# Fampahafantarana amin'ny ankapobeny Ataon'ny mpanoratra anaty farango sosona ny tenin'i Isaia mba hampisehoana fa ny fahaterahan'i Jesosy dia araka ny soratra masina. # Izany rehetra izany dia nitranga Tsy miteny intsony ilay anjely. Manazava ny maha zava-dehibe izay voalazan'ilay anjely i Matio izao. # izay nambaran'ny Tompo tamin'ny alalan'ny mpaminany Io dia azo atao hoe: "izay nasain'ny Tompo nosoratan'i Isaia hatry ny ela" # Indro... Imanoela Eto i Matio dia milaza ny tenin'i Isaia. # Indro "Jereo" na "Henoy" na "Tandremo tsara ny zavatra izay ho lazaiko aminareo." Io teny io dia manamafy izay ho lazaina manaraka. # Imanoela Anarana lehilahy io. # izay midika hoe: "Amintsika Amndriamanitra." Tsy ao amin'ny bokin'i Isaia io. Manazava ny hevitry ny anarana hoe "Imanoela" i Matio. Afaka adikanao amina fehezanteny misaraka io. DH: "Ny hevitr'io anarana io dia hoe 'Amintsika Andriamanitra.'"