# Fampifandraisana ny foto-kevitra Manohy mampianatra ireo mpianany amin'ny Toriteny eo an-tendrombohitra, izay niantomboka tao amin'ny 5:1 i Jesosy. Ato amin'ity fizarana ity, dia miresaka ny amin'ny "asa fahamarinana" ho an'ny fanaovan-tsoa, fivavahana, ary fifadin-kanina i Jesosy. # Fampahafantarana amin'ny ankapobeny Miresaka amina vondron'olona momba izay mety hanjoa azy ireo tsirairay avy i Jesosy. Ny teny hoe "-nareo" sy "anareo" dia manondro olona maro. # eo anatrehan'ny olona ianareo mba ho hitan'izy ireo Midika izany fa hanaja azy ireo izay mahita ilay olona. Azo atao hoe DH: "eo anatrehan'ny olona mba hahafahan'izy ireo mahita anareo ary manome haja anareo nohon'ny ny zava-bitanareo" # Rainareo Fiantsoana manan-danja ho an'Andriamanitra io. # aza mitsoka trompetra misarika ny hafa Io sarin-teny io dia midika fanaovana zavatra iniana atao mba hisarihana ny sain'ny hafa. DH: "aza misarika ny hafa ho an'ny tenanao tahaka ny olona izay mitsoka trompetra ao anaty vahoaka" # Lazaiko marina aminareo "milaza ny marina aminareo aho." Io fehezanteny io dia fanindriana izay ho lazain'i Jesosy manaraka.