# Fampahafantarana amin'ny ankapobeny Ity no fizarana manaraka ao amin'ny tantara. Tsy fantatsika hoe aiza ho hitrangan'ity; fa indray andro fotsiny raha nampianatra Jesosy. # Ary Ity dia manamarika ny fiantombohan'ny fizarana vaovao ao amin'ny tantara. # ireo mpamory hetra rehetra Ity dia fanatomboana resaka mba hilazana fa betsaka tamin'izy ireo no teo. DH: "mpamory hetra maro" # Io lehilahy io dia mandray mpanota "Ity lehilahy ity dia mamela ireo mpanota ho eo anatrehany" na "ity lehilahy ity dia mifandray amin'ny mpanota" # io lehilahy io Izy ireo dia niresaka momban'i Jesosy. # miara-mihinana amin'izy ireo mihintsy aza Ny teny hoe "mihintsy aza" dia mampiseho fa izy ireo dia mieritreritra fa ratsy tokoa ny namelan'i Jesosy ny mpanota hanatona Azy, fa mbola ratsy indrindra ny hiarahany misakafo amin'izy ireo.