# Fampahafantarana amin'ny ankapobeny: Mbola manohy miteny Isaia. # Fa ny lapa dia ho afoy, ny tanàna feno vahoaka dia ho foana DH: "Fa hanadino ny lapa ny vahoaka ary handao ny tanàna ireo vahoaka" # ny havoana Io dia manondro ny trano mafy eny an-tampon-kavoana. DH: "ny fiarovana mafy eny an-tampon-kavoana" # ny havoana sy ny tilikambo fiambenana dia hanjary ho lava-bato Io dia miresaka ny fiarovana mafy sy ny tilikambo fiambenana izay nilaozana toy ny hoe nanjary lava-bato izany. DH: "hanjary hilaozana sy ho foana ny havoana sy ny tilikambo fiambenana" # fifaliana ho an'ireo boriky, ahi-maitso ho an'ireo ondry aman'osy Io dia midika fa hankafy ny ahitra izay maniry eo amin'ny fiarovana mafy sy tilikambo fiambenana ireo biby ireo. DH: "hihinana ny ahitra ao ireo borikidia sy ireo andian'ondry" # mandrakizay Midika fotoana lava be izany. DH: "fotoana tena lava be" # mandra-pilatsaky ny Fanahy DH: "mandra-pandatsak'i Yaveh ny Fanahy" # mandra-pilatsaky ny Fanahy...amintsika Io dia miresaka ny fanomezan'i Yaveh ny Fanahiny amin'ny vahoaka toy ny hoe rano izay hararaka eo amin'izy ireo ny Fanahiny. DH: "omena antsika ny Fanahy" # avy any amin'ny avo Eto ny lanitra dia tondroina amin'ny hoe "any amin'ny avo". DH: "avy any an-danitra" # ny saha mamokatra dia heverina toy ny hoe ala Io dia mampitaha ny haben'ny fitobahan'ny saha mamokatra raha ampitahaina amin'ny ala mikitroka, sy matevina izany. DH: "hilaza ny olona fa naniry be tahaka ny ala ireo saha mamokatra" na "ho feno habetsahana ireo saha mamokatra"