# ny faniriako dia ho tanteraka amin'izy ireo DH: "Hameno ny faniriako aminareo Aho" na "Halaiko amin'izy ireo ny tiako rehetra" # hamotika azy ireo ny tanako Ny fahavalo dia miresaka ny famotehana ireo Israelita amin'ny herin'ny tanany toy ny tanan'izy ireo izay hamotika azy ireo izany. DH: "Hamotika azy ireo amin'ny tanako Aho" # Nitsoka tamin'ny rivotrao ianao Resahan'i Mosesy toy ny hoe mitsoka rivotra amin'ny orony na vavany ny fitsohan'Andriamanitra rivotra. DH: "Nefa nataonao nitsoka ny rivotra" # nilentika tahaka ny firaka anatin'ny rano mahery Ny firaka dia vy mavesatra izay nampiasaina mba handetehana zavatra ao an-dranomasina. Ny teny hoe "firaka" eto dia nampiasaina mba hanehoana ny hafainganan'ny fahapotehan'ireo fahavalo. DH: "nilentika faingana tahaka ny firaka amin'ny rano manonja" # Iza no tahaka Anao, ry Yaveh, eo amin'ireo andriamanitra? Nampiasa io fanontaniana io i Mosesy mba haneho ny haben'Andriamanitra. DH: "O ry Yaveh, tsy misy olona tahaka Anao amin'ireo Andriamanitra!" na "Yaveh, tsy misy andriamanitra tahaka Anao!" # Iza no tahaka Anao,...manao fahagagana? Nampiasa io fanontaniana io i Mosesy mba haneho ny haben'Andriamanitra. DH: Tsy misy tahaka Anao. Tsy misy malaza amin'ny fahamasinana tahaka Anao, tsy misy omena voninahitra amin'ny dera tahaka Anao, ary tsy misy manao fahagagana tahaka Anao!"