# Fampahafantarana amin'ny ankapobeny Jesosy manomboka milaza fanoharana. # Aoka ny akanjo lavanareo ho hasikinareo ny valahanareo Ny olona dia nanao akanjo lava mitopatopa. Nosikinan'izy ireo teny am-balahany izany mba tsy hiravoravo amin'ny tany rehefa miasa izy ireo. DH: "'Sikino eo am-balahanareo ny akanjonareo mba ho vonona hanompo ianareo" # aoka ny jironareo hirehitra hatrany DH: "avelao hirehitra foana ny jironareo" # manaova tahaka ireo olona izay miandry ireo tompony Ity dia mampitaha ireo mpianatra vonona hiandry ny fiverenan'i Jesosy amin'ireo mpanompo izay vonona hiandry ny tompony. # hiverina avy any amin'ny lanonam-pampakaram-bady "hiverina ao an-trano avy any amin'ny lanonam-pampakaram-bady" # hanokatra ny varavarana ho azy Ity dia maneho ny varavaran'ny tranon'ilay tompo. Andraikitry ny mpanompony ny mamoha ho azy.