# Fampifandraisana ny foto-kevitra Io no fiafaran'ny fizaran-tantara momba an'i Jaona Mpanao Batisa ary mamaritra izay nitranga taorian'ny nanaovany batisa an'i Jesosy. # Nony vita batisa Izy Azo atao hoe. DH: "Taorian'ny nanaovan'i Jaona batisa an'i Jesosy" # indro Ny teny hoe "indro" eto dia manaitra antsika mba ho liana tsara amin'ny tranga mahatalanjona manaraka izany. # nisokatra taminy ny lanitra Azo atao hoe DH: "Nahita ny lanitra nisokatra i Jesosy" na "Nosokafan'Andriamanitra ho an'i Jesosy ny lanitra" # nidina toy ny voromailala Ny mety ho dikany dia izao: 1) filazana tsotra hoe nanana endrika voromailala ny Fanahy Masina izany na 2) fomba fampitahana izay mapitaha ny Fanahy midina moramora eo amin'i Jesosy, amin'ny fomba fanaon'ny voromailala. # nisy feo avy any an-danitra nanao hoe "nandre feo avy any an-danitra i Jesosy." Eto ny hoe "feo" dia ilazana an'Andriamanitra miteny. DH: "Andriamanitra niteny avy any an-danitra" (UDB) # Zanako Fiantsoana tena manan-danja an'i Jesosy, ilay Zanak'Andriamanitra io.