# Izao no fiainana mandrakizay: dia ny ahafantaran'izy ireo Anao, ilay Andriamanitra tokana sady marina, ary Izy izay nirahinao, dia Jesosy Kristy Ny fiainana mandrakizay dia ny mahafantatra ny tena Andriamanitra tokana, Andriamanitra Ray sy Andriamanitra Zanaka. # ahafantaran'izy ireo Anao Ity dia fomba fiteny hilazana hoe miaina miaraka amin'Andriamanitra fa tsy hoe mahafantatra zavatra momba Azy fotsiny. # ny asa izay nomenao Ahy ho ataoko Eto ny "asa" dia sari-teny milaza ny asan'i Jesosy rehetra teto ambonin'ny tany. # ry Ray, hankalazao miaraka amin'ny tenanao Aho amin'ny voninahitra izay nananako niaraka taminao talohan'ny nahariana izao tontolo izao Jesosy dia manana voninahitra miaraka amin'Andriamanitra Ray "talohan'ny nahariana izao tontolo izao" satria Jesosy dia Andriamanitra Zanaka. DH: "ry Ray, omeo voninahitra Aho amin'ny fitondrana Ahy eo amin'ny fanatrehanao tahaka ny tamintsika teo aloha namorona izao tontolo izao" # Ray Ity dia fiantsoana manan-danja ho an'Andriamanitra.