# Fampahafantarana amin'ny ankapobeny: Manohy midera ilay vehivavy ilay tia. # Ry havako, saha voahidy ilay ampakariko Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 4:9. # saha voahidy Ampitahain'ny tia amin'ny saha voahidy ravehivavy satria azy irery ihany izy ary izy irery ihany no afaka mitia azy. Mety milaza ihany koa izy fa mbola virijiny izay tsy mbola nankafiziny ravehivavy. # loharano voatombo-kase Ampitahain'ny tia amin'ny loharano voatombo-kase tahaka ny ampitahany azy amin'ny saha voahidy ihany ilay vehivavy. # Ny sampanao...zava-manitra tsara indrindra rehetra Soritsoritan'ny tia fa tena mahafinaritra amin'ny fanoritsoritana azy tahaka ny saha feno zavatra mahafinaritra ilay vehivavy. # ala kely toerana izay hanirian'ny hazo maro # misy voankazo voafantina "misy ireo karazana voankazo tsara indrindra" # moina Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 1:12. # narda Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 1:12. # Narda Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 4:12. # safrona zava-manitra izay avy any amin'ny faritra maina avy amin'ny kofehy mavo eo afovoan'ny voninkazo sasany. # veromanitra Io dia volotara misy fofona tsara izay anaovan'ny olona menaka fanosorana. # kanelina zava-manitra azo avy tamin'ny hodi-kazo izay ampiasain'ny olona handrahoan-tsakafo # miora Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 1:12. # havozo karazana zava-maniry lava izay misy fofona tena tsara