# Ny fanomezam-boninahitra an'i Yaveh no mitarika ny olona amin'ny fiainana; izay rehetra manana izany dia ho afapo Midika izany fa ho ela velona izy ireo raha manaja an'i Yaveh. Ny hevitr'io fanambarana io feno dia azo atao mazava. DH: "Ho ela velona ireo izany manaja an'i Yaveh; ho afapo izay rehetra manaja an'i Yaveh" # izay rehetra manana izany Eto ny teny hoe "izany" dia manondro "ny "fanomezam-boninahitra an'i Yaveh." # ho afapo ary tsy ampahorian'ny ratsy Io dia azo atao hoe DH: "afapo; tsy hisy haninona azy" na "afapo; ho voaro izy" # kamo Adikao araka ny nataonao tao amin'ny 10:26 io teny io. # handevina ny tanany ao an-dovia "manatsoboka ny tanany ao an-dovia" na "mametrana ny tanany eo an-doviany." Tamin'ny kolotsaina ara-Baiboly dia matetika ny olona no nihinana tamin'ny tanany tahaka ny ataon'ny olona maro ankehitriny araka ny kolotsainy. # tsy hamerina hampiakatra izany ao am-bavany akory izy Tsy mamerina ny tanany ho eo am-bavany izy satria kamo loatra. DH: "saingy kamo hamerina hampiakatra ny tanany ao am-bavany loatra izy mba hamahana ny tenany"