plt_ulb/10-2SA.usfm

1371 lines
128 KiB
Plaintext

\id 2SA
\ide UTF-8
\h 2 Samoela
\toc1 2 Samoela
\toc2 2 Samoela
\toc3 2sa
\mt 2 Samoela
\s5
\c 1
\p
\v 1 Taorian'ny nahafatesan'i Saoly, dia niverina avy any amin'ny fanafihana an'ireo Amalekita i Davida ary nijanona tao Ziklaga nandritra ny roa andro.
\v 2 Tamin'ny andro fahatelo, dia nisy lehilahy iray niaraka tamin'ny fitafiany rotidrotika sy loto teo amin'ny lohany no tonga avy tany amin'ny tobin'i Saoly. Rehefa tonga teo amin'i Davida izy dia niankohoka tamin'ny tany ary nanondrika ny tenany.
\s5
\v 3 Hoy Davida taminy hoe: "Avy aiza ianao?" Namaly izy hoe: "Nitsoaka avy tany amin'ny tobin'Israely aho."
\v 4 Hoy Davida taminy hoe: "Lazao ahy re ny fisehoan'izany zavatra izany." Namaly izy hoe: "Nandositra tamin'ny ady ireo vahoaka. Maro no lavo ary maro no maty. Saoly sy Jonatana zanany lahy ihany koa dia maty."
\v 5 Hoy Davida tamin'ilay tovolahy hoe: "Ahoana no hahafantaranao fa maty Saoly sy Jonatana zanany?"
\s5
\v 6 Namaly ilay tovolahy hoe: "Kisendrasendra no naha-teo amin'ny Tendrombohitr'i Gilboa ahy, ary indro Saoly nitehina tamin'ny lefony, ary ireo kalesy sy ireo mpitaingina azy dia teo am-pisamborana azy.
\v 7 Nihodikodina Saoly ary nahita ahy ka niantso mafy ahy. Dia namaly aho hoe: 'Inty aho.'
\s5
\v 8 Hoy izy tamiko hoe: 'Iza ianao?' Namaly azy aho hoe: 'Amalekita aho.'
\v 9 Hoy izy tamiko hoe: 'Mitsangàna re eto akaikiko ary vonoy aho, fa fahoriana lehibe no manjo ahy, kanefa mbola ato amiko ny aina.'
\v 10 Noho izany dia nanatona teo aminy aho ary namono azy, satria fantatro fa tsy ho velona izy taorian'ny nahalavo azy. Avy eo dia nalaiko ny satro-boninahitra izay teo amin'ny lohany sy ny fehin-tanana teo amin'ny sandriny, ary ireo nentiko eto aminao ireo, ry tompoko."
\s5
\v 11 Avy eo dia nandrovitra ireo fitafiany i Davida, ary nanao toy izany koa ireo olona rehetra niaraka taminy.
\v 12 Nisaona izy ireo, nitomany, ary nifady hanina ho an'i Saoly mandrapa-hariva, ho an'i Jonatana zanany lahy, ho an'ireo vahoakan'i Yaveh, ary ho an'ny ankohonan'Israely satria lavo tamin'ny sabatra izy ireo.
\v 13 Hoy Davida tamin'ilay tovolahy hoe: "Avy aiza ianao?" Namaly izy hoe: "Zanaky ny vahiny iray eo amin'ny tany aho, Amalekita iray."
\s5
\v 14 Hoy Davida taminy hoe: "Nahoana ianao no tsy natahotra namono ny mpanjaka voahosotr'i Yaveh tamin'ny tananao ihany?"
\v 15 Niantso ny iray tamin'ireo tovolahy i Davida ary niteny hoe: "Mandehana ary vonoy izy." Koa nandeha izany lehilahy izany ary namely azy, ka maty ilay Amalekita.
\v 16 Avy eo dia niteny tamin'ny fatin'ilay Amalekita i Davida hoe: "Eo amin'ny lohanao ny rànao satria ny vavanao ihany no vavolombelona nanohitra anao ary nanao hoe: 'Namono ny mpanjaka voahosotr'i Yaveh aho.'"
\s5
\v 17 Avy eo dia nihira ity hira fisaonana momban'i Saoly sy Jonatana zanany lahy ity i Davida.
\v 18 Nibaiko ny vahoaka izy mba hampianatra izany Hiran'ny Tsipîka izany an'ireo zanaka lahin'i Joda, izay voasoratra ao amin'ny Bokin'i Jasara.
\v 19 "Ny voninahitrao, ry Israely, dia maty, voavono teo amin'ny toeranao avo! Endrey ny fahalavòn'ilay mahery!
\v 20 Aza lazaina ao Gata izany, aza ambara eny amin'ireo lalan'i Askelona, mba tsy ho afaka hifaly ireo zanaka vavin'ny Filistina, mba tsy hankalaza ireo zanaka vavin'ny tsy voafora.
\s5
\v 21 Ry Tendrombohitr'i Gilboa, tsy hisy ando sy orana anie eo aminao, na saha manome voa ho fanatitra, satria teo ny fiarovan'ilay mahery no voaloto. Ny fiarovan'i Saoly dia tsy voahosotra amin'ny menaka intsony.
\v 22 Avy amin'ny ràn'ireo izay voavono, avy amin'ny fatin'ireo mahery, dia tsy niverina ny tsipîkan'i Jonatana, ary tsy niverim-poana ny sabatr'i Saoly.
\s5
\v 23 Saoly sy Jonatana dia tiana sy mpamindra fo teo amin'ny fiainana, ary tsy nosarahina izy ireo tamin'ny fahafatesan'izy ireo. Malaika noho ny voromahery izy ireo, natanjaka noho ny liona.
\v 24 Ianareo ry zanaka vavin'Israely, mitomania an'i Saoly, izay nampitafy jaky sy firavaka anareo, ary izay nametaka firavaka volamena teo amin'ny akanjonareo.
\s5
\v 25 Endrey ny fahalavon'ilay mahery teo afovoan'ny ady! Novonoina teo amin'ny toeranao avo i Jonatana.
\v 26 Ory nohon'ny aminao aho, ry Jonatana rahalahiko. Tena malala tamiko ianao. Mahatalanjona ny fitiavanao ahy, mihoatra noho ny fitiavan'ireo vehivavy.
\v 27 Endrey ny fahalavon'ilay mahery, sy ny fahalevonan'ireo fitaovam-piadian'ny ady!"
\s5
\c 2
\p
\v 1 Taorian'izany dia nanontany an'i Yaveh i Davida ary niteny hoe: "Tokony hiakatra any amin'ny iray amin'ireo tanànan'i Joda ve aho?" Namaly azy i Yaveh hoe: "Miakàra." Hoy i Davida hoe: "Any amin'ny tanàna aiza no tokony halehako?" Dia namaly Yaveh hoe: "Any Hebrona."
\v 2 Noho izany dia niakatra niaraka tamin'ireo vadiny roa i Davida, dia i Ahinoama avy any Jezirelita, sy Abigaila avy any Karmela, ilay mpitondratena navelan'i Nabala.
\v 3 Nitondra ireo olona izay niaraka taminy, izay samy nitondra ny fianakaviany avy, ho any amin'ireo tanànan'i Hebrona, izay nanomboka nonenan'izy ireo i Davida.
\s5
\v 4 Avy eo tonga ireo lehilahy avy any Joda ary nanosotra an'i Davida ho mpanjaka eo amin'ny ankohonan'i Joda. Hoy izy ireo tamin'i Davida hoe: "Ireo olon'i Jabesi-gileada no nandevina an'i Saoly."
\v 5 Noho izany dia naniraka mpitondra hafatra ho any amin'ireo olon'i Jabesi-gileada i Davida ary niteny tamin'izy ireo hoe: "Tahian'i Yaveh ianareo, satria ianareo dia nampiseho izany tsy fivadihana izany tamin'i Saoly tomponareo sy nandevina azy.
\s5
\v 6 Ankehitriny haneho fanekem-pihavanana tsy mivadika sy fahatokiana aminareo anie Yaveh. Izaho ihany koa dia haneho izany fahatsarana izany aminareo satria nanao izany zavatra izany ianareo.
\v 7 Koa ankehitriny ary, aoka hatanjaka ny tananareo; manàna herim-po fa maty i Saoly tomponareo, ary ny fokon'i Joda nanosotra ahy ho mpanjaka eo amin'izy ireo."
\s5
\v 8 Fa Abnera zanaka lahin'i Nera, mpifehy ny tafik'i Saoly, dia naka an'Isboseta zanaka lahin'i Saoly ary nitondra azy tany Mahanaima.
\v 9 Nanao an'Isboseta ho mpanjakan'i Gileada, Asorita, Jezirela, Efraima, Benjamina, ary amin'Israely rehetra izy.
\s5
\v 10 Efapolo taona Isboseta zanaka lahin'i Saoly no nanomboka nanjaka teo amin'Israely, ary nanjaka nandritra ny roa taona izy. Fa nanaraka an'i Davida ny fokon'i Joda.
\v 11 Fito taona sy enim-bolana ny fotoana nanjakan'i Davida tamin'ny fokon'i Joda tao Hebrona.
\s5
\v 12 Abnera zanaka lahin'i Nera, ary ireo mpanompon' Isboseta zanaka lahin'i Saoly, dia niala tao Mahanaima ho any Gibeona.
\v 13 Ary Joaba zanaka lahin'i Zeroia sy ireo mpanompon'i Davida dia nivoaka ary nihaona tamin'izy ireo teo amin'ny farihin'i Gibeona. Teny izy ireo no nipetraka, ny vondrona iray teo ankilan'ny farihy ary ny vondrona iray hafa teo andaniny.
\s5
\v 14 Hoy Abnera tamin'i Joaba hoe: "Aoka hitsangana sy hifaninana eo anoloantsika ireo tovolahy." Dia hoy Joaba hoe: "Aoka hitsangana izy ireo."
\v 15 Dia nitsangana sy niara-niangona ireo tovolahy, roa ambin'ny folo avy tamin'i Benjamina sy Isboseta zanak'i Saoly, ary roa ambin'ny folo avy tamin'ireo mpanompon'i Davida.
\s5
\v 16 Ny lehilahy tsirairay dia samy nisambotra ny mpifanandrina taminy tamin'ny lohany sy nanatsatoka ny sabany teo amin'ny andilan'ny mpifanandrina taminy, ary dia niara-lavo izy ireo. Koa dia nantsoina tamin'ny teny Hebreo hoe: "Helkata-hazorima" na "Sahan-tsabatra" izany toerana izany, izay any Gibeona.
\v 17 Tena mafy ny ady tamin'io andro io ary resy teo anoloan'ireo mpanompon'i Davida i Abnera sy ireo lehilahin'Israely.
\s5
\v 18 Teo ireo zanak'i Zeroia telo lahy: Joaba, sy Abisay, ary Asahela. Ny tongotr'i Asahela dia haingam-pandeha tahaka ny gazela-dia.
\v 19 Ary Asahela nanenjika akaiky an'i Abnera sy nanaraka azy tsy nivilivily tamin'ny lalany rehetra.
\s5
\v 20 Nijery ny tao aoriany Abnera ary nanao hoe: "Ianao ve io ry Asahela?" Namaly izy hoe: "Izaho ity."
\v 21 Dia hoy Abnera taminy hoe: "Mivilia any amin'ny ankavananao na ny ankavianao, ary misambora iray amin'ireo tovolahy ka alaivo ny fiadiany." Fa tsy nivily Asahela.
\s5
\v 22 Dia hoy indray Abnera tamin'i Asahela hoe: "Ajanony ny fanenjehana ahy. Nahoana aho no tokony hamely anao amin'ny tany? Ataoko ahoana ny hanatri-tava an'i Joaba, rahalahinao?"
\v 23 Fa tsy nanaiky ny hivily i Asahela, ary dia notrobaran'i Abnera ny antsin-defony ny vatany, ka nivoaka avy tao an-damosiny ilay lefona. Nikarapoka ary maty teo Asahela. Koa izay olona tonga teo amin'ilay toerana izay nampikarapoka sy nahafaty an'i Asahela, dia nijanona sy tsy nihetsika teo.
\s5
\v 24 Fa nenjehan'i Joaba sy Abisay i Abnera. Rehefa nilentika ny masoandro, dia tonga teo amin'ny havoan'i Ama, izay akaikin'i Gia eo amoron'ny lalana mankany amin'ny efitr'i Gibeona izy ireo.
\v 25 Niara-niangona tao aorian'i Abnera ireo lehilahin'i Benjamina ary nitsangana teo an-tampon'ilay havoana.
\s5
\v 26 Avy eo dia niantso an'i Joaba i Abnera ary niteny hoe: "Tsy maintsy handrapaka mandrakizay ve ny sabatra? Tsy fantatrao ve fa hangidy izany any amin'ny farany? Mandra-pahoviana ianao vao hiteny ny olonao mba hitsahatra tsy hanenjika ny rahalahiny izy ireo?
\v 27 Dia namaly Joaba hoe: "Raha mbola velona koa Andriamanitra, raha tsy niteny izany ianao, dia ho nanenjika ireo rahalahin'izy ireo mandra-maraina ireo miaramilako!"
\s5
\v 28 Dia nitsoka ny anjomara Joaba, ary nijanona ny olony rehetra ka tsy nanenjika ny Israely intsony, na niady intsony izy ireo.
\v 29 Nanditra izany alina izany dia nandeha namakivaky an'i Arabà i Abnera sy ny olony. Niampita an'i Jordana izy ireo, nandeha nandritra ny ampitso maraina tontolo, ary dia tonga tao Mahanaima.
\s5
\v 30 Niverina avy nanenjika an'i Abnera i Joaba. Nanangona ny olony rehetra izy, ka i Asahela sy miaramila sivy ambin'ny folo avy amin'i Davida no tsy teo.
\v 31 Fa ireo olon'i Davida dia namono 360 lahy tamin'ny olon'i Benjamina izay niaraka tamin'i Abnera.
\v 32 Avy eo dia nalain'izy ireo i Asahela ary naleviny tao amin'ny fasan-drainy, izay tao Betlehema. Ary Joaba sy ireo olony nandeha ny alina tontolo, ary vao nangiran-dratsy izy ireo no tonga tao Hebrona.
\s5
\c 3
\p
\v 1 Ary nisy ady lava reny teo amin'ny ankohonan'i Saoly sy ny ankohonan'i Davida. Nihanahery hatrany i Davida, fa ny ankohonan'i Saoly kosa dia nihaosa hatrany.
\s5
\v 2 Niteraka zazalahy tao Hebrona i Davida. Ny lahimatoany dia i Amnona, tamin'i Ahinoama avy any Jezraela.
\v 3 Ny zanany lahy faharoa, dia i Kileaba, naterak'i Abigaila, ilay mpitondratena navelan'i Nabala avy any Karmela. Ny fahatelo, dia i Absaloma, zanaka lahin'i Maka, zanaka vavin'i Talmay, mpanjakan'i Gesora.
\s5
\v 4 Ny zanaka lahin'i Davida fahefatra, dia i Adonia, zanaka lahin'i Hagita. Ny zanaka lahiny fahadimy dia i Sefatia zanaka lahin'i Abitala,
\v 5 ary ny fahenina dia i Jitreama, zanaka lahin'i Egla vadin'i Davida. Ireo no zanaka lahy naterak'i Davida tao Hebrona.
\s5
\v 6 Ary nandritra ny ady teo amin'ny ankohonan'i Saoly sy ny ankohonan'i Davida dia niha-nahery tao an-tokantranon'i Saoly i Abnera.
\v 7 Saoly dia nanana vaditsindrano antsoina hoe Rizpa, zanaka vavin'i Aia. Hoy Isboseta tamin'i Abnera hoe: "Nahoana ianao no niara-nandry tamin'ny vaditsindranon-draiko?"
\s5
\v 8 Ary dia tezitra mafy tamin'ny tenin'Isboseta i Abnera ka niteny hoe: "Lohan'amboa izay an'i Joda ve aho? Anio aho dia maneho fahatokiana amin'ny ankohonan'i Saoly, razambenao, amin'ireo rahalahiny, ary amin'ireo namany, mba tsy hanolotra anareo eo an-tanan'i Davida. Fa ankehitriny ianao dia miampanga ahy ny amin'ny fanaovan-dratsy mahakasika ity vehivavy ity?
\s5
\v 9 Ho ataon'Andriamanitra amiko anie izany, ry Abnera, ary mihoatra aza, raha tsy hataoko amin'i Davida araka izay nianianan'i Yaveh taminy,
\v 10 ny hamindra ny fanjakana avy amin'ny ankohonan'i Saoly sy hanorina ny seza fiandrianan'i Davida eo amin' Israely sy eo amin'ny Joda, hatrany Dana ka hatrany Beri-sheba."
\v 11 Tsy nanana teny hafa havaly an'i Abnera intsony i Isboseta, satria natahotra azy izy.
\s5
\v 12 Avy eo dia nandefa mpitondra hafatra nankany amin'i Davida i Abnera mba hiresaka ho azy manao hoe: "An'iza ity tany ity? Manaova fanekena amiko, dia ho hitanao fa homba anao ny tanako, mba hitondra ny Israely rehetra ho eo aminao."
\v 13 Namaly i Davida hoe: "Tsara izany, hanao fanekena aminao aho. Kanefa ny zavatra iray takiako aminao dia ny tsy ahitanao ny tavako raha tsy entinao aloha i Mikala, zanaka vavin'i Saoly, rehefa tonga hijery ahy ianao."
\s5
\v 14 Avy eo i Davida nandefa mpitondra hafatra nankany amin'Isboseta, zanaka lahin'i Saoly, niteny hoe: "Omeo ahy Mikala vadiko, izay efa naloako vidy tamin'ny lohatsintsin'ny Filistina zato."
\v 15 Noho izany Isboseta dia nampaka an'i Mikala ka naka azy tamin'i Paltiela vadiny, zanaka lahin'i Laisy.
\v 16 Nandeha niaraka taminy ny vadiny, nitomany teny am-pandehanana, ary nanaraka azy hatrany Bahorima. Ary hoy Abnera taminy hoe: "Miverena any an-trano ankehitriny." Ka niverina izy.
\s5
\v 17 Niresaka tamin'ireo loholon'Israely i Abnera niteny hoe: "Taloha ianareo dia niezaka ny hanana an'i Davida ho mpanjaka eo aminareo.
\v 18 Ankehitriny ataovy izany. Fa Yaveh efa niteny tamin'i Davida nilaza hoe: 'Amin'ny tanan'i Davida mpanompoko no hamonjeko ny Israely vahoakako amin'ny tanan'ireo Filistina sy amin'ny tanan'ireo fahavalon'izy ireo rehetra.'"
\s5
\v 19 Niresaka manokana tamin'ny olon'i Benjamina ihany koa i Abnera. Avy eo dia nandeha ihany koa Abnera mba hiresaka amin'i Davida ao Hebrona mba hanazava ny zavatra rehetra izay irian'Israely sy ny ankohonan'i Benjamina manontolo ho tanterahina.
\v 20 Rehefa tonga tao Hebrona mba hihaona amin'i Davida i Abnera sy ny roapolo tamin'ireo lehilahiny, dia efa nanomana fanasana ho azy ireo Davida.
\s5
\v 21 Ary Abnera nanazava tamin'i Davida hoe: "Hitsangana aho ka hanangona ny Israely rehetra ho aminao, ry ilay mpanjaka tompoko, mba hafahan'izy ireo manao fanekena aminao, mba hahafahanao manjaka amin'izay rehetra irinao." Ka nandefa an'i Abnera i Davida, ary Abnera niala tam-piadanana.
\s5
\v 22 Ka tonga avy any am-panafihana ny miaramilan'i Davida sy Joaba ary nitondra babo maro niaraka tamin'izy ireo. Kanefa Abnera dia tsy niaraka tamin'i Davida tany Hebrona. Efa nandefa azy Davida, ary niala tam-piadanana Abnera.
\v 23 Rehefa tonga Joaba sy ireo tafika rehetra niaraka taminy, dia hoy izy ireo tamin'i Joaba hoe: "Tonga teto amin'ny mpanjaka i Abnera zanak'i Nera, ary nalefan'ny mpanjaka izy, ary niala tam-piadanana i Abnera."
\s5
\v 24 Avy eo dia tonga teo amin'ny mpanjaka i Joaba ka niteny hoe: "Inona no nataonao? Indro, i Abnera efa tonga teto aminao! Nahoana no nalefanao izy, ka lasa?
\v 25 Tsy fantatrao ve fa i Abnera zanak'i Nera dia tonga teto aminao mba hamitaka anao sy mba hahafantatra ireo tetikao ary hamantatra izay rehetra ataonao?"
\v 26 Rehefa nandao an'i Davida i Joaba, dia naniraka mpitondra hafatra nanaraka an'i Abnera izy, ary nentin'izy ireo niverina avy any amin'ny famorian-dranon'ny Siraha izy, kanefa tsy fantatr'i Davida izany.
\s5
\v 27 Raha niverina ho any Hebrona i Abnera, dia nentin'i Joaba nihataka kely teo afovoan'ny vavahady mba hiresaka aminy mangingina izy. Teo Joaba no nanindrona azy teo amin'ny kibo ka nahafaty azy. Tamin'izany fomba izany, no namalian'i Joaba ny ràn'i Asahela rahalahiny.
\s5
\v 28 Raha nandre ny momba izany Davida dia hoy izy hoe: "Izaho sy ny fanjakako dia tsy manan-tsiny mandrakizay eo anatrehan'i Yaveh mahakasika ny ràn'i Abnera zanak'i Nera.
\v 29 Aoka ny heloka ny amin'ny fahafatesan'i Abnera hilatsaka amin'ny lohan'i Joaba sy ny ankohonan-drainy rehetra. Tsy ho afaka amin'ny fianakavian'i Joaba anie ny olona izay mitsi-drà na ny areti-koditra na izay mandringa ka tsy maintsy mamindra amin'ny tehina na izay lavon-tsabatra na ireo tsy manan-ko-hanina."
\v 30 Toy izany no namonoan'i Joaba sy Abisay rahalahiny an'i Abnera, satria namono an'i Asahela rahalahin'izy ireo tany an'ady tao Gibeona izy.
\s5
\v 31 Hoy Davida tamin'i Joaba sy ireo olona rehetra niaraka taminy hoe: "Rovito ny fitafianareo, manaova akanjo fisaonana, ary manaova fisaonana manoloana ny fatin'i Abnera." Ary Davida mpanjaka dia nandeha tao aorian'ilay faty tamin'ny dingan'ny fandevenana.
\v 32 Nalevin'izy ireo tao Hebrona i Abnera. Nitomany sy nihiaka mafy teo amin'ny fasan'i Abnera ny mpanjaka, ary nitomany ihany koa ny olona rehetra.
\s5
\v 33 Nisaona an'i Abnera ny mpanjaka ka nihira hoe: "Tokony ho faty toy ny fahafatesan'ny adala ve Abnera?
\v 34 Tsy nofatorana ny tananao. Tsy nasiana rojo vy ny tongotrao. Fa tahaka ny fahalavon'ny olona teo anoloan'ireo zanaky ny tsy fahamarinana, no nahalavo anao." Ary mbola nitomany azy indray ny olona rehetra.
\s5
\v 35 Tonga nampisakafo an'i Davida ny olona rehetra raha mbola atoandro ny andro, fa Davida nianiana hoe: "Hataon'Andriamanitra amiko anie izany, ary mihoatra aza, raha manandrana mofo na zavatra hafa aho mialohan'ny hilentehan'ny masoandro."
\v 36 Tsikaritry ny olona rehetra ny alahelon'i Davida, ary nankasitrahan'izy ireo izany, araka ny fankasitrahany izay rehetra nataon'ny mpanjaka.
\s5
\v 37 Koa takatry ny olona sy ny Israely rehetra tamin'izay andro izay fa tsy fanirian'ny mpanjaka ny hamono an'i Abnera zanaka lahin'i Nera.
\v 38 Hoy ny mpanjaka tamin'ireo mpanompony hoe: "Tsy fantatrareo ve fa andriana sy olona lehibe no lavo any Israely androany?
\v 39 Fa osa aho ankehitriny, na dia mpanjaka voahosotra aza aho. Ireo lehilahy ireo, ireo zanaka lahin'i Zeroia, dia nahery setra loatra tamiko. Hamaly ny mpanao ratsy anie Yaveh amin'ny fanasaziana azy ny amin'ny faharatsiany, araka izay mendrika azy."
\s5
\c 4
\p
\v 1 Rehefa ren'Isboseta, zanaka lahin'i Saoly, fa maty tany Hebrona i Abnera, dia lasa nalemy ny tanany, ary nikorontana Israely rehetra.
\v 2 Ary ny zanaka lahin'i Saoly dia nanana roa lahy izay kapitenin'ireo vondron'ireo miaramila. Ny anaran'ny iray dia Bana ary ilay iray hafa kosa dia i Rekaba, zanaka lahin'i Rimona ilay Berotita avy amin'ny vahoakan'i Benjamina (satria Berota ihany koa dia noraisina ho isan'i Benjamina,
\v 3 ary ireo Berotita nitsoaka tany Gitaima ka nipetraka tany hatramin'izao fotoana izao).
\s5
\v 4 Ary Jonatana, zanaka lahin'i Saoly, dia nanana zanaka lahy izay malemy ny tongony. Dimy taona izy rehefa tonga tao Jezirela ny vaovao momban'i Saoly sy Jonatana. Nentin'ilay mpitaiza azy mba handositra izy. Kanefa raha nihazakazaka iny izy, dia nianjera ny zanak'i Jonatana ary lasa malemy. Mefiboseta no anarany.
\s5
\v 5 Noho izany ireo zanaka lahin'i Rimona ilay Berotita, i Rekaba sy Bana, dia lasa nandeha nandritra ny hafanan'ny andro nankany amin'ny tranon'i Isboseta, tamin'izy niala sasatra tamin'ny mitatao vovonana.
\v 6 Resi-tory ilay vehivavy mpiandry varavarana raha nanivana vary, ary Rekaba sy Bana nandeha am-pahanginana sy nandalo azy.
\v 7 Koa rehefa niditra tao amin'ilay trano izy ireo, dia nanafika azy ka namono azy raha nandry teo am-pandriany tao amin'ny efitranony izy. Avy eo notapahan'izy ireo ny lohany ary nentiny izany, ary nandeha teny amin'ny lalana nandritra ny alina tontolo nankany amin'ilay Araba.
\s5
\v 8 Nentin'izy ireo tany amin'i Davida tao Hebrona ny lohan'Isboseta, ary hoy izy ireo tamin'ny mpanjaka hoe: "Indro, ity ny lohan'Isboseta zanaka lahin'i Saoly, fahavalonao, izay nifofo ny ainao. Ankehitriny Yaveh dia namaly faty ny mpanjaka tamin'i Saoly sy ireo taranany."
\v 9 Ary Davida namaly an'i Rekaba sy Bana rahalahiny, ireo zanaka lahin'i Rimona ilay Berotita; hoy izy tamin'izy ireo hoe: "Raha mbola velona koa Yaveh, izay nanafaka ny aiko tamin'ny korontana rehetra,
\v 10 rehefa nisy olona niteny tamiko hoe: 'Indro, maty Saoly,' mieritreritra fa mitondra vaovao tsara izy, dia nosamboriko izy ary novonoiko tany Ziklaga. Izany no valisoa nomeko azy nohon'ny vaovaony.
\s5
\v 11 Maika fa, rehefa nisy lehilahy namono olona tsy manan-tsiny tao amin'ny tranony manokana teo amin'ny fandriany, dia tsy tokony hangataka ny ràny eo an-tananareo ve aho, ary manala anareo eto an-tany?"
\v 12 Avy eo Davida nanome baiko an'ireo tovolahy, ary namono azy ireo izy ireo ka nanapaka ny loha sy ny tongotr'izy ireo ary nanantona azy ireo teo akaikin'ny kamory tao Hebrona. Fa nalain'izy ireo ny lohan'Isboseta ary naleviny tao amin'ny fasan'i Abnera tao Hebrona izany.
\s5
\c 5
\p
\v 1 Avy eo ny fokon'Israely rehetra nankany amin'i Davida tany Hebrona ary nilaza hoe: "Indro, nofo sy taolanao izahay.
\v 2 Vao tsy ela akory, fony nanjaka teo amintsika i Saoly, dia ianao no nitarika ny tafika Israelita. Yaveh nilaza taminao hoe: 'Hiandry an'Israely vahoakako ianao, ary ho lasa mpanapaka eo amin'Israely.'"
\s5
\v 3 Koa tonga tany amin'ilay mpanjaka tany Hebrona ireo loholon'Israely rehetra, ary Davida Mpanjaka nanao fanekena tamin'izy ireo teo anatrehan'i Yaveh.
\v 4 Nanosotra an'i Davida ho mpanjaka teo amin'Israely izy ireo. Telopolo taona i Davida no nanomboka nanjaka, ary nanjaka nandritra ny efapolo taona izy.
\v 5 Tany Hebrona dia nanjaka teo amin'i Joda nandritra ny fito taona sy enim-bolana izy, ary tany Jerosalema dia nanjaka nandritra ny telo amby telopolo taona teo amin'Israely sy Joda rehetra izy.
\s5
\v 6 Nandeha nankany Jerosalema ny mpanjaka sy ireo olony mba hanohitra ireo Jebosita, ireo mponin'ilay tany. Hoy izy ireo tamin'i Davida hoe: "Tsy ho avy eto ianao raha tsy ny jamba sy ny mandringa no hampiverina anao. Tsy afaka ny ho tonga eto Davida."
\v 7 Na dia izany aza, dia nambabo ny fiarovana mafin'i Ziona, izay tanànan'i Davida ankehitriny i Davida.
\s5
\v 8 Tamin'izany fotoana izany i Davida nilaza hoe: "Ireo izay manafika ny Jebosita dia tsy maintsy handalo amin'ny lalan-drano mba hihazo ny 'mandringa sy ny jamba' izay fahavalon'i Davida." Izany no ilazan'ny olona hoe: "Ny 'jamba sy ny mandringa' dia tsy mahazo miditra ny lapa."
\v 9 Koa nonina tao amin'ilay fiarovana mafy i Davida ary niantso izany hoe ilay tanànan'i Davida. Nohamafisiny ny manodidina izany, avy eny amin'ny lavarangana mankany anatiny.
\v 10 Lasa natanjaka be Davida satria Yaveh, ilay Andriamanitry ny maro, no niaraka taminy.
\s5
\v 11 Avy eo Hirama mpanjakan'i Tyra naniraka mpitondra hafatra, sy hazo sedera, mpandrafitra, ary mpanamboatra trano tany amin'i Davida. Nanamboatra trano ho an'i Davida izy ireo.
\v 12 Fantatr'i Davida fa efa nametraka azy ho mpanjakan'Israely i Yaveh, ary efa nanandratra ny fanjakany nohon'ny amin'Israely vahoakany Izy.
\s5
\v 13 Avy eo Davida niala tao Hebrona ary nandeha tany Jerosalema, naka vaditsindrano sy vady maromaro tany Jerosalema izy, ary nisy zanaka lahy maro sy zanaka vavy maro naterany.
\v 14 Ireto avy ny anaran'ireo zanaka naterany tany Jerosalema: Samoa, Sobaba, Natana, Solomona,
\v 15 Jibara, Elisoa, Nafega, Jafia,
\v 16 Elisama, Eliada, ary Elifeleta.
\s5
\v 17 Ary rehefa ren'ireo Filistina fa efa voahosotra ho mpanjakan'Israely i Davida, dia nivoaka izy rehetra mba hitady azy. Nefa nandre momba izany Davida dia nandeha nidina tany amin'ny fiarovana mafy.
\v 18 Ary dia tonga ireo Filistina ka niparitaka tany an-Dohasahan'i Refaima.
\s5
\v 19 Dia nitady vonjy tamin'i Yaveh i Davida. Hoy izy hoe: "Tokony hanafika ireo Filistina ve aho? Hanome fandresena amin'izy ireo ve Ianao?" Hoy Yaveh tamin'i Davida hoe: "Manafiha, fa hanome fandresena ho anareo eo amin'ireo Filistina tokoa Aho."
\v 20 Koa nanafika tao Bala-Perazima i Davida, ary tao no nandreseny azy ireo. Naneho hevitra izy hoe: "Nisafoaka tamin'ireo fahavaloko teo anatrehako tahaka ny fisafoakan'ny safo-drano i Yaveh." Koa lasa Bala-Perazima ny anaran'izany toerana izany.
\v 21 Navelan'ireo Filistina teo ny sampin'izy ireo, ary nentin'i Davida sy ireo lehilahiny lavitra ireo.
\s5
\v 22 Avy eo dia niakatra indray ireo Filistina ary niparitaka fanindroany teny an-Dohasahan'i Refaima.
\v 23 Koa dia nitady vonjy tamin'i Yaveh indray Davida, ary hoy Yaveh taminy hoe: "Aza manafika ny manoloana azy ireo ianao, fa hiodidino avy ao aoriany izy ireo ary manatona azy ireo avy eo amin'ireo hazo balsama.
\s5
\v 24 Rehefa mandre ny feon-diabe eny amin'ny rivotra mitsoka avy eo an-tampon'ny hazo balsama ianao, dia aoka hanafika amin-kery. Ataovy izany satria hivoaka mialoha anareo mba hanafika ny tafik'ireo Filistina i Yaveh."
\v 25 Koa dia nanao araka izay nandidian'i Yaveh azy i Davida. Novonoiny nanomboka tany Geba ka hatrany amin'ny lalana rehetra mankany Gezera ireo Filistina.
\s5
\c 6
\p
\v 1 Ary dia nangonin'i Davida niaraka indray ny lehilahin'Israely voafidy rehetra, telo alina.
\v 2 Niainga i Davida ary nandeha niaraka tamin'ireo lehilahiny rehetra izay niaraka taminy nanomboka tany Bala any Joda mba hilanja ny fiaran'Andriamanitra, izay antsoina amin'ny anarana hoe Yaveh tompon'ny maro, izay mipetraka am-piandrianana eo ambonin'ny kerobima avy any.
\s5
\v 3 Napetrak'izy ireo teo ambony kalesy vaovao ny fiaran'Andriamanitra. Navoakan'izy ireo tao amin'ny tranon'i Abinadaba, izay teo amin'ny havoana iray izany. Oza sy Ahio, zanany lahy, no nitari-dalana ilay kalesy vaovao.
\v 4 Navoakan'izy ireo tao an-tranon'i Abinadaba teo amin'ny havoana ilay kalesy sy ny fiaran'Andriamanitra teo amboniny. Ahio no nandeha teo anoloan'ilay fiara.
\v 5 Avy eo Davida sy ny ankohonan'Israely rehetra nanomboka nitsinjaka teo anatrehan'i Yaveh, nankalaza tamin'ny zava-maneno vita tamin'ny hazo, lokanga, valiha, ampongatapaka, korintsana ary kipantsona.
\s5
\v 6 Rehefa tonga teo amin'ny famoloan'i Nakona izy ireo, dia nianjera ny omby, ary Oza naninjitra ny tanany mba hisarika ilay fiaran'Andriamanitra, ka nihazona izany izy.
\v 7 Dia nirehitra tamin'i Oza ny hatezeran'i Yaveh. Namely azy teo nohon'ny fahotany Andriamanitra. Maty teo akaikin'ny fiaran'Andriamanitra i Oza.
\s5
\v 8 Tezitra i Davida satria namely an'i Oza i Yaveh, ary dia nataony hoe Perez-oza ny anaran'izany toerana izany. Izany toerana izany dia antsoina hoe Perez-oza mandrak'androany.
\v 9 Natahotra an'i Yaveh i Davida tamin'izany andro izany. Hoy izy hoe: "Ahoana no hahatonga ny fiaran'i Yaveh aty amiko?"
\s5
\v 10 Koa tsy naniry ny hitondra ny fiaran'Andriamanitra niaraka taminy ho ao amin'ny tanànan'i Davida izy. Fa kosa, nampiriminy tao an-tranon'i Obed-edoma ilay Gitita izany.
\v 11 Nijanona tao an-tranon'i Obed-edoma ilay Gitita nandritra ny telo volana ny fiaran'i Yaveh. Noho izany dia notahian'i Yaveh izy sy ny ankohonany rehetra.
\s5
\v 12 Ary nolazaina tamin'i Davida Mpanjaka hoe: "Efa nitahy ny tranon'i Obed-edoma sy ny zavatra rehetra izay azy i Yaveh noho ilay fiaran'Andriamanitra." Noho izany dia nandeha i Davida ary nitondra ilay fiaran'Andriamanitra niakatra avy tao an-tranon'i Obed-edoma tamim-piravoravoana ho any amin'ny tanànan'i Davida.
\v 13 Rehefa namindra inenina ireo izay nilanja ny fiaran'Andriamanitra, dia nanao sorona omby iray sy zanak'omby mifahy izy.
\s5
\v 14 Nandihy teo anatrehan'i Yaveh tamin'ny heriny rehetra i Davida; efoda rongony fotsy madinika ihany no nanaovany.
\v 15 Noho izany dia nentin'i Davida sy ny ankohonan'Israely rehetra niakatra niaraka tamin'ny horakoraka sy ny feon'anjomara ny fiaran'i Yaveh.
\s5
\v 16 Ary rehefa tonga tao an-tanànan'i Davida ny fiaran'i Yaveh, dia nitazana teo am-baravarankely i Mikala, zanaka vavin'i Saoly. Nahita an'i Davida Mpanjaka nitsambikimbikina sy nandihy teo anatrehan'i Yaveh izy. Avy eo dia nanao tsinontsinona azy tao am-pony izy.
\v 17 Nampidirin'izy ireo ilay fiaran'i Yaveh ary napetrany teo amin'ny toerany izany, teo afovoan'ny lay izay efa namboarin'i Davida ho an'izany. Avy eo Davida nanolotra fanatitra dorana sy fanati-pihavanana teo anatrehan'i Yaveh.
\s5
\v 18 Rehefa vitan'i Davida ny fanatitra dorana sy ny fanati-pihavanana, dia nitso-drano ny vahoaka tamin'ny anaran'i Yaveh tompon'ny maro izy.
\v 19 Ka dia nizara mofo, teti-kena, ary mofomamy misy voaloboka tamin'ny vahoaka rehetra, ny Israely manontolo, tamin'ny lehilahy sy ny vehivavy izy. Dia lasa ny olona rehetra; samy niverina tany an-tranony avy.
\s5
\v 20 Dia niverina mba hitso-drano ny ankohonany i Davida. Mikala, ilay zanaka vavin'i Saoly, dia nivoaka mba hitsena an'i Davida ary niteny hoe: "Endrey ny voninahitry ny mpanjakan'Israely ankehitriny, izay nanary ny lambany teo imason'ireo andevo vavy anisan'ireo mpanompony, tahaka ny iray amin'ireo mpiteny ratsy izay lany henatra manary ny lambany!"
\s5
\v 21 Davida namaly an'i Mikala hoe: "Nataoko teo anatrehan'i Yaveh izany, izay nifidy ahy ho ambonin'ny rainao sy ho ambonin'ny ankohonany rehetra, izay nanendry ahy ho mpitarika eo amin'ny vahoakan'i Yaveh, eo amin'Israely. Eo anatrehan'i Yaveh no hiravoravoako!
\v 22 Mbola tsy ho mendri-kaja noho izany aza aho, ary ho afa-baraka eo imasoko ihany aho. Kanefa amin'ny alalan'ireo andevo vavy izay noresahinao ireo, no hanomezam-boninahitra ahy."
\v 23 Noho izany i Mikala, zanaka vavin'i Saoly, dia tsy nanan-janaka hatramin'ny andro nahafatesany.
\s5
\c 7
\p
\v 1 Rehefa nipetraka tao an-tranony ny mpanjaka, ary rehefa nanome fitsaharana azy tamin'ireo fahavalony manodidina azy rehetra i Yaveh,
\v 2 dia hoy ny mpanjaka tamin'i Natana mpaminany hoe: "Indro, mipetraka amin'ny trano sedera aho, fa ny fiaran'Andriamanitra kosa mijanona ao afovoan'ny lay."
\s5
\v 3 Dia hoy i Natana tamin'ny mpanjaka hoe: "Mandehana, ataovy izay ao am-ponao, fa homba anao Yaveh."
\v 4 Kanefa tamin'io alina io ihany dia tonga tamin'i Natana ny tenin'i Yaveh, ary nanao hoe:
\v 5 "Mandehana ary lazao Davida mpanompoko hoe: 'Izao no ambaran'i Yaveh: Hanamboatra trano hipetrahana ho Ahy ve ianao?
\s5
\v 6 Fa tsy nitoetra tao an-trano Aho hatramin'ny andro izay nitondrako ny vahoakan'Israely niakatra avy tao Egypta hatramin'izao andro ankehitriny izao; fa kosa, nifindrafindra lay Aho, dia ny tabernakely.
\v 7 Tany amin'ny toerana rehetra izay nifindrako niaraka tamin'ny vahoakan'Israely rehetra, moa nilaza na inona na inona tamin'ireo mpitarik'Israely izay notondroiko hiandry ny Israely vahoakako ve Aho, nanao hoe: "Nahoana ianareo no tsy nanamboatra trano sedera ho Ahy?""
\s5
\v 8 Koa ankehitriny ary, teneno i Davida mpanompoko hoe: "Izao no ambaran'i Yaveh tompon'ny maro: 'Nalaiko avy teny amin'ny saha ianao, tamin'ny fanarahana ireo ondry, mba ho mpanapaka an'Israely vahoakako ianao.
\v 9 Niaraka taminao foana Aho na taiza na taiza nalehanao. Nalàko teo anoloanao avokoa ny fahavalonao rehetra. Ankehitriny hataoko lehibe ny anaranao, tahaka ny anaran'ireo lehibe teto an-tany.
\s5
\v 10 Hisafidy toerana iray ho an'Israely vahoakako Aho ary hamboly azy ireo any, mba hiaina ao amin'ny toeran'izy ireo manokana izy ireo ary tsy ho voakorontana intsony. Tsy hampijaly azy ireo intsony ny olona ratsy fanahy, toy ny nataon'izy ireo teo aloha,
\v 11 toy ny nataon'izy ireo hatramin'ny andro nandidiako ireo mpitsara mba hanapaka an'Israely vahoakako rehetra. Ankehitriny Aho dia hanome fitsaharana anao amin'ireo fahavalonao. Fanampin'izany, Izaho, Yaveh dia manambara aminao fa hanao trano ho anao Aho.
\s5
\v 12 Rehefa tapitra ny andronao ary hodimandry miaraka amin'ireo razambenao ianao, dia hanangana taranaka handimby anao Aho, izay ho avy amin'ny vatanao, ary hampitoeriko ny fanjakany.
\v 13 Hanamboatra trano ho an'ny anarako izy, ary hametraka ny seza fiandrianan'ny fanjakany mandrakizay Aho.
\v 14 Ho rainy Aho, ary izy ho zanako. Rehefa manota izy, dia hananatra azy amin'ny tsorakazon'ny olona sy amin'ny fikapohana ny zanak'olona Aho.
\s5
\v 15 Fa ny fahatokiko dia tsy handao azy, raha nalaiko tamin'i Saoly izany, izay nesoriko talohanao.
\v 16 Ny tranonao sy ny fanjakanao dia ho azo antoka mandrakizay eo anatrehanao. Hitoetra mandrakizay ny seza fiandriananao.'"
\v 17 Dia niresaka tamin'i Davida i Natana ary nitatitra taminy ireo teny rehetra ireo, ary nolazainy taminy ny momban'ilay fahitana iray manontolo.
\s5
\v 18 Dia niditra Davida Mpanjaka ary nipetraka nanoloana an'i Yaveh ka nanao hoe: "Iza aho, ry Yaveh Andriamanitra, ary inona ny fianakaviako no nentinao ho amin'izao tanjona izao aho?
\v 19 Ary zavatra kely eo imasonao izany, ry Tompo Yaveh. Niresaka momban'ny fianakavian'ny mpanomponao ny amin'izay lehibe ho avy Ianao, ary nampiseho taranaka fara-mandimby tamiko, ry Tompo Yaveh!
\v 20 Inona no mbola azoko, izaho Davida, lazaina aminao? Nanome voninahitra ny mpanomponao Ianao, ry Tompo Yaveh.
\s5
\v 21 Nohon'ny amin'ny teninao, sy mba hahatanteraka ny tanjonao manokana, dia nanao izao zavatra lehibe izao Ianao ary naneho izany tamin'ny mpanomponao.
\v 22 Noho izany dia lehibe Ianao, ry Tompo Yaveh, satria tsy misy toa Anao, ary tsy misy Andriamanitra hafa ankoatra Anao, araka izay ren'ny sofinay ihany.
\v 23 Inona no firenena toa an'Israely vahoakanao, ilay firenena eto an-tany izay, nalehanao Andriamanitra sy novonjenao ho an'ny tenanao? Nataonao izao mba ho tonga vahoaka ho Anao izy ireo, mba hanao anarana ho an'ny tenanao, ary mba hanao asa lehibe sy mampatahotra ho an'ny taninao. Nandroaka ireo firenena sy ireo andriamanitr'izy ireo teo anoloan'ny vahoakanao, izay novonjenao avy tao Egypta Ianao.
\s5
\v 24 Napetrakao toy ny vahoakanao manokana mandrakizay Israely, ary Ianao, Yaveh, dia tonga Andriamanitr'izy ireo.
\v 25 Koa ankehitriny, ry Yaveh Andriamanitra, enga anie ho apetraka mandrakizay ny fampanantenana izay nataonao mahakasika ny mpanomponao sy ny fianakaviany. Ataovy araka izay nolazainao.
\v 26 Ho lehibe mandrakizay anie ny anaranao, ka hilaza ny vahoaka hoe: 'Yaveh tompon'ny maro no Andriamanitr'Israely,' raha apetraka anatrehanao, ny tranoko, Davida mpanomponao.
\s5
\v 27 Satria Ianao, Yaveh tompon'ny maro, ilay Andriamanitr'Israely, no nanambara tamin'ny mpanomponao fa hanangana trano ho azy Ianao. Izany no antony, nahitako, izaho mpanomponao, faharisihana hivavaka Aminao.
\v 28 Ankehitriny, ry Tompo Yaveh, dia Andriamanitra Ianao, ary mendri-pitokisana ny teninao, ary nanao io fampanantenana tsara io tamin'ny mpanomponao Ianao.
\v 29 Koa ankehitriny ary, aoka hahafaly Anao ny hitahy ny tranon'ny mpanomponao, mba hitohy eo anoloanao mandrakizay izany. Satria Ianao, ry Tompo Yaveh, no niteny ireo zavatra ireo, ary tamin'ny tso-dranonao no nitahiana mandrakizay ny tranon'ny mpanomponao."
\s5
\c 8
\p
\v 1 Taorian'izany dia nanafika ireo Filistina i Davida ka nandresy azy ireo. Noho izany dia nalain'i Davida tsy ho eo amin'ny fifehezan'ireo Filistina i Gata sy ireo zana-bohiny.
\s5
\v 2 Dia nandresy ny Moabita izy ka nandrefy ny olon'izy ireo tamin'ny tsipika tamin'ny fampandriana azy ireo teo amin'ny tany. Nandrefy indroan'ny tsipika izy mba hamonoana, ary indray mandeha monja mba hitazonana ho velona. Ka dia lasa mpanompon'i Davida ireo Moabita ary nanomboka nandoa hetra taminy.
\s5
\v 3 Koa dia resin'i Davida i Hadadezera zanak'i Rehoba, ilay mpanjakan'i Zoba, raha lasa nampody ny fanjakany teo amoron'ny Ony Eofrata i Hedadezera.
\v 4 Nambabo kalesy 1, 700 sy miaramila an-tongotra roa alina avy taminy i Davida. Notraingon'i Davida avokoa ny kalesin-tsoavaly rehetra, fa nanokana izay tokony ho ampy ny kalesy zato tamin'izy ireo izy.
\s5
\v 5 Rehefa tonga hanampy an'i Hadadezera mpanjakan'i Zoba ny Syriana avy any Damaskosy, dia nahafaty lehilahy Syriana roa arivo sy roa alina i Davida.
\v 6 Avy eo i Davida nametraka miaramila tany Syria any Damaskosy, ary lasa mpanompony ka nandoa hetra taminy ny Syriana. Nampandresy an'i Davida teny amin'izay rehetra nalehany i Yaveh.
\s5
\v 7 Dia nalain'i Davida ny ampinga volamena izay tany amin'ny mpanompon'i Hedadezera ka nentiny tany Jerosalema ireo.
\v 8 Avy eo i Davida mpanjaka dia naka varahina maro dia maro avy tao Beta sy Berotahy, tanànan'i Hadadezera.
\s5
\v 9 Rehefa ren'i Toy, mpanjakan'i Hamata, fa nandresy ny tafik'i Hadadezera rehetra i Davida,
\v 10 dia nirahin'i Toy ho any amin'i Davida mpanjaka i Jorama zanany mba hiarahaba azy sy hitso-drano azy, satria Davida niady tamin'i Hadadezera ka nandresy azy, ary satria Hadadezera dia niady tamin'i Toy. Gorama dia nitondra zavatra vita tamin'ny volafotsy, volamena ary varahina niaraka taminy.
\s5
\v 11 Davida mpanjaka dia nanokana ireo zavatra ireo ho an'i Yaveh, niaraka tamin'ny volafotsy sy volamenan'ireo firenena rehetra izay resiny—
\v 12 avy tamin'i Syria, Moaba, ireo olon'i Amona, ireo Filistina, sy ny Amalekita, niaraka tamin'ireo entana rehetra voaroba tamin'i Hadadezera zanak'i Rehoba, mpanjakan'i Zoba.
\s5
\v 13 Fanta-daza ny anaran'i Davida rehefa avy nambabo ny Syriana tany amin'ny Lohasahan-tsira, niaraka tamin'ireo lehilahy valo arivo sy iray alin'izy ireo.
\v 14 Nametrahany miaramila manerana an'i Edoma rehetra, ary ny Edomita rehetra dia tonga mpanompony. Ary Yaveh nampandresy an'i Davida teny amin'izay rehera nalehany.
\s5
\v 15 Nanjaka teo amin'Israely rehetra i Davida, ary nitondra ny rariny sy ny fahamarinana tamin'ny olony rehetra izy.
\v 16 Joaba zanak'i Zeroia no mpifehy ny tafika, ary Josafata zanak'i Ahiloda no mpirakitra.
\v 17 Zadoka zanak'i Ahitoba sy Ahimeleka zanak'i Abiatara no mpisorona, ary Seraia no mpanora-dalàna.
\v 18 Benaia zanak'i Joiada no niandraikitra ireo Heretita sy ireo Paletita, ary ireo zanak'i Davida no mpanolotsain'ny mpanjaka.
\s5
\c 9
\p
\v 1 Hoy i Davida hoe: "Misy olona tafajanona izay azoko anehoana hatsaram-panahy nohon'ny amin'i Jonatana ve ao amin'ny fianakavian'i Saoly?"
\v 2 Nisy mpanompo iray antsoina hoe: Ziba tao amin'ny fianakavian'i Saoly, ary niantso azy ho any amin'i Davida izy ireo. Hoy ny mpanjaka taminy hoe: "Ianao ve no Ziba?" Dia namaly izy hoe: "Eny, mpanomponao aho."
\s5
\v 3 Ka hoy ny mpanjaka hoe: "Tsy misy olona tavela izay azoko anehoana ny hatsaram-panahin'Andriamanitra ve avy ao amin'ny fianakavian'i Saoly?" Namaly ny mpanjaka i Ziba hoe: "Jonatana dia mbola manan-janaka lahy, izay malemy tongotra."
\v 4 Hoy ny mpanjaka taminy hoe: "Aiza izy?" Dia namaly ny mpanjaka i Ziba hoe: "Indro, ao an-tranon'i Makira zanaka lahin'i Amiela any Lo-debara izy."
\s5
\v 5 Avy eo i Davida mpanjaka naniraka azy sy nampamoaka azy tao an-tranon'i Makira zanaka lahin'i Amiela avy any Lo-debara.
\v 6 Noho izany Mefiboseta zanak'i Jonatana zanaka lahin'i Saoly, dia nankeo amin'i Davida ary nampiankohoka ny tavany teo amin'ny tany ho voninahitr'i Davida. Hoy i Davida hoe: "Mefiboseta." Dia namaly izy hoe: "Indro, mpanomponao aho!"
\s5
\v 7 Hoy i Davida taminy hoe: "Aza matahotra, fa haneho hatsaram-panahy aminao ho an'i Jonatana nohon'ny amin'ny rainao tokoa aho, ary hamerina aminao ny tanin'i Saoly raibenao rehetra aho, ary hihinana eo an-databatro mandrakariva ianao."
\v 8 Niankohoka i Mefiboseta ary nanao hoe: "Inona ity mpanomponao, no tokony hijery amin-tsitraka amboa maty tahaka ahy ianao?"
\s5
\v 9 Avy eo ny mpanjaka dia nampiantso an'i Ziba, mpanompon'i Saoly, ary nanao taminy hoe: "Izay an'i Saoly sy ny fianakaviany rehetra dia nomeko ny zafin'ny tomponao.
\v 10 Ianao, ireo zanakao lahy, ary ireo mpanomponao dia tsy maintsy miasa ny tany ho azy ary tsy maintsy mijinja ny vokatra ianao mba hananan'ny zafin'ny tomponao hanina ho hanina. Fa i Mefiboseta, zafin'ny tomponao, dia tsy maintsy hihinana mandrakariva eo an-databatro." Ary Ziba dia nanan-janaka lahy dimy ambin'ny folo sy mpanompo roapolo.
\s5
\v 11 Avy eo Ziba niteny tamin'ny mpanjaka hoe: "Ho ataon'ny mpanomponao izay rehetra andidian'ilay mpanjaka tompoko ny mpanompony." Dia nampian'ny mpanjaka hoe:
\v 12 "Raha ny amin'i Mefiboseta dia hihinana eto an-databatro izy, toy ny iray amin'ireo zanaka lahin'ny mpanjaka." Nanan-janaka lahy tanora antsoina hoe Mika i Mefiboseta. Ny rehetra izay nipetraka tao an-tranon'i Ziba dia mpanompon'i Mefiboseta avokoa.
\v 13 Koa dia nipetraka tany Jerosalema i Mefiboseta, ary nihinana teo an-databatry ny mpanjaka mandrakariva izy, na dia nalemy aza ny tongony roa.
\s5
\c 10
\p
\v 1 Taty aoriana dia maty ny mpanjakan'ny vahoakan'i Amona, ary lasa mpanjaka teo amin'ny toerany i Hanona zanany lahy.
\v 2 Hoy i Davida hoe: "Hanao soa amin'i Hanona zanak'i Nahasy aho, tahaka ny nanaovan'ny rainy soa tamiko." Koa dia nandefa ireo mpanompony hampahery an'i Hanona mahakasika ny rainy i Davida. Niditra tao amin'ny tanin'ny vahoakan'i Amona ireo mpanompony.
\v 3 Saingy hoy ireo mpitarika ny vahoakan'i Amona tamin'i Hanona tompon'izy ireo hoe: "Mihevitra tokoa ve ianao fa manome voninahitra ny rainao i Davida satria nandefa ireo mpanompony hampahery anao izy? Tsy efa nandefa ireo mpanompony taminao ve i Davida mba hijery ny tanàna, hitsikilo izany, mba handrava izany?"
\s5
\v 4 Koa nosamborin'i Hanona ireo mpanompon'i Davida, noharatany ny antsasaky ny volombavan'izy ireo, notapahiny hatreny amin'ny foto-peny ny akanjon'izy ireo, ary noroahiny.
\v 5 Rehefa nanazava izany tamin'i Davida izy ireo, dia nandefa olona hitsena azy ireo izy, satria afa-baraka tanteraka ireo lehilahy. Hoy ny mpanjaka hoe: "Mitoera ao Jeriko mandra-panirin'ny volombavanareo indray, ary miverena avy eo."
\s5
\v 6 Rehefa hitan'ny vahoakan'i Amona fa lasa mangidy hoditra amin'i Davida izy ireo, dia nandefa mpitondra hafatra ny vahoakan'i Amona ary nanakarama ireo Syriana avy ao Beti-rehoba sy Zoba, miaramila nandeha an-tongotra roa alina, sy lehilahy arivo tamin'ny mpanjakan'i Maka, ary lehilahy roa arivo sy iray alina tamin'ireo olon'i Toba.
\v 7 Rehefa nandre izany i Davida, dia nandefa an'i Joaba sy ny tafika miaramila rehetra izy.
\v 8 Tonga ireo Amonita ary nilahatra hiady teo amin'ny fidirana teo amin'ny vavahadin'ny tanànan'izy ireo, raha mbola nijoro teo amin'ny saha malalaka ireo Syriana avy any Zoba sy Rehoba, ary ireo olona avy any Toba sy Maka.
\s5
\v 9 Rehefa nahita ireo fahavalo teo anoloany sy tao aoriany i Joaba, dia nisafidy ny sasany tamin'ireo izay mahay miady indrindra izy ary nandamina azy ireo hiady amin'ireo Syriana.
\v 10 Raha ny amin'ireo tafika sisa tavela, dia notolorany ho baikon'i Abisay rahalahiny, ka nalahiny hiady amin'ny tafik'i Amona izy ireo.
\s5
\v 11 Hoy i Joaba hoe: "Raha mafy loatra ho ahy ireo Syriana, dia ianao, Abisay, no tsy maintsy manavotra ahy. Fa raha mafy loatra ho anareo ny tafik'i Amona, dia ho avy aho ary hanavotra anareo.
\v 12 Mahereza, ary andeha isika haneho ny tanjantsika ho an'ny vahoakantsika sy ireo tanànan'ny Andriamanitsika, satria i Yaveh dia hanao izay tsara ho an'ny tanjony."
\s5
\v 13 Koa nandroso i Joaba sy ireo miaramila tao amin'ny tafiny mba hiady hanohitra ireo Syriana, izay voatery nitsoaka teo anatrehan'ny tafik'Israely.
\v 14 Rehefa nahita ireo miaramilan'ny Syriana nandositra ny tafik'i Amona, dia nitsoaka an'i Abisay koa izy ireo ary niverina tao amin'ny tanàna. Avy eo i Joaba niverina avy tany amin'ny vahoakan'i Amona ary niverina tany Jerosalema.
\s5
\v 15 Rehefa hitan'ireo Syriana fa ho resin'Israely izy ireo, dia nivondrona niaraka indray izy ireo.
\v 16 Avy eo Hadadezera nampiantso andiana Syriana avy any an-dafin'ny Onin'i Eofrata. Tonga tao Helama niaraka tamin'i Sobaka, ilay mpifehy ny tafik'i Hedadezera lohan'izy ireo izy ireo.
\s5
\v 17 Rehefa nolazaina izany i Davida, dia namory ny Israely rehetra izy, niampita an'i Jordana, ary tonga tany Helama. Nilahatra hiady hanohitra an'i Davida ireo Syriana ary niady taminy.
\v 18 Nandositra an'Israely ireo Syriana. Nahafaty miaramila mpitondra kalesy fitonjato sy mpitaingin-tsovaly efatr'alina i Davida. Naratra i Sobaka mpifehy ny tafik'izy ireo ary maty tany.
\v 19 Rehefa hitan'ireo mpanjaka rehetra izay mpanompon'i Hadadezera fa resin'Israely izy ireo, dia nanao fihavanana tamin'Israely izy ireo ka lasa mpanompony. Noho izany ireo Syriana dia natahotra ny hanampy ny vahoakan'i Amona.
\s5
\c 11
\p
\v 1 Ary rehefa tonga ny lohataona, amin'ny fotoana izay fandehanan'ireo mpanjaka hiady, dia nirahin'i Davida i Joaba, mpanompony, sy ireo tafik'Israely rehetra. Nandringana ny tafik'i Amona ary nanao fahirano an'i Raba izy ireo. Saingy nijanona tany Jerosalema i Davida.
\s5
\v 2 Nony tonga ny hariva dia nifoha teo am-pandriany i Davida ary nandeha tany amin'ny tafon'ny lapany. Avy eny izy no nahatazana vehivavy iray izay teo am-pandroana, ary tena mahafinaritra jerena ilay vehivavy.
\v 3 Noho izany dia nandefa sy nanontany olona izay mahalala ny momba ilay vehivavy i Davida. Nisy olona iray niteny hoe: "Tsy i Batseba, zanaka vavin'i Eliama ve izany, ary tsy ilay vadin'i Oria ilay Hetita ve izy?"
\s5
\v 4 Dia nandefa mpitondra hafatra i Davida ary naka azy; dia tonga tany aminy izy, ary niara-nandry taminy izy (satria vao avy nanadio ny tenany tamin'ny fadim-bolana izy). Avy eo dia niverina tany an-tranony izy.
\v 5 Nitoe-jaza ilay vehivavy, ary nampaniraka sy niteny an'i Davida izy; hoy izy hoe: "Bevohoka aho."
\s5
\v 6 Avy eo i Davida nampaniraka tany amin'i Joaba nanao hoe: "Alefaso aty amiko i Oria ilay Hetita." Dia nalefan'i Joaba tany amin'i Davida i Oria.
\v 7 Rehefa tonga i Oria, dia nanontany azy i Davida hoe nanao ahoana Joaba, nanao ahoana ny tafika, ary nanao ahoana ny fandehan'ny ady.
\v 8 Dia hoy i Davida tamin'i Oria hoe: "Midìna any amin'ny tranonao, ary sasao ny tongotrao." Ka dia niala tao amin'ny lapan'ny mpanjaka i Oria, ary nandefa fanomezana ho an'i Oria ny mpanjaka taorian'ny nandehanany.
\s5
\v 9 Fa nandry teo am-baravaran'ny lapan'ny mpanjaka niaraka tamin'ireo mpanompon'ny tompony rehetra i Oria, ary tsy nidina tany an-tranony izy.
\v 10 Rehefa niteny tamin'i Davida izy ireo hoe: "Tsy nidina tany an-tranony i Oria", dia hoy i Davida tamin'i Oria hoe: "Tsy avy nandeha ve ianao? Nahoana ianao no tsy nandeha nidina tany an-tranonao?"
\v 11 Namaly an'i Davida i Oria hoe: "Ilay fiara, sy Israely ary Joda dia mijanona ao amin'ireo lay, ary Joaba tompoko sy tompon'ireo mpanompoko dia nitoby tany an-dohasaha. Ahoana ary no ahafahako mankany an-tranoko mba hihinana sy hisotro ary hatory hiaraka amin'ny vadiko? Raha mbola velona tokoa ianao, dia tsy hanao izany aho."
\s5
\v 12 Ka hoy i Davida tamin'i Oria hoe: "Mijanòna eto aloha androany, fa rahampitso ianao havelako handeha." Ka nijanona tao Jerosalema tamin'io andro io sy ny ampitso i Oria.
\v 13 Rehefa niantso azy i Davida, dia nihinana sy nisotro teo anatrehany izy, ary nomamoin'i Davida izy. Ny hariva i Oria dia nivoaka mba hatory miaraka amin'ireo mpanompon'ny tompony eo am-pandriany; tsy nandeha nidina tany an-tranony izy.
\s5
\v 14 Ary nony maraina dia nanoratra taratasy ho an'i Joaba i Davida, ary nandefa izany tamin'ny alalan'ny tanan'i Oria.
\v 15 Davida nanoratra tao amin'ny taratasy nilaza hoe: "Apetraho eo anoloan'ny ady mafy indrindra i Oria, ary mialà eo aminy avy eo, mba mety ho voavely sy voavono izy."
\s5
\v 16 Koa raha nanao fahirano tamin'ny tanàna i Joaba, dia nanendry an'i Oria tamin'ny toerana izay nahafantarany ireo miaramila fahavalo matanjaka indrindra hiadiana izy.
\v 17 Rehefa nivoaka ireo lehilahin'ny tanàna ary niady tamin'ny tafik'i Joaba, dia lavo ny sasany tamin'ireo miaramilan'i Davida, ary Oria ilay Hetita ihany koa dia voavono tany.
\s5
\v 18 Rehefa nandefa teny tany amin'i Davida momba ny zavatra mahakasika ny ady i Joaba,
\v 19 dia nandidy ny mpitondra hafatra izy, nilaza hoe: "Rehefa voateninao amin'ny mpanjaka ny zavatra rehetra mahakasika ilay ady,
\v 20 ny mety hiseho dia hoe ho tezitra ny mpanjaka, ka hiteny aminao izy hoe: 'Nahoana no nanakaiky loatra ny tanàna ianao no niady? Tsy fantatrao ve fa mety avy eny amin'ny manda izy ireo no hitifitra?
\s5
\v 21 Iza no namono an'i Abimeleka zanak'i Jerobeseta? Moa tsy vehivavy iray ve no nandefa vato fikosoham-bary taminy avy eny amin'ny manda, izay nahafaty azy tany Tebeza? Nahoana ianao no teny amin'izay akaiky dia akaikin'ny manda no nandeha?' Ary tsy maintsy hamaly ianao hoe: "Oria ilay Hetita mpanomponao ihany koa dia maty."'
\s5
\v 22 Noho izany dia lasa ilay mpitondra hafatra ary nandeha tany amin'i Davida sy niteny taminy ny zavatra rehetra izay nanirahan'i Joaba azy ho lazaina.
\v 23 Ary hoy ilay mpitondra hafatra tamin'i Davida hoe: "Natanjaka noho izahay ny fahavalo tany am-boalohany; nivoaka nankeo aminay teo an-tsaha izy ireo, fa noroasinay niverina tany amin'ny fidirana amin'ny vavahady.
\s5
\v 24 Avy eo nitifitra tany amin'ireo miaramilanao avy eny amin'ny manda ny mpitifitr'izy ireo, ary voavono ny sasany tamin'ireo mpanompon'ny mpanjaka, ary maty ihany koa Oria ilay Hetita mpanomponao."
\v 25 Dia hoy i Davida tamin'ilay mpitondra hafatra hoe: "Lazao an'i Joaba izao: 'Aza atao mahatezitra anao ity, fa ny sabatra dia handevona iray sy iray hafa. Hamafiso kokoa hanoherana ilay tanàna ny adinao, ka ravao izany,' ary amporisiho izy."
\s5
\v 26 Ka rehefa ren'ny vadin'i Oria fa maty i Oria vadiny, dia nisaona tanteraka ny vadiny izy.
\v 27 Rehefa nisinda ny alahelony, dia nampaniraka sy nampody azy tany amin'ny lapany i Davida, ka lasa vadiny izy ary niteraka zazalahy taminy. Kanefa tsy nankasitrahan'i Yaveh ny nataon'i Davida.
\s5
\c 12
\p
\v 1 Ary Yaveh nandefa an'i Natana tany amin'i Davida. Tonga teo aminy izy ary niteny hoe: "Indray andro dia nisy lehilahy anankiroa tao amin'ny tanàna iray.
\v 2 Nanan-karena ny lehilahy iray ary ny iray hafa nahantra. Ilay iray nanan-karena dia nanana ondry aman'osy sy omby maro be,
\v 3 fa ilay lehilahy nahantra tsy nanana na inona na inona afa-tsy ondrivavy kely iray, izay novidiany sy nofahanany ary nompiany. Niara-lehibe taminy sy tamin'ireo zanany izany. Niara-nihinana taminy sy nisotro tamin'ny kapoakany mihitsy aza ilay ondry, ary natory teo amin'ny sandriny tahaka ny zanany vavy izany.
\s5
\v 4 Indray andro dia nisy mpitsidika tonga tao amin'ilay lehilahy manan-karena, fa tsy te-haka biby iray avy ao amin'ny andian'ondry aman'osiny sy ireo ombiny mba homena ho sakafo ho azy ilay lehilahy manan-karena. Fa nalainy kosa ny ondrivavy kelin'ilay lehilahy mahantra ary nandrahoany ho an'ny mpamangy azy izany."
\v 5 Nirehitry ny hatezerana tamin'ilay lehilahy manan-karena i Davida, ka niteny an-katezerana tamin'i Natana hoe: "Raha mbola velona koa Yaveh, dia mendrika ny ho vonoina ho faty ny lehilahy izay nanao izany.
\v 6 Tsy maintsy honerany efatra heny ny zanak'ondry satria nanao zavatra tahaka izany izy, ary satria tsy nanana antra tamin'ilay lehilahy nahantra izy."
\s5
\v 7 Ary hoy i Natana tamin'i Davida hoe: "Ianao izany lehilahy izany! Yaveh, ilay Andriamanitr'Israely, niteny hoe: 'Nanosotra anao ho mpanjakan'Israely Aho, ary namonjy anao hiala teo an-tanan'i Saoly.
\v 8 Nanome anao ny tranon'ny tomponao Aho, ary ireo vadin'ny tomponao ho eo an-tsandrinao. Nomeko anao ihany koa ny ankohonan'Israely sy Joda. Fa raha mbola kely loatra izany, dia ho nanome anao zavatra maro hafa ho fanampiny aho.
\s5
\v 9 Koa nahoana ianao no nanao tsinontsinona ireo didin'i Yaveh, ary nanao izay ratsy teo imasony? Novonoinao tamin'ny sabatra i Oria ilay Hetita ary nalainao ho vadinao ny vadiny. Novonoinao tamin'ny sabatry ny tafik'i Amona izy.
\v 10 Koa ankehitriny dia tsy hiala amin'ny taranakao mandrakizay ny sabatra, satria nanao tsinontsinona ahy sy naka ny vadin'i Oria ilay Hetita ho lasa vadinao ianao.'
\s5
\v 11 Hoy Yaveh hoe: 'Indro, hanangana loza hanohitra anao avy ao amin'ny ankohonanao ihany Aho. Eo anoloan'ny masonao ihany, no hakako ireo vadinao ary hanomezako azy ireo ho an'ny namanao, ary hiara-handry am-pahalalahana amin'ireo vadinao amin'ny atoandrobe-nanahary izy.
\v 12 Fa nanota niafina ianao, saingy hataoko eo anatrehan'Israely rehetra izany zavatra izany, amin'ny atoandrobe-nanahary."'
\v 13 Dia hoy i Davida tamin'i Natana hoe: "Nanota tamin'i Yaveh aho." Namaly an'i Davida i Natana hoe: "Yaveh ihany koa efa namela ny fahotanao. Tsy ho vonoina ianao.
\s5
\v 14 Kanefa, satria tamin'ny alalan'izany fihetsika izany no nanaovanao tsinontsinona an'i Yaveh, dia ho faty tokoa ny zaza izay aterakao."
\v 15 Avy eo dia niala i Natana ary nody tany an-trano. Namely ilay zaza izay nateraky ny vadin'i Oria tamin'i Davida i Yaveh, ka narary mafy izy.
\s5
\v 16 Avy eo dia nitalaho mafy tamin'Andriamanitra ho an'ilay zazalahy i Davida. Nifady hanina i Davida ary niditra tao ka nandry tamin'ny tany ny alina tontolo.
\v 17 Ireo loholon'ny tranony dia nijanona sy nitsangana teo anilany, mba hampiarina azy avy eo amin'ny tany, fa tsy nety niarina izy, ary tsy nety hisakafo niaraka tamin'izy ireo.
\v 18 Ary tamin'ny andro fahafito no nahafaty ilay zazalahy. Ireo mpanompon'i Davida dia natahotra ny hilaza taminy fa maty ilay zaza, fa hoy izy ireo hoe: "Indro, raha mbola velona ilay zaza dia niresaka taminy izahay, ary tsy nihaino ny feonay izy. Inona no mety ho hataony amin'ny tenany raha milaza aminy izahay fa maty ilay zazalahy?!"
\s5
\v 19 Fa rehefa hitan'i Davida fa nifampibitsibitsika ireto mpanompony, dia fantatr'i Davida fa maty ilay zaza. Hoy izy tamin'ireo mpanompony hoe: "Maty ve ilay zaza?" Namaly izy ireo hoe: "Maty izy."
\v 20 Dia nitsangana avy teo amin'ny tany i Davida ary nanasa ny tenany, nihosotra diloilo, ary nanolo ireo fitafiany. Nandeha nankany amin'ny tabernakelin'i Yaveh izy ary nanao fanompoam-pivavahana tany, ary avy eo niverina nody tany amin'ny lapany izy. Rehefa nangataka izy, dia napetrak'izy ireo teo anoloany ny sakafo, ka nihinana izy.
\s5
\v 21 Avy eo ireo mpanompony niteny taminy hoe: "Nahoana no nanao izao ianao? Nifady hanina ianao ary nitomany an'ilay zaza fony mbola velona izy, fa rehefa maty ilay zaza, dia nitsangana ianao ary nihinana."
\v 22 Dia namaly i Davida hoe: "Raha mbola velona ilay zaza dia nifady hanina sy nitomany aho. Hoy aho hoe: 'Iza no mahalala na hamindra fo amiko Yaveh na tsia, ka mety ho velona ilay zaza?'
\v 23 Fa ankehitriny maty izy, koa nahoana aho no tokony hifady hanina? Afaka hamerina azy indray ve aho? Handeha ho any aminy aho, fa tsy hiverina amiko izy."
\s5
\v 24 Nampionona an'i Batseba vadiny i Davida, ary niditra tao aminy, ka niara-nandry taminy. Taty aoriana dia niteraka zazalahy izy, ary nomeny ny anarana hoe Solomona ilay zaza. Nitia azy Yaveh
\v 25 ary nandefa teny tamin'i Natana mpaminany Izy mba hanao ny anarany hoe Jedidia, satria tia azy Yaveh.
\s5
\v 26 Ary Joaba dia niady tamin'i Raba, ilay tanànan'ny mpanjakan'ny vahoakan'i Amona, ary babony ny fiarovana mafy.
\v 27 Noho izany dia nandefa mpitondra hafatra ho any amin'i Davida i Joaba ary niteny hoe: "Niady tamin'i Raba aho, ary nalaiko ny famatsian-dranon'ilay tanàna.
\v 28 Ankehitriny ary angony miaraka ireo ambin'ny tafikao ary mitobia hanohitra ny tanàna ary alaivo izany, satria raha alaiko ilay tanàna, dia hitondra ny anarako izany."
\s5
\v 29 Dia nanangona ny tafika rehetra i Davida ka nandeha tany Raba; niady tamin'ilay tanàna izy ary nambabo izany.
\v 30 Nalain'i Davida teny amin'ny lohan'ny mpanjakan'izy ireo ny satro-boninahitra—talenta volamena iray no lanjan'izany, ary nisy vato sarobidy tao anatiny. Napetraka teo ambony lohan'i Davida ilay satro-boninahitra. Avy eo dia nentiny nivoaka ireo babon'ny tanàna maro be.
\s5
\v 31 Nentiny nivoaka ireo olona izay tao amin'ilay tanàna ary notereny hiasa amin'ny tsofa, sy vy fanaketohana, ary famaky izy ireo; nasainy niasa tany amin'ny lafaoro fandoroam-biriky izy ireo. Notakian'i Davida mba hanao izany asa izany ny tanànan'ny vahoakan'i Amona rehetra. Avy eo dia niverina nankany Jerosalema i Davida sy ireo tafika rehetra.
\s5
\c 13
\p
\v 1 Ary taorian'izany i Amnona zanaka lahin'i Davida, dia tena voasarika tamin'i Tamara anabaviny tsara tarehy, izay tena anabavin'i Absaloma, zanaka lahin'i Davida hafa.
\v 2 Niady saina be i Amnona ary nanjary narary izy nohon'ny amin'i Tamara anabaviny. Virijiny izy, ary toa tsy nety tamin'i Amnona mihitsy ny hanao zavatra aminy.
\s5
\v 3 Fa i Amnona dia nanana namana izay Jonadaba ny anarany zanaka lahin'i Simea, rahalahin'i Davida. Jonadaba dia lehilahy fetsy tokoa.
\v 4 Hoy Jonadaba tamin'i Amnona hoe: "Nahoana, ry zanaky ny mpanjaka, no ketraka isa-maraina ianao? Tsy hiteny amiko ve ianao?" Dia namaly azy Amnona hoe: "Tiako i Tamara, anabavin'i Absaloma rahalahiko."
\s5
\v 5 Dia hoy i Jonadaba taminy hoe: "Mandria eo amin'ny fandrianao ary modia marary. Rehefa tonga hijery anao ny rainao, dia anontanio izy hoe: 'Afaka alefanao aty amiko ve i Tamara anabaviko azafady mba hanome zavatra ho haniko sy hahandro izany eto anoloako, ka mba ahafahako mahita izany sy mihinana izany avy amin'ny tanany?'"
\v 6 Noho izany dia nandry Amnona ka nody narary. Rehefa tonga nijery azy ny mpanjaka, dia hoy Amnona tamin'ny mpanjaka hoe: "Mba alefaso re Tamara anabaviko mba hanao sakafo eto anoloako amin'izao aretiko izao mba ahafahako mihinana izay avy amin'ny tanany."
\s5
\v 7 Dia nandefa teny ho an'i Tamara tao an-dapany i Davida, nanao hoe: "Mandehana any amin'ny tranon'i Amnona anadahinao izao ka manomàna sakafo ho azy."
\v 8 Dia nandeha tany amin'ny tranon'i Amnona anadahiny tany amin'izay nandriany i Tamara. Naka koba izy ary namolavola izany ka nanamboatra mofo teo imasony, ary dia nahandro izany izy avy eo.
\v 9 Nalainy ny lasitra ka nomeny azy ny mofo, fa nandà tsy hihinana izy. Avy eo dia hoy i Amnona tamin'ireo hafa izay teo hoe: "Avohay any ivelany ny olona rehetra, ho lavitra ahy." Ka nandeha niala teo aminy ny olona rehetra.
\s5
\v 10 Ary hoy i Amnona tamin'i Tamara hoe: "Ento ao amin'ny efitranoko ny sakafo mba hihinanako azy avy amin'ny tananao." Dia nalain'i Tamara ny mofo izay efa nataony, ka nentiny tao amin'ny efitranon'i Amnona anadahiny.
\v 11 Rehefa nitondra ny sakafo teo aminy izy, dia nihazona azy izy ka niteny taminy hoe: "Avia, mandria miaraka amiko, ry anabaviko."
\v 12 Namaly azy izy hoe: "Tsia, ry anadahiko, aza terena aho, fa tsy tokony atao eto Israely ny zavatra tahaka izany. Aza manao izany zavatra maharikoriko izany!
\s5
\v 13 Ahoana no hialako amin'ny fahamenarako? Ary ny aminao? Ho tahaka ny iray amin'ireo adala eto Israely ianao! Ankehitriny, mba miresaha amin'ny mpanjaka, fa tsy hisakana ahy tsy ho anao izy."
\v 14 Fa na izany aza dia tsy nihaino azy Amnona. Satria natanjaka noho Tamara izy, dia nisambotra azy izy ary nandry niaraka taminy.
\s5
\v 15 Ary nankahala an'i Tamara tamin'ny fankahalana tafahoatra i Amnona. Nankahala azy lavitra noho ny naniriany azy izy. Hoy i Amnona taminy hoe: "Mitsangàna ary mandehana."
\v 16 Fa izy namaly azy hoe: "Tsia! Satria izao faharatsiana lehibe amin'ny fandroahanao ahy izao dia ratsy noho ny nataonao tamiko!" Nefa tsy nihaino azy i Amnona.
\v 17 Fa kosa, niantso ireo mpanompony izy ka nanao hoe: "Esory tsy ho eto amiko ity vehivavy ity, ary hidio ny varavarana rehefa tafavoaka izy."
\s5
\v 18 Dia navoakan'ny mpanompony tany ivelany izy ary nidiny ny varavarana rehefa tafavoaka izy. Nitafy akanjo lava voaravaka tsara i Tamara satria ireo zanaka vavin'ny mpanjaka izay virijiny dia niakanjo toy izany.
\v 19 Nasian'i Tamara lavenona teo amin'ny lohany ary norovitiny ny akanjony. Niloloha ny tanany tamin'ny lohany izy ary nandeha, nitomany mafy teny am-pandehanana.
\s5
\v 20 Hoy i Absaloma anadahiny taminy hoe: "Niaraka taminao ve i Amnona anadahinao? Nefa mangina, ry anabaviko. Anadahinao izy. Aza mandray izany zavatra izany am-po." Dia nitoetra irery tao amin'ny tranon'i Absaloma anadahiny i Tamara.
\v 21 Fa rehefa henon'i Davida mpanjaka izany zavatra rehetra izany, dia tezitra mafy izy.
\v 22 Ary i Absaloma tsy niteny na inona na inona tamin'i Amnona, satria i Absaloma nankahala azy noho izay efa nataony taminy sy ny fomba nanalany baraka an'i Tamara anabaviny.
\s5
\v 23 Ary nony afaka roa taona katroka dia nanana mpanety ondry niasa tao Bala-hazora i Absaloma, izay akaikin'i Efraima, ary Absaloma nanasa ireo zanaka lahin'ny mpanjaka rehetra mba hitsidika ao.
\v 24 Nankany amin'ny mpanjaka Absaloma ka nanao hoe: "Indro ankehitriny, ny mpanomponao dia manana mpanety ondry. Koa, aoka ny mpanjaka sy ireo mpanompony hiaraka amiko, mpanomponao."
\s5
\v 25 Dia namaly an'i Absaloma ny mpanjaka hoe: "Tsia, ry zanako, tsy tokony handeha hiaraka aminao avokoa izahay rehetra satria ho enta-mavesatra ho anao." Namporisika ny mpanjaka i Absaloma, nefa tsy nandeha izy, kanefa nitso-drano an'i Absaloma izy.
\v 26 Dia hoy i Absaloma hoe: "Raha tsy izany, avelao re i Amnona rahalahiko andeha hiaraka aminay." Dia hoy ny mpanjaka taminy hoe: "Fa nahoana i Amnona no tokony hiaraka aminareo?"
\s5
\v 27 Noteren'i Absaloma i Davida, ka dia namela an'i Amnona sy ireo zanaka lahin'ny mpanjaka rehetra andeha hiaraka aminy izy.
\v 28 Nandidy ireo mpanompony i Absaloma nanao hoe: "Mihainoa tsara. Rehefa manomboka mamon'ny divay i Amnona, ary rehefa miteny aminareo aho hoe: 'Tafiho i Amnona,' dia vonoy izy. Aza matahotra. Tsy efa nandidy anareo ve aho? Mahereza ary manàna herim-po."
\v 29 Koa dia nataon'ireo mpanompon'i Absaloma tamin'i Amnona araka izay efa nandidiany azy ireo. Dia nitsangana ireo zanaka lahin'ny mpanjaka rehetra, ary nitaingina ny ampondrany ny olona rehetra ka nandositra.
\s5
\v 30 Ary raha mbola teny an-dalana izy ireo, dia tonga tany amin'i Davida ny vaovao manao hoe: "Novonoin'i Absaloma ireo zanaka lahin'ny mpanjaka rehetra, ka tsy nisy na dia iray aza niangana tamin'izy ireo."
\v 31 Dia nitsangana ny mpanjaka ka nandriatra ny fitafiany, dia nandry teo amin'ny tany; ary ireo mpanompony rehetra nijoro teo akaiky teo niaraka tamin'ny fitafiana rovitra.
\s5
\v 32 Ary i Jonadaba zanak'i Simea, rahalahin'i Davida, namaly ary nanao hoe: "Aoka ny tompoko tsy hino fa namono ny tovolahy rehetra izay zanaky ny mpanjaka izy ireo, satria i Amnona irery no maty. Absaloma efa nanomana izao nanomboka tamin'ny andro izay nanolanan'i Amnona an'i Tamara anabaviny.
\v 33 Noho izany aoka ny tompoko mpanjaka tsy handray izany tatitra izany am-po, ka hino fa ny zanaky ny mpanjaka rehetra no maty, satria Amnona irery ihany no maty."
\s5
\v 34 Nandositra lavitra i Absaloma. Nisy mpanompo mpiambina nanandratra ny masony ka nahita olona maro tamy teny amin'ny lalana teny amin'ny havoana andrefany.
\v 35 Dia hoy i Jonadaba tamin'ny mpanjaka hoe: "Indro, tamy ireo zanaka lahin'ny mpanjaka. Tahaka izay nolazain'ireo mpanomponao mihitsy izany."
\v 36 Ary rehefa tapitra ny teniny, dia tonga ireo zanaka lahin'ny mpanjaka ka nanandratra ny feon'izy ireo ary nitomany. Ny mpanjaka sy ny mpanompony rehetra koa dia nitomany mafy.
\s5
\v 37 Fa i Absaloma nandositra ary nankany amin'i Talmay, zanaka lahin'i Amihoda, ilay mpanjakan'i Gesora. Nisaona ny zanany isan'andro i Davida.
\v 38 Noho izany i Absaloma dia nandositra ary nankany Gesora, izay nitoerany telo taona.
\v 39 Fa ny sain'i Davida Mpanjaka naniry hivoaka hijery an'i Absaloma, fa nionona mahakasika ny amin'i Amnona sy ny fahafatesany izy.
\s5
\c 14
\p
\v 1 Ary i Joaba zanaka lahin'i Zeroia dia nahafantatra fa naniry ny hahita an'i Absaloma ny fon'ny mpanjaka.
\v 2 Noho izany dia nandefa teny ho any Tekoa i Joaba ary nitondra vehivavy hendry tany aminy. Hoy izy tamin-dravehivavy hoe: "Mba miangavy re ataovy ohatran'ny hoe misaona ianao ary mitafia akanjo fisaonana. Mba miangavy re aza hosorana diloilo ny tenanao, fa manaova toy ny vehivavy izay nisaona ny maty efa ela.
\v 3 Avy eo dia mandehana mankany amin'ny mpanjaka ary resaho aminy ny momba izay ho faritako." Dia nolazain'i Joaba taminy ireo teny izay tokony ho lazainy amin'ny mpanjaka.
\s5
\v 4 Rehefa niresaka tamin'ny mpanjaka ilay vehivavy avy any Tekoa, dia nampiankohoka ny tavany tamin'ny tany izy ary nanao hoe: "Ampio aho, ry mpanjaka."
\v 5 Dia hoy ilay mpanjaka taminy hoe: "Inona no olana?" Namaly izy hoe: "Ny marina dia mpitondratena aho, ary maty ny vadiko."
\v 6 Izaho, mpanomponao, dia manan-janaka roa lahy, ary niady teny an-tsaha izy ireo, ka tsy nisy nanasaraka azy ireo. Ny anankiray namely ilay iray ka nahafaty azy.
\s5
\v 7 Ankehitriny dia mitsangana manohitra ny mpanomponao ny fianakaviambe manontolo, ary hoy izy ireo hoe: 'Atolory ilay lehilahy izay namely ny rahalahiny, mba hamonoanay azy ho faty, mba hanonitra ny ain'ny rahalahiny izay novonoiny.' Koa dia ho vonoin'izy ireo koa ny mpandova. Dia toy izany koa no hanesoran'izy ireo ny vain'afo mirehitra izay navelako, ary tsy hamela anarana na taranaka eto ambonin'ny tany ho an'ny vadiko izy ireo."
\s5
\v 8 Koa dia hoy ny mpanjaka tamin-dravehivavy hoe: "Mandehana any an-tranonao, ary handidy zavatra hatao ho anao aho."
\v 9 Dia namaly ny mpanjaka ilay vehivavin'i Tekoa hoe: "Ry mpanjaka, tompoko, aoka ho amiko sy ho amin'ny fianakavian-draiko ny heloka. Tsy manan-tsiny ny mpanjaka sy ny seza fiandrianany."
\s5
\v 10 Namaly ny mpanjaka hoe: "Na iza na iza milaza zavatra aminao, dia ento aty amiko izy, ary tsy hikasika anao intsony izy."
\v 11 Dia hoy izy hoe: "Mba miangavy re, aoka ny mpanjaka hahatsiaro an'i Yaveh Andriamanitrao, ka tsy hamotika na iza na iza bebe kokoa ny mpamaly rà, mba tsy hamotehan'izy ireo ny zanako lahy." Dia namaly ilay mpanjaka hoe: "Raha mbola velona koa Yaveh, dia tsy hisy na dia singam-bolo iray amin'ny zanakao aza hihintsana amin'ny tany."
\s5
\v 12 Dia hoy ravehivavy hoe: "Mba miangavy re avelao ny mpanomponao mba hilaza teny fanampiny amin'ny tompoko ilay mpanjaka." Dia hoy izy hoe: "Mitenena."
\v 13 Dia hoy ravehivavy hoe: "Koa nahoana ary ianao no mihevitra zavatra tahaka izany amin'ny vahoakan'Andriamanitra? Fa amin'ny fitenenana izany zavatra izany, dia toy ny olona izay meloka ny mpanjaka, satria tsy mbola nampody indray ny zanany lahy voaroaka ny mpanjaka.
\v 14 Fa tsy maintsy ho faty isika rehetra, ary toy ny rano araraka amin'ny tany isika, izay tsy afaka raofina intsony. Fa Andriamanitra tsy haka ny aina; fa kosa, mahita lalana ho an'ireo izay voaroaka Izy mba ho averina indray.
\s5
\v 15 Koa ankehitriny ary, tonga hiresaka izany zavatra izany amin'ny mpanjaka tompoko aho, izany dia satria nampitahotra ahy ny vahoaka. Koa niteny tamin'ny tenany ny mpanomponao hoe: 'Hiresaka amin'ny mpanjaka aho izao. Angamba hanatanteraka ny fangatahan'ny mpanompony ny mpanjaka.
\v 16 Satria hihaino ahy ny mpanjaka, mba hanolorana ny mpanompony ho afaka amin'ny tanan'ilay lehilahy izay hamotika ahy sy ny zanako lahy, ho afaka amin'ny lovan'Andriamanitra.'
\v 17 Avy eo dia nivavaka ny mpanomponao hoe: "Ry Yaveh, aoka hanamaivana ahy ny tenin'ny mpanjaka tompoko, satria toy ny anjelin'Andriamanitra, dia toy izany koa ny mpanjaka tompoko amin'ny fitenenana ny tsara avy amin'ny ratsy.' Homba anao anie Yaveh Andriamanitrao."
\s5
\v 18 Avy eo dia namaly ny mpanjaka ka niteny tamin-dravehivavy hoe: "Mba miangavy re aza afenina amiko izay rehetra hanontaniako anao." Dia namaly ravehivavy hoe: "Aoka hiteny ny mpanjaka tompoko ankehitrin."
\v 19 Dia hoy ny mpanjaka hoe: "Moa ve tsy miaraka aminao amin'izao rehetra izao ny tanan'i Joaba?" Dia namaly ravehivavy ka nanao hoe: "Raha mbola velona koa ianao, ry mpanjaka tompoko, dia tsy misy afaka mandositra mankany ankavanana na ankavia amin'ny zavatra rehetra izay nolazain'ny mpanjaka tompoko. I Joaba mpanomponao no nandidy ahy sy niteny tamiko mba hilaza ireo zavatra izay notenenin'ny mpanomponao ireo.
\v 20 Efa nanao izany i Joaba mpanomponao mba hampiova ny zava-mitranga. Hendry ny tompoko, toy ny fahendren'ny anjelin'Andriamanitra, ary fantany ny zavatra rehetra izay mitranga eo amin'ny tany."
\s5
\v 21 Dia hoy ny mpanjaka tamin'i Joaba hoe: "Indro ary, hanao izany zavatra izany aho. Mandehana, ary ento miverina ilay tovolahy Absaloma."
\v 22 Noho izany i Joaba dia nampiankohoka ny tavany tamin'ny tany ho voninahitra sy fisaorana ny mpanjaka. Hoy i Joaba hoe: "Ankehitriny dia fantatry ny mpanomponao fa nahita sitraka teo imasonao aho, ry mpanjaka tompoko, amin'ny fanatanterahan'ny mpanjaka ny fangatahan'ny mpanompony."
\s5
\v 23 Dia nitsangana i Joaba, ka nankany Gesora, ary nitondra an'i Absaloma niverina tany Jerosalema.
\v 24 Hoy ny mpanjaka hoe: "Aoka izy hiverina any an-tranony, fa aza atao mahita ny tavako." Noho izany dia niverina tany an-tranony manokana i Absaloma, fa tsy nahita ny tavan'ny mpanjaka.
\s5
\v 25 Ary nanerana an'Israely dia tsy nisy olona noderaina tamin'ny hatsaran-tarehiny mihoatra noho i Absaloma. Avy any am-paladiany ka hatrany an-tampon-dohany dia tsy nisy kilema tany aminy.
\v 26 Rehefa manapaka ny volon-dohany izy isaky ny faran'ny taona, satria navesatra taminy izany, dia nolanjainy ny volony; milanja eo amin'ny roanjato sekely eo izany, izay lanjaina amin'ny fandanjan'ny mpanjaka.
\v 27 I Absaloma dia niteraka telo lahy sy iray vavy, Tamara no anarany. Vehivavy tsara tarehy izy.
\s5
\v 28 Nipetraka roa taona feno tao Jerosalema i Absaloma, fa tsy nahita ny tavan'ny mpanjaka.
\v 29 Avy eo i Absaloma dia nandefa teny ho an'i Joaba mba handefa azy any amin'ny mpanjaka, saingy tsy tonga tany aminy i Joaba. Dia nandefa teny fanindroany i Absaloma, kanefa tsy mbola tonga ihany i Joaba.
\s5
\v 30 Dia hoy i Absaloma tamin'ireo mpanompony hoe: "Indro, eo akaikin'ny ahy ny tanimbarin'i Joaba, ary manana vary hordea ao izy. Mandehana ary dory izany." Koa nodoran'ireo mpanompon'i Absaloma ilay tanimbary.
\v 31 Avy eo dia nitsangana i Joaba ary nankany amin'i Absaloma tany an-tranony, ka nanao taminy hoe: "Nahoana no nodoran'ireo mpanomponao ny tanimbariko?"
\s5
\v 32 Dia namaly an'i Joaba i Absaloma hoe: "Indro, nandefa teny taminao aho nanao hoe: 'Tongava aty mba hahafahako maniraka anao ho any amin'ny mpanjaka mba hilaza hoe: "Nahoana aho no niala tany Gesora? Tsara kokoa ho ahy ny mbola mijanona any. Noho izany ary dia aoka aho hijery ny tavan'ny mpanjaka, ka raha meloka aho, dia aoka izy hamono ahy."'"
\v 33 Dia lasa nankany amin'ny mpanjaka i Joaba ary niteny taminy. Rehefa nampiantso an'i Absaloma ny mpanjaka, dia nanatona ny mpanjaka izy ary niankohoka ambany teo amin'ny tany nanoloana ny mpanjaka, ary norohan'ny mpanjaka i Absaloma.
\s5
\c 15
\p
\v 1 Ary taorian'izany dia nanomana kalesy sy soavaly ho azy i Absaloma, niaraka tamin'ny lehilahy dimampolo mba hialoha azy.
\v 2 Nifoha maraina i Absaloma ary nijoro teo amin'ny lalana mankany amin'ny vavahadin'ny tanàna. Rehefa nisy olona nanana ady ho entina eo amin'ny fitsaràn'ny mpanjaka, dia niantso azy i Absaloma ary niteny hoe: "Avy aiza ny tanàna niavianao?" Dia namaly ilay lehilahy hoe: "Avy amin'ny iray amin'ireo fokon'Israely ny mpanomponao."
\s5
\v 3 Dia niteny taminy i Absaloma hoe: "Indro, tsara sy marina ny raharahanao, saingy tsy misy olona nomen'ny mpanjaka fahefana hihaino ny raharahanao."
\v 4 Dia nampian'i Absaloma hoe: "Iriako raha mba natao ho mpitsara teto amin'ny tany aho, mba ho tonga eo amiko ny olona rehetra izay manana ady na raharaha, ary hanome rariny ho azy aho!"
\s5
\v 5 Ary rehefa nisy olona tonga teo amin'i Absaloma mba hanome haja azy, dia namoaka ny tanany izy ary nandray azy ka nanoroka azy.
\v 6 Nanao toy izany tamin'ireo Israely rehetra izay nankeo amin'ny fitsaran'ny mpanjaka i Absaloma. Koa dia naka ny fon'ny olon'Israely i Absaloma.
\s5
\v 7 Ary tamin'ny fiafaran'ny taona efatra dia hoy i Absaloma tamin'ny mpanjaka hoe: "Avelao re aho mba handeha ary hanefa ny voady nataoko tamin'i Yaveh tany Hebrona.
\v 8 Fa nanao voady ny mpanomponao fony izaho nonina tany Gesora tany Syria, nanao hoe: 'Raha ho entin'i Yaveh miverina any Jerosalema tokoa aho, dia hanompo an'i Yaveh."'
\s5
\v 9 Koa hoy ny mpanjaka taminy hoe: "Mandehana am-piadanana." Koa niainga i Absaloma ka nankany Hebrona.
\v 10 Saingy avy eo dia naniraka mpitsikilo eraky ny fokon'Israely rehetra i Absaloma, niteny hoe: "Vantany vao mandre ny feon-trompetra ianareo, dia aoka hiteny hoe: 'Absaloma no mpanjaka any Hebrona."'
\s5
\v 11 Nisy lehilahy roanjato avy any Jerosalema nandeha niaraka tamin'i Absaloma, izay voaasa. Nandeha tamin'ny tsy fananan-tsiny izy ireo, ary tsy nahalala na inona na inona tamin'izay nokasain'i Absaloma.
\v 12 Rehefa nanolotra sorona i Absaloma, dia nampaka an'i Ahitofela avy any amin'ny tanàna niaviany any Gilo izy. Mpanolo-tsainan'i Davida izy. Nahery vaika ny fikonokononan'i Absaloma, satria tsy nitsaha-nitombo ny olona nanaraka azy.
\s5
\v 13 Nisy iraka nankeo amin'i Davida nanao hoe: "Manaraka an'i Absaloma ny fon'ireo olon'Israely."
\v 14 Koa hoy i Davida tamin'ireo mpanompony rehetra izay niaraka taminy tao Jerosalema hoe: "Mitsangàna ary andao handositra, raha tsy izany dia tsy hisy ho afa-mandositra an'i Absaloma isika. Miomàna hiala dieny izao, raha tsy izany dia hahatratra antsika faingana izy, ary hitondra loza eto amintsika izy ka hanafika ny tanàna amin'ny lelan-tsabatra."
\v 15 Dia hoy ireo mpanompon'ny mpanjaka tamin'ny mpanjaka hoe: "Indro, vonona ny hanao izay rehetra tapaky ny mpanjaka tomponay ny mpanompony."
\s5
\v 16 Dia niala ny mpanjaka ary narahin'ny fianakaviany rehetra, fa namela vehivavy folo, izay vaditsindrano, mba hiandry ny lapa ny mpanjaka.
\v 17 Rehefa avy nivoaka ny mpanjaka sy ireo olona rehetra tao aoriany, dia nijanona teo amin'ny trano farany izy ireo.
\v 18 Nandeha niaraka taminy ny tafiny rehetra, ary nandeha teo alohany ireo Keretita, sy ireo Peletita ary ireo Gatita rehetra—lehilahy eninjato no nanaraka azy avy any Gata.
\s5
\v 19 Dia hoy ny mpanjaka tamin'Itahy Gatita hoe: "Nahoana ianao no handeha hiaraka aminay? Miverana ary mijanòna miaraka amin'ny mpanjaka, fa vahiny sady sesin-tany ianao. Miverena any amin'ny fitoeranao ihany.
\v 20 Satria vao niala omaly ianao, dia nahoana aho no tokony hamela anao hirenireny hiaraka aminay? Tsy fantatro akory izay alehako. Koa miverena ary ento miverina ireo mpiray firenena namanao. Hiaraka aminao anie ny fahitsiana sy ny fahatokiana."
\s5
\v 21 Fa Itahy namaly ny mpanjaka ary niteny hoe: "Raha mbola velona koa Yaveh, ary raha mbola velona koa ny mpanjaka tompoko, any amin'ny toerana rehetra andehanan'ny mpanjaka tokoa, dia any koa no halehan'ny mpanomponao, na midika fahavelomana izany na fahafatesana."
\v 22 Koa hoy i Davida tamin' Itahy hoe: "Mandrosoa ary manohiza miaraka aminay." Koa dia nandeha niaraka tamin'ny mpanjaka Itahy Gatita mbamin'ireo lehilahiny rehetra sy ireo fianakaviany rehetra izay niaraka taminy.
\v 23 Nitomany tamin'ny feo mafy ny tanàna manontolo raha nandalo ny Lohasahan'i Kidrona ireo vahoaka, ary raha niampita ihany koa ny mpanjaka. Nandeha teny an-dalana nizotra ho any an-tany efitra ny olona rehetra.
\s5
\v 24 Na Zadoka niaraka tamin'ireo Levita rehetra, izay nilanja ny fiaran'ny faneken'Andriamanitra aza dia teo. Nahidin'izy ireo ny fiaran'Andriamanitra, dia nihazo azy ireo i Abiatara. Niandry ambara-pandalon'ny vahoaka avy ao an-tanàna izy ireo.
\v 25 Hoy ny mpanjaka tamin'i Zadoka hoe: "Lanjao miverina any an-tanàna ny fiaran'Andriamanitra. Raha mahita fitia eo imason'i Yaveh aho, dia hitondra ahy hiverina Izy ary hampiseho ny fiara sy ny toerana honenany indray.
\v 26 Fa raha miteny Izy hoe: 'Tsy mankasitraka anao Aho,' indro, inty aho, aoka hataony amiko izay rehetra hitany fa mety Aminy."
\s5
\v 27 Hoy ihany koa ny mpanjaka tamin'i Zadoka mpisorona hoe: "Tsy mpahita angaha ianao? Miverena any an-tanàna am-piadanana, mbamin'ireo zanakao roa lahy miaraka aminao, dia Ahimaza zanakao, sy Jonatana zanak'i Abiatara.
\v 28 Indro, hiandry eo amin'ny fitàna amin'ny efitr'i Araba aho ambara-pahatongan'ny teny avy aminao hampahafantatra ahy."
\v 29 Koa dia nitondra ny fiaran'Andriamanitra niverina tany Jerosalema i Zadoka sy Abiatara, ary nitoetra tany izy ireo.
\s5
\v 30 Fa niakatra tsy nikiraro sy nitomany nankany amin'ny Tendrombohitr'Oliva i Davida, ary nisarona ny lohany. Ny olona rehetra teo amin'ny vahoaka niaraka taminy dia nanarona ny lohany, ary nandeha niakatra am-pitomaniana teny am-pandehanana izy ireo.
\v 31 Nisy olona niteny tamin'i Davida nanao hoe: "Isan'ireo mpikonokonona miaraka amin'i Absaloma i Ahitofela." Koa nivavaka i Davida hoe: "Yaveh o, avadiho ho fahadalana re ny torohevitr'i Ahitofela."
\s5
\v 32 Ary i Davida rehefa tonga teo an-tampon'ny lalana, izay efa fanompoana an'Andriamanitra, dia tonga nihaona taminy i Hosay ilay Arkita niaraka tamin'ny akanjony rovitra sy vovon-tany teo amin'ny lohany.
\v 33 Hoy i Davida taminy hoe: "Raha mandeha miaraka amiko ianao, dia ho vesatra ho ahy.
\v 34 Fa raha miverina any an-tanàna ianao ka miteny amin'i Absaloma hoe: 'Ho mpanomponao aho, ry mpanjaka, tahaka ny naha-mpanompon'ny rainao ahy tamin'ny andro taloha, dia ho mpanomponao ihany koa aho ankehitriny,' dia hampikorontana ny torohevitr'i Ahitofela ho ahy ianao.
\s5
\v 35 Tsy manana an'i Zadoka sy Abiatara mpisorona hiaraka aminao ve ianao? Koa na inona na inona renao ao amin'ny lapan'ny mpanjaka, dia aoka ho lazainao amin'i Zadoka sy Abiatara mpisorona izany.
\v 36 Ezaho tsara mba hiaraka amin'izy ireo any ny zanany roa lahy, dia Ahimaza, zanak'i Zadoka, sy Jonatana, zanak'i Abiatara. Aoka halefanao aty amiko amin'ny tanan'izy ireo ny zavatra rehetra izay renao."
\v 37 Koa dia nankany an-tanàna i Hosay, naman'i Davida, raha vao tonga sy niditra an'i Jerosalema i Absaloma.
\s5
\c 16
\p
\v 1 Rehefa niala tsy lavitra ny tampon'ny tendrombohitra i Davida, dia tonga nitsena azy i Ziba mpanompon'i Mefiboseta niaraka tamin'ireo ampondra roa misy lasely; izy ireo dia nitondra mofo roanjato, sampam-boaloboka zato sy fehezan'aviavy zato, ary divay iray tavoara.
\v 2 Nilaza tamin'i Ziba ny Mpanjaka hoe: "Nahoana no nitondra ireo zavatra ireo ianao?" Namaly i Ziba hoe: "Ny ampondra dia natao ho taingenan'ny ankohonan'ny mpanjaka, ny mofo sy ny mofo mamy misy aviavy dia natao ho hanin'ireo olonao, ary ny divay dia natao ho sotroin'ireo izay torovana tany an-tany hay."
\s5
\v 3 Hoy ny mpanjaka hoe: "Aiza ary ny zafy lahin'ny tomponao?" Namaly ny mpanjaka i Ziba: "Indro, nijanona tany Jerosalema izy, fa hoy izy hoe: 'Anio dia ho averin'ny ankohonan'Israely amiko ny fanjakan'ny raiko.'"
\v 4 Dia niteny tamin'i Ziba ny mpanjaka hoe: "Indro, izay an'i Mefiboseta rehetra dia lasanao ankehitriny." Namaly i Ziba hoe: "Miondrika am-panetre-tena eo anatrehanao aho, ry mpanjaka, tompoko. Aoka hahita sitraka eo imasonao aho."
\s5
\v 5 Rehefa nanatona an'i Bahorima i Davida Mpanjaka, dia nisy lehilahy avy amin'ny fokon'i Saoly nipoitra avy any, antsoina hoe: Simey zanak'i Gera. Nivoaka nanozona teny am-pandehanana izy.
\v 6 Notorahany vato i Davida sy ireo manam-pahefan'ny mpanjaka rehetra, na dia teo aza ireo tafika sy ireo mpiambina izay teo an-kavia sy havanan'ny mpanjaka.
\s5
\v 7 Niantso fanozonana i Simey: "Mandehana any, mandehana mivoaka eto, ianao izay mpanao ratsy, ianao izay olona mpandatsa-drà!
\v 8 Novalian'i Yaveh taminareo rehetra ny ràn'ny fianakavian'i Saoly izay nalatsakareo, tamin'ny toerana izay nanjakanareo. Nomen'i Yaveh teo an-tanan'i Absaloma zanakao ny fanjakana. Tonga amin'ny faharavana ianao satria olon'ny rà."
\s5
\v 9 Dia hoy i Abisay zanaka lahin'i Zeroia, tamin'ny mpanjaka hoe: "Nahoana io alika maty io no manozona ny mpanjaka tompoko? Avelao re aho handeha ary hanapaka ny lohany."
\v 10 Fa niteny ny mpanjaka hoe: "Mpifaninona moa izaho sy ianao, ry zanaka lahin'i Zeroia? Manozona ahy angamba izy satria nilaza taminy i Yaveh hoe: 'Ozony i Davida.' Iza izany no afaka hiteny aminy hoe: 'Nahoana ianao no manozona ny mpanjaka?'"
\s5
\v 11 Ka hoy i Davida tamin'i Abisay sy ny mpanompony rehetra hoe: "Indro, ny zanako lahy, izay naterako, dia te-hifofo ny aiko. Koa maika fa ny fanirian'ity Benjamina ity ny amin'ny faharavako? Avelao izy ary avelao izy hanozona, satria nibaiko azy hanao izany Yaveh.
\v 12 Hijery ny fahoriana mianjady amiko angamba i Yaveh, ary hamaly soa ahy nohon'ny ozona nataony tamiko anio."
\s5
\v 13 Koa nandeha teny an-dalana i Davida sy ny olony, ary Simey kosa nanaraka azy ireo avy eny ampita teny an-tampon'ny havoana, nanozona sy namafy vovoka ary nitora-bato azy raha nandeha izy.
\v 14 Avy eo dia reraka ny mpanjaka sy ny olona rehetra izay niaraka taminy, ka naka aina izy rehefa nijanona izy ireo ny alina.
\s5
\v 15 Ary i Absaloma sy ny olon'Israely rehetra izay niaraka taminy, dia tonga tao Jerosalema, ary niaraka taminy i Ahitofela.
\v 16 Ary rehefa tonga teo amin'i Absaloma, i Hosay ilay Arkita, naman'i Davida, dia nilaza tamin'i Absaloma i Hosay hoe: "Ho ela velona anie ny mpanjaka! Ho ela velona anie ny mpanjaka!"
\s5
\v 17 Hoy i Absaloma tamin'i Hosay hoe: "Izao ve no fahatokianao asehonao amin'ny namanao? Nahoana ianao no tsy nandeha niaraka taminy?"
\v 18 Hoy i Hosay tamin'i Absaloma hoe: "Tsia! Fa ilay iray izay nofidian'i Yaveh sy ity vahoaka ity ary ny olon'Israely rehetra kosa, no lehilahy izay hombako, ary hitoetra eo aminy aho.
\s5
\v 19 Iza ihany koa, no olona tokony ho tompoiko? Tsy tokony hanompo eo amin'ny fanatrehan'ny zanany lahy ve aho? Tahaka ny nanompoko teo amin'ny fanatrehan'ny rainao, dia hanompo eo amin'ny fanatrehanao aho."
\s5
\v 20 Dia hoy i Absaloma tamin'i Ahitofela hoe: "Omeo ny torohevitrao izahay ny amin'ny tokony ho ataonay."
\v 21 Namaly an'i Absaloma i Ahitofela hoe: "Mandehana mandry miaraka amin'ireo vady mpanompon'ny rainao izay navelany hiambina ny lapa, ary ho ren'Israely rehetra fa nanamaimbo tena teo amin'ny rainao ianao. Avy eo dia hatanjaka ny tanan'ireo rehetra miaraka aminao."
\s5
\v 22 Ary namelatra lay ho an'i Absaloma teo an-tampon'ny lapa izy ireo, ka niara-nandry tamin'ireo vady andevon'ny rainy teo imason'Israely rehetra i Absaloma.
\v 23 Ary ilay torohevitra izay nomen'i Ahitofela tamin'izany andro izany dia toy ny hoe ren'olona avy tamin'ny vavan'Andriamanitra mihitsy. Izany no fahitan'i Davida sy Absaloma ny torohevitr'i Ahitofela rehetra.
\s5
\c 17
\p
\v 1 Dia niteny tamin'i Absaloma i Ahitofela hoe: "Avelao aho hifidy lehilahy roa arivo sy iray alina, ary hitsangana sy hanenjika an'i Davida aho anio alina.
\v 2 Ho tonga eo aminy aho raha mbola reraka sy malemy iny izy ary hanapoka azy amin-tahotra aho. Handositra ny vahoaka izay miaraka aminy, ary ny mpanjaka ihany no ho tafihiko.
\v 3 Ho entiko miverina aminao avokoa ny olona rehetra, toy ny vehivavy ampakarina tonga eo amin'ny vadiny, ary ny olona rehetra dia hilamina eo ambany fahefanao."
\v 4 Izay nolazain'i Ahitofela dia nankasitrahan'i Absaloma sy ireo loholon'Israely rehetra.
\s5
\v 5 Dia hoy i Absaloma hoe: "Antsoy ihany koa i Hosay ilay Arkita izao, ary aoka isika handre izay lazainy."
\v 6 Rehefa tonga teo amin'i Absaloma i Hosay, dia nazavain'i Absaloma taminy izay nolazain'i Ahitofela ary nanontany an'i Hosay izy hoe: "Tokony hanao izay nolazain'i Ahitofela ve isika? Raha tsia, lazao anay izay torohevitrao."
\v 7 Dia niteny tamin'i Absaloma i Hosay hoe: "Tsy tsara ny torohevitra izay nomen'i Ahitofela tamin'ity."
\s5
\v 8 Dia nanampy i Hosay hoe: "Fantatrao fa mpiady mahery ny rainao sy ireo lehilahiny, ary masiaka izy ireo, ary toy ny bera very anaka any an-tsaha. Lehilahy mpiady ny rainao; tsy hatory miaraka amin'ny tafika izy anio alina.
\v 9 Indro, mety miafina any an-davaka na any an-toeran-kafa izy izao. Rehefa misy maty eo am-panombohan'ny fanafihana ny lehilahinao sasany, na iza na iza mandre izany dia hiteny hoe: 'Misy famonoana mitranga eo amin'ireo miaramila izay manaraka an'i Absaloma.'
\v 10 Ka na dia ireo miaramila be herim-po indrindra aza, izay tahaka ny fon'ny liona ny fon'izy ireo, dia hatahotra satria fantatry ny Israely rehetra fa lehilahy mahery ny rainao, ary ireo lehilahy miaraka aminy dia tena matanjaka.
\s5
\v 11 Noho izany dia manoro hevitra anao aho fa tokony havory miaraka eto aminao ny Israely rehetra, manomboka any Dana ka hatrany Beri-sheba, izay maro isa toy ny fasika eo amoron-dranomasina, ary ny tenanao mihitsy no andeha hiady.
\v 12 Avy eo dia ho tonga eo aminy izahay na aiza na aiza mety hahitana azy, ary handrakotra azy tahaka ny ando mianjera amin'ny tany izahay. Tsy misy avelanay ho velona na dia iray amin'ireo olony, na izy tenany aza.
\s5
\v 13 Raha misintaka any amin'ny tanàna iray izy, dia hitondra tady ho any amin'izany tanàna izany ny Israely rehetra ka ho tarihinay ho any an-drenirano izany, mandra-pahatsisy na dia vato kely iray aza hita ao."
\v 14 Dia hoy i Absaloma sy ireo lehilahin'Israely hoe: "Ny torohevitr'i Hosay ilay Arkita dia tsara kokoa noho ny an'i Ahitofela." Yaveh dia nampisy fandavana ny torohevitra tsaran'i Ahitofela mba hitondrana loza eo amin'i Absaloma.
\s5
\v 15 Dia hoy i Hosay tamin'i Zadoka sy tamin'i Abiatara mpisorona hoe: "Ahitofela nanoro hevitra an'i Absaloma sy ireo loholon'Israely tamin'ny fomba tahaka izany, nefa izaho manana hevitra hafa.
\v 16 Koa ankehitriny ary, mandehana faingana ary tatero any amin'i Davida; teneno izy hoe: 'Aza mitoby ao amin'ireo fitàn'i Araba anio alina, fa miampità amin'ny fomba rehetra, raha tsy izany dia ho voatelina miaraka amin'ireo vahoaka rehetra izay miaraka aminy ny mpanjaka.'"
\s5
\v 17 Ary i Jonatana sy Ahimaza nitoetra teo amin'ny loharanon'i En-rogela. Nisy mpanompo vavy natao handeha sy hampahalala azy ireo ny amin'izay tokony ho fantatr'izy ireo, fa tsy natahorana ho hita ny fidiran'izy ireo ao an-tanàna. Rehefa tonga ny hafatra, dia nandeha sy niteny an'i Davida Mpanjaka izy ireo.
\v 18 Nefa nisy tovolahy nahita azy ireo tamin'io fotoana io ka niteny tamin'i Absaloma. Dia nivoaka faingana i Jonatana sy Ahimaza ary nankany an-tranon'ny lehilahy iray tao Bahorima, izay nanana lava-drano teo an-tokontaniny, tao no nidinan'izy ireo.
\s5
\v 19 Naka fandrakofana ilay lava-drano ny vadin-dralehilahy ary nandrakotra izany tamin'ny vavan'ny lava-drano, ary nanaparitaka vary teo amin'izany, ka dia tsy nisy nahalala fa tao amin'ny lava-drano i Jonatana sy Ahimaza.
\v 20 Tonga tao amin-dravehivavy tao an-trano ireo lehilahin'i Absaloma ary nanao hoe: "Aiza i Ahimaza sy Jonatana?" Hoy ravehivavy tamin'izy ireo hoe: "Efa niampita ny ony izy ireo." Ka rehefa avy nijery ny manodidina izy ireo ka tsy nahita azy ireo, dia niverina tany Jerosalema.
\s5
\v 21 Ary rehefa lasa izy ireo dia niakatra avy tao an-dava-drano i Jonatana sy Ahimaza. Nandeha nitatitra tany amin'i Davida Mpanjaka izy ireo; hoy izy ireo taminy hoe: "Mitsangàna ary miampità faingana ny rano satria Ahitofela efa nanome torohevitra toy izao sy toy izao momba anao."
\v 22 Dia nitsangana i Davida sy ny olona rehetra izay niaraka taminy, ka niampita an'i Jordana izy ireo. Nialohan'ny andro maraina dia tsy nisy tsy tafita an'i Jordana izy ireo.
\s5
\v 23 Rehefa hitan'i Ahitofela fa tsy narahina ny toroheviny, dia nanisy lasely ny borikiny izy ary lasa. Nody tany an-tanànany izy, nandamina ireo raharahany, ary nananto-tena. Tamin'izany fomba izany no nahafaty azy ary nalevina tany amin'ny fasan-drainy izy.
\s5
\v 24 Avy eo i Davida dia tonga tany Mahanaima. Raha ny amin'i Absaloma, dia niampita an'i Jordana izy, izy sy ireo lehilahin'Israely rehetra niaraka taminy.
\v 25 Ary Absaloma nametraka an'i Amasa fa tsy Joaba hifehy ny tafika. Amasa dia zanaka lahin'i Jitra ilay Ismaelita,
\f + \ft Fanamarihana: Ireo avara-pianarana dia tsy miombon- kevitra fa na ny teny faritana hoe Jitra dia tokony hoe "Ismaelita" toy ny ao amin'ny dikan-teny Grika taloha sasany, na hoe "Israelita" toy ny ao amin'ny lahatsoratra Hebreo taloha. Ireo avara-pianarana sasany dia mino fa fahadisoan'ny mpanao dika soratra amin'ny Hebreo ny hoe "Israelita". Ny hoe "Ismaelita" dia teny nampiasaina amin'ny andalan-teny mitovy (jereo 1Kor 2: 17), na ao amin'ireo lahatsoratra Hebreo taloha na Grika. \f*
izay nandry niaraka tamin'i Abigaila, izay zanaka vavin'i Nahasa ary rahavavin'i Zeroia, renin'i Joaba.
\v 26 Ary Israely sy Absaloma dia nitoby tao amin'ny tanin'i Gileada.
\s5
\v 27 Ary rehefa tonga tao Mahanaima i Davida, i Soby zanaka lahin'i Nahasa avy ao Raba ao amin'ireo Amonita, sy Makira zanaka lahin'i Amiela avy ao Lo-debara, ary Barzilay ilay Gileadita avy any Rogelima,
\v 28 dia nitondra fandriana sy bodofotsy, lovia sy vilany, sy vary, kobam-bary hordea, lango, tsaramaso, voanemba,
\v 29 tantely, dibera, ondry, ary ronono mandry, mba hafahan'i Davida sy ireo vahoaka niaraka taminy mihinana. Hoy ireo lehilahy ireo hoe: "Noana, reraka, ary mangetaheta any an'efitra ny vahoaka."
\s5
\c 18
\p
\v 1 Nanisa ireo miaramila izay niaraka taminy i Davida ary nanendry kapitenin'ny arivo sy kapitenin'ny zato teo amin'izy ireo.
\v 2 Avy eo dia nalefan'i Davida ny tafika, ny ampahatelony teo ambany fifehezan'i Joaba, ny ampahatelony iray hafa teo ambany fifehezan'i Abisay zanaka lahin'i Zeroia, rahalahin'i Joaba, ary ampahatelony iray hafa teo ambany fifehezan'Itahy Gatita. Hoy ny mpanjaka tamin'ny tafika hoe: "Izaho ihany koa dia handeha hiaraka aminareo tokoa."
\s5
\v 3 Fa hoy ireo lehilahy hoe: "Aoka tsy handeha amin'ny ady ianao, fa raha mandositra amin'ny ady izahay dia tsy hiraharaha izay momba anay izy ireo, na raha maty ny antsasakay dia tsy hiraharaha izy ireo. Fa ianao dia mendrika ny iray alina aminay! Noho izany dia tsara raha vonona hanampy anay avy aty amin'ny tanàna ianao."
\v 4 Ka namaly azy ireo ny mpanjaka hoe: "Ho ataoko izay mety ho tsara aminareo." Dia nitsangana teo amin'ny vavahady ny mpanjaka mandra-pivoaka isan-jatony sy isan'arivony ny tafika.
\s5
\v 5 Nandidy an'i Joaba, Abisay, ary Itahy ny mpanjaka nanao hoe: "Nohon'ny amiko dia mifanaraha amin-katsaram-panahy amin'ilay tovolahy, amin'i Absaloma." Ny vahoaka rehetra dia nandre fa nanome izany baiko izany an'ireo kapiteny momban'i Absaloma ny mpanjaka.
\s5
\v 6 Ka lasa nankany ambanivohitra nanohitra an'Israely ny tafika; niparitaka tamin'ny alan'i Efraima ny ady.
\v 7 Resy tany teo anatrehan'ireo miaramilan'i Davida ny tafik'Israely; nisy famonoana olona roa alina tany tamin'io andro io.
\v 8 Niparitaka eraky ny faritra iray manontolo ny ady, ary maro kokoa ny olona ravan'ny ala noho ny sabatra.
\s5
\v 9 Ary nifanehatra tamin'ny sasany tamin'ireo miaramilan'i Davida i Absaloma. Nitaingina ny ampondrany izy, ary nandeha tao ambany sampana matevin'ny hazo terebinta lehibe ny ampondrany, ka voahazona tao amin'ny rantsan'ny hazo ny lohany. Tavela nikiraviravy teo anelanelan'ny tany sy ny lanitra izy raha lasa ny ampondra notaingenany.
\v 10 Nisy olona iray nahita izany ka niteny tamin'i Joaba hoe: "Indro, hitako nihantona tamin'ny hazo terebinta i Absaloma."
\v 11 Hoy i Joaba tamin'ilay olona izay niteny taminy ny momban'i Absaloma: "Indro, Hitanao izy! Nahoana no tsy novelesinao hianjera amin'ny tany izy? Mety ho nomeko sekela volafotsy folo sy fehinkibo ianao."
\s5
\v 12 Namaly an'i Joaba ilay olona hoe: "Na dia nandray sekela volafotsy arivo aza aho, dia mbola tsy haninjitra ny tanako amin'ny zanaky ny mpanjaka, satria renay rehetra fa ny mpanjaka dia nibaiko anao, an'i Abisay, sy an'Itahy, nanao hoe: 'Aoka tsy hisy na iza na iza hikasika an'ilay tovolahy dia i Absaloma.'
\v 13 Raha nahafoy ny aiko tamin'ny lainga aho (ary tsy misy zavatra miafina amin'ny mpanjaka), dia mety ho nanary ahy ianao."
\s5
\v 14 Dia hoy i Joaba hoe: "Tsy hiandry anao aho." Ka naka lefona telo teny an-tanany i Joaba ary nandetika ireo tao amin'ny fon'i Absaloma, raha mbola velona sy nihantona teo amin'ny hazo terebinta izy.
\v 15 Avy eo ireo tovolahy folo izay nilanja ny fitaovam-piadian'i Joaba nanodidina an'i Absaloma, namely azy, ary namono azy.
\s5
\v 16 Avy eo i Joaba nitsoka ny trompetra, ary niverina avy tamin'ny fanenjehana an'Israely ny tafika, satria i Joaba no nifehy ny tafika.
\v 17 Nalain'izy ireo i Absaloma ka natsipin'izy ireo tany anaty lavaka lehibe tao an'ala; nalevin'izy ireo tao ambany antontam-bato lehibe ny vatany, raha toa ka nandositra ny Israely rehetra, ny olon-drehetra ho any an-tranony avy.
\s5
\v 18 Ary i Absaloma, raha mbola velona, dia nanangana antontam-bato lehibe tao amin'ny Lohasahan'ny Mpanjaka ho azy, fa hoy izy hoe: "Tsy manan-janaka lahy hitondra ny anarako aho." Nomeny ny anarany ilay antontam-bato, ka tamin'io andro io ihany dia nantsoina hoe: Tsangam-baton'i Absaloma izany.
\s5
\v 19 Ary hoy i Ahimaza zanak'i Zadoka hoe: "Avelao hihazakazaka hitondra vaovao mahafaly ho any amin'ny mpanjaka aho, dia ny fomba namonjen'i Yaveh azy teo an-tanan'ireo fahavalony."
\v 20 Namaly azy i Joaba hoe: "Tsy ianao no ho mpitondra vaovao anio; aoka amin'ny andro manaraka ianao no manao izany. Tsy hitondra vaovao ianao anio satria maty ny zanaka lahin'ny mpanjaka."
\s5
\v 21 Ary hoy i Joaba tamin'ilay Kosita iray hoe: "Mandehana, lazao amin'ny mpanjaka izay hitanao." Dia niankohoka teo amin'i Joaba ilay Kosita, ary lasa nihazakazaka.
\v 22 Avy eo i Ahimaza zanak'i Zadoka mbola niteny tamin'i Joaba indray hoe: "Na inona na inona mety hitranga, dia avelao hihazakazaka ihany koa aho ka hanaraka ilay Kosita." Joaba namaly hoe: "Nahoana ianao no te-hihazakazaka, ry zanako, nefa mahita fa tsy hahazo valisoa amin'ireo vaovao ianao?"
\v 23 "Na inona na inona mitranga," hoy i Ahimaza, "Dia hihazakazaka aho." Ka namaly azy i Joaba hoe: "Mihazakazaha." Ary nihazakazaka tamin'ny tany lemaka i Ahimahaza, ka nihoatra an'ilay Kosita.
\s5
\v 24 Ary i Davida nipetraka teo anelanelan'ny anatiny sy ivelan'ny vavahady. Nandeha teny amin'ny tafon'ny vavahady teny amin'ny manda ilay mpiambina ary nanandratra ny masony. Raha nijery izy, dia nahita lehilahy nanatona, nihazakazaka irery.
\v 25 Nihiakiaka ilay mpiambina ary niteny tamin'ny mpanjaka. Dia hoy ny mpanjaka hoe: "Raha irery izy, dia misy vaovao ao am-bavany." Nanatona akaiky ilay mpihazakazaka ary nanakaiky ny tanàna.
\s5
\v 26 Avy eo dia nahita mpihazakazaka iray hafa ilay mpiambina, ka nampiantso ny mpiandry vavahady izy; hoy izy hoe: "Indro, misy olona iray hafa mihazakazaka irery." Hoy ny mpanjaka hoe: "Mitondra vaovao ihany koa izy."
\v 27 Ka niteny ilay mpiambina hoe: "Tahaka ny fihazakazak'i Ahimaza zanak'i Zadoka no fahitako ny fihazakazak'ilay olona iray eo aloha." Hoy ny mpanjaka hoe: "Lehilahy tsara izy ary tonga miaraka amin'ny vaovao mahafaly."
\s5
\v 28 Dia niantso mafy i Ahimahaza ary niteny tamin'ny mpanjaka hoe: "Mety ny zava-drehetra." Nampiankohoka ny tenany tamin'ny tavany teo amin'ny tany teo anatrehan'ny mpanjaka izy ary nanao hoe: "Deraina anie Yaveh Andriamanitrao! Nanafaka ny olona izay nanandratra ny tanan'izy ireo nanohitra ny mpanjaka tompoko Izy."
\v 29 Ka namaly ny mpanjaka hoe: "Mety tsara ve ny amin'ilay tovolahy Absaloma?" Namaly i Ahimaza hoe: "Rehefa nandefa ahy, mpanompon'ny mpanjaka, hakaty aminao i Joaba, ry mpanjaka, dia nahita korontana lehibe aho, fa tsy fantatro hoe inona izany."
\v 30 Dia hoy ny mpanjaka hoe: "Mitodiha kely ary mitsangàna eto." Ka nitodika kely Ahimaza, ary nitsangana.
\s5
\v 31 Dia tonga teo no ho eo ilay Kosita ka niteny hoe: "Misy vaovao mahafaly ho anao ry mpanjaka tompoko, fa ankehitriny Yaveh dia namaly faty anao tamin'ireo rehetra izay nitsangana nanohitra anao."
\v 32 Ary hoy ny mpanjaka tamin'ilay Kosita hoe: "Mety tsara ve ny amin'ilay tovolahy Absaloma?" Namaly ilay Kosita hoe: "Ireo fahavalon'ny mpanjaka tompoko, sy ireo rehetra izay mitsangana manohitra anao mba handratra anao, dia tokony ho tahaka an'io tovolahy io."
\v 33 Dia ketraka fatratra ny mpanjaka, ka niakatra tany amin'ny efitrano ambonin'ny vavahady izy ary nitomany. Sady nandeha izy no nitaraina hoe: "Absaloma zanako, ny zanako, Absaloma zanako! Tokony ho izaho no maty fa tsy ianao, ry Absaloma, ny zanako, ny zanako!"
\s5
\c 19
\p
\v 1 Nolazaina tamin'i Joaba hoe: "Indro, mitomany sy misaona ho an'i Absaloma ny mpanjaka."
\v 2 Ka dia nivadika fisaonana ho an'ny tafika rehetra ilay fandresena tamin'io andro io, fa ny tafika nahare izany tamin'io andro io hoe: "Misaona ho an'ny zanany lahy ny mpanjaka."
\s5
\v 3 Tsy maintsy niala mangingina ny tanàna tamin'io andro io ireo miaramila, tahaka ny vahoaka menatra miala moramora raha handeha an'ady izy ireo.
\v 4 Nanarona ny tavany ny mpanjaka ary nitomany tamin'ny feo mafy hoe: "Ry Absaloma zanako, Absaloma, ny zanako, ny zanako!"
\s5
\v 5 Ary niditra tao an-trano tao amin'ny mpanjaka i Joaba ary niteny taminy hoe: "Nanala baraka ireo tavan'ny miaramilanao rehetra anio, izay nanavotra ny ainao androany, ny ain'ireo zanakao lahy sy ireo zanakao vavy, sy ny ain'ireo vadinao ary ny ain'ireo vadin'ny andevonao ianao,
\v 6 satria ianao dia tia ireo izay mankahala anao, ary mankahala ireo izay tia anao. Fa androany dia nasehonao fa tsinontsinona aminao ireo mpifehy sy miaramila. Ankehitriny dia mino aho fa raha velona i Absaloma, ary maty daholo isika, dia ho nahafaly anao izany.
\s5
\v 7 Koa noho izany mitsangàna ka mivoaha ary resaho am-pahatsorana ireo miaramilanao, fa mianiana amin'i Yaveh aho, fa raha tsy mandeha ianao, dia tsy hisy olona na iray aza hijanona miaraka aminao anio alina. Ho ratsy kokoa aminao noho ny loza rehetra izay efa nihatra taminao hatramin'ny fahatanoranao ka hatramin'izao izany."
\v 8 Koa nitsangana ny mpanjaka ary nipetraka teo am-bavahadin'ny tanàna, ary ny vahoaka rehetra nilazana hoe: "Indro, mipetraka eo am-bavahady ny mpanjaka," ary nankeo anoloany ny vahoaka rehetra. Dia nitsoaka ny Israely, samy nankany an-tranony avy ny olona rehetra.
\s5
\v 9 Ary ny vahoaka rehetra niady hevitra ny amin'ny fokon'Israely rehetra nanao hoe: "Namonjy antsika teo an-tanan'ireo fahavalontsika ny mpanjaka, ary nanavotra antsika teo an-tanan'ireo Filistina izy, fa ankehitriny dia nitsoaka ny tany izy noho i Absaloma.
\v 10 Absaloma, izay nohosorantsika hanjaka teto amintsika, dia efa maty tany an'ady. Koa nahoana ianareo no tsy miteny na inona na inona ny amin'ny fampodiana ny mpanjaka?"
\s5
\v 11 Davida mpanjaka naniraka tany amin'i Zadoka sy Abiatara mpisorona nanao hoe: "Ilazao ireo loholon'i Joda hoe: 'Nahoana no ianareo indray no farany amin'ny fampodiana ny mpanjaka any amin'ny lapany, nefa ny resaky ny Israely rehetra dia mankasitraka ny mpanjaka, mba hitondra azy hiverina any amin'ny lapany?
\v 12 Rahalahiko ianareo, nofoko sy taolako. Koa nahoana no ianareo indray no farany amin'ny fampodiana ny mpanjaka?'
\s5
\v 13 Ary ilazao i Amasa hoe: 'Moa ve ianao tsy nofoko sy taolako? Hataon'Andriamanitra amiko anie izany, ary mihoatra noho izany aza, raha tsy kapitenin'ny tafiko eo amin'ny toeran'i Joaba ianao manomboka izao."
\v 14 Ary dia babony toy ny olona iray ireo fon'ny lehilahin'i Joda rehetra. Naniraka tany amin'ny mpanjaka izy ireo nanao hoe: "Miverena, ianao sy ny olonao rehetra."
\v 15 Dia niverina ny mpanjaka ka tonga teo amin'ny Jordana. Ary ny vahoakan'i Joda tonga teo Gilgala mba hitsena ny mpanjaka ary avy eo hitondra ny mpanjaka hiampita ny jordana.
\s5
\v 16 Simey zanaka lahin'i Gera, ilay Benjamita, izay avy any Bahorima, dia nidina faingana niaraka tamin'ny vahoakan'i Joda mba hitsena an'i Davida Mpanjaka.
\v 17 Nisy arivo lahy avy any Benjamina niaraka taminy, ary Ziba ilay mpanompon' i Saoly, sy ireo zanany lahy dimy ambin'ny folo ary ireo mpanompony roapolo niaraka taminy. Niampita ny jordana teo anatrehan'ny mpanjaka izy ireo.
\v 18 Niampita mba hitondra ny fianakavian'ny mpanjaka sy hanao izay rehetra noheveriny fa tsara izy ireo. Niankohoka teo anatrehan'ny mpanjaka i Simey zanaka lahin'i Gera mialohan'ny hiampitany ny Jordana.
\s5
\v 19 Hoy i Simey tamin'ny mpanjaka hoe: "Tsia, ry tompoko, aza manameloka ahy na mahatsiaro izay nataon'ny mpanomponao tamim-pahamafisan-doha tamin'ny andro nialan'ny mpanjaka tompoko tao Jerosalema. Miangavy, aoka tsy handray izany am-po anie ny mpanjaka.
\v 20 Fa ireo mpanomponao dia mahalala fa efa nanota aho. Indro, izany no antony nahatongavako voalohany tamin'ireo fianakavian'i Josefa rehetra androany mba hidina hitsena ny mpanjaka tompoko."
\s5
\v 21 Fa i Abisay zanaka lahin'i Zeroia namaly ary nanao hoe: "Tsy tokony ho vonoina ve i Simey noho izany, satria nanozona an'ilay voahosotr'i Yaveh izy?"
\v 22 Ary i Davida niteny hoe: "Moa mpifaninona izaho sy ianao, ry zanaka lahin'i Zeroia, no tokony ho mpanohitra ahy ianareo ankehitriny? Tokony hisy lehilahy ho vonoina ve eto Israely anio? Fa moa tsy fantatro ve fa izaho no mpanjakan'Israely anio?"
\v 23 Koa niteny tamin'i Simey ny mpanjaka hoe: "Tsy ho faty ianao." Dia nampanantena azy tamim-pianianana ny mpanjaka.
\s5
\v 24 Ary Mefiboseta zanaka lahin'i Saoly nidina mba hitsena ny mpanjaka. Tsy nanisy kapa ny tongony izy, na nanala ny volom-bavany, na nanasa ireo lambany nanomboka tamin'ny andro nandehanan'ny mpanjaka ka hatramin'ny andro nahatongavany soa aman-tsara tao an-trano.
\v 25 Koa rehefa tonga avy tany Jerosalema izy mba hitsena ny mpanjaka, dia hoy ny mpanjaka taminy hoe: "Nahoana ianao no tsy niaraka tamiko, ry Mefiboseta?"
\s5
\v 26 Namaly izy hoe: "Ry mpanjaka tompoko, namitaka ahy ny mpanompoko, fa hoy aho hoe: 'Hanisy lasely ny ampondrako aho mba hahafahako mitaingina izany sy miaraka amin'ny mpanjaka, satria mandringa ny mpanomponao.
\v 27 Ziba mpanompoko dia efa nanendrikendrika ahy, mpanomponao, tamin'ny mpanjaka tompoko. Fa ny mpanjaka tompoko dia toy ny anjelin'Andriamanitra. Noho izany, ataovy izay tsara eo imasonao.
\v 28 Satria ny taranaky ny raiko rehetra dia efa lehilahy maty eo anatrehan'ny mpanjaka tompoko, kanefa ianao nametraka ny mpanomponao ho isan'ireo izay nihinana teo amin'ny latabatrao manokana. Koa inona intsony noho izany no rariny ho ahy izay tokony mbola hitarainako amin'ny mpanjaka?"
\s5
\v 29 Dia hoy ny mpanjaka taminy hoe: "Nahoana no manazava zavatra mihoatra?" Efa nanapa-kevitra aho fa ianao sy Ziba no hizara ireo saha."
\v 30 Ary Mefiboseta namaly ny mpanjaka hoe: "Eny, aoka izy haka azy rehetra, satria ny mpanjaka tompoko dia efa tonga soa aman-tsara ato an-tranony."
\s5
\v 31 Ary Barzilay ilay Gileadita dia nidina avy any Rogelima mba hiampita ny Jordana miaraka amin'ny mpanjaka, ary nanatitra ny mpanjaka niampita ny Jordana izy.
\v 32 Barzilay dia lehilahy efa tena antitra, valopolo taona. Efa nanome vatsy ny mpanjaka izy fony izy nipetraka tao Mahanaima, satria lehilahy tena mpanefoefo izy.
\v 33 Hoy ny mpanjaka tamin'i Barzilay hoe: "Ndeha hiara-mita amiko, ary hanome anao toerana miaraka amiko any Jeroselama aho."
\s5
\v 34 Barzilay namaly ny mpanjaka hoe: "Hafiriana moa sisa no andro hiainako, no mbola tokony hiara-hiakatra amin'ny mpanjaka any Jerosalema aho?
\v 35 Valopolo taona aho. Mahay manavaka ny tsara sy ny ratsy ve aho? Mahavita mihinana izay haniko sy sotroiko ve ny mpanomponao? Moa ve aho mahare ny feon'ny mpihira lahy sy mpihira vavy intsony? Koa nahoana ny mpanomponao no mbola ho vesatra ho an'ny mpanjaka tompoko?
\v 36 Te-hiampita an'i Jordana miaraka amin'ny mpanjaka fotsiny ny mpanomponao. Koa nahoana ny mpanjaka no dia hamaly fitia ahy tahaka izany?
\s5
\v 37 Aoka re ny mpanomponao hody, mba ho faty any amin'ny tanànako eo akaikin'ny fasan'ny raiko sy ny reniko aho. Fa indro, inty i Kimama mpanomponao. Aoka izy hiara-mita amin'ny tompoko mpanjaka, ary ataovy aminy izay heverinao fa tsara aminao."
\s5
\v 38 Dia namaly ny mpanjaka hoe: "Hiara-mita amiko i Kimama, ary hataoko aminy izay heverinao fa tsara, ary na inona na inona irinao aty amiko, dia hataoko izany ho anao."
\v 39 Ary dia niampita an'i Jordana ny vahoaka rehetra, niampita ny mpanjaka, dia nanoroka an'i Barzilay izy ary nitso-drano azy. Dia nody tany an-tranony i Barzilay.
\s5
\v 40 Dia nita an'i Gilgala ny mpanjaka, ary Kimama nita niaraka taminy. Ny tafik'i Joda rehetra dia nitondra ny mpanjaka niampita, ary koa ny antsasa-tafiky ny Israely.
\v 41 Vetivety dia nanomboka tonga teo amin'ny mpanjaka ny lehilahin'Israely rehetra ary niteny tamin'ny mpanjaka hoe: "Nahoana ireo rahalahintsika, ireo lehilahin'i Joda, no nangalatra anao ary nitondra ny mpanjaka sy ny fianakaviany nita an'i Jordana, ary ny lehilahin'i Davida rehetra niaraka taminy?"
\s5
\v 42 Dia namaly ny lehilahin'Israely ny lehilahin'i Joda hoe: "Izany dia satria ny mpanjaka akaiky anay kokoa. Koa nahoana ianareo no tezitra amin'izany? Efa nandany izay novidin'ny mpanjaka ve izahay? Efa nanome fanomezana ho anay ve izy?"
\v 43 Dia namaly ny lehilahin'i Joda ny lehilahin'Israely hoe: "Manana foko folo mifandray amin'ny mpanjaka izahay, noho izany manan-jo kokoa ny amin'i Davida noho ianareo izahay. Koa nahoana ianareo no manao tsinontsinona anay? Moa ve tsy ny tolo-kevitray ny amin'ny hitondrana ny mpanjakanay hiverina no rè voalohany?" Fa ireo tenin'ny lehilahin'i Joda dia mahery kokoa noho ireo tenin'ny lehilahin'Israely.
\s5
\c 20
\p
\v 1 Sendra nisy mpanakorontana iray teo amin'ilay toerana ary Seba no anarany zanaka lahin'i Bikry, Benjamita iray izy. Nitsoka ny trompetra izy sady niteny hoe: "Tsy manana anjara any amin'i Davida isika, no sady tsy mahazo lova any amin'ny zanaka lahin'i Jese. Avelao ny lehilahy rehetra hody any an-tranony, ry Israely."
\v 2 Noho izany dia nandao an'i Davida ireo lehilahin'Israely rehetra ary nanaraka an'i Seba zanaka lahin'i Bikry. Nefa ireo vahoakan'i Joda nifikitra nanaraka ny mpanjakan'izy ireo, avy amin'ny lalan'i Jordana rehetra ka hatrany Jerosalema.
\s5
\v 3 Rehefa tonga tao amin'ny lapany tao Jerosalema i Davida, dia naka ireo vady andevo folo izay navelany hiandry ny lapa izy, ary napetrany tao amin'ny trano iray voambina izy ireo. Nanome izay rehetra nilainy izy, fa tsy niara-nandry tamin'izy ireo intsony. Ka nihidy tao izy ireo mandra-pahatongan'ny andro nahafatesany, niaina tahaka ny mpitondratena izy ireo.
\s5
\v 4 Ary hoy ny mpanjaka tamin'i Amasa hoe: "Vorio ao anatin'ny telo andro ireo lehilahin'i Joda; tsy maintsy eto ihany koa ianao."
\v 5 Dia lasa Amasa namory ireo lehilahin'i Joda, nefa naharitra ela kokoa noho ny fe-potoana izay nandidian'ny mpanjaka azy izy.
\s5
\v 6 Ka hoy i Davida tamin'i Abisay hoe: "Ankehitriny i Seba zanaka lahin'i Bikry dia hanao ratsy antsika mihoatra noho ny nataon'i Absaloma. Ento ireo mpanompon'ny tomponao, ireo miaramilako, ka enjeho izy, raha tsy izany hahita tanàna mimanda izy ka tsy ho hitantsika."
\v 7 Dia lasa nanenjika azy ireo lehilahin'i Joaba, niaraka tamin'ireo Keretita sy ireo Peletita ary ireo mpiady mahery rehetra. Niala tao Jerosalema izy ireo mba hanenjika an'i Seba zanaka lahin'i Bikry.
\s5
\v 8 Rehefa teo amin'ilay vato lehibe izay tao Gibeona izy ireo, dia tonga i Amasa mba hitsena azy ireo. Efa nanaovan'i Joba teny aminy ny akanjo fiadiana, izay nisy fehinkibo teny am-balahany niaraka tamin'ny fitoeran-tsabany nifatotra tamin'izany. Ary raha nandeha izy, dia latsaka ilay sabatra.
\s5
\v 9 Ka hoy i Joaba tamin'i Amasa hoe: "Salama tsara ve ianao, ry rahalahiko? Noraisin'i Joaba tamim-pitiavana tamin'ny tanany havanana ny volombavan'i Amasa mba horohany.
\v 10 Tsy tsikaritr'i Amasa ny sabatra kely izay teny an-tanan-kavian'i Joaba. Notsindromin'i Joaba teo amin'ny kibony i Amasa, ka nivaroraka tamin'ny tany ireo tsinainy, tsy namely azy intsony Joaba, ary maty Amasa. Noho izany dia nanenjika an'i Seba zanaka lahin'i Bikry i Joaba sy Abisay rahalahiny.
\s5
\v 11 Avy eo dia nijanona teo amin'i Amasa ny iray tamin'ireo lehilahin'i Joaba, ary hoy ilay lehilahy hoe: "Izay momba an'i Joaba, sy izay momba an'i Davida, avelao izy hanaraka an'i Joaba."
\v 12 Nihosona ny ràny teo afovoan'ny lalana i Amasa. Rehefa hitan'ilay lehilahy fa nijanona ny olona rehetra, dia nafindrany niala teo amin'ny lalana ho any amin'ny saha i Amasa. Nosaromany lamba teo amboniny satria hitany fa izay olona mandalo eo aminy dia mijanona.
\v 13 Rehefa avy nesorina teo amin'ny lalana i Amasa, dia nanaraka an'i Joaba hanenjika an'i Seba zanaka lahin'i Bikry ny lehilahy rehetra.
\s5
\v 14 Seba dia namakivaky ireo fokon'Israely rehetra tany Abela any Beti-maka, sy nanerana ny tanin'ny Berita rehetra, izay niangona ary nanenjika an'i Seba ihany koa.
\v 15 Tratra izy ka nataon'izy ireo fahirano tany Abela tany Beti-maka. Nanandratra tovo-tany iray manoloana ny manda teo amin'ny tanàna izy ireo. Ny tafika rehetra izay nanaraka an'i Joaba dia nandrava ny manda mba hampianjera izany.
\v 16 Avy eo dia nisy vehivavy hendry iray niantso ny tao an-tanàna hoe: "Henoy, mba henoy re, ry Joaba! Mankanesa eto akaikiko mba ho afaka hiresaka aminao aho."
\s5
\v 17 Ka nanatona azy i Joaba, hoy ilay vehivavy hoe: "Ianao ve no Joaba?" Dia namaly izy hoe: "Izaho no izy." Ary hoy izy taminy hoe: "Henoy ny tenin'ny mpanomponao." Dia namaly izy hoe: "Mihaino aho."
\v 18 Dia hoy izy hoe: "Fitenin'ireo taloha ny hoe: 'Mitadiava hevitra any amin'i Abela,' ary izany hevitra izany no hampitsahatra ny olana.
\v 19 Izahay dia tanàna iray amin'ireo izay tena milamina sy mahatoky indrindra eto Israely. Mikasa hamotika tanàna iray izay reny eto Israely ianao. Nahoana ianao no mitady hihinana ny lovan'i Yaveh?"
\s5
\v 20 Ka namaly i Joaba ary niteny hoe: "Sanatria, dia sanatria amiko, ny haka na hanimba.
\v 21 Tsy marina izany. Fa misy lehilahy iray avy any amin'ny tany havoan'i Efraima, antsoina hoe Seba zanaka lahin'i Bikry, nanandratra ny tanany hanohitra ny mpanjaka, hanohitra an'i Davida. Izy irery no atolory, dia hiala eto amin'ny tanàna aho." Hoy ravehivavy tamin'i Joaba hoe: "Ho atsipy eo aminao hihoatra ny manda ny lohany.
\v 22 Ary tamim-pahendreny no nanatonan'ilay vehivavy ny olon-drehetra. Notapahan'izy ireo ny lohan'i Seba zanaka lahin'i Bikry ary natsipin'izy ireo teo amin'i Joaba. Avy eo nitsoka ny trompetra izy ary nandao ny tanàna ireo lehilahin'i Joaba, ny lehilahy rehetra ho any an-tranony avy. Avy eo i Joaba dia niverina tany Jerosalema ho any amin'ny mpanjaka.
\s5
\v 23 Ary i Joaba dia ambonin'ireo tafiky ny Israely rehetra, ary Benaia zanaka lahin'i Joiada dia ambonin'ireo Keretita sy ireo Peletita.
\v 24 Adorama dia ambonin'ireo lehilahy izay nanao asa an-terivozona. Ary Josafata zanaka lahin'i Ahiloda no mpitahiry.
\v 25 Seva no mpanora-dalàna, ary Zadoka sy Abiatara no mpisorona.
\v 26 Ira ilay Jairita no mpanolo-tsaina an'i Davida.
\s5
\c 21
\p
\v 1 Nisy mosary nandritra ny telo taona nisesy tamin'ny andron'i Davida, ary nitady ny tavan'i Yaveh i Davida. Ka hoy Yaveh hoe: "Eo aminareo io mosary io noho i Saoly sy ny fianakaviany mpamono olona, satria namono ireo Gibeonita izy."
\s5
\v 2 Ary ireo Gibeonita dia tsy avy amin'ny vahoakan' Israely; fa avy amin'ny sisan'ireo Amorita izy ireo. Efa nianiana tsy hamono azy ireo ny vahoakan'Israely, saingy niezaka hamono azy ireo tamin'ny zotom-pony ihany i Saoly ho an'ireo vahoakan'Israely sy Joda.
\v 3 Noho izany i Davida Mpanjaka dia niantso niaraka ireo Gibeonita ary niteny tamin'izy ireo hoe: "Inona no tokony hataoko ho anareo? Ahoana no hahafahako manao fanavotana, mba hanomezanareo tso-drano ireo vahoakan'i Yaveh, izay mandova ny hatsaràny sy ireo fampanantenany?"
\s5
\v 4 Namaly azy ireo Gibeonita hoe: "Tsy resaka volafotsy na volamena eo aminay sy Saoly na ny fianakaviany izany. Tahaka izany koa no tsy hamonoanay olona ao Israely." Dia namaly i Davida hoe: "Inona no lazainareo fa tokony hataoko ho anareo?"
\s5
\v 5 Namaly ny mpanjaka izy ireo hoe: "Ilay lehilahy izay niezaka hamono anay rehetra, izay nanao tetika hanoherana anay, mba ho potika izahay izao ary tsy hanana toerana ao amin'ireo sisin-tanin'Israely—
\v 6 aoka hisy lehilahy fito avy amin'ny taranany hatolotra anay, ary hanantona azy ireo eo anatrehan'i Yaveh any Gibean'i Saoly, ilay iray nosafidian'i Yaveh izahay." Dia hoy ny mpanjaka hoe: "Homeko anareo izy ireo."
\s5
\v 7 Fa namindra fo tamin'i Mefiboseta zanaka lahin'i Jonatana zanaka lahin'i Saoly ny mpanjaka, nohon'ny fianianan'i Yaveh teo amin'izy ireo, teo amin'i Davida sy Jonatana, zanaka lahin'i Saoly.
\v 8 Kanefa nalain'ny mpanjaka ireo zanaka roa lahy an'i Rizpa zanaka vavin'i Aia, zanany avy amin'i Saoly—Armony sy Mefiboseta no anaran'ireo roa lahy; ary nalain'i Davida ihany koa ireo zanaka dimy lahy an'i Mikala zanaka vavin'i Saoly, izay avy amin'i Adriela zanaka lahin'i Barzilay ilay Meholatita.
\v 9 Natolony teo an-tanan'ireo Gibeonita izy ireo. Nahanton'izy ireo tany an-tendrombohitra nanoloana an'i Yaveh izy ireo, ary niara-maty izy fito. Tamin'ny fotoam-pararano no namonoana azy ireo, nandritra ny andro voalohany tamin'ny fiantombohan'ny fijinjana ny vary hordea.
\s5
\v 10 Avy eo i Rizpa, zanaka vavin'i Aia, naka lamba fisaonana ary namelatra izany ho an'ny tenany teo amin'ny tendrombohitra akaikin'ireo vata-mangatsiaka, hatramin'ny fiantombohan'ny fijinjana ka hatramin'ny nilatsahan'ny orana teo amin'izy ireo avy any an-danitra. Tsy navelany hanakorontana ireo razana ny voron'ny lanitra ny atoandro na ireo bibidia ny alina.
\v 11 Nolazaina tamin'i Davida izay nataon'i Rizpa, zanaka vavin'i Aia, ilay vady andevon'i Saoly.
\s5
\v 12 Noho izany dia nandeha i Davida ary naka ny taolan'i Saoly sy ny taolan'i Jonatana zanany lahy teo amin'ireo lehilahin'i Jabesi-gileada, izay nangalatra ireo tao an-kianjan'ny daholobe tany Beti-sana, tany amin'izay nanantonan'ireo Filistina azy ireo, rehefa avy namono an'i Saoly tao Gilboa izy ireo.
\v 13 Nalain'i Davida hiala tao ny taolan'i Saoly sy ny taolan'i Jonatana zanany lahy, ary nanangona ny taolan'ireo lehilahy fito izay nahantona ihany koa izy ireo.
\s5
\v 14 Nalevin'izy ireo tany amin'ny tanànan'i Benjamina tany Zela ny taolan'i Saoly sy Jonatana zanany, tao amin'ny fasan'i Kisy rainy. Nataon'izy ireo avokoa izay rehetra nodidian'ny mpanjaka. Taorian'izany dia novalian'Andriamanitra ny vavak'izy ireo ho an'ny tany.
\s5
\v 15 Avy eo ireo Filistina dia nandeha niady tamin'Israely indray. Noho izany dia nidina niaraka tamin'ny tafiny i Davida ary niady nanohitra an'ireo Filistina. Reraky ny ady i Davida.
\v 16
Jisbibenoba, taranaky ny Refaita, izay nilanja telonjato sekely ny lefony varahina, ary izay nanana sabatra fitaovam-piadiana vaovao, dia nikasa hamono an'i Davida.
\v 17 Kanefa Abisay zanak'i Zeroia nanavotra an'i Davida, nanafika ny Filistina, ary namono azy. Avy eo ireo lehilahin'i Davida nianiana taminy, nanao hoe: "Tsy tokony handeha hiady hiaraka aminay intsony ianao, mba tsy hamonoanao ny jiron'Israely."
\s5
\v 18 Ary taorian'io dia nisy ady niaraka tamin'ireo Filistina indray tao Goba, rehefa novonoin'i Sibeka ilay Hosatita i Safa, izay iray tamin'ny taranak'ireo Refaita.
\f + \ft Fanamarihana: Raha tokony ho "Goba" ao amin'ny Hebreo, dia mivaky toy izao ny dikan-teny sasany: "Geseta" na "Gesera." \f*
\v 19 Dia nisy ady indray tamin'ireo Filistina tao Goba, izay namonoan'i Elanana zanaka lahin'i Jare ilay Betlehemita an'i Goliata ilay Gatita, izay toy ny vodi-tenon'ny mpanenona ny lefony.
\s5
\v 20 Ary tamin'ny ady hafa tao Gata dia nisy lehilahy vaventy nanana rantsan-tanana enina isaky ny tanany ary rantsan-tongotra enina isaky ny tongotra, efatra amby roapolo ny isany. Avy amin'ny taranaka Refaita ihany koa izy.
\v 21 Rehefa naneso an'Israely izy, dia novonoin'i Jonatana zanaka lahin'i Simea, rahalahin'i Davida.
\v 22 Ireo no taranaka Refaita tao Gata, ary novonoin'ny tanan'i Davida sy ny tanan'ireo miaramilany izy.
\s5
\c 22
\p
\v 1 Nihira ho an'i Yaveh ireo teny amin'ity hira ity tamin'ny andro izay nanavotan'i Yaveh azy teo an-tanan'ireo fahavalony rehetra, sy teo an-tanan'i Saoly i Davida.
\v 2 Nivavaka izy hoe: "Yaveh no vatolampiko, fiarovana mafy ho ahy, ilay Iray izay mamonjy ahy.
\s5
\v 3 Andriamanitra no vatolampiko. Mialoka eo aminy aho. Izy no fiarovako, ilay tandroky ny famonjena ahy, fiarovana mafy ho ahy, sy fialofako, ilay Iray izay manavotra ahy amin'ny herisetra.
\v 4 Hiantso an'i Yaveh, izay mendrika ny ho deraina aho, ka ho avotra amin'ireo fahavaloko aho.
\s5
\v 5 Fa nanodidina ahy ireo aloky ny fahafatesana, nanafotra ahy ireo rano mikorian'ny fahapotehana.
\v 6 Nanodidina ahy ireo tadin'ny fiainan-tsy hita; namandrika ahy ireo fandriky ny fahafatesana.
\s5
\v 7 Tamin'ny fahoriako no niantsoako an'i Yaveh; niantso an'Andriamanitro aho; nandre ny feoko avy tao an-tempoliny Izy, ary tonga teo an-tsofiny ny antso vonjiko.
\s5
\v 8 Dia nihozona sy nihovitra ny tany. Nihovitrovitra sy voahozongozona ny fiorenan'ny lanitra, satria tezitra Andriamanitra.
\v 9 Niakatra avy tamin'ny vavorony ny setroka, ary afo miredareda no nivoaka avy tamin'ny vavany. Voarehitr'izany ny vain'afo.
\s5
\v 10 Nanokatra ny lanitra Izy ka nidina, ary ny aizim-pito tao ambany faladiany.
\v 11 Nitaingina Kerobima Izy ka nanidina. Hita teny an'elatry ny rivotra Izy.
\f + \ft Fanamarihana: Ireo dikan-teny sasany misy hoe: "Nanidina tamin'ny elatry ny rivotra Izy." \f*
\v 12 Nataony ho lay nanodidina Azy ny aizina, nanangona rahon'orana matevina teny amin'ireo habakabaka izy.
\s5
\v 13 Avy tamin'ny tselatra teo anatrehany no nilatsahan'ny vain'afo.
\v 14 Yaveh nampikotrokotroka avy tany an-danitra. Nihiaka mafy ilay Avo Indrindra.
\v 15 Nandefa zana-tsipìka Izy ka nampiely ireo fahavalony— nandefa tsela-pahazavana ka nanaparitaka azy ireo.
\s5
\v 16 Avy eo dia niseho ny fantson-drano; niharihary tamin'ny hiakan'adin'i Yaveh ny fanambanin'izao tontolo izao, tamin'ny fipoahan'ny fofon'ain'ny vavorony.
\s5
\v 17 Nidina avy tany ambony Izy; nihazona mafy ahy Izy! Nisintona ahy tamin'ny rano manonja Izy.
\v 18 Namonjy ahy tamin'ny fahavaloko matanjaka Izy, tamin'ireo izay nankahala ahy, satria tena natanjaka izy ireo tamiko.
\s5
\v 19 Tonga nanohitra ahy izy ireo tamin'ny androm-pahoriako, kanefa Yaveh no mpanohana ahy.
\v 20 Namoaka ahy ho any amin'ny toerana midadasika ihany koa Izy. Namonjy ahy Izy satria faly tamiko.
\v 21 Efa namaly soa ahy tamin'ny refin'ny fahamarinako Yaveh; efa namerina ahy tamin'ny laoniny tamin'ny refin'ny fahadiovan'ny tanako Izy.
\s5
\v 22 Fa efa nitandrina ireo lalan'i Yaveh aho ary tsy mba nanao izay ratsy tamin'ny fialana tamin'ny Andriamanitro.
\v 23 Satria ireo didiny marina rehetra dia efa teo anoloako; raha ny amin'ireo lalàny indray, dia tsy nivily tamin'ireny aho.
\s5
\v 24 Efa tsy nanan-tsiny teo anatrehany ihany koa aho, ary nitandrina ny tenako tsy hanota aho.
\v 25 Noho izany dia naverin'i Yaveh tamin'ny laoniny tamin'ny refin'ny fahamarinako aho, tamin'ny refin'ny fahadiovako teo imasony.
\s5
\v 26 Ho an'ny iray izay mahatoky, mampiseho ny tenanao ho mahatoky Ianao; ho an'ny olona izay tsy manan-tsiny, dia mampiseho ny tenanao ho tsy manan-tsiny Ianao.
\v 27 Amin'ny madio dia mampiseho ny tenanao ho madio Ianao, fa mivadika amin'ireo mpiolakolaka Ianao.
\s5
\v 28 Manavotra ireo olona ory Ianao, nefa ireo masonao dia manohitra ny mpirehareha, ary ahetrinao izy ireny.
\v 29 Fa Ianao no faniloko, ry Yaveh. Manazava ny aiziko Yaveh.
\s5
\v 30 Fa noho Ianao dia afaka mihazakazaka mihoatra ny sakana aho; noho ilay Andriamanitro dia afaka mandingana rindrina aho.
\v 31 Raha ny amin'Andriamanitra, tanteraka ny lalany. Madio ny tenin'i Yaveh. Izy dia fiarovana ho an'ireo rehetra izay mialoka eo Aminy.
\s5
\v 32 Fa iza no Andriamanitra afa-tsy Yaveh, ary iza no vatolampy afa-tsy ny Andriamanitsika?
\v 33 Andriamanitra no fialofako, ary mitarika ny olona tsy manan-tsiny amin'ny lalany Izy.
\s5
\v 34 Manafaingana ny tongotro tahaka ny diera Izy ary mametraka ahy eny amin'ny havoana avo.
\v 35 Manazatra ny tanako amin'ny ady Izy, sy ny sandriko hamoritra tsipìka varahina.
\s5
\v 36 Efa nanome ahy ny fialofan'ny famonjenao Ianao, ary ny sitrakao no nanao ahy ho lehibe.
\v 37 Efa nanao toerana midadasika ho an'ny tongotro teo ambaniko Ianao, ka tsy nibolisatra ny tongotro.
\s5
\v 38 Nanenjika ireo fahavaloko aho ka namotika azy ireo. Tsy niverina aho mandra-pahapotik'izy ireo.
\v 39 Nandevona azy ireo sy namotipotika azy ireo aho; ka tsy afaka nitsangana izy ireo. Lavo tao ambany faladiako izy ireo.
\s5
\v 40 Nametraka hery tao amiko toy ny fehinkibo ho amin'ny ady Ianao; nametraka ireo izay nitsangana hanohitra ahy teo ambaniko Ianao.
\v 41 Nanome ahy ny hatok'ireo fahavaloko Ianao; nandringana ireo izay nankahala ahy aho.
\s5
\v 42 Niantso vonjy izy ireo, saingy tsy nisy nanavotra azy ireo; niantso mafy an'i Yaveh izy ireo, saingy tsy namaly azy ireo Izy.
\v 43 Namely azy ireo ho singa madinika toy ny vovoka amin'ny tany aho, notorotoroiko toy ny fotaka eny amin'ny lalana izy ireo.
\s5
\v 44 Efa namonjy ahy tamin'ny fifandiran'ireo vahoakako ihany koa Ianao. Efa notananao ho lohan'ireo firenena aho. Ny vahoaka izay tsy fantatro dia manompo ahy.
\v 45 Noterena hiankohoka tamiko ireo vahiny. Vantany vao nandre ny momba ahy izy ireo, dia nankatò ahy.
\v 46 Ireo vahiny dia nivoaka am-pangovitana tao amin'ny fiarovana mafin'izy ireo.
\s5
\v 47 Velona i Yaveh! Ho deraina anie ny vatolampiko. Asandratra anie Andriamanitra, ilay vatolampin'ny famonjena ahy.
\v 48 Izany no Andriamanitra izay manatanteraka famaliana ho ahy, Ilay Iray izay mampihetry vahoaka maro eo ambaniko.
\v 49 Manafaka ahy amin'ireo fahavaloko Izy. Nanandratra ahy ho ambonin'ireo izay nitsangana hanohitra ahy tokoa Izy. Mamonjy ahy amin'ireo lehilahy mahery setra Ianao.
\s5
\v 50 Noho izany dia hanolotra fisaorana ho Anao, eo amin'ireo firenena aho, ry Yaveh; hihira fiderana ho an'ny anaranao aho.
\v 51 Andriamanitra manome fandresena lehibe ho an'ny mpanjakany, ary mampiseho ny tsy fivadiham-panekeny amin'ilay voahosony Izy, ho an'i Davida sy ho an'ny taranany mandrakizay."
\s5
\c 23
\p
\v 1 Ireto ary ny tenin'i Davida farany— Davida zanaka lahin'i Jese, ilay lehilahy tena nomem-boninahitra, ilay lehilahy izay voahosotry ny Andriamanitr'i Jakoba, ilay mpanao salamo mahafinaritry ny Israely.
\v 2 "Ny fanahin'i Yaveh niteny tamin'ny alalako, ary teo amin'ny lelako ny teniny.
\s5
\v 3 Niteny ny Andriamanitr'Israely, niteny tamiko ilay Vatolampin'Israely hoe: 'Ilay manapaka ny olona amin'ny fahamarinana, ilay manapaka amin'ny fahatahorana an'Andriamanitra.
\v 4 Izy dia ho tahaka ny fahazavan'ny maraina rehefa miposaka ny masoandro, maraina tsy misy rahona, rehefa mitsimoka avy amin'ny tany ny ahi-maitso amin'ny alalan'ny famirapiratan'ny masoandro aorian'ny orana.
\s5
\v 5 Eny tokoa, tsy tahaka izany eo anatrehan'Andriamanitra ve ny ankohonako? Tsy efa nanao fanekena mandrakizay, voalahatra sy azo antoka amin'ny fomba rehetra tamiko ve Izy? Moa tsy mampitombo ny famonjena ahy sy manatanteraka ny faniriako rehetra ve Izy?
\s5
\v 6 Kanefa ny tsy mendrika dia ho tahaka ny tsilo ariana avokoa, satria tsy voaangon'ny tanan'ny olona ireny.
\v 7 Ny olona izay mikasika azy ireo dia tsy maintsy mampiasa fitaovana vita amin'ny vy na zana-tsipikan-defona. Tsy maintsy dorana eo amin'izay itoerany ireny.'"
\s5
\v 8 Ireto avy ny anaran'ireo miaramila sangan'i Davida: Josebala ilay Takemonita no mpitarika ireo miaramila sangany. Nahafaty lehilahy valonjato tao anatin'ny ady iray izy.
\f + \ft Fanamarihana: Raha tokony ho "Josebala," dia ny dikan-teny sasany manao hoe "Joseba-basebata," "Jasobima", "Isbala", na "Isboseta". Ireo rehetra ireo dia mety anarana iray ihany. \f*
\s5
\v 9 Manarakaraka azy i Eleazara, zanaka lahin'i Dodo, zanaka lahin'i Ahohita, iray amin'ireo lehilahy telo maherin'i Davida. Teo izy tamin'ny nandresen'izy ireo ny Filistina izay niangona niaraka mba hiady, sy tamin'ny nihemoran'ny lehilahin'Israely.
\v 10 Nitsangana i Eleazara ary niady tamin'ny Filistina mandra-pahavizana ny tanany ary niraikitra teo amin'ny tahon'ny sabany ny tanany. Nitondra fandresena lehibe tamin'izany andro izany i Yaveh. Niverina nanaraka an'i Eleazara ny tafika, mba hitsimpona izay amin'ireo faty fotsiny ihany.
\s5
\v 11 Nanarakaraka azy i Sama zanaka lahin'i Age, ilay Hararita. Niara-niangona teo amin'izay nisy tanim-boanemba ny Filistina, ary ny tafika nandositra azy ireo.
\v 12 Fa i Sama kosa nitsangana teo afovoan'ny saha ary niaro izany. Novoiny ny Filistina, ary nitondra fandresena lehibe Yaveh.
\s5
\v 13 Ny telo tamin'ireo miaramila telopolo dia nidina tany amin'i Davida tamin'ny fotoanan'ny fararano, tao amin'ny zohin'i Adolama. Nitoby teo amin'ny Lohasahan'i Refaita ny tafik'ireo Filistina.
\v 14 Tamin'izany fotoana izany i Davida dia tao amin'ny fiarovany mafy, zohy iray, raha nitoetra tao Betlehema ny Filistina.
\s5
\v 15 Nitady rano i Davida ka hoy izy hoe: "Raha mba misy olona manome ahy rano ho sotroina avy amin'ny lava-drano ao Betlehema, ilay lava-drano eo akaikin'ny vavahady izao!"
\v 16 Koa dia namakivaky ny tafiky ny Filistina ireo telo lahy mahery ireo ary naka rano avy tao amin'ny lava-dranon'i Betlehema, ilay lava-drano eo akaikin'ny vavahady. Nalain'izy ireo ny rano ary nentiny tany amin'i Davida, kanefa nandà ny hisotro izany izy. Fa nararany ho an'i Yaveh kosa izany.
\v 17 Avy eo dia hoy izy hoe: "Ry Yaveh, sanatria, raha anao izany aho. Tokony hisotro ny ràn'ireo lehilahy izay nanao sorona ny ainy ve aho?" Ka dia nandà ny hisotro izany izy. Ireo zavatra ireo no nataon'ireo telo lahy mahery.
\s5
\v 18 Abisay, rahalahin'i Joaba ary zanaka lahin'i Zeroia, no kapitenin'izy telo. Niady tamin'ireo telo arivo lahy izy ary namono azy ireo tamin'ny lefona. Voatonona matetika niaraka tamin'ireo miaramila telo izy.
\v 19 Tsy nalaza noho ireo telo lahy ve izy? Natao kapitenin'izy ireo izy. Kanefa, ny lazany dia tsy nitovy tamin'ny lazan'ireo miaramila telo lahy malaza indrindra.
\s5
\v 20 Benaia avy any Kabezela dia zanaka lahin'i Joiada; izy dia lehilahy matanjaka izay nanao asa lehibe. Namono ny zanaka roa lahin'i Ariela tany Moaba izy. Nidina tao anaty lavaka ihany koa izy ary namono liona raha mbola nisy oram-panala iny.
\v 21 Ary dia namono lehilahy Egyptiana maro izy. Nanana lefona teny an-tanany ilay Egyptiana, kanefa tamin'ny tehina ihany no niadian'i Benaia taminy. Nalainy teny amin'ny tanan'ilay Egyptiana ny lefona ary tamin'ny lefony ihany no namonoany azy.
\s5
\v 22 Benaia zanaka lahin'i Joiada no nanao izany asa lehibe izany, ary nankalazaina niaraka tamin'ireo telo lahy mahery izy.
\v 23 Nalaza noho ireo miaramila telopolo izy amin'ny ankapobeny, kanefa tsy dia tena nalaza tahaka ireo miaramila telo sangany indrindra. Nefa i Davida nampiandraikitra azy ho mpiambina azy.
\s5
\v 24 Anisan'ireo telopolo ireto lehilahy manaraka ireto: Asahela rahalahin'i Joaba, Elanana zanaka lahin'i Dodo avy any Bethlehema,
\v 25 Sama ilay Harodita, Elika ilay Harodita,
\v 26 Heleza ilay Paltita, Ira zanaka lahin' Ikesy ilay Tekoita,
\v 27 Abiezera ilay Anatotita, Mebonay ilay Hosatita,
\v 28 Zalmona ilay Ahohita, Maharay ilay Netofatita;
\s5
\v 29 Haleba zanaka lahin'i Bana, ilay Netofatita, Itahy zanaka lahin'i Ribay avy any Gibean'ny taranak'i Benjamina,
\v 30 Benaia ilay Piratonita, Hiday avy amin'ny lohasahan'ny Gasy.
\v 31 Abi-albona ilay Arbatita, Azmaveta ilay Psaromita,
\v 32 Eliaba ilay Salbonita, zanaka lahin'i Jasena, Jonatana zanaka lahin'i Sama ilay Hararita;
\s5
\v 33 Ahiama zanaka lahin'i Sarara ilay Hararita,
\v 34 Elifeleta zanaka lahin'i Ahasbay ilay Makatita, Eliama zanaka lahin'i Ahitofela ilay Gilonita,
\v 35 Hezray ilay Karmelita, Paray ilay Arbita,
\v 36 Jigala zanaka lahin'i Natana avy any Zoba, Bany avy amin'ny fokon'ny Gadita,
\s5
\v 37 Zaleka ilay Amonita, Naharay ilay Berotita, mpitondra ny fitaovam-piadiana ho an'i Joaba zanaka lahin'i Zeroia,
\v 38 Ira ilay Jitrita, Gareba ilay Jitrita,
\v 39 Oria ilay Hetita—fito amby telopolo izy rehetra.
\s5
\c 24
\p
\v 1 Dia nirehitra tamin'Israely indray ny fahatezeran'i Yaveh, ka nataony nanohitra azy ireo i Davida nanao hoe: "Mandehana, isao Israely sy Joda."
\v 2 Niteny tamin'i Joaba mpifehy ny tafika, izay niaraka taminy ny mpanjaka hoe: "Mandehana manerana ny fokon'Israely rehetra, manomboka any Dana ka hatrany Beri-sheba, ary isao ny olona rehetra, mba hahafantarako ny fitambaran'ny isan'ireo lehilahy sahaza ho an'ny ady."
\s5
\v 3 Hoy i Joaba tamin'ny mpanjaka hoe: "Afaka mampitombo ny isan'ny vahoaka injato ve Yaveh Andriamanitrao, ary afaka mijery ny fitrangan'izany ve ny mason'ny mpanjaka tompoko. Nefa nahoana no maniry izany ny mpanjaka tompoko?"
\v 4 Na dia izany aza, ny tenin'ny mpanjaka dia nanohitra an'i Joaba sy nanohitra ireo mpifehy ny tafika ny farany. Ka nivoaka teo amin'ny fanatrehan'ny mpanjaka i Joaba sy ireo mpifehy mba hanisa ny vahoakan'Israely.
\s5
\v 5 Niampita an'i Jordana ary nitoby tao akaikin'i Aroera, atsimon'ny tanàna any an-dohasaha izy ireo. Dia nandroso hatrany Gada ka hatrany Jazera izy ireo.
\v 6 Tonga tany Gileada sy tany amin'ny tanin'i Tatima-hodsy izy ireo, avy eo dia tany Danajana ary nanodidina hatrany Sidona.
\v 7 Tonga tany amin'ny fiarovana mafin'i Tyro sy ny tanànan'ny Hivita sy ny Kananita rehetra izy ireo. Avy eo dia nivoaka nankany Negeva any Joda ao Beri-sheba izy ireo.
\s5
\v 8 Ka rehefa avy nitety ny tany rehetra izy ireo, dia niverina tany Jerosalema izy ireo tamin'ny faran'ny sivy volana sy roapolo andro.
\v 9 Dia nitatitra ny fitambaran'isan'ireo lehilahy mpiady tany amin'ny mpanjaka i Joaba. Nisy lehilahy be herim-po 800. 000 izay nanatsoaka sabatra tao amin'Israely, ary ireo lehilahin'i Joda dia lehilahy 500. 000.
\s5
\v 10 Dia nampahory azy ny fon'i Davida rehefa avy nanisa ireo lehilahy izy. Ka niteny tamin'i Yaveh izy hoe: "Nanota tanteraka tamin'ny fanaovana izany aho. Ankehitriny, ry Yaveh, esory ny heloky ny mpanomponao, fa efa nanao fahadalana tokoa aho."
\s5
\v 11 Rehefa nifoha i Davida ny maraina, dia tonga tamin'i Gada mpaminany, mpahitan'i Davida ny tenin'i Yaveh, nanao hoe:
\v 12 "Andeha lazao amin'i Davida hoe: 'Izao no lazain'i Yaveh: "Manome safidy telo anao Aho. Ka misafidiana iray amin'ireo.'""
\s5
\v 13 Dia nankany amin'i Davida i Gada ka niteny taminy hoe: "Mosary telo taona ve no ho tonga aminao ao amin'ny taninao? Sa handositra telo volana ireo fahavalonao ve ianao raha manenjika anao izy ireo? Sa hisy areti-mandringana telo andro ao amin'ny taninao? Ankehitriny manapaha hevitra ny amin'izay valiny tokony havaliko Azy ilay naniraka ahy."
\v 14 Dia hoy i Davida tamin'i Gada hoe: "Ao anaty fikorontanana tanteraka aho. Aoka isika ho lavo eo an-tanan'i Yaveh toy izay eo an-tanan'ny olona, satria tena lehibe ny famindram-pony."
\s5
\v 15 Ka nandefa ny areti-mandringana teo amin' Israely nanomboka ny maraina ka hatramin'ny fotoana voatondro i Yaveh, ary olona fito alina no maty nanomboka tao Dana ka hatrany Beri-sheba.
\v 16 Rehefa naninjitra ny tanany nankany Jerosalema mba hamotika izany ny anjely, dia niova hevitra nohon'ny ratsy izay haterak'izany Yaveh, ka niteny tamin'ny anjely izay namotika ny olona Izy hoe: "Ampy izay! Ahemory ny tananao izao." Tamin'io fotoana io ny anjelin'i Yaveh dia nitsangana teo am-pamoloan'i Araona Jebosita.
\s5
\v 17 Dia niresaka tamin'i Yaveh Davida rehefa nahita ny anjely izay namely ny vahoaka, ary nanao hoe: "Efa nanota aho, ary ratsy fitondran-tena. Nefa ireo ondry ireo, inona no nataony?" Aoka re mba izaho sy ny ankohonan-draiko no ho sazian'ny tananao!"
\s5
\v 18 Avy eo dia tonga teo amin'i Davida tamin'io andro io i Gada ary niteny taminy hoe: "Miakara ary manamboara alitara ho an'i Yaveh eo am-pamoloan'i Araona ilay Jebosita."
\v 19 Dia niakatra araka izay nandidian'i Gada azy ho ataony Davida, araka izay nandidian'i Yaveh.
\v 20 Nijery tany ivelany Araona ary nahita ny mpanjaka sy ireo mpanompony nanatona. Dia nivoaka i Araona ary nampiankohoka ny tavany teo amin'ny tany teo amin'ny mpanjaka.
\s5
\v 21 Dia hoy i Araona hoe: "Nahoana no tonga eto amiko, mpanompony, ny mpanjaka tompoko?" Namaly i Davida hoe: "Hividy ny famoloanao, mba hahafahako manamboatra alitara ho an'i Yaveh, mba hialan'ny areti-mandringana eo amin'ny vahoaka."
\v 22 Hoy i Araona tamin'i Davida hoe: "Ataovy toy ny anao izany, ry mpanjaka tompoko. Ataovy amin'izany izay tsara eo imasonao. Indro, indreto misy omby atao fanatitra dorana sy fivelezam-bary ary ziogan'omby atao kitay.
\v 23 Ireo rehetra ireo, ry mpanjakako, izaho, Araona, dia hanome anao izany." Dia hoy izy tamin'ilay mpanjaka hoe: "Hanaiky anao anie Yaveh Andriamanitrao."
\s5
\v 24 Hoy ny mpanjaka tamin'i Araona hoe: "Tsia, hovidiko amin'ny vidiny izany. Tsy hanolotra fanatitra dorana ho an'i Yaveh amin'ny zavatra izay tsy nisasarako aho." Koa novidian'i Davida sekely volafotsy dimampolo ny famoloana sy ireo omby.
\v 25 Nanamboatra alitara ho an'i Yaveh tao Davida ary nanolotra fanatitra dorana sy fanati-pihavanana teo amin'izany. Dia nitalaho tamin'i Yaveh ho an'ny tany izy ireo, ka nampitsahatra ny areti-mandringana nanerana an'Israely Izy.