1.1 KiB
Fampahafantarana amin'ny ankapobeny
Jesosy manomboka mamaly mpampianatra Jiosy iray.
iray tamin'ireo mpampianatra ny lalàn'ny Jiosy
Ity dia mampiditra mpandray anjara vaovao ao amin'ny tantara.
izany lazainao izany dia maniratsira anay koa
Ny fanehoan-kevitr'i jesosy momban'ireo Farieo koa dia toa mihatra amin'ireo mpampianatra ny lalàn'ny Jiosy.
Loza ho anareo, ry mpampianatra lalàna!
Jesosy manazava izany tsara fa nihevitra ny hanameloka ny hetsik'ireo mpampianatra lalàna miaraka amin'ireo Fariseo Izy.
mampitondra enta-mavesatra tsy zakan'ny olona ianareo
Jesosy miresaka momban'ny olona iray manome lalàna maro be ho an'ny olona toy ny hoe nanome enta-mavesatra be ho azy ireo ilay olona. DH: "manome enta-mavesatra ny olona ianareo amin'ny fanomezana azy ireo lalàna maro mba arahana"
mikasika izany enta-mavesatra izany amin'ny ratsan-tananareo
Ireo dikateny azo atao: 1) "tsy manao na inona na inona akory hanampiana ireo olona mitondra ireo enta-mavesatra ireo" na 2) "tsy manao ezaka akory hitondra ireo enta-mavesatra ireo ho an'ny tenanao."