plt_ulb/04-NUM.usfm

2448 lines
200 KiB
Plaintext

\id NUM
\ide UTF-8
\h Nomery
\toc1 Nomery
\toc2 Nomery
\toc3 num
\mt Nomery
\s5
\c 1
\p
\v 1 Niteny tamin'i Mosesy teo amin'ny trano-lay fihaonana tany an-tany efitr'i Sinay i Yaveh. Nitranga izany tamin'ny andro voalohany tamin'ny volana faharoa nandritra ny taona faharoa taorian'ny nivoahan'ny vahoakan'Israely avy tany amin'ny tany Egypta. Hoy i Yaveh:
\v 2 "Mitaria fanisam-bahoaka amin'ireo lehilahin'Israely rehetra isan'antokony, ao amin'ny fianakavian-drain'izy ireo. Isao amin'ny anarany izy ireo. Isao ny lahy rehetra, ny lehilahy tsirairay avy
\v 3 izay roapolo taona na mihoatra. Isao daholo ireo izay afaka miady ho miaramila ho an'i Israely. Aoka ho raketinao sy Arona an-tsoratra ny isan'ireo lehilahy amin'ny vondron'izy ireo mitam-piadiana.
\s5
\v 4 Lehilahy iray avy amin'ny foko tsirairay avy, lohan'antoko iray, no aoka hanompo miaraka aminao ho mpitari-pokony. Ny mpitarika tsirairay avy dia tsy maintsy mitarika ireo lehilahy izay hiady ho an'ny fokony.
\v 5 Ireto ny anaran'ireo mpitarika izay tsy maintsy miady miaraka aminao: Avy amin'ny fokon'i Robena, Elizora zanak'i Sedeora;
\v 6 avy amin'ny fokon'i Simeona, Selomiela zanak'i Zorisaday;
\s5
\v 7 avy amin'ny fokon'i Joda, Nasona zanak'i Aminadaba;
\v 8 avy amin'ny fokon'i Isakara, Netanela zanak'i Zoara;
\v 9 avy amin'ny fokon'i Zebolona, Eliaba zanak'i Helona;
\s5
\v 10 avy amin'ny fokon'i Efraima zanak'i Josefa, Elisama zanak'i Ahimoda; avy amin'ny fokon'i Manase, Gamaliela zanak'i Pedazora;
\v 11 avy amin'ny fokon'i Benjamina, Abidana zanak'i Gideony;
\s5
\v 12 avy amin'ny fokon'i Dana, Ahiezera zanak'i Amisaday;
\v 13 avy amin'ny fokon'i Asera, Fagiela zanak'i Okrana;
\v 14 avy amin'ny fokon'i Gada, Eliasafa zanak'i Doela;
\v 15 ary avy amin'ny fokon'i Naftaly, Ahira zanak'i Enana."
\s5
\v 16 Ireo no lehilahy voatondro teo amin'ny olona. Nitarika ny fokon'ny razambeny izy ireo. Izy ireo no mpitarika ireo antoko tao Israely.
\s5
\v 17 Nalain'i Mosesy sy Arona ireo lehilahy ireo, izay noraketina an-tsoratra araka ny anarana,
\v 18 ary niaraka tamin'ireo lehilahy ireo dia nangonin'izy ireo ny lehilahy rehetra tamin'Israely tamin'ny andro voalohan'ny volana faharoa. Ary ny lehilahy roapolo taona na mihoatra tsirairay avy dia namantatra ny razambeny. Tsy maintsy nanome anarana ireo antoko sy fianakaviana taranaka avy amin'ny razambeny izy.
\v 19 Dia noraketin'i Mosesy an-tsoratra ny isan'izy ireo tany an-tany efitr'i Sinay, araka ny nandidian'i Yaveh hataony.
\s5
\v 20 Nisaina ny anaran'ny lehilahy rehetra izay roapolo taona na mihoatra afaka mandeha an'ady avy amin'ny taranak'i Robena, lahimatoan'i Israely, avy amin'ny firaketana an-tsoratra ny antokon'ireo razambeny sy ny fianakavian'izy ireo.
\v 21 Niisa 46. 500 lahy izy ireo avy amin'ny fokon'i Robena.
\s5
\v 22 Nisaina ny anaran'ny lehilahy rehetra izay roapolo taona na mihoatra afaka mandeha an'ady avy amin'ny taranak'i Simeona, avy amin'ny firaketana an-tsoratra ny antokon'ireo razambeny sy ny fianakavian'izy ireo.
\v 23 Niisa 59. 300 lahy izy ireo avy amin'ny fokon'i Simeona.
\s5
\v 24 Nisaina ny anaran'ny lehilahy rehetra izay roapolo taona na mihoatra afaka mandeha an'ady avy amin'ny taranak'i Gada, avy amin'ny firaketana an-tsoratra ny antokon'ireo razambeny sy ny fianakavian'izy ireo.
\v 25 Niisa 45. 650 lahy izy ireo avy amin'ny fokon'i Gada.
\s5
\v 26 Nisaina ny anaran'ny lehilahy rehetra izay roapolo taona na mihoatra afaka mandeha an'ady avy amin'ny taranak'i Joda, avy amin'ny firaketana an-tsoratra ny antokon'ireo razambeny sy ny fianakavian'izy ireo.
\v 27 Niisa 74. 600 lahy izy ireo avy amin'ny fokon'i Joda.
\s5
\v 28 Nisaina ny anaran'ny lehilahy rehetra izay roapolo taona na mihoatra afaka mandeha an'ady avy amin'ny taranak'i Isakara, avy amin'ny firaketana an-tsoratra ny antokon'ireo razambeny sy ny fianakavian'izy ireo.
\v 29 Niisa 54. 400 lahy izy ireo avy amin'ny fokon'i Isakara.
\s5
\v 30 Nisaina ny anaran'ny lehilahy rehetra izay roapolo taona na mihoatra afaka mandeha an'ady avy amin'ny taranak'i Zebolona, avy amin'ny firaketana an-tsoratra ny antokon'ireo razambeny sy ny fianakavian'izy ireo.
\v 31 Niisa 57. 400 lahy izy ireo avy amin'ny fokon'i Zebolona.
\s5
\v 32 Nisaina ny anaran'ny lehilahy rehetra izay roapolo taona na mihoatra afaka mandeha an'ady avy amin'ny taranak'i Efraima, avy amin'ny firaketana an-tsoratra ny fianakaviam-ben'ireo razambeny sy ny fianakavian'izy ireo.
\v 33 Niisa 40. 500 lahy izy ireo avy amin'ny fokon'i Efraima.
\s5
\v 34 Nisaina ny anaran'ny lehilahy rehetra izay roapolo taona na mihoatra afaka mandeha an'ady avy amin'ny taranak'i Manase, avy amin'ny firaketana an-tsoratra ny antokon'ireo razambeny sy ny fianakavian'izy ireo.
\v 35 Niisa 32. 200 lahy izy ireo avy amin'ny fokon'i Manase.
\s5
\v 36 Nisaina ny anaran'ny lehilahy rehetra izay roapolo taona na mihoatra afaka mandeha an'ady avy amin'ny taranak'i Benjamina, avy amin'ny firaketana an-tsoratra ny antokon'ireo razambeny sy ny fianakavian'izy ireo.
\v 37 Niisa 35. 400 lahy izy ireo avy amin'ny fokon'i Benjamina.
\s5
\v 38 Nisaina ny anaran'ny lehilahy rehetra izay roapolo taona na mihoatra afaka mandeha an'ady avy amin'ny taranak'i Dana, avy amin'ny firaketana an-tsoratra ny antokon'ireo razambeny sy ny fianakavian'izy ireo.
\v 39 Niisa 62. 700 lahy izy ireo avy amin'ny fokon'i Dana.
\s5
\v 40 Nisaina ny anaran'ny lehilahy rehetra izay roapolo taona na mihoatra afaka mandeha an'ady rehetra avy amin'ny taranak'i Asera, avy amin'ny firaketana an-tsoratra ny antokon'ireo razambeny sy ny fianakavian'izy ireo.
\v 41 Niisa 41. 500 lahy izy ireo avy amin'ny fokon'i Asera.
\s5
\v 42 Nisaina ny anaran'ny lehilahy rehetra izay roapolo taona na mihoatra afaka mandeha an'ady rehetra avy amin'ny taranak'i Naftaly, avy amin'ny firaketana an-tsoratra ny antokon'ireo razambeny sy ny fianakavian'izy ireo.
\v 43 Niisa 53. 400 lahy izy ireo avy amin'ny fokon'i Naftaly.
\s5
\v 44 Niara-nanisa ireo lehilahy rehetra ireo, niaraka tamin'ny lehilahy roa ambin'ny folo izay nitarika ny foko roa ambin'ny folon'i Israely i Mosesy sy Arona.
\v 45 Ka ireo lehilahin'Israely roapolo taona na mihoatra rehetra, ireo rehetra afaka miady any an'ady, dia nisaina tsirairay tamin'ny fianakavian'izy ireo.
\v 46 Niisa 603. 550 lahy izy ireo.
\s5
\v 47 Fa tsy nisaina ireo lehilahy izay taranak'i Levy,
\v 48 satria nilaza tamin'i Mosesy i Yaveh hoe: "
\v 49 Tsy mahazo manisa ny fokon'i Levy ianao na mampiditra azy amin'ny tamba-ben'ny vahoakan'i Israely.
\s5
\v 50 Fa kosa, tendreo ireo Levita hitandrina ny tabernakelin'ny didim-panekena, sy hikarakara ny fanaka rehetra ao amin'ny tabernakely sy ny zavatra rehetra ao amin'izany. Aoka hilanja ny tabernakely ny Levita, ary aoka hitondra ireo fanaky ny tabernakely izy ireo. Aoka hikarakara ny tabernakely sy hitoby manodidina izany izy ireo.
\s5
\v 51 Rehefa mila afindra ho amin'ny toeran-kafa ny tabernakely, dia aoka hanala izany ny Levita. Rehefa tokony hapetraka ny tabernakely, dia aoka hametraka izany ny Levita. Izay olon-kafa manatona ny tabernakely dia tsy maintsy ho faty.
\v 52 Rehefa mametraka ireo lainy ny vahoakan'Israely, dia aoka anao izany eo akaikin'ny faneva izay an'ny vondrony mitam-piadiana ny lehilahy tsirairay avy.
\s5
\v 53 Na izany aza, aoka hametraka ny lainy manodidina ny tabernakelin'ny didim-panekena ny Levita mba tsy ho tonga amin'ny vahoakan'ny Israely ny fahatezerako. Aoka tsy hikarakara ny tabernakelin'ny lalàn'ny fanekem-pihavanana ny Levita."
\v 54 Nanao izany zavatra rehetra izany ny vahoakan'Israely. Nataon'izy ireo izay rehetra nandidian'i Yaveh tamin'ny alalan'i Mosesy.
\s5
\c 2
\p
\v 1 Niresaka tamin'i Mosesy sy Arona indray i Yaveh. Hoy Izy hoe:
\v 2 "Ireo Israelita tsirairay avy dia tsy maintsy mitoby manodidina ny vondrony avy, miaraka amin'ireo fanevan'ny ankohonan-drain'izy ireo. Hitoby manodidina ny lafin'ny trano-lay fihaonana rehetra izy ireo.
\s5
\v 3 Ireo hitoby eny antsinanan'ny trano-lay fihaonana, izay hiposahan'ny masoandro, dia izy ireo no tobin'i Joda ary mitoby araka ny vondrony izy ireo. Nasona zanaka lahin'i Aminadaba no mpitariky ny vahoakan'i Joda.
\v 4 Ny isan'ny vahoakan'i Joda dia 74. 600.
\s5
\v 5 Ny fokon'Isakara dia tsy maintsy mitoby eo akaikin'i Joda. Netanela zanaka lahin'i Zoara dia tsy maintsy mitarika ny tafik'Isakara.
\v 6 Lehilahy 54. 400 no tao amin'ny fizarany.
\s5
\v 7 Ny fokon'i Zebolona dia tsy maintsy mitoby eo anilan'Isakara. Eliaba zanaka lahin'i Helona no tsy maintsy mitarika ny tafik'i Zebolona.
\v 8 Miisa 57. 400 ny ao amin'ny fizarany.
\s5
\v 9 Miisa 186. 400 ny isan'ny tobin'i Joda rehetra. Izy ireo no hiainga voalohany.
\s5
\v 10 Any amin'ny ilany atsimo no hisy ny tobin'i Robena araka ny vondrony. Ny mpitarika ny tobin'i Robena dia Elizora zanaka lahin'i Sedera.
\v 11 Miisa 46. 500 ny ao amin'ny fizarany.
\s5
\v 12 Mitoby eo anilan'i Robena i Simeona. Ny mpitarika ny vahoakan'i Simeona dia i Selomiela zanaka lahin'i Zorisaday.
\v 13 Niisa 59. 300 ny tao amin'ny fizaran'izy ireo.
\s5
\v 14 Ny fokon'i Gada dia teo akaiky teo. Ny mpitarika ny vahoakan'Andriamanitra dia i Eliasafa zanaka lahin'i Roela.
\v 15 Miisa 45. 650 ny ao amin'ny fizarany.
\s5
\v 16 Miisa 151. 450 ireo rehetra mitoby ao amin'i Robena araka ny fizarany avy. Izy ireo dia hiainga faharoa.
\s5
\v 17 Manaraka izany, ny trano-lay fihaonana dia tsy maintsy mivoaka ny toby miaraka amin'ireo Levita eo afovoan'ny toby rehetra. Tokony hivoaka ny toby araka ny filaharana nidiran'izy ireo tao amin'ny toby izy ireo. Ny lehilahy rehetra dia tokony ho eo amin'ny toerany avy, araka ny fanevany.
\s5
\v 18 Ireo fizaran'ny tobin'i Efraima dia eo ambanin'ny vondron'izy ireo. Ny mpitarika ny vahoakan'i Efraima dia i Elisama zanaka lahin'i Amihoda.
\v 19 Miisa 40. 500 ny ao amin'ny fizarany.
\s5
\v 20 Eo anilan'izy ireo no hisy ny fokon'i Manase. Ny mpitarika an'i Manase dia i Gamaliela zanaka lahin'i Pedazora.
\v 21 Miisa 32. 200 ny ao amin'ny fizarany.
\s5
\v 22 Eo anilany no misy ny fokon'i Benjamina. Ny mpitarik'i Benjamina dia Abidana zanaka lahin'i Gideony.
\v 23 Miisa 35. 400 ny ao amin'ny fizarany.
\s5
\v 24 Miisa 108. 100 ireo rehetra mitoby ao Efraima. Izy ireo no hiainga fahatelo.
\s5
\v 25 Any avaratra no hisy ny fizaran'ny tobin'i Dana. Ny mpitarika ny vahoakan'i Dana dia i Ahiezera zanaka lahin'i Amisaday.
\v 26 Miisa 62. 700 ny ao amin'ny fizarany.
\s5
\v 27 Ny vahoakan'ny fokon'i Asera dia nitoby teo anilan'i Dana. Ny mpitarika ny vahoakan'i Asera dia i Pagiela zanaka lahin'i Okrana.
\v 28 Miisa 41. 500 ny ao amin'ny fizarany.
\s5
\v 29 Teo anilany ny fokon'i Naftaly. Ny mpitarika an'i Naftaly dia i Asira zanaka lahin'i Enana.
\v 30 Miisa 53. 400 ny ao amin'ny fizarany.
\s5
\v 31 Miisa 157. 600 ireo rehetra nitoby niaraka tamin'i Dana. Izy ireo no hiainga ao amin'ny toby farany, eo ambanin'ny fanevan'izy ireo."
\s5
\v 32 Ireo no isan'ireo Israelita araka ny fianakavian'izy ireo. Ireo rehetra voaisa tao amin'ny tobin'izy ireo, araka ny fizaran'izy ireo dia 603. 550.
\v 33 Fa Mosesy sy Arona dia tsy nanisa ireo Levita tao amin'ny vahoakan'Israely. Izany dia araka ny efa nandidian'i Yaveh an'i Mosesy.
\s5
\v 34 Ny vahoakan'Israely dia nanao izay rehetra nandidian'i Yaveh an'i Mosesy. Nitoby araka ireo fanevany izy ireo. Nivoaka ny toby araka ny fokony izy ireo, araka ny filaharan'ny fianakavian'ny razambeny.
\s5
\c 3
\p
\v 1 Ary izao no tantaran'ny taranak'i Arona sy Mosesy rehefa niteny tamin'i Mosesy tany amin'ny tendrombohitra Sinay i Yaveh.
\v 2 Ny anaran'ireo zanaka lahin'i Arona dia i Nadaba lahimatoa, sy Abiho, Eleazara, ary Itamara.
\s5
\v 3 Ireo no anaran'ireo zanaka lahin'i Arona, ireo mpisorona izay voahosotra sy voatokana hanompo ho mpisorona.
\v 4 Fa Nadaba sy Abiho kosa lavo maty teo anatrehan'i Yaveh rehefa nanolotra Azy afo tsy azo ekena tany amin'ny efitr'i Sinay izy ireo. Tsy nanan-janaka i Nadaba sy Abiho, ka dia Eleazara sy Itamara ihany no nanompo ho mpisorona niaraka tamin'i Arona rain'izy ireo.
\s5
\v 5 Niteny tamin'i Mosesy i Yaveh. Hoy izy:
\v 6 "Ento ny fokon'i Levy ka ampisehoy amin'i Arona mpisorona izy ireo mba hanampy azy.
\s5
\v 7 Aoka hanao ireo adidy amin'ny anjaran'i Arona sy ny fivondronana manontolo eo anoloan'ny trano-layfihaonana izy ireo. Aoka izy ireo hanompo ao amin'ny tabernakely.
\v 8 Aoka hikarakara ireo fanaka rehetra ao amin'ny trano-lay fihaonana izy ireo, ary hanampy ireo fokon'Israely hanatanteraka ny asa fanompoana ny tabernakely.
\s5
\v 9 Aoka hatolotrao an'i Arona sy ireo zanany lahy ireo Levita. Atolotra manontolo izy ireo mba hanampy azy hanompo ny vahoakan'Israely.
\v 10 Tsy maintsy tendrenao ho mpisorona i Arona sy ireo zanany lahy, fa izay olona hafa firenena tonga manakaiky dia tsy maintsy vonoina ho faty."
\s5
\v 11 Niteny tamin'i Mosesy i Yaveh. Hoy Izy hoe:
\v 12 "Indro, efa naka ireo Levita avy tamin'ireo vahoakan'Israely Aho. Izany no nataoko raha tokony naka ny lahimatoa tsirairay izay teraka tamin'ny vahoakan'Israely. Ahy ireo Levita.
\v 13 Ahy ny voalohan-teraka rehetra. Tamin'ny andro namelezako ny lahimatoa rehetra tany amin'ny tany Egypta, no nanokanako ho Ahy ny voalohan-terak'Israely rehetra, na ny vahoaka na ny biby fiompy. Ahy ireny. Izaho no Yaveh."
\s5
\v 14 Niteny tamin'i Mosesy tany an'efitr'i Sinay i Yaveh. Hoy Izy hoe:
\v 15 "Isao isaky ny ankohonana ny taranak'i Levy, isaky ny ankohonan'ny razamben'izy ireo. Isao ny lehilahy rehetra izay iray volana no ho miakatra."
\v 16 Nanisa azy ireo i Mosesy, araka ny tenin'i Yaveh, araka ny nandidiana azy ho atao.
\s5
\v 17 Ny anaran'ireo zanaka lahin'i Levy dia Gersona, Kohata, ary Merary.
\v 18 Ny fianakaviam-be avy amin'ireo zanaka lahin'i Gersona dia Libny sy Simey.
\v 19 Ny fianakaviam-be avy amin'ireo zanaka lahin'i Kohata dia Amrama, Izara, Hebrona, Ary Oziela.
\v 20 Ny fianakaviam-be avy amin'ireo zanaka lahin'i Merary dia Maly sy Mosy. Ireo no fianakaviam-ben'ireo Levita, izay nalahatra araka ny fianakaviany avy.
\s5
\v 21 Ireo fianakaviam-ben'ireo Libnita sy ireo Simeita dia avy amin'i Gersona. Ireo avy no fianakaviamben'ireo Gersonita.
\v 22 Ny lahy rehetra manomboka iray volana no miakatra dia nisaina, niisa 7. 500.
\v 23 Ny fianakaviam-ben'ireo Gersonita dia hitoby eo amin'ny ilany andrefan'ny tabernakely.
\s5
\v 24 Eliasafa zanaka lahin'i Laela no tsy maintsy hitarika ireo fianakaviam-ben'ny taranaky ny Gersonita.
\v 25 Ny fianakavian'i Gersona dia tsy maintsy mikarakara ny trano-lay fihaonana ka ao anatin'izany ny tabernakely. Hikarakara ny trano-lay izy ireo, ny firakony, sy ireo lamba ampiasaina amin'ny fidirana ao amin'ny trano-lay fihaonana.
\v 26 Tsy maintsy mikarakara ny lamban-kianja izy ireo, ny lamba eo amin'ny fidiran'ny kianja—ny kianja izay mihodidina ny fitoerana masina sy ny alitara. Aoka hikarakara ireo tadin'ny trano-lay fihaonana sy izay rehetra ao aminy izy ireo.
\s5
\v 27 Avy amin'i Kohata ireo fianakaviam-be ireo: fianakavian'ny Amramita, ny fianakavian'ny Izarita, ny fianakavian'ny Hebronita, ary ny fianakavian'ny Ozielita.
\v 28 An'ireo Kohatita ireo fianakaviam-be ireo. 8. 600 lahy iray volana no ho miakatra no efa voaisa mba hikarakara ireo fananan'i Yaveh.
\v 29 Ireo fianakavian'ny taranak'i Kohata dia tsy maintsy mitoby mianatsimon'ny tabernakely.
\s5
\v 30 Elifaza zanaka lahin'i Oziela no tsy maintsy hitarika ny fianakaviam-ben'ireo Kohatita.
\v 31 Izy ireo no tsy maintsy mikarakara ny fiara, ny latabatra, ny fitoeran-jiro, ireo alitara, ireo zava-masina izay ampiasaina amin'ny fanompoany, ny lamba, ary izay asa rehetra mahakasika izany.
\v 32 Eleazara zanaka lahin'i Arona mpisorona no tsy maintsy hitarika ireo lehilahy izay mitarika ireo Levita. Tokony hanara-maso ireo lehilahy izay mikarakara ny fitoerana masina izy.
\s5
\v 33 Fianakaviam-be roa no avy amin'i Merary: ny fianakavian'ny Malita sy ny fianakavian'ny Mosita. Ireo fianakaviambe ireo dia avy amin'i Merary.
\v 34 6. 200 lahy iray volana no ho miakatra no efa voaisa.
\v 35 Zoriela zanaka lahin'i Abihaila no tsy maintsy hitarika ireo fianakaviamben'i Merary. Tsy maintsy mitoby mianavaratry ny tabernakely izy ireo.
\s5
\v 36 Ny taranak'i Merary dia tokony hikarakara ny rafitry ny tabernakely, ireo barany, tsanganana, faladiany, ny fitaovana rehetra, sy izay rehetra mahakasika ireo, ao anatin'izany
\v 37 ireo andry sy tsanganan'ny kianja izay mihodidina ny tabernakely, miaraka amin'ny faladian'ireo, fihantonan-javatra, sy tady.
\s5
\v 38 Mosesy sy Arona ary ireo zanaka lahin'izy ireo dia tsy maintsy hitoby miatsinanan'ny tabernakely, eo anoloan'ny trano-lay fihaonana, tandrifin'ny fiposahan'ny masoandro. Izy ireo no tompon'andraikitra ho an'ny fanatanterahana ireo adidy amin'ny fitoerana masina sy ireo adidy amin'ny vahoakan'Israely. Na iza na iza olona hafa firenena manatona ny fitoerana masina dia tsy maintsy ho faty.
\v 39 Mosesy sy Arona nanisa ny lahy rehetra tamin'ny fianakaviam-ben'i Levy izay iray volana no ho miakatra, araka izay nandidian'i Yaveh. Niisa roa arivo sy roa alina izy ireo.
\s5
\v 40 Hoy Yaveh tamin'i Mosesy: "Isao ny voalohan-teraky ny vahoakan'Israely rehetra izay iray volana no ho miakatra. Raiso ny anaran'izy ireo.
\v 41 Aoka halainao ho Ahy ireo Levita—Izaho Yaveh— ho solon'ny voalohan-teraky ny vahoakan'Israely, sy ny biby fiompin'ireo Levita ho solon'ny voalohan-teraky ny biby fiompin'ny taranak'Israely."
\s5
\v 42 Mosesy nanisa ny voalohan-teraky ny vahoakan'Israely rehetra araka izay efa nandidian'i Yaveh azy hatao.
\v 43 Nanisa ny lahimatoa rehetra araka ny anarana izy, iray volana no ho miakatra. Nahavoaisa 22. 273 lahy izy.
\s5
\v 44 Niteny tamin'i Mosesy indray i Yaveh. Hoy Izy hoe:
\v 45 "Alaivo ireo Levita ho solon'ny voalohan-teraka amin'ny vahoakan'Israely, ary alaivo ny biby fiompin'ireo Levita ho solon'ny biby fiompin'ny vahoaka. Ahy ireo Levita— Izaho no Yaveh.
\s5
\v 46 Manangòna sekely dimy ho an'ny fanavotana isan'olona amin'ireo voalohan-teraky ny vahoakan'Israely izay mihoatra ny isan'ireo Levita.
\v 47 Ampiasao araka ny fenitry ny lanjanao ny sekelin'ny fitoerana masina. Gera roapolo ny sekely.
\v 48 Homenao an'i Arona sy ireo zanany lahy ny vidim-panavotana izay naloanao."
\v 49 Ka dia nanangona ny vidin'ny fanavotana avy tamin'ireo izay nihoatra isa tamin'ireo navotan'ireo Levita i Mosesy.
\v 50 Nanangona ny vola avy tamin'ny voalohan-teraky ny vahoakan'Israely i Mosesy. Nahangona sekely 1. 365 izy, nolanjaina tamin'ny sekelin'ny fitoerana masina.
\v 51 Mosesy nanome ny volam-panavotana ho an'i Arona sy ireo zanany lahy. Mosesy nanao izay nasain'ny tenin'i Yaveh nataony, araka izay efa nandidian'i Yaveh azy.
\s5
\c 4
\p
\v 1 Niresaka tamin'i Mosesy sy Arona i Yaveh. Hoy Izy hoe:
\v 2 "Manaova fanisana an'ireo lehilahin'ny taranak'i Kehata eo amin'ireo Levita, araka ny fokon'izy ireo sy ny razamben'ny ankohonan'izy ireo.
\v 3 Isao ireo lehilahy rehetra izay telopolo hatramin'ny dimampolo taona. Ireo lehilahy ireo dia tsy maintsy manatevin-daharana ny antoko mba hanompo ao amin'ny trano-layfihaonana.
\v 4 Ireo taranak'i Kehata dia tsy maintsy mikarakara ireo zavatra masina indrindra natokana ho Ahy ao amin'ny trano-lay fihaonana.
\s5
\v 5 Rehefa miomana hifindra toerana ny toby, dia tsy maintsy miditra ao amin'ny lay i Arona sy ireo zanany lahy, mampidina ny lamba fanakonana izay manasaraka ny toerana masina indrindra amin'ny toerana masina ary manarona ny fiaran'ny vavolombelona miaraka amin'izany.
\v 6 Tsy maintsy manarona ilay fiara amin'ny hodi-takasy izy ireo. Tsy maintsy mamelatra lamba manga eo ambonin'izany izy ireo. Tsy maintsy apetany ireo bao mba hilanjana izany.
\s5
\v 7 Tsy maintsy mamelatra lamba manga eo ambonin'ny latabatry ny mofon'ny fanatrehana izy ireo. Izy ireo dia tsy maintsy mametraka ireo lovia, ireo sotro, ireo lovia boribory, ary siny fandrarahana eo ambonin'izany. Tsy maintsy misy mofo foana eo ambonin'ny latabatra.
\v 8 Tsy maintsy saronan'izy ireo amin'ny lamba jaky sy amin'ny hodi-takasy ireo. Tsy maintsy apetak'izy ireo ireo bao mba hilanjana ny latabatra.
\s5
\v 9 Tsy maintsy maka lamba manga izy ireo ary manarona ny fitoeran-jiro, miaraka amin'ny fanilon'izany, ireo hety, ireo fitoeran-davenona, ary ireo fitoeran-diloilo rehetra ho an'ireo fanilo.
\v 10 Tsy maintsy apetrak'izy ireo ao anatin'ny fanaronana vita amin'ny hodi-takasy ny fanaovan-jiro sy ireo fitaovana rehetra miaraka amin'izany, ary tsy maintsy apetrak'izy ireo eo ambonin'ny rafitra filanjana izany.
\v 11 Tsy maintsy mamelatra lamba manga eo ambonin'ny alitara volamena izy ireo. Tsy maintsy manarona izany amin'ny fanaronana vita amin'ny hodi-takasy izy ireo, ary avy eo mametaka ireo bao filanjana.
\s5
\v 12 Tsy maintsy maka ireo fitaovana hiasana rehetra any amin'ny toerana masina izy ireo ary mamono izany ao anatin'ny lamba manga. Tsy maintsy manarona izany amin'ny hodi-takasy izy ireo ary mametraka ireo fitaovam-piasana eo amin'ny rafitra filanjana.
\v 13 Tsy maintsy manala ireo lavenona amin'ny alitara izy ireo ary mamelatra lamba voloparasy eo amin'ilay alitara.
\v 14 Tsy maintsy apetrak'izy ireo ny rafitra filanjana ireo fitaovam-piasana rehetra izay ampiasain'izy ireo amin'ny asan'ny alitara. Ireo fitaovana ireo dia ny fitondrana afo, fitreby, lapelina, lovia famafazana, ary ireo fitaovam-piasana hafa rehetra ho an'ny alitara. Tsy maintsy manarona ny alitara amin'ny hodi-takasy izy ireo ary avy eo mametaka ireo bao filanjana.
\s5
\v 15 Rehefa avy nanarona tanteraka ny toerana masina sy ireo fitaovam-piasana rehetra niaraka tamin'izany i Arona sy ireo zanany lahy, ary rehefa mifindra toerana ny toby, dia tsy maintsy manatona mba hilanja ilay toerana masina ireo taranak'i Kehata. Raha mikasika ireo fitaovana masina izy ireo, dia tsy maintsy maty. Izao no asan'ireo taranak'i Kehata, dia ny milanja ireo fanaka ao amin'ny trano-lay fihaonana.
\v 16 Eleazara zanaka lahin'i Arona mpisorona no manara-maso ny fikarakarana ny solika ho an'ny fanilo, ny ditin-kazo manitra, ny fanatitra voa mahazatra, ary ny diloilo fanosotra. Manara-maso ny fikarakarana ny tabernakely manontolo sy izay rehetra ao anatin'izany izy, dia ilay toerana masina sy ireo fitaovam-piasana rehetra miaraka amin'izany."
\s5
\v 17 Niresaka tamin'i Mosesy sy Arona i Yaveh. Hoy Izy hoe:
\v 18 "Aza avela ho alàna eo amin'ireo Levita ny fokon'ny fianakaviamben'ny Kehatita.
\v 19 Arovy izy ireo, mba ho velona fa tsy ho faty, amin'ny alalan'ny fanaovana izao. Rehefa manatona ireo zavatra masina indrindra izy ireo
\v 20 dia tsy tokony hiditra mba hijery ny toerana masina na dia fotoana kely aza, sao ho faty izy ireo. Arona sy ireo zanany lahy no tsy maintsy miditra ao, ary avy eo Arona sy ireo zanany lahy dia tsy maintsy manendry ny tsirairay amin'ireo Kehatita amin'ny asany avy, amin'ny andraikiny manokana."
\s5
\v 21 Niresaka tamin'i Mosesy indray i Yaveh. Hoy Izy hoe:
\v 22 "Manaova ihany koa fanisana an'ireo taranak'i Gersona, araka ny ankohonan'ny razamben'izy ireo, araka ny fokon'izy ireo.
\v 23 Isao ireo izay telopolo hatramin'ny dimampolo taona. Isao izay rehetra hanatevin-daharana ny antoko mba hanompo ao amin'ny trano-lay fihaonana.
\s5
\v 24 Izao no asan'ireo fokon'ny Gersonita, rehefa manompo izy ireo ary mitondra entana.
\v 25 Tsy maintsy mitondra ireo lamba fanakonana ny tabernakely, ny trano-lay fihaonana, ny fanaronana izany, ny fanaronana vita amin'ny hodi-takasy izay eo amin'izany, ary ireo lamba fanakonana ny fidirana ao amin'ny trano-lay fihaonana izy ireo.
\v 26 Tsy maintsy mitondra ireo lamba fanakonana ny fitsaràna izy ireo, ny lamba fanakonana ny vavahadin'ny fitsaràna, izay eo akaikin'ny tabernakely sy eo akaikin'ny alitara, ny tadin'ireo, ary ireo fitaovana rehetra ho an'ny fanompoan'izy ireo. Izay rehetra tokony ho vita amin'ireo zavatra ireo, dia tsy maintsy ataon'izy ireo.
\s5
\v 27 Arona sy ny zanany lahy dia tsy maintsy manoro ireo asan'ny taranak'ireo Gersonita rehetra, amin'izay rehetra entin'izy ireo, ary amin'ny fanompoan'izy ireo rehetra. Tsy maintsy tendrenareo amin'ny andraikiny rehetra izy.
\v 28 Izany no fanompoan'ireo fokon'ireo taranaky ny Gersonita ho an'ny trano-lay fihaonana. Itamara zanaka lahin'i Arona mpisorona dia tsy maintsy mitarika azy ireo amin'ny fanompoany.
\s5
\v 29 Tsy maintsy manisa ireo taranak'i Merary araka ny fokon'izy ireo ianareo, ary mandahatra azy ireo araka ny ankohonan'ny razamben'izy ireo,
\v 30 manomboka amin'ny telopolo taona no ho mihoatra ka hatramin'ny dimampolo taona. Isao ireo rehetra izay handeha hanatevin-daharana ny antoko sy hanompo ao amin'ny trano-lay fihaonana.
\s5
\v 31 Izao no andraikitr'izy ireo sy ny asan'izy ireo amin'ny fanompoan'izy rehetra ho an'ny trano-lay fihaonana. Tsy maintsy mikarakara ny entan'ny tabernakely, ny hidin'izany, ireo andry, ary ireo faladia,
\v 32 miaraka amin'ireo andrin'ny fitsaràna manodidina ny tabernakely, ny faladian'ireo, ireo tsatokany, ary ireo tadiny, miaraka amin'ireo fitaovany rehetra izy ireo. Soraty araka ny anarana ireo fanaka izay tsy maintsy entin'izy ireo.
\s5
\v 33 Izao no asan'ireo fokon'ny taranak'i Merary, izay ataon'izy ireo ho an'ny trano-lay fihaonana, eo ambany fitarihan'Itamara zanaka lahin'i Arona mpisorona."
\s5
\v 34 Mosesy sy Arona ary ireo mpitarika ny fivondronana no nanisa ireo taranak'i Kehatita araka ny fokon'ny razamben'izy ireo.
\v 35 Nisain'izy ireo manomboka amin'ny telopolo ka hatramin'ny dimampolo taona izy ireo. Nanisa izay rehetra hanatevin-daharana ny antoko mba hanompo ao amin'ny trano-lay fihaonana izy ireo.
\v 36 Olona 2. 750 no voaisan'izy ireo araka ny fokony.
\s5
\v 37 Mosesy sy Arona dia nanisa ireo olona rehetra tao amin'ireo foko sy ireo fianakavian'ireo Kehatita izay manompo ao amin'ny trano-lay fihaonana. Tamin'ny fanaovana izany, dia nankatoa izay nodidian'i Yaveh ho ataon'izy ireo tamin'ny alalan'i Mosesy izy ireo.
\s5
\v 38 Ireo taranak'i Gersona dia nisaina tao amin'ny fokon'izy ireo, araka ny ankohonan'ny fianakavian'izy ireo,
\v 39 manomboka amin'ny telopolo ka hatramin'ny dimampolo taona, izay rehetra hiditra ao amin'ny antoko mba hanompo ao amin'ny trano-lay fihaonana.
\v 40 Ny olona rehetra, dia nisaina araka ny fokon'izy ireo sy ny ankohonan'ny razamben'izy ireo avy, 2. 630 isa.
\s5
\v 41 Mosesy sy Arona dia nanisa ireo fokon'ny taranak'i Gersona izay hanompo ao amin'ny trano-layfihaonana. Tamin'ny fanaovana izany, dia nankatoa izay nodidian'i Yaveh ho ataon'izy ireo amin'ny talalan'i Mosesy izy ireo.
\s5
\v 42 Ireo taranak'i Merary dia nisaina tao amin'ny fokon'izy ireo araka ny ankohonan'ny razamben'izy ireo,
\v 43 manomboka amin'ny telopolo ka hatramin'ny dimampolo taona, izay rehetra hiditra ao amin'ny antoko mba hanompo ao amin'ny trano-lay fihaonana.
\v 44 Ny olona rehetra, dia nisaina araka ny fokon'izy ireo sy ny ankohonan'ny razamben'izy ireo avy, 3. 200 isa.
\s5
\v 45 Nanisa ireo olona rehetra ireo i Arona sy Mosesy, dia ireo taranak'i Merary. Tamin'ny fanaovana izany, dia nankatoa izay nodidian'i Yaveh ho ataon'izy ireo tamin'ny alalan'i Mosesy izy ireo.
\s5
\v 46 Koa nanisa ireo Levita rehetra araka ny fokon'izy ireo tao amin'ny fianakavian'ny razambeny
\v 47 nanomboka tamin'ny telopolo ka hatramin'ny dimampolo taona i Mosesy, Arona, ary ireo mpitarik'Israely. Nisain'izy ireo izay rehetra hiasa ao amin'ny tabernakely, sy izay hitondra ary hikarakara ireo fanaka ao amin'ny trano-lay fihaonana.
\v 48 Olona 8. 580 no voaisan'izy ireo.
\s5
\v 49 Araka ny didin'i Yaveh, dia nanisa ny olona tsirairay i Mosesy, araka ny karazan'asa izay nanendrena azy avy. Nanisa ny olona tsirairay araka ny karazan'andraikitra nosahaniny avy izy. Tamin'ny fanaovana izany, dia nankatoa izay nodidian'i Yaveh ho ataon'izy ireo tamin'ny alalan'i Mosesy izy ireo.
\s5
\c 5
\p
\v 1 Yaveh niresaka tamin'i Mosesy. Hoy Izy hoe:
\v 2 "Didio ny vahoakan'Israely mba handroaka ny rehetra misy aretin-koditra hiala ao amin'ny toby, ary izay rehetra misy fery mitsika, ary izay rehetra maloto tamin'ny fikasihana faty.
\v 3 Na lehilahy na vehivavy, dia aoka halefanao hiala ao amin'ny toby izy ireo. Aoka tsy handoto ny toby izy ireo, satria ao no mitoetra Aho."
\v 4 Dia nanao izany ny vahoakan'Israely. Dia nalefan'izy ireo hiala tao amin'ny toby izy ireo, araka ny nandidian'i Yaveh an'i Mosesy. Dia nankatoa an'i Yaveh ny vahoakan'ny Israely.
\s5
\v 5 Niresaka tamin'i Mosesy indray Yaveh. Hoy Izy:
\v 6 "Miresaha amin'ny vahoakan'Israely. Rehefa manao fahotana ny lehilahy na ny vehivavy tahaka ny ifanaovan'ny olona, ary tsy mahatoky amiko, dia meloka izany olona izany.
\v 7 Ary tsy maintsy miaiky ny fahotana izay efa vitany izy. Tsy maintsy honerany tanteraka ny vidin-kelony ary hanampy ny avo dimy heny amin'ny vidiny. Tsy maintsy hanome izany amin'iray izay nanaovany ny tsy mety izy.
\s5
\v 8 Fa raha tsy manana havana hakaiky mba handray ny onitra ilay niharan'ny tsy mety, dia tsy maintsy honerany amiko amin'ny alalan'ny mpisorona ny vidin-kelony, miaraka amin'ny ondry iray ho fanavotana ny tenany.
\v 9 Ny fanatitry ny vahoakan'Israely rehetra, ireo zavatra izay natokana sy nentina tany amin'ny mpisorona avy amin'ny vahoakan'Israely, dia ho azy avokoa.
\v 10 Ireo fanatitry ny olona rehetra dia ho an'ny mpisorona; raha misy manome zavatra ho an'ny mpisorona, dia ho azy izany."
\s5
\v 11 Dia niresaka tamin'i Mosesy indray i Yaveh. Hoy Izy:
\v 12 "Miresaha amin'ny voahoakan'Israely. Lazao izy ireo hoe: 'Raiso hoe mivadika ny vadin-dralehilahy ary manota amin'ny vadiny.
\s5
\v 13 Ary raiso hoe misy lehilahy hafa miara-mandry aminy. Amin'izany, dia voaloto izy. Na dia tsy hitan'ny vadiny aza izany na fatany ny momba izany, ary na dia tsy misy na iray aza mahatratra azy eo am-panaovana izany ary tsy misy na iray aza mijoro vavolombelona miampanga azy,
\v 14 na dia izany aza, ny fanahin'ny hasarotam-piaro dia mampahafantatra hatrany amin'ny lahy fa voaloto ny vadiny. Kanefa, ny fanahin'ny hasarotam-piaro dia ho avy handainga amin'ilay lehilahy rehefa tsy voaloto ny vadiny.
\s5
\v 15 Amin'ny tranga tahaka izany, ilay lehilahy dia tokony hitondra ny vadiny ho any amin'ny mpisorona. Tsy maintsy mitondra fanatitra sotroina ho azy ny vadiny. Tsy maintsy hitondra kobam-bary ampahafolon'ny efaha izy. Tsy mahazo mandraraka menaka na ditin-kazo manitra amin'izany izy satria fanatitra varin'ny hasarotam-piaro izany, fanatitra hohanina ho famantarana ny mety ho fisian'ny fahotana.
\s5
\v 16 Aoka hitondra azy akaiky ary hametraka azy eo anatrehan'i Yaveh ny mpisorona.
\v 17 Aoka haka ny sinin-drano voahasina ary haka vovoka avy amin'ny tanin'ny tabernakely ny mpisorona. Aoka hanisy ny vovoka ao anatin'ilay rano izy.
\s5
\v 18 Ny mpisorona hametraka ilay vehivavy eo anatrehan'Andriamanitra ary hamaha ny volo eo an-dohan'ilay vehivavy. Hapetany eo amin'ny tanany ny fanatitra voa fahatsiarovana, izay fanatitra voan'ny ahiahy. Hitazona mafy ny rano mangidy izay mety hitondra ozona amin'ny tanany ny mpisorona.
\v 19 Hametraka ilay vehivavy ho ambanin'ny fianianana ny mpisorona ary hilaza aminy hoe: "Raha mbola tsy nisy lehilahy hafa nanao firaisana ara-nofo taminao, ary raha tsy naniasia sy nanao fahalotoana, dia afaka amin'ity rano mangidy izay mety hitondra ozona ity.
\s5
\v 20 Fa raha ianao, izay vehivavy voafatotry ny vadiny, no efa naniasia, ary raha voaloto ianao, ary raha nisy lehilahy hafa niara-nandry taminao,
\v 21 dia, (tsy maintsy ny mpisorona no mampanao fianianana izay afaka mitondra ny ozona aminy amin'ilay vehivavy, ary dia tsy maintsy hanoy resaka amin'ilay vehivavy izy) 'Yaveh hanao anao anaty ozona izay haseho amin'ny vahoakanao ho toy izany. Dia hitranga izany raha ataon'i Yaveh mihalò ny fenao ary mivonto ny kibonao.
\v 22 Ity rano izay mitondra ozona ity dia hiditra ao amin'ny vavoninao ary hampivonto ny kibonao ary harary ireo fenao.' Dia aoka hamaly ravehivavy hoe: "Eny, avelao hiseho izany raha meloka aho.'
\s5
\v 23 Aoka hanoratra ireto ozona ireto ao amin'ny horonan-taratasy ny mpisorona, ary aoka hodioviny ao amin'ny rano mangidy ireo ozona voasoratra.
\s5
\v 24 Aoka hampisotro ny rano mangidy izay mitondra ozona ho an'ny vehivavy ny mpisorona. Ilay rano izay mitondra ozona dia hiditra ao aminy ary hanjary hangidy.
\v 25 Aoka hanala fanatitra voan'ny hasarotam-piaro amin'ny tanan'ny vehivavy izy. Aoka hitazona ny fanatitra voa eo anatrehan'i Yaveh ary hitondra izany eo amin'ny alitara izy.
\v 26 Aoka haka fanatitra voa eran'ny tanana ho fanatitra fanehoana ny mpisorona, ary handoro izany eo amin'ny alitara. Dia aoka homeny ny vehivavy ny rano tena mangidy mba hosotroina.
\s5
\v 27 Rehefa omeny azy ny rano ho sotroina, raha voaloto satria efa nanota tamin'ny vadiny izy, dia hiditra aminy ny rano izay mitondra ozona ary lasa hangidy. Hivonto ny kibony ary harary ny feny. Ho voaozona eo amin'ny olony ilay vehivavy.
\v 28 Fa raha tsy voaloto kosa ilay vehivavy ary raha madio izy, dia tsy maintsy ho afahana. Ary afaka hanana anaka izy.
\s5
\v 29 Izany no lalàn'ny hasarotam-piaro. Izany no lalàna ho an'ny vehivavy izay mania amin'ny vadiny ary voaloto.
\v 30 Izany no lalàna ho an'ny lehilahy manana ny fanahin'ny hasarotam-piaro rehefa saro-piaro amin'ny vadiny izy. Aoka izy hitondra ny vehivavy eo anatrehan'i Yaveh, ary aoka ny mpisorona hanao aminy izay rehetra voafaritr'io lalànan'ny hasarotam-piaro io.
\s5
\v 31 Ary dia ho afaka amin'ny fahamelohana ny amin'ny fitondrana ny vadiny teo amin'ny mpisorona ny lehilahy. Aoka hitondra ny heloka izay mety hananany ilay vehivavy."
\s5
\c 6
\p
\v 1 Yaveh niteny tamin'i Mosesy. Hoy Izy hoe:
\v 2 "Mitenena amin'ny vahoakan'i Israely. Lazao amin'izy ireo hoe: 'Raha misy lehilahy na vehivavy mitokan-tena ho an'i Yaveh amin'ny voady manokan'ny Nazirita,
\v 3 dia aoka hifady divay na zava-pisotro mahery izy. Aoka tsy hisotro vinaingitra natao tamin'ny divay na tamin'ny zava-pisotro mahery izy. Aoka tsy hisotro ranom-boaloboka izy na hihinana voaloboka tsara na voaloboka maina.
\v 4 Amin'ny andro rehetra izay hitokanany ho Ahy, dia aoka tsy hihinana na inona na inona izay vita amin'ny voaloboka izy, anisan'izany ny zavatra rehetra vita hatramin'ny voany ka hatramin'ny hodiny.
\s5
\v 5 Mandritra ny fotoan'ny voadim-pitokanany rehetra, dia tsy hisy hareza hampiasaina amin'ny lohany mandra-pahatapitry ny andron'ny fitokanany ho an'i Yaveh. Aoka hatokana ho an'i Yaveh izy. Aoka hamela ny volony hihalava amin'ny lohany izy.
\s5
\v 6 Mandritra ny fotoana rehetra izay hitokanany ho an'i Yaveh, dia aoka tsy hanakaiky faty izy.
\v 7 Aoka tsy handoto ny tenany izy eny fa na dia ho an'ny rainy, reniny, rahalahiny, na anabaviny aza, raha maty ireo. Izany dia satria efa nitokana ho an'Andriamanitra izy, izay hitan'ny olona amin'ny halavan'ny volony.
\v 8 Mandritra ny fotoan'ny fitokanany rehetra dia masina izy, voatokana ho an'i Yaveh.
\s5
\v 9 Raha misy olona maty tampoka eo akaikiny ka mandoto ny lohany voamasina, dia aoka hanaratra ny lohany izy amin'ny andron'ny fanadiovana azy—amin'ny andro fahafito no tsy maintsy hanaratany izany.
\s5
\v 10 Amin'ny andro fahavalo dia aoka hitondra voromailala roa na zana-boromailala roa ho an'ny mpisorona eo amin'ny fidirana mankao amin'ny trano-lay fihaonana izy.
\v 11 Aoka hanolotra vorona iray ho fanatitra nohon'ny ota ary iray hafa ho fanatitra dorana ny mpisorona. Ireo dia hanonitra azy satria nanota tamin'ny naha-teo akaikin'ny faty azy izy. Aoka hanamasina ny lohany indray izy amin'izany andro izany.
\s5
\v 12 Aoka hanoka-tena ho an'i Yaveh mandritra ny andron'ny fanamasinana azy izy. Aoka hitondra zanak'ondry lahy herintaona ho fanatitra noho ny heloka izy. Ny andro nialohan'ny nandotoany ny tenany dia aoka tsy hisaina, satria nolotoina ny fahamasinany.
\s5
\v 13 Izany no lalàna momba ny Nazirita rehefa feno ny fotoan'ny fitokanany. Aoka ho entina eo amin'ny fidirana mankao amin'ny trano-lay fihaonana izy.
\v 14 Aoka hanolotra ny fanatiny ho an'i Yaveh izy. Aoka hanolotra zanak'ondry lahy herintaona sady tsy misy kilema ho fanatitra dorana izy. Aoka hanolotra zanak'ondry vavy herintaona sady tsy misy kilema ho fanatitra noho ny ota izy. Aoka hitondra ondrilahy izay tsy misy kilema ho fanati-pihavanana izy.
\v 15 Aoka hitondra mofo tsy misy lalivay eran'ny harona, mofo vita amin'ny kobam-bary tsara toto miharo menaka, mofo manify tsy misy lalivay natsoboka tao amin'ny menaka, miaraka amin'ny fanatitra hohanina sy fanatitra sotroina ihany koa izy.
\s5
\v 16 Aoka hanolotra ireo eo anatrehan'i Yaveh ny mpisorona. Aoka hanolotra ny fanatitra noho ny otany sy ny fanatitra dorany izy.
\v 17 Miaraka amin'ny mofo tsy misy masirasira eran'ny harona, no aoka hanolorany ny ondrilahy ho sorona, dia ny fanati-pihavanana ho an'i Yaveh. Aoka hanolotra ny fanatitra hohanina sy ny fanatitra sotroina ihany koa ny mpisorona.
\s5
\v 18 Aoka hanaratra ny lohany ilay Nazirita ho fanehoana ny fitokanany ho an'Andriamanitra eo amin'ny fidirana mankao amin'ny trano-lay fihaonana. Aoka haka ny volo eo an-dohany izy ka handefa izany ao anaty afo izay ao ambanin'ny sorona ho fanati-pihavanana.
\s5
\v 19 Aoka haka ny soroky ny ondrilahy mangotraka, singa-mofo tsy misy lalivay ao amin'ny harona, ary mofo manify tsy misy lalivay iray ny mpisorona. Aoka hametraka ireo eo an-tanan'ilay Nazirita izy rehefa avy nanaratra ny lohany hanehoana ny fitokanany izy.
\v 20 Ny mpisorona dia aoka hanevaheva ireo ho fanatitra eo anatrehan'i Yaveh, anjara masin'ny mpisorona, miaraka amin'ny tratra izay nahevaheva sy ny fe izay natolotra ho an'ny mpisorona. Aorian'izay, dia afaka misotro divay ilay Nazirita.
\s5
\v 21 Izany no lalàna ho an'ny Nazirita izay mivoady hitondra ny fanatiny ho an'i Yaveh ho an'ny fitokanany. Na inona na inona mety omeny, dia aoka hitandrina ireo adidin'ny voady nataony izy, mba hitàna ny fampanantenana lazain'ny lalàna ho an'ny Nazirita.'"
\s5
\v 22 Niteny tamin'i Mosesy indray Yaveh. Hoy Izy:
\v 23 "Mitenena amin'i Arona sy ireo zanany lahy. Lazao hoe: 'Tsofinareo rano amin'izao fomba izao ny vahoakan'i Israely. Lazaonao amin'izy ireo hoe:
\v 24 "Hitahy anao sy hiaro anao anie Yaveh.
\s5
\v 25 Hampamirapiratra ny tavany aminao sy hamindra fo aminao anie Yaveh.
\v 26 Hijery anao amim-pankasitrahana sy hanome fiadanana anao anie Yaveh.'"
\v 27 Amin'izany fomba izany no tsy maintsy hametrahan'izy ireo ny anarako eo amin'ny vahoakan'ny Israely. Dia hitahy azy ireo Aho."
\s5
\c 7
\p
\v 1 Tamin'ny andro nahavitan'i Mosesy ny tabernakely, dia nosorany izany ary natokany ho an'i Yaveh, niaraka tamin'ny fanaka rehetra. Nataony toy izany koa ny alitara sy ny fanaka rehetra. Nosorany izany ary natokany ho an'i Yaveh.
\v 2 Tamin'izany andro izany dia nanolotra sorona ireo mpitarik'Israely, sy ireo lohan'ny fianakavian'ny razambeny. Ireo lehilahy ireo no nitarika ny foko. Izy ireo no nanara-maso ny fanisana ny olona tamin'ny fanisam-bahoaka.
\v 3 Nentin'izy ireo teo anatrehan'i Yaveh ny fanatitr'izy ireo. Nitondra sarety misarona enina sy omby roa ambin'ny folo izy ireo, ary ny mpitarika tsirairay dia nitondra omby iray. Nitondra sarety iray isaky ny mpitarika roa avy izy ireo, ary ny mpitarika tsirairay dia nitondra omby iray avy. Naterin'izy ireo teo anatrehan'ny tabernakely ireo zavatra rehetra ireo.
\s5
\v 4 Dia niresaka tamin'i Mosesy i Yaveh. Hoy Izy hoe:
\v 5 "Ekeo ny fanatitra avy amin'izy ireo ary ampiasao ho amin'ny asa ao amin'ny trano-lay fihaonana ny fanatitra. Omeo an'ireo Levita ireo fanatitra, dia amin'ny tsirairay araka ny ilain'izy ireo amin'ny asany avy."
\s5
\v 6 Nalain'i Mosesy ireo sarety sy ireo omby, ary nomeny an'ireo Levita.
\v 7 Nanome sarety roa sy omby efatra ho an'ny taranak'i Gersona izy, nohon'ny filan'izy ireo amin'ny asany.
\v 8 Nanome sarety efatra sy omby valo ho an'ny taranak'i Merary izy, ho eo amin'ny fiahian'i Itamara zanak'i Arona mpisorona. Nataony izany noho izay notakian'ny asan'izy ireo.
\s5
\v 9 Fa tsy nanome na inona na inona tamin'ireo zavatra ireo ho an'ny taranak'i Kehata izy, satria ny azy ireo dia asa mifandraika amin'ny zavatra izay an'i Yaveh izay ho lanjainy eo an-tsorony.
\s5
\v 10 Nanolotra ireo fanomezany ireo mpitarika mba ho an'ny fanokanana ny alitara tamin'ny andro izay nanosoran'i Mosesy ny alitara. Nanolotra ny sorony teo anoloan'ny alitara ireo mpitarika.
\v 11 Hoy Yaveh tamin'i Mosesy hoe: "Aoka ny mpitarika tsirairay hanolotra ny sorony amin'ny androny avy ho an'ny fanokanana ny alitara."
\s5
\v 12 Tamin'ny andro voalohany, dia Nasona zanak'i Aminadaba, avy amin'ny fokon'i Joda, no nanolotra ny sorony.
\v 13 Ny sorony dia lovia volafosty iray milanja sekely 130 sy lovia jobo iray milanja sekely fitopolo, araka ny sandan'ny lanjan'ny sekelin'ny toerana masina. Ireo zavatra ireo dia samy feno divay sy lafarina tsara toto miharo menaka hatao fanatitra hohanina.
\v 14 Nanome lovia volamena iray milanja sekely folo sady feno ditin-kazo manitra izy.
\s5
\v 15 Nanome vantotr'ombilahy iray, ondry iray, ary zanak'ondry lahy herintaona, ho fanatitra dorana izy.
\v 16 Nanome osilahy ho fanatitra nohon'ny ota izy.
\v 17 Nanome omby roa, ondry dimy, osilahy dimy, ary zanak'ondry lahy dimy izay herintaona, ho sorona hatao fanati-pihavanana izy. Izany no soron'i Nasona zanak'i Aminadaba.
\s5
\v 18 Tamin'ny andro faharoa, Netanela zanak'i Zoara, mpitarik'i Isakara, no nanolotra ny sorony.
\v 19 Nanolotra lovia volafotsy milanja sekely 130 sy lovia jobo milanja sekely fitopolo izy ho sorony, araka ny sandan'ny lanjan'ny sekelin'ny toerana masina. Samy feno lafarina tsara toto miharo menaka ho fanatitra hohanina ireo zavatra ireo.
\s5
\v 20 Nanome lovia volamena milanja sekely folo, feno ditin-kazo manitra ihany koa izy.
\v 21 Nanome vantotr'ombilahy iray, ondry iray, ary zanak'ondry lahy herintaona, ho fanatitra dorana ihany koa izy.
\v 22 Nanome osilahy iray ho fanatitra nohon'ny ota izy.
\v 23 Nanome omby roa, ondry dimy, osilahy dimy, ary zanak'ondry lahy izay herintaona, ho sorona hatao fanati-pihavanana izy. Izany no soron'i Netanela zanak'i Zora.
\s5
\v 24 Tamin'ny andro fahatelo, Eliaba zanak'i Helona, mpitarika ireo taranak'i Zebolona, no nanolotra sorona.
\v 25 Ny sorony dia lovia volafotsy iray milanja sekely 130, ary lovia jobo iray milanja sekely fitopolo araka ny sandan'ny lanjan'ny sekelin'ny toerana masina. Samy feno lafarina tsara toto miharo menaka ho an'ny fanatitra hohanina ireo zavatra ireo.
\v 26 Nanome lovia volamena milanja sekely folo, feno ditin-kazo manitra ihany koa izy.
\s5
\v 27 Nanome vantotr'ombilahy iray, ondry iray, ary zanak'ondry lahy herintaona ho fanatitra dorana izy.
\v 28 Nanome osilahy iray ho fanatitra nohon'ny ota izy.
\v 29 Nanome omby roa, ondry dimy, osilahy dimy, ary zanak'ondry lahy dimy izay herintaona, ho sorona ho an'ny fanati-pihavanana izy. Izany no soron'i Eliaba zanak'i Helona.
\s5
\v 30 Tamin'ny andro fahefatra, Elizora zanak'i Sedeora, mpitarika ireo taranak'i Robena, no nanolotra ny sorony.
\v 31 Ny sorony dia lovia volafotsy milanja sekely 130 sy lovia jobo iray milanja sekely fitopolo, araka ny sandan'ny lanjan'ny sekelin'ny toerana masina. Samy feno lafarina tsara toto miharo menaka ho fanatitra hohanina ireo zavatra ireo.
\v 32 Nanome lovia volamena iray milanja sekely folo, feno ditin-kazo manitra ihany koa izy.
\s5
\v 33 Nanome vantotr'ombilahy iray, ondy iray, ary zanak'ondry lahy herintaona ho fanatitra dorana izy.
\v 34 Nanome osilahy ho fanatitra nohon'ny ota izy.
\v 35 Nanome omby roa, ondry dimy, osilahy dimy, ary zanak'ondry lahy dimy izay herintaona, ho sorona ho an'ny fanati-pihavanana izy. Izany no soron'i Elizora zanak'i Sedora.
\s5
\v 36 Tamin'ny andro fahadimy, Selomiela zanak'i Zorisaday, mpitarika ny taranak'i Simeona, no nanolotra ny sorony.
\v 37 Ny sorony dia lovia volafotsy milanja sekely 130 sy lovia jobo milanja sekely fitopolo, araka ny sandan'ny lanjan'ny sekelin'ny toerana masina. Samy feno lafarina tsara toto miharo menaka ho fanatitra hohanina ireo zavatra ireo.
\v 38 Nanome lovia volamena milanja sekely folo, feno ditin-kazo manitra ihany koa izy.
\s5
\v 39 Nanome vantotr'ombilahy iray, ondry iray, ary zanak'ondry lahy herintaona ho fanatitra dorana izy.
\v 40 Nanome osilahy iray ho fanatitra nohon'ny ota izy.
\v 41 Nanome omby roa, ondry dimy, osilahy dimy, ary zanak'ondry lahy izay herintaona, ho sorona ho an'ny fanati-pihavanana izy. Izany no soron'i Selomiela zanak'i Zorisaday.
\s5
\v 42 Tamin'ny andro fahenina, Eliasafa zanak'i Doela, mpitaraka ny taranak'i Gada, no nanolotra ny sorony.
\v 43 Ny sorony dia lovia volafotsy iray milanja sekely 130 sy lovia jobo iray milanja sekely fitopolo, araka ny sandan'ny lanjan'ny sekelin'ny toerana masina. Samy feno lafarina tsara toto miharo menaka ho fanatitra hohanina ireo zavatra ireo.
\v 44 Nanome lovia volamena iray milanja sekely folo, feno ditin-kazo manitra ihany koa izy.
\s5
\v 45 Nanome vantotr'ombilahy iray, ondry iray, ary zanak'ondry lahy herintaona ho fanatitra dorana izy.
\v 46 Nanome osilahy iray ho fanatitra nohon'ny ota izy.
\v 47 Nanome omby roa, ondry dimy, osilahy dimy, ary zanak'ondry lahy izay herintaona, ho sorona ho an'ny fanati-pihavanana izy. Izany no soron'i Eliasafa zanak'i Doela.
\s5
\v 48 Tamin'ny andro fahafito, Elisama zanak'i Amihoda, mpitarika ny taranak'i Efraima, no nanolotra ny sorony.
\v 49 Ny sorony dia lovia volafotsy irsekely ay milanja 130 sy lovia jobo iray milanja sekely fitopolo, araka ny sandan'ny lanjan'ny sekelin'ny toerana masina. Samy feno lafarina tsara toto miharo menaka ho fanatitra hohanina ireo zavatra ireo.
\v 50 Nanome lovia volamena milanja sekely folo, feno ditin-kazo manitra ihany koa izy.
\s5
\v 51 Nanome vantotr'ombilahy iray, ondry iray, ary zanak'ondry lahy herintaona ho fanatitra dorana izy.
\v 52 Nanome osilahy iray ho fanatitra nohon'ny ota izy.
\v 53 Nanome omby roa, ondry dimy, osilahy dimy, ary zanak'ondry lahy izay herintaona, ho sorona ho an'ny fanati-pihavanana izy. Izany no soron'i Elisama zanak'i Amihoda.
\s5
\v 54 Tamin'ny andro fahavalo, Gamaliela zanak'i Pedazora, mpitarika ny taranak'i Manase, no nanolotra ny sorony.
\v 55 Ny sorony dia lovia volafotsy milanja sekely 130 sy lovia jobo milanja sekely topolo, araka ny sandan'ny lanjan'ny sekelin'ny toerana masina. Samy feno lafarina tsara miharo menaka ho fanatitra hohanina ireo zavatra ireo.
\v 56 Nanome lovia volamena milanja sekely folo, feno ditin-kazo manitra ihany koa izy.
\s5
\v 57 Nanome vantotr'ombilahy iray, ondry iray, ary zanak'ondry lahy herintaona ho fanatitra dorana izy.
\v 58 Nanome osilahy iray ho fanatitra nohon'ny ota izy.
\v 59 Nanome omby roa, ondry dimy, osilahy dimy, ary zanak'ondry lahy izay herintaona, ho sorona ho an'ny fanati-pihavanana izy. Izany no soron'i Gamaliela zanak'i Pedazora.
\s5
\v 60 Tamin'ny andro fahasivy, Abidana zanak'i Gideony, mpitarika ny taranak'i Benjamina, no nanolotra ny sorony.
\v 61 Ny sorony dia lovia volafotsy milanja sekely 130 sy lovia jobo milanja sekely fitopolo, araka ny sandan'ny lanjan'ny sekelin'ny toerana masina. Samy feno lafarina tsara toto miharo menaka ho fanatitra hohanina ireo zavatra ireo.
\v 62 Nanome lovia volamena milanja sekely folo, feno ditin-kazo manitra ihany koa izy.
\s5
\v 63 Nanome vantotr'ombilahy iray, ondry iray, ary zanak'ondry lahy herintaona ho fanatitra dorana izy.
\v 64 Nanome osilahy iray ho fanatitra nohon'ny ota izy.
\v 65 Nanome omby roa, ondry dimy, osilahy dimy, ary zanak'ondry lahy izay herintaona, ho sorona ho an'ny fanati-pihavanana izy. Izany no soron'i Abidana zanak'i Gideony.
\s5
\v 66 Tamin'ny andro fahafolo, Ahiezera zanak'i Amisaday, mpitarika ny taranak'i Dana, no nanolotra ny sorony.
\v 67 Ny sorony dia lovia volafotsy milanja sekely 130 sy lovia jobo milanja sekely fitopolo, araka ny sandan'ny lanjan'ny sekelin'ny toerana masina. Samy feno lafarina tsara toto miharo menaka ho fanatitra hohanina ireo zavatra ireo.
\v 68 Nanome lovia volamena milanja sekely folo, feno ditin-kazo manitra ihany koa izy.
\s5
\v 69 Nanome vantotr'ombilahy iray, ondry iray, ary zanak'ondry lahy herintaona ho fanatitra dorana izy.
\v 70 Nanome osilahy iray ho fanatitra nohon'ny ota izy.
\v 71 Nanome omby roa, ondry dimy, osilahy dimy, ary zanak'ondry lahy izay herintaona, ho sorona ho an'ny fanati-pihavanana izy. Izany no soron'i Ahiezera zanak'i Amisaday.
\s5
\v 72 Tamin'ny andro fahiraika ambin'ny folo, Pagiela zanak'i Okrana, mpitarika ny taranak'i Asera, no nanolotra ny sorony.
\v 73 Ny sorony dia lovia volafotsy milanja sekely 130 sy lovia jobo milanja sekely fitopol, araka ny sandan'ny lanjan'ny sekelin'ny toerana masina. Samy feno lafarina tsara toto miharo menaka ho fanatitra hohanina ireo zavatra ireo.
\v 74 Nanome lovia volamena milanja sekely folo, feno ditin-kazo manitra ihany koa izy.
\s5
\v 75 Nanome vantotr'ombilahy iray, ondry iray, ary zanak'ondry lahy herintaona ho fanatitra dorana izy.
\v 76 Nanome osilahy iray ho fanatitra nohon'ny ota izy.
\v 77 Nanome omby roa, ondry dimy, osilahy dimy, ary zanak'ondry lahy izay herintaona, ho sorona ho an'ny fanati-pihavanana izy. Izany no soron'i Pagiela zanak'i Okrana.
\s5
\v 78 Tamin'ny andro faharoa ambin'ny folo, Ahira zanak'i Enana, mpitarika ny taranak'i Naftaly, no nanolotra ny sorony.
\v 79 Ny sorony dia lovia volafotsy milanja sekely 130 sy lovia jobo milanja sekely fitopolo, araka ny sandan'ny lanjan'ny sekelin'ny toerana masina. Samy feno lafarina tsara toto miharo menaka ho fanatitra hohanina ireo zavatra ireo.
\v 80 Nanome lovia volamena milanja sekely folo, feno ditin-kazo manitra ihany koa izy.
\s5
\v 81 Nanome vantotr'ombilahy iray, ondry iray, ary zanak'ondry lahy herintaona ho fanatitra dorana izy.
\v 82 Nanome osilahy iray ho fanatitra nohon'ny ota izy.
\v 83 Nanome omby roa, ondry dimy, osilahy dimy, ary zanak'ondry lahy izay herintaona, ho sorona ho an'ny fanati-pihavanana izy. Izany no soron'i Ahira zanak'i Enana.
\s5
\v 84 Natokan'ireo mpitarika ny Israely tamin'ny andro nanosoran'i Mosesy ny alitara ireo zavatra ireo. Natokan'izy ireo ny lovia volafotsy roa ambin'ny folo, ireo lovia jobo roa ambin'ny folo, ary ireo lovia volamena roa ambin'ny folo.
\v 85 Ny lovia volafotsy tsirairay dia samy nilanja sekely 130 avy ary ny lovia jobo dia nilanja sekely fitopolo avy. Ireo fanaka volafosty rehetra dia nilanja sekely 2. 400, araka ny sandan'ny lanjan'ny sekelin'ny toerana masina.
\v 86 Ny tsirairay amin'ireo lovia volamena roa ambin'ny folo, feno ditin-kazo manitra, dia nilanja sekely folo araka ny sandan'ny lanjan'ny sekelin'ny toerana masina. Ny lovia volamena rehetra dia nilanja sekely 120.
\s5
\v 87 Natokan'izy ireo avokoa ireo biby ho fanatitra dorana, dia ombilahy roa ambin'ny folo, ondry roa ambin'ny folo, ary zanak'ondry lahy herintaona roa ambin'ny folo. Nomen'izy ireo ny fanatitra hohaniny. Nanome osilahy roa ambin'ny folo ho fanatitra nohon'ny ota izy ireo.
\v 88 Nanome ombilahy efatra amby roapolo, ondry enimpolo, osilahy enimpolo, ary zanak'ondry lahy herintaona enimpolo avy tamin'ny biby fiompiny izy ireo, ho sorona ho an'ny fanati-pihavanana. Izany dia ho an'ny fanokanana ny alitara taorian'ny nanosorana azy.
\s5
\v 89 Rehefa niditra tao amin'ny trano-lay fihaonana mba hiresaka tamin'i Yaveh i Mosesy, dia nandre ny feony niteny taminy izy. Niteny taminy avy teo ambonin'ny saronam-panavotana teo amin'ny fiaran'ny vavolombelona, avy teo anelanelan'ny kerobima anankiroa Yaveh. Niresaka taminy Izy.
\s5
\c 8
\p
\v 1 Yaveh niresaka tamin'i Mosesy. Hoy Izy hoe:
\v 2 "Miresaha amin'i Arona. Teneno aminy hoe: 'Tokony hanome hazavana eo anoloan'ny fitoeran-jiro ireo jiro fito rehefa mampirehitra ireo ianao.'"
\s5
\v 3 Nanao izany Arona. Nampirehitra ny jiro teo amin'ny fitoeran-jiro izy mba hanome hazavana eo anoloan'izany, araka ny efa nandidian'i Yaveh an'i Mosesy.
\v 4 Tamin'izany fomba izany no nanaovana ny fitoeran-jiro ary Yaveh nampiseho an'i Mosesy ny lamina ho amin'izany. Izany dia volamena voatefy hatrany amin'ny fotony ka hatrany amin'ny tampony, niaraka tamin'ny vazy voasa tahaka ny voninkazo.
\s5
\v 5 Niresaka tamin'i Mosesy indray Yaveh. Hoy Izy hoe:
\v 6 "Alaivo avy eo amin'ireo vahoakan'Israely ny Levita ary diovy izy ireo.
\s5
\v 7 Ataovy amin'izy ireo izao mba hanadiovana azy ireo: Afafazo eo amin'izy ireo ny ranon'ny fanavotana. Asaivo manaratra ny vatany manontolo, manasa ny fitafiany izy ireo, ary amin'izany fomba izany no hanadiovana ny tenan'izy ireo.
\v 8 Ary asaivo maka vantotr'ombilahy sy fanatitra voa miaraka amin'ny koba tsara toto mifangaro menaka izy ireo. Aoka izy ireo haka vantotr'ombilahy iray hafa ho fanatitra nohon'ny ota.
\s5
\v 9 Hitondra ireo Levita eo alohan'ny trano-lay fihaonana sy hamory ny vondron'ny vahoakan'Israely rehetra ianao.
\v 10 Rehefa mitondra ireo Levita eo anoloan'i Yaveh ianao, dia tsy maintsy mametraka ny tanany eo amin'ireo Levita ny vahoakan'Israely.
\v 11 Tsy maintsy atolotr'i Arona eo anatrehan'i Yaveh ireo Levita, toy ny fanatitra ahevaheva avy amin'ny vahoakan'Israely mba hahafahan'izy ireo manao ny fanompoana an'i Yaveh.
\s5
\v 12 Tsy maintsy apetrak'ireo Levita eo amin'ny lohan'ireo omby ny tanany. Tsy maintsy manolotra omby iray ho an'ny fanatitra nohon'ny ota ary omby hafa ho an'ny fanatitra dorana ho Ahy ianao, mba hanonerana ho an'ireo Levita.
\v 13 Asehoy eo anoloan'i Arona sy eo anoloan'ny zanany lahy ireo Levita ary asandrato ho fanatitra ahevaheva ho Ahy.
\s5
\v 14 Amin'io fomba io no tsy maintsy hanasarahanao ireo Levita amin'ny vahoakan'ny Israely. Ho Ahy ireo Levita.
\v 15 Manaraka izany, tsy maintsy mandeha manompo ao an-trano lain'ny fihaonana ireo Levita. Tsy maintsy manadio azy ireo ianao. Tsy maintsy atolotrao toy ny fanatitra ahevaheva izy ireo.
\s5
\v 16 Ataovy izany, satria izy ireo dia Ahy tanteraka izay avy eo amin'ny vahoakan'Israely. Handray ny toeran'ny ankizy lahy tsirairay avy izay hateraka voalohany izy ireo, dia ny lahimatoan'ny taranak'Israely rehetra. Efa naka ireo Levita ho an'ny tenako Aho.
\v 17 Ahy ny lahimatoa avy ao amin'ny vahoakan'Israely rehetra, mbamin'ny olona sy ny biby. Tamin'ny andro izay nakako ny ain'ny lahimatoa rehetra tao amin'ny tany Egypta, dia nanokana azy ireo ho Ahy Aho.
\s5
\v 18 Efa naka ireo Levita avy teo amin'ny vahoakan'Israely ho solon'ny lahimatoa rehetra Aho.
\v 19 Efa nanome ireo Levita ho fanomezana ho an'i Arona sy ireo zanany lahy Aho. Efa naka azy ireo avy teo amin'ny vahoakan'Israely mba hanao ny asan'ny vahoakan'Israely ao amin'ny trano-lay fihaonana Aho. Efa nanome azy ireo ho fanavotana ho an'ny vahoakan'Israely Aho mba tsy hisy areti-mandringana hamely ny vahoaka raha vao manakaiky ny toerana masina izy ireo."
\s5
\v 20 Mosesy, Arona, ary ny vondron'ny vahoakan'Israely manontolo nanao izany tamin'ireo Levita. Nanatanteraka ireo zavatra rehetra nandidian'i Yaveh an'i Mosesy ny amin'ireo Levita izy ireo. Nanao izany niaraka tamin'izy ireo ny vahoakan'Israely.
\v 21 Nanadio ny tenany sy nanasa ny fitafiny ireo Levita, ary Arona nanolotra azy ireo ho fanatitra ahevaheva ho an'i Yaveh sy nanao fanavotana ho azy ireo mba hanadiovana azy ireo.
\s5
\v 22 Manaraka izany, nandeha nanao ny fanompoana tao amin'ny trano-lay fihaonana manoloana an'i Arona sy ny zanaka lahin'i Arona ireo Levita. Tahaka izany no nandidian'i Yaveh an'i Mosesy mahakasika ireo Levita. Izany no fomba nitondrany ireo Levita rehetra.
\s5
\v 23 Niresaka tamin'i Mosesy indray Yaveh. Hoy Izy hoe:
\v 24 "Izao rehetra izao dia ho an'ny Levita izay dimy amby roapolo taona no ho mihoatra. Tsy maintsy miaraka amin'ny mpanompo mba hanompo ao amin'ny trano-lay fihaonana izy ireo.
\s5
\v 25 Tsy maintsy mitsahatra amin'ny fanompoana amin'izany fomba izany izy ireo rehefa feno dimampolo taona. Amin'izany taona izany dia tsy mahazo manompo intsony izy ireo.
\v 26 Afaka manampy ireo rahalahiny izay manohy ny asa ao amin'ny trano-lay fihaonana izy ireo, nefa tsy afaka manompo intsony. Tsy maintsy mitarika ireo Levita amin'ireo raharaha rehetra ireo ianao."
\s5
\c 9
\p
\v 1 Ary Yaveh niteny tamin'i Mosesy tany an'efitr'i Sinay, tamin'ny volana voalohany tamin'ny taona faharoa taorian'ny nivoahan'izy ireo ny tany Egypta. Hoy Izy hoe:
\v 2 "Aoka ny vahoakan'ny Israely hitandrina ny Paska amin'ny fotoana raikitra amin'ny taona.
\v 3 Amin'ny harivan'ny andro fahefatra ambin'ny folo amin'ity volana ity, no tsy maintsy hitandremanao ny Paska amin'ny fotoana raikitra amin'ny taona. Hitandrina izany ianao, araho ny didy amam-pitsipika rehetra, ary ankatoavy ny didy rehetra izay mifandraika amin'izany."
\s5
\v 4 Koa, niteny tamin'ny vahoakan'ny Israely i Mosesy fa tokony hitandriana ny firavoravoan'ny Paska izy ireo.
\v 5 Dia nitandrina ny Paska tamin'ny volana voalohany izy ireo, tamin'ny andro fahefatra ambin'ny folon'ny volana, tamin'ny hariva, tany an'efitr'i Sinay. Nankatoa ny zavatra rehetra izay nandidian'i Yaveh hataon'i Mosesy ny vahoakan'ny Israely.
\s5
\v 6 Ary nisy olona sasany naloto tamin'ny fatin'ny olona iray. Tsy afaka nitandrina ny Paska tamin'izany andro izy ireo. Dia nankeo anatrehan'i Mosesy sy Arona izy ireo tamin'izany andro izany.
\v 7 Hoy ireo olona ireo tamin'i Mosesy hoe: "Maloto nohon'ny fatin'olona izahay. Nahoana no tsy avelanao hanatitra sorona ho an'i Yaveh amin'ny fotoana raikitra amin'ny taona eo amin'ny vahoakan'ny Israely izahay?"
\v 8 Hoy Mosesy tamin'izy ireo: "Andraso aloha aho hihaino izay handidian'i Yaveh ny aminareo."
\s5
\v 9 Niteny tamin'i Mosesy i Yaveh. Hoy izy hoe:
\v 10 "Mitenena amin'ny vahoakan'ny Israely. Lazao hoe, 'Raha misy maloto eo aminareo na ny taranakareo nohon'ny fatin'olona, na amin'ny dia lavitra, dia tsy afaka mitandrina ny Paska ho an'i Yaveh izy ireo.'
\s5
\v 11 Aoka hitandrina ny Paska amin'ny harivan'ny andro fahefatra ambin'ny folo amin'ny volana faharoa izy ireo. Mofo tsy misy masirasira sy anana mangidy no tsy maintsy hihinanany izany.
\v 12 Tsy tokony hamela izany mandra-maraina izy ireo, na hanapaka ny taolany. Aoka hanaraka ny didy amam-pitsipika rehetra amin'ny Paska izy ireo.
\s5
\v 13 Fa ny olona izay madio sy tsy nandia lavitra, nefa tsy mitandrina ny Paska, izany olona izany dia hofongorana tsy ho eo amin'ny olony satria tsy nanatitra ny fanatitra izay takian'i Yaveh amin'ny fotoana raikitra amin'ny taona izy. Izany olona izany dia hilanja ny helony.
\v 14 Raha misy vahiny monina eo aminao ary mitandrina ny Paska ho voninahitr'i Yaveh, aoka izy hitandrina izany sy hanao ireo didiny rehetra, ary hankatoa ireo fitsipiky ny Paska, ary mankatoa ny lalàna amin'izany. Aoka hanana lalàna mitovy ho an'ireo vahiny sy ny rehetra izay efa teraka ao amin'ilay tany ianao."
\s5
\v 15 Tamin'ny andro nametrahana ny tabernakely, ny rahona nandrakotra ny tabernakely, ilay lain'ny lalàn'ny fanekena. Tamin'ny hariva ny rahona dia teo ambonin'ny tabernakely. Niseho toy ny afo mandra-maraina izany.
\v 16 Nitohy tahak'izany foana izany. Nandrakotra ny tabernakely ny rahona ary niseho ho toy ny afo amin'ny alina.
\v 17 Na oviana na oviana ny rahona no nampiakarina avy teo amin'ny lay, dia niainga tamin'ny diany ny vahoakan'Israely. Na taiza na taiza no nijanonan'ny rahona, dia nitoby teo ny vahoakan'ny Israely.
\s5
\v 18 Araka ny didin'i Yaveh, ny vahoakan'ny Israely dia nandeha, ary tamin'ny didiny, no nitobian'izy ireo. Raha nijanona teo ambonin'ny tabernakely ny rahona, dia nijanona tany amin'ny tobiny izy ireo.
\v 19 Rehefa nitoetra andro maro teo amin'ny tabernakely ny rahona, dia nankatoa ny toro-lalan'i Yaveh izy ireo ary tsy nandeha.
\s5
\v 20 Indraindray ny rahona dia nitoetra andro vitsy teo amin'ny tabernakely. Tamin'izany toe-javatra izany, dia nankatoa ny didin'i Yaveh izy ireo—nitoby ary nanohy ny diany indray tamin'ny didiny.
\v 21 Indraindray ny rahona dia nijanona nitoby hatramin'ny hariva ka mandra-maraina. Raha niakatra ny maraina ny rahona, dia nandeha izy ireo. Raha nitohy ny andro na ny alina izany, dia rehefa niakatra ihany ny rahona vao nanohy nandeha izy ireo.
\s5
\v 22 Na indroa andro, na iray volana, na herintaona no nijanonan'ny rahona teo ambonin'ny tabernakely, raha mbola nijanona teo koa izany, dia nijanona tao an-tobiny ary tsy nandeha ny vahoakan'Israely. Fa isaky ny nakarina ny rahona, dia nanainga tamin'ny diany izy ireo.
\v 23 Nitoby araka ny didin'i Yaveh izy ireo. Nankatoa ny didin'i Yaveh izay nomena avy tamin'i Mosesy izy ireo.
\s5
\c 10
\p
\v 1 Niresaka tamin'i Mosesy i Yaveh. Hoy Izy:
\v 2 "Manaova trompetra volafotsy roa. Amin'ny tefy tanana no hanaovanao ny volafotsy. Tsy maintsy mampiasa ireo trompetra ianao hiantsoana ny fiangonana miaraka sy hiantsoana ny fiangonana hamindra ny tobin'izy ireo.
\s5
\v 3 Ireo mpisorona dia tsy maintsy hitsoka ireo trompetra mba hiantsoana ny fiangonana rehetra hitambatra eo anoloanao eo amin'ny fidirana mankao amin'ny trano-lay fihaonana.
\v 4 Raha trompetra iray ihany no tsofin'ireo mpisorona, dia hivory eo aminao ireo mpitarika, ireo lohan'ny fokon'Israely.
\v 5 Rehefa mitsoka famantarana mafy ianareo, dia hanomboka ny dian'izy ireo ny toby any atsinanana.
\s5
\v 6 Rehefa mitsoka ny fanairana mafy fanindroany ianareo, dia hanomboka ny dian'izy ireo ny toby any atsimo. Tsy maintsy mitsoka fanairana mafy ho an'ny diany izy ireo.
\v 7 Rehefa mivory miaraka ny fiangonana, dia tsofy ireo trompetra, fa tsy mafy loatra.
\v 8 Ireo zanaka lahin'i Arona, ireo mpisorona, no tsy maintsy mitsoka ireo trompetra. Izany dia ho lalàna mandrakariva ho anareo hatramin'ny taranak'ireo vahoakanao.
\s5
\v 9 Rehefa mandeha miady any amin'ny taninareo hanohitra ny mpifanandrina izay mampahory anareo ianareo, dia tsy maintsy hampaneno fanairana amin'ireo trompetra. Izaho, Yaveh Andriamanitrareo, no hahatsiaro anareo ka hamonjy anareo amin'ireo fahavalonareo.
\s5
\v 10 Ary koa, amin'ireo fotoanan'ny fankalazana, dia ireo firavoravoana mahazatra sy amin'ireo fiandohan'ireo volana, dia tsy maintsy hitsoka ireo trompetra ianareo ho fankalazana ny fanatitra doranareo sy ireo sorona hafa ho an'ny fanati-pihavananareo. Hatao izany ho fahatsiarovanareo Ahy, ilay Andriamanitrareo. Izaho no Yaveh Andriamanitrareo."
\s5
\v 11 Tamin'ny taona faharoa, tamin'ny volana faharoa, tamin'ny andro faha roapolon'ny volana, dia niakatra avy eo amin'ny tabernakelin'ny lalàn'ny fanekena ny rahona.
\v 12 Nanohy ny diany niala tany an'efitr'i Sinay ny vahoakan'Israely. Nijanona teo amin'ny efitr'i Parana ny rahona.
\v 13 Nanao ny dian'izy ireo voalohany, araka ny didin'i Yaveh izay nomeny tamin'ny alalan'i Mosesy izy ireo.
\s5
\v 14 Ny toby ambanin'ny fanevan'ny taranak'i Joda no nivoaka voalohany, namoaka ireo fiadiany avy. Nasona zanaka lahin'i Aminadaba nitarika ny tafik'i Joda.
\v 15 Netanela zanaka lahin'i Zoara nitarika ny tafiky ny fokon'ny taranak'Isakara.
\v 16 Eliaba zanaka lahin'i Helona nitarika ny tafiky ny fokon'ny taranak'i Zebolona.
\s5
\v 17 Ireo taranak'i Gersona sy Merary, izay niandraikitra ny tabernakely, dia nampidina ny tabernakely ary nianga tamin'ny dian'izy ireo.
\v 18 Avy eo, ireo tafika teo ambanin'ny fanevan'ny tobin'i Robena dia niainga. Elizora zanaka lahin'i Sedeora nitarika ny tafik'i Robena.
\v 19 Selomiela zanaka lahin'i Zorisaday nitarika ny tafiky ny fokon'ny taranak'i Simeona.
\v 20 Eliasafa zanaka lahin'i Doela nitarika ny tafiky ny fokon'ny taranak'i Gada.
\s5
\v 21 Niainga ireo Kehatita. Nitondra ny fitaovana masina tao amin'ny fitoerana masina. Ny sasany dia nanangana ny tabernakely mialohan'ny nahatongavan'ny Kehatita teo amin'ny toby manaraka.
\v 22 Ireo tafika teo ambanin'ny fanevan'ny taranak'i Efraima no niainga nanaraka. Elisama zanaka lahin'i Amihoda nitarika ny tafik'i Efraima.
\v 23 Gamaliela zanaka lahin'i Pedazora nitarika ny tafiky ny fokon'ny taranak'i Manase.
\v 24 Abidana zanaka lahin'i Gideony nitarika ny tafiky ny fokon'ny taranak'i Benjamina.
\s5
\v 25 Ireo tafika izay nitoby teo ambany fanevan'ny taranak'i Dana no niainga farany. Ahiezera zanaka lahin'i Amisaday nitarika ny tafik'i Dana.
\v 26 Pagiela zanaka lahin'i Okrana nitarika ny tafiky ny fokon'ny taranak'i Asera.
\v 27 Ahira zanaka lahin'i Enana nitarika ny tafiky ny fokon'ny taranak'i Naftaly.
\v 28 Tamin'izany fomba izany no niaingan'ireo tafiky ny vahoakan'Israely tamin'ny diany.
\s5
\v 29 Niresaka tamin'i Hobaba zanaka lahin'i Regoela Midianita i Mosesy. Regoela no rain'ny vadin'i Mosesy. Niresaka tamin'i Hobaba i Mosesy ka niteny hoe: "Andeha hankany amin'ny toerana izay nofaritan'i Yaveh izahay. Hoy Yaveh: 'Homeko anareo izany.' Ndeha hiaraka aminay dia hanaovanay soa ianareo. Yaveh efa nampanantena ny hanao soa ny Israely."
\v 30 Fa hoy Hobaba tamin'i Mosesy: "Tsy andeha hiaraka aminao aho. Handeha ho any amin'ny taniko sy ny oloko aho."
\s5
\v 31 Ary dia namaly Mosesy hoe: "Aoka re mba tsy handao anay ianao. Ianao mahalala ny hitobiana any an'efitra. Tokony hitandrina anay ianao.
\v 32 Raha andeha hiaraka aminay ianao, dia hataonay aminao araka ny soa izay nataon'i Yaveh taminay."
\s5
\v 33 Nandeha niala ny tendrombohitr'i Yaveh nandritra ny telo andro izy ireo. Ny fiaran'ny faneken'i Yaveh nandeha teo alohan'izy ireo nandritra ny hateloana mba hitady toerana hialana sasatra ho azy ireo.
\v 34 Ny rahon'i Yaveh dia teo ambonin'izy ireo tamin'ny andro raha nandeha izy ireo.
\s5
\v 35 Rehefa miainga ny fiara, dia miteny Mosesy hoe: "Mitsangàna, ry Yaveh. Ahelezo ireo fahavalonao. Ampandosiro hiala eo Aminao izay mankahala Anao."
\v 36 Rehefa mijanona ny fiara, dia miteny Mosesy hoe: "Miverena, ry Yaveh, amin'ny Israely an'aliny maro."
\s5
\c 11
\p
\v 1 Ary nitaraina momba ny olan'izy ireo ny vahoaka raha nihaino Yaveh. Nandre ireo olona Yaveh ka nanjary tezitra. Nisy afon'i Yaveh nandoro azy ireo ary nandevona ny sasany tamin'ireo toby teny amorony.
\v 2 Avy eo dia niantso an'i Mosesy ireo vahoaka, koa dia nivavaka tamin'i Yaveh i Mosesy, ary nitsahatra ny afo.
\v 3 Nantsoina hoe Tabera izany toerana izany, satria nirehitra teo amin'izy ireo ny afon'i Yaveh.
\s5
\v 4 Nanomboka niara-nitoby tamin'ny taranak'Israely ny sasany tamin'ireo hafa firenena. Naniry ny hihinana sakafo tsara kokoa izy ireo. Ary nanomboka nitomany ireo vahoakan'Israely ka nanao hoe: "Iza no hanome sakafo hohaninay?
\v 5 Tsaroanay ny trondro izay nohaninay maimaimpoana tany Egypta, ireo kaokaombra, ireo voatavo, ireo tongolo raviny, ireo tongolo, ary ny tongolo gasy.
\v 6 Ankehitriny lasa ny homantsika, satria ny hany hitantsika dia ity mana ity."
\s5
\v 7 Ny mana dia toy ny voan-drafy. Miendrika toy ny dinti-kazo izany.
\v 8 Nandeha niodidina ireo olona ary nanangona izany. Nototoin'izy ireo tamin'ny fikosoham-bary izany, nototoina tamin'ny laona, nampangotrahina tao anaty vilany, ary natao mofomamy. Nitovy tsiro tamin'ny menaka oliva vaovao izany.
\s5
\v 9 Rehefa nilatsaka teo amin'ny toby ny ranon'ando ny alina, dia nilatsaka ihany koa ny mana.
\v 10 Nandre ireo olona nitomany tao amin'ny fianakavian'izy ireo Mosesy, ary ny lehilahy rehetra dia teo amin'ny fidirana ho any amin'ny lainy. Tezitra mafy Yaveh, ary diso teo imason'i Mosesy ny fitarainan'izy ireo.
\s5
\v 11 Hoy Mosesy tamin'i Yaveh hoe: "Nahoana Ianao no mampijaly ny mpanomponao? Nahoana Ianao no tsy faly amiko? Nampilanjanao ny enta-mavesatr'ireo olona rehetra ireo aho.
\v 12 Izaho ve no namorona ireo olona rehetra ireo? Izaho ve no niteraka azy ireo no hilazanao amiko hoe: 'Trotroy eo an-tratranao toy ny fitrotron'ny ray zaza izy ireo?' Tokony hitondra azy ireo any amin'ilay tany izay nampanantenainao homena ny razamben'izy ireo ve aho?
\s5
\v 13 Aiza no ahitako sakafo omena ity vahoaka rehetra ity? Mitomany eo anoloako izy ireo ary miteny hoe: 'Omeo sakafo ho hanina izahay.'
\v 14 Tsy afaka ny hilanja ireo olona ireo irery aho. Be loatra ho ahy izy ireo.
\v 15 Satria entinao tahaka izany aho, dia vonoy aho anio, raha tia ahy Ianao, ary esory amiko ny fahoriako."
\s5
\v 16 Hoy Yaveh tamin'i Mosesy hoe: "Hitondray loholon'Israely fito-polo Aho. Ataovy azo antoka fa loholona sy manam-boninahitry ny vahoaka tokoa izy ireo. Ento ao amin'ny trano-lay fihaonana izy ireo mba hiara-hijoro aminao.
\v 17 Hidina ary hiresaka aminareo any Aho. Haka ny sasany amin'ireo Fanahy izay ao aminao Aho ary hametraka izany amin'izy ireo. Hiara hilanja ny enta-mavesatr'ireo vahoaka hiaraka aminao izy ireo. Tsy hitondra izany irery ianao.
\s5
\v 18 Lazao amin'ireo vahoaka hoe: 'Manokàna tena ianareo, ho amin'ny rahampitso ary hihinana hena tokoa ianareo, satria nitomany ianareo ary henon'i Yaveh. Ianao nilaza hoe: "Iza no hanome hena hohaninay? Tsara taminay ny tany Egypta." Noho izany Yaveh dia hanome sakafo ho anareo, ary hihinana izany ianareo.
\v 19 Tsy hihinana sakafo mandritra ny iray andro, roa andro, dimy andro, folo andro, na roa-polo andro fotsiny ianareo,
\v 20 fa hihinana sakafo mandritra ny iray volana manontolo mandra-pivoakan'izany eny amin'ny lavak'oronareo. Hahatsiravina anareo izany satria nandà an'i Yaveh, izay eo aminareo ianareo. Nitomany teo anatrehany ianareo. Hoy ianareo hoe: "Nahoana izahay no nandao an'i Egypta?""'
\s5
\v 21 Ary hoy Mosesy hoe: "Miaraka amin'ny olona 600. 000 aho, ary hoy Ianao hoe: 'Hanome sakafo ho hanina ho azy ireo Aho mandritra ny iray volana.'
\v 22 Tokony hamono ireo ondry aman'osy sy ny omby ve izany izahay hampifaliana azy ireo? Tokony hanjono ny trondro rehetra ao anaty ranomasina ve izahay mba hampifaliana azy ireo?"
\v 23 Hoy Yaveh tamin'i Mosesy hoe: "Fohy ve ny tanako? Izao dia ho hitanao raha marina ny teniko na tsia."
\s5
\v 24 Nivoaka Mosesy ary nilaza tamin'ireo vahoaka ny tenin'i Yaveh. Nanangona loholona fito-polo tamin'ireo vahoaka izy ary nandahatra azy ireo nanodidina ny lay.
\v 25 Nidina avy eny amin'ny rahona Yaveh ary niresaka tamin'i Mosesy. Naka ny Fanahy sasany izay tao amin'i Mosesy i Yaveh ary nametraka izany teo amin'ireo loholona fito-polo. Rehefa nitoetra tao amin'izy ireo ilay Fanahy, dia naminany izy ireo, saingy tamin'io fotoana io ihany fa tsy niverina intsony.
\s5
\v 26 Lehilahy roa no nijanona tao amin'ny toby, nantsoina hoe Eldada sy Medada. Nitoetra tao amin'izy ireo ihany koa ilay Fanahy. Ny anaran'izy ireo dia voasoratra tao amin'ny lisitra, saingy tsy nivoaka ny lay izy ireo. Na dia izany aza, naminany tao amin'ny toby izy ireo.
\v 27 Nisy tovolahy iray tao amin'ilay toby nihazakazaka ary niteny tamin'i Mosesy hoe: "Eldada sy Medada dia maminany ao amin'ny toby."
\s5
\v 28 Josoa zanaka lahin'i Nona, mpanampin'i Mosesy, iray tamin'ireo lehilahy voafidiny, dia niteny tamin'i Mosesy hoe: "Ry Mosesy tompoko, sakano izy ireo."
\v 29 Hoy Mosesy taminy hoe: "Saropiaro nohon'ny amiko ve ianao? Maniry aho raha mba mpaminany avokoa ny vahoakan'i Yaveh rehetra ary hametraka ny Fanahiny amin'izy rehetra ireo Izy!"
\v 30 Avy eo Mosesy sy ireo loholon'Israely niverina tao amin'ny toby.
\s5
\v 31 Avy eo dia nisy rivotra tonga avy any amin'i Yaveh ary nitondra papelika avy any anaty ranomasina. Nianjera teo akaikin'ny toby ireo, teo amin'ny lalana iray andro tany amin'ny andaniny ary lalana iray andro tany amin'ny ankilany. Nanodidina ny toby ireo papelika teo amin'ny roa akiho ambonin'ny tany.
\v 32 Sahirana ireo olona nanangona ireo papelika tamin'izany andro izany, ny alina manontolo, ary ny andro manaraka. Tsy nisy nanangona papelika latsaky ny folo homera. Nizara ireo papelika nanerana ny toby rehetra izy ireo.
\s5
\v 33 Raha mbola teo anelanelan'ny nifin'izy ireo ny sakafo, raha mbola nitsako izany izy ireo, dia tezitra tamin'izy ireo Yaveh. Namely ireo olona tamin'ny aretina lehibe Izy.
\v 34 Nantsoina hoe Kibrota Hatava izany toerana izany satria tao no nandevenan'izy ireo ny olona izay naniry hena fatratra.
\v 35 Niainga avy any Kibrota Havata ireo olona mba ho any Hazerota, izay nijanonan'izy ireo.
\s5
\c 12
\p
\v 1 Avy eo Myriama sy Arona niresaka nanohitra an'i Mosesy noho ilay vehivavy Kosita izay nampakariny.
\v 2 Hoy izy ireo hoe: "Mosesy ihany ve no niresahan'i Yaveh? Moa tsy niresaka tamintsika koa ve Izy?" Ary ren'i Yaveh izay nolazain'izy ireo.
\v 3 Ary tena manetri-tena ilay lehilahy Mosesy, be fanetre-tena noho ny olona rehetra eto an-tany.
\s5
\v 4 Teo no ho eo Yaveh dia niresaka tamin'i Mosesy, Arona, ary Miriama hoe: "Mivoaha, ianareo telo, ho any amin'ny trano-lay fihaonana." Noho izany dia nivoaka izy telo.
\v 5 Avy eo Yaveh nidina teny amin'ny andrin-drahona. Nitsangana teo amin'ny fidirana ao amin'ny lay Izy ary niantso an'i Arona sy Miriama. Samy nandroso izy roa.
\s5
\v 6 Hoy Yaveh hoe: "Ankehitriny henoy ny teniko. Rehefa miaraka aminareo ny mpaminaniko, dia hanambara ny tenako aminy amin'ny fahitana Aho ary hiresaka aminy anaty nofy.
\v 7 Tsy toy izany Mosesy mpanompoko. Mahatoky izy ao amin'ny tranoko rehetra.
\v 8 Miresaka mivantana amin'i Mosesy Aho, fa tsy amin'ny fahitana na ankamantatra. Hitany ny endriko. Koa nahoana ianareo no tsy matahotra ny hiresaka hanohitra ny mpanompoko, manohitra an'i Mosesy?"
\s5
\v 9 Nirehitra tamin'izy ireo ny hatezeran'i Yaveh, ary avy eo Izy nandao azy ireo.
\v 10 Niala teo amin'ny lay ilay rahona, ary Miriama lasa boka tampoka—fotsy toy ny oram-panala izy. Rehefa nitodika tany amin'i Miriama i Arona, dia hitany fa nisy habokana izy.
\s5
\v 11 Hoy Arona tamin'i Mosesy hoe: "Ry tompoko, aza hazonina aminay ity fahotana ity. Niresaka adaladala izahay, ary nanota.
\v 12 Aza avela ho toy ny zaza vao teraka maty izy izay lany ny antsasaky ny nofony raha vao teraka avy ao an-kibon-dreniny."
\s5
\v 13 Noho izany dia niantso an'i Yaveh i Mosesy. Hoy izy hoe: "Miangavy re mba sitrano izy, ry Andriamanitra, miangavy."
\v 14 Hoy Yaveh tamin'i Mosesy hoe: "Raha nandrora tamin'ny tavany ny rainy, dia ho afa-baraka mandritra ny fito andro izy. Hidio any ivelan'ny toby mandritra ny fito andro izy. Aorian'izany dia ento miverina aty indray izy."
\v 15 Koa dia nohidina tany ivelan'ny toby nandritra ny fito andro izy. Tsy nandeha ny vahoaka nandra-piveriny tao an-toby.
\s5
\v 16 Taorian'izany, dia niala avy tao Hazerota ny vahoaka ary nitoby tany an'efitr'i Parana.
\s5
\c 13
\p
\v 1 Dia niteny tamin'i Mosesy i Yaveh. Hoy Izy hoe:
\v 2 "Mandefasa lehilahy maromaro mba hizaha ny tany Kanana, izay nomeko ny vahoakan'Israely. Mandefasa lehilahy iray avy amin'ny fokon'ny razamben'izy ireo rehetra. Ireo lehilahy tsirairay dia tsy maintsy mpitarika eo amin'izy ireo."
\s5
\v 3 Nandefa azy ireo avy tany an'efitr'i Parana i Mosesy, mba hahafahan'izy ireo mankatoa ny didin'i Yaveh. Izy rehetra dia samy mpitarika teo amin'ny vahoakan'Israely avokoa.
\v 4 Ireto no anaran'izy ireo: avy amin'ny fokon'i Robena dia i Samoa zanaka lahin'i Zakora;
\s5
\v 5 avy amin'ny fokon'i Simeona dia i Safata, zanaka lahin'i Hory;
\v 6 avy amin'ny fokon'i Joda dia i Kaleba zanaka lahin'i Jefone;
\v 7 avy amin'ny fokon'i Isakara dia i Jigala zanaka lahin'i Josefa;
\v 8 avy amin'ny fokon'i Efraima dia i Hosea zanaka lahin'i Nona;
\s5
\v 9 avy amin'ny fokon'i Benjamina dia i Palty zanaka lahin'i Rafo;
\v 10 avy amin'ny fokon'i Zebolona dia i Gadiela zanaka lahin'i Sody;
\v 11 avy amin'ny fokon'i Josefa (izay midika hoe avy amin'ny fokon'i Manase) dia i Gady zanaka lahin'i Sosy;
\v 12 avy amin'ny fokon'i Dana dia i Amiela zanaka lahin'i Gemaly;
\s5
\v 13 avy amin'ny fokon'i Asera dia i Setora zanaka lahin'i Mikaela;
\v 14 avy amin'ny fokon'i Naftaly dia i Naby zanaka lahin'i Vofsy;
\v 15 avy amin'ny fokon'i Gada dia i Geoela zanaka lahin'i Maky.
\v 16 Ireo no anaran'ireo lehilahy izay nalefan'i Mosesy mba hizaha ny tany. Nantsoin'i Mosesy tamin'ny anaran'i Josoa i Hosea zanaka lahin'i Nona.
\s5
\v 17 Nalefan'i Mosesy mba hizaha ny tany Kanana izy ireo. Hoy izy tamin'izy ireo hoe: "Midira avy any Negeva ary miakara any amin'ny tany havoana.
\v 18 Zahao ny tany mba hahitana hoe toy ny ahoana. Diniho ny mponina mipetraka ao, na matanjaka na malemy, ary na vitsy na maro.
\v 19 Jereo ny toetry ny tany ipetrahan'izy ireo. Tsara ve izany sa ratsy? Tanàna inona no ao? Toy ny toby ve izy ireo, sa tanàna mimanda?
\v 20 Zahao ny toetry ny tany, raha tsara ho an'ny fambolena na tsia, ary raha misy hazo maniry ao na tsia. Mahereza ka mitondrà santionany amin'ny vokatry ny tany." Ary izany fotoana izany dia fotoan'ny voaloham-boaloboka masaka.
\s5
\v 21 Koa dia niakatra ireo lehilahy ireo ka nisafo ny tany avy any an'efitr'i Sina ka hatrany Rehoba, akaikin'i Lebo Hamata.
\v 22 Niakatra avy tany Negeva izy ireo ary tonga tany Hebrona. Ahimana, Sesay, ary Talmay, ireo foko avy amin'i Anaka dia tao. Ary Hebrona dia efa tafajoro fito taona mialohan'i Zoana any Egypta.
\s5
\v 23 Rehefa tonga tao amin'ny Lohasahan'i Eskola izy ireo, dia nanapaka sampam-boaloboka. Nolanjain'ny roa tamin'izy ireo tamin'ny tehina izany. Nitondra ampongaben-danitra sy aviavy ihany koa izy ireo.
\v 24 Izany toerana izany dia nantsoina hoe Lohasahan'i Eskola, noho ny sampam-boaloboka izay notapahin'ny vahoakan'Israely tao.
\s5
\v 25 Afaka efapolo andro, dia niverina avy tany am-pizahana ny tany izy ireo.
\v 26 Niverina tany amin'i Mosesy, Arona, ary ireo fivondronan'ny vahoakan'Israely tany an'efitr'i Parana, tany Kadesy izy ireo. Nitondra valin-teny tamin'izy ireo sy tamin'ny fivondronana rehetra, ary naneho tamin'izy ireo ny vokatra avy ao amin'ilay tany izy ireo.
\s5
\v 27 Hoy izy ireo tamin'i Mosesy hoe: "Tonga tany amin'ny tany izay nanirahanao anay izahay. Tena tondra-dronono sy tantely tokoa izany. Indreto ny ampahany tamin'ny vokatra avy tao amin'izany.
\v 28 Na izany aza, ireo olona izay manao ny fonenan'izy ireo ao dia matanjaka. Ireo tanàna dia mimanda sy midadasika. Nahita ny taranak'i Anaka tao ihany koa izahay.
\v 29 Ireo Amalekita monina any Negeva. Ireo Hetita, Jebosita, ary ireo Amorita dia manorina ny tranon'izy ireo any amin'ny tany havoana. Ireo Kananita dia monina eny amoron-dranomasina sy manaraka ny Ony Jordana."
\s5
\v 30 Ary Kaleba nampangina ireo vahoaka izay teo anatrehan'i Mosesy ka nanao hoe: "Aoka izahay hiakatra ary haka ny tany ho fananana, satria vitantsika tokoa ny mandresy izany."
\v 31 Fa ireo lehilahy hafa izay niaraka tamin'izy ireo nanao hoe: "Tsy vitantsika ny hanafika ireo vahoaka satria matanjaka noho isika izy ireo."
\s5
\v 32 Koa dia nanely tatitra mahakivy tamin'ny vahoakan'Israely mahakasika ny tany izay avy nozahany izy ireo. Hoy izy ireo hoe: "Ny tany izay nojerenay dia tany mihinana ny mponiny. Ny olona rehetra izay hitanay dia goavana sy ranjanana avokoa.
\v 33 Nahita ireo olona goavana tao izahay, taranak'i Anaka, olona izay avy amin'ny goavana. Raha ny fijerinay manokana dia tahaka ny valala isika raha ampitahaina amin'izy ireo, ary izany koa izahay raha ny fijerin'izy ireo."
\s5
\c 14
\p
\v 1 Tamin'izany alina izany dia nitomany mafy ny fiangonana rehetra.
\v 2 Nitsikera an'i Mosesy sy Arona ny vahoakan'Israely rehetra. Hoy ny fiangonana manontolo tamin'izy ireo: "Naleonay maty tany amin'ny tany Egypta, na eto amin'ity efitra ity!
\v 3 Nahoana no nitondra anay tamin'ity tany ity mba ho fatin-tsabatra Yaveh? Hanjary ho lasibatra amin'izany ny vadinay sy ny zanakay. Moa ve tsy tsara ho anay ny miverina any Egypta?"
\s5
\v 4 Nifampiteny izy ireo hoe: "Ndeha isika hifidy mpitarika hafa, ka ndeha isika hiverina any Egypta."
\v 5 Dia niankohoka tamin'ny tavany teo anoloan'ny fivorian'ny fiangonan'ny vahoakan'Israely rehetra i Mosesy sy Arona.
\s5
\v 6 Nandrovitra ny fitafian'izy ireo i Josoa zanak'i Nona sy Kaleba zanak'i Jefone, izay sasany tamin'ireo nalefa mba hisafo ny tany.
\v 7 Niteny tamin'ny fiangonan'ny vahoakan'i Israely rehetra izy ireo. Hoy izy ireo: "Ny tany izay nandehananay sy nosafoinay dia tany soa tokoa.
\v 8 Raha mankasitraka antsika Yaveh, dia hitondra antsika any amin'izany tany izany sy hanome izany ho antsika Izy. Dia tany tondra-dronono sy tantely.
\s5
\v 9 Nefa aza mikomy amin'i Yaveh, ary aza matahotra ny mponin'ny tany. Handevona azy ireo mora foana tahaka ny hanina isika. Ho esorina amin'izy ireo ny fiarovana azy ireo, satria momba antsika Yaveh. Aza matahotra azy ireo."
\v 10 Fa nandrahona hitora-bato hamono azy ireo ny fiangonana rehetra. Dia niseho tao amin'ny trano-lay fihaonana tamin'ny vahoakan'Israely rehetra ny voninahitr'i Yaveh.
\s5
\v 11 Hoy Yaveh tamin'i Mosesy: "Mandra-pahoviana no hanaovan'ity vahoaka ity tsinontsinona Ahy? Mandra-pahoviana no tsy hatokian'izy ireo Ahy, na dia teo aza ireo famantarana ny heriko rehetra izay efa nataoko teo amin'izy ireo?
\v 12 Hamely azy ireo amin'ny areti-mandringana Aho, tsy hampandova azy ireo, ary hanangana firenena izay ho lehibe sy mahery noho izy ireo avy amin'ny fokonao ihany Aho."
\s5
\v 13 Hoy Mosesy tamin'i Yaveh: "Raha manao izany Ianao, dia handre ny momba izany ny Egyptiana, satria efa namonjy ity vahoaka ity tamin'izy ireo tamin'ny herinao Ianao.
\v 14 Hilaza izany amin'ireo mponin'ity tany ity izy ireo. Efa ren'izy ireo fa Ianao, Yaveh, no miaraka amin'ity vahoaka ity, satria efa hita nifanatri-tava Ianao. Nijoro teo amin'ny vahoakanay ny rahonao. Nialoha azy ireo tamin'ny andry rahona Ianao ny andro ary tamin'ny andry afo ny alina.
\s5
\v 15 Ankehitriny raha mamono ity vahoaka ity tahaka ny olona iray Ianao, dia hiteny ireo firenena izay nandre ny lazanao ka hanao hoe:
\v 16 'Satria tsy nahavita nitondra ity vahoaka ity tany amin'ny tany izay nianianany homena azy ireo Yaveh, dia novonoiny tany an'efitra izy ireo.'
\s5
\v 17 Ankehitriny, mitalaho Aminao aho, ampiasao ny herinao lehibe. Fa efa nilaza Ianao hoe:
\v 18 'Tsy malaky tezitra Yaveh ary tsy mivadi-panekena. Mamela heloka sy fahotana Izy. Tsy mba manamarina ny meloka Izy fa mamaly ny fahotan'ny razambe amin'ny taranak'izy ireo, dia amin'ny taranaka fahatelo sy fahefatra.'
\v 19 Mamelà, mitalaho Aminao aho, ny fahotan'ity vahoaka ity nohon'ny halehiben'ny famindram-ponao, tahaka ny efa namelanao mandrakariva ity vahoaka ity nanomboka tamin'ny fotoana naha-tany Egypta azy ireo mandraka ankehitriny."
\s5
\v 20 Hoy Yaveh: "Efa namela azy ireo amin'ny fanatanterahana ny fangatahanao Aho,
\v 21 nefa marina tokoa, raha velona koa Aho, ary raha ho feno ny voninahitro koa ny tany rehetra,
\v 22 ireo olona rehetra izay nahita ny voninahitro sy ny famantarana ny hery izay nataoko tany Egypta sy tany an'efitra ireo—dia mbola naka fanahy Ahy izay impolo izay izy ireo ary tsy nihaino ny feoko.
\s5
\v 23 Koa milaza Aho fa tsy hahita ny tany izay efa nianianako tamin'ireo razambeny tokoa izy ireo. Tsy hisy na iray amin'ireo izay nanao tsinontsinona Ahy hahita izany,
\v 24 afa-tsy i Kaleba mpanompoko, satria manana fanahy hafa izy. Efa nanaraka Ahy tanteraka izy; dia hitondra azy ao amin'ny tany izay nandehanany hosafoina Aho. Haka izany ho fananany ireo taranany.
\v 25 (Ary ireo Amalekita sy Kananita dia nonina tany an-dohasaha.) Miverena ka mandehana any an'efitra amin'ny lalana mankany amin'ny Ranomasina Mena rahampitso.'"
\s5
\v 26 Niteny tamin'i Mosesy sy Arona Yaveh. Hoy Izy:
\v 27 "Mandra-pahoviana no handeferako ity fiangonana ratsy izay manakihana Ahy ity? Efa reko ny fitarainan'ny vahoakan'ny Israely ny Amiko.
\s5
\v 28 Lazao amin'izy ireo hoe: 'Raha velona koa Aho', hoy Yaveh, 'araka ny nolazainareo teo an-tsofiko, no hanaovako izao aminareo Aho:
\v 29 Hiampatra any an'efitra ny fatinareo, dia ianareo rehetra izay nitaraina ny Amiko, ianareo izay voaisa tamin'ny fanisam-bahoaka, ny fitambaran'isan'ny olona roapolo taona no ho miakatra.
\v 30 Tsy hiditra any amin'ny tany izay nampanantenaiko hataonareo fonenana tokoa ianareo, afa-tsy Kaleba zanak'i Jefone sy Josoa zanak'i Nona.
\s5
\v 31 Nefa ny zanakareo izay lazainareo fa ho lasibatra, dia ho entiko miditra ao amin'ny tany izy ireo. Hiaina any amin'ny tany izay nolavinareo izy ireo!
\v 32 Ary ny aminareo, hiampatra any an'efitra ny fatinareo.
\v 33 Ho mpiandry ondry any an'efitra mandritra ny efapolo taona ireo zanakareo. Tsy maintsy hizaka ny vokatry ny asa fikomianareo mandra-pahafatinareo any an'efitra izy ireo.
\s5
\v 34 Tahaka ny isan'ny andro izay nisafoanareo ny tany—efapolo andro, dia tsy maintsy hizaka ny vokatry ny fahotanareo mandritra ny efapolo taona toy izany koa ianareo—herintaona ho an'ny iray andro, dia ho fantatrareo hoe ahoana izany ho fahavaloko izany.
\v 35 Izaho, Yaveh, no efa niteny. Hataoko ho an'ity fiangonana ratsy izay miara-miangona hanohitra Ahy ity tokoa izany. Hofongorina tanteraka izy ireo, ka ho faty eto.'"
\s5
\v 36 Koa ireo lehilahy izay nirahin'i Mosesy mba hijery ny tany
\v 37 dia matin'ny areti-mandringana teo anatrehan'i Yaveh avokoa. Ireo dia ny lehilahy izay niverina ka nitati-dratsy momba ny tany. Izany no nampitaraina ny fiangonana rehetra ny amin'i Mosesy.
\v 38 Amin'ireo lehilahy izay nandeha mba hijery ny tany, dia i Josoa zanak'i Nona sy Kaleba zanak'i Jefone ihany no ho sisa velona.
\s5
\v 39 Rehefa nitatitra ireo teny ireo tamin'ny vahoakan'ny Israely rehetra i Mosesy, dia nalahelo mafy izy ireo.
\v 40 Nifoha maraim-be izy ireo ka nankany an-tampon-tendrombohitra ary nanao hoe: "Indro, indreto izahay, ary handeha ho any amin'ny toerana izay nampanantenain'i Yaveh, fa efa nanota izahay."
\s5
\v 41 Nefa hoy Mosesy: "Nahoana ianareo no mandika ny didin'i Yaveh ankehitriny? Tsy hahomby ianareo.
\v 42 Aza mandeha, satria tsy momba anareo hanakana anareo tsy ho resin'ny fahavalonareo Yaveh.
\v 43 Any ireo Amalekita sy ireo Kananita, ka ho fatin-tsabatra ianareo satria efa nihodina tamin'ny fanarahana an'i Yaveh ianareo. Koa tsy homba anareo Izy."
\s5
\v 44 Nefa nahasahisahy niakatra tany amin'ny tany havoana izy ireo; na izany aza, dia tsy niala tao an-toby na i Mosesy na ny fiaran'ny faneken'i Yaveh.
\v 45 Dia nidina ireo Amalekita, sy ireo Kananita izay nonina tao amin'ireo havoana ireo koa. Nanafika ireo Israelita sy nandresy azy ireo teny an-dalana mankany Horma rehetra izy ireo.
\s5
\c 15
\p
\v 1 Ary niresaka tamin'i Mosesy i Yaveh. Hoy Izy:
\v 2 "Miresaha amin'ny vahoakan'i Israely ary teneno izy ireo hoe: 'Rehefa handeha any amin'ny tany izay honenanareo ianareo, dia izay homen'i Yaveh anareo,
\v 3 dia hanomana fanatitra amin'ny afo ho an'i Yaveh ianareo, na fanatitra dorana na sorona mba hanatanterahana voady na fanatitra an-tsitra-po, na fanatitra amin'ny fanasanareo, mba hamokatra hanitra ankasitrahana ho an'i Yaveh, avy amin'ny omby na ondry.
\s5
\v 4 Aoka hanolotra sorona dorana ho an'i Yaveh ianareo ary koa ampahafolon'ny efaha amin'ny lafarina tsara toto voaharoharo amin'ny menaka ampahefatry ny hina ho fanatitra hohanina.
\v 5 Aoka hanolotra divay ampahefatry ny hina ho fanatitra sotroina ho an'ny zanak'ondry tsirairay ihany koa ianareo, miaraka amin'ny fanatitra dorana, na ho an'ny sorona.
\s5
\v 6 Raha manolotra ondry lahy ianareo, dia aoka hanomana lafarina tsara toto roa ampahafolon'ny efaha voaharo amin'ny menaka ampahatelon'ny hina ianareo ho fanatitra hohanina.
\v 7 Ny amin'ny fanatitra sotroina, aoka hanolotra divay ampahatelon'ny hina ianareo. Hamokatra hanitra mani-pofona ho an'i Yaveh izany.
\s5
\v 8 Raha manomana omby ho fanatitra dorana ianareo na ho sorona hanatanterahana voady, na ho fanatim-piombonana amin'i Yaveh,
\v 9 dia aoka hanolotra lafarina tsara toto ampahatelon'ny efaha voaharo amin'ny menaka antsasaky ny hina miaraka amin'ny omby ianareo ho fanatitra hohanina.
\v 10 Aoka hanolotra divay antsasaky ny hina ianareo ho fanatitra sotroina, toy ny fanatitra vita amin'ny afo, mba hamokatra hanitra manim-pofona ho an'i Yaveh.
\s5
\v 11 Aoka ho vita ho an'ny omby tsirairay izany fomba izany, ho an'ny ondry lahy tsirairay, ary ho an'ny zanak'ondry lahy tsirairay na koa osy tanor.
\v 12 Ny sorona tsirairay izay omaninareo sy atolotrareo dia aoka ho vita tahaka ny voafaritra eto.
\v 13 Ny tera-tany Israelita rehetra dia aoka hanao ireo zavatra ireo amin'io fomba io, rehefa misy olona mitondra sorona vita amin'ny afo, mba hamokatra hanitra izay ankasitrahan'i Yaveh.
\s5
\v 14 Raha misy vahiny mitoetra miaraka aminareo, na koa izay rehetra mety honina eo aminareo mandritra ny taranaky ny vahoakanareo, dia aoka hanao fanatitra vita amin'ny afo izy, mba hamokatra hanitra manim-pofona ho an'i Yaveh. Aoka hanao toy ny fanaonareo izy.
\v 15 Aoka ho lalàna mitovy ho an'ny fiaraha-monina sy ho an'ny vahiny izay mitoetra miaraka aminareo izany, lalàna maharitra mandritra ny taranaky ny vahoakanareo. Tahaka anareo, no aoka hitoeran'ireo mpandeha ihany koa eo aminareo. Aoka hanao toy ny fanaonareo eo anatrehan'i Yaveh izy.
\v 16 Aoka ho didy aman-dalàna mitovy no ampiharina aminareo sy amin'ny vahiny izay mitoetra miaraka aminareo.'"
\s5
\v 17 Mbola niresaka tamin'i Mosesy indray i Yaveh. Hoy Izy:
\v 18 "Miresaha amin'ny vahoakan'i Israely ary teneno izy ireo hoe: 'Raha tonga eo amin'ny tany izay hakako anareo ianareo,
\v 19 raha mihinana ny sakafo vokatra eo amin'ny tany ianareo, dia aoka hanolotra fanatitra sy haneho izany Amiko ianareo.
\s5
\v 20 Avy amin'ny voalohan-kobanareo no tsy maintsy anateranareo mofo mba hampiakarina izany ho fanatitra asandratra avy amin'ny fikororohana. Aoka hanandratra izany ambony amin'izany fomba izany ianareo.
\v 21 Aoka hanome fanatitra asandratra ho Ahy ianareo mandritra ny taranaky ny vahoakanareo avy amin'ny voalohan-kobanareo.
\s5
\v 22 Hanota tsy nahy ianareo indraindray, raha tsy mankatò ireo didy rehetra izay efa noresahako tamin'i Mosesy ireo ianareo—
\v 23 ny zavatra rehetra izay efa nandidiako anareo tamin'ny alalan'i Mosesy hatramin'ny andro izay nanombohako nanomezana didy ary mitohy mandritra ireo taranaky ny vahoakanareo.
\v 24 Amin'ny trangan'ny fahotana tsy nahy amin'ny tsy fahalalan'ny fiaraha-monina, dia aoka hanolotra vatotr'ombilahy iray ny fiaraha-monina manontolo ho fanatitra dorana mba hamokatra hanitra manim-pofona ho an'i Yaveh. Miaraka amin'izany dia ho vita ny fanatitra hohanina sy fanatitra sotroina, tahaka nandidiana tamin'ireo didy, ary osy lahy iray ho fanatitra noho ny ota.
\s5
\v 25 Aoka hanao fanavotana ho an'ny fiaraha-monin'ny vahoaka Israely rehetra ny mpisorona. Ho voavela heloka izy ireo satria fahadisoana ny fahotana. Efa nitondra ny sorony izy ireo, ilay fanatitra vita tamin'ny afo ho Ahy. Efa nitondra ny fanatitra noho ny otany teo anoloako izy ireo ho an'ny fahadisoan'izy ireo.
\v 26 Dia ho voavela heloka avokoa ny fiarahamonin'ny vahoakan'Israely, sy ireo vahiny mitoetra miaraka amin'izy ireo ihany koa, satria nahavita heloka tsy nahy avokoa ny vahoaka rehetra.
\s5
\v 27 Raha manota tsy nahy ny olona iray, dia aoka hanolotra osy vavy herintaona ho fanatitra noho ny ota izy.
\v 28 Aoka hanao fanavotana eo anatrehan'i Yaveh ny mpisorona ho an'ny olona izay nanota tsy nahy. Ho voavela heloka izany olona izany rehefa vita ny fanavotana.
\v 29 Aoka hanana lalàna mitovy ianareo ho an'izay manao zavatra tsy nahy, lalàna mitovy ho an'izay tera-tany eo amin'ny vahoakan'Israely sy ho an'ny vahiny izay mitoetra eo amin'izy ireo.
\s5
\v 30 Fa ny olona izay manao zavatra amin'ny fihantsiana, na tera-tany izy na vahiny, dia miteny ratsy Ahy. Aoka ho fongorana eo amin'ny vahoakany izany olona izany.
\v 31 Satria efa nanao tsinontsinona ny teniko izy ary nandika ny didiko, dia aoka ho fongorana tanteraka izany olona izany. Ho aminy anie ny fahotany.'"
\s5
\v 32 Raha mbola tany an-tany efitra ny vahoakan'Israely, dia nahita lehilahy nanangona hazo tamin'ny andro sabata izy ireo.
\v 33 Ireo izay nahita azy dia nitondra azy tany amin'i Mosesy, Arona, ary ny fiaraha-monina rehetra.
\v 34 Notanan'izy ireo am-ponja izy satria mbola tsy voalaza izay tokony natao taminy.
\s5
\v 35 Dia nilaza tamin'i Mosesy i Yaveh hoe: "Aoka ho vonoina tokoa ilay lehilahy. Aoka ny fiaraha-monina rehetra hitora-bato azy any ivelan'ny toby."
\v 36 Koa nitondra azy ivelan'ny toby ny fiaraha-monina rehetra ary nitora-bato azy ho faty araka izay efa nandidian'i Yaveh an'i Mosesy.
\s5
\v 37 Mbola niresaka tamin'i Mosesy indray i Yaveh. Hoy Izy:
\v 38 "Miresaha amin'ny taranak'Israely ary mandidia azy ireo mba hanao somitr'aviavy ho an'ny tenan'izy ireo hiraviravy avy eo amin'ny moron'akanjon'izy ireo, mba hampiraviravy azy ireo isaky ny morony amin'ny tady mangamanga. Aoka hanao izany izy ireo mandritra ny taranaky ny vahoakany.
\v 39 Ho fampahatsiahivana manokana ho anareo ireo didiko rehetra izany, mba hanatanteraka azy ireo ka tsy hijerenareo manokana ny fonareo sy ny masonareo ka hivarotanareo tena amin'izy ireo.
\s5
\v 40 Ataovy izany mba hahatsiarovanareo sy hankatoavanareo ny didiko rehetra, ary mba ho masina ianareo, natokana ho Ahy, Andriamanitrareo.
\v 41 Izaho no Yaveh Andriamanitrareo, izay nitondra anareo nivoaka ny tany Egypta, mba ho lasa Andriamanitrareo. Izaho no Yaveh Andriamanitrareo."
\s5
\c 16
\p
\v 1 Ary Kora no zanaka lahin'i Jizara zanaka lahin'i Kehata zanaka lahin'i Levy, miaraka amin'i Datana sy Abirama zanaka lahin'i Eliaba, sy Ona zanak'í Peleta, taranak'i Robena, dia nampivory lehilahy sasan-tsasany.
\v 2 Nitsangana hanohitra an'i Mosesy izy ireo, ka niaraka tamin'ireo lehilahy hafa avy tamin'ny vahoakan'Israely, mpitarika fiangonana dimampolo sy roanjato izay mpikambana fanta-daza teo amin'ny fiangonana.
\v 3 Niara-niangona izy ireo mba hifanandrina amin'i Mosesy sy Arona. Hoy izy ireo taminy: "Lasa lavitra loatra ianareo! Fa voatokana ny fiangonana rehetra, ny tsirairay amin'izy ireo, ary Yaveh dia eo amin'izy ireo. Nahoana no manandratra ny tenanareo eo amin'ny ambin'ny fiangonan'i Yaveh ianareo?"
\s5
\v 4 Rehefa ren'i Mosesy izany, dia nampiankohoka ny tavany izy.
\v 5 Niteny tamin'i Kora sy ireo rehetra izay niaraka taminy izy hoe: "Amin'ny maraina dia hampahafantarin'i Yaveh ireo izay Azy sy ireo izay voatokana ho Azy. Hoentiny ho eo akaikiny izany olona izany. Ny iray izay voafidiny dia hoentiny hanakaiky ny tenany.
\s5
\v 6 Ataovy izao, ry Kora sy ny tariny rehetra. Alaivo ny fitondran'afo
\v 7 rahampitso ary asio sy afo sy ditin-kazo manitra anatin'izany eo anoloan'i Yaveh. Ny iray izay fidian'i Yaveh, dia ho voatokana ho an'i Yaveh izany olona izany. Lasa lavitra loatra ianao, ry taranak'i Levy."
\s5
\v 8 Dia hoy indray Mosesy tamin'i Kora hoe: "Ankehitriny mihainoa, ianareo ry taranak'i Levy:
\v 9 moa zavatra kely aminareo ve ny nampisarahan'Andriamanitra anareo tamin'ny fiangonan'Israely, mba hitondra anareo akaikin'ny tenany, mba hanao ny asany ao amin'ny tabernakelin'i Yaveh, ary hijoro eo anoloan'ny fiangonana mba hanompo azy ireo?
\v 10 Nitondra anao akaiky Izy, sy ireo rahalahinao rehetra, taranak'i Levy, miaraka aminao, nefa mbola mitady ny fisoronana ihany koa ianareo!
\v 11 Noho izany no nivondronanareo sy ny tarinao hanohitra an'i Yaveh. Ka nahoana ianareo no mitaraina mahakasika an'i Arona, izay mankatoa an'i Yaveh?"
\s5
\v 12 Ary Mosesy niantso an'i Datana sy Abirama, zanaka lahin'i Eliaba, fa niteny izy ireo hoe: "Tsy hiakatra izahay.
\v 13 Zavatra kely aminao angaha ny nitondranao anay niakatra nivoaka ny tany tondra-dronono sy tantely, mba hamono anay any an'efitra? Ankehitriny dia maniry ny tenanao hanapaka eo aminay ianao!
\v 14 Ho fanampin'izany, tsy nitondra anay tany amin'ny tany tondra-dronono sy tantely Ianao, na nanome anay ireo saha sy tanim-boaloboka ho lova. Ankehitriny dia maniry hahajamba anay amin'ireo fampanantenana foana ve Ianao? Tsy ho any aminao izahay."
\s5
\v 15 Tezitra mafy i Mosesy ary niteny tamin'i Yaveh hoe: "Aza manaiky ny fanatiny. Tsy naka na apondra iray tamin'izy ireo aho, ary tsy nanisy ratsy na ny iray tamin'izy ireo aza."
\v 16 Ary niteny tamin'i Kora i Mosesy hoe: "Rahampitso dia tsy maintsy handeha eo anatrehan'i Yaveh ianao sy ny tarikao—ianao sy izy ireo, ary Arona.
\v 17 Samia maka ny fitondran'afony ianareo tsirairay ary manisy ny ditin-kazo manitra ao amin'izany. Avy eo dia aoka hitondra ny fitondran'afony eo anoloan'i Yaveh avy ny tsirairay, fitondran'afo dimam-polo sy roan-jato. Ianao sy Arona, ihany koa, dia aoka hitondra ny fitondran'afonareo tsirairay."
\s5
\v 18 Ka dia naka ny fitondran'afony ny olona tsirairay, nandrehitra afo tamin'izany, ary nitsangana teo amin'ny fidiran'ny trano-lay fihaonana niaraka tamin'i Mosesy sy Arona.
\v 19 Nampivory ireo fivondronana rehetra manohitra an'i Mosesy sy Arona teo amin'ny fidiran'ny trano-lay fihaonana i Kora, ary niseho tamin'ny fivondronana rehetra ny voninahitr'i Yaveh.
\s5
\v 20 Dia niresaka tamin'i Mosesy sy Arona i Yaveh hoe:
\v 21 "Saraho amin'ity fiangonana ity ny tenanareo mba hahafahako mandevona azy ireo avy hatrany."
\v 22 Niankohoka i Mosesy sy Arona ary niteny hoe: "Andriamanitra, Andriamanitry ny fanahin'ny olombelona rehetra, raha manota ny olona iray, dia ho tezitra amin'ny fiangonana rehetra ve ianao?
\s5
\v 23 Namaly an'i Mosesy i Yaveh.
\v 24 Hoy Izy hoe: "'Mitenena amin'ny fivondronana. Mitenena hoe: "Mialà amin'ny lain'i Kora, Datana, ary Abirama."
\s5
\v 25 Dia niainga i Mosesy ary nankany Datana sy Abirama; ireo loholon'Israely dia nanaraka azy.
\v 26 Niresaka tamin'ny fivondronana izy ka niteny hoe: "Ankehitriny dia mialà amin'ireo lain'ny ratsy fanahy ary aza mikitika na inona na inona ny azy ireo, fandrao ho levona amin'ny alalan'ireo fahotany rehetra ianao."
\v 27 Koa nandao azy ireo tamin'ny zoron'ireo lain'i Kora, Datana, ary Abirama ny fivondronana. Nivoaka i Datana sy Abirama ary nitsangana teo amin'ny fidiran'ny lain'izy ireo, niaraka tamin'ireo vadiny, zanaka lahy, ary ireo madininy.
\s5
\v 28 Ary niteny i Mosesy hoe: "Amin'izao no ahafantaranareo fa Yaveh no naniraka ahy hanao ireo asa rehetra, fa tsy nanao ireny tamin'ny saiko ihany aho.
\v 29 Raha maty amin'ny fahafatesana voajanahary tahaka ny zava-misy ara-dalàna ireny olona ireny, dia tsy nandefa ahy i Yaveh.
\v 30 Fa raha mamorona fisokafana amin'ny tany izay mitelina azy ireo ao tahaka ny vava lehibe i Yaveh, miaraka amin'ireo fianakaviany rehetra, ary raha midina velona any amin'ny fiainan-tsy hita izy ireo, dia aoka ho fantatrao fa ireny olona ireny dia nanao tsinontsinona an'i Yaveh."
\s5
\v 31 Raha mbola tsy tapitra ny fitenenan'i Mosesy ireo teny rehetra ireo, dia nisokatra teo ambanin'ireo lehilahy ireo ny tany.
\v 32 Nanokatra ny vavany ny tany ary nitelina azy ireo, ireo fianakaviany, ary ireo olona rehetra izay an'i Kora, ary koa ireo fananany rehetra.
\s5
\v 33 Dia latsaka velona tany amin'ny fiainan-tsy hita izy ireo sy ireo rehetra tao amin'ireo fianakaviany. Nikatona teo ambonin'izy ireo ny tany, ary tamin'izany no nahafongotra azy ireo teo afovoan'ny fivondronana.
\v 34 Ireo Israely rehetra manodidina azy ireo dia nandositra tamin'ireo hiakiakany. Nihiaka izy ireo hoe: "Mety hitelina antsika ihany koa ny tany!"
\v 35 Dia nitselatra ny afo avy tamin'i Yaveh ary nandrapaka ireo 250 olona izay nanolotra ditin-kazo manitra.
\s5
\v 36 Dia niresaka tamin'i Mosesy indray i Yaveh ary niteny hoe:
\v 37 "Miresaha amin'i Eleazara zanaka lahin'i Arona mpisorona ary aoka izy hamono ny afo amin'ny fandorana ny ditin-kazo manitra, fa ny fitondran'afo dia voatokana ho ahy. Dia avelao izy hampiely ny vain'afo any alavitra.
\v 38 Alaivo ireo fitondran'afon'ireo izay namoy ny ainy nohon'ny fahotany. Aoka ireny ho atao lovia voatefy mba ho fandrakofana ny alitara. Nanolotra ireny teo anoloako ireny olona ireny, ka voatokana ho Ahy ireny. Ho famantarana ny fisiako amin'ireo vahoakan'Israely ireo.
\s5
\v 39 Naka ireo fitondran'afo varahina i Eleazara mpisorona izay nampiasain'ireo olona izay may, ary dia notefena ho fandrakofana ho an'ny alitara ireo,
\v 40 mba ho fampahatsiahivana ho an'ireo vahoakan'Israely, mba tsy hisy vahiny izay tsy taranaka avy amin'i Arona ho avy handoro ditin-kazo manitra manoloana an'i Yaveh, ka tsy ho tonga tahaka an'i Kora sy ny tariny izy ireo—araka izay efa nandidian'i Yaveh tamin'ny alalan'i Mosesy.
\s5
\v 41 Fa ny ampitso maraina dia nitaraina tamin'i Mosesy sy Arona ny fivondronan'ny vahoakan'Israely rehetra. Hoy izy ireo hoe: "Novonoinareo ny vahoakan'i Yaveh."
\v 42 Ary niseho izany, rehefa nivory hanohitra an'i Mosesy sy Arona ny fivondronana rehetra, raha nijery tao amin'ny trano-lay fihaonana izy ireo, ary, indro, nandrakotra izany ny rahona. Niseho ny voninahitr'i Yaveh,
\v 43 ary Mosesy sy Arona dia nankeo anoloan'ny trano-lay fihaonana.
\s5
\v 44 Dia niteny tamin'i Mosesy i Yaveh. Hoy Izy:
\v 45 "Mialà lavitra tsy ho eo anoloana an'io fivondronana io mba hahafahako mandevona azy avy hatrany." Dia nampiondrika ny tavany tamin'ny tany i Mosesy sy Arona.
\v 46 Hoy i Mosesy tamin'i Arona: "Alaivo ny fitondran'afo, asio afo avy eo amin'ny alitara, asio ditin-kazo manitra ao anatin'izany, ento faingana any amin'ny fivondronana izany, ary manaova fanavotana ho azy ireo, satria tonga avy amin'i Yaveh ny fahatezerana. Niatomboka ny areti-mandringana."
\s5
\v 47 Dia nanao araka izay natoron'i Mosesy i Arona. Nihazakazaka ho eo afovoan'ny fivondronana izy. Efa nanomboka niparitaka faingana teo amin'ny olona ny areti-mandringana, koa nampidiriny ny ditin-kazo manitra ka nanao fanavotana ho an'ny olona izy.
\v 48 Nitsangana teo anelanelan'ny velona sy ny maty i Arona; ka tamin'izany dia nitsahatra ny areti-mandringana.
\s5
\v 49 Ireo izay matin'ny areti-mandringana dia 14 700, ankoatra ireo izay maty nohon'ny amin'i Kora.
\v 50 Niverina tany amin'i Mosesy teo amin'ny fidiran'ny trano-lay fihaonana i Arona, dia nitsahatra ny areti-mandringana.
\s5
\c 17
\p
\v 1 Niresaka tamin'i Mosesy Yaveh.
\v 2 Hoy Izy hoe: "Miresaha amin'ny vahoakan'Isarely ary makà tehina avy amin'izy ireo, iray isaky ny tsirairay amin'ireo fokon-drazana, dia tehina roa ambin'ny folo. Soraty eo amin'ny tehiny avy ny anaran'ny olona tsirairay.
\s5
\v 3 Aoka ho soratanao eo amin'ny tehin'i Levy ny anaran'i Arona. Tsy maintsy misy tehina iray avy amin'ny fokon-drazany ho an'ny mpitarika tsirairay.
\v 4 Tsy maintsy apetrakao ao amin'ny trano-lay fihaonana eo anoloan'ny lalàn'ny fanekena, izay hihaonako aminao ireo thehina.
\v 5 Ary ny tehin'ny olona izay fidiako dia hitsimoka. Hatsahatro ny fitarainana avy amin'ireo olona, izay ambarany hanoherana anao."
\s5
\v 6 Koa dia niteny tamin'ireo vahoakan'Israely i Mosesy. Nanome tehina azy avokoa ireo mpitarika ara-poko, tehina iray avy ho an'ireo mpitarika tsirairay, izay notendrena avy amin'ny fokon-drazana isan'isany, tehina roa ambin'ny folo no fitambarany. Tao anatin'izany ny tehin'i Arona.
\v 7 Avy eo dia napetrak'i Mosesy teo anatrehan'i Yaveh tao amin'ny lain'ny lalàn'ny fanekena ireo tehina.
\s5
\v 8 Ny ampitso dia niditra tao amin'ny lain'ny lalàn'ny fanekena i Mosesy, ary indro, naniry ny tehin'i Arona ho an'ny fokon'i Levy. Naniry kibory izany ary namoa felany sy amygdala!
\v 9 Nentin'i Mosesy nivoaka tsy ho eo anatrehan'i Yaveh ho eo amin'ny vahoakan'Israely manontolo ireo tehina rehetra, ary samy naka ny tehiny avy ny olona tsirairay.
\s5
\v 10 Hoy Yaveh tamin'i Mosesy: "Apetraho eo anoloan'ny lalàn'ny fanekena ny tehin'i Arona. Tehirizo ho famantaran-keloka hanohitra ireo olona izay nikomy izany mba hanatsaharanao ny fitarainana manohitra Ahy, raha tsy izany dia ho faty izy ireo."
\v 11 Nanao araka izay nandidian'i Yaveh azy i Mosesy.
\s5
\v 12 Niteny tamin' i Mosesy ny vahoakan'Israely ka niteny hoe: "Ho faty aty isika. Ho ringana avokoa isika rehetra!
\v 13 Izay rehetra miakatra, izay manatona ny tabernakelin'i Yaveh, dia ho faty. Dia tsy maintsy ho faty ve isika rehetra?"
\s5
\c 18
\p
\v 1 Hoy Yaveh tamin'i Arona: "Ianao, ireo zanakao, ary ireo fokon-drazanao dia ho tompon'andraikitra amin'ireo fahotana rehetra vita tamin'ny fitoerana masina. Fa ianao sy ireo zanakao irery ihany no ho tompon'andraikitra amin'ireo fahotana rehetra nataon'ny olona tao amin'ny fisoronana.
\v 2 Tahaka ny amin'ireo mpiara-mikambana aminao amin'ny fokon'ny Levy, ireo fokon-drazanao, dia aoka ho entinao miaraka aminao izy ireo mba hahazoan'izy ireo manantona anao sy manampy anao rehefa manompo eo anoloan'ny lain'ny lalàn'ny fanekena ianao sy ireo zanakao.
\s5
\v 3 Aoka hanompo anao sy ny lay manontolo izy ireo. Kanefa, aoka izy ireo tsy hanakaiky ireo zavatra ao amin'ny fitoerana masina na mifandray amin'ny alitara, fa ho faty izy ireo sy ianao koa.
\v 4 Aoka hamonjy anao izy ireo ary hikarakara ny trano-lay fihaonana, ho an'ny asa rehetra mifandray amin'ny lay. Aoka tsy hanatona eo akaikinao ireo vahiny.
\v 5 Aoka ianao handray andraikitra ho an'ny fitoerana masina ary ho an'ny alitara mba tsy hiavian'ny fahatezerako eo amin'ireo zanak'Israely indray.
\s5
\v 6 Indro, Izaho mihitsy no efa nisafidy ireo Levita mpiara-mikambana aminao avy amin'ireo taranak'Israely. Fanomezana ho anao izy ireo, efa nomena Ahy mba hanao ny asa mifandraika amin'ny trano-lay fihaonana.
\v 7 Saingy ianao sy ireo zanakao no mety hanao ny fisoronana momba ny zavatra rehetra mifandray amin'ny alitara sy ny zavatra rehetra anatin'ny lamba. Ianareo ihany no aoka hameno ireo andraikitra ireo. Homeko anao ho fanomezana ny fisoronana. Izay vahiny manatokatona dia aoka ho vonoina."
\s5
\v 8 Dia hoy Yaveh tamin'ny Arona: "Indro, efa nomeko anao ny adidy fikirakirana ireo fanatitra asandratra Amiko, sy ireo fanatitra masina izay omen'ny zanak'Israely Ahy. Efa nomeko anao sy ireo zanakao ho anjaranao ireo fanatitra ireo.
\v 9 Ireto no tena zavatra masina, voaaro amin'ny afo: avy amin'ireo fanatitr'izy ireo rehetra—ny fanatitra hohanina rehetra, ny fanatitra nohon'ny ota rehetra, ary ny fanatitra nohon'ny heloka rehetra—tena masina ho anao sy ho an'ireo zanakao ireo.
\s5
\v 10 Tena masina tokoa ireo fanatitra ireo; aoka hihinana izany ny lehilahy rehetra, fa masina ho anao ireo.
\v 11 Ireto avy ny fanatitra izay ho anao: ireo fanomezan'izy ireo, ireo fanatitra ahevahevan'ny zanak'Israely rehetra. Efa nomeko anao izy ireo, ireo zanakao lahy, sy ireo zanakao vavy, ho anjaranao. Ny rehetra izay madio amin'ny fombafomba ao amin'ny ankohonanao dia mahazo mihinana amin'ireo fanatitra ireo.
\s5
\v 12 Ny tsara indrindra amin'ny menaka, ny tsara indrindra amin'ny divay vaovao sy ny vary, ny voaloam-bokatra izay omen'ny olona ahy—ireo zavatra rehetra dia efa nomeko anao.
\v 13 Ireo vokatr'izany rehetra izany matoy voalohany izay eo amin'ny tanin'izy ireo, dia izay entin'izy ireo aty Amiko, dia ho lasanao. Izay rehetra madio ao amin'ny ankohonanao dia mahazo mihinana ireny zavatra ireny.
\s5
\v 14 Ny zavatra rehetra voatokana ao Israely dia ho lasanao avokoa.
\v 15 Ny zavatra rehetra izay manokatra ny vohoka, ny voalohan-teraka rehetra izay atolotry ny olona an'i Yaveh, ny olona sy ny biby mitambatra, dia ho lasanao avokoa. Na dia izany aza, aoka ny olona hividy ny zanaka lahy voalohan-teraka rehetra indray, ary aoka izy ireo hividy indray ny lahy voalohan-terak'ireo biby maloto.
\v 16 Ireo izay voavidin'ny olona indray dia aoka hamerina hividy aorian'ny faha iray volana. Avy eo dia afaka mividy azy ireo indray ny olona, amin'ny vidiny sekely dimy, araka ny karazan-danjan'ny sekely fitoerana masina, izay mitovy amin'ny zeraha roapolo.
\s5
\v 17 Fa ny voalohan-teraky ny omby vavy, na ny voalohan-teraky ny ondry, na ny voalohan-teraky ny osy —aoka tsy haverinareo ho vidiana ireo biby ireo; fa voatokana ho Ahy ireny. Aoka hamafy ny ràn'ireny eo amin'ny alitara ianao ary handoro ny jaboran'izy ireo ho fanatitra natao tamin'ny afo, hanitra ankasitrahan'i Yaveh.
\v 18 Ny henan'izy ireo dia ho anao. Tahaka ny tratra sy ny fe ankavanana nasandratra, dia ho anao ny henan'izy ireo.
\s5
\v 19 Ny fanatitra masina rehetra izay atolotry ny olona amin'i Yaveh, dia efa nomeko anao, sy ireo zanakao lahy ary ireo zanakao vavy miaraka aminao, ho zara mithohitohy. Fanekena maharitra mandrakizay amin'ny sira izany, fanekena mamatotra mandrakizay, eo anatrehan'i Yaveh ho anao sy ireo taranakao miaraka aminao."
\v 20 Hoy Yaveh tamin'i Arona: "Tsy hanana lova ao amin'ny tanin'ny vahoaka ianao, na hanan-jara amin'ny fananana eo amin'ny vahoaka. Izaho no anjaranao sy lovanao eo amin'ny vahoakan'Israely.
\s5
\v 21 Ho an'ny taranak'i Levy, indro, efa nanome ireo ampahafolon-karena rehetra ao Israely ho lovan'izy ireo ho valin'ny ny asa izay omen'izy ireo amin'ny fiasana ao amin'ny trano-lay fihaonana Aho.
\v 22 Manomboka izao dia aoka ny vahoakan'Israely tsy ho avy anakaiky ny trano-lay fihaonana, fa ho tompon'andraikitra amin'izany fahotana izany izy ireo ary ho faty.
\s5
\v 23 Aoka ireo Levita hanao ny asa mifandraika amin'ny trano-lay fihaonana. Ho tompon'andraikitra amin'ny fahotana manodidina izany izy ireo. Ho lalàna maharitra manerana ireo taranaky ny vahoakanao izany. Aoka tsy hanan-dova eo amin'ireo zanak'Israely izy ireo.
\v 24 Satria ny ampahafolon-karen'ny vahoakan'Israely, izay natolotr'izy ireo ho ny fandraisana anjara aty Amiko—ireo no efa nomeko an'ireo Levita ho lovan'izy ireo. Izany no nilazako tamin'izy ireo hoe: 'Aoka tsy hanana lova eo amin'ireo zanak'Israely izy ireo.'"
\s5
\v 25 Yaveh niresaka tamin'i Mosesy ary nanao hoe:
\v 26 "Aoka ianao hiresaka amin'ireo Levita ary hilaza amin'izy ireo hoe: 'Rehefa mandray ny ampahafolo izay avy amin'ny zanak'Israely izay efa nomeko anao avy amin'izy ireo ho lovanao ianao, dia haneho fandraisana anjara avy amin'izany ho an'i Yaveh, ampahafolony amin'ny fahafolon-karena.
\v 27 Ny fandraisanao anjara dia aoka ho raisinao tahaka ny hoe ampahafolon'ny voa avy amin'ny fikororohana na ny famokarana avy amin'ny famiazam-boaloboka izany.
\s5
\v 28 Koa aoka ihany koa ianao hanao fandraisana anjara amin'i Yaveh avy amin'ny ampahafolon-karena izay raisinao avy amin'ny vahoakan'Israely. Fa avy amin'izy ireo no tsy maintsy hanomezanao ny anajarany ho an'i Arona mpisorona.
\v 29 Ankoatra ny fanomezana rehetra raisinao, aoka hanao fandraisana anjara amin'i Yaveh ianao. Aoka hanao izany ianao avy amin'ny zavatra tsara sy masina indrindra rehetra izay efa nomena anao.'
\s5
\v 30 Noho izany dia aoka ianao hilaza amin'izy ireo hoe: 'Rehefa manolotra ny tsara indrindra amin'izany ianareo, dia aoka hisaina ho an'ireo Levita ho toy vokatra avy amin'ny fikororohana sy ny famiazam-boaloboka izany.
\v 31 Dia mahazo mihinana ny ambin'ny fanomezanareo amin'ny toerana rehetra ianareo, ianareo sy ny ankohonanareo, satria izany no karamanareo ho tambin'ny asanareo tao amin'ny trano-lay fihaonana.
\v 32 Tsy ho meloka amin'izay heloka tamin'ny fihinana sy fisotroana izany ianareo, raha tsy efa nampiseho tamin'i Yaveh ny tsara indrindra avy amin'izay efa noraisinareo. Fa aoka ianareo tsy haniratsira ireo fanatitra masin'ny vahoakan'Israely, raha tsy izany dia ho faty ianareo."'
\s5
\c 19
\p
\v 1 Niteny tamin'i Mosesy sy Arona i Yaveh. Hoy Izy hoe:
\v 2 "Izao no lalàna, lalàna izay andidiako anareo: Lazao ny vahoakan'ny Israely fa tokony hitondra ombivavy kely mena tsy misy kilema eo aminareo izy ireo, ary izay tsy mbola nasiana zioga.
\s5
\v 3 Omeo an'i Eleazara mpisorona ny ombivavy kely. Hitondra izany any ivelan'ny toby izy, ary hisy olona hamono izany eo anoloany.
\v 4 Eliazara mpisorono dia haka kely amin'ny ràn'izany amin'ny tanany ary hamafy izany impito eo alohan'ny trano-lay fihaonana.
\v 5 Ny mpisorona hafa dia handoro ny ombivavikely eo imasony. Handoro ny hodiny, ny nofony, ary ny ràny miaraka amin'ny tainy izy.
\v 6 Aoka ny mpisorona haka hazo sedera, hysopa, sy volon'ondry mena, ary hanipy izany eo afovoan'ilay ombivavikely mirehitra.
\s5
\v 7 Avy eo dia tsy maintsy manasa ny akanjony sy mandro amin'ny rano izy. Ary mba ho afaka hankeo an-toby, izay hitoerany maloto mandra-pahariva ny andro izy.
\v 8 Izay nandoro ny ombivavy kely dia hanasa ny akanjony amin'ny rano ary handro amin'ny rano. Hitoetra maloto mandra-pahariva ny andro izy.
\s5
\v 9 Ny olona izay madio dia hanangona ireo lavenon'ny ombivavy kely ary hametraka izany eo amin'ny toerana madio ivelan'ny toby. Ireo lavenona ireo dia hotehirizina ho an'ny fiarahamonin'ny vahoakan'ny Israely. Hanafangaro ireo lavenona amin'ny rano fanadiovana amin'ny fahotana izy ireo, satria ny lavenona dia avy amin'ny fanatitra noho ny ota.
\v 10 Izay nanangona ny lavenon'ny ombivavy kely dia hanasa ny akanjony. Hitoetra maloto mandra-pahariva Izy. Izany dia ho lalàna maharitra ho an'ny vahoakan'Israely ary ho an'ireo vahiny izay mitoetra miaraka amin'izy ireo.
\s5
\v 11 Na iza na iza mikasika fatin'olona dia haloto mandritra ny fito andro.
\v 12 Izany olona izany dia tsy maintsy manadio ny tenany amin'ny andro fahatelo sy amin'ny andro fahafito. Dia hadio izy. Fa raha tsy manadio ny tenany amin'ny andro fahatelo izy, dia tsy hadio izy amin'ny andro fahafito.
\v 13 Na iza na iza mikasika fatin'olona, ny vatan'ny olona izay efa maty, ary tsy manadio ny tenany—izany olona izany dia mandoto ny tabernakelin'i Yaveh. Izany olona izany dia hofongorina eo amin'Israely satria tsy nafafy taminy ny rano ho an'ny fahalotoana. Hitoetra maloto izy; ny fahalotoany dia hitoetra aminy.
\s5
\v 14 Izao no lalàna raha misy olona maty ao an-day. Izay rehetra mankao amin'ny lay sy izay rehetra efa tao amin'ny lay dia haloto mandritra ny fito andro.
\v 15 Ny fitoeran-javatra misokatra rehetra tsy misy fonony dia haloto.
\v 16 Toy izany koa, na iza na iza any ivelan'ny lay ka mikasika olona izay matin-tsabatra, na fatin'olona hafa, na taolan'olona, na fasana—izany olona izany dia haloto mandritra ny fito andro.
\s5
\v 17 Ataovy ho an'ny olona maloto izao: Makà lavenona avy amin'ny fanatitra dorana nohon'ny ota ary afangaroy ao anaty siny miaraka amin'ny rano ireo.
\v 18 Ny olona izay madio dia haka hysopa, androboka izany ao anaty rano, ka hamafy izany eo amin'ny lay, eo amin'ny fitoeran-javatra rehetra ao anatin'ny lay, amin'ireo olona izay eo, ary amin'izay rehetra nikasika ny taolana, izay voavono, izay maty, na ny fasana.
\v 19 Amin'ny andro fahatelo sy amin'ny andro fahafito, ny olona madio dia hamafy izany amin'ny olona maloto. Amin'ny andro fahafito ny olona maloto dia hanadio ny tenany. Hanasa ny akanjony sy handro amin'ny rano izy. Hadio izy amin'ny hariva.
\s5
\v 20 Fa izay rehetra mitoetra maloto, izay mandà tsy hanadio ny tenany—izany olona izany dia hofongorana eo amin'ny fiarahamonina, nohon'ny fandotoany ny fitoerana masin'i Yaveh. Tsy nafafy taminy ny rano ho an'ny fahalotoana; hitoetra maloto izy.
\v 21 Ho lalàna mitohy mahakasika ireo toe-javatra ireo izany. Izay mamafy ny ranon'ny fahalotoana dia hanasa ny akanjony. Izay mikasika ny ranon'ny fahalotoana dia haloto mandra-pahariva.
\v 22 Na inona na inona kasihin'ny olona maloto dia haloto izany. Ny olona izay mikasika izany dia haloto mandra-pahariva."
\s5
\c 20
\p
\v 1 Ary ny vahoakan'Israely, ny vondrona manontolo, dia nankany an'efitry ny Zina tamin'ny volana voalohany; nijanona tao Kadesy izy ireo. Tany Miriama no maty sy nalevina.
\s5
\v 2 Tsy nisy rano ho an'ny vondrona, ary niara-niangona hanohitra an'i Mosesy sy Arona izy ireo.
\v 3 Nitaraina tamin'i Mosesy ny vahoaka. Hoy izy ireo hoe: "Tsara kokoa raha maty toy ny Israelita namanay maty teo anatrehan'i Yaveh izahay!
\s5
\v 4 Nahoana no nentinao mba ho faty aty amin'ity efitra ity ny fivondronan'i Yaveh, dia izahay sy ny biby fiompinay?
\v 5 Nahoana ianao no nampiakatra anay nivoaka avy tany Egypta nitondra anay amin'ity toerana mahatsiravina ity? Indro tsy misy voa, aviavy, voaloboka, na apongaben-danitra eto, ary tsy misy rano ho sotroina."
\s5
\v 6 Ary niala teo anatrehan'ny fivondronana i Mosesy sy Arona. Niditra teo amin'ny fidiran'ny trano-lay fihaonana izy ireo ary niankohoka. Ary niseho tamin'izy ireo tao ny famirapiratan'ny voninahitr'i Yaveh.
\s5
\v 7 Niresaka tamin'i Mosesy i Yaveh ary nanao hoe:
\v 8 "Alaivo ny tehina ary vorio ny fivondronana, ianao, sy Arona rahalahinao. Mitenena amin'ny vatolampy eo imason'izy ireo, ary mandidia mba hiboiboika rano izany. Hamokatra rano ho azy ireo avy ao amin'ny vatolampy ianao, ary tsy maintsy omenao ny fivondronana sy ireo biby fiompiny mba hosotroiny izany."
\v 9 Noraisin'i Mosesy avy teo anoloan'i Yaveh ny tehina, araka ny nandidian'i Yaveh azy mba hatao.
\s5
\v 10 Dia namory ny vahoaka teo anoloan'ny vatolampy i Mosesy sy Arona. Hoy i Mosesy tamin'izy ireo: "Ankehitriny mihainoa, ianareo mpikomy. Moa ve tsy maintsy hamoaka rano avy amin'ity vatolampy ity ho anareo izahay?"
\v 11 Dia nanangana ny tanany i Mosesy ary nikapoka indroa ny vatolampy tamin'ny tehina, ka rano be no nivoaka. Nisotro ny fivondronana, sy ireo biby fiompiny.
\s5
\v 12 Ary hoy i Yaveh tamin'ny Mosesy sy Arona: "Satria tsy natoky na nanome voninahitra Ahy ho masina teo imason'ny vahoakan'Israely ianareo, dia tsy hitondra ny fiangonana any amin'ny tany izay efa nomeko azy ireo ianareo."
\v 13 Ity toerana ity dia nantsoina hoe ranon'i Meriba satria ny vahoakan'Israely dia nifanditra tamin'i Yaveh teo, ary nampiseho ny tenany tamin'izy ireo ho masina Izy.
\s5
\v 14 Naniraka mpitondra hafatra avy tao Kadesy ho any amin'ny mpanjakan'i Edoma i Mosesy: Izao no lazain'Israely rahalahinao: "Fantatrao ny ady sarotra izay efa nanjo anay.
\v 15 Fantatrao fa nidina tany Egypta ireo razanay ary nitoetra tao Egypta nandritra ny fotoana ela. Nitondra anay tamin'ny fahasiahana sy ireo razanay ihany koa ireo Egyptiana.
\v 16 Rehefa niantso mafy an'i Yaveh izahay, dia nandre ny feonay Izy ka nandefa anjely ary nitondra anay nivoaka avy tao Egypta. Indro, aty Kadesy izahay, tanàna iray eto amin'ny faritry ny taninao.
\s5
\v 17 Mangataka aminao aho ny mba hamelanao anay handalo eo amin'ny taninao. Tsy handalo amin'ny saha na tanim-boaloboka, na hisotro ny rano ao amin'ireo lava-dranonao izahay. Handeha eny amin'ny lalamben'ny mpanjaka izahay. Tsy hivily hiankavanana na hiankavia izahay mandra-pahatonganay eny amin'ny sisin-taninao."
\s5
\v 18 Fa ny mpanjakan'i Edoma namaly azy hoe: "Tsy mahazo mandalo eto ianareo. Raha mandalo ianareo, dia ho avy miaraka amin'ny sabatra hanafika anareo aho."
\v 19 Ary ny vahoakan'Israely nanao taminy hoe: "Hamakivaky ny lalam-be izahay. Raha misotro ny ranonao izahay na ny biby fiompinay, dia honeranay izany. Avelao fotsiny izahay mba handeha tongotra, fa tsy anao zavatra hafa."
\s5
\v 20 Fa ny mpanjakan'i Edoma namaly hoe: "Tsy mahazo mandalo ianareo." Ka tonga namely an'Israely ny mpanjakan'i Edoma niaraka tamin'ny tana-maherin'ireo miaramila maro be.
\v 21 Nandà ny hamela ny Israely hiampita teo amin'ny sisitan'izy ireo ny mpanjakan'i Edoma. Noho izany, dia nivily tamin'ny tanin'i Edoma ny Israely.
\s5
\v 22 Koa niala tao Kadesy ny vahoaka. Ny vahoakan'Israely, ny fivondronana manontolo, nankany an-Tendrombohitra Hora.
\v 23 Niresaka tamin'i Mosesy sy Arona tao an-Tendrombohitra Hora i Yaveh, eo amin'ny sisitanin'i Edoma. Hoy Izy:
\v 24 "Tsy maintsy hampiarahana amin'ny vahoakany i Arona, fa tsy hiditra amin'ny tany izay efa nomeko ny vahoakan'Israely izy. Izany dia satria samy nikomy nanohitra ny teniko tao amin'ny ranon'i Meriba ianareo.
\s5
\v 25 Alaivo i Arona sy Eleazara zanany lahy, ary ento miakatra any an-Tendrombohitra Hora izy ireo.
\v 26 Esory amin'i Arona ireo akanjo fisoronana ka ampanaovy an'i Eleazara zanany. Tsy maintsy ho faty Arona ary hampiarahina amin'ny vahoakany any."
\s5
\v 27 Nanao araka izay nandidian'i Yaveh i Mosesy. Niakatra tany an-Tendrombohitra Hora teo imason'ny fivondronana rehetra izy ireo.
\v 28 Nesorin'i Mosesy ny akanjo fisoronan'i Arona ary nampanaoviny an'i Eleazara zanany ireo. Maty teo an-tampon-tendrombohitra i Arona. Ary nidina i Mosesy sy Eleazara.
\v 29 Rehefa hitan'ny vondrona rehetra fa maty i Arona, dia nisaona an'i Arona nandritra ny telopolo andro ny firenena manontolo.
\s5
\c 21
\p
\v 1 Rehefa ren'ilay Kananita mpanjakan'i Arada, izay nonina tao Negeva, fa nandeha tany amin'ny lalana mankany Atarima ny Israely, dia niady tamin'Israely izy ary naka ny sasany tamin'izy ireo ho babo.
\v 2 Nivoady tamin'i Yaveh ny Israely ary nanao hoe: "Raha omenao fandresena amin'ireo vahoaka ireo izahay, dia ho potehinay tanteraka ny tanànan'izy ireo."
\v 3 Nihaino ny feon'Israely i Yaveh ary nanome azy ireo ny fandresena an'ireo Kananita. Nopotehin'izy ireo tanteraka izy ireo sy ny tanànany. Nantsoina hoe Horma izany toerana izany.
\s5
\v 4 Niala avy ao an-tendrombohitra Hora nandalo ny lalana mankany amin'ny Ranomasina Mena izy ireo mba handeha hanodidina ny tanin'i Edoma. Niha-kivy tanteraka ny vahoaka teny an-dalana.
\v 5 Niresaka nanohitra an'Andriamanitra sy Mosesy ny vahoaka hoe: "Nahoana izahay no nentinao niakatra hivoaka an'i Egypta mba ho faty aty an'efitra? Tsy misy mofo, tsy misy rano, ary halanay ity sakafo fadiranovana ity."
\s5
\v 6 Avy eo Yaveh nandefa bibilava misy poizina teo amin'ny vahoaka. Nanaikitra ny olona ireo bibilava; maro ny olona maty.
\v 7 Nanatona an'i Mosesy ny vahoaka ary nanao hoe: "Nanota izahay satria niresaka nanohitra anao sy Yaveh. Mivavaha amin'i Yaveh mba hanalany ireo bibilava aminay." Koa dia nivavaka ho an'ny vahoaka i Mosesy.
\s5
\v 8 Hoy Yaveh tamin'i Mosesy hoe: "Manaova bibilava ary hafatory amin'ny hazo lava izany. Izay rehetra voakaikitra dia ho velona, raha mijery izany izy."
\v 9 Koa nanao bibilava varahina Mosesy ary namatotra izany tamin'ny hazo lava. Raha manaikitra olona ny bibilava, raha nijery ilay bibilava varahina izy, dia velona.
\s5
\v 10 Avy eo nandeha ny vahoakan'Israely ary nitoby tao Obota.
\v 11 Nandeha avy tao ary nitoby tany Leabarima tany an'efitra izay manatrika an'i Moaba tandrifin'ny atsinanana izy ireo.
\s5
\v 12 Niala avy tao izy ireo ary nitoby tany amin'ny Lohasahan-driaka Zareda.
\v 13 Niala tao izy ireo ary nitoby tany an-dafin'ny Reniranon'i Arnona, izay any an'efitra izay mihitatra avy any amin'ny fari-tanin'ireo Amorita. Ny Reniranon'i Arnona no fari-tanin'i Moaba, anelanelan'ny Moabita sy ireo Amorita.
\s5
\v 14 Izany no antony hilazana ao amin'ny horonan-taratasin'ny Adin'i Yaveh hoe: "Vaheba any Sofa, ary ireo lohasahan-driakan'i Arnona,
\v 15 ny antsan'ireo lohasahan-driaka izay mitarika mankany amin'ny tanànan'i Ara ary midina mankany amin'ny fari-tanin'i Moaba."
\s5
\v 16 Niala tao izy ireo ary nankany Bera, izay misy ilay fantsakana izay nitenenan'i Yaveh tamin'i Mosesy hoe: "Angony miaraka ny vahoaka mba hanomezako rano azy ireo."
\s5
\v 17 Avy eo nikalo ity hira ity ny Israely: "Miboiboiha, ry fantsakana. Ataovy an-kira izany.
\v 18 Ilay fantsakana izay nohadian'ireo mpitaritsika, ilay fantsakana izay nohadian'ireo manan-kajan'ny vahoaka tamin'ny tehim-panjakana sy tehin'izy ireo." Avy eo dia niala tao an'efitra izy ireo ary nankany Matana.
\s5
\v 19 Niala tao Matana izy ireo ary nankany Nahaliela, ary avy ao Nahaliela nankany Bamota,
\v 20 ary avy ao Bamota nankany amin'ny lohasahan-driakan'ny tany Moaba. Eo an-tampon'ny Tendrombohitra Pisga no hahatazanana ny tany efitra.
\s5
\v 21 Avy eo Israely nandefa mpitondra hafatra tany amin'i Sihona mpanjakan'i Amorita nanao hoe:
\v 22 "Avelao izahay hamakivaky eo amin'ny taninao. Tsy hivily any amin'ny saha rehetra na ny tanim-boaloboka izahay. Tsy hisotro ny rano avy eo amin'ny fantsakanao izahay. Handeha eo amin'ny lalan'ny mpanjaka izahay mandra-piampitanay ny fari-taninao."
\v 23 Fa tsy navelan'i Sihona mpanjaka handalo ny fari-tanin'izy ireo ny Israely. Fa kosa, nanangona ny tafiny i Sihona mpanjaka ary nanafika an'Israely tany an'efitra. Tonga tany Jahaza izy, izay niadiany tamin'Israely.
\s5
\v 24 Nanafika ny tafik'i Sihona tamin'ny lelan-tsabatra ny Israely ary naka ny tanin'izy ireo avy eo Arnona ka hatrany amin'ny renirano Jaboka, hatrany amin'ny tanin'ny vahoakan'i Amona. Ary mafy ny fari-tanin'ny vahoakan'i Amona.
\v 25 Naka ireo tanànan'ny Amorita rehetra ny Israely ary nipetraka tao amin'izy rehetra, isan'izany Hesboba sy ny zana-bohiny rehetra.
\v 26 Hesbona no tanànan'i Sihona mpanjakan'ireo Amorita, izay niady tamin'ny mpanjakan'i Moaba teo aloha. Nalain'i Sihona avokoa ny taniny rehetra hatrany amin'ny fari-taniny ka hatrany amin'ny Reniranon'i Arnona.
\s5
\v 27 Izany no antony hilazan'ireo izay miresaka amin'ny ohabolana hoe: "Avia aty Hesbona. Aoka ilay tanànan'i Sihona ho hatsangana indray ary ho apetraka indray.
\v 28 Nisy afo nandoro avy ao Hesbona, lelafo avy ao an-tanànan'i Sihona izay nandevona an'i Aran'i Moaba, sy ireo tompon'ireo toerana avon'i Arnona.
\s5
\v 29 Loza ho anao, ry Moaba! Ringana ianao, ry olon'i Kemosy. Nataony ho mpandositra ireo zanany lahy ary gadran'i Sihona mpanjakan'ireo Amorita ireo zanany vavy.
\v 30 Fa resinay Sihona. Hesbona dia rava hatrany amin'ny lalana rehetra mankany Dibona. Resinay izy ireo teny amin'ny lalana rehetra mankany Nofa, izay mihazo an'i Medeba."
\s5
\v 31 Koa nanomboka nonina teo amin'ny tanin'ireo Amorita ny Israely.
\v 32 Avy eo Mosesy nandefa olona hijery an'i Jazera. Nalain'izy ireo ny zana-bohiny ary noroahin'izy ireo izay Amorita tao.
\s5
\v 33 Avy eo nivily izy ireo ary niakatra ho any amin'ny lalana mankany Basana. Nivoaka nanohitra azy ireo i Oga mpanjakan'i Basana, izy sy ny tafiny, mba hiady amin'izy ireo any Edrehy.
\v 34 Avy eo Yaveh nilaza tamin'i Mosesy hoe: "Aza matahotra azy, satria nomeko fandresena eo aminy, ny tafiny rehetra, ary ny taniny ianao. Ataovy aminy izay nataonao tamin'i Sihona mpanjakan'i Amorita, izay monina any Hesbona."
\v 35 Koa novonoin'izy ireo izy, ireo zanany lahy, ary ny tafiny rehetra, mandra-pahafatin'ny olony rehetra. Avy eo dia nalain'izy ireo ny taniny.
\s5
\c 22
\p
\v 1 Nandeha mandra-pitobin'izy ireo tao amin'ireo lemak'i Moaba akaikin'i Jeriko, teny ampitan'ny Reniranon'i Jordana miala eo amin'ny tanàna ny vahoakan'Israely.
\s5
\v 2 Nahita izay rehetra nataon'ny Israely tamin'ireo Amorita i Balaka zanak'i Zipora.
\v 3 Natahotra mafy ny vahoakan'ny Israely i Moaba satria maro loatra izy ireo, ka nihorohoro tamin'ny vahoakan'ny Israely i Moaba.
\v 4 Niteny tamin'ireo loholon'ny Midiana ny mpanjakan'ny Moaba hoe: "Hihinana ny rehetra izay manodidina antsika tahaka ny omby mihinam-bilona eny an-tsaha ireo maro ireo." Ary i Balaka zanak'i Zipora no mpanjakan'i Moaba tamin'izany fotoana izany."
\s5
\v 5 Nandefa iraka ho any amin'i Balama zanak'i Beora, tao Petora izay akaikin'ny Reniranon'i Eofrata, tao amin'ny tanin'ny fireneny sy vahoakany izy. Niantso azy izy ka nanao hoe: "Indro, misy firenena avy any Egypta tonga eto. Mandrakotra ny tany izy ireo ary eto akaikiko izao.
\v 6 Ka tongava re ankehitriny ka ozony ho ahy izany firenena izany, satria mahery loatra amiko izy ireo. Angamba mba afaka hanafika azy ireo sy handroaka azy ireo amin'ny tany aho. Fantatro fa na iza na iza tahianao dia ho voatahy, ary na iza na iza hozoninao, dia ho voaozona."
\s5
\v 7 Dia lasa ireo loholon'i Moaba sy ireo loholon'i Midiana, nitondra ny saran'ny sikidy. Tonga teo amin'i Balama izy ireo ka niteny taminy ireo tenin'i Balaka.
\v 8 Hoy Balama tamin'izy ireo: "Mitoera eto anio alina. Hilaza aminareo izay lazain'i Yaveh amiko aho." Dia nitoetra tao amin'i Balama io alina io ireo mpitarik'i Moaba.
\s5
\v 9 Tonga teo amin'i Balama Andriamanitra ka nanao hoe: "Iza ireo lehilahy izay tonga eto aminao ireo?"
\v 10 Namaly an'Andriamanitra i Balama hoe: "Balaka zanak'i Zipora, mpanjakan'i Moaba, no naniraka azy ireo hankaty amiko. Hoy izy:
\v 11 'Indro, ny vahoaka izay tonga avy any Egypta dia mandrakotra ny velaran'ny taniko. Ankehitriny tongava ary ozony izy ireo ho ahy. Angamba hahavita hiady amin'izy ireo sy handroaka azy ireo aho."
\s5
\v 12 Namaly an'i Balama Andriamanitra hoe: "Tsy handeha miaraka amin'ireo lehilahy ireo ianao. Tsy hanozona ny vahoakan'ny Israely ianao satria efa voatahy izy ireo."
\v 13 Nitsangana i Balama ny maraina ka niteny tamin'ireo mpitarik'i Balaka hoe: "Miverena any amin'ny taninareo satria mandà ny hamela ahy hiaraka aminareo Yaveh."
\v 14 Dia lasa ireo mpitarik'i Moaba ka niverina tany amin'i Balaka. Hoy izy ireo: "Nandà tsy hiaraka aminay i Balama."
\s5
\v 15 Naniraka mpitarika maro izay be voninahitra kokoa noho ilay vondrona voalohany indray i Balaka.
\v 16 Tonga tany amin'i Balama izy ireo ka nanao taminy hoe: "Izao no lazain'i Balaka zanak'i Zipora: 'Aoka re tsy hisy na inona na inona hanakana anao tsy hiaraka aminay,
\v 17 satria handoa tsara lavitra sy hanome voninahitra lehibe ho anao aho, ary hanao izay rehetra lazainao ataoko. Koa mba tongava re ka ozony ho ahy izany vahoaka izany.'"
\s5
\v 18 Namaly Balama ka nanao tamin'ireo lehilahin'i Balaka hoe: "Na dia hanome ahy ny lapany feno volafotsy sy volamena aza i Balaka, dia tsy hihoatra ny tenin'i Yaveh, Andriamanitro, ka andatsaka na ampitombo izay lazainy amiko aho.
\v 19 Koa ankehitriny, mba miandrasa eto ihany koa re anio alina, mba ahafantarako ny zavatra bebe kokoa izay lazain'i Yaveh amiko."
\v 20 Tonga tamin'i Balama ny alina Andriamanitra ka nanao taminy hoe: "Satria tonga mba hiantso anao ireo lehilahy ireo, dia mitsangàna ka miaraha amin'izy ireo. Nefa izay lazaiko anao ho ataonao ihany no ataovy."
\s5
\v 21 Nifoha maraina i Balama, nanisy lasely ny borikiny, ka nandeha niaraka tamin'ireo mpitarik'i Moaba.
\v 22 Nefa satria nandeha izy, dia nirehitra ny fahatezeran'Andriamanitra. Nipetraka teo an-dalana toy ny mpifahavalo amin'i Balama, izay nitaingina ny borikiny ny anjelin'i Yaveh. Niaraka taminy ihany koa ny mpanompon'i Balama roa.
\v 23 Nahita ny anjelin'i Yaveh nijoro teo an-dalana ilay boriky ary nisy sabatra voatsoaka teny an-tanany. Niala tamin'ny lalana ilay boriky ka nankany an-tsaha. Nikapoka ny borikiny mba hamerina azy amin'ny lalana i Balama.
\s5
\v 24 Dia nijoro teo amin'ny faritra tery tamin'ny lalana anelanelan'ny tanimboaloboka maro ilay anjely, ary nisy fefy teo andaniny ary fefy iray hafa teo ankilany.
\v 25 Nahita ny anjelin'i Yaveh indray ilay boriky. Nikisina ny rindrina izy ka nanery ny tongotr'i Balama tamin'izany. Nokapohin'i Balama indray izy.
\s5
\v 26 Nandroso ihany ilay anjelin'i Yaveh ary nitsangana teo amin'ny toerana tery hafa izay tsy misy lalana iviliana ny andaniny sy ny ankilany.
\v 27 Nahita ny anjelin'i Yaveh ilay boriky, ka nidaboka tamin'ny tany tao ambanin'i Balama. Nirehitra ny fahatezeran'i Balama, ka nokapohiny tamin'ny tehiny ilay boriky.
\s5
\v 28 Dia nanokatra ny vavan'ilay boriky i Yaveh mba hiteny izy. Hoy izy tamin'i Balama: "Inona no nataoko anao ka nahatonga anao hikapoka ahy izay intelo izay?"
\v 29 Namaly ilay boriky i Balama hoe: "Satria niadaladala tamiko ianao. Tokony mba nisy sabatra tety an-tanako. Fa raha nisy, dia efa matiko ianao ankehitriny."
\v 30 Hoy ilay boriky tamin'i Balama: "Moa ve tsy izaho ilay borikinao izay notaingenanao nandritra ny fiainanao rehetra mandraka ankehitriny? Moa ve efa nanam-pahazarana nanao zavatra tahaka izao taminao aho taloha?" Hoy Balama hoe: "Tsia."
\s5
\v 31 Dia nosokafan'i Yaveh ny mason'i Balama, ka nahita ny anjelin'i Yaveh nijoro teo amin'ny lalana ary misy sabatra voatsoaka teny an-tanany izy. Nanondrika ny lohany ka niankohoka i Balama.
\v 32 Hoy ilay anjelin'i Yaveh taminy: "Nahoana no nikapoka ny borikinao izay intelo izay ianao? Indro, tonga tahaka ny mpifahavalo aminao aho satria ratsy ny zavatra nataonao teo anoloako.
\v 33 Nahita ahy ny boriky ka niala ahy izay intelo izay. Raha tsy niala ahy izy, dia efa novonoiko tokoa ianao fa hamelona azy aho."
\s5
\v 34 Hoy Balama tamin'ilay anjelin'i Yaveh: "Nanota aho. Tsy fantatro fa nijoro teo anoloako teo an-dalana ianao. Koa ankehitriny, raha tsy mahafaly anao izany, dia hiverina aho."
\v 35 Nefa hoy ilay anjelin'i Yaveh tamin'i Balama: "Mandrosoa miaraka amin'ireo lehilahy. Nefa ireo teny izay lazaiko anao ihany no hoteneninao." Dia niaraka tamin'ireo mpitarik'i Balaka i Balama.
\s5
\v 36 Rehefa ren'i Balaka fa tamy i Balama, dia nivoaka hitsena azy tao an-tanànan'i Moaba tao Arnona izy, izay tao amin'ny faritany.
\v 37 Hoy Balaka tamin'i Balama: "Moa ve tsy naniraka lehilahy mba hiantso anao aho? Nahoana ianao no tsy tonga teto amiko? Moa ve tsy afaka manome voninahitra anao aho?"
\s5
\v 38 Dia namaly an'i Balaka i Balama hoe: "Indro, efa tonga eto aminao aho. Moa ve manana fahefana hilaza zavatra aho ankehitriny? Ireo teny izay apetrak'i Yaveh ao am-bavako ihany no azoko lazaina."
\v 39 Niaraka tamin'i Balaka i Balama, ary tonga tao Kiriata-hozota izy ireo.
\v 40 Dia nanao sorona omby sy ondry i Balaka ka nanome hena ho an'i Balama sy ireo mpitarika izay niaraka taminy.
\s5
\v 41 Ny maraina, dia nitondra an'i Balama niakatra tany amin'ny toerana avon'i Bala i Balaka. Ny ampahan'ireo Israelita tao an-tobin'izy ireo ihany no hitan'i Balama avy teny.
\s5
\c 23
\p
\v 1 Hoy Balama tamin'i Balaka: "Manorena alitara fito eto ho ahy ary manomàna ombilahy fito sy ondry fito."
\v 2 Koa dia nanao araka izay nangatahin'i Balama i Balaka. Dia nanolotra omby iray sy ondry iray teo amin'ireo alitara rehetra i Balaka sy Balama.
\v 3 Dia hoy Balama tamin'i Balaka hoe: "Mijoroa eo akaikin'ny fanatitra doranao dia handeha aho. Mety ho avy hihaona amiko angamba Yaveh. Na inona na inona asehony ahy dia ho lazaiko aminao." Koa dia lasa nankany amin'ny tampon-kavoana tsy nisy hazo izy.
\s5
\v 4 Rehefa teo amin'ny tampon-kavoana izy, dia nihaona taminy Andriamanitra, ary hoy Balama taminy: "Efa nanorina alitara fito aho, ary efa nanolotra ombilahy iray sy ondry iray avy teo amin'ny tsirairay."
\v 5 Nametraka hafatra teo am-bavan'i Balama i Yaveh ka niteny hoe: "Miverena any amin'i Balaka ka miresaha aminy."
\v 6 Koa dia niverina tany amin'i Balaka i Balama, izay nitsangana teo akaikin'ny fanatitra dorany, ary ny mpitarika an'i Moaba rehetra dia niaraka taminy.
\s5
\v 7 Dia nanomboka nilaza ny faminaniany i Balama ka niteny hoe: "Efa nitondra ahy avy any amin'i Arama, mpanjakan'i Moaba avy any amin'ny tendrombohitra atsinanana i Balaka. 'Avia, ozony ho ahy Jakoba,' hoy izy. 'Avia, mihantsia an'Israely.'
\v 8 Amin'ny fomba ahoana no hanozonako ireo izay tsy mbola nozonin'Andriamanitra? Amin'ny fomba ahoana no hanoherako ireo izay tsy notoherin'i Yaveh?
\s5
\v 9 Avy eo an-tampon'ny vatolampy no ahitako Azy; avy eny amin'ny havoana no hijereko Azy. Indro, misy vahoaka izay mitoetra irery ary tsy mihevitra ny tenany ho firenena tsotra.
\s5
\v 10 Iza no afaka manisa ny vovok'i Jakoba na manisa na dia ny ampahefatr'Israely aza? Aoka ho faty amin'ny fahafatesan'ny olo-marina aho, ary aoka ny fahataperan'ny aiko ho tahaka ny azy!"
\s5
\v 11 Hoy Balaka tamin'i Balama: "Inona ity nataonao tamiko? Nentiko hanozona ny fahavaloko ianao, nefa indro, notahianao izy ireo."
\v 12 Namaly i Balama ka niteny hoe: "Tsy tokony hitandrina ny hilaza izay apetrak'i Yaveh eo am-bavako ihany ve aho?"
\s5
\v 13 Koa hoy Balaka taminy: "Mba miaraha amiko ho any an-toeran-kafa izay hahafahanao mahita azy ireo. Ho hitanao ny akaiky indrindra amin'ireo, fa tsy izy rehetra. Any no hanozonanao azy ireo ho ahy."
\v 14 Koa dia nentiny tao amin'ny sahan'i Zofima i Balama, teo an-tampon'ny Tendrombohitr'i Pisga, ary nanorina alitara fito hafa izy. Nanolotra ombilahy iray sy ondry iray teo amin'ny alitara tsirairay izy.
\v 15 Avy eo dia hoy Balama tamin'i Balaka: "Mijoroa eto akaikin'ny fanatitra doranao eto, raha mbola mihaona amin'i Yaveh eny ambony eny aho."
\s5
\v 16 Koa dia nihaona tamin'i Balama i Yaveh ary nametraka hafatra teo am-bavany. Hoy Izy hoe: "Miverena any amin'i Balaka ary halefao aminy ny hafatro."
\v 17 Niverina tany aminy i Balama, ary indro, nitsangana teo akaikin'ny fanatitra dorany izy, ary niaraka taminy ireo mpitarik'i Moaba. Dia hoy Balaka taminy: "Inona no nolazain'i Yaveh?"
\v 18 Natombok'i Balama ny faminaniany. Hoy izy hoe: "Mitsangàna, ry Balaka, ary mandrenesa. Mihainoa ahy, ianao ry zanak'i Zipora.
\s5
\v 19 Tsy olona Andriamanitra, ka hoe handainga, na olombeloana, ka hoe hiova hevitra. Efa nampanantena zavatra ka tsy nanao izany ve Izy? Efa niteny ve Izy fa hanao zavatra ka tsy notanterahiny izany?
\v 20 Indro, efa nodidiana aho mba hitahy. Efa nanome fitahiana Andriamanitra, ary tsy afaka hamadika izany aho.
\s5
\v 21 Tsy nahita ady sarotra tao amin'i Jakoba na fahoriana tao amin'Israely Izy. Momba azy ireo Yaveh Andriamanitr'izy ireo, ary eo amin'izy ireo ny hiakiaka ho an'ny mpanjakany.
\v 22 Andriamanitra no nitondra azy ireo avy tany Egypta tamin'ny hery tahaka ny an'ny ombidia.
\s5
\v 23 Tsy misy mosavy izay mihatra amin'i Jakoba, ary tsy misy zara-vintana hanisy ratsy an'Israely. Fa kosa, aoka ho lazaina ny amin'i Jakoba sy Israely hoe: "Jereo izay nataon'Andriamanitra!"
\s5
\v 24 Indro, mitsangana tahaka ny liom-bavy ny olona, tahaka ny fivoahan'ny liona ka mamely. Tsy mandrimandry izy raha tsy efa mihinana ny hazany ary misotro ny ràn'izay novonoiny."
\s5
\v 25 Dia hoy Balaka tamin'i Balama: "Aza manozona azy ireo na mitahy azy ireo akory."
\v 26 Fa namaly Balama ka niteny tamin'i Balaka hoe: "Tsy efa nilaza taminao ve aho fa tsy maintsy milaza izay rehetra asain'i Yaveh lazaiko?"
\v 27 Koa dia namaly an'i Balama i Balaka hoe: "Avia ary, hoentiko any amin'ny toeran-kafa ianao. Angamba mety hahafaly an'Andriamanitra ny hanozonanao azy ireo ho ahy any."
\s5
\v 28 Koa nentin'i Balaka teny amin'ny tampon'ny Tendrombohitra Peora, izay mahatazana ny tany efitra i Balama.
\v 29 Hoy Balama tamin'i Balaka: "Manorena alitara fito eto ary manomàna ombilahy fito sy ondry fito."
\v 30 Koa dia nanao araka izay nolazain'i Balama i Balaka; nanolotra ombilahy iray sy ondry iray teo amin'ny alitara tsirairay izy.
\s5
\c 24
\p
\v 1 Ary rehefa hitan'i Balama fa sitrak'i Yaveh ny hitahiana an'Israely, dia tsy nandeha nanao sikidy, tahaka ny tamin'ny andro taloha izy. Fa kosa nijery nankany amin'ny tany efitra.
\s5
\v 2 Nanandratra ny masony izy ka nahita fa nitoby isaky ny fokony avy ny Israely, ary dia tonga tao aminy ny Fanahin'Andriamanitra.
\v 3 Naharay izao faminaniana izao izy ary nanao hoe: "Efa hiteny i Balama zanaka lahin'i Beora, ilay lehilahy izay midiridiry maso.
\s5
\v 4 Miteny sy mandre ny tenin'Andriamanitra izy. Mahita fahitana avy amin'ilay Tsitoha izy, izay eo anoloany no hiankohofany amin'ny masony mihiratra.
\v 5 Endrey ny hakanton'ny lainao, ry Jakoba, ny toerana izay itoeranao, ry Israely!
\s5
\v 6 Tahaka ny lohasaha no fielezan'ireo, tahaka ny saha eny amoron'ny renirano, tahaka ny vahona izay nambolen'i Yaveh, tahaka ny sedera amoron-drano.
\s5
\v 7 Mikoriana avy ao an-tsinin'izy ireo ny rano, ary ireo voa nafafiny dia tsara tondraka. Ny mpanjakan'izy ireo dia ho avo noho i Agaga, ary ny fanjakan'izy ireo dia homen-kaja.
\s5
\v 8 Andriamanitra no mitondra azy mivoaka an'i Egypta, amin'ny tanjaka tahaka ny ombidia. Hitelina ireo firenena izay manohitra azy ireo Izy. Hanorotoro ny taolan'izy ireo Izy. Hitifitra azy ireo amin'ny tsipìkany Izy.
\s5
\v 9 Mamitsaka tahaka ny liona Izy, tahaka ny liona vavy. Iza no ho sahy hanelingelina Azy? Izay mitahy azy dia voatahy; izay manozona azy dia voaozona."
\s5
\v 10 Nirehitra tamin'i Balama ny hatezeran'i Balaka ary namokona ny tanany tamim-pahatezerana izy. Hoy Balaka tamin'i Balama: "Miantso anao mba hanozona ny fahavaloko aho, fa indro, efa intelo nitahy azy ireo ianao.
\v 11 Koa ilaozy aho ankehitriny ka modia. Niteny ny hanome valisoa lehibe anao aho, kanefa Yaveh efa nanala anao tamin'ny fahazoana valisoa."
\s5
\v 12 Ary hoy Balama namaly an'i Balaka hoe: "Nolazaiko tamin'ireo mpitondra hafatra izay nalefanao taty amiko fa:
\v 13 'Na dia nanome ny lapany feno volafotsy sy volamena ahy aza i Balaka, dia tsy afaka hihoatra ny tenin'i Yaveh sy ny zavatra ratsy na tsara, na ny zavatra tiako hatao aho. Izay nolazain'i Yaveh ahy ihany no azoko lazaina.' Tsy nolazaiko tamin'izy ireo ve izany?
\v 14 Koa indro ankehitriny, hiverina any amin'ny vahoakako aho. Kanefa mamelà ahy ianao hampitandrina anao izay hataon'ireo vahoaka ireo amin'ny vahoakanao amin'ny andro ho avy."
\s5
\v 15 Nanomboka izao faminaniana izao i Balama. Hoy izy hoe: "Balama zanak'i Beora no miteny, ilay lehilahy izay mahiratra.
\v 16 Izao no faminanian'ilay olona izay mahare teny avy amin'Andriamanitra, izay manana fahalalana avy amin'ilay Avo Indrindra, izay manana fahitana avy amin'ilay Tsitoha, izay eo anoloany no iankohofany amin'ny fahiratana.
\s5
\v 17 Mahita Azy aho, fa tsy eto Izy izao. Mijery Azy aho, fa tsy eto akaiky Izy. Hisy kintana hivoaka avy amin'i Jakoba, ary tehim-panjakana hisandratra avy amin'Israely. Hanorotoro ny mpitarik'i Moaba izy ary hamotika ny taranak'i Seta rehetra.
\s5
\v 18 Ary dia ho lasa fananan'i Israely i Edoma, ary Seira ihany koa dia ho lasa fananan'izy ireo, ireo fahavalon'Israely, izay ho resen'i Israely amin-kery.
\v 19 Avy amin'i Jakoba no hiavian'ny mpanjaka izay hanana ny fanapahana, ary hamotika ireo sisa tsy maty ao amin'ny tanànan'izy ireo Izy."
\s5
\v 20 Dia nijery an'i Amaleka i Balama ary nanomboka ny faminaniany. Hoy izy hoe: "Amaleka dia efa lehibe indrindra teo amin'ireo firenena taloha, kanefa dia ho fahapotehana no ho fiafarany."
\s5
\v 21 Avy eo dia nijery tany amin'ireo Kenita i Balama ary nanomboka ny faminaniany. Hoy izy hoe: "Ny toerana izay ipetrahanareo dia mahery, ary ny akaninareo dia ao amin'ny harambato.
\v 22 Na dia izany aza anefa dia ho potika i Kaina rehefa mitondra anao ho babo i Asyria."
\s5
\v 23 Ary nanomboka ny faminaniany farany i Balama. Hoy izy hoe: "Loza! Iza no ho velona rehefa hanao izany Andriamanitra?
\v 24 Hisy sambo ho tonga avy any amin'ny sisin'i Kitima; hanafika an'i Asyria sy handresy an'i Ebera izy ireo, kanefa, dia ho fahapotehana ihany koa no hiafaran'izy ireo."
\v 25 Avy eo dia niakatra i Balama ary lasa. Nody tany an-tranony izy, ary lasa ihany koa i Balaka.
\s5
\c 25
\p
\v 1 Nitoetra tany Sitima ny Israely, ary nanomboka nijangajanga tamin'ireo vehivavin'i Moaba ireo lehilahy,
\v 2 fa ireo Moabita nanasa ny vahoaka ho amin'ny sorona ho an'ireo andriamanitr'izy ireo. Ka dia nihinana sy niankohoka tamin'ireo andriamanitry ny Moabita ny vahoaka.
\v 3 Nanatevin-daharana tamin'ny fanompoana an'i Bala Peora ireo lehilahin'Israely, ka nirehitra tamin'Israely ny hatezeran'i Yaveh.
\s5
\v 4 Hoy Yaveh tamin'i Mosesy hoe: "Vonoy avokoa ireo mpitariky ny vahoaka ka ahantòny eo anatrehako izy ireo mba hampiharihariana azy ireo amin'ny andro, izany dia mba hiala amin'Israely ny firehitry ny hatezerako."
\v 5 Koa dia hoy Mosesy tamin'ireo mpitariky ny Israely hoe: "Ny tsirairay aminareo dia tsy maintsy hamono ny olony izay nanatevin-daharana tamin'ny fanompoana an'i Bala Peora."
\s5
\v 6 Avy eo dia nanatona ny iray tamin'ireo lehilahin'Israely ka nitondra vehivavy Midianita iray tamin'ny fianakaviany. Niseho teo imason'i Mosesy sy ny fivondronan'ny vahoakan'Israely rehetra izany, raha mbola nitomany teo amin'ny fidiran'ny trano-lay fihaonana izy ireo.
\v 7 Nony hitan'i Finehasa zanaka lahin'i Eleazara zanaka lahin'i Arona mpisorona izany, dia nitsangana avy teo amin'ny fivondronana izy ary nandray lefona teny an-tanany.
\s5
\v 8 Nanaraka ireo lehilahy Israelita tao anaty trano-lay izy ka nanatsatoka ny lefona tamin'ny vatan'izy roa ireo, na ilay lehilahy Israelita na ilay vehivavy. Koa dia nitsahatra ny areti-mandringana izay nalefan'Andriamanitra tamin'ny vahoakan'Israely.
\v 9 Niisa efatra arivo sy roa alina ireo matin'ny areti-mandringana.
\s5
\v 10 Niteny tamin'i Mosesy i Yaveh ka nanao hoe:
\v 11 "I Finehasa zanaka lahin'i Eleazara zanaka lahin'i Arona mpisorona, efa nanaisotra ny fahatezerako tamin'ny vahoakan'Israely satria liana tamin'ny zotom-poko tamin'izy ireo izy. Koa dia tsy nitelina ny vahoakan'Israely tamin'ny fahasiahako Aho.
\s5
\v 12 Noho izany lazao hoe: 'Yaveh miteny hoe: "Indro, manome fanekem-pihavanana an'i Finehasa Aho.
\v 13 Ho azy sy ny taranany mandimby azy, ho fifanekem-pisoronana tsy manam-pahataperana izany satria nanana zotom-po ho Ahy, Andriamaniny izy. Efa nanonitra ho an'ny vahoakan'Israely izy."'"
\s5
\v 14 Ny anaran'ilay lehilahy Israelita izay novonoina niaraka tamin'ilay vehivavy Midianita dia Zimry zanak'i Salo, mpitariky ny fianakavian-drazana tamin'ireo Simeonita.
\v 15 Ny anaran'ilay vehivavy Midianita izay novonoina dia Kosby zanak'i Zora, izay loholon'ny foko sy fianakaviana tany Midiana.
\s5
\v 16 Ka dia niteny tamin'i Mosesy i Yaveh ary nanao hoe:
\v 17 "Raiso tahaka ny fahavalo ny Midianita ka tafiho izy reo,
\v 18 satria izy ireo nandray anareo toy ny fahavalo tamin'ny fitak'izy ireo. Nitarika anareo tamin'ny ratsy izy ireo ny momban'i Peora sy ny momban'i Kosby anabavin'izy ireo, ilay zanaky ny mpitarika tany Midiana, izay novonoina tamin'ny andron'ny areti-mandringana tamin'ny raharahan'i Peora."
\s5
\c 26
\p
\v 1 Ary taorian'ny areti-mandringana izay nolazain'i Yaveh an'i Mosesy sy Eleazara zanak'i Arona mpisorona. Hoy Izy hoe:
\v 2 "Isao ny fivondronan'ny vahoakan'Israely rehetra, hatramin'ny roapolo taona no ho miakatra, araka ny ankohonan'ny razambeny, ireo rehetra izay afaka andeha hiady ho an'ny Israely."
\s5
\v 3 Ary Mosesy sy Eleazara mpisorona nilaza tamin'izy ireo tao amin'ny tany lemak'i Moaba teo amoron'i Jordana tao Jeriko nanao hoe:
\v 4 "Isao ny vahoaka, hatramin'ny roapolo taona no ho miakatra, araka ny nandidian'i Yaveh an'i Mosesy sy ny vahoakan'Israely, izay nivoaka ny tany Egypta.
\s5
\v 5 Robena no lahimatoan'Israely. Avy tamin'i Hanoka zanany ny fokon'ny Hanokita. Avy tamin'i Palo ny fokon'ny Paloita.
\v 6 Avy tamin'i Hezrona ny fokon'ny Hezronita. Avy tamin'i Karmy ny fokon'ny Karmita.
\v 7 Ireo no fokon'ny taranak'i Rebonita, izay miisa 43. 730 lahy.
\s5
\v 8 Zanak'i Palo i Eliaba.
\v 9 Ary ny zanak'i Eliaba dia Nemoela sy Datana ary Abirama. Ireo ihany ilay Datana sy Abirama izay nanaraka an'i Kora rehefa nanohitra an'i Mosesy sy Arona ary nikomy an'i Yaveh.
\s5
\v 10 Nanokatra ny vavany ny tany ary nitelina azy ireo niaraka tamin'i Kora rehefa maty daholo ny mpanaraka azy. Tamin'izany fotoana izany, ny afo nandevona 250 lahy, izay lasa famantarana fampitandremana.
\v 11 Saingy tsy lany tamingana ny taranak'i Kora.
\s5
\v 12 Ny fokon'ny taranak'i Simeona dia ireto avy: avy tamin'i Nemoela, ny fokon'ny Nemoelita, avy tamin'i Jamina, ny fokon'ny Jaminita, avy tamin'i Jakina, ny fokon'ny Jakinita,
\v 13 avy tamin'i Zera, ny fokon'ny Zerita, avy tamin'i Saoly, ny fokon'ny Saolita.
\v 14 Ireo no fokon'ny taranak'i Simeonita, izay miisa 22. 200 lahy.
\s5
\v 15 Ny fokon'ny taranak'i Gada dia ireto avy: avy tamin'i Zefona, ny fokon'ny Zefonita, avy tamin'i Hagy, ny fokon'ny Hagita, avy tamin'i Sony, ny fokon'ny Sonita,
\v 16 avy tamin'i Ozny, ny fokon'ny Oznita, avy tamin'i Era, ny fokon'ny Erita,
\v 17 avy tamin'i Aroda, ny fokon'ny Arodita, avy tamin'i Arely, ny fokon'ny Arelita.
\v 18 Ireo no fokon'ny taranak'i Gada, izay miisa 40. 500 lahy.
\s5
\v 19 Era sy Onana no zanak'i Joda, nefa maty tao amin'ny tany Kanana ireo lehilahy ireo.
\v 20 Ny fokon'ny taranak'i Joda hafa dia ireto avy: avy tamin'i Sela, ny fokon'ny Selita, avy tamin'i Fareza, ny fokon'ny Farezita, avy tamin'i Zera ny fokon'ny Zerita.
\v 21 Ny taranak'i Fareza dia ireo avy: avy tamin'i Hezrona, ny fokon'ny Hezronita, avy tamin'i Hamola ny fokon'ny Hamolita.
\v 22 Ireo no fokon'ny taranak'i Joda, izay miisa 76. 500 lahy.
\s5
\v 23 Ny fokon'ny taranak'Isakara dia ireto avy: avy tamin'i Tola, ny fokon'ny Tolita, avy tamin'i Pova, ny fokon'ny Povita,
\v 24 avy tamin'i Jasoba, ny fokon'ny Jasobita, avy tamin'i Simrona, ny fokon'ny Simronita.
\v 25 Ireo no fokon'ny taranak'Isakara, izay miisa 64. 300 lahy.
\s5
\v 26 Ny fokon'ny taranak'i Zebolona dia ireto avy: avy tamin'i Sereda, ny fokon'ny Seredita, avy tamin'i Elona, ny fokon'ny Elonita, avy tamin'i Jahalela, ny fokon'ny Jahalelita.
\v 27 Ireo no fokon'ny Zebolonita, izay miisa 60. 500 lahy.
\s5
\v 28 Ny fokon'ny taranak'i Josefa dia i Manase sy Efraima.
\v 29 Ireo taranak'i Manase dia ireto avy: avy tamin'i Makira, ny fokon'ny Makirita (Makira no rain'i Gileada, avy tamin'i Gileada, ny fokon'ny Gileadita.
\s5
\v 30 Ny taranak'i Gileada dia ireto avy: avy tamin'i Jezera, ny fokon'ny Jezerita, avy tamin'i Heleka, ny fokon'ny Helekita,
\v 31 avy tamin'i Asriela, ny fokon'ny Asrielita, avy tamin'i Sekema, ny fokon'ny Sekemita,
\v 32 avy tamin'i Semida, ny fokon'ny Semidita, avy tamin'i Hefera, ny fokon'ny Heferita.
\s5
\v 33 Ary Zelofada zanak'i Hefera dia tsy nanan-janakalahy, fa zanaka vavy ihany. Ny anaran'ny zanaka vaviny dia Mahala sy Noa sy Hogla sy Milka ary Tirza.
\v 34 Ireo no fokon'i Manase, izay miisa 52. 700 lahy.
\s5
\v 35 Ny fokon'ny taranak'i Efraima dia ireto avy: avy tamin'i Sotela, ny fokon'ny Sotelita, avy amin'i Bekera, ny fokon'ny Bekerita, avy tamin'i Tahana, ny fokon'ny Tahanita.
\v 36 Ny taranak'i Sotela, dia avy amin'i Erana, ny fokon'ny Eranita.
\v 37 Ireo no fokon'ny taranak'i Efraima, izay miisa 32. 500 lahy. Ireo no fokon'ny taranak'i Josefa, isaina ao amin'ny taranany tsirairay.
\s5
\v 38 Ny fokon'ny taranak'i Benjamina dia ireto avy: avy tamin'i Bela, ny fokon'ny Belita, avy tamin'i Asibela, ny fokon'ny Asibelita, avy tamin'i Ahirama, ny fokon'ny Ahimarita,
\v 39 avy tamin'i Sefofama, ny fokon'ny Sefofamita, avy tamin'i Hofama, ny fokon'ny Hofamita.
\v 40 Ny zanaka lahin'i Bela dia i Arda sy Namana. Avy tamin'i Arda nahazoana ny fokon'ny Ardita, avy tamin'i Namana nahazoana ny fokon'ny Namanita.
\v 41 Ireo no fokon'ny taranak'i Benjamina. Miisa 45. 600 lahy izy ireo.
\s5
\v 42 Ny fokon'ny taranak'i Dana dia, avy tamin'i Sohama, ny fokon'ny Sohamita. Ireo no fokon'ny taranak'i Dana.
\v 43 Ny fokon'i Sohamita manontolo dia miisa 64. 400 lahy.
\s5
\v 44 Ny fokon'ny taranak'i Asera dia ireto avy: avy tamin'i Jimna, ny fokon'ny Jimnita, avy tamin'i Jisvy, ny fokon'ny Jisvita, avy tamin'i Bena, ny fokon'ny Berita.
\v 45 Ny taranak'i Bena dia ireto avy: avy tamin'i Hebera, ny fokon'ny Heberita, avy tamin'i Malkiela, ny fokon'ny Malkielita.
\v 46 Ny anaran'ny zanakavavin'i Asera dia Sera.
\v 47 Ireo no fokon'ny taranak'i Asera, izay miisa 53. 400 lahy.
\s5
\v 48 Ny fokon'ny taranak'i Naftaly dia ireto avy: avy tamin'i Jaziela, ny fokon'ny Jazielita, avy tamin'i Gony, ny fokon'ny Gonita,
\v 49 avy tamin'i Jezera, ny fokon'ny Jezerita, avy tamin'i Silema, ny fokon'ny Silemita.
\v 50 Ireo no fokon'ny taranak'i Naftaly, izay miisa 45. 400 lahy.
\s5
\v 51 Ireo no isa fenon'ny lehilahy teo amin'ny vahoakan'Israely dia 601. 730.
\s5
\v 52 Yaveh niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe:
\v 53 "Ny tany dia tsy maintsy zaraina eo amin'ireo lehilahy tahaka ny lova iray araka ny isan'ny anarany avy.
\s5
\v 54 Ny amin'ny foko lehibe dia tsy maintsy omenao lova betsaka, ary ny amin'ny foko kelikely dia tsy maintsy omenao lova kely. Ny amin'ny fianakaviana rehetra dia tsy maintsy omenao lova araka ny isan'ny lehilahy izay voaiisa.
\v 55 Na izany aza, ny tany tsy maintsy sarahina amin'ny filokana kisendrasendra. Mandova ny tany izy ireo raha ho zarana eo amin'ny fokon'ny razambeny izany.
\v 56 Ny lovany dia tsy maintsy mizara eo amin'ny foko lehibe sy kely, nozaraina azy ireo tamin'ny filokana kisendrasendra."
\s5
\v 57 Ny fokon'i Levita, isaina foko isam-poko, dia ireto avy: avy tamin'i Gersona, ny fokon'ny Gersonita, avy tamin'i Kehata, ny fokon'ny Kehatita, avy amin'i Merary, ny fokon'ny Merarita.
\v 58 Ny fokon'i Levy dia ireto avy: ny fokon'ny Libnita, ny fokon'ny Hebronita, ny fokon'ny Mahalita, ny fokon'ny Mosita, ny fokon'ny Koralta. Ary Kehata no razamben'i Amrama.
\v 59 Ny anaran'ny vadin'i Amrama dia i Jokebeda, taranak'i Levy, izay nateraky ny Levita tany Egypta. Dia niteraka ireo zanany tamin'i Amrama izy, dia i Arona sy Mosesy ary Miriama anabaviny.
\s5
\v 60 Arona niteraka an'i Nadaba sy Abiho, Eleazara ary Itamara.
\v 61 Maty i Nadaba sy Abiho rehefa nanolotra afo tsy azo ekena teo anoloanan'i Yaveh izy ireo.
\v 62 Ny lahy izay nisaina teo amin'izy ireo dia miisa telo arivo sy roa alina, dia ny lahy rehetra hatramin'iray volana no ho miakatra. Fa tsy voaisa teo amin'ny taranak'Israely izy ireo satria tsy nisy lova nomena azy ireo teo amin'ny vahoakan'Israely.
\s5
\v 63 Ireo no zavatra izay voaisan'i Mosesy sy Eleazara mpisorona. Nanisa ny vahoakan'Israely tao amin'ny lemak'i Moaba teo amoron'i Jordana tao Jeriko izy ireo.
\v 64 Nefa teo amin'izany dia tsy nisy olona avy tamin'izay voaisan'i Mosesy sy Arona mpisorona nanisa ny taranak'Israely tao an'efitr'i Sinay.
\s5
\v 65 Satria Yaveh fa nilaza fa ho faty any an'efitra tokoa ireo olona rehetra ireo. Tsy nisy olona sisa tavela teo amin'izy ireo, afa-tsy Kaleba zanak'i Jefona sy Josoa zanak'i Nona.
\s5
\c 27
\p
\v 1 Dia tonga tamin'i Mosesy ny zanakavavin'i Zelofada zanaka lahin'i Hefera zanaka lahin'i Gileada zanaka lahin'i Makira zanaka lahin'i Manase, avy tamin'ny fianakaviam-ben'i Manase zanaka lahin'i Josefa. Ireto avy ny anaran'ireo zanany vavy: Mahala, Noa, Hogla, Milka, ary Tirza.
\s5
\v 2 Nitsangana teo anatrehan'i Mosesy, Eleazara mpisorona, ny mpitarika, ary teo anoloan'ny fiaraha-monina rehetra teo amin'ny fidirana ao amin'ny trano-lay fihaonana izy ireo. Hoy izy ireo:
\v 3 "Maty tany an'efitra ny rainay. Tsy isan'ireo izay niray tetika tao amin'ny antokon'i Kora hanohitra an'i Yaveh izy. Matin'ny fahotany ihany izy, ary tsy nanan-janaka lahy.
\s5
\v 4 Nahoana ny anaran'ny rainay no nesorina tamin'ny fikambanan'ny fianakaviambeny satria tsy nanan-janakalahy izy? Omeo tany eo amin'ny havan'ny rainay izahay."
\v 5 Dia nentin'i Mosesy teo anoloan'i Yaveh ny raharahan'izy ireo.
\s5
\v 6 Niteny tamin'i Mosesy i Yaveh ka nanao hoe:
\v 7 "Marina ny tenin'ny zanakavavin'i Zelofada. Aoka hanome tany ho azy ireo tokoa ianao avy amin'ny lovan'ireo havan-drainy, ary aoka ho azonao antoka fa ny lovan'ny rain'izy ireo dia tafita amin'izy ireo tokoa.
\v 8 Aoka hiteny amin'ny vahoakan'ny Israely ianao ka lazao hoe: 'Raha misy olona maty ka tsy manan-janaka lahy, dia aoka hafindranao amin'ny zanakavaviny ny lovany.
\s5
\v 9 Raha tsy manan-janakavavy izy, dia homenao ireo rahalahiny ny lovany.
\v 10 Raha tsy manana rahalahy izy, dia homenao ireo rahalahin-drainy ny lovany.
\v 11 Raha tsy manana rahalahy ny rainy, dia homenao ny havany akaiky eo amin'ny fianakaviambe ny lovany, ary haka izany ho azy izy. Ho lalàna mafy haorina amin'ny didy ho an'ny vahoakan'ny Israely izany, araka izay efa nandidian'i Yaveh ahy.'"
\s5
\v 12 Hoy Yaveh tamin'i Mosesy: "Miakara eny an-tendrombohitra Abarima ary jereo ny tany izay nomeko ny vahoakan'ny Israely.
\v 13 Aorian'ny fahitanao izany, ianao, ihany koa, dia hangonina any amin'ny vahoakanao, tahaka an'i Arona rahalahinao.
\v 14 Hitranga izany satria ianareo roa dia nikomy hanohitra ny didiko tany amin'ny efitr'i Sina. Any, rehefa mikoriana amin'ny vatolampy ny rano, amin'ny fahatezeranao no tsy nahavitanao nanome voninahitra Ahy ho masina teo imason'ny fivondronana manontolo." Ireo no ranon'i Meriban'i Kadesy any amin'ny efitr'i Sina.
\s5
\v 15 Dia niresaka tamin'i Yaveh i Mosesy ary niteny hoe:
\v 16 "Aoka ianao, ry Yaveh, Andriamanitry ny fanahin'olombelona rehetra, hanendry olona eo amin'ny fivondronana,
\v 17 olona izay hivoaka sy hiditra eo amin'izy ireo ary hitarika azy ireo sy hitondra azy ireo, mba tsy ho toy ny ondry tsy misy mpiandry ny fivondronanao."
\s5
\v 18 Yaveh niteny tamin'i Mosesy hoe: "Alaivo Josoa zanak'i Nona, lehilahy izay hitoeran'ny Fanahiko, apetraho aminy ny tananao.
\v 19 Apetraho eo anoloan'i Eleazara mpisorona sy eo anoloan'ny fivondronana rehetra izy, ary mandidia azy eo anoloan'ny mason'izy ireo mba hitarihana azy ireo.
\s5
\v 20 Aoka ianao hametraka ny fahefanao sasany aminy, mba hankatoavan'ny fiarahamonin'ny Israely rehetra azy.
\v 21 Handeha eo alohan'i Eleazara mpisorona mba hitady ny lahatro ho azy amin'ny fanapahan-kevitr'i Orima izy. Ho amin'ny didiny no handehanan'ny olona mivoaka sy miditra, dia izy sy ny vahoakan'ny Israely rehetra miaraka aminy, ny fivondronana manontolo."
\s5
\v 22 Dia nataon'i Mosesy izay nandidian'i Yaveh hataony. Nalainy i Josoa ary napetrany eo anoloan'i Eleazara mpisorona sy ny fiaraha-monina manontolo izy.
\v 23 Nametraka ny tanany taminy izy ary nandidy azy mba hitarika, araka izay efa nandidian'i Yaveh ho ataony.
\s5
\c 28
\p
\v 1 Niresaka tamin'i Mosesy i Yaveh ary nanao hoe:
\v 2 "Baikoy ny vahoakan'Israely ary lazao izy ireo hoe: 'Tsy maintsy manolotra sorona ho Ahy ianao amin'ny fotoana voatondro, dia ny sakafo fanatitro natao tamin'ny afo mba hamokarana hanitra ankasitrahana ho Ahy.'
\s5
\v 3 Tsy maintsy lazainao ihany koa izy ireo hoe: "Izao no fanatitra natao tamin'ny afo izay tsy maintsy atolotrao ho an'i Yaveh—zanak'ondrilahy herintaona tsy misy kilema, roa isan'andro, ho fanatitra dorana mahazatra.
\v 4 Zanak'ondry iray no tsy maintsy atolotrao amin'ny maraina, ary ny zanak'ondry iray hafa dia tsy maintsy atolotra amin'ny hariva.
\v 5 Tsy maintsy manolotra koba tsara toto ampahafolon'ny efaha, mifangaro diloilo voakapoka iray ampahefatry ny hina ho fanatitra hohanina ianao.
\s5
\v 6 Izany no fanatitra dorana mahazatra izay nodidiana tao an-Tendrombohitra Sinay mba hamokatra hanitra mamerovero, fanatitra iray natao tamin'ny afo ho an'i Yaveh.
\v 7 Ny fanatitra sotroina miaraka amin'izany dia tsy maintsy iray ampahefatry ny hina ny an'ny zanak'ondry iray. Tsy maintsy ararakao eo amin'ny toerana masina ny fanatitra sotroin'ny zava-pisotro mahery ho an'i Yaveh.
\v 8 Ilay zanak'ondry hafa dia tsy maintsy hatolotrao miaraka amin'ny fanatitra hohanina hafa amin'ny hariva tahaka ilay natolotra tamin'ny maraina. Tsy maintsy manolotra fanatitra sotroina miaraka amin'izany ihany koa ianao, fanatitra natao tamin'ny afo, mba hamokatra hanitra ankasitrahana ho an'i Yaveh.
\s5
\v 9 Amin'ny andro Sabata dia tsy maintsy manolotra zanak'ondrilahy roa ianao, samy herintaona tsy misy kilema, sy koba tsara toto roa ampahafolon'ny efaha ho fanatitra hohanina, mifangaro diloilo, sy fanatitra sotroina miaraka amin'izany.
\v 10 Izany dia ho an'ny fanatitra dorana isaky ny Sabata, ho fanampin'ny fanatitra dorana mahazatra sy ny fanatitra dorana miaraka amin'izany.
\s5
\v 11 Isaky ny fiandohan'ny volana, dia tsy maintsy manolotra fanatitra dorana ho an'i Yaveh ianao.
\v 12 Tsy maintsy manolotra vantotr'ombilahy roa, ondrilahy iray, ary zanak'ondrilahy herintaona tsy misy kilema. Tsy maintsy manolotra koba tsara toto telo ampahafolon'ny efaha ho fanatitra hohanina mifangaro diloilo ho an'ny ondrilahy iray ihany koa ianao.
\v 13 Tsy maintsy manolotra koba tsara toto mifangaro diloilo ampahafolon'ny efaha ho fanatitra hohanina isaky ny zanak'ondry ihany koa ianao. Izany no ho fanatitra dorana, mba hamoaka hanitra mamerovero, fanatitra natao tamin'ny afo ho an'i Yaveh.
\s5
\v 14 Tsy maintsy antsasaky ny hinan-divay ho an'ny omby iray ny fanatitra sotroin'ny vahoaka, ampahatelon'ny hina ny an'ny ondrilahy iray, ary iray ampahefatry ny hina ny an'ny zanak'ondry iray. Dia izany no fanatitra dorana isam-bolana mandritra ireo volan'ny taona.
\v 15 Ondrilahy iray ho fanatitra nohon'ny fahotana ho an'i Yaveh no tsy maintsy atolotra. Izany dia ho fanampin'ny fanatitra dorana mahazatra sy ny fanatitra sotroina miaraka amin'izany.
\s5
\v 16 Mandritra ny volana voalohany, amin'ny fahefatra ambin'ny folon'ny volana, no tonga ny Pask'i Yaveh.
\v 17 Amin'ny andro fahadimy ambin'ny folon'izany volana izany no hanaovana ny fety. Mandritra ny fito andro, tsy maintsy mofo tsy misy masirasira no hohanina.
\v 18 Amin'ny andro voalohany, dia tsy maintsy hisy fiangonana masina hanomezana voninahitra an'i Yaveh. Aoka tsy hanao ny asa mahazatra ianao amin'izany andro izany.
\s5
\v 19 Fa kosa, tsy maintsy manolotra fanatitra atao amin'ny afo ianao, dia fanatitra dorana ho an'i Yaveh. Tsy maintsy manolotra vantotr'ombilahy roa, ondrilahy iray, ary zanak'ondry herintaona fito, tsy misy kilema ianao.
\v 20 Miaraka amin'ny ondry, dia tsy maintsy manolotra fanatitra hohanina koba tsara toto mifangaro diloilo telo ampahafolon'ny efaha ianao, ary miaraka amin'ny ondrilahy, roa ampahafolony.
\v 21 Isaky ny iray amin'reo zanak'ondry fito, dia tsy maintsy manolotra koba tsara toto ampahafolon'ny efaha ianao,
\v 22 sy osilahy iray ho fanatitra nohon'ny fahotana mba hanaovana fanavotana ho an'ny tenanareo.
\s5
\v 23 Tsy maintsy hatolotrao ho fanampin'ny fanatitra dorana mahazatra takiana isa-maraina ireo.
\v 24 Araka ny voafaritra eto, tsy maintsy atolotrao isan'andro ireo sorona ireo, mandritra ny fito andron'ny Paska, dia ny fanatitra hohanina natao tamin'ny afo, hanitra ankasitrahana ho an'i Yaveh. Tsy maintsy atolotra izany ho fanampin'ny fanatitra dorana mahazatra sy ny fanatitra sotroina miaraka amin'izany.
\v 25 Amin'ny andro fahafito dia tsy maintsy miaraka amin'ny fiangonana masina mba hanome voninahitra an'i Yaveh ianao, ary aoka tsy hanao ny raharaha mahazatra ianao amin'izany andro izany.
\s5
\v 26 Amin'ny andron'ny voaloham-bokatra ihany koa, rehefa manatitra fanatitra hohanina vaovao ho an'i Yaveh amin'ny Herinandron'ny Firavoravoana ianao, dia tsy maintsy miaraka amin'ny fiangonana masina mba hanome voninahitra an'i Yaveh ianao, ary tsy mahazo manao ny asa mahazatra ianao amin'izany andro izany.
\v 27 Tsy maintsy manolotra fanatitra dorana mba hahazoana hanitra mamerovero ho an'i Yaveh ianao. Tsy maintsy manolotra vantotr'ombilahy roa, ondrilahy iray, ary zanak'ondrilahy herintaona fito ianao.
\v 28 Manolora ihany koa fanatitra hohanina miaraka amin'ireo: dia koba tsara toto mifangaro diloilo, koba tsara toto mifangaro diloilo telo ampahafolon'ny efaha ho an'ny ombilahy tsirairay ary roa ampahafolony ho an'ny ondrilahy iray.
\s5
\v 29 Manolora koba tsara toto mifangaro diloilo ho an'ny zanak'ondry fito tsirairay avy,
\v 30 sy osilahy iray mba hanaovana fanavotana ho an'ny tenanareo.
\v 31 Rehefa manolotra ireo biby tsy misy kilema ireo ianao, miaraka amin'ireo fanatitra sotroiny, izany dia fanampin'ny fanatitra mahazatra sy ny fanatitra dorana miaraka amin'izany."
\s5
\c 29
\p
\v 1 "Amin'ny volana fahafito, amin'ny andro voalohan'ny volana, dia tsy maintsy hanao fivoriana masina hankalazana an'i Yaveh ianareo. Tsy hanao ny raharaha mahazatra ianareo amin'izany andro izany. Ho andro fitsofana ireo trompetra ho anareo izany.
\s5
\v 2 Tsy maintsy manolotra fanatitra dorana hahatonga hanitra mamerovero ho an'i Yaveh ianareo. Tsy maintsy manolotra vantotr'ombilahy iray, ondrilahy iray, ary zanak'ondry lahy herintaona fito, samy tsy misy kilema ianareo.
\s5
\v 3 Tsy maintsy manolotra miaraka amin'ireo ny fanatitra hohanina, koba tsara toto voaharo diloilo, telo ampahafolon'ny efaha ho an'ny ombilahy, roa ampahafolony ho an'ny ondrilahy,
\v 4 ary ampahafolony ho an'ny zanak'ondry tsirairay amin'ireo zanak'ondry fito ianareo.
\v 5 Tsy maintsy manolotra osilahy iray ho fanatitra nohon'ny fahotana ho fanavotana anareo ianareo.
\s5
\v 6 Ataovy ireto fanatitra ireto amin'ny volana fahafito ho fanampin'ny fanatitra rehetra izay hataonareo isaky ny voaloham-bolana: ny fanatitra dorana voatokana sy ny fanatitra hohanina no hiaraka amin'izany. Ireo dia ho fanampin'ny fanatitra dorana mahazatra, ny fanatitra hohanina momba ireo, ary ny fanatitra ahidin'izany. Rehefa manao izany fanatitra izany ianareo, dia hankatoa izay voadidy mba hahatonga hanitra mamerovero, fanatitra natao tamin'ny afo ho an'i Yaveh.
\s5
\v 7 Amin'ny andro fahafolon'ny volana fahafito dia tsy maintsy hisy fivoriana masina hankalazana an'i Yaveh. Tsy maintsy hanetry ny tenanareo ianareo ary tsy hiasa.
\v 8 Tsy maintsy manolotra fanatitra dorana mba hahatonga hanitra mamerovero ho an'i Yaveh ianareo. Tsy maintsy manolotra vantotr'ombilahy iray, ondrilahy iray, ary zanak'ondry lahy fito herintaona ianareo. Aoka ho samy tsy misy kilema ireo.
\s5
\v 9 Tsy maintsy hatolotrareo miaraka amin'ireo ny fanatitra hohanina, koba tsara toto voaharo diloilo, telo ampahafolon'ny efaha ho an'ny ombilahy, roa ampahafolony ho an'ny ondrilahy,
\v 10 ary ampahafolon'ny efaha ho an'ny tsirairay amin'ireo zanak'ondry fito.
\v 11 Tsy maintsy manolotra osilahy iray ho fanatitra nohon'ny fahotana ianareo. Ho fanampin'ny fanatitra nohon'ny fahotana ho fanavotana, ny fanatitra dorana mahazatra, ny fanatitra hohanina momba ireo, ary ny fanatitra sotroina amin'izany.
\s5
\v 12 Amin'ny andro fahadimy ambin'ny folon'ny volana fahafito dia tsy maintsy hisy fivoriana masina hankalazana an'i Yaveh. Tsy mahazo manao ny raharaha mahazatra ianareo amin'izany andro izany, ary tsy maintsy mitandrina ny firavoravoana ho Azy mandritra ny fito andro.
\v 13 Tsy maintsy manolotra fanatitra dorana ianareo, sorona natao tamin'ny afo hahatonga hanitra mamerovero ho an'i Yaveh. Tsy maintsy manolotra vantotr'ombilahy telo ambin'ny folo, ondrilahy roa, ary zanak'ondry lahy herintaona efatra ambin'ny folo. Aoka ho samy tsy misy kilema ireo.
\s5
\v 14 Tsy maintsy atolotrareo miaraka amin'ireo ny fanatitra hohanina, koba tsara toto voaharo diloilo, telo ampahafolon'ny efaha ho an'ny ombilahy tsirairay amin'ireo ombilahy telo ambin'ny folo, roa ampahafolony ho an'ny ondrilahy tsirairay amin'ireo ondrilahy roa,
\v 15 ary ampahafolon'ny efaha ho an'ny tsirairay amin'ireo zanak'ondry efatra ambin'ny folo.
\v 16 Tsy maintsy manolotra osilahy iray ho fanatitra nohon'ny fahotana ho fanampin'ny fanatitra dorana mahazatra, ny fanatitra hohanina momba ireo, ary ny fanatitra sotroina amin'izany ianareo.
\s5
\v 17 Amin'ny andro faharoan'ny fivoriana, dia tsy maintsy manolotra vantotr'ombilahy roa ambin'ny folo, ondrilahy roa, ary zanak'ondry lahy efatra ambin'ny folo herintaona, samy tsy hisy kilema ianareo.
\v 18 Tsy maintsy hampiarahanareo amin'ireo ny fanatitra hohanina, ny fanatitra sotroina ho an'ireo ombilahy, ho an'ireo ondrilahy, sy ho an'ireo zanak'ondry, manaova fanatitra maro araka izay voadidy.
\v 19 Tsy maintsy manolotra osilahy iray ho fanatitra nohon'ny fahotana ho fanampin'ny fanatitra dorana mahazatra, ny fanatitra hohanina momba ireo, ary ireo fanatitra sotroina amin'izany ianareo.
\s5
\v 20 Amin'ny andro fahatelon'ny fivoriana, dia tsy maintsy manolotra ombilahy iraika ambin'ny folo, ondrilahy roa, ary zanak'omby lahy herintaona efatra ambin'ny folo, samy tsy misy kilema ianareo.
\v 21 Tsy maintsy hampiarahanareo amin'ireo ny fanatitra hohanina sy ny fanatitra sotroina ho an'ireo ombilahy, ho an'ireo ondrilahy, ary ho an'ireo zanak'ondry, manaova fanatitra maro araka izay voadidy.
\v 22 Tsy maintsy manolotra osilahy iray ho fanatitra nohon'ny fahotana ho fanampin'ny fanatitra dorana mahazatra, ny fanatitra hohanina momba izany, ary ireo fanatitra sotroina amin'izany ianareo.
\s5
\v 23 Amin'ny andro fahefatry ny fivoriana, dia tsy maintsy hanolotra ombilahy folo, ondrilahy roa, ary zanak'ondry lahy herintaona efatra ambin'ny folo, samy tsy hisy kilema ianareo.
\v 24 Tsy maintsy hampiarahanareo amin'ireo ny fanatitra hohanina, ny fanatitra sotroina ho an'ireo ombilahy, ho an'ireo ondrilahy, sy ho an'ireo zanak'ondry, manaova fanatitra maro araka izay voadidy.
\v 25 Tsy maintsy manolotra osilahy iray ho fanatitra nohon'ny fahotana ho fanampin'ny fanatitra dorana mahazatra, ny fanatitra hohanina momba ireo, ary ireo fanatitra aidiny ianareo.
\s5
\v 26 Amin'ny andro fahadimin'ny fivoriana, dia tsy maintsy hanolotra ombilahy sivy, ondrilahy roa, ary zanak'ondry lahy herintaona efatra ambin'ny folo, samy tsy misy kilema ianareo.
\v 27 Tsy maintsy hampiarahanareo amin'ireo ny fanatitra hohanina, ny fanatitra sotroina ho an'ireo ombilahy, ho an'ireo ondrilahy, sy ho an'ireo zanak'ondry, manaova fanatitra maro araka izay voadidy.
\v 28 Tsy maintsy manolotra osilahy iray ho fanatitra nohon'ny fahotana ho fanampin'ny fanatitra dorana mahazatra, ny fanatitra hohanina momba ireo, ary ireo fanatitra sotroina amin'izany ianareo.
\s5
\v 29 Amin'ny andro fahenin'ny fivoriana, dia tsy maintsy manolotra ombilahy valo, ondrilahy roa, ary zanak'ondry lahy herintaona efatra ambin'ny folo, samy tsy hisy kilema ianareo.
\v 30 Tsy maintsy hampiarahanareo amin'ireo ny fanatitra hohanina, ny fanatitra sotroina ho an'ireo ombilahy, ho an'ireo ondrilahy, sy ho an'ireo zanak'ondry, manaova fanatitra maro araka izay voadidy.
\v 31 Tsy maintsy manolotra osilahy iray ho fanatitra nohon'ny fahotana ho fanampin'ny fanatitra dorana mahazatra, ny fanatitra hohanina momba ireo, ary ireo fanatitra sotroina amin'izany ianareo.
\s5
\v 32 Amin'ny andro fahafiton'ny fivoriana, dia tsy maintsy manolotra ombilahy fito, ondrilahy roa, ary zanak'ondry lahy herintaona efatra ambin'ny folo, samy tsy misy kilema ianareo.
\v 33 Tsy maintsy hampiarahanareo amin'ireo ny fanatitra hohanina, ny fanatitra sotroina ho an'ireo ombilahy, ho an'ireo ondrilahy, sy ho an'ireo zanak'ondry, manaova fanatitra maro araka izay voadidy.
\v 34 Tsy maintsy manolotra osilahy iray ho fanatitra nohon'ny fahotana ho fanampin'ny fanatitra dorana mahazatra, ny fanatitra hohanina momba ireo, ary ireo fanatitra sotroina amin'izany ianareo.
\s5
\v 35 Amin'ny andro fahavalo dia tsy maintsy hanao fivoriana manetriketrika hafa ianareo. Tsy mahazo manao ny asa mahazatra ianareo amin'izany andro izany.
\v 36 Tsy maintsy manolotra fanatitra dorana ianareo, fanatitra natao tamin'ny afo mba hahatonga hanitra mamerovero ho an'i Yaveh. Tsy maintsy manolotra ombilahy iray, ondrilahy iray, ary zanak'ondry lahy herintaona fito, samy tsy misy kilema ianareo.
\s5
\v 37 Tsy maintsy manolotra ireo fanatitra hohanin'izy ireo sy fanatitra sotroina ho an'ny ombilahy, ho an'ny ondrilahy, ary ho an'ny zanak'ondry, manaova fanatitra maro araka izay voadidy ianareo.
\v 38 Tsy maintsy manolotra osilahy iray ho fanatitra nohon'ny fahotana ho fanampin'ny fanatitra dorana mahazatra, ny fanatitra hohanina momba azy ireo, ary ireo fanatitra sotroina amin'izany ianareo.
\s5
\v 39 Ireo no tsy maintsy haterinao ho an'i Yaveh amin'ireo firavoravoana izay efa voafaritra. Ho fanampin'ireo voady sy fanatitra an-tsitraponao izany. Tsy maintsy manolotra izany ho fanatitra dorana, fanatitra hohanina, fanatitra aidina, sy fanati-pihavanana ianareo."
\v 40 Nolazain'i Mosesy tamin'ny vahoakan'Israely ny zavatra rehetra izay nandidian'i Yaveh azy holazaina.
\s5
\c 30
\p
\v 1 Niteny tamin'ireo mpitarika ny fokon'ny vahoakan'Israely i Mosesy. Hoy izy hoe: "Izao no nandidian'i Yaveh.
\v 2 Rehefa misy mivoady amin'i Yaveh, na manao fianianana hamatotra ny tenany amin'ny fampanantenana, dia aoka izy tsy hivadika amin'ny teniny. Aoka izy hitana ny fampanantenany hanao izay rehetra naloaky ny vavany.
\s5
\v 3 Raha misy tovovavy mipetraka ao an-tranon-drainy ka manao voady amin'i Yaveh ary mamatotra ny tenany amin'ny fampanantenana,
\v 4 raha mandre ny voady ny rainy ka mianiana amin'izay namatorany ny tenany, ary raha tsy miteny na inona na inona izy mba hampivadika azy, dia hanan-kery ihany ny voadiny. Ny fampanantenana rehetra izay namatorany ny tenany dia hanan-kery hatrany.
\s5
\v 5 Fa raha mandre momba ny voadiny sy ny fampanantenany ny rainy, ary raha tsy miteny na inona na inona aminy, dia ny voady rehetra izay nataony tamin'ny tenany dia hanan-kery hatrany.
\s5
\v 6 Kanefa, raha mandre ny voadiny rehetra izay nataony sy ny fampanantenana manetriketrika nataony izay namatorany ny tenany ny rainy, ary raha manapaka azy izy amin'io andro io ihany, dia tsy hijanona hanan-kery ireo. Hamela azy Yaveh satria nanapaka azy ny rainy.
\v 7 Raha manambady lehilahy iray izy ka mbola voafatotr'ireo voady, na manao fampanatenana maimaika izay hanereny ny tenany, dia hanan-kery hatrany ireo fanerena ireo.
\s5
\v 8 Fa raha manakana azy amin'ny andro andrenesany momba izany ny rainy, dia hanafoana ny voady izay nataony izy, dia ilay teny maimaika nataon'ny molony izay namatorany ny tenany. Hanafaka azy Yaveh.
\s5
\v 9 Fa ny amin'ny mpitondratena na vehivavy nisara-bady, izay rehetra namatorany ny tenany dia hana-kery aminy hatrany.
\v 10 Raha misy vehivavy nanao voady tao an-tranon'ny vadiny na nanery ny tenany tamin'ny fanaovana fianianana,
\v 11 ary ren'ny vadiny izany, saingy tsy miteny na inona na inona aminy izy ary tsy manohitra azy, dia aoka hitoetra ny voadiny rehetra ary aoka hijanona hanan-kery ny fanerena nataony.
\s5
\v 12 Fa raha foanan'ny vadiny ireo amin'ny andro izay nandrenesany momba izany, izay rehetra naloaky ny molony momba ireo voady na fampanantenana dia tsy hanan-kery. Efa nofoanan'ny vadiny izany. Hanafaka azy Yaveh.
\s5
\v 13 Ny voady rehetra izay ataon'ny vehivavy iray ka mamatotra azy handà ny tenany dia mety hamafisina na ho foanan'ny vadiny.
\v 14 Fa raha tsy miteny na inona na inona aminy isan'andro izy, dia manamafy ny voadiny rehetra izy ary mamatotra ny fampanantenana izay nataony. Nohamafisiny ireo satria tsy nilaza na inona na inona taminy izy tamin'ny fotoana nandrenesany momba ireo.
\s5
\v 15 Raha mitady ny hanafoana ny voadin'ny vadiny fotoana ela taorian'ny nandrenesany momba izany ny lehilahy, dia izy no ho tompon'antoka amin'ny fahotany."
\v 16 Ireo no lalàna nandidian'i Yaveh mba hambaran'i Mosesy—lalàna ho an'izay eo amin'ny lehilahy sy ny vadiny ary eo amin'ny ray sy ny zanany vavy rehefa ao anatin'ny fahatanorany ao an-tranon'ny fianakavian-drainy izy.
\s5
\c 31
\p
\v 1 Niresaka tamin'i Mosesy i Yaveh ary nanao hoe:
\v 2 "Manaova valifaty amin'ireo Midianita nohon'ny nataon'izy ireo tamin'ireo Israelita. Rehefa vita izany, dia ho faty ianao ary hangonina eo amin'ny olonao."
\s5
\v 3 Koa niresaka tamin'ireo vahoaka i Mosesy. Hoy izy hoe: "Rongoy fiadina ho amin'ny ady ny sasany amin'ireo olonareo mba handehanan'izy ireo hanohitra an'ireo Midiana sy hanatanteraka valifatin'i Yaveh amin'izany.
\v 4 Ny foko rehetra manerana an'Israely dia tsy maintsy mandefa miaramila ho any an'ady."
\v 5 Koa tamin'ireo olona an'arivorivon'Israely, dia avy any amin'ny foko rehetra ho an'ny ady ny an'arivony, roa arivo sy iray alina no fitambarany.
\s5
\v 6 Avy eo nalefan'i Mosesy an'ady izy ireo, arivo avy amin'ny foko rehetra, niaraka tamin'i Finehasa zanaka lahin'i Eleazara mpisorona, sy niaraka tamin'ny fanaka sasany avy ao amin'ny fitoerana masina ary trompetra eny an-tanany mba hitsofana ny fanairana.
\v 7 Niady tamin'ny Midiana izy ireo, araka ny nandidian'i Yaveh an'i Mosesy. Novonoin'izy ireo ny olona rehetra.
\v 8 Novonoiny ireo mpanjakan'i Midiana niaraka tamin'ny sisan'ny matin'izy ireo: Evy, Rekema, Zora, Hora, ary Reba, ireo mpanjaka dimin'i Midiana. Novonoin'izy ireo tamin'ny sabatra ihany koa Balama zanaka lahin'i Beora.
\s5
\v 9 Nalain'ny tafik'Israely ho babo ireo vehivavin'i Midiana, ny zanak'izy ireo, ny biby fiompin'izy rehetra, ireo ondry aman'osin'izy ireo, ary ny fananan'izy rehetra. Nalain'izy ireo ho babo avokoa ireo.
\v 10 Nodoran'izy ireo ny tanànany rehetra izay nonenan'izy ireo ary ireo tobiny rehetra.
\s5
\v 11 Nalain'izy ireo avokoa ireo babo sy gadra rehetra, na olona na biby.
\v 12 Nentin'izy ireo tany amin'i Mosesy, Eleazara mpisorona, ary tany amin'ny fianakaviamben'ny olon'Israely ireo gadra, ny babo, ary ireo zavatra azo. Nentin'izy ireo tany amin'ny toby tany amin'ireo tany hain'i Moaba, amoron'i Jordana akaikin'i Jeriko ireo.
\s5
\v 13 Nandeha nivoaka nitsena azy ireo tany ivelan'ny toby i Mosesy, Eleazara mpisorona, sy ireo mpitarika ny fianakaviambe rehetra.
\v 14 Fa Mosesy dia tezitra tamin'ireo manam-pahefan'ny tafika, ireo mpifehy ny arivo sy ireo kapitenin'ny zato, izay tonga avy any an'ady.
\v 15 Hoy Mosesy tamin'izy ireo hoe: "Navelanareo ho velona ve ny vehivavy rehetra?
\s5
\v 16 Indro, nataon'ireo vehivavy ireo nanota tamin'i Yaveh ny amin'i Peora tamin'ny alalan'i torohevitr'i Balama ny olon'Israely, rehefa niparitaka teo amin'ny fiangonan'i Yaveh ny areti-mandoza.
\v 17 Ankehitriny ary, vonoy ny zazalahy eo amin'ny madinika rehetra, ary vonoy ny vehivavy rehetra izay efa niara-nandry tamin'ny lehilahy.
\s5
\v 18 Fa ento ho anareo ny tovovavy rehetra izay tsy mbola niara-nandry tamin'ny lehilahy mihitsy.
\v 19 Tsy maintsy mitoby ivelan'ny tobin'Israely mandritra ny fito andro ianareo. Ianareo rehetra izay efa namono olona na nikitika olona maty—tsy maintsy manadio ny tenanareo ianareo amin'ny andro fahatelo sy amin'ny andro fahafito—ianareo sy ireo gadranareo.
\v 20 Tsy maintsy manadio ny akanjonareo rehetra sy ny zavatra rehetra vita amin'ny hodi-biby sy volon'osy, ary ny zavatra rehetra vita amin'ny hazo ianareo."
\s5
\v 21 Eleazara mpisorona dia nilaza tamin'ireo miaramila izay nandeha tany an'ady hoe: "Ity dia lalàna voadidy izay nomen'i Yaveh an'i Mosesy:
\v 22 Ny volamena, volafotsy, varahina, vy, vifotsy, sy firaka,
\v 23 ary ny zavatra rehetra izay tsy andairan'ny afo, dia tsy maintsy ataonareo anaty afo, ka hadio izany. Avy eo tsy maintsy diovinareo amin'ny rano fandiovana ireo zavatra ireo. Na inona na inona tsy afaka mandalo amin'ny afo dia tsy maintsy diovinareo amin'izany rano izany.
\v 24 Amin'ny andro fahafito dia tsy maintsy sasanareo ny fitafianareo, ary avy eo ianareo hadio. Aorian'izany dia ho tonga ao amin'ny tobin'Israely ianareo."
\s5
\v 25 Avy eo Yaveh niresaka tamin'i Mosesy ary niteny hoe:
\v 26 "Isao ireo zavatra babo rehetra izay azo, na olona na biby. Ianao, Eleazara mpisorona, ary ireo mpitarika ny fianakaviamben'ireo fokon'ny razambenao
\v 27 dia tsy maintsy mizara ireo babo ho fizarana roa. Zarao eo amin'ireo miaramila izay nandeha an'ady sy ireo ambin'ny fianakaviambe rehetra izany.
\s5
\v 28 Avy eo mitakia hetra avy amin'ireo miaramila izay nandeha an'ady mba homena Ahy. Izany hetra izany dia tsy maintsy iray isan-dimanjato, na olona, biby fiompy, boriky, ondry, na osy.
\v 29 Alaivo amin'ny antsasak'ireo izany hetra izany ary omeo an'i Eleazara mpisorona izany mba ho fanatitra hatolotra ho Ahy.
\s5
\v 30 Ary avy amin'ny antsasaky ny Israely ihany koa, dia tsy maintsy maka iray isan-dimam-polo ianao—avy amin'ireo olona, biby fiompy, boriky, ondry, ary osy. Omeo an'ireo Levita izay mikarakara ny tabernakeliko ireo."
\v 31 Koa dia nataon'i Mosesy sy Eleazara mpisorona araka ny nandidian'i Yaveh.
\s5
\v 32 Ary ny babo izay sisa tamin'ireo azon'ireo miaramila dia ondry 675. 000,
\v 33 omby roa arivo sy fito alina,
\v 34 boriky arivo sy enina alina,
\v 35 ary vehivavy roa arivo sy telo alina izay tsy mbola niara-nandry tamin'ny lehilahy mihitsy.
\s5
\v 36 Ny antsasany izay nohazonin'ireo miaramila dia ondry miisa 337. 000.
\v 37 Ny anjaran'i Yaveh dia ondry 675.
\v 38 Ireo omby dia enina arivo sy telo alina ary roa amby fito-polo no hetran'i Yaveh.
\s5
\v 39 30. 500 ny isan'ireo boriky ary iraika amby enim-polo no anjaran'i Yaveh.
\v 40 Enina arivo sy iray alina ireo olona ka roa amby telopolo no hetran'i Yaveh.
\v 41 Nalain'i Mosesy ny hetra izay tokony ho fanatitra atolotra ho an'i Yaveh. Nomeny an'i Eleazara mpisorona izany, araka ny nandidian'i Mosesy.
\s5
\v 42 Raha ny amin'ireo antsasaky ny olon'Israely izay nalain'i Mosesy avy amin'ireo miaramila izay nandeha tany an'ady—
\v 43 dia ondry 337. 500,
\v 44 omby enina arivo sy telo alina,
\v 45 boriky 30. 500,
\v 46 ary vehivay enina arivo sy iray alina no an'ny antsasaky ny fianakaviambe.
\s5
\v 47 Avy amin'ireo antsasaky ny olon'Israely, dia naka iray isan-dimam-polo i Mosesy, na olona na biby. Nomeny an'ireo Levita izay nikarakara foana ny tabernakelin'i Yaveh ireo, araka ny nandidian'i Yaveh azy mba hatao.
\s5
\v 48 Avy eo ireo manam-pahefan'ny tafika, ireo mpifehy ny arivo sy ireo kapitenin'ny zato, tonga tany amin'i Mosesy.
\v 49 Hoy izy ireo taminy hoe: "Nisain'ireo mpanomponao ireo miaramila izay ambanin'ny fifehezanay, ary tsy misy na iray aza tsy ao.
\s5
\v 50 Nentinay ny fanatitr'i Yaveh, izay hitan'ny olona tsirairay, fanaka volamena, fehin-tanana sy haba, peratra fanombohan-kase, kavina, ary rojo, mba hanaovana fanavotana ho anay eo anoloan'i Yaveh."
\v 51 Mosesy sy Eleazara dia nandray ny volamena sy ireo fanaky ny asa tanana rehetra avy amin'izy ireo.
\s5
\v 52 Ireo volamena rehetra tamin'ny fanatitra izay nomen'izy ireo an'i Yaveh—ireo fanatitra avy amin'ireo mpifehy ny arivo sy avy amin'ireo mpifehy ny zato—dia milanja sekely 16. 750.
\v 53 Ny miaramila tsirairay dia samy naka babo, olona tsirairay ho an'ny tenany.
\v 54 Mosesy sy Eleazara mpisorona dia naka volamena avy amin'ireo mpifehy ny arivo sy ireo kapitenin'ny zato. Nentin'izy ireo tao amin'ny trano-lay fihaonana izany ho fahatsiarovana ny olon'Israely ho an'i Yaveh.
\s5
\c 32
\p
\v 1 Ary ireo taranak'i Robena sy Gada dia nanana biby fiompy marobe. Rehefa hitan'izy ireo ny tanin'i Jazera sy Gileada, dia toerana mahafinaritra ho an'ireo biby fiompy ilay tany.
\v 2 Dia tonga niresaka tamin'i Mosesy, tamin'i Eleazara mpisorona, ary tamin'ireo mpitarika ny fivondronana ireo taranak'i Gada sy Robena. Hoy izy ireo hoe:
\v 3 "Ity ny lisitr'ireo toerana izay efa nohadihadianay: Atarota, Dibona, Jazera, Nimra, Hesbona, Elale, Sebama, Nebo, ary Beona.
\s5
\v 4 Ireo avy ireo tany izay notafihan'i Yaveh teo anoloan'ny fivondronan'Israely, ary toerana tsara ho an'ireo biby fiompy ireo. Izahay, mpanomponao, dia manana biby fiompy maro dia maro."
\v 5 Hoy izy ireo hoe: "Raha mahita sitraka eo imasonao izahay, dia aoka mba homena anay, mpanomponao, mba ho fananana ity tany ity. Aza atao miampita amin'i Jordana izahay."
\s5
\v 6 Namaly an'ireo taranak'i Gada sy Robena i Mosesy hoe: "Tokony handeha mba hiady ve ireo rahalahinareo raha ianareo kosa manorim-ponenana eto?
\v 7 Nahoana no hakiviana tsy handeha any amin'ny tany izay nomen'i Yaveh azy ireo ny fon'ireo vahoakan'Israely?
\s5
\v 8 Ireo razambenareo dia nanao toy izany zavatra izany rehefa nalefako avy any Kadesi-barnea mba hisafo ny tany izy ireo.
\v 9 Niakatra tany amin'ny Lohasahan'i Eskola izy ireo. Nahita ny tany izy ireo ary avy eo nanakivy ny fon'ireo vahoakan'Israely mba handàvan'izy ireo tsy hiditra ao amin'ny tany izay nomen'i Yaveh azy ireo.
\s5
\v 10 Nirehitra ny hatezeran'i Yaveh tamin'io andro io. Nivoady Izy ary nanao hoe:
\v 11 'Azo antoka fa tsy hisy amin'ireo olona izay niakatra avy tany Egypta, manomboka amin'ny roapolo taona no ho miakatra, hahita ny tany izay nianianako tamin'i Abrahama, tamin' Isaka, ary tamin'i Jakoba, satria tsy nanaraka Ahy tanteraka izy ireo, afa-tsy
\v 12 Kaleba zanaka lahin'i Jefone Kenizita, ary Josoa zanaka lahin'i Nona. Kaleba sy Josoa ihany no tena nanaraka Ahy tanteraka.'
\s5
\v 13 Ka nirehitra tamin'Israely ny hatezeran'i Yaveh. Nataony nirenireny nanodidina ny tany efitra nandritra ny efapolo taona ka hatramin'ny naha-rava ireo taranaka rehetra izay nanao ratsy teo imasony izy ireo.
\v 14 Indro, nisandratra teo amin'ny toeran'ny razambenareo ianareo, tahaka ny olona mpanota maro, mba hanampy ny firehetan'ny hatezeran'i Yaveh amin'Israely.
\v 15 Raha mivily amin'ny fanarahana Azy ianareo, dia hamela an'Israely any amin'ny tany efitra indray Izy ary handringana ny vahoakany rehetra ianareo."
\s5
\v 16 Koa nanatona teo akaikin'i Mosesy izy ireo ary niteny hoe: "Avelao izahay hanorina fefy ho an'ireo biby fiompinay sy tanàna ho an'ireo ankohonanay eto.
\v 17 Na izany aza, izahay dia ho vonona ary hitam-piadiana mba handeha miaraka amin'ny tafik'Israely mandra-pametrahanay azy ireo amin'ny toeran'izy ireo. Fa ireo ankohonanay kosa dia hipetraka any amin'ireo tanàna voaaro mafy noho ireo vahoaka hafa izay mbola monina amin'ity tany ity.
\s5
\v 18 Tsy hiverina any amin'ny fonenanay izahay mandra-pahazoan'ny tsirairay amin'ny vahoakan'Israely ny lovany avy.
\v 19 Tsy handova ny tany miaraka amin'izy ireo any an-dafin'i Jordana izahay, satria ny lovanay dia eto amin'ny lafy atsinanan'i Jordana."
\s5
\v 20 Ka namaly azy ireo i Mosesy hoe: "Raha manao izay lazainareo ianareo, raha manomana ny tenanareo handeha eo anatrehan'i Yaveh mba hiady ianareo,
\v 21 ary ny tsirairay amin'ireo lehilahinareo mitam-piadiana dia tsy maintsy miampita an'i Jordana eo anatrehan'i Yaveh, mandra-pandroahany ireo fahavalony tsy ho eo anatrehany
\v 22 ary ny tany dia resy eo anatrehany. Rehefa afaka izany dia afaka miverina ianareo. Ho tsy manan-tsiny manoloana an'i Yaveh sy manoloana an'Israely ianareo. Ity tany ity dia ho fanananareo eo anatrehan'i Yaveh.
\s5
\v 23 Fa raha tsy manao izany ianareo, indro, hanota amin'i Yaveh ianareo. Fantaro tsara fa hahita anareo ny helokareo.
\v 24 Manorena tanàna ho an'ireo ankohonanareo ary vala ho an'ireo ondrinareo; avy eo dia ataovy izay nolazainareo."
\v 25 Niresaka tamin'i Mosesy ireo taranak'i Gada sy Robena ary niteny hoe: "Hanao araka izay nandidianao ny mpanomponao, ry tomponay.
\s5
\v 26 Ireo zanaka madinikay, ireo vadinay, ireo ondry aman'osinay, ary ireo biby fiompinay rehetra dia hitoetra ao amin'ireo tanànan'i Gileada.
\v 27 Na izany aza, izahay, mpanomponao, dia hiampita eo anatrehan'i Yaveh mba hiady, ny lehilahy rehetra izay mitam-piadiana ho amin'ny ady, araka izay nolazainao, ry tomponay."
\s5
\v 28 Koa nanome torolalana mahakasika azy ireo tamin'i Eleazara mpisorona, tamin'i Josoa zanaka lahin'i Nona, ary tamin'ireo mpitarika ireo fokon'ny razambe tao amin'ireo fokon'ny olon'Israely i Mosesy.
\v 29 Hoy i Mosesy tamin'izy ireo hoe: "Raha miampita an'i Jordana miaraka aminareo ireo taranak'i Gada sy Robena, ny lehilahy rehetra izay mitam-piadiana mba hiady eo anatrehan'i Yaveh, ary raha resy eo anatrehanareo ny tany, dia homenareo azy ireo ho fananana ny tanin'i Gileada.
\v 30 Fa raha tsy miampita eo aminareo mitam-piadiana izy ireo, dia any amin'ny tanin'i Kanana izy ireo no hahazo ny fananan'izy ireo eo aminareo."
\s5
\v 31 Koa namaly ireo taranak'i Gada sy Robena hoe: "Araka izay nolazain'i Yaveh taminay, mpanomponao, dia izao no ho ataonay.
\v 32 Hiampita mitam-piadiana eo anatrehan'i Yaveh any amin'ny tanin'i Kanana izahay, fa ny lova anjaranay dia hijanona aminay amin'ity lafin'i Jordana ity."
\s5
\v 33 Koa nomen'i Mosesy an'ireo taranak'i Gada sy Robena, ary koa an'ny antsasaky ny fokon'i Manase zanak'i Josefa ny fanjakan'i Sihona, mpanjakan'ireo Amorita, sy Oga, mpanjakan'i Basana. Nomeny azy ireo ny tany, ary nozarainy tamin'izy ireo ny tanànan'izany rehetra miaraka amin'ireo faritaniny, dia ireo tanànan'ny tany manodidina ireo.
\s5
\v 34 Ireo taranak'i Gada dia namerina nanorina an'i Dibona, Atarota, Aroera,
\v 35 Atrota-sofana, Jazera, Jogbeha,
\v 36 Beti-nimra, ary Beti-harana mba ho tanàna voaaro mafy miaraka amin'ireo vala ho an'ny ondry.
\s5
\v 37 Ireo taranak'i Robena dia namerina nanorina an'i Hesbona, Elale, Kiriataima,
\v 38 Nebo, Bala-meona, Sibma—niova ny anaran'ireo taty aoriana. Nomen'izy ireo anarana hafa ireo tanàna izay naverin'izy ireo naorina.
\v 39 Ireo taranak'i Makira zanaka lahin'i Manase dia nankany Gileada ary nanafaka izany tamin'ireo Amorita izay tao amin'izany.
\s5
\v 40 Avy eo dia nomen'i Mosesy an'i Makira zanaka lahin'i Manase i Gileada, ary nanorim-ponenana teo ny vahoakany.
\v 41 Nandeha i Jaira zanaka lahin'i Manase ary nambabo ireo renivohitr'izany ka niantso azy ireo hoe: Havota-jaira.
\v 42 Nandeha i Noba ka nambabo an'i Kinata sy ireo zana-bohiny, ary nantsoiny hoe: Noba, araka ny anarany ihany izany.
\s5
\c 33
\p
\v 1 Ireto avy ireo toerana nalehan'ny vahoakan'Israely taorian'ny nandaozan'izy ireo ny tany Egypta tamin'ny antoko mitam-piadian'izy ireo teo ambany fitarihan'i Mosesy sy Arona.
\v 2 Nanoratra ireo toerana niaingan'izy ireo hatramin'izay nandehanan'izy ireo i Mosesy, araka ny nandidian'i Yaveh. Ireto avy ireo dian'izy ireo, ny toerana nifindrafindran'izy ireo.
\s5
\v 3 Niainga avy tao Ramesesa izy ireo nandritra ny volana voalohany, tamin'ny andro fahadimy ambin'ny folon'ny volana voalohany. Ny maraina taorian'ny Paska, dia nandeha malalaka ny vahoakan'Israely, teo imason'ny Egyptiana rehetra.
\v 4 Nitranga izany raha mbola nandevona ny lahimatoan'izy rehetra, ireo izay novonoin'i Yaveh teo amin'izy ireo ny Egyptiana, fa Izy ihany koa dia nampizaka famaizana ny andriamanitr'izy ireo.
\s5
\v 5 Niainga tao Ramesesa ny vahoakan'Israely ary nitoby tao Sokota.
\v 6 Niainga tao Sokota izy ireo ary nitoby tao Etama, teny amoron'ny tany efitra.
\v 7 Niainga tao Etama izy ireo ary niverina tao Pi Hahirota, izay ampitan'i Balazefona, izay mifanandrify amin'i Migdola nitobian'izy ireo.
\s5
\v 8 Avy eo niainga avy teny ampitan'i Pi Hahirota izy ireo ary nandalo teny afovoan-dranomasina ho any an'efitra. Nandeha nandritra ny telo andro tany an'efitr'i Etama izy ireo ary nitoby tao Mara.
\v 9 Niainga tao Mara izy ireo ary tonga tao Elima. Tao Elima dia nisy loharano roa ambin'ny folo ary hazo rofia fitopolo. Tany no nitobian'izy ireo.
\v 10 Niainga tao Elima izy ireo ary nitoby teny akaikin'ny Ranomasina Mena.
\s5
\v 11 Niainga avy tao amin'ny Ranomasina Mena izy ireo ary nitoby tany efitr'i Sina.
\v 12 Niainga avy tao amin'ny tany efitr'i Sina izy ireo ary nitoby tao Dopka.
\v 13 Niainga tao Dopka izy ireo ary nitoby tao Alosy.
\v 14 Niainga avy tao Alosy izy ireo ary nitoby tao Refidima, izay tsy nahitana rano ho sotroin'ny vahoaka.
\s5
\v 15 Niainga avy tao Refidima izy ireo ary nitoby tao amin'ny tany efitr'i Sinay.
\v 16 Niainga avy tao amin'ny tany efitr'i Sinay izy ireo ary nitoby tao Kibrota Hatava.
\v 17 Niainga avy tao Kibrota Hatava izy ireo ary nitoby tao Hazerota.
\v 18 Niainga avy tao Hazerota izy ireo ary nitoby tao Ritma.
\s5
\v 19 Niainga avy tao Ritma izy ireo ary nitoby tao Rimona Pareza.
\v 20 Niainga avy tao Rimona Pareza izy ireo ary nitoby tao Libna.
\v 21 Niainga avy tao Libna izy ireo ary nitoby tao Risa.
\v 22 Niainga avy tao Risa izy ireo ary nitoby tao Kehelata.
\s5
\v 23 Niainga avy tao Kehelata izy ireo ary nitoby tao amin'ny Tendrombohitra Sapera.
\v 24 Niainga avy tao amin'ny Tendrombohitra Sapera izy ireo ary nitoby tao Harada.
\v 25 Niainga avy tao Harada izy ireo ary nitoby tao Makelota.
\v 26 Niainga avy tao Makelota izy ireo ary nitoby tao Tahata.
\s5
\v 27 Niainga avy tao Tahata izy ireo ary nitoby tao Tera.
\v 28 Niainga avy tao Tera izy ireo ary nitoby tao Mitka.
\v 29 Niainga avy tao Mitka izy ireo ary nitoby tao Hasmona.
\v 30 Niainga avy tao Hasmona izy ireo ary nitoby tao Moserota.
\s5
\v 31 Niainga avy tao Moserota izy ireo ary nitoby tao Bene Jakana.
\v 32 Niainga avy tao Bene Jakana izy ireo ary nitoby tao Hora Hagidgada.
\v 33 Niainga avy tao Hagidgada izy ireo ary nitoby tao Jotbata.
\v 34 Niainga avy tao Jotbata izy ireo ary nitoby tao Abrona
\s5
\v 35 Niainga avy tao Abrona izy ireo ary nitoby tao Eziona Gebera.
\v 36 Niainga avy tao Eziona Gebera izy ireo ary nitoby tao Kadesy.
\v 37 Niainga avy tao Kadesy izy ireo ary nitoby tao amin'ny Tendrombohitra Hora, teny amoron'ny tanin'i Edoma.
\s5
\v 38 Niakatra teny amin'ny Tendrombohitra Hora i Arona mpisorona araka ny didin'i Yaveh ary maty tany tamin'ny fahefapolo taona taorian'ny nivoahan'ny vahoakan'Israely tao Egypta, tamin'ny fahadimin'ny volana, tamin'ny andro voalohan'ny volana.
\v 39 123 taona Arona tamin'izy maty tany amin'ny tendrombohitra Hora.
\s5
\v 40 Ilay Kananita, ilay mpanjakan'i Arada, izay nipetraka tany amin'ny tany efitra atsimo tao amin'ny tanin'i Kanana, dia nandre ny fahatongavan'ny vahoakan'Israely.
\s5
\v 41 Niainga avy tao amin'ny Tendrombohitra Hora izy ireo ary nitoby tao Zalmona.
\v 42 Niainga avy tao Zalmona izy ireo ary nitoby tao Ponona.
\v 43 Niainga avy tao Ponona izy ireo ary nitoby tao Obota.
\s5
\v 44 Niainga avy tao Obota izy ireo ary nitoby tao Lay Abarima, teny amin'ny sisin-tanin'i Moaba.
\v 45 Niainga avy tao Lay Abarima izy ireo ary nitoby tao Dibon-gada.
\v 46 Niainga avy tao Dibon-gada izy ireo ary nitoby tao Almon-diblataima.
\s5
\v 47 Niainga avy tao Almon-diblataima izy ireo ary nitoby tao amin'ny tendrombohitr'i Abarima, tandrifin'i Nebo.
\v 48 Niainga avy tao amin'ny tendrombohitr'i Abarima izy ireo ary nitoby tao amin'ireo tany hain'i Moaba akaikin'i Jordana any Jeriko.
\v 49 Nitoby teo akaikin'i Jordana izy ireo, avy any Beta Jesimota hatrany Abela Sitima tao amin'ireo tany hain'i Moaba.
\s5
\v 50 Niteny tamin'i Mosesy i Yaveh teny amin'ny lemak'i Moaba teny akaikin'i Jordana tao Jeriko ary nanao hoe:
\v 51 "Miresaha amin'ny vahoakan'Israely ary lazao amin'izy ireo hoe: 'Rehefa miampita an'i Jordana ho any amin'ny tany Kanana ianareo,
\v 52 dia tsy maintsy roahinareo eo anatrehanareo ireo mponina rehetra ao amin'ilay tany. Tsy maintsy potehinareo ireo sarin-javatra voasokitra rehetra an'izy ireo ary ravainareo ireo fitoerana avony rehetra.
\s5
\v 53 Aoka alainareo ho anareo ny tany ary mipetraha ao amin'izany, satria efa nomeko ho fanananareo ilay tany.
\v 54 Tsy maintsy lovainareo amin'ny alalan'ny loka ny tany, araka ny foko tsirairay avy. Ho an'ny foko lehibe dia tsy maintsy omenareo zara lehibe amin'ny tany, ary ny foko kely dia omenareo ny zara kely amin'ny tany. Na aiza na aiza hilatsahan'ny antsapaka amin'ireo foko tsirairay avy, izany tany izany dia ho azy. Handova ilay tany araka ny fokon'ny razambenareo ianareo.
\s5
\v 55 Fa raha tsy voaroakanareo eo anoloanareo ireo mponin'ilay tany, dia ho tonga tahaka ny fitaovana eo amin'ny masonareo ary tsilo eo amin'ny tehezanareo ireo vahoaka izay avelanareo hijanona. Hanasarotra ny fiainanareo eo amin'ny tany izay hipetrahanareo izy ireo.
\v 56 Dia ho ataoko aminareo ihany koa izay kasaiko ho atao amin'ireo vahoaka ireo.'"
\s5
\c 34
\p
\v 1 Niteny tamin'i Mosesy i Yaveh ka nanao hoe:
\v 2 "Didio ny vahoakan'Israely ary lazao izy ireo hoe: 'Rehefa hiditra ny tany Kanana ianareo, ilay tany izay ho anareo, ny tany Kanana sy ny faritry ny taniny,
\v 3 hihitatra hatrany an'efitr'i Zina manaraka ny sisin'i Edoma ny atsimonareo. Ny sisiny atsinanana amin'ny sisiny atsimo dia ho eo amin'ny tsipika izay mifarana ao amin'ny fiafarana atsimon'ny Ranomasina Sira.
\s5
\v 4 Ny fari-taninareo dia hihodina mianatsimon'ny havoan'i Akrabima ary mandeha mamakivaky ny efitr'i Zina. Avy any, no mandeha mianatsimon'i Kadesi-barnea izany ary mitohy mankany Hazara-adara ary mankany Azmona.
\v 5 Avy any, ny sisin-tany dia hiolaka avy ao Azmona mankany amin'ny lohasahan-driak'i Egypta ka manaraka izany hatrany an-dranomasina.
\s5
\v 6 Ny morontsiraka andrefana no ho sisin-tanin'ny Ranomasina Lehibe. Io no ho fari-tany andrefanareo.
\s5
\v 7 Ny fari-taninareo avaratra hihitatra manaraka ny tsipika izay havahanareo hatrany amin'ny Ranomasina Lehibe ka hatrany amin'ny Tendrombohitra Hora,
\v 8 ary koa avy any amin'ny Tendrombohitra Hora ka hatrany Lebo-hamata, avy eo dia hatrany Zedada.
\v 9 Avy eo ny fari-tany hitohy hatrany Zifrona ka mifarana ao Hazar-Enana. Izany no ho fari-tany avaratrareo.
\s5
\v 10 Avy eo mariho ny fari-taninao atsinanana hatrany Hazar-enana atsimo ka hatrany Sefama.
\v 11 Aorian'izany ny fari-tany atsinanana hidina avy any Sefama ka hatrany Ribla, ao amin'ny faritra atsinanan'i Aina. Ny fari-tany hitohy manaraka ny faritra atsinanan'ny Ranomasina Kinereta.
\v 12 Avy eo ny fari-tany dia hitohy mianatsimo manaraka ny Ony Jordana ka hatrany amin'ny Ranomasin-tsira. Izany no ho taninareo, manaraka ny sisiny manodidina rehetra.'"
\s5
\v 13 Dia nandidy ny vahoakan'Israely i Mosesy ary nanao hoe: "Ity no tany izay ho azonareo amin'ny filokana, izay efa nodidian'i Yaveh homena ho an'ireo foko sivy sy ny atsasaky ny foko.
\v 14 Ny fokon'ny taranak'i Robena, araka ny fanendrem-pananana ho an'ny fokon-drazan'izy ireo, ary ny fokon'ny taranak'i Gada, araka ny fanendrem-pananana ho an'ny fokon-drazan'izy ireo, ary ny antsasa-pokon'i Manase rehetra efa nandray ny tanin'izy ireo.
\v 15 Ireo foko roa sy ny antsasa-poko efa nandray ny anjara-tany any an-dafin'ny Jordana miatsinanana an'i Jeriko, manandrify ny fiposahan'ny masoandro."
\s5
\v 16 Niteny tamin'i Mosesy i Yaveh ka nanao hoe:
\v 17 "Ireto avy ny anaran'ireo lehilahy izay hizara ny tanin'ny lovanareo: Eleazara mpisorona sy Josoa zanak'i Nona.
\v 18 Aoka ianao hifidy mpitarika iray avy isaky ny foko mba hizara ny tany ho an'ny fianakaviamben'izy ireo.
\s5
\v 19 Ireto avy anaran'ireo lehilahy ireo: Avy amin'ny fokon'i Joda, dia Kaleba zanak'i Jefone.
\v 20 Avy amin'ny fokon'ny taranak'i Simeona, dia Semoela zanak'i Amihoda.
\s5
\v 21 Avy amin'ny fokon'i Benjamina, dia Elidada zanak'i Kislona.
\v 22 Avy amin'ny fokon'ny taranak'i Dana mpitarika iray, dia Boky zanak'i Jogly.
\v 23 Avy amin'ny taranak'i Josefa, avy amin'ny fokon'ny taranak'i Manase mpitarika iray, dia Haniela zanak'i Efoda.
\s5
\v 24 Avy amin'ny fokon'ny taranak'i Efraima mpitarika iray, dia Kemoela zanak'i Siftana.
\v 25 Avy amin'ny fokon'ny taranak'i Zebolona mpitarika iray, dia Elifaza zanak'i Parnaka.
\v 26 Avy amin'ny fokon'ny taranak'Isakara mpitarika iray, dia Paltiela zanak'i Azana.
\s5
\v 27 Avy amin'ny fokon'ny taranak'i Asera mpitarika iray, dia Ahihody zanak'i Selomy.
\v 28 Avy amin'ny fokon'ny taranak'i Naftaly mpitarika iray, dia Pedahela zanak'i Amihoda."
\v 29 Yaveh nandidy ireo lehilahy ireo mba hizara ny tany Kanana sy hanome ny isam-pokon'Israely ny anjaran'izy ireo.
\s5
\c 35
\p
\v 1 Ary Yaveh niteny tamin'i Mosesy teo amin'ny tany hain'i Moaba teo akaikin'ny Jordana tao Jeriko ka nanao hoe:
\v 2 "Mandidia ny vahoakan'ny Israely mba hanome ny sasany amin'ireo zara-taniny ho an'ireo Levita. Aoka hanome azy ireo tanàna mba honenany sy tany firaofam-bilona manodidina ireo tanàna ireo izy ireo.
\s5
\v 3 Hahazo izany tanàna izany mba ho fonenany ireo Levita. Ny firaofam-bilona dia ho an'ny biby fiompiny, ny ondry aman'osiny, ary ireo bibiny rehetra.
\v 4 Ny firaofam-bilona manodidina ny tanàna izay homenao ireo Levita dia hihitatra arivo hakiho manomboka eo amin'ny mandan'ny tanàna isaky ny lalana rehetra.
\s5
\v 5 Handrefy roa arivo hakiho eo ivelan'ny tanàna amin'ny lafiny atsinanana ianao, ary roa arivo hakiho amin'ny lafiny atsimo, roa arivo hakiho amin'ny lafiny andrefana, ary roa arivo hakiho amin'ny lafiny avaratra. Ho firaofam-bilona ho an'ireo tanànany izany. Ny tanàna dia ho eo afovoany.
\s5
\v 6 Ny enina amin'ireo tanàna izay homenao ireo Levita dia atokana ho tanàna fialofana. Aoka homenareo ho toerana hahafahan'ireo olona izay namono olona mandositra ireo. Hanome tanàna roa amby efa-polo hafa ihany koa.
\v 7 Ny tanàna izay nomenao ireo Levita dia hiisa valo amby efa-polo. Aoka homenao azy ireo miaraka amin'ny firaofam-bilony izany.
\s5
\v 8 Ny foko lehiben'ny vahoakan'Israely, ny foko izay manana tany bebe kokoa, dia tsy maintsy hanome tanàna bebe kokoa. Ny foko kely hanome tanàna kely. Ny foko tsirairay dia tsy maintsy hamatsy ho an'ireo Levita araka ny fizarana izay efa noraisiny avy."
\s5
\v 9 Dia niteny tamin'i Mosesy i Yaveh ka nanao hoe:
\v 10 "Mitenena amin'ireo vahoakan'ny Israely ary lazao azy ireo hoe: 'Rehefa miampita eo amin'i Jordana ho any amin'ny tany Kanana ianareo,
\v 11 dia aoka hifidy tanàna hanompo toy ny tanàna fialofana ho anao, toerana handosirana ho an'izay namono olona tsy nahy.
\s5
\v 12 Ho fialofana ho anareo amin'ny mpamaly faty izany tanàna izany, mba tsy ho faty mandra-pitsangany hotsaraina eo anoloan'ny fiaraha-monina ny voapanga.
\v 13 Aoka hifidy tanàna enina ho tanàna fialofana ianareo.
\s5
\v 14 Tsy maintsy manome tanàna telo ao an-dafin'i Jordana sy tanàna telo ao amin'ny tany Kanana ianareo. Ho tanàna fialofana ireo.
\v 15 Ho an'ireo vahoakan'ny Israely, ho an'ireo vahiny, ho an'izay monina eo aminareo, ireo tanàna enina ireo dia hatokana ho fialofana ho an'izay rehetra namono olona tsy nahy mandositr.
\s5
\v 16 Fa raha namely ny lasibany tamin'ny fitaovana vy ilay olona voapanga, ary raha maty ilay lasibany, dia ho mpamono olona tokoa ilay voapanga. Aoka ho atao maty tokoa izy.
\v 17 Raha namely ny lasibany tamin'ny vato teny an-tanany izay mety hahafaty ilay voapanga, ary raha maty ilay lasibany, dia ho mpamono olona tokoa ilay voapanga. Ho atao maty tokoa izy.
\v 18 Raha namely ny lasibany tamin'ny fitaovam-piadina hazo izay hahafaty azy ilay voapanga, ary maty ilay lasibany, dia ho mpamono olona tokoa ilay voapanga. Ho vonoina tokoa izy.
\s5
\v 19 Ny mpamaly rà dia mety hamono ilay mpamono olona. Rehefa mifanena aminy izy, dia hamono azy ilay mpamaly rà.
\v 20 Raha mamely ny hafa amin'ny fankahalana na manipy zavatra aminy izy, raha miafina mba hanotrika hamely azy, dia ho faty ilay lasibany,
\v 21 na raha mamely azy amin'ny fankahalana amin'ny tanany ka mahafaty ilay lasibatra dia ho vonoina tokoa ilay voapanga izay namely azy. Mpamono olona izy. Ny mpamaly rà dia hamono ilay mpamono olona rehefa mifanena aminy izy.
\s5
\v 22 Fa raha mamely ny lasibatra tampoka ny olona voapanga ka tsy nisy fanomanana mialoha nohon'ny fankahalana na mitoraka zavatra izay hamely ilay lasibatra ka tsy niandriandry nanotrika
\v 23 na raha mitoraka vato izay mety hahafaty ilay lasibatra nefa tsy hitany ilay lasibatra, dia tsy ho fahavalon'ilay lasibatra ilay voapanga; tsy nitady handratra ilay niharam-boina izy. Fa toy izao no atao rehefa maty ilay lasibatra.
\s5
\v 24 Amin'izany toe-javatra izany, dia hitsara ilay voapanga sy ny mpamaly rà amin'ny fototr'ireo lalàna ireo ny fiarahamonina.
\v 25 Tsy maintsy mamonjy ilay voapanga amin'ny fahefan'ilay mpamaly rà ny fiaraha-monina. Ny fiaraha-monina dia tsy maintsy hamerina ny voapanga any amin'ny tanàna fialofana izay nandosirany tany am-boalohany. Honina any izy mandra-pahafatin'ny mpisoronabe amin'izany fotoana, ilay tokana izay voahosotra tamin'ny diloilo masina.
\s5
\v 26 Fa raha mivoaka amin'ny fotoana rehetra mihoatra ny faritr'ilay tanàna fialofana ho any amin'izay nandosirany ny voapanga,
\v 27 ary raha hitan'ny ny mpamaly rà any ivelan'ny faritry ny tanàna fialofany, ary raha mamono ilay olona voapanga izy, ny mpamaly rà dia tsy ho melohina ho mpamono olona.
\v 28 Izany dia nohon'ny tokony nitoeran'ny olona voapanga teo amin'ny tanàna fialofany mandra-pahafatin'ny mpisorona be. Aorian'ny fahafatesan'ny mpisorona be, ilay voapanga dia hiverina any amin'ny tany izay misy ny fananany manokana.
\s5
\v 29 Izany lalàna izany dia ho lalàna ho anareo amin'ny taranaky ny vahoaka rehetra any amin'ny toerana rehetra izay honenanareo.
\v 30 Na iza na iza mamono olona, ny mpamono olona dia hovonoina, araka ny voamarin'ny tenin'ireo vavolombelona. Fa tenin'ny vavolombelona iray monja dia tsy afaka ny hahatonga ny olona iray ho vonoina ho faty.
\s5
\v 31 Ary koa, aoka tsy hanaiky ny vidim-panavotana ho an'ny ain'ny mpamono olona izay meloka nohon'ny famonoan'olona ianareo. Tsy maintsy vonoina tokoa izy.
\v 32 Aoka tsy hanaiky ny vidim-panavotana ho an'ny olona izay mandositra any amin'ny tanàna fialofana ianareo. Aoka tsy ho amin'izany fomba izany no hamelanao azy honina ao amin'ny fitoerany mandra-pahafatin'ny mpisorona be.
\s5
\v 33 Aza lotoina amin'izany fomba izany ny tany izay onenanao, satria ny ràn'ny mpamono olona no mandoto ny tany. Tsy misy fanavotana ho an'ny tany rehefa latsaka amin'ny tany ny rà, afa-tsy amin'ny ràn'izay nandatsaka izany.
\v 34 Ary aoka tsy handoto ny tany izay onenanareo ianareo satria monina ao amin'izany Aho. Izaho, Yaveh, dia monina eo amin'ny vahoakan'ny Israely.'"
\s5
\c 36
\p
\v 1 Ary ireo mpitarika ny fianakavian-drazamben'ny fianakaviam-ben'i Gileada zanak'i Makira (izay zanak'i Manase), izay avy amin'ireo fokon'ny taranak'i Josefa, dia tonga ka niteny teo anoloan'i Mosesy sy teo anoloan'ireo mpitarika izay lohan'ny fianakavian-drazamben'ny vahoakan'ny Israely.
\v 2 Hoy izy ireo: "Yaveh no nandidy anao, ry tomponay, mba hanome anjara tany ho an'ny vahoakan'ny Israely amin'ny filokana. Nodidian'i Yaveh ianao mba hanome ny anjaran'i Zelofada rahalahinay ho an'ireo zanany vavy.
\s5
\v 3 Nefa raha manambady lehilahy avy amin'ny fokon'ny vahoakan'ny Israely hafa ireo zanany vavy, dia hesorina tsy ho anjaran'ny razambentsika ny anjaran'izy ireo. Hanampy ny anjaran'ireo foko izay andehanan'izy ireo izany. Amin'izany, dia hesorina tsy ho anjara voatendry ho lovantsika izany.
\v 4 Amin'izany, rehefa tonga ny taon-Jobilin'ny vahoakan'ny Israely, dia hikambana amin'ny anjaran'ny foko izay nandehanan'izy ireo ny anjarany. Ka izany, no hanalana ny anjaran'izy ireo amin'ny anjaran'ny fokon-drazambentsika.
\s5
\v 5 Dia nanome baiko ny vahoakan'ny Israely, tamin'ny tenin'i Yaveh i Mosesy. Hoy izy: "Marina ny voalazan'ny fokon'ny taranak'i Josefa.
\v 6 Izany no andidian'i Yaveh mahakasika ireo zanaka vavin'i Zelofada. Hoy Izy: 'Avelao izy ireo hanambady izay heveriny fa tsara, nefa hanambady izay ao amin'ny fokon-drainy ihany izy ireo.'
\s5
\v 7 Tsy misy anjaran'ny vahoakan'ny Israely hiova foko ho amin'ny foko hafa. Ny tsirairay amin'ny vahoakan'ny Israely dia hitana ny anjaran'ny fokon-drazambeny.
\s5
\v 8 Ny vehivavin'ny vahoakan'ny Israely tsirairay izay manan-jara ao amin'ny fokony dia tsy maintsy manambady olona avy amin'ireo fianakaviamben'ny fokon-drainy. Izany dia mba hananan'ny tsirairay amin'ny vahoakan'ny Israely lova avy amin'ireo razambeny.
\v 9 Tsy tokony hisy anjara hifindra tanana ho an'ny foko hafa. Ny olon-drehetra amin'ireo fokon'ny vahoakan'ny Israely dia hitana ny lovany ihany."
\s5
\v 10 Dia nanao araka izay nandidian'i Yaveh an'i Mosesy ireo zanakavavin'i Zelofad.
\v 11 Mahala, Tirza, Hogla, Milka, ary Noa, ireo zanakavavin'i Zelofada, dia nanambady ny taranak'i Manase.
\v 12 Nanambady tao amin'ireo fianakaviamben'ireo taranak'i Manase zanak'i Josefa izy ireo. Ka izany, no nitoeran'ny lovan'izy ireo tao amin'ny foko izay an'ireo fianakaviamben-drain'izy ireo.
\s5
\v 13 Ireo no didy sy lalàna izay nomen'i Yaveh tamin'ny alalan'i Mosesy ho an'ny vahoakan'ny Israely teo amin'ireo lemak'i Moaba amoron'i Jordana tao Jeriko.