plt_ulb/06-JOS.usfm

1332 lines
114 KiB
Plaintext

\id JOS
\ide UTF-8
\h Josoa
\toc1 Josoa
\toc2 Josoa
\toc3 jos
\mt Josoa
\s5
\c 1
\p
\v 1 Ary taorian'ny nahafatesan'i Mosesy mpanompon'i Yaveh, dia niresaka tamin'i Josoa zanak'i Nona i Yaveh, lehiben'ny mpanampin'i Mosesy, niteny hoe:
\v 2 "Mosesy, ilay mpanompoko, dia efa maty. Ankehitriny ary, mitsangàna, mità an'ity Jordana ity, ianao sy ity vahoaka ity, ho any amin'ilay tany izay homeko azy ireo—dia ho an'ireo vahoakan'Israely.
\v 3 Efa nomeko anao ireo toerana rehetra izay handehanan'ny tongotrareo. Efa nomeko anareo izany, araka ny efa nampanantenaiko an'i Mosesy.
\s5
\v 4 Hatrany any an-tany efitra sy Libanona, sy ireo renirano lehibe, ny Eofrata, ny tanin'ny Hetita rehetra, ka hatrany amin'ny Ranomasina Lehibe, izay hilentehan'ny masoandro, dia ho taninareo.
\v 5 Tsy hisy olona ho afa-mijoro eo anoloanao amin'ireo androm-piainanao. Homba anao Aho tahaka ny nombako an'i Mosesy. Tsy hanary anao Aho na handao anao.
\s5
\v 6 Mahereza sy matanjaha. Fa ianao dia hampandova an'ity vahoaka ity ny tany izay efa nampanantenaiko ireo razanao fa homeko azy ireo.
\v 7 Mahereza sy matanjaha. Mitandrema mba hankatò ny lalàna rehetra izay nandidian'i Mosesy mpanompoko. Aza miala amin'izany na ho amin'ny anakavia na ho amin'ny ankavanana, mba hahomby ianao na aiza na aiza alehanao.
\s5
\v 8 Hilaza momba an'ity bokin'ny lalàna ity mandrakariva ianao. Hisaintsaina andro aman'alina amin'izany ianao mba hahafahanao mankatò izay rehetra voasoratra ao amin'izany. Dia ho ambinina sy hahomby ianao.
\v 9 Moa ve tsy efa nandidy anao Aho? Mahereza sy matanjaha! Aza matahotra. Aza kivy. Yaveh Andriamanitrao dia homba anao na aiza na aiza alehanao."
\s5
\v 10 Avy Josoa nandidy ilay mpitarika ny vahoaka hoe:
\v 11 "Mandehana mamakivaky ny toby ary mibaikoa ireo vahoaka hoe: 'Manomana vatsy ho an'ny tenanareo. Afaka hateloana dia hiampita an'ity Jordana ity ianareo ary handeha any ka haka ireo tany izay omen'i Yaveh Andrimanitrareo ho fananana."
\s5
\v 12 Ho an'ireo Robenita, ireo Gadita sy ny atsasaky ny fokon'i Manase, dia hoy i Josoa hoe:
\v 13 "Ataovy an-tsaina ny teny izay nandidian'i Mosesy mpanompon'i Yaveh anareo rehefa niteny izy hoe: 'Yaveh Andriamanitrareo dia efa nanome fitsaharana, ary omeny anareo izany tany izany.'
\s5
\v 14 Ny vadinareo, ireo zaza madinikareo, sy ireo biby fiompinareo dia hitoetra any amin'ny tany izay nomen'i Mosesy anareo any an-dafin'i Jordana. Fa ireo lehilahy mpiadinareo dia handeha hiaraka amin'ireo rahalahinareo ary hanampy azy ireo
\v 15 mandra-panomezan'i Yaveh fitsaharana ho an'ireo rahalahinareo toy ny efa nanomezany izany anareo. Ary izy ireo dia haka ho fananana ny tany izay nomen'i Yaveh Andriamanitrareo azy ireo. Avy eo dia hiverina any amin'ny taninareo ianareo ary haka izany ho fananana, ilay tany izay nomen'i Mosesy mpanompon'i Yaveh anareo any an-dafin'i Jordana, izay hiposahan'ny masoandro."
\s5
\v 16 Avy eo izy ireo namaly an'i Josoa, nanao hoe: "Ireo rehetra izay nandidianao anay dia hataonay, ary na aiza na aiza anirahanao anay dia halehanay.
\v 17 Hankatò anao izahay tahaka ny nankatoavanay an'i Mosesy.
\v 18 Na iza na iza mikomy ireo didinao sy tsy mankatò ireo teninao dia vonoina ho faty. Mahereza ary manàna herim-po fotsiny ihany."
\s5
\c 2
\p
\v 1 Dia Josoa zanaka lahin'i Nona naniraka roa lahy mangingina avy any Sitima toy ny mpitsikilo. Hoy izy hoe: "Mandehana, zahao ny tany, indrindra fa Jeriko." Dia lasa izy ireo ary tonga tao an-tranon'ny mpivaro-tena iray antsoina hoe Rahaba, dia nipetraka tao izy ireo.
\v 2 Nolazaina tamin'ny mpanjakan'i Jeriko hoe: "Indro, tonga eto ny lehilahin'Israely mba hitsikilo ny tany."
\v 3 Dia nandefa hafatra tamin'i Rahaba ilay mpanjakan'i Jeriko ary nanao hoe: "Ento mivoaka ireo lehilahy izay tonga teo aminao sy niditra tao an-tranonao ireo, satria tonga mba hitsikilo ny tany iray manontolo izy ireo."
\s5
\v 4 Fa nalain-dravehivavy ireo roa lahy ka nafeniny. Namaly izy hoe: "Eny, tonga tato amiko ireo lehilahy, saingy tsy nahafantatra izay niavian'izy ireo aho.
\v 5 Lasa izy ireo nony hariva, tamin'ny fotoana nihidian'ny vavahadin'ny tanàna. Tsy fantatro izay nalehan'izy ireo. Mety ho tratranao izy ireo raha manaraka faingana azy ireo ianao."
\s5
\v 6 Kanefa nampiakariny tao an-tafon-trano izy ireo ary nafeniny tao amin'ireo tahon-drongony izay efa novelariny teo amin'ilay tafon-trano.
\v 7 Koa dia nanenjika azy ireo teny an-dalana nankany amin'ny lakan-dranon'ny Jordana ireo lehilahy. Vao tafavoaka ireo mpanenjika dia nihidy ny vavahady.
\s5
\v 8 Tsy mbola natory ireo lehilahy ny alina, rehefa tonga niakatra tao amin'izy ireo tao an-tafon-trano ilay vehivavy.
\v 9 Hoy izy hoe: "Fantatro fa nomen'i Yaveh anareo ny tany ary tonga teto aminay ny tahotra anareo. Halemy eo anatrehanareo ireo rehetra mipetraka eto amin'ny tany.
\s5
\v 10 Renay ny fomba nanamainan'i Yaveh an'ilay Ranomasina Mena ho anareo rehefa nivoaka avy tao Egypta ianareo. Renay ihany koa ny nataonareo tamin'ireo mpanjakan'ny Amorita roa teny ampitan'i Jordana—dia Sihona sy Oga—izay naringanareo tanteraka.
\v 11 Vantany vao renay izany, dia nalemy ny fonay ary tsy nisy herim-po tavela tao amin'iza na iza—fa Yaveh Andriamanitrareo, dia Andriamanitra any an-danitra ambony any sy ety an-tany ambany ety.
\s5
\v 12 Ankehitriny ary, mba ianiano amiko amin'ny alalan'i Yaveh re, halemy fanahy amin'ny ankohonan-draiko ianareo, araka ny hatsaram-panahiko taminareo ihany. Omeo famantarana azo antoka aho
\v 13 fa hamindra fo amin'ny ain'ny raiko, ny reniko, ireo anadahiko, anabaviko, sy ny fianakaviany rehetra ianareo, ary hanavotra anay amin'ny fahafatesana."
\s5
\v 14 Dia hoy ireo lehilahy taminy hoe: "Ho takalo amin'ny ainareo ny ainay, na dia ho amin'ny fahafatesana aza! Raha tsy miresaka momban'ny raharahanay ianao, dia ho feno famindram-po sy hahatoky anareo izahay rehefa omen'i Yaveh anay ity tany ity."
\s5
\v 15 Dia namela azy ireo hidina hivoaka teo amin'ny varavaran-kely tamin'ny fampiasana tady izy. Niorina teo amin'ny mandan'ilay tanàna ilay trano izay nonenany.
\v 16 Hoy izy tamin'izy ireo hoe: "Mandehana eny amin'ny havoana ary miafena raha tsy izany ho hitan'ireo mpanenjika ianareo. Miafena any mandritra ny telo andro mandra-piverin'ireo mpanenjika. Avy eo dia tohizo ny lalanareo."
\v 17 Hoy ireo lehilahy taminy hoe: "Tsy ho voafatotra amin'ny fampanantenan'ilay fianianana izay nasainao nianiananay izahay, raha toa ka tsy manao izao ianao.
\s5
\v 18 Rehefa tonga eto amin'ny tany izahay, dia tsy maintsy fatoranao eo am-baravarakely ity tady mena izay hampidinanao anay ity, ary hangoninao ato an-trano ny rainao sy ny reninao, ireo anadahinao sy ny ankohonan'ny rainao rehetra.
\v 19 Na iza na iza mivoaka ny varavaran'ny tranonao ho eny an-dalna, dia ho eo an-dohan'izy ireo manokana ny ràny ary tsy ho meloka izahay. Fa raha misy tanana mitsotra eo amin'izay rehetra miaraka aminao ato an-trano, dia ho eo an-dohanay ny ràny.
\s5
\v 20 Fa raha miresaka momba ny raharahanay ianao, dia ho afaka amin'ilay fianianana izay nampianiananao anay izahay."
\v 21 Dia namaly Rahaba hoe: "Hatao anie izay voalazanareo." Nalefany izy ireo ka lasa. Avy eo namatotra ilay tady mena teo am-baravarankely izy.
\s5
\v 22 Lasa izy ireo ary nandeha niakatra tany amin'ireo havoana ka nijanona teny nandritra ny telo andro mandra-piverin'ireo mpanenjik'izy ireo. Nitady nanerana ny lalana rehetra ireo mpanenjika ary tsy nahita na inona na inona.
\s5
\v 23 Dia niverina ireo lehilahy roa ary niampita ka tafaverina tany amin'i Josoa zanak'i Nona, dia nolazain'izy ireo taminy ny zavatra rehetra izay nitranga tamin'izy ireo.
\v 24 Hoy izy ireo tamin'i Josoa hoe: "Efa natolotr'i Yaveh antsika tokoa io tany io. Malemy avokoa ireo mponina rehetra ao amin'ilay tany noho ny amintsika."
\s5
\c 3
\p
\v 1 Nifoha maraina be i Josoa, ary dia niala tao Sitima izy ireo. Nankany Jordana izy ireo, izy sy ireo vahoakan'Israely rehetra, ary nitoby teo mialohan'ny niampitany.
\s5
\v 2 Afaka telo andro, ireo manam-pahefana dia nandeha teo afovoan'ny toby;
\v 3 nandidy ny olona izy ireo hoe: "Rehefa mahita ny fiaran'ny fifaneken'i Yaveh Andriamanitrareo ianareo, sy ireo mpisorona avy amin'ireo Levita milanja izany, dia aoka handao an'ity toerana ity ianareo ka hanaraka izany.
\v 4 Aoka hisy elanelana roa arivo hakiho eo aminareo sy izany. Aza manakaiky izany, mba hahafahanareo mahita ny lalana aleha, satria mbola tsy nandeha tamin'io lalana io ianareo taloha."
\s5
\v 5 Hoy Josoa tamin'ny vahoaka hoe: "Hamasino ny tenanareo rahampitso, fa hanao fahagagana eo aminareo Yaveh."
\v 6 Ary hoy Josoa tamin'ireo mpisorona hoe: "Ento ny fiaran'ny fifanekena, ary mandalova eo anoloan'ny olona." Koa dia nandray ny fiaran'ny fifanekena izy ireo ary nandeha teo anoloan'ny olona.
\s5
\v 7 Hoy Yaveh tamin'i Josoa hoe: "Izao anio izao dia ho ataoko lehilahy mahery eo imason'ny Israely rehetra ianao.
\v 8 Hahafantatra izy ireo fa tahaka ny nombako an'i Mosesy, no hombako anao. Ianao dia handidy ireo mpisorana izay milanja ny fiaran'ny fifanekena hoe: 'Rehefa tonga eny amoron'ny ranon'i Jordana ianareo, dia aoka ho tony eo amin'ny Reniranon'ny Jordana.'"
\s5
\v 9 Dia hoy Josoa tamin'ny olon'Israely hoe: "Mankanesa aty, ary henoy izao tenin'i Yaveh Andriamanitrareo izao.
\v 10 Amin'ny alalan'ity no hahafantaranareo fa ny Andriamanitra velona dia eo aminareo ary handroaka ireo Kananita, ireo Hetita, ireo Hivita, ireo Perizita, ireo Girgasit, ireo Amorita ary ireo Jebosita tsy ho eo anoloanareo.
\v 11 Indro! ny fiaran'ny fifaneken'ny Tompon'ny tany rehetra miampita eo alohanareo ho ao Jordana.
\s5
\v 12 Ankehitriny mifidiana olona roa ambin'ny folo avy amin'ny fokon'Israely, lehilahy iray avy amin'ny tsirairay.
\v 13 Rehefa mikasika ny ranon'i Jordana ny faladian-tongotr'ireo mpisorona izay mitondra ny fiaran'i Yaveh, Tompon'ny tany rehetra, dia ho tapaka ny onin'i Jordana, ary na ny rano izay mikoriana avy any ambony aza dia hijanona hiangona ho iray."
\s5
\v 14 Koa rehefa niala mba hiampita an'i Jordana ireo olona, dia nandeha teo alohan'ireo olona ireo mpisorona izay nilanja ny fiaran'ny fifanekena.
\v 15 Raha vao tonga teo Jordana ireo izay nilanja ny fiara, ary niroboka teo amoron'ny rano ny tongotr'izy ireo (ary ny ranon'i Jordana dia tondraka hatreny amin'ny sisiny rehetra nandritra ny fotoam-pijinjana),
\v 16 ny rano izay nikoriana nidina avy any ambony dia nijanona ka niangona ho iray. Nitsahatra avy eny lavitra dia lavitra ny fikorian'ny rano. Nitsahatra nikoriana avy any Adama, ilay tanàna izay akaikin'i Zaretana, hatrany amin'ny lalana nidina nankany amin'ny ranomasin'i Negeva, ilay Ranomasina Sira, ny rano. Niampita nanakaiky an'i Jeriko ny vahoaka.
\s5
\v 17 Ireo mpisorona izay nitondra ny fiaran'ny fifaneken'i Yaveh dia nijanona teo amin'ny tany maina teo afovoan'ny Jordana mandram-pitan'ny olon'Israely rehetra teo amin'ny tany maina.
\s5
\c 4
\p
\v 1 Rehefa tafita an'i Jordana ny olona rehetra, dia niteny tamin'i Josoa i Yaveh hoe:
\v 2 "Misafidiana ianao lehilahy roa ambin'ny folo amin'ny vahoaka, lehilahy iray avy isaky ny foko.
\v 3 Omeo azy ireo ity didy ity: 'Mangalà vato roa ambin'ny folo avy ao afovoan'ny Jordana izay ijoroan'ireo mpisorona eo amin'ny tany maina, ary ento manaraka anareo izany ary apetraho eo amin'ny toerana izay hatorianareo anio alina.'"
\s5
\v 4 Ary nantsoin'i Josoa ireo lehilahy roa ambin'ny folo izay efa nosafidiany teo amin'ireo fokon'Israely, iray isaky ny foko.
\v 5 Hoy Josoa tamin'izy ireo hoe: "Mandehana mialohan'ny fiaran'i Yaveh Andriamanitrareo ao afovoan'i Jordana. Hilanja vato eny amin'ny sorony avy ianareo tsirairay, araka ny isan'ireo fokon'ny vahoakan'Israely
\s5
\v 6 Izany dia ho famantarana eo aminareo rehefa hanontany anareo ny zanakareo amin'ireo andro ho avy hoe: 'Inona no dikan'ireo vato ireo aminareo?'
\v 7 Ary hoy ianareo amin'izy ireo hoe: 'Novakiana teo anatrehan'ny fiaran'ny fifaneken'i Yaveh ny ranon'ny Jordana. Rehefa nandalo teo amin'i Jordana izany, dia vaky ny ranon'ny Jordana. Koa ho fahatsiarovana mandrakizay ho an'ny vahoakan'Israely ireo vato ireo.'"
\s5
\v 8 Ny vahoakan'Israely dia nanao araka izay nandidian'i Josoa azy, ka naka vato roa ambin'ny folo teo afovoan'ny Jordana izy ireo, araka ny nolazain'i Yaveh an'i Josoa. Nampiakarin'izy ireo araka ny isan'ireo fokon'i Israely ny isan'ireo vato. Nolanjain'izy ireo niaraka tamin'izy ireo ny vato, nankany amin'ny toerana izay nitobian'izy ireo ary napetrany teo ambany teo.
\v 9 Avy eo Josoa nametraka vato roa ambin'ny folo teo afovoan'ny Reniranon'ny Jordana, teo amin'ny toerana izay nijoroan'ny tongotr'ireo mpisorona izay nitondra ny fiaran'ny fifanekena. Any izany fahatsiarovana izany mandrak'ankehitriny.
\s5
\v 10 Ireo mpisorona izay nilanja ny fiara dia nijoro teo afovoan'ny Jordana mandra-pahatanteraky ny zavatra rehetra nandidian'i Yaveh ho lazain'i Josoa tamin'ireo vahoaka, araka ireo rehetra efa nandidian'i Mosesy an'i Josoa. Niampita faingana ireo vahoaka.
\v 11 Rehefa tapitra niampita daholo ny olona, dia niampita teo anoloan'ny vahoaka ny fiaran'i Yaveh sy ireo mpisorona.
\s5
\v 12 Ny fokon'i Robena, ny fokon'i Gada, ary ny atsasaky ny fokon'i Manase dia nandalo mialohan'ny nilaharan'ireo vahoakan'Israely toy ny miaramila, araka ny nolazain'i Mosesy tamin'izy ireo.
\v 13 Lehilahy voaomana hiady tokony ho efatra arivo no nandalo teo anoloan'i Yaveh, mba hiady eny amin'ny tany lemak'i Jeriko.
\v 14 Tamin'io andro io dia nataon'Andriamanitra lehibe teo imason'ny vahoakan'Israely rehetra i Josoa. Nanome voninahitra azy izy ireo—tahaka ny nanomezan'izy ireo voninahitra an'i Mosesy—nandritra ny androm-piainany.
\s5
\v 15 Ary niresaka tamin'i Josoa i Yaveh hoe:
\v 16 "Omeo baiko ireo mpisorona izay nilanja ny fiaran'ny vavolombelona mba hiala avy ao Jordana."
\s5
\v 17 Koa dia nanome baiko ireo mpisorona i Josoa hoe: "Mivoaha ao Jordana."
\v 18 Rehefa nivoaka avy tao afovoan'ny Jordana ireo mpisorona nilanja ilay fiaran'ny fifaneken'i Yaveh, ary niakatra teny amin'ny tany maina ny faladian-tongotr'izy ireo, dia niverina tamin'ny toerany ary nihoatra ny morony ny ranon'ny Jordana, tahaka ny tamin'ny efatra andro mialoha.
\s5
\v 19 Nivoaka avy tao Jordana ireo vahoaka tamin'ny andro fahafolon'ny volana voalohany. Nijanona tao Gilgala izy ireo, atsinanan'ny Jeriko.
\v 20 Ireo vato roa ambin'ny folo izay nalain'izy ireo avy tao Jordana, dia napetrak'i Josoa tao Gilgala.
\v 21 Hoy izy tamin'ireo vahoakan'Israely hoe: "Rehefa manontany an'ireo rainy ny taranakareo amin'ny fotoana ho avy hoe: 'Inona ireo vato ireo?'
\s5
\v 22 Teneno ny zanakareo hoe: 'Teo no niampitan'i Israely an'ny Jordana tamin'ny tany maina.'
\v 23 Nohamainin'i Yaveh Andriamanitrareo ho anareo ny reniranon'ny Jordana, mandra-piampitanareo, tahaka ny nataon'i Yaveh Andriamanitrareo tamin'ilay Ranomasina Mena, izay nohamaininy ho antsika mandra-piampitantsika,
\v 24 mba hahafantaran'ny olona rehetra eto an-tany fa mahery ny tanan'i Yaveh, ary mba hanomezanareo voninahitra an'i Yaveh Andriamanitrareo mandrakizay."
\s5
\c 5
\p
\v 1 Vantany vao ren'ireo mpanjakan'i Amorita rehetra tany amin'ny ilany atsinanan'i Jordana, sy ireo mpanjakan'i Kananita rehetra, izay nanamorona ny sisin'ny Ranomasina Lehibe, fa Yaveh dia efa nandritra ny ranon'ny Jordana mandra-pitan'ny vahoakan'Israely, dia nitsonika ny fon'izy ireo, ary tsy nisy fanahy intsony tao amin'izy ireo noho ireo vahoakan'Israely.
\f + \ft Fanamarihana: Ny dikan-teny sasany ankehitriny dia misy hoe: "Mandra-pitan'ireo vahoakan'Israely," ary ny an'ny hafa dia misy hoe: "Mandra-pitan'izy ireo" Ny lahatsoratra Hebreo dia misy hoe "isika" fa ny fanamarihina eny amin'ny sisiny dia manoro-marika ny mpamaky hiteny hoe: "izy ireo" \f*
\s5
\v 2 Tamin'izany fotoana izany dia hoy i Yaveh tamin'i Josoa hoe: "Manamboara antsy afovato ary forao indray mandeha ireo lahin'Israely rehetra."
\v 3 Ary Josoa nanamboatra antsy afovato ka namora ireo lahin'Israely rehetra tao Gibeata Haralota.
\s5
\v 4 Izao no antony namoran'i Josoa azy ireo: ny lahy rehetra izay nivoaka an'i Egypta, anisan'izany ireo lehilahy mpiady rehetra, dia maty an-dalana tany an'efitra, taorian'ny nivoahan'izy ireo avy tany Egypta.
\v 5 Na dia voafora avokoa aza ny lahy rehetra izay nivoaka an'i Egypta, dia mbola tsy nisy tamin'ireo zazalahy teraka an-dalana tany an'efitra nivoaka an'i Egypta no voafora.
\s5
\v 6 Fa ireo vahoakan'Israely dia nandeha efapolo taona tany an'efitra mandra-pahafaty ireo vahoaka rehetra, izany hoe, ny lehilahy mpiady rehetra izay nivoaka an'i Egypta, dia maty, satria tsy nankatoa ny feon'i Yaveh izy ireo. Nianiana tamin'izy ireo Yaveh fa tsy hamela azy ireo hahita ny tany izay nianianany tamin'ny razamben'izy ireo fa homeny azy ireo, dia tany tondra-dronono sy tantely.
\v 7 Ny zanak'izy ireo no natsangan'i Yaveh teo amin'ny toeran'izy ireo izay namoran'i Josoa, satria tsy voafora teny an-dalana izy ireo.
\s5
\v 8 Rehefa voafora avokoa izy rehetra, dia nijanona tao amin'izay nitobiany izy ireo mandra-pahasitran'izy ireo.
\v 9 Ary hoy i Yaveh tamin'i Josoa hoe: "Androany dia efa nanaisotra taminareo ny fahafaham-barakan'i Egypta Aho." Koa ny anaran'izany toerana izany dia nantsoina hoe Gilgala mandrak'androany.
\s5
\v 10 Nitoby tao Gilgala ny vahoakan'Israely. Notehirizin'izy ireo ho an'ny harivan'ny fahefatra ambin'ny folo andron'ny volan'ny Paska, teo amin'ny lemak'i Jeriko.
\v 11 Nihinana ny sasany tamin'ny vokatry ny tany izy ireo taorian'ny Paska: mofo tsy misy masirasira, ary vary voaendy.
\s5
\v 12 Nitsahatra tamin'ny andro taorian'ny nihinanan'izy ireo ny vokatry ny tany ny mana. Tsy nisy mana ho an'ny vahoakan'Israely intsony, fa nihinana ny vokatry ny tany Kanana izy ireo tamin'izany taona izany.
\s5
\v 13 Rehefa teo akaikin'i Jeriko i Josoa, dia nanandratra ny masony ary nijery, ary indro, nisy lehilahy iray nijoro teo anoloany; notsoahiny ny sabany ary teny an-tanany izany. Nankeo aminy i Josoa ary niteny hoe: "Momba anay ianao sa momba ny fahavalonay?"
\s5
\v 14 Hoy izy: "Tsia. Satria mpibaiko ny tafik'i Yaveh aho. Tonga aho ankehitriny." Ary Josoa niankohoka tamin'ny tany mba hanompo ary niteny taminy hoe: "Inona no lazain'ny tompoko amin'ny mpanompony?"
\v 15 Ny mpibaiko'ny tafik'i Yaveh niteny tamin'i Josoa hoe: "Esory amin'ny tongotrao ny kapanao, satria ny toerana izay ijoronao dia masina." Dia izany no nataon'i Josoa.
\s5
\c 6
\p
\v 1 Ary nikatona avokoa ny fidirana rehetra nankao Jeriko noho ny tafik'Israely. Tsy nisy nivoaka ary tsy nisy niditra tao.
\v 2 Hoy Yaveh tamin'i Josoa hoe: "Indro, efa natolotro teo an-tananao Jeriko, ny mpanjakany, ary ireo miaramila voahomany.
\s5
\v 3 Aoka ianao hanao diabe manodidina ny tanàna, ny lehilahy mpiady no mandeha mihodidina ny tanàna indray mandeha. Aoka hanao izany mandritra ny enin'andro ianao.
\v 4 Mpisorona fito no hitondra trompetra fito vita amin'ny tandrok'osy eo anoloan'ny fiara. Amin'ny andro fahafito dia tsy maintsy manao diabe manodidina ny tanàna impito ianareo, ary tsy maintsy mitsoka mafy ny trompetra ireo mpisorona.
\s5
\v 5 Avy eo dia tsy maintsy mampaneno trompetra lavareny amin'ny tandrok'osy izy ireo, ka rehefa mandre ny feon-trompetra ianao dia tsy maintsy mihorakoraka amin'ny hiaka mafy ny vahoaka rehetra, ary hirodana ny mandan'ny tanàna. Tsy maintsy hanafika ireo miaramila, ary hizotra amin'ny hitsiny avy ny tsirairay."
\s5
\v 6 Ary niantso an'ireo mpisorona i Josoa zanak'i Nona ka niteny tamin'izy ireo hoe: "Ento ny fiaran'ny fifanekena, ary aoka hisy mpisorona fito hitondra trompetra tandrok'osy fito ho eo alohan'ny fiaran'ny fifaneken'i Yaveh."
\v 7 Hoy izy tamin'ireo vahoaka hoe: "Mandehana ary manaova diabe manodidina ny tanàna, ary handeha eo alohan'ny fiaran'i Yaveh ireo lehilahy mitam-piadiana."
\s5
\v 8 Araka izay nolazain'i Josoa tamin'ny vahoaka, dia nitondra trompetra tandrok'osy fito teo anatrehan'i Yaveh ireo mpisorona fito. Raha nandroso iny izy ireo, dia nitsoka ny trompetra. Nanaraka azy ireo avy ao aoriana ny fiaran'ny fifaneken'i Yaveh.
\v 9 Nisy lehilahy mitam-piadiana nandeha teo anoloan'ireo mpisorona, ary nitsoka ny trompetrany izy ireo, fa nandeha niakatra avy ao aorian'izy ireo kosa ireo mpiambina ny vodi-lalana, ary nitsoka ny trompetran'izy ireo hatrany ireo mpisorona.
\s5
\v 10 Fa Josoa nandidy an'ireo vahoaka, nanao hoe: "Aza mihiaka. Aoka tsy hisy feo hivoaka amin'ny vavanareo ambara-pahatonga ny andro ilazako aminareo mba hihiaka. Amin'izany ihany ianareo vao hihiaka."
\v 11 Koa nataony nandeha nanodidina ny tanàna indray mandeha ny fiaran'i Yaveh tamin'io andro io. Ary dia niditra ny tobiny izy ireo, dia nitoetra tao an-toby nandritra ny alina.
\s5
\v 12 Dia nifoha maraim-be i Josoa, ary nalain'ireo mpisorona ny fiaran'i Yaveh.
\v 13 Nandeha mafy ary nitsoka ny trompetra ireo mpisorona fito, izay nitondra an'ireo trompetra fito tandrok'osy teo alohan'ny fiaran'i Yaveh. Nisy miaramila mitam-piadiana nandeha teo alohan'izy ireo. Fa rehefa nandeha avy taorian'ny fiaran'i Yaveh ireo mpiandry vodi-lalana, dia namoaka feo tsy miato ireo trompetra.
\v 14 Nanao diabe nanodidina ny tanàna indray mandeha izy ireo tamin'ny andro faharoa ary niverina tany an-toby. Nanao izany nandritra ny enin'andro izy ireo.
\s5
\v 15 Tamin'ny andro fahafito no niaingan'izy ireo vao mangiran-dratsy, ary nanao diabe nanodidina ny tanàna araka ny fomban'izy ireo ihany izy ireo, fa impito tamin'ity indray mitoraka ity. Tamin'io andro io no nanaovan'izy ireo diabe impito nanodidina ny tanàna.
\v 16 Tamin'ny andro fahafito, tamin'ireo mpisorona nitsoka ireo trompetra tandrok'osy, no nandidian'i Josoa an'ireo vahoaka hoe: "Mihorakoraha! Fa efa nomen'i Yaveh anareo ny tanàna.
\s5
\v 17 Natokana ho an'i Yaveh ho fandravana ny tanàna sy izay rehetra ao aminy. Rahaba mpivaro-tena irery ihany no ho velona—izy sy ireo rehetra miaraka aminy ao an-tranony—satria nanafina ireo lehilahy nirahintsika izy.
\v 18 Ny aminao kosa, miambena amin'ny fakàna ireo zavatra voatokana ho an'ny fandravana, mba tsy haka na inona na inona amin'izany ianao, rehefa avy nasianao marika ho ravana izany. Raha manao izany ianao, dia hahatonga ny tobin'Israely ho zavatra tsy maintsy ho ravana ka hitondra fikorontanana amin'izany.
\v 19 Ireo volafotsy, volamena, ary ireo zavatra rehetra vita amin'ny varahina sy vy dia voatokana ho an'i Yaveh. Tsy maintsy halefa ao amin'ny fitoeran-drakitr'i Yaveh ireo."
\s5
\v 20 Rehefa nitsoka ny trompetra izy ireo, dia nihiakiaka mafy ny vahoaka ary nirodana ny manda, hany ka nihitsy niditra ny olon-drehetra ary nambabo ny tanàna.
\v 21 Noringanin'izy ireo tamin'ny lelan-tsabatra tanteraka izay rehetra tao amin'ilay tanàna—ny lehilahy sy vehivavy, ny tanora sy antitra, ny omby, ny ondry ary ireo boriky.
\s5
\v 22 Avy eo dia hoy Josoa tamin'ireo lehilahy roa nitsikilo tao amin'ilay tany hoe: "Mandehana any an-tranon'ilay mpivaro-tena. Ento mivoaka ilay vehivavy sy ireo rehetra miaraka aminy, araka ny nianiananareo taminy."
\s5
\v 23 Koa dia niditra ary nitondra an'i Rahaba nivoaka ireo tovolahy roa mpitsikilo. Nentin'izy ireo nivoaka ny rainy, ny reniny, ireo anadahiny, ary ireo havany izay niaraka taminy. Nentin'izy ireo tany amin'ny toerana iray ivelan'ny tobin'Israely izy ireo.
\v 24 Nodoran'izy ireo ny tanàna sy izay rehetra tao aminy. Ny volafotsy, volamena, ary ireo fitaovana vita amin'ny varahina sy vy ihany no natao tao anatin'ny fitoeran-drakitry ny tranon'i Yaveh.
\s5
\v 25 Fa navelan'i Josoa ho velona i Rahaba mpivaro-tena, ny ankohonan-drainy, ary ireo rehetra niaraka taminy. Mitoetra any Israely mandrak'ankehitriny izy satria nanafina ireo lehilahy izay nirahin'i Josoa hitsikilo tao Jeriko.
\s5
\v 26 Ary tamin'izany fotoana izany dia nandidy azy ireo tamin'ny fianianana i Josoa, ary niteny hoe: "Voaozona eo imason'i Yaveh anie izay olona mamerina manorina ity tanàna ity, dia i Jeriko. Amin'ny ain'ny zanany lahimatoa no hametrahany fototra, ary amin'ny ain'ny zanany faralahy no hananganany ny vavahadiny."
\v 27 Koa dia nomba an'i Josoa i Yaveh, ary niely nanerana ny tany ny lazany.
\s5
\c 7
\p
\v 1 Fa ny vahoakan'Israely tsy nahatoky nanoloana ireo zavatra natokana ho amin'ny fandravana. Hakana zanaka lahin'i Karmy sy zafin'i Zabdia ary zafiafin'i Zera, avy amin'ny fokon'i Joda dia naka zavatra tao amin'izay natokana ho amin'ny fandravàna, ka nirehitra tamin'ny vahoakan'Israely ny hatezeran'Andriamanitra.
\s5
\v 2 Josoa dia nandefa lehilahy avy ao Jeriko nankany Ay, izay akaikin'i Bety Avena, atsinanan'i Betela. Hoy izy tamin'izy ireo hoe: "Miakara ka tsikilovy ny tanàna." Koa niakatra ireo lehilahy ary nitsikilo tao Ay.
\v 3 Rehefa niverina teo amin'i Josoa izy ireo, dia hoy izy ireo taminy hoe: "Aza alefa miakatra any Ay ny vahoaka rehetra. Lehilahy roa arivo na telo arivo ihany halefa hanafika an'i Ay. Aza manasatra ny vahoaka rehetra any amin'ny ady, satria vitsy an'isa izy ireo."
\s5
\v 4 Koa teo ho eo amin'ny lehilahy telo arivo no niakatra avy amin'ireo tafika, fa nitsoaka ny lehilahin'i Ay izy ireo.
\v 5 Ireo lehilahin'i Ay dia nahafaty teo amin'ny enina amby telopolo lahy teo rehefa nanenjika azy ireo hatreo amin'ny vavahadin'ny tanàna hatreny amin'ny toerana famotehana vato, ary novonoin'izy ireo teny am-pidinana ny havoana ireo. Natahotra ny fon'ireo vahoaka ka niala tamin'izy ireo ny herim-pony.
\s5
\v 6 Avy eo dia notriarin'i Josoa ny akanjony. Izy sy ireo loholon'Israely dia nanisy vovoka ny lohan'izy ireo ary nampiankohoka ny tavan'izy ireo teo amin'ny tany teo anoloan'ny fiaran'i Yaveh, nijanona teo mandra-pahariva.
\v 7 Dia niteny Josoa hoe: "Oh, ry Yaveh Tompo, nahoana no nentinao nita an'i Jordana ireo vahoaka ireo? Mba hanolotra anay eo an-tanan'ireo Amorita mba haharingana anay ve? Raha mba nanana fanapahan-kevitra samihafa mantsy izahay dia nijanona teny am-pitan'i Jordana!
\s5
\v 8 Tompo oh, inona no azoko lazaina, fa efa niamboho teo anatrehan'ny fahavalon'izy ireo Israely?
\v 9 Satria ireo Kananita sy ireo mponin'ny tany rehetra dia handre ny momba izany. Hanodidina anay izy ireo ary hampanadino ny anaranay amin'ny olon'ny tany. Ka inona no hataonao ho an'ny anaranao lehibe?"
\s5
\v 10 Hoy i Yaveh tamin'i Josoa hoe: "Mitsangàna! Nahoana ianao no manohoka ny tavanao eo?
\v 11 Nanota Israely. Nandika ny fanekeko izay nandidiako azy izy ireo. Efa nangalatra ny sasany tamin'ireo zavatra izay voatokana izy ireo. Efa nangalatra izy ireo ary avy eo koa dia nanafina ny otany tamin'ny fametrahana ireo izay efa nalain'izy ireo ho isan'ny fananany manokana.
\v 12 Vokatr'izany, tsy afaka nitsangana teo anatrehan'ireo fahavalon'izy ireo ny vahoakan'Israely. Niamboho ny fahavalony izy ireo satria efa natokana ho amin'ny fahapotehana ny tenan'izy ireo. Tsy hiaraka aminareo intsony Aho raha tsy mamotika ny zavatra izay tokony nopotehina ianareo, kanefa mbola eo aminareo.
\s5
\v 13 Mitsangàna! Hamasino Amiko ny olona ary lazao izy ireo hoe: 'Hamasino ho an'ny rahampitso ny tenanareo. Satria Yaveh, ilay Andriamanitr'Israely nanao hoe: "Misy ireo zavatra izay natokana ho potehina mbola eo aminareo, ry Israely. Tsy afaka mitsangana hanohitra ireo fahavalonareo ianareo raha tsy manala eo aminareo ireo zavatra rehetra izay natokana ho potehina."
\s5
\v 14 Amin'ny maraina, dia tsy maintsy manolotra ny tenanareo amin'ny fokonareo ianareo. Ny foko izay nosafidian'i Yaveh dia hanakaiky ny fianakaviam-ben'izy ireo. Ny fianakaviam-be izay nosafidian'i Yaveh dia tsy maintsy manakaiky ny isan-tokantrano. Ny tokantrano izay nosafidian'i Yaveh dia tsy maintsy mifanakaiky tsirairay.
\v 15 Ary ilay iray izay nosafidina sy manana ireo zavatra izay natokana ho amin'ny fahapotehana, dia ho dorana, izy sy izay hananany rehetra, satria nandika ny faneken'i Yaveh izy ary satria nanao zavatra manala-baraka tao Israely."'
\s5
\v 16 Noho izany, nifoha maraina Josoa ary nitondra an'Israely nanakaiky, isam-poko, ary voasafidy ny fokon'i Joda.
\v 17 Nentin'i Josoa nanakaiky ireo fokon'i Joda, ary voasafidy ny fokon'i Zeraita. Nentiny nanakaiky isan'olona ny fokon'i Zeraita, ary voasafidy i Zabdia.
\v 18 Nentiny nanakaiky ny ankohonan'i Zabdia, nandeha tsirairay isan'olona, ary Akana zanaka lahin'i Karmy, zafin'i Zabdia, zafikelin'i Zera, avy amin'ny fokon'i Joda, no voasafidy.
\s5
\v 19 Ary hoy Josoa tamin'i Akana hoe: "Ry zanako lahy, lazao eo anatrehan'i Yaveh, ilay Andriamanitr'i Israely ny marina, ary omeo Azy ny fiain-kelokao. Mba lazao ahy re izay nataonao. Aza afenina amiko izany."
\v 20 Namaly an'i Josoa i Akana hoe: "Marina tokoa, fa nanota tamin'i Yaveh, ilay Andriamanitr'i Israely aho. Izao no nataoko:
\v 21 Rehefa nahita akanjo lava tsara tarehy teo amin'ireo zavatra babo avy tao Babylona, sy volafotsy roanjato sekely, ary anjam-bolamena milanja dimampolo sekely aho, dia naniry ireo ka naka ireo. Ao afovoan'ny laiko ao anaty tany ireo no nafenina, ary ao ambanin'izany ilay volafotsy."
\s5
\v 22 Nandefa iraka i Josoa, izay nihazakazaka nankany amin'ny lay ary tao ireo zavatra ireo. Rehefa nijery izy ireo, dia nahita izany nafenina tao amin'ny lainy manokana, ary ny volafotsy teo ambanin'izany.
\v 23 Nalain'izy ireo teo afovoan'ny lay ireo zavatra ireo ary nentin'izy ireo tany amin'i Josoa sy ireo vahoakan'Israely rehetra. Nararak'izy ireo teo anatrehan'i Yaveh izany.
\s5
\v 24 Avy eo Josoa, sy ny Israely rehetra niaraka taminy, naka an'i Akana zanaka lahin'i Zera, sy ny volafotsy, ny akanjo lava, ny anjam-bolamena, ireo zanany lahy sy zanany vavy, ireo ombiny, ireo ampondrany, ireo ondriny, ny lainy, ary izay rehetra nananany, ka nentiny niakatra tany amin'ny havoan'i Akora izy ireo.
\s5
\v 25 Dia hoy i Josoa hoe: "Nahoana no nampidi-doza anay ianao? Hampidi-doza anao i Yaveh anio." Nitora-batovato azy ny Israely rehetra. Ary notorahan'izy ireo vato ny sisa ary nandoro azy ireo tamin'ny afo.
\v 26 Nanangana antontam-bato lehibe teo amboniny izy ireo izay mbola eo mandrak'androany. Nitsahatra tamin'ny fahatezerany mirehitra Yaveh. Noho izany no niantsoana ny anaran'io toerana io hoe Havoan'i Akora mandrak'izao ankehitriny izao.
\s5
\c 8
\p
\v 1 Hoy Yaveh tamin'i Josoa: "Aza matahotra; aza kivy. Ento miaraka aminao ny vahoaka mpiady rehetra. Mandehana miakatra any Ay. Indro, efa natolotro eo am-pelan-tananao ny mpanjakan'ny Ay, ny vahokany, ny tanànany, sy ny taniny.
\v 2 Hataovy toy ny nanaovanareo an'ny Jeriko sy ny mpanjakany no hanaovanareo an'ny Ay sy ny mpanjakany, saingy halainareo ho anareo ny babo sy ny biby fiompy. Ametraho mpanafika miafina ao ambadiky ny tanàna."
\s5
\v 3 Koa dia nitsangana i Josoa ary naka an'ireo lehilahy mpiady rehetra hiakatra ho any Ay. Avy eo i Josoa nifidy lehilahy telo alina—lehilahy mahery be herim-po—ary nalefany izy ireo ny alina.
\v 4 Nibaiko azy ireo izy hoe: "Indro, hanao fanafihana miafina ny tanàna ianareo, ao ambadik'izany. Aza manalavitra ny tanàna, fa samia mivonona ianareo rehetra.
\s5
\v 5 Izaho sy ireo lehilahy miaraka amiko dia hanakaiky ny tanàna, ary rehefa mivoaka hanafika antsika izy ireo, dia handositra azy ireo toy ny teo aloha isika.
\v 6 Hanenjika avy aoriantsika izy ireo mandra-pitarintsika azy ireo lavitra ny tanàna. Hilaza izy ireo hoe: 'Mandositra lavitra antsika izy ireo toy ny nataon'izy ireo tamin'ny farany.' Koa handositra hanalavitra azy ireo isika.
\v 7 Avy eo dia hivoaka amin'ny toeram- pierenareo ianareo, ary hambabo ny tanàna. Hanome izany eny am-pelan-tananareo Yaveh Andriamanitrareo.
\s5
\v 8 Rehefa azonareo ny tanàna, dia ho doranareo izany. Hataonareo izany rehefa mankatoa ny didy izay nomena tamin'ny tenin'i Yaveh. Indro, efa nandidy anareo aho."
\v 9 Nalefan'i Josoa izy ireo, ka lasa tany amin'ny toeram-piafenana izy ireo, ary niafina teo anelanelan'i Betela sy Ay tao andrefan'i Ay. Fa natory teo amin'ny vahoaka i Josoa ny alin'iny.
\s5
\v 10 Nifoha maraina i Josoa ka nanomana ireo miaramilany, Josoa sy ireo loholon'Israely, ka nanafika ireo vahoakan'i Ay izy ireo.
\v 11 Niakatra ireo lehilahy mpiady rehetra izay niaraka taminy ka nanatona ny tanàna. Tonga nanakaiky ny tanàna izy ireo ary nitoby teo avaratr'i Ay. Ary nisy lohasaha iray no manelanelana azy ireo sy Ay.
\v 12 Naka lehilahy teo amin'ny dimy arivo teo izy ary nandefa azy ireo tao amin'ilay fiafenana andrefan'ny tanàna teo anelanelan'ny Betela sy Ay.
\s5
\v 13 Nalahatr'izy ireo ny miaramila rehetra, ny tafika lehibe nankao avaratry ny tanàna, ary ny mpiandry vodi-lalana tao andrefan'ny tanàna. Nandeha tao amin'ny lohasaha i Josoa ny alin'iny.
\v 14 Ary raha vao nahita an'izany ny mpanjakan'i Ay, dia nifoha maraina izy sy ny tafiny ary nivoaka mba hanafika an'Israely tany amin'ny toerana tandrifin'ny lohasahan'ny Reniranon'i Jordana. Tsy fanatany fa nisy fandrika niandry hanafika avy ao ambadiky ny tanàna izy.
\s5
\v 15 Namela ny tenan'izy ireo ho resy teo anoloan'izy ireo i Josoa sy ny Israely rehetra, ary nandositra tany amin'ny tany efitra izy ireo.
\v 16 Ny olona rehetra izay tao an-tanàna dia nifampiantso hanenjika azy ireo, koa nanenjika taorian'i Josoa izy ireo ka voaroaka lavitra ny tanàna.
\v 17 Tsy nisy ny ambin'ny lehilahy tany Ay sy Betela izay tsy mbola nivoka nanenjika an'Israely. Nandao ny tanàna izy ireo ary namela izany hivoha raha nanenjika an'Israely.
\s5
\v 18 Hoy i Yaveh tamin'i Josoa hoe: "Atondroy eo amin'i Ay ny lefona izay eo an-tananao, fa hatolotro eo am-pelan-tananao i Ay." Nohazonin'i Josoa nanandrify ny tanàna ilay lefona izay teny an-tanànany.
\v 19 Ireo miaramila niafina tao amin'ny fandrika dia nirohatra faingana nivoaka ny toerany raha naninjitra ny tanany izy. Nihazakazaka izy ireo ary niditra tao an-tanàna ary naka izany. Nodoran'izy ireo faingana ny tanàna.
\s5
\v 20 Nitodika ireo olon'i Ay ary nijery. Nahita setroka avy tao an-tanàna izy ireo izay niakatra nankany amin'ny lanitra, ary tsy afaka nandositra izy ireo na tetsy na teroa. Fa ireo miaramilan'Israely izay nandositra tany an-tany efitra dia niverina hiatrika ireo olona izay nanenjika azy ireo.
\v 21 Rehefa hitan'i Josoa sy Israely rehetra fa efa azon'ilay tafika miafina ny tanàna niaraka tamin'ny setroka miakatra, dia niverina teo izy ireo ary namono ny olon'i Ay.
\s5
\v 22 Ireo miaramilan'Israely hafa, ireo izay nivoaka ny tanàna, dia nivoaka hanafika azy ireo. Ka tratra tao anelanelan'ny tafik'Israely ireo olon'i Ay, ny sasany avy ao andaniny ary ny sasany avy ao ankilany. Notafihan'Israely ny olon'i Ay; tsy nisy na dia iray tamin'izy ireo velona na nandositra.
\v 23 Nalain'izy ireo ny mpanjakan'i Ay, izay nosamborin'izy ireo velona, ary nentin'izy ireo teo amin'i Josoa izy.
\s5
\v 24 Rehefa tapitra namono ireo mponin'ny Ay rehetra tany an-tsaha akaikin'ny tany efitra izay nanenjehan'izy ireo azy Israely, ary rehefa lavo tamin'ny lelan-tsabatra izy rehetra, hatramin'ny farany indrindra, dia niverina tany Ay ny Israely rehetra. Notafihan'izy ireo tamin'ny lelan-tsabatra izany.
\v 25 Ireo rehetra izay maty tamin'io andro io, lehilahy sy vehivavy mitambatra, dia roa arivo sy iray alina, izay vahoaka rehetra tao Ay.
\v 26 Tsy nampihemotra ny tanany izay nahinjiny rehefa nitazona ilay lefony i Josoa, mandra-pandringanany tanteraka ny vahoaka rehetra tao Ay.
\s5
\v 27 Ny biby fiompy sy ny zavatra babo tao an-tanàna ihany no nalain'Israely ho azy ireo, araka ny nandidian'i Yaveh an'i Josoa.
\v 28 Nodoran'i Josoa i Ay ary navadiny ho antontan-trano rava mandrakizay izany. Lasa toerana haolo izany hatramin'izao.
\s5
\v 29 Nahantony teo amin'ny hazo ny mpanjakan'i Ay mandra-pahariva. Rehefa nilentika ny masoandro, dia nanome ny didy i Josoa ka nalain'izy ireo hidina amin'ny hazo ny fatin'ny mpanjaka ary natsipin'izy ireo teo anoloan'ny vavahadin'ny tanàna. Teo no nananganan'izy ireo antontam-bato lehibe teo ambonin'izany. Mbola mitoetra eo izany antontan-bato izany hatramin'izao.
\s5
\v 30 Avy eo i Josoa nanamboatra alitara ho an'i Yaveh, Ilay Andriamanitr'Israely, tao an-tendrombohitr'i Ebala,
\v 31 araka ny nandidian'i Mosesy mpanompon'i Yaveh ny vahokan'i Israely, araka ny efa voasoratra tao amin'ny bokin'ny lalàn'i Mosesy hoe: "Alitara iray ho an'ny vato voavoatra, izay tsy nisy na iza na iza nampiasa fitaovana vy tamin'izany." Nanolotra sorona dorana ho an'i Yaveh teo ambony alitara izy, ary nanao sorom-pihavanana izy ireo.
\v 32 Teo, teo anatrehan'ny vahoakan'Israely, dia nanoratra ny dika mitovy tamin'ny lalàn'i Mosesy teo amin'ny vato izy.
\s5
\v 33 Ireo Israely rehetra, ireo loholona, ireo manam-pahefana, sy ireo mpitsaran'izy ireo dia nijoro teo amin'ny lafin'ilay fiara roa teo anoloan'ireo mpisorona sy Levita izay nitondra ny fiaran'ny fifaneken'i Yaveh—ny vahiny tahaka ny tompon-tany—dia nijoro teo anoloan'ny tendrombohitr'i Gerzima ny atsasak'izy ireo ary nijoro teo anoloan'ny tendrombohitr'i Ebala ny atsasany iray hafa. Nitso-drano ny vahoaka an'Israely izy ireo, araka ny nandidian'i Mosesy mpanompon'i Yaveh azy ireo tamin'ny voalohany.
\s5
\v 34 Taorian'izany, dia novakian'i Josoa ireo tenin'ny lalàna rehetra, ireo fitahiana sy ozona, araka izay efa voasoratr'izy ireo ao amin'ny bokin'ny lalàn.
\v 35 Tsy nisy na dia teny iray aza tsy novakian'i Josoa tamin'ireo nandidian'i Mosesy teo anatrehan'ny fivondronan'Israely, anisan'izany ireo vehivavy, ireo zazakely, ary ireo vahiny izay nipetraka teo amin'izy ireo.
\s5
\c 9
\p
\v 1 Ary ireo mpanjaka rehetra izay niaina tany an-dafin'ny Jordana tany amin'ny tany havoana, sy tany amin'ireo lemaka amoron-dranomasin'ny Ranomasina Lehibe tandrifin'i Libanona—ireo Hitita, Amorita, Kananita, Perizita, Hivita, ary reo Jebosita—
\v 2 ireo dia niray hina ho eo ambany fifehezana iray, mba hanangana ady amin'i Josoa sy Israely.
\s5
\v 3 Rehefa henon'ireo mponin'i Gibeona izay nataon'i Josoa tamin'i Jeriko sy tamin'i Ay,
\v 4 dia nanao tetika an-kafetsena izy ireo. Nandeha ho iraka izy ireo. Nitondra kitapo tonta izy ireo ary nasampiny tamin'ny borikin'izy ireo izany. Nitondra siny hoditra izay tonta, rovitra, sy efa namboarina ihany koa izy ireo.
\f + \ft Raha toa ka hoe: "Nandeha ho iraka izy ireo," ny dikan-teny sasany kosa dia manao hoe: "Efa nanomana vatsy izy ireo. \f*
\v 5 Kapa tonta sy nitampina no teny an-tongotr'izy ireo, ary nitafy tranainy, fitafiana tonta. Ireo mofo rehetra tao amin'ny fitoeram-batsin'izy ireo dia kina sy bobongolo.
\s5
\v 6 Dia nandeha tany amin'i Josoa tany an-toby tany Gilgala izy ireo ka niteny taminy sy tamin'ireo lehilahin'Israely hoe: "Efa nandeha avy any amin'ny firenena tena lavitra izahay, ka ankehitriny manaova fifanekena aminay."
\v 7 Hoy ireo lehilahin'Israely tamin'ireo Hivita hoe: "Angamba ianareo monina akaiky anay ihany. Hataonay ahoana ny hanao fifanekena aminareo?"
\v 8 Hoy izy ireo tamin'i Josoa: "Mpanomponao izahay." Josoa namaly azy ireo hoe: "Fa iza ianareo? Avy aiza no niavianareo?"
\s5
\v 9 Hoy izy ireo taminy: "Tonga avy tany amin'ny tany tena lavitra ireto mpanomponao, noho ny anaran'i Yaveh Andriamanitrareo. Renay ny tatitra momba Azy sy momba izay rehetra nataony tany Egypta—
\v 10 ary izay rehetra nataony tamin'ireo mpanjakan'ny Amorita roa tany andafin'ny Jordana—tamin'i Sihona mpanjakan'i Hesbona, sy tamin'i Oga mpanjakan'i Basana izay tany Astarta.
\s5
\v 11 Hoy ireo loholonay sy ireo mponina rehetra tany amin'ny firenenay taminay hoe: 'Mitondrà vatsy eny an-tananareo ho amin'ny dia. Mandehana mihaona amin'izy ireo ary lazao izy ireo hoe: "Mpanomponareo izahay. Manaova fifanekena aminay."
\v 12 Ity ny mofonay, mbola nafana ity tamin'izahay naka azy ity tany an-tranonay tamin'ny andro niainganay hankaty aminareo. Kanefa izao, indro, maina sy bobongolo ity.
\v 13 Ireto kitapo hoditra ireto dia vaovao tamin'ny namenoanay azy ireo, dia indro, mitete izy ireo ankehitriny. Ireo fitafinay sy ireo kapanay dia simba nohon'ny dia tena lavitra.'"
\s5
\v 14 Dia naka sasany tamin'ny vatsiny ireo Israelita, nefa tsy naka hevitra tamin'i Yaveh izy ireo ho fitarihana.
\v 15 Josoa nihavana tamin'izy ireo sy nanao fifanekena tamin'izy ireo, mba hamelàna azy ireo ho velona. Ireo mpitarika ny vahoaka ihany koa dia nanao voady tamin'izy ireo.
\s5
\v 16 Telo andro taorian'ny nanaovan'ireo Isrelita izany fifanekena izany tamin'izy ireo, dia fantatr'izy ireo fa hay mpifanolo-bodirindrina izy ireo ary nonina nifanakaiky teo.
\v 17 Avy eo dia niainga ny vahoakan'Israely ary tonga tany amin'ny tanànan'izy ireo tamin'ny andro fahatelo. Ny tanànan'izy ireo dia Gibeona, Kefira, Berota, ary Kiriata Jearima.
\s5
\v 18 Tsy nanafika azy ireo ny vahoakan'Israely satria ireo mpitarika azy ireo dia efa nanao fianianana momba azy teo anatrehan'i Yaveh, Andriamanitr'Israely. Nimonomononan'ireo Israelita rehetra ireo mpitarika azy ireo.
\v 19 Ka hoy ireo mpitarika rehetra tamin'ny vahoaka manontolo: "Nanao fianianana nahakasika azy ireo tamin'i Yaveh, Andriamanitr'Israely izahay, ary tsy afaka hanao ratsy azy ireo isika ankehitriny.
\s5
\v 20 Izao no hataontsika amin'izy ireo: Mba hialana amin'ny fahatezerana izay mety hitranga amintsika noho ny fianianana nianianantsika tamin'izy ireo, dia avelantsika ho velona izy ireo."
\v 21 Hoy ireo mpitarika tamin'ny vahoakan'izy ireo: "Avelao izy ireo ho velona." Noho izany, ireo Gibeonita dia lasa mpikapa hazo sy mpantsaka rano ho an'ireo Israelita rehetra, araka izay nolazain'ireo mpitarika momba azy ireo.
\s5
\v 22 Niantso azy ireo Josoa ka niteny hoe: "Nahoana ianareo no namitaka anay raha niteny hoe: 'Tena lavitra anareo izahay,' nefa ianareo monina eto aminay?
\v 23 Ankehitriny, noho izany, dia voaozona ianareo ary ny sasany aminareo dia ho andevo foana, ireo izay manapaka hazo sy mantsaka rano ho an'ny tranon'Andriamanitro."
\s5
\v 24 Namaly an'i Josoa izy ireo ka nanao hoe: "Satria nolazaina tamin'ireto mpanomponao fa Yaveh Andriamanitrao nandidy an'i Mosesy mpanompony mba hanome anao ny tany rehetra, ary handringana ireo mponin'ny tany rehetra eo anatrehanao— noho izany dia natahotra mafy ny amin'ny ainay izahay noho ianao. Izany no nahatonga anay nanao izao zavatra izao.
\v 25 Ankehitriny, indro, tananao amin'ny fahefanao izahay. Na inona na inona toa tsara sy marina aminao hatao aminay, dia ataovy izany."
\s5
\v 26 Dia izao no nataon'i Josoa ho azy ireo: nesoriny tsy ho eo ambany fifehezan'ny vahoakan'Israely izy ireo, ary tsy novonoin'ireo Israelita.
\v 27 Nataon'i Josoa mpanapaka hazo sy mpantsaka rano ho an'ny fiarahamonina, sy ho an'ny alitaran'i Yaveh ireo Gibeonita tamin'io andro io, mandrak'androany, eo amin'ny toerana izay safidian'i Yaveh.
\s5
\c 10
\p
\v 1 Ary rehefa ren'i Adoni-zedeka, mpanjakan'i Jerosalema, fa babon'i Josoa i Ay ary nopotehiny tanteraka izany (tahaka ny nanaovany an'i Jeriko sy ny mpanjakany), reny ihany koa fa efa nihavana ny vahoakan'ny Gibeona sy ny Israely ary niara-nonina izy ireo.
\v 2 Dia raiki-tahotra tanteraka ny vahoakan'i Jerosalema satria Gibeona dia tanàna lehibe, toy ny iray amin'ireo tanànan'andriana. Lehibe noho i Ay izany, ary ny lehilahiny dia mpiady mahery avokoa.
\s5
\v 3 Noho izany Adoni-zedeka, mpanjakan'i Jerosalema, dia nandefa hafatra tany amin'i Hohama, mpanjakan'i Hebrona, tany amin'i Pirama, mpanjakan'i Jarmota, tany amin'i Jafia, mpanjakan'i Lakisy, ary tany amin'i Debira, mpanjakan'i Eglona hoe:
\v 4 "Miakara aty amiko ary ampio aho. Andeha hotafihantsika i Gibeona satria izy ireo dia efa nihavana tamin'i Josoa sy tamin'ny vahoakan'Israely."
\s5
\v 5 Ireo mpanjaka dimin'ny Amorita, ny mpanjakan'i Jerosalema, ny mpanjakan'i Hebrona, ny mpanjakan'i Jarmota, ny mpanjakan'i Lakisy, ary ny mpanjakan'i Eglona dia niakatra, izy ireo sy ireo tafiny rehetra. Nametraka ny rafitra hanoherana an'i Gibeona izy ireo, ary nanafika izany.
\s5
\v 6 Nandefa hafatra tany amin'i Josoa sy tany amin'ny tafika tany Gilgala ny vahoakan'i Gibeona. Hoy izy ireo hoe: "Faingàna! Aza esorina eo amin'ny mpanomponareo ny tananareo. Miakara haingana aty aminay, ary vonjeo izahay. Ampio izahay, satria ireo mpanjakan'ny Amorita rehetra monina eny amin'ny tany havoana dia efa nitambatra ho iray mba hanafika anay."
\v 7 Niakatra avy tany Gilgala i Josoa, izy sy ireo lehilahy mpiady rehetra niaraka taminy, ary ireo lehilahy mpanafika rehetra.
\s5
\v 8 Ary Yaveh niteny tamin'i Josoa hoe: "Aza matahotra azy ireo. Efa nomeko ho eo am-pelan-tananao izy ireo. Tsy hisy na iray amin'izy ireo hahasakana ny fanafihanao."
\s5
\v 9 Tonga tampoka teo amin'izy ireo i Josoa, rehefa nandeha nandritra ny alina tontolo avy any Gilgala.
\v 10 Nasafotofoton'i Yaveh teo anoloan'Israely ny fahavalo, ary Israely namono azy ireo tamin'ny famonoana lehibe tao Gibeona ary nanenjika azy ireo tamin'ny lalana miakatra mankany Beti-horona, ary izy ireo namono azy ireo teny an-dalana mankany Azeka sy Makeda.
\s5
\v 11 Raha nitsoaka an'Israely izy ireo, nidina ny vohitra avy any Beti-horona, Yaveh nanipy vato lehibe avy eny amin'ny lanitra teo ambonin'izy ireo tamin'ny lalana rehetra mankany Azeka, ary maty izy ireo. Maro ireo matin'ny havandra noho ny matin'ny sabatr'ireo lehilahin'Israely.
\s5
\v 12 Ary Josoa niteny tamin'i Yaveh tamin'ny andro nanomezan'i Yaveh ny lehilahin'Israely fandresena teo anatrehan'ireo Amorita. Izao no tenin'i Josoa tamin'i Yaveh teo anoloan'Israely: "Ry masoandro, mijanòna ao Gibeona, ary ny volana, ao amin'ny lohasaha Aialona."
\s5
\v 13 Dia nijanona ny masoandro, ary nitsaha-nihetsika ny volana mandra-pamalifatin'ny firenena ireo fahavalony. Tsy voasoratra ao anaty Bokin'i Jasara ve izany? Ny masoandro nijanona teo afovoan'ny habakabaka; tsy nilentika efa ho iray andro maninjitra izany.
\v 14 Tsy nisy andro hafa tahaka izany taloha na taorian'io, rehefa nankatoa ny feon'ny olona i Yaveh. Satria Yaveh dia niady ho an'Israely.
\s5
\v 15 Niverina tany an-toby tany Gilgala i Josoa sy ireo Israely rehetra niaraka taminy.
\v 16 Ireo mpanjaka dimy nandositra sy nanafina ny tenany tao anaty lava-bato tao Makeda.
\v 17 Dia nolazaina tamin'i Josoa izany hoe: "Efa hita izy ireo! —miafina ao anaty lava-bato ao Makeda ireo mpanjaka dimy!"
\s5
\v 18 Hoy Josoa hoe: "Manakodiava vato lehibe eo am-bavan'ilay lava-bato ary mametraha miaramila ao mba hiambina azy ireo.
\v 19 Fa aza mijanona ianareo. Enjeho ny fahavalonareo ary tafiho avy ao aoriana izy ireo. Aza avela hiditra ny tanànany izy ireo, satria Yaveh Andriamanitrareo efa nanolotra azy ireo ho eo an-tananareo."
\s5
\v 20 Josoa sy ireo zanak'Israely efa nandringana azy ireo tamin'ny famonoana lehibe, mandra-paharingana azy ireo tanteraka; ireo izay sisa velona ihany no afa-nandositra namonjy ny tanàna mimanda.
\v 21 Ary ny miaramila manontolo niverina am-pilaminana tany amin'i Josoa tao an-toby tao Makeda. Tsy nisy na iray sahy niteny teny manohitra ny vahoakan'Israely.
\s5
\v 22 Ary Josoa niteny hoe: "Sokafy ny lava-bato ary ento mivoaka avy ao eto amiko ireo mpanjaka dimy."
\v 23 Dia nataon'izy ireo araka izay nolazainy. Nentin'izy ireo avy tao an-dava-bato ho eo aminy ireo mpanjaka dimy—ny mpanjakan'i Jerosalema, ny mpanjakan'i Hebrona, ny mpanjakan'i Jarmota, ny mpanjakan'i Lakisy, ary ny mpanjakan'i Eglona.
\s5
\v 24 Rehefa tongan'izy ireo teo amin'i Josoa ireo mpanjaka, dia niantso ny lehilahin'Israely rehetra izy. Niteny tamin'ireo mpifehy ny miaramila izay niaraka taminy tany an'ady izy hoe: "Apetraho eo amin'ny vozony ny tongotrao." Dia niakatra izy ireo ary nametraka ny tongony teo amin'ny vozon'ireo.
\v 25 Ary hoy izy tamin'izy ireo hoe: "Aza matahotra ary aza mivadi-po. Mahereza sy matanjaha. Izao no hataon'i Yaveh amin'ireo fahavalonao rehetra izay andehananao hiady."
\s5
\v 26 Ary Josoa namely sy namono ireo mpanjaka dimy. Nahantony tamin'ny hazo dimy izy ireo. Nihantona teo amin'ny hazo izy ireo mandra-pahariva ny andro.
\v 27 Raha ilay mody masoandro iny, dia nanome baiko i Josoa, ka nampidinin'izy ireo avy eo amin'ny hazo ireo ary natsipiny tao anatin'ilay lava-bato izay niafenany. Nasian'izy ireo vato lehibe ny vavan'ilay lava-bato. Mbola ao ireo vato ireo mandrak'androany.
\s5
\v 28 Toy izany, no nambaboan'i Josoa an'i Makeda tamin'izany andro izany, sy namonoany ny olon-drehetra tao tamin'ny sabatra, anisan'izany ny mpanjakany. Naringany tanteraka izy ireo sy ireo zava-miaina rehetra tao. Tsy nisy navelany ho velona. Tahaka ny nataony tamin'ny mpanjakan'i Jeriko ihany no nataony tamin'ny mpanjakan'i Makeda.
\s5
\v 29 Niainga avy tao Makeda ho any Libna i Josoa sy ireo Israely rehetra. Dia niady tamin'i Libna izy.
\v 30 Nomen'i Yaveh ho eo an-tanan'Israely ihany koa izany—hatramin'ny mpanjakany. Josoa namely ny zava-miaina rehetra tao tamin'ny sabatra. Tsy namelàny niangana tao. Tahaka ny nanaovany ny mpanjakan'i Jeriko ihany no nanaovany ny mpanjaka.
\s5
\v 31 Ary niainga avy ao Libna ho any Lakisy i Josoa sy ireo Israely rehetra niaraka taminy. Nitoby tao izy ary niady taminy.
\v 32 Dia natolotr'i Yaveh teo an-tanan'Israely i Lakisy. Tamin'ny andro faharoa no nambaboan'i Josoa azy. Naringany tamin'ny sabatra ny zava-miaina rehetra tao, tahaka ny nanaovany an'i Libna.
\s5
\v 33 Ary Horama, mpanjakan'i Gazera, niakatra mba hanampy an'i Lakisy. Fa Josoa namely azy sy ny tafiny mandra-paha tsy nisy niangana intsony na dia iray aza.
\s5
\v 34 Ary Josoa sy ireo Israely rehetra niaraka taminy niainga avy tao Lakisy ho any Eglona. Nitoby tao sy niady taminy izy ireo,
\v 35 ary nambabo azy tamin'io andro io ihany. Namely izany tamin'ny sabatra izy ireo ary nandringana tanteraka ny olona rehetra tao, tahaka ny nanaovan'i Josoa an'i Lakisy.
\s5
\v 36 Ary niainga avy ao Eglona Josoa sy ireo Israely rehetra ho any Hebrona. Niady taminy izy ireo.
\v 37 Nambabo azy izy ireo ary namely ny olona rehetra tao tamin'ny sabatra, anisan'izany ny mpanjaka sy ireo zana-bohitra rehetra manodidina. Naringan'izy ireo tanteraka ny zava-miaina rehetra tao, tsy nisy navela niangana, tahaka ny nanaovan'i Josoa an'i Eglona. Naringany tanteraka izany, sy ireo zava-miaina rehetra tao aminy.
\s5
\v 38 Dia niverina Josoa, sy ny tafik'Israely rehetra niaraka taminy, ka nankany Debira izy ireo ary niady taminy.
\v 39 Nambabo izany sy ny mpanjakany izy, ary ireo zana-bohitra nanaiky rehetra. Namely azy ireo tamin'ny sabatra izy ireo, ary nandringana tanteraka ireo zava-miaina rehetra tao aminy. Tsy nisy navelan'i Josoa hiangana, tahaka ny nanaovany an'i Hebrona sy ny mpanjakany, sy tahaka ny nanaovany an'i Libna sy ny mpanjakany.
\s5
\v 40 Josoa nandresy ny tany rehetra, ny tany havoana, Negeva, ireo tany iva, ary ireo fototr'havoana. Tsy nisy navelany hiangana na dia iray tamin'ireo mpanjakany rehetra. Naringany tanteraka ireo zava-miaina rehetra, tahaka ny efa nandidian'i Yaveh, Andriamanitr'Israely.
\v 41 Josoa namely azy ireo tamin'ny sabatra nanomboka tao Kadesy-barnea ka hatrany Gaza, sy ny tanànan'ny Gosena rehetra ka hatrany Gibeona.
\s5
\v 42 Josoa nambabo indray mandeha ireo mpanjaka rehetra ireo sy ny taniny satria Yaveh, Andriamanitr'Israely, no niady ho an'Israely.
\v 43 Ary Josoa, sy ireo Israely rehetra niaraka taminy, dia niverina tany amin'ny toby tao Gilgala.
\s5
\c 11
\p
\v 1 Rehefa ren'i Jabina, mpanjakan'i Hazora izany, dia nandefa hafatra ho an'i Jobaba, mpanjakan'i Madona, sy ny mpanjakan'i Simrona, ary ny mpanjakan'i Aksafa izy.
\v 2 Nalefany tany amin'ireo mpanjaka izay any amin'ny tany havoana avaratra, sy tany amin'ny lohasaha amin'ny reniranon'i Jordana any atsimon'i Kinerota, sy tany amin'ny tany lemaka, ary tany amin'ny tany havoan'i Dora mankany andrefana ihany koa ilay hafatra.
\v 3 Nandefa hafatra tany amin'ireo Kananita mankany atsinanana sy andrefana, sy tany amin'ireo Amorita, ireo Hetita, ireo Perizita, ireo Jebosita any amin'ny tany havoana, sy tany amin'ireo Hivita any amin'ny Tendrombohitra Hermona any amin'ny tanin'i Mizpa ihany koa izy.
\s5
\v 4 Nivoaka niaraka tamin'izy ireo avokoa ny tafik'izy ireo rehetra, miaramila maro an'isa, toy ny fasika eny amoron-dranomasina. Nanana soavaly sy kalesy maro an'isa izy ireo.
\v 5 Nihaona tamin'ny ora voatondro ireo mpanjaka rehetra ireo, ary nitoby teo amin'ny ranon'i Meroma mba hiady amin'Israely.
\s5
\v 6 Hoy Yaveh tamin'i Josoa hoe: "Aza matahotra eo amin'ny fanatrehan'izy ireo, satria rahampitso amin'izao fotoana izao dia manolotra azy ireo amin'Israely rehetra tahaka ny olona maty Aho. Ho vonoinao ny soavalin'izy ireo, ary ho doranao ny kalesin'izy ireo."
\v 7 Dia tonga Josoa sy ireo lehilahy mpiady rehetra. Tonga tampoka tany amin'ny ranon'i Meroma izy ireo, ka nanafika ny fahavalo.
\s5
\v 8 Natolotr'i Yaveh teo an-tanan'Israely ny fahavalo, ary namely azy ireo tamin'ny sabatra sy nanenjika azy ireo tany Sidona, Misrefota-maima, sy tany amin'ny Lohasahan'i Mizpa any atsinanana izy ireo. Namono azy ireo izy mandra-paha tsy nisy na dia iray aza sisa tavela.
\v 9 Nataon'i Josoa tamin'izy ireo arak'izay nolazain'i Yaveh taminy. Nataony nandringa ireo soavaly ary nodorany ireo kalesy.
\s5
\v 10 Niverina i Josoa tamin'izany fotoana izany ary nambabo an'i Hazora. Notsatohiny tamin'ny sabatra ny mpanjaka tao. (Lohan'ireo fanjakana rehetra ireo i Hazora.)
\v 11 Novonoin'izy ireo tamin'ny sabatra ny zava-manan'aina rehetra izay tao, ary natokany ho ravàna ireo, ka dia tsy nisy zava-manan'aina tavela. Avy eo nodorany i Hazora.
\s5
\v 12 Lasan'i Josoa avokoa ny tanànan'ireo mpanjaka rehetra ireo. Nosamboriny ihany koa ny mpanjakan'ireo rehetra ary notsatohiny tamin'ny sabatra. Naringany tanteraka tamin'ny sabatra izy ireo, araka ny nandidian'i Mosesy mpanompon'i Yaveh.
\v 13 Tsy nandoro ireo tanàna niorina teny amin'ny dongon-tany i Israely, afa-tsy Hazora. Io ihany no nodoran'i Josoa.
\s5
\v 14 Nalain'ny tafik'Israely ny babo rehetra avy amin'ireo tanàna ireo niaraka tamin'ny biby fiompy mba ho azy ireo. Novonoin'izy ireo tamin'ny sabatra ny zanak'olombelona rehetra mandra-pahafatin'ny rehetra.
\v 15 Tsy nisy zava-manan'aina navelan'izy ireo ho velona. Araka ny nandidian'i Yaveh an'i Mosesy mpanompony, dia tahaka izany koa, no nandidian'i Mosesy an'i Josoa, ka nataon'i Josoa izany. Tsy nisy zavatra navelany tsy ho vita izay rehetra nandidian'i Yaveh ho atao.
\s5
\v 16 Nalain'i Josoa avokoa izany tany rehetra izany, ny tany havoana, Negeva iray manontolo, ny tanin'i Gosena iray manontolo, ireo lemaka amoron-tsiraka, lohasahan'ny Renirano Jordana, ny tany havoan'Israely, ary ireo tany lemaka.
\v 17 Hatrany amin'ny tendrombohitra Halaka akaikin'i Edoma, sy nianavaratra lavitra toa an'i Bala-gada tany amin'ny lohasaha akaikin'i Libanona ambanin'ny Tendrombohitra Hermona, dia nosamboriny avokoa ny mpanjakan'izy ireo ary novonoiny.
\s5
\v 18 Efa ela Josoa no niady tamin'ireo mpanjaka rehetra.
\v 19 Tsy nisy tanàna nanao fihavanana tamin'ny tafik'Israely ankoatra ireo Hivita izay nonina tany Gibeona. Lasan'Israely avokoa ireo tanàna sisa tavela an'ady.
\v 20 Satria Yaveh no nanamafy ny fon'izy ireo dia niady nanohitra an'Israely izy ireo, mba hahafahany mamotika tanteraka azy ireo tsy misy indrafo, araka ny nandidiany an'i Mosesy.
\s5
\v 21 Avy eo tonga Josoa tamin'izany fotoana izany ka nopotehiny i Anakima. Nataony tany amin'ny tany havoana, tany Hebrona, Debira, Anaba, ary ireo tany havoan'i Joda rehetra izany, sy tany amin'ny tany havoan'Israely rehetra. Nopotehin'i Josoa tanteraka izy ireo sy ireo tanàna.
\v 22 Tsy nisy Anakita tavela teo amin'ilay tanin'Israely ankoatra an'i Gaza, Gata, ary Asdoda.
\s5
\v 23 Noho izany dia lasan'i Josoa avokoa ny tany iray manontolo, araka ny nolazain'i Yaveh an'i Mosesy. Nomen'i Josoa ho lovan'Israely izany, notendrena ho an'ireo foko tsirairay. Avy eo ilay tany nitsahatra tamin'ny ady.
\s5
\c 12
\p
\v 1 Ary indreto ireo mpanjakan'ny tany, izay resin'ireo lehilahin'i Israely. Nalain'ireo Israelita ny harenan'ny tany tany amin'ny ilany atsinanan'i Jordana izay hiposahan'ny masoandro, nanomboka teo amin'ny lohasahan-driaka Arnona hatramin'ny tendrombohitra Hermona, ary ny Araba rehetra hatrany atsinanana.
\v 2 Sihona, mpanjakan'ny Amorita, dia nonina tany Hesbona. Nanjaka hatrany Aroera, izay eo amin'ny sisin'ny Harambaton'i Arnona avy eo afovoan'ny lohasaha izy, ary ny atsasak'i Gileada mitsotsorika hatrany amin'ny reniranon'i Jaboka any amin'ny sisin-tanin'ny Amonita.
\s5
\v 3 Nanjaka tamin'i Araba hatrany amin'ny ranomasin'i Kinerota koa i Sihona, hatrany atsinanana, hatrany amin'ny ranomasin'i Araba (Ranomasintsira) atsinanana, ny lalana rehetra hatrany Beti-jesimota sy atsimo, am-pototry ny Tendrombohitra Pisga.
\v 4 Oga, mpanjakan'i Basana, iray amin'ny Refaïma sisa, dia nonina tao Astarta sy Edrehy.
\v 5 Nanjaka tamin'ny tendrombohitr'i Hermona, Saleka, ary Basana rehetra, hatramin'ny faritanin'ny mponin'i Gesorita sy ny Makatita izy, ary ny atsasak'i Gileada, hatramin'ny faritanin'i Sihona, mpanjakan'i Hesbona.
\s5
\v 6 Nandresy azy ireo i Mosesy mpanompon'i Yaveh, sy ny vahoakan'Israely, ary Mosesy mpanompon'i Yaveh, no nanolotra ny tany mba ho fananan'ireo Robenita, sy Gadita, ary ny atsasa-pokon'i Manase.
\s5
\v 7 Ireto ireo mpanjakan'ny tany izay resin'i Josoa sy ny vahoakan'Israely tany andrefan'i Jordana, nanomboka tao Bala-gada ao amin'ny lohasaha akaikin'i Libanona hatrany an-tendrombohitra Halaka akaikin'i Edoma. Nanome tany ho an'ireo fokon'Israely i Josoa mba ho fananan'izy ireo.
\v 8 Nomeny azy ireo ny tany havoana, ireo tany lemaka, ilay Araba, ireo sisin'ireo tendrombohitra, ny tany efitra, ary ny Negeva—dia ny tanin'ireo Hetita, Amorita, Kananita, Perzita, Hivita, ary ireo Jebosita.
\s5
\v 9 Ireo mpanjaka dia ahitana ny mpanjakan'i Jeriko, ny mpanjakan'i Ay izay eo akaikin'i Betela,
\v 10 ny mpanjakan'i Jerosalema, ny mpanjakan'i Enaima,
\v 11 ny mpanjakan'i Jarmota, ny mpanjakan'i Lakisy,
\v 12 ny mpanjakan'i Eglona, ny mpanjakan'i Gazera,
\s5
\v 13 ny mpanjakan'i Debira, ny mpanjakan'i Gadera,
\v 14 ny mpanjakan'i Horma, ny mpanjakan'i Arada,
\v 15 ny mpanjakan'i Libna, ny mpanjakan'i Adolama,
\v 16 ny mpanjakan'i Makeda, ny mpanjakan'i Betela,
\s5
\v 17 ny mpanjakan'i Tapoa, ny mpanjakan'i Hefera,
\v 18 ny mpanjakan'i Afeka, ny mpanjakan'i Lasarona,
\v 19 ny mpanjakan'i Madona, ny mpanjakan'i Hazora,
\v 20 ny mpanjakan'i Simrona-merona, ny mpanjakan'i Aksafa,
\s5
\v 21 ny mpanjakan'i Tanaka, ny mpanjakan'i Megido,
\v 22 ny mpanjakan'i Kadesy, ny mpanjakan'i Jokneama,
\v 23 ny mpanjakan'i Dora, ny mpanjakan'i Goyema any Gilgala,
\v 24 ary ny mpanjakan'i Tirza. Iraika amby telopolo no isan'ireo mpanjaka rehetra.
\s5
\c 13
\p
\v 1 Ary efa tena antitra tokoa i Josoa rehefa nilaza taminy i Yaveh hoe: "Tena antitra tokoa ianao, kanefa mbola betsaka ireo tany ho baboina.
\s5
\v 2 Ity ny tany izay mbola tavela: ireo faritra rehetra ao amin'ny Filistina, ary ireo rehetra any Gesriana,
\v 3 (avy any Sikora, izay any atsinanan'i Egypta, sy avaratry ny sisin'ny Akarona, izay heverina ho fananan'ireo Kananita; ireo mpanapaka dimin'ireo Filistina, ireo izay any Gaza, Azota, Askalona, Geta, ary Akarona—ireo faritr'ireo Avita).
\s5
\v 4 Any atsimo, dia mbola misy ny tanin'ireo Kananita rehetra, sy Maàra izay ho an'ireo Sidoniana, any Afeka, ireo faritr'ireo Amorita;
\v 5 ny tanin'ireo Gebalita, ireo Libanona rehetra manoloana ny fiposahan'ny masoandro, hatrany Bala-Gada eo ambanin'ny tendrombohitra Hermona ka hatrany Lebo Hamata.
\s5
\v 6 Fa kosa, ireo olona rehetra any amin'ny tany havona avy any Libanona tahaka i Mserofota-Maima, anisan'izany ireo olona rehetra any Sidona. Handroaka azy ireo alohan'ireo tafik'israely. Alaivo antoka ny fanomezana ny tany an'Israely ho lova iray, araka ny nandidiako anao.
\v 7 Zarao izany tany izany ho an'ireo foko sivy sy ho an'ireo atsasaky ny fokon'i Manase.
\s5
\v 8 Miaraka amin'ireo atsasaky ny fokon'i Manase, ireo Reobenita sy ireo Gadita dia nandray ny lova izay nomen'i Mosesy azy ireo tany atsinanan'i Jordana,
\v 9 any Aroera, izay eo amoron'ny reniranon'i Arnona (anisan'izany ny tanàna izay eo afovoan'ny renirano), ho an'ny lemaka rehetra any Medeba ary hatrany Dibona;
\s5
\v 10 ireo tanàna rehetra any Sihona, mpanjakan'ireo Amorita, izay manapaka any Hesebona, hatrany amin'ireo Amorita;
\v 11 Gileada, sy ireo faritra any Gesorita sy Makatita, ireo tendrombohitr'i Hermona, ireo Basana rehetra hatrany Salekà;
\v 12 ireo fanjakana rehetr'i Oga any Basana, izay nanjaka tany Astarta sy Edrehy—ireo no sisa tavela tamin'i Refaita—Namono azy ireo i Mosesy ary nandroaka azy ireo.
\s5
\v 13 Fa ireo olon'Israely dia tsy nandroaka ireo Gesorita na Makatita. Fa kosa, Gesora sy Makata dia nonina teo amin'ireo Israely tamin'izany andro izany.
\s5
\v 14 Tamin'ny fokon'i Levy irery no tsy nanomezan'i Mosesy lova. Ireo fanatitr'i Yaveh, ilay Andriamanitr'Israely, vita tamin'ny afo, sy ireo lovan'izy ireo, araka ny nolazain'Andriamanitra an'i Mosesy.
\s5
\v 15 Mosesy nanome lova tamin'ireo fokon'i Robena, isam-poko.
\v 16 Ny faritr'izy ireo dia avy any amin'i Aroera, any amoron'ny Reniranon'ny Arnona, ary ilay tanàna izay eo afovoan'ny lohasaha, sy any amin'ireo lemaka akaikin'i Medeba.
\s5
\v 17 Nandray an'i Robena ihany koa i Hesbona sy ireo tanàna rehetra izay any amin'n, Dibona, sy Bamota-Bala, ary Beti-Bala-Meona,
\v 18 Jahaza, Kedemota, sy Mefata,
\v 19 sy Karia-taima, sy Sibama, ary Zareta-sahara eny an-tampon-kavoana.
\s5
\v 20 Nandray an'i Beti-peora ihany koa i Robena, ireo hantan'i Pisga, Beti-jesimota,
\v 21 sy ireo tanànan'ny lemaka, ary ireo fanjakan'i Sihona mpanjakan'ireo Amorita, izay nanjaka tany Hesbona, izay noresen'i Mosesy niaraka tamin'ireo mpitarika Madiana, Evi, Rekema, Sora, Hora, sy Reba, ilay andrian'ny Sihona, izay nonina tao amin'ny tany.
\s5
\v 22 Ny vahoakan'Israely ihany koa dia namono tamin'ny sabatra an'i Balama zanaka lahin'i Beora, izay nanao sikidy, tamin'ny sisa tamin'ireo izay novonoina.
\v 23 Ny onin'i Jordana no sisin'ny fokon'i Robena; izany no sisin-tanin'izy ireo. Izany no lovan'ny fokon'i Robena, nomena tamin'ny isam-pokon'ny tsirairary, niaraka tamin'ireo tanàn'izy ireo sy ireo vohitra.
\s5
\v 24 Izany no nomen'i Mosesy tamin'ny fokon'i Gada, isam-poko:
\v 25 ny faritr'Izy ireo dia Jazera, Ireo tanànan'i Gileada rehetra sy atsasaky ny tanin'ireo Amonita, Aroera, izay any atsinanan'i Rabà,
\v 26 any Hesbona ka hatrany amin'i Ramata-mizpa sy Betonima, any Mahanaima any amin'ny faritr'i Debira.
\s5
\v 27 ny amin'ny lohasaha, Mosesy dia nanome an'i Beti-harama, Beti-nimra, Sokota, Zafona, ireo sisa tamin'ny fanjakan'i Sihona mpanjakan'i Hesbona, miaraka amin'i Jordana ho sisiny, hatramin'ny faran'ny ranomasin'i Kinereta, atsinanan'ny an-dafin'i Jordana.
\v 28 Izany no lovan'ny fokon'i Gada, isam-poko, miaraka amin'ireo tanàna sy ireo vohitra.
\s5
\v 29 Mosesy nanome lova tamin'ny atsasaky ny fokon'i Manase. Izany dia notendrena tamin'ny atsasaky ny fokon'ny olon'i Manase, araka ny fokon'izy ireo.
\v 30 Avy any Mahanaima ny faritr'izy ireo, i Basana rehetra, ny fanjakan'i Oga mpanjakan'i Basana rehetra, sy ireo tanànan'i Jaira rehetra, izay tany Basana, tanàna enim-polo;
\v 31 atsasak'i Gileada, sy Astarta ary Edrehy (ireo tanànan'ny mpanjakan'i Oga any Basana). Ireo no voatendry tamin'ilay fokon'i Makira zanaka lahin'i Manase—atsasaky ny olon'i Makira, izay nomena ny tsirairay amin'ireo fianakaviany.
\s5
\v 32 Izany ny lova izay notendren'i Mosesy azy ireo teo amin'ny lemak'i Moaba, any an-dafin'ny Jordana atsinanan'ny Jeriko.
\v 33 Mosesy dia tsy nanome lova ny fokon'ny Levi. Fa Yaveh, Ilay Andriamanitr'Israely, no lovan'izy ireo, araka izay nolazainy tamin'izy ireo.
\s5
\c 14
\p
\v 1 Ireto avy ary ny faritry ny tany izay noraisin'ny vahoakan'Israely ho lovan'izy ireo tany amin'ny tany Kanàna, notendrena ho azy ireo tamin'i Eleazara mpisorona, tamin'i Josoa zanak'i Nona, ary tamin'ny mpitari-pokon'ny fianakavian'ny razan'izy ireo niaraka amin'ny vahoakan'Israely.
\s5
\v 2 Ny lovan'izy ireo dia voafantina tamin'ny loka ho an'ireo sivy sy ny antsasak'ireo foko, araka izay nandidian'i Yaveh tamin'ny tanan'i Mosesy.
\v 3 Fa efa nomen'i Mosesy lova ny amin'ny roa sy antsasak'ireo foko tany an-dafin'i Jordana, kanefa izy tsy nanome lova ireo Levita.
\v 4 Fa raha ny marina dia foko roa ny fokon'i Josefa, dia Manase sy Efraima. Tsy nomena anjara lova tany amin'ny tany ireo Levita, fa tany amin'ireo tanàna sasany ihany mba honenana, mbanin'ireo tanim-bilona ho an'ny biby fiompy sy ireo fitaovam-pamokaran'izy ireo.
\v 5 Dia nanao araka ny nandidian'i Yaveh an'i Mosesy ny vahoakan'Israely, ka notendren'izy ireo ny tany.
\s5
\v 6 Dia tonga tany amin'ny Josoa tany amin'ny Gilgala ny fokon'ny Joda. Kaleba zanak'i Jefona Kenizita, niteny taminy hoe: "Fantatrao izay nolazain'i Yaveh an'i Mosesy ilay lehilahin'Andriamanitra mahakasika ahy sy ianao tany Kadesi-Barnea.
\v 7 Efapolo taona aho raha nalefan'i Mosesy mpanompon'i Yaveh avy any Kadesi-Barnea mba hisafo ny tany. Notateriko taminy indray ny tatitra mba hatao araka ny tian'ny foko hatao.
\s5
\v 8 Fa ireo rahalahiko izay nandeha niakatra niaraka tamiko nampalemy ny fon'ny vahoakany tamin'ny tahotra. Nefa narahiko tanteraka i Yaveh Andriamanitro.
\v 9 Nianiana i Mosesy tamin'izany andro izany, ary nanao hoe: 'Azo antoka fa ny tany izay nandehanan'ny tongotrao dia ho lova ho anao sy ny zanakao mandrakizay, satria nanaraka tanteraka an'i Yaveh Andriamanitro ianao.'
\s5
\v 10 Ary, indro! Yaveh nitazona ahy ho velona nandritra izay dimy amby efapolo taona izay araka izay nolazainy—tamin'ny fotoana izay nilazan'i Yaveh izany teny izany tamin'i Mosesy, nandritra ny nandehanan'Israely tany an'efitra. Ary indro! Dimy amby valopolo taona aho amin'izao andro izao.
\v 11 Mbola matanjaka hatrany aho amin'izao andro izao toy ny tamin'ny andro nandroahan'i Mosesy ahy. Ny tanjako amin'izao dia toy ny tanjako tamin'izany, tamin'ny ady sy tamin'ny nandeha sy niverina.
\s5
\v 12 Ka noho izany omeo ahy ity tany havoana ity, izay nampanantenain'i Yaveh ahy tamin'izany andro izany. Satria renao tamin'izany andro izany i Anakita tany amin'ireo tanàna mimanda lehibe. Mety homba ahy Yaveh mba hahafahako mandroaka azy ireo, araka ny nolazain'i Yaveh."
\s5
\v 13 Avy eo dia nitso-drano azy i Josoa ary nanome an'i Hebrona ho lovan'i Kaleba zanak'i Jefone.
\v 14 Noho izany dia lasa mpandova an'i Kaleba zanaka lahin'i Jefone ilay Kenizita i Hebrona mandrak'ankehitriny, satria nanaraka an'i Yaveh tokoa izy, ilay Andriamanitr'Israely.
\v 15 Ary dia Kiriata no anaran'i Hebrona taloha. (Arba no lehilahy lehibe indrindra eo amin'i Anakita.) Dia nitsahatra tamin'ny ady ny tany.
\s5
\c 15
\p
\v 1 Ny anjara tanin'ny fokon'ny vahoakan'i Joda, nomena ny fokon'izy ireo, dia nihitatra nianatsimo nankany amin'ny sisin-tanin'i Edoma, niaraka tamin'ny efitr'i Sina izay fefy lavitra indrindra any atsimo.
\v 2 Ny sisin-tanin'izy ireo any atsimo dia nanomboka teo amin'ny faran'ny Ranomasin-tsira, ka hatrany amin'ny helo-drano izay manatrika ny atsimo.
\s5
\v 3 Ny sisin-tanin'izy ireo manaraka dia nivoaka tao atsimon'ny havoan'i Akrabima ary nanaraka an'i Sina, sy niakatra atsimon'i Kadesy Barnea, manaraka an'i Hezrona, ary miakatra an'i Adara, eo amin'izay iolanan'izany mankany Karka.
\v 4 Nanaraka an'i Azmona, nahazo ny lohasahan-driakan'i Egypta, ary niafara tany an-dranomasina izany. Izany no faritanin'izy ireo atsimo.
\s5
\v 5 Ny sisin-tany atsinanana dia ny Ranomasin-tsira, eo am-bavan'i Jordana. Ny faritany any avaratra dia avy eo amin'ny lohasahan-driakan'ny ranomasina ka hatreo am-bavan'i Jordana.
\v 6 Niakatra tao Beti-hogla ary nanaraka ny avaratr'i Bet-araba izany. Avy eo izany dia niakatra nankany amin'ny Vaton'i Bohana zanaka lahin'i Robena.
\s5
\v 7 Ary ny faritany dia niakatra tany Debira hatrany amin'ny Lohasahan'i Akora, ary nianavaratra, niodina nanaraka an'i Gilgala, izay tandrifin'ny havoan'i Adomina, izay any amin'ny lafy avaratry ny lohasaha. Avy eo ilay faritany nanaraka ny loharanon'i Ensemesy ary nandeha tany En-rogela.
\v 8 Dia niakatra ny lohasahan'i Beni-Hinoma ka hatrany amin'ny lafy atsimon'ny tanànan'ny Jebosita (izay, i Jerosalema) ny faritany. Dia niakatra hatrany amin'ny tendron'ny havoana izay manarona ny lohasahan'i Hinoma, any avaratra, izay ao amin'ny farany avaratry ny lohasahan'i Refaita izany.
\s5
\v 9 Ary ny faritany nihitatra hatreo amin'ny tendron'ireo havoana ka hatrany amin'ny loharanon'i Neftoa, ary nivoaka avy teo ka hatrany amin'ireo tanàna tao an-tendrombohitra Efrona. Ary ny faritany dia nanodidina an'i Bala (mitovy amin'i Kiriata-jearima).
\v 10 Ary ny faritany nanodidina ny atsinanan'i Bala hatrany amin'ny Tendrombohitra Seira, ary nanaraka ny lafin'ny Tendrombohitra Jearima any avaratra (mitovy amin'i Kesalona), nidina hatrany Beti-semesy, ary nanapaka ny Timna.
\s5
\v 11 Nivoaka akaikin'ny avaratry ny havoana Ekrona ny faritany, ary dia nihodidina an'i Sikerona sy nanaraka ny Tendrombohitra Bala izany, avy eo dia nankany Jabniela izany. Nifarana tao an-dranomasina ny faritany.
\v 12 Ny sisin-tany andrefana dia ny Ranomasina Lehibe sy ny morony. Io no faritany manodidina ny fokon'i Joda, isam-poko.
\s5
\v 13 Amin'ny fitandreman'i Josoa ny didin'i Yaveh, dia nanome an'i Kaleba zanaka lahin'i Jefone anjara amin'ny tany eo amin'ireo fokon'i Joda, Kiriata Arba, izay, Hebrona (Arba dia rain'i Anàka) i Josoa.
\v 14 Nandroaka ny zanak'i Anàka telo lahy tao i Kaleba: Sesay, Ahimana ary Talmay, ireo taranak'i Anàka.
\v 15 Niakatra avy teo izy hanohitra ireo mponin'i Debira (Debira dia nantsoina hoe Kiriata-sefera taloha).
\s5
\v 16 Hoy Kaleba hoe: "Ny olona izay manafika an'i Kiriata-sefera sy mahazo izany, dia ho azy no hanomezako an'i Aksa zanako vavy ho vady."
\v 17 Ary Otniela zanaka lahin'i Kenaza, rahalahin'i Kaleba, rehefa nahazo izany, dia nomen'i Kaleba azy ho vadiny i Aksa zanany vavy.
\s5
\v 18 Fotoana fohy taorian'izany, dia nankany amin'i Otniela i Aksa ary namporisihany hangataka saha tany amin'ny rainy izy. Rehefa nidina tamin'ny borikiny izy, dia hoy Kaleba taminy hoe: "Inona no ilainao?"
\s5
\v 19 Namaly Aksa hoe: "Manaova zavatra miavaka ho ahy, satria efa nanome ahy ny tany Negeva ianao: dia omeo ahy koa ireo loharano sasany." Dia nomen'i Kaleba azy ireo loharano ambony sy ireo loharano ambany.
\s5
\v 20 Izany no lovan'ny fokon'i Joda, nomena ireo fokony.
\s5
\v 21 Ireo tanàna izay an'ny fokon'i Joda any amin'ny farany atsimo, amin'ny faritanin'i Edoma, dia Kabzela, Edera, Jagora,
\v 22 Kina, Dimona, Adada,
\v 23 Kadesy, Hazora, Itnana,
\v 24 Zifa, Talema, Bealota.
\s5
\v 25 Hazora-hadata, Keriota-hezrona (io ihany koa dia fantatra tamin'ny hoe Hazora),
\v 26 Amama, Sema, Molada,
\v 27 Hazara-gada, Hesmona, Beti-paleta,
\v 28 Hazara-soala, Beri-sheba, Biziotia.
\s5
\v 29 Bala, le, Azema,
\v 30 Eltolada, Kesila, Horma,
\v 31 Ziklaga, Madmana, Sansana,
\v 32 Lebaota, Silima, Aina, ary Rimona. Ireo no tanàna sivy amby roapolo ny fitambarany, miaraka amin'ireo vohitra keliny.
\s5
\v 33 Tao amin'ny tany havoana iva indrindra any andrefana, dia nisy an'i Estaola, Zora, Asna,
\v 34 Zanoa, En-ganima, Tapoa, Enama,
\v 35 Jarmota, Adolama, Soko, Azeka,
\v 36 Saraima, Aditaima, ary Gadera (izay, Gederotaima). Efatra ambin'ny folo isa ireo tanàna ireo, miaraka amin'ireo vohitra keliny.
\s5
\v 37 Zenana, Hadasa, Migdala-gada,
\v 38 Dilana, Mizpa, Joktela,
\v 39 Lakisy, Bozkata, Eglona.
\s5
\v 40 Kabona, Lamasa, Kitilisa,
\v 41 Gederota, Beti-dagona, Nama, Makeda. Enina ambin'ny folo ny isan'ireo tanàna ireo, miaraka amin'ireo vohitra keliny.
\s5
\v 42 Libna, Atera, Asana,
\v 43 Jifta, Asna, Neziba,
\v 44 Kila, Akziba, Maresa. Tanàna sivy ireo, miaraka amin'ireo vohitra keliny.
\s5
\v 45 Ekrona, miaraka amin'ireo tanàna sy ireo zana-bohitra manodidina izany;
\v 46 avy eo Ekrona ka hatrany amin'ny Ranomasina Lehibe, ireo fonenana rehetra izay akaiky an'i Asdoda, miaraka amin'ireo vohitra keliny.
\v 47 Asdoda, ireo tanàna sy ireo zana-bohitra manodidina izany; Gaza, ireo tanàna sy ireo zana-bohitra manodidina izany; hatrany amin'ny lohasahan-driak'i Egypta, ary hatrany amin'ny Ranomasina Lehibe miaraka amin'ny morontsirak'izany.
\s5
\v 48 Ao amin'ny tany havoana, Samira, Jatira, Soko,
\v 49 Dana, Kiriata-sana (izay, Debira),
\v 50 Anaba, Estemo, Anima,
\v 51 Gosena, Holona, ary Gilo. Iraika ambin'ny folo ireo tanàna ireo, miaraka amin'ireo vohitra keliny.
\s5
\v 52 Araba, Doma, Esana,
\v 53 Janoma, Beti-tapoa, Afeka,
\v 54 Honta, Kiriat-arba (izy, Hebrona), ary Ziora. Sivy ireo tanàna ireo, miaraka amin'ireo vohitra keliny.
\s5
\v 55 Maona, Karmela, Zifa, Jota,
\v 56 Jezirela, Jokdeama, Zanoa,
\v 57 Kaina, Gibea, Timna. Folo ireo tanàna ireo, miaraka amin'ireo vohitra keliny.
\s5
\v 58 Halola, Beti-zora, Gedora,
\v 59 Marata, Bet-anota, ary Elketona. Enina ireo tanàna ireo, miaraka amin'ireo vohitra keliny.
\s5
\v 60 Kiriata-bala (izay, Kiriata-jearima), ary Raba. Roa ireo tanàna ireo, miaraka amin'ireo vohitra keliny.
\v 61 Ao an'efitra, dia misy an'i Bet-araba, Midina, Sekaka,
\v 62 Nisbana, ny Tanànantsira, ary En-jedy. Enina ireo tanàna ireo, miaraka amin'ireo vohitra keliny.
\s5
\v 63 Fa ireo Jebosita, ireo mponin'i Jerosalema, ny fokon'i Joda dia tsy afaka nandroaka azy ireo, ka dia nipetraka tao niaraka tamin'ny fokon'i Joda mandrak'ankehitriny ireo Jebosita.
\s5
\c 16
\p
\v 1 Ny zara-tanin'ny fokon'i Josefa dia nihitatra nanomboka tany Jordana ka hatrany any Jeriko, atsinanan'ny loharanon'i Jeriko, mankany an'efitra, niakatra avy ao Jeriko hatrany amin'ny tany havoan'i Betela.
\v 2 Avy eo izany dia nankany Betela ka hatrany Lozy ary namakivaky hatrany Atarota, ilay fari-tan'ny Arkita.
\s5
\v 3 Dia nidina niankandrefana nahazo ny faritan'ny Jafletita izany hatrany amin'ny faritany ambanin'i Bedhorona, ary avy eo nankany Gazera; dia nifarana tany amin'ny ranomasina.
\v 4 Izany no fomba nahazoan'ireo fokon'i Josefa, Manase sy Efraima ny lovan'izy ireo.
\s5
\v 5 Ny faritanin'ny fokon'i Efraima izay notendrena ho an'ny fokon'izy ireo dia tahaka izao manaraka izao: ny faritanin'ny lovan'izy ireo any atsinanana dia niala an'ny Atarot-adara nankany Beti-horona ambony,
\v 6 ary nitohy hatrany an-dranomasina izany. Avy any Mikmeta avaratra izany no nivily niatsinanana nankany Tanata-silo ary nahazo ny sisin'izany any atsinanana hatrany Janoha.
\v 7 Dia nidina avy any Janoha nahazo an'i Atarota sy Narata izany, ary avy eo nahatratra an'i Jeriko, ary nifarana tany Jordana.
\s5
\v 8 Avy ao Tapoa ilay faritany dia nizotra niankandrefana ho amin'ny lohasahan'i Kana ary niafara tany an-dranomasina. Izany no lovan'ny fokon'i Efraima, voatendry ho an'ny fianakaviamben'izy ireo,
\v 9 niaraka tamin'ireo tanàna izay nosafidiana ho an'ny fokon'i Efraima mbanin'ny lovan'ny fokon'i Manase__ireo tanàna rehetra, mbamin'ireo vohitr'izy ireo.
\s5
\v 10 Tsy nandroaka ireo Kananita izay nonina tany Gazera izy ireo, ka miana miaraka amin'i Efraima mandrak'ankehitriny ireo Kananita, saingy nampanaovina asa an-terivozona ireo vahoaka ireo.
\s5
\c 17
\p
\v 1 Ity no zara-tanin'ny fokon'i Manase (izay lahimatoan'i Josefa) —izany hoe, ho an'i Makira, izay lahimatoan'i Manase sy ny tenany izay rain'i Gileada. Ny tanin'i Gileada sy Basana dia notendrena ho an'ireo taranak'i Makira, satria Makira dia lehilahin'ady.
\v 2 Ny tany dia notendrena ho an'ny ambin'ny fokon'i Manase, nomena ireo fokon'izy ireo—dia i Abi-ezera, Heleka, Asriela, Sekema, Hefera, ary Semida. Ireo no taranaka lahin'i Manase zanaka lahin'i Josefa, natolotr'ireo fokon'izy ireo.
\s5
\v 3 Ary Tselofehada zanaka lahin'i Hefera zanak'i Gileada zanak'i Makira zanak'i Manase dia tsy nanan-janaka lahy, fa zanaka vavy fotsiny ihany. Ireto avy ny anaran'ireo zanany vavy: Mahala, Noha, Hogla, Milka, ary i Tiriza.
\v 4 Nanatona an'i Eleazara ilay mpisorona, Josoa zanaka lahin'i Nona, sy ireo loholona izy ireo, ary hoy izy ireo hoe: '"Yaveh no nandidy an'i Mosesy hanome antsika lova miaraka amin'ireo rahalahintsika." Noho izany, ny fanarahana ireo didin'i Yaveh, no nanomezany lova ho an'ireo vehivavy ireo teo amin'ireo rahalahin-drain'izy ireo.
\s5
\v 5 Ny tsinjaran- tany folo tao Gileada sy Basana dia notendrena ho an'i Manase, izay eny am-pitan'i Jordana,
\v 6 satria ireo zanaka vavin'i Manase dia nandray lova niaraka tamin'ireo zanany lahy. Ny tanin'i Gileada dia notendrena ho an'ny ambin'ny fokon'i Manase.
\s5
\v 7 Ny faritanin'i Manase dia tonga hatrany Asera ka hatrany Mikmetata, izay any antsinanan'i Sekema. Ary ny sisin-tany dia nandeha nianatsimo nankany amin'ireo izay mipetraka akaikin'ny faritanin'i Topoa.
\v 8 (Ny tanin'i Topoa dia an'i Manase, saingy ny tanàn-dehiben'i Topoa eo amin'ny sisin-tanin'i Manase kosa dia an'ny fokon'i Efraima.)
\s5
\v 9 Ny faritany dia midina mankany amin'ny lohasahan-driakan'i Kana. Ireo tanàna atsimon'ny lohasahan-driaka eo amin'ny tanàn-dehiben'i Manase dia an'i Efraima. Ny faritanin'i Manase dia any avaratry ny lohasahan-driaka, ary mifarana any amin'ny ranomasina.
\v 10 Ny tany any atsimo dia an'i Efraima, ary ny tany any avaratra dia an'i Manase; ny ranomasina no faritany. Any amin'ny sisiny avaratr'i Asera, ka hatrany amin'ny atsinanana, dia i Isakara.
\s5
\v 11 Any Isakara sy any Asera ihany koa, Manase dia nanana an'i Beti-sana sy ireo tanànany, Ibleama sy ireo tanànany, ireo mponin'i Dora sy ny tanànany, ireo mponin'i En-dora sy ny tanànany, ireo mponin'i Tanaka sy ny tanànany, ary ireo mponin'i Megido sy ny tanànany (ary ny tanàna fahatelo dia i Naftea).
\v 12 Mbola tsy afaka maka ho fananana an'ireo tanàna ireo ny fokon'i Manase, satria ireo Kananita dia mbola mipetraka ao amin'io tany io.
\s5
\v 13 Rehefa niha-natanjaka ny vahoakan'Israely, dia noteren'izy ireo hiasa ireo Kananita, fa tsy noroasiny tanteraka.
\s5
\v 14 Avy eo ireo taranak'i Josefa niteny tamin'i Josoa, nanao hoe: "Nahoana no asan'ny tany iray ihany no natolotrao ho anay ary tsinjara iray amin'ny lova, kanefa vahoaka be an'isa izahay, ary efa notahian'i Yaveh izahay rehetra?
\v 15 Hoy Josoa tamin'izy ireo: "Raha vahoaka be an'isa ianareo, dia miakara any anaty ala ny tenanareo ary tapaho ireo hazo ao amin'ny tanin'i Perizita sy Refaita any. Ataovy izany, satria ny havoan'ny firenen'i Efraima dia kely ho anareo."
\s5
\v 16 Hoy ireo taranak'i Josefa: "Tsy ampy anay ny havoana. Fa ireo Kananita izay mipetraka any amin'ny lohasaha dia manana kalesy vy, ireo any Beti-sana sy ny tanànany, ary ireo izay any amin'ny lohasahan'i Jezirela.
\v 17 Ary hoy i Josoa tamin'ny ankohonan'i Josefa-tamin'i Efraima sy Manase: "Vahoaka be an'isa ianareo, ary manana hery lehibe. Tsy tokony ho zaran-tany iray ihany no notendrena ho anareo.
\v 18 Ny havoana ihany koa dia ho anareo. Na ny alan'izany, dia ho tapahanareo ka ataovy fananana hatrany amin'ny sisiny lavitra indrindra izany. Hamoaka ireo Kananita ianareo, na dia manana kalesy vy aza izy ireo, na dia matanjaka aza izy ireo."
\s5
\c 18
\p
\v 1 Dia niara-nivory tao Silo ny fiangonan'ny vahoakan'Israely manontolo. Tao no nanorenan'izy ireo ny lay fihaonana sy nandresen'izy ireo ny tany nanoloana azy ireo.
\v 2 Mbola nisy fito ireo foko teo amin'ny vahoakan'Israely izay tsy notendrena ny lovany.
\s5
\v 3 Dia hoy Josoa tamin'ny vahoakan'Israely hoe: "Mandra-pahoviana no mbola hihemoranareo tsy handeha ao amin'ny tany izay nomen'i Yaveh, Andriamanitr'ireo razanareo, anareo?
\v 4 Manendre telo lahy ho anareo isaky ny foko tsirairay, ary izaho kosa haniraka azy ireo. Dia hiainga sy hitety ny tany ambony sy ambany izy ireo. Dia hanoratra ny famaritana izany izy ireo araka izay tiany ho lovany, ary hiverina aty amiko izy ireo avy eo.
\s5
\v 5 Dia ho zarain'izy ireo ho faritra fito izany. Joda hijanona any amin'ny faritaniny any atsimo, ary ny ankohonan"i Josefa hanohy ny faritanin'izy ireo any avaratra.
\v 6 Faritra fito no hamaritanareo ny tany ary avereno eto amiko ny famaritana. Dia hanao an-tsapaka ho anareo aho eto anatrehan'i Yaveh Andriamanitsika.
\s5
\v 7 Ireo Levita dia tsy manana anjara eo aminareo, fa ny fisoronana ho an'i Yaveh no lovan'izy ireo. Gada, Robena, ary ny antsasa-pokon'i Manase dia nahazo ny lovan'izy ireo, tany an-dafin'i Jordana. Izany no lova izay nomen'i Mosesy mpanompon'i Yaveh azy ireo."
\s5
\v 8 Dia nifoha ireo lehilahy ka nandeha. Dia nodidian'i Josoa ireo izay nandeha namaritra ny tany, nanao hoe: "Mandehana mitety ny tany ka farito izany ary miverena eto amiko. Dia hanao antsapaka ho anareo eto anatrehan'i Yaveh aty Silo aho."
\v 9 Dia nandeha ireo lehilahy ka nitety ny tany ambony sy ambany ary namaritra izany tanaty horonan-taratasy araka ireo tanànany anaty faritra fito, handaharana ireo tanàna isaky ny faritra tsirairay. Dia niverina tany amin'i Josoa tao an-toby tao Silo izy ireo avy eo.
\s5
\v 10 Dia nanao antsapaka ho azy ireo tao Silo teo anatrehan'i Yaveh i Josoa. Tao no nanendren'i Josoa ny tany ho an'ny vahoakan'Israely, ary ny tsirairay dia samy nomena ny anjara taniny avy.
\s5
\v 11 Ny fanendrena ny tany ho an'ny fokon'i Benjamina dia nomena ny isam-pokon'izy ireo tsirairay. Ny faritanin'ny tany izay voatendry ho azy ireo dia voafaritra teo anelanelan'ireo taranak'i Joda sy ireo taranak'i Josefa.
\v 12 Tany amin'ny ilany avaratra, tany Jordana no nanombohan'ny faritanin'izy ireo. Ny faritany dia niakatra hatrany amin'ny ilany avaratr'i Jeriko, ary avy eo niakatra nanavatsava ny tany havoana andrefana. Hatreo izany dia nanjohy ny efitr'i Betavena.
\s5
\v 13 Hatreo dia nandalo nianatsimo nizotra nankany Lozy (Betela izany) ny faritany. Avy eo nidina hatrany amin'i Atarot-adara ny faritany, ao amin'ny tendrombohitra izay manitsaka ny atsimon'i Beti-horona.
\v 14 Nizotra nanaraka lalan-kafa ny sisin-tany noho izany: any amin'ny ilany andrefana izany no miholika mianatsimo, dia mitodi-doha amin'ny tendrombohitra am-pitan'i Beti-horona. Io sisin-tany io dia mifarana any Kiriata-bala (Kiriata-jearima izany), tanàna iray izay an'ny fokon'i Joda. Izany no tonga faritany tany amin'ny faritra andrefana.
\s5
\v 15 Nanomboka teo ivelan'i Kiriata-jearima ny lafiny atsimo. Niainga teo ny faritany dia nanjohy an'i Efrona, hatrany amin'ireo loharanon'i Neftoa.
\v 16 Ny sisin-tany noho izany dia nidina nanjohy ny manodidina ny tendrombohitra izay tandrifin'ny lohasahan'i Ben-hinoma, izay tany amin'ny morony avaratry ny lohasahan'i Refaima. Dia nidina hatrany amin'ny lohasahan'i Hinoma izany, atsimon'ny hantsan'ireo Jebosita, ary nitohy nidina hatrany En-Rogela.
\s5
\v 17 Dia nitodika nianavaratra izany, nizotra nankamin'i En-semesy, ary avy teo dia nivoaka nankany Gelilota izany, izay tandrifin'ny fiakaran'i Adomima. Ary nidina hatrany amin'ny Vaton'i Bohana zanaka lahin'i Robena izany.
\v 18 Nandroso hatramin'ny ilany avaratr'i Beti-arabà izany ary nidina nankamin'i Arabà.
\s5
\v 19 Dia nandroso nanjohy ny ilany avaratr'i Beti-Hogla ny faritany. Nifarana tany amin'ny helo-drano avaratry ny ranomasin-tsira izany, any amin'ny morony atsimon'i Jordana. Izany no sisin-tany tany an-tsimo.
\v 20 Dia tonga faritanin'i Jordana ny ilany atsinanana. Izany no lovan'ny fokon'i Benjamina, ary natolotra ny isam-pokon'izy ireo tsirairay izany, faritany isa-paritany, ny manodidina rehetra.
\s5
\v 21 Ary ireo tanànan'ny fokon'i Benjamina araka ny isam-pokon'izy ireo dia Jeriko,
\v 22 Beti-Hogla, Emeka Keziza, Bet-araba, Zemaraima, Betela,
\v 23 Avima, Para, Ofra,
\v 24 Kefara-hamony, Ofny, ary Geba. Roa ambin'ny folo ireo tanàna ireo, ansisan'izany ireo zana-bohiny.
\s5
\v 25 Ao ihany koa ireo tanànan'i Gibeona, Ramà, Berota,
\v 26 Mizpà, Kefirà, Mozà,
\v 27 Rekema, Irpela, Taralà,
\v 28 Zelà, Haelefa, Jebosita (Jerosalema izany), Gibeà, ary Kiriata. Efatra ambin'ny folo ireo tanàna ireo, anisan'izany ireo zana-bohiny. Izany no lovan'i Benjamina ho an'ny fokon'izy ireo.
\s5
\c 19
\p
\v 1 Ny antsapaka faharoa dia lasan'i Simeona ka notendrena ho an'ny tsirairay amin'ireo fokony izany. Ny lovan'izy ireo dia teo afovoan'ny lova izay an'ny fokon'i Joda.
\s5
\v 2 Nanana an'i Beri-sheba, Seba, Molada,
\v 3 Hazara-soala, Bala, Azema,
\v 4 Eltolada, Betola, ary Horma ho lovany izy ireo.
\s5
\v 5 Simeona ihany koa dia nanana an'i Ziklaga, Beti-markabota, Hazara-sosa,
\v 6 Beti-lebaota, ary Sarohena. Ireo no tanàna telo ambin'ny folo, miaraka amin'ireo zana-bohiny.
\v 7 Simeona ihany koa dia nanana an'i Aina, Rimona, Etera, ary Asana. Ireo no tanàna efatra, miaraka amin'ireo zana-bohiny.
\s5
\v 8 Ireo dia niaraka tamin'ireo zana-bohitra manodidina ireo tanàna ireo hatrany Bale-tabera (mitovy amin'i Rama tao Negeva). Izany no lovan'ny fokon'i Simeona, nomena ireo fokony.
\v 9 Ny lovan'ny fokon'i Simeona dia nanomezana ny faritry ny fokon'i Joda. Satria tena lehibe loatra ho azy ireo ny anjara-tany notendrena ho an'ny fokon'i Joda, dia nandray ny lovan'izy ireo tamin'ny afovoan'ny anjarany ny fokon'i Simeona.
\s5
\v 10 Ny antsapaka fahatelo dia azon'ny fokon'i Zebolona, ary nomena ireo fokony izany. Ny faritry ny lovany dia nanomboka tao Sarida.
\v 11 Ny faritaniny niakatra niakandrefana hatrany Marala ary nahazo an'i Dabeseta; dia nihitatra hatrany amin'ny lohasahan-driaka izay tandrifin'i Jokneama.
\s5
\v 12 Hatreo Sarida ny faritany dia nihodina miatsinanana hatrany atsinanana ka hatramin'ny faritanin'i Rislota-tabara.
\v 13 Hatreo dia nandeha hatrany Daberata ary niakatra hatrany Jafia izany. Hatreo dia nandalo ny atsinanana hatrany Gata-hefera izany, ary hatrany Ita-kazina; avy eo nandroso hatrany Rimona ary niodina nankany Nea.
\s5
\v 14 Ny faritany nihodina mianavaratra hatrany Hanatona ary nifarana teo amin'ny lohasahan'i Jifta-ela.
\v 15 Tafiditra amin'io faritra io ireo tanànan'i Katata, Nahalola, Simrona, Idala, ary Betlehema. Dia tanàna roa ambin'ny folo, miaraka amin'ireo zana-bohiny.
\v 16 Izany no lovan'ny fokon'i Zebolona, izay nomena an'ireo fokony—ireo tanàna, miaraka amin'ireo zana-bohiny.
\s5
\v 17 Ny antsapaka fahefatra dia lasan'i Isakara, ary nomena ireo fokony izany.
\v 18 Ny faritanin'izy ireo dia ahitana an'i Jezirela, Kesolota, Sonema,
\v 19 Hafraima, Siona, ary Anaharata.
\s5
\v 20 Tafiditra amin'izany ihany koa Rabita, Kisiona, Abeza,
\v 21 Rameta, Enganima, Enhada, Beti-pazera.
\v 22 Ireo faritaniny ihany koa dia nahazo an'i Tabara, Sahazoma, sy Beti-semesy, ary niafara tao Jordana. Dia tanàna enina ambin'ny folo, miaraka amin'ireo zana-bohiny.
\s5
\v 23 Izany no lovan'ny fokon'i Isakara, ary nomena ireo fokony izany—ireo tanàna, miaraka amin'ireo zana-bohiny.
\s5
\v 24 Ny antsapaka fahadimy dia lasan'ny fokon'i Asera, ary nomena ireo fokony.
\v 25 Tafiditra amin'ny fari-tanin'izy ireo i Helkata, Haly, Batena, Aksafa,
\v 26 Alameleka, Amada, ary Misala. Eo amin'ny sisin-tany andrefana ary nihitatra hatrany Karmela sy Sihora-libnata.
\s5
\v 27 Dia nihodina miatsinanana hatrany Beti-dagona ary nanalavitra hatrany Zebolona izan, ary dia hatrany amin'ny lohasahan'i Jifta-ela, nianavaratra hatrany Bet-emeka sy Neiela. Dia nitohy mianavaratra hatrany Kabola izany.
\v 28 Dia nandroso hatrany Ebrona, Rehoba, Hamona, ary Kana, ka hatrany Sidona Lehibe izany.
\s5
\v 29 Ny faritany nitodika hatrany Rama, ary dia hatrany amin'ny tanàna mimandan'i Tyra. Ary ny faritany nitodika tany Hosa ary nifarana teo amin'ny ranomasina, tao amin'ny fari-tanin'i Akziba,
\v 30 Oma, Afeka, ary Rehoba. Roa amby roapolo ireo tanàna ireo, miaraka amin'ireo zana-bohiny.
\s5
\v 31 Izany no lovan'ny fokon'i Asera, ary nomena ireo fokony izany—ireo tanàna, miaraka amin'ireo zana-bohiny.
\s5
\v 32 Ny antsapaka fahenina dia lasan'ny fokon'i Naftaly, ary nomeny ireo fokony izany.
\v 33 Faritanin'izy ireo dia hatrany Halefa, hatrany amin'ny terebintana tao Zananima, hatrany Adami-hanekeba sy Jabniela, hatrany Lakoma; ary nifarana tao Jordana izany.
\v 34 Ny faritany niodina niatsinanana hatrany Aznota-tabara ary hatrany Hokoka; nahazo an'i Zebolona eo atsimo izany, ary nahatratra an'i Asera ny tany andrefana sy Joda ny tany atsinanana tany amin'ny reniranon'i Jordana.
\s5
\v 35 Ireo tanàna mimanda dia Zidima, Zera, Hamata, Rakata, Kinereta,
\v 36 Adama, Rama, Hazora,
\v 37 Kadesy, Edrehy, ary En-hazora.
\s5
\v 38 Nisy an'i Irona, Migdaela, Horema, Bet-anata, ary Beti-semesy ihany koa. Ireo no tanàna sivy ambin'ny folo, miaraka amin'ireo zana-bohiny.
\v 39 Izany no lovan'ny fokon'i Naftaly, ary nomena ireo fokony izany—ireo tanàna, miaraka amin'ireo zana-bohiny.
\s5
\v 40 Ny loka fahafito dia lasan'ny fokon'i Dana, ary nomena ireo fokony izany.
\v 41 Tafiditra amin'ny fari-tanin'izany lova izany Zora, Estaola, Ira-semesy,
\v 42 Salabima, Aijalona, ary Itla.
\s5
\v 43 Tafiditra anatin'izany koa Elona, Timna, Ekrona,
\v 44 Elteke, Gibetona, Baleta,
\v 45 Jehoda, Bene-beraka, Gat-rimona,
\v 46 Me-jarkona, ary Rakona miaraka amin'ny faritany ampitan'i Jopa.
\s5
\v 47 Rehefa votsotra tamin'izy ireo ny faritanin'ny fokon'i Dana, dia nanafika an'i Lesema i Dana, niady nanohitra azy, ary nahababo azy. Novonoin'izy ireo tamin'ny sabatra ny olon-drehetra, naka izany ho fananana, ary nitoetra tao. Nomen'izy ireo anarana vaovao i Lesema, niantso izany hoe Dana araka ny razamben'izy ireo.
\v 48 Izany no lovan'ny fokon'i Dana, ary nomena ireo fokony izany—ireo tanàna, miaraka amin'ireo zana-bohiny.
\s5
\v 49 Rehefa nahavita ny fizarana ny tany ho lova izy ireo, dia nanome lova teo amin'izy ireo ho an'i Josoa zanaka lahin'i Nona ny vahoakan'Israely.
\v 50 Tamin'ny alalan'ny didin'i Yaveh no nanomezan'izy ireo azy ny tanàna izay nangatahiny, Timna-sera ao amin'ny tany havoan'i Efraima. Naveriny namboarina ny tanàna ary nipetraka tao izy.
\s5
\v 51 Ireo no lova izay notendren'i Eleazara mpisorona, Josoa zanaka lahin'i Nona, ary ireo mpitari-pokon'ireo ankohonan'ireo razambeny tao amin'ny vahoakan'Israely, voatendry tamin'ny loka tao Silo, teo anoloan'i Yaveh, teo amin'ny fidirana mankao amin'ny lay fihaonana. Ka dia nahavita nanendry ny tany izy ireo.
\s5
\c 20
\p
\v 1 Ary Yaveh niteny tamin'i Josoa hoe:
\v 2 "Miresaha amin'ny vahoakan'Israely, manao hoe: "Tendreo ireo tanàna fialofana izay noresahako anao tamin'ny tanan'i Mosesy.
\v 3 Ataovy izany mba hahafahan'izay namono olona tsinahy mankany. Ireo tanàna ireo dia ho toerana fialofana amin'ny olona izay mitady hamaly faty ny ràn'ny olona izay voavono.
\s5
\v 4 Hitsoaka any amin'ny iray amin'ireo tanàna ireo izy ka hijoro eo amin'ny fidiran'ny vavahadin'ny tanàna, ary hanazava ny tranga nahazo azy amin'ireo loholon'io tanàna io. Avy eo dia ho raisin'izy ireo ao amin'ny tanàna izy ary hanome toerana hipetrahana miaraka amin'izy ireo ho azy.
\s5
\v 5 Raha misy iray amin'izy ireo miezaka mamaly faty ny ràn'ilay olona novonoina, dia tsy ho atolotr'ireo vahoaka eo an-tanàna amin'ireo manam-pahefana ilay iray izay nahafaty azy. Tsy tokony hanao izany izy ireo satria nahafaty tsy nahy ilay mpiara-belona taminy izy, ary tsy nanana fankahalana taminy izy tany aloha.
\v 6 Tsy maintsy mijanona ao amin'izany tanàna izany izy mandra-pijorony eo anatrehan'ny fiangonana ho tsaraina, mandra-pahafatin'ilay iray izay nanompo tahaka ny mpisoronabe tamin'izany andro izany. Ary ilay iray izay nanomo tsy nahy ilay olona dia afaka hiverina any an-tanànany sy ny tranony, any amin'ilay tanan-dehibe izay nandosirany."'
\s5
\v 7 Koa dia nisafidy an'i Kadesa ao Galilia tao amin'ny tany havoan'i Naftaly, Sekema ao amin'ny tany havoan'i Efraima, ary i Kiriat-arba (mitovy amin'i Hebrona) ao amin'ny tany havoan'i Jodia ireo Israelita.
\v 8 Tany an-dafin'ny Jordana atsinanan'i Jeriko, dia nifidy an'i Bezera tany an'efitra teo amin'ny tany lemaka avy amin'ny foko Robena; Ramota Gileada, avy amin'ny fokon'i Gada; ary Golana ao Basana, avy amin'ny fokon' i Manase izy ireo.
\s5
\v 9 Ireo tanàna ireo no nofidiana ho an'ny vahoakan'Israely rehetra sy ho an'ireo vahiny mipetraka miaraka amin'izy ireo, mba hahafahan'izay nahavono olona tsy nahy mitsoaka any amin'izy ireo am-pilaminana. Io olona io dia tsy ho fatin'ny tanan'ilay iray izay naniry hamaly faty ny rà izay nalatsaka, mandra-pijoroan'ilay olona voampanga eo anatrehan'ny fiangonana.
\s5
\c 21
\p
\v 1 Ary ireo lohany tamin'ny fokon'ireo Levita nanatona an'i Eleazara mpisorona, an'i Josoa zanak'i Nona, sy ireo mpitarika ireo fianakavian'ny razamben'izy ireo teo amin'ny vahoakan'Israely.
\v 2 Tao Silo tany amin'ny tany Kanana dia hoy izy ireo tamin'izy ireo hoe: "Nandidy anareo tamin'ny tanan'i Mosesy i Yaveh mba hanome anay tanàna honenana, miaraka amin'ny tanim-bilona ho an'ireo biby fiompinay."
\s5
\v 3 Nohon'ny baikon'i Yaveh, dia natolotry ny vahoakan'Israely avy amin'ny lovan'izy ireo ireto tanàna manaraka ireto, miaraka amin'ny tanim-bilon'izy ireo, ho an'ireo Levita.
\s5
\v 4 Ny an-tsapaka teo amin'ireo fokon'ny Kehatita dia nanome izao vokatra izao: Ireo mpisorona__ireo taranak'i Arona izay avy amin'ireo Levita__dia nahazo tanàna telo ambin'ny folo avy amin'ny fokon'i Joda, avy amin'ny fokon'i Simeona, ary avy amin'ny fokon'i Benjamina.
\v 5 Ny sisa tamin'ireo fokon'ny Kehatita dia nahazo tanàna folo tamin'ny an-tsapaka avy tamin'ny isam-pianakavian'ireo fokon'i Efraima, Dana, ary avy amin'ny an-tsasaky ny fokon'i Manase.
\s5
\v 6 Avy eo ny taranaka avy amin'i Gersona nomena, tamin'ny an-tsapaka, tanàna telo ambin'ny folo avy amin'ny isam-pianakavian'ireo fokon'i Isakara, Asera, Naftaly, ary ny antsasaky ny fokon'i Manase any Basana.
\v 7 Ireo vahoaka izay taranaka avy amin'i Merary kosa dia nahazo tanàna roa ambin'ny folo avy amin'ireo fokon'i Robena, Gada, ary Zebolona.
\s5
\v 8 Noho izany dia nomen'ny vahoakan'Israely an'ireo levita, tamin'ny antsapaka, ireo tanàna ireo (miaraka amin'ireo tanim-bilony), araka izay efa nandidian'i Yaveh tamin'ny tanan'i Mosesy.
\v 9 Avy amin'ireo fokon'i Joda sy Simeona, dia nanendry tany araka ireto tanàna manaraka ireto izy ireo, tanisana eto araka ny anarana.
\v 10 Ireo tanàna ireo dia nomena ny taranak'i Arona, izay anisan'ireo fokon'ny Kehatita, izay avy amin'ny fokon'i Levy kosa. Satria nitontona tao amin'izy ireo ny an-tsapaka voalohany.
\s5
\v 11 Dia nomen'ireo Israelita azy ireo i Kiriat-arba (Arba no rain'i Anaka), ilay tanàna mitovy amin'i Hesbona, ao amin'ny tany havoan'i Joda, miaraka amin'ireo tanim-bilona manodidina izany.
\v 12 Fa ireo sahan'ny tanàna sy ireo zana-bohiny kosa dia efa nomena an'i Kaleba zanak'i Jefone, mba ho fananany.
\s5
\v 13 Ho an'ireo taranak'i Arona mpisorona dia nomen'izy ireo miaraka amin'ireo tanim-bilony Hebrona__izay tanàna iray fandosiran'ireo izay namono olona tsy nahy__ary Libna miaraka amin'ireo tanim-bilony,
\v 14 Jatira miaraka amin'ireo tanim-bilony, ary Estemoa miaraka amin'ireo tanim-bilony.
\v 15 Nomen'izy ireo koa Holona miaraka amin'ireo tanim-bilony, Debira miaraka amin'ireo tanim-bilony,
\v 16 Aina miaraka amin'ireo tanim-bilony, Jota miaraka amin'ireo tanim-bilony, ary Beti-semesy miaraka amin'ireo tanim-bilony. Sivy ireo tanàna izay azo avy amin'ireo foko roa ireo.
\s5
\v 17 Avy tamin'ny fokon'i Benjamina no nahazoana an'i Gibeona miaraka amin'ireo tanim-bilony, Geba miaraka amin'ireo tanim-bilony,
\v 18 Anatota miaraka amin'ireo tanim-bilony, ary Almona miaraka amin'ireo tany manodidina azy__tanàna efatra.
\v 19 Ireo tanàna izay nomena ireo mpisorona kosa, ireo taranak'i Arona, dia tanàna telo ambin'ny folo raha atambatra, ao anisan'izany ireo tanim-bilon'izy ireo.
\s5
\v 20 Raha ny sisa amin'ny fianakavian'i Kehata__ireo Levita izay an'ny fianakavian'i Kehata__dia nomena azy ireo tamin'ny an-tsapaka ireo tanàna avy amin'ny fokon'i Efraima.
\v 21 Izy ireo no nanomezana an'i Sekema miaraka amin'ireo tanim-bilony tao amin'ny tany havoan'i Efraima__tanàna iray fandosiran'ireo izay namono olona tsy nahy__Gazera miaraka amin'ireo tanim-bilony,
\v 22 Kibzaima miaraka amin'ireo tanim-bilony, ary Beti-horona miaraka amin'ireo tanim-bilony__tanàna efatra ny fitambarany.
\s5
\v 23 Avy tamin'ny fokon'i Dana, no nanomezana hoan'ny fokon'i Kehata an'i Elteke miaraka amin'ireo tanim-bilony, Gibetona miaraka amin'ireo tanim-bilony,
\v 24 Aialona miaraka amin'ireo tanim-bilony, ary Gata-rimona miaraka amin'ireo tanim-bilony__tanàna efatra ny fitambarany
\s5
\v 25 Avy amin'ny an-tsasaky ny fokon'i Manase, no nanomezana hoan'ny fokon'i Kehata an'i Tanaka miaraka amin'ireo tanim-bilony sy Gata-rimona miaraka amin'ireo tanim-bilony__tanàna roa.
\v 26 Tanàna folo raha atambatra ny an'ireo fokon'i Kehatita sisa, anisan'izany ny tanim-bilon'izy ireo.
\s5
\v 27 Avy amin'ny an-tsasaky ny fokon'i Manase, hoan'ireo fokon'ny Gersona, ireo dia fokon'ny Levita hafa koa, ary izy ireo nanome an'i Golana tao Basana miaraka amin'ireo tanim-bilony__tanàna iray fandosiran'izay nahafaty olona tsy nahy, mbamin'i Bestera miaraka amin'ireo tanim-bilony__tanàna roa ny fitambarany.
\s5
\v 28 Ho an'ireo fokon'i Gersona dia nomen'izy ireo avy amin'ny fokon'i Isakara koa i Kisiona, mbamin'ireo tanim-bilony, Daberata mbamin'ireo tanim-bilony,
\v 29 Jarmota mbamin'ireo tanim-bilony, ary Enganima mbamin'ireo tanim-bilony__tanàna efatra.
\v 30 Avy amin'ny fokon'i Asera, dia nomen'izy ireo Misala miaraka amin'ireo tanim-bilony, Abdona miaraka amin'ireo tanim-bilony,
\v 31 Helkata miaraka amin'ireo tanim-bilony, ary Rehoba miaraka amin'ireo tanim-bilony__tanàna efatra ny fitambarany.
\s5
\v 32 Avy amin'ny fokon'i Naftaly, no nanomezan'izy ireo an'i Gersona Kadesy any Galilia miaraka amin'ireo tanim-bilony__tanàna iray fandosiran'izay nahafaty olona tsy nahy; Hamotadora miaraka amin'ireo tanim-bilony, ary Kartana miaraka amin'ireo tanim-bilony__tanàna telo ny fitambarany.
\v 33 Tanàna telo ambin'ny folo raha atambatra, avy amin'ireo fokon'i Gersona, miaraka amin'ireo tanim-bilony.
\s5
\v 34 Ho an'ireo levita sisa__ireo fokon'i Merary__no nanomezana avy amin'ny fokon'i Zebolona: an'i Jokneama miaraka amin'ireo tanim-bilony, Karta miaraka amin'ireo tanim-bilony,
\v 35 Dimnà miaraka amin'ireo tanim-bilony, ary Nahalola miaraka amin'ireo tanim-bilony__tanàna efatra ny fitambarany.
\s5
\v 36 Ireo fokon'i Merary dia nahazo avy amin'ny fokon'i Robena: dia i Bezera miaraka amin'ireo tanim-bilony, Jahaza miaraka amin'ireo tanim-bilony,
\v 37 Kedemota miaraka amin'ireo tanim-bilony, ary Mefata miaraka amin'ireo tanim-bilony__tanàna efatra.
\v 38 Ankoatry ny fokon'i Gada dia nomena azy ireo Ramota any Gileada miaraka amin'ireo tanim-bilony__tanàna iray fandosiran'izay nahafaty olona tsy nahy__ary Mahanaima miaraka amin'ireo tanim-bilony.
\s5
\v 39 Ireo fokon'i Merary dia nahazo an'i Hesbona ihany koa miaraka amin'ireo tanim-bilony, sy Jazera miaraka amin'ireo tanim-bilony. Tanàna efatra ireo raha atambatra.
\v 40 Ireo rehetra ireo dia tanànan'ireo foko maroben'i Merary, izay avy amin'ny fokon'i Levy__tanàna roa ambin'ny folo raha atambatra no nomena azy ireo tamin'ny antsapaka.
\s5
\v 41 Ireo tanànan'ireo Levita nalaina avy tao afovoan'ny tany azon'ny vahoakan'Israely dia tanàna valo amby efapolo, miaraka amin'ireo tanim-bilony.
\v 42 Ireo tanàna tsirairay ireo dia samy manana ny tanim-bilony manodidina azy. Dia tahaka izany ireo tanàna rehetra ireo.
\s5
\v 43 Noho izany dia nomen'i Yaveh an'Israely ny tany rehetra izay nianianany homena ireo razany. Dia nandova izany ireo Israelita ka nonina tao.
\v 44 Dia nomen'i Yaveh fitsaharana amin'ny manodidina rehetra izy ireo, araka izay nianianany tamin'ireo razany. Na dia iray tamin'ireo fahavalony aza dia tsy nisy afaka naharesy azy ireo. Dia natolotr'i Yaveh teo am-pelantanan'izy ireo ny fahavalony rehetra.
\v 45 Na dia iray tamin'ireo teny fampanantenana tsara izay nolazain'i Yaveh tamin'ny taranak'Israely aza dia tsy nisy tsy tanteraka. Tanteraka avokoa izy rehetra.
\s5
\c 22
\p
\v 1 Tamin'izany fotoana izany Josoa dia niantso ireo Robenita, Gadit, ary ny antsasa-pokon'i Manase.
\v 2 Hoy izy tamin'izy ireo hoe: "Efa tanterakareo avokoa izay nandidian'i Mosesy mpanompon'i Yaveh anareo. Nankatoa ny feoko ianareo tamin'izay rehetra nandidiako anareo.
\v 3 Tsy nandao ny rahalahinareo ianareo nandritra izay andro maro izay, mandrak'androany, ary tanterakareo ireo andraikitra izay notakiana tamin'ny alalan'ny didin'i Yaveh Andriamanitrareo.
\s5
\v 4 Ankehitriny nomen'i Yaveh Andriamanitrareo fitsaharana ireo rahalahinao, araka izay nampanantenany azy ireo. Noho izany miverena ary mandehana any amin'ny lainareo any amin'ny tany anananareo, izay nomen'i Mosesy ilay mpanompon'i Yaveh anareo any ampitan'i Jordana.
\v 5 Fa tandremo tsara mba ho voatandrina ireo didy sy lalàna izay nandidian'i Mosesy mpanompon'i Yaveh anareo, dia ny hitiavana an'i Yaveh Andriamanitrareo, ny handehanana amin'ny lalany rehetra, ny hitandremana ny didiny, ary ny hifikirana aminy sy ny hanompoana azy amin'ny fonareo manontolo sy ny fanahinareo manontolo."
\v 6 Dia nitso-drano sy nampody azy ireo i Josoa, ary niverina tany amin'ny lainy izy ireo.
\s5
\v 7 Ary ny antsasa-pokon'i Manase dia efa nomen'i Mosesy lova tany Basana, fa ny antsasany hafa kosa nomen'i Josoa lova tany akaikin'ireo rahalahiny tany amin'ny tany andrefan'ny Jordana. Josoa nampody azy ireo tany amin'ny lainy; nitso-drano azy ireo izy
\v 8 ary niteny tamin'izy ireo hoe: "Miverena any amin'ny lainareo miaraka amin'ny vola be, sy biby fiompy maro dia maro, sy volafotsy sy volamena, sy varahina sy vy, ary fitafiana maro dia maro. Zarao amin'ireo rahalahinareo ny babo tamin'ireo fahavalonareo."
\s5
\v 9 Ary ny taranak'i Robena, ny taranak'i Gada, ary ny antsasa-pokon'i Manase niverina nody, nandao ny vahoakan'Israely tao Silo, izay tany amin'ny Kanana. Niainga ho any amin'ny faritanin'i Gileada, any amin'ny tanin'izy ireo, izay fananany, tamin'ny fankatoavana ny didin'i Yaveh, tamin'ny alalan'ny tanan'i Mosesy izy ireo.
\s5
\v 10 Rehefa tonga tao Jordana izay tao amin'ny tany Kanana izy ireo, ny Robenita sy ny Gadita ary ny atsasa-pokon'i Manase dia nanorina altara nanakaiky an'ny Jordana, alitara tena lehibe sy nalaza.
\v 11 Ny vahoakan'Israely nahare izany ka nanao hoe: "Indro! ny vahoakan-dRobena, Gada, ary ny antsasa-pokon'i Manase nanorina alitara teo anoloan' ny tany Kanana, any Gelilota, any amin'ny faritra akaikin'i Jordana, amin'ny ilany izay an'ny vahoakan'Israely."
\s5
\v 12 Rehefa nahare izany ny vahoakan'Israely, dia niara-niangona tao Silo ny fiangonan'ny vahoakan'Israely manontolo mba hiakatra hamorona ady hanoerana azy ireo.
\s5
\v 13 Ary ny vahoakan'Israely nandefa mpitondra hafatra ho any amin'ny Robenita, ny Gadita, ary ny antsasa-pokon'ny Manase, any amin'ny tany Gileada. Nandefa an'i Fineasy zanaka lahin'i Eleazara ihany koa izy ireo, ilay mpisorona,
\v 14 ary mpitarika folo niaraka taminy, iray isaky ny razambem-pianakavian'Israely, ary izy ireo tsirairay avy dia efa lohan' ny fianakaviana tao amin'ny vahoakan'Israely.
\s5
\v 15 Tonga tany amin'ny vahoakan'i Robena, Gada, ary ny antsasa-pokon'i Manase, tany amin'ny tanin'ny Gileada izy ireo, ary hoy izy ireo taminy:
\v 16 "Izao no lazain'ny fiangonan'i Yaveh manontolo: 'Inona izao fivadiham-pitokisana nataonareo tamin'i Andriamanitr'Israely izao, niala tamin'ny fanarahana an'i Yaveh ianareo ankehitriny amin'ny alalan'ny fanorenanareo alitara tamim-pikomiana tamin'i Yaveh tamin'ity andro ity?
\s5
\v 17 Tsy ampy antsika ve ny fahotantsika tao Peora? Izay mbola tsy nahadiovantsika ny tenantsika tamin'izany akory. Ary izany fahotana izany no nampisy areti-mandringana tao amin'ny fiangonan'i Yaveh.
\v 18 Tsy maintsy hiala amin'ny fanarahana an'i Yaveh ihany koa ve ianareo amin'ity andro androany ity? Raha mikomy amin'i Yaveh ihany koa ianareo androany, dia ho tezitra amin'ny fiangonan'Israely manontolo Izy rahampitso.
\s5
\v 19 Raha voaloto ny tany izay anananareo, dia tokony hiampita amin'ny tany izay misy ny tabernakelin'i Yaveh ianareo ary makà fananana ho anareo ao aminay. Aza mikomy amin'i Yaveh fotsiny, na mikomy aminay amin'ny fanorenana alitara hafa ho anareo ankoatra ny alitaran'i Yaveh Andriamanitsika.
\v 20 Moa ve Akana zanaka lahin'i Zera tsy efa nandrava finoana tamin-javatra izay efa voatokana ho an'Andriamanitra? Moa ve tsy niraraka tamin'ny vahoakan'Israely rehetra ny fahatezerana? Ary tsy io lehilahy io irery no maty noho ny helony.'"
\s5
\v 21 Ary ny fokon'i Robena, Gada, ary ireo atsasa-pokon'i Manase namaly ireo loham-pianakavian'Israely hoe:
\v 22 "Ilay Tsitoha, Andriamanitra, Yaveh! Ilay Tsitoha, Andriamanitra, Yaveh! —Izy mahalala, ary ny Israely aoka hahalala! Raha tamim-pikomiana na tamin'ny fivadiam-pitokisana tamin'i Yaveh izany, dia aza hamindrana fo izahay amin'ity andro ity
\v 23 ny amin'ny nanorenanay alitara mba hialanay amin'ny fanarahana an'i Yaveh. Raha nanorina ny alitara mba hahafahana manolotra fanatitra dorana, fanatitra hohanina, na fanati-pihavanana izahay, dia aoka Yaveh hampanefa anay ny amin'izany.
\s5
\v 24 Tsia! Tahotra no nanaovanay izao satria rahatrizay dia mety hanontany ny zanakay ny zanakareo hoe: 'Moa mifaninona amin'i Yaveh ianareo, ilay Andriamanitr'Israely?
\s5
\v 25 Fa Yaveh efa nanao an'i Jordana ho faritra manelalanelana antsika sy ianao. Ianareo ry vahoakan'i Robena sy vahoakan'i Gada, tsy anao na inona na inona amin'i Yaveh ianareo.' Noho izany ny zanakareo dia mety hampitsahatra ny zanakay amin'ny fanompoana an'i Yaveh.
\s5
\v 26 Ka hoy izahay hoe: 'Mamelà anay hanangana alitara ankehitriny, tsy ho an'ny fanatitra dorana na sorona,
\v 27 fa mba ho vavolombelona eo aminay sy ianareo, ary ireo eo amin'ny taranaka fara-mandimbintsika, fa hanatanteraka ny fanompoana an'i Yaveh alohany isika, amin'ny alalan'ny fanatitra doran, sy sorona ary fanati-pihavanana ataontsika, ka mba tsy hitenenan'ny zanakareo amin'ny zanakay rahatrizay hoe: "Tsy manana anjara ao amin'i Yaveh ianareo.'"
\s5
\v 28 Ary hoy izahay hoe: 'Raha tahiany ka lazaina aminay na amin'ireo taranakay rahatrizay izany, dia hataonay hoe: "Indro! Ity no dika mitovy amin'ny alitaran'i Yaveh, izay namboarin'ny razambenay, tsy ho an'ny fanatitra dorana, na sorona, fa ho vavolombelona teo aminay sy ianareo."
\v 29 Sanatriavinay anie ny hikomy amin'i Yaveh, sy hiala amin'ny fanarahana Azy androany amin'ny alalan'ny fanorenana alitara ho an'ny fanatitra dorana, ny fanatitra hohanina, na sorona, hafa ankoatra ny alitaran'i Yaveh Andriamanitsika izay eo anoloan'ny tabernakeliny.'"
\s5
\v 30 Rehefa ren'i Fineasa ilay mpisorona sy ireo mpitarika ny vahoaka, izay, loham-pianakavian'ny Israely niaraka taminy, dia nahare ireo teny nolazain'ny vahoakan'ny Robena, Gada, ary Manase, dia tsara tamin'izy ireo izany.
\v 31 Dia hoy Fineasy zanaka lahin'i Eleazara ilay mpisorona tamin'ny vahoakan'ny Robena, Gada, ary Manase hoe: "Fantatray ankehitriny fa eto amintsika i Yaveh, satria ianao tsy nanao izany fivadiham-panekena izany taminy. Ankehitriny ianao nanavotra ny vahoakan'Israely tamin'ny tanan'i Yaveh ianao."
\s5
\v 32 Ary Fineasa zanak'i Eleazara mpisorona, sy ireo mpitarika niverina avy tany amin'ireo Robenita sy ireo Gadita, tao amin'ny tanin'i Gileada ho any amin'ny tany Kanana, ho any amin'ny vahokan'Israely, ary nitondra valin-teny tamin'izy ireo.
\v 33 Nety tamin'ny vahoakan'ny Israely ny tatitr'izy ireo. Nisaotra an'Andriamanitra ny vahoakan'Israely ary tsy niresaka ny hiady amin'ny Robenita sy ny Gadita intsony, mba hamotehana ny tany izay nitoeran'izy ireo
\s5
\v 34 "Vavolombelona" no nataon'ny Robenita sy ny Gadita anaran'ilay alitara, satria hoy izy ireo hoe: "Io no vavolombelona eo aminay fa Yaveh no Andriamanitra."
\s5
\c 23
\p
\v 1 Rehefa afaka andro maromaro, rehefa nanome fitsaharana ho an'ny Israely avy ao amin'ireo fahavalony rehetra izay nanodidina azy ireo Yaveh, ary antitra sy nandroso taona Josoa.
\v 2 Dia nampiantso ny Israely rehetra Josoa—ireo loholony, ireo mpitariny, ireo mpitsarany, ary ireo manam-boninahiny—ka niteny tamin'izy ireo hoe: "Tena antitra aho.
\v 3 Efa hitanareo ny zavatra rehetra izay nataon'i Yaveh Andriamanitrareo tamin'ireo firenena rehetra noho ianareo, fa Yaveh Andriamanitrareo no niady ho anareo.
\s5
\v 4 Indro! Efa notendreko ho anareo ireo firenena izay mbola ho resena ho lovan'ireo fokonareo, miaraka amin'ireo firenena rehetra efa naringako, nanomboka tao Jordana ka hatrany amin'ny Ranomasina Lehibe any andrefana.
\v 5 Handroaka azy ireo Yaveh Andriamanitrareo. Hanosika azy ireo hiala aminareo Izy. Halainy ny tanin'izy ireo, ary haka ny tanin'izy ireo ho fanananareo ianareo, arak'izay nampanantenain'i Yaveh Andriamanitrareo anareo.
\s5
\v 6 Koa matanjaha, mba hitandremanareo sy hanaovanareo ny rehetra izay voasoratra ao amin'ny bokin'ny lalàn'i Mosesy, tsy hiala amin'izany mihitsy na miankavanana na miankavia,
\v 7 mba tsy hifangaroanareo amin'ireo firenena izay mijanona ho aminareo na hanonona ireo anaran'ny andriamanitr'izy ireo, mianiana amin'izy ireo, nanompo azy ireo, na miankohoka amin'izy ireo.
\v 8 Fa kosa, mifikira amin'i Yaveh Andriamanitrareo ianareo tahaka izay efa nataonareo mandraka ankehitriny.
\s5
\v 9 Fa Yaveh nandroaka teo anoloanareo ireo firenena lehibe, matanjaka. Fa ho anareo, tsy misy afaka mitsangana eo anoloanareo mandraka androany.
\v 10 Ny lahy tokana amin'ny isanareo dia hahatonga ny arivo hitsoaka, satria Yaveh Andriamanitrareo, no Ilay miady ho anareo, tahaka ny nampanantenainy anareo.
\v 11 Mitandrema tsara, mba hitiavanareo an'i Yaveh Andriamanitrareo.
\s5
\v 12 Nefa raha miverina sy mifikitra amin'ireo izay sisa velon'ireo firenena izay mijanona eo aminareo ianareo, na raha mifanambady amin'izy ireo, na raha miaraka amin'izy ireo ianareo ary izy ireo miaraka aminareo,
\v 13 dia fantaro tokoa fa Yaveh Andriamanitrareo tsy handroaka ireo firenena ireo hiala aminareo intsony. Fa kosa, ho lasa fandrika sy tonta ho anareo izy ireo, karavasy ao an-damosinareo ary tsilo eo amin'ny masonareo, mandra-pahafatinareo eto amin'ity tany soa izay nomen'i Yaveh Andriamanitrareo anareo ity.
\s5
\v 14 Izao dia handeha amin'ny lalan'ny tany rehetra aho, ary fantatrareo amin'ny fonareo sy ny fanahinareo manontolo fa tsy misy teny iray tsy ho tanteraka tamin'ireo zavatra tsara rehetra izay nampanantenain'i Yaveh Andriamanitrareo anareo. Ireo zavatra rehetra ireo dia efa ho tonga ho anareo. Tsy misy iray amin'izy ireo ho latsaka.
\v 15 Fa tahaka ny teny rehetra nampanantenain'i Yaveh Andriamanitrareo anareo ka tanteraka, dia hitondra aminareo ireo zavatra ratsy rehetra Yaveh mandra-pandringanany anareo tsy ho eto amin'ity tany tsara izay nomen'i Yaveh Andriamanitrareo anareo ity.
\s5
\v 16 Hataony izany raha mandika ny faneken'i Yaveh Andriamanitrareo, izay nandidiany anareo mba hotandremana ianareo. Raha mandeha sy manompo ireo andriamanin-kafa ary miankohoka amin'izany ianareo, dia hirehitra aminareo ny hatezeran'i Yaveh, ary ho faty haingana tsy ho eo amin'ny tany soa izay nomeny anareo ianareo."
\s5
\c 24
\p
\v 1 Ary dia nampiarahan'i Josoa tao Sekema ireo fokon'Israely rehetra ary niantso ireo loholona tao Israely, ireo mpitarika azy ireo, ireo mpitsara, sy ny manam-pahefan'izy ireo, ary nampiseho ny tenan'izy ireo teo anatrehan'Andriamanitra.
\v 2 Hoy i Josoa tamin'ny olona rehetra hoe: "Izao no lazain'i Yaveh, ilay Andriamanitr'Israely: 'Tany aloha ela be ireo razambenareo dia nipetraka tany an-dafin'ny reniranon'i Eofrata—Tera, ny rain'i Abrahama sy ny rain'i Nahora—ary nanompo ireo andriamanitra hafa izy ireo.
\s5
\v 3 Fa nalaiko tany an-dafin'i Efraita ny rainareo ka nentiko tany amin'ny tany Kanana ary nomeko taranaka maro tamin'ny alalan'i Isaka izy. Ary nomeko an'i Jakoba sy Esao i Isaka.
\v 4 Ary nomeko ho fananan'i Esao ny tany havoana an'i Seira, fa i Jakoba sy ireo zanany dia nidina tany Egypta.
\s5
\v 5 Nandefa an'i Mosesy sy Arona Aho, ary namely ireo Egyptiana tamin'ny areti-mandringana. Taorian'izany, dia nentiko nivoaka ianareo.
\v 6 Nentiko nivoaka an'i Egypta ireo razambenareo, ary tonga teny an-dranomasina ianareo. Nanenjika anareo tamin'ireo kalesy sy mpitaingi-tsoavaly hatrany any amin'ny ranomasina mena ireo Egyptiana.
\s5
\v 7 Rehefa niantso mafy an'i Yaveh ireo razambenareo, dia nasiany haizina teo anelanelanareo sy ireo Egyptianina. Nentiny teo amin'izy ireo ny ranomasina ary nandrakotra azy ireo. Ianareo nahita ny nataoko tany Egypta. Avy eo ianareo dia nipetraka tany an'efitra nandritra ny fotoana naharitra.
\s5
\v 8 Nentiko tany amin'ny tanin'i Amorita ianareo, izay nipetraka teny ampitan'i Jordana. Niady taminareo izy ireo, ary natolotro teo am-pelan-tananareo. Nalainareo ho fanananareo ny tanin'izy ireo, ary nopotehiko teo anatrehanareo izy reo.
\s5
\v 9 Ary nitsangana i Balaka zanak'i Zipora, mpanjakan'i Moaba, ary nanafika an'Israely. Nandefa ary niantso an'i Balama zanak'i Beora, mba hanozona anareo.
\v 10 Fa tsy nihaino an'i Balama aho. Nitahy anareo tokoa izy. Koa dia namonjy anareo teny an-tanany aho.
\s5
\v 11 Niampita an'i Jordana ianareo ary dia tonga tao Jeriko. Ireo mpitarika an'i Jeriko dia niady taminareo, niaraka tamin'ireto Amorita, ireo Kananita, ireo Hetita, Girgasita, ireo Hevita, ary ireo Jebosita. Nomeko fandresena ianareo ary nametraka azy ireo ambanin'ny fifehezanareo Aho.
\v 12 Nandefasako fangaraka ianareo, izay nampitsoaka azy ireo sy ireo mpanjakan'i Amorita roa teo anatrehanareo. Izany dia tsy nitranga tamin'ny alalan'ny sabatrareo na ny tsipìkareo.
\s5
\v 13 Nomeko tany izay mbola tsy nasaina sy tanàna izay mbola tsy nanorenana ianareo, ary ankehitriny ianareo dia mipetraka eny amin'ireo. Mihinana ny voakazon'ny tanim-boaloboka sy ny sahan'oliva izay tsy nambolenareo ianareo.'
\s5
\v 14 Ankehitriny matahora an'i Yaveh ary miderà Azy amim-pahitsiana sy amim-pahamarinana; foano ireo andriamanitra izay notompoin'ireo razambenareo tany an-dafin'ny Eofrata sy tao Egypta, ary manompoa an'i Yaveh.
\v 15 Raha hitanao fa ratsy ny midera an'i Yaveh, dia fidio anio izay ho tompoinao, na ireo andriamanitra izay notompoin'ireo razambenareo tany an-dafin'i Eofrata, na ireo andriamanitr'ireo Amorita, izay tompon'ny tany hipetrahanareo. Fa raha izaho sy ny ankohonako kosa, dia hanompo an'i Yaveh izahay."
\s5
\v 16 Namaly ireo vahoaka ary niteny hoe: "Tsy hamoy an'i Yaveh mihitsy izahay mba hanompo andriamanitra hafa,
\v 17 satria Yaveh Andriamanitray no nitondra anay sy ireo razambenay hivoaka ny tany Egypta, hivoaka ny trano fanandevozana, sy izay nanao ireo famantarana lehibe teo imasonay, ary izay niaro anay tany amin'ny lalana rehetra nalehanay, ary tamin'ireo firenena rehetra izay nolalovanay.
\v 18 Ary i Yaveh dia nitondra ireo olona nialoha lalana anay, ao anatin'izany ireo Amorita izay nonina tao amin'ny tany. Noho izany izahay koa dia hanompo an'i Yaveh, satria Izy no Andriamanitray."
\s5
\v 19 Fa hoy i Josoa tamin'ireo vahoaka hoe: "Tsy mahazo manompo an'i Yaveh ianareo, satria Izy dia Andriamanitra masina; Izy dia Andriamanitra saropiaro; Izy dia tsy hamela ireo fandikàna sy ireo fahotànareo.
\v 20 Raha mahafoy an'i Yaveh ianareo ary manompo ireo andriamanitra mpiavy, dia hiverina Izy ary hampahory anareo. Hanafongana anareo Izy, rehefa avy nanao soa taminareo."
\s5
\v 21 Fa hoy ireo olona tamin'i Josoa hoe: "Tsia, hanompo an'i Yaveh izahay."
\v 22 Ary hoy i Josoa tamin'ireo vahoaka hoe: "Ianareo dia vavolombelon'ny tenanareo fa efa nifidy an'i Yaveh, mba ho tompoina." Hoy izy ireo hoe: "Vavolombelona izahay."
\v 23 Ankehitriny dia esory ireo andriamanitra hafa izay miaraka aminareo, ary hatodio amin'i Yaveh Andriamanitr'Israely ny fonareo."
\s5
\v 24 Hoy ireo vahoaka tamin'i Josoa: "Hanompo an'i Yaveh Andriamanitray izahay. Hihaino ny teniny izahay."
\v 25 Nanao fifanekena tamin'ny vahoaka i Josoa tamin'io andro io. Nametraka didy aman-dalàna tao Sekema izy.
\v 26 Nosoratan'i Josoa tao amin'ny bokin'ny lalànan'Andriamanitra ireo teny ireo. Naka vato lehibe izy ary napetrany teo ambanin'ny hazo terebintana izay teo akaikin'ny toerana masin'i Yaveh.
\s5
\v 27 Hoy i Josoa tamin'ny vahoaka rehetra hoe: "Indro, ity vato ity no vavolombelona manohitra antsika. Nandre ireo teny nolazain'i Yaveh tamintsika izy. Koa ho vavolombelona aminareo io, raha toa ka mandà ny Andriamanitrareo ianareo."
\v 28 Ary dia nalefan'i Josoa tsirairay avy tany amin'ny lovany ireo vahoaka.
\s5
\v 29 Taorin'ireo zavatra ireo i Josoa zanak'i Nona, mpanompon'i Yaveh, dia maty tamin'ny faha 110 taonany.
\v 30 Nalevin'izy ireo tany amin'ny faritany izay nolovainy izy, tany Timnata-sera, izay tany amin'ny tany havoan'i Efraima, avaratry ny tendrombohitr'i Gasa.
\s5
\v 31 Nanompo an'i Yaveh i Israely nandritra ny androm-piainan'i Josoa, sy tamin'ny andron'ireo loholona izay niaina nihoatra an'i Josoa, ireo izay niaina ny zava-drehetra izay nataon'i Yaveh ho an'Israely.
\s5
\v 32 Nentin'ny vahoakan'Israely nivoaka an'i Egypta ny taolam-balon'i Josefa ary nalevin'izy ireo tany Sekema ireo, ao amin'ilay ampahan-tany izay novidian'i Jakoba tamin'ireo zanaka lahin'i Hamora, rain'i Sekema. Nividy izany tamin'ny volafotsy zato singa izy, ary nanjary lova ho an'ireo taranak'i Josefa.
\v 33 Maty ihany koa i Eleazara zanaka lahin'i Arona. Nalevin'izy ireo tany Gibeha, renivohitr'i Finehasa zanaka lahiny, izay efa nomena azy. Izany dia teny amin'ny tany havoan'i Efraima.