia: 'ity andro ity no andron'ny fahoriana, famaizana, ary fahafaham-baraka, efa mby ho teraka ny zaza, nefa tsy misy hery mba hiterahana azy ireo.
\v 4 Angamba mety ho ren'i Yaveh Andriamanitrao ny teny rehetra nataon'ilay lehiben'ny mpifehy, izay nirahin'ny mpanjakan'i Asyria tompony mba hihantsy an'Andriamanitra velona, ary hamaly ireo teny izay efa ren'i Yaveh Andriamanitrao. Koa asandrato ho an'izay sisa mbola eto ny vavakao ankehitriny.'"
\s5
\v 5 Ary tonga tany amin'i Isaia ny mpanompon'i Hezekia mpanjaka,
\v 6 ary Isaia nanao tamin'izy ireo hoe: "Lazao amin'ny tomponareo fa: 'Izao no tenin'i Yaveh: "Aza matahotra ny amin'ny teny izay efa renao, izay efa naniratsiran'ny mpanompon'ny mpanjakan'i Asyria ahy.
\v 7 Indro, hametraka fanahy ao aminy Aho, ary handre siosio izy ka hiverina any amin'ny taniny. Hataoko lavon'ny sabatra ao amin'ny taniny izy."'"
\s5
\v 8 Dia niverina ny lehiben'ny mpifehy ary nahita ny mpanjakan'i Asyria niady tamin'i Libna, fa izy efa nandre fa efa niala tao Lakisy ny mpanjaka.
\v 9 Ary Sankeriba nandre fa i Tiraka mpanjakan'i Etiopia sy Egypta dia efa niomana ny hiady aminy, noho izany dia naniraka mpitondra hafatra ho any amin'i Hezekia indray izy hoe:
\s5
\v 10 "Lazao amin'i Hezekia mpanjakan'i Joda hoe: 'Aza avela hamitaka anao ny Andriamanitra izay hitokianao ka hanao hoe: "Jerosalema dia tsy homena ho eo an-tanan'ny mpanjakan'i Asyria."
\v 11 Indro, efa renao ny zavatra izay efa nataon'ny mpanjakan'i Asyria tamin'ny tany rehetra tamin'ny famotehana tanteraka ireo. Koa ho voavonjy ve ianao?
\s5
\v 12 Efa namonjy azy ireo ve ny andriamanitry ny firenena, ireo firenena izay nopotehin'ny razako: dia i Gozana, Harana, Razefa, ary ny vahoakan'i Edena tao Telasara?
\v 13 Aiza ny mpanjakan'i Hamata, ny mpanjakan'i Arpada, ny mpanjakan'ny tanàna Sefarvaima, Hena, ary Iva?'"
\s5
\v 14 Voarain'i Hezekia ny taratasy tany amin'ireo mpitondra hafatra ary novakiany izany. Avy eo dia niakatra tany an-tranon'i Yaveh izy ka nanokatra izany teo anoloany.
\v 15 Dia nivavaka teo anatrehan'i Yaveh i Hezekia, ary nanao hoe: "Ry Yaveh tompon'ny maro, Andriamanitr'Israely, Ianao izay mipetraka eo ambonin'ny kerobima, Ianao no Andriamanitra tokana manerana ny fanjakana rehetra eto an-tany. Ianao no nanao ny lanitra sy ny tany.
\s5
\v 16 Atongilano ny sofinao, ry Yaveh, ary mihainoa. Ahirato ny masonao, ry Yaveh, ka mijere, ary henoy ny tenin'i Sankeriba, izay efa nirahiny mba haniratsira ny Andriamanitra velona.
\v 17 Eny tokoa, ry Yaveh, efa nandrava ireo firenena sy ny taniny tokoa ny mpanjakan'i Asyria.
\v 18 Efa nandoro ny andriamanitr'izy ireo tao anaty afo izy ireo, satria tsy andriamanitra ireo fa asa-tanan'olombelona, hazo sy vato foana ihany. Koa nopotehin'ny Asyriana izy ireo.
\s5
\v 19 Koa ankehitriny, ry Yaveh Andriamanitray, mitalaho Aminao aho, vonjeo amin'ny heriny izahay, mba hahafantaran'ny fanjakana rehetra eto an-tany fa Ianao, Yaveh, no Andriamanitra tokana."
\s5
\v 20 Ary Isaia zanaka lahin'i Amoza nandefa hafatra tany amin'i Hezekia, nanao hoe: "Yaveh, Andriamanitrin'Israely niteny hoe: 'Satria efa nivavaka tamiko ny amin'i Sankeriba mpanjakan'i Asyria ianao, dia nihaino anao aho.
\v 21 Izao no teny lazain'i Yaveh mahakasika azy: "Ny zanaka vavy virijinin'i Ziona manao tsinontsinona anao sy mihomehy ho amin'ny fahafaham-baraka. Ny zanaka vavin'i Jerosalema manifikifi-doha aminao.
\v 22 Iza no efa nihantsinao sy notsiratsirainao? Hanohitra an'iza no nanandratanao ny feonao sy nampiandrandranao ny masonao am-pireharehana? Hanohitra ilay Masin'Israely!
\s5
\v 23 Tamin'ny alalan'ireo irakao no nihantsianao ny Tompo, ary nanao hoe: 'Tamin'ny kalesiko maro no niakarako tany an-tampon'ny tendrombohitra, ny fiakarana avo indrindra tany Libanona. Hokapaiko ny sedera lava sy ny kypreso voafantina ao. Hiditra amin'ny faritra lavitra indrindra aho, ao amin'izay alany mamokatra indrindra.
\v 24 Efa nihady lava-drano aho ary efa nisotro ny ranon'ny firenen-kafa. Efa nandritra ny reniranon'i Egypta rehetra ho eo am-paladiako aho.'
\s5
\v 25 Tsy renao ve ny fomba nanomanako izany hatramin'ny ela sy ny niasako izany tamin'ny andro taloha? Ankehitriny dia efa hanatanteraka izany aho. Eo ianao mba handrava ireo tanàna mimanda ho lasa korotam-bato.
\v 26 Ireo mponina ao aminy, izay kely hery, dia torotoro sy menatra. Zava-maniry eny an-tsaha izy ireo, ahi-maitso, ahitra eny ambony tafo na eny an-tsaha, nodorana mialohan'ny nitsiriany.
\s5
\v 27 Fa izaho mahalala ny fipetrahanao, ny fivoahanao, ny fidiranao, ary ny fahatezeranao amiko.
\v 28 Nohon'ny fahatezeranao amiko, ary satria rèn'ny sofiko ny fiavonavonanao, dia hametraka ny farangoko amin'ny oronao Aho, ary ao amin'ny vavanao ny lamboridiko; hataoko miverina amin'ny lalana niavianao ianao."
\s5
\v 29 Izao no famantarana ho anao: Hihinana zavatra maniry tsinahy ianareo amin'ity taona ity, ary ny taona manaraka dia ny dimbin'izany. Fa amin'ny taona fahatelo kosa dia hamboly sy hioty ianareo, hamboly tanim-boaloboka ka hihinana ny voany.
\v 30 Ny sisa amin'ny taranak'i Joda izay mbola velona dia hamàka indray ka hisondrotra ary hamoa.
\v 31 Fa hisy sisa hivoaka avy any Jerosalema, avy any an-tendrombohitr'i Ziona no hiavian'ireo sisa tsy maty. Ny zotom-pon'i Yaveh tompon'ny maro no hanao izany.
\s5
\v 32 Koa izao no lazain'i Yaveh momba ny mpanjakan'i Asyria: "Tsy hiditra amin'ity tanàna ity izy na handefa zana-tsipìka ao. Na ho avy eo anoloany miaraka amin'ny ampinga na hanao fahirano azy.
\v 33 Ny lalana izay niaviany ihany no lalana hivoahany; tsy ho tafiditra amin'ity tanàna ity izy— izany no fanambaran'i Yaveh."
\v 34 Fa izaho hiaro sy hanavotra ity tanàna ity, noho ny amiko sy ny amin'i Davida mpanompoko.'"
\s5
\v 35 Ary tamin'io alina io dia avy ilay anjelin'i Yaveh ary nanafika ny tobin'ireo Asyriana, ka nahafaty miaramila 185. 000. Rehefa nifoha aloha ny olona nony maraina, dia niampatra teny rehetra teny ny fatin'olona.
\v 36 Ka nandao an'Israely i Sankeriba mpanjakan'i Asyria ary lasa nody sy nipetraka tany Ninive.
\v 37 Taty aoriana, raha nanao fanompoam-pivavahana tao an-tranon'i Nisroka andriamaniny izy, dia novonoin'i Andrameleka sy Sarezera zanany lahy tamin'ny sabatra. Avy eo dia nitsoaka tany amin'ny tanin'i Ararata izy ireo. Ary Esara-hadona zanany lahy no lasa mpanjaka teo amin'ny toerany.
\s5
\c 20
\p
\v 1 Ary tamin'izany andro izany dia narary efa ho faty i Hezekia. Ka nanatona azy i Isaia zanak'i Amosa, ilay mpaninany, ary niteny taminy hoe: "Hoy i Yaveh: '"Arindrao ny tranonao; fa ho faty ianao, ary tsy ho velona.'"
\v 2 Dia nitodika nanatrika ny rindrina i Hezekia ary nivavaka tamin'i Yaveh izy nanao hoe:
\v 3 "Mba miangavy re, ry Yaveh oh, mba tsarovy ny nandehanako am-pahatokiana teo amin'ny anatrehanao tamin'ny foko manontolo, sy ny nanaovako ny tsara teo imasonao." Ary nitomany mafy i Hezekia avy eo.
\s5
\v 4 Mialohan'ny nivoahan'i Isaia teo afovoan'ny tokotany, dia tonga taminy ny tenin'i Yaveh, nanao hoe:
\v 5 "Miverena, ary ilazao i Hezekia, ilay mpitarika ny oloko hoe: 'Izao no lazain'i Yaveh, Andriamanitr'i Davida razambenao: "Efa reko ny vavakao, ary hitako ny ranomasonao. Hanasitrana anao Aho amin'ny andro fahatelo, ary hiakatra any an-tranon'i Yaveh ianao.
\s5
\v 6 Ho ampiako dimy ambin'ny folo taona ny andro hiainanao, ary ho vonjeko amin'ny tanan'ny mpanjakan'i Asyria ianao sy ity tanàna ity, ary ho arovako ity tanàna ity nohon'ny amiko sy nohon'ny amin'i Davida mpanompoko."'"
\v 7 Koa hoy Isaia hoe: "Makà fehezan'aviavy." Dia nanao izany izy ireo ary napetrany tamin'ny vai-ny izany, dia sitrana izy.
\s5
\v 8 Hoy i Hezekia tamin'i Isaia: "Inona no famantarana fa hositranin'i Yaveh aho, sy ny tokony hiakarako any amin'ny tempoliny amin'ny andro fahatelo?"
\v 9 Namaly Isaia hoe: "Izao no famantarana ho anao avy amin'i Yaveh, fa i Yaveh dia hanao izay zavatra nolazainy. Tokony handroso dingana folo ve ny aloka, sa hihemotra dingana folo?"
\s5
\v 10 Namaly i Hezekia: "Mora ho an'ny aloka ny handroso dingana folo. Tsia! avelao hihemotra dingana folo ny aloka."
\v 11 Ka niantsoantso an'i Yaveh i Isaia mpaminany, ary nentiny nihemotra dingana folo ny aloka, avy tany amin'ny nihetsehany teo amin'ny tohotr'i Ahaza.
\s5
\v 12 Tamin'izany fotoana izany i Merodaka Baladana zanak'i Baladana mpanjakan'i Babylona dia nandefa taratasy sy fanomezana tany amin'i Hezekia, satria reny fa narary i Hezekia.
\v 13 Nihaino izany taratasy izany i Hezekia, ary nasehony ireo mpitondra hafatra ny lapa rehetra sy ny zava-tsarobidiny, ny volafotsy, ny volamena, ny zava-manitra sy ny menaka sarobidy, ary koa ny trano fitehirizany ny fitaovam-piadiany, izany rehetra izany dia hita tao amin'ny trano fitehirizany. Tsy nisy zavatra izay tsy nasehon'i Hezekia azy ireo tao an-tranony, na tao amin'ny fanjakany.
\s5
\v 14 Ary Isaia mpaminany nankany amin'i Hezekia Mpanjaka ary nanontany azy hoe: "Inona no nolazain'ireny lehilahy ireny taminao? Avy aiza izy ireny?" Hoy i Hezekia: "Avy any an-tany lavitra any Babylona izy ireo."
\v 15 Nanontany i Isaia hoe: "Inona no hitan'izy ireo tao an-tranonao?" Namaly i Hezekia hoe: "Hitan'izy ireo avokoa ny zavatra rehetra tato an-tranoko. Tsy nisy tamin'ireo zava-tsarobidiko tsy nasehoko azy ireo."
\s5
\v 16 Ka hoy Isaia tamin'i Hezekia: "Henoy ny tenin'i Yaveh:
\v 17 'Indro, efa ho avy ny andro hitaomana ny zavatra rehetra eo amin'ny lapanao mankany Babylona, dia ireo zavatra notehirizin'ny razambenao hatramin'izao andro izao. Tsy misy na inona na inona ho tavela, hoy i Yaveh.
\v 18 Ny zanaka lahy teraka avy aminao, izay notaizainao manokana_ho alain'izy ireo izany, ary ho lasa tandapa ao amin'ny lapan'ny mpanjakan'i Babylona izy ireo.'"
\s5
\v 19 Ary hoy i Hezekia tamin'i Isaia: "Tsara ny tenin'i Yaveh izay nolazainao." Satria nihevitra izy hoe: "Tsy hisy fiadanana sy filaminana ve izany amin'ny androko?"
\v 20 Raha ny amin'ireo raharaha hafa mahakasika an'i Hezekia, sy ny heriny rehetra, ary ny nanaovany ny farihy sy ny lakan-drano, ary koa ny nitondrany rano tao amin'ny tanàna—moa tsy efa voasoratra ao amin'ny bokin'ny tantaran'ireo mpanjakan'i Joda ve izany?
\v 21 Nodimandry niaraka tamin'ireo razambeny i Hezekia, ary i Manase zanany lahy no nandimby azy teo amin'ny toerany.
\s5
\c 21
\p
\v 1 Roa ambinifolo taona i Manase no nanomboka nanjaka; nanjaka nandritra ny dimy amby dimam-polo taona tao Jerosalema izy. Ny anaran'ny reniny dia i Hefziba.
\v 2 Efa nanao izay ratsy teo imason'i Yaveh izy, tahaka ireo zavatra maharikorikon'ny firenena izay noroahin'i Yaveh teo anatrehan'ireo Israely.
\v 3 Fa namerina nanorina ireo toerana avo izay nosimbain'i Hezekia rainy izy, ary nanorina ireo alitara ho an'i Bala, nanao baon'Aseraha iray, tahaka nataon'i Ahaba mpanjakan'Israely, ary niankohoka tamin'ireo kintan'ny lanitra rehetra ka nanompo ireo.
\s5
\v 4 Manase dia nanorina alitara fanompoan-tsampy tao an-tranon'i Yaveh, na dia nandidy aza i Yaveh hoe: "Ho mandrakizay ao Jerosalema ny anarako."
\v 5 Nanorina ireo alitara ho an'ny kintan'ny lanitra rehetra izy tao amin'ireo kianja roan'ny tranon'i Yaveh.
\v 6 Nataony tao anaty afo ny zanany; sady nanandro sy nanao sikidy ary naka hevitra tamin'ireo izay miresaka amin'ny maty sy ireo izay miresaka amin'ny fanahy izy. Nanao ratsy maro teo imason'i Yaveh izy ary nihantsy an'Andriamanitra tamin'ny fahatezerany.
\s5
\v 7 Ny sary sokitr'i Astarta izay nataony, dia napetrany tao an-tranon'i Yaveh izany. Ka momba izany trano izany no niresahan'i Yaveh tamin'i Davida sy Solomona zanany; hoy izy hoe: "Tato amin'ity trano ity ary tao Jerosalema, izay nosafidiako tamin'ireo fokon'Israely rehetra, no hametrahako ny anarako mandrakizay.
\v 8 Ary tsy hampirenireny ny tongotr'Israely hivoaka amin'ny tany izay nomeko ny razan'ireo intsony Aho, raha manakatò tsara ireo rehetra izay nandidiako izy ireo, ary hanaraka ny lalàna rehetra izay nandidian'i Mosesy mpanompoko azy ireo."
\v 9 Fa tsy nihaino ireo vahoaka, ary i Manase no nitarika azy ireo hanao ratsy mihoatra noho ireo firenena izay noravan'i Yaveh teo anatrehan'ny vahoakan'Israely.
\s5
\v 10 Dia niresaka tamin'ny alalan'ireo mpaminany mpanompony i Yaveh, nanao hoe:
\v 11 "Satria i Manase mpanjakan'i Joda dia nanao ireo zavatra maharikoriko ireo, ary nanao ratsy mihoatra noho izay rehetra nataon'ireo Amorita izay nanao izany talohany, ary nampanota an'i Joda ihany koa tamin'ireo sampiny,
\v 12 noho izany i Yaveh, ilay Andriamanitr'i Israely, niteny izao: Indro, hahatonga loza toy izany eo amin'i Jerosalema sy Joda Aho ka izay rehetra mandre izany, dia hangorintsina ny sofiny roa.
\s5
\v 13 Haninjitra ny tady fandrefesana ampiasaina hanoherana an'i Samaria amin'i Jerosalema aho, ary ny pilao fandrefesana ampiasaina hanoherana ny fianakavian'i Ahaba; hanadio an'i Jerosalema, tahaka ny olona manadio sakafo, mikosoka izany ary manodikodina izany ambony ambany aho.
\v 14 Hanipy ireo lovako sisa tavela aho ary hanome izany ho eo am-pelatanan'ny fahavalon'izy ireo. Ho tonga niharam-boina sy babon'ireo fahavalony rehetra izy ireo,
\v 15 satria efa nanao izay ratsy teo imasoko izy ireo, ary nihantsy ahy tamin'ny fahatezerana, hatramin'ny andro nivoahan'ny razam-ben'izy ireo avy tao Egypta, mandraka androany."
\s5
\v 16 Fanampin'izany, i Manase dia nandatsa-drà tsy manan-tsiny maro be, mandra-pahafenoiny fahafatesana tamin'ny iray hatramin'iray hafa an'i Jerosalema. Izany dia fanampin'ny fahotana izay nampanotany an'i Joda, rehefa nanao izay ratsy teo imason'i Yaveh izy ireo.
\v 17 Ary raha ny amin'ireo raharaha hafa mahakasika an'i Manase, izay rehetra nataony, ary ny fahotana izay nataony, moa ve tsy efa voasoratra ao amin'ny bokin'ny tantaran'ny mpanjakan'i Joda izany?
\v 18 Dia nodimandry tany amin'ireo razany ary nalevina tao amin'ny zaridainan'ny tranony ihany i Manase, tao an-jaridainan'i Oza. Ary i Amona zanany no lasa mpanjaka teo amin'ny toerany.
\s5
\v 19 Teo amin'ny faharoa amby roapolo taonany i Amona no nanomboka nanjaka; nanjaka nandritra ny roa taona tao Jerosalema izy. Ny anaran-dreniny dia i Mesolemeta; zanaka vavin'i Haroza avy any Jotba.
\v 20 Nanao izay ratsy teo imason'i Yaveh izy, tahaka ny nataon'i Manase rainy.
\s5
\v 21 Nanaraka ireo lalana rehetra izay nandehanan'ny rainy ary nanompo ireo sampy izay notompoin'ny rainy, ary niankohoka amin'izy ireo i Amona.
\v 22 Nandao an'i Yaveh, ilay Andriamanitr'ireo razany izy, ary tsy nandeha tamin'ny lalan'i Yaveh.
\v 23 Ireo mpanompon'i Amona dia nitetika hanohitra azy ary namono ny mpanjaka tao an-tranony ihany.
\s5
\v 24 Fa ireo vahoakan'ny tany dia namono izay rehetra nitetika hanohitra an'i Amona mpanjaka, ary izy ireo no nanao an'i Josia zanany lahy ho mpanjaka teo amin'ny toerany.
\v 25 Raha ny amin'ny raharaha hafa mahakasika izay nataon'i Amona, moa ve tsy efa voasoratra ao amin'ny bokin'ny tantaran'ireo mpanjakan'i Joda izany?
\v 26 Ireo vahoaka dia nandevina azy tao amin'ny fasany tao an-jaridainan'i Oza, ary i Josia zanany no lasa mpanjaka teo amin'ny toerany.
\s5
\c 22
\p
\v 1 Valo taona i Josia no nanomboka nanjaka; iraika amby telopolo taona no nanjakany tao Jerosalema. Jedida no anaran'ny reniny (zanaka vavin'i Adaia avy any Bozkata).
\v 2 Nanao izay marina teo imason'i Yaveh izy. Nandeha tamin'ireo lalana rehetran'i Davida razambeny izy, ary tsy nivily lalana niankavia na niankavanana.
\s5
\v 3 Ary teo amin'ny fahavalo ambin'ny folo taonan'i Josia Mpanjaka, dia nandefa an'i Safana zanak'i Azalia zanak'i Mesolama, ilay mpanora-dalàna, tany an-tranon'i Yaveh izy, nanao hoe:
\v 4 "Miakara any amin'i Hilkia ilay mpisorona be ary lazao izy mba hanisa ny vola izay nentina tany an-tranon'i Yaveh, izay nangonin'ny mpiandry ny tempoly tamin'ny vahoaka.
\v 5 Aoka izany homena eo an-tanan'ny mpiasa izay miandraikitra ny tranon'i Yaveh, ary aoka izy ireo hanome izany an'ilay mpiasa izay ao an-tranon'i Yaveh, mba hanamboarana izay simba ao amin'ny tempoly.
\s5
\v 6 Aoka izy ireo hanome vola ho an'ireo mpandrafitra, ireo mpanori-trano, ary mba hividy hazo sy vato voapaika ihany koa mba hanamboarana ny tempoly."
\v 7 Fa tsy ho takiana amin'izy ireo ny antontan'ny vola, satria mampiasa izany am-patokiana izy ireo.
\s5
\v 8 Hoy i Hilkia mpisorona be tamin'i Safana mpanora-dalàna hoe: "Hitako tao amin'ny tranon'i Yaveh ny bokin'ny lalàna."
\v 9 Ka nomen'i Hilkia an'i Safana ny boky, ary namaky izany izy. Lasa i Safana ary naka ny boky teny amin'ny mpanjaka, ary hitatitra aminy ihany koa, manao hoe: "Ireo mpanomponao dia nandany ny vola izay hita tao an-tempoly ary natolotr'izy ireo teo an-tanan'ireo mpiasa izay manara-maso ny fikarakarana ny tranon'i Yaveh izany."
\v 10 Dia hoy i Safana mpanora-dalàna tamin'ny mpanjaka: "Hilkia mpisorona no nanome ahy ny boky." Ary novakian'i Safana tamin'ny mpanjaka izany.
\s5
\v 11 Ary rehefa nandre ireo tenin'ny lalàna ny mpanjaka, dia nandriatra ny akanjony izy.
\v 12 Nandidy an'i Hilkia mpisorona, sy Ahikama zanak'i Safana, i Akbora zanak'i Mikaia, Safana ilay mpanora-dalàna, ary i Asaia, ilay mpanompony, ny mpanjaka, ka nanao hoe:
\v 13 "Mandehana ary miresaha amin'i Yaveh ho ahy, ary ho an'ireo vahoaka sy ireo Joda rehetra, noho ireo tenin'ity boky izay hita ity. Fa mafonja ny hatezeran'i Yaveh izay mirehitra amintsika nohon'ny tsy fihainoan'ireo razambentsika ireo tenin'ity boky ity dia ny hoe hankatò izay rehetra voasoratra momba antsika."
\s5
\v 14 Noho izany i Hilkia mpisorona, Ahikama, Akbora, Safana, ary i Asaia no nandeha nankany amin'i Holda ilay mpaminany vavy, vadin'i Saloma zanak'i Tikva zanak'i Harasa, ilay mpikarakara ny fitafiana (nipetraka tao Jerosalema tao amin'ny faritra faharoa izy), ary niresaka taminy izy ireo.
\v 15 Hoy ravehivavy tamin'izy ireo: "Izao no nolazain'i Yaveh, ilay Andriamanitr'Israely: 'Lazao ny olona izay nandefa anareo aty amiko hoe:
\v 16 "Izao no lazain'i Yaveh: 'Indro, hitondra loza amin'ity toerana ity sy ireo mponiny Aho, araka ny zavatra rehetra voasoratra ao amin'ny boky izay novakian'ny mpanjakan'i Joda.
\s5
\v 17 Satria nahafoy Ahy ary nandoro ditin-kazo manitra ho an'ireo andriamanitra hafa izy reo, mba hiantsy Ahy ho tezitra amin'ireo asa rehetra izay nataon'izy ireo-- noho izany ny hatezerako dia nirehitra tamin'ity toerana ity, ary tsy ho faty izany."'
\v 18 Fa ho an'ny mpanjakan'i Joda, izay nandefa anao mba hanontany ny sitrapon'i Yaveh, dia izao no ho lazainao aminy: "Yaveh, ilay Andriamanitr'Israely nilaza izao: "Momba ireo teny izay renao,
\v 19 satria tso-po ianao, ary satria nanetry tena teo anatrehan'i Yaveh ianao, rehefa renao izay nolazaiko tamin'ity toerana ity sy ireo olony, fa ho tonga faharavana sy ozona izy ireo, ary satria ianao dia nandriatra ny akanjonao ary nitomany teto anatrehako, dia nihaino anao ihany koa Aho—izany no fanambaran'i Yaveh.
\s5
\v 20 Indro, hanambatra anao amin'ireo razanao Aho, ary handry am-piadanana ao am-pasanao ianao. Tsy hahita ireo loza rehetra izay ho entiko amin'ity toerana ity ny masonao.""" Koa dia nentin'ilay lehilahy tany amin'ny mpanjaka izany hafatra izany.
\s5
\c 23
\p
\v 1 Dia naniraka mpitondra hafatra izay nampivory teo aminy ireo loholon'i Joda sy Jerosalema rehetra ny mpanjaka.
\v 2 Dia niakatra tao an-tranon'i Yaveh ny mpanjaka, sy ireo olon'i Joda rehetra ary ireo mponin'i Jerosalema rehetra niaraka taminy, sy ireo mpisorona, ireo mpaminany, ary ireo vahoaka rehetra, hatramin'ny kely ka hatramin'ny lehibe. Novakiany teo an-tsofin'izy ireo ny tenin'ny bokin'ny Fanekena rehetra izay hita tao an-tranon'i Yaveh.
\s5
\v 3 Nijoro teo akaikin'ny andry ny mpanjaka ary nanao fanekena teo anatrehan'i Yaveh, mba hanaraka an'i Yaveh sy hitandrina ireo didiny, ireo fitsipiny, ary ireo lalàny, amin'ny fony rehetra sy ny fanahiny rehetra, mba hanamafy ireo tenin'izany fanekena izany izay voasoratra ao amin'ity boky ity. Ka dia nanaiky hankatò ny fanekena ny vahoaka rehetra.
\s5
\v 4 Ary ny mpanjaka nandidy an'i Hilkia mpisoronabe, ireo mpisorona ambany fahefany, ary ireo mpiandry vavahady mba hamoaka avy ao amin'ny tempolin'i Yaveh ireo fanaka rehetra izay natao ho an'i Bala sy Astarta, sy ho an'ireo kintan'ny lanitra rehetra. Nandoro izany tany ivelan'i Jerosalema tany an-tsaha tao amin'ny lohasahan'i Kidrona izy ary nitondra ny lavenon'ireo tany Betela.
\v 5 Nanafoana ireo mpisorona mpanompo sampy izay nofidian'ireo mpanjakan'i Joda handoro ditin-kazo manitra tao amin'ireo toerana avo tao amin'ireo tanànan'i Joda sy tao amin'ireo toerana nanodidina an'i Jerosalema izy— dia ireo izay nandoro ditin-kazo manitra ho an'i Bala, ho an'ny masoandro sy ny volana, ho an'ireo planeta, ary ho an'ireo kintan'ny lanitra rehetra.
\s5
\v 6 Namoaka ny baon'Aseraha avy tao amin'ny tempolin'i Yaveh izy, tany ivelan'i Jerosalema tany an-dohasahan'i Kidrona ary nandoro izany teo. Notorotoroiny ho vovoka izany ka nariany teo amin'ireo fasam-bahoaka izany vovoka izany.
\v 7 Nodioviny ireo efitranon'ireo lehilahy mpivavaka mivaro-tena izay tao an-tempolin'i Yaveh, izay nanenonan'ireo vehivavy fitafiana ho an'i Aseraha.
\s5
\v 8 Nitondra ireo mpisorona rehetra tany ivelan'ny tanànan'i Joda i Josia ary nandoto ireo toerana avo izay nandoran'ireo mpisorona ditin-kazo manitra, nanomboka tao Geba hatrany Beri-sheba. Noravàny ireo toerana avo teo amin'ireo vavahady izay teo amin'ny fidirana mankany amin'ny vavahadin'i Josoa (tanànan'ny governora), teo amin'ny ilany ankavian'ny vavahadin'ny tanàna.
\v 9 Na dia tsy navela nisorona teo amin'ny alitaran'i Yaveh tao Jerosalema aza ireo mpisoron'ireo toerana avo ireo, dia nihinana mofo tsy misy masirasira teo amin'ireo rahalahiny izy ireo.
\s5
\v 10 Nolotoin'i Josia i Tofeta, izay tao amin'ny lohasahan'i Beni-hinoma, mba tsy hisy olona handoro ao anaty afo ny zanany lahy na ny zanany vavy ho sorona ho an'i Moloka.
\v 11 Nalany ireo soavaly izay nomen'ireo mpanjakan'i Joda ny masoandro. Teo amin'ny faritra teo amin'ny fidirana ho ao an-tempolin'i Yaveh, akaikin'ny efitranon'i Natana-meleka, tandapa ireo. Nodoran'i Josia ireo kalesin'ny masoandro.
\s5
\v 12 Noravan'i Josia mpanjaka ireo alitara izay teo amin'ny tafon'ny efitranon'i Ahaza farany ambony, izay namboarin'ny mpanjakan'i Joda, sy ireo alitara izay nataon'i Manase tao amin'ireo kianjan'ny tempolin'i Yaveh anankiroa. Notorotoroin'i Josia ireo ary nariany tao amin'ny Lohasahan-driak'i Kidrona.
\v 13 Noravan'ny mpanjaka ireo toerana avo atsinanan'i Jerosalema, atsimon'ny tendrombohitry ny faharatsiana izay namboarin'i Solomona mpanjakan'Israely ho an'i Astarta, ilay sampy maharikorikon'ireo Sidoniana; ho an'i Kemosy, ilay sampy maharikorikon'i Moaba; ary ho an'i Moloka, ilay sampy maharikorikon'ireo vahoakan'i Amona.
\v 14 Notorotoroiny ireo tsangam-bato ary nokapainy ireo baon'Aseraha ary nofenoiny taolan'olombelona ireo toerana ireo.
\s5
\v 15 Noravan'i Josia tanteraka ihany koa ny alitara izay tao Betela sy ny toerana avo izay namboarin'i Jeroboama zanaka lahin'i Nebata (ilay iray izay nampanota ny Israely). Nodorany ihany koa izany alitara izany sy ny toerana avo ka notorotoroiny ho vovoka. Nodorany ihany koa ny baon'Aseraha.
\v 16 Raha nijery ny faritra Josia, dia tsikariny ireo fasana izay teo amin'ny havoana. Naniraka lehilahy mba haka ny taolana avy tao amin'ireo fasana izy; ka dia nodorany teo amin'ny alitara ireo, izay nandoto izany. Izany dia araka ny tenin'i Yaveh izay nolazain'ny lehilahin'Andriamanitra, dia ilay lehilahy izay niteny ireo zavatra ireo mialoha.
\s5
\v 17 Dia hoy izy: "Tsangambato inona ity hitako?" Ireo lehilahin'ny tanàna niteny taminy hoe: "Io dia fasan'ny lehilahin'Andriamanitra izay avy any Joda ary niresaka momba ireo zavatra izay vao nataonao tamin'ny alitaran'i Betela."
\v 18 Dia hoy i Josia: "Avelao izany. Tsy misy olona tokony hamindra ireo taolany." Ka navelan'izy ireo, niaraka tamin'ireo taolan'ny mpaminany izay avy any Samaria ny taolany.
\s5
\v 19 Dia nesorin'i Josia ireo trano rehetra tany amin'ireo toerana avo izay tany amin'ireo tanànan'ny Samaria, izay nataon'ireo mpanjakan'Israely, ary izay nahatonga an'i Yaveh ho tezitra. Nataony mitovy tsy misy valaka tamin'izay natao tany Betela ireo.
\v 20 Novonoiny teo amin'ireo alitara ireo mpisoron'ny toerana avo rehetra ary nandoro taolan'olombelona teo amin'ireo izy. Avy eo dia niverina tany Jerosalema.
\s5
\v 21 Dia nandidy ny vahoaka rehetra ny mpanjaka, nanao hoe: "Tandremo ny Paskan'i Yaveh Andriamanitrareo, araka izay voasoratra ao amin'ity Bokin'ny Fanekena ity."
\v 22 Tsy nisy fankalazana ny Paska notandremana toy izany hatramin'ny andron'ireo mpitsara izay nanapaka teo amin'Israely, na tamin'ny andron'ireo mpanjaka izay nanapaka ny Israely, na tamin'ireo andron'ireo mpanjakan'Israely na Joda rehetra.
\v 23 Fa tamin'ny taona fahavalo ambin'ny folo nanjakan'i Josia mpanjaka no nankalazaina tany Jerosalema izany Paskan'i Yaveh izany.
\s5
\v 24 Noroahin'i Josia ihany koa ireo izay niresaka tamin'ny maty na tamin'ny fanahy. Noroahiny ihany koa ireo terafima, ireo sampy, ary ireo zavatra maharikoriko rehetra izay hita tao amin'ny tanin'ny Joda sy tany Jerosalema, mba hanamafisana ireo tenin'ny lalàna izay voasoratra tao amin'ny boky izay hitan'i Hilkia mpisorona tao an-tranon'i Yaveh.
\v 25 Talohan'i Josia, dia tsy mbola nisy mpanjaka tahaka azy, izay niverina tamin'i Yaveh tamin'ny fony rehetra, ny fanahiny rehetra, ary ny heriny rehetra, izay nanaraka ny lalàn'i Mosesy rehetra. Sady tsy nisy mpanjaka tahaka an'i Josia nitsangana tao aoriany.
\s5
\v 26 Na izany aza, dia tsy nitsahatra ny firehetan'ny fahatezerana lehiben'i Yaveh, izay nirehitra tamin'i Joda noho ireo fanompoan-tsampy rehetra izay nihantsian'i Manase Azy.
\v 27 Koa hoy i Yaveh: "Esoriko tsy ho eo imasoko ihany koa i Joda, tahaka ny nanesorako an'Israely, ary hariako ity tanàna izay nofidiako ity, dia i Jerosalema, sy ny trano izay nolazaiko hoe: 'Ho ao ny anarako."'
\s5
\v 28 Raha ny amin'ireo raharaha hafa mahakasika an'i Josia, ny zavatra rehetra izay nataony, moa tsy efa voasoratra ao amin'ny bokin'ny tantaran'ireo mpanjakan'i Joda ve izany?"
\v 29 Tamin'ny androny, i Farao-neko, mpanjakan'i Egypta, dia nandeha mba hiady tamin'ny mpanjakan'i Asyria tao amin'ny Ony Eofrata. Nandeha nitsena an'i Neko tao an'ady i Josia mpanjaka, ka novonoin'i Neko tao Megido izy.
\v 30 Ireo mpanompon'i Josia nitondra azy efa maty tao anaty kalesy avy any Megido, nitondra azy tany Jerosalema, ary nandevina azy tao amin'ny fasany manokana. Dia nalain'ny vahoakan'ny tany i Joahaza zanaka lahin'i Josia, nosorany, ary nataony ho mpanjaka nandimby ny toeran'ny rainy.
\s5
\v 31 Telo amby roapolo taona i Joahaza no nanomboka nanjaka, ary nanjaka nandritra ny telo volana tao Jerosalema izy. Ny anaran-dreniny dia i Hamotala; izy dia zanaka vavin'i Jeremia avy any Libna.
\v 32 Nanao izay ratsy teo imason'i Yaveh i Joahaza, toy ny zavatra rehetra izay nataon'ireo razambeny.
\v 33 Nofatoran'i Farao-neko rojo tao Ribla tao amin'ny tanin'i Hamata izy, mba tsy hanjakany ao Jerosalema. Dia nampanefain'i Neko talenta volafotsy zato sy talenta volamena iray i Joda.
\s5
\v 34 Nataon'i Farao-neko ho mpanjaka teo amin'ny toeran'i Josia rainy i Eliakima zanak'i Josia, ary novainy hoe Joiakima ny anarany. Nefa nitondra an'i Joahaza nankany Egypta izy, ka maty tany i Joahaza.
\v 35 Nandoa ny volafotsy sy volamena tamin'i Farao i Joiakima. Mba hamaliana ny fangatahan'i Farao mpanjaka, dia nampandoa hetra ny tany i Joiakima ary notereny mba handoa volafotsy sy volamena aminy araka ny tomban'izy ireo ny olona tsirairay tamin'ireo vahoakan'ny tany.
\s5
\v 36 Dimy amby roapolo taona i Joiakima no nanomboka nanjaka, ary nanjaka iraika ambin'ny folo taona tao Jerosalema izy. Ny anaran-dreniny dia i Zebida; izy dia zanaka vavin'i Pedaia avy any Romaha.
\v 37 Nanao izay ratsy teo imason'i Yaveh i Joiakima, tahaka izay nataon'ireo razambeny.
\s5
\c 24
\p
\v 1 Tamin'ny andron'i Joiakima, dia nanafika an'i Joda i Nebokadnezara mpanjakan'i Babylona; lasa mpanompony nandritra ny telo taona i Joiakima. Ary niodina ka nikomy nanohitra an'i Nebokadnezara i Joiakima.
\v 2 Nandefa ireo tarika Kaldeana, Syriana, Moabita ary Amonita hanohitra an'i Joiakima i Yaveh; nalefany hanohitra an'i Joda mba handrava izany izy ireo. Mifanaraka amin'ny tenin'i Yaveh, izay nolazainy tamin'ny alalan'ireo mpaminany mpanompony izany.
\s5
\v 3 Azo antoka fa tamin'ny vavan'i Yaveh no nahatonga izany tamin'i Joda, mba hanala azy ireo tsy ho eo imasony, nohon'ny fahotan'i Manase, dia izay rehetra nataony,
\f + \ft Fanamarihana: ireo dikan-teny sasany dia mivaky toy izao, "Azo antoka fa nohon'ny fahaviniran'i Yaveh tokoa izany." \f*
\v 4 ary nohon'ny rà tsy manan-tsiny izay nalatsany ihany koa, satria nofenoiny tamin'ny rà tsy manan-tsiny i Jerosalema. Tsy nivonona ny hamela izany i Yaveh.
\s5
\v 5 Raha ny amin'ireo raharaha hafa rehetra mahakasika an'i Joiakima, sy izay nataony rehetra, moa tsy efa voasoratra ao amin'ny bokin'ny tantaran'ireo mpanjakan'i Joda ve izany?
\v 6 Nodimandry niaraka tamin'ireo razambeny i Joiakima, ary Joiakina zanany lahy no lasa mpanjaka nandimby azy.
\s5
\v 7 Tsy nanafika tany ivelan'ny taniny intsony ny mpanjakan'i Egypta, satria ny mpanjakan'i Babylona dia efa nandresy ny tany rehetra izay teo ambany fifehezan'ny mpanjakan'i Egypta, hatramin'ny lohasahan-driakan'i Egypta ka hatramin'ny Renirano Eofrata.
\s5
\v 8 Valo ambin'ny folo taona i Joiakina no nanomboka nanjaka; nanjaka telo volana tany Jerosalema izy. Ny anaran'ny reniny dia i Nehosta; zanaka vavin'i Elnatana avy any Jerosalema.
\v 9 Nanao izay ratsy teo imason'i Yaveh izy; nanao izay rehetra nataon'ny rainy izy.
\s5
\v 10 Tamin'izany fotoana izany ny tafik'i Nebokadnezara mpanjakan'i Babylona dia nanafika an'i Jerosalema ka nanao fahirano ny tanàna.
\v 11 Tonga teo an-tanàna i Nebokadnezara mpanjakan'i Babylona raha mbola nanao fahirano izany ny miaramilany,
\v 12 ary i Joiakina mpanjakan'i Joda nankany amin'ny mpanjakan'i Babylona, izy, ny reniny, ireo mpanompony, ireo andriany, ary ireo manampahefany. Nisambotra azy ny mpanjakan'i Babylona tamin'ny taona fahavalo nanjakany.
\s5
\v 13 Nalain'i Nebokadnezara avy tao avokoa ireo zavatra sarobidy rehetra tao an-tranon'i Yaveh, sy ireo tao an-dapan'ny mpanjaka. Notapatapahany ny zavatra volamena rehetra izay nataon'i Solomona mpanjakan'Israely tao amin'ny tempolin'i Yaveh, araka izay nolazain'i Yaveh fa hitranga.
\v 14 Nataony sesitany i Jerosalema manontolo, ny mpitarika rehetra, sy ireo lehilahy mpiady rehetra, babo iray alina, sy ireo mpanao tao-zavatra, ary ireo mpanefy rehetra. Tsy nisy navelany hijanona afa-tsy ireo olona mahantra indrindra teo amin'ny tany.
\s5
\v 15 Nalain'i Nebokadnezara ho sesitany tao Babylona i Joiakina, mbamin'ny renin'ny mpanjaka, ireo vadiny, ireo manam-pahefany, ary ireo lehiben'ireo lehilahy teo amin'ny tany. Nalainy ho sesitany avy any Jerosalema nankany Babylona izy ireo.
\v 16 Ireo lehilahy mpiady rehetra, miisa fito arivo, mpanao asa tanana sy mpanefy vy iray alina, izy rehetra ireo dia natao ho amin'ny ady avokoa—ny mpanjakan'i Babylona nitondra ireo lehilahy rehetra ireo ho sesitany ho any Babylona.
\v 17 Nataon'ny mpanjakan'i Babylona ho mpanjaka handimby azy i Matania, ralahan-drain'i Joiakina, ary novainy ho Zedekia ny anarany.
\s5
\v 18 Iraika amby roapolo taona i Zedekia no nanomboka nanjaka; nanjaka nandritra ny iraika ambin'ny folo taona tany Jerosalema izy. Hamotala no anaran'ny reniny; zanaka vavin'i Jeremia avy any Libna.
\v 19 Nanao izay ratsy teo imason'i Yaveh izy; nataony izay rehetra nataon'i Joiakima.
\v 20 Tamin'ny fahatezeran'i Yaveh, no nisehoan'ireo tranga rehetra ireo tany Jerosalema sy Joda, mandra-pandroahany azy ireo tsy ho eo amin'ny fanatrehany. Ary dia nikomy nanohitra ny mpanjakan'i Babylona i Zedekia.
\s5
\c 25
\p
\v 1 Ary tamin'ny taona fahasivy nanjakan'i Zedekia Mpanjaka, tamin'ny volana fahafolo, ary tamin'ny andro fahafolon'ny volana, dia tonga hanohitra an'i Jerosalema i Nebokadnezara mpanjakan'i Babylona sy ireo tafiny rehetra. Nitoby teo anilan'izany izy, ary nanangan'izy ireo rindrina manodidina izany.
\v 2 Ka dia natao fahirano hatramin'ny fahairaika ambiny'ny folo taona nanjakan'i Zedekia Mpanjaka ny tanàna.
\v 3 Tamin'ny andro fahasivin'ny volana fahefatra tamin'izany taona izany, dia namely mafy ny mosary tao an-tanàna ka tsy nisy sakafo ho an'ny vahoakan'ny tany.
\s5
\v 4 Dia vaky ny tanàna, ary ny lehilahy mpiady rehetra nandositra tamin'ny alina avy teo amin'ny lalan'ny vavahady teo anelanelan'ireo rindrina roa, izay eo amin'ny zaridainan'ny mpanjaka, na dia nanodidina ny tanàna rehetra aza ireo Kaldeana. Nandeha tamin'ny lalana mankany Araba ny mpanjaka.
\v 5 Kanefa nanenjika an'i Zedekia Mpanjaka ny tafik'i Kaldeana ka nahatratra azy teo amin'ny lemaky ny lohasahan-dreniranon'i Jordana akaikin'i Jeriko. Ary niparitaka niala taminy ny tafiny rehetra.
\s5
\v 6 Nosamborin'izy ireo ny mpanjaka ary nentiny niakatra tany amin'ny mpanjakan'i Babylona tany Ribla, tany izy ireo no nitsara azy.
\v 7 Raha ny amin'ireo zanaka lahin'i Zedekia kosa, novonoin'izy ireo teo imasony izy ireo. Avy eo dia nopotsirin'izy ireo ny masony, nofatorany tamin'ny rojo varahina izy, ary nentiny tany Babylona.
\s5
\v 8 Tamin'ny volana fahadimy, tamin'ny andro fahafiton'ny volana, izay taona fahasivy ambin'ny folo nanjakan'i Nebokadnezara mpanjakan'i Babylona, dia nankany Jerosalema, i Nebozaradana, mpanompon'ny mpanjakan'i Babylona sy lehiben'ireo mpiambiny.
\v 9 Nodorany ny tranon'i Yaveh, ny lapan'ny mpanjaka, ary ny trano rehetra tao Jerosalema; ary nodorany ihany koa izay trano lehibe manan-danja rehetra tao an-tanàna.
\v 10 Ary ireo rindrina manodidina an'i Jerosalema rehetra, dia nopotehin'ireo tafika Babyloniana izay teo ambany fifehezan'ny lehiben'ny mpiambina.
\s5
\v 11 Raha ny amin'ireo vahoaka izay sisa tavela tao an-tanàna, ireo izay nandao ny mpanjakan'i Babylona, ary ireo vahoaka ambiny—dia nalefan'i Neborazadana, mpifehy ny mpiambina an-tsesitany izy ireo.
\v 12 Kanefa ny lehiben'ny mpiambina dia namela ny sasany tamin'ireo mahantra indrindra amin'ny tany mba hiasa ireo tanim-boaloboka sy ireo saha.
\s5
\v 13 Ary ny amin'ireo andry varahina izay tao an-tranon'i Yaveh, sy ireo tsanganana ary ireo tavin-drano varahina lehibe izay tao an-tranon'i Yaveh, dia nopotipotehin'ireo Kaldeana ary nentin'izy ireo niverina tany Babylona ny varahina.
\v 14 Ireo vilany, lapelina, fitoeran-jiro, sotro, ary ireo fanaka varahina rehetra izay fampiasan'ny mpisorona eo an-tempoly—dia nalain'ireo Kaldeana avokoa.
\v 15 Ny vilany famafazan-davenona sy ny lovia izay vita tamin'ny volamena, ary ireo vita tamin'ny volafotsy—dia nalain'ny kapitenin'ny mpiambin'ny mpanjaka ihany koa.
\s5
\v 16 Ireo andry roa, ny koveta, ary ireo tsanganana izay nataon'i Solomona ho an'ny tranon'i Yaveh dia misy varahina tsy hita ho lanjaina.
\v 17 Ny haavon'ny andry voalohany dia valo ambin'ny folo hakiho, ary nihaingo kapitaly varahina ny tampon'izany. Telo hakiho ny haavon'ilay kapitaly, miaraka amin'ny harato sy ampongaben-danitra manodidina ilay kapitaly rehetra, natao tamin'ny varahina avokoa. Mitovy amin'ilay harato voalohany ihany ilay iray hafa.
\s5
\v 18 Nalain'ny lehiben'ny mpiambina i Seraia lehiben'ny mpisorona, niaraka tamin'i Zefania, mpisorona faharoa, ary ireo mpiandry vavahady telo.
\v 19 Avy tao an-tanàna izy no naka tandapa iray ho gadra izay niandraikitra ireo miaramila, ary dimy lahy tamin'ireo dia mpanome hevitra ny mpanjaka, izay mbola tao an-tanàna. Nogadrainy ihany koa ilay manam-pahefan'ny tafiky ny mpanjaka izay miandraikitra ireo lehilahy miofana ho ao amin'ny tafika, niaraka tamina enimpolo lahy manan-kaja avy amin'ny tany ao an-tanàna.
\s5
\v 20 Ary i Nebozaradana, lehiben'ny mpiambina, naka ary nitondra azy ireo tany amin'ny mpanjakan'i Babylona tany Ribla.
\v 21 Novoin'ny mpanjakan'i Babylona tao Ribla tao amin'ny tany Hamata izy ireo. Toy izany no nanaovana sesitany an'i Joda tany ivelan'ny taniny.
\s5
\v 22 Raha ny amin'ireo vahoaka izay nijanona tao amin'ny tanin'i Joda, ireo izay navelan'i Nebokadnezara mpanjakan'i Babylona, dia nametraka an'i Gedalia zanaka lahin'i Ahikama zanak'i Safana, hisahana azy ireo izy.
\v 23 Ary rehefa ren'ireo lehiben'ny miaramila rehetra, izy ireo sy ireo olony, fa efa nataon'ny mpanjakan'i Babylona governora i Gedalia, dia nandeha tany amin'ny Gedalia tany Mizpa izy ireo. Ireto izany lehilahy izany, Ismaela zanaka lahin'i Netania, Johanana zanaka lahin'i Karea, Seraia zanaka lahin'i Tanometa ilay Netofatita, ary i Jazania zanaka lahin'ilay Makatita—izy ireo sy ny olon'izy reo.
\v 24 Nanao fianianana tamin'izy ireo sy tamin'ireo olony i Gedalia, ary niteny tamin'izy ireo hoe: "Aza matahotra ireo manampahefan'i Kaldeana ianareo. Mitoera eo amin'ny tany ary manompoa ny mpanjakan'i Babylona, ary ho tsara ho anareo izany."
\s5
\v 25 Kanefa tamin'ny volana fahafito i Ismaela zanaka lahin'i Elisama, avy amin'ny mpianakavin'ny mpanjaka, dia nandeha niaraka tamina folo lahy ary nanafika an'i Gedalia. Maty niaraka tamin'ireo olon'i Joda sy ireo Babyloniana izay niaraka taminy tany Mizpa i Gedalia.
\v 26 Ary ny vahoaka rehetra, ny kely indrindra ka hatramin'ny lehibe indrindra, ary ireo lehiben'ny miaramila, dia niainga ary nankany Egypta, satria natahotra an'ireo Babyloniana izy ireo.
\s5
\v 27 Taty aoriana tamin'ny fahafito amby telopolo taona naha-sesitany an'i Joakina mpanjakan'i Joda, ny volana faharoa ambin'ny folo, andro fahafito amby roapolon'ny volana, dia namotsotra an'i Joakina mpanjakan'i Joda tany am-ponja i Evila-merodaka mpanjakan'i Babylona. Tamin'ny taona nanombohan'i Evila-merodaka nanjaka izany no niseho.
\s5
\v 28 Niresaka taminy tamin'ny hatsaram-panahy sy nanome seza fiandrianana manan-kaja kokoa noho ny an'ireo mpanjaka hafa izay niaraka taminy tao Babylona izy.
\v 29 Nesorin'i Evila-merodaka ny akanjo maha-gadra an'i Joakina, ary i Joakina dia nihinana teo amin'ny latabatry ny mpanjaka nandritra ny androm-piainany.
\v 30 Nomena solon-tsakafo isan'andro izy nandritra ny androm-piainany.